url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ilay-fitiavan-tsika | Ilay fitiavan-tsika | AMN (Arialy) | na ny kintana mamiratra tsy hisy toa anao
na ny volana baliaka ho laviko tsotra izao
ilay fitiavana ao am-poko, tsy afaka hiofo
satria efa hoe ianao no efa lasa anaty nofo
raha takalo sy ny varotra, eny tsy mba hisy izany
ny fitiavako maharitra, na an-danitra, an-tany
fa ianao no fiainako, izay tiako, sarobidy
k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/tsy-anjarako | TSY ANJARAKO | ANJARIVO Ronsard | Niofo teo ny lokon-danitr'ilay fitiavantsika
Tonga maloka sy maizina ilay andro nibaliaka
E,nihelina toa zavona ny ahakantony hanik'eo
dify teo ireo fifaliana fa toloko sisa teo
Aiza irony takariva, tsara ravaka fitia ?
Aiza irony toky maro, lokaloka ny ho doria?
Teo imolotra ihany ireny; sarintsarim-pahasambaran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izahay-hijanona-eto-ihany | Izahay hijanona eto ihany | raozigasy | Izahay hijanona eto ihany
Zavatra tsy mbola hay izay any
Tsy mety aminay ilay an-tsesitany
Fa toa kinanga sy fahatany
Raha samy hijaly sy hitomany
Aleo izay eto Gasikara ihany
Aleo izahay eto no “histance”
Raha tsy eo ny vola, eo ny ambiance
“demi-bota” dia”mampi-danse”
Ilay teny vazaha koa mbola « hampi-coin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izy | Izy | raozigasy | Izy no mpitsena , ny saiko valalanina
Izy no mpanohana , ny lohako raha fanina
Izy no mpitsetra , ilay izaho tsy mihinan-kanina
Izy no mpanoko , ireo kajy sy adisanina
Izy no mpamaly ireo teniteny ireriko
Izy no mpanitsy , ny tonon-tsianjeriko
Izy no mpitsabo ireo holatry ny feriko
Izy no mpamafa , ireo nenina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/breacksong/ho-anireo-any-ampita-any | ho an'ireo any ampita any | BREACKSONG | any ianao ka any lavitra tsy hitanay
mahalasa ny vinany... ilay tsy hita hatrizay
fa any ianao hoy aho; mety ho falifaly
tsy mahalala akory ngaha
fa i MADAGASIKARA anie
ka kilalaon'ireo VAZAH!
eeeeeh! any ianao ka any
r'ilay mpanotaratra tsy foy
ilay namana fahazaza sarotra hadinoina
ka mahatonga vetso
sarotr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nandalo-analakely | Nandalo analakely | raozigasy | Nandalo analakely, dia nahita demozely ; tsara toy ny anjely,
Dia nanara-maso, saika hanao andraso, fa sao ho eny ankatso
Kanjo voaharika, sy nahazo remarika, fa tsy bandy fitarika
Kanefa tsy niala maina, fa nampiasa saina, fa tsy te hangaina
Dia nanarakaraka, tsy nety nibaraka, mikendry ny ho tafaraka
Nampiasa co... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-misy-fitiavana-tsy-misy-tantara | Tsy misy fitiavana tsy misy tantara | raozigasy | Tsy misy fitiavana tsy misy tantara
Na fitia amboarina, na fitia voarara
Na fitiavan-terena, na fitiavana anjara
Na fitiavana hita hoe milamina tsara
Tsy misy tantara tsy misy fitiavana
Mety hoe ravahan’ny lokon’ny avana
Mety hoe saranga halan’ny havana
Mety hoe vola sy harena tonga hampitavana
Misy fitiavana d... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sahyman/ho-anialahy-poeta-sy-ialahy-mpanao-gazety- | HO AN'IALAHY POETA SY IALAHY MPANAO GAZETY . | sahyman | Toa te hiteny ialahy, te hidradra mihitsy
fa sarintsariny ihany
ny zo sy ny safidy;
fa resabe sy fitaka
ny tena fahafahana,
fa kabary lava ambony vavahady
ny sata sy saranga
lazaina fa mitovy.
Kanefa ialahy tsy afaka, na dia maniry mafy !
fa voafehy ny vava,
tadiavin' ny "mpitondra" ho vidiana vola
fa voafeh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vahoaka | Vahoaka | raozigasy | Oay jereo ity dada, dada fa misy inona ,
Fa toa hafahafa, marary sa maninona
Sa vizakabe indray,Dada hoa lazao,
Dia inona daholo ireto nentinao ??
Avia ialahy ry zanakao, avy aty ialahy,
Hiresaka isika, resa-dehilahy
Nisotro aho androany, mba nisotro kely,
na dia hain’ialahy fa tsy mpisotro velively
fa nahazo f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/novonoiny-fa-tsy-maty | NOVONOINY FA TSY MATY | andriary | Novonoiny tsy maty
Fitiavana tanatinao
Nofofoina hatrany anaty
Vao maika nisy faka sy felana namony
Nidoroboka nandravina , nijoro sady tony.
Novonoiny tsy ho hita
Ny ota tany anatiny
Noheveriny fa vita
Kanefa lasa afo , handoro ny eritreriny
Hankary azy , ny nenina sy feriny
Novoiny ho levona
Ny heloka nata... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/revy-degany | Revy degany | raozigasy | Rehefa samy hiainga ny revy degany
Dia aleo samy manana izay ho debany
Dia aleo fanjakana mizaka tena
No ainga hitondrana ny firenena
Dia Maihol apetraka haminany
Hitantana izany rehetra izany
Dia omena Dj ry Remenabila
Mba tsy hanao revy mivaralila
Lalao alefa any Ambovombe
Ho bolangin-dronono ny be dia be
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/miserana-ihany | MISERANA IHANY | harylovah | Rehefa mihira manako malaky
Mamakivaky tehezan-kavoana
'Reo vara-masiakan'ny lanitra vaky
Ngaly maranitra ny eo anoloana
Atambolimbolin'ny rivo-mahery
manonjanonja ny moron-kamory
Dia manganohano ny maso mijery
Dia mitebiteby tsy mahita tory
Fa hay ao ambadik'irony tafiotra
Misy maraina mamiratra loko?
