url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/mitsidika
MITSIDIKA
RASOA
Tonga ianareo Tonga tsy nantsoina Varavarana mivoha Tsy hilaina mandondona Toa mivimbina entan- kely Tsy natao fanampiana Fa sakafo hiaraha- mifaly Zava- pisotro novidiana Matetika ianareo Mandalo sy miserana Efa hainareo tsara Ny manodidina sy toerana Najanona tokoa Ny asa aman-draharaha Fa ny fitiavants...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/manomeza-izay-nomena
MANOMEZA IZAY NOMENA
RASOA
Izay manana elatra No afa- misidina Vitany koa Ny mipetany sy midina Dia toa izany koa Ianao izay niangarana Mijerè ny ambany Ampio ny tsy manana Sokafy ny fo Manaova mihoatra Satria tena tsy fidiny Ny tsy afa- manoatra Ny lava ranjanana No mora tafakatra Tsy manano- sarotra Dia mahatakatra Dia toa izan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aingankalo/izao-ny-hafany-hono-hoe
Izao ny hafany hono hoe…
Aingankalo
Mbola ho adinony hono ianao hoe, indray andro any ... Ireo ranomasony hono hoe mbola ho maina eny ihany ... Ireo tsiky natakalonao tomany mbola himpody arivo indray .. Eny!!!!...ampahafantaro azy, mbola ho sitrana izy hoe... Fa notiaviny hono ianao hoe, tamin’ny fony mantolo... Ny mamy teny anaminy hono, efa nomen...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tsiaro-novidina-lafo
TSIARO NOVIDINA LAFO
NY Andri-Fara
MAMA ( Nodimandry ny alin'ny Talata 03 Septambra 2024 , tamin'ny 12 Ora alina ) Mama a! Tsy nampoiziko fa lasa ianao . Ka vahotra ny peniko hanoratra ; Hitantara ny momba anao . Reny mba niahantana Nitosina am-pitiavana ; Reny niaritra ny mafy , Kanefa hita ho nijoro hatrany . Aiza ireny adiadiantsika ireny N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/tiako-ianao
TIAKO IANAO
RASOA
Tiako ianao Tsy fiteny fotsiny araraka Fa asiana fihetsika manaraka Tambitamby, fandeferana Fanomezana tsy ferana Tiako ianao Dia zakaiko izay tsy zaka Ny mavesatra voabata Ahatsapana fa vita mora Ny rehetra anaty angola Tiako ianao Indraindray isika mimenomenona Tsy tanty mihitsy tsy afenina Nefa izay no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tahaka-2
TAHAKA
Fredy Jaofera
TAHAKA (2) Tahaka ny vorona nikopaka ange fa tsy mamorona ianao nandeha. Tahaka ny tantely nanidina any tsy nandinika kely ka kivy izany. Tahaka ny tanjona niala ho doria nanehoana anjona izay nankahia. Tahaka ny tsarako nisinda tokoa nanova ny anjarako ka mazotoa !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/vontosy
Vontosy
tsiolaka
Vontosy amin'ny diloilo Ilay faritra an-tapon'ny loha dia kikiso hiendaka tsara ireo tovona taikombindoha fa inoako tsy aharitra ela dia hikatona lohamalemy fa tsy voatavo matim-pandraka no mailaka hitondra teny impiry nanenjika anao hatrizay moa rafahendrena ? saingy ianao moa mirifatra , mandositra mahafaty tena...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/olona-roa
OLONA ROA
Fredy Jaofera
OLONA ROA Ny hafatra soa tsy azo ambanina fa goavana, mila olona roa hifampisafidiana ny fitiavana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/satriko0
Satriko
Randja
Satriko sy ankafiziko kokoa ny ho eo anilanao eny foana matahotra mantsy sao tafasaraka tokoa ndrao tsy hahita anao mandava-taona Satriko raha ny hafaliana ihany no mahenika ny fiainako tontolo nefa ny tebiteby sy ny fijaliana eto an-tany injao manjaka mampitsangam-bolo Satriko dia satriko foana raha ny mamy n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lalambe
LALAMBE
Fredy Jaofera
LALAMBE Lalamben'ny fahalalana ny boky, zareo, ka aza hadinoina fa mitondra fanovana eo no ho eo tsara hokoloina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-azonny-afo
TSY AZON'NY AFO
Fredy Jaofera
TSY AZON'NY AFO Taona maro no efa lasa Samy feno ireo kasakasa, Indrisy fa tsy nisy tanteraka, Alahelo no avy nampiteraka Zavatra iray mbola antenaina Omena toky fa andrandraina, Na rahoviana na rahoviana, Ambara eto am-pifaliana Fa hafa ré ianao, ry malala, Olona tsy manan-tsahala !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/very
VERY
RASOA
Very ny fotoana Tsy nisy zava- bita Lany nisiotsioka Nirenireny lava Nampitampim-bava Kanefa koa mba nisy Fotoana tsy nitsitsy Niasa tsy nisasatra Nikasa ho tonga lafatra Very ny fifandraisana Tapaka tsy fidy Ny fo koa nihidy Lasa nirenireny Nitsabo ireo fery Kanefa toa mba tsara Fahanginana mazana Lavi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/arahina-asa
ARAHINA ASA
Fredy Jaofera
