url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanantenana-niaina/diapeniko | DIAPENIKO | Fanantenana niaina | ity diapeniko ity
dia atolotro ho anao
hanambarako ilay fitia
izay miredareda anatiko ao
tsy hay kobonina intsony
ka dia aborako aminao
satria babonao ny fony
fa fitia tsy kilalao
fa isika olom-belona
dia toy ny ladim-boatavo
ka miaraka mivelona
ary miaraka malazo
koa raha samy halazo ihany
tsy aleo ve mif... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tononkalo-masaka | Tononkalo masaka | raozigasy | Na hoteren’ialahy aza aho, hoe manorata tononkalo
Tsy misy teny hivoaka eo, raha tsy ny ainga no mihalo
Tsy misy gadona hidoboka, na hoe rima iray hisolana
Tsy hisy vaikam-po hifafy, hirindra anaty voambolana
Na tereko aza io, hoe ndeha ny tanako hanoratra
Tsy misy loatra avy ao anaty, hiteratera-jana-tsoratra
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-rta-avotra/ny-tononkaloko | Ny tononkaloko | Tojo Rta Avotra | Ny tononkaloko
Ny tonkalko ve?
Aleo fa o hamariniko.
Tsy tantara lava be,
Fa teny tsotra nofitiniko.
Zay mba vetsovetsom-pok o, Tao anaty tao,
Na tsiky na toloko,
Dia natambatro injao,
Zaraiko aminao anio,
Raiso ka vakio.
Tsy ilana sandany,
Fa ianao mamaky no mba
namany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/atao-inona | Atao inona | raozigasy | Atao inona ny vola raha ananana mitobaka
An-tapitrisa maromaro, manampy azy harena bobaka
Atao inona ny hery, raha entina manjakazaka
Hanindriana ireo lavo, mba tsy ho afaka mitraka
Atao inona fahaizana, raha entina hanabadoana
Ireo tsy nahita lakilasy, no ambaniana sy esoina
Atao inona ny haja, sy ny rava-bon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/d.l.a/babo | Tsy hiteny intsony | D.L.A | Angina aho angamba ka tsy iteny intsony
angina mba itony
ilay foko misaboaravoara erikitra
marary fa mifikitra
resin'ny nofinofy lalina
fitia,fatsiarovana,nahafanina
angina de aleo tomany
no anehoana fijaliana mamy
aleo itony kely mitsy re ra mety
fa mafy tena mafy izany miventy
miantsoantso anao oe 'tiana'
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/raha | Raha... | AMN (Arialy) | Raha tonga ilay aretina mampalemy anao
aoka tsy handamaka fa hanao ny fanao
tsy hilefitra fa hiady, hitady hery maika
eny na hoe reraka sy mitsako ny mafaitra
Raha toa ka lasa saina amin'ny fiainana
ataovy avo lenta ny asan'ny fisainana
tsy misy ny ho resy ka hivarina an-kady
fa hihoitra hitsambikina, hiezaka hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/othniel/mial-any-ry-mpangataka | Mialà any ry mpangataka! | Othniel | Mba olombelona tahaka anao ihany aho re tompoko
Fa ny vola no tsy eo an-tanako ary ny kiraro no tsy eo an-tongotro
Akanjo maloto sy rovidrovitra foana no eny an-koditra
Mangatsiaka lalandava ka izany no mahatonga ahy mangovitra
Manafana tena akaikin'ny afo;fakofako no mba sakafo
Tsy mahavidy vary sy laoka satria t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/raha-mivavaka-ianareo | Raha mivavaka ianareo | Skual | Raha mivavaka ianareo
dia manaova hoe :
Rainay any an-danitra
Izany lanitra ry Ray o!
mbola iry ambony iry
mbola heveriko indraindray
hoe tsy hitanao izay ataoko ety
Ny foko re no amboary
ho lanitra hitoeranao
koa mandrosoa ary
fa ao no fiandriananao
Raha mivavaka ianareo
aza toy ny fariseo
sy mpanora-dalà... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/fara-farafara | Fara farafara | DotMG | Lozodozoka hafahafa, sady ratsiratsy fofona
Teritery, mandomando, mampihoaka, mahakofona,
Tsy mpahita mason'andro, sady nohidiana tsara
Voredretra, tsy mifafa, toa tsy mba voakarakara.
Raha jerena ety ivelany, dia toa mampite hirifatra
Itsoahy fandrao mandratra, raha hoe eo no misolifatra
Fa raha io no mahatratra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/amboara | Amboara | raozigasy | Norefesiko tanaty, ilay jerinao nambambo ahy
Ka ilay sandan-keriny iny, nampisonga ny fanahy
Nampirongaronga embona, hafaliana tsy hay lazaina
Bitabitaka hafakely, ainga soa mamelona aina
Nokajiako tao an-tsaina, ilay tamba-tsikinao nandraby
Ka ny vokatra nomeny, rara-po mifampibaby
Nampiakatrakatra fanahy, harav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/voasedra | VOASEDRA | KIRIAH | Ny hoditrao ve no mangidy
Ratsy tsiro noho ny hafa Ka tsy telin'ny vavoniny?
Sa ...!
Ny siran-kerim-po Nanasinana anao
No mihoatra ny antonony?
Nanendreny fotsiny ihany
Notsakoiny an'ilam-bazana
Noheveriny ho mamy
Tiany abosika sy fiazana
Toy ny hanina rehetra
Toy ny tsiro, etsetra etsetra
Saingy ...
Ianao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hiverina-eo | Hiverina eo | raozigasy | Ho setrin'ny tononkalon'i Kiriah hoe "Dia gaga aho "
Hiverina eo izy rehefa maraindraina
tsy nety ny dia tany ka tena niala maina
fa any an-trano ihany, hono no maminy sy tiany
ny hafa any ivelany, ange ka kindriandriany
Any aminao ihany, hono no misy ny ambiansa
ny hafa sasany any, fakany kely avansa
any aminao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rold/mama | MAMA | Rold | MAMA
Ianao ry Mama
'Lay dobo manga roa
Tsy mba manam-paharoa
'Lay loharano niaviana
Nitaiza, nanabe am-pifaliana
Ianao ry Mama
'Lay niankin-drindrina irery
Niaritra ny ratra sy ny fery
Mpananatra ary koa mpiteny
Nanjohy anay ombieny ombieny
Ianao ry Mama
'Lay ampinga fiarovana
Teto an-tany fandalovana
'La... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/iny-tsikitsikiko-iny | Iny tsikitsikiko iny | Skual | Iny tsikitsikiko iny!