Fa hay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/tasin-drindrina | TASIN-DRINDRINA | andriary | ( Fetin'ny reny hoy ianao ! misy fo maratra sy mitomany any ho any ,....dia ireo tsy manana)
Ny sorasora-drindrina
Nisy ny anaranao , vinaky teny ho eny
Dia mariky ny banga ,
Ao anatinao , f'ireny no miteny
Eritreritrao mitady azy
Hatrany anaty nofy , mba hampisy ny fisiany
Satrinao hiantsoantso
Miverena hiampo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hijanona-eto-sa-ho-any-an-dafy | Hijanona eto sa ho any an-dafy | raozigasy | Ny fiainana ity efa tena mazana
Izay karama azo mba hoe niotazana
Roa herinandro dia ngazangazana
Ny kajy rehetra mampihidy vazana
Ny ampitso maizina tsy hita tazana
Raha izao no mitohy dia ho lasa razana
Dia natao ny kaonty sy ny adisanina,
Ilay ariary be tena mahafanina
Zara raha misy ny hamidy hanina
Izay a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/breacksong/depute-be-nofy | DEPUTE BE NOFY | BREACKSONG | zavatra iray ihany no ambarako
hahafantaranao ahy!
mba vakio aloha ny sora-tanako
dia ho tsapanao hoe... IZA AHO?!
raha i Tananarivo
efa laniko tsianjery
na ny rivotra mifofo...
na ireo izay tsy mihery
Atsy aoriana angamba
dia i MADAGASIKARA
no ataoko kilalao
sady asa hivelomana
Koa raha hirotsaka aho
dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izahay-tsofy-rano | Izahay tsofy rano | raozigasy | Izahay tsofy rano fa aleo hihafy
Hila ravin’ahitra any an-dafy
Raha hifanabe tarehy sy hifandrafy
Aleonay misintaka miova tafy
Izahay tsy matahotra miasa mafy
“Lasa izao” raha tsy tena hoe voagafy
Izahay aleo hisidina hiova loko
Fa mbola tanora tsy te hanjoko
Amin’ity fahantrana mampitakoko
Any hono miasa an-t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lavitra-ahy | LAVITRA AHY | Fredy Jaofera | LAVITRA AHY
Ray ô !...
Ataovy lavitra ahy
ny tebiteby izay nahazo
ka hiova ho lehilahy
higagana vao mivazo !
Ataovy lavitra ahy
ny fahoriana izay nanjo
ka hita ho voatahy
sy mandray fiadanam-po.
Ataovy lavitra ahy
ny fahantrana izay nitaona
ka indro tonga sahy
mahay mifaly, na ahoana !
Ataovy lavitra ahy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rovamalala-f.m.j/maratra-ilay-nofiko | NOFY SISA | Malala | Nisakambina mafy ilay ho fahavalo(ko)
Nangaihay ery sy voantsindron'izato foko
Fa tsy ho ahy intsony ity olona tsy foiko.
Latsaka ny ranomaso, ary tohina tokoa
Nisafotofoto, nipararetra sy tezitra ty fo
Tsy hanozona aho akia na koa hiantso tody
Ny miezaka hanadino anao no hany fanafody
Satriko raha ny tanako iha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rovamalala-f.m.j/izaho-ilay-adalanao | ADALANAO | Malala | Ilay tsikinao nambabo ny fo sy ny fanahiko
Tsaroako foana, tsy foiko sady tena mamiko
Tsiky iray avy aminao dia ampy hitrakako
Roa segondra monja dia mirana ny tavako
Rehefa sendra reraka iny aho any am piasana
Dia alefako any aminao ny saiko manontolo
Mihazakazaka izato foko miridana tsy tana
Velombelona ery ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/tia-sa-tiavina- | "TIA SA TIAVINA? " | IaroMalala | TIA sa TIAVINA?
Raha toa ianao no "TIA":
Dia aza misahirana
Mamboraka fitiavana
Amin'ny olon-tiana mihitsy...
Azà miseho milay
Ho tena potika aminy
Anefa.......
Na hoe babony tanteraka,
Fa sao hapetrapetrany!
Dia hitonantonana....
Hipetraka an-tokonana.
Fa raha ianao no "TIAVINA":
Bitsiho am-poto-tsofiny
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tandremo-indray-sao-fay | Tandremo indray sao fay | raozigasy | ho an’izay tsy mahalala
dia efa misy ny valala
ny mpilaza koa mahay
ka tandremo indray sao fay …
Mandeha ny honohono
Fa ny politikany hono
Dia "baomba" tsara fono
Entina manjono,
Ireo Malagasy kely
Mihevitra azy ho anjely
Ka miezaka hampiely
F’izy tsy hita velively
Raha hampandroso firenena
Sady tsy tia t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rovamalala-f.m.j/tsy-disoiko-ianao | TSINIKO | Malala | Aoka hatao hoe ahy avokoa ny tsiny
Nahatonga ilay fifamalian-tsika iny
Nefa hamela ahy amin'izay ve ianao e?
Sa dia mbola tezitra sy vinitra hatrizao?
Tsy maninona f'aleo atao hoe diso aho
Dia mandohalika, mifona ary mitalaho
Aza manamafy fo, fa mamelà sy itsero
Olona mandia tany, k'aza vesaran'alahelo
Raha sit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/iza-no-ho-fidiako | IZA NO HO FIDIAKO | ANJARIVO Ronsard | Iza no ho fidiako?
Iraika ambi-efapolo
no miandry valiny amiko
Samy sahy mijoro
Hitondra ity taniko
Milaza fa havanana
sy olom-pandrosoana
Avara-pianarana
nahatsapa fiantsoana
ka iza no ho fidiako?
f'iraika ambi-efapolo
no miandry valiny amiko
samy sahy mijoro
Hitondra ity taniko
sakaizan'ny lalàna-
Mani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rshb/soamamy | SOAMAMY | RSHB | Mamiko ianao,tsy foiko tokoa
Ny fitiavako anao tsy manam-paharoa
ny andro tsy ahitako anao
toa banga avokoa
ny tsikinao nomenao ahy
mampamirana ny androko hamaray
ny anaranao ,tsy maty vonoina
sady antsoina no vetsovetsoina
ny hiantsohako anao malala
ilay endrikao tsy manan-tsahala
ny momba anao miraikitra an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/tiako-raha-ianao | "TIAKO RAHA IANAO..." | IaroMalala | TIAKO RAHA IANAO...
Malala a,
Ny fiainanao?
Tiako mba ho fiainako!
Ny fitiavanao?
Sitrako ho fitiavako!
