url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/fahafahana-8072 | FAHAFAHANA | RFE Andria | FAHAFAHANA ?
Aza tsiny indrindra re ry Gasikara tanindrazako
Raha toa aho mangina hatramin’izao tsy miarahaba
Na ny saina tsy natsangako, ao am-bata nogiazako
Sao mantsy dia maneso ity dradraina an-tabataba
Sa dia izao mihitsy no atao hoe fahaleovantena
Fa izaho no dia ketrina ary koa tena donendrina
Avy any ive... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/zezi-pahafahana | zezi-pahafahana | Z'ANDRYGASY | Na amboako na amboan'olona
Rehefa vandana dia kary avokoa
Raha gasy vonona hitolona
Izy no tia tanin-drazana tokoa
Izay handrandrana tsy anafenana loha sola
Asa ianao raha hiombon-kevitra amiko
Fa ny fototr'izany dia ny vola
Koa mamelà ahy fa hiady ny peniko:
Asa na ny talenta no ho foana
Na ny ranomainty no h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraka/tsiaro | tsiaro | Sitraka | Tsiaro
Sendra indray nitselatra
Tao anaty diary
no nahitako sary
Tazako nivelatra.
Niampy taratasy kely
Nisy soratra voakaly
Sy nisy teny mamy
Nanaitra ny fijery.
Dia iny nitamberina
Tao anaty fo sy saiko
Ilay teny nolalaiko
Indro aho fa niverina
Niteny hoe: "tiako ianao"
Tao anaty foko tao.
Diso angamba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/santionany | SANTIONANY | JERY | SANTIONANY
Santionan'ny hasambarana mbola hiainantsika izao
Santionan'ny alahelo vokatry ny fitia
Santionan'ny tebiteby,ny adiady izay fanao
Rehefa tena tafahorina ny tokatranontsika
Santionany ny hafaliana tsy homby tratra ombieny
Santionany ny eritreritra mitebiteby lava
Santionan'ny ranomaso mbola hilatsaka a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoana15/mba-valio | MBA VALIO | Zoana15 | Ilay ianao tazako iny
Mba valio aho,
Moa ve mbola hiverina?
Moa ve mbola hamerina?
Tiako ho fantatra!
Ilay velomanao iny
Manontany aho,
Moa veloma mandram-pihaona?
Moa veloma mbola ihaona?
Sa tsy fantatra?...
Ianao hitako farany iny
Toa olona tsy manan-tsiny
Nandalo ihany toa vahiny
Toy ny tsy nisy ilay f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/ao-aminny | Ao amin'ny | JERY | Ao amin'ny...
Ao amin'ny fitiavanao no mihorina ny fiainako
Toeran'ofy sodisody mety ho zakan'ny fisainako
Ao amin'ny fonao no mba tiako hambolena
Ilay raozy tiako indrindra nandrenesako fanekena
Ao amin'ny hiranao no hametrahako ny foko
Hitondrako tononkira nofinofiko hatrizay
Hirahira,vazovazo,tononkalo maro l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/mangatsiaka-anatim-pahavaratra | Mangatsiaka anatim-pahavaratra | Z'ANDRYGASY | Izy izay minia tsy mijery
Ny fitiavako tsy mba miery
Izy izay minia tsy mahalala
Ity foko lasa adala
Semban-drahona ve izany volana izany?
Fa maizi-kitroka izany tany
Lany hazavana ve ny kintana
Sa izany no sitraky Ny vintana
Ny masoandro ve tsy afa-mitaratra intsony
Fa toa misy ifandraisana amin'ny ati-pony
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/enjika | Enjika | Nat'urel | Eh!Kodiaratsarety ity tany!
Resy aho anio fa rapitso ianao ambany!
Miodina foana io tsy mijanona mihitsy
Omaly ianao voky fa anio mitakiky
Dia saino amin izay
Ny ngidin ny vahona
Ohatrizany ko mantsy ny tandrifin-drahona
Dia aza mandatsa raha mba tojo ny avo
Fa ny mba irina dia areno ny lavo
Ka ianao io manenj... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/mahatsiaro | MAHATSIARO | Nat'urel | Ho tononiko anataina fitiavana
Ity kalo sy vetso
Ataoko ody sento
Mba ho anao rahavana
Ity foko nefa adala
Ka mbola miatso lay malala
Na dia tsy eo intsony izy ampionona
Dia mbola ny anarany ny no tononina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraka/toy-ny-vao-omaly | toy ny vao omaly | Sitraka | Toy ny vao
omaly
Fa toy ny vao omaly
No nahalalako anao
Sy nianarako nitia.
Nianarako nandrary
Ireo rindran-teny vao
Natoetra ho doria.
Toy ny vao omaly
No nanomezanao setriny
Ny doboky ny foko.
Maivana aho ka faly
Fa ny olako naetriny
Ho hazavana maro loko.
Fa toy ny omaly ihany
No jineriko ny anio,
Mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/hitsiny | Hitsiny? | Ny Ami | Ny hitsiny? Anjara tandrify ho an'ny tsirairay
Lalana voasoritra taloha sy rahatrizay,
Mametraka ny hafa eo amin'ny toerana misy azy,
Manoro ny olom-belona tsy hivarina any an-kady
Manoritra ny fiainana sy manatsarana izany,
Mety hahafaly mety hampitomany.
