url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/sarobidy-loatra-amiko
sarobidy loatra amiko
ANDRIAMASIMANANA Andry
tsy azo tanana mihintsy, 'ty tanako hanoratra, hanambara zava-misy, hitanisana teny vitsy, fa misy olona iray, sarobidy aminy fiainako, ka mahatonga ahy hitroatra, sy hieritreritra mihoatra, fa ny masoandro io hilentika, ka hiposaka ny ampitso, ny tetiko izay tsara voatra, ato am-poko tsy miloatra, fa tena ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoana15/tsiaro-anao
TSIARO ANAO
Zoana15
Rehefa injay mby an-dohako ao Ilay tsiaro anao Izay tsy azoko sakanana Na dia eo ny herin-tsaiko Dia tena tsy haiko notanana Ity ranomasoko ry aiko! Rehefa injay maloka iny ny andro Ilay tsiaro anao Izay tsy maty am-poko ao Na dia satriko tsy henoina Tena tsy azoko baikoina! Mamelovelo anatiko any! Rehefa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/any-ho-any
ANY HO ANY
ikaloyna
Ny saiko mankany tsy mety hitoetra (ny foko eto ihany) manao amboletra misidina any tsy fantatra " ho aiza ? " - mankany mankany ... Tsia ! Ny foko tsy eto, fa, lasanao any : ianao ilay tsy hitany kanefa dia tiany, tinadiny hatraiza, tsy hainy " nahoana ? " tiany eny foana. Ny saiko mankany, ny foko tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hajaiko
HAJAIKO
Fredy Jaofera
HAJAIKO Hajaiko ilay Fitiavana mbola lafo sy tsy roa efa nanan-toerana sy naharevo ahy tokoa, natokako ho anao tsy mba hiova ombieny, tsy haiko hoe ambara indrindra amin-teny. Hajaiko ireo fotoana noheveriko tsy ho faty, nampisento lalandava sy mila tsy ho tanty, nandrakotra alahelo teny foana impiry, Nanonja b...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoana15/volana
VOLANA
Zoana15
Ry volana baliaka mijery avy eny ambony Moa mba hitanao izato fo tsy mety tony! Ny endrikao sariaka manazava ny tontolo Iriko raha mba ianao no hitantana sy hanoro! Tsisy miafina aminao izay rehetra ety ambany Toa jerenao fotsiny ihany ity toloko sy tomany! Ny onjan’ny ankaso izay tsy mampahita tory! Mijanona m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mahasondriana
MAHASONDRIANA...
RFE Andria
MAHASONDRIANA… Jereo anie ity fitafiana Fa dia tena mahasondriana Tsy takon-kenatra intsony: Na ny ambany na ny ambony Dia samy mihanjahanja Aderadera eny an-kianja Ny ambany hatreo am-poto-pe Ny ambony indray “décolleté” Mampamelatra ireo “entana” Natao mba hampientanentana Nefa dia maro mpankafy Fa hoe fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/leo
LEO...
RFE Andria
LEO… Leo anao aho Ramalagasy namana Toy ny zaza izay mila tantanana Tsy mety fay amin’ny zavatra nanjo Mova tsy toy ny biby maivan-doha Toa tsy heverinao fa làla-mahafaty Ity làlana izoranao sy arantiranty Ka dia toa tsy heverinao ny ampitso Nefa io làlana io miafara amin-kitso Toa tadiavinao ny hiaina indray ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/celestinmyrai/hanoratra
hanoratra
H.J Myrai
hanoratra aho anio Hanoratra hitantara Ny kiaka sy alahelon’ Ny lasa tsy voafafa Hanoratra aho androany Hanoratra eto foana Ho fenoiko ny diary Izay mbola babangoana Hanoratra aho ankehitriny Hanoratra ireo ratra Nilomanosako fahiny Tao anatin’ny herisetra Eny, hanoratra aho ho anao Ho anao ilay nampijaly...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/raha-lavinao
raha lavinao
cedarf
Misisika ho tonga ho anilanao ihany, Kanefa voatsipaka lava ny fo, Maniraka ny hevitro hisinda any ho any Ho sambatra anilan’ny tiako taloha ! Maniry kanefa hatraiza no fetra Mba azon’ny fonao omena ahy tomany, Babo ny foko ; tia izy anefa Raha toa ka tsy tianao dia tsy mba ho faly. Maminy manko mba hianoka foa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/dify-izy
Dify izy
JAO Anjara
Teto am-panomanana ny dia Hitety izao tontolo izao Dia rava ho azy koa satria Ny vintan-dratsy no injao Nopotehiny sahady Ilay maitso volo tsisy tsiny Tsy mba afaka niady Fahafatesana ho difiany Toa minitra vitsy monja Tototry ny handry tany Kepoka iray nafonja Nanako any lavitra any Tsy misy iray izay tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/nofinny-tsy-ampy-sakafo
NOFIN'NY TSY AMPY SAKAFO
hjravs
NOFIN'NY TSY AMPY SAKAFO Raha Telo arivo ariary, 'zao ny "Euro" iray 2 kilao eo ny vary mety ho azo amin'izay! Fa nanonofy aho vao eo, Dia 'zao no zavatra niseho: "niketrika ny fanjakana mba entina ampihenana ny taham-pahantrana, ka nametraka lalàna - mba hitomboan'ny fahefa-mividy - dia nofoanana ny "MID"*...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamanantena-solofo-jaona/lisitra-faha-3
Lisitra faha-3
ANDRIAMANANTENA Solofo Jaona
Tena azo lazaina fa tena mba tsy rariny Ny nanendrena ahy ho isan'ny ao anaty lisitra Atao ahoana fa mandefitra manana ny rariny Satria hono izay no vokatra navoakin'ny lasitra Tena azo lazaina fa ady an-kafetsena sy lalao maloto Mody napetraka fa ireo hono ny karazana fepetra sy sivana Mihevitra izy angamba f'iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/narasoa/ny-fiainana-an-tany
NY FIAINANA AN -TANY
narasoa
Ny foko migaga ity fiainana an -tany! Ny saiko tsy mino ity zava -lazainy! Fahorina mafy tsy misy toy izany! andro ratsy sy maloka no tomefy ny ankany!? Variana tokoa mantsy letsy aho mandre izany! fa lasa ilay akama nandao ity tany! Izay ve lahatra efa niandohany? dia ny androm -pianany ho rako - tomany! Ny a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/kilalao-fitia
