url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tefy/gaga | GAGA | Tefy. | GAGA
Gaga izao tontolo izao hoe : nahoana i Gasikara
No mahantra toy izao : mba mandroso saingy tara ?
Nefa harena sesehena no dradraina sy ambara.
Gaga koa angamba isika hoe : nahoana ny Eglizy
No anjakan’ny pôlitika sy fiainana tsy izy ?
Nefa isan’andro vaky : toriteny, katesizy.
Gaga isika mpakafy : nahoana m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/ry-hoavy | Ry hoavy | Ranoala | misy teny manangola
izay mambabo fon-jatovo
maha-jamba toy ny vola
harato tonga vovo
Misy hery hafahafa
fanainga lavitra hoy ny maro
manimba sy mandratra
izay voa tsy mahatsiaro
misy hira izay mandrotsy
manainga embona,tadidy
mandrava sy mangotry
manova fo,hetsika,safidy
Nefa setroka tomany
no hany hainy z... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hi-hi/lakalaka | lakalaka | hi hi | Dia asa loatra fa lakalaka
Lakalaka tsisy faka
Ny heritreritra indraindray
F'ianao mihevitra azy ho tsara
Tsy izay anefa ilay anjara
Dia gaga indray aho rehefa avy eo
Fa tsy arak'ilay teo
...akory izay zavatra nandrasako
Nanantena ny tsy misy
voafitaka indrisy...
Aleo mandinika ihany
Vao mirotsaka amin'izany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tanamasoandro/fitia-rambaramba | FITIA RAMBARAMBA | TANAMASOANDRO | Nahoana ianao no mandiso ny fonao
raha nitia tsy nihambahamba
Nahoana no milaza fa diso ianao
no ilay fitia rambaramba
Nahoana no ianao no lasa tomany
nefa izy no hita fa diso
Nahoana iano no misafidy handao ity tany
fa tsy hanampananantenana ny hampitso
Nahoana ianao no mitanisa lava ny lasa
fa tsy mba manant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahalemena | FAHALEMENA | Fredy Jaofera | FAHALEMENA
Fahalemena
ny mialona,
tsy handresena
ka mivalona.
Fahalemena
ny mifosa,
tsy hay omena,
na misosa.
Fahalemena
ny miseho
ka tsy ekena,
hoy ny feo.
Fahalemena
ny miavona
k' efa hosena
re hanjavona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasina-habakabaka/fitia-mangiana | FITIA MANGIANA | hasina habakabaka | misy vetsovetson'alahelo
nefa toa aingam-pifaliana,
fitiavana hay no velombelo
ka maniry hiantso hoe: tiana;
nefa indrisy toa misento
zary lasa hakiviana,
ny mahita ilay iriako
toa miaina ampiafiana;
fa nahoana no tsy babo
sady mihodina no giana,
mihevitra hanafay ny anatiko
sa migafy ny fahoriana;
zary maf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/manorata-tononkalo | Manorata tononkalo | Tsiky dia ampy | Manorata tononkalo,
F’aza avelanao handalo
Sy hiserana ihany
Na ny maso mitomanin’
Ny fo mamirifiry
Na fitia vao mitsiry
Tao anaty mangatsiaka
Na ny molotrao mitsiky
Feno vetso kalokalo
Aza avelanao handalo
Manorata tononkalo
Manorata tononkalo
F’aza avelanao handalo
sy ho zary nofinofy
Iny masony nitopy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa-na-endrika-nasalotra/aiza | AIZA | Ny Alimbetso Soa na Endrika Nasalotra | Aiza ny rariny
Ho anay madinika
No fanomezantsiny
Teny tsy mipika
Teny manambany
Ny haja manontolo
Nampirotsaka tomany
Nameno ny tontolo
Aiza ny fitoviana
Nolazaina efa ela
Nosoloana fahoriana
Ny dindon'ny tavela
Tamin'ny fitadiavana
Nandaniana herintsaina
Nefa fandavana
No nasetry lay taraina
Aiza ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/andevony | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/sento | Sento | Tsiroa | He misento lalandava
zato foko mitoreo
rahoviana no hisava
reto aloka indreo
ity alina mangitsy
tsy mitondra hafanana
eh ny tena toa tandrify
tsy mba misy hazavana
tena lavitra ny andro
eh mangidy tsisy mamy
aiza ihany ity masoandro
mba hamarana tomany
ny ranomasina manonja
tsy mba misy fandeferana
rahovi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/ngah-moa-rehefa-tiana-de-miseo-mamilafila | NGAH MOA REHEFA TIANA DE MISEO MAMILAFILA! | ANDRINIAINA1 | Ngah ve!?
Ngah ve rehefa tiana!?
Dia mampijaly sy mampifila!
ka tsy mba asiana tambitamby;
rehefa misy mba miangavy.
Ngah ve rehefa hajaina!?
Dia mampiferinaina!
ka tsy mba asiana firaharahiana;
rehefa mba natao hoe tiana.
Ngah ve rehefa tsara kely!?
Dia miavonavona tsy miteny!
ka tsy asiana topi-maso akory:... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/tolona | Tolona | Tsiroa | Eh! hitolona aho hatrany
ho an'ny tany nihaviako
Efa be ny mitomany
zavatra tsy mba hiriko
Eny noana ireo zaza
tsy mba manana hatelina
Efa trotraka milanja
hany ka domedomelina
tsy mba misy atao ambava
toy reo zaza hafa loko
fa tapa-kibo no sahaza
zay manindrona ny foko
Raha mandinik'aho, tomany
manontany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/ilay-tiako | Ilay tiako | Tsiroa | Ny faniriako eto antany
Dia ny hanolotra fitia
ho an'ilay iray ihany
zay hekeko ho doria
Tsy hanafenako lay toetra
zay tsy hasehoko masoandro
Eny hajaiko na dia efa
Hitako andavan'andro
Eny hekeko ampifaliana
na dia rerak'aho na lanaka
eh tsy foiko ampijaliana
na tsy betsaka ny antanako
Ny halemeny he tsy h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/aza | AZA...! | ANDRINIAINA1 | AZA...!
Aza mba be avonavona,
Rehefa tiana sy tiavina:
Sao sanatria hanenenana;
Ny hambom-po diso toerana.
