url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/fahafahana | FAHAFAHANA | Totyjim | FAHAFAHANA
Tany aloha tany nisy ady mafy
Tolona nihatra aman’aina
Lefona niady amam-basy
Ray amandreny nanao sorona ny ainy
Tsy nitarain-tana-miepaka izany
Tsy nandraraka ilom-by an-doha
Fa nanohitra ireo mpanjanan-tany
Ireo voanjo fahavalo taloha
Fahafahana!!!!!
Ny fahafahana raha tiana hitohy
Mila ezaka om... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/manoloana-ny-sariny | MANOLOANA NY SARINY | Miarantsoa Anicet | Mitsikitsiky ery izy!
Toa olona tsy manan-tsiny.
Lafatra indray iny!
Nampiova azy lay sary.
Eny e! Sary koa moa!
Sary... Tsy nahatsapako
Izay tena refin'ny fitiavany.
Fa ny hitako teo dia ny tavany...
Kanto.
Ny vatany...
Miraika moramora
No milaza azy ho fatsora...
Milaza azy ho mpilalao fitia!
Eny ho'aho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/romaric/iray-vaovao | “Iray vaovao” | Romaric | “Iray vaovao”
Olon-kafa iray vaovao,no nisakambina anao,
Tsy mba miahotra ,tsy menatra akory;
Dia fitia iray vaovao,no hilomanosanao
Fa izaho sy ny fitiavakon efa voarotsinao hatory
Lalan-kafa iray vaoavao no efa hizoranao,
Fa ny lalantsika roa efa ela no nilaozanao.
Dia fiainana iray vaovaon no hizaranao
Fa i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-toky-ntk-/eto-aminity-tany-ity | Eto amin'ity tany ity | Ny ToKy ( NTK ) | Nahoana kosa hoy aho
Ny fiainana eto an-tany
Nahoana kosa hoy aho
Toa manaikitra aoka izany
Ny ambony ambony ihany
Ny tsy manana mifetaka amin’ny tany
Tsy misy izay mba fitovizan-jo
Eto amin’ity tany ity
Ny manana ao am-paradisa keliny
Ny mafy ady indreo mandany kosa ny heriny
Satria tsy maintsy mihinana ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/-5609 | ...................... | Totyjim | (Nanapa-kevitra aho fa hijanona sigara androany ka nahasoratra kely!!!)
Ny misotro tsy fanaoko
Ny sigara koa najanoko
Mozika ndray zao no ataoko
Ny soratra nanjary mamiko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/tsy-izy-rehetra | TSY IZY REHETRA | Totyjim | TSY IZY REHETRA
Mamiratra ery ireto kitan-mirenty mandravaka ny avo
Misy am'reo ve ny hoe kintan-doza mpanindry ny lavo
Kinta-mainty aty mpikiky ny ferin'ny manetsetra
Na misy aza izany dia azoko inoana fa tsy izy rehetra
Toa kanto loatra tokoa ny natiora nataon'i Tsitoha
Haingam-pamelana,lovam-boninkazo hivadika... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/romaric/fitia-efa-ritra | “Fitia efa ritra” | Romaric | “Fitia efa ritra”
Tankina aho sakaiza;
Fa ritra karakaina ‘lay onin’ny fitia saika hilomanosako.
Dia tsy haiko hoe nankaiza
Ireoranom-pitiavana ,nikasa mba hitosaka.
Fa lasa niodina izy,
Dia indro fa nandao,nandositra ny tavako;
Nitsoaka izay tsy izy,
Angamba koa matahotra ny antsoantson’ito vavako.
Dia niondr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/efa-tofoka-sy-lao | Efa tofoka sy Lao | raozigasy | Efa tofoka sy lao
Kivy izao tontolo izao
Gasikara miha-vizana
Ny fahatrana ikoizana
Efa difotry ny miandry
F’andao henjanina ny sandry
Sao tara loatra ka hanenenana
Toy ireo lasa tsy hiverenana
Ny manodidina efa kirana
Fa ts’isy zavatra mangirana
Ny ampitso sy ny hoavy
Vita ketsa sy matavy
Ny filaminan-tsai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/romaric/tahirinny-fitia | “Tahirin’ny fitia” | Romaric | “Tahirin’ny fitia”
Akorisako ny peniko
Hitahiry anao r’ilay hany fitiavako;
Ary angamba tsy ho neniko
Ny nahitako anao,fa iny no hasambarako.
Kisendrasendra mantsy
Ilay isika nifanena indray alin’ny ririnina;
Kisendrasendra mamy
Tsy tiako oe hifarana,saingy tsy azoko fihinina.
Ny masoko no injao
Nafahatro tam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/resakay-sy-i-fitiavana | Resakay sy i Fitiavana | KIRIAH | K : Tsy mahalala fomba ve i Fitiavana no :
.....Lasa tsy manao veloma ary tonga tsy mandodona,
tsy mahalala manao mbay lalana , kondrana sady nahafahana
zatra manao bodongerona, miditra dia maka toerana,
tsy misaotra tsy mahalala voky , f isanandro zao dia mioty,
montsaniny ny atsy sy aroa , dia ilaozany rehefa v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/ho-anao | HO ANAO | KIRIAH | ..... fa raha ho atositosikao
ny fitiavako sy tenako
dia ao AM-PON ' ILAY TINAO
no aoka ho FASANA HILEVENAKO...... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-misy-afeni-natao-tsy-ho-hita/tsy-azoko-tiavina | tsy azoko tiavina | Zo-Maminirina | kapoaka efa safomorona
no nandaozako azy izay
sarotsaro-dalana ihany
ny hiverin-dalana any
fa fo vato no niforona!
ny ambavafo no mihizihizy,
tsy azoko tiavina izy
taratro eny fa hoe neniny
ny hadalana vitany.
henoko aza fa hareniny,
hono, izay toko natongilany,
saingy hadinony f'efa ritrany
ny kapoakan'ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-misy-afeni-natao-tsy-ho-hita/sambonavelo | SAMBON'AVELO | Zo-Maminirina | SAMBON'AVELO
(Ho an'i Niry-Solosoa noho ny LOLON-TSAMBO)
hay mety ho manin-tseranana ihany
ity noheverin-ko avelon-tsambo
nidingina rambo
fony nanainga ?
tsy haiko ny handainga
fa latsa-tomany
niverina ilalana, tsy nety tamanan'
ny lango malefaky ny hiran'angola
nadolan'ny vola
fa nanarangarana ilay niaingàn... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/tsy-ilana | TSY ILANA | MiséVonjy | Tsy ilana teny,
na koa hoe ambara,
ho ren’izao tontolo izao,
ilay nekena ho «eny»,
fa rakitra tantara,
natokana ho ahy sy ianao.