kilalao fitia
cedarf
Zatra teo an-kianjan-dray sy reniko aho no lasa nikopaka elatra any Nitondra vazo manja hampanginako tomany, Raha sendra ka irery dia mianatra midola Mankafia milamina ny teniny miangola. Velon-kira loatra anilan’olon-tiana Tantely mamy lava lalaovina dia Ariana, Dia lasa mamo lava mandrefirefy tany Kilalao fiti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanhaiky/ho-anao-ry-neny
HO ANAO RY NENY
Fanhaiky
Tsy tononkalo, na koa hainteny Tsy hirahira, na koa rindran-teny No hanehoako ny Fitiavako anao F’ilay toetra tsara nambolenao Ao anatiko ao No hany fanomezan-tsarobidy Atolotro ho anao Neny, Reo teny maminao, Reo tambitambitanao, Reo tonom-bavakao, Ampombanao ahy Mavesa-danja, ireny Ka hahatsiarovako anao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoana15/modiana-fanina
MODIANA FANINA
Zoana15
Aleo modiana fanina ‘ty fiaina-mahafanina Modiana tsisy akory Ireo zava-mahaory! Odiana tsy jerena Ireo zava-mahonena Izay tena nahasorena Izay tonga eo ekena! Atao ohatran’ny tsisy Ireo olana efa nisy Aleo hivalona any Ho hita eo izay hiafarany! Aleo hijanona any Toloko sy tomany Atao hoe faly foana Na ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/velona-foana
velona foana
cedarf
Rendrika kanefa toa mbola sahy miarina, Fitiavana efa levona, nitranga noho ianao Izay tato am-poko lalina, nandoro nahafanina ; Nanafotra ny foko izay mbola tia anao. Làlana efa tototr’ireo fanadinoina No mbola ikirizana hizaha anao sao lahy Mba hisy anao hoantsoina, Fa ny foko tia e! tena mbola mahatsiahy. La...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/ts-anjara
ts anjara
vo.sedra
Aza tsahivina akory ny lasa Hevero ho toy ny rehetra tsy nisy Ireo faniriana,izay nokinasa Koseo fa ny antsika tsy hifanandrify Na hoe tena mamy ka sarotra adino Dia aleo aloha faranana hatreo ny tantara Ny fo sy sainao tereo mba hino Fa tsy lahatra ireny no sady tsy anjara Ny lalana rehetra niaraha-nandia Aza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/celestinmyrai/ny-omaly-sy-ny-anio
ny omaly sy ny anio
H.J Myrai
Ny omaly sy ny anio Ny ranomasonao androany Ny raho-maintinao omaly Dia tadidio fa mbola hisava Sy hamiratra hazava Ny tarainanao androany Ireo kiakanao omaly Dia tsarovy lalan-dava Fa tsy maintsy mbola ho rava Ny faharesenao androany Ny hakivianao omaly Tsy mitoetra akory ireny Fa…miserana eny ihany Ny fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/neny
NENY
Teboka Telo
Ho anao, anio, ry Neny, 'Lay hany tiako, tsy atakalo; tsy mety afoy, tsy hay afindra no anolorako ny teny Dieny mbola hita ianao... Tsy teny kanto, tsara rindra Vonjy tavan'androm-pety; Fa teny vokatry ny fo, ho fanomezana fanolotra Miboiboika avy ao anaty! Tsy hay kobonina f'injao, mipololotra eto imolotra! Av...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/celestinmyrai/hivavaka-aho-kanefa
hivavaka aho kanefa
H.J Myrai
Raha hivavaka aho kanefa Tsy mbola haiko ny mametra Sy mifehy ny vatako maditra Dia aleoko ihany aloha tsy hita Raha hivavaka aho kanefa Tsy hatanteraka fepetra Takin’ilay finoana Dia aleoko ihany aloha midola Fa raha hivavaka aho kanefa Tsy havita hiaritra ny sedra Sy hilanja ny hazo fijaliana Dia aleoko ih...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/celestinmyrai/ny-ampiangonana
ny any ampiangonana
H.J Myrai
raha fijejojeoana no alehanao any aleo dia mijanona ao atrano ihany fa ny ampiangonana natao hivavahana fa tsy fampiderana fiankanjo amin'ny namana raha fireharehana no alehanao any maninona moa mpanota eny ihany e fa ny any ampiangonana natao hanompoana sy iangonan'ny manam-pinoana ka aleo ts mandeha raha hamp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/meva/nofiko-hono
NOFIKO HONO
lifanir
Nofiko hono indray alina, andro vitsy lasa izay nisy toerana tsy fantatro nahitako anao indray Singan-drery toa variana teo an-tsisin'ny kamory lasan'embona aok'izany tsy nahatazan'Ahy akory Izaho tsy sahy nanabataba fa nandinika nijery Namonjy takotakona aza ka nisitrika niery Nanara-maso teny ho eny fa toa tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/celestinmyrai/na-aza
na aza
H.J Myrai
Tiako ho aho ianao Ary efa ela no tao Anaty nofiko mazàna Saingy anio dia tsy tàna Efa ela no niriako Saingy tsy haiko Fa reko toa manakoako Midoboka tsy miato Ny any anatiko any Rehefa iny ianao fa tamy Efa ela ianao No nitsiry tao am-poko tao e Saingy tsy sahiko navoaka Na aza efa nadraotra Efa ela iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/vahoaka-atao-takalonaina
VAHOAKA ATAO TAKALONAINA
RFE Andria
VAHOAKA ATAO TAKALONAINA Depiote sy mpanao politika Feno fikafika Ny antenimieram-pirenena Fitiavan-tena Vola be no mikararàna Tena igagàna Izao ny Filoham-pirenena No mivembena Ireo vahoaka sesehena Hosihosena Tsy misy raha ny fitoniana Azo tsiniana Ary ny fandriam-pahalemana Ts’isy ianteherana Ny fahan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/krismasy
Krismasy
JAO Anjara
Amin'izao noely izao No aniriako indrindra Fiadanana maharitra Ho an'ity tontolo ity Mba ho noely fifaliana Ho an'ny olona rehetra Ho lavitra toloko Tsy hisy hampisento Noely fifankatiavana Ho an'ny voary manontolo Mba tsy hisy hifandrafy Hifanao ambony sy ambany Dia ho lafatra tokoa Ny andro sisa hany Fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/sary-nofy-iray
Sary nofy iray!
