url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoe/-5511 | …!!! | RANÖE | Tsy zakan’ny saiko ny nieritreritra anao.
Ilay irery takariva; nilaozan’olon-tiana
hamonjy ilay fodiana.
Ilay salovanao manjonitra tomany no toa hitako eto izao
Maso bongobongo, manganohano kely.
Ilay molotsa e ! …
Antsay e !!! Ilay fijery e ! …
Mamy toa tantely; mitsiky toa anjely.
Dia tsaroako eto izao ireo z... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zafy-reary/fetinireo-zaza-an-tany-miady | FETIN'IREO ZAZA AN-TANY MIADY | ZAFY REARY | FETIN'IREO ZAZA AN-TANY MIADY
Jesoa o! Fetinao androany
Nefa ambadika any , inoako
Fa misy zaza vonto tany,
Midradradradra na toloko,
Satria nihangatra ilay vavaka;
Tsy mba azy ilay andro miavaka.
Tsy nihaino azy akory na nitopy maso kely,
Dia mipitrapitra irery ireto mason-jazakely.
Fa zaza an-tany miady, ank... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zafy-reary/misy-hanina-iray-te-hitraotra | MISY HANINA IRAY TE HITRAOTRA | ZAFY REARY | Misy hanina iray te hitroatra
Hamonjy ny akany toa lavitra loatra
An’ilay aty am-pita.
Ka sento no sisa
Mandrongatra mafy.
Ka e! fa tsy tanty.
Misy hanina iray te hitroatra
Hamonjy ny ankany toa lavitra loatra.
Raha tany aho mantsy dia izao no nataoko:
Voriako daholo ny tary rehetra;
Ny fianakaviana tsy hadi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/fidiranny-mpianatra-anatra- | FIDIRAN'NY MPIANATRA | ANJARIVO Ronsard | Mingadona indray ny fotoana
Fianarana aty an-tsekoly
Ny lalao sy korana misaona
Fa tapitra atreo ny ala-voly
Taratasy no kirakiraina
Penina atao maty an-tanana
Io no enti-mandranitra saina
ho lova sy tena fanana
Ny hakamoana fadio ry zareo
Fahavalo io tohero reseo
Mampihetry manimba aok'izany
Mandoza tsy roa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/rimanny-fitia | RIMAN'NY FITIA | ANJARIVO Ronsard | Alokalom-pitia maha-manina
Angolangolam-pitia maha-fanina
Tsikitsikin'ny tia zava-dalina
Ka raha tojo fitia mba malina!
Fo mitepo fitia dobodoboka
Dobodobom-pitia hovitrovitra
Hovitrovim-pitia boraboraka
Boraboram-pitia maha-roboka!
Afinafim-pitia mankarary
Aingitraingim-pitia mampijaly
Avonavom-pitia tsy man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/raha-tsy-eo-anilanao | RAHA TSY EO ANILANAO | ANJARIVO Ronsard | Fahavaratra ny fiainako raha tsy eo anilanao
Oram-batravatra lava tsy ahafaha-milalao
Ny farafara no sakaiza, lelan'afo no amindroana
Ao an'efitranoko ao, ivalaparan'ny amandoana
Rehef'injay mikotro-baratr'ao antokotaniko ao
Mitampify an-joro trano aho fa tsy eo akaikinao
Raha mitsahatr'iny avy eo ka mitony izany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/milaza-daholo | MILAZA DAHOLO | Fredy Jaofera | MILAZA DAHOLO
Milaza daholo
ho tia tanindrazana
‘reo nahazo seza,
“mamono lolo”
hoe tena mazana
no sady ngeza.
Milaza daholo
ny hahavita zavatra
‘reto voafidy,
Ka dia nanolo
izay efa taratra
fa sarobidy.
Milaza daholo
ho tsy azo kianina
‘reto “ lehibe”,
nefa im-polo
no nahafanina
ny vitany re !
Milaz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/voa | VOA | raozigasy | Namanditra ny foko
Ilay fitaka antsoko
Sy daroka fitia
Nandrotika ny atiko
Ilay lolo iray tsy matiko
Sy toky izay malia
Nandoaka indray ny feriko
Ilay hosoky ny jeriko
S’ilay hanta diso tia
Namitaka ny saiko
Ilay lambo tsara jaiko
Nivolana hoe doria
Hay ka tsara velatra
Ilay tsihy nanjelanjelatra
Tambonin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/ny-fiadanako | NY FIADANAKO | ANJARIVO Ronsard | Ny fiadanako?
Tsy vola be am-bata
Tsy trano valo zoro
ka hanabotsin-tratra
Sy hampihorohoro
Ny fiadanako?
Tsy haingo be marevaka
An-tanim-pampitaha
ka hampitalapetraka
ny mason'ny mpizaha
Ny fiadanako?
Tsy saina italanjonana
fahaizana igagana
ka hampitonatonana
tampohim-pahefana
Ny fiadanako?
Tsy bika a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/mba-iza-loatra-ianao- | MBA IZA LOATRA IANAO ?? | ANJARIVO Ronsard | Mba iza loatra ianao?
Ny varavaram-poko; nirindrim-bato teo
naparasakao mivoha midanadana??
Mba iza loatra ianao?
Masoandro modiko iny, andro vasobasoka
Navadikao maraina,mazava sy mafana??
Mba iza loatra ianao?
Ririni-mamanala,hatsiaka-piainako iny
Nataonao lohataona tony feno hanitra
Mba iza loatra ianao?
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasina-habakabaka/longo | LONGO | hasina habakabaka | Mavesatra ato am-poko,
Toa entana goavana
Ny hakantonao ry longo,
Ka indro ho soratana.
Tsy angano na arira
Ny nanavotanany ahy,
Ny namehezany ny ratrako
Tamin'ny loza, tsy nahy.
Fa na akaiky na lavitra
Na hitety vazan-tany,
Na iny habakabaky ny lanitra;
Tsy hahita toanao izany.
Mirary endrika mirana
Fo fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/voninkazo-dia | VONINKAZO DIA | Riantsoa | Misy ny fitia
vao mianatra mamony
dia voninkazo dia
no nofidian'ny fony;
fa mantsy tafahoatry
ny fetran'ny tontolony
'lay sary kanto loatry
ny endrika natolony.
Nandalo dia niserana
ilay endrika narentiny,
kanefa fanaperana
ny fifaliana nentiny.