Ny ao anatinao?
Iriko ho ato anatiko!
Iny fonao iny ve...
Mba mety raha hindramiko?
Ny tantaranao?
Mamiko ho tantarako!
Ny anaranao,hono...
Toa singotry ny anarako!
Ny tsiambaratelonao?
Mba ho tsiamba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-basta | " BASTA!" | IaroMalala | BASTA
Zozoro maniry eny amoron'ny rano
Ka no tsy hifotetaka?...
Ankizy madinika liana angano
Ve moa tsy hipetraka?...
Manga maniry ao anatin'ny hazo
Tsy hipetrahan-domohina?...
Fa raha "kibobo" tsy anaty mangahazo
Dia mbola ho jokoina?...
Raha trondro mitapy eny a-moron-tatatra
Ve moa tsy ho sakaina?...
Fa r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vasiana/nofy-ratsy | Nofy ratsy | vasiana | Raha ho sainiko tsy miato sy ho ventsoiko mangina
raha hodradraiko hanakoako iza anefa no hampangina ?
raha ny fahorian-tsaiko no hodradraiko ho ventesiko ;
mety hisy ihany ve teny mamy horenesiko !?
Ireo alahelo lava ve no hameno izany foko ?
ny androalavam-piainako ho temerin'ny toloko !?
Raha tsy hamiratra ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/ampy-hitiavako-anao | AMPY HITIAVAKO ANAO! | ANDRINIAINA1 | Ampy hitiavako anao.
Ampy hitiavako anao.
Ny fahendrena amin zavatra atao.
Ny fiezahana hivoatra hatrany.
Hikatsaka ny soa sy mamy.
Ampy hitiavako anao.
Ny tsikinao tsy mety mandao.
Ny faherezana amin ny zavatra rehetra.
Ary koa ny fahaiza-mitoetra.
Ampy hitiavako anao.
Amin ny zavatra rehetra atao.
Ny toetr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-ady-hoaho-ny-fiainana | " ADY HO'AHO NY FIAINAKO!" | IaroMalala | ADY HO'AHO NY FIAINAKO!
Malala a!,
Ady nge ny fiainako e!.
Ady tsisy mpifanandrina
Fa miady an-tena ihany....
Indraindray aza moa
Rehefa mafy ny hiadivana dia,
Manongo tena izany!....
Ary,
Aoka ho fantatrao ry tiako fa:
Toa izany koa ny ady
Mba sedraiko isan'andro
Na maraina na hariva....
Na alina na atoan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-gitara-miparasaka- | " GITARA MIPARASAKA! " | IaroMalala | GITARA MIPARASAKA
Mba tandremo aky Malala a!
Fa raha fitia no atao fisasaka...
Tsy ho ela ilay "gitara" dia:
Ho "vaky" sy "hiparasaka"....
Ka,
Sao ho sahirana eo Ianao! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-tsiaro-mangidy- | " TSIARO MANGIDY " | IaroMalala | TSIARO MANGIDY
Eny!,
Indray andro any ianao hitady faniriana
eo an-doha-pasako.......
Hisotro ny mafaitra; hitady ny tsy laitra
sy ny sisa izay tsy lasako.....
Ny fitiavako, ny tsikiko, ny fihaonana matetika?
Nofy sisa angamba......
Fa niangavy anao aho mba hiezaka hampandefitra
na dia ora vitsy monja
Amin'ty... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-arovinao-ry-ray- | " AROVINAO RY RAY !" | IaroMalala | AROVINAO RY RAY
Ilay efitrano keliko izay zary babangoana,
Ilay fo nampandeferiko nandritran'ny fotoana,
Ilay ratram-panesoana nataon'ny mpiara-monina,
No herin'ny finoako mivetso tsy hay tononina.
Ny ngidim-pihafiana manindry ny ao anaty,
Ilay faikam-pahoriana mangeroka tsy tanty,
Ilay ady nitolomana mafana sy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-vavaka- | " VAVAKA " | IaroMalala | VAVAKA!
Ray ô!,
Satria mifafy mafy ny hetrakin'ny ankaso,
Natao ny mba hihafy nefa latsa-dranomaso...
Satria tsy maintsy hamaky ny lalam-pijaliana?
Dia ny hery avy aminao...no sisa mba hiriana!.
Satria tsy maintsy hizotra anaty sahan'ady,
Hiharitra ny mafy, hisedra fahoriana...
Dia mba hampiononinao mba ho zatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/just-my-thoughts/poety | POETY | just my thoughts | Moa mba efa fantatrao irony antsoina hoe Poety?
Efa mba nihaona tamin'izy ireny moa ianao?
Angamba nisy tena havana amin'izy ireo na mety
Ho sakaiza mpifanolo-bodirindrina aminao
Nefa hitako izy ireny toa tsy dia miolonolona
Mba tahaka antsika ihany fa tsy sampona tsy akory
Manana n toetra tsara sy kilema toy ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-inona-ihany...- | " INONA IHANY?..." | IaroMalala | INONA IHANY?...
Rehefa injay ianao
toa mientam-paniriana,
Tsy mahagaga moa fa:
"Misy raozy tiana"
Dia,
Izany no fitiavana!
Avy eo ianao
Mitsikitsiky kely,
Dia io fa lasa saina
Sy tsy ahitàna teny.
Dia,
Izany ilay fitiavana!
Nony aty aoriana ianao
Niditra am-piangonana,
'Nde mba hanamasina
Ilay fitia nit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahy/ny-peniko | NY PENIKO | AHY | Lasa lavitra ny saina
any @ iza no hitaraina
te hitroatra nefa indrisy
toa mitady ny tsy misy.
mécanique no natao
zao manao tsy fanao
ny zavatra rehetra vita
hay automatika
de gaga zany saiko
mahita izany adalako
de tena mihomehy irery
zarako tsy eo ianao hijery |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/lakan-jejo | LAKAN-JEJO | KIRIAH | LAKAN-JEJO
... fa rendrika am-pitàna
lay lakan-jejo kely
nitety alon' onja
nisangy alon-drano
nihevitra ho mahery
ka tsy nanara-morona
fa avy dia nisetra
nanao am-boletra
hitsinjaka amin-kiran '
ireo rivo-dranomasina
ka iny nitsikasina
f ' indray mipaoka monja
dia lentika tanteraka...
