url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/inay-anie-aho | INAY ANIE AHO... | RFE Andria | INAY ANIE AHO…
Inay anie aho ho toy ny voromanidina
Rehefa ho any aminao dia tsy mihodidina
Fa avy hatrany manao hitsin-dàlana
Dia tonga matetika fa tsy mahalana
Inay anie aho ho ilay tsio-drivotra
Manafosafo tsy mba mihodivitra
Manoroka mora ny takolakao
Isa-minitra dia eo anilanao
Inay anie aho ho ilay tana-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsinjo-razakaniaina/angamba | ANGAMBA | Tsinjo RAZAKANIAINA | ANGAMBA
Efa nisy angamba
Olon-kafa tena tsara
Notiavinao talohako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avo-rakoto/andeha-hijoro-isika | ANDEHA HIJORO ISIKA | Ny Avo Rakoto | ANDEHA HIJORO ISIKA
Andeha hijoro isika
Hitaky marina amin'izay
Ny fahafahantsika
Andeha hijoro ho sahy
Hanafaka ny tany
K'aza kivy na manahy
Fa na ho tsiky na tomany
Dia herezo hatrany hatrany
Fa tsy maintsy antsika anio ny fandresena
Dia ilay FAHALEOVANTENA
Nandrandraina hatramin'izay |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/nisy | NISY | Aina Nirina | NISY…
Nisy topimaso namaly ny fijeriko,
Nanintona ny saiko,
Nisy andriam-by nandresy ilay heriko
Sady tsy voabaiko…
Toa satriko hiherika hibanjina anao :
Hifampijery foana,
Hiresaka mangina ny tao am-poko tao
Hanao baiko moana…
Nisy tsikitsiky nifanolorantsika
Niloatra avy any am-po,
Tsiky toa nibitsika sady... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ihafatra/fa-nahoana | FA NAHOANA?? | ihafatra | Voninkazo vao namoa,
nantenaina hampifaly
firavoan'izany fo
nosaromana sahady!!
nokasaina mba hamelana,
mba nirina ho tongasoa
saingy indrisy nosomparana,
ka nihinjitra ny tanany
namela ilay malalany!
fa nahoana no mimaona?
anaty lohataona?
fa nahoana ny tany,
no madisa feno ratra?
rako-tsento sy tomany!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/miaramila | MIARAMILA | ANDRIAMASIMANANA Andry | Vahoaka sesehena,
hitsahina hosena
Zay mba mitaky,
fahafahana ao anaty
Ny tafika amintsika,
fitaova-politika
Fitaovana enti-miady,
ho an’i sarimbavy
Fa vao misahotaka,
mitady ny hirotaka
De indreo fa mivory,
hanao ‘zay mampahory
ireo miaramila gasy
miantrana aminy basy
baoty sy kalach
Fa zanak’iza moa, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/tsiahy | TSIAHY | Nat'urel | Dia noen-taniko ny foko
hiala ambony fitiavana
dia nangina aho nitoloko
fa lay tiako nisinda ho tsy havana
fa alaelo irery no hany mba trotroina
potraka aho nefa iza no antsoina
irery aho mantsy lay fo nilaoza-tiana
nilaozanao aho mantsy ka aleoko dia mangiana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/visa-a | VISA A | ANDRIAMASIMANANA Andry | Bisous kely a! bisous kely!
Nihevitra angamba ianao hoe anjely
Ka hanadala an’ireo boaikely
Amin’ity zavatra hatao an-tery
Bisous kely tsisy farany intsony
Ka hatrany ambany eny hatraminy ambony
Tsy matiko lolo, tsy matiko lolo
Ty masonao toa vorondolo
Tsy visa B, na koa visa C
Fa hatramin’ny tanana, lela mand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/narasoa/ny-herinny-fitiavana | ny herin'ny fitiavana | narasoa | NY HERIN'NI FITIAVANA
Misy hery iray
Miafina any ho any
Mahaosa ny fanahy
Mampirotsaka tomany
Ny herin'ny fitiavana
ilay hery tsy hita maso
mahavatra mampiavana
mandresy ny ankaso
fa misy herin'ny fitiavana
tsy mba herimpiavanana
ka manimpy an-tany ngazana
dia io lay herim- pisarahana
tsy mifidy ora sy fot... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/mbola-hisava | MBOLA HISAVA | ikaloyna | 'Reo sentonao mangina
anaty takariva,
irery, lavi-tiana,
tsy vatranao ho sary,
nafeninao an-tsoratra.
'Reo tabataba anaty,
anaty sasakalina,
tsy misy mahalala,
tsy misy koa mandre,
tsy vitanao ho hira.
'Reo ranomasonao
fihinina fa latsaka
mamonto itony tava,
tsy misy izay mamafa :
inoy fa mbola hisava ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/aza-manadala-saina | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojonirinatj/tsiky-maloka | TSIKY MALOKA | tojonirina | Ireo tsikiko androany:
tsiky maloka ihany,
tsy nisy vokatry ny fo
fa noterena avokoa
Mba hanakonako ny endriko:
noravahin~dranomaso
sy ho fanafodim~periko:
noratrain'ny ankaso |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/kihon-dalana | KIHON-DALANA | RFE Andria | KIHON-DALANA
Kihon-dàlana hafa indray
No nolalovako omaly
Mialoha làla-mahitsy
Kihon-dàla-nampidify
Tsy ho tazako any aoriana
Ny làlana vao nodiaviko
Kihon-dàlana nanokatra
Làlam-baovao ho ahy :
Vinavina, kasakasa…
Kihon-dàlana fahafiry
Alohan’ny hitodiako
Any am-bohitry ny nofy ? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ilay-fitiavana-lehibe-indrindra | ILAY FITIAVANA LEHIBE INDRINDRA | RFE Andria | ILAY FITIAVANA LEHIBE INDRINDRA
(Jaona 15 : 13)
Tsy misy fitiavana lehibe indrindra noho izao :
Ny nanolorany ny ainy mba hanavotana anao
Tia anao hatramin’ny farany Ilay Zanak’Olona
K’indro fa nanetry tena fa tsy mba niolonolona
Dia nilaozany ny lanitra sy izay rehetra ananany
Nafoiny koa ny voninahitra ary ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenohasimpitia/4-mis | 4-MIS | fenohasimpitia | 4-MIS
Indreo ankizy miara-dia
Nolazaina fa 4-mis
Ao ny vao miana-mandeha
Dia efa eny antsisin'arabe
Maha-ontsa, mahonena
Mangatangataka eny an-tsena
Mitsimpona any anaty fotaka
Hitazoman'aina tsy ho potraka
Ny akanjo efa rotika
Ny pataloha tena potika
Ny vatana efa hafahafa
Maloto tsy mba misasa
Ny fonenan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/serasera | SERASERA | ANDRIAMASIMANANA Andry | Ny serasera ve? zary lasa fiainana
Alefa ao daholo, hatraminy fitarainana
Ny any amponao any, raha toa mararirary
De anaty serasera, vahaolana amin’izany
Ny hafatra rehetra tiana ampitaina
Dia ny serasera, io no tena ilaina
Antapitrisa maro, no liana amin’izany
Manerana, ny nosy tontolo eran-tany
Ny namana tal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/narasoa/ry-lalako | RY LALAKO | narasoa | RI LALAKO
Ry lalako mideza
Ry lalako malama
Ry lalako oh! hatraiza
Ny sazim-pahadalana
Fa mafy loatra re!
