url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/avy-taiza-ary-ho-aiza-
AVY TAIZA ARY HO AIZA ?
KIRIAH
Taiza kay ianao ry ' lay mandavo ny fisainako ? ry ' lay tsy mihaino ny tarainako ry ' lay mandoko ny androm-piainako . Ho aiza kay ianao ry ' lay mpandrotsy ny fanahiko ? tiako antsoina fa tsy sahiko tiako afatotra ato an-daiko . moa nitety habakabaka ? sa hitety irony rahona ? Ndeha hisidina hanakatra sa ......
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bovalox/tavela-irery
Tavela irery
Bovalox
Nakifiny aho nalàny, tsy haiko hazavaina; Nesoriny hiala tsy haiko tantaraina; Nolazainy fa masiaka sy mibedy , Miteny mafy ary angamba be kredy! Izaho mbola nankafy sy nanonofy, Nieritreritra fa hoe tsy misy rofy, Kanjo indrisy fa nesoriny hiala! Tapitra eto izany ilay antsoina hoe Malala ! Veloma ary dia mazo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/vary-aminanana
VARY AMINANANA
HASINIONY
Mba nieboebo aho, hoe tena tinao marina Hay ka tsia no valiny Mba nihambo koa, hoe mendrika ampakarina Fandavana no sarany Nitompoteny indrindra, fa ny fonao no lapa Kinanjo Tsiafahy Nofy raha ianao, no hiaiky fa maratra Rehefa lavitra ahy! Tapakevitra aho, handao 'lay lalaina Kapaina tsy hita fery Teo no na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/asa-izay-ilay-any
ASA IZAY ILAY ANY...
KIRIAH
Manjombojombon ' eto , asa izay ilay any !!! Ampitan-dranomasina ampitan ' itsy vohitra andafin-dohasaha ambadikin ' ny hita lavitry ny misy takatry ny maso. Manjombojombon ' eto, asa izay ilay any..... Malomalok ' eto , asa izay ilay any !!! Lavitra hazavàna lavitra koràna banga tsikitsiky banga ilay fiti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/ifonako
IFONAKO!
ANDRINIAINA1
IFONAKO! Ifonako tokoa: ireo zavatra rehetra! Tsy nitondra soa fa nandalo tsy nitoetra. Ifonako ireo ditra: Nampangaihay sy nampipitrapitra! Hialako ny hadalana fa hosoloiko toetra tsara. Ifonako ireo andro lasa: Nitondra alahelo sy nandratra. Hosoloiko andro vaovao: Hampitsikitsiky anao. Ifonako zay tsy n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/rangotry-ny-fo
Antson'ny fo
HASINIONY
Injao mandriaka avy ao anaty andian-tseto manadala Ary adin-tsaina maro no mikiky ka tsy tanty Sembana tokoa ny fo mantsy lavitra malala Saingy ny afon’ny fitia amindroany tsy mba maty. (Hasiniony) Koa miangavy anao ry foko tiavo ilay mitia anao Lay fitiavana natolony tano mafy de hajao. (Kiriah)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/tsy-mbola-vita
tsy mbola vita
dadatsima
Tsy mbola vita fa miketrika nefa io tsy mety masaka tsy ho zaraina tsy voatetika fa mafy be tsy mipasaka. tsy inona io hiaraha-mahita ny fitondran-tetezamita; tena efa lavalava ihany raha tetezana ohatr'izany!! ny vatsy nentina efa lany, raha ny tsena eny an-tany ny tena mbola eny ambony eny tetezana ihany l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bangotokana/tsiahy
TSIAHY
BANGOTOKANA
Singan-draozy taho iray, no mba tsiahy sy tadidy Raozy fotsy kely izay ,no mpapivetso ireo tadidy Mandefa saina samy irery, eto asisin-dalana eto Mihaino fo feno fery, no mba anjarako hatreto Ô ry lasa ô, oviana indray, no hitambolona eto amiko Ireo fiadanana hatrizay, anajaraka masoandroko izay mba mamiko Fa l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/inona-ary-no-ho-lazaiko-
INONA ARY NO HO LAZAIKO ?
KIRIAH
Pejy foana teo anoloako no nandresy lahatra ahy fa banga anao ny foko, ny saiko sy fanahy tsy mety hiaky resy fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimahefa-m.kelly/tena-fitiavana-
Tena Fitiavana !
RAZAFIMAHEFA M.Kelly
Rehefa mieritreritra aho na mahita ny endrikao Dia mahatsiaro fa babon'ilay hatsaranao Ka raha miaraka aminao dia angamba tsy mety lao Satria manjaka ilay fitiavana ao anatintsika ao Amiko ianao dia tsara ary tena tiako Ka tsy mba hatakaloko na koa hoe ariko Sanatria amiko izany hisangy na koa hilalao AVeriko ih...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jinah-mahazina/indray-maraina-izay
Indray Maraina izay...
Jinah MAHAZINA
'Ty vohitra eto 'ty, sy iry havoana iry, Tiako sady mamiko, fa nolalainao... Voatambatra ho sary, ho rakitra tadidy... Ifamontoanantsika, ... ....indray andro any, ...."Lay Vohitry ny nofy"! ........saingy itsy hantsana itsy, Manganohano lalina, tsirihi-mahafaninana, ... no mampisarak'azy, tsy afak' ifandray.......