Fikopaky ny raviny,
mambabo ny tontolo,
kanefa ny hoaviny
m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dano/nafoiko...ny-fitiavako-anao | nafoiko...ny fitiavako anao | dano | Nafoiko tahaka ny maty
Ny fitiavako anao,
Nafoiko tsy nasiko vali-faty
Fa hitadiavako vaovao.
Ampy ho ahy angamba izay
Ilay fijaliana noho ianao,
Aleo aho hitraka indray
Ka hitadiavako vaovao.
Raha mbola misy koa ny hiteny
Handresy lahatra indray,
Efa betsaka ny fery
Ka aleho itsahatra amin'izay.
Mafy tena ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fafah2007/handrasako-foana | Handrasako foana | fafah2007 | Any ianao izay ry tiana,
Milofika sy mikatsaka ireo mahasoa.
Izao anefa aty irery sy mangina,
Halavitra anao tsy manampaharoa.
Tsy vitako intsony, izay rehetra ataoko,
Fa toa ilay endrikao no mibahana ato antsaiko.
Lay endrikao feno hafaliana,
Lay vatanao feno hamamiana.
Atao ahoana fa tsy maintsy mianatra,
An... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dano/tano-mafy | Tano mafy | dano | Henoy tsara
Aky ry malala
Fa misy fiafara
Ity foko adaladala
Tano mafy
Ilay fitia izay nafafy
Fa raha io no lany vatsy
De ho tena ratsy
tandremo koa
Fa nametrahako fo
Ka raha io re no lo
De ianao no ho voa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/rivo-pitiavana | RIVO-PITIAVANA | ANJARIVO Ronsard | Ny aina dia avy amin'ny rivo-miely nomenjanahary.
Ny rivo-pitiavako kosa dia teny mamonjy ny ankany.
Ny ankanin'ny foko dia ianao irery ihany ry tiako eto an-tany;
Ka indro ireo voron-tsy manam-podiana raiso mba ho any!!
Ny fo nefa roy tsy nohariana hitovy; tsy azo terena!
Kolokoloina toa endrik'atod'izy; ndrao di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dano/vatobe-ny-fiainana | Vatobe ny fiainana | dano | Vatobe ny fiainana
Tendrombohitra avo,
Ka aza hitarainana
Fa vakio mba ho lavo
Mandoro ka mahamay
Lelan'afo be tsy izy!!!
Izany re ralahy..
Ka aza mora kivy
Rivotra mahery vaika
Tadio be mifofofofo,
Ka aza dia sadaika
Fa miarena mba milofo.
Orabe mivatravatra,
Tafiotra be miraradraraka.
Ka aza mety ho mah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/seraseralina-fahatelo | Seraser'Alina Fahatelo | raozigasy | Seraser'Alina fahatelo
tongava tongava ry olombelo
hifaly isika sy hikorana
koa aza misy mitamatama
Seraser'Alina fahatelo
tandremo tsy tonga fa halahelo
hihira isika hikaraoke
hisotro sy hihinana composé
Seraser'Alina fahatelo
Dj Sim Jay eo hamelombelon'
ilay ambiance Serasera
koa tongava maro aza mitavera |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/miantso-tody | MIANTSO TODY | ANJARIVO Ronsard | Ireo ratrako anefa tsarovy
Fa tady tsy avelan'ny tody
Io manaraka anao ao aoriana
Ka veloma masina ry tiana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/takariva-volafotsy | TAKARIVA VOLAFOTSY | ANJARIVO Ronsard | Takariva volafotsy,
Kintana mifampitosy;
Tanterak'ilay nofy...
Fo mazava tafaray,
Tanana roa mifandray;
Mifankatia mandrakizay...
Volana somambisamby,
Feon'akitra koa manamby;
Eo ianao manambitamby...
Ilay Nahary ao ambony,
Manadio sy mampitony
Rivo-piainana mangoly...
Takariva feno sento!
Takariva tsy mba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/ny-valiny | NY VALINY | ANJARIVO Ronsard | Resim-pitia ka nitory fitiavana
Naazo TSIA,naazo FANDAVANA
Ory aok'izany
Latsa-tomany!
Babom-pitia ka nitory fitiavana
Naazo ENY naazo FANOAVANA
Faly aok'izany
Latsa-tomany!
Lavom-pitia ka nitory fitiavana
Naazo ANDRASO naazo FINIAVANA
Miandry aok'izany
Anahoana ihany??
Ny TSIA fandavana
Ny Eny fanoavana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/rija-sy-liva | RIJA SY LIVA | ANJARIVO Ronsard | Mirijarija toa hazon'oliva
Rija sy Liva
Ajorom-pitia...
Mifototra tsara an-tanan'ny Ray,
Mivahatra mafy ny fo tafaray
Tafara-dia...
Omby tsarety vesarana mafy
Tsy taitra, tsy maika, vonon-kiafy
Iray Zioga mantsy...
Na lala-mideza, na lalana iva;
Mifanome tanana Rija sy Liva
Samy mahatanty...
Na andro ririni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iony/tiako-ny-fofonao | TIAKO NY FOFONAO | Iony | TIAKO NY FOFONAO
Zavatra hafahafa no reko indray miserana
Mampidoboka ny foko, mampisinda ny toloko
Fa ny fofonao no mameno ilay toerana
Ngezangeza, malaladalaka, tsotra tsy miravaka
Toerana hafakely, mangingina, manirery
Mafana, malemilemy, maha te hijery
Satria ny fofonao, nielina, tamana
Namerina indray ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/resy | RESY | MiséVonjy | Tsy hoe resy akory rehefa mangina ka tsy miteny
fa mety ho mafy ny lala-nodiavina ka mbola sina
fa hisy ny andro mety ho ora hialan’izy ireny
dia ho tsiky sy hehy no ho heno handresy mangina.
Marina ekeko fa mafy ny ady tsy zakan’ny fo
nanaloka mihintsy izay mba anjara nitsilopy tety
kanefa na izany aza ny fery s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/tsiahy-miritsoka | TSIAHY MIRITSOKA | HASINIONY | Taninin’ny tsiahy sy dindon’ny lasa ka misento lalina
Fa ao no mifaka ny anio sy ny hoavy ka saro-bonoina
Ilay hiran’ny faharesena fahiny nafehin-dRamalina
Voabitsika foana, tsaroana mazana tsy mety soloina
Satry ho anganon’i Koto sy Kala ‘reo sisa tavela
Kinanjo mambomba ny misy efa tola nandoro ny lamba
Mikolo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/aterineto | ATERIN'ETO | ANJARIVO Ronsard | Aza sodokin'ny ATERIN'ETO;
Maro no loza afitsony eto...