JAO Anjara
Fahagagana mihoatra loha Ilay nofy lalina azo tsindry Tsy noheveriko hanindroa Ho tanteraka, mandíny... Fa kisendrasendra anaty aligna Ilay sary iray izay nosoritako Tsy nampizo tory androamanalina Fa tonga vantana no hitako. Sary iray nataoko tamin-tsaoka Noheveriko ho sinangin-jaza No indro nanatona sy nilo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/tsy-avelany-hanoratra
TSY AVELANY HANORATRA
ANDRIAMASIMANANA Andry
Ry aingam-panahy ô!! Midina ato anatiko , fa manelingelina mila tsy ho tantiko, manainga ny foko, toloko tomany, ny hitany masoko, ‘zay niserana ihany Midina ato anatiko e, midina hindramiko, mba hanoratako ireo tsiahy, fa mila ho vaky hitroatra ny foko koa faingana midina, re ry aingam-panahy….. fa maves...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/alika-manaikitra
Alika manaikitra
DotMG
Ho azoko ialahy amin'ity fifidianana ... R'ingahy mora manana Ny homeko an'ialahy izay miseho azy ho favo, Dia karatra mavo. Ny rafin'ialahy tena maharikoriko No 'ndeha hofidiko Ka ho hitan'ialahy amin'izay ny blème : Tsisy mpi-j'aime. Horeseko lahatra koa ry Madama Sy ireo bandy akama, Hirohotra mihitsy hane...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/mandehana
Mandehana
Nofy2
Raha toa izay no tsapanao sy hitanao fa mahasoa Mahamety ny amintsika, tsy mitana aho andriamatoa Tsy mampaninona ahy mihintsy izay fanapahan-kevitrao Aza mihevitra ny amiko fa izay tianao ihany atao Izaho tsy hisakana akory na hanery anao izay tiako Fa safidim-ponao ihany, ny fahasambaranao no iriako Sanatria ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoana15/lasa-tsy-nimpody
LASA TSY NIMPODY
Zoana15
Raha vao telo volana monja nahitana masoandro Ity zanantsika izay nirina fatratra Dia indro ianao lasana, tena tsy voasakana Niala tato antrano, izahay tsy nahafantatra Ny hany teninao dia andeha ianao hilalao Natakalonao baolina izaho sy ny zanakao Niezaka nanakana, ity Renin-janakao Indrisy ny hilalao ihany n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoana15/zanako
ZANAKO
Zoana15
Ny antom-pisiako eto an-tany, Tsy iza ry zanako fa ianao irery ihany Raha tonga ny andro any aoriana any, Izaho ho lasana tsy mila tomany Atreho re ny fiainana fa aza misento, Ny zavatra atolotro anao dia ireto Tohero ny ratsy, manaova ny soa, Aza atao tsinontsinona ny anatr’Ineny Manaova ny tsara, mitomboa fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/ianao
IANAO
Lova miar'shu
Hafa ianao raha vao hitako, andrianiko ary sitrako, reo toetra na fihetsika. manambara fa dia mendrika! Ny maso maotina fijery, nahasarika ahy hiteny, fa hafa ianao no mamiko, tena soa sady haniko! Hafa ka hitokisako, ekeko f'efa tiako, hafa nefa miavaka, iriko mba ho ravaka! Hafa noho ny hafa ianao, ka ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/tsy-kivy-fa-mitady
Tsy kivy fa mitady
JAO Anjara
Raha mbola velona ny aiko Mamelon-tena sy mitady Mifoha maraina miandry baiko Miantsoroka angady Mitady vola hamelomana Ny ankohonana sy ankizy Satria velona mba homana Am-piatrehana ny adidy Asa mafy no miandry Na izany aza tsy kivy Atao an-kira sy kisangy Fa hatsembohana no amidy Adidy masina no atao Man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/neny-7916
Neny
JAO Anjara
Ry Neny tiako indrindra Sy malalako eto an-tany Ny fitiavako tsy afindra Fa ho anao irery ihany Ianao no mpandridra Sy masoandro nahitàna Fa ny fiainako rehetra No namoizanao ny aina Ka nikolo tsisy fetra Ilay tany karakaina Nampifaly raha joretra Nampitsiky vao maraina Tsy ho nofy ankehitriny Ny fiainako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoana15/misaotra
MISAOTRA
Zoana15
Litera valo monja ny teny hoe misaotra Kely fa mafonja, teny kely kanto loatra Hafaliana sy haravoana any anaty rehetra any Maheno anao miteny azy, teny kely teny mamy! Faly ery izany sofina maheno anao misaotsaotra Amin’izato fo madio mamoaka azy tsara voatra Manoka-bava tsara ery, manonona azy am-pitsikiana Af...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sombni-aina-dit-las/neny
Neny
Sombiniaina Rakotoarivony
ny fitiavako anao ry neny tsy atakaloko an'iza ianao irery iany no tiko indrindra indrindra ianao ilay nikolo sy nahitako masoandro nanome satroka ahy indrindra refa may ny andro tiko loatra ianao ry neny, eny niaritra ny ditrako ka mankarary ahy ra ohatra tsy hitako aza ilaozanao aho ra toa ka azo atao tsaroako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/dada-malala
FITIAVAN'I DADA
ANDRIAMASIMANANA Andry
Efa betsaka ny teny, Voalaza ombieny, ombieny, Fa tsy misy mahalaza, Ny fitiavanao ry dada.. Tokana fa tsy mba roa, Azoko anankinan-doha Nikarakara sy nitaiza Nitantana hatraiza hatraiza Fitiavanao, tsy manam-petra Ny anatrao no nitoetra, Tena nahakolokolo Isaorako tokoa ianao, amin’ny foko manontolo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nasolo-anjarasoa-rakotovao/alina-mitovana-ve
alina mitovana ve?