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa-na-endrika-nasalotra/miangavy
Miangavy
Ny Alimbetso Soa na Endrika Nasalotra
Miangavy raha azo atao Aza torina teny mamy Tenin'ny fitia avy ao anaty Avalomy, ento manalavitra any Aza aseho akory na dia kely Fa misy fo tsy sasatra mitepo Mangetaheta ho tiana Mahatsiaro fijaliana Isan'ora lava izao Miangavy re, mitalaho
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa-na-endrika-nasalotra/efa-bobongolo
EFA BOBONGOLO
Ny Alimbetso Soa na Endrika Nasalotra
Nosokafako 'dray lay diary Nikombona efa ela Nirakotra ireo tsiahy Sisa-pitia tavela Noraisina ny penina Hameno ireo takila Hanarona ny nenina S'ireo ambiny tsy kila Narehitro ny afo Anome afanana itsikin'ny fo Itsirian'ny fanantenana Dia.... Navadika ny pejy Ho tantara vaovao Re tao anaty injay... Lay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/salovana
SALOVANA
HASINIONY
Mbola mamolaly anao ‘zato efitry ny foko Ry setroka nanditsoka ahy tao anaty famindroana ‘Ireo lavenon-dasantsika nampirodan’ilay toko Hay, mambomba otrikafo tsy mety ho levon’ny fotoana, Sahalahala an’izay no farasisan’ny fitiavako! Ny any kosa torapasika?... sangian’onja dia afa-drofy Ny omaly nahatola nivikin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yono/tsikinao-miserana
Tsikinao miserana
Yono
Tsikinao miserana, Masonao mitopy, Ratsanao mamelana, Tsy fitaka fa toky, Endrikao miverina, Mandalo foana eo imasoko, Feonao mitoetra, Mandindona tsy tantiko, Rangotra misoratra, Toa mampanembona ahy, Lalana sy tohitra, Manjary mampatsiahy, Lay toerana fahiny, Ilay sarinao nahantoko, Ireo lasa niainantsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/ary-ianao-
ARY IANAO ?
KIRIAH
Satriko ihany hiray fitempo zany eritreritsika mba hamono fahanginana , hanafàna koa ny hatsiaka ka tsy nofo fa fanahy no hanandratra fitia mba hahafahan ny nofitsika: miridana, miriaria. Satriko ihany mba ho ianao no voalohan ' eritreritro ka hameno lava izao ilay tokotanin-jeriko tiako koa raha izaho no handok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/teo-aminny-valsa
Teo amin'ny valsa
Dox
Moa ianao tsy teo an-tratrako, ary efa sambatra aho Namolivoly ny takolako teo an-daingon-tavanao Ary azoko natao ny nioty anao an-taho Ry Voninkazo fanaperana, eny azoko natao. Eny azoko natao, tsy ho nandà ianao Efa niaraka nihovitra ny fanahy mifankatia Nefa tsy nioty aho. Ny itiavako anao Dia ny hanitrao tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarihm/adala-aho
adala aho!!
yarihm
eny, adala aho, adala toa tsy mba ho hendry vatavaliha mantsy: maro mpitendry fa fahasambarana ity mba kinendry todim-pitia kanjo... no ity fa voatendry
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/tsiky-asetry-de-ampy
TSIKY ASETRY DE AMPY!
ANDRINIAINA1
Tsiky! Na dia misy zavatra tsy tanty! Tsiky asetry de ampy. Na misy zavatra tsy zaka! Tsiky asetry de mitraka. Ny fiainana eto an-tany; Dia tsy hilaozan'ny sento sy tomany. Koa ezaho ny mitsiky foana; N'inoninona manoloana. Ny olana tsy maitsy misy foana! Na oviana koa fotoana, Fa n'inoninona zava-misy: Dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarihm/tenin-drazako
TENIN-DRAZAKO
yarihm
indrisy mantsy, ry gasy ray, gasy reny fa tsy gasy raha fiteny nohitsahinao tanteraka, 'lay hany tenintsika fa zary mahavaka ny mivolana azy imason'olon-kafa toa sary in-dray mipika no nenti-nihodivirana ny mahagasy anao fa tenin-dreo vahiny no ity manjakazaka sy zary manandevo ny lanilaninao lany tsiro angamb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimahefa-m.kelly/vinavina-.-.-
Vinavina . . .
RAZAFIMAHEFA M.Kelly
Androany aho no vonona ka indro fa andeha Aza hitako ka ianao no hilaza hoe :" Aleha mandeha " Izay vao loza raha izany no mitranga Satria ny fiainako mihitsy no hita fa ho banga Rah misy tokoa izany,atao ahoana moa Fa izay vao voadona ity fo Saingy vivnavina ihany izany Ka tsy ataoko mahakivy na mampitomany. I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/nambarany
Nambarany
harylovah
Ambaran'ny aizina fa misy hafaliana tsy afaka hitety ny vanim-potoana Ambaran'ny andro fa azo itsikiana ny sedra mangidy voalokon'ny saona Ambaran'ny saina fa hainy tohaina ireo fahavalo izay nahazo laka Ambaran'ny aina fa tsy maintsy ekena ny faharesena rehefa tsy zaka..
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarihm/antsika-i-gasikara
antsika i GASIKARA
yarihm
eny fantatrao, tsapanao fa, efa ela ihany ny nonenako, nandiavako ny tany fohy ihany sisa ireo fotoana hijanonako fa ilay paradisa tsy ho ela dia hotongako ka indro aho izao mametraka ny teny ho tandremanao indrindra ianao mijery ny nofoko raha maty, ario lavitra any fa mafy sy tsy tanty ireo vita teto ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/tiako-sitrako-iriko-antenaiko
TIAKO, SITRAKO, IRIKO, ANTENAIKO!