ARAHINA ASA Tsy vitan'ny vava ny zava-drehetra fa arahina asa vao hanavatsava tsy hisy fepetra ireo izay kinasa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/ampy-ahy
Ampy ahy
Randja
Ampy ahy ny fitiavanao tsy miangatra tsy misy raorao sy fitaka izay mahatonga ahy haka taranaka tsy hivezivezy aho tsy hirenireny fa hifikitra Ampy ahy ilay fitiavanao omaly izay mihazona ahy ho eto rahateo ahafahako mandinika sy maminany ny ampitso sy ny ho avy eo Ireo zava-bitanao tamiko fahiny sy ny ankehit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/efa-nifanarahanay
EFA NIFANARAHANAY
Mahalia❤✨
EFA NIFANARAHANAY Aza akory mitanisa sy mitati-bolana aty amiko Raha sendra ka mahita ilay olona notiaviko Any ambadimbadika any... Aza akory misahirana,mandany lera sy fotoana Milaza angano sy arira f'izahay mifankatia be foana Fa ny zavatra hitanao any? Tazomy ho anao irery dia ataovy tsara pirina am-para hato...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/misy
MISY
AORN
Misy andro mampitsiky, zay mandrehitra hafaliana Misy andro manazava, mampientana fanahy Misy andro manafana, mampanembona olon-tiana Misy andro mibaliaka, mampitony ny ahiahy Misy andro mampanjombona, mampilofika ny loha Misy andro tena maizina, manakivy izany saina Misy andro mangatsiaka, mampivontovonto fo Mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/zanakondry
ZANAK'ONDRY
AORN
Raha mandinika lay Hazo zay nifantsihanao Sy ny ra nijininika tamy lanivoanao Dia mampanontany tena hoe: Fa nahoana re ianao no nanaiky hatao ho sorona Ka nietry tsy namaly, mba hanavotra ny olona? Raha mandinika 'lay tsilo nohodidinina amy loha Sy ireo kapo-karavasy tsindron-defona amy fo Dia mba tonga saina ih...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/lozoka
Lozoka
tsiolaka
Nandao ny vahindanitra misarindraozy vetivety ka niezaka nizaha ,nitsidika ny tany Nisodika,nisidina,niezaka nitety hatrany ampara-lalina tsy takatra am-binany. 'ndrao ahita fangorahana sy tsatom-pitiavana na dia antsiririn-jingan'ny rano ody aina saingy loharano ritra namela tany ngazana lohasahan-tsento hipoki...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/fisarahana
Fisarahana
Rabarison Roberto Stephan
Fisarahana Toa gaga ihany aho Hoe...! fa nahoana kay? Sa hoe ny fonao tofoka sy lao No toa namela ahy indray Toa lasa koa ny saiko Fa inona no nampiova? Toa mila anafaka ny aiko Ilay teninao mafonja Ekeko hoe enao nangina Izaho koa tsy nahateny Fa toa nivadika fahorina Ilay fitia natao ho modely Sa niova n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/nidikizo
Nidikizo
tsiolaka
Sodokan'ny tokiny an-kamorana dia maika hivelatra Ilay raozy dia, tsy niala bolilan'ny fotamalama maika hilalao,maika handrovitsihy Fa nanjary latsa ireo ditra fahiny nandrakotra ny andro nivingitra tsiahy Ilay voatavo finandraka tsy tonga siny Tsy sitramiody ilay ratram-panahy Sendra ny roran'ny matavy an-dela...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tahaka-ny-vorona
TAHAKA NY VORONA
Fredy Jaofera
TAHAKA NY VORONA Tahaka ny vorona nikopaka ange fa tsy mamorona ianao nandeha. Tahaka ny tantely nanidina any tsy nandinika kely ka kivy izany. Tahaka ny tanjona niala ho doria nanehoana anjona izay nankahia. Tahaka ny tsarako nisinda tokoa nanova ny anjarako ka mazotoa !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/tefy
Tefy
tsiolaka
Tanivon-dohasahan'afo ravahin-kintana mihira Misy zazavavy rano mihamientona ho zavona Misonenika mandihy anaty soritra efamira Mielo habaky ny nofy,tinafy lokon'avonavona Misoratra eo an-jorondambany misy kajy tena lalina Misy isa verin-droa ialohavan-telo fito sosona Tonga refy,Tonga fatra,tsara lanja sady mari...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/nofinofy
NOFINOFY
AORN
Satriko ihany tsy ho ambara Lay fitiavako mitsiry Sy mitempo anao ry tiako Fa ny sarisary an-tsaiko Mifamihina aminao D’efa zary fifaliako Satriko ihany tsy hamboraka lay teny roa zay manan-danja zay tsy sahiko tenenina Koboniko ato foana aloha Mba hitombo lanja hatrany ka ezahiko hafenina Satriko ihany ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/don/safidy
Safidy
DON Excellence
Matoky... Nosarahan'ny elanelan-tany tokoa isika Fa na eo izany ny fitiavana tsy navela hangatsika Natao daholo izay hampifanakaiky ny fo Mba tsy ho rava ny fotoana ny tantarantsika roa Mety hisy ny hasarota-piaroko aminao Nefa aza raisina oe zah tsy matoky anao Zah matoky anao fa sarotra amiko ny hilamin-tsaina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/marina