Ity velam- pandrikao
jamba aho va re?
sa mbola tsy nifoha hatramin' izao
Fa fankampanahy maro mantsy
No tomefy izany fiainako
Maranitra toa lalan' antsy
Amin' iza no hitarainako |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/fofona | FOFONA | hjravs | FOFONA!
aooo... aooo... aooo... a!
Tadidin-dry moa,
lay aoo, aoo, aoo...
mari-pamatarana fanaotsika taloha
rehefa hiaona isika roa,
fa tamin'izany isika
tsy nahay nisioka,
ka vao mandre izay, "aoo... aoo", izay
dia samy miolomay
ary atsimon-trano ary,
'lay eo anelanelan'ny vésé(wc) sy lakozia,
fa eo mba tak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenohasimpitia/nenina | NENINA! | fenohasimpitia | NENINA!
Misy olona iray
'Zay notiaviko taloha
Nifamaly mantsy 'zahay
Ka navelako mitsy aloha
Tsara izy sady bikàna
Halavàna tsy lazaina tsony
Kinanjo voafitaky Satana
Ka naviliny ny fony
'Zahay 'lay nifakatia be taloha
Toa lasa mpifahavalo ankehitriny
Fa izy nahita Patabe tokoa
F'zà no very, tsy noraharahin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/fiara-fitaterana | MANENJIKA NY TSY AZO | ANDRIAMASIMANANA Andry | Sasa-poana ireo mpanenjika,
Fa lavitra ny lalana,
Fiakarana mideza,
Miampy fiolanana
Aoka isika hitony,
‘zay rehetra tratr’izany,
Fa ny ray ao ambony,
Anilanao hatrany
Aza mba mivoana,
Na mivilivily koa,
Mijere ny manoloana
Fa homba anao Jesoa…
Fa ny mpanenjika io,
Dia ao afara ihany,
K’izao no tadidio,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/narasoa/io-toerana-io | IO TOERANA IO | narasoa | IO TOERANA IO
TAMIN 'IO TOERANA IO
NO NIAONATSIKA TAMIN 'IZANY
ALOKALOKA VOANIO
HAFALIANA SESILANY
TAMIN 'IO TOERANA IO
NO NAMBORAHAKO NY FITIAVAKO
KA TSAROAKO ETO ANIO
IREO DINAN -TSIKA RE RAHAVAKO
TAMIN 'IO TOERANA IO MANTSY NO NILAZANAO TAMIKO
FA "TIKO ISIKA HO IRAY VATSY "
ENY HOI AHO FA LANIKO ARY MAMIK... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ankoay | ANKOAY | RFE Andria | ANKOAY
Voromahery
Maha te-hijery
Vorom-panjaka
Tompon’ny laka
Misidina ambony
Milaika sy tony
Anivon’ny habaka
Tsy mba mijabaka
Tsy mamela haza
Fa manan-daza
Tsy azo taperina
Manerinerina
No misy ny akaniny
Tsy mila vaniny
Izay ny Ankoay
Voromaherinay… |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naturel/fiarahana-taloha | FIARAHANA TALOHA | Nat'urel | Niaradia izaho sy ianao fahiny
nilaozanao lavitra ny foko ankehitriny
dia rava izany ny fitiavana taloha
dia ilay tsika niaraka atory tsy hifoha
dia nangina indray ny dia tsika roa
fa z taraiky afara ianao lasa aloha
dia mifapijery sisa
raha mba mifakaita
fa tsy afa-miaraka intsony
dia izaho mody mitony
nefa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/ry-foko | RY FOKO | Lova miar'shu | Ry foko kely feno fery,
ianao toa misitery,
raha zohina tsy mba hita,
nefa indrisy toa maditra!
Hanananao ny toetra ratsy,
ny lonilony mety hahafaty,
hasomparana nafafy,
moa ianao tsy efa tasy?
Ry foko rako-pankahalana,
he! ianao minia adala,
mahery setra,mora sendaotra,
ka manao teny diso tafahoatra.
Ry fo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/aza-mamaly-ratsy-ny-ratsy | AZA MAMALY RATSY NY RATSY | Teboka Telo | An' Andriamanitra ao ambony ny kapoka sy famaliana,
Azy ny herim-pananarana, eny, hatramin'ny fandidiana,...
Azy ny hevitra rehetra hanoro lalana, hanafay,...
Fa ny anjarantsika kosa dia ny miondrika, mandray!
Aza mikotri-panenjehana, lonilony, valifaty,...
F' aleo diovina ny fo sy fanahy ao anaty!