Tsy ilana anjomara,
hanairana ny tany,
izay nifanolorana.
fa fitia efa anjara,
na dia nisy tomany
fa lamba hisalorana.
Saingy ...
hilako famatarana
fa amboaran’olo-tia
ny andr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-misy-afeni-natao-tsy-ho-hita/tsy-misy-afeni-natao-tsy-ho-hita | tsy misy afeni-natao tsy ho hita | Zo-Maminirina | tsy misy afeni-natao tsy ho hita,
tsy maintsy ho kobo 'zay zavatra vita.
ndeha tsy hilingy hanentan-tsy ritra!...
fitia vikavika!...
Na misy aza izay mitampify
Tsy voafafan'ny gaoman'ny ela
Angamba tsy anjara tandrify
Ka aloka sisa tavela
Ny mpamoly tsy mahay dia miverina
Ka ny ho avy no sisa heverina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zo-maminirina/ny-tebitebinao | Ny tebitebinao | Zo-Maminirina | Ny tebitebinao, mandindona ao an-tsaiko
Ny tepoteponao, manafotra ny aiko
Ny aretinao, mipaka hatraty
Ô!tsy ho gaga ianao fa izany no fitia!
Ianao, izaho ihany
Hatreto ka hatrany!...
Hatrany ifaran-tany!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zo-maminirina/diso-ve-raha-taitra | Diso ve raha taitra | Zo-Maminirina | Diso ve raha taitra indray ny aloky ny lasa
Seranan’olon-tiavina?
Fa izy ange tsy nety taitra fony
Nofohazina?
‘Reo teny miafiko aza nisalotra ny anarany
Nefa tsisy valiny, nefa tsisy varany.
Sombin-tsiky imolotra hatrany no mba setriny,
Toa rony ‘ty sakafo fa tsy mba misy ventiny…
Malalatiako foana e!
Tsy lov... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zo-maminirina/rara-kintana | Rara-kintana | Zo-Maminirina | Rara-kintana
Oadray lehiretsy a!
Oadray izany kintana!
Oadray! Mahavalalanina!
Oadray!Mahafanina!
Miraraka mitobaka
Tan-danitra voarobaka!
Oadray! Izany kintana!
Tsy nisy tsy voafintana
Ka nitanandranandrana,
Antanimena, Ampandrana!...
Antanimena angaha hirehitra?
Oadray izany kintana!
Oadray!Toa mahafanin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-misy-afeni-natao-tsy-ho-hita/tsy-nangalatra-aho | Tsy nangalatra aho | Zo-Maminirina | Tsy nangalatra aho tsy akory
Fa sendra topi-maso
Nifanitsinitsy teo anilanao
Dia tsy ampy ... tsy ampy tory
Isika koa avy eo, niaraka badenina
Nitovitovy tempo ny fontsika roa.
Nilaozanao ny akaniny,
Saingy indro kely, ... ianao angaha nanenina?
Fa lasa ianao niverin-dalana!
Ianao koa izany mihitsy e!
Tsela-p... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-misy-afeni-natao-tsy-ho-hita/patrakorana | Patrak’orana | Zo-Maminirina | Patrak’orana
Mitsidika manarangarana
ny eto am-baravarana
ny patrak'oran-jofo
ka nibitaka ny foko
te hihenjika
hanenjika
ny alokao rarafany
manainganainga moron'
ny patalo tsy ho petsa
fa ny olona rehetra
mijokojoko mora
manaranara-moron'ny
lalambe fodiana
hamonjy akany tiana!
Oay!
Ratsiratsy toetra koa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-misy-afeni-natao-tsy-ho-hita/manitra-ny-hanina | manitra ny hanina | Zo-Maminirina | manitra ny hanina anao ny alim-potsy
mitani-panalam-pitia faharirinina
setro-dronono no satry hofihinina,
aiza àry ialao mba hatao bodofotsy?
niherina an-tsaina ny dobo-pamindra
nandoaka ny andro niarahana lalana,
namela dindo mahalankalana,
nitsakoka anaty sarotr'hafindra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-misy-afeni-natao-tsy-ho-hita/avereno-i-mamanay | Avereno i Mamanay | Zo-Maminirina | Avereno i Mamanay
(Tolom-bavaka ho an'i Hanitra)
Tondrozotra tokana tsy misy fanavahana
Ny lalambe mahitsin'ny fotoana fisarahana
Eny am-perin'ady, fa mitohy ny tolona,
Teo daholo ny olona.
Nefa ... tolom-bavakay ry Ray:
"Avereno i Mamanay!"
Zara-tanambokovoko
Mandrazoka am-babena
Ny zava-nofaritany
Kanefa d... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/nifarana | NIFARANA | MiséVonjy | Fa nitsahatra nitepo, ilay fo mbola tia,
resy an’ady novesara-tsento, ka nifarana ny dia.
Onaonan-dranomaso, tontolom-pisentoana
izay fifaliana tsy mba azo, fa lasa foana ny fotoana.
Ilay olona mba notiavina, nokasaina ho malala
tsy niteny fa nangina, tsy mba nety nahalala.