ANDRINIAINA1
TIAKO, SITRAKO, IRIKO, ANTENAIKO! Tiako hihavao: Ny fitiavako anao; Isan'andro vaky izao. Tiako haharitra hatrany: Hitombo tsy ho lany; Na hangidy na ho mamy. Sitrako haharitra ho doria: Ilay foko tena tia; Ka sanatria raha izay hania. Sitrako ho tia anao foana: Na oviana koa fotoana; N'inoninona hanoloana....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarihm/anjarako
ANJARAKO
yarihm
Inoko e no sisa hijanonako eto an-tany toa tsy Ray, tsy Reny, tsy mba naman-kianteherana fa ny ranomaso foana no manerika milany sady ity ny fahantrako toa tsy hanam-pahataperana satria mantsy itony fiainako eto itony fandri-tsilo, hala lava feno ngidy ka ny sento mifanesy, ny ranomaso tsy hitony e! izany angamb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/fantatro-ihany
FANTATRO IHANY
KIRIAH
Fantatro ihany fa tsy ho ahy ireo voasoratra hatr ' izay nefa toa mandrotsy fo ka maninona moa na ho raisiko avokoa ho toa tantaratsika roa sa....? inoako fa tsy sitrakao raha izay tsy nomena no alaiko an-katerena nefa... ny fo efa jambena, tsy manaiky faharesena
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/hitako-izy-omaly
hitako izy omaly
dadatsima
eny hitako izy omaly toa verivery saina, tsy niarahaba tsy namaly fiarabana vao maraina hitako izy toa malaina tsy tongatonga amboroa tsy dia manana ho lazaina, toa mararirary andoha, ka raha vao irery dia indro fa mitanondrika mamindro malahelo ilay malalany efa lasana tsy tazany nitomany izy fa tsy telin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarihm/akaiky-ilay-fotoana
AKAIKY ILAY FOTOANA
yarihm
Eny! akaiky ilay fotoana hahateraha-mandrakizay ka ho vata-mandangoana no hisaraka amim-panahy hohadinoina ireo tsiaro ireo fahiny nolalovana fa an-dohalika ny rano hampitony fahatsiarovana mbola ho velona aho anefa any ambadika tsy hita mbola ho velona hanefa irony adidiko tsy vita fa maharitra ilay hery ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarihm/tsiky-anaty-ady
TSIKY ANATY ADY
yarihm
raha sendra ka mandrahona ilay andronao baliaka ka nanakona sahady irony tara-pahazavana raha sendra ka nikentrona ilay tavanao sariaka ndehana rahalahy TAFIO FANANTENANA raha sendra ka manerika ny taratr'andronao ka mandraraka hirifiry tsy zakanao zakaina raha toa ilay hasambarana nisintaka nandao mahandrasa ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarihm/topazo-maso
TOPAZO MASO!
yarihm
topazo maso iny volana iny dia ho tsapanao fa, hay ny tany misy maminy ny fanilony: tara-pahazavana sasak'alina ny fangirany: toa paradisa mahamanina topazo maso irony lani-pararano dia ho tsapanao fa, hay aky, ny masonao manganohano tsy irery sanatria ny lokony, manga toy ny feo, nahalasa ny vinaniko dia, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarihm/raha
RAHA.....!
yarihm
raha miandrandra ny lanitra ambony, toa hianoka ilay paradisa ny fo mahatsiahy ny lasa efa tony: ontsan-tsento, latsaim-bisavisa raha tanatin'ny ali-mangina, horohoro mangon'ny ahiahy fa tandindon'ilay hakiviana izay nafafin'ny anjarako ho ahy raha mibanjina irony voary, toa lomano tanaty hafaliana indrisy! i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarihm/ny-fiainako
NY FIAINAKO
yarihm
fony vao niaina aho dia, alina mangina fony mba nandre dia, vazavazam-pijaliana fony vao nahita dia, rahona mahery ary fony nahatsapa dia, ratram-po sy fery! ary tsy haiko na ahoana fa, toa adabada izany saiko tampina ny vavako, gina sady moana indrisy! mahantra loatra ianao ry fiainako dia ny fasana no sis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/omeo-ranomaso
omeo ranomaso
dadatsima
Gina aho tsy nahateny raha sendra ka naheno f'efa dila , efa tsy eny, ka ny foko no feno; te hi kiaka aho te ho tezitra nitamberina ao ireo lasanay rehetra... farany, nitanondrika, tsy niteny fa nandinika, novonoiko ny fiantsoana tsy hikiririoka fa ho moana.... Tsy nahatomany aho, fa nangina zary sina ny a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarihm/-5792
...!!!
yarihm
fony vao niaina aho dia, alina mangina fony mba nandre dia, vazavazam-pijaliana fony vao nahita dia, rahona mahery ary fony nahatsapa dia, ratram-po sy fery! ary tsy haiko na ahoana fa, toa adabada izany saiko tampina ny vavako, gina sady moana indrisy! mahantra loatra ianao ry fiainako dia ny fasana no sis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarihm/ianao
IANAO
yarihm
Izato tsikinao, izato ianao, malefaka fitopy, miangola ka miangola, sangodingodi-nofiko, kalo ambetin-teniko babonao aho izato molotrao mamelatra fitsiky izato tsikinao nasetriko fitsiky toa, nofy in-dray niserana toa, raozy vao mamelana toronao aho kalo tsara rindra ilay bika mamy indrindra ilay endrik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hery-ny-aina-jean-yves/ny-lalako
Ny lalako
hery ny aina jean yves
Ny lalako rahatr'izay Diahody any @ Ray Ka tsy misy hay hay Fa ho velona mandrak'izay Naiza naiza eto an-tany Dia fahoriana sy tomany Nefa any Andanitra any hafaliana tsy mety lany Fiadanana no misy any manakoako aok'izany Niza niza dia handre Ireo anjely marobe
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/tiako-loatra
TIAKO LOATRA
KIRIAH
Tiako loatra raha mba ho ahy ireny soratsoratrao mitanisa fitiavana milomano fahasambarana miaina anaty fahafahana. Tiako koa raha mba izaho no hitondra ainga ho anao ka ny vetsonao hirongatra ireo tananao hanoratra ny fanahinao amboraka. Tiako loatra raha ny anarako no hisalo-boninahitra any anaty kantonao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/aoka-kely-aloha
MISY ....AOKA KELY ALOHA
KIRIAH
Misy FITIA mijaikojaiko mila haningotra ny aiko FITIA tsy mihaino baiko sy mandreraka ny saiko ka aoka kely aloha Misy tovolahy iray tsy natokana ho ahy zay mameno ny fanahy, lasa tiako toa tsy nahy ka aoka kely aloha Fa tsy tiako raha ny foko no mibaiko ny fisainako nefa... moa ve ny heri-poko mety handray n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bangotokana/ny-fitia
NY FITIA
BANGOTOKANA
NY FITIA Raha fahavalo ny fitia, nialako lavitra mihitsy Tsy navela hiriria , novonoako tsy akitsitsy Fa tsy mba toy izany akory, tsy arak’izay nam-pozina Fa mandrendrika toa tory, tory maso zary poizina , Mahay mamitaka ny fo, zary malemilemy toetra Raha vao babony ao de voa ,voafahirano sy amboletra Ampitafi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarihm/ataoko-ahoana
ATAOKO AHOANA?