Mivavaha ho an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/tsy-ho-tantaraiko | TSY HO TANTARAIKO | JAO Anjara | Tsy ho tantaraiko
Tsy ho tantaraiko ary tsy lazaiko anao
Fa mbola velona ato am-poko ‘lay fitia hatram’izao
Fa fony isika niaradia niloka ho doria
Dia tadidy mandra-maty,ilay dinam-pifankatia
Angamba maty hoy ianao ka tsy hamaka intsony
Diso anefa ianao fa injao tsy mety tony
Fa voafitakao ka mangina hatramin’i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/indray-andro-any | indray andro any | vo.sedra | Indray andro any
dia iova ny fiainako
Ka ho voafafa ny tomany
Ary hody fifalina reo rehetra nitarainako
Indray andro any
Inoako tsy hoela intsony
Mba igoka zany mamy
Ka ho tretrika hitony
Amin'izany dia inoako
Fa ivadika ny rasa
Ka izaho 'lay nitoloko
Mety mba ahita asa
Mety mba ahavelontena
Tsy itamby any... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/ny-eo-anilanao | Ny eo anilanao | JAO Anjara | Ny eo anilanao
Rehefa eo anilanao aho
Dia mahatsiaro sambatra aok’izany
Tsaroako ho feno ireo banga teo aloha
Izay mampisento,Manery ahy hitomany
Rehefa eo anilanao aho
Hitako mifaly ireo zava-boary
Toa satriny hiaradia amiko ho eo anilanao
Kanefa na dia tsy izany,izy vavolombelona miharihary
Rehefa eo anilana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izy/setrasetra | setrasetra | IZY | SETRASETRA
fa tsato-tefona an-damosiny ny nofiny
voarara,
Navily an-kerisetra ve ny lalan’ny tantara.
sa kosa setrasetran’ny saina maramara?
Fitaka, …halany io voambolana io…
Mantsy ilay noheveriny ho fitiavana madio
nampisahotaka ny fiainany ho lasa ambony ambany,
nandoko ny masoandrony hirenty ngalingaly.
Ef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/anisao-toerana | ANISAO TOERANA | RFE Andria | ANISAO TOERANA
Mba anisao toerana ao an-tsisim-ponao akia
Ity fitiavako mangina izay toa maniasia
Na fantatro aza f’ilay taloha no tompon-toerana
Dia tsy azo noraràna ity fitia tsy mety ferana
Mba anisao toerana ao an’eritreritrao ao
Ilay nofy tena mamy iarahako aminao
Io no dindo izay navelan’ity fitia tsy voaf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/tonga-ny-andro | tonga ny andro | JAO Anjara | Tonga ny andro
Indro tonga ny andro
Handaozako anareo
Sanatria tsy atambo
Fa voafetra rahateo
Aza misy mitomany
Aza malahelo akory
Ny nofoko hodimandry
Fa izaho tsy maty akory
Dia mifalia sy miravoa
Fa tinendrin’ilay tsitoha
Anjara efa voafidy
Ka ataovy sarobidy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/masina-ianao | Masina Ianao | JAO Anjara | Masina ianao
Masina ianao ry Tsitoha
Ilay Tompo tsy mba mandao
Ny finoako tsy hizara roa
Fa ho anao irery hatram’izao
Masina ianao Andriamanitra
Ka ho deraiko mandrakizay
Ny fiainako rehetra hiaritra
Ny fisedrana mety hahamay
Masina ianao ry Mpamonjy
Ka atolotro ho anao ity foko
Ho rakitra tsy hisy fondro
K... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenohasimpitia/ny-tena-fitia | Ny Tena Fitia | fenohasimpitia | Ny tena Fitiavana
Iny làlana iny, lalan-tsarotra mideza
Sady efa simba, ka hinoako tsy hateza
Kanefa tsy maitsy aleha sy hodiavina
Fa any no misy, 'lay ondry hotadiavina
Ny olo-tina hono, tsy mahalavi-tany
Fahendrena malagasy tena mbola mamy
Fa na aiza na aiza no misy ny tiana
Tsy maitsy aleha, tsy asiana hakiv... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/aza-avela | aza avela | vo.sedra | Aza ilaozana aho malala a!
Mba henoy ity tarainako
Jereo 'ty zaho mivoajamala
Tsy zakako ny fanaintainako
Mba jereo ity toloko
Fa aza dia manampi-maso
Mbola adala anao ny foko,
Raha mety re ,'zaho andraso
F'efa ianao no nantenaiko
Iara-dalana maharitra
Aza avela aho sombin'aiko
Ndeha atao ny marimaritra
22:... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/dada | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/niandry | niandry | vo.sedra | Efa ela no nandrasana
Fa angamba tsy hiverina
sa nanidy fo toa fasana hiandry taona itsngerina
Mbola tsy manangasanga
Ampara vohitra eny akory,
Sa ve nilangalanga
Ka reraka any dia natory?
Ny andro anefa miha hariva
Ny haizina efa tafalatsaka
Efa injao ny feon'antsiva
Mameno ny alina hisasaka
Izaho iky to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/fankahalana-hatokako-anao | FANKAHALANA HATOKAKO ANAO | JAO Anjara | FANKAHALANA HATOKAKO ANAO
Na dia tia ahy ambonin’ny zavatra rehetra aza ianao
Na koa mandinika ahy mandra-pilentik’iny masoandro iny
Dia izao no tsarovy sy ataovy ao an-dohanao
Fa halako ianao r’ilay manan-tsiny
Marina fa teny feno langom-pitia no nasetrinao
Mba hanafenana ireo rehetra ditranao
Kanefa na izany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/mbola-lavitra-ny-lalana | mbola lavitra ny lalana | vo.sedra | Mbola ho ela izany dia,
Ka mahereza,mahatanjaha
Mba mahaiza mankafy
Fa aza dia manenjika ahy
Atanjao tsara ny saina
Mba hiatrika ny hoavy
Dia ianaro koa ny miaina
Fa azA atao vazivazy
Ny teniratsy ajanony
Ny ompa koa mba ialao
Fa irony ;
No manao toa izao
Ndeha raiso ny ampinga
Dia tafio ny herim-po
Mba t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/tia-loatra | Tia loatra | JAO Anjara | Tia loatra
Izay rehetra tianao,no mbola ataoko hatram’izao
Fa mafy koa raha mafy,ny hilaozanao
Kanefa fantatrao,dia araraotinao
Ity kamboty kely tena tianao
‘Zay efa babonao sy potika aminao
Ka mijaly sy miafy noho ny aminao
Fa mbola ho avy ny andro…,hanenina ianao
Hibaboka alina sy andro ,rehefa lasana aho
K... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/sika-tia | VONINKAZO | Lova miar'shu | Vao niandoha ianao dia lavo,
raha nitsiry indreo nalazo,
ry voninkazo malahelo,
mitahiry lay tsiambaratelo,
ry voninkazo mora mihintsana,
an'ireo ratsy vintana!
