url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/tsy-hadisoany | TSY HADISOANY | KIRIAH | Tsy avelan ' ny alina mikipy ireto masoko
mitodika makany, kanefa tsy hadisoany.
Fa 'reo nofy lalina no injao mibodo toerana ,
mahatsiaro ny akany
rombohin ' ny ambiroany.
Dia njao midongy ainga tsy folaka am-panginina
mitondra ny fanahiko hitety ity ririnina ,
ririnin ' embonembona ,
ririnin ' alahelo
tomany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jinah-mahazina/trano-rava | TRANO RAVA | Jinah MAHAZINA | TRANO RAVA….. !
Mitomania ry tany ; …
Aza gaga ianao raha hanehoako ireo,
Tsy rivotra na afo no nandalo teo,
Tsy orana nifofo, tsy varatra nipoaka
Fa kokan’ny “Tadio, ka Gona Vetivety”
Mitomania ry tany;…..
Ravany io ny tafo, tsy misy varavarana,
Nazerany ny rihina, nadobony amin’ny tany:
Dia aza gaga koa raha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/ianao-...isika | IANAO ...ISIKA | KIRIAH | Ny fiainanao atambatra amin ' ny tantaram-piainako,
ny hoavinao iriko mba ho lalan ' ny fisainako,
ny ampitsonao hiarak ' hamindra amin ny ahy
tsy ho " IANAO " sy " IZAHO " intsony
fa ho lasa " ISIKA " indray.
satria :
Tiako ianao ry TIAKO ! ,
mamin ' ny fitiavako sy tena faniriako ,
tontolon ' ny ao anatiko
m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tonga-soa | TONGA SOA | Fredy Jaofera | TONGA SOA
Tonga soa
ny taom-baovao ;
misaora aloha
sy mba derao.
Tonga soa
ny taom-baovao
ka mandrosoa
sy anjakao !
Tonga soa
ny taom-baovao
ka ny mazotoa
no afafy anao.
Tonga soa
ny taom-baovao
ka avy hamoha
izay hifamaho.
Tonga soa
ny taom-baovao,
mitondra voa
sy izay hatao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/manantena | MANANTENA | NY HARIAINA | MANANTENA
Te hamangy
Te hijery
Te hahita anao,
Izao dia eny izao
Te hifaly
Te hisambatra
Te ho anilanao,
Fa tsisy ny azo atao.
Hany hery,
Aleo mijery
ny sarinao irery.
Mbetika sorena
Fa toa manorisory,
ny tsy an-tratranao akory.
Kanefa manantena,
Fa hoavy ny fotoana
Tsy maintsy mbola hihaona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/embona | Embona | HASINIONY | Indrisy ry embona tsy fantatra
toa atsikafonao etoana
'reo lasa izay niriako fatratra
ho tsara levin'ny fotoana.
Toa dia vatranao sangiana
no sady satrinao hifoha
mba hilambana mangina
ny ankehitriny sy taloha.
Moa vare ho maminao
ny mibanjina ahy torovana
miloloha sy mibao
irony akom-pahatsiarovana.
O! ry ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/...firy- | ...FIRY ? | KIRIAH | Lehilahy firy no lavon-torimaso ?
Nandaboka ny lohany ho an-tontolo hafa
lanaky ny asa ,
lanaka nanompo
teny rehetra teny
niriotra ombieny ombieny,
Nanaraka ny andro
nanjohy koa ny alina
nataony valananina
fa ady tsy an-kijanona
' lay misy ety an-tany.
Afeninao ry Ampitso ny any ambadika any
tsy de mazava... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-faly | AZA FALY | Fredy Jaofera | AZA FALY
Aza faly maneso
fa ny vita refeso
raha misy jerena
na mampahonena.
Aza faly mialona
sao dia hivalona
'reo vintana maro,
efa nisy toa niaro.
Aza faly mamely
sao dia hihakely
ny tsiky sy hehy
nahatsara tarehy.
Aza faly manisy
fa jereo,indrisy,
'zao bika manjary
tsy tiana ho sary.
Aza faly mandot... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rbmf/ny-reniko | Ny Reniko | RBMF | NY RENIKO, Io i neny , Toa lasalasa saina ; ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/iny | LANY ANDRO | KIRIAH | Nataonao ihany
ny hanadino ahy
Ry tia lavitr ' any !.
Saingy irony vetsoko
Notanisaiko omaly
Tsy mety lany mamy
Midongy anaty fo
Mamikitra tsy ferana
Satria nahazo toerana
No tsy mamela anao
Ka aoka ho toy izao
Fa ....
ho lany ny andronao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/hany-hasambarako | HANY HASAMBARAKO | NY HARIAINA | HANY HASAMBARAKO
N´orambaratra hifafy hanakotsa izato tenako,
Na rahom-be mikitroka hanamaloka ny androko
Tsy hampaninona ahy;
Raha mbola eo ianao ilay anton´ny fiainako
Hazavana, manafana, hany tokana masoandroko
Lavitra ahy ny ahiahy.
Kanefa mbola mamiko, satriko sy tiako,
Raha lafatra ny fiainako no koa iana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-hafatro | NY HAFATRO | Fredy Jaofera | NY HAFATRO
Mandehana izy haingana ambarao,
mandehana izy haingana mba lazao
fa any lavitra any sy izay aleha
misy poeta mbola tia, hono, hoe.
Mandehana izy haingana mba jereo,
ka vimbivimbino raha be toreo,
tambatambazo raha be tomany
tsy hampanjombona ahy hatrany.