yarihm
ataoko ahoana ny hanadino anao? ianao! ianao ilay tsy sarako lasa aho, ianao nandao nandao! dia hanadino izany anarako ataoko ahoana ny hanadino ireny lasantsika? tanaty mafy, tolona sy ady 'lay foko haraka iny, 'lay jihitry ny hatsiaka notinafinao fitia, nisintaka sahady embonako eto aky, ireny diantsika ireny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarihm/noho-ny-lasako-mamelovelo
NOHO NY LASAKO MAMELOVELO
yarihm
Tsy ny andro mangina ry tiana no mitondra ity foko halahelo fa ny saiko izay be fanahiana noho ny lasako mamelovelo tsy niniako ry tiana, tsy fidy no mampanjombona lava ny foko fa ny vahon'ny lasa mangidy ny fikinton'ny fo mitoloko tsy mba embom-boatery zareo no nigohan'ny foko ny lasana fa ny foko vesaran-to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/malalatiana-hasina/tena-finoako
TENA FINOAKO
Malalatiana-Hasina
TENA FINOAKO Tena nino aho nefa moa mahalala izao ny fo f'izany tsy ody fijaliana, dia tsy mila mitalaho fa Ianao tsy manome izay tsy zaka manabe ny fanahy mba tsy ho variana, izay rehetra niala tamiko ... nalaina an-keriny na foiko mbola honeranao ho hamiko, ny Finoako? Tsy hosoloiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yarihm/matoa
MATOA
yarihm
matoa mbola manga ny lanitra ambony matoa mbola meva sy toy ny fahiny ataoko tsy maty fa mbola maniry ilay voa nafafiko iray tao am-pony kanefa indrisy, toa maloka ihany toa sembanin-rahona hoy aho indraindray moa misy ny fanadinoany any ho any izay entin'ny rivo-malefaka ho ahy? sanatria, dia hitohy ity rahona...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/tsisy-hahakosoka-ny-fandalovanao
Tsisy hahakosoka ny fandalovanao
Ikalamako
Fitia voarara, fitia tsy anjara, Moa fitia adala, no nosoratan’ny fontsika na dia maro mpahalala ? Tsy mba nisy fikasana, tsisy voady nilokàna kanefa isika roa, dia nianoka tokoa ireo isanandrontsika; tsy antsika ny ampitso. “Ianao no adala, hoy Izy, …ny rehetra anie nandalo, izato ianao dia toa tamana ho lany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/minoma/madagasikara
MADAGASIKARA
minoma
Faly ery izany fo vao maheno ilay anarany Tanindrazana malala izay manana ny tantarany Tsy ho afaka ao am-po n’aiza n’aiza no misy Na dia mandalo fotoan-tsarotra aza izy ankehitriny indrisy Gasikara manana ny maha izy azy indrindra Harena sarobidy tsy azo afindrafindra Ankehitriny anefa mitaraina izany tany izany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/banjinolontiana
BANJIN'OLONTIANA
harylovah
Tsy misy mahay mandanja Ny maso roa mitopy raha tsy_izy tompony ihany Tsy hita mihanjahanja toa soratra am-balopy Mihaingo teny mamy... Izay ilay firehetan' ny fo mifankatia Maditra feno tamby fa sendra mifanentana ny zotra miara-dia ka feno manan'amby.. Mibanjina masiaka sy te hamiravira ny ao anatinao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntoaris/ehmbona
Eh!mbona
Ntoaris
Eh!nanjary nampalaina Ny torimaso,tsy hita tsara Nefa mbola hifoha maraina Satria mbola hanao"devoir" Dia nadray "cahier"sy penina Alina amin'ny folo sy sasany Tsy nisy minitra enina Dia nanoratra ny lasany Di nikatroka nandika Ny tao na-tsainy,tao am-pony Ary tsy nisy nipika Izay zavatra tsaroany Dia voara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntoaris/ny-saina-sy-ny-fo
Ny Saina sy ny fo.
