url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/resa-be | Resa-be | raozigasy | Ho setrin’ny « Rajakom-bazaha » sy « Nivadika hono Rakoto »
Tsy hoe avy any an-dafy ialahy
Dia tena olona “ca va”
Hidedaka miseho milay
Manaonao antsojay
Tsy hoe avy any am-pita akory
Dia tsy havan’izay ory
Mampiaka teny sy mikiaka
Manambany, manalika
Tsy hoe ialahy mitondra “euros”
Dia miebo hoe « heros »
K... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/zoko-zonao-zony-zontsika-zonareo-zonizireo | ZOKO, ZONAO, ZONY, ZONTSIKA, ZONAREO, ZONIZIREO...! | ANDRINIAINA1 | ZOKO, ZONAO, ZONTSIKA, ZONAREO, ZON'IZY IREO, ...!
Raha ny zon ny olombelona no asian-teny.
Dia izao no mba hafatra ombieny ombieny:
Mila HAJAINA sy AROVANA hatrany;
Mba TSY HISY HANOSY na koa hanambany.
Zon'ny tsirairay ny hiaina finaritra;
Hiaina malalaka tsy misy fetra voafaritra.
Tsy azon'iza terena na fehez... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tanalahy | Tanalahy | raozigasy | Ekeko ny masoko hoe mivontirika, sy ngeza dia ngeza tsy misy ohatr’izany
Kanefa aho mahita ny zava-drehetra, ny aloha, ny aoriana, ny ambony, ny ambany
Ekeko ny lelako hoe maharikoriko, malilalila sy lava dia lava
Kanefa izy mahazo izay haza tiany, raha vao misokatra kely ny vava
Ekeko ny lokoko hoe mampahatahotra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/tankoninao-tsy-ho-fantany | takoninao tsy ho fantany | cedarf | Handalo ianao fa saingy takony mba tsy ho fantany
ny endriko tomany,aza hasoritra ho hitany,
ny tsikinao fijeriny ataovy mba ho tsapany
tsy toy ny ranomasoko,tomany no soritany.
ry volana o tatero ho toy ny fifaliana
tsy ho fantany fa mafy,ny fijaliako aty,
lazao fa tena miadana aho,kanefa toa mangina,
mahatsiar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/do-not-disturb | Do not disturb | DotMG | Akory izato hakanton'izatsy zazavavy
Mianoka hasambarana ambonin'itsy sambo
Toa tsy mba ren'ny sofiny ny tabataban'ady,
Na mety ho fahoriana, ny loza sy ny atambo ...
Topan-dranomasina sy siokam-boronkely
Mibitsika hampitony no tonga am-poto-tsofiny
Rivo-mahavelona, toa fofonain'anjely
Misafo ny takolany, ka las... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miothyfifaliana/ny-lasa | NY AKON'NY LASA | Miothyfifaliana | soa ny lasa hatao fitadidy
sy ho vokarina hanitsiana ny dia
atao tsara kajy fa raki-tsarobidy
ho enti-misoroka raha sendra mania
tsaroana foana ny rakitry ny lasa
na navalon'ny taona ela maro be
raha misy misongotra ka te hikasa
dia io no mbanjinina vao afa mande(ha)
ary ilay mikitika ny ratra tsy maina
mandon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zokieva/nofy-ririnina | nofy ririnina | zokieva | NOFY RIRININA
Tompokolahy sy tompokovavy,
Mahabe resaka ny hoe « DEMOKRASIA » fahalalahana miteny , na fahafahana maneho hevitra , izay raha atao bango-tokana ny heviny . Mipetraka ny fanontaniana hoe « nitondra inona teto amintsika ny fanomezana vahana ny fanehoan-kevitra samihafa feno baranahiny sy herisetra ? Moa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miothyfifaliana/anjara | ANJARA | Miothyfifaliana | raha tojo ny mafy tsy laitram-panidy
tandremo mihafy fa hoe vita hidy
fa miezaha hioitra hiarina amin'izany
manàna fanoitra atsaharo ny tomany
ekena tokoa fa izany no anjara
nefa tsy mahasoa ny mianki-tarara
herezo ny finoana ary koa matokia
fa ny hery tsy ho foana na ho very sanatria
fa lalan-ko diavina izany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-r.-fidimanantsoa/ho-anireo-hody | HO AN’IREO … HODY | Ny R. FIDIMANANTSOA | Ry sakaizako nandranto lavitry ny tanindrazana,
Sambatra aza I Gasikara, misy anao mbola hankamamy;
Manko maro ireo milaza fa teren’ny ady mazana
Ka tsy hanana fotoana hiherehana amin’izany;
Dia hadino ‘lay akany mahonena, mavomavo,
F’asa, tsy hainy ny miaina isanandro mihafihafy!
Ka heveriny ho tafita, tena tafa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fay | Fay | raozigasy | Nohajaiko izy, fa hoe zokiny hono
Nampireveko koa tan-tsaky tonotono
Noezahiko natao izay mety hoe hahafaly
Narahiko ny onjany, fa hoe izy mety ho valy
Rehefa miaraka eny, misakafo antoandro
Efaiko tsy mihafa, ireo vidin’ny nahandro
Ny saran-dalany aza, rehefa mikaretsaka
Tonga dia aloako, tsy misy resadresaka
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rio/latsa-paka | Latsa-paka | Rio | Latsa-paka
Ndrao angetsana ny antsika,
raha mbola manatsafa
ny otriky ny fo...takonantsika roa
Toa mila voa tsy hary
raha toa manonofy
tononana fitia...miandrandra ho doria
Fa resy izaho sy ianao!
Mihaiky tsotra izao
Fa samy latsa-paka.
-Eritreritra sendra nandalo- |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cherametam/tiako-indrindra | tiako indrindra | cherametam | Tiako ianao ry tiana
Na dia mampitondra fijaliana
Tiako fotsiny amin'izao
Na dia manao ahy ho kilalao
dia mbola tiako ihany
Fa any indray andro any
ianao tsy maintsy hiova fo
Ho tena tia tokoa
Fa izao aloha no iainana
Hiaretako ny fiainana
Ekeko izay lahatra sy anjara
Satria tiako ianao malala
Tiako averi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-r.-fidimanantsoa/manina-anao | Manina anao... | Ny R. FIDIMANANTSOA | Hielina foana ny topim-binany
afafin’ny tsiaro misoko mangina;
Rehefa mahery ‘zay onjan’izany,
Iza no tsy hahatsiaro olontiana?