Marina
Jeankely Razafimamonjy
Hiala tsiny ve? Hanenina sa hamboraka? Raha mamo vao milaza hoe ... Tiako ianao. Tsy fasahiana ve? Sa diso raha mitoraka? Ireo teny am-poko te ... Hitoraka aminao. Resy ve ny very tia? Tsy maintsy hilelam-paladiha, Hamoron-dainga lava izao? Noho ianao. Ataoko rediredin-toaka, Ho fitia tsy mivoaka; Eny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/hafa-loatra-ny-mitia
HAFA LOTRA NY MITIA
RAVINALA
Hafa lotra ny mitia ao am-po Tsy mitady tombontsoa manokana Fa manao izay hahasoa Ilay olona notiavina Manao fijery lavitra toy ny voro-mahery Mahitsy sady sahy mitady fandresena Mifanohitra tanteraka amin'ny fomba ratsy Fanaon'ilay mpampango mangalatra sy mangorona harena Hafa lotra koa ny mitia tsy misy efitr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manome
MANOME
Fredy Jaofera
MANOME Rehefa tombanana ny toky tao ho ao nitondra soa, manome fiadanana ny fananako Anao, ry Ray Tsitoha.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lalam-piainako
LALAM-PIAINAKO
Fredy Jaofera
LALAM-PIAINAKO Ento any aminao ny lalam-piainako, ry Tompo be fitia, ny ratra re, fafao ary ny marainako anehoy tabiha. Amena !...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/covid-19
COVID 19
RASOA
Fahasalamana no voalohan-karena Manaiky daholo ny firenena Areti- mandoza ity tsy hita fefena Tsy misy fanafody, tsy maintsy ekena Dia najanona ny toe- karena Tena tsy ho tratra ny zava-kendrena Nakatona daholo hatramin' ny tsena Izany tokoa no fahendrena Tsy vitsy ny olona manetritena No hita miova, tsy tia t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rivomanana6263/satria-aho-tia
Satria aho tia
Rivomanana6263
SATRIA AHO TIA.Tononkalo ?Satria aho tia dia nosena ilay fitiavako Tsy norarahiana akory,ireo teny izay voalazako Fa noheverina ho adala sy nirediredy hatrany Hoe aleo hiteny izay teneniny any ?Satria aho tia,hatramizay toa tsisy vidiny Tsy nosaininao anefa fa mety itondranao ny ngidiny Fa ilay fitiavako,moa nis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/alahelo-anaty
ALAHELO ANATY
Fredy Jaofera
ALAHELO ANATY Alahelo anaty no manirikiry sy makadiry. Alahelo anaty no mampijaly nahapoak'aty soa mahafaly. Alahelo anaty no manadala tsy mba maty sy tsy miala. Alahelo anaty no mankarary anio ka soraty tsy hanjary !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/don/nitia
Nitia
DON Excellence
Nitia ahy izy fa tsy vokatry ny fony akory Tsy fahadisoko ngamba raha lasa nanosorisory Fa niezaka tokoa aho nanome ny rehetra Eny, hatramin'ny hoe hitia tsy misy fetra Mbola faly aho nefa fa mbola nahafantatra Fa nitia ahy izy fa tamin'ny fo niangatra Hatrizay mantsy dia nitia fa noterena Hay ve izany,, fa zah ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasoa/ny-soratra
NY SORATRA
RASOA
Nampitain' ireo razambeko Ho kolokoloiko tsy ho potehiko Ho hatsaraiko tsy ho kosehiko Ny soratra Namborahako ny alaheloko Niampangako izay rehetra tsy teliko Ho hitanareo ao aza izay mety neniko Ny soratra Namipiakarako ny aingam-panahiko Marobe ny zavatra tsiahiko Tsy tiako ambara dia izy no hirahiko Ny so...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tonga-ity-ny-taona
Tonga ity ny taona
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Tonga ity ny taona hisokafan'ilay foko Izay nakaton'ny fotoana mba halemy sy harofy Rehefa nisy saina diso izay nikomy sy nihoko Nanohitra azy mafy mba tsy ho sahy hanonofy Tonga ity ny taona hiverenana amin'ny tanjona Izay tsaroako ihany, fa efa voakajy tsara Fa saingy nisy sary hafa nisisika haka toerana Nahaf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/don/fantatro
Fantatro..
DON Excellence
Androany hoy izy isika no hihaona Noheveriko fa amin'io tokoa ilay fotoana Hanambarany zay tena fanampahan-keviny Efa fantatro ihany, fa ho fisarahana no hosetriny Na malahelo aza aho tsy maintsy manaiky Tsy ho ahy izy ka tsy tsara raha mifanaiky Efa fantatro fa alahelony ahy ihany No nahatonga azy nanaiky ahy t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/don/matoky
Matoky
DON Excellence
Matoky... Nosarahan'ny elanelan-tany tokoa isika Fa na eo izany ny fitiavana tsy navela hangatsika Natao daholo izay hampifanakaiky ny fo Mba tsy ho rava ny fotoana ny tantarantsika roa Mety hisy ny hasarota-piaroko aminao Nefa aza raisina oe zah tsy matoky anao Zah matoky anao fa sarotra amiko ny hilamin-tsaina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/don/hier-aujourdhui-demain
Hier, aujourd'hui, demain...