Dradradradrain'izy ho mahasoa;
Papango mipaokan'ny zanak'akoho!
Ireo nentin-dRazana:indrisy tsy hita!
Ny maha Gasy antsika: madiva ho ritra!
Ny ATERIN'ETO no indro manjaka,
Gasikara zanahin'ny riban'ny hafa...
Ny endriny ivelany : tsy misy tomika.
Ny rehe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/feno-ny-hatretrehako | Feno ny hatretrehako | raozigasy | Raha toa aho ka hindrankindrana,
ilay zavam-bolana somamby,
hitatitati-bolana any
Dia inoako marimarina,
fa ny tongilan-tsofinao,
mety ho rangaranga ihany
Raha toa aho ka hindrankindrana,
ireny taratara-kintana,
hampita ireo parasa-teny
Dia antenaiko mihitsy ianao,
fa hanangonangon-tsombiny,
sy hanakambana i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/mianatra-mitia | Mianatra mitia | harylovah | Tsy resaky ny fo, na vitan'ny hoe babo;
Tsy 'zany fotsiny ihany ny resaka fitia
Fa toy ny Kapiteny miondrana eny an-tsambo
'Zay miatrika ny anio dia mitsinjo koa ny dia
Taitra ianao androany, sinariky ny masony;
Babon'ny fibikany, niaritra ny andrasony...
Toa midika izany fa tena tia ianao,
Kanefa hatrany hatran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/22-novambra | 22 NOVAMBRA | MiséVonjy | Ho inona moa no azako atao fa dia tsiahy fotsiny
r’ilay tokan’ny fo izay efa natao ho namako iny
no ho setrin’ny andro tamberina androany izay nahaterahana
fa na ny nahandro dia torak’izany tsy maintsy noferana
Tsy miafina indro ny ato an-trano hainao tsara
fa mbola hafa-mamindro tsy hoe angano ka atao ho tantara
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/elanelan-tany | ELANELAN-TANY | Fredy Jaofera | ELANELAN-TANY
Tsy ny elanelan-tany
no hampihena ny fitiavako,
na misy tsy hita lany
ny sentosento re, rahavako.
Tsy ny elanelan-tany
no hanome fanadinoana,
na misy ireo tomany
indraindray fa tsy tsaroana.
Tsy ny elanelan-tany
no hampiova ny safidiko,
na lavitra aok'izany,
'lay ambara ho sarobidiko.
Tsy ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/tsy-mety | TSY METY | MiséVonjy | Tsy mety ny fo fa mbola mahatsiaro
ny tsikin’ny omaly tsy hay hadinoina
k’injao fa misento, mampifangaro
embon’ny tia tsy maty vonoina.
Ny fidobony injao, miakatra an-tenda
sy mievotra anaty, toa mikalo
hiran’ny manina, izay manakenda
ny fiainako resy, mifona mivalo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tiako-ianao-fa- | Tiako ianao fa …. | raozigasy | Natsikinao indray, ilay masoandrom-poko,
Efa lasa nihilana
Nohazavainao indray, ilay tsatsotsatson-doko,
Efa tsy nangirana
Narehitrao indray, ilay fitia tanatiko,
Efa tsy nety lonaka
Najoalanao indray, ilay afo matimatiko,
Vain’afo tsy nidonaka
Novelominao indray ilay redam-pitiavana,
Efa vasobasoka
Notairina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozymanga-/ny-fitia- | NY FITIA | raozymanga | Hoy i neny mangina sombinaiko
Mangina sy mitonia ry silaky ny aiko
Fantatro fa sarotra tokoa izany hoe tia
Fantatro fa zava-baovao aminao ny fitia
Kanefa tsarovy sombinaiko
Fa raha toa ho anao dia ho afoiko htaramin’ny aiko
Nefa indrisy ry malala zava-tsarotra ny mitia
Mbola ho lava sy ho sarotra ny dia
Efa nol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/variana | Variana | raozigasy | Variana ianao mitady
ilay vola hiadanana
Variana ianao miady
Hitomboan’izay ananana
Dia adinonao ny miaina
Sondriana ianao miasa,
Hanompo izato vola
Sondriana ianao ka lasa
Ny lohanao koa sola
Dia adinonao ny miaina
Revo ianao miketrika
Mampiasa atidoha
Revo tretritretrika
Hikatsaka ilay soa
Dia adinao ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjarivo-ronsard/ny-toetrinny-fitiavako-anao | NY TOETRIN'NY FITIAVAKO ANAO | ANJARIVO Ronsard | Nitia sa Mitia sa Hitia?
Izy telo no atambatro ho anao ry Tiana;
Inty: TIA ANAO AHO ...
Ny lasako rehetra angoniko ho anao,
Ny ankehitriniko; efa ianao;
Ny ho aviko indray raha sitraky ny Avo:
Ianao no masoandron'ny foko isan'andro...
Ny tia??
Tsy fitaovana entin'animbazimbanan'ny hasin'ny tiana.
Ny tia??
Tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iony/eny-ianao-ihany | Eny, ianao ihany | Iony | Eny, ianao ihany
Na ho jaly na ho tomany
Dia anilanao hatrany
Ka na mangidy na mafaitra
Na sehon-javatra manaitra
Eny, ianao ihany
Na ho finaritra na ho rofy
Antenaiko tsy ho nofy
Ireo fotoana niarahana
Tao anaty fahasambarana
Hitsiky hatrany na tsy tanty
Eny, ianao ihany no ato anaty!
Halaviriko ny hakivia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/fosa-olana | Fosa Olana | DotMG | Indray andro hono dia nisy efa-bavy
niresaka momba ny fanambadiany
Dia samy nifosa an’ireo vadiny avy
nifampitantara ny fomban’ny tiany.
