url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/t-a-p-a-k-a | T a p a k a! | Ny Ami | Tapaka !
Isan'andro aho nisasatra niteny sy niangavy
Nitanondrika aho nitia mba hiantso azy hiverina
Nihodonany ny foko ka tena afa-nenina
Tofoka tateraka tsy hitazona azy indray
Hotapenako ny sofiko raha toa izy mbola hiantso
Iafina aho hiery ary hanangana hatsambato!
Ho tsaroako izay efa vita , hitodihako ny l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/fa-nankaiza | Fa nankaiza | joseclaudio | FA NANKAIZA
Fa nankaiza daholo ny olona ety?
No mangina sy moana ny tanàna, toa haolo.
Nankaiza, nankaiza fa toa tsy misy fitia.
Ka lasa drodroka sy boboka ny lovan'ny Ntaolo.
Fa nankaiza daholo ny Reny tetÿ?
No mitomany irery ao an-trano ireo zaza.
Nankaiza, nankaiza ... he mba modia!
Fa manina ravaka..., no l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/embona | Embona | Rafa | Roa taona lasa izay
No nandaozanao anay
Neny tiako tsy atakaloko
Voaloam-pitia sady mamiko
Misaotra tamin’ny fotoana niarahana
Tao ny tsiky, tomany ary koa fianarana
Neny o! ato am-poko mandrakizay
Ilay fitiavanao tsy maty fa mamaivay
Hisaorana Ianao Andriamanitra Ray
Ny nanomezanao an’I Neny malalanay
Nandri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/namana | Namana | Rafa | Namako efa ela, ary namako am-po
Hitantarako sy hifampizarako izay manjo
Tsy nifankafoy ary mifandray foana
Na mbola fahakely na amin’izao tonga taona
Nandeha ny andro, volana eny ny taona
Nisaran-toerana kanefa mbola tafahaona
Samy efa nanana ny olon-tiana
Ka nandeha teny arak’izay tiana
Sedram-piainana maro ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telomahery/raraka- | RARAKA !!! | Telomahery | Mandehana ianao mamangy
Ilay niarahana nisangy
Dia mba jereo ny voninkazo
Fa efa reraka malazo.
Rehefa tonga any ianao hitraka !
Hitadidy indray maka.
Ilay fitia nangalarina.
Efa tapaka sy farina.
Hitanao ao ilay hazonanome aloka.
Maty maratra feno kapoka .
Niarahana nitia andro_paka.
Nitantarana ireo tsy z... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/miserana | MISERANA | RFE Andria | MISERANA
Raha toa ka semban-drahona ny lanitrao anio
Tsarovy, mibaliaka ny masoandro ao ambonin’io
Tsy mitsahatra mamiratra ny tara-pahazavany
Ary koa mamelon’aina ny zara hafanany
Raha toa ireo masonao indreo mirotsak’orana
Noho ny onjan’alahelo misendaotra mahatorana
Antenao fa mbola ho ritra sy ho tankina ire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/mpiray-tampo | Mpiray tampo | Rafa | Dimy mianadahy no iray tampo
Roa lahy ary telo vavy iankinam-po
Dada sy Neny velon-tsiky amin’ireo taranaka
Izay antenanaina fa ahay hifanaraka
Tonga ny andro hisehoan’ny tantara
Amin’ireo adidin’ireo zanaka ama-para
Dasa sy Neny no efa zatra mpanantanteraka
Izy ireo variana mitoko resaka
Telo vavy iankinam-po
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/faniriko-faniriako | Faniriko | Ari Ira | Tsy mba fasana ilevenana
fa paradisa soa onenana
no nosokafanao ry tiako,
naha-to ny faniriako….
Ianao,
ilay vazy hanotorako
voninkazo tsara loko,
ireo hanitra ato am-poko
hivelatra ao anatinao.
Izaho,
voa iray manaiky hitsiry
an-jaridain’ny fonao
ka ny raozy hipoitra avy ao
haingon-tsika roa rahavana…
Fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/tokatrano-sambatra | Tokatrano sambatra! | Ny Ami | Tokatrano sambatra!
Aza fotsiny mitia fa mitiava tena lafatra
Aza asiana "velantsihy"
Fa tanteraho aloha ilay hafatra;
Ilay tenin'Andriamanitra sy ireo Folo didiny
tanteraho am-pifaliana fa izay no nofinidiny.
Aza fotsiny mitia fa mahaiza aloha manaja!
Tanteraho ireo dina sy ireo voalazam-bava
Aza asiana hoe "s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rh-mayam/maniry | MANIRY! | RH Mayam | Misy elatra iray te hitsidina ambony,
Maniry hamakivaky ity lanitra mideza
Fonenam-boromanga sy ireo biby ary elatra.
Misy olona iray te hanampatra ny fony,
Maniry mba hianona fitiavana mateza
Anaty lapa iray feno vatosoa manjelatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miandry-berantoson/tsy-nofy-fa | Tsy nofy fa..... | Mi'andry Berantoson | Tsy nofy fa.....
Mbola ho avy ny maraina
Izay efa ela nandrandraina
Tsy mampaninona izay fandatsana
na koa fanambaniana sy fankahalana
Ho reraka foana izay hanakiana
Na tsy mety aza dia aleo mangiana
Fa tsy ahatonga aiza akory ny adiady
Saingy ireny no fambara ny hoavy....
Androany ianao mety hanao eson-teny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/ity-fitiavako | ITY FITIAVAKO | Nat'urel | Ity fitiavako voarara
Fa tsy azo miatso ilay malala
Ka toa ranomaso lava
No manorika amin ny tava
Ity fiainako voaozona
Ka ny fitiavako avy no voaozongozona
Ka maha te hisotro poizina
Fa iaretako izany
Hiafiako hatrany hatrany
Iafianana ihany na tsiky na tomany
Ka lay fitiavako anao tsy miova
Ka na irodana a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoana15/izy-valo-mianaka | IZY VALO MIANAKA | Zoana15 | … hiakatra aty Antananarivo, hitady fiainana vaovao, hiala amin’ny fahasahiranana sy ny fahantrana tany Ambanivolo. 15 taona izao i Riana kilasy fahatelo amin’ny garabola, manana zandry dimy izy, roa volana ny farany indrindra ary ilay zokin’ity farany dia vao herintaona mahery monja, izy no mitaiza azy ary efa izy foa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telomahery/avotsory | Avotsory | Telomahery | Tsy rariny intsony ny zavatra ataony ,
Fa angamba efa mahazatra na efa fanaony
Raha tonga ny maraina izaho mikalo voninkazo
Fa ny azy kosa mitango mba halazo.