DON Excellence
Ny omaly... Mbola tena nifankatia tsisy toa antsika teto an-tany Nesorina mialoha tao an-tsaina ny hoe hifanary Ny eritseritra maloto tsy navela hitoetra Fa ny tanjona d ny fitiavana tsy hanampetra Ny androany... Niteny ianao fa hiresaka isika androany Raha hiteny hoe hisaraka d avy hatrany de foany Niandry fon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/don/aloka-niserana
Aloka Niserana
DON Excellence
Aloka niserana Fotoana niavaka sy sarobidy iny fotoana iny Maro ny teo f'izaho irery no nahita ny fisiny Tsy izaho akory no tena lafa indrindra Fa manana kosa fitiavana tsy mety afindra Tsy navelako handalo nefa ny fahitako azy Fa nanatona aho na tsy hay aza ny ho avy Nanatona nefa tsy nahaloa-bava akory Rehefa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/don/niserana
Niserana
DON Excellence
Niserana?... Ora iray tsy miverina ny lasantsika? Fitiavana nafana fa navelanao hangatsika? Efa lasa ireny ka tsy ho sainina akory? Fitiavana nampijaly no mbola nampiari-tory? Tsy natao ho antsika ny fahasambarana? Sombin-dalana ny lasa, ka mila faranana? Fitiavana tsy naharitra ny anao fa niserana? Ka dieny mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lasa-ianao
LASA IANAO
Fredy Jaofera
LASA IANAO Lasa ianao ka ny fitiavako, indro mihavao eto, rahavako. Lasa ianao ka ny mianjady, alahelo be izao tsy mba fitady. Lasa ianao ka singany irery tsy mahita atao, tonga olom-bery. Lasa ianao ka lasa ny kalo tiako tao ho ao rehefa nandalo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/tao-anatinny-alina-mangina
Tao anatin'ny alina mangina
RAVINALA
Tao anatin'ny alina mangina no nitsiry faniriana Hiara-dalana hifankatia sy hifampitantana Hiara-dia hamakivaky izany lalana Namisavisa samirery fianan'olontsambatra Indreny izaho sy ianao hiaina fifaliana Somebin-kasambarana miaraka mamindra Na aiza na aiza tany hombana Na ny mora na ny sarotra dia miaina samy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/an-koso-bolamena-2
AN-KOSO-BOLAMENA
Fredy Jaofera
AN-KOSO-BOLAMENA An-koso-bolamena ny endri-piainana any mamirapiratra jerena fa tsy atokisako ihany. An-koso-bolamena ny fitia naderaderany be vola aman-karena tsy misy ny fitserany. An-koso-bolamena ny tsiky nahavariana mody tsara fa nihena rehefa tojo fahoriana. An-koso-bolamena ireo soa nabaribariny h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fr/tsy-ho-faty-ao-am-po
TSY HO FATY AO AM-PO
Fré
Isan-taona toy izao isika samy mahatsiahy Ny herim-pon'ny Malagasy tena vonona sy sahy Hanohitra ny fanjanahana amin'ny endriny rehetra Mampahory, mamparary,... Fangejana anterisetra. Isan-taona toy izao dia mitamberina ao an-tsaina, Fa maro ireo nisikim-ponitra, nanao vy very ny aina Tsy nataho-masomena, niantra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/asakasakao
ASAKASAKAO
AORN
Ovay ny fo hitsetra Tariho ny loha hisaina Tsy hametraka fepetra Reo zaza mitaraina Fa eny an-dalana eny tsy an-tsena tsy an-tanàna Mpangataka ombieny Ankizy ireo mazàna fa raha ny sitrapony ho toy ny misy atao Hisitraka ny zony Ka asakasakao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tompo-%C3%B4-2
TOMPO Ô !
Fredy Jaofera
TOMPO Ô !... Ny fiainako anie, fenoy fiadanana no vavako ange tsara hotanana. Ny tanjoko anie, tohano mangina ho tanteraka re no fiangaviana. Ny vintako anie, ataovy mahafaly hahafinaritra be tsy toy ny omaly. Ny ratrako anie, poteho tanteraka tsy indray mitete izao tsiky teraka. Amena !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/p-robert-ralandy/ny-valim-babena-lovako-t3
Ny Valim-babena
Pierre Robert Ralandy
Dada malala sy i neniko izay Dia fola-damosina ery taminay I Neny no nitaiza, nibaby, nanasa I Dada isan'andro torovana miasa Izaho no tomady sy tena salama I Dada no vizana be nikarama Izaho no olom-banona sady hendry tsara I Neny no sasatra nikarakara Mba inona kosa no havaliko ireny Fitiavan-tsy ritran'i Da...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fr/maraina-vaovao
Maraina vaovao
Fré
Maraina vaovao Tombony ho ahy sy ho anao Koa samia ary mazoto Dia aoka hisaorana ny Tompo Maraina vaovao, Hiainga tokoa izaho sy ianao Enga anie samy hahery tsy harofy tsy ho voan'ny sery Hafatrafatra ho antsika Aoka tsy hisy ho mangatsika Hitafio tsara re Jesosy Ny Teniny ataovy am-paosy Dia aoka samy ho v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fr/trondro-no-laoka
Trondro no laoka
Fré
Trondro no laoka? Noana ny saka? Tsy hainao samborina? Tsy hita hofatorana? Ho sasatra eo ianao raha himenomenona Fa ny azy ny fofona ihany no henony Ny vavany miomana ny indray hitelina Vao miodina ianao,izy indray hielina, Ny vilaninao ihany no atao tsara ambina Hafaro ny hafa tsy hanao antsirambina Sakano ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/izay-noheverinao
IZAY NOHEVERINAO
NY Andri-Fara
IZAY NOHEVERINAO Ireo voahary izay nohariana Tsy noheverina halazo angamba . Fa vokatry ny fahotana ; No nahatonga fahalovana . Ianao , isika sy izay rehetra hita Ho levona avokoa ...Ho lo mandrakizay . Ilay hany nantenaina , handao anao tsy hita intsony ; Làlam-piainana mihitsy , tsy mantsy handalovana . Tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randriamiarisoa-ny-aina-andrianantenaina/raha-fantatro
RAHA FANTATRO
Randriamiarisoa Ny Aina Andrianantenaina
Raha fantatro mantsy fa nodoranao daholo irony sora-tanako ; Taratasin-drediredy ary koa mibahan-toerana no simba sady may ; Tsy tiana hotsarovana ny ela niarahana, tao anatin’ny fitiavako ! Dia naleoko koa tsy nisy ny tananao sy ny ahy, izay zatra nifandray. Raha fantatro ny anton’ireo maso te hangarika isaky ny m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsiky-sy-tomany