Eisy e ry lakan-jejo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/misy-fahanginana | Misy fahanginana | raozigasy | Ho setrin'ny tononkalon'i Riva manao hoe Fahanginana
Misy fahanginana feno hiakiaka
Misy fahanginana manafina sariaka
Misy fahanginana manakom-pahantrana
Misy fahanginana manolo hafanana
Misy fahanginana, feno fandeferana
Misy fahanginana, misaina am-piheverana
Misy fahanginana, manao adisanina
Misy fahanginana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mirotsaka | MIROTSAKA | Fredy Jaofera | MIROTSAKA
Mirotsaka daholo
‘zay te ho Filoha
toa mamono lolo
fa hahavita soa.
Mirotsaka daholo
‘zay te hofidina
mihoatra ny folo
fa tena hoe liana.
Mirotsaka daholo
ny te hahazo seza
fa afaka hanolo
‘ty lala-mideza !
Mirotsaka daholo
‘reo mpanam-bola
ka ‘tony tontolo
toa voavolavola…
Ny tsara sy mendri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izaho-fidiana- | Izaho fidiana !!! | raozigasy | Dia amidiko aminao, ilay sakako beloha
Ireo vary mangatsiaka, tsy lafoko taloha
Dia ampaniriako indray, ireo atsanga tsy aman’orana
Fa izaho fidiana dia voavaha daholo ny olana
Dia izaho fidiana, raha toa ianao tsy an’asa
Sy ts’isy diploma, fa tonga ianao dia lasa
Tsy hahantra intsony, fa tonga dia tafita
Hiadan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/ty-fireneko- | Ty fireneko ! | Djaw | Oh ry fireneko ô ! Ho aiza ary ianao zany ?
Toa efa hitako mitsirepirepy ihany !
Mitady tsy ho afaka mandeha, efa mandadilady,
Sao dia mba hivarina any an-kady ?
Tsy hita e ! Tsy efa izao ve ny an-davaka ?
Nofinganin’ny zalahy ka tafalatsaka !
Nalentin-dry zareo, nampidirin-dry zareo an-kizo !
Any amin-dry zareo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vasiana/hafatra | Hafatra | vasiana | Tao anefitro mangina,
dia niainga ny fanahy.
Ho an'ireo rehetra tiana,
no mapanoratra 'ahy.
Koa raha maty aho ralala !?
Dia ireto hafatro ireto,
no iangaviako anao handala,
tadidio ka raiketo.
Raha maty aho rankizy,
ka handao koa ny tany ;
aza miondrika na kivy,
atsaharo ny tomany.
Koa raha maty aho ralala ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/hafatra-maika | HAFATRA MAIKA | harylovah | Ianao no tsy maika
ka toa tsy miraika
Manova ny paika
F'iretsy vahoaka
nilaozan-kapoaka
dia efa hipoaka
...Ka tsy hanaiky intsony !
Ka izao no lazaiko
sy dradradradraiko
fa kely mba haiko
Raha dinika maina
Nilaozan'ny saina
dia aza kasaina
...Fa mivonto ny fony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/breacksong/embona | EMBONA | BREACKSONG | Eh! Naha sarika ahy lahy ianao
Fa toa tsara fanahy;tsara toetra
Satria hatr’izay ka hatr’izao
Dia lasanao tsy misy fetra
Izato foko… feno fitiavana
Isan’andro aho dia toa manina hatrany
Fa hay ianao tsy anilako eo!
Zary nofy ihany ny ahy
Ka ny foko no toreo
Mitoloko hatrany hatrany
Miandrandra ilay mazava
Re... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/vavaka-6120 | VAVAKA | ANDRINIAINA1 | Vavaka.
Ray o, isaorana ianao!
Amin ny zavatra rehetra:
Izay vita sy mbola hatao,
Ary koa ny fahasoavana tsisy fetra.
Ray o, Deraina ny anaranao!
Omena voninahitra:
Fa lehibe tokoa ny fitiavanao;
Tsy mivadika, maharitra.
Ifonanay Aminao:
Ireo fahotanay rehetra;
Ka angatahinay aminao:
Ny Fitiavana hahay hito... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/iza-daholo-ireo- | Iza daholo ireo ??? | raozigasy | Kandida efa firy, sivy amby efapolo
Hisolo tena hono, ny gasy manontolo
Dia hilatsaka hofidiana, filoham-pirenena
Hamaha ireo olan’ity tany mosarena
Dia naloa ny vola, iny samy manana
Na dia misy tsy mazava, ny nahazoana ity fananana
Nisy nandeha irery, narahin-tsolon-tena
Sy olom-bitsivitsy, sendra nifanena
Di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/janahary/avia | AVIA | janahary | Rehefa tena tia
Mandainga izay milaza
Hoe ny sainy tsy miria,
Mivezivezy lava
Manjohy 'lay tiany indrindra.
Terena mba hifindra
Vinany ho any an-kafa
Fa ehe!
Tsy mety f'iny lasa
Miverina mikiry
Manao an-jiriziry
Hanaraka ny tiany
Tsy ifanomezan-tsiny!
Dia ny adiady kely
Tsy mahasakan-jery
Na mody lonilon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vasiana/ireo-lolo | Ireo Lolo | vasiana | Indro tamin'izay LOLO iray,
namangy zaridaina vao maraina,
ka namonjy ity felan-draozy tsara paozy.
Tsy ratsy velively, tena kanto, mavokely.
Koa dia nonina tao nanorim-piainam-baovao,
fa mendrika sy kanto 'ty felana milanto.
Ilay raozy toy ny anjely, toy ny tsy halazo velively.
Iza no tsy haniry ity raozy vao m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/aza-manody | HO ANAO 'LAY TIAKO | KIRIAH | Tsy misy ambara firy na betsaka hotenenina
fa kosa 'zay voavimbin-drangodrangotry ny penina
no hany hatosako eto
injany manko reko ny fidoboky ny foko
misentosento fatratra sy vizan ' ny toloko
manembon-tsy mitsahatra an ' ilay fitiavantsika
tena mangatsiaka anie ny foko mitaraina e !
mila tsy ho tanty koa ny v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/eisy-e-e | "EISY E E!" | IaroMalala | EISY!
Adaladala.................
Rehefa antsoina dia manakifika volo
Sy mody mba miavona.....
Ny tanany anefa malefaka kely
Toa mora mandrazona.....
Mitapitapy................
Rehefa kitihina, miala ilany
Miseho ho masiaka....