Hafatrafaro azy fa tsy hadinoiko,
resadresah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/fary | Fary | Tsiroa | eny fy tsy misy toa
ilay fary; fa dia mamy
tena lafatra tokoa
eh mamafa ny tomany
ahatsiarovan-ten' ho sambatra
raha mitsetsitry ny mamy
ahatonga anao hiakatra
na dia mbola eto an-tany
hatsapanao tsirom-piainana
na dia mafy ny manjo
maha-maivam-panaintainana
raha tojo azy moa
any hita indro kely
tsy hitana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hazonoely-2012 | HAZONOELY 2012 | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | Manàna faniriana tsara
ny ahy ny faniriako tsara
amin'izao Noely izao
dia ny miezaka miova
mba tsy hanao izay tiako hatao
ny ahy ny faniriako tsara
amin'izao Noely izao
aleoko miuezaka mivavaka
toy izay varian-dalao
fa ny tean faniriako
amin'izao Noely izao
dia ianao mba hahafantatra
ny fomba namonjena anao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/ny-alahelo-anao | NY ALAHELO ANAO | KIRIAH | Manao fifaninana amin ' ny orana etsy ivelany
Mitefoka mandotsika ny tafon ' itsy trano
Ny vetso sy toloko
mandena ny aty foko
manjohy anao hatrany
hatrany ambadika any
Ilay fo manganohano
Manao fifaninana amin ny rivotr ' etsy ivelany
Mitsoka izay lalovany eny an-dalany eny
Misavoana ombieny ombieny
ny sento... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/taratra-fitia | TARATRA FITIA | KIRIAH | Misisika maraina mandroaka haizin-dratsy
milafika ao anaty
ilay TARATRA FITIA
ka ny zavom-pahasorenana milaza ho tsy hay lembenana
ataony indray mitanika
asesiny an-kobay
afatony ho iray amin ny faharesen ' ny alina
ataony indray mamalona
dia hitambalambalana anaty fara-lavaky ny :
" AOKA AHO HITIA " sy ny " A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nee-ako-mangina-herizo/nifindra-lasy | Nifindra lasy | Giovanni | Aza terena izy ny hiverina aminao
aza harahina alaelo na ko hozonina
fa ny fony mihintsy no efa nandao
raha mbola tinao izy,firarina tononina
Fa ny fitiavany tsy anao intsony
Fa nahita tsara sy mendrika ko
Ka naleony nanary anzay tao ampony
nanary lay voady,nanimba ny fo
Mitraka fona,zao no tadidio
fa lehilahy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/domelinny-harena | DOMELIN'NY HARENA | Fredy Jaofera | DOMELIN'NY HARENA
Domelin'ny harena
ny masom-panahiny
ka 'zay fahendrena
tsy hita ho sahiny.
Domelin'ny harena
ny vavahadin-tsainy
ka tsisy hojerena
ny zavatra hainy.
Domelin'ny harena
'ty lalan-kombany
ka izao re mihena
ny vintany an-tany.
Domelin'ny harena
ny tsiky natolony
ka tsy mba nekena
raha iny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dano/ity-fiainako-babo-ditra | Ity fiainako babo ditra | dano | Ny aloka ve no mandalo?
Sa ny tany no lasa fahavalo?
Fa tao tsapako miha mangidy
Tsy ahitako fanalahidy
Ity fiainako babo ditra
Ity izy mahatsiaro voafitra.
Ankehitriny vao indro manenina
Amin'izao aho mahatsiaro badenina
Singa irery tsy misy mpandreha
Ny alahelo tsy mety voafehy
Ilay foko tao niova loko
Tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/voady | VOADY | RHAd | Ny hasim-pitiavana nifanoloran-tsika
Dia afo nanafana ny voady tsy ho ritra
Ny vao sy ny ela tsy nila fanamperana
Dia raozy tsara faka, mitsimoka mamelana
Novolenao aina ny tontolon’ny fanahiko
Tonga manipofona ny sahan’ny fitiavako
Madera tsara loko ny loharanonao Rahavako
Fa efa nofinidy Enao, natokako, navah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nee-ako-mangina-herizo/maladie-damour | Maladie d'amour | Giovanni | Nitsilopy nangina ny jiron'foko
namono ny tsiaro tanatiny tao
nandrotsa-tomany ka nifokofoko
tsy havita hanadino ny fitiavany anao
Mitaraina ny foko fa very sakaiza
saraka roa ilay iray ho doria
lay fitia nanafana,nanjavona aiza?
ny aty voadona,maratram-pitia
fa izaho tsy fa lasa nikoro
toa manary toky,mitarai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/malahelo-anao | MALAHELO ANAO | KIRIAH | Malahelo anao aho
Dia mifamahofaho
Tsy tana fitsoriaka
Misoso be fiampita
Ny embona omban-tsiky
Indray mamikiviky
Hamonjy anao tsy anilako
D'injany koa ny hirako
Mila tsy ho voatonona
Ny tonony mimonona
Mibaby sioka tselika
Miantso anao hierika.
janahary |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/raiki-pitia | RAIKI-PITIA | RHAd | Mampitondra hafaliana
Ny orokin’ny olon-tiana
Ka toa vaky niparitaka
Lay fo efa nibitaka
Nampitsikiny ny tontolo
ka babony ao daholo
Zay nitady ny ho tiavina
Sy zay nitia ka tsy nolavina
Dia tsy andry mihitsy ny fotoana
Fa satry foana hifampitaona
Sy hifandray am-po tsy miato
Fa voahosotra aram-bato
Lay t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/...ny-tiko | ...ny tiko? | HASINIONY | Fa ny tiko voankazo... tsy heloka ny tsiriritra,
afaka mioty ialahy raha toa tsy mora fanina
eny an-tendro izy mantsy ka manaitra ireo fatritra
paisogasiko iny letsy, ...ity nareo toa tendankanina!
Ny tenako aza anie zahao, eto am-potony no miandry
mankafia ny soamaravo sy ny tsiky adaladalany
rehefa masaky ny na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/anirotra | Anirotra | Tsiroa | Halefero ny ambo-po
f'ity mahantra re jerena
eny torotoro fo
ity zaho re mahonena
Tsy tso-drano no tadiaviko
fa somary hafa kely
fa ny tanana ho tantaniko
ary arahina ba kely
Nefa........
Ny etaeta no any ahy
fa ny anjara dia tsy fantatra
eny ngoly ity fanahy
ilay ampitso ankamantatra
Aza atosi-boho tanana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nee-ako-mangina-herizo/mbola-ho-avy-ilay-maraina | Mbola ho avy ilay maraina | Giovanni | Na ao anaty alina aza
na feno jaly sy taraina
dia minoa f'efa voalaza
hoe:"mbola ho avy ilay maraina" |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tonga-ny-noely | REHEFA TONGA NY NOELY | Fredy Jaofera | REHEFA TONGA NY NOELY
Rehefa tonga ny Noely,
ny hafaliana zary kely
fa alahelo no mitaona
ito foko izay misaona.
