url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-irery
TSY IRERY
AORN
Tsy irery akory ianao Na farahidiny aza Lazaina ho resy lava Ny tomban-jerinao Tsindrian’ny manankery ka lasa teritery Ny tolo-kevitrao Alain’ny manantsaina Ianao no very maina Ny Harena mba voahangona Nalainy an-kasomparana Nataony ho famaharana Dia io ianao fa kivy Tsy manan-kantenaina Ka toa voasingotr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/aina-nafindra-album-sangodina-rapha%C3%ABl-spartacus
AINA NAFINDRA ( ALBUM SANGODINA ) Raphaël Spartacus
NY Andri-Fara
AINA NAFINDRA Tsy mbola feno heritaona akory Izao no nahatongavanao, Kanefa hita sasa-miandry ; Na i Dada na i Neny..., Na ireo tsy mbola hitanao ; Fa hiara-hamakivavy ...; Izato fiainan-tsarotra Tsy maintsy ho diavinao . Sanganehana ny foko Nangovitra ny tanako. Raha nandray anao ry Aiko ; Tsy tanako ny ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/eric-dgp/anaka
Anaka
eric dgp
Anaka raha miresaka aminao amin'ny alalan'ity rakitsoratra ity aho anio Izany dia mba hahafantaranao fa misy ny rainao ary eric no anarany Nalahelo aho hatramin'ny nisarahanay sy ny reninao Naha tonga anao toy izao Tsy nahita anao aho nandritra izany fotoana izany ka nalahelo aho latsa tomany Tsy aiko ianao any s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mpiandry-omby-volavita
MPIANDRY OMBY VOLAVITA
Fredy Jaofera
MPIANDRY OMBY VOLAVITA Mpiandry omby volavita tsy tompony fa mpamerin-doha ; misaotra tamin'izay vita no atolorra anareo eto aloha ! Mpiandry omby volavita, tsy mitombina loatra ny saina, na dia tokony hahatafita raha tsy maintsy tantaraina. Mpiandry omby volavita, very fotoana be fandaingana, nisasatra ihan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/hafa-ianao-ka-hafa
Hafa ianao ka hafa
Randja
Hafa ianao ka hafa rehefa isika miara-mitafa miangoty ianao raha miteny nambabo ny foko izy ireny Hafa ianao raha mibika ampian'ilay endrikao sariaka manintona ny maso mba hijery izato hakantonao tsy miery Hafa ianao raha mamindra f'ianao no lafatra indrindra mampifoha ny foko izay matory mampisinda ny adin-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fambara-orana
FAMBARA ORANA
Fredy Jaofera
FAMBARA ORANA Fambara orana ny kotroka miraona, fo mangorangorana no manjary mitaona. Fambara orana hanakotsa ny tany tsy hita hanolorana izay tsiky eny izany. Fambara orana hiaina ato an-trano tsy azo anasorana ny sento ka tazano. Fambara orana handefa eritreritra, ny sedra nizorana dia hanova hevitra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/tsy-kisendrasendra
TSY KISENDRASENDRA
Nic Coper Ofisialy
Tsy kisendrasendra, fa lahatrin'ny fiainana, Ny fihaonantsika, sy ireo zavatra efa niainana. Tsy kirendrasendra, fa tantara efa voasoratra, Fa ianao no hanasitrana, sy hanaisotra ireo olatra. Vatany vao hitako, avy hatrany dia efa aiko, Fa ianao no ho silako, ho fanampin'ny fanahiko, Ho famenon'ireo banga, izay t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/ho-anilay-nivadika
HO AN’ILAY NIVADIKA
Nic Coper Ofisialy
Je t’écris cette lettre aujourd’hui Pour te dire ce que je n’ai pu te dire depuis. Si Nous sommes arrivées là en ce moment C’est à cause de mes défauts sûrement ka Ho raisiko ny adisoana, satria izay no hitako mety Ary hilavo lefona aho, manaiky aho fa resy Tsy hiaro tena akory, na be ny azo ambara fa ny ranomas...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/efa-ratsy-teo-imasonao
EFA RATSY TEO IMASONAO
AORN
Tononkira fifonana fa azo vakiana mandritra ny vavaka ihany koa Efa ratsy teo imason’izao tontolo izao aho ry Tompo, Moa ve Mbola ratsy imasonao koa? Nahavita nanalavitra anao aho ry Tompo Moa Mbola mendrika ny ho jerenao Tompo o! mamindra fo amiko Nanao ny hadisoana teo imasonao aho ry Kristy Moa ve Mbola isain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mamela-ny-hadisoako
MAMELA NY HADISOAKO
AORN
Ato anaty tebiteby, No anolorako ito vavaka Aminao ry Ray malalako Mila haningotra ny aiko Reo adin-tsaina tsy an-kanavaka Maha-kotsa izany tavako Ory loatra ny fanahy Manoloana ireto ankaso Tsy mitsahatra mitombo Maro koa ireo ahiahy Toa mandifotra ny maso Mila ho resy ity mpanompo Mba ampio ny hery anaty ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-hafa
NY HAFA
Fredy Jaofera
NY HAFA Ilaina foana ny hafa fa tsy mahavita tena isika eto raha mijafa na mijaly mahonena. Ilaina foana ny hafa hanafaka ny midona, handrava na hamafa ireo tebiteby mirona. Ilaina foana ny hafa hanampy rehefa irery, na tsy vonona hitafa fa afaka hampahery. Ilaina foana ny hafa hampiova ireo tsilo marary...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tany-aminao
TANY AMINAO
Fredy Jaofera
TANY AMINAO Tany aminao aho tamin'ny fotoana nanahirana fa fosa lava izao no azo ka tsy afa-nifikirana. Tany aminao aho tamin'ny fotoana nampahory fa tsy mba nanao izay handrava an'izany akory. Tany aminao aho tamin'ny fotoana nahaketraka fa tsy mba nandao irony latsa ka tsy tafapetraka. Tany aminao aho t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/sitranina-ny-fitia
SITRANINA NY FITIA
DADAFARAtolotra