Tsy misaraka amim-bintana,
Itapisahan'ny anjara,
Mifami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/ny-sipako-dia-vadiko-koa | Ny sipako dia vadiko koa | Z'ANDRYGASY | Ny vadiko dia vadiko an-trano
Ny sipako dia vadiko koa
Izy no vadiko nahit'angano
Vadiko iray faharoa
Aza lazaina amin'iza anefa
Fa ianao dia ataoko manefa
Raha izany ka henony
Tsy ho zaka anie ny menomenony
Fa izaho hariva tsy ho tafody any
Ka lainga no nolazaiko tany
Fa misy korana hatao
Hiarahan'ny mpiray... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/solon-dambanay | Solon-dambanay | Z'ANDRYGASY | Feon'akoholahy any ho any, voafitaky ny diavolana
No manakoako ao an-tsofiko, teo ampamisana olana
Ity 'zaho tsy mahita tory
Fa matin-tsorisory
Manotany am-po ny haloaky ny ampitso maraina
Sahirana mamaly an'izany ka velon-taraina
Sahirana mandinika ny hohanina
Mandefa eritreritra mahafanina
Asa lahy
Na misy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sombni-aina-dit-las/dada | Dada | Sombiniaina Rakotoarivony | Dada, niaritra ny mafy ianao
efa atramin'ny ela ka hatram'izao
nikaroka ny soa, nitady ny lafatra
ho anay avy koa, nikolo sy nananatra
nanitsy sy niteny anay ianao
refa tsy tsara sy tsy nety ny atao
mba tsy hivilivily lalana
nanisy fefy tsy azo hihoarana
eny, nitia anay tokoa
tsapako eto izany no ny zava-tsoa
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/fa-iza-nga-ianao | Fa iza nga ianao | Nat'urel | Fa iza nga ianao no mambabo izany foko
Fa nahoana koa no nanesoranao ny tolokoko
Fa ity akaso tsy afako fa misaringotra
Nolalovanao ny masoko,ny tongotro avy no nifamingotra
Niangavy anao aho hoe:andao mba hiara-droa
Dia iny ianao fa nanaiky:"andao tokoa"
Dia nanomboka adisoko ilay nandao ahy tamin izany
Satria ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/vita-indray | vita indray... | dadatsima | vita iny aloha
ny nanahirana an'i pianina
ny HCC tsy nankatoa
tsy nipoaka,fa dia fanina
ireo mpanenjika anikeo
toa tsy nahenoana feo,
ampiadio ny karajia
aiza indray zao ny ho avy
miandry koa ny mpakafia
mpampiady angely mpanatavy,
ny vahoaka miandry izay mipoaka
efa noana maimbo toaka,
fampihavanana mika... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraka/nofy | Nofy | Sitraka | Nanonofy
Nanonofy aho hoe:
Nilamina ny tany
Vita ny krizy
Ka tsy nisy intsony re
ilay feom-basy sesilany
Nampahory ny ankizy.
Nanonofy ihany koa
Fa tabataba,
Kitakita
Dia nilamina avokoa
Ka ny fandrahonana, kotaba
Lasa hira sy mozika.
Nanonofy hoe : rava
Ny ady sady fifandirana
nampitsahatra fianarana
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraka/raha-anio | Raha anio | Sitraka | Raha anio
Raha anio no ora farany
Raha androany sisa andro
Ahafahako miteny
Mitonona ny anarany
Eto ambany masoandro
Dia izao no tiako ho reny:
Raha anio no fotoana
Farany ananako
Ahafahako mitia
Dia ho gina aho sady moana
…handray penina ny tanako
Ho anao no anoratako ity
tononkalo ity.
Ny hiakan’ny fiti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/malagasy-mankany | malagasy mankany | dadatsima | eny hoy aho ry malagasy
malagasy be fandoharana
mba sotrokely amizay
no hakao ny vary sy ny anana
fa ny vahoaka aza tsy nihinana,
k'ianao indray no mbola fanana,
mila fiara ,mba mividiana
leo zahay tsy misy vola,
raha mila sipa ka midola,
ny anay sakafonay anio,
no mbola zavina tsy hita
ka ataovy antsaina ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/alina | Alina. | Ny Ami | Amin'ity ora ity dia tsy eto an-tany intsony aho f'efa lasa niakatra any,
nandao ireo tomany,
hiala vetivety, hisidina hiakatra etsy.
Hitazatazana sy handinika izao tontolo izao
Dia ilay tontolo misy anao,
Misy antsika iky!
Andramako dinihina,hovisavisaiko izao rehetra izao
mba hiorina ao an-tsaiko sy itoetra am... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/dada-tsara-indrindra | DADA TSARA INDRINDRA | RFE Andria | DADA TSARA INDRINDRA
Dada a !
Saika nataoko ny hangina tsy hanokatra ny molotro
Satria aho tsy manam-bola na fanomezana hatolotra
Ka sao dia mamendrofendro ary mampangenahena
Amin’ity andro fetinao ka mba menatra ny tena
Dada a!
Na tsy lafatra aza ianao fa mba nety ho solafaka
Ny fomba fitaizanao no nanarina ah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/tantely-mangidy | Tantely mangidy | Z'ANDRYGASY | Firy litatra ny ranomasina midadasika?
Firy koa ny isan'ireo voan'ny tora-pasika?
Kanefa ny ranomasina dia rano indray mitete monja
Eo anatrehan'ny fitia ao am-poko izay manonja
Ary ireo fasika dia iray ampaha zato
Raha manatrika ny hanina anao tsy miato
Refeso an-tsaina koa ny misy ny lanitra
Angamba izany no f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/ilay-kintana-nanasitrana-fery | Fanafodim-panahy | Z'ANDRYGASY | Ny feonao ve no nanaitra sahady
Ny sofim-pitiavako efa nalady?
Ka tsy te handre feo hafa
Afa-ts'ilay hiranao tsy mena-mitaha
Ny masonao ve no mamirapiratra?
Fa ny masom-pitiavako toa nihiratra
Ny tsikinao ve mahafaly ahy?
Ka namelona ny fanahy
Hitepo fitiavana ka hijery
Sa efa sitrana ilay fery?
Ny molotrao v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/tsifarifary-vehivavy-nanambady-vazaha1 | Tsifarifary | Z'ANDRYGASY | Tafavoaka hono ity zazavavy iray
Ka tsy nahalala reny, tsy nahalala ray
Tafavoaka fa nahazo vazaha
Ka niofoka tsy ho tantsaha
Raha nitsidika ireto Ray sy Reny
Tsy mba havany hono izy ireny
Ilay Dadany nanambitamby isa-maraina
Nolazainy fa mpikarakara zaridaina
Ilay reny izay nitaiza sy nanolokolo
Mpikarakara ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fx-mahah/ifonako | Ifonako | FX Mahah | Ifonako ny lasa, nigohona tomany
Ifonako ny hoavy tsy afaka ny tany
Ny fiarahantsika
Ifonako ny ora niarahana nifaly
Kinanjo ankehitriny totofan'ny molaly
Zary nangatsiaka
Ifonako ny teny nataoko tsy tsaroana
Kinanjo toa fandratra
Nandona sy nandratra
Ny alahelonao
Ifonako ny vava tsy namoaka teny mamy
Na ef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofinofinny-saina/soraty-ihany | SORATY IHANY | nofinofin'ny saina | Soraty ihany na teny kely iray andalana, na teny kely iray monja
Soraty ihany na teny kelim-pamatarana, na teny be sy mafonja
Fa ho valiko foana izany, na teni-siky sy tomany
Na tenin-drediredy ihany dia ho valiko hatrany harany.