Ekeko ny fitiavany hamboraka sy haka
Kanefa io felam-boninkazo io misaringotra amin'ny faka.
Ampahafantariko azy fa manina ny vony
Ka andrasako eto izy di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/hatraiza | HATRAIZA? | Nat'urel | Hatraiza re ny fetran ity fitiavana naorina
Mba handroso amin izay ve sa vaomaika hitorona
Mety mba hanavatsava sy handravarava ny akaso eto an-tany
Ka ny alaelo dia ho foana miaraka amin ny tomany
Satria ny fitiavana natolotro dia bediabe
Ary tiako isika roa mba hifampitantana eny amin ny arabe
Mbola nofinofy ne... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-olona-tsara | NY OLONA TSARA | Fredy Jaofera | NY OLONA TSARA
Ny olona tsara
no haratsina
fa be anjara
azo itokiana.
Ny olona tsara
no esoesoina
fa be tantara
azo koloina
Ny olona tsara
no ankahalaina
fa azo ambara
ho misy saina.
Ny olona tsara
no voasoketa
fa be amboara
ka mahareta ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vary-sy-rano | VARY SY RANO | Fredy Jaofera | VARY SY RANO
Vary sy rano ka tsy mifamoy,
ony misosa ka mora mitohy,
anjara nomena ka iravoravoana,
harenako ihany ka tsarotsaroana.
Iraka anio ny fo sy ny saiko,
ravaka soa ho anao, ry lalaiko,
andry mahery natao tsy hikoro,
namana roa mbola afa-mijoro.
Andro sy alina ! Na aiza na aiza ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/inay-aho | INAY AHO | Nat'urel | Inay aho tsy nitia
Tsz nahala tina tsy nahay nitia !
Fa inay aho mbola zaza
Ka tsy afaka nampitabataba
Izay fitiavana akory
Ny kely tato am-poko tsy nifoha fa natory
Inay koa aho nitokamonina
Dia tsy nahalala olona
Afa tsy ny tenako
Ka ny voankazo tao an-ala no sakafo sy harenako
Tsy naratran ny fitiavana
Ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/soretra | SORETRA | Fredy Jaofera | SORETRA
Soretra aho manaraka
ny fiainam-pirenena ;
ny vola toa miraraka
fa be no mahonena.
Soretra aho mahita
mpatory anaty fako
mba maro no tafita,
f'ireto dia tsy bako.
Soretra aho mijery
mahantra lavareny;
topazo fa tsy miery
ny loto izay ekeny.
Soretra aho mahare
mpanendaka, ry lahy !
Hany raha mande... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/mba-valio | MBA VALIO | Nat'urel | Eny hoy aho ry ilay tiako fa tsy tia ahy
Za mankeo anilany fa izy tsy miraharaha
Famborahan fitia mba nasiako aingo
Fa ny valiteniny bola tsisy fa baraingo
Fa toy ny ahoana ny tavako
No dia halanao aho rahavako?
O ry se a!Aza dia atao an io
Fa raha sitrakao dia mba valio
Ka raha diso mba haitsio
Fa fitiavako a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vodifahitra | VODIFAHITRA | Fredy Jaofera | VODIFAHITRA
Hajao ny vodifahitra
no didy anankiray ;
omeo ny voninahitra
fa hafatry ny Ray.
Henoy ny vodifahitra
rehefa mba miteny
fa ho toy ny ahitra
ny andronao ireny.
Ampio ny vodifahitra
rehefa mba mitady ;
fa mariky ny tahitra
ny vitanao sahady.
Jereo ny vodifahitra
rehefa mba mimalo
fa any misy fah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/navh-razafinomenjanahary/ilay-fitiavana | ILAY FITIAVANA | Navh RAZAFINOMENJANAHARY | Hikombona ho moana ny vavan ny tsy tia
Rehefa isika roa no mahay mifankatia
mifandefitra sy mifampizara fitiavana
hiaiky ny tsy tia hatramin ireo havana
dia ho fitaratra isika eny an dalana ombana
hifampizara hafaliana alahelo izay tsy tana
hoentina mihatrlka ny sedra eto an tany
satria na aiza na aiza tsy maint... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/midona | MIDONA | Fredy Jaofera | MIDONA
Raha averiko eto ireny Lasa tsy nitoetra
mipolololotra ho azy ny sento nampitsetra ;
mamolivoly izany ka izay hita sy tazanina
mamoaka vetivety ny embona sy hanina.
Dia eritreritra miserana, rivodrivotra madio
no mitondra ny alahelo misy ratra...Tadidio !
Fahanginana hafahafa no iny mampahatsiaro
ny san... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raoelfia | RAOELFIA | Fredy Jaofera | RAOELFIA
Iza moa iny olona mijaikojaiko,
mamingavinga no mibaikobaiko ?
Iza moa iny fa tsy tiako im-polo
fa manaratsy no toa vorondolo ?
Iza moa iny fa toa tsy mitafa,
tia miavonavona no hafahafa ?
Iza, ho'aho, iny fa ratsy fanahy,
mieboebo ka mahasosotra ahy ?
Iza moa ity tsy mahataho-tody
manosihosy sy mika... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/aiza-re-izy-ity | AIZA RE IZY ITY | RFE Andria | AIZA RE IZY ITY ?
Lazaina sy dradraina ho nahazo fahafahana izato ianao ry taniko
Nefa re nahoana no hatramin’izao mampirotsaka tomaniko
Izao tokoa va re no fahaleovantena nimatesan’ireo razako?