Mbola tsy sitrana foana ny ratrany, Mbola mananko ao anivon'ny tratrany, Lazainy fa lalana tokana monja Mahatonga ny fony voageja ao am-ponja Fa hoe mbola babo! Vao maika mihombo marary ny feriny, Misafotana ahiahy ao anatin'ny jeriny, Tsy mety voafafa ny lasa fahiny Marik'izany f'ianao mbola tiny Dia miheritr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/anjarako
Anjarako
Randja
Ianao no hany tokana anjara eto an-tany handravaka ny tantarako, hanome fitia tsy lany ianao no hany tokiko sy fara-fanantenana hitondra hafaliana, mampisy hazavana Anjarako ianao izay no tsinjoko etoana raha ny fitiavako anao tsy ho lefy eny foana mahazo vahana ao am-poko ao tsy miato hentiko am-bavaka amin'ila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/vehivavymodely
VEHIVAVY
Mahalia❤✨
VEHIVAVY (MODELY) Vehivavy indry Ravaky ny tokatrano Tsy toy ireo mpimamo Na toy ireo fotsy varavarana Mpandositra an-daharana F'andry iankinan'ny akohonana Sy ihany koa vahaolana RAha misy disadisa... Fanalahidy an-tapitrisa No hiambozon-dry any Indry 'lay natao tsy hitomany Na misy alahelo na misy fahoria...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fiainam-pahantrana
FIAINAM-PAHANTRANA
Fredy Jaofera
FIAINAM-PAHANTRANA Fiainam-pahantrana no avy maka toerana mila hampihanahana tsy misy fandeferana. Fiainam-pahantrana mahakivy ny vahoaka misoko tsy hay rarana, na aiza anio mivoaka. Fiainam-pahantrana toa tsy azo antenaina hampiranga fanovana hampety isa-maraina. Fiainam-pahantrana mitondra fihemorana, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nanalavitra
NANALAVITRA
Fredy Jaofera
NANALAVITRA Nanalavitra ahy ianao ankehitriny ka ao ny ahiahy, aza omena tsiny. Nanalavitra ahy nanadino antsika ka zakaina, lahy, ny eto tsy mikiaka. Nanalavitra ahy, nihevitra ny hiova nefa ity fanahy, tsy nahay nandova. Nanalavitra ahy hikatsaka ny soa kanefa ny niahy nanimba raha voa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/te-hitia-fa
Te hitia fa...
Vetso mena
Tsy ho vitako mihitsy ny hametraka anao iny. Fa mbola te hitia sy te hiverina amin'ny fahiny. Fa indrisy moa tsy namela izany ny fiainana. Fa mbola maro loatra hono no tokony ho hita sy hisainana. Ka dia tsy maintsy handao, tsy ho fantatro ny atao. Fa dia mitamberina an-tsaina, izay niarahako taminao. Ireny resad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ho-anny-fahasalamana
HO AN'NY FAHASALAMANA
Fredy Jaofera
HO AN'NY FAHASALAMANA Tsara ny hasambarana ho an'ny fahasalamana fa tonga dia varavarana mamoha hery igagana. Tsara ny lalam-pifaliana ho an'ny fahasalamana fa tonga dia hamamiana tsaroana mahatamana. Tsara ny tsara torimaso ho an'ny fahasalamana fa tonga dia ireto maso mikimpy mora tsy tana. Tsara ny miti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/raiso-ny-zanakao-album-aina-nafindra
RAISO NY ZANAKAO
NY Andri-Fara
RAISO NY ZANAKAO Andriamanitra o! Raiko Ianao Mpamindra fo , mpamela heloka . Lehibe ny fitiavanao..., Tsapako fa meloka aho. Inty aho Tompo mba ho Anao Hanaiky ny Sitrakao. Raiso aho...satria mpanota , Andriamanitra tia ahy Ianao . Indro Jesoa 'lay zanakao Hitako ny Voninahiny...; Miandry ahy am-boninahitra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-iriko
TSY IRIKO
Fredy Jaofera
TSY IRIKO Tsy iriko ho anao ny nahazo ahy fa dia tsikerao rehefa sahy. Tsy iriko ho anao ny sedra mafy fa dia anjakao ny soa mifafy. Tsy iriko ho anao ny ratra maro fa tsy vaovao ny mahatsiaro. Tsy iriko ho anao ireny jjaly ireny tsy mba tsaho fa entiko eny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanazavana
FANAZAVANA
Fredy Jaofera
FANAZAVANA Ny lonjony dia azo ferana, tsara hofafana ; mampitony ny hatezerana ny fanazavana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/mbola-izaho-ihany-ity
MBOLA IZAHO IHANY ITY
Nic Coper Ofisialy
Mifoha Aho Maraina , dia mamonjy trano fisainana; Mandefa heritreritra, mandinika ilay fiainana, hoe: anahoana indray re, ity tontolon’ny andro ? ho vita soa mantsara ihany Ve, mandrapaha atoandro ny andro ? Miala avy ao Aho dia misasa; ary avy eo Mandeha mitaratra, Dia miresaka amin’ny tenako , sy manongo tena fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahaiza
MAHAIZA
Fredy Jaofera
MAHAIZA Mahaiza midera an'ny Ray Tsitoha dia tsy hianjera fa hisaotra tokoa. Mahaiza miravo isan'andro etoana dia tsy ho lava, na aiza hirosoana. Mahaiza mitony vao maro tebiteby dia ny hamony ho toky hisomeby. Mahaiza mijoro vao tojo hakiviana dia hisy hanoro ny lalam-pitahiana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-zava-misiko
NY ZAVA-MISIKO
Fredy Jaofera
NY ZAVA-MISIKO Ny zava-misiko, tsotra dia tsotra rakofan'ny lisiko, na aiza mipoitra. Ny zava-misiko vao sento izany, zary trongisiko tsy ho hita any. Ny zava-misiko vao ny hafaliana, inty hamafisiko ho be faniriana. Ny zava-misiko vao ketraka eny, ezaka no sisiko hiova lavareny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/alina-adala
Alina adala
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Noheveriko ho ampy ireo taona nandalo, Ireo volana maro sy andro nisesy, Tsy ahatsiarovako anao! Kanefa toa vesatra iray mihalohalo, Ny anjara-masoandroko manaiky fa mety, ny hamoizako anao, Saingy indrisy, vao iny iny lasa milefa sy dify dia... Tonga migafy, misompatra foana, 'lay alin'ny jaly, Nefa hanontan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-radontsoa-mamiratra/te
Te ...