Soraty ihany mba hojeren'ireo mpitaza sy efa resin'ny fitiavana
Soraty ihany mba hova... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofinofinny-saina/any-ho-any-misy-fo | ANY HO ANY MISY FO... | nofinofin'ny saina | Any ho any misy fo, izay mitia mangina irery
Mivahivay tsy hay tohaina fa miandry anao hijery,
Na indray mitopy maso, mety angamba ahasitrana
Ilay ratra tonga fery ka hitambatra ho vitrana.
Any ho any misy fo, hianjadin'ny fahoriana
Fa mibaby ny tsizaka, mieritreritra ny tiana
Nandosiran'ny fiadanana, ka indro fe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/atololotra-ho-anny-mpanoratra-zoky-rehetra-ato-aminny-vetso-serasera | ATOLOTRA HO AN'NY MPANORATRA ZOKY REHETRA ATO AMIN'NY VETSO SERASERA | Z'ANDRYGASY | Asa na izaho no adala
Na minia tsy mahalala
Asa ny fijeriko no hafa
Na ny saiko no efa mivaha
Fa raha ny takatry ny saiko
Sy mbola andrandraiko
Dia ny asa soratra kanto
Mirindra sy milanto
Izao àry ny tantara
Tsy maintsy hambara
Holazaina fa tsy aritra
Fa ny poeta Mahafinaritra
Lazainy avokoa
Na ny ratsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alyrah/setrinilay-fitiavako | SETRIN'ILAY FITIAVAKO | Alyrah | Setrin'ilay fitiavako
Raha ny fanginako no ilaina
iezaka aho mba tsy hiteny,
fa hokoboniko ao anaty
ireo sisa alahelo,
hany mba anjara ho ahy
raha toa ka 'zay ny telinao?
hampandry ny fanahy!
hanoa ny sitrakao ...
Raha ny feoko no olana
dia akatoko tsy hisokatra
ireo molotro ankiroa...
efa tsinana ny volana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/nanofy-anao-za | Nanofy anao za | Nat'urel | Natory dia nanofy anao izaho alina
Dia niaraka nidola za sy ianao teny amin ireo kintana an-alinalina
Dia nandeha lalan-davitra Nefa tsy nahatsiaro reraka
Fa tamin iny nofy iny koa hoe:izaho sy ianao nifampiteraka
Nofy!!Mbola sarotra fantarina
Nefa nakafia 'lay nofy izaho ka fanahiniako tsy niarina
Satria ny endr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/hiran-ny-kintana | HIRAN' ny KINTANA | KIRIAH | Valin-kira ho an ´ i Kintana Hasimbola
Ho inon' ny fisiana mahantra fahasahiana
Zay ho mety ho fihodikodin ' ny bolabola tany ?
Ny lanitra , masoandro , ny vola-mitsilany ...
Moa afaky ny ho mirana
Raha nofy izay makirana mahadibo-dranon' ivy
No ndeha hotaina lava ?
Moa azo Omena aliaka va ny mofo an-tanan-jaza ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/babakoto-iray-trano | babakoto iray trano | Z'ANDRYGASY | Ikoto mpangalatra mangahazo
Namely be ka tratra ny tazo
Ilay faralahy nangarom-bilany
Rehefa nihinam-bary tsy nahalany
Ilay Rangahy mpisotro toaka
Isaky ny mody mitondra paosy loaka
Ramatoa boboky ny trosa
Malain-kivoaka tsy ho voafosa
Lay zokiny indrindra tsy tafody an-trano
Voasambotry ny polisy Ka nahit'ang... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sombni-aina-dit-las/rava | Rava | Sombiniaina Rakotoarivony | Heee!! tsy tamana ianao fa lasa
Angamba toa nahita hafa
Dia nilaozany ny tena
Fa tena bandy mihenahena
Asa, zay kosa anga no tiany
Ny aminay tsy faniriany
Fa ny hanorina any an-kafa
Sy hanadino ny efa lasa
Tsy ampy angamba ilay nomeko
Ka tsy tamana izy hatreto
Sady leo ny ady lava
Tsy nahoany, fa toa rava
R... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofinofinny-saina/tsiky-indray-mitsiky | TSIKY INDRAY MITSIKY! | nofinofin'ny saina | Tsiky indray mitsiky no natsikiny ho ahy
Nisinda ny toloko, afaka ny jaly, faly ilay fahahy.
Ny rahona nisava ny lanitra aza manga
Noho ilay tsiky indray mitsiky angamba.
Tsiky indray mitsiky, kanefa tsiky tsy hay adinoana
Nitondra hasambarana, nitondra fifaliana ny fon'ireo voadona.
Tapaka ny zaitra, nikombina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/dadany-zany | DADANY ZANY | Teboka Telo | Raha tonga ny fetin'ny Neny Malala
Idada no somebiseby aok'izany!
Fa ho avy ny Jibaka be manadala
Tsakiana saosisy tsiroaman-tany!
Fa raha tonga ny tsingerin-taonan'Izoky
Isan-taona misesy io, tsy maintsy fety!
F'Idada no hetsaka be sady voky
Dia mody mitsipak'hamaky gazety!
Fa andro hafa ny fetin'ny zandry
Iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/aiza-ianao | AIZA IANAO | Nat'urel | Ny fahatsiarovako tsy mihato
Mahatsiaro lay andro iray toa zato
Dia misento aho mazana
Ny ranomasoko tsy tana
Ry volana ambony iny
Aoka angaha tsy ho tsiny
Raha toa ka hitoetra eto
Ity foko velon-tsento
Mahatsiaro ny foko mazana
Ny ranomasoko tsy tana
Amin ny alina mangina
Manontany hoe:"aiza ianao ry tiana"... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/tia-ahy-ve-ianao | TIA AHY VE IANAO | Nat'urel | Vao misokatra ny molotro
Dia arahaba no atolotro
Fanotaniana kely no apetrako aminao
Tsy inona akory izany
Moa tia ahy va ianao
Tsy antery nefa zany
Na anditra sanatria
Fa ny teninao ihany
Dia ny ENY sa ny tsy?