Raha izany mahonena ny fahitana anao hatreo am-paratazako
Sa kosa lahy aleo sarintsarim-pahafahana arahim-pihafiana
Fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tiako-ka-hajaiko | TIAKO KA HAJAIKO | RFE Andria | A) TIAKO KA HAJAIKO
“Aza manontany hoe tiako ve ny teniko
Fa ny voasoratro tsy mbola nisy neniko
Tsy àry ho voasoratra amin’ny finday
Rehefa azo ny hevitra dia efa izy izay
Izahay tsy maka L fa kosa maka mora”
Kanefa anie jereo, diniho dia lazao
Amin’ny saina marina, avia mba tsarao
Ny aiza no manaja ny tenindr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-ahoako | TSY AHOAKO | RFE Andria | TSY AHOAKO
Tsy ahoako izay felaka sy ritsodritsok’ady
Asesiky ny fiainana mila hampandadilady
Fa na mafy toa inona ny afitsony ‘zareo
Izaho tsy hilavo lefona fa hampiaka-peo
Tsy ahoako izay kaikitra fanetoky ny jaly
F’ireny aza setraiko fanahy mifalifaly
Ka na mafy toa inona izany fanaintainana
Izaho kosa hitsi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/ho-fitiavako-anao-dia- | HO FITIAVAKO ANAO DIA ... | Nat'urel | Ho sosoratako mangina
Ity foko lavitiana
Ka marary raha arina
Hiraiko tsy miato
Ataoko manakoako
Fa misy fitiavana tsy miato
Ato anatiko ato
Mitempo foana foana
Mandrakizay tsy ho foana
Ka atolotro tsy lany
Ho anao atrany atrany
Mandra-pa tapitry ny tany
Raha ianao no fihinina
Amin ny andro ririnina
Ka il... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fyfty-unilah/asa- | asa ...! | fyfty unilah | Gaga ihany aho nahoana moa isika no niresaka?
Asa...! Hoe nahoana izaho aza manontany tena
Tendrin-janahary ve isika tafaresaka
Sa hoe kisendrasendra, sa ankaterena?
Ny handraisako azy dia tsy tongatonga ho azy
Fa avy amin'Ilay Nahary izay hisaorako azy
F'ianao no olon-tokana namoha ny hafaliako
Izay efa rendrik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ho-aiza | HO AIZA...? | RFE Andria | HO AIZA...?
Misondrotra avokoa izao afa-tsy ny karama
Handeha ho aiza indray izahay mitamatama?
Korontana ivelany, korontana anatiny
Izahay madinika no mihinana ny fatiny
Tsy olana izany ho an-drizareo lehibe
Fa ho anay kosa: "aiza no haleha?"
Efa isan'andro ny sakafo ambany foitra
Tsy hita izay herehina, ho ai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/veloma | VELOMA | Fredy Jaofera | VELOMA
Maninona, ho'aho, izato tany,
tahaka izao sy maizin-dava ?
Rahoviana no tsy ho tomany
no ho avy sy mba hanazava ?
Nahoana no rako-tomany
'zato fiainana manorisory ?
Nahoana, rahavako, izany
fa ny foko no ory dia ory ?
Nankaiza ny hoe : fifaliana
no tomany no sisa efaina ?
Nahoana no nampijaliana
'ty ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rh-mayam/fiangaviana | FIANGAVIANA | RH Mayam | Izao antsoko izao
mba iangaviako anao,
Aoka tsy ho fatany!
Sao mantsy ho zakany
fa mandry an-tanimena
ilay zaza mahonena
naloaky ny kibony!
Ny tananao no atolory
fa aza milaza akory
ny mombamomba ahy,
Lazao hoe tsy manahy;
Fa mizotra am-pilaminana
tsy misy mitongilana
ny iraka ataony.
Izay no iangaviako!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/tamin-izany | TAMIN IZANY | Nat'urel | Teto ianao fahiny no namaly fa tia ahy
Teto ihany koa no nanorohanao ahy
Fa teto tamin izany no nisotroana ny mamy
Teto isika roa no nifamafa ny tomany
Dia nisinda ny alaelo fa ianao teto anilako
Paradisa tamin izany fa tsy helo no nidirako
Fa nivadika ny rasa ankehitriny
Niova TSY daholo nyENY nao fahiny
Ka ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rh-mayam/iny-diam-peniko-iny-8126 | INY DIAM-PENIKO INY | RH Mayam | Iny diam-peniko iny
mba araho maso kely,
Fa mbola zazakely
mianatra miteny;
Mbola fanahin-jaza,
ka aza atao mahagaga
raha miteniteny foana,
na mivolan-tsy tsaroana.
Iny diam-peniko iny
aza dia melohinao
fa zanako iny mantsy!
Mbola mila nonon-dreny
hoentiny ho vatsy
Ka ahitsio fa adala!
Aza omena tsiny
ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anyriana/sentosento | sentosento | anyriana | Eh...!Ilay olona iny e!
Miserana matetika;
Tsy azo atao vahiny;
Satria nibaiko fo hiketrika;
Eh...!Maniry mafy AHO;
Maniry ny hahita;
Eny maniry indray;
Ilay endrika sariaka;
Hilaza teny,teny to;
IANAO,ho AHY, no mampitony fo.
Eh...!ny AHY mantsy tsy tantiko;
Ny nataon'ilay voalohany;
Izay tena tsy mety ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoana15/mahaiza-mionona | MAHAIZA MIONONA | Zoana15 | Mafy loatra angaha hono izany atao hoe manadino?
No toa henoko hatraty izato ianao nirimorimo
Te hanapitra aina sy tsy te ho velona intsony
Mieritreritra fa hoe izy tsy ho anao intsony!
Tena nanaitra loatra ve izao fahasambarany izao ?
No toa tsy voafehinao intsony izato ranomasonao?
Fony izy teo anilanao, tsy mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tinah-mahefahaja/hanatra | HANATRA | Tinah mahefahaja | Eh! Ity aho dia tsy tafita
Na ny fianarana aza ity tsy vita
Ny kibo ambalana jereo fa hita
Tsy aleo ve nijanona ihany
Ny volan' ny dada sy neny izao lany
Ny zanany ity mirefarefa amin'ny tany
Tena mahatsiaro manenina be
Nanjary madama tsy misy ramose
Kanefa mba nieritreritra ho "bachelier"
Kinanjo namonjy mate... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/fotoana-fohy | Fotoana Fohy!! | Ny Ami | Iray segodra no mazana manova ny fisiana
Mitempotempo tsy hay lembenana ka mampisitaka ny tiana
Manova ny tontolo sy mampiofo indray ny habaka
Miteraka alon-drano mampiforona ny lavaka!