Rehefa tonga ny Noely,
sentosento no mamely,
ranomaso no mirotsaka,
hafahafa no mitosaka.
Rehefa tonga ny Noely
dia tsy mamy velively
ny tabataba sy korana
fa oriory tsy tamana.
Rehefa tonga ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/faranny-noely | Faran'ny Noely | RHAd | Tsy misy fiderana manakatra ny lanitra
Na koa amboaram-peo mihiaka famonjena
Fa hanjaka adisaina, leon’ny miharitra
Milaotra am-poko ao, mingosy faharesena
Tsy misy koa ny vavaka afaka asandratra
Na hira ho ventesina maneho fa fety anio
Fa babonao anaty lasana lay androko filamatra
Mikomy handevina ahy ho rembin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/malala | Malala... | HASINIONY | Malala ah ! Mangotika ny foko…
Mandrahona tomany ny habakabamangan’ny fitiavantsika
Mikotroka tsy laitra ireo alahelo adalako
Onindranomaso no ‘njao manalonalona,
ny fanonjanonjany no doboky ny foko…
Ô! Mitady anao hatraiza!
Malala ah! Rahoviana kay vao tsy ho nofy intsony…
‘reo dinan’ny fitia ifandrohizantsika,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/fara-bolana | Fara-bolana... | HASINIONY | Aoka izay ry tiana... ity foko oriory
Ho resy sy mangina koa aza tairinao;
Andeha mamikavika, ny lalanao izory
Andrao hamohafoha ny lasako efa lao.
...fitia hafahafa, fitia maroloko
ka mamony ny foko!
Angino izato kalo sy sioka manodoka!
Sento iraika monja raha sitrakao rodony
Mangina ka mangina andrao hamohafo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/janahary/an-eritreritra-any | AN ' ERITRERITRA ANY | janahary | An'eritreritra any
Salovana manjohy
Mifikitra ao an-tsaina
An'eritreritra any
Tady mampitohy
No koa firaisan'aina
An'eritreritra any
Itoeran'ireo tsiahy
Ny mamy sy ny ngidy
An'eritreritra any
Ianao manembona ahy
Miserana an-tadidy
An'eritreritra any
'Reo nofinofy mamy
Tsy afaka eo am-bavako
Fa ny eritrer... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nee-ako-mangina-herizo/ambarao | Ambarao | Giovanni | Ambarao ah mazava
ny any amponao ts milaoka
fa mbol misy tsy voalaza
toa tsy sahinao avoaka
mba lazao fa ts fitia
no tena natolotrao
fa maik ny hiara dia
hifehy ny foko tsotrizao
mba lazao fa vazivazy
ilay teny tokan nekena
ambarao fa sangisangy
lay fitiavanao nomena
Tsory fa ny fonao any
tsy mitempo ah ak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/breacksong/ao-aminao | Ao aminao | BREACKSONG | Asa ianao raha maharsikaritra
Fa ao aminao dia misy faritra
Izay tsy voakasin-dalitra
Ka lasa zavatra tsy haritra
Fa raha lalaoviko maharitra
Dia tena mahafinaritra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/fetinao-fa-tsy-holazaiko | Fetinao fa tsy holazaiko | Tsiky dia ampy | Fetinao fa tsy holazaiko
mba ho ren’izato tany
ity andro androany ity.
Am’izay mantsy ry aiko
dia isika roa ihany
no higoka ilay fitia,
Ao anatin’ny mangina
Hofenoina rotsirotsy
Tsy voasakan’inon’inona
Fa miray ny tia sy tiana
ao anaty bodofotsy
Amin’ny alin’ny ririnina.
Fetinao fa tsy hadera
Angazety na a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/ny-lalana | NY LALANA | harylovah | Raha mbola tsisy sakana
-Malalaka izorana-
Ny dian-tanjonao,
Mbà mailomailo ihany
Satria ny fahaverezana
no ao ambadika_ao...
Matio 7:13,14 |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/ilay-fitiavako-anao | ILAY FITIAVAKO ANAO! | ANDRINIAINA1 | ILAY FITIAVAKO ANAO!
Ilay Fitiavako anao:
no namoizako tsotr'izao;
izao rehetra izao.
ka nivoadiko tsy handao.
Ilay fitiavako anao:
no nanekeko hatramin'zao;
Hanatanteraka sy hanao;
raha mbola misy ny azo hatao.
Ilay fitiavako anao:
no tiako hihavao.
Tsy hosoloina vaovao:
fa tiako hitoetra ho anao.
Ilay fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ny-fitiavan-tena | TSY NY FITIAVAN-TENA | Fredy Jaofera | TSY NY FITIAVAN-TENA
Tsy ny fitiavan-tena
no ilain'ny firenena
raha tiana ho tafita
sy hanan-java-bita.
Tsy ny fitiavan-tseza
raha mainka mideza
ny diavina izaitsizy
sy ao anaty krizy !
Tsy ny fitiavam-bola
itolomana sy mbola
tompoina lalandava
hahamirana ny tava.
Fa ny firaisan-kina
no tsara hotakina
ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dano/raha | raha... | dano | Raha mbola misy koa
Ny alahelo izay misoko
Hadona ny abo-po
Hampisy ny toloko...
Raha mbola misy ratra
Any ho any izay tavela
Hampitombo fatra
Ireo rakitry ny ela...
Raha mbola misy tsiny
Tsy azoko nialana
Hampifoha ny fahiny
Hampiseho ny tsy tana...
Raha mbola misy sary
Tandidona ny lasa
Hamoaka ny marar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/izy-irery-ihany | IZY IRERY IHANY | NY HARIAINA | Ampy ahy tanteraka iny malalako iny,
ampy ahy ny fitiavany
ampy ahasambatra ahy.
Fa tsy ianao izay tsy fantatro
na "ilay notiaviko fahiny",
no ndeha hisariako adala.
Ny ahy manko, iny fitiavako iny,
tokana aman-tany
ny toetra amam-panahiny dia azoko "irehána"
fa voataizana anjely.