Ntoaris
Nikorisa ny peniko,nikorisa tokoa Baikon'ny saina,baikon'ny fo Fa hoe mandondona azy ny aingam-panahiny Ka ny kalom-pitiavana no tena katsahiny Fa nahoana ry saina no dia mapahory manaitra andro alina tsy ahitan-tory Tsy vitan'izany fa mbola izao koa Navoaka daholo ny vetson-RaFO Dia tsy naharitra RaFO fa dia n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/soa
SOA
fanasina7
Tsy misy tsy mibitsika izay nanara-maso Ny fiarahantsika : « Ahoana no hiafarany, hitohy sa hiato ? - Angamba izay no vita ! » Ireo nitsiriritra kosa ny toeranao Dia injao saika hibitaka. Kanjo ny ahy no tonga aloha : « ny foko onenanao » - Dia nangaina ka nisintaka – Ireo mpanaraby indray sy irony mpanakora D...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/miandry-anao
Miandry anao
AMN (Arialy)
Fa oviana ihany ianao ilay ho tonga sa heverinao izaho miandry misomonga efa herinandro izao no miandry ilay ora aza ela intsony anie fa sao dia hisy hanakora raha ny voalaza aloha dia toa hiandry anefa anie efa mila anao ny sandry ilay zokinao manontany isan'andro toa tsy misy lera na maraina na atoandro raha ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/breacksong/ny-itiavako-anao
ny itiavako anao
BREACKSONG
tsy ny hatsaranao no hitiavako anao tsy ny harenanao... hoe manana izao sy izao fa ny itiavako anao... dia ilay hitiavako anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntoaris/ny-anjarako
Ny anjarako
Ntoaris
Ny fitia izay notandremako Notandremako hatriny ny ela Ilay hany mba harenako No indro sahiko omena Indro atobako eto izao izay rehetra mety ho fantatro Hnambarako aminao fa anao irery ny fitiavako Maro loatra raha ny teny Natao ho fanomezan-toky Nefa tsy ampiasaiko ireny Fa toa sary anty boky Omeko anao ar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntoaris/anjara-nantenaina
Anjara Nantenaina
Ntoaris
SmS pour an'iMiuri! Fony iano vao nitia dia nitia olona tao antinao tao Tsy fantatrao hoe iza?tsy hainao hoe aiza?nefa teo akaikinao Dia nitia olon-kafa ianao,hita fa tafaroboka Kinajo!indray mandeha ihany ny fonao no nidoboka D toa nahakivy anao,lay notiavinao fa ts izy angamba Dia nitady olon-kafa ianao,tsy an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntoaris/tsiaro...fitiavana
Tsiaro...fitiavana
Ntoaris
Nanainga ahy ity foko Ary tsy nisalasala Nanentan ahy hitoloko Sy hahatsiarolay Malala Dia niainga ny vinany Hany aho ka tsy natory Fa izany fitiavana izany No nanjary nampahory Dia nanontany tena Hoe:izany ve ry malala? ny fitiavana nekena Fony vao nifankalala Dia nezahiko notakarina Sy nohadihadiana lali...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramy-dia/mahantra-izy-kanefa
MAHANTRA IZY KANEFA...
Ramy Dia
Anio aho mahatsiaro ny zava-miseho, Ka ankina mafy,tsy mahaloa-peo Moa izy ity mba hanaitra ny maro, Sa ireo tsy hisaina,tsy hahatsiaro? Nahoana ny sasany no mifaly eny hatrany: Toa tsy mba misento,toa tsy mitomany? Ka izay rehetra iriany dia azony avokoa; Na harena,na fitafy,na dia ny volana soa! Koboniny ho a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/angaly
Angaly
Tsiroa
Ny hira dia manambara reo rehetra izay nodiavina toa mamerina tantara sy manandro ilay ho tiavina ny faniriana sy hetaheta antsipirihiny, voambara na manindrona aza anefa arahin-tsioka avy ato afara lay feo manga izay miangaly no mampihiratra ny kalo raha henoina toa mamaly tonom-bavaky ny maro raha arahim-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antenaina/gitara
Gitara
Antenaina
Ny feony miparasaka sady mitaraina, Toa senton’olon’ory izay mamoifo, Mitsatoka mandoaka ny vololon’aina, Mitondra fiononana, mampisento ko’.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/tetezamita
TETEZAMITA
ANJARIVO Ronsard
Tetezamita ,tsy mety ho vita Tsy voatanisa, ireo maty nitsitra tao anatin'ny fiaran'ity Gasikara fa latsak'ambany ny fanantenana! Mitady ny tsy hita, Manao ny efa vita, Mampandry adrisa, Manao fikafika, Tsy lao disadisa... Izany no hita miavosa tsy ritra amin'ity pôlitika! Asa angah!! Mampanah!! Milaza ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/fitakiana
FITAKIANA
harylovah
Isika leitsy Zandry tsy afaka hitokona fa efa zatra miandry fa efa zatra noana tsy manana atokona ka tsy hanenjan-tsandry hanaovana amboletra tsy hampiasa herisetra... Fa Atao am-pitoniana 'zay mety ho fitakiana Asiana koa fisainana 'zay mety ho fitarainana Satria Zo ny hoe mitaky fa rehefa_hampivaky Iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mimi12/inona-sisa
inona sisa?
mimi12
rohim-pihavanana tandrovina hatrany ho soritry ny fitiavana ao am-po sy lovan'ny tany na miharefo sy mihena isan'andro aza izany dia ny fanantenàna sy finoana no miaro azy ho mamy ny fitia voadradradradra ankehitriny lasa angano fa na iray fonosana aza mody gaigy sy mimamo ambadik'Imanareza sisa ilay nandeha toa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/agasylama/o-ry-vorona-manidina
O ry vorona manidina
Agasylama
O ry vorona eny ambony, manidina, mandalo Mba andraso kely anie fa aza dia mimalo Indro misy hafatra mba omeo ilay malala Ka tandremo tsy ho very dia faingàna sao ho tara. “Raha ny fo no lavi-tiana ? Matetika misento. “Maika aho ny ho anilanao ka hanao dingan’i Rapeto” O ry vorona o, ambarao azy izany fa mila tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gasy-tia-tanindrazana/marary-i-gasikara
Marary i Gasikara
Gasy Tia Tanindrazana
[i]Ity tononkalo ity dia nalefan'olona taty amiko. Gasy Tia Tanindrazana no anarana nentiny tao amin'ny tononkalo. [/i] I – Moa mba fantatrao ve ? F’efa ho taona vitsy lasa izao, No indro tsy afaka mandeh’, N’inon’inona atao ‘ty Gasikarantsika Fa marary dia marary hono A retim-politika, Zay tena mila hamono. I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/aleoko-mangina
ALEOKO MANGINA
ANJARIVO Ronsard
Aleoko mangina Toy izay lany andro,ifandramatra foana Aleoko mangina Toy izay very tsiky eny mandavan-taona Aleoko mangina Raha mbola miteny ny olon'adala Aleoko mangina Haren-tsarobidy ny fahasalamana Aleoko mangina Toy izay taralilan'ny vava malama Aleoko mangina Mba tsy ampisondrotra ny mari-pàna Aleoko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntoaris/avereno-ny-fahazazako
Avereno ny fahazazako
Ntoaris
Avereno ny fahazazako........ Rah ny fahazazako no ambara Mbola lava ny tantara fa ny zavatra tsaroako ny fahazazako tsy mba foiko ny fahazazako tena mamiko fa nesorinao t@ko nosoloinao zavatra hafa zay toa efa voakinasa fony zaza aho nilalao tsy nisaina ny hitia ny nisaina ny @nao tsy nanary vola credit f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/ho-any-aho
HO ANY AHO
NY HARIAINA
HO ANY AHO Te ho any aho, Ho any amin´ilay toerana tsy misy fahoriana Ho any indrindra aza dia tsy hanam-pijaliana Mba ho any mihitsy fa any mantsy misy fitsaharana Dia hitoetra any foana aho ka ho rako-piadanana Te ho any aho e! Rehefa any aho mantsy tsy halahelo, tsy hisento, Hisinda hatreo daholo koa ny fery...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/an-jara/tsy-mety
Tsy mety...