Ny Radontsoa Mamiratra
Te …. Te mba hitopian’ny masonao mamiratra ny masoko te-hihiratra hibanjina maharitra; Te-mba ho finaritra hianoka, hijery ny hakanto sy ny herin’ny onjam-pamindranao; Te-hihaino anao hiantsa sy hihira, hatraty an-dakira ny fitiavana mafonja; Te-ho voafonja ho anao an-tsitra-po: hifanakaiky fo mandrakizay doria...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/kisendrasendra
KISENDRASENDRA
AORN
Kisendrasendra angamba ilay isika nifanena Ka nampitodika ahy hanara-maso anao Ianao koa rahateo, toa zary nihenahena Toa vorona voafandriky ny ankizy milalao Kisendrasendra angamba, lay teo amoron-drano Ianao nanasa lamba, izaho nanara-tsisiny Ankizy kely iray, nianatra lomano Nanaitra ahy sy anao,nahare ny kia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/saingy-tsy-mitohy
SAINGY TSY MITOHY
AORN
Tsy hay zay tao am-pony Fa ny azoko lazaina Tinaitra teo ny foko Raha nifanindran-dalana Ny jeriko sy ny azy Ny maso anaty maso... Dia tonga saina tampoka Ka samy saikatsaikatra Fa tsy mifankafantatra Fa izy moa niondrika Izaho nijery lanitra Toa tsy nahita lalana... Fa tampoka avy teo Dia nifanojo indray ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/hampitombo-mausol%C3%A9e
Hampitombo Mausolée,
Nosy Malala
Ilay kopatananao, Hafatra toa mitalao, Mba jereo zahay aty, Lavitra anareo ary. Noheverinao fa vahiny, Ireo Gasy izay nitsidika iny. Raha nitaingina fiara, Tsy diso enao tsy nahalala ! Amorondalam-pirenena, Fa lavitra fitsaboantena. Fiara tsy matahodalana. No ahitana kopatanana. Iza ary no ho antenaina, Hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/kisendrasendra-album-sangodina-rapha%C3%ABl-spartacus
KISENDRASENDRA ( ALBUM SANGODINA ) Raphaël Spartacus
NY Andri-Fara
KISENDRASENDRA ( Fahatsiarovana an'i SAHOLY , mpianatry sœur de Cluny Tambohobe Fianarantsoa ) Kisendrasendra ve! Ilay isika nifanena Ka ny masonao mahery , Tsy tantiko jerena . Kisendrasendra ve! Ilay sangisanginao fahiny Ilay feonao mihantahanta , Indrisy adino ve ankehitriny . Kisendrasendra ve! Ilay tàn...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/0meo-anay-album-aloka-sy-tsiky
0MEO ANAY
NY Andri-Fara
OMEO ANAY Tompo o! Amin'izao fotoana izao , Miangavy anao . 'lay maditranao Henoy izay mba vetsovetsoko Mitaraina ho an'ny Fireneko ; Ho an'ny tenako... Hoa anay vahoaka Malagasy, Aoka Ianao hitoetra...; Ato anatinay , Dia ho Firenena vanona i 'lay Madagasikaranay . Ka omeo mpitondra Hendry sy mahay, Tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nic-coper-ofisialy/fara-veloma
FARA VELOMA
Nic Coper Ofisialy
Raha miatrika ahy ianao, dia tsarovy aho fa efa sambatra, Efa lasa lavitra, amin’ny tontolo iray tsy fantatra, Eny, lasa aho satria, tonga ilay fotoana, Andaozako ity tany, ka andinganako ny havoana. Tsy ny anilanao no halako, akory, sanatria, Fa ny fiainako hatreto, no efa diso toa mania, Ka tsapako ankehitriny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/andro-miavaka
ANDRO MIAVAKA
AORN
Andro miavaka aman-tany No sitrahanao androany Olon-droa mifankatia Ka hitambatra ho doria Samy hafa fiaviana Saingy tanjona itoviana Dia hanorin-tokan-trano Ka hanao ny velirano Fa ny aina no hametra Ilay fitia tsy misy fetra Eo amban’ny fitahian’ Ilay Nahary niaviana Dia ho ambinin-jaza koa Sady hanana n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-devoly
NY DEVOLY
Fredy Jaofera
NY DEVOLY Ny devoly dia mandrava 'rony fikasana lalandava tsy ho tanteraka mihitsy no lazaina tsy mitsitsy. Ny devoly dia mamono ny hetaheta izay mifono ny tarigetra izay izorana entina am-pahatsorana. Ny dévoly dia mandolo ny lahasa tsy hisy zoto hahaketraka eny foana ho feno jaly hanoloana. Ny devoly dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sisa-ananana
SISA ANANANA
Fredy Jaofera
SISA ANANANA Ny hafaliana sisa ananana no irariana hiadanana. Ny tarigetra sisa ananana, avy hitoetra sy hotanana. Ny fotoana sisa ananana hanafoana fanakanana. Ny tantara sisa ananana, hanambara fanomanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voady/tsiaro-anao
Tsiaro anao
Randja
Mahatsiaro anao aho dia mivetso ireo tantaram-piainana efa vita fa toa fararina sy misento satria ianao nandao tsy hita Mahatsiaro anao aho dia mitamberina ireo toky sy dina nifanaovana nilaozanao aho vao latsa-nenina tamin'ireo ditra sy zava-bita nifandaozana Mahatsiaro anao aho fa tokana irery mitoloko feno ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/pejinny-tantara