TSIKY SY TOMANY
AORN
Ny tsiky sy tomany? Hifandimbiasantsika Raha Mbola eto an-tany Fa fony tao am-bohoka Lay menaky ny aina dia satry hisafosafo lay kibo nifonosana ka Dodona ery Tsy handry izay fotoana Handraisana ny zaza ka rehefa tena tonga D’injao fa tsindrian-daona Ka mila tsy mahandry Hahita sy hitrotro Lay menavava ke...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-fialonana
MISY FIALONANA
Fredy Jaofera
MISY FIALONANA Misy fironana tsy mitsaha-manakaiky, mamely ny olona mijafa ; misy fialonana amin'ireo tsy manaiky ny hasambaran'ny hafa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/satriko
Tsy haritro
Randja
Tsy haritro moa ny tsy hibanjina ny endrikao ndre izato izy fa toa feno hatsarana, toa zary higagana mampientana ahy, mandrisika ahy hilaza vaovao tiako ianao, ity ny foko omeko hanjakana Tsy haritro hatrany raha ny tsy hamihina ity vatanao tsara tefy, tsara vohatra mazàna fa toa nahatalanjona ahy, zary nahasond...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/izay-tsy-tia-album-aina-nafindra
IZAY TSY TIA
NY Andri-Fara
IZAY TSY TIA Toa vahotra ny lelako Hiantso anao ho tiana . Fa ny foko mitoloko , Noho izaho tsy notiavina . Mahagaga fa ny tia No hany zary mankahala . Ka ny sentom-panembonako ; No nadevona ny fahatsiarovako . Izay tsy tia no mila tiavina Ka ny tiavina tsy tia ! Tsy maninona raha miala . Fa ny ahy ; tiako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/anjaranao-album-sangodina-rapha%C3%ABl-spartacus
ANJARANAO = album sangodina : Raphaël Spartacus
NY Andri-Fara
ANJARANAO Iza moa ilay Nahary Sy namorona ny tany ? Moa tsy Andriamanitra ...., No nampisy ny fisiana . Tsapako ary ekeko koa Fa raha tiako ho finaritra ny saina Tiako hanjaka ato am-poko , Ny fiarahana madio katsahiko . Dia fenoiko angolan-kevitra Ny tontolo izay nosainina Am-poneniko ao ny fihavanany ; Iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahafoy
MAHAFOY
Fredy Jaofera
MAHAFOY Indro ny teny fohy tsy afa-mametra ny fitiavany ka hajao ; ny ray dia mahafoy nu zavatra rehetra ho an'ny hasambaranao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/gisa-mangala-ketsa
Gisa mangala-ketsa
Nosy Malala
Gisa mangala-ketsa, Mahatalanjona ireto gisa, Mangalatra izy dia mikikika. Voahosohoso , rava ny ketsa, Ny gisa avo vava, misetrasetra. 'ngaha izy mionona, tonga ny ampitso, Misekoseko, tsy mahalala diso. Mitazatazana izay ho angalarina, Vonona hatrany ny angady sy harona. Raha varimbariana ary ny tomponketsa,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandrakizay
MANDRAKIZAY
Fredy Jaofera
MANDRAKIZAY Miteny, na rahoviana ny marina iray : ny reny dia fitahiana mandrakizay.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/itony-kalo-itony
ITONY KALO ITONY
Mahalia❤✨
ITONY KALO ITONY Itony kalo itony Mitoetra mandra-maty Otrik'afo mitahiry sombin-kafanana Itony kalo itony Tohan'aina sady vatsy Tobi-teny fanovozana sy rakipahalalana Itony kalo itony Sary miaina avy ao anaty Ngonon'ny mpikalo eny an-tendron'ny maraina Itony kalo itony Dia toy ny voa izay nafafy Rariana hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/ilay-fitia
Ilay fitia
Rabarison Roberto Stephan
O ry malala Mba lasa hoa ny saiko Tsy hoe izaho no adala Fa ianao tena lalaiko Ary iriko mba ho anjara Ilay tantarantsika sombin'aiko O ry ilay olon-tiko Izaho anie ka tia Ary ianao ilay nofidiko Hiara-dalana ho doria Ary hanatontosa ireo faniriko Hoe : ifampizara ilay fitia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/mahandry-album-nofy-sy-tamberina
MAHANDRY
NY Andri-Fara
MAHANDRY Mahandry! tsy nahoako akory Ireny fihetsikao..., Manambara teny mamy ; Ho an'ity mahantranao . Fa nokaloiko moramora Ireo hira mba fikalonao , Isaka ny diavolana ; Rehefa injay ka manina anao . Tsaroako ihany koa Ny endrikao anaty tsiky Misalotra ny volo lava olioly ; Miramirana aoka izany . Mahan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nofy-ratsy
NOFY RATSY
Fredy Jaofera
NOFY RATSY Indro ny vatsy izay saintsaina lalina rehefa mahavita mahandro : ny nofy ratsy dia miasa amin'ny alina ary manelingelina ny andro.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fisedrana
FISEDRANA
AORN
Ity tononkalo ity dia natao ho an'ilay namana namoy ny zanany vavy herintaona sy tapany, ny 13 aout 2024 Nandalo sy niserana Tanaty taona vitsy ianao ry sombinaiko fa mafy koa raha mafy raha felana mitsiry no esorina ato an-tsaiko Tsy ahy anefa ny andro ka azoko baikoana hahita anao hatrany fa an'ilay Nahary ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/izy
Izy
Ikalamako
[aingam-panahy avy tamin’ny hira "She" an'i Herbert Kretzmer, na i “Tous les visages de l’amour" amin'ny fiteny frantsay nataon’i Charles Aznavour, tamin'ny taona 1974.] ________________ Izy Ilay endri-boasokitra am-paran’ny saiko, Tambin’ny avo sy iva. Ainga misoko manenika ny aiko, Am-pitaninako afo hariva. Iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-mety
RAHA METY
Fredy Jaofera
RAHA METY Raha mety aminao ny fikasana etoana, 'ndeha re, tanteraho am-pahazotoana. Raha mety aminao ny fitia nambarako, 'ndeha re, katsaho ho hasambarako. Raha mety aminao ny tanjona nomena, 'ndeha re, ampiasao hitondra fandresena. Raha mety aminao ny fiarahantsika roa, 'ndeha re, angataho ho tanteraka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-tiana
RAHA TE...