An-JARA
asa raha mba fantatrao fa hatramin'izao izy dia mbola mahatsiaro anao foana tsy mety manadino na miroso aza ny fotoana ... ny andro sy ny volana ary koa ny taona no nifandimby nandalo sy nimaona fa ny fony izay voaratra tsy mety afa-tsaona!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dano/samy-hamamaina
samy hamamina
dano
Veloma vetivety lay Iarivoko iny Fa lavitra ahy loatra lay olon-tiako any, Embona azy aho ka mahatsiaro ny fahiny Sasa miandry foana ka aleko aloha makany. Mba tsofirano aloha handao ho mandrapiaona Hotody saomantsara any lavitra any; Nofinofiko aza hijanona any foana Fa ianao mitazona ahy ho lavitry ny akany. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntoaris/any
Any
Ntoaris
Any misy sipa zay notiaviko fahiny Any misy sipa zay notiaviko efa ela Any misy sipa hafa mbola tiako ankehitriny Any reo any!fatsiarovana sisa tavela. Any misy iray sipa tsy fantatro akory Any misy iray sipa nanaitra ity foko Any izy any!mahavaky loha,mampahory Ry tsy fantatro anarana!ny endrikao no tsy ho adi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/aza-tomany
AZA TOMANY
ANDRINIAINA1
AZA TOMANY! Aza tomany: Izany havako izany! Fa izaho akory tsy aiza!? Fa mbola eto ihany Tsy very aho na nanadino; Ka aoka ianao mba hino: Fa tsy maitsy mihaona! Raha mbola misy ny fotoana. Aza malahelo: izany namako etoana! fa izaho akory tsy nihelo! Fa mbola eto foana. Tsy lavitra aho fa akaiky; Ka aoka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dano/ankafizoko-foana
ankafizoko foana
dano
Tao rehako marary mandoro ny amiko Manindrom-pitiavana babo ny any, Ity elanelana tao lavitra akaniko Fa ankafiziko foana na eo ary izany. Ny endriny tsy hita,ny feo tao tsy reha; Na maraina na hariva dia embona foana Ataoko fiononana ilay sarin'isé!!!!!! Jereko matetika andaniko fotoana Ny sarisary ao an-tsain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/famelana
FAMELANA
Fredy Jaofera
FAMELANA Na nisy aza famelana Dia velona eto ihany : Tsy haiko hoe fafana ‘reo ratra sesilany. Na nisy aza famelana Dia miroborobo lava : Tsy haiko hoe ravana ‘reo sento tsy nisava. Na nisy aza famelana Dia ao an-tsaina foana : Tsy haiko hoe ialana Ny mafy nahamoana. Na nisy aza famelana Dia mirehitra avo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntoaris/ny-fiainana
Ny FIainana
Ntoaris
Ny zava-pisotrokoraha vao maraina! kafe na dite,ny mofo teha-maina Ny mety ho laoka maraina radem Sosoabe rano miampy menimenina Ny hany mba fihinako aorian'ny vary: Deseran-datsa miampy voasary Ny nahazo ahy vao tonga tao ambovo oroka farany miampy lakon'angovo Ny feo henoko farany alohan'ny hidasy "Veloma ry...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntoaris/ny-sariko
Ny sariko
Ntoaris
Omeko ano ny sariko Mba ho fahatsiarovana ka ny volana no indramiko haneo ilay salovana io ilay tavako mijery mitsinjo anao hatrany tsy hamelanao ho irery n'aiza n'aiza eto an-tany Ka raha adinonao ny anarako Ndeha jereo ny endriko Fa io volana io ny tavako Hoy aho,mbola averiko Ka raha malok'ila iny eny D...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/an-jara/tia-ahy-ianao
Tia ahy Ianao
An-JARA
Tompo Ray malala ô izaho mahalala fa tia ahy Ianao kanefa... ampio aho hivoatra tsy hanararaotra ilay fitiavanao fa mba hiezaka isanandro hanaja sy hitandro ireo fahasoavanao atolotrao ahy raha toa aho irery arovy mba tsy ho very raha toa maniasia arovy tsy hania fa mba hitoky lalandava amin'ny fitanta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/hitia-anao
HITIA ANAO
fanasina7
Ny hitia anao tokoa No voadiko mangina Nambarako an’I Jesoa ! Ka na zovy no hanakiana, Dia efa voasokitra ato am-po Ny Fianianana sy dina ! Ny hizara hasambarana, Tsy hijerena hasasarana No finiavana ato anaty. Hanolotra ny foko ho sorona, Tsy mba hatahorako olona : F’hitia anao mandra-maty !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mimi12/any-ho-any
any ho any
mimi12
maro ny toerana eto an-tany ahatsiarovana ny akany misy ny paradisa an-tany ao ireo ambany tany any ho any, any misy tsiky any ho any koa, any misy tomany any aho any, ny ranomasony no sakafony any ho any, ny tany tsy mba fantan-tongony koa na any, na aty dia toy izany ihany ao ny miady isa-minitra, ao ny miad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanasina7/horaketina-an-tsoratra
HORAKETINA AN-TSORATRA
fanasina7