PEJIN'NY TANTARA
Fredy Jaofera
PEJIN'NY TANTARA Pejin'ny tantara sarotra hadinoina no mba niafara tany ka novonoina. Pejin'ny tantara nahafinaritra teny tokony ho hara raha ory ombieny. Pejin'ny tantara nisy porofom-pitia namelona tsara antsika tsy hikodia. Pejin'ny tantara tsy azo dinganina fa voakarakara, na toa nahafanina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mieritreritra-ahy
MIERITRERITRA AHY
Fredy Jaofera
MIERITRERITRA AHY Mieritreritra ahy ianao ka tsy mitsaha-mievina tampoka teo no natao, na efa tantara milevina. Mieritreritra ahy ianao, toa te hihaona vetivety fa anio dia efa nandao ny hafaliana izay nitety. Mieritreritra ahy ianao, mitaditady hiresahana fa dia oriory lava izao tsy mahita hiarahana. Mier...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahalia0/sombiniaina
SOMBINIAINA
Mahalia❤✨
Ekeko sombiniana fa betsaka ny banga raha ny misy no jerena !!! Ka maloka tsy satry 'lay faravodilanitrin'ny fahasambaranao. Nanao izay hany fantatro aho fa mba te ho nahaleo tena; tsy te hiankin-doha,dia io nanara-po tamin'izao rehetra izao... Namadika ny bainga,nihaza sy niremby tamin'ny alin'ny anjoria Namorom...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/onena-anao-ny-foko-album-sangodina-raphael-spartacus
ONENA ANAO NY FOKO ( ALBUM SANGODINA ) Raphael Spartacus
NY Andri-Fara
ONENA ANAO NY FOKO Tompo o! Impiry aho no niandrandra Taminao Fahiny ! Fa maro ireo mahantra Tsy mahita ny anjarany..., Fa feno fijaliana mantsy; Ilay mba ankany keliny . Tsy mba misy mpanontany Dia ny fako no sakafony...; Baoritra sy gony..., No mba hany tranony . Eny amoron-jaoridira , No misy ny fonenan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/atrehina
ATREHINA
Fredy Jaofera
ATREHINA Atrehina izay misy na mianjady fa tsy mahakivy tokoa rehefa nekena ; arakaraka ny mahamafy ny ady no tsara tarehy kokoa ny fandresena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harisaina-ibn-mdk/ny-fitiavako
Ny fitiavako
Harisaina Ibn MDK
Tsaroko akia malala tsika roa taloha Taminy za nikoty andry voalohany Tsy nekendry tamin’izany fa nampiandrasana Niandry tokoa za tena niandry vasoka Tsy nanome tsiny andry za tamin’ireny Satria ny fitiavana sitrapo fa tsy antery Na dia nanantena aza zato foko kely Niezaka aho nanadino anao tamin’ireny Za moa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-mahazo-fitiavana
REHEFA MAHAZO FITIAVANA
Fredy Jaofera
REHEFA MAHAZO FITIAVANA Rehefa mahazo fitiavana ny lalam-piainana rehetra, tsy dia misy ny fandavana fa metimety ny mitoetra. Rehefa mahazo fitiavana ny fo nisento tany ho any, mitranga ho azy ny avana mampiato ny orana izany. Rehefa mahazo fitiavana ireo asa aman'andraikitra, moramora fankatoavana izay ata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voady/antso-ho-anao
Antso ho anao
Randja
Miantso anao aho hiverina hitsabo ilay ratra tsy hay leferina miantso anao aho hitodi-doha hampitony ny saina sy ny fanahy ary ny fo Miantso anao aho dia mitalaho hamerina ilay fitiavana ho vao miantso anao aho fa efa resin' ny alahelo sy tomany mifanesy Miantso anao aho fa mbola babo ity foko kely izay mivazo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pharaon/hafatra
Hafatra
Randja
Etsy hafarako kely izato ianao ho an'izay olon-tiako tsy sarako izay fa malahelo azy mihintsy aho izao f'efa ela mantsy no tsy nihaonanay Tsy manadino anao hono ilay tokana mbola babonao dia tsy ho leo ilay fitiavanao azy manokana mahatsiaro anao fa tsidio sy jerijereo Tsy mahasaraka anao hono ilay mpankafy e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toy-ny-orana
TOY NY ORANA
Fredy Jaofera
TOY NY ORANA Ho avy toy ny orana ny fahasoavana rehefa ifotorana am-pitiavana. Ho avy toy ny orana ireny haravoana rehefa izorana am-pinoana. Ho avy toy ny orana ny harena maro rehefa tolorana vavaka hiaro. Ho avy toy ny orana ny fitahiana koa rehefa itsorana ny mafy taloha.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/zo-album-aina-nafindra
ZO
NY Andri-Fara
ZO Vahotra aho anikeo maraina Ary indrisy fa velon-taraina . Arakarak'izay nahatsapako , Fa jamba ny saiko . Fitia natao tsy tanteraka Natao tsy ho vita ! Natao ho azon-tsapona ; Niangaran'ny vintana . Asa lahy..., nahoana re! No sompotra ahy ny volana; Nanakona ny anjarako... Zoko ve ny mitia; Sy ho tiavi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andraina-arisetra/sarinao
SARINAO...