Koa apetrako ny peniko
Fa ny voalaza efa be
Ka faranako ny teniko
Dia miandry valiny amin'se!!!!!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/hoy-ralay-tamiko | Hoy Ralay tamiko | Z'ANDRYGASY | Tsy tafody an-trano izy raha tsy alina
Tsy nampaninona, nodiako fanina
Ity anefa ny tena lalina
Maraina izy tsy mahamasa-kanina
Omena vola bazary
Ny ao an-trano anefa tsy misy vary
Raha nataoko ny tombatombana
Ny vola ampy iray volana
Izaho mandeha miasa
Mitondra akanjo tsy voasasa
Fa ny tena Loza aza
Tsy za... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/izy-mianakavy | Izy mianakavy | Z'ANDRYGASY | Nahoana izany zanako izany
Hoy neny nanontany
Mitsangan-tsy velona ry Neny
Hoy aho nalaina hiteny
Sao ary ianao hakana dokotera
Hoy indray izy niera
Tsia hoy aho, avelao aho haka saina
Fa ny foko no noratraina
Ity tena olo-tsy manjary
'Zany avy ka hankarary
Hoy Dada tsy nankasarotra
Avelao izy hoy Neny niad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/ho-ani-hjravs | Ho an'i Hjravs | Z'ANDRYGASY | Hotanteraka ny nofin'ilay tsy ampy sakafo
Raha tsy misy intsony zavatra lafo
Samy mbola nofy avokoa aloha hatram'izao
Ry HJRAVS, na ny holazaiko na ny voalazanao
Izao no mba zavatra fantatro
Tononkalo, hanoratako ny zavatra hitako
Tsy filaminana, korontana, halatra tsy hita lany
Raharaham-pirenena mivadika ambon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/sambon-ady | SAMBON'ADY | KIRIAH | SAMBON ' ADY
Any ambadimbadika any mbola misy iray misento raha manonona ny anarany
Any lavidavitra any misy lasam-betsovetso mitanisa ny tantarany
Fa io lay sambon ' ady , zay nampihoron-koditra ny fon' ny manan-tiana
Tao no nihondranan ' ireo tanora maro nivavaka mangiana
Dia Hofahofa-tanan' ny "Lay" sy ireo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/ny-aingo | NY AINGO | Nat'urel | Ho aingoko toy ny paradisa
Mba atsiarovako reo lasatsika
Fa ny aingo mifono misitery
Ireny nanengoko anao ireny
NY AINGO |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manitra-andriamasinavalona/mpanoratra | Mpanoratra | manitra ANDRIAMASINORO | Mampiakanjo jaky hiakam-po tsy mety himpirina,
Midradra azy amin-kafanana eo anivon'ny ririnina,
Voaozona hampihetsika izay zavatra banjinina;
Mandoko ny loko mba hahazo laka kokoa,
Mpampaha-anio ny ampitso, mampaha-anio ny taloha
Manasivana ny sivana, mampatory ny mifoha;
Ateraka hampivoitra sela iray nolovana,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/rahona | RAHONA | Nat'urel | Dia nandalo ity rahona ka nanaloka ny tany
Ireo sendra azy rehetra hono dia indro nitomany
Fa ahoana nga hoy ianao?
"Sembandrahona ny fiainako e" fomba fiteny amin izao
Tsy afaka am-bava
raha mba tojo anjara ratsy
"Rahovina vao hisava e?"
Ity rahona mpamela tasy?
Dia 'zay ratsy mitranga amin ny fiainana anio
D... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alyrah/tselatra | TSELATRA | Alyrah | TSELATRA
Tsy ny hakanton’ny endrikao
na ny angolan-teninao,
no nanaitra izany tory
mbola renoka aok’izany,
fa ny fahatsapako ilay tsy hitako
ilay nambaranao ho fantatro,
izay hinoako fa tsy ho fitaka
hanazava indray ny lalako…
Tsy ilay tsikinao nirindra
na ny dolanao namindra,
no nahalatsa-paka ilay mba tsap... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/izaho-no-diso- | IZA(HO) NO DISO ? | RFE Andria | IZA(HO) NO DISO ?
Na sakako na sakan’olona rehefa vandana, kary
Na fonao na fon’ny hafa raha tsongoina, maharary
Tsy hoe raha ianao no mihira, railovy tsara feo
Fa raha ny hafa, vorondolo mikalo ny hiranao teo
Ianao izao no lazaina fa zatra ny lalan-dririnina
Latsaka anaty fota-pahavaratra ianao ka laginina
Toto... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alyrah/taminny-roa-ora-tsy-diso | TAMIN’NY ROA ORA TSY DISO | Alyrah | TAMIN’NY ROA ORA TSY DISO
Tamin’ny roa ora tsy diso:
nambaranao ilay fandravana,
fahadisoako tsy niniako
nandaozanao indray ny akany,
O! raraka an-tany
ny fifonako amin’ny teny,
tsy nasinao fandrenesana,
sy mba sofina nihaino
ireo hetahetako.
Tamin’ny roa ora tsy diso:
safidinao ny anapahana,
ilay sarobidi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alyrah/fitiavana-izany | FITIAVANA IZANY | Alyrah | FITIAVANA IZANY…
Tsikitsikim-paradisa
fa isika hampiara-dia,
somebiseby vao nitia
rediredy an-ndry ny aty.
Hafaliana tsy homby tratra
tsy hitanondrika, hitraka,
tsy tafatombina amin’ny tany
te hiala mandry tsy ampy taona.
Horihory, fendronfendro
sorisory, fenofeno,
toy ny tany karakaina
molotro aza maina k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/sombin-kafatra | SOMBIN-KAFATRA | Tsanta MIKANTO | (Sombin-kafatra) (…)
Ry zazavavy gasy,ranabaviko malala,
Moa dia tena tsisy vatsy no manao toetra adala ?
Ka manimba vatana ,mivarilavo, mahonena,
Mandeha mivoak’alina ary koa mivaro-tena !
Tsaralalàna moa ny takariva izany
Dia mendy ny kitoza,ny fofona injany,
Indretsy zazavavy tsy mahalala hatsiaka
Injany mis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/eny | Eny | Z'ANDRYGASY | Eny ny diam-peniko ry namana,
No Mpanelanelana, mpampihavana
Vahoaka maro tsy tambo isaina.
Izy no manitsy, Eny manova toe-tsaina
Eny ny soratananay,
No hanafay
Hiady, tena sahy
Hanafoana ahiahy
Eny ny diam-peniko ry mpiraitanin-drazana.
Tsy miangatra, tsy manafina fahavoazana.