Ka tena miala-tsiny,
fa tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/politika-fotsiny- | POLITIKA FOTSINY ! | Fredy Jaofera | POLITIKA FOTSINY !
Politika fotsiny ny hanasoa vahoaka
fa ny marina dia tsy hahatafavoaka
'reo tigetra ambara sy irin'ny maro
hitondra zava-bao eto ka fantaro.
Politika fotsiny ny mitety faritany
idradrana lava fa olona tsy ambany,
anehoana ombieny fa tsy mikororosy
izato firenena efa mila ho voahosy.
Politika... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/v-i-t-a | V I T A | RHAd | Tsy ho any intsony isika hioty voankazo
Eo an-tsahan’ilay tontolo maro loko
Tsy ho any intsony isika hihira reny vazo
Nampiakatra ny vetso raha sendra nifamofo
Tsy mety intsony aho hamboraka aminao
Lay foko nanantena niandry anao satria
Tsy resy intsony aho na potraka sy lao
Ka vatranao alentik‘am-poko ny jalin’... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/am-bovonana | Am-bovonana | Tsiroa | misy toerana tsy ho hita
toerana zay manirery
saro-dalana, fa ho vita
raha ianao no manendry
Te ho any aho
Ho ento any aho
tsy ho reraka, eny ho tonga
Iantrao aho
mitalao aho
aza avelanao hilonjy
Tsy anio fa andraso
zany foana isan'andro
Tsy tsapanao ilay ankaso
hila ho dify ilay masoandro
nefa ianao namp... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-antsika | NY ANTSIKA | Fredy Jaofera | NY ANTSIKA
Ny antsika
ny hafaliana,
mbola any ihany,
misy bika,
na rahoviana,
hamerina am-binany.
Ny antsika
'tony voady,
mbola azo hiraina,
misy dika
raha mitady
hatao isa-maraina.
Ny antsika,
'tony sangy
toy ny vao omaly,
tsisy siaka
na ny vangy
afaka hampijaly.
Ny antsika,
ny efa toky
tsy mba ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/tia-anao | TIA ANAO | NY HARIAINA | TIA ANAO
Tsy ny tsy fantatro akory no hambarako aminao,
Na ny zavatra tsy haiko
Tsy ny kobaka am-bava aza no ho diana izay hataoko,
Fa ny tokony hohefaiko
Tsy ny volana eny an-danitra no ndeha homeko anao,
Izay tsy takatry ny aiko.
Dia tsy ny tsy misy koa no hampanantenaiko anao,
Na ny zavatra tsy marina.
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/satriko | SATRIKO | KIRIAH | Satriko ry aiko :
afatratro ato an-tsaiko
afatratro ato am-poko
ireo sentosentonao
tomany sy toloko ,
ireo tebitebinao
Toa tanam-bokovoko
atsatok ' ho fambara
atsatok ' hitantara
fa io milevina ao
ny indrisinao rehetra
ka ny ampitsonao
ho MAMY TSISY FETRA. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsirfo-tsiferana/tsy-tonga-saina | TSY TONGA SAINA | TsiRfo-Tsiferana | Andriamanitra o,
Raha niantso ny Anaranao
Dia natongilaninao ny sofinao
Amin'ny fo feno alahelo
Hay izaho'ty miboridana na mitanjaka
Eto anatrehanao .
Ry Ray mpanantra o,...
Fantatray fa tena tia anay Ianao,
Nefa izany fitiavanao anay izany
Ataonay kilalao!...
Ry Fanahy Masin'Andriamanitrao
Ankabeazan'olombe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bangotokana/orana | ORANA | BANGOTOKANA | Ô ry orana ao ambony, moa va mba fantatrao?
Fa ny feonao no mpampitony, ireo alahelo anatiko ao
Ilay ianao misosa mora, mandrakotra ny tafo.
No mpankahery ty foko tola, ilay nilaozan-tsafosafo
Toa hainao tsara, ny mihaino ny alaheloko
Tsy mpandiso tsy mpitsara, Tsy mpitanisa zato heloko
Oviana ngaha ianao, no hiv... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/vavaka | vavaka | Tsiroa | He tso-drano ry nahary
no hany zavatra tadiaviko
ny herinao tsy hita lany
no hanankinako ny ho aviko
Isaorako zay efa vita
reo fahasoavana hatry ny ela
Ary ankinik'ireo sisa
Hatsarao izay tavela
Ampatsihaivo isan'andro
fa ianao no mandahatra
he tohano mba tsy ho lavo
ka hifikitr'aho, hamahatra
Ny hetaheta a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rojosalohy/ataoko-ahoana | ATAOKO AHOANA???? | ROJOSALOHY | ATAOKO AHOANA?????
Ataoko ahoana ny fitia olona roa?
Ataoko ahoana ny hanenjika voron-droa?
Ataoko ahoana ny filoloha siny roa?
Aleo hajanoko fa mankarary an-doha........
Avelako ny iray tsy manaiky,
Hariako ny ankilany marary,
Izaho anefa tsy te-hiraika,
Aleoko manary ny fitiavany mamy.
Ataoko ahoana ny fizar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rojosalohy/resy-aho | RESY AHO | ROJOSALOHY | RESY AHO
Resinao aho.....
Io teny io no nolazaiko taminao
Dia nohararaotinao.....
Nomeko anao ny foko,
Nanantena aho fa mba hotiavinao
Saingy tsy nojerenao akory ny fahantran'ny fitiavako,
Navelanao hangaina irery izy,
Natsipinao tanteraka mihitsy aza....
Tiako ô! nitia dia nitia anie aho,
Nitia tsy nieritrer... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/aliko-irery | ALIKO IRERY | HASINIONY | Indrisy ry masoandro
misitrika toa resy anaty zavozavo
mba namanao aho
Fa ny aliko malazo...