Ny foko, aza, nony tsy eto iny ianao,
injany fa reko mitepo mahery;
Asaina mitony kanefa injao
Ianao no antsoiny hofihininy irery.
Ny embona manko...! tsy haiko resena;
Ampy hahafaty ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/deuxieme-tour | Deuxieme tour | raozigasy | Tsy resaka natao hoe hampisavoro
Fa resaka tsotra hoe “deuxieme tour”
Apetrako kely ny fanontaniana
Hifidy an’iza, fa izaho mba liana
Ilay taloha taloha, sa taloha vaovao
Izay mantsy izao no ao ambadika ao
Hifidy saribakoly sa marionette
Hifidy “star” sa hifidy “vedette”
Ilay voaongana sa ilay vao hodakana
Ila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-r.-fidimanantsoa/hahafantarany | HAHAFANTARANY | Ny R. FIDIMANANTSOA | Hihelina any ianao ?
Raha hihelina any ianao;
Ilazao ‘lay tsiriry nanifika rano;
Manina ilay tsiditsidika hoe
‘lay tatamom-parihy
vao nilaozan-tsy satry.
Te hovangiana matetika hoe
Irony kamory nizatra nahita;
Ka aza miserana tsy mba mivily
na miherika ihany fa mamilafila;
Aza mahalana fisodisosy,
Dia aza ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-r.-fidimanantsoa/ho-maizina | HIHAVANA ISIKA | Ny R. FIDIMANANTSOA | Hisy alahelo
tsy ho afa-tomany;
Hisy tomany
tsy hilaozan-toreo;
Hisy toreo
horontsonina ihany,
raha ‘zaho no ho very
tsy ho havanareo.
Hisy toloko
hahaory tanàna;
Hisy tanàna
ho vonton-katsiaka;
Hisy ny hatsiaka
tsy hisolo hafanana
raha toa hifanary
tsy hihavana isika.
Hisy ny helo eto an-tany reroy,
r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-r.-fidimanantsoa/ditra | DITRA | Ny R. FIDIMANANTSOA | Mba satriko hifampizarana
ny tsikin’ny fo te hitroatra,
fa misy fitia andrarana
kanefa mba mamiko loatra
Ny refiny tsy haiko fipaka:
Toa hila ho mandrakizay,
Fa miezaka hahafehy ny laka,
hanakatra olon-tsy hay!
D’injany fa manentohento
Ny hanitra aeliny hifafy
Ka zariny ovana ny sento
sy irony alaheloko maf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/dia-ahoana | Dia ahoana | raozigasy | Dia ahoana leitsy izao, ialahy ry zandrikely
Lasa saina ihany aho eto, ka lasa toa miteny irery
Ny anioko aza tsy mazava, ts’isy mangiram-belively
Dia ny an’ialahy re hanakory, ampitso maizim-bola miery
Dia ahoana reitsy izao, ny hoavin-dry r’ikala peta
Tsy hisy kajy azo atao, tsy hisy vina azo omanina
Ny androan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jand-hassany/nofy-ratsy | Nofy Ratsy | Jandé HASSANY | NOFY RATSY
Misy olo mandihy agnabo tafi'tragno
Mangorohoro bararata
Mipèlapèlaka ravin'tsatragna
Misy aomby romotro ambadiky tragno
Voa tsydiadia ravin'batata
Misaforetaka vodin'katakata
Misy valavo magnekitry ambany kobàny
Zanak'olo nanjary kaka
Zanaka piso natao kàbaka
Misy maty fo atsika afarany
Fanjakàna... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ahoana-ny-hevitrao | Ahoana ny hevitrao | raozigasy | Tsy asiako resa-pifidianana aloha raha ny andro androany
Fa toa mampihomehy, sady mananihany
F’izay zava-drehetra re, sy mba tazatazana
Manala baraka, ilay tanindrazana
Tsy asiako resa-be, aloha ny eto anio
Fa mampalahelo mantsy, ilay resaka “fidio”
Tsy misy zava-marina, tsy misy sion-drariny
Fa resaky ny moana,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eugene.lr/inay-aho | Inay aho... | Eugene.lR | Inay aho mba erikerika, nifafy teny rehetra teny!
Tsy nifidy hirotsahana na toeran-kitodiana!
Inay aho mba hazavana, ireny manjopiaka ireny!
Ilay mitsidika isan'andro, mahita ny isam-baravarana !
Inay koa aho voronkely ka mba afaka nanidina!
Nitety ny habakabaka iny, nahita izay rehetra tiana!
Dia foana teo ny el... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ny-zo-sy-ny-satanialahy-aza-amidy | Ny zo sy ny satan’ialahy aza amidy | raozigasy | Hafatra kely tsotsotra ry akama
Zaraiko ihany sao dia mahasoa ny tanàna
Hifidy hono mantsy ato ho ato ry zama
K’izaho hiteny teny, sao dia mba mahasalama
Ireo vola noraisina fa nozaraina
Raiso foana aloha fa tena ilaina
Hamelomana ankohonana, sy tokantrano
Iny no misy ka raiso sy hano
Ireo akanjo nomena, hiovan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/teny-nomena-adidy | Teny nomena adidy | raozigasy | Tsy manakiana akory na hoe mikafara
Fa raha ny mpifankatia no tsy mifamarafara
Dia ho raikitra ny ady ho rava ny fitiavana
Ka vao miandoha ny resaka, dia aleo mazava re rahavana
Henoko daholo, ireo propagandy,
Nalama be ny vava, toa tsy mba nahay nivandy
Hitako daholo ireo ezaka natobaka
Varatra daholo, nandania... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ela-loatra-ka-mampieritreritra | Ela loatra ka mampieritreritra | raozigasy | Ela loatra hoy aho, ka mampieritreritra
Ka ny olona izao efa miesona mierotra
Mbola tsy hay amin’izany izay latsaka an-dalana
Noho ireo adidy sy andraikitra nampialangalana
Ela loatra hoy aho ka mahalasa saina
Tsy mazava ny tohiny fa mangina sy maina
Tsy hay tsy hay koa izay majika natao
Sy izay mbola afindrafin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/raha-tianao-tokoa- | Raha tianao tokoa … | raozigasy | Raha tianao tokoa ary ilay firenena
Ny hoavin’ny ankizy, rahampitso jerena
Aza sodokan’ny dokam-barotra
Fa mahaiza mikajy izay ho avy maharitra
Raha tianao tokoa ary ilay gasikara
Dia anjaranao ny manova tantara
Aza voarebin’ny ronono an-tavy
Fa jereo tsara ny adisanin’ny hoavy
Raha tianao tokoa ary ilay fiovan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/tononkalo-misy-dikany | Tononkalo misy dikany | DotMG | Ny tononkalo tena lafatra,
tsy izay tsara rima indrindra
fa ilay mampita hafatra
amin-gadona mirindra.