Ny sora-tanako no lalana, fanil... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/ho-anny-namana-vetso-serasera-rehetra | Ho an'ny namana vetso serasera rehetra | Z'ANDRYGASY | Ho an'ny namana vetso serasera
Marary lehiretsy aho ka mba miera
Raha mety, Tolory vera
Raha tsy mety, tsofy rano fa hanao mompera
Izao no tantara mpahazo ahy matetika:
Vao niposaka dia nilentika
Vao nitsimoka dia nalazo
Nanenjika ihany aho fa tsy nahazo
40 taona mbola tsy manam-bady
Mivezivezy! Sahirana mitad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tikray/tiako-ianao | Tiako Ianao | TIK'RAY | Tiako ianao satria, nanaitra izato foko; Mandrakizay doria, de fitia tsy miova loko. Tiako ianao matoa tadiaviko isan'andro. Hiaraka foana isika roa, na maraina na hariva sy atoandro. Tiako ianao malala, mba ho ahy irery ihany; Na dia maro mpankahala, Ndry lay tokako eto an-tany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/ho-anao | ho anao | Z'ANDRYGASY | Tiavo fa nosin-drazana
Mababo ny mpitazana
Nosy tsy manam-paharoa
Sady meva no soa
Fa izaho tsy mitsaha-mikalo
Hoe:tiako ka tsy atakalo
Ny fitiavako azy tsy mety miala
Fa Izy no reny malala
Ry taranaka dimby sy fara
An-tsika rehetra i Gasikara
Koa anafarako anao ry tanora
Ny asa miandry An-tsika tsy mora
Ao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/lolo-hafahafa | lolo hafahafa | Z'ANDRYGASY | Ao an-tsaha
Dia misy voninkazo, manaitra mpizaha
Voninkazo Samy tsara fofona
Arahin-doko Samihafa sosona
Dia iny lolo toa mitety azy ireo
Tsy naka mamy anefa
Fa lasa rehefa
Avy niodikodina teo
Lolo hafahafa,
Eny tena hafa
Tsy voasinton'izato
Voninkazo tena kanto
LOLO ADALADALA |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofinofinny-saina/zandry-kely | ZANDRIKELY! | nofinofin'ny saina | Tena mafy lesy zandry izany fiainana eto an-tany,
Kanefa zandry kely zandry aza kivy ambony ihany
Tena fantatro ry zandry fa miady mafy ialahy,
Kanefa zandrikely mahereza mitraka
Ny fihafiana tsy miato izay hitako isanandro,
Rehefa iny ialahy ry zandry mba manonkona nahandro
Toa zara raha mihinana tsy mba hitan'n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/madagasikarako | Madagasikarako....... | Ny Ami | Madagasikara anao fa izaho no tena tia
hoy ilay vahiny;
Efa tiko io hatrin'ny ela ary mandrak' ankehitriny,
Izaho no tena tia fa ianareo dia mpanajary,
Koa voleo tsara izany taniko handreseko ny mosary,
Aza mety harebireby fa miasa ianareo mafy,
Manapara aina mitsy aza misy miafiafy.
De io tokoa Ramalagasy fa m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alyrah/silakinny-aiko | SILAKIN'NY AIKO | Alyrah | SILAKIN’NY AIKO
‘Lay miangotiko sy miaro
Vetsovetsoko sy hira
Iantsoako anao ry sombin’ny aina
Dada 'ty lasam-binany.
Horaketiko an-diary
Angotingoty sy ilay aro
Hasambaran’ity foko
Toa tantely tsy hafaika.
Sarisary an’eritreritro
Fahitana anao tsy haritro
Ny saiko te hamaritra
Ireo masonao mamiratra.
Omen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/mody-masoandro | MODY MASOANDRO | hjravs | MODY MASOANDRO
Tomefy mavo mena
Mivolom-bolamena,
iny am-parantazana iny
Ny moron-danitra nanjary,
movolom-boasary,
tarafin'ny fodiany.
Mibohaka eny koa,
amin'ny volom-batosoa
ny raho-mitsitoko.
Ny tentin'ireo sary
voararin'ny mpahary
tsy hovoarefy an'hosodoko!
Nampidera ny hatsarany
tamin'ny tamin'ny far... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofinofinny-saina/ity-peniko-misosa | ITY PENIKO MISOSA | nofinofin'ny saina | Ity peniko misosa, mikorisa tsy mijanona,
mampanembona tsinahy , ndeha hanafatr'olomanina
F'indro eo ampamakiana no tsaroany ilay nanoratra,
Dia ilay poeta adala, mirediredy anaty soratra.
Ity peniko misosa, misasasasa sy hanafatra,
'ndeha ampita sy hilaza ho an'olona tsy fantatra.
Ireo nofiko rehetra 'zay mitety... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/kamboty-sy-mpitondratena | KAMBOTY SY MPITONDRATENA | RFE Andria | KAMBOTY SY MPITONDRATENA
Mba sompatra loatra ity fiainana an-tany
Fa tena mafaitra, mangidy aok’izany
Mampitanondrika, mampitomany
Ny jaly vao lasa, ny eo misosoka ihany
Ilay andry niankinana, indray mipí-maso
Nidaraboka an-tany tsy nisy andraso
Nindaosinao r’ilay fahafatesana
Ny vady aman-janany mitondra faisa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/aniza-ny-marina | An'iza ny marina? | Z'ANDRYGASY | Tia tanin-drazana hono ireto polisy
Ka niloa-bava fa ny halatra tsy hisy
Tia tanin-drazana hono iretsy zandary
Ka tsy handray tsolotra na dia ariary
Tia tanin-drazana koa hono iretsy mpampianatra
Ka ny asany tsy hataony ambanin-javatra
Tia tanin-drazana hono ireo mpitsabo
Ka dia vonona tena hitsabo
Tia tanin-dr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tinah-mahefahaja/asa-re | ASA RE! | Tinah mahefahaja | Asa re! Oviana vao hilamina
Zato ady pilitiaka tsy andro tsy alina
Fa efa mahantra sy sahirana
Mitady izay mahatoky mba hifikirana
Asa re! Inona no hitranga
Raha ny tsolotra foana no harangaranga
Hibahanan'ireo fitaka sy lainga
Na eny ambony latabatra na mpamadi-bainga
Asa re! Firy no ahatsapa tena
Rahefa fong... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zandrygasy/raha-izany-no-fitia | Raha izany no fitia | Z'ANDRYGASY | Fa fitia voninkazo
Manim-pofona tsy mora malazo
Raha izany no fitia
Mivetso izany ny foko, Eny tena tia
Fa fitia lalim-paka,
Fitia voasedra ao am-po ka tompon-daka
Raha izany no fitia tsy resin'ny fitia
Ekipany aho, ny hamadika sanatria.