Tsisy topi-maso kely akory, ho an’ity i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-misy-afeni-natao-tsy-ho-hita/hovitra | Hovitra | Zo-Maminirina | Hovitra
Ho any ianao kanefa
ny lalana mankany tsy misy dia miverina
tsisy ankamerimbotsotra,
lalan-tsy mifetra hatreo am-parafara fara-fatoriana
ka mampifararemotra ny manam-pofonaina
Dia lasa ianao...
kanefa ny dian-drantsanao natosiky ny SEDRAn'
ny fizarana mamy
ny DINITRy ny tolona
niady ho an'ny ZO
sy ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-misy-afeni-natao-tsy-ho-hita/hontsana | Hontsana | Zo-Maminirina | Hontsana
(Ho an'ireo akaiky ahy rehetra efa lasana nialoha lalana)
Lasana izy lasana,
Natelin'ilay fasana,
Lasa tsy himpody
Tsy toa masoandro mody
Fa miandry azy hiverina
Ery amoron-kady,
Ery ambavahady,
Ery andrefan-trano
Ny masoko manganohano.
Na kopa-damba aza, indrisy,
Tsy niherehany, ...tsy nisy!
Hont... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/sarotava | Sarotava | dadatsima | fa isika rehetra
dia samy mbola miafina
ao anaty sarotava
kanefa tsy voafetra
tsy ny hoe misy tahafina
fa tena tsy mivava,
isika izao tokoa
dia miezaka miery
tsy miseho ery aloha
nefa tsy afaka-miery
mbola maro ireo tarehy
tsy tiantsika raha mandeha
fa saho hita eny anarabe
f'izatsy anie ka ratsy be....... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-misy-afeni-natao-tsy-ho-hita/jangajanga-an-kira | jangajanga an-kira | Zo-Maminirina | jangajanga an-kira
miondana ny sariny!
sarina mpihira
ka ny fo no triariny
handoaka haba-manga!
ô!diso lalana e
'ty nofinofy adalany!
fa efa sasa-miandry izay
ilay olona malalany!
tsy hitany tanofy! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/aiza-ihany | Aiza ihany | dadatsima | Aiza ihany izy ity e?
efa natao daholo izao
na Maputo, na Mozambique
tsy nisy vita lany fika
lasa rano izay natao..
izy rehetra no nandeha
tsy hay intsony izay marina
na niasa mafy ry zalahy!
saho nandeha nitsangatsangana
zahay aty efa fanina
very saina sy fanahy
ny maro reto efa mangana, |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zo-maminirina/arovy-ny-foko | arovy ny foko | Zo-Maminirina | arovy ny foko ry Ray be fitia
fa maro mpandrombaka toa tsy ho tanty,
monja ka tokana ity siny ity
ka ndrao dia ho vaky...
alofy amin'ny rahona somambisamby
'ty fitia safomorona be mananamby.
tsy foiko hozaraina amin'izay mba mitady
sao ho tratry ny toraka antsamotady!
(manota fady) |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/velirano/ilay-fitia-nangalarina | ILAY FITIA NANGALARINA | VELIRANO | Fa na izaho na ianao
dia samy tsy nisy nanampo
fa hoe hiafara amin'izao
ilay fifandraisantsika talohy
Fotoana tsy nampoizina akory
no nampitsiry ilay pitik'afom-pitia iray
fitia iray nidongy ny ho eo an-tsisin'ny fony
na dia efa fantatra aza fa tsy ho mandrakizay
Eny! tany am-piandohana dia efa fantatra
ary iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/tiko-angamba-enao | TIAKO ANGAMBA IANAO | KIRIAH | Ataoko ahoana angaha ny fomba itantaràko
ilay FITIA kely , nitsiry tatoato
fa manaraby ny heriko, misangy koa ny foko
nanova ny fijeriko sy toa mijokojoko
Mitady hidongy toerana , haka an-keriny tokoa
hanao bodin-gerona ,hitrebona sy hamoa
FITIA tsy nasaina , manao loham-boto
tsy haiko hazavaina fa misafotofoto
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/raivo-mahantra | Raivo mahantra | ZOZORO | Raivo a!
Mitraka aky a !
Mitraka dia ahirato izato masonao izany havako izany
Maneke fa tsy azo lavina ny setrasetran'ny eto an-tany
Tsy azon-dry toherina na ankika na antso avo
fa mbola olon-dresy foana indry raha mbola mavomavo.
Raivo a!
Ireo ve te ahalala fa raha iny zanak'indry iny
Ilay vao efa-taonao monja... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/iny-tononkaloko-iny | INY TONONKALOKO INY | KIRIAH | Tao anaty tononkalo , tao no notantaraiko
ny fiainako ny anao , sy ny takatry ny saiko
nilazàko zava-nisy , nofinofy ihany koa
ka nataoko rimarima , ny INDRISY sy ny SOA
Ao anaty tononkalo , no atosako ny tsiahy
ny omaly sy ny anio ary koa ilay raha hatrizay
tao anaty tononkalo , nitalahoako fitiavana
tsy nafen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izy-tsy-handao-anao | Izy tsy handao anao | raozigasy | Na adinonao ny heriny,
Na iafenanao ny jeriny
Na takonanao ny tarany,
Na odianao fanina ny anarany
Izy tsy handao anao
Na tsy matotra finoana
Ka isan’andro izao hifona
Izy tsy handao anao
Na tsy torianao izato bokiny,
Na tsy aparitakao ny tokiny
Na tsy arahinao ny didiny,
Na tsy ataonao koa izay finidiny
Iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/hafatra | hafatra | TSY RENDRIKA Spica | lazao azy hoe ianao tsy tiany intsony
ny anaranao koa hoe efa novonoiny
efa nahita olonkafa izy hono hoe
raha mbola manontany izy izy etsy kely ange!
aza atao fatany ny fahorian'ny foko
ary ambarao aminy hoe efa niova loko
tsy te handre intsony hoe ny mombamomba anao
fa efa sambatra izy amin'izao fotoana izao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/finih/nenina | NENINA | Finih | NENINA
Iny ianao no tsy hita,
Lasa tsy hiverina
Izaho irery sisa,
Tonga saina, sy manenina!