Fotoana fohy mazana no hanadinoana ilay voady
Handranitana ireo ady
Sy hanomezan-tsiny ilay efa nofinidy
Hisehoan'izay mangidy,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/henintsoakely/ny-antom-pisiko | ny antom-pisiko | henintsoakely | Raha fantarao ny antom-pisiko
Hisedra ny fiainana mandalo
Fa raha ianao no olotiko
TSy amidy tsy hatakaliko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/tiako-ianao | TIAKO IANAO | Nat'urel | Ianao ry tovovavy nambabo ity foko
Nijoro teto anilako dia nitsoaka ny toloko
Ny fitiavako tsy azo refesina
Ny foko ilaozanao mety ho arafesina
Ka mba valio fa aza mapiesona
Ny mema iangaviako dia za aza ampirafesina
Ny tena ny marina amina dia fo tokana
Ka raha tsy amaly ianao dia izy mety itokona
Ka ity foko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/superstition | Superstition | Ari Ira | oSUPERSTITION (Aza adika amin’ny teny Gasy)
Olombelona aho ry namana!!!
Saina, vatana, fanahy
Ivo ihany koa fa rà.
Tsara ho ahy ilay anarana,
ny tontolo manontolo
no nanjary velom-bolo
tamin’ny andro nahaterahako.
Ary ilay Mpahary,
tsy nanan-tsafidy…
Raha tsy nohariany aho
tsy hiteny hoe misy Izy.
Ary ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/io-fitiavana-io | IO FITIAVANA IO | Nofy2 | Io fitiavana io sakaiza tena sarotra fa ady
Mbola zaza loatra ianao ka aza miditra sahady
Fa handalo eo foana rehefa any aoriana any
aza taitra na mba maika,mbola ho avy ihany izany
Fa andeha lazaiko anao ny amin’io fitiavana io
Saino tsara,eritrereto ary koa nge mba diniho
Fa raha toa ka hiditra ao aoka kely mba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/kalom-boronkely | KALOM-BORONKELY | Tsanta MIKANTO | KALOM-BORONKELY
Kalokalom-boronkely
Teo ambonin’ny landemy,
No nampitsahatra ny aliko..
Mantsy ireny vita ireny,
Dia fijaliana ombieny ombieny..
Jafajafa sy tomaniko !
Ririnina mandrivo-maina
Izay norarafan’ny fanala..
miampy tsindron’ireo taho
No lamba nandrakotra ahy
Koa tonga ary ny maraina,
Dia aza hata... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rh-mayam/mahantra | MAHANTRA! | RH Mayam | Efa nisalorany
ny lamba vaso-doko
mitakoso-tanimena!
Nefa...
Tsy mba natahorany
reo rivotra nisoko
namely an-kafetsena.
Nilomanosany matetika
ireo vongan-dranomaso
nikoriana teny an-tavany.
Ka...
Nitolefika izy mbetika
noho ny vesatry ankaso
izay matetika no tazany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/lasa-ianao-tohiny | LASA IANAO | Nat'urel | Ny tenako dia kivy
Ny lalako aza tsy izy
Fa lasa antsana mandratra
Ary koa feno latsa
Nefa dia mizaka ny eto antany
Dia mikiry mamafa ilay tomany
Fa ianao tsy afa-mandaha
Te anaraka aho fa tsy sahy
Dia mionona tsy fidiny
Dia mizaka izany ngidiny
Fa raha mba velona ianao dia tsy nisy fahoriana
Raha tsy lasa m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rh-mayam/ny-jaliko | NY JALIKO! | RH Mayam | Raha ny jaliko no haborako
ao anaty asa soratro
mba ho fantatrao mpamaky?
sao ianao tsy hahatanty!
Fa tena mahafaty
sy mandoro ny ao anaty!
Kanefa dia zakaiko,
ary mbola holanjaiko
na hanafaka ny aiko!
Ka aleo tsy ho tantaraiko.
Fa na ho boky maro
no hofenoiko kalo;
mitanisa ireny jaly
izay nobabeko hatram... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/fandrosoana-ve | Fandrosoana ve? | joseclaudio | FANDROSOANA VE???
Fandrosoana ve...
Ankizy maromaro milalao ëny an-tsaha.
Lahy sy vavy mifarimbona,
Hamelona vahoaka.
Tsy mba tazana eny aminy izany vatana malaina.
Tsy maintsy mitràka izy ireo, ary miasa vao maraina.
Fandrosoana ve...
Ankizy maromaro milalao ëny an-dàlana.
Lahy sy vavy mifampitantana,
Tsy ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/ataoko-ahoana | Ataoko ahoana | joseclaudio | ATAOKO AHOANA
Ataoko ahoana no hikipy
Manoloana ireto maso
Mangarika hotopazana.
Ataoko ahoana no handà
Ireto tana-maro misaringotra
Mitazona ahy hijanona.
Ataoko ahoana no hilefa
Ireto noana sy mijaly
Mitady fanampiana.
Nefa...
Ataoko ahoana no hamaly
Ny vetsovetso-pony.
Ao anaty ny minitra?
Angamba!tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/veloma | VELOMA | Tsanta MIKANTO | Tononkalo ho fanaovam-beloma an'i Madame ANDRIANTOAVINA,izay mpanabe antsika tao am ENS izay maty nianjeran'ny trano niaraka tamin'ny fianakaviany tetsy fiadanana ny fevrier 20115. Tsy ho adinonay ianao
VELOMA
Amboara iray :veloma !
Ry foko ô, mionona ,
Fa nofo izy iny !
Mainty very hariva,
Masoandro iray nadiva ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/h-i-t-s-i-k-y- | H i t s i k y ! | Ny Ami | Hitsikiko ianao fa tiko,
Aho na oviana tsy hamaly,
Teo anilanao no mba niriko
Tosika no indro namparary .
Hitsikiko ianao fa nankahala,
Aho na oviana tsy hitody,
Faniriko ianao ho malala ,
Indrisy.... mandramaty ianao tsy hody.