Dia resaka izao, tsy nisy arofanina
na tsiambaratelo fa indro: nisosa
Ny mihaino azy indray no toa mahavalalanina
Fa lalina ireto bajô raha hifosa
Ny ahy hoy ny iray, miaramil... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/asidiko- | Asidiko | raozigasy | Asidiko an’eritra hiantefa any aminao ilay oroko mangina
Dia teny feno tamby, no hafatra lazainy, ampiany fitsikiana
Alefako an’habaka, hitondra vangivangy, ilay feo manafosafo
Dia lefalefa-bitsika, no mpisolo vava, ilay fitia mitafotafo
Ampitaiko an’nofy, handrary ny andronao, ilay kalo adaladala
R’ilay tsy fanta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/fito-lavitrisa | FITO LAVITRISA | harylovah | Natao ny an-kanisa
Ka fito lavitrisa
Ny mponina eto an-tany...
Mahavariana ihany!
Fa zava-misy eto
'Zay mbola mampisento
Sy mihamahazo laka
Ny fahantrana lalina izay mbola mihamanjaka...
Ny zo tsy itoviana,
Ny ady ifamaliana,
Ny mpanana mihamanana...
Fa eny ho eny kosa ireo misedra ny hanohanana.
Dia vaka i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/mba-krismasy | MBA KRISMASY | MiséVonjy | Ataoko ahoana moa, raha mbola velon’aina, no tsy hahatsiaro
fa na nangidy tao am-po, na namelona taraina, tsy maintsy nafangaro
ny endriko sariaka, tojo fitahiana, taram-pahazavana
sy izy ilay niketrona, ketram-pahoriana, tsy azoko nofafana.
Tonon-taona toy izao, toa rivom-pifaliana, no nandrakotra ny tany
fa tena... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hisy | Hisy | raozigasy | Hisy sarinao
hataoko tsara jery
Ka hampiteny irery
Hisy tsikinao
Tiako ahoso-doko
Ka hanaitra ny foko
Hisy feonao
Hameno ny alim-potsiko
Sady arotsirotsiko
Hisy masonao
Banjiniko maharitra
Tsy tantiko sy tsy aritra
Hisy bikanao
Hoforonin-tsaina
Tsy hay hoe tantaraina
Hisy hanitrao
Hanento manadala
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanazary/ry-taniko | RY TANIKO | MPANAZARY | Mahantra ianao ry fireneko
Mampahonena aok'izany
Ianao anefa no reharehako
Sy hany tokako eto an-tany
Nahalatsahan'ny tavoniko
Niandohan'ny razambeako
Ianao no hany ho tononiko
Any an-kafa izay alehako
Fa iza laotra là no sahy nambotry anao
Ry tany gasy tsara rafitra higagahan'ny tontolo
Maro ireo harenanao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/malalatiana-hasina/harena | HARENA | Malalatiana-Hasina | Tsanganany sisa omen'ny tadidy,
ny endriny kosa efa manjavozavo,
takelaka tsy ho voatombana vidy,
raha mba nokajina hoy ny foko tsy ravo.
Sahirana ihany ny saiko satria
toy ny hosodoko malaza fahiny,
harena no andraisan'ny foko nitia
ilay sary vasoka ankehitriny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ny-fireneko | Ny fireneko | AMN (Arialy) | Ny fireneko anie ka lavo
tsy mba mena, lasa mavo
ny olona izay ao, indrisy
izay hohaniny tsy misy
mitady mafy ny sahaza
toy ny mitazana mazava
Ny fireneko anie mahantra
tsy misy ny mba antra
ny olona lavo, nigorisa
ka miandrandra mana sisa
mijaly mitaraina, noana
ny ao ankibo moa dia foana
Ny fireneko anie... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rockftiavana/ho-ani-neny-tantara-marina | Ho an'i Neny | Rockftiavana | Neny!
Fony kely aho ry Neny, nampianarinao niteny,
Nisasaranao irery, tsy nahatsapanao tsy nisy
Misaotra anao tam'reny, ankehitriny nefa indrisy,
Raha nandao ny tany anefa ianao,
nohon'ny etraketrakin'ny sasany,
Namela tsiahy sy ngidy mafy,
eny hatramin'ny zafiafy,
Reny soa rehetra ir'eny,
hotsaroana ombienio... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/lonilony | Lonilony | AMN (Arialy) | Ny olon-tia ambadika sy tia fosafosa
dia olona tsy soa sy olona kanosa
nahoana tsy ambara ahy ny tsy mazava
naleonao miafina, tsy mifanatri-tava
tsy tsara ny miafina sy ny toetran-jaza
fa aleo ny disadisa havoaka mba hisava
manjary lasa ady, tsy ho vita vetivety
satria ny soa filazanao, amiko tsy mety
nahoana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/izy-iny | Izy iny | Pissoa | Izy iny !
Lisy kely mahalala izany hoe mihitsan-dravina,
Voninkazo tsy afa-tsaona ;
Nefa mbola manantena f'ity ririnina diavina
Mbola hiofo ho lohantaona.
Kintan-kely te hamiratra fa sinangin'orambaratra
An-davak'haizina mihalalina ;
Nefa mbola manantena fa tsy ho lefy irony taratra
Tiany handravahana ny alina.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/ny-ao-am-poko | Ny ao am-poko | Andrin'ny Avo | Ny rako miboika miantsoantso injao
midoboka amponga ny an-tratrako ao,
mively kibay, mandondona tsy lao,
marary ny foko fa manina anao,
Ny eritreritro niery ka lasa nankany,
nitety ny onja namaky ny tany,
namonjy ilay tiako mimandry any ho any,
nizaha ny sisa zay mbola tsy lany,
fa ory ny lanitro nivarin-ko mar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iony/fitia-maramara | Fitia maramara | Iony | Fitia maramara
Raketiko ho tantara
Ilay fiainako tomany
‘Zay nekeko ho anjara
Farangidiny eto an-tany
Raketiko an-tsoratra
Fa tsy tantiko babena
‘Ty foko mampangoraka
Toa tena mampahonena
Anjara , tsy safidy
Ny fitia ranomaso
Tsy ny foko no mandidy
Ka hifidy ny ankaso
Eny, zakaiko mangina
Fa dia mafy tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/malalatiana-hasina/izin-dry | IZIN-DRY | Malalatiana-Hasina | Izin-dry lalovy
raha mikasa hiakatra,
lalan-dry ihany iny
fa mialoha izany
itsero sy alahelovy
ilay Vohi-mahatakatra
ny tsikiko fahiny,
tsy mbola ho tongako any,
raha ny rotoroton'
ny taona no jerena
ho ela aho vao hitsidika,
tandremo fa manoto
ny tsiaro ka ny mena
tsy tsara asomidika ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/malalatiana-hasina/isaorako-ianao | ISAORAKO IANAO | Malalatiana-Hasina | Isaorako Ianao Andriamanitra mahery,
nivimbina ny fiainako, tsy sasatra nijery,
na sarotra na mora ny lala-novakina
ny sandrinao tsy niala dia efa fitahiana.