ALIKO IRERY
miaritra hidihidy
alina mahaory
tsy mety pizin-tory
Alina mangidy
sy nofy mosarena
mampananon-tena
alina miangatra
Lavitry ny sambatra
hany mba mangarana
dia salaka tanana
Mako, atsy an'efitra ilany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/fitia-ho-doria | fitia ho doria | AMN (Arialy) | Inty tanako manoratra no hany entiko milaza
fa izay rehetra nandalo dia lazaiko tsy sahaza
fa ilay fitiavanao no hany tena lavorary
ka nolazaiko ho ahy sy hoe tolon-janahary
tsapako an-taona maro fa tao ny soa sy ny ratsy
na dia teo ny ezakao mikasa foana ny tsy ampihafy
ireo fitia izay voaraiko anefa toa efa amp... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/angatra7/hasambarana-fitia | Hasambarana fitia | Angatra7 | Tsy mba nahafantara na niaina kely akory,
Izany hasambarana fitia tena izy,
Ny foko,
Fa ny vatako mazàna tsy mahita tory,
Mijaly ve ? sa tsy aiko,
Izany no toloko
Mety tsy mba nihezaka naneho ny tena marina,
Sa misy ny kilema maro mpankahala?
Ny toetra ?
Kanefa efa nanao izay mba tratry ny aina
Tsy hanafinaf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/voady | Voady | Tsiroa | Tsy anjara fa safidy
no hiarahako aminao
Eny harena sarobidy
Ny mitoetra anilanao
Na ho ratsy ny hiafarako
Dia hifikitr'aho satria
nahantanty ny hadalako
zay porofon'ny fitia
hiova aho, tsy haditra
ka ny tsara no ho zaraiko
Ary hiaraka hamindra
fa tsy hanohy ireo fanaoko
Anatrehan'Andriamanitra
no hanaovak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/dia-gaga-aho- | DIA GAGA AHO ! | KIRIAH | Mody hoe hiandry faty
izay no fialàny tato
dia nolazainy tsara
fa mety ho taratara
ilay fodiany an-trano
sy famenoany rano .
Ny aliaka tsy voafahana
'lay hidim-baravarana
sy kiakan 'ny karetsaka
no hany solon-dresaka.
" Ratsy tamba-zotra
ny aty ambany vohitra
tsy dia mahazo loatra
na niezaka sy nihoitra
n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/azy-irery | AZY IRERY | KIRIAH | Tsy avelan ' ny eritreriny mihetsika ny vatany.
Fikirin ' ny fijeriny hitempo anaty tratrany :
ny omaly zay tsy fantany, ny ampitso hosoratany....
Tsy avelan ' ny eritreriny mitodika ny lohany.
Fikirin 'ny fijeriny 'zay mety ho ambiroany :
ny omaly tsy hifohany, ny ampitso zay horohany...
Dia io fa lasan ' izy ,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahy/tsy-hay | Tsy hay | AHY | Kapoky ny lanitra ve sa anjara tandrify
Sa efa tsiron' ity fiainana,ny mamy sy mangidy
Ka vintana tsy nety ary, sa lahatra efa diso
No izato tsara efa niainana no tsy hitohy ampitso...
Toa nandalo sy niserana ilay fitiavan-tsika roa
Na dia nisy aza, tsy nitoetra,ny kanto sy ny soa
Tsy fantam-piaviana, fa toa nisy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/raha-toa-tsy-mino-ianao | RAHA TOA TSY MINO IANAO | KIRIAH | Raha toa tsy mino ianao:
dia 'ndeha indramo kely
ny mason ' ny fitiavana
ny sain ' ilay fitiavana
ny fon ' izay fitiavana
miaina anatiko ao ,
indramo ka alao
hanaporofo mihitsy
hilaza vitsivitsy
izay tena fahatsapàny
izay tena andalàny
ilay ianao nambabo
ny aty fo , fanahiko
milafika ao an-tsaiko
" fitia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/omeko-anao | OMEKO ANAO | KIRIAH | Dia iny ilay fitiavako
nataoko an-kilabao
tsy nohenoiko akory
raha sendra nitalaho
nogiaziko izy hangina na tiana na tsy tiana
voasakan-tsy ho variana ,
nataoko fehirano
tanaty taona maro
nataoko gadra-lava
noferan-tsy hikotaba
fa dia voatampim-bava, ...
Dia iny fa navotsotro
ho afaka fatorana
lay izy saik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/takoritsika-any-dago-any | TAKORITSIKA | NY HARIAINA | Mangina ialahy,
aza miseho ho sahisahy
Fa ahy aloha izao ny fahefana.
Raha izaho ialahy manaja tena
dia ampirimo am-paosy any
izay hindrahindran´ialahy fa fitiavam-pirenena;
ny an´ialahy hadalana.
Tsy hain´ialahy angaha
f´izaho ambonin´ny lalána?
(Hoy ireo izay tsy lazaiko)
Dia miforitra,
na aza efa mijaly, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/tsy-ahasakana | Tsy ahasakana | Tsiroa | Tsy betsaka no tiako
F'ianao no faniriako
ny ho eo anilako eo
na lavitra tazanina
tsy ataoko hampihanona
ny ahatongavako eo
reo olana manakana
tsy ataoko ahasakana
fitia izay naseho
Ilay tolotra fitia
maharitr'ho doria
lalim-paka rahateo
reo zavatr'hita maso
tsy hataoko hampikatso
fo midoboka indreo
fa n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dano/ry-ditra | ry ditra | dano | Mbola ho ela ve ny lalana haleha?
Mbola lavitra sy tena be dia be?
Ry ditra izay iainana
Rendrarendra sa fiainana?
Hoy izy:izy roa iainana...
Impiry kely no tratra toy izao?
Impiry koa no indro lavonao?
Ry ditra izay mandalo
Namana?fahavalo?
Hoy izy:efa maromaro...
Hoviana sy hoviana no nihaonantsika?
hovian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/tiany-koa-ianao | TIANY KOA IANAO | KIRIAH | (Atolotra an ilay namako iray zay ! , enga anie ry zareo ahita vaha-olana)
Tiany ihany ianao
na maro sakantsakana
na zahatra tsy lakana
no entiny mitety
'reo onjan ' ny fitia
tsy ahafahany miria
anivom-pahasambarana,
tsy hanam-pitsaharana
'lay doboky ny fony
manjohy anao tsy foiny.
Tiany ihany ianao
na tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-noraharahiny | TSY NORAHARAHINY | Fredy Jaofera | TSY NORAHARAHINY
Tsy noraharahiny
ny fahasarotam-piaroko
ka resy izao izy iny
no kivy...Tsy voaaroko !