Fa fitia nokoloina
Fitia tsy nobekoina
Raha izany no fitia tsara orina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofinofinny-saina/zanry | ZANDRY...! | nofinofin'ny saina | Zandry...!
Raha misy tian'ialahy
Ka miserana any ho any,
Izay mambabo ny fanahy
Aza serina avy hatrany
Aza dia misasasasa,
fa saino aloha dia mahandrasa.
Raha izy kosa indray
No avy dia manafosafo
Aza maika ny andray
Sao dia ho vidina lafo,
Raha toa mahery vaika,
Mahandrasa fa aza maika.
Raha fantatra mial... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/telomahery/raraka | Raraka | Telomahery | ............Mandehana ianao mamangy
Ilay niarahana nisangy
Rehefa tonga any ianao hitraka
Hitadidy indray maka.......... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta-mikanto/i-neniko | I NENIKO | Tsanta MIKANTO | I NENIKO
I Neniko,
Naterany aho,
Tsy neniko!
Mamiko,tanteliko...
Diary misiteriko,
Mahalala ireo feriko
Mizaka ny tsy teliko,
Tiako,kapiteniko...
I Neniko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsaroako-indray-izao | TSAROAKO INDRAY IZAO | Fredy Jaofera | TSAROAKO INDRAY IZAO
Tsaroako indray izao
ilay voalohan'oroka
mamy ery raha vao
nitazona ito soroka.
Tsaroako indray izao
ny ora izay niarahana
rako-boady sy lalao,
efa hita ho nibahana.
Tsaroako indray izao
ireo dina izay nekena,
zary nofy sy nandao
ary indro nohosena.
Tsaroako indray izao
'reo sangisang... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofinofinny-saina/vavakilay-fo-mahantra | VAVAK'ILAY FO MAHANTRA | nofinofin'ny saina | Ry Raiko ao ambony.
Mangataka aho re mba hapitony,
ity foko kely
fa mila ho very.
Mahantra loatra
ka mila hitroatra
mitady ny tiany
sy izay mba hiriany.
Kanefa indrisy
fa toa tsy mba misy
ireo 'zay mangoraka!
Hampangino aho re
mba tsy hiteny,
fa miady irery.
Omeo izay ilaiko
sy irin'ny saiko
zavatra tsa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dovan-andrian/fisarahana | FISARAHANA | Dovan Andrian | Fa mba te hilaza aminao na ny ratsy na ny tsara,
Ireo fiarahana hatrizay, tsy naniry namololona,
Fa maty momoko avokoa, tsy hay lazaina sy tononina
Nihezaka foana mantsy isika fotoana maro hatrizay,
Nikolokolo sy nitaiza nikarakara ilay fitiavana,
Nefa indrisy toa nangaina fa ahitra sy tany hay,
No nangeja sy n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/very-aho-ry-volako | very aho ry volako | dadatsima | miala tsiny aho fa very
ireo vola nantenaiko,
mba hamahako ny tery
amin'ny trosabe nalaiko
tsy somonga ty fa danz
fa voasolan'ndry rasily
tamin'ny fomba etrange
ka tsy afaka namily
ity fiara i lanto,
fa voatery nampiato
nanantena an'ilay klé
dia ilay immunité,
voalaza anaty ny lalana
efa natao fa tsy tana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofinofinny-saina/iny-ilay-tiako | INY ILAY TIAKO. | nofinofin'ny saina | Hitako iny ianao
mandeha tsy taitra akory
mamonjy ny fodiana,
sondriana milalao
toa olona tsy ory
fa variana dia variana
Iny lalana iny
lalovanao isan'andro,
tena tsara vintana
harivarivan'ny vahiny,
Raha dify ny masoandro
ianao indray no kitany.
Lasa sahisahy
raha sendra mitanila
ny varavara-keliko,
res... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenomanana-mahefasoa-jonah/moa-diso-...- | Moa diso ... ? | Fenomanana Mahefasoa Jonah | Moa diso ny safidiko?
Raha mikalo aho izao
Ka ity hira nofinidiko
Dia atolotro ho anao
Moa diso ny fitiavako?
Raha miantefa any aminao
Ka hampiteny izato vavako
Hoe : "tiako ianao"
Moa diso ny kinasako ?
Raha maniry ny aho_ho anao!
D'ianao r'ilay malalako
Ilay tokako ato am-poko ao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nantenaina | NANTENAINA | Fredy Jaofera | NANTENAINA
Nantenaina no hantenaiko
hiara-tretrika amin'ny saiko,
hiara-hiadana amin'ny foko,
na mahazo sento sy toloko,
na rahoviana na rahoviana
no faniriako iray mangina.
Nantenaina no hantenaiko
hanafoana izay lanjaiko,
hampihiratra ny fiainako
ho fialofan'ny fisainako,
hamoha eto izay kinasa,
handrava ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/izaho-mino | IZAHO MINO | RFE Andria | IZAHO MINO
Sompatra loatra ny ankason’ny tany
Toa voamaintilany
Alainy tsy miera ny olo-malala
Ka ataony am-bala
Ampatoriany eo am-parafara vato
Tsy misahato…
Kanefa na eo aza izany, tsy adino
Izaho mino
Fa ny tenan’ny maty, any andro iray
Hatsangana indray
Izany teny izany no enti-mampionona
Ny fo notoroni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/d-izao-izany-ahoana | d' izao izany ahoana? | dadatsima | HIhi
tena mapihomehy,
raha ny amin'ise
variana mandeha,
mitady klé,
amin'inona izany?
Hoy ianao manontany,
handeha any andafy e
f' efa leo ny miafy...
tsy misy fika intsony
raha ny eto an-tanana.
fahantrana tsy mitony,
tsy mba maha tamana.
hitako amin'ny facebooky
ny akama any f'efa voky,
mitobaka ets... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alyrah/ilay-nifandaozanay- | ILAY NIFANDAOZANAY ... | Alyrah | ILAY NIFANDAOZANAY ...