Hitsikiko ianao fa mamiko,
Mandrakizay tsy ho fananako,
Anefa ianao ilay nindramik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/arendrina-sinoa | ARENDRINA SINOA | Tsanta MIKANTO | ARENDRINA SINOA
Arendrina sinoa,.. no andeha hovidiany,
Fa iny hono mantsy no maminy sy tiany,
Fa ireny hono… no lamaody sady manja
Hanandratany ny tenany ho olo manan-danja !
Mba inona ny anao,izay baoritra manify
Raha mihoatra ny azy dia kôtiany ho tsy misy
Tsy manintona ny maso,tsy mahasarika mpijery..
Fa ef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/embona | EMBONA | Tsanta MIKANTO | EMBONA
Any ianao mantsy,any manirery,
Tsy mahalala akory,lay fitiako misitery…
Any ianao tsy fantatro,raha mba mamisavisa
Fa izaho aty mandinika ny kintana alin’kisa
Any ianao any,’lay hivavahako isan’alina
Mba ho nofinofisiko ao anaty nofy lalina
Any ianao ka any,tsy mahalala akory
Fa izaho isan’andro dia tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/hafa-ihany-i-dada-sy-i-neny | HAFA IHANY I DADA SY I NENY | Tsanta MIKANTO | HAFA IHANY I DADA SY I NENY
Maro ny namana manampy eny ho eny,
Miara-milalao ary miara-manjeny,
Maro ny fitia izay omen’ireny,
Saingy hafa ihany i « Dada sy i Neny » !
Nandady,nihafy,ary koa tsy natory,
Ireo hatsembohany,tsy fantatro akory,
Fa hay izy ireo ka nihafy aok’izany
Mba hahaolom-banona ahy eto an-tany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/ny-lalako | NY LALAKO | Tsanta MIKANTO | NY LALAKO…
Raha iny lalako iny…,
Dia aleoko ,mandeha irery,
Fa ny dian-tongotrao
Tsy mendrika …ireo fery…
Aiza re i“Rova izay mirehitra jiro”?
Hazavao ity lalako, izay tsy misy hombana
Ka raha mba misy mamy any re,ampirimo!
Mba ho an’izay,tsy mba misy ambim-bava!
Toa mikitroka anefa ,no sady manjavona
Izato f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/fony-ankizy | "Tsiahi-pahazazana " | Z'ANDRYGASY | Efa lasa hono ny zavatra taloha
Kanefa izany tsy voakosika ao an-doha
Asa ianao hiombon-kevitra amiko
Fa misy fotoana tena mamiko
Fiainana fony ankizy
Mamy izay ts ' izy
Izahay tamin'ny mbola kely
Tsy sahy nifandao velively
Eny tsy sahy nifandao
fa niara-nilalao
Mamy loatra taminay ireny fotoana ireny
Ka ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/resy-aho | RESY AHO | Tsanta MIKANTO | RESY AHO
Resy aho fa mbola hitràka
Voadingana aho fa mbola ho lasa,
Ory aho fa mbola hifaly,
Tsiriry aho fa mbola ho vary!
Resy aho dia hangina,
Resy aho satria hafa
Eny e! hafa marina angamba aho a!!!
Hafa aho raha mitomany,
Tsy mba manam-paharoa
Ny fihomehiko koa dia hafa!
Hositrana ny feriko,ary hotantera... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/afonny-fanantenana | AFON'NY FANANTENANA | Tsanta MIKANTO | AFON'NY FANANTENANA
Maty ny afon'ny fanantenako,
Maty kanefa tsy hitako akory
Maty no sady narahin-damako
Maty izy eny fa tsy hoe natory
Maty,ary eny tsy hifoha intsony
Matin'ny afon'ireo panangoly
Matin'ireo fehy amboaram-pony
Maty toa vitsika an-tanimboly
Maty satria nitia mangina
Maty tsy nahy fa tsy mba n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/gasikarako-ho-aiza-i | GASIKARAKO HO AIZA? | Tsanta MIKANTO | GASIKARAKO HO AIZA ?
Iarivoko rahampitso, Gasikarako mankaiza,
Toa nofo iray masiso, toa zaza ratsy taiza
Lotoin’ireo mpioty, mpaka tsy namboly
Ny mitondra anao ? toa ataony ala voly !!
Ohatra itony,tena mahangoly…
HOE …
Aloka mandifotra, trànga iray tsy ekena
Manarona ny nosy, mambotry firenena
Nefa toa manar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/lasa-ianao | LASA IANAO | Nat'urel | Ity foko ilay nitia tamin izany
Natory an-tratranao ka tsy nitomany
Nefa tampoka tsy nampoizina
Ity fahafatesana voaozona
Dia nandrodana tsy niera
Ity andry nato tsy ianjera
Ka ilay raozy an-jaridaina zaniriako hamelana
Dia indro fa nalazo ka nihitsana ity felana
Ka ianao ry tiako ilay mamy tato am-poko
Ianao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/vavaka-hitia | VAVAKA HITIA | Tsanta MIKANTO | VAVAKA HITIA
Ry afon’ny fitia,
Tairo aho mba tsy ho rendrika,
Ry fitiavana ô avia,
Mba omeo ahy izay mendrika,
Ka ho fitia tena fitia,
Ary tsy ho ravan’erika
Eny,ho mandrakizay doria,
N'iza n'iza hanenjika |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/anatry-ny-zoky | ANATRY NY ZOKY | Tsanta MIKANTO | ANATRY NY ZOKY
Zandry a !mba mianara tsara,
Jereo ny fiainantsika,tsinjovy koa ny am-para,
I Dada sy i Neny anie tsy ho eo foana foana,
Hamahana anao raha iny sendra noana….
Mba ampio izy ireo amin’ny raharaha ireriny
Mahaiza koa manaja sy mankatoa ny teniny
Aza avela ho fotsy rora izy ireo raha mba mananatra,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/raha-toa-ka | RAHA TOA KA... | Tsanta MIKANTO | RAHA TOA KA…
Raha toa ka…
Mbola hiahiahy hatrany,
Dia aleo ho nofy ihany !
Raha toa ka tsy hifamaly,
Fa mbola toy ny omaly,
Dia aleo aho tsy hiangaly..
Raha toa ka mbola kiana
No azoko amin’ny tiana,
Dia sento ifandrafiana,..
‘Zay mahatonga fijaliana !