Tsy noraharahiny
'zay mba fitiavako azy
ka tsy omeko tsiny
raha mijaly toa voasazy.
Tsy noraharahiny
'reo dina nifanomezana
ka voa ankehitriny
vao saika nihomehezana.
Tsy noraharahiny
'reo zavatra natolo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/sikotra | Sikotra | Tsiroa | Voavolan'ilay tompo
tsy tany manga velively
Voahary hafa loko
zato ianao toa hafa kely
reto ratsana mandravaka
tena hita fa voakaly
Ilay bika izay mihavaka
tsisy diso, lavorary
Ilay feo izay miteny
dia milantolanto fatratra
manakaiky voron-kely
angamba anjely fa tsy fantatro
ra' manganohano maso
To ranomas... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miolapandry/ny-soratro- | Ny Soratro ? | Miolapandry | Ny Soratro ?
Fandraketako ny tsy azoko tenenina
Famborahako ny tiako mba hafenina
Fahatsiahivako ny lasako omaly
Fa... ivimbinako ny tsiky sy ny jaly
Fanembonako ireo lasana any ho any
Fandreseko koa ny haizin’ ity tany
Fitononako ireo hiakam - pandresena
Fa... hitolomako ao anaty fahalemena
Fitondrako ny fani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/any-izy-izay- | ANY IZY IZAY ! | KIRIAH | Any ambadika any ho any,
Misy nosy kely iray
Mitahiry ilay akany
Miampofo tsiaro iray
Nosy kely mahay mitaiza mandrotsirotsy ny fahiny
Babeny foana na aiza na aiza iny fanahatsiarovako iny.
Dia ao ilay nosy mamiko iny
Milanja vesatra tsy zakako
Ilay enta-kely izay navaloko teo anjoro firarazana
Raha iny aho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miolapandry/vavaky-ny-tia | Vavaky ny tia | Miolapandry | Vavaky ny tia
Andriamanitra ô !
Inoako marimarina, fa tena henonao, ity antsoko mangina,
Miankoho-mandohalika, mangata-pamelana, fa manam-paniriana.
Maniry sy mikatsaka, mitady ‘lay ho namany, ‘ty foko manireriny
Fa isan’andro izao, raha misy koa fotoana, dia mangalatra ny jeriny.
Miandry maso hiantsampy
Fa mani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/miasa-mangina | MIASA MANGINA | harylovah | Zoky a!
Mitsara masiaka ny mason'ny tany
Milaza f'isika_hono_olon-kanosa
Kanefa tsy takany ambadik'izany
Ny dinika_ihany no hanantontosa
Hamaha ny saritaka ambony sy ambany
Fa tsy ny resaka be miavosa.
Zandry a!
Miasa mangina isika satria
ao no manjaka ny tena fitia
ka etsy hotohizana leitsy ny dia
f'ity tan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miolapandry/anjelinny...foko | Anjelin'ny...foko | Miolapandry | Anjelin’ny… foko
Malala a !
Manomboka anio
Dia izao no tadidio.
Ataovy soramandry
S’hitoetra mba ho andry
Ao anaty diarinao
Lay teny toka-mamiko
Hoe, “ ianao no andrianiko ”.
Tiko sy lalaiko
Fa mpanefy izany saiko.
Antoky ny fiainako,
Sy anjely fitarainako ,
Ilay mpiandry sady mpiaro,
Ka fady ny ho afanga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/tiako | TIAKO | HASINIONY | Hany tiako mba ho fantatra dia Ianao any anaty
Izay iriko hivoady ho ahy irery mandra-maty
Ka ny fonao manontolo, ny fitiavanao etsetra
Atokanao ho hasambarakao amin'ny androko rehetra;
Mantsy...:
Tiako ianao ka nofidiko mba hiara-dalana amiko
Hiombon-tsiky sy tomany eny an'andro izay indramiko
Tiako ireto mason... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miolapandry/tafasirinny-mpangalatra | Tafasirin'ny Mpangalatra | Miolapandry | SISA
Minitra vitsy no omen'ny fotoana hiarahantsika
Hamintinana izay vita
Fa...minitra vitsy monja
Minitra feno ditra
Minitra mampanonja
Ny fitiavantsika roa
Minitra toa tsy haritra
Minitra tsy haharitra
Fa...Minitra mahafinaritra
Iainam-pitrapitra
Dia hifarana hatreo
'Lay minitram-paradisa
F'hifandao isik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/feno- | RESY??? | KIRIAH | Feno harivariva anie izany aty foko
heno mitoloko
vongan-dranomaso indray mitaika monja
tsapako manonja
maneso ny fitiavako
mandamaka ny vatako
mandoro izato tratrako
mafy toa tsy ho zakako
lavo antanin ' ady ilay fitiavako omaly
tsy nisy mba nitsetra
ny hiakam-pahavalo zay henoko mifaly
mandroaka ahy hilef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/ny-lasa | NY LASA | Totyjim | NY LASA
Ny omaly sy ny lasa,adinoy hivalona any
Izay lesona voasintona,hibanjinana ny androany
Ny androany rahampitso dia hanjary ho lasa ihany
Ary ny ampitsonao omaly hiverina ho androany
Somary miolakolaka ireo kilalaon-teny
Fa raha alalinina dia tsotra no omeny
Ny androany ataovy mety, dia ny ampitsonao hanja... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yono/fonja-hafa | Fonja hafa | Yono | Fonjako ilay fonao mitempo
Manala ireo ahiahy sy ireo sento
Manala ny hatezerako, mahatonga ahy hivetso
Fonjan'ilay foko, fonjam-pifaliana ho ahy
Fonja satria fefy tsy azoko ihoarana
Toerana manitsy toa toeram-pianarana
Mampianatra ahy ny aminao
Ny tsara sy ny kanto
Manome ahy fiainam-baovao
Toa miavaka, toa r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/mba-tsy-tazana-koa-matetika | MBA TSY TAZANA KOA MATETIKA! | ANDRINIAINA1 | MBA TSY TAZANA KOA MATETIKA!
Variana nihodina tany ho any!
Nitety ny tany!
ka tsy hita tazana teto;
ka maro ngamba no nisento.
no tsy mba heno nihoraka!