Nefa inay hihetsehako kely
Mba mitsiriritra....
Mananihany..............
Rehefa h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/janahary/aza-manody | AZA MANODY | janahary | Tsy haiko ho'aho malala
Na ny ambin-toakanao
No dia mahery loatra
Ka nampitroatra indray
Ny ngidim-pahoriako
Nilaozanao sahady
Fa ny ambiny tsy lany
(Tsy telinao angamba)
Nataoko indray misotro
Noheveriko hampisava
Ny alahelom-poko
K'izany mihitsy hoy aho
No nampalemilemy
Sy nampitondra faisana
Ny vatana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/raha-izaho-no-lany | Raha izaho no lany | raozigasy | Toa tsy andriko sahady ilay volana jona
Olo-marobe, no indray henoina
Hilaza drafitr’asa, dinika sy vina
Hevi-baovao , nofy, faniriana
Raha izaho no lany, dia hidina ny solika
Ny lalana rehetra tsy hisy izay ho potika
Ho voky sy mandrezatra, ny valalabemandry
Tsy misy intsony ilay noana nefa mandry
Raha izaho n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/tsy-mbola-mandry | TSY MBOLA MANDRY | dadatsima | TSY MBOLA MANDRY
Tsy natory aho akory
Fa tena rendremana
Raha toa tsy niseho
Ka tsy hitanareo.
Tsy nangina aho akory
Fa nibitsibitsika
Ka tsy nisy nahatsikaritra,
raha niresaka maharitra,
Tsy nanadino aho akory
Fa mbola sempotry ny adidy
isan’ ora mahatsiaro
nareo Hava- sarobidy
tsy mbola antitra aho a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-ho-anao | " HO ANAO!" | IaroMalala | HO ANAO!
Ho anao izay niharitra
Saika isaky ny alina....
Fandrehetako ny jiroko
Rehefa injay mamantonalina!.
Ho anao ilay tafandry,
Impiry moa nokotabaiko....
Fony nisy teny iray
Miserantserana tan-tsaiko?.
Ho anao nifampizara
Ny alim-potsiko mazàna....
Fa ny kiriko mamihina
Eritreritra tsy tana!.
Ho anao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-adala-kambony | " ADALA KAMBONY!" | IaroMalala | KAMBONY!
Malala a!,
Adala kambony iny!
Mody atao hoe tiaviko...
Mody atao hoe tiko,
Saingy tsy izy no tadiaviko....
Noheveriko hitovy
Sy ho mira lenta anao
Ny fitiavana koboniny.....
Tiako ho sangisangy
Sy ho kilalaoko ihany, anefa
Ny fitiavana hatolony.....
Raha ny marina Malala a!
Ianao no "lafatra" amik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/propagandy | Propagandy | raozigasy | Hanomboka hiandoha,
Ireo fanasana loha
Etsy sy eroa
Ho bobaka ny toky
Lazain-dry boloky
Fa ry zareo te ho voky
Hi-demagozia
Ny atsy sy ary
Ho avy ny « je suis »
Dia ronono an-tavy
Indray izao no ho avy
Fa betsaka ny favy
Hisy radio vaovao
Tsy nisy hatramin’izao
Atokana ho anao
Ho savony indray ny vava
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/ity-ianao-ry-tiana | " ITY IANAO RY TIANA!..." | IaroMalala | ITY IANAO RY TIANA...
Oadray lehity e!!
Ity ianao ry tiako
Toa nanjary tiany?...
Ny sandrinao: fihininy;
Ny masonao: banjininy;
Ny molotrao: norohany;
An-tratranao: ny lohany;
Mihanoka hafaliana...
Dray!....'Ty ianao ry tiana!.
Ny angotinao: henoiny;
Ka io ianao fa tony;
Ny tsikinao: valiany;
Tiany ianao k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/nekena-fa-nolavina | NEKENA FA NOLAVINA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | NEKENA FA NOLAVINA
Tiako ianao kanefa aleo koboniko ho ahy irery
Tsy tiako harary fo satria hiainan’ela ny fitia
Tsy ny androany ihany no higohana ny mamy
Tiako ianao ka noho izany tsy avelako ho very
Hitako amin’ny endrikao fa tena tia tokoa
Tsy tiako raha tomany no handravaka izany
Afeniko anao rahavako fa ian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-aoka-ihany | " AOKA IHANY!" | IaroMalala | AOKA IHANY
Toa tsy tiako
Rah ny foko
No tsy hitia anao Malala a!
Mba tsy sitrako
Tsy vitako
Izany ho lasa mpankahala!
Toa tsy mamiko
Tsy laniko e!
Izany hamoy anao tanteraka!
Dia, halazo
Hivarilavo
Ilay fo tia tsy nihetraketraka?.
Tsy haiko 'zany
F' "AOKA IHANY!" |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/ho-avy-ianao | "HO AVY IANAO?" | IaroMalala | HO AVY IANAO?
Trano bongobongo
tontatonta ratsiratsy
No hovantaninao any!
"Telo dia", na mihoatra kely
feno poti-taratasy
No halehiben'ny tokontany!
Ny varavara fidirana?
Makakakaka sady boboka,
Ka tandremo sao kitihina
fa avy hatrany mamovoka a!
Raha tafiditra ao ianao
misy horonantsihy ao
sy "toko vato" ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-antony-anoratako | NY ANTONY ANORATAKO | Fredy Jaofera | NY ANTONY ANORATAKO
Ny antony anoratako
dia alehelo tsotra izao
manadala ity fitiavako
mitaditady foana anao !
Ny antony anoratako
dia efa ela no tsy re
ka manahy, rahavako,
ito saina sao dia hoe …
Ny antony anoratako
dia ao ihany ny taloha
mahamirana ny tavako,
na efa any tsy mifoha !
Ny antony anoratako
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randza-zanamihoatra/malagasy-mankany | Malagasy Mankany | Randja Zanamihoatra | Eny, ho’aho, Ramalagasy ! Malagasy be fivoarana !
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana !
Izato fihetsiketsikao e, izato fomba amam-piteny !
Ianao no tena malagasy fa tsy ireny Ntaolo ireny !