Tsy midika fahasambarana
toy ny tsikiko taloha
Tsy tsiky famantarana
hoe faly izany fo
Tsy tsiky vazivazy
na sendra mba soloaka
Tsy tsiky nandeha ho azy
fa noezahako navoaka
Tsiky ala-henatra
manoloana ny baràka
Tsiky indray mitselatra
tsy tena lalim-paka
Tsiky mora andairana
eson-te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/d.l.a/tia | Tia | D.L.A | nofy izany tsy hitia anao intsony
nofy ny anadino ireny lasa
nofy ihany ko ra mba itony
izato nofiko mitanisa ny kinasa
nihezaka,mihezaka,ary hihezaka
fa ao anatiko ao mbola mahatsapa
eny, mafy fa madoro ka tsy zaka
ilay fitiavana efa lalipaka
nitia, mitia, hitia
fitia tsy ho ritra sanatria
fitiavana miharitr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsanta/vavaka | Vavaka | Namby | Ray o, mangataka aho androany
Tsy ho ahy nefa f'ho azy irery ihany
Raha sitrakao,ekeo ny fiangaviako
Satria izy ilay mba nosafidiako
Hitanao ny fiainany
Tsisy miafina Aminao
'Reo jaly, faniriany
Kinasa tiany hatao
Mivavaka aho, Afao! Tanteraho!
Fa ny tena faniriako, lalina indrindra
Aoka re ny fony mba ho fon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mitsikilo-bika | Mitsikilo bika | raozigasy | Teo ambony vato, amoron-dranomasina
Iny izy fa nikisaka sao dia mitsikasina
Nakanaka sisiny sy toerana avoavo
Nefa manatrikatrika, ireo mitsotra lavolavo
Ny masony amin’io ,anaty solomaso
Mangalatra mijery, manao malasolaso
Ny loha tsy mihodina, ny maso nefa ranga
Vao mahita tafy, somary jangajanga
Dia iny fa n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/d.l.a/izaho-tia-anao | izaho tia anao... | D.L.A | Izany izaho raha vao mahita anao
toa sempotra, toa rempotra
tsy mahita izay atao
mila hivoka izato foko
tsy ho tana fa mihoko
izany izaho raha vao mahita anao
toa sempotra, toa rempotra
mirehitra fitia
mila valiny,mila fy
mila tia tiavina ho doria
izato ianao raha vao mahita ahy
toa sempotra, toa rempotra
j... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/poeta-afa-tsakana | Poeta afa-tsakana | DotMG | Ry poeta manan-tsata
Aza kivy, manorata Mazotoa mitatatata.
Eo sokafy irony vata,
mitahiry kalo, tsanta, dia ny masaka sy manta;
Dia tonóny am-peo mihanta
Na malaza na tsy fanta- try ny mpihaino, mpankafy.
Asio hira, ovay ho dihy
Handrovitantsika tsihy Fa tena maro anie no tia.
Ry poeta efa ngeza
Mamoróna, mah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/d.l.a/ho-ani-fo | Ho an’i FO | D.L.A | Ô ry foko kely!
fo kely tia mirenireny
anaty ala tsilo
mitandrema so maratra
tehirizo tsara ao tratra
zay fitia kely ananao angony ndrao
any aorina any mbola hisy ilana izany
ka eo ianao vao serana, tsy afaka sy ferana
fa efa lany anjara, ka tsy sahy mizara
fay fa dia naratra
fitia kely tsy omby tratra
ka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/lala-ah-etsy-ange-ho-tantaraiko-zavatra | LALA AH! ETSY ANGE HO TANTARAIKO ZAVATRA... | HASINIONY | Ny fon'ny poeta, efitra mangina...
tany babangoana mangadihady loatra
tsy misy vohitra ao na toby filasiana
fa lemaka dadasika lalovana hihoatra.
Fanahy sesehena no efa nomba tao:
ny habakaba-manga, ny tany sy forongony
hatramin'ireo tantaran'izao tontolo izao
ny fahatsiarovana aza manko dian'ny tongony!
Ny ant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/panarato/zanako | Zanako | Panarato | Zaza bodo, zaza saina
Toy ny andon'ny maraina
Voninkazo mbola hivelatra
Hihatsara hanana elatra
Toy ny voa vao maniry
Raha tsara fototra sy tsiry
Dia ho vanona sy soa
Hivelatra hialehibe tokoa
Badabada sy tomany
Tsikitsiky ary hehy
Fanehoana eto an-tany
Fa velon'aina tsy voafehy
Dada sy neny anilanao
Hiara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ianao-poeta-tsinona- | Ianao poeta tsinona … | raozigasy | Ho setrin'ny tononkalon'Iaromalala manao hoe "iza ianao poeta ?" hita tao amin'ny pejy facebook "Fitia Mifanahatsana"
Ianao poeta tsinona, toa mamely akaiky
Aborakao ny miafina, eny e … izahay manaiky
Akobanao ny mandry, atsikafonao ny ambany
Ka henonay manaikitra, ny akon’izany
Ianao poeta tsinona, toa maminany i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/d.l.a/jamba-rehefa-tia | Jamba rehefa tia | D.L.A | Jambajamban' izato vinany ry kala fo
tsy mahita izay mihafina akory
adaladalain' ny endrika sariaka
rebirebeny amin' ny toky mibika
Revorevon'ny kalo tsara rindra
tsy mahare izay miady migidra
rotsirotsin' ny feony landy
mandry voafatotra tady
Fitiavana kelin' i kala fo
dia adala fa jamba tokoa
tsy hay hanari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/atambereno-indray-anio | ATAMBERENO INDRAY ANIO | IaroMalala | ATAMBERENO INDRAY ANIO
Atambereno kely indray, ‘nareo ilay vao nifankahita,
Izy ilay nijery anao tamin’ny endriny sariaka,
Ny ati-fo nisavoamboana te hamboraka fitia
Ilay saina ravoravo te-ho Malalany satria……
Atambereno indray anio,ilay “Eny” tany aloha,
Ireo oroka niraikitra….Sambasamba be tokoa,
Ianao ilay no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/panarato/akaikinny-fo | Akaikin'ny fo | Panarato | Hanana elatra anie aho
Hanidinako
Ho avy eo anilanao
Masoandro fifaliako
Tsy ny elanelan-tany
No hampihena ilay fitia
Ny eritreritro mankany
Vonona ny hiara-dia
Ventsoventso sy vinany
Mampietana ny fo
No alefako tsy lany
Fitiavana tsy miova loko
Nofinofy, fikasana
Fifaliana, fanantenana
No atokako ho anao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mahazendana-sy-mahavariana | Mahazendana sy mahavariana | raozigasy | Mandrimandry manana aretina, mangingina tsy hay hoe ahoana
Gaboraraka manao izay tiany, ny bevava sisa mitsaona
Ny fifidianana izay nandrandraina, tsy hita mazava ny tohiny
Izay sori-dalam-politika, tsy hita ny vody sy lohany
Ireo lamina sy diary natao, sy ezaka rehetra narindra
Ireo olona izay nosoloina, ireo to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/d.l.a/fitia-miafina | Fitia miafina | D.L.A | Itia ihany aho,itia mangina anao
na dia mafy sy mangidy
ny tsy amboraka izany
marary,mampitomany
azoniko ho ahy irery,
fitia tsy atao antery
itia ihany aho,itia mangina anao
na dia tsaroaka fa tsy ho vitako
ny hitahiry izany ampo
feheziko ihany aloha
dia ho raiketiko ho diary kely
ny nofiko tsy hihely
Itia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/fa-nahoana | FA NAHOANA?... | IaroMalala | FA NAHOANA?...