Raha toa tsy hitampify
Izay mety ho tandrify
Dia aleo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/misy | Misy | joseclaudio | MISY
Misy olona any ho any,
Tsy manadino anao izany.
Misy alina ihany koa,
mampahatsiahy ireo taloha.
Misy olona any ho any,
Miandrandra anao foana.
Misy fitia ihany koa
Toa nanjary babangaona.
Misy olona any ho any,
Mivetso anao fatratra.
Misy feo ihany koa
Miantso anao hiakatra.
Misy olona any ho any,
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/sahy-ve-ianao | sahy ve ianao | joseclaudio | SAHY VE IANAO?
Ianao ve mba misaina,
Ianao ve mba mandinika?
Fa maro ireo mitaraina
Ary betsaka ireo misitaka
Ny akany nipoirany,noho ny fahantrana!
Ianao ve mba mijery,
Ianao ve mba mitazana?
Fa mitomany irery,
Tsy manana iantsapazana
Ireto ory, ihara-tsindry hazolena!
Ianao ve mba mamantatra,
Ianao ve mba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mba-iriako | MBA IRIAKO | RFE Andria | MBA IRIAKO
Mba iriako…
ny ho ilay rivotra fohanao mandavan’andro
ny ho mpanafana anao toy iry masoandro
manafosafo ny endrikao raha tonga ny maraina
mandrotsirotsy anao sy mamelombelon’aina
Mba iriako…
ny ho toy ny siotsiokam-borona milanto
manavatsava ny habaka amin-kira tena kanto
hampitako ilay hafatry ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/ialako-tsiny- | " Ialako tsiny " | Z'ANDRYGASY | Ialako tsiny aminao
Raha toa ka nampirafy :
Izay niniako natao.
Fa zaho fa te higafy
Ialako tsiny koa, raha toa ka nandratra,
ny fonao fa izaho dia efa zatra;
ny mahita anao tomany
Fa fifaliana ho ahy izany
Tsy hoe zaho no tena fositra
Raha toa ka nandositra
Rehefa inty ianao tamy
Fa ianao dia efa lany mamy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/vatranao | vatranao | joseclaudio | VATRANAO
Vatranao jerena ve
Ny fony mitomany
Noho ny ditranao?
Vatranao hosena
Ny toki-panantenany
Mbola mila anao!
Vatranao tsy henoina
Ny feony mifona
Nefa tsy mba diso.
Farany...dia vitanao
Ny nanadino azy
Nefa izy mbola tia.
Inona ary no azony atao?
Tsy misy afa-tsy
Ny mitomany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/sento-fahavaratra | Sento fahavaratra | joseclaudio | SENTO FAHAVARATRA
Misy ranomaso latsaka
Nanakotsa ity tavako.
Misy vetso tonom-bavaka
Efa fanaoko isan'andro.
Misy fakan'alahelo
Toa miraikitra ao am-po.
Misy sento mamelovelo
Mafy fofona tokoa!
Misy aloka niserana,
Nanajamba ny fijeriko.
Misy feo toa mihovitrovitra
Namparary ity lohako.
Misy fitia te-hitr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraka/sitrako | sitrako | Sitraka | Sitrako androany
Ny hanoratra ho anao
Dika soratra mazava
Dia bolongan-teny mamy
Sy takelaka vaovao
Azo asoritra eny an-tava.
Sitrako anio
Ny manolotra arahaba
Feno ho anao ry Neny.
Dia izao no tadidio
fa firariantsoan'ny vava
No aborako amin'ny teny.
Sitrako hatrizay
Ny niteny moramora
Hoe:"tiako ianao r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/aoka-izay | AOKA IZAY | RFE Andria | AOKA IZAY
Aoka izay ny ranomaso
Tsiky indray no alefaso
Aoka izay ny saina lagy
Fa soloy ilay fo “swag”
Aoka izay ny lonilony
Miezaha indray ho tony
Aoka izay ny alahelo
Fifaliana asolo helo
Aoka izay ny hatezerana
Fifamelana aza ferana
Aoka izay ny fanahy ratsy
Ny raki-tsoa atao vatsy
Saina miiba re fadio... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/tonga-tonga | Tonga-tonga | JERY | Tonga-tonga
Tonga tonga teo izy
Nivonto fo tamin'ny tsy rariny
Resy teo dia nangaina
Eny,lasa ny olo-tiany
Lasa nandao ny tranony
Namela areti-tsaina
Dia tonga-tonga teo tokoa
Iza moa no nanampo
Hoe izany no hiafarany
Sasatry ny misento lava
Dia ho malomalo-tava
Ny hatezerany amin'izany.....?
RAKOTOMALALA ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraka/poeta | poeta | Sitraka | Poeta va ianao?
Poeta hono ianao, sa tsy izany akory?
Sao dia manonofy na koa mbola
matory.
Ny fahitako anao anefa toa mba hendry ihany.
Ny Poeta anie adala e! ts mba toa izany.
Milaza ny tsy misy
Sy mpanaraka vinany,
Angamba tsy ampy visy,
Voadona tany ho any.
Manofinofy foana
Saritsarim-paminany
Mitety ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dl/satria | SATRIA | D.L. | Ny androm-piainako rehetra
Dia nafoiko noho ianao
Ilay fitia no mitoetra
Satria tiako loatra ianao
Eny!androany no anaovako,
ireo dina mety atao
Fa ny bitsika ny ato am_poko
no ilazako hoe tiako ianao
Hafaliana ery ny ahy
raha nifanaiky taminao
Ilay fotoana kely iray
no tsy nahafoizako anao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/t.v.s-toaka-vady-sipa-resaka-nifanaovanny-samy-mpanoratra | "T.V.S : Toaka, Vady, Sipa " | Z'ANDRYGASY | Misy milaza fa ny toaka
Manala baraka amasom-bahoaka
Tsy hoe zaho no be filaza
Fa ny fety tiana halaza,
Tiana tsy hangatsika
Asiana toaka arahina mozika
Avelao hipoaka izay hipoaka
Fa tiako lesy ny toaka
Tsy maninona na tsy mitafy
Fa hamidy toaka no niasako mafy
Zahay tsy maintsy mirevy ry namana
Tsy misy ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/mety-anenina-ianao | Mety anenina ianao | Nat'urel | Saro-piaro ve aho sa ianao no saro-tiana
Fa lay fitia nomeko anao fahiny dia nariana
Nofoanana,nopotehina ary koa narodana
Mandinika an'zany aho dia torovana
Fa ianao lay fahiny mba nantenaina
Ankehitriny dia mandroaka ahy fa hoe tsy hilaina
Ankehitriny notapahinao tanteraka
Foana lay nofy hoe:za sy ianao nifamp... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/fo-iraisana | Fo iraisana | JERY | Fo iraisana
Ka anao aho dia malefaka
Tia anao aho dia nipetraka
Ka hibanjina ny ho avy
Tsy ho handalovam-behivavy
Fa fo iraisana ny antsika
Tia anao aho ka namaritra
Babonao aho ka nifatotra
Tsy ho mpizara voninkazo
Izay rehetra tiako hahazo
Fa fo iraisana ny antsika
Tia anao aho ka namboraka
Fenonao aho di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/mba-anaro-ihany | MBA ANARO IHANY | Nat'urel | Mora lehibe ve ny akizy amin'izaho?