Io anie tsy raiki-pohy
rediredin'olon-daozy,
fa misy hevitra mitohy
anaty rima na praozy.
Rehefa ilay aingam-panahy
no terena, tsy mba tsara;
tsy azo atosika io zalahy
amin-dravina voarara.
Raha ny zava-ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/ho-eo-aho | Ho eo aho | DotMG | Ny hadisoanao sy ny tahotra
Hofafako f'aza miahotra
Raha voasingotra ianao, tsy afaka
Izaho no hianjera, ho solafaka
Ny hampifaly anao ry tiako
Izay no hany ho fifaliako
Ny fiainanao tsy hisy ankaso
na romoromo, ranomaso...
Ireo fitiavanao ho mendrika
Lavitry ny endrikendrika
Ka voambolana tsy ho hay
Izay fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-rta-avotra/inona-no-ho-atao | Inona no ho atao? | Tojo Rta Avotra | Izay hataoko ity tsy haiko
Valaka ny saiko
miahotra ny tongotro
mangovitra ny molotro
Ny tanako miarazorazo
toy ny ravina malazo
ny foko sanganehena
tsy mahita ho tetehena.
Handroso sa hiemotra(?)
toa mampifararemotra
sa hijerijery foana(?)
nefa,ilaozan'ny fotoana.
Hanadino sa hitia (?)
Hanaiky eny sa ho t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anonymous/ianao-ilay | Ianao ilay... | Anonymous | Ianao ilay niserana,ianao ilay nandalo
Teo anoloan'ny masoko
Ny endrikao no nahajamba sy nampimalo,
Ny masom-panahiko.
Ny fijerinao mahery,sendra nitopy.
Tamin'ny fijeriko iva.
No nahatakona sy nampitsilopilopy
Ny masoandro takariva.
Ianao ilay niserana,ianao ilay nandalo,
Eny,ianao ihany...
Ny famindranao to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izaho-tsy-adala | Izaho tsy adala | raozigasy | Izaho tsy adala, handany bala, amin’ny vorona tsy hohanina
Ny fitadiavana haza aza, efa mila tsy hampilamina
Ka raha vorom-be tsy fihinana, sady tsy hatao haingon-trano
Tsy hampiherika ahy akory, na hisy hikiaka hoe tazano
Izaho tsy adala handany bala, amin’ny vorona tsy hohanina
Hihaza laoka no anton-dia, ny sain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eugene.lr/alina | Alina... | Eugene.lR | Alina,
Iriariavan'ny tsiahy
Anaty aizina mangina.
Alina,
Iaingan'ny fanahy
Ho eo anilan'ny tina.
Alina... Alina... Alina
Ny saina te-hiarina
Fa tsy afaka satria
Ny alina minia
Manohitra hatrany
Hoe izay aloha ny androany! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/gasikara-ve-mivika- | Gasikara ve mivika ???? | raozigasy | Tsy biby aho akory sanatria , hahita volana mialoha
Fa mazava be ny karatr’hazakazak’iavoloha
Fa tantara mampihomehy, Mbola teboka amam-paingo
Tsy misy vody ts’isy loha, mbola betsaka baraingo
Ny zavatra voalaza hafa, ny nitranga raha tsy mira
Ny fahavononan-teknika, efa natao hirahira
Nibelazao hoe efa milamina,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/atrika.nta/any-hafatra-mba-tiako | Hany hafatra mba tiako | Atrika.NTA | Hany hafatra mba tiako
Ho ren'ny sofinao
Dia ny teny hoe :
"Mivavaha, mahareta"
Hany hafatra mba tiako
Ho fantatr'ialahy
Ilay soratra hoe :
"Miverena, miantra"
Hany hafatra mba tiako
Hozaraina ho an-dry
Teny iray mafonja
"Matokisa ho doria"
Hany hafatra mba tiako
Tantaraina ho anareo
Ka tsy asiako hambaha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eugene.lr/hafatra-ho-anao-tanora | Hafatra ho anao tanora | Eugene.lR | HAFATRA HO ANAO TANORA
1.Raha mby am-pamelanana irony vahon’ny
ririnina ;
Indro tsapako sahady izany hatsiaka hobanjinina,
Hirifiry sy fanala mampitofezaka ny sandry
Tsy mahakivy anefa izany, ny lohataona efa
miandry.
2.Raha vita ny indray mihodina ho an’ny
famataran’ora
Injao ny alina manomboka misoko moramor... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eugene.lr/miarahaba-anao | Miarahaba anao... | Eugene.lR | Tonga ihany aho marina, tonga eto aminareo
Voababon'ireo kanto ifanolorana isan'andro!
Tonga ka miarahaba, te hiantso, avo feo!
Hoe indro izaho manara-dia ry ilay nisava ranon'ando! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-rta-avotra/fa-iza-moa-aho | Fa iza moa aho | Tojo Rta Avotra | Iza ary aho
moa mba fantatrao?
izaho dia izaho
no mahatonga ny talaho.
Izaho no mpampahory
mahatonga sorisory
tsy mampahita-tory
nefa tsy hitanao akory...
Izaho?tsy vitsy mpahafantatra
Izaho anefa mpiangatra
Izay mitady tsy omeko
izay mangataka tsy ekeko
Nefa misy ataoko voky
ka dia mahazo toky
Mihanoka n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herimikalo/namako-ianao | NAMAKO IANAO | HERIMIKALO | Namako ianao
Naman-tsy foy
Ireo rehetra fanao
Dia mbola mitohy
Tsy mba mifanary
Na inon-kidoana
Raha misy marary
Dia tonga tsy antsoina
Tsy iray tampo
Fa mpinamana ihany
Rehefa misy manjo
Mifampizara hatrany
Raha misy tsy mety
Dia io eo foana
Na korana na fety
Tsy mifidy fotoana
Mifanohana hatrany
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.epsilon/bandy-mafy-ady | Bandy mafy ady! | r.epsilon | Bandy mafy ady!
Nifanaraka ihany ny tadin-dokanga,
raha toa ny fitia tsy mijery saranga!