Fa nahoana ianao no kivy
Tsy mahazaka onjam-piainana ?
Moa tsy fantatrao angah!….
Fa fandalovana ny fiainana?.
Fa nahoana no misotro
Ranomasom-pijaliana?
Ny eto an-tany fikirizana…
Fa tsy natao fitomaniana.
Fa nahoana no mimalo
No sady maimaina molotra?
Rahefa tena tsy ho tanty….
Omeo tsiky i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/sigara | Sigara | DotMG | Tiako ny sigara, mihoatra noho ny vady
Tsy reraka aho mitady, izay "tige" mba ho anjara.
Tiako ny sigara, anivon-drantsan-tànako
Manoatra noho ny zanako: mahay mikarakara.
Tiako ny sigara, mihoatra izay sakafo
Vidiako na dia lafo, na ratsy koa na tsara.
Tiako ny sigara, fa izy tena ilaina
Hofohiko maraina, vao m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/panarato/tanindrazakop | Tanindrazakop | Panarato | Fitondrana tsy milay
Tofoka aho fa aok’izay
Ny vahoaka no mijaly
Ts’isy vola ts’isy kaly
Mpitondra tsy mataho-tody
Tsy mitondra fanafody
Hampitraka firenena
Fa mangalatra harena
Capitalisme d’état
Ve no itondrana ny tantsaha
Fahatrana sesilany
Hitrotrongy amin’ny tany
Efa leo ny vahoaka
Poa-basy tsy mampit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ngidinny-fiainana/very-ny-asako | very ny asako | ngidin'ny fiainana | tovolahy izaho ka manontany
hoe anao ahoana aho any aorina any
tovolahy jejojejo ve sa miraraka amin'ny tany
sa vo treromina dia taraina sy tomany
lahy aho ka miaritra ,na mangidy na mamy
tsy mahalala izany aho ,ka miantso mpaminany
mba te hanana andraikitra tsy hilatsaka ambany
indrisy fa nofinofy ihany aloha i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/panarato/onjasoa | Onjasoa | Panarato | Samy tia zava-kanto
Izy lokanga, izaho valiha
Hifankatia sy hiara-dia
Nofy mamy, nofy lalina
Isan'andro, isan'alina
Ao an-tsaiko, ao am-po
Iantsoko anao ry Onjasoa
Eny revy sy vinany
No alefako mankany
Hisarika ny sainao
Eny omaly ianao nijaly
Kivy sy tsy falifaly
Hanamaivana ny sento
Ho lasa ny orana sy v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/panarato/fitiavana-ihany | Fitiavana ihany | Panarato | Any andro, any taona
Izaho sy ianao mbola hihaona
Hiara-dia, hiriaria
Hirevy sy hifankatia
Hihaona ny tia sy ny manina
Fitia maditra sy tsy ferana
Tsy miova, tsy nangalarina
Tsy handalo, tsy hiserana
Babonao tokoa ny foko
Arahin-tsento sy toloko
Fitiavana tsy miovza loko
Ianao vilany, izaho toko
Hiravoravo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karako/rehefa-aty-andafy | Rehefa aty Andafy | Karako | Izaho aty ry Neny...
ka mandeha miantsena,
Mividy anana sy hena...
Tsy eo intsony i Soa
...Hay tokoa moa !
Izaho aty ry Neny...
ka manasa lamba,
mipasoka tsy mihamba
fa tsisy "Jacqueline" :
voasolon’ny masinina.
Izaho aty ry Neny...
manatitra ireo zaza
na d'efa reraka aza
Fa tsy aty i Velo
‘baikoina hoe "... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/nahoana | Nahoana? | Nofy2 | Dia tiako ve ianao?
Toa mahagaga ihany,tsy aiko hoe ahoana?
Ianao ry olona iny tsarovako eny foana
Ny eritreritro mazana miantefa any aminao
Nohezahiko havily nefa tsy mety atao
Kanefa etsy ange
Ny aminao rehetra izay tsy ahitako tory
Tsy misy hoe manintona,tsy misy tiako akory
Nefa tiako ianao,tsy haiko ny han... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/tany | Tany | DotMG | Ny tany anie rey olona, tsy tia ahindrahindra
Manetry tena foana, mandefitra, mahatanty
Izy no hitsahina, vao mianatra mamindra
Hosena tsy an-kijanona, hodiavi-mandra-maty.
An-kibon'izy itony no voatahiry miafina :
Ny vato tsy fahita, ny harena sarobidy,
Safira, volamena, sy vatosoa tarafina
Dia solitany koa, di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/raha | Raha... | Nofy2 | Raha mbola misy ihany afo mitsilopy
Ao am-ponao ao
Iangaviako ianao,ndeha re mba havoty
Ilay malalanao
Tomany mantsy izy
Trotraka sy kivy
Raha nilaozanao,ilay hariva iny
Raha azonao atao mamerina ny lasa
Niarahana namita
Izy mantsy any mbola te hitafa
Hanohy ny efa vita
Miandry anao hatrany
Ianao ilay rehar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenosoa-eli/izay-ve-no-lahatra | Izay ve no lahatra | Fenosoa eli | alahelo tsiahy tohaina no nandratra zany fok,ianao zay nantenaik toa milaza ho tsy tia.