Raha iny ianao narary
Narary loatra toa nijaly ,
Tsy niasako saina akory,
Kay ianao ry Tiako efa tena ory.
Fantatrao ny zava nisy ,
Nahatonga ahy hisintaka
Hay moa tsy noho ianao , indrisy !!!
No nahatonga ilay fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/iza-ianao- | IZA IANAO ? | KIRIAH | Moa azoko fantarina ny mombamomba anao ?,
fa toa rano lalina manonja anatiko ao
ilay faniriana... ahalala antsipiriany
zany fiainanao...reo KANTO sy TABIHANY.
Taiza ianao no teraka , ry andrin ' ny ampitso ?,
aiza ianao mipetraka raha toa tsy mahadiso ?,
reo fomba mahazatra iainanao isanandro :
mahafoha maraina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/adim-piainana | adim-piainana | dadatsima | Mafy ty ka mafy
ny mahazo antsika malagasy
tsy tafavoaka fa mihafy
anaty lavaka magitsoka
efa mihondrika milofika
tomany lava, efa potika
aiza re ny teny mamy,
ny safosafo tambitamby
efa maika ery zahay,
tamin'izay fotoana izay
treizy mey no hifampotoana
tsy nisakafo koa dia noana,
Rajoelina no teny
note... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/faniry | FANIRY | harylovah | Faniry
fa tsy faka
Fijery
fa tsy fioty
Mitsiry
Tsy mamaka
Irery
Miangoty...
Tadidinao 'lay hafatro?
Fa tsy namaly ianao
Kanefa tsotra izao...
Ny angolanao miantefa
Mamaky rindrim-bato
Kaloiko ianao rehefa
Injay fa sendra miato
Ny lalan'ny fisiako
Satria tsy teo ianao...
F'izao no faniriako
'Zay efa fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ghest1986/taitra | Taitra | ghest1986 | Dia taitra indray ilay natory
Nataoko tsy hifoha
Raha natao nifanena ny lalantsika roa
Ny saiko toa tsy mino fa ilay efa nody mandry
Navelako hotototrin'ny taona nifanesy
No injay nifoha mandry
tsy mahatafandry mandry
Mamoha ahy sasakalina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bangotokana/lasy-iray | LASY IRAY | BANGOTOKANA | LASY IRAY
Misy toerana iray, noforoniko ho anao
Loko fotsy ranoray, no manjaka ao aminy ao
Nohaingoko zavan-tsoa, nasiako volamena
Mba ho lafatra tokoa, hahafatifaty izay jerena
Ny anarantsika mitambatra, no voasokitra eo aloha
Satria iray filamatra, iray koa isika roa
Tsy nasiako menarana ka hisompatra dia
Fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/tononkalo-fanokafana | Tononkalo fanokafana | dadatsima | no miditra io fa aza adino
hitondra teny tsy azo amidy
tonokalo sarobidy.
tsy soloina tsy atakalo
hita io, tsy mety very
namanao tsy fahavalo.
azo atao ny miteny
raha misy teny ho lazaina
aza mitsitsy fa ireny,
no hanatsara ny ato antsaina,
na antany na antanety
fa izay tonga dia mirefotra
voazara sy voahe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bangotokana/vavaka-ho-ani-olon-tiako | VAVAKA HO AN'I OLON-TIAKO | BANGOTOKANA | VAVAKA HO AN’NY OLON-TIAKO
Ry Zanahary ao ambony, indro ity ny zanakao
Fa hanambara ny ao ampony, izao anio zao
Ilay olon-tiako izay, ilay tiako tena tiako
Toa mila ho kivy indraindray, fa zary nampijaliako
Omeo ahy ry Ray, ny fo mahay mitia
Hanajako azy indray, hitiavako ho doria
Omeo ahy ry Tompo, ny fo mahay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/velirano/tara-loatra | TARA LOATRA | VELIRANO | Efa ela aho no niandry ny fifonanao ry ilay havako iny
saingy efa tena tara loatra izy ankehitriny
efa navadiko ho an'olon-kafa ilay fitiavako fahiny
ka azafady aminao indrindra azatsiny
Ampy ho ahy ny ratram-po nampitondrainao hatrizay
ampy ho ahy ny fahoriana efa noentiko izay noho ianao dahalo
aleo angamba sam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/tsy-maintsy-ho-hadinoiko | Tsy maintsy ho hadinoiko | KIRIAH | Main-dravina maraina
vao nitsimoka dia maty
niamboho , nanary aina
ka lay tsara tonga ratsy .
Tany anaty eritreritro , tany ianao no tonga lafatra
fony ianao mbola NOFY , tany ianao no nahafinaritra
fa nony injay nitafy NOFO , dia nitafy koa kilema
tsy fanaperana intsony , lasa zava-maha sorena.
Fony ianao mbol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voady/i-neny | I NENY | Randja | Tsaroako daholo ny tenin'i neny
rehako etoana, rehako ombieny ombieny
ilay tenin'ny neny feno fitiavana
zarainy aminay tsy misy fitsaharana
Ny tambitambin'i neny no tena tsy foiko
mampitony ny foko, toa zary kaloiko
ilay rotsirotsy mampijanona ny tomany
rehako mantsy ny fitiavan'i neny tsy mba lany
Meteza ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/ny-tena-fahaleovan-tena-m.t.i.m | NY TENA FAHALEOVAN-TENA | Riantsoa | Tsy nosandaina harena
na vola sesehena,
tsy ireny tsy akory;
fa na manana na ory
dia afaka mitaiza
ny fahaleovan-tena.
Anefa, hoentina aiza?
Fety hafa mihitsy,
fa tsy hoe fahatany,
ny fetim-pirenena.