Aza dia tia manambanimbany,
Rehefa mba nambinina aok'zany:
Sao sanatria ka hitomany;
Raha toa ka ratsy no hiafarany.
Aza tia mangaringarika,
Rehefa misy zay tsy aritra:
Sao sanatria hanenenanao;
Raha t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/afoiko-tsotrzao | AFOIKO TSOTR'ZAO! | ANDRINIAINA1 | AFOIKO TSOTR'ZAO
Efa nohadinoiko avokoa:
ireo zavatra taloha.
Ka naleoko aloha nangina;
Raha nolavina tsy tiana.
Efa najanoko avokoa:
zay zavatra tsy hahasoa.
Fa naleoko niova fiainana;
tsy hanimba ny fisainana.
Efa tsy tiako ho re intsony:
ireo teny mafy tsy mampitony.
Ka aleoko miova hafa;
raha izay no ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/vavaka | VAVAKA | Tsilaitra | Ry Raiko,
Ampio ny zanakao fa aza avela hitalaho
Toroy saina hendry ho am'lalana voatendry
Tolory Ilay Fitia fa aza avelanao hania
Ry Raiko,
Aoka mba ho re ny vahoaka marobe
Toroy ny lalamarina ahafahany miarina
Tolory Fahendrena amonjeny Firenena |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/ilay-vohitri-ny-fitiavana | ILAY VOHITRY NY FITIAVANA | KIRIAH | Tsy ampy fefy, rava manda
ilay vohitra fitia ,
ratsy tefy fa kinanga
niakaran ' ny amboadia.
Fonfon-dresy no manento
hatr ' ery amoron-kady ,
eny indreny sombin-tsento
no namoha vavahady.
Babangoana ny kijàna
akom-peo sisa heno ,
mamolaly izay zahàna
ka ny fo no fenofeno.
Tetsy mantsy nisangiana !
natao ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bovalox/ny-sakafontsika-anio-menu-du-jour- | Ny Sakafontsika anio | Bovalox | Mba mieritrereta ihany ho'aho amin'izay zavatra atao
Nahandro paty ity madama dia nasiany sakamalao
Dia avy eo nasiana sira, vetsin sy atody
Ary menaka kely eran'ny sotro toa fanafody
Dia nafangaro tao daholo ka rehefa avy eo
Inona ny zavatra nitranga hoy 'nareo ?
Nentiny avy any tamin'ny vilia ny ravitoto
'Ty a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bovalox/maninona-anefa- | Maninona anefa ? | Bovalox | Maninona moa na dia mangatsiaka?
Raha matory irery
Sa tena efa zatra ka tsy misy fika
Dia tsy mahari-pery ?
Maninona moa raha tsy misy malala
Dia mba mananontena
Sa efa zatra ilay safosafo tsy miala
Sy ilay nofon-kena?
Maninona moa raha mba manjokaiky
Dia mba miaritra kely
Sa efa zatra matory dia mifanakaiky
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bovalox/madagasikara | Madagasikara | Bovalox | Miaiky aho fa tena mafy i Madagasikara koa dia nosoratako ny ventsoventsoko:
Mafy lesy ialahy ry Madagasikara
Miaritra mangidy vonomoka sy kafara
Ny mpitondra an'ialahy hatramin'izao ka hatramin'izay
Nampitondra faisana nandoro nahamay
Tonga ny vazaha dia nozarainy enina
Faritany samihafa i Antalaha sy Vavantenin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tanamasoandro/folaka-ihany | FOLAKA IHANY | TANAMASOANDRO | lakan-jejo aho fahizay
seo tsy mba natahotra onja
nihebohebo eny tena nisho milay
niseho ho mafy sy mafonja
tsy mba fahoriana ahy ny mitia
fa toa zary mandeha hoazy tsisy bedy
faly ravo eny nisoma sy nandiha
izay tia na tsy tia tsy nasiana kredy
izay nifanitsy tamiko toa tsy mba nampiraika
izay tena tia toa na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abs/tsikinao-1 | Tsikinao... | ABS | Tsy tan-kisendrasendra
Fa tena misy dikany
Ilay jery nifanitsy
Segondra vitsivitsy
Dia avy eo ianao nitsiky
Somary nisahirana
Somary nisompirana
Tanaty ankodimirana
Dia mainka babonao
Ilay fo adaladalako… |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/ny-tranomaiziko | NY TRANOMAIZIKO | fanasina7 | Raha mangalatra aho ;
Vaky trano, hetraketraka…
Fisolokiana, « zato metatra »…
Raha mangalatra aho,
Ka tratra,
Dia higadra.
Ny tranomaiziko tsy aiza
Fa any am-ponja.
Ireo entana nalaiko
Noho ny hadalan’ny saiko ;
Tsy hibedy, tsy handatsa,
Tsy hanozona, tsy hamafa
Ny fandalovako ety !…
Raha mangalatra aho ;... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.n.judie/ditra-sisa | Ditra sisa | R.N.Judie | Miangavy anao aho mba valio re ny teniko
miangavy aho vakio re ny diam-peniko
Diso fanantenana aho raha nilaozanao
ka "ditra sisa" no vokatr'izao
aza omenao tsiny aho raha ilaza izany
satria izany no etrakatrak'ny tany
izaho tsy ho anao, ianao tsy ho ahy
ka "ditra sisa" no atao mba tsy hamonoana ny fanahy
ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bovalox/mpanao-sintomahery | Mpanao sintomahery | Bovalox | Aleo za hanokatra pejy vaovao
Hanaparako tsara anle ady rima
Satria mbola hitako ho lava ny lalao
Hanasa vangy hoy ny hiran'i MIMA
Am'zao ora izao lou dia fantatro tsara
Fa betsaka ny oul misy hambara
Saingy ny masony efa te-hatory
De bonne nuit ary, sa manakory?