Fa ny ahiako dia sao any indray no hianjady
ny ngidin'ny fiainan'ny bandy mafy ady!
Ny fo mantsy hono mazana mamitaka!
mora manaiky, fa tsy ela misitaka!
Koa dieny tsy tonga ny tahak'izany,
dia tsara ho anay raha "mpinamana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joharyj/tononkalo-serasera | Tononkalo serasera | JoharyJ | Aiza hoy aho ankehitriny
ny soatoavin-dRazantsika
toa tsindrin'ireo vahiny
very anjavon'angatsiaka
soa hoy aho fa tsisy afera
ny fanoratana amin' ity
TONONKALO SERASERA
natao hoan'ny Mpankafy
Hafatra ihany no apetrako
fohazo ny Fanahy maha olona
ny ahy lahy ô! tsy ho avelako
tsy ekeko hivadika ny lelako.
En... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harifidy/fifidianana | FIFIDIANANA | Harifidy | FIFIDIANANA
“Hanova ny fiainanao”
No tanjon’izy rehetra
Milatsaka hofidiana
Ka ianao ve tsy mba liana?
Hanoratra tantara
Ho manitra finiavana
Hisondrotra sy hivoatra
Sady hanamboatra
Ny tokantranonao
Ho mamy tsy hangidy
Ka ianao ve tsy hifidy ?
Tanteraho ny adidy
Fa ianao no hanapaka
Izay tetik’asa tsara
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ilay-ainga-very-ka-tonga-indray | Ilay ainga very ka tonga indray | raozigasy | Asavovon’ny vinany, hitokan-toerana miaraka
Ireo ambiroa lasadasana, sy fanahy miraradraraka
Avorivorim-betso lalina, hiangonangona, hitangorona
Ireo embon-ditsok’ainga, verivery lasam-borona
Dia namoronany anarana sy loha-teny izany ainga
Ho fodiam-bentin-dranon-tsaka, izay nivadika ho bainga
Dia natsangany ho s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joharyj/izaho-tsy-hoe-poeta | IZAHO TSY HOE POETA | JoharyJ | Izaho tsy hoe POETA
Toy izay lazainareo
fa taon-trano vita feta
izay efa rakitry ny ela
nolavaiko fahazaza
k'izay nahoriko avy teo
dia toa nigaganao avy eo
tsy anio fa efa Ntaolo
no tsy navelako hangina
ny ahy io lazaiko anao
nambolena fa tsy novidiana
tsia hoy aho, fa miala tsiny
hoan'izay voatifitr'iny
f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herimikalo/ady | ADY | HERIMIKALO | Ady ny fiainana, tsy mety resy
Nandrasana ihany mba ho lefilefy
Kinanjo vao maika nidangana hatrany
Ny vidim-piainana ka mampanontany.
Andrasana ihany mba hisy fahagagana
Handaozana lavitra ity fahantrana
Mba ho velom-bolo fa tsy ho karakaina
Inty tanintsika efa dia toa hazo maina.
Dradraina eran-tany fa hoe:” ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herimikalo/izaho-silay-tiako | IZAHO S’ILAY TIAKO | HERIMIKALO | Ry olona tiako
Malalan'ny foko
Ianao no hitokiko
Sady tsy foiko
Ianao ilay anjara
Finidy eto an-tany
Ka mba aharitra tsara
Ho am-parany any
E! Izato isika
Rehefa miara-dia
Toa be mpitsiriritra
Satria samy tia
Tsy mba mifanary
Tsy mba mifandao
Fa dia lavorary
Izay rehetra atao
Rehefa tonga ny olana
Dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/iny-ravina-iny | Iny ravina iny | raozigasy | Ho setrin’ny tononkalon’i Lovasoa « ravinkazo marorira »
Iny ravina iny
Tsy hainao ny tantarany
Tsy hainao koa ny anarany
Fa iny no ody tahotra
Fanafana ho an’ny vahotra
Herin’ny kanosa
Ainga mampisosa
Ny vetso te hiavaka
Hanidina eny an’habaka
Iny ravina iny
Tsy takatrao ny vidiny
Raha mbola tsy nasidiny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.epsilon/izay-ho-vadiko | Izay ho vadiko!!! | r.epsilon | Andriamanitra ô.....
Raha tonga ny fotoana
mbola velon'aina foana
Ka hatolotrao ny anjarako,
Dia izao no mba hafarako:
Vady hendry no iriko,
Tia ahy no sady tiako!
Mahay mijery ny any an-danitra!
Fa tsy mpidofon-dranomanitra!
Vehivavy resy lahatra
Ny Aminao Tsitoha Mpandahatra!
Mahay mizaka izay anjarany!
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/nanjary-nekeko | NANJARY NEKEKO | Ryana | NANJARY NEKEKO
Taminao no nahitako
Fa misy koa anie fitiavana
Tsy manahy ny ampitso, fa mionona amin'ny anio,
Tsy mila hery fa finiavana
Ny miaina manontolo ny hasambarana ankehitrio;
Ampy ny hita manoloana,
Tsy sembanin’ny hoe nahoana…
Taminao no nanekeko
Fa indraindray anie ny voady
Midika fetra sy famerana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/tolona-mitanjaka | Tolona mitanjaka | DotMG | Raha ilay fitarainana
Napololotran-driako
Dia reko soamantsara
Nalefako fisainana,
Ka saika hovaliako
Fa tsy hita izay hambara.
Indria izao mihivingivina
Miraikitra môtera
Toa Izaho no omena tsiny;
K'aleo hampahatsiahivina
Ilay resatsika ela
Ilay mbola virijiny.
Tsarovy fa taloha
Ilay hatakao bontolo
Sy f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-rta-avotra/te-hanoratra-aho | Te hanoratra aho | Tojo Rta Avotra | Te hanoratra aho
Hampitako ny hafatro
Te hanoratra
Izay mba kely fantatro
Te hanoratra aho
Mba entiko hanembonana
Ireo fianakaviako
s'ireo ankohonana
Te hanoratra aho
Hitantarako ny hafaliako
Te hanoratra aho
Ho an'ny androm-pitsikiako
Te hanoratra aho
Hidradrako ny tomany
Te hanoratra aho
Andefako ny vi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-rta-avotra/izay-nomeko | Izay nomeko | Tojo Rta Avotra | Lala ô!