Fredy Jaofera
RAHA TE... Raha te ho tsara ny dia, aoka tsy hisaraka, na inona mitoetra ; mifampitantana ny mitia sy miatrika miaraka ny zava-drehetra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/avelao-ny-fahotako-album-aina-nafindra
AVELAO NY FAHOTAKO
NY Andri-Fara
AVELAO NY FAHOTAKO Tompo o! aza avelanao ho kivy Na dia reraka aza androany Aza avelanao ho hitomany ! Na dia resy 'lay niakany ...; Aza avelanao ho irery 'ty foko tsy ilaozan'ny an-tery . Efa be ny adalana Sy ny sorotsorin-tsaina . Niampy ditra sy fialonana ; Ho amin'ny tsy fitiavana..., Asa ! na handohalik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/fijery-teny-an-dalana
FIJERY TENY AN-DALANA
RAVINALA
Olona iray nanitona fijery Fitompy tsy nampoizina ary feno misitery Nozohiana moramora teny an-dalana eny Nanjary nisy angola feno haingo-teny Ny fo nifanalavitra tsy nifakafantatra Tsy nanantena akory hiaina fiainan-tsambatra Niofy loko vao; samy nahatsiaro Hafa loatra ilay fitia; tsy itovizana amin'ny maro.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ianao
IANAO ...
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Ianao, olon-tsotra, hita teny rehetra teny ; vitan-tsiky tsy ankiteny. Ianao, mpiara-monina, mifankahita isanandro, maraina, hariva, antoandro. Ianao, namana tsy foy, toy ny rano sy ny vary, tsy mifandao tsy mifanary. Ianao, iray tampo, iray aina, kitapo iray no nifonosana, dobo iray no nilomanosana. Ianao,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-finoana
NY FINOANA
Fredy Jaofera
NY FINOANA Ny finoana : fahatokiana ny zavatra antenaina hipoitra am-pifaliana vao avy ny maraina. Misy faharesena lahatra ny ambara ho tsy hita fa hery tsy mitsahatra vao hahitana zava-bita. Fitiavana an'ireo nandrava amin'ny fomba rehetra hampijoro ny Mazava eto foana tsy voafetra. Misy fahendrena marina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsara-ianao-ka-tsara
TSARA IANAO KA TSARA
AORN
Ny masonao baliaka Ny endrikao sariaka Miampy feo milanto Toa kanto tena kanto Ny soritry ny volo Ny tena manontolo Ampian’ilay tsanganana Dia tena tsisy mpanana Tsy haiko tantaraina Lay vatana bikaina Fa ny azoko ambara Dia tsara ianao ka tsara
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/safidy
Safidy
Randja
Ny safidy tsy natao an-tery fa malalaka raha toa hitady sy hifantina olon-tiana ianao mahaiza tsara ny mandinika sy ny manavaka f'izay tandrify voatendry no anjaranao Notsongaina ianao tao anatin'ny maro f'ianao no tazako meva sy kanto tsy zaraina, tsy atakalo fa mahasaro-piaro tavela aminao aho dia tsy handrant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hisokatra
HISOKATRA
Fredy Jaofera
HISOKATRA Ny ahiahy aloha esory fa rehefa nety ny natao teny an-dalam-pamafazana, tsy handondona akory dia hisokatra ho anao ny varavaram-pahombiazana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-alina-ange
NY ALINA ANGE
Fredy Jaofera
NY ALINA ANGE Tsinjonao ve ny tsara hanompanana an'itony soratra itony ? Ny alina ange, tahaka ny fiadanana ho an'ny saina mitony.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tsy-ao
REHEFA TSY AO
Fredy Jaofera
REHEFA TSY AO Rehefa tsy ao ny fahamarinana, tonga handao ny fanambinana. Rehefa tsy ao ny fahamatorana dia ho tsaho ny tsara hizorana. Rehefa tsy ao ny fampivoarana dia ho nofinao ny hasambarana. Rehefa tsy ao ny fahombiazana, 'ndeha afaho ny sedra mazana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toerana-misy
TOERANA MISY...