Toa vao folo taona dia ilaozany ny lalao
Zavatra hafa indray no ilainy
Tsy tantara vato intsony fa vady ny ao atsainy
Io ny mahavariana
Za izaho roapolo taona tsy manana olotiana
Any apianarana mbola ao amin ny EPP
Rehefa amin ny folo mody miera mipipy
Inona no ataony!?
Any ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/ny-any-ambanivohitray | Ny any ambanivohitray | Z'ANDRYGASY | Tselatra mandalo, alina mangina,
Mamoha alahelo, ahatsiarovan'olo-tina.
Soamiditra, Soamiditra : lalaon'ankizy
Mahamanina, mampanembona izay ts ' izy
Antsam-borokely, eny ambony ratsan-kazo
Saina mihareraka, aina mila tsy ho azo
Noho ny hanina tomefy
Sy fahatsiarovana tsy voarefy
Any izay i zoky, i zandry ary D... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/fitiavana-hafahafa | FITIAVANA HAFAHAFA | Lova miar'shu | Avaloko ny lasa,
banjiniko ny ho avy,
toa fitiavana hafahafa,
hampivarina any an-kady.
Efa an-tanan'olon-kafa,
ity misangy ahy matetika,
fa fitiavana hafahafa,
vao mitia dia efa rendrika.
Tsy tiako hipoitra intsony,
ny amin'ny fiainan'ny ho aviko,
fa nahatonga sorisory,
tamin'ny lalana nodiaviko.
Hofadiako ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/raozy | Raozy | JERY | Raozy
Iny raozy mena iny,ifanoloran'ny mpifankatia
Moa inona tokoa re no tena mba antony?
Afaka ny hiteny ve na hitsiky sanatria?
Ka hisoka-bolo mena hanapitra ny ao anatiny
Moa iny dia efa ampy hatokisan'olo-tiana?
Ary halalana fa tena tiany izato ianao
Ilay mora mandazo,tsy very tany hitsiriana
Feno azy dahol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofinofinny-saina/takariva | TAKARIVA! | nofinofin'ny saina | Takarivan'ireo, izay voafonja
Ka gadra tsy hiva ho an'ireo gadra,
Kivy fanahy tsy matohitra onja
Lavo sy resy dia hidradradradra!
Takarivana'ireo, izay manana ny ampy
Fa olo-kanosa raha toa resy lava,
Ory satria nilaozana sampy
Ka fanahy efa resy tsy hahita mazava.
Takarivan'ireo, izay olo-kamboty
Takarivan'ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/ady-lava | Ady lava | dadatsima | mbola misy any
malahelo mitomany,
saingy lavitra irery
ireo zanaka efa very
mitaraina fa voageja
mila vonjy mila hery,
saingy mbola lavitra,
ny lalana any ankafitra
tetezana mideza,
ala ringotra sy afero,
zary voly ireto tanana
famindra koa efa pahana
maso ditsoka sa fery?
Toa zaza kely very.
dia manohy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/ny-fitiavako-anao | Ny fitiavako anao | JERY | Ny fitiavako anao
Ny fitiavako anao toa valiha ao anatiko
Ka na mbola tsy mitendry dia maneno ho azy fotsiny
Ny tononkiranao dia tena satriko dia satriko
Hiarahana mivazo,hiarahana kaloina
RAKOTOMALALA Tsiriniaina Landry |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofinofinny-saina/eritreritra | ERITRERITRA! | nofinofin'ny saina | Eritreritra mangina, nisy jiro mitsilopy
Nofinofy mba nanadalo,vinavin'olo-manina
Fahatsiarova ny tiana, maso kely indray mitopy
No nielina ao an-tsaina voadona ianao ka fanina.
Raha sendra ka mandalo, amin'ny molotrao ny anarany
Dia mitamberina ny omaly, ka mirakitra tadidy
Oriory ny ao anaty raha mahatsiaro ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/mitenena-raha-mbola-tia | Mitenena raha mbola tia | Ari Ira | Adin’ombalahin’ny mpianakavy,
Ny resy tsy hakoraina….
Tsy toy ny ady an-tranon’ny mpivady
vao mipoitra ny maraina.
Fa ny resy no mpandresy
ary izay mpandresy resy.
Faribolana ny fiainana
fifangaroana tokana;
ianao no izaho
izaho anefa izy.
Tsy henatra ny faharesena
ny hoe tia tsy fahalemena.
Fa ekeo ny faha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado-1/mety-angamba | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/air-madagascar | AIR MADAGASCAR | RFE Andria | AIR MADAGASCAR
Inona no ao ambadika ? Iza no minia mamotika ?