Raha ho avy izany andro
Hifandaozan-tsika
Ho dify ilay masoandro
Ho lasa tsiaro ny efa vita
Dia ny rehetra izay nomeko
Na ny "eny" izay nekeko
Ireo fitiavana natolotro
Dia,tao am-po,fa tsy imolotro...
Eny,tsotra izy ireny
Tsy mba harena sarobidy
Fa soratsoratra sy teny
Mba ho rakitra tadidy...
Raha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/fisaorana | Fisaorana | DotMG | Fahoriana mafy ny anay toa tsy ho zaka
Namoy ilay malala, nilaozan'havan-tiana
Soa 'nareo fa teo, nijoro nampitraka
Hisinda ny alahelo, ho resy ny hakiviana.
Indreo somebiseby, ianareo rehetra
Nidodododo maro, dia tonga nampahery
Nampionona tokoa, fa tsy hoe nanao tsetsetra
Dia niaraka nisento, tsy hamela anay h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.epsilon/vavaka | Vavaka | r.epsilon | Vavaka
Ry Tompo Masina indrindra, miantso ny Anaranao aho!
Tsy kabary tsara rindra,fa vavaka omban-talaho!
Nanenina noho ny ditra, notodian'ny ratsy natao!
Koa indro fa nibaby kitra,vonjeo ny zanakao!
Indro atolotro ny foko, diovy ka mba sasao,
Jereo fa marokoroko ny tseroky ny ota tao?
Mba iraho ny Fanahy, hito... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.epsilon/lamaodim-behivavy- | Lamaodim-behivavy ! | r.epsilon | Raha izao no mandroso mitohy mitohy,
Hisintona hatraiza 'ty zipony fohy?
Nanarona ranjo taloha elabe,
F'ankehitriny kosa an-tsasaka fe!!!
Dia lamaody tokoa ve no tiana ho voatandro,
Sa efa ny kibo no mila masoandro?
No dia tsy eny an-dalana, tsy eny an-tsena,
manoantra ny akanjo hivarotra tena!!!
Vehivavy tsiri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herimikalo/vetson-janaka | VETSON-JANAKA | HERIMIKALO | Ry Dada sy Neny malalanay izany
Ianareo no nitaiza, namafa tomany
Tsy mba nitaraina fa niezaka hatrany
Nanao izay hahasoa ity akany
Ireto ankizy amin’izany tsy avela hiafy
Toloran-tsakafo ary koa ny fitafy
Fady anareo ny am-pangasiasy
Fa sedraina avokoa na mora na mafy
Faly aok’izany ireto sombin’ny aina
Manan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herimikalo/endrikadala | ENDRIK'ADALA | HERIMIKALO | Endrey izany bika toa mahafatifaty, kanto sy meva
Tsara jerena, misintom-panahy fa taranaky Eva
Baboina avokoa na boto na adala, na tanora na antitra
Izay hazom-bola, tsy mba mifidy, tsy manantitrantitra
Izato famindra toa midoladola, manonjanonja, jenitra ery
Ny fitafy amin'izany tsy lazaina intsony fa makatsy-ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ianao-anie-ka-tiako | IANAO ANIE KA TIAKO | raozigasy | Ilay fijeriko anao, somary malefadefaka iny
raha mifono hevi-dalina,dia aoka tsy ho tsiny
Ilay fibanjinako anao, ilay fitopy angalarina
dia midika zava-maro, izay tsy sarotra fantarina
ilay fitsikitsikiko iny , raha vao mahita anao,
tena te hanambara mafy, izay miafina ao am-poko ao
ilay hamiranako iny, tamin'iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kolesy/indra-fo-sy-antra | INDRA-FO SY ANTRA | KOLESY | Ataovy tarigetra, sy tanjona amin’ny fiainana
Mb ho toetranao ny “antra” sy “indra-fo”
Aza milasilasy raha misy fitarainana
Fa toetra toy izany dia Sitrany tokoa.
Aza miandry ela, hamahana ny noana,
Mitsangàna ianao ho mpiaro ny kamboty;
Ary dia ianao no ho vavan’ireo moana,
Aron’ny mahantra, mpitsabo ny marofy.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/panarato/fitia-ritra | Fitia ritra | Panarato | Fahatsiarovana no sisa
Hitantara, hitanisa
Fiaraha-dia niriaria
Fony mbola nifankatia
Fitiavana toa tsy ho rava
Fa haharitra mandrakizay
Nantenaina hampisava
Ny adin-tsaina mahamay
Tena fitia nifamaly
Nampitsiky nampiray
Ankehitriny mampijaly
Fikasana tsy tafaray
Fitiavana tsy teo amolotra
Lalimpaka makadi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/-6539 | ...? | HASINIONY | Inoako fa hiako any am-ponao any
izay tokony ho voasoratro eto:
Aza manana olon-tiana fa izaho irery ihany
Aza manana endrika hafa voarakitra ho anao
Na avy amin'ny topimaso, na ny vetsom-po mankany
Na ny embona asampotiny ao anaty miafina ao...
"hoy ilay nitia anao - hany tokana eto an-tany" |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dayaz/tiako-anao | TIAKO ANAO | Dayaz | Na mbola lavitra ny tany himboana,
Na feno fandrika ny lalana,
Tsy kivy izaho, fa manantena,
Fa atsika aroe fo hiaraka.
Izay raha mety hisakana,
Hitsambokinana, hialana,
Na manintsy, na mafana,
Atsika aroe hifampitana.
Tsy ataoko kivy babanao,
Tsy halahelo i mamanao,
Fa ho hajaiko anao.
Ny rendrarendra ataok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/isao-toerana-aho-nadika-avy-taminny-fais-moi-une-place | ISAO TOERANA AHO | Ryana | ISAO TOERANA AHO
Isao toerana aho
Anaty nofinao
Raha sendra aho mahasorena
Na koa manafintohina
Himpirina aho, hifitsaka
Hangina aho, tsy hibitaka
Mba hohadinonao
Isao toerana aho
Anaty fonao ao
Hanoroka anao mamy
Raha sendra ianao tomany
Hisary adala aminao
Hataoko izao rehetra izao
Mba ho eo ny tsikinao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/satriko | SATRIKO | ikaloyna | Satriko tsy hihodina
Ny famantaranora
Fa Satriko hifamihina
Satriko hisakambina
Tanana mizohy
Satriko hifanopy
Amin’ny masonao tsy foiko
Efa hatramizay
Satriko handre
Antsa vao sy tsotra
Hiran-doharano
An-tsefatsefa-bato
An’elakelantaho
Tsy mahay mangina
Satriko hifanojo
Ny doboky ny fo
nitempo ho ira... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dayaz/facebook-io | FACEBOOK IO? | Dayaz | Facebook io ry zama
Dia toerana fahitana
Ireo tapaka sy namana
Ary koa ireo havana
Izay lavitra tsy tazana
Facebook io ry neny
No mba ahavitana mijery
Ireo tsy hita, sy very
Sy hanalana jerijery
Raha ianao tokana irery.