Miaina ao anaty lalana,
mety hihavao hiandalana,
hanjary ho voninkazo tafafoha,
tsy matory fa hamoa.
Rahoviana re ry voninkazo?
Hamelana ianao fa ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/eo-anilanao | Eo anilanao | JAO Anjara | Ny eo anilanao
Rehefa eo anilanao aho
Dia mahatsiaro sambatra aok’izany
Tsaroako ho feno ireo banga teo aloha
Izay mampisento,Manery ahy hitomany
Rehefa eo anilanao aho
Hitako mifaly ireo zava-boary
Toa satriny hiaradia amiko ho eo anilanao
Kanefa na dia tsy izany,izy vavolombelona miharihary
Rehefa eo anilana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/lojikanny-fisiana | LOJIKAN'NY FISIANA | hjravs | LOJIKA.
Nisongadina ny avo, fa nietrietry ny iva.
Namariparitra ny ambony ny filetsin'ny ambany.
Tonga ny anio maraina fa nisy ny omaly hariva.
Nangerongeroka ny ngidy noho ny hamamian'ny mamy!
Tena afaka ny afaka noho ny gejan'ny fatorana.
Tonga harena ny harena noho ny fahantran'ny fahantrana.
Tany hay ny tany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ry-fiainana | RY FIAINANA | RFE Andria | RY FIAINANA
Dia izao tokoa va re no antsoina hoe « fiainana » ?
Feno fanaintainana…
Isan’andro fijaliana, fahoriana, fihafiana
Dia rano tsy tiana
No tsy maintsy gohina hatramin’ny fara faikany
Izay no paikany…
Raha vao kely mba mihiratra ny masoandrom-pifaliana
Dia tsenain’ny hakiviana…
Mba nataoko ihany ny ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/facebook | FACEBOOK | ANDRIAMASIMANANA Andry | Tazako tsy nahy, tanaty facebook
‘zay nambabo ahy, ny tsikinao nitopy
Nalefako ny hafatro, mba ho namanao
Niandry dia niandry ny valiny aho izao.
Ny alina hatory tsy tafandry mandry
Any anaty nofiko any, toa miangavingavy
Ankehitriny kosa mpinamana isika
Hafaliana foana tsy misy disadisa
Fa tanaty facebook, no ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/voninkazo-ao-an-jaridaina | VONINKAZO AO AN-JARIDAINA | RFE Andria | VONINKAZO AO AN-JARIDAINA
Tano ny azo fa sarotra ny mila
Ny vony any an-tsaha toa mamilafila
Ny efa ananana : koloy, hatsarao
Fa ny an’ny hafa tsy homeny anao
Aza dia atao toa valalan’amboa
K’ianao tompony tsy tia azy koa
Io raha jeren’ny vahiny any ivelany :
Soa sy kanto ery ny famelany
Na inona karazan’ilay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/12-aprily | 12 APRILY | RFE Andria | 12 APRILY
Mitsingerina androany
Ny andro nahaterahanao
Saingy indrisy ! tsy eto ianao
Nody vovoka, ho tany…
Moa mbola misy any ho any
Olona na koa fanahy
Tsy manadino, mahatsiahy ?
O ! ny foko mbola tomany…
Tsiahy sisa no tavela
Miraikitra sy mitampisaka
Toa tsy laitrako ahisaka
Irony rakitry ny ela… |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/isika-tia | ISIKA TIA | Lova miar'shu | Raha iny isika nifankahita,
toa nisy hevitra niampita,
tsy noho isika akory,
fa ny fisian'ny fo mitory.
Naneho ilay fitia,
nahasambatra ery,
tao anaty fitsikiana,
zay nandrava ny hakiviana.
Raha iny isika nifanena,
toa nihakanto izay jerena,
tsy noho isika anefa izany,
fa noho ianao tsy tia tomany.
Raha iny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/mitovy-isika | MITOVY ISIKA | Lova miar'shu | Mba toa anao ihany aho...
Malagasy ray sy reny,
manan-jo ny hiteny,
na izaho na ianao,
mitovy fomba amam-panao.
Mba toa anao ihany aho...
Olombelona nofo sy ra,
samy misy saina,fo,fanahy,
koa nahoana no ampijaliana,
hanaovana herisetra habibiana?
Mba toa anao ihany aho...
Miara-miaina eto an-tany,
niaraka n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miandry-berantoson/ilay-noheverina-ho-namana | Ilay noheverina ho namana | Mi'andry Berantoson | Ilay noheverina ho namana
olona iray nandrian'ny fo sy saina
no hany tokana mba nantenaina
mba hanome fifaliana sy fitiavana
nandrandraina mba hampihavana
raha ny zava-misy no hasian-teny
dia nahafinaritr ireny fiarahana ireny
saingy niova tamin'ny fotoana farany
indrisy fa nifarana teo ny tantarany
ninia nana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/diso-fanantena | DISO FANANTENA | Aina Nirina | DISO FANANTENA
Ny foko nanantena ny ho eo anilanao :
Nangasihasy teto fa tsy tonga akory ianao,
Kanefa raha ny nofy efa voafaritra,
Ny ho fiarahantsika dia tena hahafinaritra…
Eny an-drova eny no hiaraka hitosy,
Dia hiara-haka sary sy hifandrotsirotsy,
Avy eo hifampitarika eny anivon’ny natiora,
Any anaty ala a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/nivo-a | NIVO A! | hjravs | NIVO A!
Nivo a!
eo amin'izay,
etsy mamikely indray,
avereno fanindroa,
dia lasa mamibe tokoa!!
Ny an-dry Neny efa hadalana,
f'angaha ny tia azo rarana,
ry zareo manavakavaka
nefa mba olona mivavaka.