De sahinanw v ny namadika dina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/panarato/panarato | Panarato | Panarato | Ianao panankalo
Andao hiara-dia
Hirevy sy hankafy
Ny tanjona tsy ferana
Ianao no ianteherana
Handravaka ny fiainana
Izay rovitra ho zairina
Ny lakan-tsika roa
Hisosa be tokoa
Hisedra izany onja
Ho namana hitondra
Ka rahoviana indray
Isika no hiray
Embonembona syvinany
No alefako mankany
Hofaranako ny vaz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/ny-soratra-mpanoratra | Ny soratra mpanoratra | Skual | Tsy ilay litera velively
Toy ny kodiakely io
misy takona tsy hita
anefa omby volavita
ka karohy dia ho hitanao
tena ataovy sava hao
dia misy faroratra
mampitohy ny tanany amin'ny ati-fonao any
Iny ianao ilay mitomany
lasa am-borona aok'izany
na entanin-kafaliana
ka mibitaka am-pandriana
"Mandehana ry voased... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/ty-zaho-e | Ty zaho e! | Skual | Manana aliaka aho
ao an-tanananay
blaky no anarany
izy mainty ranoray
Izany aliaka izany raha hangery an-tonkotany a!
Dia izaho mihitsy
no midina ambany
misoroka ny tainy
sy manome izay ilainy
sangisangy, safosafo
arahina sakafo
Any ho any anefa
misy olona sahirana
efa mirefarefa
tsy hita izay mangirana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jahsnah/mahereza | Mahereza | jahsnah | Anaty olam-piainana tsy misy fiafarana
angamba izao ny fiainanao
mila tsy hahajoro,reraka sy hana
tsy mahita izay atao
Mahereza,mivavaha
aza kivikivy izany
mijoroa,mitrakà
mitsikia,aza tomany
Any an-danitra any
'lay Tomponao mijery
tsy hamela anao irery
fa ny sandriny mahery
no hitantanany anao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/panarato/neny-fitiavako-voalohany | Neny, fitiavako voalohany | Panarato | Neny, neny aiza ianao
Ny zanakao mitalaho
Mahatsiaro irery eto an-tany
Very saina, mitomany
Rotsirotsy, fitoniana
Tao an-kibon-dreny tiana
Tsy hadino mitamberina
Mampatsiahy te-hiverina
Ny fiainanao manontolo
Dia natokanao hikolo
Hahalehibe ny zanakao
Ho tonga lafatra, olom-bao
Ny tenanao nataonao sorona
H... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraki-ny-avo/fa-tiko-ianao | FA TIKO IANAO | Sitrak'i Ny AVO | ILAY FITIAVAKO
Ilay masonao nitopy,
No nadrehitra indray,
Ilay jiro nitsilopy.
Dia niampy ilay famindra,
Sy lay resaka hatrizay,
Dia nohoveriko hifandrindra.
Voamaika niampy tsiky kely,
Fa neveriko ho tantely,
Natohoka tamin'ny vavako.
Ireo rehetra no nifangaro,
Dia ampy ho taharo,
Nampitsiry ilay fitiavako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/izany-hono | Tsy tsiny hono...! | HASINIONY | Miboika hiakam-paharatrana... 'zato feo tsy re tanatiko
Hay! rava iny volana iny, taorian'ny famololony
Ny akoakon'ny tomaniny, novonoiko fa tsy matiko
lalina "ra-tsy anjara" dify ny fitia natolony.
...sinaingy:
Dobok'onja misamboara, misangy ary koa misintona
ny fo dia torak'iny koa, manatona fa mbola hirintona
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ny-soratrao-no-taratra | Ny soratrao no taratra | raozigasy | Ny soratrao no taratra,
manao tamberin-jery
Mamboraka ireo hafatra,
nafeninao irery
ny soratrao no ako
miverina mihoraka
milaza an-damako
ireo gejanao hiboraka
ny soratrao tadio
miriotra manamafy
ireo tsimoky ny anio
tambin’ny nafafy
ny soratrao no nofy
herim-paniriana
manamaivan-drofy
ireo olana tsy tia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/setrin-kafatra | Setrin-kafatra | DotMG | Nodomiko in-telo
Ilay hazom-baravarany
Narosoko ny haody
Nantsoiko aloha ny anarany
Tsy niandry iray minitra
Na hoe segondra betsaka
Fa avy dia naneno
Nivoha ilay karetsaka
Toy ny hoe efa nandrasany
Ny ora hahatongavako
Toy ny efa nandrandrainy
Ny endrika aman-tavako.
Nihevitra aho voalohany
fa efa tena ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/vonona | Vonona | Nofy2 | Efa fantatra fa tsy ho anjara
Kanefa tsy te hahalala
Nikiry, niezaka hatrany
Sao misy vahaolana ihany
Izy roa efa vonon-kiady
Na mafy aza ireo mianjady
Na inona sedram-pitia
Ny tanjona dia ho doria
Ny saina efa vonon-kandresy
Ireo loza izay mbola hifanesy
Tsy kivy ny fo manantena
Na inona zava-mitsena
Izay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tokontany-sovenira | Tokontany sovenira | raozigasy | Ilay tokontanibe filalaovanay fahiny,
nolalovako tsinahy omaly hariva tamin’ny dimy
dia taitra kely aho sady zendana, nahita izato fiovana
fa ny telo ampahaefany, efa voavidin’ny karana
izay sisan-toerana nijanona, tambadik’ilay joalan-drindrina
fiainana mampahonena, teny ratsy feno rindrina
misy trano fisotroana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rio/ambavahoana | ambavahoana | Rio | Dia trotraka tanteraka 'ty fo efa torovana
mamisavisa lalina io lala-migodàna,
mifarana amin'ny hantsana,tsy hita fiafarana...
Mihorohoro fatratra,mitsinjo izato haiziny:
Toa vonona sahady hitelina ny lasana.
Mandotra fofon'aina ilay hadrohadrom-pasana...
Kanefa moa hankaiza?