Ny masina no vitsy
dia masina ny tany;
ka, ré, aza hosena
ny fahaleovan-tena
Ny fetim-pirenena
tsy, fots... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/arahaba-an-tselika | Arahaba an-tselika | raozigasy | Mikorontandrotana, toa vato ambany riana,
ny fiaingan’ny fanahiko
Ka misavoamboana toa avelo variandriana,
ireo vetso tsy navahako
mifangarongaro, ireo teny feno akotry
tsy hitan’ny sahafako
ka vorabora-bolana, litera an-teny botry
no tononkalo an-tsahako
misavoritadritaka, toa misavily “vol”
ireto inspiraka
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/efa-tara-ve | EFA TARA VE? | TSY RENDRIKA Spica | Mbola ao ihany ve ry tiako ilay fitiavanao fahiny
ilay nilaozako nilefa moa ve tavela ankehitriny
mba miangavy avelao mitalaho aza tsiny
raha toa ka mbola azo atao omeo ahy ny fonao iny
efa tara ve ry tiako ilay fahatsiarovantenako
efa lasanolonkafa ve sanatria ily toerako
ireo rehetra izay nataoko dia ifonako an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zafy-reary/ilay-fitiako | ILAY FITIAKO | ZAFY REARY | FITIAKO
Fahiny tefy maika ny hany mba fitiavako.
Dia hoe: no nivaoka izato vavako.
Dia nanofinofy lava. Nifofy horoka irifina.
Dia ianao ilay mitsilany sy mitanisanisa kintana.
E! Fahiny izany! Ilay fitia nampijaly.
Fahiny tefy maika ny hany tato am-poko.
Fitia nanganohano, isan’ora nitoloko.
Tsy hay ilaozan’ol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/syrius/ianao | ianao | Syrius | ianao ilay olona iray
efa manana olonkafa
ianao ilay tiako hatraminizay
no indro indray mitafa
saingy.....
fomba ahoana no inoako
fa ianao no hoe tia ahy
vonona hionona ny foko
efa vitako ny nanda
laisse par spica |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/santapitia | santapitia | TSY RENDRIKA Spica | vao niatomboka dia sendra ngidy
vao nitia dia efa hoe tsy safidy
vao namindra dia lavo avy hatrany
vao nitsiky dia tojo tomany
vao sambany raha tsy fantatrao
no nitempon'ny foko toy izao
saingy tsy hiantso tody satria
mbola vao santapitia |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aok-izay | Aok izay | raozigasy | Aok’ izay ilay toky fitaka , entina mampandry adrisa
Aok’izay ilay peta-tokom-politika izay Marisa
Aok’izay ilay kabary, fara-teny farasisa
Aok’izay ilay laingalainga, isan’andro atao tanisa
Aok’izay ilay kilalao, samy te hitondratondra
Aok’izay ilay fahefana, atao kinanga sy somonga
Aok’izay ilay fanjakana, enti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/syrius/raha-toa-ianao | raha toa ianao | Syrius | raha toa ianao ka tia azy
kanefa nataony vazivazy
raha toa ianao ka nanantena
kanefa nolavina fa tsy noekena
raha toa ianao ka tena tia
kanefa novaliana tsia
raha toa ianao ka mbola hiandry
mino azy ho toky sy andry
adinoy ny anarany
fa tsy ianao no anjarany
SPICA |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/teo-izy-omaly | teo izy omaly | TSY RENDRIKA Spica | teo izy omaly fa nangaina irery
tsy nisy izay namaly
teo niandry anao,niaritra ny orana
tianymantsy ianao
teo izy teo,ny sainy toy ny very
teo izy f'efa leo
teo izy omaly,nitady fahasosorana
tsy afaka ny ho faly |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/ianao-hono-ve | ianao hono ve? | TSY RENDRIKA Spica | ianao hono ve mba efa nitia kaefa mba tojon'ny ngidin'izany
sa mbola tsy sendra naratra satria tsy raharahianao izy raha mitomany
ianao hono ve mba efa tsy tiana ka efa nahatsapa alahelo tanaty
satrinao ve raha tojo hakiviana izy ka mikasa ny ho faty? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ghest1986/sampanana | SAMPANANA | ghest1986 | Raha hisampana eto ny lalantsika roa
Ka zary hotereko hatory tsy hifoha
Ilay fitia mireda am-poko tsy hay vonoina
Fa latsapaka loatra tsy mety adinoina
Dia efa tsinjoko eto, ary tena irariako
Ny asambaranao io ry ilay tena tiako
Mba hibaliaka foana, sy hiposaka isan’andro
Hitaratra tsy hiato ho anao ny masoandro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/fisarahana | fisarahana | TSY RENDRIKA Spica | iangaviako ianao mba tsy hanontany
fa fantatrao ny antony
fitioa vao nitsiry hamelana sahady
hitsatsaingoka ho vantony?
aleo aho angamba hiala avy hatrny
ilay nofinofinao sao tsy izaho izany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fy/raha | raha | fy | raha manoratra ny tanako
raha miteny ny vavako
dia atolotro ho anao
izao hafatro izao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/isaky-ny-mihaona | ISAKY NY MIHAONA | Fredy Jaofera | ISAKY NY MIHAONA
Isaky ny mihaona
dia misy hafaliana
no indro mitaona
ny foko vangina.
Isaky ny mihaona
dia misy nofinofy
no toa misavoana
sy tsy hitan’ny rofy.
Isaky ny mihaona
dia misy finiavana
no tsapako foana
mitady fitiavana.
Isaky ny mihaona
dia misy hirahira
no efa tsy saona
sy mba sovenira. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/iza-le-sipa | Iza le sipa | Tsiky dia ampy | Iza le sipa ni-zipo kilaoty, vao niditra tonga de nanao pompy?
Iza le sipa gladiglady, tsy nanatona mihitsy fa narahim-bady?
Iza le sipa somary manify, nodomin'i kounda de tapaka nify?
Iza le sipa nizesta be, fa hoe tompon-dakan'ireo be fe?
Iza le sipa nilaza fa dozy? Kanefa tsy nety fa mbola ni-rozy?