Facebook io ranamana
Faneoana fitiavana,
hafaliana, akiviana.
Raha toa ka mahaliana,
I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mipololotra | Mipololotra | raozigasy | Mipololotra am-bariraraka, ato anatin’ny vinaniko
Kamban-teny maromaro, atsoniky ny ainga adaniko
Mirafidrafitra an-korontana, tsy mety lasa fehezan-teny
Fa mifamingana an-toerana, toa ireny te hirima ireny
Mifanipaka toa adrisa an-karona, ireto hevi-teny mifanohitra
Ireo miaramilan’ny literany, mitady hananika ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vaky-balle | Vaky balle | raozigasy | Hikandra ve ialahy ry bainina
Sa te hahazo saosy raim
Fa misy ketrika matavy
Ny chiffre koa nefa favy
Lasa ialahy manarak’olona
Mihogahoga toa hitolona
Manaraka propagandy
Sy mihantsihantsy bandy
Mety hoe amin’ny ville
Na sisiny no mi-style
Rehefa hita ialahy hoe bobaka
Dia saosy koa mitobaka
Ialahy sady om... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahatraina-omega/zokiko- | ZOKIKO Ô ! | Vahatraina Oméga | Ataoko ahoana ny filaza
Ary koa anambara
Ary iza no hiaino raha toa ka dradraiko
Amin’izao tontolo izao
Ny fiarahan-tsika roa
Feno fifankatiavana
Tao ampo sy ampanahy
Tsy nisy tsiny fa madio
Tiana ho dradradradraina anio...
Ny fifamoivoizana tety
Ny tafa etsy sy ery
Indrindra ny hira sy ny hehy
Nahagaga ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/neniko | Neniko | DotMG | Ry neny ô, telopolo taona
Ny anareo ny mariazy
Nefa toa tsy ho vita foana
Izay fankalazantsika azy.
Izahay ity mbola repotra
Tsy mba manana ambim-bava
Mbola he mivoaka sempotra
Tsy ampy vola lalandava
Tsy aleonao ve mba maharitra
Ohatra amin'ny herintaona
Hataontsika mahafinaritra
Fety be tsingerin-taona?
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-rta-avotra/tonga-ilay | tonga ilay... | Tojo Rta Avotra | Tonga iany ilay masoandro
nantenaiko hatry ny ela
miramirana ny andro
fa ny haizina namela.
(nifarana ny alina)
Fenomanana ny volana
rava koa ny olana
manga ny habakabaka
feno kintana mandravaka
(nanjavona ny rahona)
Satria,tonga ilay tiana
rehefa ela niafina
tany ambadiky ny ony
ny tebitebiko nitony
(foa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/karama-ny-ahy | Karama ny ahy | raozigasy | Karama ity zalahy
Ka tsy maintsy miasa aho
Tsy aleoko ve manao
T shirt vaovao
Dia mirozirozy ?
Karama ity zalahy
Ary izaho koa sahy
Mihogahoga tsara
Amin’ny feoko gara
Dia misotro sy midozy
Karama ity zalahy
Fa tsy revin-jiolahy
Hoe enjehin’ny polisy
Fa mametaka afisy
ngah eo misy sahy mikozy ?
Karama i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/zokiko- | ZOKIKO Ô ! | ZOZORO | Ataoko ahoana ny filaza
Ary koa anambara
Ary iza no hiano raha toa ka dradraiko
Amin’izao tontolo izao
Ny fiarahan-tsika roa
Feno fifankatiavana
Tao ampo sy ampanahy
Tsy nisy tsiny fa madio
Tiana ho dradradraina anio...
Ny fifamoivoizana tety
Ny tafa etsy sy ery
Indrindra ny hira sy ny hehy
Nahagaga ny mpa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/ankifidy | Ankifidy | DotMG | Etsy kely anie ry Zandry
Raha ialahy izao no mifidy
Dia ronono an-tavimandry
misy tsirona mangidy,
Sa amany anaty vera
misy fofona labiera?
Lazao izay tian'ialahy hihinanana
Fa safidy samy manana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/anjom-pitia | ANJOM-PITIA | KIRIAH | Misy tia any : izay maniry ny fitiavako
Dia misy tiako koa: fa tsy natao ho anjarako
Misy iray miandry ny ho tiako tahaka anao
Misy ahy miantso ny mba hotiavinao
Misy anao mitia fa saingy tsy izaho
Misy azy tia kanefa tsy ho anao
Misy koa ilay tiany iriany tsotr'izao
Hitia azy mafy toy ilay fitiavanao
Misy mano... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikaloyna/raozikelintsika | RAOZIKELINTSIKA | ikaloyna | An-tratrako mangina, tsy mety mangatsiaka
No atorian’ilay Raozikelintsika
Voakoboko tsy hiloaka, hifitsaka doria
Voaazoko tsy hitsoaka anaty foko tia
arehitro tsy miato, ao am-po tsisy hahalala
lay jirokelintsika natao ho fanala
otrik’afo tsy maty sanatria tsy hamanala
otrik’afon’ny fitia voatahiry ho tan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/teto-amoron-drano | Teto amoron-drano | raozigasy | Teto amoron-drano teto, handeha hifoka ilay sigarany,
Herintaona toy izao, no nahalalako ny tantarany
Nanantona izy, tsy nisala, nangataka afo dia nandrehitra
Ny loko-molony tadidiko, fa tena mena nidorehitra
Teto amoron-drano teto, no natselany ilay afo
ka ilay trokan-tsetrony iny, nentin-drivotra nisafo
Nanopy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miandry-berantoson/fahatsiarovana | Fahatsiarovana | Mi'andry Berantoson | Ity diam-peniko ity
Ataovy sovenira ho anao
Tononkalo manambara ilay fitia
Tsy mba niafina taminao
Nataoko zao ho fahatsiarovana
Tsy hanadinoina ny efa lasa
Toa mandemy ny saiko efa torovana
Ny mahatsiaro irony taon-dasa
Tiako ianao fa tsy mba hafenina
ka mba diniho tsara sao hanenina
Io fitia io mantsy lakal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ianao-sisa-tsy-ampy | Ianao sisa tsy ampy | raozigasy | Ilay anaranao,
Efa vita sokitra tamin’ny lalan-dioko, manaraka ny halavany
Tsy ho afaka ao intsony, izy mandrakizay, mandram-paharavany
Ilay sarinao
Efa vita dika, ao anaty lalin’ny zanak’ ati-dohako
Ka na inona mitranga, izy tsy hivoaka, na ho faty alohako
Ilay feonao
Efa voatahiry, any an-kitsokitsoky, ny ret... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/niova-be-rapanana | NIOVA BE RAPANANA | Skual | Iza moa eto an-tanàna
No tsy mahalala an-Drapanana?