Hiherika any an'inona?
-Eritreritra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/nirindrina-any-izay | Nirindrina any izay. | Ikalamako | Nirindrina any izay ilay varavarambato,
Tapitra tokoa; vita ny hazakazakao…
Ny adinay atý tsy vita, fa i Neny izato,
Ahiana dia ahiana hilefa sy handao,
Nefa tsy mahalala akory fa efa lasa ianao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tontolon-taiza | Tontolon-taiza | raozigasy | Mifankatiava ihany, raha mbola velon’aina
Izany no ventesina, izany no hiraina
Rehefa tiana hangina, ny hotra-katezerana
Sy ireo zava-maro, tiana handeferana
Omeo koa ny ankavia, rehefa voa ny havanana
Izay no fitaiza, nirina mba hotanana
Dia nodradraina koa, ny fandalana fihavanana
Hoe loharano iray, ny tapaka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/toy-ny-fary-lava-vany | Toy ny fary lava vany | raozigasy | Toy ny fary lava vany, ny saotra averimberina
tsy mety lany mamy, satry foana anterina
Fa sitraka leireitsy, telina tokoa
Ireto fanohanana, mampihetsi-po
Toy ny fary lava vany, ny saotra tsy atsahatra
Atolotro anareo, maro mitandahatra
Manotrona, manitsy, ary mampahery
Toy ny fary lava vany, ny saotra atohi-vaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/zanako-malalako | Zanako malalako | DotMG | Inona moa izay ialahy maintimainty?
Mora fitahina, andairan'ny fainty
Rehefa zanahiko ialahy dia manaiky
Mandray ahy ho reny na havana akaiky.
Inona moa izay ialahy tsy ampy baoritra
Zaza kanosa, jereo : misapaoritra
Tsy ampy fahaizana ho entina miady
Treromina kely dia resy sahady
Inona moa izay ialahy : zaza ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-mahay | IZAY MAHAY | Fredy Jaofera | IZAY MAHAY
Izay mahay mifosa
fa tsy mitia,
tsy namako kosa
no hikodia !
Izay mahay manidy
fa tsy mamoha,
mbola hangidihigy
rehefa voa.
Izay mahay manimba
fa tsy miaro
dia mbola hikorimba
vao atsaharo.
Izay mahay mitsara
fa tsy misaina,
ho entin’ny anjara
hiferinaina !
Izay mahay mandainga
fa tsy mijor... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/ny-fitiavana- | ny fitiavana ? | HASINIONY | Ny inona no ambony indrindra, ny fitiavana malala?
redareda mbola vao fa nony tonta mamanala
ny fitiavan-tena izany, fa io no tsy mba misy fetra?
nefa ho afaka hanony ireo 'zay matin-ketaheta
ny fitiavan-tanindrazana, io no tena fara-tampony!
masina eo am-pikasana fa nafoin'ireo voakapony
ny fitiavana ny tompo, A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/olana-vaventy | Olana vaventy | raozigasy | Ny tsy fahampian’ny sakafo
Tsy taka-bidy sady lafo
Dia itsikianao hoe “regime”
Fa ianao mitana “ligne”
Ny fahalafosan’ny fitafy
Ka mahatonga anao mihafy
Mbola vitavitan’ny sinoa
Sy fripy etsy sy eroa
Ny tsy fisian’ny lahasa
Ka mahabe ireo tsy an’asa
Mbola vitan’ny asa tanana
Manampy kely izay tsy ananana
Ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/nofinofy-lavitra | Nofinofy lavitra | Pissoa | Nofinofy lavitra
(Nanandrana nandika ny Lanquan li jorn an'i Jaufre Rudel amin'ny teny Malagasy)
Rehefa injay nitsaika ny harivam-pahavaratra
Ka manenika ny lanitra ny kalokalom-borona ;
Nosakambinin-drahona ilay volana tomaratra
Dia nentiny aho hanjohy ilay tsy azoko tomorina.
Manjohy an’eritreritra ilay tsy hit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/mosara-menamena | Mosara menamena | Skual | Ririnin-dasa toy izao
no nahitako an’i Malala
Teo an-davarangana aho
fa namely ny fanala
Nifafy mafy moa ny erika
ny masoandro koa nahalana
Sendra izaho somary nierika
no nahatazana azy teny an-dalana
Tovovavy tora-kovitra
sy mikatokatonify
Manao akanjo misy rovitra
ary koa mbola manify
Toa maniry ny ho tre... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraki-ny-avo/fosa-fosa | FOSA FOSA | Sitrak'i Ny AVO | FOSA FOSA
Tsy hoe fitiavana hifosa,
Na fitiavana hitsikera,
Amiko, tsy rariny kosa,
Zato zipo mampidera…
Fa tsy haiko ny hoe hijery,
Ka tsy anambara vetivety,
Inoako fa tsy izy irery,
No manao ilay tsy mety,
Tovovavy jefijefy,
Amin’ity volo noboriana,
Sady mbola tsy ampy refy,
No mampidera ny aoriana.
Ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mikorontana | MIKORONTANA | Fredy Jaofera | MIKORONTANA
Tsy milamina ny saiko
raha tsy eo ianao mitia
isan’andro re, ry aiko,
hampety itony dia.
Tsy mandry ny fanahy
raha tsy eo ianao miravo
hampiova ny ahiahy
nanadala sy nandavo.
Tsy sambatra ny foko
raha tsy eo ianao mihira
haneho fa izay toloko
ho lefy any an-dakira.
Tsy miadana ny hoavy
raha ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraki-ny-avo/misoko-mangina | MISOKO MANGINA | Sitrak'i Ny AVO | MISOKO MANGINA
Misoko mangina, fa tsy hainao vidina, ny fotoana eto an-tany,
Raha toa ka mandatsa na koa manakina, mijanona [eo] ihany.
Fa misoko mangina ka mandratran’ny saiko ny mieritreritra anao,
Raha toa ka hanenina any aoriana, nohon’ny natao.
Misoko mangina, fa tsy hainao vidina,
Misoko mangina, fa tsy hai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/noro | Noro | MiséVonjy | Eto am-pisakafoana, no injay henoko, ilay hira tokana
tsy lefin’ny fotoana, mbola injao manako, tsy manaiky ho foana.
Nokaloinao tsy an-tery, netanim-pitiavana, nanokatra ny fo
na tsy natao ho ahy irery, tanivon’ireo namana, noraisiko tokoa.