nasolo anjarasoa rakotovao
raha horakoraka ny fiainana ianao ve tsy malilo? raha tabataba tsisy hisainana ianao ve tsy madilo ee!? dia nahoana ianao no faly nefa rotoroto lava? ny fiainanao omaly misy alahelo mbola ho lava inonao moa zay omaly e? hirahira sy sakafo fa ny tena mampijaly ny anio dia toy ny afo sesilany ny adidy ny ank...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/aza-dia-mikiry
Aza dia mikiry!
JAO Anjara
Voabaikonao va ny onja, Handrendrika ny samboko? Handetika sy hanonga... Hamarana ny androko Raha izany no hitranga Ataoko hoe mahery, Ny fiainanao no ho banga, Ka ataovy tsianjery. Raha vitanao ny hamadika Ny tselatra ho varatra Hamono sy hampivanditra Ianao no tena aratra. Raha tanteraka ireo Ka hamingan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/noely
Noely
JAO Anjara
Izao fotoana izao,ity noely ity Andro sy ora volamena hoan'izao tontolo izao Ho sambatra sy faly anivon'ny fitia Ka aniriako anao ahita ny ahasoa Sy ho lavitra tomany dia hiriaria Ary mba hitondra fiadanana sy tokantrano soa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoana15/aza-kivy
AZA KIVY
Zoana15
Na dia maro ny ankaso sy ny hetraketraka eto an-tany Na dia betsaka tsy tia, mpanakivy sesilany Aoka ianao tsy ho kivy, mijoroa hatrany hatrany Ho sasam-poana ireo mpisompatra, ny eto anie mandalo ihany Na dia maro ny alahelo, ranomaso sy toloko Na dia betsaka ny trosa, mbola ho voaloa na dia miavosa Aoka ianao t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/lalim-paka
LALIM-PAKA
Nofy2
Tovolahy iray izay mbola resin-tory,variana sy sondriana Tsy nisaina mihitsy ny hanam-pikasana,hitady olon-tiana Kanefa dia voasarika raha sendra mba nandalo ity tovovavy iray Fa kanto sady meva,hafa tena hafa,nanaitra ny fanahy Nidoboka ny fony,nangovitra ny tavany teo am-pijerena Fa nisy hery iray,nanosika,nanin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mitomania-fa-mitraka
MITOMANIA FA MITRAKA
RFE Andria
MITOMANIA FA MITRAKÁ Ianao izay mahatsiaro ny fandalovako eto an-tany Arotsahy ny ranomaso raha toa ianao te hitomany Nefa aza mitanondrika fa mitrakà hatrany hatrany F’izay ny làlana hodiaviko : ny mankany mankany Tsy maintsy hilaozako ny eto, ity fiainana mavàny Ity tontolo feno sento, hankanesako any ho any F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/ty-fiainako
TY FIAINAKO
Lova miar'shu
Indrisy mantsy mahonena! ity zaho raha jerena, ilay olona mijaly, tsy mba afaka hifaly! efa leo ny tsy fisiana, niharitra ny fihafiana! Ilay olona miserana, tsy mba manank'hianteherana, na hariva na maraina, sasatry ny mitaraina. Hifandimbiasan'ny hakiviana, alahelo sy fahoriana, ka iza ary no hanafaka? it...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tia-anao-foana
TIA ANAO FOANA
RFE Andria
TIA ANAO FOANA Dia tsy haiko akia Malala an fa tena tia anao foana Tsy hay feperana ity foko, tsy manaiky ny anoloana Ilay fitia raiki-tampisaka, vita sikotra ao anatiny Mihavao isa-maraina, tsy lany andro raha ny datiny Tsy taitran’ny hafa intsony aho fa dia tia anao tanteraka Raha sanatria ilaozanao dia hita ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/manina-ny-tiana
Manina ny tiana
JAO Anjara
Manina ny tiana Ny tsikitsikin-drailovy sy ny kalokalon-kafom-pararano, nonafosafo toy ny tsioka amoron-drano, ka nampanembona any ho any toa valiha tinendrin'olo-malahelo,manina any lavitra any. Fa tafasaraka tsy fidy noho ny amin-java maro, ka dia zary irery, hitambesaran'alahelo mifangaro. Manisa kintana,mand...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/mitory-fitia
Mitory fitia
JAO Anjara
Mitory Fitia L-Azafady re ry Ise ! Hadisoako ve ny hitoetra anilanao? V-Azafady indrindra!f’iza moa ianao? No miseho mahalala ka hamorona tahala? L-Izaho ihany ity!Miarahaba anao Ilay nanaradia hatrarỳ ka hatratỳ V-Azafady Ndrematoa Fa tsy misy haiko ,na ny anaranao, Ka mapiasa ny saiko,ny fanakananao L-Indro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/mitsangana