Rangahy tia filibàna
Ary koa tena havanana
Amin'ny fitantanan'asa
Manambany be, tsy lasa!
Sendra mba nanapaka
Tamin'ny lalan'ny fiarany
Ny akohon-dry ry Tosy
Kinanjo tapatapaka
tao ambanin'ny kodiarany
Nataony maty hosy.
Avy eo indray notereny i Tosy
Hana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hovidianao-hoe- | Hovidianao hoe !!! | raozigasy | Hovidianao hoe ny fanahy ? , ireo tsy tonga sy vao miainga
Hovidianao hoe ny vetso ? s’ireo vinany tsy mandainga
Hovidianao ambongadiny hoe ? ireo masom-bolin’ny poeta
Hovidianao ihany koa, hatramin’ny ketsa mbola feta
Fa ianao hoe te hiravaka, rojon’olona eny an-tenda
Sy te hitafy lamban’olona, mialona ve sa mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/inona-eo- | INONA EO ??? | KIRIAH | Reo bandy sy reo sipa amin' ny fokotaninay
kanefa nge ka henoko Mipitsoka mitsoraka
raha vao mamaky kely ny tononkalonay.
manambanimbany sy manaratsiratsy
Iavonanay kely dia : io fa lôbaty !
( Eisyyy aho e!, tsy anoratanay tsouny refa izany ! ) |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/miantso | MIANTSO | KIRIAH | Ka rehef' injay henoko
Lay feoanao zay mampientana
Sy toa vesaran'embona
Anatin'ny finday
Dia aoka angaha tsy ho afeniko
Ary koa averimberiko
Fa io mamoha indray
Ny fiainantsika omaly
Tsy mbola lasan-davitra
Tsy asiana ady varotra
Fa mbola anatiko ao
IANAO sy ilay ISIKA
Tsy mety mangatsiaka.
Ianao mipitrap... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hevitra/vetsonny-mpivarotra-fiara | Vetson'ny mpivarotra fiara | hevitra | Raha nalefa tsy hoe tsy tiana
Raha nafoy tsy hoe nariana
Raha sitrapoko tsy hay honjonina
No henoiko dia ‘’tazonina’’
Satriko e, ho anay foana
Tiako e, hody an-tanàna
Saingy tsy hisy mandra-pihaona
Fa izao no fiafarana
Hahavita be anie
Tsy ho azon-tsampona matetika
Na aiza toerana aleha
Miroso foana fa tsy f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/...ilay-nitia-anao | ...ILAY NITIA ANAO | KIRIAH | Tsy ho asiako alahelo
Na dia satriko ry tiako
Ny mbola hianok'eto androany
Lay fitia zay nifaliako
F'efa nisy mantsy lasa
Nisambarako an'izany
K'aoka indray mba ho an' ny hafa
F' izaho aleo hanganohano
Tsy ranomason-jaly anefa
Na ranomason'antso tody
Fa tsiaro fotsiny miantefa
Tselik'embona misody
Ny hany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sekta | SEKTA | raozigasy | Sekta hoy ialahy
Izaho tsy miraharaha
Ny fandraisana ahy any
Tsara sady mamy
Any leitsy no hitako,
Mihaino ny fangitako
Mihaino ny blemeko
Sy ny menomenoko
Any aho no mahita
Feo tsy mba mikita
Fa manambitamby
Sy tsetra manan’amby
Any no mihaino
Ny olan-tokantrano
Ny asa fivelomako
Ny ady fitolomako
Ka i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/raikitra | RAIKITRA | raozigasy | Raikitra ihany ity kozy ity
Io ilay nolazaiko taloha tary
Hiaina ambiansa fety, jery
Ry zalahy “any am-bohitry ny very”
Raikitra izy aloha hatramin’izao
Na dia be naka avansa aza tao
Nanomboka ihany ilay “propagandy”
Tsy bilao intsony ity na vandivandy
Efa feno Tshirt ny tanàna
Izay tsy mahazo ihany no sagnana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/zaobavy | Zaobavy | raozigasy | Zaobavy a ! zaobavy
Ampy ilay mangina fa hoe manavy
Fa horaisiko kely ny fitenenana
Fa leo ilay isan’andro vava tsetsemana
Zaobavy a ! zaobavy
Ianao aza mihevitra anao ho favy
Fa jereo aloha ny fiainanao
Vao iny miresaka izao sy izao
Zaobavy a ! zaobavy
Ajanony aloha ilay resaka matavy
Hoe ianao no filamatra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/naleoko | Naleoko | DotMG | Naleoko ihany ianao, ilay alinalim-pody
nihaza harivariva, niandry ankodimirana
im-betsaka no faly fa nahavaky atody
ka hatraty an-trano, mitsiky miramirana
dia valabalaka iny, fa reraky ny nihaza
tsy mahavita adidy, malaina hisahirana
vao tonga ato am-pandriana, dia miesona toa zaza
ka manome lamosina sy mandry... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miandry-berantoson/te-hitroatra-mafy | Te hitroatra mafy | Mi'andry Berantoson | alahelo mitambesatra
no mameno izany foko
toa tsy zaka fa mavesatra
ireo ziogam-pahoriako
ny faniriako tsy mety to
ny adin-tsaina koa mamely
tsy mba afaka manao sitrapo
fa voageja toy ny zazakely
zay rehetra atao mandreraka
na ny saina na ny vatana
tena mahakivy sy mahaketraka
rehefa ny olana no mamantana
t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sintonny-fo | Sinton’ny fo | raozigasy | Ny vatako foana no mirijarija,
Ny endriko ivelany no lehilahy
Fa vao mahita anao aho dia mikijakija,
ilay oram-panahiko avy tsy nahy
Ny jeriko ivelany no mijajirika,
ny seho hita maso no mody tomady
Fa vao mitranga ianao sy hitako hirika,
dia iny aho malemy toa roraka tady
ianao foana no mody jamba
minia tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/sms | SMS | Skual | Tiako oa ianao e!