Iza le sipa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/etsy-sy-eroa | ETSY SY EROA | NY HARIAINA | Etsy sy eroa
Iretsy:
Mitarehin-katezerana,
Mivana tsy azo ferana
Mivoara-mena romotra
Mirintona sy sosotra
Tokoa fa tena rangitra
Miridy mafy:dangitra
Ireto:
Mifaly sy mitsiky,
Mihomehy sy mitokiky
Latsaka sy ripaka,
Mitokelaka mibitaka
Lavitry ny ho litika,
Ravo mivanitika
Izato ianao kosa,
Io miseho v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manjatiana/mionona-ry-foko | MIONONA RY FOKO | manjatiana | Mangina o ry foko!fafao ny alahelo
Esory sy alao ny hakivianao
Fa iry kintana iry,mamiratra aok'izany!
No hametsovetso ny fanahy,ngolon'ahiahy.
Mionona o ry foko!fa tsy foana tsy akory
Ny maintso fanantenana,ny maloka androany!
Hibaliaka rahampitso.
Aza mitanondrika ry voaratran'ny fitia,
Mbola lavitra ny lalan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-voatery | Tsy voatery | raozigasy | Tsy voatery hoe volabe, hahavidy izao tontolo izao
No tsy maintsy voaangona, sy tsy maintsy anananao
Fa finoana tsy voavidy, tsy tambazana harena
Matotra sy tsara fehy, ka tsy taitra raha rebena
No ilaina anananao, mba hahafahanao miady
Amin’ny fanahy ratsy izay mpamarina any an-kady
Tsy voatery hoe fiadiana, ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manjatiana/ataoko-ahoana | Ataoko ahoana? | manjatiana | Ataoko ahoana ny fanadino?
Tantara mamy sy mahafinaritra,
Amin'ny ora mahasarotra.
Ataoko ahoana ny fanadino?
Sary kanto sy sariaka,
Ao anaty rà mandrika.
Ataoko ahoana ny fanadino?
Zazavavy meva sady tsotra,
Tany ambanivohitra.
Ataoko ahoana hoy ianao?
Sa modina tsy re ny feon'ny fahatsiarovana?
Dia modina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tompo-o-o-aiza-no-alehako-raha-lavitra-anao | Tompo o ! o aiza no alehako raha lavitra anao | raozigasy | Tsy ho haiko ny miaina,
fa ianao no rivotra mamelombelona ahy
fa ianao no zava, mampitsiky ny androko
Fa ianao no hery, manala ny ahiahy
Fa ianao no fàna, sy tara-masoandroko
Tsy ho haiko ny miaina,
Fa ianao no rano, manala ny hetahetako
Fa ianao no mofo, mamelona ny aiko
Fa ianao no manasitrana, ireo fijalia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ry-zanaka-adala | RY zanaka adala | raozigasy | Ry zanaka adala
Avelao ny ditra,
Fa ny rendra tsy ho ritra
Afoizo ny haitraitra ,
sao hivadika ho mafaitra
Ry zanaka adala
Ndeha ovao ny fiainana
Ovao koa ny fisainana
Ovao hatramin’ny fo
Ovao, hadio tokoa
Ry zanaka adala
Araho ny lalamarina
Dieny tsy mivarina
Ny ratsy vita ilaozy
Ny toetra ratsy havaozy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manjatiana/mody-faninatohiny | MODY FANINA | manjatiana | Dia tsy norenesinao mihintsy!
Ilay feo mitalaho mibitsika mafy,
Hanaitra ny fonao izay mbola matory.
Toa tsy nampiraika anao akory ny tabataba mangina
Miantso tsy miato ny anaranao milanto
Ravahan'ny hanitry ny voninkazo miora. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ilaozako | Ilaozako | raozigasy | Ilaozako malaky ianao, ry devoly tsy vanona
Veloma ho mandrakizay, no alefako ho sakodim-panina
Fa tofoky ny fiainanao, rendrarendra mpamarina an-kady
Ka ny malemy finoana jonoina, any an-kafa ianao mba mitady
Ilaozako an-dia maika, ianao ry ilay losifera
Fa neniko reko nahamay, ilay fandrika izay nampianjera
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/fitiavany- | fitiavany ? | HASINIONY | Iny ilay fitiavany...; im-polokely lavo
Ianao mba nantenaina, faly nampahory
Ny fara-lazonadiny, dia nenina no vazo;
sy tononkira poizina, nandrotika ny fony.
...injao mirediredy anao sy ny hasoparany,
Nahoana ianao no nisy, k'anefa hamela ratra?
Kilalaon'afo nandoro ny tantarany;
Dindo iray ho fasan'ny fo voara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ekeko-tompo-o- | Ekeko Tompo o ! | raozigasy | Ekeko Tompo o ! izany antsonao
Ka na inona mitranga, isika tsy hifandao
Satria Ianao no heriko, ny vavakao no fiainako
Ianao no fanafody, mitsabo ny taintainako
Ekeko Tompo o ! izany lalanao
Ka na ho mora na ho sarotra, tsy hivily lalana aho
Satria Ianao no tokiko, sy hery fiarovako
Raha ianiham-pahavalo izany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manjatiana/mody-fanina | MODY FANINA | manjatiana | Tena tsy tsapanao tokoa angamba?
Ny havesatrin'ny fijaliko
Nisakambina teo an-tsoriko
Zary naharovitra ny ravin-damba
'Ka nampibaribary tsy satry
Ny fo vonton'alahelo tsy hay nampiononona
Eny,tsy nahalena anao akory!