Andraina Arisetra
Ny sarinao iondanako Iny no mba namako rehefa toy izao, embona any lavitra any... Miarahaba indray ny saiko ny tsiaro izay nitany ka momolaka vinany misamboara anatiko ao Mby ho tody any aminao... Dia... nofihiniko mangina ato an'alim-pitoniana ny sarinao niriko, ho vatana eo imaso Indrisy!!! Fiainam-peno ank...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ninie-doniah
NINIE DONIAH
AORN
Raha tsiahivina ny lasa Iza moa lay sahy nijoro manoloana ny tsy rariny Izay nanagiazana ny taniny? Fa tanindrazana ikambanana Ho fitandroana ny fananana No nitolomany tsy ankiato Atody niady tamim-bato Raha jerena ny tantara Tsy sanatria fitiavan-tena Fa fiarovana ny harena No nanekeny hitari-tolona Tsy no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mba-hitiavanao-ahy
MBA HITIAVANAO AHY
AORN
Na handefitra amin’ny hafa Na ho feno mpanatsafa Dia hijoro sy ho sahy Mba hitiavanao ahy Na tsy maintsy handao zay tiako Hany foto-pifaliako Dia tsy misy mampanahy Mba hitiavanao ahy Na handalo ireny sedra Na voafatotra voageja Ekeko saina amam-panahy Mba hitiavanao ahy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-hiova
REHEFA HIOVA
Fredy Jaofera
REHEFA HIOVA Rehefa hiova fitoniana ny androm-panahiana dia hisy hasambarana hivoy ny fandaharana. Rehefa hiova fitoniana ny ranomaso nijaliana dia hipoitra ny tontolo ho hita eny hiova volo. Rehefa hiova fitoniana ny namely sy tsy tiana dia tsarovy lalandava fa sento maro hisava. Rehefa hiova fitoniana n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/mbola-misy-ve-album-aloka-sy-tsiky
MBOLA MISY VE !
NY Andri-Fara
MBOLA MISY VE ! Fano a! azafady ange ianao ? Fa te hiresaka aho mikasika ny Firenena . Tsy izany manko , fa tiako ho fantatrao ; Mbola misy ve ny fahafahana ? Gaga aho satria mbola misy ihany Ny mijaly sy fadiranovana , Miraoka fakofako , mitady izay anjarany ; Eny an-jaoridira sy ny tatatra . Jereo ny Renivoh...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zava-maro
ZAVA-MARO
Fredy Jaofera
ZAVA-MARO Zava-maro no tsy hay hadinoina mifangaro fery tsy mety vonoina. Zava-maro no tsy hay kosehina ka takaro, na efa be norotehina. Zava-maro no tsy hay ikimpiana ka fantaro fa mamoha fijaliana. Zava-maro no tsy hay alevina, atambaro fa sedra matevina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/hizory-ny-lalanao
Hizory ny lalanao
Rabarison Roberto Stephan
Hizory ny lalanao Raha toa ianao andeha Dia aza miverina intsony Izaho tsy very enie eh! Fa aza manantena akory Dia ny lalanao hizory Ka aza miherika satria... Izaho tsy hitia intsony Veloma dia sova-dia Tsy manozona aho Fa mivavaka ho anao Malehova malasana Isaorana ireo vitanao Na tsara na ratsy Dia lal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/taona-very
TAONA VERY
Fredy Jaofera
TAONA VERY Taona very ny taona tany nanam-pery ka nitomany. Taona very nampalahelo tonga nanery hahalala helo. Taona very izay tsy nirina tsy nampiery ny hakiviana. Taona very nanimba soa nentina irery ka sina moa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsara-fiafara
TSARA FIAFARA
AORN
Toa mandrorana ny androko androany Fa rakofan’ny aizin’ankaso Faratazana am-paran’ny tany Mila ho fefiky ny ranomaso Ny alahelo no zary sakaiza Ny toreo no mba sisa manoina Fo torovana no indro mitaiza Tsy mamaly reo hafa nantsoina Niala ila reo olona akaiky Moa nandatsa reo havan’ny tena Indro lofika toa ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/angalaro
ANGALARO
Fredy Jaofera
ANGALARO Angalaro saingy fantaro, misy ny tody, na inona ody. Angalaro saingy takaro, tsy hahasoa, na nahavoa. Angalaro saingy ianaro, ho avy, zareo, ny tena toreo. Angalaro saingy ny aro, tsy hahavita rehefa hita.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andraina-arisetra/androany
Androany
Andraina Arisetra
Androany Indramiko ny androany Hanopiako taza-maso ny hevitrao manjombona Ny saina mananontany Tsy miaton-kiandraso mikotaba tsy mitombina mamisa toy ny moana ... Raha nozairiko ny vava Mba hametra ny ao akia dia tsy takon' ao anaty... Ka na izaho tsy hilaza Fa ny foko tena tia tsy miova mandramaty Tsy ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsara-tsodrano
TSARA TSODRANO
Fredy Jaofera
TSARA TSODRANO Tsara tsodrano rehefa handeha, ny hanganohano dia resaka ange. Ekena tanteraka ny safidy mahery tsy mandreraka sy tantiko irery. Apetrako etoana ny tantarantsika 'zay nandoroana ny mahasariaka. Ny veloma sisa no ataoko anio fa tsy hitanisa ny ela, tadidio !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maty-ny-fitiavana
MATY NY FITIAVANA
Fredy Jaofera
MATY NY FITIAVANA Maty ny fitiavana rehefa maty ny toky tsy afa-nampihavana antsika hatrany, roky. Maty ny fitiavana rehefa maty ny jiro tomefy fahasoavana fa nanako : halaviro. Maty ny fitiavana rehefa maty ny hehy nanilo tomandavana sy tsaroana namehy. Maty ny fitiavana rehefa maty ny lasa feno tsiaro ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nanenenana
NANENENANA
Fredy Jaofera
