url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/izy-irery
Izy irery
AMN (Arialy)
Izy irery manko ka odiana tsy hita izy irery manko ka lazaina rano ritra izy irery manko hoe lasa kilalao izy irery manko ka atao an-kilabao izy irery manko no miady mafy izy irery manko no n miaina lany vatsy izy irery manko tsy jerena raha ory izy irery manko no indrisy tsy matory izy irery manko no ahilika f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/asa-aloha
ASA ALOHA
fanasina7
Tsy misy tsy naseho mba ho hitantsika …Lafim-piainana maro. Ka na volana tomaratra sy masoandro mibaliaka dia naseho mba hifangaro amin’ny tsetra sy tomany : ranomaso nijohika. Tantara tsy hay kosehina toy ny holatry ny hay No indro efa niainana. Raha izany no hosoratana, ho tonga boky iray : Dia ho vaka ny fis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yhardina/mbola-ho-tia
MBOLA HO TIA
Yhardina
Na ho rojoina vy aza ny tanako Ho rantsanana mihintsy Dia ny vavako mbola hiventy hira Hikalona ho anao ry tiana Na ho akombona sy paingorina Ity vavako miantsa Ny nifiko no hikatrakatraka Hiventy ilay fitiavana Na ho anjambaina aza ny masoko Eny, ho kapain-doha Ny foko mbola hiboika anaty Hibada ny anaranao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/janahary/iny-lalana-iny
INY LALANA INY
janahary
Rehefa izaho mandalo amin'iny lalana iny Fafazan'ereikerika mahalana fitaika, Miverina eo imasoko ny sarin'ny fahiny Isika roa 'lay miaraka mizotra, tsy mba maika. ... Iny lalana iny no hany sisa mitahiry Ny tsiaron-dasantsika izay voatototra any ho any, Lalana mahitsy sady tsy mivilivily Nodiavintsika an-tongot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/any-am-bohitry-ny-very
Any am-bohitry ny very
raozigasy
Mba tena Rahoviana hono, vao hatao ity fifidianana Fa efa tena sasa-miandry, izahay mpivarotr’anana Fa mba mety handeha ny tsena, ilay saringotra ho voasolo Rehefa voazara ireo akanjo, misy karazan-tsarin’olo Ireo mpiantsena teo aloha, angamba hiverina indray Fa mety hahazo vary kely, angamba hoe kilao iray Dia h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/janahary/anaovanny-foko-sonia
ANAOVAN'NY FOKO SONIA
janahary
ANAOVAN' NY FOKO SONIA Safidy nekeko tsy nisy mpanery Ny hiombom-pitia aminao ry lalaiko, Tokana ekeko f'ianao samirery No tompon'ny foko, ny vatako, saiko, ... Ny aiko, fanahiko! Malala ô, fantaro : Ambarako etoana ho ren'ny tontolo F'ianao no hany mamiko anivon'ny maro Tompon'ny amiko, tsisy mpisolo Andrian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/janahary/geja
GEJA
janahary
Fa topy maso monja Dia ampy namantarako Ny fonao te hiteny Anatiny ao mangina. ... Kanefa atao ahoana Fa ferana ny tenany Tsy hamboraka ny tsiarony Sy tsy ariny hovolanina. Toa fantatro sahady Fa mafy ny fidobok' Ilay tia fa zary moana, Rarana tsy hanambara Ny teny anaty miafiny. Ka na hidradradrada Hilaz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/iza-andriamanitra
Iza Andriamanitra?
Skual
Io Andriamanitra io ry zoky loharanom-pahasoavana Io no hery sady toky Andriamanitra fitiavana Sanatrian'ny resaka! aza dia manararaotra ka hataka no betsaka Mba mahaiza koa misaotra Andriamanitra ry akama tsy azonao takonana sy ininao hanotàna, avy eo mba mody ifonana! Izy anie ka mahalala izay sarotra fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/antsonao
Antsonao
Nofy2
antsonao ry Tompo nahatonga ahy nanaiky nanantona toy izao ‘lay nobitsihinao ny tenako hanakaiky Ny latabatrao Tonga angamba ny andro niantsonao ahy Ka izay no anjara Na dia natahotra aza ka tena niahiahy Sy nisalasala Dia tsy navelanao natosikao hatrany Hanoratra @ izay Mba ho katekomena manomboka androany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/hataoko-zany
HATAOKO ZANY
fanasina7
Raha mbola misy hery kely ahafahako mivàza Hiantso hoe miverena ianao…na dia lavitra aza : Dia hataoko izany ! Na misy aza henatra olona noho ny hambo izay nazera Raha izay no hifamerenana…hahasitrana ito tena : Dia hataoko izany ! Na amy taonina aza ny eso, latsa sy teny maharary Ka izay no hahafa-po anao…sy ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/fetim-pirenena
FETIM-PIRENENA
IaroMalala
FETIM-PIRENENA Andriamanitra ô!, Fa nahoana nge Ianao No manao tahaka izao Amin’ny “andro 26”…..e? Ny mijaly sy farofy, Mbola havelanao hijaly… Ny mpangataka,mangataka Fa tsy mba afaka mifaly…. F’angaha tsy mety raha ovàna Ny fenitry ny fari-piainana? Dia mba atao mitovy lenta Ny fombafomba sy fisainana? F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/eny
ENY
fanasina7
Hampakatra anao, ambony alitara No tarigetrako Ka aleviko lalina, tsy hamelako anjara Ny lasa ratsy rehetrako F'ianao no safidiko mba hiara-hizotra Hamakivaky ny fiainana F'ianao no efa tiako, amin'ny fo tsotra, Fo, fanahy sy fisainana. Ianao no ekeko hotolorako peratra eo anatrehan'ny maro Hanononako ilay vo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/sahy-ianao-lahy
SAHY IANAO LAHY