Za lou zany hiresaka kely
Ny zavatra koboko tam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/mikoty-sipa | Mikoty sipa | Tsiroa | Azafady anie ry se?
fa misy resaka mandeha
raha tsy bomba mipoaka
hianao de tsy hisafoaka
moa marina izany
sa mba resaka ihany
ny manontany moa fanao,
tiako hamarinina aminao
ary androany hafa kely
sa diso aho izay mijery
miady loko ny ankanjo
hafa nohon'ny isan'andro
nisy fotoana manokana?
fa lay haingo t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/inay-anie-aho- | INAY ANIE AHO !!! | fanasina7 | Inay anie aho ka vary,
D’ianao no mba rano ;
D’indro isika ts’hifanary,
Na an-tsaha na an-trano ;
Eny iky…hatrany « am-bilany » !
Inay anie aho ka trondro,
D’ianao no mba dobo ;
Raha tsy misy aho :
Ianao ho very hasina ;
Raha tsy misy ianao :
Izaho ho faty hasina !
Inay anie aho ka vorona,
D’ianao no habaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainiasy-luciano/teo-ihany-aho | TEO IHANY AHO...! | Ainiasy Luciano | TEO IHANY AHO
-Tamin’ilay fotoana omaly hariva-
Teo ihany aho…!
Nijoro, nolalovan’ny mpandalo
Niantsa, nakorain’ny mpikalo
Niandry, nolatsain’ny avelo
…Fa tsy sahy nitalaho
Teo… Toa nivelona amin’ny nofy
Nilaika, nibanjina tsy niherika
Ilay varavarany fafazan’erikerika
Fa tsy nivoha, mainka koa farofy
Hidin’... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abs/ando | Ando | ABS | Ando… herijikan’ny saiko marefo
Ando… iankinan’ny foko be sento
Ando… iankinam-panahy be tomany
Loharanom-pitia tsy ho lany
Ando… aina manainga hivazo
Ando… hirahira tsy mety malazo
Ando... embona mahafanimpanina
Fitiavana tsy mba indramina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.n.judie/fiovam-po | Fiovam-po | R.N.Judie | Iza intsony moa no antenaiko eto an-tany
Ny ray izay nantenaiko any lavitra any
Ilay mba anjara masoandroko niserana
no nanankinako ny fitia tsy hanam-pataperana
Kanefa indro izy lasa niankandrefana any
ka alahelo sisa no solon-tomany noho izany antony izany
Ny ray izay nantenaiko hoy aho any lavitra any
tsy mba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-toky-ntk-/rehefa-tia | Rehefa tia | Ny ToKy ( NTK ) | Rehefa tia
Rehefa tia dia toa adino avokoa
Ireo izay rehetra manahirana ny loha
Fa toa misy hery hafa mihitsy
Tsy takatry ny saina, indrisy
Indraindray mila mahalasa adala tokoa
Raha tsy voalanjalanja ilay fihetsehampo
Hany ka ny saina no lasa mivaha
Aza mba tratrany fotsiny fa dia asa oa!
Lavitry ny maso hono... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bovalox/olona-adala | Olona adala | Bovalox | Teo Analakely h'oa nisy olona adala
Eo akaikin'ny le fiandrasana bus
Betsaka ny oul no tsy nahalala
Fa variana mijery an'iretsy polisy
Mandeha moramora ilay olo-mitapy
Otran'ny hoe olo-norma ihany
Kay teny an-tànany dia nisy antsy
Vonona tonga de hilako avy hatrany
Mijerijery sy mandinika aloha
Izay no fihetsi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.n.judie/ny-tanindrazako | Ny tanindrazako | R.N.Judie | Ry tanindrazako tsy foiko
Tanindrazako tsy ho soloiko
na dia be aza ireo tena tsara
mbola hafa ihany ny hoe "Gasikara"
Tanindrazako, ilay tany niaviko
Gasikarako, tiako ka tsy ariako
tsy atakaloko, tsy amidy
indrindra ireo lova ssarobidy
Tanindrazako io, Gasikarako
tiako foana fa anjarako
na ratsy io na tsara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.n.judie/andro-vola-taona | Andro, Volana, Taona | R.N.Judie | Andro
Ny fitamabarako no manome anao ry volana
Koa nahoana izaho no vesaranao olana
Izaho ve no kely loatra
Sa ianao no efa mivoatra
Volana
Tsy hoe za no ratsy saina
Fa ianao no be taraina
Tsy hoe za no ratsy toetra
Fa ny fotoananao no manam-petra
Taona
Oadray ity adinareo
Tena mila mankaleo
Isan’andro vak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/fitiavana-sa-vola-aman-karena | FITIAVANA sa VOLA AMAN-KARENA? | ANDRINIAINA1 | Fitiavana sa vola aman-karena!
Raha ny fitiavana no afototra amin'ny vola aman-karena!
dia tsy maitsy ho hita taratra ao ilay fitiavan-tena.
ka na ho ela na ho haingana de ho hita soritra eny foana;
satria hiseho ny marina rehefa hifandimby ilay fotoana.
Rehefa tsy ao ve ilay harena de tsy ho ao koa ilay fitiavana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainiasy-luciano/olom-bery | OLOM-BERY | Ainiasy Luciano | (valin-kira ho an'i R.N.Judie: Ny Tanindrazako)
OLOM-BERY
Efa ory
Ny tontolo manoloana
Ka misaroro tsy hay lazaina
Ireo tsy nisy nantenaina
Fa tsy mba mety foana
Toa te hiery
Nefa ny tsiahin’ny andro mamy,
Tsy nahalalana izay hoavy
No tonga nampitamby,
Nitanisa ireo lany
Efa ho lafo mbamin’ny aina
Tsy hita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bovalox/fa-maninona | Fa maninona? | Bovalox | Fa maninona ary isika no tsy mba miray hina?
Ady lava isan'andro, gidragidra mahavariana
Ny mpilalao pôlitika mahazo aina sady faly
Fa isika Malagasy ravarava sy mijaly
Izireo any ambadika miarapaly sy mirevy
Fa isika mianankavy amporisihina higrevy
Ankolafy marobe mpiady seza jiolahimboto
Ny taranaka amampara, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.n.judie/tsy-anjara | Tsy anjara | R.N.Judie | Sendra mba nandalo teo aho omaly
nientana ny foko indrisy toa tomany
nisoka moramora anefa ilay varavarana
nitodika aho! io ianao no mangarangarana
toa milaza indray ilay fiverenam-po
ilay fitiavana iray niombonan-tsika roa
kanefa! tsy anjara ny fiarahan-tsika
noho izany adinoy ireo efa vita
Moa ve adisoako rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/raitra | Raitra | Tsiroa | zato fihetsika tsy taitra
zay manintona ny foko
eny tsotra fa manaitra
Toa sary hoso-doko
lay fiteny zay malefaka
mahatonga ahy ho jamba
ho fahatsiarovana hipetraka
ho tantaraiko any afara
zato maso izay mijery
miantefa avy hatrany
tiako ho ahy samy irery
hanorenana ankany
Ny fitsiky toa mibitsika
ny fanah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-toky-ntk-/nofy-sisa-.-.- | Nofy sisa . . . | Ny ToKy ( NTK ) | Nofy sisa . . .