Fredy Jaofera
TOERANA MISY... Toerana misy fitiavana, mitory fahasambarana, mampitranga ny avana fa izay no fandaharana. Toerana misy fiadanana, milamina tsy mitsahatra mbola azo ananganana ilay rindra tiana hihatra. Toerana misy hafaliana, manamaina ranomaso, manafoana fanahiana ary mampisy torimaso. Toerana misy fiara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ampahafantaro
AMPAHAFANTARO
AORN
Ampahafantaro anay Ny tena lala-marina Fa mbetika izahay Jambena fanimpanina Ampahafantaro anay Ny tena famonjena Fa misy fampianarana Mamandrika ny tena Ampahafantaro anay Fahaizana mitia Ho tena mpianatrao Hanaraka ny dia Ampahafantaro anay Ny fiononan-tena Hahaizanay mizara Reo osa mahonena Ampahafan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fara-mananjandry/izao-tononkalo-izao
Izao tononkalo izao
Fara Mananjandry
Ianao izay nijaly mafy noho ny fahantrana, nametraka finoana mbamin’ny fanantenana tamina mpitondra izay fitaovan’ny vahiny, kanjo mainka koa mihamahantra ankehitriny, te hampitraka anao izao tononkalo izao. Ianao izay namono ny feon’ny eritreritrao, nivarotra ity tanindrazanay tsotra izao, nangorona fananana, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/diso
DISO
Nic Coper Ofisialy
Manaiky aho eto anatrehanao, androany fa diso. Ka tsy hanamarin-tena intsony, na androany na rampitso. Satria ny olombelona manko, tsy mba misy tonga lafatra, Ka tsy mety raha izao indray, no andeha hanamirin-tena fatratra. Eny, diso aho raha toa nanaiky nobaikon'ny fihetsem-poko loatra. Ka Tsy nahatana ny fihets...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/antenaiko-tsy-ho-very-album-sangodina-rapha%C3%ABl-spartacus
ANTENAIKO TSY HO VERY ( ALBUM SANGODINA ) Raphaël Spartacus
NY Andri-Fara
ANTENAIKO TSY HO VERY Tampotampoka ilay voadiko mangina Hanompoako anao ry Tanindrazako . Nefa fantatro sahady...., Ka antenaiko tsy ho very . Antenaiko tsy ho very Ilay fahaizako mangina ; Hanompoako anao ho ambony , Ry ilay Mdagasikarako . Efa ela aho no nikiry Hiady , niady hanatanteraka ; 'ilay voadiko f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hazo-fijaliany
HAZO FIJALIANY
AORN
Tsy hoe nambarany ahy Fa tsapako avy hatrany lay hazo fiajaliany Fa fony Mbola kely Ny aretina nitaiza Tsy maintsy niafiany Nandeha ny hatanorany Fa tsy mba nisitrahany Zay nositrahan’ny hafa Fa latsa sy eson-teny Raha mba nandray anjara Nataon’ny mpanatsafa Ankehitriny indray Dia tokan-tena irery Fa nosa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-mivady
REHEFA MIVADY
Fredy Jaofera
REHEFA MIVADY Rehefa mivady ny fitiavana, hitaona sahady fa goavana. Rehefa mivady ny fikasana, hitsiky no sady ho hazavana. Rehefa mivady ny fihafiana, tsy mba hitady ny hakiviana. Rehefa mivady ny alahelo, ho any an-kady ka ho helo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mbola-ianao-irery
MBOLA IANAO IRERY
Fredy Jaofera
MBOLA IANAO IRERY Mbola ianao irery no nofiko ombieny haneho fa mahery ilay fitia lavareny. Mbola ianao irery no oroka mangina tsy mba mamery feno hamamiana. Mbola ianao irery no tian'ny fiainako hampiova ny fery tsy ho tarainako. Mbola ianao irery no fananako foana, hoy aho tsy miery fa inty manoloana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/novonoiny
NOVONOINY
Fredy Jaofera
NOVONOINY Novonoiny ny hazavako, nolokoiny ho hadalako. Novonoiny ny hafaliako, nolotoiny ho fahoriako Novonoiny ny fitiavako, nokoloiny tsy ho vavako. Novonoiny ny tigetrako nesoiny, na tsy fetrako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/raha-mbola-mety-hisy
RAHA MBOLA METY HISY
AORN
Raha mbola mety hisy Ho takatry ny saiko Ka hitaizana anao Ry menaky ny aiko Dia Mbola ataoko izany Raha Mbola mety hisy Voarangotry ny tanako Ka mety hanasoa Ny ho avin’ny taranako Dia Mbola ataoko izany Raha Mbola mety hisy Zay toerana andehanako Ahafahako mitady Zay tsara ho an’ny zanako Dia Mbola atao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/fahoriana
FAHORIANA
IALY NOFY
Tao anaty fijaliana Sy tao anaty fahaoriana , No indro hitako tao Ilay endrikao maloka Ny fahoriana mantsy Tena nisesy tokoa; Tsy nisy mamy fa mangidy, Ka tena nahakivy Ny ranomaso milatsaka No manambara izany Ka sento lava sy tomany No hany mba natao Dia tena izao foana ve! Ilay atao hoe"FIAINANA" Sa fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/andrianiko-ny-teniko
ANDRIANIKO NY TENIKO
Nic Coper Ofisialy
Tsara ny an'ny hafa , fa ny ahy koa andrianiko, Reharehako, tsy foiko, ka tiko sady mamiko. Hizarako ny hafaliana, hilazako ny mahasoa, Hoentiko ho porofo, fa reherehako tokoa. Eny, Andrianiko ny teniko, hitoriako ny vaovao, Ary asehoko ny akantony, ka ho aderako aminao. Ny vaovao mahafaly, no hotoriko aminazy,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-tiany-ny-hamafy