fanasina7
Sahy ianao lahy, tena sahy Mandainga ankitsirano sy mamitaka ahy Efa hitam-poko, hitam-pirenena 'Zato ditra sy tsy fahatsiarovan-tena Ananako porofo sy vavolombelona Porofo, tsy ho hadino, tsy ho levona Nefa dia sahinao tsotra izao Ny mandà ny fiampangana anao. Sahy ianao lahy, tena sahy 'Ngamba tena efa maty ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rio/mila-namana
Mila namana
Rio
Misy zavatra katsahiko hatramin'ny andro nahitako, fa totoran'ny mpandalo amin-tovona tatao... ...Dia: tatao iraisan-kina nifanaovan-teny miera, fa hanori-dala-masaka mba hizorana mankany! Ilay "mankany" 'tsisy tanjona, 'Tsisy fototra niaingana, dia irohotan'olo-maro varimbarim-pikasana Misy tiako hofongari...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-hanoratra-aho-androany-6374
Tsy hanoratra aho androany
raozigasy
Tsy hanoratra aho androany, fa haka saina kely aloha Fa aleo rahampitso hoy aho, ilay aingam-panahy vao hafoha Dia aleo mba hiandry kely, ireo Malagasy lasa zatra Mamakivaky an-dRaozigasy, sy ireo hafany mandratra Tsy hanoratra aho androany, fa aleo kely haka bahana Tsy ny vatoaratra no lany, na hoe ny vetso lany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-hanoratra-aho-androany
Tsy hanoratra aho androany
raozigasy
Tsy hanoratra aho androany, fa haka saina kely aloha Fa aleo rahampitso hoy aho, ilay aingam-panahy vao hafoha Dia aleo mba hiandry kely, ireo Malagasy lasa zatra Mamakivaky an-dRaozigasy, sy ireo hafany mandratra Tsy hanoratra aho androany, fa aleo kely haka bahana Tsy ny vatoaratra no lany, na hoe ny vetso lany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/azafady-a
AZAFADY A!!!!!
fanasina7
Azafady a ! Vita ve ny sitrapo vao hoe hitodi-doha? Efa be ny zava-bita ‘zay nitondranao kitra, Vao hoe ndao hifamerina isika? Azafady a! Mivoaha izato trano, ndao fa tsofin-drano Tongava taiza izato izy, tezao tsara ny ankizy Tsy mandatsa sanatria, fa ny tody anie tsy misy Fa ny atao no miverina, ka tsakoy rah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/ry-fanadinoana
RY FANADINOANA
fanasina7
Halako ianao ry fanadinoana, Tsy mety manjaka ato anatiko ato, Irony fahiny tsy tiako hotsaroana, Tsy mety voarava fa mafy toa vato. Mba mikosoka ihany ve ka ny tsara indray No tadiavina halevina mandrakizay ! Fa nahoana ny ratsy no avela hijoro, Hitondra adin-tsaina, efa mila hamono ! Halako ianao ry fanadinoa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/hameno-ny-banga
HAMENO NY BANGA
fanasina7
Rehefa trotraky ny dia sy ny asa sesilany Ka torovandrovana, ila handraiki-hitomany Aza kivy, mitrakà, fa na inona mitranga D'efa eto aho malala, hameno izay banga. Tambitamby, teny mamy, homeko anao mikararàna Safosafo, orokoroka, fitiavam-be midanadàna Ka ny raho mainty hisava, ny lanitra ho manga F'efa eto ah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/ekeko
Ekeko
Nofy2
Ekeko fa tsara sy manja ianao Raha mihoatra an’izay malalako izay Kanefa kosa tsy ataoko fanao Mamadika dina nifanaovanay Ekeko fa anananao ny harena Entina miatrika ny ho avy ao am-para Kanefa tsy izany no tsara jerena Fa tena fitiavana mangarahara Ekeko fa mety tena tia ianao Ary mibanjina ny fanambadiana I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fotsy-menamaitso
Fotsy, Mena,Maitso
raozigasy
Fotsy Vatom-pahanginana Ginam-pivokinan’ Ny feo tsy sahy avoaka Fahanginan’ny vahoaka Mena Redaredan-dio Natao hoe hanadio Nefa very maina Ilay vidin’aina Maitso Omalin’ny tontolo Ravan’ny bontolo Harena lafo vidy Tapitra namidy Izany sisa sary Miranga sy mibary Asehon’ilay loko Ka kepaka ny foko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hitako
Hitako
raozigasy
Hitako tan-jery teny rehetra teny Karazam-paka fy, ireny soratro ireny Misy miandry fotsiny, tsy ampy minitra iray Tonga dia mitia, sy mizara azy indray Hitako tan-dinika, tam-pamadiham-pejy Karazandrazan’olona, tsy mba mandeha mivenjy Fa mijery indray mandeha, dia mitia na tsia Ireo tononkalo miresaka fitia Hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/efa-fantatro
Efa fantatro
Skual
Piso a! Efa fantatro hatrin'ny ela anie ny teti-dratsindry e! Ireo teny mamy avy eo an-dela sy ilay maso mody tia! Fantatro aby izany izaho mihintsy no adala Mbola misisika eny ihany na dia atao anjorom-bala Efa fantatro fa vola no mahatonga anao hidola sy hifikitra aty amiko toy ny hoe indramiko ny fitiav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/nitohy
NITOHY...
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
NITOHY... Nanonofy anao aho Tamin’ilay alin’iny Raha tafaraka isika Tamin’iny fety iny Izaho aloha tsy nahalala Raha nilaza taminao Fa niteny tsotra ihany Hitadiavo namana aho Ianao nitsiky tsy namaly Fa nibanjina ahy malefaka Tsapako ho hendratrendratra Te hitsangana, hipetraka … Teny kely iray monja « ‘z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/fantaro-koa-fa-izay-tia-mahandry
Fantaro koa fa izay tia mahandry.