Ny ahy'zay tiako
no a... hovadiako!
Tsy misy manana ny ampy, ange,
no mahatonga an-dry ho "mpanampy" e!
Niv... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/hatraiza | HATRAIZA? | Lova miar'shu | Hatraiza re no hery,
mamatotra ny fahantrana,
tsy mety lefy velively,
ka hivadika hatsarana?
Hatraiza koa ny ngidiny,
nampivily ity safidiny,
ho ao am-bala tsy nofinidiny,
hanjary lasa fara-idiny?
Hatraiza no hisy fiaina-mamiratra,
raha tsy eo ny taratr'ilay hazavana?
hatraiza no fetran'ilay irakiraka,
raha ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/oroka | OROKA | Aina Nirina | OROKA
Misy tsiaro
Mihalohalo
Raikitra ao am-poko tia,
Ora mamy
Tany ho any
Niaraha-naka fy
Samy roboka
Nanoroka,
Ka ny fo roa nidoboka !
Dia nanjary
Samy faly,
Samy tia safononoka…
Dia niambatra
Sy sambatra,
Fa avy eo tsy te-hiala,
Nifangia,
Fa samy tia
Nifampiantso hoe : « malala ! »
(12 aprily 2015... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/longoa-mitoto-bozaka | Longoa mitoto-bozaka | JAO Anjara | Longoa mitoto-bozaka
Ny tsipolipolimanitra erỳ anjaridaina
No nanintona ny maso
Ka nanjary hampiasa saina
Ny fataka telo ravina erỳ an-tsisimboly
No nahalasa ny eritreritra
Ka nandrendrika ny fony.
Hay tsikobokobondanitra terỳ andohasaha
No nandevilevy mafy
Nanaitra ny ambiroa, ka nampahory ny fanahy
Irony Ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/androany | Androany | hjravs | ANDROANY
(Valin'ilay tononkalon'i RFE Andria "Anio")
Ny lasa sy ny hoavy
rehefa nifanaiky
dia indreny nifanantona,
nony nifanakaiky
dia indro fa nikatona
ho tontolonao ry androany,
koa ampirimo ny baraingo ary aza manontany,
hoe avy aiza ianao ka ho aiza
fa ny omaly efa nitaiza
ny ampitso ho sakaizany,
ka i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenohasimpitia/fitadiavana | Fitadiavana | fenohasimpitia | Fitadiavana,
Any ianao ry tiko, any an-tany lavitra any
Izaho aty mametsovetso, lasa saina sy vinany
Mety ho sambatra enao, mety ho malaelo ihany koa
F'izaho aty dia mikalo, mikalo ny fitiavatsika roa
Toy ireny voronkely, tsy mba mana-namana ireny
Miantsoantso, misiotsioka, manjoretra tsy miteny
Fa malahelo anao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jao-anjara/izao-tontolo-izao | Izao tontolo izao | JAO Anjara | Izao tontolo izao
Izao tontolo izao
Dia miserana ihany
Tsy azo hianteherana
Malama anie ny tany
Izao tontolo izao
Tsy ho anao mandrakizay
Koa aza dia mirehareha
Fa mbola hoavy ny andro iray
Izao tontolo izao
Tsy natao ho fanamperana
Mora rava sy mikoro
Mandalo sy miserana
Izao tontolo izao
Dia tany fandal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/antsoiko | ANTSOIKO | Aina Nirina | ANTSOIKO
Rehefa injay mamolivoly toa manempotra, tsaroako
Ilay rivo-pahatsiarovana,
Ka manomboka mihalo sy marevadreva-doko
Ireny lala-nolalovana
Dia mipololotra mora avy any anatiko any
Ilay sento avy any am-poko
Ka ny hany fanafody mba tsy hampisy ny tomany
Dia ny anaranao no antsoiko…
Rehefa ilay mivalo-mai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/rava-trano | RAVA TRANO | Aina Nirina | RAVA TRANO
Avia mba henoy,
Tantara iray hitohy,
Kiakan’ireo moana efa anam-pahantrana,
Nefa ankehitriny hampiharana lalàna :
Ny tranony ho ravàna
Tsy misy fiantrana…
Raha miova fo angamba vao ho tsara fiafarana !
Avia mba jereo
Ny ankizy mitoreo,
Ny reniny tomany fa rava ny fananany
Nohariana taona maro sy v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/anio | ANIO... | RFE Andria | ANIO…
Tsy ny omaly efa lasa
Tsy naha tò ny nokinasa
No andeha hivalamparako
Hanaratsiako ny tantarako
F’ireny hataoko toa fanoitra
Hihoarako ireo tohitra
Tena misy, tsy azo laviko
Eny an-dalana diaviko
Tsy ny ampitso izay tsy hita
Mbola ts’isy zava-bita
Fa any anaty tsy miloaka
No andeha hampisafoaka
Hanam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/sahirana-aho-satria | SAHIRANA AHO SATRIA... | Lova miar'shu | Sahirana aho satria...,
ny fitafy rovidrovitra,
no hany eny an-koditra!
Sahirana aho satria...,
ny vola mba hananako,
ampy ahy ho fananako!
Sahirana aho satria...,
ireo olona mijery,
toa mamela fery,
noho 'ty za ts'isy mpahonena,
mahantra volamena!
Sahirana aho satria...,
trano bongo kely ialofana,
lamba r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/hafatra | HAFATRA | Lova miar'shu | Sao re adinonao,
fa misy farany ny atao.
Ka mba eritrereto ihany,
ny ahavelomanao eto an-tany.
Sao re tsy fantatrao,
fa ianao dia mbola ho lo.
Hiala ary handao,
hody ho vovoka avokoa.
Sao re ny fisainanao,
hiaina ety rahatrizay.
Manantena lava izao,
hitoetra mandrakizay. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/mozika-anaty-ra | MOZIKA ANATY RA | hjravs | MOZIKA ANATY RA!
(noho ny faha-18 taonan'i Zo R.)
Izaho raha niandrandra
nibanjina ny lanitra
dia ny hitavandra
amin'Andriamanitra
mba harotsany amin'ialahy
ny zara-fitahiana
ry Zo Harinirina.