Firy taona izay no lasa, taona firy no nifandimby, mbola ao ihany ve ?
ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tongava-hasina | Tongava hasina | raozigasy | Misosa sy mitobaka ny sitraka atoraka
Ny foko tojo izany, faly sy mihoraka
Ireo hafatra napetraka, tena mampahery
Mitombo isa hatrany, ireo mpamaky vaovao
Ireo efa teo moa, dia tsy mety lao
Mitaritari-namana, manapariaka an-jara
Sady manao “j’aime” izay tiany fa hoe tsara
Mihamaro koa, ireo manao “partage”
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nangaina | NANGAINA | Fredy Jaofera | NANGAINA
Fony fahazaza
dia efa voalaza,
efa voambara
ho tadidy tsara
fa ho azo jerena
sy tsy azo fefena
iny reny efa lasana
maty any am-pasana
nirina hahasambatra
sy hampitambatra
ireo fitahiana
tsy hita hovaliana
raha nisy fitaratra
ny vata ka lafatra !...
Nefa tsy izany
vao naka azy tany ;
fa fitarat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/onja/ramiaramila | Ramiaramila | ONJA | Io ianao ramiaramila,
Miaramila be galona,
Tandroka aron'ny vozona,
Kinanjo nanao taingim-bozona.
Nantenaina hiambin-tanàna,
Hay nilaozana nihanahana.
Nandrandraina hiaro ny olona,
Lasa izy indray no nitolona.
Nantenaina mba ho aro riaka,
Naleonao nanao pôlitika.
Dia tohizo hatrany hatrany
Ireo fomba amam-pa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miolapandry/tsy-afaka-mankaiza | TSY AFAKA MANKAIZA….. | Miolapandry | Tsy hitako hotenenina
Tsy haiko hoe nafenina,
Fa tena niharihary
Sy koa nibaribary.
Ny diboky ny foko
Namafa ny toloko
Raha vao nahalala
Fa ho avy ianao malala
Nofy anefa izany
Fa maloka ny tany
Tsy tafahaona isika,
Na dia iray minitra
Ka indro fa nipitra
Sy koa nitsiriritra,
Niangavy ny hahita
Ty masoko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraki-ny-avo/rahoviano-no-hifarana- | RAHOVINA NO HIFARANA ? | Sitrak'i Ny AVO | RAHOVINA NO HIFARANA ?
Dia izany foana ve ?
Ny amin’ity nosy ity,
Fa tsy hafaka handre,
Toa tsy ao ilay fitia,
Dia hoe: “Tanindrazako”
Fa ny faombiazako,
Izany no ilaiko,
Izay no andrandraiko,
Fa fahazoana fitondrana,
No miantoka ny fahandraharana,
Dia manao izay hitany,
Manao izay vitany :
Nitari-tolona,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/hiangaro | Hiangaro | Pissoa | O ry Jesoa Zoky,
Iny zandriko iny, mba hiangaro kely
Hiangaro be mihitsy e ! Raha toa ka sitrakao
Ny lalan’izy iny ho temerinao anjely
Mba hiambina azy ! Na hiara-milalao ?
Ka izy ireny anie no hitondra irony vavaka
Hasandrany isan’andro, s' irony adin-tsainy !
Iraho ireny hankahery raha sendra valabalaka
Iraho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/angamba-aho-raha-hikozy | Angamba aho raha hikozy | raozigasy | Angamba aho raha hikozy hoe : tsy rariny hampihomehy
Hoe ahoana ireto : zo vaovao sy volabe
Atobaka indray ho an’ireo filoha
Izay tsy lany intsony, sy “retraite” aloha
Angamba aho raha hikozy, hoe tsy rariny indray
ny famelomana azy ireo, hoe mandrakizay
hiantohana fiara, solika, saofera
solaka, dekoro, le gladi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ny-tolona-leitsy | Ny tolona leitsy | raozigasy | Ny tolona leitsy
Tsy an’”olom-petsy”
Mitady sahady
Vao miandoha ny ady
Izay ho tombokeliny
Hoe mana papeliny
Ny tolona leitsy
Tsy ilay “ndao lereitsy “
Hifampitarika
Mba hoe ho marika
Hitan’ny maro
Fa mahay mifangaro
Ny tolona leitsy
Tsy hoe “rehefa aman’hetsy “
Ny olo-mitaky
Izay vao avy malaky
Ho isam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/razoky-sy-ratsin | Razoky sy Ratsin | raozigasy | Io ilay Razoky, miteny mi”style”,
Feno eboebo, tsy mety lany “pile”
Ny fizahozahoana bobaka, ny « je suis » mipoapoaka ,
Rain’ny hambo avokoa, izay resaka avoaka
Dia io koa Ratsin, revo sy mihaino ,
Mitsiky mamporisika, teneno dia teneno
Maka am-bisavisa, ho nofy an-tendron-kazo ,
Ireto balaoasy, rahampitso dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tati-bolana | Tati-bolana | raozigasy | Tsy nivadika ny volana
Dia hitako nitati-bolana
Ilay pejim-“pacebook”
Nanao pentsona boloky
Nilaza izy ka nilaza
Hoe misy ankizy, misy zaza
Misy maoty, vantovantotra
Misy lehibe, misy antitrantitra
Misy mangalatra am-piasana
Misy an-trano ka tamana
Misy tsy mahafoy ilay finday
Fa n’aiza n’aiza eo indray
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/fisarahana | Fisarahana | Skual | Lany ny sakafo
nolemana ny afo
ndrao mandoro tafo
ka hovidiana lafo
ny loza mety aterany
Ndreo izy mivady
ao anaty trano bongo
efa reraka sahady
torovana sy mongo
nitsangana mangina
ho ao an'efitra hatoriana
Tampotampoka eo!
Nalemy ramatoa
tsy niloam-peo
nikohaka in-droa
"Dray re ry lanitra ô!"
hoy i da... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/lasa-ilay-mpamoron-kira | LASA ILAY MPAMORON-KIRA | ZOZORO | LASA ILAY MPAMORON-KIRA
Manjombon-takariva ilay diavolam-pararano,
Mangina samirery ilay farihy manganohano.
Ory, fa nilaozan'ilay taratra.
Ilay kintana namiratra natao ho doria,
Ilay voninkazo manitra namelana tety,
Indrisy, fa nilofika sahady.