Ny hehy, ny tomany mpandravaka ny andro,
ny alahelon'orana, ny tsikin'ny masoandro
nifandimby no nikolo ilay finoako,
tsimoka marefo nitombo tao am-poko.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/matoky-anao-aho-ry-jesoa | MATOKY ANAO AHO RY JESOA! | ANDRINIAINA1 | Matoky anao aho ry Jesoa!
Matoky anao aho ry Jesoa;
Tompo mpanome ny soa.
Satria ianao no nilaza:
"Fa hanome anay zay sahaza!"
Matoky anao aho ry Jesoa;
Tompo tsy manam-paharoa.
Satria ianao no niteny:
"Fa tsy hamela anay ho irery!"
Matoky anao aho ry Jesoa;
Tompo mahery tsy toha.
Satria ianao no nanambara:
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/malalatiana-hasina/saotra-tsy-ho-fanaperana | SAOTRA TSY HO FANAPERANA | Malalatiana-Hasina | Saotra tsy ho fanaperana
no mipololoatra Raiko,
tsy anambazana, tsy amerana
ny hasambarako ary haiko
fa horaisinao tokoa.
Ny fitahianao mikoriana
lalandava, tiana, telina
sy ny hakanton'ny fisiana
diso tsapa fa mihelina
mahatretrika ny fo.
Manandran-tsitraka aminao
amin'ny ora toy izao
ny fo, fanahy sy sain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/iny-alina-iny | Iny alina iny. | DotMG | Misy mantsy irony alina
Ahatsapana fahasambarana
Ao anaty nofy lalina,
Ka toa satry tsy hifarana.
Misy koa ny fahamaizinana
Satrinao mihitsy haharitra
F'ao anaty fahanginana no
iainan-java-mahafinaritra.
Satrinao ny akoho tsy haneno
Hanambara ny maraina,
Fa ny fonao mbola feno
Rotsirotsy tsy hay lazaina.
Ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/raha-hoavy-ianao | Raha hoavy ianao | AMN (Arialy) | Raha hoavy ihany ianao, raha toa ka sitrakao
dia ivimbino ilay fitia izay tsy mamofona talaho
fa lavitry ny soa aty, miady aina isan'andro
mila hitapy tsotra izao, tsy misy atokona atoandro
Raha hoavy hoy aho ianao, ento koa ilay diary
fa any be tsiaro fahazaza, ao koa ireo sary
eo isika no hihomehy, hanadino rim... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/malalatiana-hasina/zaza-malagasy | ZAZA MALAGASY | Malalatiana-Hasina | Ireto zaza ireto tokoa
mangasihasy
fa zaza malagasy
tsy mba hajaina zo,
ny reniny sy rainy
toy ny tsy niteraka,
matory rehefa reraka,
samy miahy ny ainy,
dia ny fisiana ihany
no mamolavola
zaza adalam-bola
tsy mahita afa-tsy androany
fa ny firenena ahoana,
mba miantra sy miady
sa samy izao mitady
fa ny h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ghest1986/ampianaro-ahy | AMPIANARO AHY | ghest1986 | Misaotra Ray,misaotra Anao
Fa naposakao indray
Hoahy ilay masoandro
Dia maraina vaovao,Toa ilay omaly
Feno ny fitiavanao,
Feno ny fahasoavanao ry Ray
Ka tonombavaka iray Izay fanaoko
No indro fa asandratro aminao indray
Mba hampihorina kokoa ilay finoako
Ka raisonao ry Ray
Raiso fa tononiko amin’ny fo
Ampian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/massnatany/ny-omaly-ireny | Ny Omaly Ireny... | Massnatany | Ataoko ahoana re ny handao ireo lasantsika ireo
'Reo fotoana feno finaritra tsy nisy ratsy teo
Raha nanantena ho rahatrizay doria
Doria efa lasana ity...
Handao tsy satry mitomany ny omaly ireny
Ny izorana eo toa tsy tazako
Aiza no hitondrany antsika
Ny nisy teo no hany fantatro
Toa zary nangatsiaka ...
R... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/tsy-handry | Tsy handry | AMN (Arialy) | Nikorontana ny foko, naheno ilay vaovao
fa niova fo, nanao fiainana ianao
nakipiko ny masoko, nikoriana ranomaso
toy ny mahita irony loza, eny tojo ny ankaso
Nikiaka, niantso mafy ny anaranao
saika hanao hadalana, irony tsy fanao
fa ny sento tokana iny, mavesatra sy mafy
tonga saina tampoka, aoka soa no hafafy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ghest1986/tsy-ataoko-fantatrao | TSY ATAOKO FANTATRAO | ghest1986 | Tsy ataoko fantatrao
Izay mety ho tantarako
sy izay rehetra lasako
Fa tsiky foana hatrany,
no asaroko an’ izany,
rehefa iny aho mahatsiaro
ny omaliko nandratra
tsy navelako nihoatra
ity foko efa rotika sy feno tako-pery
ny ketokin’ny jaly navelany omaly
fa nataoko ho ahy irery
miafina aminao izany rehetra iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/malalatiana-hasina/manintona-fanahy | MANINTONA FANAHY | Malalatiana-Hasina | Indroa no nahitako
masoandro mavo fotsy
ivom-paribolan-drahona,
voatemitra, voafaritra
loko kanton'avana,
ary ireny anarana
efa nolalovako,
efa nolalaoviko,
miverina indray amiko
miaraka amin'ny sary
soritan'ny Mpahary
amin'ny lanitra lolohavina
amin'izao minitra izao.
Iza sy iza izao
no afaka mibanjina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/itiavako-anao | ITIAVAKO ANAO! | ANDRINIAINA1 | ITIAVAKO ANAO!
Itiavako anao ny zavatra rehetra;
Itiavako anao tsy misy fetra.
Ka na ho hafaliana na fijaliana:
Dia ianao foana no tiana.