Satrinay hitsinjo ihany izato ianao mirehareha :
Borizanom-pandrosoana miedinedina fandeha
Soa, manko, nit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aza-kivy-izany-leisy | Aza kivy izany leisy | raozigasy | ho setrin'ny tonokalon'i Kiriah hoe "aok'izay"
Aoka izay ilay tomany, ilay efonefona sy sento
Aoka izay ilay embonembona ilay fofony manento
Aoka izay ilay hirahira, sy tanisa ny anarany
Aoka izay ilay famerenana isan’andro ny tantarany
Efa omaly dila iny, ka aleo hivalona any
ataovy eny an-tsisitsisiny eny, hot... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aleoko-ihany | Aleoko ihany | raozigasy | Aleoko ihany ianao mandatsa ,amin’ny teninao mahery
Toy izay ianao mangina, amin’ny tifitra fijery
Aleoko ihany ianao mikiaka, amin’ilay feo vonton-kita
Fa ilay hari-jerinao, tena tsy tantiko ho hita
Aleoko ihany ianao mivaza, amin’ny feonao feno ketoka
Fa tsy laitrako mihitsy, ilay jadon-dianao mifetoka
Aleoko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/rava-ianao-ry-tanindrazako | rava ianao ry tanindrazako | dadatsima | Tsy ampy angamba ny miandry.
Ny manantena mandrimandry
Fa mila tena famantarana,
Miseho mazava ahafantarana.
Maro mantsy no matahotra,
Ary tena efa reraka
Tsy mahita izay ombana,
toa voasarona amin’ny takotra
ka toa mamo misaveraka,
tsy mahita izay tolana,
Dia mbola hanantena indray ve?
Minoa fotsiny ihany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sambatra | SAMBATRA | Fredy Jaofera | SAMBATRA
Na ratsy aza ny vintana
ka tsy ahitana fintana
mitobaka hanjonoana
ny tiana ho haravoana
dia sambatra aho, malala,
raha eo ianao tsy miala.
Na ratsy aza ny andro,
toa tsy be masoandro
mivimbina hazavana
sy ny mbola hafanana
dia sambatra aho fa arira
raha eo ianao mba mihira.
Na ratsy aza ny lalana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-anja-kely- | " ANJA KELY ! " | IaroMalala | ANJA KELY
Hafaliana moa izany
Ny an'ty Raneny iray
Raha 'nde hitsena ito zanany....
Avy any an-dafy hono mantsy
Ka mba hody an-tanindrazana
F'efa vita ny fianarany.....
Tsy tao an-tsainy kely akory
Izany hoe "hisasa tava",
na ny "hanala akanjo mandriny";
Fa, io niarina am-pandriana
Dia namokovoko mafy....
E... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/avelao | Avelao | raozigasy | HO setrin'ny tononkalon'i Hanitra Olive Ramanantenasoa
Avelao hirotsaka izany ranomaso
Rehefa tapi-tobaka ny horaky ny andraso
Mpandefitra ankaso
Avelao ny fo hanaiky ilay vahiny
Rehefa tapi-draraka ny fondro sy ny tsiny
Ka maina ny fahiny
Avelao hipaoka ny herin’ny tadio
Rehefa maivan-danja ilay fitia anio
Af... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsoriakan-kintana | Tsoriakan-kintana | raozigasy | Irery teo amoron-driaka, mijery faravodilanitra
Ngomangoma, ginagina, toa tena lavitra salanitra
Mainamaina , bangabanga, toa very hevitra sy sina
Valabalaka , mangaina, fenofeno vinavina
Dia lasalasana vinany, manembonembona tsy fantatra
Olona sa firenena ? sarotra atao ankamantatra
Verivery, Varimbarina, arirar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/olona-afaka | OLONA AFAKA | Tsilaitra | Satria ve olon'afaka ianao
Dia ataonao Kilalao
Ilay fitiavana ao am-po
Ka zary Kianja filalao
Ny tontolo rehetranao
Zay vao marary an-doha
Olon'afaka eny ianao
Afaka manao izay sitraky ny fo
Kanefa tsy tsinjonao mialoha
Zay ateraky ny anio
Na ho masoandro na tadio |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-io-fitiavana-io-hoaho | " IO FITIAVANA IO HO'AHO!" | IaroMalala | IO FITIAVANA IO HO'AHO
Zandry a!
Izao ny ahy mba kôziko:
"Io fitiavana io letsy a!,
Tsy atao fisangisangy
Fa laroina tambitamby
...Raha tin'lahy 'lay sipa.
Io fitiavana io ho'aho,
Tsy vitan'ny veloma
Fa asio takalo rora
...Raha tena te hahita.
Io fitiavana io lehity e!,
Tsy mety raha tsy hajaina
Sy mody hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-ianao-mahatanty | " IANAO MAHATANTY?" | IaroMalala | "IANAO MAHATANTY?"
Ny tranonao am-pita ny ahy koa
No nahafahako nandinika
Sady tsy nasiako ahiahy....
Ny fihetsikao madinidinika;
Tsinjoko avy ety am-pita
Ianao ilay mody adala
Mody hoe mikopak'afo!!
Mangata-maso te ahalala
Ny ady an-tranonay mivady!.
"SANGISANGY"...F'azafady...
Indrindra indrindra ny alahad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/harodako | Harodako | HASINIONY | Harodako ny fahatsiarovana nisy ihany tany ho any
isehoan'ny efa rava ho endrika mieloelo
fa tsy trano lao ny foko ka honenan'ny avelo,
hesoriko ny tsangambaton'ny fitia 'zay lany mamy
tsy hivongana ho sampy ny aloky ny nahavelomany
ho angano mora lefy ny ady izay mba nitolomany,
na ny ela na ny omaly: andry nisy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-tia-izy-izay | " TIA IZY IZAY!..." | IaroMalala | "TIA IZY IZAY!"
Rehefa izy izay no falifaly foana,
Miramiran'endrika isaky ny hihaona...
"Tia izy izay!" - Miantso anao an-kolaka
Saingy aoka aloha, aza mbola haboraka:
Aza mbola hambara
Aleo ho tia tsara!
Rehefa izy indray no miezaka miery,
Mandositra mihafina ny masonao mijery...
"Tia izy izay!" -Te hanolotr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/ianareo-vehivavy | "IANAREO VEHIVAVY" | IaroMalala | IANAREO VEHIVAVY
Aza mampifilafila
Ho degany sy manja
Raha toa ianao mba tiana.
Aza miseho milay
Ho tena matikambo
Raha mba tiavinay.
Aoka tsy hampiresaka
Sy miseho mahitahita
Aminay lehilahy mipetraka.