DotMG
Tsoriko amin-dria, fa efa hain'ny bandy hamboraka fitia, ilay mandadilady Mody miboredika, matahotra ny holavina Toa sambo efa ho rendrika, maniry mba hotiavina. Fika efa fanao, ilay mody nandranandra Ilay masony aminao, tsy sahy mivandravandra Mipitrapitra ihany, tsy manam-pahotana Fa lainga anefa izany, manafi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johary-j/raiso-antanan-droa-sida
RAISO ANTANAN-DROA
JOHARY J
Efa be 'reo fandinihana tsy vitsy ireo 'zay notiliana miha-mitombo ny voaratony ary efa maro 'reo nafatony Hoe: mba inona ary izany, manontany izato ianao aoka hotsoriko avy hatrany sao sendra mba adinonao "SIDA" ... 'lay mpanjakan'ny aretina tsy ahitan-tsoritra na pentina ireo 'zay efa hiantranoin'ity Bibidia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/diniho-ihany-aloha
Diniho ihany aloha
Nofy2
Zanaka: Avy ange ry neny ,hiresaka isika Angamba henonao sy efa hiara-mahita Atsy andrefan-trano misy tovolahy Milaza fa dia tia,mikasakasa ho ahy Hendry tena hendry tsy mpilalao vehivavy Toa izaho mihitsy aza ange no alainy vady Izany no lazainy tamiko omaly Izaho moa tsy niteny,tsy nahita avaly Fa izy aloha ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/miangavy
Miangavy
Nofy2
Andriamanitra o! Iny zanako iny Nilaozan’olon-tiany Omaly tahak’izao Raha toa ka tsinjonao Jereo fa bongo maso Noho ny ranomaso Ilay hany nofinidiny Nataony ho sarobidiny Potiky ny ankaso Andriamanitra o! Andeha nge mba zahao Fa mihidy an’efitra ao Tsy mety ny mivoaka Fa tampoka aminy loatra Ny loza naha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/ataoko-ahoana
Ataoko ahoana?
Nofy2
tsy fantatro intsony izay tena marina efa noezahiko ny mba ho takarina ny lohako fotsiny no lany misaina hoe iza tokoa no tiako alaina? Fiako ny atsy,mamy ny aroa Tantely ny hafa toa tsara avokoa Iza aminareo no anjara ho ahy? Raha izao no mitohy toa mampiahiahy Nareo telo lahy toa samy ao am-poko Moa tsiniko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ssss-aleo-rangah-
Ssss aleo rangah !
raozigasy
Aleo rangahy hilatsaka daoly Na ny mihaja na ny mpifoka moly Na ny mihevitra azy ho be saosy Na ny manao fitafy maosimaosy Aleo rangahy hilatsaka avokoa Fa samy te hatavy toa kisoa Na ireo efa mandrezatry ny bizna Na ireo paosy mbola ngizingizina Aleo rangahy hilatsaka izay vonona Na vaovao ireo na tsy mahay m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/rehareham-pahombiazana
Rehareham-pahombiazana
DotMG
Tsy trano tena raitra tsy resaka haitraitra tsy haingo tsara renty tsy fiara roa vaventy; tsy vola sesehena tsy izay rehetra harena tsy kara-"tany hanototra" tsy asa marim-pototra; tsy vady iray iadanana tsy ireo talenta ananana, tsy izay mba mety ho lazako ... no ataoko ho fahombiazako; fa tokana lalaiko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/saino-ihany
Saino ihany
Nofy2
Mba nosaininao ve ny fijaliany Fa ianao olon-tiany no indro mivadika ? Azonao an-tsainy ve ny fahoriany Fa ilay nantenainy no tonga namadika ? Ny fitiavanareo nitondrany am-bavaka Ny ho avinareo novetsovetsony Norarinao mba hilatsaka an-davaka Izany no setrin’ilay tao am-pony Nataony daholo izao rehetra izao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/aingam-panahy
Aingam-panahy
Skual
Miainga ny fanahy anefa hiainga ho aiza moa? Mamerina ireo tsiahy miresaka amin'ny ambiroa Mampisy ny tsy misy ho eo ambony taratasy mba ho kantonao f'indrisy Mangasihasy... Tsisy mihaino tsy misy maso mba miandany kanefa ange mba saino ireo peniko efa lany! Fa hiainga foana ny fanahy raha mbola misy tarat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/hafatra
Hafatra
Nofy2
Iny ilay MALALAKO iny,raha sendra tazanao Ka miaraka @ olon-kafa dia hafaro tahak’izao Ilay olon-tiany reharehany “iangaviany hono hoe ianao mba hanao izay hahasambatra azy Fa izany rahateo no efa niriany hatry ny ela Mitalaho koa hono izy mba tsy ataonao vazivazy Na kilalao ny fitiavany fa mba tena haharitra e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiry/sary-volana
SARY VOLANA
TSIRY
SARY VOLANA Io volana io, Raha manjohy ny any, Sahala ny aty Mba hiangaviko indrindra Mba hampita hafatra : « Diniho, banjino Raha mety dia fihino Izay teniny valio Ary hitsikio angolangolakely » Hampifanjohy antsika Fa… Raha sanatria tsy hita, Miseho ho be marena Tsy ho laitranao tenenina Dia, Ivilio, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiry/gasikara-mitomany
GASIKARA MITOMANY
TSIRY
GASIKARA MITOMANY Ry Gasikarako malala Mitaraina mitoloko Rerak’ity fahantrana Very sata sy voaloto Politika diso toerana No nanjary tompon-toerana Fitiavan-tena tafahoatra No naroso ity vahoaka Gasikara mitomany Ontsa feno ranomaso No fambara manambara fa Mafy ! mafy loatra ty an-kaso O ry raiko ao ambony...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tononkalo-mpanongam-panjakana-hono-
Tononkalo mpanongam-panjakana hono ...