MITSANGANA
JAO Anjara
Raha toa ianao malaina mitsangana dieny izao fa fifaliana tsy hay lazaina No ao ambadimbadikao ao Mandehana dieny alina ny maraina mbola tsy hay 'zay mazoto no tafarina Fa ny adala toan-dray Raha mbola misy ny fotoana aza mba malaina miarena dieny noana valim-bavaka handrandraina Rehefa injay ka todisoa Iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/ny-fitiavako-anao
Ny Fitiavako anao
JAO Anjara
Ny Fitiavako anao Indro ho lazaiko anao Eny manko, fotoanany izao Hanambarako ny ao anatiko ao Dia tsy inona fa ny fitiavako anao Ny fitiavako anao, tsy azonao tsapain-tanana Ny fitiavako anao tsy hitanao ho tazanina Ny fitiavako anao toa tsy ho haiko ho faranana Ny fitiavako anao tena saro-patarina Kanefa, ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/lasa
Lasa
JAO Anjara
Lasa ianao Lasa ianao niala teto amiko Lasa,niova nifindra lasy Tsy fantatro hoe inona no vita ratsiko Fa dia lasa ianao ,tena lasa Dia indro tsaroako tampoka izany fahiny Ilay nifampitony,niara-dia,nifampitantana Toa nofy sisa ireny ankehitriny Satria lasa ianao,nanary ity namana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/namako-hatrany
Namako hatrany
JAO Anjara
Namako hatrany Indray andro anefa ,nanofy anao aho Ianao izao no hitako teo anoloako Nitsiky sy nananton hay Falifaly tsy mba nanana ahiahy Nanomboka hatreo Raha vao nahita anao aho Na dia lavitra aza Dia tsapako ho nidobodoboka ny foko ao Eny fantatro,fa tia anao aho Lazaiko izany fa tsy vazivazy Eny ,tia a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/celestinmyrai/gasy-foana
gasy foana
H.J Myrai
raha mbola misy fo mitempo sy rà mikoriana tsy misento ao anatinao ao dia malagasy foana ianao na hitety vazan-tany maro fiteny,kolontsaina hohatakalo dia malagasy foana ianao na oviana, io tsy maitsy anaranao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/raha-fitia-7900
Raha Fitia
JAO Anjara
Tsy mba vola na harena no tadiaviko aminao, Fa fitia sesehena toy izao anio izao, Tsy hitady tombotsoa na variraiventy, Fa ny any anaty fo no andrasako hirenty Tsy hijery ny endrikao na izay hakantony, Fa ireny dia ho rendrika,vetivety dia ho takona, Fa ny fo fanahy… izay no ilaiko, Tsy hisy hampanahy fa ianao n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sombni-aina-dit-las/avy-ho-eto-anilako
Avia ho eto anilako
Sombiniaina Rakotoarivony
any ianao ry lay tiako, izaho aty manina anao nefa ny mba faniriako, dia ny hitoetra eo akaikinao fa dia nahoana loatra re, no tsy eto anilako ianao mampanitany tena hoe, hadisoako ve izao tsapanao tokoa angamba, ny fitiavako anao mba avy eto akaiko, mba miangavy ra azo atao avia eto akaiko ra manam-patokisana f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/ilay-tsy-haritro
ILay tsy haritro
JAO Anjara
Raha mbola misy ora sendra miato Eo anivon’ny fiainako Dia tsy ho haritry ny saiko Ny tsy haminavina ny endrikao sombinaiko Raha mbola misy koa làlana Hahitako ilay alokao Dia tsy ho haritry ny tanako ny tsy hanakana Satria mantsy ‘zaho te hamihina anao Raha mbola misy koa ravina iray Hahitako ireo rango-tànan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/sambatra
Sambatra
JAO Anjara
Sambatra Sambatra aho eo anilanao Midongy masiaka mihanta aminao Mikiry maditra adala anao Ka sambatra aho fa tia anao Sambatra aho eo anilanao Bedy voaaro eo an-tànanao Mamela sarotiny rotsianao Ka sambatra aho fa tia anao Sambatra aho eo anilanao Tretrika ravo raha toy izao Tsisy tomika eo akaikinao Ka sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/loza
Loza
JAO Anjara
Loza Efa ho herinandro sady ‘zay Ilay loza nahakasika ahy Loza tsy mba nampandre Nampidarabok’ahy teo an’arabe Voa mafy aho tamin’izany Raha nianjera tamin’ny tany Tampoka toa tsy nampoiziko Kay tena tapaka ny soroko Nihato ‘ndray aloha ny asa Nefa enim-bolana no lasa Fotoana maro am-pandriana Hitondrako fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/hik-hik
HIK! HIK!...