...Fa sodina ankiray
tena tsy hay tsy hay
hoe avy aiza izy izay,
toa tonga tsy nahy
tao an-tranontsika angaha...
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/loharanonny-nofy/tiako-ianao-ry-nofy | Tiako ianao ry Nofy | Loharanon'ny Nofy | Eny, Tiako ianao ry Nofy
Tsy hoe fitia taitaitra na kisendrasendra
Fa fitiavana vokatry ny fo fa tsy sanatria akory rendrarendra !
Eny, Tiako ianao ry Nofy
Ka indro ny foko sy ny saiko efa lasanao daholo
Hatolotro sy Hafoiko ho anao manontolo !
Eny, Tiako ianao ry Nofy
Ka ny fahafahako sy ny tontolo manodidina a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenohasimpitia/deux-amis-insparables | Deux Amis Inséparables!!!! | fenohasimpitia | Deux Amis Inséparables!!!!
Raha izaho Havanana, ialahy Havia
Raha izaho Vary, ialahy Vilia
Raha izaho I-phone, ialahy Blackberry
Raha izaho Banane, ialahy Kaki
Raha izaho Baranne, ialahy Kiwi
Raha izaho Coccinelle, ialahy Fourmie
Raha izaho Bonbon, ialahy Biscuit
Raha izaho Seedap, ialahy Indomie
Raha izaho Sc... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/ady-mafy | MAFY ADY SY ADY MAFY | ANDRIAMASIMANANA Andry | MAFY ADY SY ADY MAFY
indro 'lay rangahy, mitsangana tsy satry
ny tenany oriory, toa tsy nahita tory
ndeha hanao adidy ve? sa teren'ity fiainana
handao ilay tena tiana,antsoina hoe fandriana
tsy maneno akoho no indro fa nifoha
tsy nisakafo akory, nilanjalanja loha
fa kary misafelika, no tazany eny ho eny
sy olom... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenohasimpitia/fiainana-an-tany | FIAINANA AN-TANY! | fenohasimpitia | FIAINANA AN-TANY!!!!
Maha valalanina tokoa
Ny fiainantsika eto antany
Fa ao ny ratsy, ao ny soa
Ao ny mifaly, ao ny mitomany
Ao ny manana, ao ny mahantra
Ao ny be kibo, ao ny kely tratra
Ao ny miasa mafy, mifoha vao maneno akoho
Ao ny miada-tsaina, sy milamina tokoa
Ao ny milanja angady
Ao ny mandeha fiara
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/izay-tsy-nanota | "IZAY TSY NANOTA..." | hjravs | IZAY TSY NANOTA...
Vao nivelatra namony
'lay fitia izay nokoloiny
dia tsy voafehiny intsony
hany ka nanadinoany
ny segondra sy minitran'ny
fahatsiarovan-tena,
tsy nosaininy ho ditra
ilay fitia nifanekena
nefa nivaingana ho kitra
tsy maintsy ho avy hobabena.
Fa nisitahan'ilay tiany,
tokana hany nitokiany
ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/ny-hirantsika | NY HIRANTSIKA | ANDRIAMASIMANANA Andry | ANDAO ISIKA HIARAKA HIHIRA, NY HIRANY FITIAVANA
ity hirako ity, vetsoiko ho anao
kaloiko izy mba... handrotsirotsy anao
raha sendra lavitra, tsy takatry ny masoko
rivotra io indramiko, hikalo ho anao ny vazoko
fa ao aoriana kely de ho lasa hiranao
'ty hirako 'ty hitondra aina vao
hitety tany maro, sy izao tontol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.l.h/vavaka | VAVAKA | R.L.H | Ray ô! fantatrao ny adin-tsaiko
Ato anaty haizim-pito aho no mitaraina
Mba havoty re ny fanahiko
Fa tena ory ka ndrao androtika ny aina
Tsy misy miafina aminao avokoa ny amiko rehetra
Ianao irery ihany ry Ray no manome fitia ts manam-petra
Ianao no vahaolako eto an-tany
Ianao no mampahery ahy raha sendra tomany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gervais-ranaivoson/ho-an-i-mama | Ho an' i Mama | gervais RANAIVOSON | Lehibe 'zahay 'zao
Safononoka hasambarana
Noho ilay hanatrao
Bedibedy tsy hay tohanana
Noheverina ho adalana
Rediredy serimonina
Hay vatosoa tsy an-tsahala
Nampita aina tena bonina
Notoherinay hatrany
'Reo tolo-tsainao ry mama
Noheverinay hanihany
Sy revin'antitra mazana
Ankehitsiny'zay vao tsapa
Hay lalan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/ho-anao | Ho anao | Ari Ira | Ny avonavonao
sy ny hambohambonao,
tsy hitondra anao mankaiza,
tsarovy ry sakaiza
fa tsy mahavita tena ianao
k'aza mba mizahozaho!!
Aza tia midera tena;
fa mba hendre toa volamena.
Ny hoe tsara tarehy,
sy ny hoe bikàna anie
tsy ampy hamaritana ny olona!
Raha izy ary imorona.
F'ilay hatsaràm-panahy
fahamari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ihafatra/fitiavana | FITIAVANA | ihafatra | firifiry no miferinaina
mivimbin-tsento sy tomany,
maniry ny hiala aina
noho ny fitiavanao ry tany?
maro ihany koa,
ireo olona efa loa
nolavon'ity tany
noho ny fitiavana ihany! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenohasimpitia/adidy | ADIDY | fenohasimpitia | ADIDY
Fony fahazaza
Teo an'ilan-dRay sy Reny
Na haizina na mazava
Tsy natahorantsika ireny
Mahatsiaro sambatra ny zaza
Raha i Dada no iarahana
Fa na lalandratsy sy mideza aza
Toa vetivety dia voasahana
Fa i Neny koa anefa
Tsy latsa-danja @zany
Fa na iantsena, na hatsaka
Dia babeny hatrany hatrany
Ao ny zok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-azonao-veroka- | TSY AZONAO VEROKA !... | Fredy Jaofera | TSY AZONAO VEROKA !...