Alahelo avy ao anaty ,
Sento tokana tsy satry
Tsy mampatory rehefa alina
Lasa saina malimalina
Mitampify izy irery
Ireto masony te hijery
Fa any ianao, tsy fantatra
Hoe maninona ? ankamantatra
Dia ny nofy sisa no hany azo atao
Izay no mba fomba kely hiarahako aminao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainiasy-luciano/vaky-tamberina | VAKY TAMBERINA | Ainiasy Luciano | VAKY TAMBERINA
Gaina tanteraka
Fa saokan’ny nahiny
Ka leo ny fanahiny
Toa madiva hitresaka
Efa vaky tamberina
Resin-tondro maso
Fa vavan’ny ankaso
Ka lela no foserina
Ny tany no nanody
Ny lanitra nanakora
Ity tena lafo mora
Ka tsara ny mody
Mamadika ny vintana
Sy miantso ireo kintana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/nandeha-nitady | Nandeha nitady | Tsiroa | Nanantena ny hahita
ka nandao ny fihaviana
nihandrandra ny ho tafita
mba hahazo izay hiriana
Nifofotra, nikely aina
hahavita ny fianarana
ao aoriana mba tsy hangaina
ny ambony 'hany no tratrarina
Dia nahatozo zato izy
ka nandroso hatrany hatrany
Tsy mba sasatra na kivy
tany andafy no niafarany
Tsisy ngidy t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abs/lakolosy | Lakolosy | ABS | Rehefa mipaika ny feon-dakolosy
Dia mientana koa ny fitepon’ny foko
Fa ho avy ilay oran’ny mitositosy
Fiarahantsika midera ny Tompo
Feon-dakolosy manaitra ny saina
Mampidobodoboka ny atin’ny tratra
Fa minitra vitsy sisa no isaina
Dia hiara-hihira ny antema sy tsanta
Ny feon-dakolosy ka satriko foana
Ho ny ora ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/ambany-volo-besharaky-teny-betsimisaraka | Ambany volo | Tsiroa | ( Inspire par les vacances chez grand-mere)
Akory kabaro, magnakory agnaro
-zehe mbola tsara, mangingigny fo
Tsisy nahandro, fa misy ndreky ny ankera
Ake tsisy masake!!fa mbola tsy lera
-K'magnakory tsara be kara tsisy olo
-zare ndreky ake fa loso namboly
-mamoa tsara be? magnakory ny vary?
-zo ndreky tsara, ya... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abs/tsikinao | Tsikinao | ABS | Tsy tankisendrasendra
Fa tena misy dikany
Ilay jery nifanitsy
Segondra vitsivitsy
Dia avy eo ianao nitsiky
Somary nisahirana
Somary nisopirana
Tanaty ankodimirana
Dia mainka babonao
Ilay fo adaladalako… |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/mitia-ny-tsy-fantatra-na-tsy-hitanny-maso-akory | MITIA NY TSY FANTATRA NA TSY HITAN'NY MASO AKORY! | ANDRINIAINA1 | MITIA NY TSY FANTATRA NA TSY HITAN'NY MASO AKORY!
Afaka milaza aho fa "tiako ianao!"
satria izaho hany no mahalala ny ao anatiko ao!
Ianao koa afaka tsy mino izay lazaiko:
raha toa ka tsy ilainao ohatra ny zavatra tantaraiko.
Tsy hanome tsiny anao aho na koa hanakiana;
satria fantatro fa tsy voatery hotanteraka i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abs/topimaso | Topimaso | ABS | Topimaso iray nifanomezantsika
Dia efa tsy voaisa
Ny doboky ny foko
Fa mirotoroto
Tsiky sendrasendra
Dia nampipendrapendrana
Ny saina valalanina
Ka nampifanimpanina
Izany ratsan-tanana
No tena fahasambarana
Raha vao nifandray
Ka nampiolomay
Sy ny hafa maro
Rehefa nifangaro
No tonga nampahatsiahy
Fa tiana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/alina | ALINA | ANDRINIAINA1 | ALINA!
Ny alina mangina,
nahitako fitsikiana!
Nahatsiarovako anao,
Nanembonako anao.
Alina mamy,
Tsy mbola nisy toy izany;
Ny andro lasa rehetra.
Ka tiako mba hitoetra.
Tiako ny endrikao,
Tiako ny fitsikinao,
Tiako ny fijerinao,
Tiako tsy handao.
Zary sary masaka ao an-tsaiko!
Mamiko, tiako, lalaiko!
Iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abs/domelina | Domelina | ABS | Domelina aho …
Ka mendrika saziana
Ampijalijaliana
Ampangirifiriana
Tsy manaja ireo lalàna
Ka tokony ho gadràna
Fa fo adaladala …
Midomelina Fitiavana !