NANENENANA Mamololona ny fiambenana ireo efa mokonazy fa misy olona nanenenana ny nahalalana azy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ndrasana-a-album-sangodina-raphael-spartacus
NDRASANA A ! ( ALBUM : SANGODINA ) Raphael Spartacus
NY Andri-Fara
NDRASANA A ! Ndrasana a! Mitsangana sombinaiko Dia mitoera eo anilako , Alaivo ihany koa ny peniko Ka avereno adika indray ny diariko ; Fony aho nitia anao , Fa izao tontolo izao...; Minia tsy mahalala ahy sy ianao . Dia soraty ihany koa Izay mba kely fantatrao . Ka mivonona hizaka izany , Satria nisedra ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ambaratonga-2
AMBARATONGA
Fredy Jaofera
AMBARATONGA Tsy nipoipoitra ho azy ny rindra fa nitaky kiry mazana vao nisy fitsaharana ; ambaratonga ambony indrindra amin'ny fahombiazana ny fahasambarana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/saraka
SARAKA
AORN
Ombao karazan-kira mamentsoventso lalina Maningotra ny anaty, mamelona tsiahy Dia gadona mandrotsy sy feo mamanton’alina Hianohako mangina, mampihetsika fanahy Dimbiaso tononkalo, ahazoako mankafy Lay tena mampisento mandoaka ny ati-fo Venteso anatiny ao ny amboaran’ny fitia lay mampanembona iny, mahalasa ny amb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maha-poety
MAHA-POETY
Fredy Jaofera
MAHA-POETY Maha-poety ny fitiavana rehefa mety ho mavana. Maha-poety ny ranomaso rehefa mitety ireo an-kaso. Maha-poety ny hafaliana rehefa mifety, na rahoviana. Maha-poety ny nodiavina raha vetivety, tsy nolavina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-misy-ho-antenainy
TSY MISY HO ANTENAINY
AORN
Dia ngoly indray ny fony Fa toy ny vara-datsaka No nahenoiny tatitra Milaza fa lay tiany zay nolalainy fatratra lay efa mba niriany No sahy namadika azy Fa tanan’olon-kafa No miazona ny sandriny Mamihina azy mafy D’izany lay tsy tantiny... Lehilahy zay mpampirafy Ny diariny efa konka Zay feno sora-tanana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/mama
MAMA
NY Andri-Fara
MAMA " Atolotro ho an'ilay reninay , malalanay izay marary efa ho Iray volana izao , ary vao nivoka ny hopitaly tsy ela akory , saingy ny omaly ihany ...Mbola mitsabo . ) Ilay reny natao hiangotiana Fihantahantana tsy mba novidiana ; Ankehitriny resin'ny fandriana ! Marary mitady ny fanafana . Reny niaritra ny m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-bika
MISY BIKA
Fredy Jaofera
MISY BIKA Misy bika mahasariaka vao jerena tsy hay fefena. Misy bika manjopiaka tsaroana ho haravoana. Misy bika mampikiaka hafa kely fa toa modely. Misy bika rehefa adika, mahaliana ka mba tiana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/angamba-tsy-hadisoako-album-aloka-sy-tsiky
ANGAMBA TSY HADISOAKO
NY Andri-Fara
ANGAMBA TSY HADISOAKO Ray o! henoy ny fivavahako Izay kely ao anatiko Ny fahotana tsy nambarako ; Tsy noho ny tahotro...tsy sahiko . Nangovitra aho , tsy noho ny inona Ireo didy folo tsy tanterako . Hanenina aho angamba ..., Rehefa tsapako ny ditrako . Ianao ry Ray ahalala Ny ato am-poko tsy hay afenina ; Ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/aza-sangiana-ny-foko
Aza sangiana ny foko
RAVINALA
Aza andramanao akory ny miteny hoe tiako ianao Raha mbola tsy matoky tanteraka ny fitia izay nomeko Aza andramanao akory ny miantso ahy hoe malala Raha toa tsy mbola fantatrao akory ny onjan'ny fitia Fa fiainana io mantsy ka aza ataonao ho kilalao Aza akory indray manandrana mandratra ny ao am-po Hampitera-drano...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lava-ny-lalana
LAVA NY LALANA
Fredy Jaofera
LAVA NY LALANA Lava ny lalana vao tonga teto fa tsy nahalana ireo jaly, raketo. Lava ny lalana vao tojo ny soa, nihalangalana ny toky taloha. Lava ny lalana vao tretrika ery, very ny akalana rehefa nandihy. Lava ny lalana vao be hirahira, tao no nivalana fa dia sovenira.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-honohono
TSY HONOHONO
Fredy Jaofera
TSY HONOHONO Tsy honohono ny rano tapaka izay toa mifono sedra tsy afaka. Tsy honohono ireo jiro tapaka tonga namono ny tsiky ravaka. Tsy honohono ny vola tapaka, dite na ronono, lasa nihataka. Tsy honohono ny laoka tapaka, tsy afa-manjono ka dia mivavaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/fitia-agape
FITIA AGAPE
LAVENONA
FITIA AGAPE Ny tena fitia tsy miofo ? Dia ilay hany fitiavan'ny Ray Sasa-poana ny rivo-mifofo fa... ny fitiavany mandrakizay ! Fitia tsy voavidin-karena na sandaina amin'ny vola be Fitiavana ombam-pamonjena Io ilay fitia "Agape" ! Fitia ka mamela ny hafa Tsy miova fa dia tadidio Ny heloka rehetra voafafa ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-miray-hina
REHEFA MIRAY HINA
Fredy Jaofera
REHEFA MIRAY HINA Rehefa miray hina isika samy isika dia hisy fitahiana eny hanjopiaka. Rehefa miray hina hahasoa ny tany, mba firahalahiana no hisy sesilany. Rehefa miray hina hanova ny ratsy dia tsy ho fijaliana ny atsy ho atsy. Rehefa miray hina hamaha olana dia irony fitokiana hisy any volana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hatraminizay-ianao
HATRAMIN'IZAY IANAO...