hjravs
HIK! HIK!... tsy zazakely aho lehiroa, zakako io! Raha mbola bota fanindroa, tairo, ampio! Fa aleo mba hisy tono akoho hitelemana azy, ranom-boasary ihany koa atao kopazy! Tsy mpisotro aho akory fa androany misy raha manorisory an-dohako any! mila mamo mihintsy 'ngamba, raha tsy izany, tena mety hanary l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/naka-aina
Naka aina
JAO Anjara
Niala sasatra Tsy nitsahatra akory ny penina Fa mba nakaina kely Ary mbola ho avy indray Amin’ny teny feno hery Tsy nivaingana tsy akory Ny rano fanoratako Fa niala sasatra natory Tamin’ny ora famafazako Tsy very sanatria Ny pensily teto an-tanako Tsy nipirina doria Fa voatery noho ny asako Koa rampitso a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/mifankatiava
mifankatiava
JAO Anjara
Tirôliro,voliroliro… Tirôliro,voliroliro Raha mpivady no mifankatia an ! Sarotr’aminy ny hikodia, Dia hiteraka fitolahy sy hiteraka fitovavy, Hanasitrana ny malia ,sy ho solon’ny tambavy Dia haharitra rahatrizay Ilay fitiavana ho iray. Tirôliro,voliroliro… Tirôliro,voliroliro Raha mpivady no miara miasa an Mia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/ny-fiarahan-tsika-roa
Ny fiarahan-tsika roa
JAO Anjara
Ny fiarahan-tsika roa Ity toerana ity Na reo manodidina ahy ireo Dia samy mirakitra zava-tsarobidy Ka tsy foiko,tiako rahateo Rehefa irỳ avy nianatra aho Ka sendra irery eny lavitra eny Dia indreo miverina an-tsaiko,mifamahofaho Ireo rehetra nitantsika,haiku tsianjery Raha sendra fahavaratra Ka n any orana az...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sombni-aina-dit-las/malala-tsy-foiko
Malala tsy foiko
Sombiniaina Rakotoarivony
Manina anao aho ry 'lay sombiniaiko ny tsy anilanao no mamparary ny aiko raovina ihany no hiaona tsika hifampitantana eny, arahina endrika sariaka hananao daholo 'reo ilaiko manontolo fietsika sy bika arahina endrika amam-bolo ny fitiavako anao no hanoratako ity tononkalo fa tiko loatra ianao ka tsy foiko hataka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/satriko-holazaina-anao
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/ry-tanako
ry tanako
vo.sedra
Fa nahoana ianao ry tanako No mitokona tsy hanoratra Ireo sento kalom-poko? Dia 'reo hany mba fananako Itantarako fo maratra Sy anafenako toloko Fa dia nahoana loatra No feranao ny foko hilaza 'reo narary azy androany? Henoy 'zato izy efa mitroatra Midradradradra toy ny zaza Manovokovoka tomany. Misento ana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamanantena-solofo-jaona/any-andro-iray
Any andro iray
ANDRIAMANANTENA Solofo Jaona
Any andro iray Any andro iray, tsy hahenoako intsony Irony tabataba mampanampitsofina Ireo karazana vazavaza Tena mampanampim-bava Any andro iray, tsy hahitako intsony Ireo karazam-pijaliana Izay mampitondra fahoriana Zary tena nampiaina fihafiana Any andro iray, tsy iainako intsony Ireo karazan-tebiteby mamp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/izaho-sy-ianao
IZAHO SY IANAO!
ANDRINIAINA1
IZAHO sy IANAO! Tiako sady mamiko IANAO ho ato amiko Izaho ao AMINAO amin'izay rehetra atao. IANAO no AINA mamelona "ny zavatra rehetra" IANAO no AINA iveloman'"ny zavatra rehetra" IANAO no ilay Mpahary ny TSARA Ka ao AMINAO ny zavatra rehetra no mitombo,mivoatra, mihatsara, ... Misaotra ANAO aho amin'ny zavat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenohasimpitia/iarivo
IARIVO
fenohasimpitia
IARIVO Jereo ity tanàna 'Zay tena nahatamàna Indrisy simba sy maloto Feno fako, feno loto Indrisy ry Iarivo taloha 'Lay tena môdely tokoa Tsiriritin'ny mpandalo Sy tsy idiram-pahavalo Amin'izao fotoana izao Mila ho potika sy lao Zôridira etsy sy eroa Ny aretina miseho avokoa Isika ve no adala? Sa ny mpito...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/taninny-hadalana
TANIN'NY HADALANA
hjravs
TANIN'NY HADALANA (arak'ilay fehin-kevitra teny Ivato) Tsy maintsy hiteny aho, fa amin'izao, tena atao kilalao, ny fiainam-pirenena, ary tena, mahonena, fa hatramin'ireo filoham-piangonana, no indreo mitonantonana, mampiasa fika politika, Mahantra, ho'a, ny tanintsika e!... fampihavanana no hiraina, ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/lalao
Lalao
JAO Anjara
Ankizy Endrey ireto ankizy Mifaly sy mikorana Toa mirana izay tsy izy Fa mamy ny fahazazana Rahosijamba,rahosijamba Diavolam-pararano Kisangisangy,vazavaza Kivarivary amoron-drano Fa na maizin-kitroka ny tany Indreo mbola eo ihany Totorebika sy mihira aok’izany Fa lalao tsy misy fiafarany Fa tiako loatra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamanantena-solofo-jaona/mba-henoy-ry-ray
Mba henoy ry Ray
ANDRIAMANANTENA Solofo Jaona
Mba henoy ry Ray Isaorako anao ry Ray, ny nivimbinanao ny tenako Ka nahatratra indray ilay andro tsingeritaonako Raha ny ota vitako dia tena tsy mendrika izany Fa Ianao ilay Ray namela namindra fo hatrany Koa ifonako eto anio, ireo heloka be zay vitako Hiezahako hatrany hanary ireo karazan-ditrako Ka mba omeo i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/iny-tsikitsiky-iny
INY TSIKITSIKY INY
hjravs
INY TSIKITSIKY INY (05 May: Andro maneran-tany ho an'ny fitsikiana) Iny tsikitsikiny iny, tsiky tsy hoe fanahy iniany, toy ny tsiky rehetra ihany fa taminao 'lay niantefany, nitondra nofinofy mamy. Iny tsikitsikiny iny, Mety ho tsikin'ny hafaliany, Mety ho tsiky hanihany, fa taminao anefa izany nanjary tsiki...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/verokely-fianaroise/ny-ao-aminny-fiainana
NY AO AMIN'NY FIAINANA
Verokely Fianaroise
Maro no hita ao amin'ny fiainana Betsaka koa no tsapa ao aminy Ao ny fifaliana sy ny fanaintainana Tsapa ao koa ny ngidiny sy ny maminy Misy ambony, misy ambany Na koa ny iva sy ny avo Izany no fiainana eto an-tany Ao ny miarina, ao ny lavo Ao koa ireo zaza kamboty Izay misotro ny mangidiny Tsy mba afaka nian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/ny-lasako
Ny lasako
JAO Anjara
raha nandinika ny lasako rehetra aho dia nahita fa fitiavana daholo izay rehetra nataoko nomeko anao dia tia tamin’ny foko manontolo nefa ireny nodianao tsy hita dia nalavirinao ho tsy nisy saingy izaho niaina izany dia mijaly anaty any ka nahavitako nanonona tsy nahy hoe: tahak’izay, naleoko lahy......