Ary toa tsy rototra
Ny mamaly koa hoe tia?
Sa...mbola zatra ilay
Sangiko matetika?
Asa!
Aleo andramako andefasana
Bisous!
Ary toa tsy menatra
Ny milaza hoe:mamy!
Sa...mieritreritra fa
Bisous @ takolaka?
Asa!
Anefa izy iny androany
Toa nandinika ahy mazàna a!
Inona no antony?
Izaho ila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dayaz/araiky-koa-very-folo-misolo | ARAIKY KOA VERY, FOLO MISOLO | Dayaz | Niany anao nialany,
kaza mitomany,
Fa koa mbola an-tany,
lelahy na viavy tsy ho lany
Anao koa tsy tiana
Kaza mamono tena,
Fa peratra varana,
Soloa volamena.
Mbola any i Kristine, any i Jocelyne, any koa i Eline,
Mbola any i Jocelin, any i Faustin, any koa i Celin
Lelahy maro maso izy iny Zena,
Viavy tia vola... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kolesy/moa-tsy-nino- | Moa tsy nino ? | KOLESY | Dia tsy nino ve ianao, fa latsa-paka ilay fitiavany ?
Dia tsy nino ve ianao fa mby an-dakana ny tongony ?
Fony vao ianao no tazany
Gaoma hanova ny tantarany
Pitik’afo rambaramba hanotohoto ny forongony !
Dia tsy nino ve ianao, f’ ilay fitiavany iny, hono,
Hiafitra amin’ny finoana fa tsy kilalaonao ny fony
Ka han... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/raha-hainao | RAHA HAINAO | KIRIAH | Raha hainao ny mamerina:
- Lay fitiavana natolotro
- Sy teny mamy avy Amy molotro
Raha hainao ny maka lesona
- Tamin'ny lasa zay nafafiko
Dia ilay fitia tao anatiko
Raha hainao ny maka tahaka
- Lay fikirizako sy adiko
Fony ianao ilay notiaviko ...
Dia azoko antoka malalako
Ary tsoriko sy ambarako
F'ilay ho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/ny-dadan-ialahy-isany | NY DADAN' IALAHY ISANY | KIRIAH | Tsy ialahy marina leitsy ry akama
no niady nitolona ho an' ny tanàna
nanao ny ainy ho sorona , niaritra ,niafy
nisotro mihitsy ny aleoko maty...
Tsy ialahy marina leitsy ry zama
no nanatri-maso ireo ady mafàna
sy ireo rà nandriakin ' ny maritiora ...
nangotrak' ireny fa tsy zava-mora .
Angamba ny marina leitsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/othniel/manomboka-androany | Manomboka androany | Othniel | Tsy hitako intsony izay holazaina
Fa ny foko izao no manaintaina
Ohatran'ny tsy mino foana ny saina
Dia lasa ve ilay menaky ny aina!
Ilay zaza tiako sady naterako
No indro nandeha talohan'ny tenako
Izaho tokony alevina indray no mandevina
Marary re izao fa tena tsy afenina
Raim-pianakaviana aho ka mila mahery
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-rta-avotra/fampiononana | fampiononana | Tojo Rta Avotra | Eny,ny andro aty,
dia,mandalo iany.
Tsy haharitra ho doria
fa aloka ny eto an-tany.
Misy eto ny alahelo,
Misy hafaliana tsy hay tohaina,
misy ireo tsiambaratelo,
'Zay tsy tinao ho zaraina.
Nefa izao no mba hafatra,
ho ampitako amin'ny hendry,
mitandrema tsy ho solafaka,
Tsy vitsy an'isa ny
mpikendry.
Jereo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/rovitinao-ny-foko | ROVITINAO NY FOKO | KIRIAH | Teo ampototr'ilay manga efa ringitry ny taona
Teo ny sainy no nimaona.
Tapa-tsihy rovidrovitra , ilafian'ity vatany
Torakovitry ny ady tany anaty taona lasany.
Dia ...
Iny izaho nanohy ny lalako
Saingy niantso ahy hiverin'ilay fo adaladalako
Te hiombona toloko amin'ny fony koa ny foko
Ka io tinazon'ny fijeriny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/othniel/natao-ho-ahy | Natao ho ahy | Othniel | Izao no ambarako aminao androany
Ianao no tiako indrindra eto an-tany
Ny vehivavy hafa tsy asiako sira akory
Eo anilanao foana aho;na faly ianao na ory
Eo aho no te hatory ary eo koa no te hifoha
Tsoriko ny marina fa efa tena lasanao ny fo
Efa lasanao ny vatana;efa anao koa ny saina
Vao tsy mahitanao kely dia ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ny-olo-tia-adala | NY OLO-TIA ADALA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | NY OLO-TIA ADALA
Mangina ilay fandriana nilaozantsika roa
F’isika samy lasa namonjy ny adidiny
Isika samy tia kanefa tsy mety afa-po
Nitsahatra tsy voky nisaraka tsy fidiny
Izaho irery sisa tavela ato an-trano
Mamisavisa mora irony lasantsika
Variana mitanisa ny fo manganohano
Mitafy lamba maro fa mbola mangats... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ialahy-ve- | Ialahy ve ? | raozigasy | Misy miteny hoe ialahy ve mifoka,
Sy misintona kely fa mody jomoka
Fa ilay inspirak’ialahy rehefa miainga
Dia mamely tampoka, toa tota-bainga
Misy miteny hoe ialahy ve mianika
Sy manamaina akarin’ny danika
Ilay vinany voasoratra, tena mitsako
Manindrona anaty, sy tena milako
Misy miteny hoe ialahy ve misintona
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/rohinny-tsiahy | Rohin'ny tsiahy. | Ikalamako | Fa matetitetika aho no mandalo ao “an-tranony”
Te-hahita ny endrikao voasokitra eny aminy,
Ilay fitsikinao misoritra amin’ny tavany,
Ilay anaranao lovainy sy tiaviny.
Mandrohy tsy mamela ny tsiahin’ny fahiny.
Ireo taona maro zay nanginana,
...tsia, tsy ifanomezan-tsiny |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.