Toa nihelina dia lasa,
'lay mba tsiky tato am-po
zava-poana ireo kinasa,
mora levona sy ho lo.
Lakan-kely anivon-drano
tsy nahaleo natopatopany,
farafara dibo-drano
fiainanao izay tapatapany.
Tomanin-jaza menavava
antsoantso hitady an-dreniny,
rotidrotika sy rava
rangolahy no nanateli... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alyrah/tsy-sahy | TSY SAHY | Alyrah | TSY SAHY
Indrisy, fa toa tsy hay
tsy ho vita,
miahotra tsy sahy
ny hilaza hiara-hiampita.
Ny anio, ny ho avy mbola nofy
ilay kasaina ho fasambarana
madera ery raha loko
nefa sarotra fantarina.
Mba tia hihanoka, higoka,
ny hamamin’ny fitia
efa mamo raha ny foko
tena adala rehefa tia.
Nokobonina ato am-po,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/sombin-tantara | Sombin-tantara | hjravs | IZA AMINTSIKA, ...?!
Rehefa tafahodina im-polo tamin'ny masoandro ny tany, fa tsy mbola nitsaika ho zaza, tao am-bohoko, ny tosaky ny tsirinainan'ny fitiavana safomorona nilomanosantsika, nanomboka ny alin'ny andro nampakarana,... dia feo kendakendan'alahelo no nilazanao tamiko fa ny hanambadiana tsy ho namana ihany f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alyrah/malagasy- | MALAGASY ... | Alyrah | MALAGASY...
Malagasy ‘zahay mandroso,
ho tafavoaka ka miandrasa,
eritreritra mikasa
ve lazaina hikoroso?
fitondrana ‘nie mikatsaka
ny hasoa an’ireo mponiny,
niala-nenina tsy sasatra
mba hiverenana amin’ny laoniny
Malagasy ‘nie tsy tara e!
fahafahana tsy tery,
fanahy sy saina vory nofo
no mba niezaka sy niaf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenomanana-mahefasoa-jonah/hiafiako- | Hiafiako ... | Fenomanana Mahefasoa Jonah | I zany fiainako e, indrisy
to a fijaliana lalandava
Raha fifaliana aloha dia tsisy
fa dia alahelo lava
raha NY fiainako taloha
dia to a nanjary nofy ihany
ka tsy avelako ho lo
ireo izay nahitana mamy
raha ny fiainako izao
dia tsy vitamin-po onena
ka mila Henry anatiko ao
mb ahitako famonjena
indrisy,fiaina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/milentika-ilay-sambo-mazana | MILENTIKA ILAY SAMBO MAZANA | dadatsima | Efa ho dila ihany angamba
efa niala ilay tetezana,
tsy mbola hita nihambahamba
ilay sambo gasy MAZANA.
Efa naverina ny valo
isa tsy ampy tamin'io
mbola tsy hita ilay kalo
fa gina matroka ny anio..
Efa navoaka ny voafonja
efa nalamina ny ady
nisy ihany anefa ny tsy tonga
Saho ireo nanipy ankady?
Ny vahoak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/celesranaivo/kanto-ianao | Kanto Ianao | CelesRanaivo | Ianao hasina eny Ambatomiantendro
Sady avo no mandina.
Nandalo ianao ka niserana
Nefa ny sarinao
Raikitra ato an-tsaiko.
Ny tsikinao tsy haiko ho adinoina,
Ny alokao manjohy ahy foana.
Tsipolotra tery an-tany ngàzana aho
Niantsampy taminao nandalo.
Niandrandra aho, niandrandra.
Avo ny lanitra nefa takatro.
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alyrah/fitia-tsy-levona | FITIA TSY LEVONA | Alyrah | FITIA TSY LEVONA
Mbola raikitra ato anatiko,
‘lay endrikao mibanjina ahy,
alahelo anao tsy tantiko
no nanainga indray ireo tsiahy.
Izato angolangolanao,
tambitamby feno tsiky,
izato fihetsiketsikao,
sy ilay nampiray antsika.
Na nisampana ny dia,
reko foana toa tsy levona
sombintsombin’ny fitia,
lazaiko anao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ry-fireneko | RY FIRENEKO | RFE Andria | RY FIRENEKO
Mahantra ianao ry fireneko
Nefa toa manankarena
Ny zanakao mipepopepo
Pahina ka mivembena
Dia mandrora mitsilany
Tsy mahay maka lesona
Ka mitsirara amin’ny tany
Vao matory sy miesona…
Soro-baton’ilay jamba
No ataony verimberina
Tsy hifarana angamba
Na ny ainy no hotaperina?
Nefa hoy ny tenin-ke... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alyrah/tandindona-tsy-niala | TANDINDONA TSY NIALA | Alyrah | TANDINDONA TSY NIALA
Tandindona tsy niala,
tsy tafandry hatramin’ny fo
ataovy toy ny tanala
very sampy, ka esory ao an-doha,
ny lasanao mba avelao
hatory tsy hamoha
tena mafy hatramin’izao
vao foana tsy ho lo.
Tandindona tsy niala,
tsy niserana nitoetra
lazao azy tsy an-kisala
tsiahy foana tsisy fetra,
na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/tiana | Tiana | Ari Ira | Toy ny adala aho, mitapy
mahita fa mitopa sy manonjanonja
maneho ny hamanjamanjany ilay ranomasina,
ka ny ranomasoko nisosa moramora
nanjary maromaro
satria mahatsiaro
ilay vatanao matsora
nandihy teo anoloako fony isika nampiaraka
ka dia nampihoraka ireo nahatazana
ka nihevitra hoe notazana ny voan'ilay fitia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/mba...-sary-farany | MBA... SARY FARANY§ | hjravs | MBA... SARY FARANY
(tohin'ny "Modia lesy e")
Allô! Malala a!
Mitomany i Kalasoa
ka tsy haiko mampangina
sy tsy mety hampatoriana
ary i Naivokely koa
lasa manditsaka ampandriana
angamba tsy dia fanahy iniana
fa noho izy miasa loha
amin'ny tsy fahitana anao
ka raha azonao atao,
rehefa mba nanaram-po,
Mba mod... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/fetinny-reny- | FETIN'NY RENY ? | RFE Andria | FETIN’NY RENY ?
Mama !
Mama no fiantsonay anao fony fahavelonao
Ary mbola izany hatrany, hatramin’izay hatramin’izao
Fahatsiarovan-kely ihany no tavela anatiko ao
Satria mbola zaza aho raha lasa ianao nandao
Mama !