Ny rà izay nijika toy ny loharano,
Niboika avy ao ampon'ilay feno tebiteby
Ka nahatsapan ny te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voady/hafa-ianao | Hafa tokoa ianao | Randja | Izato masonao raha mijery
sy ilay vavanao izay miteny
satriko mba tsy hiery
na hitompy ho eny ho eny
Izato feonao milantolanto
sy ilay bikanao ranjanana
fa dia raitra sy kanto
toa zary tsy misy mpanana
Izato famindranao mijadona
sy ilay endrikao miramirana
ampin'ilay vatanao malandina
izay anilanao tsy sahi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voady/mbola-ho-tsapanao | Mbola ho tsapanao | Randja | Mbola ho tsapanao eny ihany
ny haben'ny fitiavako anao
izay mahatonga ahy tomany
noho ny fahatsiarovana anao
Mbola ho tsapanao eny foana
ilay fo feno fitia izay miantso
mbola miandry hatrany izany fotoana
na mafy sy mafaitra aza ny manjo
Mbola ho tsapanao fa tsy kilalao
ny fitiavako ry ilay tiako sy mamiko
fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/soava-dia-tsar | Soava, dia Tsarà | raozigasy | Tsy tsindrotsindro-teny, na tsimpontsimpon’hafatra
No atolotro ho anao
Fa bitaky ny fo, sy vetso lafadafatra
Noho ity taona vaovao
Tsy pentsona boloky, hitanisa firariana
Toy ny mahazatra
Fa angon-tonom-bavaka, atosa-pifaliana
Solom-pihin-tratra
Tsy kobaka am-bava, hahatsara toerana
Anivon’ny tontolo,
Fa rind... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/omeo-ahy | Omeo ahy | raozigasy | Omeo ahy ho lesona , ny fahaiza-mahatoky
Hahaizako mifikitra, manara-dia Anao
Omeo ahy ho anatra , ny teny mahavoky
Hahazoako manantena, isan’andro izao
Omeo ahy ho taiza , ny tolo-pahendrena
Hahafahako manomboka, fiainana vaovao
Omeo ahy ho kolo, ny didim-panekena
Hanohizako ny hoaviko, miaraka Aminao
Omeo ahy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manjatiana/toky-fitia | TOKY FITIA | manjatiana | Na hisokatra aza ny lanitra
Na hiika ny tany aman-danitra
Tsy haiko izany fa izao;
Tiako ianao
Na hisompatra aza ireo tsy tia
Na hivadika koa ireo mpankafy
Tsy haiko izany fa ny fantatro
Ianao no vady malalako
Na handrara aza ireo ray aman-dreny
Dia tsy ho potika velively
Ny fitiavana efa latsaka anaty
Ka ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manjatiana/mionona-ry-fokotohiny | mionona ry foko | manjatiana | sa ny toetra no tsy mendrika?
no dia nailikao tokoa,ny fo tafarendrika
rendrika aminao,ry rano lalina iny |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ho-azonao-an-tsaina | TSY HO AZONAO AN-TSAINA | Fredy Jaofera | TSY HO AZONAO AN-TSAINA
Tsy ho azonao an-tsaina,
na indro hotantaraina
ny mafy izay nianjady,
tsy mba nahatomady.
Tsy ho azonao an-tsaina,
na indro hotanisaina
fa ho hevi-diso ihany
no hasesikao hatrany !
Tsy ho azonao an-tsaina,
na indro hodradraina
ka mora ho naneso
sy toa nahay nibeso.
Tsy ho azonao an-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/mitoera-ho-madio | Mitoera ho madio | harylovah | Fa misy loharano izay tsy azonao dikaina
Fa azy irery ihany
Arovany ho madio, fa antoky ny aina
Sy tokana aman-tany.
Miandry ilay fotoana izay hoe hifanekeny
Hanaovana voady,
Eo no hisantarany ilay zotra nokendreny:
Ny fiainan'ny Mpivady...
Ho anao ry tovolahy, ry Tovovavy koa:
Mitoera ho madio...
Aza mieritr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/hay-moa | Hay moa... | AMN (Arialy) | Hay moa ianao ilay lasa ka nandao
hay moa ianao ilay tsy niheno ny talaho
hay moa ianao ilay tsy nitodika nijery
hay moa ianao ilay sahy namela irery
Hay moa ianao ilay hoe nahita hafa
hay moa ianao ilay te hiova lapa
hay moa ianao ilay fo izay tsy mila
hay moa ianao ilay niseho nampifila
Hay moa ianao ilay nah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voady/tiako-foana-ianao | Tiako foana ianao | Randja | Na misy aza ny haratsiana ho tazana eny
na iza tsy hangina fa hanambara sy hiteny
hifosafosa, handramby, hanaratsy anao
na misy aza izany, mbola tiako foana ianao
Na misy aza ireo mikotaba, eny mankahala
na iza mankalaza sy miseho mahalala
ny mombamombanao, ny halemenao
sahiko ny milaza fa tiako foana ianao
Na ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/fahatsiarovana | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ho-taona-soa | Ho taona soa | AMN (Arialy) | Ho anao ô ry Ray no mba hany fitarainana
mba miangavy re ihena ny fitaintainana
fa izao ny taninay efa tena miharatsy
angamba efa fantatrao fa izahay lany vatsy
tsy izany ihany no ahatonnga ny talaho
fa be ny asa ratsy izay tena mifamaho
irony halatra, vaky trano, famonoana
angatahinay anie aoka mba ho fohana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fytih/aingam-panahy | Aingam-panahy! | Fytih | Souvenir tsy mba tsara
No atolotro ho anao
'Nefa kosa manambara
Ny fitiavako anao
Souvenir tena kely
'Nefa kosa mankahery
Aza avela hisy hijery
Afa-tsy ianao irery!
"VATO KELY BORIBORY
MANGAMANGA TOA VELORY
RAHA MISY MAHAORY
ETO AN-TRATRAKO MATORY" |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoe/miverina-eto-iny | MIVERINA ETO INY | RANÖE | Hahatsiaro ianao hahatsiaro
Hitafa ianao ka hitafa
Fa ny tafantsika roa
Tsy mba fantatr’olo-maro
Tsy mba hain’olon-kafa.
Hiteny ianao hiteny
Hitady ka hitady
Fa ny nofintsika roa
Ilay nanjeny teny ho eny
Dia zava-tsaro-pady.