Mitodika aminao Filoha: aza avela ho rotidrotika
vao hasiana alaolana; mihentera dieny izao
fa raha io no midoboka, halemy ny fitondranao
Aoka ho asa izay mivaingana, tsy kabary am-bavahady
no ampiharina avy hatrany tsy hivarinany an-kady
Ny tombotsoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/afa-po | Afa-po! | JERY | Afa-po
Afa-po fitiavana aho
Afa-po ny rendrarendra
Afa-po ny ranomaso
Safosafo tsy hitoetra
Afa-po ny ady aho
Afa-po ny mbola tsy hitako
Afa-po ny rehetra rehetra
Aleo hatreo izay ny ditrako
Tsy hoe voadona aho omaly
Ka anio sahy hivoady
Fa afa-po ny efa vita
Fa ny hadalana misy foana
Afa-po ny zava-poana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dl/angamba | angamba | D.L. | Angamba tsy ho tsiniko
raha milaza ah hoe tia
Fa ianao ilay niriko
mba iharaka amiko ho doria
tsy nanda ianao
fa nanaiky avy antrany
hay ko mba tia ianao
ka dia nifankatia antrany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/dada | Vavaka ho an'i Dada. | Ny Ami | Vavaka ho an"i Dada.
Iangaviko ianao ry tompo
Halavao ny androm-piainany
Esory eo aminy ny jaly sy izay rehetra itarainany
Iriko ianao hamafa ireo rofy sy ireo aretiny
Iriko ianao hanala ireo fijaliana entiny.
Tiko ny andro androany fa natokana ho azy
Iriko koa ny ampitso mba ho azy hatrany hatrany
ny andro reh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/dia-izay-ve | Dia izay ve..? | JERY | Dia izay tokoa ny lasa
Toa vetivety dia nandratra
Dia izay fotoana kely
Dia hatreo ny fara-teny
Dia izay izy fa lasa
Toa vetivety dia namafa
Dia izay fotoana fohy
Dia izay dia leo ny fony?
Dia nangaina avy hatrany
Nankadilo ny tomany
Ranomaso tsy ho ritra
Fa nankaiza ireo niarahana
Nahitako fahasambarana
D... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-antsako/gasika-te-hivoatra | gasika te hivoatra | ny antsako | lasa ihany izany saina
moa mba misy ho antenaina?
fa toa tsy miova mba hiatsara
izato ianao ry Gasikara
fandrosoana no tadiavina
de ireo vahiny lolohavina
fomba maro tsy an'ny tena
no hitondrana firenena
Gasikara ô mba raoviana
vao mba hisy fitoviana
ka hamiratra eran-tany
izany malagasy izany
zanahary ô mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/inona-no-antony | Inona no antony? | JERY | Inona no antony?
Inona no antony mahatonga anao ho maloka?
Inona no antony hamerenanao ny tsiahy?
Inona no antony tsy hatrakanao ny lanitra?
Inona no antony hampahoriana ny fanahy?
Moa tsy efa lasa ilay nilaza tsy tamana?
Moa tsy efa vita niarahana natao?
Moa tsy mbola to ny lokaloka sy kinasa?
Moa tsy mbola to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/hiara-milevina-aminny-fitiavako | Hiara-milevina amin'ny fitiavako | Z'ANDRYGASY | Ny saiko ihany no domelin-drogony
Raha mba manala eritreritra
Efa lasan'olona angamba ny fony
Ka mahaverivery hevitra.
Ny tenako foana no mamon'ny toaka
Hoentina mieritreritra azy
Ka ny ati-doha mila hipoaka
Naheno fa izy hatao mariazy
Fa hitako tamin'ny ferapara
Fa hanambady ilay nokasaina ho anjara
Izaho an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/hisy-ahy | HISY AHY | KIRIAH | Mbola hisy sariko hanatsiaka mangina ny fahatsiarovanao
Hisangy an-kafetsena ...
Fa hono faharesena ny avalona tanteraka
Na koa ny fanekena, hajanona , hapetraka
F' izaho angaha paraky
No ataonao tsipi-drodra hihosona amin' ny tany
Rehefa injay ka lany ny tsiro nahafanina ?!!
Tsy maintsy ianao ho manina e !
Mbo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/valin-kira-ho-ani-zoana15 | valin-kira Ho an'i ZOANA15 | Z'ANDRYGASY | Izy lay tazanao iny
Mieritreritra ny fahiny
Ny hiverina mbola tsy fantatra
Fa aoka aloha ho ankamatatra
Ny velomany kosa hoe ahoana?
Iny indray dia mandra-pihaona
Ny fahiny natrehina niaraka
Nifampizarana ny manta sy masaka
Tsy ianareo no hitsara
Fa avelao ho an'ny tantara
Aza manome tsiny
Raha nandalo izy t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoana15/tenintsika | TENINTSIKA | Zoana15 | Tenintsika, teny Reny
Averina ihany ombieny ombieny!
Teny tsara, tena tsara
Lovain’ny zanaka amam-para!
Teny feno, teny gasy
Teny madio tsy misy tasy!
Tsy atakalo, tsy amidy
Tenintsika izay rankizy!
Teninao aza atakalo
Mijoroa ho sarom-piaro
Teny mamy, tenin-drazana
Tena tenim-pahombiazana! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/manana-ny-foko-aho | Manana ny foko aho | JERY | Manana ny foko aho
Manana ny foko aho
Afaka ny hitroatra
Rehefa atao tsinontsinona
Raha mba diso tia
Manana ny foko aho
Afaka ny hisaona
Raha toa ho fahoriana
Ny fandaozanao ahy
Manana ny foko aho
Afaka ny hionona
Raha zary ho fanenenana
Ny lasa efa vita
Eny,manana ny foko aho
Mbola afaka ny manantena
Mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/voatoninao | Voatoninao | JERY | Voatoninao
Voatoninao aho ka nahatsiahy
Ny lasako nomban'ny ditra
Ny redirediko hatrizay
Ny fitiavako sy ny sisa...
Voatoninao aho ka nahatsiahy
Ny hadalantsika ry tiana
Ny fangalarana fanahy
Ny fahasambarana fahiny
Voatoninao aho ka niherika
Hay ve ka sodisody
Ireny lasa rehetra rehetra
Dia fahazazana tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/etona-fitia | ETONA FITIA | RFE Andria | ETONA FITIA
Zava-misy na tsy hita maso
Tsy re tsaika, tsy manao andraso
Manim-pofona, mora miely
Kanto lavitra toa tantely
Sarobidy ka tena mamiko
Tena ahy fa tsy mba nindramiko
Mahasambatra izany fiainako
Manafoana koa ny tarainako
Ny fitiavantsika sy indry
Soa, manimanitra erý
Manaraka fy dia fy
Mova tsy ... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.