No toa nangina, toa tsy niteny:
sa variana teny ho eny!???
Nandamina zavatra maro!
fa tsy hoe akory:nanadino,tsy nahatsiaro.
de zay le izy!
k'aza atao mahak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/vetsovetso | ALAHELO | HASINIONY | Ry alina ô, avia,
Faingàna ho aho 'zatsy izy; ento re ka ento
'Lay tory sarobidy hanony izato sento
Fa rava ilay fitia
Vaky fela-nenina ny eny moron-dalako
Onin-dranomaso manafotra Fanahy
Ny rivo-namboloiko, ny nofy nisambarako
Nanjary niova endrika, ka manepotra ahy
Ry alina ô, indrisy!
Mangidy sy mafaitra no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/tia-aho | Tia aho | Tsiroa | Ny masonao izay mijery
dia manambara avy hatrany
Eny hita aho tsy ho irery
raha sendra ka tomany
raha ho tonga ilay sompatra
zay mianjady eto an-tany
mahatok' aho tsy hihongotra
ny fitiavanao; zay mamy
Eh mitsetra toa anjely
raha toa aho ka diso
Tsy manary velively
ra' tafalentika an-kizo
manetsetra raha ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/rediredy | Rediredy | HASINIONY | Raha toy ny fiavinao ?
ry orambatravatra, no fiavin'ny fitia,
Raha toy ny fifafinao
ry erika aman-javona, no fisokon'ny fitia,
Raha toy ny fidanikao
ry ngahibe masoandro, no fandoron'ny fitia,
be no rovitra sarotro
ao ny vaky fefiloha,
zovy moa no tsy ho ngoly
iza no tsy hamirifiry,
mitombo ny mpivarotra alok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-toky-ntk-/aza-kivy | Aza kivy | Ny ToKy ( NTK ) | Aza kivy
Na mety ho mafy ny omaly, mbola ho sedra ny ampitso,
Aza kivy fa minoa, hareno izay tsy nety, ataovy hanatra ny diso
Raha ny fitiavana no maha ory, mampisento lava foana
Aza kivy fa mbola ho hitanao ilay tianao, tia anao izay aharitra aman-taona
Amin'izay fotoana izay dia ho sambatra ny fonao ary ny fanah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miolapandry/ny-tarigetram-piainako- | Ny tarigetram | Miolapandry | Ny tarigetram - piainako !
Kepoka aho malala
F’ ianao ‘lay olon-tiako
Tokako aman - tany,
No indro niova lalana
Namily ny tantara
Ho any an - davaky ny ditra !
Tsy hitako ny ambara,
Fa tena toa mangidy
Tsy laitrako atelina
Ny tsiron’ ireo ratra
Natosaky ny jaly
Maningotra ny foko,
Noho ny zava - bitanao !
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soamaeva/indrisy | Indrisy | soamaeva | Tia aho tena tia
Fa ny fitiavako nolaviny
Nohoseny, nopotehiny
Dia nesoriny ho tsy misy 'lay fahiny
Fitiavana nomeko azy
Fanambaniana navaliny azy
Nantenaiko ho filamatro
Loza fa nanjary Ratrako....
Izy no mba faniriako
Nantenaiko nolalaiko
Indrisy fa dia fijaliako
Izay no sisa hotezaiko......... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/izaho-mbola-hitia | IZAHO MBOLA HITIA! | ANDRINIAINA1 | IZAHO MBOLA HITIA!
Izaho mbola hitia indray!
refa misy hitako fa milay.
Fa raha zay lasa nanenenana;
dia tsy hasiko fiverenana.
Izaho mbola hitia foana!
raha mbola misy koa ny fotoana.
Fa raha zay andro lasa tsy nanjary;
Dia tsy hataoko hankarary.
Izaho mbola hitia hatrany!
Raha mbola tany koa ny tany.
Fa ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/tsipolitra | Tsipolitra | Tsiroa | Tiako ra' mba hitafy
ny ankanjon'ny fitia
ka ra'mandalo aho hiantsampy
ka hiraikitra doria
Tsy hiala......
Ary hitoetra......
izay niriako hatry ny ela
hizarako ireo rehetra;
Tsipolitra niri-tavela
Tiako ra' mba ho ahy
Ilay oroka maraina
zay mamporisika fanahy
mampahatanjaka ny saina
Eny hifikitra.....
ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/niserana | NISERANA | NY HARIAINA | NISERANA
Nandalo teo ianao,
Nataoko angamba hitsidika
Nataoko koa hamangy
Hitondra sangisangy.
Saingy...
Nandalo dia niserana,
Nalaky toa tadiho
Dia vetivety monja,
Nanjavona tsy hitako
Arahaba aza tsy vitako.
Tsy akory mba nitoetra
Fa nandalo avy eo nilefa
Tsy mba nandroso akory,
Na nijanona natory. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/mbola-manantena-anao | MBOLA MANANTENA ANAO | HASINIONY | Fa iny SARY iny, voatomboka havatsa
Hatrany dia talaky, tsy manana sahala
Sinaingy tsiaro monja, fiheriky ny lasa
No niraketana azy, fa nofy mamarara
"SARY tsotr'zao..."
Mantsy SARINAO, miangola ireo tadidy
Tiako ho kapaina, kanefa felan-TSIAHY
Holatry ny fo, sy ratra saro-bidy
SARY nivahiny, nambabo ny fanahy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/ry-alina | Ry alina | HASINIONY | Ry alina ô, ry alina
meteza ianao mba hitsetra, 'zato sentoko mahantra
vangio ny foko valalanina, toneo fa trotraka maratra
leon'ny sangodimpanina
Ka misentosento hatrany
ary injao mipololotra, 'zato vetso tonom-bavako
izay mamakivaky ny haizina, fa onena anao rahavako
oriory sy tomany
Ka ny elatry ny nofy, mir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/olo-marina | OLO-MARINA | Fredy Jaofera | OLO-MARINA
Tsy ny fitiavan-tena
no ilain'ny firenena
raha tiana ho tafita
sy hanan-java-bita.
Tsy ny fitiavan-tseza
raha mainka mideza
ny diavina izaitsizy
sy ao anaty krizy !