Nangina ilay valiha, voatahiry an-dakira,
Nikimpy koa ny masonao r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/omeo-eto-ny-maorsa | Omeo eto ny “maorsa” | raozigasy | Angamba hoy aho, nifanome toky sy nifanao voady
Na angamba mihitsy, efa nanao sonia, ary efa nivady
Ilay Ramalagasy sy ilay Rafahantrana, fa tsy niteniteny
Dia nifamato-maty, nifaningotr’aina, teny rehetra teny
Angamba hoy aho, efa dimampolo taona, izany no nitranga
Fa nafenimpeniny, sy notakonakonany, ka tsy nis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraki-ny-avo/izay-no-farateniko | IZAY NO FARATENIKO | Sitrak'i Ny AVO | IZAY NO FARATENIKO
“Lasa aho”, hoy ianao
Dia zaho tsy nitana,
Satria tsy tamana.
Ka hoy aho taminao;
“Aza miverina intsony,
fa mila anao ny fony.”
Fa zakakako ny ahy
Tsy hiankinako aminao ,
Tsy mila mitalao.
Tsy hisy hahihay
Fa ny hoa avinao mbanjnina,
Ny entanao vimbinina.
Dia zory izato lalana
Ny hiver... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/ilay-sarinao | ILAY SARINAO | IaroMalala | ILAY SARINAO
Notsofiko ny jofo,
Nofafaiko ihany…
Ilay sary koa nihofo,
…Tena tsy azoko vinany.
Nangalàko tapa-damba
Nofaohako milamina…
Izy izany angamba
Toa sary tsy mba manina (kah)!.
Nodinihiko elaela
He!...Talaky maso…
Ny sisa mba tavela
Dia loko iray matsatso.
Narehitro ny jiro
Io fa miharihary…
Oay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/soa-fa-nisy | SOA FA NISY | IaroMalala | SOA FA NISY IHANY
Soa fa nisy ihany
fijaliana mihoampampana
Mitokona ato anatiko.
Soa fa nisy hatrany
ny mpanetry fisandratana
Am'tanjona tratrariko.
Soa fa nisy 'zany
ny latsa maro loko
Nananatra ny fiainako
Soa fa nisy ianao
'lay tokako ato am-poko
Ho andry fitarainako!
Fa raha tsy teo ireny?
Tsy ho to ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/madimozely-antitra | Madimozely antitra | Tsiky dia ampy | Mandroso ny taona, mandroso ny taona
Izaho nefa ity mbola eto foana
Tsy misy sakaiza, tsy andefimandry
Tsy zaza tsy rainy fa mbola miandry
Ireo tovovavy mitovy amin'tena
Roa taona raha kely ny eny am-babena
Izaho irery ity no gina sy tara
Fa tsy mba nahita izay alitara
Tsy lainga fa nisy sy nandalo ihany
Ireo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mandroso-ny-taona | Mandroso ny taona | raozigasy | Mandroso ny taona, mandroso ny taona
Nefa hatramin’izao , mbola tsy tafahoana
Amin’ilay zatovo, mirija, bikàna
Ilay nandrandraiko, hifanenana mazàna
Mandroso ny taona, mandroso ny taona
Nefa hatramin’izao aho mbola tokana foana
Ny trano milamina, ny asa tsy olana
Fa ny tena tsy tanty ilay irery misolana
Mandros... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraki-ny-avo/raha-toa | RAHA TOA... | Sitrak'i Ny AVO | RAHA TOA...
Raha toa ilay fitiavako,
No holavinao hatrany,
Dia safidiko rahavako,
Ny handao izany tany,
‘ndeha hamonjy ilay toerana ,
Tsy haitako anao intsony,
Mafy laotra, tsy haiko ferana
Ilay fitiavana namony
Ilay fitiavana naharitra
No noforoniko ho anao,
Nampiadana finaritra,
No indro fa nolavinao
Ka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/fo-vahy | Fo vahy | HASINIONY | Ry malalako any ho any
izay tsy mahalala akory
ireto andalan-kira ihany
mbola revo miari-tory
ao ambony pejy tonta
noraketin-tsy hipika
na dia vasoka sy rota
fa ao ilay fitiavantsika
sondrotr'aina sy efonefona
vao maraina mankadala
kanjo ampinga sady lefona
niarovana malala...
voaloham-betsovetso
nankafiza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraki-ny-avo/tsy-dia-izany-loatra | TSY DIA IZANY LOATRA | Sitrak'i Ny AVO | TSY DIA IZANY LOATRA
Lazainao fa adala
Na hoe : “Tsy mahalala,
Eny, mitotongana
Ka hany lasa fongana
Tsy manam-pahedrena “,
Dia midokatena
Dia hoe mabotry harena
Dia atao mamelotena
Na mbola kely aza
Misy aza mbola zaza.
Fa nahoana no nateraka?
Raha hita fa handreraka
Fa nahoana no navaoka?
Rehefa hanao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/sikileta | Sikileta | Skual | Anaka...
Inty no atao hoe sikileta
seza kely roa kodiarana
tandremo ianao mitetateta
fa tsy hay io raha tsy ianarana
Mety hamarina any an-kady
raha toa ianao ka zefazefa
mbola eto zahay mivady
hanoro anao ny trai-kefa
Any aloha atao ny maso
be ny fandrika, fantaro
eo ny sakana sy ankaso
Iry ny tanjona,tratr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraki-ny-avo/mpamosavy- | MPAMOSAVY !!! | Sitrak'i Ny AVO | MPAMOSAVY !!!
Raha sendra harivariva
Na koa efa hadivadiva,
Ny amin’ny folo alina,
Mba mahaiza malimalina
Fa Rafotsibe mijoko
No indro mitakoko
Miandr anao ambody hazo,
Mody hoe malazolazo,
Fa tsy fantatrao ny heriny,
Na ‘zay mety ho feriny,[aza]
Tsy ho tsaroany izany,
Fa eo antokoany,
Ny fotoanan’izy ire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraki-ny-avo/tsy-ho-zakanao | TSY HO ZAKANAO | Sitrak'i Ny AVO | TSY HO ZAKANAO
Tsy ho zakanao ,
Ny alahelo izay zakaiko,
Hatramin’izay ka hatramin’izao,
Ka mandehana sombinaiko.
Nefa, tandremo sao variana
Ny rendrarendra eto antany
Ka hanenina aoriana.