Tamin’izany dia tsaroako rehefa tonga ity fety
Ny tokantrano rehetra dia manao metimety
Afa-tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojonirinatj/tia-aho | TIA AHO | tojonirina | Tiako ianao nefa vahotra ny lelako ny hilaza an'izany,
satria matahotra aho f'andrao ho lavinao ka aoka ihany.
K'aleoko ampanginiko ity foko kely mangetaheta fitia,
nefa mba jereo ny fihetsiko aminao manambara fa TIA. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/ventsonny-fo-sara-tiana | VENTSON'NY FO SARA-TIANA | Ari Ira | Itondray lakana aho,
fa safo-dranomaso: tsy mahay milomano!
Tsy trondro aho ka ho velona ety,
fa olombelona mora milentika,
itondray lakana tsara fivoy
fa narian' Ikalatsimiarakamitsisivola,
diforin'ny onja mahery
sangian'ny antsantsa manaikitra.
Mba hamakio fefiloha any ho any,
hanariako rano mihandrona,
tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/ari-ira-condottire | Ari Ira Condottière | Ari Ira | Afaka miteny ianao,
Afaka mivazavaza,
afaka midradradradra.
Teneno izay tianao tenenina,
boraho fa aza misy afenina.
Hiakao ho ren'ny iray tanàna,
vazao fa aza mihanahana.
Saingy tiako ho fantatrao,
fa tsy izay lainga afafinao
no hamingana ahy hianjera.
F'efa zatra aho ry nao,
ka mahery noho ianao
sady efa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/fo-mijaly | FO MIJALY | ANDRIAMASIMANANA Andry | Eny ampy izay,
aleo faranana,
f'efa tojo ty sampanana,
eny tsy hihaona intsony,
ka ny fo re mba onony,
tsy sitra-poko ny nandao,
ka naharava ilay fitia,
tsy tazoniko ela ianao,
mandehana mivilia,
fa safidinao izao,
k'avelao aho mba hiaina,
ny fontsika hifandao,
tsofy rano aho sombin'ny aina,
dia soava dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tonom-bavaka-ho-anny-reny | TONOM-BAVAKA HO AN’NY RENY | RFE Andria | TONOM-BAVAKA HO AN’NY RENY
Andriamanitra ô !
Misaotra Anao izahay nanome anay an’i Neny
Mitsinjo sy mitantana ny dianay ombieny
Fanomezan-tsarobidy ka tsy takatry ny saina
Ho anay mantsy izy no toy ny loharanon’aina
Andriamanitra ô !
Noho izany no anandratana Aminao etoana
Ity tonom-bavaka atao sy arahina finoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/mipetraha-tsara | MIPETRAHA TSARA | hjravs | MIPETRAHA TSARA
I Madagasikara tanin'i Malagasy
ary foin'i Ray honenany
tsy hotsindrian'ialahy amin'ny poti-taratasy
ny lalam-panorenany!
F'angaha raha misy hetsika na savorovoro
any Amerika any
dia manan-jo ny Gasy hiteny sy hanoro
na hitsabaka amin'izany!!
Mitomoera soa dia mipetraha tsara
fa vahiny ialahy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ami/ny-fitiavana | Ny fitiavana? | Ny Ami | Ny valinteny haiko
Dia ny tsy fahaizako mamaritra
Fijerena Tombotsoa sa fifamatoran'ity fo?
Tsy haiko ny mamaritra,
Zava-mahagaga?sa sabatra maranitra?aleoko tsy milaza
F'efa fantatrao ny herivaikan'ny fitiavana
Tsy hijerena havana.
Paradisa fanomezana sa helo mena fahaverezana?
Aleoko tsy mamaritra...
Ny mamy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tenindrazako | TENINDRAZAKO | RFE Andria | TENINDRAZAKO
Tiako ianao ry Tenindrazako
Rehareha sady lazako
Fa hany teny izay filazako
Hatramin’ny fony fahazazako
Irony fihetseham-poko
Izay nameno sy nandoko
Ny tontolon’ny fiainako:
Ny hafaliana sy tarainako…
Ilay aho nianatra nibada
Dia nanonona hoe “dada”
Sy niangotingoty hoe “neny”
Teny Malagasy ire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/tia | tia | vo.sedra | Tsy mety afaka ato an-tsaiko
Ireo fotoana niarahana
Nifanomezana fitia
Ny momba anao no tanisaiko
Ary tsapako mibahana
Ny tokyintsika ho doria
Ny fotoana toa izao
No ahatsapako fa hoe mamy
Ny eo anilanao ry aiko
Alahelo mifamaho
Mampirotsaka tomany
Ireo no reko anaty saiko
Irony ady nifanaovana
Filankisa i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/nodimandry-ilay-izaho | Nodimandry ilay Izaho | Ari Ira | Fiainana tsizarizary, tao anaty tsy finoana,
nizotra tamin'ny aloky ny fahafatesana mahamay
nisosa tamin'ny herim-pirafesana nivay:
fiainam-poana tsy nanjary, ka aleo hohadinoina.
Tsy mba Zafy aho, tsy Mahefa.
Tsy mba Tiana, tsy Mampionona.
Tsy Andriana Tsy ory vanon-kolona,
fa fiaina-matim-belona efa nihararetr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoana15/tiako-sady-halako | TIAKO SADY HALAKO | Zoana15 | Toa tiako, toa halako
Ankahalaiko, toa malalako
Rehefa tsy eo tena tadiaviko
Anilako eo mila ho adaboko
Rehefa tiana toa variana
Tsy rarahina mila ho gina
Alaina mora zary mafy
Tsy anatonana vao mihafy
Toa tiako, toa halako
Tahak’izany ilay anjarako
Akaiko eo toa mankaleo
Tsy hitako eo, mampitoreo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/tsiaro-sisa-ireny | TSIARO SISA IRENY | ANDRIAMASIMANANA Andry | TSIARO SISA IRENY
fahatsiarovna ato anaty,
tsy ho adino mandra-maty,
izay niainantsika roa,
nampangotika ny fo,
iny lalana nizorana,
tena feno fahatsiarovana,
rotsaka ny ranomaso,
rehefa irery mahatsiaro,
ny nahitako anao tamin'iny,
no nampiova ny tontolo,
na rivo-mafy izay mifofo,
oram-be mampisafoto,
dia... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.