Aza mba manidina
Am' zipo hapoto-pe
Sao sanatria ho bikina.
Izahay lehilahy manko
Maditra fa misaina,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiaramanana-alain-patrick/fitia-tsy-tanteraka | FITIA TSY TANTERAKA | RAMIARAMANANA ALAIN PATRICK | te hilaza aho anefa, matahotra tsy sahy
fa ny angotingotinao, no toa naniraka ahy
hoe amboraka an'izay, zava-miafina ato am-po
fa ianao no tena tiako, ianao no masaka ato an-doha
dia niaraka isika, tanaty andro maromaro
nifandimby tao ny ady, sy hafaliana mifangaro
ka ny zavatra tsy tiako, no toa tena maminao
ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/breacksong/firaisana-voalohany | FIRAISANA VOALOHANY | BREACKSONG | Toa tsy tsapanao akory
‘ty foko mitempo mafy noho ny faniriana anao
Fa ny nahagaga ahy marina
Dia toa tsy hitanao akory
Ireo rotsa-dranomaso izay nandrakotra ny tavako
Fa ny hanao ihany no nahamaika anao
Ka nasisikao niletra
Oh! Tonga,Tonga hoy ianao
Ilay ora izay nandrasana
Fa ilay fitiavako ho anjaran’ny fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/mahantra-ny-havanao | "MAHANTRA NY HAVANAO!" | IaroMalala | MAHANTRA NY HAVANAO!
Malala a!,
Tsy mpanjaka nge ny foko e!,
ka tsy mendrika ahy ny angola.
Fa mpangataka eny an-dalana
tsy manan-kaja dia voarora....
Tsy irony be harena
mpanefoefo sy malaza....
Fa mpiandry vavahady
zatra gidra sy kotaba.....
Mafy ady ny havanao ,
mpitrongy bozaka an-tanety....
Ka raha toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/handrianina | " HANDRIANINA " | IaroMalala | HANDRIANINA
Raha ny hoe:"hampirafy"?
Samy mahay
Samy mana-talenta....
Fa raha vary am-bilany
Tsy atao ratsy afo
Fa sao lasa feta....
Raha ny "hadalàna"?
Samy mahavita
ary tena matihanina....
Fa ny mpivady na ny mpisipa
Mahay mifandefitra
Mbola "HANDRIANINA". |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/masiaka-ny-tsiahiny | Masiaka ny tsiahiny | raozigasy | Ho setrin"ny tononkalon'i kiriah : Tsy tony
Sento sasak-alina
Rako-betso lalina
Mandrovi-pahanginana
Anaty fivonkinana
Vadibadi-tory
Feno nofy ory
Mampivoa-dinitra
Toa vetso mahavinitra
Loha tsy mety lavo
ondana atao avo
sempo-tsy avy miaina
Ka ela vao maraina
Ireo no natambany
Ho bemirain’ny lambany
Sy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiaramanana-alain-patrick/malala | MALALA | RAMIARAMANANA ALAIN PATRICK | aza mety ianao ry tiako,
hoe ho tototra ny lavaka efa ela nohadiako
na hivadika ny lakana hiampitan'ny faniriako
na ho solafak'eny andalana, ka tapaka ny diako
fa be ireo mikiasa, andrava ny antsikaroa
ho sasatra izy ireny, iala maina avokoa
satria ny antsika, dia efa orim-bato
fitiavana mafonja, hery zato isan-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiaramanana-alain-patrick/tsy-sahy | TSY SAHY | RAMIARAMANANA ALAIN PATRICK | teny tokana iray, tsy mba sahiko lazaina
mampangovitra ny vavako, ka mampiasa saina
tehirizina tsy tanty, ato am-po tsy hay afenina
tiako ambara anefa izany, tsy isian'ireo nenina
teny tsotra iray monja, no ambarako aminao
somary kely fa mafonja, dia ny hoe: "TIAKO IANAO"
efa ela no nitoetra, fotoana maro tsy voa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/tiavo-fotsiny-aho | "TIAVO FOTSINY AHO!" | IaroMalala | TIAVO FOTSINY AHO!"
Raha hotereko ianao hitia, dia:
Mety ho tia fa alasafay.....
Raha ho hataoko baranahiny:
Mety hampirafy indray.....
Moa raha ataoko hoe Safidy, dia:
Mety hiantsampy bitro roa....
Ary ny fitia anao
Ho hafahafa be tokoa....
Ka tsy hitako Malala a!
Manahirana ahy ianao....
Fa "TIAVO FOTSINY ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/raha-toa | "RAHA TOA...". | IaroMalala | "RAHA TOA...".
Ny rahomainty ratsy;
Ny erika mifafy;
Ny gainan'ny masoandro
mpandoro an-davan'andro;
Ny embona izay lasa;
Ny eso sy ny latsa.....
Ireo rehetra ireo?
Dia mety ho foana hatreo,
Na mety ho fambara
fiainana ho tsara,
Sy mety hanampy hery
ny fiainako irery....
"RAHA TOA..." tia ahy Ianao!
Na ko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/-mama | " MAMA!". | IaroMalala | "MAMA a"!,
Fony teo Ianao?
Izaho nihevitra mihitsy
Fa ampy ahy hatram'zao
Ireo taona vitsivitsy nahafahako nijoro
Samirery tsy hatoro....
Manko lasa Ianao tsy tàna,
Vao tena tsapako mazàna
Fa manao fanahin-jaza
Mikavia, solafaka aza....
Mitady zavatra hamaharana
Toin'ny olo-nosomparana....
Mbetika mireniren... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/mamy-hoaho | " MAMY HO'AHO!!" | IaroMalala | MAMY HO'AHO!
Malala a!;
Ataoko angamba letsy a!
Fa fanirian'ny tia
ny hitoetra lalandava anilan'olon-tiany.
Ho sambatra satria:
'Lay volana mazava no homba ny hafaliany.
Dia fanirian'ny ory
no mba hahita koa ny fianinam-pahasambarany,
Ka 'lay hari-tory?
na 'lay ady tao an-doha, dia hivadika hafaliana
Ka hand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fa-naninona- | Fa naninona ???? | raozigasy | Mitady lalana hibirioka ireo tsiahy tsara pirina
Mitady hihiratra indray ireo sary tsara irina
Mitady hitsangana amin’ny maty , ireo razan’ny fahiny
Mitady hivadika ho tsanganana ireo lavenom-paniriany
Mitady hihoatra izato valany, ireo tsiaro tsara fefy
Mitady ho tondraka an-dalana, ireo korian’ny tsy lefy
Mitad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaromalala/mitapy | "MITAPY???" | IaroMalala | MITAPY ???