Hijery ianao hijery
Hahatsiaro ka hahatsiaro
Fa ny sarobidintsika
ilay ahy sy anao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/mba-toa-anao-koa | Mba toa anao koa | NY HARIAINA | MBA TOA ANAO KOA
Tsy adala ianao tsy akory
Raha toa ka hoe nitory
Sy tsy nisalasala
Ny niantso ahy MALALA
Fa fitiavana izany
Tsia, tsy fahotana
Raha toa ka hoe tsy tana,
Tsy tohatrao intsony
Ny niezaka hikomy
Hanafina fitia
Tsy tsininao tokoa
Ny nilaza ny ao am-po
Namboraka ny marina
Fa tsy hay takarina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/diary | Diary | NY HARIAINA | DIARY
Ontsa aho anikeheo,
Raha nahita sy nanokatra
Dia namaky ilay diary
Ilay fanoratantsika,
Lay koa famakintsika,
Niraiketana izay vita
Lay nitahiry koa,
Ny amin´ny tantarantsika
Ny momba antsika roa.
Lay afa-mitanisa
Irony zavatra natao,
Niainako sy ianao.
Lay koa mba niraketako,
Lay sisa nandrafetako,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/fitiavana | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hariaina/mitia-aho-fa-mankahala | Mitia aho fa mankahala | NY HARIAINA | MITIA AHO FA MANKAHALA
Indraindray aho mitia, dia tsy misy afa-tsy ianao
No andrianin´ity foko
Saingy rehefa injay reko mitambolona ao anatiko ao,
Mibosesika misoko
Tsapako ho mandrotika ny manontolo ny aiko
Mila ahalasa adala
Reko fa manolatra,mankarary koa ny saiko
Ny nataonao malala
Indro aho fa mankahala
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fytih/sarobidy | Sarobidy | Fytih | Valin-teny iray monja
No angatahiko aminao
Kely 'nefa mba mafonja
"Tia ahy ve ianao?" |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/fo-menatra | Fo menatra | AMN (Arialy) | Ialako tsiny raha malefaka ny fidobokin'ny foko
efa trotraky ny ela ilay fitia izay nokoloiko
efa izany no anjara hoy ny saiko ilay nionona
tsy hoe hisy fanafana izay handeha ho foronina
Mba andraso rahampitso raha hoe hiova izy
ka hitaba mafy indray toa hanaitra ny ankizy
toa kely ny finoako hoe ny foko hiova h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fytih/fitia-lalim-paka | Fitia lalim-paka! | Fytih | Raha ny ao am-poko ao
No hosoratako anao
Dia tsy ary ho voalazako ao
Ny fitiavako anao!
Maro ireo teny misy
Tsy voalaza 'nefa indrisy
Maro 'reo mahay manisa
Fa ny fitia tsy voatanisa
Tsy asandako harena
Tsy atakalo volamena
Tsy ataoko ankaterena
Satria ny fitia fifanekena
Na dia latsa-paka aza
Ny fitia iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoe/-5510 | . | RANÖE | Ilay fijerenao volana indray hariva iny
Ilay dolam-bikan-dry fe ankehitriny
Nahasintona ahy tokoa
Ilay dolan-tsikin-dry mahalasa vinany
Ilay mason-dry malefaka mitsipalotra any ho any
Naharendrika ihany koa
Ilay indry NARINDRA; ho BAKO tena soa
Ilay nahababo ny fanahiko nahaliana koa ny fo
Fitia mameno loha !
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voady/ny-fitiavako-anao | Ny fitiavako anao | Randja | Ity foko mitia anao no injao voaentana hikalo izato anaranao tsy hadino rahavana
tsy mba taitran' ny hakanton'ny mpandalo
f'efa lasanao avokoa mantsy raha ny fitiavana
Fitia efa latsa-paka no hany tsy mba miofo
efa niaina hatramin'izay ka hatramin'izao
nohaingona oroka sy firaisana ara-nofo
izay no nahatonga ahy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zafy-reary/nyeja-andriary | NYEJA ANDRIARY | ZAFY REARY | Nyeja Andriary
Dia halaivo sary
Ny hoe: Nyeja sy Andriary
No mampiara-peo.
Angamba tsara lavitra noho ireo vita ireo?!
Ny soratra hono mantsy,
Eny e! Mety indraindray;
Raha tafaraka amin’ny feo
Dia hamoaka sy haneho
Tsiambaratelo…
Nyeja, Andriary
Andriary koa Nyeja
Tsy hadino Raozigasy
Ny penin’izy ireo m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zafy-reary/angamba | ANGAMBA | ZAFY REARY | Angamba tsara raha ny marina
sy ny hita maso no ezahana fantarina.
Dia ataovy hoe; ampy izay. Ampy tena ampy.
Toa an-dRamasoandro ambony vatolampy.
Tsy mila hazavaina fa hazavana tenany.
Izay tinarany rehetra maneho ny hakanton'ny hamenany.
Angamba tsara ho'aho sns... etsetra.
Ny diampenin'Ilay Gasy hatsarana ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoe/ikala-pe | IKALA PE…!!! | RANÖE | Peta kely – petak’orona
mipetaka amin’ny aiko
Dray !!! Mamy leitsy
Herivaika – tsy miraika
mifangaro lemipaika
Tiako !!! … Reitsy
Indry mikambana ho izaho
mifamaho, sefosefo, mitalaho
Kanto !!! Leitsy
Mamikely – petsakely
Anjely - kotsakely
Mamy !!! … Leitsy
Ikala Peta – petak’orona
mipetapetaka amin’ny ai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lapeta/vinany | vinany | lapeta | vinany, vinany, vinany,
vinany fa fohako ihany,
fohako dia lasa setroka
setroka dia lasa rahona
rahona dia lasa orana
orana mandena ny tany
tany voleko vinany
vinany, vinany, vinany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zafy-reary/izany-vetsony | IZANY VETSONY? | ZAFY REARY | IZANY VETSONY
Mangirifiry e! ny foko
Rehefa iny ianao fa lasa
Toa tsy tantiny mihitsy ilay velomanao
Mbola iny fa manasa
Izato masony hitopy indray mandeha
Amin’izato tsikinao
Ka halahelo no injao mandondona anaty any:
Hirifirina tomany.
Izany vetsony? Fantaro.
Fa sary maro mifangaro.
Ny hany tokana mba tsa... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.