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/alahelo
Alahelo
JAO Anjara
Alahelo Misy maso mahonena Ary misy fo mijaly fa sasamiandry manantena fiainan-tsara hampifaly kanjo fahoriana sesehena nampitombo indray ny jaly fa nandao vao tsy ela akory ilay andry niankinana Dia indro fa niamboho sahady ilay torovana nibaby Ilay nitaiza sy nikolo Dia hody vovoka daholo Tojo alahelo ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/niala-sasatra
niala sasatra
JAO Anjara
Niala sasatra Tsy nitsahatra akory ny penina Fa mba nakaina kely Ary mbola ho avy indray Amin’ny teny feno hery Tsy nivaingana tsy akory Ny rano fanoratako Fa niala sasatra natory Tamin’ny ora famafazako Tsy very sanatria Ny pensily teto an-tanako Tsy nipirina doria Fa voatery noho ny asako Koa rampitso a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/fitia-tsy-iniana
FITIA TSY INIANA
RFE Andria
FITIA TSY INIANA Ny ranomaso foana no mitrahotraho Ny foko izay terena, injao fa mitalaho Ny fitiavako anao tsy haiko hadinoina Manangatra hatrany raha vao vonoina Avelao akia aho Malala hitia anao mangina Ny fitiavako anao : misy ho azy tsy iniana…
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/o-ry-tiana-nefa
O! Ry tiana nefa...
JAO Anjara
O! Ry tiana nefa... O! Ry tiana ry malala Notiaviko hatry ny ela Toa manjary mankahala Sary sia no navela Ho fahatsiarovako ny lasa Sy ny vita teo aloha Satria nivadika ny rasa Ka toa nofy avokoa Tsy avy amiko anefa Na vay aminao koa Fa ny anjara no niantefa Dia ny anjara,n-tsika roa Na dia mamiko aza aian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamanantena-solofo-jaona/ho-anareo-zanako
Ho anareo zanako
ANDRIAMANANTENA Solofo Jaona
Ho anareo zanako Mbola kely ianareo ka izao no tsarovy Mbola lavitra ny lalana izay mbola ho diavina Ka ireo fiainanareo no ambeno sy tandrovy Ho todisoa amin'ireo tanjona iriana sy tiavina I Dada sy Neny tsy ho eo anilanareo foana Fa misy fandaharana izay efa voalahatra Mety handeha aloha fa mbola miandry fotoa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/neny
neny
vo.sedra
Kanto sady sarobidy Ny eo anilanao ry neny Fitiavana tsy voavidy No tsy voalazako an-teny Fitia tsy mba voasolo Sady tsy manan-tsahala Fitia tsy mety bobongolo Ny anao ry neniko malala Nokoloinao ihany koa Ny zanakao mba ho mendrika Nobeazinao ho soa Hampangina ireo mpanenjika Tsy navelanao irery Raha tojo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ilay-vony
ILAY VONY
RFE Andria
ILAY VONY Nihintsana ririnina Ilay vony nantenaina Tsy nisy toa inona Nalazo sady maina Ny lokony narevaka Lasa tonga hatsatra Indro izy nitorevaka Hita ho tena sasatra Ilay fofo-maniny avy Nanjavona tsy heno Sa dia noho ilay tavy Ts’isy otrikaina feno ? Avy ao an-jaridaina Mantsy izy no nafindra Izay no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/fo-voahidy
FO VOAHIDY
RFE Andria
FO VOAHIDY Nohidiako ny foko mba tsy hitia intsony intsony Fa izany angaha no lahatra sy tendry avy any ambony Ny hizorako amin’ny làlako, handehanako irery Zava-dalina izany, tsy takatro fa misitery Ka manomboka anio, ho moana raha ny peniko Tsy hivetso intsony fitiavan’olon-droa ny teniko Malala ary Tiana no n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/any-izy-any
Any izy any
JAO Anjara
Any izy any Any ambadimbadika any No misy ilay malalako Fahatsiarovana tsy mety lany No ahitako ilay fitiavako Tsy noraisiny ho vazivazy Ny fitiavany ahy etỳ Fa toy ny raozy anaty vazy Kanefa nosembanin’ny hetraketraka-pitia Lozan’izy ireny kosa Izany nanimba fitiavako niavosa Tsy hamaly faty aho anefa Fa a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sombni-aina-dit-las/tsisy-afatsy-ianao
tsisy afatsy ianao
Sombiniaina Rakotoarivony
manina anao aho ry 'lay tiko ny ahita anao no faniriko ra mba eto anilako mantsy ianao dia tsy harary toy izao aho ny eo anilanao no fahasambarako ka ho mandrakizay ny tantarako toa nanofinofy zah ndray andro tsy aiko, mety ho nofy atoandro tiko ianao, tiko loatra tiko ho tsapanao 'lay fitia miha-mivotra inon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/ravin-kazo-maina
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/rilay-mpanao-hatsikana-iny
R'ILAY MPANAO HATSIKANA INY....