Saingy …
Any aminao any
Any irery ihany
No fonja sahaza azy…
Afatory…
Aza avelanao hatory
Fa domelemo Fitiavana! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abs/elanelan-tany | Elanelan-tany | ABS | Alahady toy ny androany, amin‘ny ora tahaka izao
No anjara fanomeny ahy mba hahitako anao
Na hahita anao fotsiny ihany aza, iray segondra monja
Dia tsy tsapan‘ny fitiavako ho zavatra mafonja
Saingy kosa ilay androany hafa nefa Alahady
Fa izay zavatra jereko, foana sy mangadihady
Na tandindondindon‘aloka fotsiny i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abs/taratasy-ho-anao | Taratasy ho anao | ABS | Ando a,
Aty an-tany lavitra aho
Manoratra ho anao
Amin’izao ora izao
Tsy haiko amin’ny firy
Fa ny alina mamirifiry…
Ny feon’angely any ho any
Sisa miara-mitomany
Amiko Rahavako…
Any izay Ianao…
Ianao nararirary
Asa raha efa salama
Izaho aty dia tsy tamana
Fa ny saiko
Ange ry Aiko
Ka manjohy anao hatrany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abs/asa | Asa | ABS | Asa raha mba nisy
Na dia segondra vitsy
Monja ihany
Tany ho any
Nahatsiarovanao ny anarako
Fa efa mila
Tsy ho dila
Ny andro sy fotoana
Fa any ho any foana
Ny foko sy ny saiko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abs/tsy-tonga-ianao | Tsy tonga ianao... | ABS | Nanjombona ny tavako
Maizina ny lalako
Fa tsy nahita anao…
Nangaina ny fijeriko
Nitombo koa ny feriko
Fa tsy nahatsinjo anao…
Torovan‘alahelo
Ny fo mpamelovelo
Tsy nitafa taminao…
Ny molotro nihamaina
Lanaka ny saina
Nanantena hitojo anao…
Kanefa moa raha teo ianao
Tsy ho badenina ny saiko
Nipararetra ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abs/mena | Mena | ABS | Ny hamenan’iny lanitra mitohy any ho any
Mampatsiaro ireo hariva fiarahanay mitosy
Lavitra azy mantsy izaho ka toa zary mitomany
Fa efa zatra tambitamby tao anaty rotsirotsy
Mena toa an’iny ilay akanjo izay nanaovany
Mena toa an’iny ireo molony fanoroko
Mena toa an’iny : fidorehitr’i Fitiavany
Onena toa an’iny i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/ho-anao | Ho anao | Tsiroa | Ho anao,
zay maro anisa
ka mitady 'zay mba ho hita
Tsy mampisy disadisa
Ho anao
Ho anao,
no hanoratako
ho anao no hisasarako
noho ianao no hanandratako
zao feo izao
Ho anao,
Izay misasatra
mikely aina mba hanandratra
ary koa tsy miambatrambatra
'zay vitanao
Ho anao,
zay manetsetra
zay mivavaka kanefa
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/ny-antom-pisiako | Ny antom-pisiako | ny eja | Ny antom-pisiako
Raha toa nisy ianao
Dia izay no antom-pisiako
Ny soritr'endrikao
Ny bikanao tontolo
Dia tsapako fa tiako
Ny teny nomenao
Hantreny ambony fiara
Narahiko finoana
S'ilay tsiambarambara
Izay nifamatorantsika
Toa sarotra hadinoina
Matoa ianao nisy
Ka nitantana ny diako
Dia fantaro mihitsy
R'i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/mahaiza-misaotra-ny-mpahary | MAHAIZA MISAOTRA NY MPAHARY! | ANDRINIAINA1 | MAHAIZA MISAOTRA NY MPAHARY!
Misaorà ny Tompo raha mbola salama:
ka afaka manao zay mety hatao tsy misy mpandrara
Fa loza ngeh raha sanatria ka marary;
Fa miferinaina ery sy mijaly.
Misaorà ny Tompo amin'ireo zava-tsoa:
Ka afa mitady zay mety mahasoa
Fa loza geh raha sanatria ka marary;
Fa tsy afa-mihetsika, ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/danielr/lasa-sy-ho-avy | lasa sy ho avy | danielR | Ny fotoana tsy mahafaty n’inona eo imasom-paharetana
Na ny andro na ny taona na ho lasa tsisy fetrany
Tsy hamono izato fahatsiarovana ao anaty lalim-paka
Ka hanakana ny fo hilaza ny hetahetany, ny feony hitraka
Ny androany taratry ny omaly taratry ny apitso tsy ho lany
Ho tata lava tsisy fetrany, hitohy hikorisa, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/tsy-hampaninona | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/jodasy-maoderina | JODASY MAODERINA | Riantsoa | Tsy afaka ato an-tsaiko
ilay famindranao midoladola ery,
fitsiky sy fijery midoroka fitia.
Nangina aho fa tsy haiko
izay hevitra fonosiny na inona na inona,
izaho rahateo moa efa jamba tsinona.
F’injay ianao nanoroka vao takatro an-tsaina
fa efa nody ventiny ny rano nantsakaina.
Nilaza ianao fa tia,
nivoady sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/fanevam-pitolomana | FANEVAM-PITOLOMANA | Riantsoa | Injao fa reko, injao
ilay hobim-pandresena,
mitraho aoriako ao
vahoaka sesehena
mihiakam-pifaliana…..
hihoraka aho sa tsia?
tsia, SANATRIA!
Fa aina firifiry
no niezaka nikiry
nanao vy very ny ainy
ho an’ny fireneny?
mba saino ange ireny!
jereo ny rà nandriaka
izay an’ny razantsika;
ilay tolom-pahafahana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/danielr/nilaozany | Nilaozany | danielR | Ny tsikinao mamiko fahiny
Miteraka tomany ho ahy ankehitriny
Iny toetranao iny, tsotra sy milamina
Mitondra nofy ratsy toa tsy tanty, rehefa iny tonga ny alina
Ireo mba hany fahatsiarovana, sisa nanamborana
Toa be loatra, rehefa injay latsaka iny ny orana
Ilay fotoana kelintsika sendra nisy, niaraha-nozaraina
An... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/velona-foana-izy | Velona foana Izy | Andrimaranitra | Velona foana Izy
Velona foana Ianao ry Bakoly
Velona foana Ianao ry vady malalako
Satria ho'aho tsy maty Ianao fa matory
... Ianao tsinona dia tena endrik'ireo zanako.
Ny fotoana no nandao herintaona
Fa ny fonay tsy moana
Izahay aza mbola tsy nisaona
Satria Ianao velona eto aminay eto foana.