raozigasy
Tononkalo mpanongam-panjakana hono Nefa aza io tsy misy zavatra ankifono Fa izay misy ihany no zarazaraina Dia ilay fijaliana mampinainaina Tononkalo mpanongam-panjakana hono Nefa ny ahy tsy misy resaka honohono Fa izay marina ihany no abariko Ary tsy misy akory resaka itariko Tononkalo mpanongam-panjakana hon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/alao-tahaka-6359
Alao tahaka
raozigasy
Herintaonam-pitondrana, dia voaongan’ny tanàna Fa tsy zakan’ny vahoaka, ilay fihenjanan’ny lalàna Herintaona dia nipoaka, ilay politika diso lalana Fa natsipin’ny tontolo, ilay filoha tambony ankalana Dia gaga anao ry Ejipsiana, izany ahay mba tena ohatra Faka tahaka sy mety, tsy mba politikan-tohatra Fa mandio n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/wistful_girl/bira
Bira
just_a_dream
Aty antany lavitra aho, no manembonembona Ilay tanàna kely, izay nahitana fahasambarana Mbola tadidy avokoa, na dia taona maro lasa izay Tsy ho adino nahoviana, ianao ry bira maminay Nahitana fifaliana, sy fahatsiarovana tsy lany Nahitana ireo namana, tsy ho adino any ho any Tsy izaho irery angamba, fa ireo rehat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/tsy-holazaiko
Tsy holazaiko
Pissoa
Tiako ianao fa tsy holazaiko Na amin’ny masonao nitopy, ilay mangalatra fijery Na amin’ny tsikinao tsy tana isaky ny mifanena Na amin’ny tananao niatsampy, ka namihina amin-kery Na amin’ny molotrao nibitsika fa mbola miandry, manantena … Tiako ianao fa tsy holazaiko Na amin’ny masoko manjohy ny fihetsikao rehetra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/wistful_girl/nosoloinao
Nosoloinao
just_a_dream
Nilaozan’olontiana, mahatsiaro tena ho irery Mahonena sy mijaly, toa mafy izany manjo Nanantena fahasambarana, kanjo alaelo no nianjady Ilay fitiavana nianteherana toa tsy nahitana vokatsoa Raha mba fantatrao manko fa mila hipoka ny ao ampo Mahita anareo roa, miaradalana sy mifankatia Nomenao azy mantsy ilay toe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kalasoa/fanjonoana
Fanjonoana
KALASOA
Izaho dia bandy tia vehivavy Nefa tsy mety mahazo ny tsara sy favy Fa tsy misafidy aho na mahia na matavy Na farafaharatsiny mba sarimbavy Ka izany no hiezahako mafy Ikarakarana tarehy sy fitafy @izay mba hazaka ny tsara sy tiana Korontana lava eo ambonin'ny fandriana Ka iza @ nareo no mety ho anjarako? Ho amp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiry/ikala-soa
IKALA SOA
TSIRY
IKALA SOA Ela niandrasana, ela nirina Ka tojo tokoa, tojo ny tiana Dia faly ny saina, ravo ny fo Tiako dia tiako, tiako i Soa I soa no anarany, ho ahy ny tantarany Kanto sy meva ary tena faneva Ny bika, fitafy hatramin'ny fanahy Tambatra kanto, natokana ho ahy Manja ka manja, manja an'izany Nahatonga ahy hise...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/fantaro
Fantaro
Nofy2
Rehefa izy izay no tena be safary Milaza ny fitiavany ka tena be kabary Ambarany eo daholo izao rehetra izao Raha izay no miseho ipitsiho,ialao Tsy vokatry ny fony fa mety hilalao Angamba mety hisy tetika adiny ao Rehefa izy indray no mandoka tena Miseho tena ambony ho manan-karena Ka izany indrindra no ilazany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiry/poeta
POETA
TSIRY
POETA Fa tsy ho fantatrao ny tombany Na zay mety mombamombany Tsy ho tsapanao ny fatrany Sy zay rehetra mety ho tanjany Eny, Ho sary mazina aminao Fa ny endriny mangina Nefa toa misary ihany Misiterim-pifaliana Nefa izao no tadidio Fa ny bitsikin’ny fony Na dia teny iray aza D’efa ampy hanehony Zay rehetr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/demokrasia-malagasy
Demokrasia malagasy
raozigasy
Demokrasia malagasy Tsy nianarana tan-dakilasy Fa mokon-dohan’olon-dia Zara raha mahay abidia Demokrasia malagasy Tsy nisy lesona an-taratasy Fa fisainana lo sady ngizina Ts’isy resaka afa-tsy bizna Demokrasia malagasy Tsy hita hoe misy “place” Fa resaka eo am- baravy Bontolo-mpanao rugby Demokrasia Malagas...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fitiavanolombelona
Fitiavan'olombelona
raozigasy
setrin'ny tononkalon'i kiriah hoe "noheveriko fa lasana.." Noheveriko efa foana Sy taloha efa nimaona Ilay lamba landin-tsaona Namonosan-devina Ilay fitia mpampievina Nototofan-tevina Hay mbola tsy nety rotika Tsy rimbina na potika Ka zaho no saika lotika Nahita famadihana Sary tsara fihina Avelo nokitihin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njarakelly/taratasy-ho-azy
Taratasy ho azy
Njarakelly
Telma mora, fun 15, sms samy efa natao, fa toa zara raha maharesaka dia lany fahana ity malalanao, koa dia naleoko nandray penina sy taratasy, ka dia hanoratra aho ary tsy hiafiafy. Ka inona àry ny maresaka sy vaovao? Salama tsara ve aloha ianao? Zaho aty mangigina, malahelo sy manembonembona, Tsy sasatrin’ny ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avana-ramanantoanina/resa-panahy
Resa-panahy
Ny Avana Ramanantoanina
Hariva ny andro, ny alina tamy Ny haizi-mangina miada misoko Ity misy resaka mamy dia mamy Manasa anareo, manasa ny foko Mba hono ry vola-mazava zary Anaty ny lanitra lavitra ery Fanilo mitopy malefaka soa Mba mahavariana ny masoko roa Ity no mba hataka ataoko aminao Ny haizin'ny foko avia mba savao Esory hia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/teboka-telo-
Teboka telo ...