Tsy azonao veroka
ny ady natrehiko
matoa nangeroka
ny lala-nalehako.
Tsy azonao veroka
ny sedra nahakivy
raha toa niberoka
efa ho in-tsivy !
Tsy azonao veroka
ny ratra nandreraka
nipoiran'ny deroka
hiova tanteraka.
Tsy azonao veroka
ny fahakambotiana
nanadala fa teboka
nisy taona ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsi-fisiana | TSI-FISIANA | RFE Andria | TSI-FISIANA
Mifofofo ny tafiotra
Dia toa lasana niriotra
Hatramin’iny habakabaka
Nangadihady toa lavaka
Maneno sahona ny atsy
Mitaraina lany vatsy
Mikaikaika ny eroa
Zary lasa ambiroa
Ny ao avaratra tsy hita
Hay ka tena tsy tafita
Rizareo avy ato atsimo
Misangodin-toa tandrimo
Na ny avy ao atsinanana
Zara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/vady-sipa | VADY-SIPA | RFE Andria | VADY-SIPA
Izaho ho’aho tsy hanambady
Sanatria tsy satria hoe fady
Fa tofoky ny adiady
Leon’ny mifampitady
Aleo mifankatia tsotra
Mifamotoana anaty zotra
Mifakahita rehefa manina
Tsy adalain’ny adisanina
Izaho anie tsy hoe tsy tia
Izaho aza tara amin-dry
Satriko ihany hifanoroka
Himamo fitia, ho doroka
Hatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina-nirina/tsy-tiany-hono-aho | TSY TIANY HONO AHO | Aina Nirina | TSY TIANY HONO AHO
« Tsy tiany, hono, aho… »
Izany teny izany no mba valin-teniny,
Nataony tena henoko fa tsy hoe nafeniny,
Nefa rehefa avy eo dia nifanoho-molotra…
Lazainy hoe notereko fa tsy mba natolotra…
Ny tanany nisafo ka nahazoako fy
Hoe tsy fanahy iniany na noho ny fony tia,
Fa nikorisa ho azy noho ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasina-andrianarivo/ilay-reniko-tsy-foiko | Ilay Reniko tsy foiko. | Hasina ANDRIANARIVO | Ilay Reniko tsy foiko.
Herintaona lasa izay
No nandaozany anay,
Mitamberina ireo tsy hay
Izay niarahana hatrizay.
Fahatsiarovana maharitra
An'i Mama izay tsy foiko,
Ilay nitaiza ahy ho finaritra
Ka raketiko ao am-poko.
Maro be tsy ho voatanisa
Raha ny soa izay nomeny,
Ka miventso no any sisa
Hamelomako azy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/jesoa-paska-ho-ahy | JESOA, PASKA HO AHY | RFE Andria | JESOA, PASKA HO AHY
Misaotra Anao aho Jesoa fa navotanao tsy ho very
Nisolo voina ahy Ianao : FITIAVAN-DEHIBE tsy an-tery
Izaho no tokony ho faty, nefa Ianao no nofantsihina
Ianao no maty ho ahy rehefa atao ny fandinihana
Dian-kapoka, habibiana, satro-tsilo, fandatsana
Samy niaretanao noho izaho nandika lalàna
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/fitiavana-fahafahana | FITIAVANA, FAHAFAHANA | hjravs | FITIAVANA, FAHAFAHANA
Ny manoratra ny soratra izay tian-kosorotana
fahafahana ihany,
fa ny soratra voasoratra fa tokony hosoratana
fitiavana izany!
Ny tia maniry mba hotian'ilay olona tiaviny
fitiavana ihany,
fa ny tiana avela hitia izay olona tiaviny,
Fahafahana izany! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto-marison/niova-ianao | Niova ianao | Ny Kanto MALALAKO | Mbola tena tsaroako foana
Ireo andro, ora sy fotoana
Niarahantsika sy ianao
Nisangisangy sy nilalao
Mitamberina ato an-tsaiko ilay hatsaranao
Indrindra fa rehefa mahita ireo sarinao
Mandinika ny volonao milanto
Sy ilay endrikao izay tena kanto
Mba azonao an-tsaina ve ireny
Firesako sy fomba amam-piteny
Manado... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/ny-ho-avintsika | Ny ho avintsika | Nofy2 | Manahy aho sombiniaiko amin'ny hoavintsika
Tsy noho ny aminao
Ny fahendrenao aza tena itokiko
Kanefa raha izao hahantra foana isika
Jereo ange, malala, ny firenentsika
Angamba fantatrao, iarahana mahita
Tsy mitsahatra mitombo izato vidim-piainana
Raha izao no mitohy dia be ny fitarainana
Nefa ny karama tsy misy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/tsy-ao-izy | TSY AO IZY! | hjravs | TSY AO IZY!!
(Atolotra ho an'i Z..., mpanao trano,
ampiarahana amin'ilay hiran'i "ZOPANAGE: Namana")
Izy, letsy namana
mpanolotolo-tanana,
tsy nanana fandavana
raha nisy nitadiavana,
sakaiza mahatoky
mpananatra toa zoky,
azo antoka ho andry
'lay faniraka toa zandry.
Fa matetika dinganina,
indraindray hodian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-helo/ireto-maso | Ireto maso | Ny helo | Ireto maso,mifono fitia
Tsapanao ve sa tsia....?
Ireto maso,mifono fitia
Ho anao ho doria
Ireto maso,adala
Aza asiana tombo sy hala
Ireto maso,adala
Ho anao irery ry malala
Ireto maso,manganohano
Tia anao ka mangoraka
Ireto maso,manganohano
Mitory fitia ho anao ankolaka
Ireto maso,mipitrapitra
Sokafy ny fo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/mahagaga | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/volantsika | VOLANTSIKA | ikaloyna | Anaty volana ao :
misy masonao,
anaty masonao :
misy tara-bolana.
Anaty alina ao :
misy nofy anao,
anaty nofy anao :
misy alokao.