Fredy Jaofera
HATRAMIN'IZAY IANAO... Hatramin'izay ianao, tsy nihetsika raha vao azom-pahasahiranana ilay foko tia fiadanana. Hatramin'izay ianao, tsy tsapako ho nanao izay nahasoa ny tena rehefa osa sy nihena. Hatramin'izay ianao, tsy hitako ho nandao ny tantara nanorisory izay tsy nilaina akory.. Hatramin'izay ianao, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/be-anio
BE ANIO
Fredy Jaofera
BE ANIO Be anio ny fisehoana fa lavi-pandrosoana ny fiainam-bahoaka tsy mety tafavoaka. Be anio ny fitokanana nantenaina fiadanana fa vao vita nefa izany dia potika eny ihany. Be anio ireo rehareha fa izay atao mandeha anefa moa dia topazo ny mitrongy lany vazo. Be anio ny fiheverana fa olo-manan-toerana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/andraso
ANDRASO
Fredy Jaofera
ANDRASO Ny maso no miteny kokoa noho ny vava, andraso fa tafitanao moa ny nanazava.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ry-malagasy
Ry Malagasy !
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Ry malagasy ! Amin'ny ora fahafiry ianao ry Gasikara taniko Vao hisy mponina indray, izay tena Malagasy? Amin'ny andro oviana koa, ianao ry nosy tena mamiko, Vao tsy zana-tany intsony fa hijoro Malagasy? Malagasy fitenenana, Malagasy toe-tsaina, Malagasy fikaloana, Malagasy fitafiana, Malagasy soa toavina, Malag...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mitady-fanovana
MITADY FANOVANA
Fredy Jaofera
MITADY FANOVANA Mitady fanovana ny hetaheta maro, mampihanahana fa jaly mifangaro. Mitady fanovana ny nofinofy tiana hisy fahagagana mbola tsy zovina. Mitady fanovana ny andrasana eto ombieny hahitana ny ilaina ka raketo. Mitady fanovana mahasoa ny tany tsy hisy fiafarana sy tsara sesilany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/rehefa-tena-tia
REHEFA TENA TIA
AORN
Mba fantatrao malala? Fa rehefa tena tia… Dia toy ny jamba an’ala Mandeha tsy miandry tantana tsy mahalala akory ny fandrika sy sakana zay mety handrendrika azy Hanakana ny dia Mba fantatrao malala ? Fa rehefa tena babo… Dia toy ny voronkely Misidina tsy miato Zay tsy mba taitra akory mihoatra riam-bato f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/fitiavana-hafahafa
FITIAVANA HAFAHAFA
DADAFARAtolotra
Efa vadin'olona ny tenako amin'izao Fa mbola tiako ianao, Mitsiriritra fatratra,ny foko sy ny saina Ny vava mitaraina, Mamboraka fitiavana, izay tsy misy tanjona Fa maso no mibanjina, Fitia ampotimoty,miezaka manakatra ny mombanao rehetra Ka nefa manam-petra, Tsy azoko faritana ny bitaky ny foko,raha sendra taf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tahotra
NY TAHOTRA
Fredy Jaofera
NY TAHOTRA Tsy hivahobahotra na hipararetra lava izao : aza avela ny tahotra tonga hametra ny vitanao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/tory
Tory
tsiolaka
Dia nanomboka nitory Evanjely mampatory Ilay mpitory resin-tory Ireo mpihaino tafavory anefa tsy mahatsiaro akory Fa efa hana sady ory Nikasa andosi-tsorisory izato fony oriory sendra toton'omby bory. Ka dia indro koa natory Toy ilay mpitory rendri-tory Sady tsy mifoha akory.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/nahoana-no-mijaly-album-aina-nafindra
NAHOANA NO MIJALY
NY Andri-Fara
NAHOANA NO MIJALY Tovovavy kely iray No indro mitomamy..., Fa tsy nahita ho hanina ; Nandritra ny tontolon'ny alina . Jereo ange 'ty izy Mahonena sy mijaly . Fako no sakafony ! Namelomany ny tenany . Dia indro tovolahy nandalo Nizotra sy nankeo aminy..., Mba hanolotra fitiavana ; Madio mangarangarana . Sad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hita-taratra
TSY HITA TARATRA
Fredy Jaofera
TSY HITA TARATRA Tsy hita taratra ny asa andrasana ka kotro-baratra teny re no lasana. Tsy hita taratra ny oram-pivoarana fa dia miraratra ilay hasambarana. Tsy hita taratra ny nofinofy foana fa mamahatra fihemora-moana. Tsy hita taratra ny fanovana tiana fa tsy takatra ny zava-notakina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fiafarana
FIAFARANA
Fredy Jaofera
FIAFARANA Fiafaran'ny jaly, hanova etoana ny sedra omaly ho haravoana. Fiafaran'ny tazo, handrafitra hery hamelona vazo ho ahy samirery. Fiafaran'ny rava, hamerina indray ny tiana hazava ho mandrakizay. Fiafaran'ny mafy, hampiaina mora ny tokony hatafy tsy ho voarora.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/efa-hita-izao-ve
EFA HITA IZAO VE ?