Horaketina an-tsoratra Aleo horaketina an-tsoratra indray 'Ty ratram-po efa nampikolay Fa rava tokoa ilay dina sy vina Ka hisara-dalana isika ry tiana. Na mafy tsy laitra aza ny hanadino Ireo làla-niarahana, nifampitosiana Fiainana efa vita iny, tsy iverenana intsony Ny foko efa tola, ny saiko efa tony. Koa az...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/an-jara/tiako-tsotra-izao
Tiako tsotra izao
An-JARA
Tsy haiko aloha izay antony manosika ny foko hanambara tsotra izao fa izaho dia tia anao. Tsy fantatro izay hery niafina sy niery nibosesika nisoko namadika ity lelako hilaza sy hanambara fa hoe tiako ianao Tsy fantatro izay antony fa dia tena tiako ianao TIAKO TSOTRA IZAO !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/an-jara/indrisy-ry-fitia
Indrisy ry fitia
An-JARA
izay tia tokoa adala ka izany indrindra angamba no nahatonga ahy ho tena tsy nahalala ny zava-nisy rehetra nafenina hatrizay nentanim-pahatokisana sy tsy nametraka ahiahy na saina na fanahy fa hoe miombona fitia ka nanantena ho doria kanefa indrisy indrisy ry fitia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntoaris/impiry
Impiry
Ntoaris
Impiry? Impiry moa ianao? Impiry? Impiry no nandao? Impiry ianao no diso fony isika vao niaraka? impiry ianao no diso ka nahatongatsika hisaraka? impiry ianao ry tiana no nangatahako hihavao? impiry ianaory tiana no nilaza ahy hoe:"tiako ianao"? Impiry ianao ry lala no nanesy lainga tamiko? impiry ianao r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntoaris/lavitra...tsy-hita
Lavitra...tsy hita
Ntoaris
Alahelo,sentosento,ranomaso sy ny sisa No nameno ity foko ka tsy ho voatanisa izato ranomaso:orana mipatrapatraka Ireto volomaso:miongotra,milatsadatsaka Izany ve no atao hoe fijaliana? Rehefa lavitra na tsy hita ny olon-tiana Ankoatry ny manina olon-tsy manina izany ve no fijaliana mahafanina Fanirian'ny jamba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntoaris/anjara
Anjara
Ntoaris
Maro ny fanalahidy nohon'ny varavarana F'izay tokana voafidy no tena lohalaharana Be ny maso mifanena Kisendrasendra,tsy natao Fa misy jery mahajambena Maharesy tsotr'zao Maro ny mpifankatia no ireo mpifahavalo fa izay natao hiaradia no miray saona sy kalo Maro loatra raha ny tsara tsy ho voaisa,tsy ho lan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/rehefa-miezaka
REHEFA MIEZAKA
harylovah
Lokoy ny haizina ho tonga maraina Ny andro maraina hofafazan'ny ando Ny ando mifafy hamonto ny tany Ny tany ho lonaka haniry ny maintso Ny maintso hisandrahaka hanakatra ny avo Rehefa mba avo hitsilo ny ambany Dia hihamazava ny lalan-kombana Fa ezaka kely miampy, miampy No hampanjary an-izay nokasaina ka mikir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntoaris/ny-soratro
Ny soratro
Ntoaris
Ato anaty soratro noilazako ny alaheloko ato anaty soratro nomisy ny tsiambarateloki ato anaty soratro no ilazako ny hafaliako ato anaty no soratro no rakitry ny fijaliako fa ny soratro notoerana sompitry ny fahatsiarovako s'reo embona miseran' ny lalana nolalovako fany soratro ihany koa no tranom-bakoky...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tefy/satanista
SATANISTA
Tefy.
SATANISTA Mangorohoro va Fa misy “Satanista” Mijery sy mizaha Izay hameno lisitra Hanompo ny Devoly, Ho an’i Losifera, Ka handoro ny Baiboly Ao anaty fatapera ? Miravoravo va Raha misy Evanjelistra Mitombatomban-dahy, Mitsemboka, midinitra, Ka ny fitiavan-dRay No ambetin-teniny eny Fa mitaona anao indray...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiroa/anatra-ry-sombinaiko
Anatra
Tsiroa
Tsy ho feno lonilony ny fonao na dia trotraka fa mba ho felana mamony ka ho fitiavana no hiposaka Ny mamaly ireo ratsy tsy ho fahazarana ho anao; fa ny fitiavana manampy reo piara-belona aminao Ny miatsara vela-tsihy tsy mba zava-mahasoa fa ny fo feno fitia no tsiry tsara ho tonga voa Ireo mahantra re tsinj...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/raki-kira
raki-kira
Ranoala
Tantara tsy ampoizina tsy toy ny kabary no atolotro anao ry zanan-tany tsongo sy safo ka mankarary lazaiko ihany ka aza tomany zaza iray nanjary boloky indray andro voahadin i neny fa namoaka feo nony voky "ahoana moa ny fiteny?" Namaly tsy niamba ny anao lahy toa raki-kira efa voahomana miaramila vonona sahy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tanamasoandro/fahaleovan-tena-tokoa-ve-
FAHALEOVAN-TENA TOKOA VE !