Itiavako anao ny toetranao tsara;
Mahay mandray, tsy mankahala.
Mahay mananatra sy manoro ny soa.
Mahay mandefitra ihany koa.
Itiavako anao ny endrikao tsy manan-tsahala;
T... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/fantatro-fa | FANTATRO FA! | ANDRINIAINA1 | Fantatro fa!
Tsy hoe "tsara" ianao dia "tiako"!
Fa "tiako" ianao dia "tsara"!
Ka raha ny faniriako
Dia ianao no mba ho anjara!
Saingy faniriana ihany ny ahy;
Fa Izy Ray no mpandahatra.
Ary fantatro fa na izaho no tena ho sahy!
Dia ianao koa angamba mety hihahotra
satria mety hoe "matahotra"!
Ekeko fa betsaka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/saotra-bobaka | Saotra bobaka | raozigasy | Dia mampita saotra bobaka,
Dia biz’oroka no atobaka
Ho an’ny namana sy akama
Ny havan-davitra tanàna
Falifaly feno bitaka
Misomebika voritaka
Fa safonono-pirariana
Salanilani-pifaliana
Sitra-tsy hita tanisaina
Telina tsy hay lazaina
No omena sy aparasaka
Fo mamboraka ny masaka
Saotra mamy sesilany
no apari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jaers/famonjena | FAMONJENA | Rija Ralijaona | FAMONJENA
Raha mahatsiaro ho irery ianao
Raha solafaka andao mitsangana,mandehana
Raha mangetaheta ianao
Misy loharanon'aina vao,ho anao
Fa ilay zanaky ny Ray mbola ho avy ho anao
Ilay namoy ny ainy ho an'izao tontolo izao
ho famonjena ho anao...
Fa izy irey ihany,no afaka amaha
Ireo zioga sy ireo antra ao ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/fihovam-pisainana | Fihovam-pisainana | AMN (Arialy) | tondro-molotra no ahiako, iny rehefa osa aho
ho kotsan'ireo fosafosa toy ny orana mitraho
aza misy anie izany, fa dia tsoriko hazava
tsy ho tantiko mihitsy toy ny rora atsipy an-tava
ireo olona milaza fa hoe tia sy miahy
rehefa tonga ilay loza dia miafina tsy sahy
fa mitazana eny lavitra, io ianao miady irery
mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/fitia-adaladala | FITIA ADALADALA! | ANDRINIAINA1 | FITIA ADALADALA!
Fitia adaladala;
Tsy mba maro mpahalala:
Ny fitiavako anao ry malala,
Ka sarotra fafana.
Fitia adaladala;
Tsy mba hay norarana:
Ny fitiavako anao ry malala,
Ka sarotra ialana.
Fitia adaladala;
Tsy mba mahay mankahala:
Ny fitiavako anao ry malala,
Ka tsy misy fiafarana.
Fitia adaladala;
Ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rojosalohy/hiezaka-hanadino-anao | HIEZAKA HANADINO ANAO | ROJOSALOHY | HIEZAKA HANADINO ANAO
Hiezaka hanadino anao aho,
Hiezaka hamafa ilay fitia nosoritako teny aminao
Hiezaka aho, ny hamono ny anaranao ato m-poko
Hiezaka ny hanapaka izay mety ho fomba hifaneraserantsika
Hanadino izay mety ho nofinofiko eo anilanao;
Satria,
Fantatro ny migoka izany ngidin'ny fitia voarara
Tsapako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/dokam-barotra | DOKAM-BAROTRA | harylovah | Raha zavatra mandalo miserana rehetra
No entina am-pandriana, tsy ahitana tory
Ho reraka eo ianao satria tsy manam-petra
Ny endrika manaitra tsy ho azonao akory
Dokafana matetika hanaitra faniriana
Asesiny jerena mba ho tadidy tsara
Lazainy fa tsy lafo fa takatrao vidiana
Ny trosa vokatr'io?..Anao tsy an-kizara
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kalaneny/mama | Mama | Kalaneny | Mama tiako sy lalaiko
Na tsy eo intsony aza ianao
Dia injao henoko manako
Ato am-poko ny teninao
Mitsingerina rampitso
Ny fotoana nahaterahanao
Dia androany dia efa ditso-
Pahatsiarovana anao
Raha mba teto mantsy i mama!!!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/ry-lohataona- | Ry Lohataona ! | Pissoa | Veloma hono hoe r'indray lohataona
Niravoravoan'ilay fo mbola bodo ;
Fa anaty ririnina izao no misaona
Ilay raozy tanora, ka toro sy hoto.
Ilay lolo nataony ho sakaiza hono hoe
Mba nanome toky ny fony hifangia ;
Hay landinkala no hany kofehy
Nekeny handrandranana itony fitia.
Tsy sarotra akory hono hoe no namoi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/zah-tsy-tia-intsony | IZAHO TSY TIA INTSONY! | ANDRINIAINA1 | IZAHO TSY TIA TSONY!
"Izaho tsy tia intsony!"
F'aza mba mifanorisory:
Teo aho tsy noraharahina,
Ka ankehitriny ndray vao hoe tiana.
"Izaho tsy tia intsony!"
Fa efa nionona sy tony:
Niteny aho tsy nohenoina,
Ka izao indray ka hoe tsy foina.
"Izaho tsy tia intsony!"
F'aza asina lonilony:
Niangavy sy nitalaho a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-tia | TSY TIA | Fredy Jaofera | TSY TIA
Tsy tia
ka manaratsy
'tony dia
fa feno vatsy.
Tsy tia
ka manakiana
satria
be fitahiana !
Tsy tia
ka manamavo,
minia
izay hahalavo.
Tsy tia
ka manambany,
mangia
eso eto hatrany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/adino | Adino | AMN (Arialy) | tsingerin-taonako anio, tsy nisy izay hoe fety
sakafo tsotra no naroso sy nanaovana ny mety
efa tao an-doha kosa hoe ianao ilay handalo
niandry ny maraina atramin'ny alina amin'ny valo
niandry teo foana fa hoe ianao hoavy ihany
torimaso moa hadino fa ny saina efa any
fa nijery varavarana tsy nitsahatra mihitsy
m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/fanevanny-fitiavana | Fanevan'ny fitiavana | Pissoa | (Nanandrana nandika ny Hymne a l'amour amin'ny teny Malagasy)
Raha indray hirodana aza iry lanitra eny ambony
Ka hikoa izato tany izay hiorenan'ny fisiako !