Tsy ny fitiavam-bola
itolomana sy mbola
tompoina lalandava
hahamirana ny tava.
Fa ny firaisankina
efa ela tsy zovina
nampalaza an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/an-tsiaronao | AN-TSIARONAO | KIRIAH | Fa iny SARIKO iny , aoka ho SARY iray :
Anivon-tsary maro ,sarisarin-tsiaro
Hitoetra tsy iniana satria tsy SARY TIANA
Tsy ho SARY hifaliana, na SARY ahasondriana
Fa SARY be kiriana
SARY tsotr ' izao...
Fa iny SARIKO iny, dia SARY hitantara
TSIAHY tsy dia ilaina , tsy SARY ho lalaina
SARY iray dikaina , tsy hita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ekeko-kanefa | EKEKO KANEFA... | Fredy Jaofera | EKEKO KANEFA...
Marina fa ny toba-karena,
miadana foana aok’izany ;
kanefa na tsisy tangena,
tsy midika fa tsisy tomany.
Marina fa rehefa finaritra,
manana ‘zay zavatra ilaina;
kanefa na tena tsy miaritra,
tsy mitory fa tsisy adin-tsaina.
Marina fa ny olon-tsambatra,
miaina ao anatin’ny lapa;
kanefa na hita ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/misaotra-foana | Misaotra foana. | Ikalamako | Misokatra ny maso
Mijery ny efitrano,
Dia misaotra ny Avo
Nomeny tombon'andro.
Miketrika tsy miera
Ny adidy maha-reny,
Misaotra tamin'ny hery
Azo ombieny ombieny.
Mihenjy sy miria
Miaraka amin'ny tiana,
Misaotra tamin'ny fy
Sy ny tombom-pifaliana.
Raha zary mivembena
Tojo zava-mahonena,
Saotra am-panetren... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yono/satria | Satria | Yono | Nahatsara nofy izany fahitako anao
Naha tafandry mandry ilay fihetsikao aninkeo
Toa tiako ho hita foana, toa tsy mety hankaleo
Fa toa te hahita foana aho, toa te hahita anao
Satria ny endrikao no nanarona ny saiko
Namiratra mazava tanaty aizim-pito
Raha tao anaty nofy, foana toa tsy nisy haiko
Dia indro nitranga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/any- | Any ... | HASINIONY | Any dilambato any!
Safomorona ny vetso, taraim-baliha tsy ampy tady
Lavi-tiana ka tomany
Miraondraona alahelo, 'zato fo mangadihady
...any mantsy izy any
Am-pibanjinam-bolan-tsinana
Mifandrirotra vinany
Mibitsika amin’ny fahanginana
Any an-tanin'olona any!
No tratra hariva ny fitiavako, safoton'onja mitambalan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hitanao | HITANAO | Fredy Jaofera | HITANAO
Tompo o !...
Hitanao ny fihafiako,
hitanao ny fijaliako,
ka Dera no atolotro,
Laza no eto imolotro
raha hira ny androko
sy ao ny masoandroko.
Hitanao ny hasasarako,
hitanao ny namaharako,
ka Saotra no akariko,
Haja no efa itariko
raha niova ny rasa,
sy nivadika ny lasa.
Hitanao ny ady mafiko,
hit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kanefa | KANEFA | Fredy Jaofera | KANEFA
Lasa ianao kanefa
fantaro fa ny foko
mitady anao rehefa
alahelo no misoko.
Lasa ianao kanefa
tsarovy fa ny saiko
dia any no miantefa
vao reraka ny aiko.
Lasa ianao kanefa
henoy ange ny hira
fa maro no mandefa
'reo hany sovenira.
Lasa ianao kanefa
topazo 'tony ainga
fa eto tsy mirefa,
mila hampand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dano/misarakahoy-i-ndry | "misaraka"hoy i ndry | dano | Fahavara-dranomaso omaly hariva iny
Kotrokotroky ny tsiny,varadatsaky ny latsa;
Izany rehetra izany no rehako nivahiny
Tanatin'ilay foko rotiky ny ratra
Toy ireny rehetra ireny no nandrenesako ny tody
Izay nanononanao ny tenim-padin'ny fitia
Nampagirifiry ny amiko rehefa nandeha nody
Ny niheritreritra azy:"misar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/avelako- | AVELAKO ? | KIRIAH | Nitsimoka tsy nahy teny an-tsahan ' ny fitiavako
voninkazo sahisahy.
Sedrahin ' oram-baratra atahorako tsy hatsangana
mampanahy ahy.
Hotazako va re hifaliako vetivety ?
sa...
Ho valàko tafo asiako fefy fefy ?
Aleo angaha....
Avelako eo ho faty
dia ho naman ' ny ahi-dratsy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.d-dujock/fony-fahizany | fony fahizany! | R.D dujock | fony aho mbola zaza mbola tsy nahay niteny
fony ireny andro ireny mbolo notrotron'i neny
tsy nahalala na nambara ny mety fahorian tany
fa niaina sy nitombo, hary saina hatrany hatrany
fony aho natsiaro tena efa nianatra nandeha
fony ireny andro ireny mbola tatanan ny lehibe
tsy nahafantatra akory izay mety ho fij... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-baiboly | NY BAIBOLY | Fredy Jaofera | NY BAIBOLY
Sokafy ny baiboly
rehefa ketraka sy osa
fa halan'ny devoly
sy hampitony eto kosa.
Sokafy ny baiboly
rehefa tian'ny fanahy
fa hampiala voly
no toky tsy hampanahy.
Sokafy ny baiboly
rehefa te ho sambatra
fa tsy hampangoly,
hoy aho tsy miambatra.
Sokafy ny baiboly
rehefa hidera ny Avo
Ka aza mba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/fampieritreretana | FAMPIERITRERETANA | harylovah | Rah'mbola_ihany misy manao amboletra
hoe: tsy maintsy ekena ny hevitra_atolony;
Rah'mbola midongy, manisy fepetra
hoe: tsy maintsy tafiditra foana ny olony,
dia mbola hiesona_isika rehetra
fa izy any mandina foana ny molony,
ka iretsy madinika mbola hanjoretra,
Toa fanambakana no sandan'ny tolony... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.