Havana, namana ama... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/ny-tempolinny-tompo | Ny Tempolin'ny Tompo | Voromailala | Matoa ianao marary
Dia noho ny fahotana
Matoa ianao mijaly
Dia ao anatinao satana
Koa diovy ny ao anaty
Araho vavaka sy bebaka
Hivoahan'ilay ratsy
Rehefa ramaka sy reraka
Hanjary hiverina hadio
Ilay Tempolin' ny Tompo
Ka aoka izay ary fadio
Ny saina ratsy sy maloto
Ny fihinanana sakafo velona
No ahavelona ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/fo-diso | Fo diso | AMN (Arialy) | Aza mba mitodika ry tsiaro ny efa lasa
aoka hadio ny saiko ho toy ny voasasa
tsy tiako ny latsa, aoka izany tsy ho avy
ilay fitia nomeny manko, nolazaiko ho vazivazy
ireo taona izay nandalo no namoha izato fo
sary, sion-dresak'olona, nihelina namoha
irony toetra sy fitia, tsy nohezahiko jerena
fa neveriko ho tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/hanakory | HANAKORY | NY HARIAINA | HANAKORY
Tsy haiko ry tiana
Tsy ho azo vinaniana
Ity foko kely jamba
Raha toa ianao ka banga
Na tsy anilako eto
Mazàna aho no matahotra
Tsy sahy sy toa miaotra
Mandinika ny atao
Raha toa ka tsisy anao
Angamba dia ho loza
Mampivarahontsana
No koa mampikorontana
Ny hatrany anaty lohako
Miteraka ny olako
Il... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kolesy/hanoratra-aho | Hanoratra aho | KOLESY | Hanoratra ihany aho ho anao
Ka tsy hijanona ny rantsako
Raha tsy efa ritra ranomainty
Angamba, na efa sina sady lefy
Hanoratra aho ho anao
Hanangona ireo kely fantatro
Tsy sitra-po; na hoe tsy maintsy
Angamba, ka hikimpy vetivety
Hanoratra aho mba ho anao
Ho rediredin’ity peniko
Hanoratra aho mba ho anao
Mba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/tenin-drazana | Tenin-drazana | Tsiroa | Tsy ho adino velively
ny nitiavako ireny
voam-bola-netindrazana
nampiasaina; nahabehazana
Teny tsotra tsy hain'ny maro
Teny zay tsy hafangaro
an'ireo tsy voatanisa
lay fitenin-drazan-tsika
Andrandraina tsy ho very
Eny na dia manirery
Eo anivon'ilay nosy
Tonga lafa-mapanofy
Teny mahalaza tsara
zay rehetra t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/toratora-poko | TORATORA-POKO | NY HARIAINA | TORATORA-POKO
Ry Tompo be fitiavana ö!
Bitsiho mangina an-tsofiny
Ny anarako ho reny
Hanala izay ho rofiny,
Na kivy ilay malalako
Ampandalovy an´eritreriny
Lay endri-miramirako
Hitsabo izay ho feriny,
Na kivy ilay tsy foiko
Arafeto am-binaniny
Lay tsikiko malefaka
Hamafa izay tomaniny,
Na ory koa ilay tiak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/velirano/ilay-sarinao | ILAY SARINAO | VELIRANO | Ilay sarinao irery
no hany mba fijery
ary koa mampahery
rehefa sendra manirery
Any tokoa mantsy ianao;any lavitra ahy
tsy eto akaiky mba ho fihinina
fa raha sendra mahatsiahy
dia ilay sarinao no banjinina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/ny-ankehitriny-ihany | Ny Ankehitriny Ihany | Voromailala | "Ny Ankehitriny Ihany"
Aza mamiza-tena mitodika mijery ny lasa
Mahatsiaro ireo jaly maloto tsy voasasa
Na koa mamisavisa ny ampitso hovolamena
hiandradrana fatratra ilay fandresena
Fa ny ankehitriny ihany aloha banjinina
Na mamy na mangidy toa ny ravinkininina
Fa io no hivadika hanjary holasa
Ary koa fototr'ire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/serasera-karajia | serasera karajia | AMN (Arialy) | serasera karajia
isaky ny mamoha ilay solosaina ny maraina
dia mijery , inona aza ny tonga ao an-tsaina?
Ny hitafa sy hiresadresaka amin'ny namana
na dia lavitra aza moa dia tsy misy sakana
mihomehy, mitafa, hanihany sady faly
marina fa misy ny resaka tsy dia zarirary
fa nataontsika ho fanalana andro iany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/izaho-aloha | IZAHO ALOHA | MiséVonjy | Izaho aloha androany no misento sy mijaly
tsy misaraka tomany, sara-tiana ka tsy faly.
Ilay fitiavana no triatra, ilay fitafy fony tia
ilay noheverina tsy ho ritra sy nofisina ho doria.
Ho sotroiko na mangidy ´ty veloma tsy nampoizina
fa na lahatra na didy, nanala aina toy ny poizina.
Tsy ho antsoiko izany tody n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-toky-ntk-/ho-tsiambaratelo | Ho tsiambaratelo | Ny ToKy ( NTK ) | Indraindray feno dia feno
ny fitiavantsika
Indraindray mila tsy ho heno
toy ny efa ritra
aoka ho ahy irery
ianao tsy hiteny
ho tsiambaratelo
ny ady sy alahelo
ny fitiavantsika
indraindray mahafatifaty
ny masonao mijery
indraindray mila tsy ho tanty
manan-kery miery
sanganehana aho
tsy hitako ny hatao
nef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hadinoko | TSY HADINOKO | Fredy Jaofera | TSY HADINOKO
Tsy hadinoko ny reniko
isan’andro vaky izao,
na vitsy ‘tony teniko
hamoahako azy anao.
Tsy hadinoko ny raiko,
na ahoana na ahoana ;
fa mbola ao an-tsaiko
sy mamiko eto foana !
Tsy hadinoko ny taniko,
na mahazo sedra maro ;
mipoipoitra ny tomaniko
rehefa iny fa mahatsiaro.
Tsy hadinoko ny Lasak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/mamiko | MAMIKO | ANDRINIAINA1 | Mamiko!
Mamiko indrindra,
tsy tiako hafindra:
Ny fitiavanao ry Ray;
fa maharitra mandrakizay.
Tiako hokoloina,
ka tsy tiako hosoloina:
ao AMINAO ilay fitia.
fa iriko haharitra doria.
Mamiko sy tiako;
ary tena iriko:
"ny hiraka aminao,
Ry Tompo tsy mandao!"