raozigasy
Teboka telo, Tantara atohy Ny omaly no vita, ny taloha no afoy Ny lesoka diso, ampaleso sosohy Ny lavaka banga, totofy, fenoy, Teboka telo, tantara mitohy Ny tranga androany, no kolokoloy Ireo ahitra ratsy, ongoty vonoy Ka tsy ho ela ireo voa dia hamoy Teboka telo, tantara hitohy Ny hatao rahampitso, androany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/efa-mazava-be-leitsy-ny-karatra-a-
Efa mazava be leitsy ny karatra a !!
raozigasy
Efa miparitaka mivaky tady Sy mihitsoka lalina latsaka an-kady Efa tsy ho tafavoaka ity vavahady Na inona na inona atao sarin’ady Efa vita matavy ny ampitson’ialahy Izay no voasoratra hoy ry zalahy Mandeha mipitsika fa midegà Dia any amin’ny sisiny indray mitogà Efa vita ketsa fa tsy misy fika Tsy mety amin’ia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hangina-aho-vetivety
Hangina aho vetivety
raozigasy
Hofotsiako fahanginana ny taratasiko androany Hampanginiko ny teniko, ny vazavaza ajanoko any Hakomboko ny basivava, hofeheziko ny foko Hozairiko ny hatezerana, ny ompa anaty aleo hioko Fa hiezaka aho ny hanontany, sady hanao dian-tana Inona mihitsy izany, no fety atao eto an-tanàna Tsingerin-taonam-pirenena, sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/breacksong/hanoratra-aho
Hanoratra aho
BREACKSONG
hanoratra aho hanoratra ho anao! saingy aoka mba hajaina izay antony anoratako tsy homeko an'iza na olona mangataka fa ho anao ireiry ihany aoka lahy mba hifanaja amin'ny zavatra atao fa zay teny kely izay no hanoratako ho anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/iza-ary-izany-
Iza ary izany ?
raozigasy
iza ary izany, izay mahay maminany manao resaka varo-bilany amin’ny fisainana ambany dia ambany lomorina sady mirefa amin’ny tany miseho mandrimandry, nefa manana aretina ka sehoseho ivelany, no paika mba entina kanefa ny fery sy vay ao anatiny efa lo tanteraka, sady tsy tantiny iza ary izany, izay mahay mamina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nandalo-teo-analakely
Nandalo teo Analakely
raozigasy
Tohin'ny ainga sy loha-hevitr'i Princio tao amin'ny FB Nandalo analakely, dia nahita demozely ; tsara toy ny anjely, Dia nanara-maso, saika hanao andraso, fa sao ho eny ankatso Kanjo voaharika, sy nahazo remarika, fa tsy bandy fitarika Kanefa tsy niala maina, fa nampiasa saina, fa tsy te hangaina Dia nanarakaraka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/elabe-rangahy-
Elabe rangahy ….
raozigasy
Elabe rangahy f’andao hirotaka Aleo ny vahoaka no hanao ambotaka Handray ny andraikitra sy ny adidy Fa izy ireo nge no tompon-tsafidy Elabe rangahy f’andao higrevy Aleo ovaina amin’izay ilay revy Mivondronà ianao Ramalagasy Fa izay be ihany ange no basy Elabe rangahy f’andao hilahatra Aleo ny zava-drehetra ats...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mikalo/lay-andro-iray
'Lay andro iray!
Mikalo
Nihainga tao an-trano ny maraina! Tsy nisy eritreritra hoe hitady olo-tiana! Izy koa nihainga tao an-trano ny maraina! Hoe handeha hianatra ka hamita fanadinana! Tsy misy mahalala! 'Lay andro iray! Tsy misy mahatana, Rehefa tonga izy dia 'zay, Nisy andro iray, Efa voasoratra hoanay, Tany andro, tany taona! T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mija/fahaleovantena-hoe
Fahaleovantena hoe?
Mija
Efa an-taona firifiry no niandrandra FANDRESENA? Dimapolo taona lasa izay no hoe FAHALEONVANTENA kanefa inona akory!!! Amin'izao fotoana izao : fanandevozana no misy fa amin'ny ENDRIKA VAOVAO.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vola/lay-andro-iray
'Lay andro iray!