Ry Volana tsy foiko,
rakofy anao 'ty nofiko ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ihafatra/irery | IRERY,,, | ihafatra | Akanga very namana
Ka mivembena irery
Miangavy tolo-tanana
Miantsoantso mpijery,
Vorokely zatra ngoty
Kanefa nilatsaka ankady,
Te hanidina hioty
Anoloan'izato ady
Manirery an-tanin'olona
Mivembena amin'ny tolona
Jambena ka voadaboky ny tany
Injao manirery,
Velon-tsento sy tomany! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojonirinatj/ilay-masonao | ilay masonao | tojonirina | lay masonao nijery ahy
no nanoratako aingam-panahy
nameno ny foko, NY FOKO torotoro
feno fitia nataoko ho anao daholo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/modia-lesy-e | MODIA LESY E! | hjravs | MODIA LESY E!
Oay le aza a!
Izy any 'zao mbola mamahan-jaza,
manadio trano dia manano lakozia,
ialahy anefa aty
mba heverina ho mikandra sy mitady vola
ilaozan'ilahy midola
mingitrika tsy miasa sy mandany ny karama
manenjika madama,
manapoaka ketsa iray
hanofana efitrano sy hirevena be milay,
Ny azy any anef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/revy-sa-ditra | REVY SA DITRA...? | RFE Andria | REVY SA DITRA ?
Revy ary ve sa ditra
Ny fiarahantsika roa ?
Fa fitia tsy mety ritra
No manenika ny fo…
Toa satriko ihany akia
Hianoka eo an-tratranao
Sy higoka ilay fitia
Tohofiko eo imolotrao…
Ireo safosafonao tsy lany
Mitarika ahy hanonofy
Mamiko sy fy hatrany
Manala lemy sy ireo rofy…
Tsy te-hahalala ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-andria/fahadisoam-panantenana | Fahadisoam-panantenana | Tojo andria | Iza moa no nanam-po,
Ny amin'izay hiseho,
Raha 'zay nantenaina,
No very tsy hita teo,
Ny tena ty toa manjoretra,
Eny voadona foana,
Tsisy fetra,
Sanatria ny hanary toky,
Ny amin'izay any aoriana,
'Ty saina koa mbola matoky,
Na dia lalovam-pijaliana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/feonny-gazety-politika | FEON'NY GAZETY POLITIKA | RFE Andria | FEON’NY GAZETY POLITIKA
Fony ny olo-maminao no nitondra firenena
Dia nohasohasoinao, narovanao sy nekena
Na ny nety, ny tsy nety ary ny tsy valahara
Tsy mandainga aho sanatria, fa ao ny tantara hitsara
Na dia nihatra taman’aina ireny fahoriam-bahoaka
Tsy teo anilany ianao, hiantsoantso, hihoakoaka
Fa niandany, n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-andria/tsy-anjara | Tsy anjara | Tojo andria | Toa tsinjoko sahady;
Izato any aoriana;
F'izaho matahotra ady;
Na koa fijaliana.
Toa mibahana ato an-tsaina;
Izay efa nahavoa;
F'angamba mety ho ravaina;
Fa tsy anjara ny anay roa.
Toa handalo sy hiserana;
Sy hipetraka ho tantara;
Tahak'izay efa nolalovana;
F'izany angamba ny hoe tsy anjara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/matoria-aminzay | MATORIA AMIN'ZAY | hjravs | MATORIA AMIN'ZAY
Rehefa ny fo,
no indro mamoha,
ny vavahadin'ny lasa hahatsiahy ny taloha,
dia manao tsy omby aloha
hibosesika koa
'reo tsiaro nandalo
efa nihalohalo,
tsy mety ho voahidy
ny retsi-tadidy
fa mamaky hidim-bala
midongy tsy hiala
manao angaredona
hiara-hiredona
'reo kalo fahiny
fandrotsirotsi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gidjsashy/tena-tiako | tena tiako | Gidjsashy | tena tiako ianao ka tsy foiko
ka na lavitra aza mbola atsoiko
sanatria raha ho soloiko
ataoko fanalana toloko
tena tiako ianao
ny tratrako ny ho ondano
fa ny foko kosa ho lapanao
tena tiako
tsy sangisangy na koa hoe kilalao
fa tena tia
vonon aho hisedra ity fianana iotry miaraka aminao
nino miseho izaho tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahy/fanjakana-lafatra | FANJAKANA LAFATRA | AHY | FANJAKANA lafatra
Fanjakana tan-dalàna,fanjakana tsara tàntana
Marindrano toa mizàna,ny vahoaka tena lafatra
Fanjakana tena miasa,manasoa ny mpiara-belona
Mankahery ireo tsy an’asa,miara miainga mifamelona
Fanjakana iray mijoro ,fanjakana tena matanjaka
Sarotr’aminy ny hikoro,satria izy tsy manavaka
Fanjakana t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahy/ilay-tsy-haritro | ILAY TSY HARITRO | AHY | ILAY TSY HARITRO
Raha mbola misy ora sendra miato
Eo anivon’ny fiainako
Dia tsy ho haritry ny saiko
Ny tsy haminavina ny endrikao sombinaiko
Raha mbola misy koa làlana
Hahitako ilay alokao
Dia tsy ho haritry ny tanako ny tsy hanakana
Satria mantsy ‘zaho te hamihina anao
Raha mbola misy koa ravina iray
Hahitak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/miasa-alina | MIASA ALINA | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | Feno zaza adala ny sisin'arabe
Feno zaza adala toa tsy mahalala mody
Feno zaza adala ny sisin'arabe;
Aretina hafa mihitsy
fa aiza moa dia hoe:"tsy sitram-panafody."
Andrasany hilentika ny taratra masoandro,
Potehiny ho sira ny karamany isan'andro;
Ho fety sy lanonana
Trano fisotroana no fivoriam-bahoaka
sy toe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/tontolonny-poeta | TONTOLON'NY POETA | hjravs | TONTOLON'NY POETA
Ny habaky ny kanto irifany hotratrarina
sy hanovoza-nofy,
dia lanitra tomefin'ny hazavana marina,
handroaka ny haizin-drofin'
ny farasisan'ny filana sy fanirian'ny nofo!
Ny vohitra kinatsany iriany hitoerana
hiotazana fitia,
dia tany dibo-drariny, tanàna fanamperan'
ny fanahy tsy mahay mania,... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.