Satria mamin'ny foko,
Tsy haiko soloiko:
"ny fam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajery/voninkazoko | Voninkazoko | Rajery | Voninkazoko:
Voninkazo hafa loatra ,renty tena hafa kely ,
Nanaitaitra vao maraina, sy nisintona eritreritra;
Ny felany malefadefaka,tsy ngeda bé na tena kely;
Fa ilay itiavako azy tsara , ity voary hafa loatra .
Satriko aza mantsy letsy ,nandinika azy teo foana,
Fa tsy aritro intsony ,fa natoniko mihitsy,
Nol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fitia-tandrimo | Fitia tandrimo | raozigasy | Ilay endrikao sariaka
Ilay tsiky manjopiaka
Ireo masonao baliaka
Ireo teny mamy apariaka
Ireo fihinao manery
Ireo sefonao mahery
Ireo lefaka fijery
Rehefa isika irery
Ireo langonao malefaka
Ireo halatr’oroka mitefaka
Mahatonga fo hitresaka
An-tsefatsefan-dresaka
Ireo kiti-diso lalana
Ireo safo tsy hita far... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-toky-ntk-/revy-sa-ditra- | Revy sa ditra ? | Ny ToKy ( NTK ) | Revy sa ditra ?
Mifampiantso , mifanoratra someso
Tonga dia any ny fotoana dia mitondrà vola
Dia mihomana ery sady miventsoventso
Fa lasa raikitra indray izany ity fa hidola
Dia vorivory , Iza no mbola tsy ao !
Iny koa tara lava , zao foana mahakamo
Tsy aleo tonga dia atomboka izao
Sady tsika efa samy te ho ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahabahinala/ilay-hafatrao | Ilay hafatrao | Vahabahinala | lIay hafatrao
Tsy fantatro na ahoana fa toa zary varimbarin’ny alahelo anao ny ao anatiko ao
Reo hafatrao nisesy tanaty ny findaiko,voajeriko impolo,mampita sento vao
Dia lasa ery ny saina ….miandry …hafiriana indray ny tafa vaovao
Raha vao mahare mozika "milaza tonga hafatra", ny saina any aminao
Rehefa sendra ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahabahinala/mbola-misy-antenaina | Mbola misy antenaina | Vahabahinala | Indrisy mantsy Nosindrazako
He ianao ankehitriny
Fa ilay sedran'ireo razako
Nikasa handroaka ireo vahiny
Toa zary nofy tsisy tazako
Zany hoe mba fahafahana
Nidedahana eran-tany
Toa zary nahapahapahana
Mampandrotsaka tomany
Fa ny vahiny no mibahana
Fa mbola hoavy ny maraina
Mbola ho foana ny taraina
Mbola mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/tohina-ny-foko | TOHINA NY FOKO | harylovah | Aleoko aloha mangina sy tsy hiloaka akory
raha maloka ny andro nataoko hitsikiana
mba hanamaivana azy , hialan'ny sorisory
hisian'ny fitoniana...
Aleoko aloha mitony , haminavina mora
raha tonga ilay fotoana 'zay misamboaravoara
mba hisy tsiky indray 'ty vatana bakora
handamina tantara...
Aleoko aloha ry Tiana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/isaorako | ISAORAKO | KIRIAH | Isaorako ihany, isaorako anao
irony tomany , zay navelanao
nandràtra ny foko, nameno toloko
satria mantsy ireny
no niova ho hery
sy andian-teny,
natambatambatro
ary nasandratro
ho tononkalo
vakian ny mpandalo
Isaorako mihitsy ,isaorako koa
irony indrisy ,izay nahavoa
satria izy ireny, nanampy ombieny
ny ai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/danielr/raha-mba-fantany | Raha mba fantany | danielR | Sarotra ny miaina
Fahoriana, sentosento, ranomaso sesilany
Resy, mitaraina
Omaly sy androany ary ampitso ve ry tany?
Hafaliana lany loko, tsikitsiky lany andro
Lasa nody, lany lera, tsy hitoetra eto intsony
Zavona sy orana no sisa efa dify ny masoandro
Efa vizaka sy lanaka, lany hafanana izany fony
Ny fitiavana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-toky-ntk-/kalo-miaraka-amini-hariaina | Kalo | Ny ToKy ( NTK ) | NY HARIAINA:*
* Fa kalonao indrindra,
§ Fitiavana tsy afindra
* Miaro tsikinao miavosa
§ hasambaranana hotontosa
* No mbola mampirindra
§ ilay fitiavana tsy afindra
* Ny tontolonao kosa.
§ Tsy mba ho osaosa
* Ka indro fa toa mirana
§ tsy ahatsiaro sahirana
* Mihira fahasambarana
§ Toy ny masoandro am-barava... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hampitondraiko-anao | Hampitondraiko anao | raozigasy | Hampitondraiko anao
Hampitondraiko anao, ry korian-drano
Izany alaheloko, tsy tana mampangano
Ireo Roti-po anaty, tsy mbola lasa angano
Hampitondraiko anao, ry rahona eny an’habaka
Izany vesatry ny foko, maizina ka miavaka
Ireo tataon-jioga, tsy mety sarom-bavaka
Hampitondraiko anao, ry ankadilalan-tsioka
Izany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/mahandrsa-mihitsy | Mahandrása mihitsy | NY HARIAINA | MAHANDRÁSA MIHITSY
Tsaboy tsara alo(ha),
Andraso indray hato(y)
Sitrano ho afa-pery
Aleo haka aina kely
Lay fo mbola maratra,
Fa aza omena ny hafa.
Aleo mihitsy hiempo
Ho tena afa-tsento
Sy koa ho afa-jaly,
Lay fo mbola marary.
Avelao f´aza terena,
Raha toa mbola jambena
Handrao mantsy lahy
K´ho tototr´ah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/roa-taona | Roa taona | raozigasy | Roa taona
Tsy mety voaangoko
Ireo vetso mpanambara
Tsy mety voatangoko
Ireo teny mpitantara
Tsy mety voavoriko
Tsy mety hosamboriko
Ireo vinanin-tsoratra
Fa to ny hetretrehako
Sy ampoka ny fiainako
Ny hasambarana atrehiko
Ny fiadanana iainako
Ka kalo no atambatro
Hisaorako Azy ambony
Ho vavaka asandratro
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/rakitra | RAKITRA | MiséVonjy | Ho raketiko an-tsoratra, ny senton’ny fo, nateraky ny tsiahy
hisolo ireto holatra, tsy mba nety lo, tsy nahasaraka ahy.