Vola
Nihainga tao an-trano ny maraina! Tsy nisy eritreritra hoe hitady olo-tiana! Izy koa nihainga tao an-trano ny maraina! Hoe handeha hianatra ka hamita fanadinana! Tsy misy mahalala! 'Lay andro iray! Tsy misy mahatana, Rehefa tonga izy dia 'zay, Nisy andro iray, Efa voasoratra hoanay, Tany andro, tany taona! T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/gasikarako-feno
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tam-pihaonana-tsinahy
Tam-pihaonana tsinahy
raozigasy
Ho setrin'ny tononkalon'i kiriah hoe "Fa manko ny SATRIA zay mpamaly ny NAHOANA" Tsy hiteny izy hoe satria, na hilaza hoe izao no antony naharendridrendrika azy, tan-tsafononoky ny hakantony fa tamba-tranga maro loko, no vovo nahalatsaka azy tao ny tsiky, tao ny bika, tao ny lefa-bazivazy ka raha nosandainy ireo, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/makamba
Makamba
DotMG
Indrisy ry Gasy, fa vahoaka jamba Ireo tsy tia foza, mirevy makamba Ny fenitra arahiny no tsy mitovy Fa ny ankoatra izay dia ity no tsarovy: Na krevety io na patsa na foza Tsy misy hantenaina: atambo sy loza Handrodana ianao dia hametraka an'iza Handeha hotantanan'ilay mamaliza? Ny lohan'ireny dia feno ny loton...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/efitra-telo
Efitra telo
Skual
Tahaka izay aho mba nikiry sy nilofo tamin'ny penina Izao ity mangirifiry noho ny kaikitry ny nenina Ilay vitatsika indray mandeha no voavoatra ho tambaviko tsy naharitra ela be fa hamotika ny ho aviko. Faniriako rahatrizay ny ho lasa injeniera Izao voazeran'ny kibay ka dia lavo,nianjera Ny "bac" efa akaiky...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/efa-ampy-izay
Efa ampy izay
raozigasy
Misy fotoana natao hahanginana, Misy fotoana natao hitenenana Ny andraikitra raisina nefa tandremo, sao diso lanja ka mety hanenenana Misy fotoana natao hanekena, misy fotoana natao handeferana Ny mandefitra lava anefa tsy mety, ary tsy maintsy asiam-piheverana Misy fotoana natao hisainana, misy fotoana natao handi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/na-patsa-na-foza
Na patsa, na foza
raozigasy
Ho setrin'ny tononkalon'i Dotmg hoe "makamba" Na patsa na foza , krevety, makamba Izao no lazaiko anao tsy mihamba Ny habeny fotsiny no tsy mitovy Fa ny ao anatiny dia poak’aty sy ovy Ary raha vao hantonina kely aza izy Dia misitisity izay tsy izy Mihevitra azy ho tena favori Kanefa tsy misy olona iray izay mba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/ho-anao
Ho anao
Skual
Ialako tsiny aky ry neny raha taratasy no tonga any Satriko hiantso ombieny ombieny fa ny fahana efa lany Inty fehezan-tononkalo omeko anao tsy misy fetra Satria ny tena no mandalo fa ny soratra mitoetra Raha ny amiko indray angamba diso fantatrao Fijaliana mahamay isan'andro lava izao Miventsoventso velon-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfra/meteo
METEO
rfra
METEO Taitra aho raha nahare Izany feo mandeha Mihodikodina etsy sy eroa Tsikarotro , ihany Ilay fomba fijery sy fiatsaram-belatsihy Tena mahagaga Dia mitantra , ilay feo Ka lasa mandratra sy mankaleo Hay , tsy inona fa Fanenjehana sy fanaratsiana Tsapako ihany , fa fialonana izany Faraniaina RAKOTOARIVEL...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/hafatra
Hafatra
Skual
Ô ry vorona mandalo! mba lazao ilay olon-tiako ity mba misy tononkalo ho mariky ny fiafiako Ambarao azy tsara fa ny fitiavako tsy ritra dia mianara hono tsara ialao ny revy sy ny ditra Tsaroany foana hono hoe ireo oroka sy rotsirotsy sy ireo fotoana mamy be isaky ny Sabotsy Tsy misy intsony anefa izany fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/inty-aho
Inty aho
Skual
Fa maninona ianao no manjombona ry tiako? Moa ve tsy fantatrao sa tsy tsapanao ny fisiako? Inty aho ho anao mbola vonona hitia hitondra hery vaovao hampifalifaly an-dry Izaho sy ianao mifankatia no paradisa eto an-tany ka na iza no tsy tia tsy ahoantsika izany Raha izay mpankahala aza ataonao mampahory Mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfra/ny-vady-aman-janako
Ny VADY AMAN-JANAKO
rfra
NY VADY AMAN-JANAKO Mamiko ny vady aman-janako Nokoloiko ary koa notiaviko Nampahereziko amin'ny hevitra rehetra Isan'andro sy ny ho avy rehetra Mamiko ny vady aman-janako Harena izay ho tarafin'ny taranako Dia ho jiroko sy mbola ho faniloko Mibaliaka amin'ny andro handehanako Faraniaina RAKOTOARIVELO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yhardina/ekeko-tsotrizao
ekeko tsotr'izao
Yhardina
Ataoko ahoana no fandà Rano ho sotroina Raha efa nikiriako mafy Nandaniako ron-doha Ny ahitako loharano Iboiboika ao am-po Ataoko ahoana no fandà Fiposahan'ny masoandro Raha ny niainako hatrizay Aizin-kitroka miaro Oram-baratra mikija Lavitry ny hazavana Raho-mainty no mba hita Ataoko ahoana no fandà Saka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/indrisy
Indrisy
Skual
Indrisy mantsy ry vintana! ity mahazo ny mpanomponao misy fery tsy mety ho sitrana manaintaina ao anatiko ao Notsaboiko fa tsy mety ho afaka Niafiko fa toa tsy nanjary Areno aho fa tena solafaka sitrano aho fa tena marary Ny anjara izay nantenaina dia navela ho lovan'ny hafa ka ny bozaka isisa isaina ihomehe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/miomna-ry-firinga-mievotra
Miomàna ry firinga mievotra
raozigasy
Miomàna ry firinga mievotra Very fanahy mbola velona toy ny valala voatango Nasian’ny amboakely tiana, Tamin’ny teny mandango Tratran’ilay mampandry adrisa, sy ireo lango malefaka Taraiky vao tonga saina, ilay angola efa nivadika tefaka Tena tapi-dalan-kaleha, toa sokina nanani-bato Kanjo diso ny teti-panorona, f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andy-rebabe/zaramira-hoe-
Zaramira hoe ?