Izay ianao vao hanotany :
Inona no niseo ?
Inona no nitranga ?
Indrisy fa tsy mahaleo,
Sy hahafeno ireo banga. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/geja | GEJA | KIRIAH | Fa topy maso monja
Dia ampy namantarako
Ny fonao te hiteny
Anatiny ao mangina.
... Kanefa atao ahoana
Fa ferana ny tenany
Tsy hamboraka ny tsiarony
Sy tsy ariny hovolanina.
Toa fantatro sahady
Fa mafy ny fidobok'
Ilay tia fa zary moana,
Rarana tsy hanambara
Ny teny anaty miafiny.
Ka na hidradradrada
Hilaz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johary-j/fifonana | FIFONANA | JOHARY J | Hidera Anao aho anio Jesoa ô
hankalaza ny anaranao tokoa
fa be ny fitiavanao, mafy ireo izay nolanjainao
noho ny ota izay vitanay tety
Aza ny fahotan'ny fahatanorako
na ny ratsy nataoko no tsarovanao
fa aoka ho araka ny Famindram-ponao
no hatsiarovanao ahy
Noho ny fahasoavanao Yaveh ô
no nahatoy izao ahy
Hifo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izahay-angaha-no-tsy-ho-andriana | Izahay angaha no tsy ho Andriana | raozigasy | Rehefa ato an-tokantranoko aho, dia izaho irery ihany
Sy ny ankohonakeliko, no mandinika hatrany
Izay ampitso sy hoavin’ny fiainanay rehetra
Ka ny tsiambaratelonay, dia hainay ny mifametra
Rehefa eo anivon-kavana, eo indray ny fianakaviana
Mifampizara fitaizana, fifaliana, fahoriana
Dia miaraka mandinika, ny hoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/sentony-farany | SENTONY FARANY | KIRIAH | Miantsona any ho any
Ny sambom-pahafatesana
Mamela vetivety
Hiano-drediredy
... Raha toa ianao ka mety
Hanao veloma farany
EO anilam-parafarany
Hiaino ireo tantarany
Hitantana ny tanany...
Dia zay no sento farany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/janahary/hany-tsarany | HANY TSARANY | janahary | Fantatro tsara,
Azoko mihitsy ny tiany hambara
Kanefa lazao :
Fa lainga avy, hono, no hany renao
Kinga filaza, mahay manatsatso
'Lay olo-nitatitra, te hanakatso
Ny tohim-pitiava-niaraha-nigoka
Nanova ny mamin'ny rivo-nitsoka
Fantaronao kosa fa raha ny amin'iny
Handrava ny tsangam-pitia no nirîny.
Dia lazao az... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ity-nosintsika-ity | ITY NOSINTSIKA ITY | Fredy Jaofera | ITY NOSINTSIKA ITY
Ity Nosintsika ity
dia tany tsy zovina
fa maro mpankafy,
na toto-pahoriana !
Ity Nosintsika ity,
be harena fatratra,
na indro fa mandia
krizy be miraratra.
Ity Nosintsika ity,
nilamina hatrizay
ka ny mifankatia
no afa-mampiray.
Ity Nosintsika ity,
masina aok’izany,
ka isaory fa tabiha
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bary-hkiel/ho-avy-ny-maraina | HO AVY NY MARAINA | Bary Hkiel | Tsy ny fahoriana mahazo ahy
Sy ny ngidy laniko androany
No amelomako ahiahy
Ny @ny any aorinako any
Hoe: tsy hisy intsony ny hasambarako
Sy ny masoandro mba ho anjarako
Fa na marary aza ny foko
Noho ireo tsindry azo lena
S’ireo fandrika asoko
Amelezana ny tena
Dia tsy ho esoriko ao antsaina
Hoe: mbola ho avy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/alao-hery | ALAO HERY | fanasina7 | Ekena ianareo fa misara-toerana ;
Ny fifandraisana mihena…tsy ferana.
Inona anefa no tokony hatahorana ?
F’angaha ‘lay fitia tsy efa mafy fatorana ? !
Ianareo manaiky fa tsy maintsy misy ny sedra.
Ka inona no olana…ny fitia angaha voageja ?
Tsy ‘zay elanelan-tany, tsy ‘zay fahoriana
No sanatria hamadihana dina !... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/hitondra-anao | HITONDRA ANAO | fanasina7 | Hosoratako ato am-poko,
Hataoko tsara loko,
Ny anaranao tsy foiko,
Mba tsy hohadinoiko.
Hataoko tsara tefy,
Hataoko tsara fefy,
Mba tsy hahafahany milefa :
Tsy hitodihako amin’ny hafa,
Hanadinoiko koa ny lasa,
Fa hibanjinako « ilay kinasa »
Dia ny fiainana ao an-dapa.
Hifampizarana hasambarana,
Na dia hisy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/teboka-alalinina | TEBOKA ALALININA | KIRIAH | ... Adabodabony eto
isainan'ny rehetra
Ny kilalao an-kiafina iriany ho tarafina
( safoin'ny ankamantatra...)
... Tsy asiana an-kiera
Fa etsy ianao mitoera
Dia mikisaha kely...
Ny masonao mijery: aoka ho an'ny sofina
Ny vavanao miteny: aza avela hofonosina
Amin'ny lambam-panginana
Miraisa FANDINIHANA
Amin'ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/jininny-poeta | JININ'NY POETA | KIRIAH | .JININ'NY POETA
Aza lany andro misaina izay Antony
Sy mety ambangovangon'
Ny fiainany sy tanjony...
Aza be fitsara amin-kevi-tandrametaka
... Mamoromporon-dresaka
Manombana ny "Tsisy" terena ho "Zava-misy"
Fa...
Imamoy fotsiny
Ny zavatra soratany
Mivoaka avy ao antratrany
Mahahenika ny vatany
Dia...
Meteza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/nankaiza | NANKAIZA | fanasina7 | Nankaiza ny taratasy mba nifampitana
Ny hafatra, dina, …aloatry ny fo?
Toa mitsilopy, tsy hita mazàna :
Moa lany andro ve ?…Efa fomba taloha ? !
Nankaiza ny kalo niaraha-nisioka
No tsy re intsony ny kanto sy soa ?
Nisy namono sa ravan-tafiotra ?
Sa lany andro ve ?…Efa fomba taloha ? !
Nankaiza ny bitsika sy ten... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.