Malala a!,
Adala angaha ianao?,
Sa efa mba mitapy?
No toa mikiry biby
Minia mba mampirafy!. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-resa-pitiavana | TSY RESA-PITIAVANA | Fredy Jaofera | TSY RESA-PITIAVANA
Matoa aho tsy te ho any,
na singany aok’izany,
na maloka sy ory
sy tsy mahita tory
dia tsarovy lalandava,
aoka mihitsy hazava
fa tsy resa-pitiavana
fa efa finiavana !
Matoa aho tsy tamana
sady mila tsy hafana,
nanjary te handeha,
na nitsiky ihany ange
dia ataovy ao an-tsaina
fa misy tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njarakelly/ny-tena-tia | Ny tena tia | Njarakelly | Ny tena faniriako, any andro iray,
Io ilay olontinao,
milaza fa handao,
satria fotsiny hoe nahita hafa vaovao.
Amin’izay ,
Dia ho tsapanao izay tsapako,
Ary hiainanao izay niainako
tamin'ilay andro iray, izay nandaozanao ahy.
Tsia,…
laingako ihany izany,
Fa na dia betsaka azy ireo tomany,
Narotsako ho anao,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/sipa-fetsy-b-hono | SIPA FETSY-B | KIRIAH | Teny am-piandohàna :
Aoka angaha tsy ho afeniko
ary ho tsoriko ny teniko
fa naha-rikoriko
ianao manjohy ilay tiako
( impolo miova anarana ,mangataka ho namana
fa te hanarangarana )
Ankehitriny kosa:
lazaiko ho ren 'ny hafa
fa maha-sambatra ahy
'lay ianao mijafajafa
misera sy mitafa
manafina alahelo ao anati... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/eny-ee | Eny ee | raozigasy | setrin'ny tonokalon'i kiriah hoe "maninona e "
Toa mievaeva, tsy takatra enjehina izato endin-tsainy
Ny ao an-dohany ao, ainga tsy milamina, ny antony tsy hainy
Fa hevitra sy feo, te hanao amboletra, nefa tsy mivoraka
Tanisanisan-javatra, kiaka tsy miloaka, antso tsy mihoraka
Ireo faniriana anaty, ireo loatra tehi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/matokia | MATOKIA | Fredy Jaofera | MATOKIA
Raha mahazo vahana
‘tony tolona iarahana
dia saino eto fa satria
te handresy, matokia !
Raha mitatra ombieny
ny sehatra sy habeny,
tsarovy eto fa satria
manantena, matokia !
Raha miroso fa tsy vava
ny vahoaka te handrava,
tohano hatrany fa satria
te hivoatra, matokia !
Raha mitady hirodana
ny mand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikel/zandrikely | Zandrikely | Tsi'kel | Voafelaka tamaina
i kala zandrikely
hoy neny hoe "tsy misaina"
naditra ka dia voavely
Ny fo feno alahelo
Ny maso nitomany
ny orona latsa-delo
fafana fa mikorina hatrany
Mangina hoy i Neny
Fa hoy kosa i zandikely
raha misy mamelaka ny takolaka ray hoy jeso
omeo azy koa ny iray faharoa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aleo | ALEO | Fredy Jaofera | ALEO
Aleo izy handeha raha izay no sitra-pony,
ra’izay no faniriany sy fantany hoe tsara ;
aleo izy handeha tsy ho hitako eto intsony
fa mbola ho tadidiny rehefa ratsy anjara !
Aleo izy hisintaka raha izay no hasambarany,
raha izay no hafaliany hitondra zava-tsoa ;
aleo izy hisintaka fa apetrako ho tantarany
ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/tsy-tony | TSY TONY | KIRIAH | NY SENTO nisikinan ' ny fo nilaozanao
no mbola koa firakotra tinafiny amin 'ny alina
rehefa injay nivalona
lay hazavàna feno
nentin 'ny fitiavana
dia iny fa niradana
nanjohy anao ny vetsony
dia injao ny fiefonefony anatin ' ny aliny ao
mitanisa sary mirongo ny endrikao.
saingy :
Miaingitra ny hambo miloloha ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/niandry-faty | Niandry faty | raozigasy | ho setrin'ny tononkalon'i kiriah hoe Gaga aho
Ilay faty izay nandrasany ? ambarako aminao
Tsy tena faty akory, fa faty kilalao
Faty noforonina hivoahana ny trano,
Razana tsy misy , fa arira sy angano
Fa ny tena marina, izay no lainga masiny
Entiny hanamarina, ilay kabary ts’isy sasiny
Fa izy te hivoaka, hanitani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/lany-bala | Lany bala | DotMG | Efa vita fampihavanana
Ireo karajia sy rima
Ka tsy mety miady intsony
Efa mandry am-piadanana
Irony vetso sy inspiraka
Ka tsy miainga f'efa tony
Ilay molo-behivavy
efa tataka sy sima
Tsy hainy intsony ny manonona
Dia feo kentsom-pamosavy
sisa no afaka maniraka
Ireo mpankafy mba hionona.
Raha tononkalo no an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikel/tenim-beloma-ho-anlay-tsy-foiko | tenim-beloman'izay tsy mahafoy | Tsi'kel | Veloma veloma ry faratiana
Fa ny tany mihodina anie ka tsy azo didiana.
Veloma veloma ry sitraky ny aiko,
Aza malahelo fa mandratra ny saiko.
Na dia handalo aza ny fotoana ary handeha ihany,
Na ny fahatsiarovana ao am-po aza hitoetra hatrany
Fantaro anefa fa rahampitso anie ka andro vaovao,
Andro hafa sy mazava ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vidinny-ranomasoko | NY VIDIN'NY RANOMASOKO | Fredy Jaofera | NY VIDIN’NY RANOMASOKO
Ho tsapanao etoana rehefa hijaly sy hanenina
ny halafon’ireo tomany tsy tanty sy nafenina ;
ny vidin-katezerana mbola mila nankarary
kanefa dia fitiavana efa hita ho nihary.
Ho takatrao ihany rehefa ho ory lalandava
ny lanjan’ny voateny toa maty sy efa rava ;
ny zoron’ny eritreritro nahats... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.