Andy Rebabe
ZARAMIRA HOE ? Etsy an-kodimirana, toloko lavarenin'ny tsy manana atokona ka ny lalankaniny mikitrana mivonkona midinitra sahirana... mitankizin-dava ny anjaramasoandrony fisitrihan-dava ny fiainam-bandrony Satria minia jamba ireo madiolamba natao hamaha ny olana... ...ka toa misolantsolana raha mba miteny ke...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/ho-avy-aho
Ho avy aho
DotMG
Malala ô, Ny zanatsika roa, ampatorio aloha, fa te-hahita an-dria aho. Ny entana sy trano Diovy, sasao rano fa te-hahita an-dria aho. Ny rano omano am-patana hifampandroana vatana fa te-hahita an-dria aho. Malala ô, Ilay varavarana io aleo hitafitafy Hidirako io anio F’izaho tsy hihafihafy. Tsy adanadana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/masiso-loatra-ianao-ry-zanako
Masiso loatra ianao ry zanako
raozigasy
Masiso loatra ianao ry zanako Ka tsy nety izato tanako Raha tsy mandrakitra an-penina Izany hafaliana tsy hay tenenina Ilay feonao rehefa mivavaka Na dia mitelina voambolana Mibadabada fa miavaka Tonga dia adino ny olana Ilay fihetsikao rehefa mihira ka mampiandry kely andraso Na rehefa mitantara arira Mampa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yhardina/sitrako-ry-tompo
sitrako ry Tompo
Yhardina
Sitrako ry Tompo Eny,sitrako hatrany Ireo zay nosoratanao ho ahy Ho diaviko eto an-tany Fantatrao ny faniriako Ireo nofinofy ato am-poko Ka na igokako ranomaso Mbola sitrako ry Tompo Fa Ianao no mahalala Izay tsara mahasoa Aminao ny fahendrena Ka izay tinendrinao ho ahy Ankasitrahana, ekena Fa na ho mora n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikala/-teny-gasy-
' Teny gasy ?"
Ikala
Ny teniko mamy, tsy fahare eran-tany fa toy ny mozika, tena misioka ! Manaitra tokoa, tsy manam-paharoa, fa toa bitsibitsika toa ritsodritsoka ! Miangolangola… milantolanto… izany izy izany ! moa va tsy kanto ? Ampiko indray koa ny teny hoe « ‘nareo roa “ sy ny teny hoe “fitia” ary ny hoe “ ho doria » ! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfra/finaritra-aho
FINARITRA AHO
rfra
FINARITRA AHO Finaritra aho , satria Mbola misy ny masoandroko Izay manokatra ny dia Sy miandrandra isan'andro Miramirana , indray Ny manodidina rehetra Fitahiana mahasoa Isaorana anie ny tsitoha Ilay , Avo ao ambony Dia tsy mba hitony Izay mino ny finoany Tsy ho very intsony Faraniaina RAKOTOARIVELO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/ho-avy-aho
Ho avy aho
Skual
Ho avy any aho rahampitso f'aza mihetsiketsika ao tsy hitoraka fanitso toa izay efa fanao... na haniraka ankizy mbola revo milalao Fa hanaraka ny fomba Ny fomba amam-panao! Tena ho avy aho aky malala ka hosory diloilo tsy hiafina any an'ala feno lavaka sy tsilo... na hisioka lavareny eny lavidavitra eny F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hatraiza-no-faranity-revy-ity
Hatraiza no faran'ity revy ity
raozigasy
Hatraiza no faran’ity revy ity Ary hiitatra hatramin’ny rahoviana Fa ny olona rehetra hatraty Paris Efa mivary raraka be manakiana Sa atao resaka “feu de l’amour” Tsy hita mazava fa miodina eo ihany Ny vahoaka anefa mangovi-mijoro Sy efa mitrongy mandady amin’ny tany Hatraiza ny fefin’ity revy ity Ary hiova r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vialy/ho-avy
ho avy
Vialy
mbola ho avy indray andro any hifanena indray ny fo mivadibadika ny tany aza kivy,mandrosoa lavitr'ezaka ny dia be ireo olana handalo ho tojo ahy, tsy sanatria haizim-pito hampimalo... aza kivy ianao malala ilay anjely ho anao toy ny oram-panala hamando ny tany karankainao... tiako ianao, kanefa indrisy ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/izy
Izy
Skual
Izy lesy ilay olon-tiako sady efa ela no niriako ary izy no nofidiako mba ho ankanim-pifaliako Ny masoko vao mijery dia izy, izy irery eny na dia hamela fery sitrapoko io fa tsy an-tery Na orana mifafy, na rivotra migafy na amin'ny mora na amin'ny mafy sanatria raha ny hampirafy Na ho mamy na hangidy efa i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/mifona
Mifona
Skual
Tsy misy zavatra miafina fa efa fantatrao daholo efa azonao tarafina ny ao am-poko manontolo Ireo fanerena, fialonana sy ireny teniko ireny dia asetriko fifonana ifonako ombieny ombieny Marina fa tiako ianao tsy azo lavina izany anefa raha tsy sitrakao dia avelao hivalona any tsy ifanerena ny fitia sady ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/sida-dangereux
SIDA DANGEREUX
AORN
Tsiritsiritsiritsiritsiah (2 x) Ty misy resaka tiana ambara Ka manasa anao mba hihaino tsara Tsy anganongano na honohono Fa tena mandrava ary koa mamono Raha sendra ka tratrany dia mamay Fa tena aretina manafay Tsy misy fanafany hatram’zao K’aleo de mitandrina zah sy ianao Kidaombaramitak dom dah Areti-mandoz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sadc
SADC
raozigasy
SADC sadika Isan’andro miova fika, tsy hita izay hoe marina Resa-be itarina SADC sodoka Asa mila doka Ka toa tsy hita matotra Izay vahy enti-mamatotra SADC sa “daka” Tondrozotra ts’isy faka Fa misy misabaka ka mampilakalaka SADC , eny e Resaka mampihomehy Fa tsy hita izay mandeha fa mifanabe tarehy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/tiako-ianao
Tiako ianao
Skual