hjravs
R'ILAY MPANAO HATSIKANA INY... Tsy zakako aloha, ilay fofom-bavan'ialahy tamin'iny f'angaha moa, raha toa traboina izy ireo dia hoe faniriany. Fanteno ihany, zoky, ny teny avoaka f'ialahy ange, olona fata-bahoaka e! Ny kôzin'ialahy hoe "be fangataka lava amin'ny fitondrana". Fa ny kibony noana, ny tranony rava...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/clarisse-ratsifandrihamanana/mama
MAMA
Clarisse Ratsifandrihamanana
MAMA Fony teo ianao Izaho mihevitra mihitsy Fa ampy ahy hatrizao Ireo taona vitsivitsy Ahafahako mijoro, Samirery, tsy hatoro! Manko kosa lasa ianao tsy tàna Ary tsapako mazàna Fa manao fanahin-jaza Mikavia, solafaka aza Mitady zahatra hamaharana Toy ny olo-nosomparana Mbetika mirenireny Ty zanakao tsy mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/mena
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tolona
TOLONA
RFE Andria
TOLONA Hoy ity loham-pianakaviana Niatrana ny fitodiana : « Raha indray topaza-maso Ka itodihako ny lasa Izato làla-nodiaviko Nampitsonika ny taviko Dia mirakitra ireo ady Nitady hamarina ahy sahady Any amin’ny varo tsy mifody Sy manakana ahy tsy ho tody Amin’ny tanjona napetraka Zary mampivalaketraka… Imp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojonirinatj/samy-tia
Samy Tia
tojonirina
Dia nifampijery kely dia samy tsy niteny fa nangiana avokoa ireo molotra anakiroa dia mody tsy niraika nefa dodona sy maika satria 'SAMY TIA'
https://vetso.serasera.org/tononkalo/clarisse-ratsifandrihamanana/ny-tena-tia
NY TENA TIA
Clarisse Ratsifandrihamanana
Ny tena olon-tia Tsy ilay mitia tanatin’ny tantavana Ny hany mavamavana, Ny hany feno aina : Felana tanora Manindrahindra saina, Malambo sy bakora… Tsy ilay mitia Ny bika mijaradona Mandrendrika ny dia Anivon-gadongadona. Na ilay mitia An’andro mibaliakan’ Ny hira sy ny dihin’ Ny endrika sariaka… Tsy ila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/tonga-ny-hafatrao
TONGA NY HAFATRAO
ANDRIAMASIMANANA Andry
Setriny tononkalon'i ( RADO hoe : HAFATRA) ho any ihany aho fa..... handalo dia hiserana, noho ny hafatrao, hiezaka aho ny ho any, raha azoko atao dia afeniko azy, ireo fahorianao!!! nandalo izao androany, ka hitako izy tany, ny endrika nasehony hitako tsy faly, fa zary toa nafeniny, tanaty tsiky kely, nia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsinjo-razakaniaina/rehefa
REHEFA
Tsinjo RAZAKANIAINA
REHEFA Izay kely mba hananako Hany sisa an-tanako Ho ento ho anao... Rehefa maty aho: Tanisao ny tsara vitako Vakio milanto ny asa soratro... Baboy indray ny foko resi-tory fa Tena kanto maro loko Irony tononkalo hany voasoratro omaly Fa ny tsikiko androany raha sitrakao Valio Fa avadiho indray ho tomany.....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tara-kevitra
TARA-KEVITRA
RFE Andria
TARA-KEVITRA Fa ny soratsora-ndry akia Tsy mivetso afa-tsy « fitia » Dia fitiavan’olon-droa Izay ve no mameno fo ? Ny fitiavan-tanindrazana Toa tsy dia tazantazana Ny amin’ny fiarahamonina Tsy mba misy nohazonina Tsy mibahana ao an-tsaina Sa dia tena mampahalaina ? Fa ny mpitononkalo* ve Tsy taratry ny mar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/manimanina
MANIMANINA
RFE Andria
MANIMANINA Taitra maraina alina koa Fa any aminao ny fisainan'ny fo Mitazana eto am-baravarankely Iry diavolana mamelovelo Ny tarany fotsy anatin'ny alina Dia mainka koa mahamanina lalina Any mantsy ianao, izaho aty Samy manirery na mifankatia... Feno fitiavana anao izany foko Tsy mahita tory ka indro misoko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/habaka
HABAKA
RFE Andria
HABAKA Iny lanitro iny Ravahan’ireo kintana an’alinkisa Maha-te hivahiny Satria dia tokonan’ilay paradisa Ny ao ilaozan-tsento F’anjakan’ireo kintana mamiratra Tontolom-betsovetso Lavitry ny fotaka mandrevo sy ny dilatra Habakaba-nofy Hazavain’ireo jiro kintan-manjopiaka Manaisotra ireo rofy Natonton’ny eto...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/tsy-mety-andosirana
TSY METY ANDOSIRANA
cedarf
domiko anefa tsy mety mianjera, aleviko saingy manangatra foana ; ny avelom-pitiavako sisa tavela, tiako hitamberina raha sendra moana. Imbetika lalina ho ahy ny adin-tsaina rehefa manaloka indrindra ny lasa, indrindra indrindra ny feon'ny maraina efa nanary fa mbola kinasa. Imbetika ny aliko raha manirery dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mahantra
MAHANTRA
RFE Andria
MAHANTRA Zary vodiahitriarivo fanitsaky ny mpanana Toy ny omby mahia tsy lelafin’ny namana Efa zatra ny mangidy ary koa ny manganana Tsy mahalala vina na ny hoenti-kotantanana Samy tsy ananana na soavaly vy na fiara Ka miainga vao maraina raha tsy te ho tara Tsy voafetra koa ny dia an-tongotra mazàna Rehefa lan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hadalana
HADALANA
Fredy Jaofera
HADALANA Hadalana ny mankahala ny raozy rehetrarehetra raha nanindrona ny iray : ny tsilo akory tsy hiala fa ho eo tsy misy fetra ka mahaiza re mandray.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/haiady
HAIADY
hjravs
HAIADY Izaho tsy mb'hisary adala, handranitra ady, mikisaka aho, aleoko miala ataoko fady ny miteny, ny ahy ny bala tsy ho reny fa heriny ny halemeny. Izy hifofo sy hihaika, raha mamely, izany, anefa, tsy hampiraika ahy velively satria mantsy, tsy re tsaika ny ahy ny fantsy, saingy mitsaka toy ny antsy ...