TSY TIANY NY HAMAFY
Fredy Jaofera
TSY TIANY NY HAMAFY Tsy tiany ny hamafy nefa te hijinja hono no hevitra eto afafy azo inoana hamono. Tsy tiany ny hamafy nefa te hahazo vary sy tsy maniry hihafy, n'aiza n'aiza no sary. Tsy tiany ny hamafy nefa te ho sambatra sy ny ho tafita mafy anio tsy miambatra. Tsy tiany ny hamafy nefa te hanankarena...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tanjonamihasoa/ny-havako
Ny havako
TanjonaMihaSoa
Ny hoe havako Dia ireo iray rà amiko Izay tsy azoko ialana Na misy aza ny tsy mahatamana Ireo no hiraisako adidy Amin’ny fotoana tsy azo ialana Io rohim-pihavanana io mantsy sarobidy Ka na soa na ratsy, dia tsy mety fafana, Satria, mety misy ny fisainana tsy mitovy Ny ady lalina mety hanahirana Saingy havana,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-tiana-rehefa-tiavina
NY TIANA REHEFA TIAVINA
AORN
Ny tiana rehefa tiavina Toa mampifilafila fa rehefa odiana fanina Mijery maso an’ila Dia mihevitra ny tenany Fa tena manjabe Fa raha ny satriny aza Mampierika mpandeha Ny tiana rehefa tiavina Dia toa manjakazaka Raha toa tsy rarahiana Dia indro tsy mahazaka Angamba ny ao an-tsainy Dia izy foana foana No t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-ampanginina
AZA AMPANGININA
Fredy Jaofera
AZA AMPANGININA Aza ampanginina iny vazontsika iny fa rehefa fintinina, mamy ankehitriny. Aza ampanginina ny feon'ilay valiha, tendreo hofihinina ao anaty ilay fitia. Aza ampanginina ny tsara nahaliana fa andry nankinana hiteraka hafaliana. Aza ampanginina ny bitsiky ny tany, aoka hobanjinina hamelona n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-labozia
NY LABOZIA
Fredy Jaofera
NY LABOZIA Ilay fitia, soraty fa toy ny tantely ; ny labozia dia maty vao rivotra kely.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/mahaiza-mankafia
MAHAIZA MANKAFIA...
RAVINALA
Aza akory mitomany na malahelo kely Raha sendra tsy nahomby tamin'izay niriana sy kasaina Ny tarigetranao ataovy ho ambony Velomy indray ilay fanantenana. Iny lanitra manga mirenty mahafinaritra Tazamo raha sendra ranomaso Soloy herijika ny ratra ao an-tratra Ampiravoy ao anaty torimaso.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hamohamo
HAMOHAMO
Fredy Jaofera
HAMOHAMO Hamohamo afenina no mitantana, ampindramo penina hanoratana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-vehivavy
NY VEHIVAVY
AORN
Fitia an-tendromolotra Tsy vokatry ny fo No sahinao natolotra nataony ahoana moa? Dia fitaka sy lainga Laroina hafetsena No nentinao nanainga Ny sainy nanantena Dia faly ery ianao Mitety voninkazo Fa zay serananao Hoe maina sy malazo? Fa moa ianao impiry No hahatety zaridaina Fa ho avy ny hirifiry Ny vat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-fotoana
MISY FOTOANA
Fredy Jaofera
MISY FOTOANA Misy fotoana, ny fanginana no tsara kokoa raha moana famintinana ny sedra taloha.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/adaladala-anie-ny-fo
ADALADALA ANIE NY FO
Nic Coper Ofisialy
Ekenao ve ? fa adaladala anie ny fo, No sady manana hery, hafahafa ihany koa, Fa aina roa samy hafa, ny an-drangahy sy i Ramatoa, No voatambany ho iray, noho ny fitiavan’izy roa. Maro ireo tsara, sy manana ny ampy, ka misikotra anao, sy maniry ny hiantsampy, nefa tao tsy nanaitra, sy niherehinao akory, Fa olon-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/teny-iray
Teny iray
Randja
Teny iray monja no andrasany avy any aminao teny iray mafonja no andrandrainy dia lazao Teny iray manan-kery hanafaka ranomaso ambara tsy an-tery amin'ireo tratrin'ny ankaso Ilay teny hoe tiako ianao nambabo ahy hatrany tsy ho tonta na vaovao mahaliana ahy ihany Teny efa reko foana mampitempo izany fo ten...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tia-ny-firenena
REHEFA TIA NY FIRENENA
Fredy Jaofera
REHEFA TIA NY FIRENENA Rehefa tia ny firenena, ao ny ezaka tadiavina izay tsy maintsy ekena na tsy mba azo lavina. Rehefa tia ny firenena, mahay mamaha olana no hafatra azo omena tsy ho maizim-bolana. Rehefa tia ny firenena, misy andraikitra takina hampiova ny tangena ho fivoarana mangina. Rehefa tia ny fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/tiko-ianao
TIKO IANAO
Nic Coper Ofisialy
Tiko ianao, izay no azoko ilazana azy Tena matotra, fa tsy sanatria hoe vazivazy Satria tsisy teny hafa, afahako manazava F’izay teny izay, no mahalaza azy, indray-bava Maro ireo manja, izay hitako isanandro F’ianao ihany no ato an-tsaiko, na maraina na atoandro Tiko avy eny ambony, ka tonga hatrany ambany Tiko ...