Tsy miavona aho fa... rehefa ianao no sendra tazako midoboka ny foko mihidy koa ny vazako tafiondrika, manjoko Tsy zakako ny mijery ilay masonao manjelatra miantefa ety amin'ny tavako, fa toy ny misy hery manjopiaka toy ny tselatra manampina ny vavako Eny,miantso ianao indraindray dia modiako tsy jerena fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/langilangy
langilangy
raozigasy
Tononkalo ny ahy no mba langilangy Mitoraka anefa tsy mahadangy Entiko mikiaka an-katezerana Ireo haratsiana tsy haiko ferana Tononkalo no fitaovana mba fiadiako Amin’ny ratsy sy rikoriko Mahamenatra sy manala Baraka Fa efa homamiadana lalim-paka Tononkalo no ataoko tifi-bariraraka Ka mitaona anareo re ndao mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tolom-panafahana
TOLOM-PANAFAHANA
AORN
Totoina toa tsy resy Kapaina tsy milefy Fa toa mahazo vahana Ilay tolom-panafahana Darofana, mijoro Jinjaina tsy mikoro Dia ampandriana adrisa Vao miha-mitombo isa Kiviana fa tsy ketraka Aroana toa mipetraka Volena tsaho sy fitaka Vao maika koa mifikitra Fa iza loatra ireo No tsy mba mety leo? Sa olona vo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/ankamantatra
Ankamantatra
DotMG
Dia tsy hitan'ialahy ve ny fanalahidy manafina ilay sekere sarobidy? Ny rima kanefa nataoko nitafy ny anaran'ireo lehiben'ankolafy. Vereno vakiana im-pito, im-balo Ny andalana rehetra amin'ilay tononkalo. Dia fakafakao ihany koa ny tsipelina Fa ho hitan'ialahy eo ilay vavan-tonelina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mijoroa-ry-lehilahy
MIJOROA RY LEHILAHY
AORN
Raiso zao ny andraikitrao mirosoa ianao tanora Aoka izay ny andraso andraso f’efa tonga ity lay ora Aza miandry ny ho baikona vao mahatsapa ny adidy Mijoroa ho lehilahy na ho mamy na mangidy Ianareo zay mahatsapa ho lehibe sy efa matotra Saingy tsy afaka manoatra noho ny tahotra mamatotra Mitafia lay herintsai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-kivy-tsy-ketraka
TSY KIVY TSY KETRAKA
AORN
Tsy kivy tsy ketraka isika ranamana Fa mila misento sy mba maka bahana Tsy avela ho raraka ilay nitolomana Fa mbola tsy lavo ny ary am-bovonana Raha mbola mijoro dia manana adidy Hanohitra ireo izay nanosy safidy Ka raha mbola misy ny aina ry akama Tsy very tsy akory ny Fanantenana Tsy kivy tsy ketraka isika ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hiverina-aminao
HIVERINA AMINAO
AORN
Ifonako Aminao ry Ray ity toetra sy kilemako Fa nanjavozavo loatra izato lalana nalehako Mbetika toa mahatsiaro, mbetika toa manadino Rehefa tojon’ny ankaso; nefa hoe mba tena mpino Rehefa tojo hafaliana, ka miramirana ny fo Tsy mahatsiaro Anao ny saina fa te hampiasa ny ao an-doha Dia falifaly miramirana, ary ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/noely-miavaka
NOELY MIAVAKA
AORN
(Zanaka) Neny oh! fa andro inona androany? No manao akanjo vao Sy mamoaka kilalao Ry Benja kely atsy avaratra… Sady nisy feo mozika Tabataba, kiakakiaka Nandritra ny alina tontolo? (Reny) Krismasy leisy ny andro ah! Lay nahaterahan’I Mpamonjy Tany anaty tranon’omby Roa arivo taona izay! De mifety ny rehet...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/allo
Allo!
Skual
- Allo! - Allo! - Izao ianao ve vao mandray? - Ka mbola tato dadanay - Tsy ao intsony izany izy izao? - Mbola ao fa miafina aho! - Ialako tsiny aky "cherie" fa tena tsy afaka aho ilay omaly Tsy hoe nametraka an-dry na koa te hampijaly fa ny kotroka nipoaka, ny orana be loatra dia bedy aho raha mivoaka ka t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tofoka
TOFOKA
AORN
Tofoka aho, F’efa leo ny tsisy lava, Sy misambotra amin’ny hafa Mba hitady izay ho harapaka Fa isan’andro izao dia tapaka, Tsy misy atokona am-bilany Fa tsisy hamidy ho am’izany Reraka aho, Fa isan’andro lava izao Tsy misy zavatra azo atao Afatsy ny mitanitanina Mikaro-dava izay mba hohanina Am’reo izay man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njarakelly/efa-niova-ny-fahiny
Efa niova ny fahiny
Njarakelly
Endrey re ankehitriny izato ianao, Fahiny ianao tsy niraharaha izay mba tempo an-tratrako ao, Ilay fiarahanatsika aza zaranao mihitsy nofaranana, Satria ianao nahita olombaovao mba ho tiana sy hiatsapazana. Dia lasa ianao, f’izao tavela irery,toa zaza narian-dray sy reny Nefa niezaka aho hitraka ka mba sitrana i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hanao-facebook
Hanao facebook
raozigasy
setrin'ny rindrin'i Tsiahy Andrianina tao amin'ny fb Raha toa ianao mila hafanana : Aza matahotra fa ho avy aho tsy tana Hitondrako radiatera Sy consomme atsasaka vera Raha toa ianao mila teny mamy Dia ho avy aho io handeha ho any Hitondrako boky feno citation Ao amin’le oui sy le bon Raha toa ianao mila kal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hiady-ho-anao-ry-tanindrazako
HIADY HO ANAO RY TANINDRAZAKO
AORN
Fa mbola hanoratra ny tanako Fa mbola hiteny izato vavako Hitaky anao ry Fahafahana Raha mbola misy Fanjanahana Mianjady amy Tanindrazako Izay hilevenan’ny taranako. Fa mbola hikiry koa ny sandriko Na be na kely sisa androko Hitaky anao ry Fahendrena Fa be ny tsindry hazolena Efa an-taona maromaro Nifanesy s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skual/mahereza
Mahereza
Skual
Ny fahitako anao marary voaratran'izy izay no...nanoratako diary hampahery anao indray Satria namako ianao ny manampy anao ko zoko Fa izay marary anao dia manindrona ny foko. Ny fonao manontolo no natolotrao ho azy tsy atakalo, tsy hay hasolo, tsy kilalao na vazivazy Izy koa namaly am-bava sy nilaza ho ten...