TANAMASOANDRO
ry taniko;rahoviana ianao vao tena afaka fa tsy kiisarisary ihany fotsiny raoviana ianoo vao tena mpandidy sy panapaka ka zay safidinao no mbaharahiny rahoviana ianao vao tena mahaleo tena? sy ilay hoe mana fiahandrianany rahoviana ianao vao tena hahazo ilay fahaleovan-tena? izay tena izy fa tsy sarotsarony rao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tefy/resin-tsinoa
RESIN-TSINOA
Tefy.
RESIN-TSINOA Resin-tsinoa indray Ramalagasy : Hadino ny harendrina taratasy, Veloma ny harendrina labozia Fa ny vita Sinoa indray no be mpitia. Aza mba gaga raha any aoriana : Teny Sinoa indray no hikabariana, Hasiantsika Rova etsy Behoririka Hanjakan’ny Sinoa amin’ny maso bitika. Izany no vina ao an-dohanay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/misy...nefa
MISY...NEFA
harylovah
Misy felan-tsiky miloko tambitamby miangavy mba ho tiana fa tojo maso mena miavona fijery mangarika famindra... Misy teny mamy nateraky ny fo nomena an-kafaliana fa trerona masiaka no valin'ako reny ka nampitebiteby... Misy hirahira vetson'ny fanahy migadona firima fa singany irery an-tany karakaina ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tefy/fetimpireneko
FETIMPIRENEKO
Tefy.
FETIMPIRENEKO Ny Fetimpireneko : Tsy fetim-pirenena. Ny fety aloha ekeko Fa tsy an’ny firenena. Satria ny ankamaroany Mizioga fahantrana. Ny olon-dasa ambony No manana hiantsenana. Fa ny daholobe Sahirankiran-dava, “Kirizy” sy kere, Dahalo no mandrava. Iretsy be galona Ambony lampihazo : Tenenin-tsy mano...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/doliprane
Doliprane
raozigasy
Doliprane Ianao hoa no doliprane Fanafody tiako mba hohanina Rehefa mararirary ny an-doha Fa ratsiratsy fifoha Ianao hoa no doliprane Tiako mba handamindamina Ny korontako madinidinika Tsy mety voarindrako an-dinika Ianao hoa no doliprane Hohaniko raha valalanina Sy dizin’ny asa ny saiko Ka mi"ram" mijaikoj...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/embona
EMBONA
Riantsoa
Miako masiaka ao anatin’ny foko ilay sioka malefaky ny embon’indriako, manaitra ambiroa sy mandreda misoko ny afo narehitr’ilay faniriako! Dia satriko ihany ny hitazana foana iry sila-bolan’ny aliko lao, mandefa vinany hitety ny havoana hihazo ny lala-mankany aminao. Kanefa rahampitso tsy maintsy hangina ‘ty f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahy/kitoza-iray
kitoza iray
AHY
Dia nopihinao ny jiro Avieo dia narehitro Fa kitoza iray matsiro No voan-dalana mba nentiko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/embona-5725
FITIAVANA IHANY
Riantsoa
toa mahagaga loatra ny fiainana an-tany; sahirana lava, mifaly, tomany ny ory milom-pijaliana eny ihany. fitiavana anefa no anton'izany! indraindray anefa toa sambatra koa, migoka hafaliana tovozin-tsy lany; 'zay tazana rehetra mitsiky avokoa, fitiavana ihany no anton'izany! Ny lasana rehetra, ireo vita taloha ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tefy/ebolahy
EBOLAHY
Tefy.
EBOLAHY Ebolahy ianao, Rafanja, Hay tsy misy hapoaka akory ! Vao ry Bila no mitranga Dia efa tsy mahita tory. Nefa omaly ianao nilaza Ho tsy matahotra vazaha. Niebo sy nivazavaza F’efa vonona sy sahy. Izao anefa i Bila Kely Sy ny Gasy namany any No mandavo ny mahery, Zary henatra eran-tany ! Raha izaho ian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/dinanakoholahombohitra
DINAN'AKOHOLAHIMBOHITRA
Riantsoa
Niserana nihelina ihany Ilay tsiron’ny sera natao, Kanefa nivaingana hatrany Ny voany niaraha-nanao. Izaho aloha dia kely finoana Fa ranoko no entinao ao ianao koa tsy azo hadinoina fa zanak'i Rabelazao. mba lasa ny saiko rakala tsy i Paoly ilay tazako teo? Eh, aza odian-tsy mahalala Ny ditra sy revinareo. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tefy/havako-o-
HAVAKO O !
Tefy.
HAVAKO O ! (Ho fahatsiarovana an’i Pasteur Emilien RAZAFIARISON, rahalahin-draiko.) Tsara firenty ny trano onenana, Tsara fisosa ny fiara itaingenana, Tsy omby fasiana ny vola voaangona, To izay nirina ary tratra ny tanjona. Tsarovy, havako ô ! Mpivahiny isika no eto e, Mpivahiny isika no eto. Aleonao angamba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/gasikara-tanindrazako-malala
GASIKARA- TANINDRAZAKO MALALA
ANDRINIAINA1
"Tanindrazako!" Tiako ianao ry Gasikara; Tanindrazako malala! tiako ianao ary mamiko; Ka asandratro sy andrianiko! Tiako ianao ry fireneko; Ka ny amiko rehetra no omeko: Hanompoko anao ilay nekeko; Satria ianao no fiereko! Tiako ianao ry Gasikara; Tanindrazako malala! Tiako ianao mba ho tsara: Ho an'ny tara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/malalatiana-hasina/noho-ianao-mitahy
NOHO IANAO MITAHY
Malalatiana-Hasina
NOHO IANAO MITAHY Isaorako Anao n'inon'inona tranga manova ny manga andrandrain'ny fanahy, ny saina mahery ka tsy ho rako-pery noho Ianao mitahy. Isaorako Anao fa matoa afa-miaina, tsy misy taraina voatokana haharitra, ny ratsy rehetra sy ny soa manam-petra mampilofo ho finaritra.