Fredy Jaofera
EFA HITA IZAO VE ? Efa hita izao ve fa tsy mandeha ny nokendrena dia miebo tena ? Efa hita izao ve fa mitontona re ny vokatra azo dia io, topazo ? Efa hita izao ve fa tsy rehareha ny fangalarana dia tsy mifarana ? Efa hita izao ve fa mihena ange ireo fanampiana dia tia fifaliana ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/ora-iray
ORA IRAY
Rabarison Roberto Stephan
Ora Iray Ilay ora vitsy Nanala sento , nampitsiky Ilay ora iray toa tsy nampoizina Fa nahafaka ireo sento sy ny famoizana Ora iray monja ihany Dia nahafaka ireo alahelo sy tomany Ora iray miraikitra ao an-tsaina Namaha ireo fatorana sy ireo taraina Ilay ora iray nantenaina Ilay ora tsara nandrandraina Ilay o...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/tsy-ianao
TSY IANAO
DADAFARAtolotra
Tsy izay volena akory, dia hamelana avokoa Na izay hatsatokao, dia hitsiry sy hamoha Misy fetrany daholo, ny tsiriritrako ombeny Sanatriaviko ny lasa,naneneko aza ireny Olon-kafa indray zao,no indro miondana eto an-tsandriko Tsy niriko toa anao,fa teraka tsy tandritandriko Lahatra sy anjara mihitsy,no naniraka a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/raha-mba-izaho-mantsy
RAHA MBA IZAHO MANTSY
RAVINALA
Raha mba izaho mantsy no olon-tinao iny Dia hosambatra aok’izany ary ho hadinoko ny lasan’ny fahiny Tsy niasako saina akory ny ditraditra kelinao Na ny toetra ratsy sy ny kilema ananao Tsy hakarary ahy velively raha ny tsy fisiana, Tsy nahoako ihany koa ny esoeso teny ombana fanaratsiana Ataon’ny olona mijery sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/ny-tia-sy-ny-tiana
NY TIA SY NY TIANA
LAVENONA
NY TIA SY NY TIANA Raha ny tia sy ny tiana no hoe tafatambatra ka mifanaiky fa hiombo-pitia dia izany no tretrika sy tena sambatra satria dia fitiavana tena ho doria ! Ka tsy mba lefin'ny taona sy volana Tsy miofo am-pitoerana fa mihavao Resim-pitiavana ny ady sy olana dia... toy izany ry tiako ny fitiavako ana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/nanoratra-izy-album-aloka-sy-tsiky
NANORATRA IZY
NY Andri-Fara
NANORATRA IZY { teo am-pijerena ny tononkalon'i Haingo : " HANORATRA AHO " ny 01.05.1983 ) Telo amby folo taona lasa izay Tsaroako tsara mihitsy..., Fa tsy izaho no namorona ; Na ny sofiko nandre ! Fa ny masoko nahita , Ilay amboara nosoratany . Nanoratra izy..., Fa ny fetra dia ny ainy . Io no asa nifotorany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fakafakao
FAKAFAKAO
Fredy Jaofera
FAKAFAKAO Fakafakao akaiky fa Marina tsy voafafa, na inona izay ironana : ireo tsy manaiky ny fiadanan'ny hafa no manam-pialonana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ho-anao-ry-fireneko
HO ANAO RY FIRENEKO
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Eto anio no hikaloako Sy hihirako anao ry taniko Eto indray no hanambarako Fa ianao no tena mamiko Raha miasa aho tsy ho an'iza, Fa hampandrosoana anao. Raha miraraka ny dinitro, Mbola hiraraka aminao. Raha misy fifaliako, Mibitaka aho eto aminao. Raha mirotsaka ny setoko, Tsy aiza aho fa eto anatinao. Raha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rinhary-na-i-rakoto-rakotomalala-rivonirinharinala/mahereza-sakaiza
MAHEREZA SAKAIZA!
Rinhary na i rakoto-rakotomalala rivoniRINHARInala
(dika 2.0, Pantoum) « Tarafo ny lanitra ambony fa manga Todio ny orana fa tsy eo intsony Araraoty ito andro mibaliaka fitranga Mba anahazana ito lamba kotan-tomany. Araraoty ito andro mibaliaka fitranga Fa fomban’ny maina hatrany am-boalohany No mitroka ny mando, koa aza atao mahagaga Fa lalam-piainana ny toa a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/lavitra-anao-album-sangodina-raphael-spartacus
LAVITRA ANAO ( ALBUM SANGODINA ) Raphael Spartacus
NY Andri-Fara
LAVITRA ANAO { Miandrivazo 2001 . Tonony : ANDRIANARIVO Fanomezantsoa Raphael ; Feony : RAKOTONIRIANA MAMITIANA . TARIKA VETSON'NY FANAHY . FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA. ( COUTRY ) Jesosy Tompo o! Ianao no Andriamanitro 'lay Zoky tia mpamindra fo ; Sady mpanafaka . Ankehitriny izao Dia lavitra Anao ny fo Ka re...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/havalona
HAVALONA
DADAFARAtolotra
Aty andobon-dranomaso aho mahatsiahy ny vinantsika Ilay hoe ho lohataona foana ka feno vola-mibaliaka Tsy misy rahona manakona na kotro-baratra manaitra Fa higoka fahasambarana, tsy misy fiainana mafaitra Hay ny anao kay lela mamy,misalom-pitaka sy vandy Izaho kanefa tena tia dia, sahy nanolotra ny sandry Nomeko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/lasa-i-dada-album-aloka-sy-tsiky
LASA I DADA
NY Andri-Fara
LASA I DADA [ Amboaran-tsoratra miteny , atolotro ho an'i dada : RAVELONTSALAMA Andrianarivo Guy Richard ; nandao anay ny 01.05.2005 = 19 taona lasa izay ] Avy nianatra aho , Natompiko ny masoko . Ontsa...nalahelo...; Fa ny raiko ! Toa mipitrapitra..., Tsy miteny...mahonena . Tafatombina aho Voaraiko indray ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/satria-miverina
SATRIA MIVERINA
Fredy Jaofera
SATRIA MIVERINA Antitranterina fa ny omaly, mifoha ka torovana satria miverina mampijaly ny fahatsiarovana.