N'inona n'inona hitranga, mbola ho haiko ny mitony
Raha mbola atokanao ho ahy ny fitiavanao ry tiako.
Raha mbola ny fitiavanao no mamonto ny marainako
Ka eo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/veloma | VELOMA | ZOZORO | VELOMA
Veloma ry nandao, ry nandaha tsy hiara-dia,
ny kapoaka izay nomena dia ho gohiko satria
efa zava-tsitrakao, ka na mangidy io na mamy,
dia ho ateliko daholo, ho taperiko hatrany.
Irony androtsika lasa toa indray miverina ao an-tsaiko,
sarisary mahasondrina ireo toerana lalaiko
niarahana fahiny... toy ny he... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/saraka | Saraka | AMN (Arialy) | Efa izany tato ho ato, ady lava, teny foana
odiako tsy henoina, mangina aho toa moana
tsy aritro indraindray ka iny te hamaly mafy
itsy zaza toa mijery, ka naleoko indray mihafy
tsy misy inona akory dia tebaka no heno
raha toa azo raofina dia efa kitapo be no feno
fa tsy mitsahatra miteny efa mankaleo anie
noho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rojosalohy/faniriako | FANIRIAKO | ROJOSALOHY | FANIRIAKO
Tsy ny ho sambatra eo anilanao no iriko
Fa ny ho tia anao;
Ny higoka ny hamamin'ny fitiavantsika
Eny, maninona moa na ny tangenan'ny fitiavanao ihany koa aza!
Satria tia anao aho!
Tia anao amin'ny fitiavana mahery setra;
Tia anao noho ilay fitia nitsiry mangina teo amintsika;
Ka irony adiady, sangisan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jaers/edena | EDENA | Rija Ralijaona | EDENA
Tsisy intsony paradisa an-tany
Potika sy rava maina hatrany
Ampidiro aho fa...
Loza isan'andro lava izao
Ny eran-tany toa mitalao
Amboary dieny izao mba...
Ho edena vaovao
Ho ahy sy ho anao
Izao tontolo izao
Ka mba zarao...
Efa ela ihany anie izany
Ny olo-marina mijoro hatrany
Mba tantano aho fa...
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/nandalo | NANDALO | KIRIAH | Tao anaty tononkira
sendra henoko anikeo
nisy tsiaro nitanila
nisy angola te hiseho
nampatsiahy irony lasa
sombin ' ako toa avelo
tononkira hafahafa
manempotra , mamenofeno
Sary maro nifanosy
tantara tsy hefa tanisaina
toy ny feon-dakolosy
mibosesika ao an-tsaina
mitanisa ny endrikao
sy reo zavatra fahiny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/indram-peo- | INDRAM-PEO | raozigasy | Ilay teny Malagasy, izay nampianarina ahy,
Ilay teny tsara indrindra, tsy menatra mitaha
No hitantarako anao, ny fiainan’ny fitia
Ka ireo feo Malagasy, kanto no hindramiko
Hizarako aminao, ireo soratsora-mamiko
Koa dia asaina ianao, andeha hiara-dia
Dia hitambarantsika, ireo vetsovetsom-po
Hambarako aminao, ireo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voloina/ny-endrikao- | Ny endrikao | VOLOINA | Raha vao miandoha ny andro,
Mihiratra masoandro,
Ny endrikao no hitako;
Mitsiky lalandava,
Toa vony tsy ho rava,
Manaingo ny marainako.
Ny mitatao vovonana,
Masoandro eo an-tokonana,
Ny endrikao no hitako;
Mandrisika ahy hiampita,
Hanohy izay efa vita,
Ho vato hiranitako.
Maizimbava ny vilany,
Masoandro di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/fitiavana-io | FITIAVANA IO | MiséVonjy | fitiavan'io indraindray lakalaka,
fangalam-pery toy ny voalavo sy ny saka
ny fitiavana tolorana amin'ny fo madio
no mankarary sy mampirotsaka lio.
fa raha voarara mantsy izy,
sarobidy tena lafo, tsy takatra devizy
maningotra ny aina, mampitomany
mahavery saina, mampiakatra vinany.
fa efa misy any ho any
miandr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/misy-any-ho-any | Misy any ho any | raozigasy | misy any ho any, fitiavana voarara
misy any ho any, fitia te ho tantara
misy any ho any, fitiavana tsy anjara
misy any ho any, fitia tsy voambara
misy any ho any, fitiavana voaratra
misy any ho any, fitia mandoaka tratra
misy any ho any, fitiavana mandrotika
misy any ho any, fitia potipotika
misy any ho any, fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/roa-taona | ROA TAONA | MiséVonjy | Roa taona no niarahana, nanambarana fitia
fa saingy izao fisarahana, no mamarana ny dia.
Nandraman-tsika daholo, ny fitia tsy nisy fetra
fa dia fo torotoro, no fitambaran’ny rehetra.
Ka na hikiry hifankatia, hifanolotra izay voady,
Isika mihintsy no minia, manakatom-bavahady.
Koa ndeha halevina ny lasa, ho rakofa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/moustoifa/ny-fitiavako | NY FITIAVAKO | MOUSTOIFA | NY FITIAVAKO
Misy hery ao anaty
Te hidradradradra mafy
Zay efa ela no tsy tanty
Na dia niezaky ny niafy
Tsy fantatro hoe avy aiza
Sa avy any an’habakabaka
Fa na mankaiza na mankaiza
Dia lay feo manako hatrany.
Mavesa-danja tsy hay resena
Ka mahatrotraka ny foko;
Miboiboika tsy hay fefena
Mivaivy; mena loko!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/ilay-hira | ILAY HIRA | MiséVonjy | Injay ilay hira, nolazaiko anao, atao fahatsiarovana
Fa na lavitra an-dakira, mbola an-tsaiko ao, ny ora nolalovana
Tsaroanao ve, saika lasa vazivazy, ireo tonony nohiraina
Eny nampihomehy, saingy zary toa lasa sazy, fa tsy afaka an-tsaina.