Ho soratako ao, ny kiakan’olo-tia, tojo fifaliana
fa tsy mba kilalao, ilay isika niara-dia, tsy mba nokaliana.
Ka rehefa iny, mitamberina ny lasa, tonga tsy nantsoina,
ho raisiko ilay episitily, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-toky-ntk-/any-ho-any | Any ho any | Ny ToKy ( NTK ) | Any ho any misy olona iray tsy manadino
Mahatsiaro na dia tsy niara-dalana aza
Any ho any ,manantena sady mino
Samy efa nahazo izay silany ho sahaza
Any ho any, olona iray maniry foana fatratra
Ny ahitanao ny soa, mba iainanao ny lafatra
Any ho any . . .
Olona iray . . . fantaro |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-toky-ntk-/kilalao | kilalao | Ny ToKy ( NTK ) | Fahiny, mbola kely
Raha iny fialan-tsasatra
Satry foana hilalao
Miaraka amin’ireo tary
Fanenjika, fangala-piery
Toa mitsikitsiky fatratra
Tsy mety lany atao
Tsinkonina, kivarivary
Miafina dia mitsaoka
kasikasy kapoaka
Teo koa ny baolina
Ny bandy sy raolina
Fahiny mpandoto lamba
Raha iny tsy ho adino
Satry... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/romaric/mba-mamy | “Mba mamy” | Romaric | Mba mamy akia “ malala”
‘Lay fitia adaladala
Nifanolorantsika an!
Hany ka tsy nety nangatsiaka.
Fa vao ny masontsika monja
Noinjany mifanena ;
Dia he mivoaramenan’
Ny fitia mihoatra tany am-po
Ny volon’endrintsika roa.
Mandroatra mila tsy ho tana , mantsy
Fa mafana dia mafana
‘Lay fitiavana ao anaty.
Hany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/sento-hafahafa | SENTO HAFAHAFA | Totyjim | SENTO HAFAHAFA
Alefa dia lasa dia aiza no hianjera?
Ilay sento mandona manindrona mafy
Manaitra ahy matory fa tonga tsy miera
Tsy mifidy hiantefana toa ora-mifafy
Nivadika havia,niolika havanana
Akipy ny maso fa ny eo ihany no eo
Mivokom-pandry,milafika tanana
Ny an-taonany lasa toa vao anikeheo
Misy ny tsara ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-toky-ntk-/neny | Neny | Ny ToKy ( NTK ) | Neny
Raha vao injay nandaka tao an-kibo, dia efa nijaly sahady
Nofisiny ombieny ombieny ila menaky ny ainy mandady
Volana maro no niafiana, fijaliana, fangirifiriana
Fa tia , tena dia tsy nitaraina fa dia nangina
Na mama, na neny, azo iantsoana azy avokoa
Fa ny tsy azo idivirana dia tsy misy sahala azy tokoa
Rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/iny-tonokalony-iny | INY TONOKALONY INY | Totyjim | INY TONOKALONY INY
(Nalaina avy tamin'ny asa soratr'i KIRIAH " INY TONOKALOKO INY")
Tanaty tonokalony iny
Tao izy tena heno
Tao ny fiainany no FENO
Tanaty tonokalony iny
Tanaty tonokalony iny
No natosany ny tsiahy
Nasidiny avo ny fanahy
Tanaty tonokalony iny
Dia nigorisa ery ny penina
Ny ainga koa moa be mar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/tantaran-tolakandrony | TANTARAN-TOLAKANDRONY | NY HARIAINA | TANTARAN-TOLAKANDRONY
Iny tolakandro iny no andro nilatsahan´ny tavoniny...
Vao teraka izy tamin´izay dia ny "ho azy" no nitaraindrainany! Maika ery ny handady vao mba niharinarin-doha, nibadabada niantso dada sy niezaka namindra raha nahay nitsangan-drery.
Fa iny tolakandro iny no tsy maintsy nivoahany namonjeny n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/vahao-ny-olana | VAHAO NY OLANA | harylovah | Hinia hikipy ianao
Hinia tsy hahalala
fa efa mitofezaky ny hatsiaka sy fanala
'reo tsy mandady harona
Ka 'zay kabarinao ho entina_hampitony
hambabo indray ny fony
Tsy asiany sira akory fa ny zony no voasarona...
Fa
Ny azy ny marariny...?
Mihamihena an-toerana ny fatram-potsimbariny
Fa la lasa ny harena
Ny az... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ralay/ny-tantarako | Ny Tantarako | ralay | NY TANTARAKO
Ny tantarako dia somary fohy ihany mba tsy hilazana azy hoe fohy dia fohy, ny hanombohako azy angamba dia ny momba an i Dada sy Neny, i Dada moa dia irony mpanao bizina irony no asany ireny mpanao afera ireny e ,fa ny azy ny bizina mety an ! ny an’i Neny kosa dia mpampianatra sady i Neny tena tia zaza be ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanazary/rahoviana-no-hiposaka | RAHOVIANA NO HIPOSAKA? | MPANAZARY | Manjombon-dava ny andronao ry Gasy
Saroman-drahona ka mangasihasy
Jereo ity ianao fa maloka,mangina
Indrisy!indrisy! vesaram-pahoriana?
Tomany anao ny foko ry taniko
Ka iza no hijoro ho fahavaloko?
Tsy iza fa ianao zay mampahory
Ry fahantrana tsy mampahita tory
Rahoviana no hiposahanao ry masoandroko?
Ka ahita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/romaric/mionona | “Mionona” | Romaric | “Mionona”
Ny foko no adala e…!
Fa mbola mikiry ny hiantso hoe “Malala”
‘Lay fo tsy mba manina;
Hany ka valalanina.
Ny fitiavana mantsy no be ao anatiny;
Ka mila tsy ho tantiny
Raha tsy nolazainy;
Sy nodradradradrainy.
Kanefa indrisy;
Fa dia sahinao ny nampitampify
Sy nampahory
‘Lay fo torotoron’ny fitiavany... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.