Ianao nibanjina, nitongilana fijery, toa manontany
Izaho nangina, ianao to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/fiononana | FIONONANA | MiséVonjy | Fa mafy ny mamoy, anaty fahasambarana
ilay notiavina am-po, nantenaina ho namana
ka na ireo teny tiana, am-bava nifanolorana
zara latsa fahoriana, fangady hamongorana
roa taona no nitiavana, safononoka ny fo
saindy indrisy fa ny làlana, nisaraka ho roa
mitanisa ny fotoana, izay mba namiratan'ilay fitia
indro tan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/fisainana | FISAINANA | ZOZORO | Ho inonao ny setrasetra sy ny lango fandemena
Ry fitiavana ao anaty izay mitafy fahendrena...
Aza miantso tody akory na anozona ny anjarany
Fa hany Hery sy Fitàna dia Fisainana no farany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanazary/tsiahy | TSIAHY | MPANAZARY | Indray hariva izay efa mena vodilanitra
Nisy fahatsiarovana iray tonga tato an-tsaiko
Toa niserana nandalo, iza laotra fa tsy haiko
Tovovavy anakiray manana endrika maranitra
Toa ohatran’olona efa hitako, taiza anefa moa?
Iza laotra ary ianao?toa manadala ny ambiroa
Nisaina kely, namerimberina ireo lasako taloha
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanazary/ianao | IANAO | MPANAZARY | Ianao ilay nantenaina hiankinana raha soara
Kanefa dia indrisy fa ianao kay namarara
Ianao ilay noheveriko hanasitrana ny fery
Hay ka dokotera adala,ny saina aza efa very
Ianao ilay hoe olon-kendry sy manan-tsaina
Kanefa dia nisitrika tsy hita ho antenaina
Tsy ianao ve ilay mpaminany gasy?
Tsisy nino fa mpamitak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanazary/ry-fahantrako | RY FAHANTRAKO | MPANAZARY | Ry fahantrako fa nahoana laotra là
No fikirinao mafy,tsy afa-mihetsika ity zà
Fatoranao, tsy havelanao hikofoka
Gejainao marary,ka vizana sy tofoka
Tsy izaho irery ihany anefa
No fehezinao tsy hilefa
Fa maro ka tsy tambo isaina
Ireo mijaly sy mitaraina
Manjaka ianao satria mahery
Very hevitra ireo manirery
Ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanazary/ianao-nandalo | IANAO NANDALO | MPANAZARY | Dia indro ianao nandalo
Tsy nivily akory
Kanefa aho nanantena
Handray ny tananao
Nimaona ianao nimalo
Tsy fantatrao aho hoe ory
Sady mahonena
Tsy mba tao an-tsainao
Ho aiza anefa izato dia
Toa mihaotra famindra
Toa kaodikaody jery
Toa olon-dratsy sanatria
Sa kosa hilefa, hifindra a?
Kanefa ve dia ianao ire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanazary/ny-hadalanao-ihany | NY HADALANAO IHANY | MPANAZARY | Lay tanana teo fahiny
Lasa aiza ankehitriny?
Ketraka aho,torovoka
Ilay farihy nanganohano
Aiza?efa ritra tsisy rano
Efa tototry ny vovoka
Dia izao ve sisa no niafaranao ry tany mamiko
Iza laotra no nahavita izao ka mijoro ho fahavaloko
Lozanao izay nanimba tsy nihevitra ny ho avy
Fa ny hetraketrakao no nahaton... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/avy-ao | AVY AO | Fredy Jaofera | AVY AO
Avy ao amin'ny maizina,
nisy mazava
naneho ahy fa ho laizina
ny hampisava.
Avy ao amin'ny alina,
nisy masoandro
nanafatra ahy lalina
fa avy ny andro.
Avy ao amin'ny tsetra,
nisy hafaliana,
nataoko tsy hitoetra,
na dia nirina.
Avy ao amin'ny foana,
nisy soa maro,
tsy fantatro ahoana
fa afaka niaro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tranainy/ny-antsontsika-omaly | Ny antsontsika omaly | TRANAINY | Ny antsontsika omaly
Taitra tampoka aho andraoany, nahatsiaro ny antsoko omaly
Nandre anao ho tena faly,ny antsoko sa ny fianana any?
Raha ny antsoko? hatraiza nge, ny hiakiakany no ho re!!
Fo tsy matoky, tsy te-handre izay rediredy an-dalam-be
Nitia anao tanteraka aho,tamin'ny fo tsy nisy rahoraho
Mihisatra tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanazary/lakan-jahatra | LAKAN-JAHATRA | MPANAZARY | Dia gaga ianao satria lajan-jahatra hono
Tofoka aza moa fa hoe: ho entina manjono
Kanefa tsy mahatanty ny onjan-drano akory
Fa maivana ka hilentika hanjary hampahory
Fafazan'ny alon-drano mantsy ilay lakan-jahatra
Ka tsy ho tody akory amin'ny lalana voalahatra
Fa hizarazara maro eny anivon-drano lalina
Raha niai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanazary/nofy-lalina | NOFY LALINA | MPANAZARY | Indray hariva izay
Tany anaty ala tany
Nisy feo anakiray
Nanakoako aok’izany
Mitoloko,mitomany
Mikiakiaka miantsoantso
Mitaraina hoe:vonjeo
Norenesin’ireo sofiko
Nampangovitra ny vatako
Feo toa avy anaty lavaka
Misy miantsa tonom-bavaka
Nampahonena ny nadreha
Ilay feo ,mba saino ange
Sady nisy feon-jaza
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanazary/ny-jaliko | NY JALIKO | MPANAZARY | Mangidy toy ny tangena
Tsy zakan’ny olombelona
Ity fahoriana sesehena
Efa mila tsy voatelina
Misahalatsiro amin’ny vahona
Mafaitra sarotra ambara
Efa mila hampiteny ny maona
Ka atahorana hampizarazara
Mavesatra manindry toy ny vato ao ankatoka
Mangirifiry maharary toy ny dian-kapoka
Mangotsoka manaintaina toy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/anio-zaho-hiteny-5396 | Anio 'zaho hiteny | tsitola | Za nitia no toa adala ka lazainao fa kanosa
za nitia tsy nisalasala fa dia nahoana kosa
sa za nitia no tsy nihevitra ndeha haneo ny ato am-poko
ka dia nitsahinao, lefy hatramin'ny ambom-poko.
angamba za nitia no tsy niahy tsy nihevitra
tsy namela 'zany fo 'ndeha hirintona na ho tezitra
tena tia anankam-po ka dia... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.