url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ianareo-mivady
IANAREO MIVADY
Fredy Jaofera
IANAREO MIVADY Raha tsy mitovy saina ianareo mivady, na ny mamy sy lalaina, mety hampiady. Raha tsy mitovy vazo ianareo mivady, na ny efa voninkazo, iny fa handady. Raha tsy mitovy fery ianareo mivady, na mafy sy mahery, toa saro-pady ! Raha tsy mitovy kiry ianareo mivady, na trotraka impiry, resy be sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/lakan-jahatra
LAKAN-JAHATRA
ZOZORO
LAKAN-JAHATRA Dia gaga ianao satria lakan-jahatra hono Tofoka aza moa fa hoe: ho entina manjono Kanefa tsy mahatanty ny onjan-drano akory Fa maivana ka hilentika hanjary hampahory Fafazan'ny alon-drano mantsy ilay lakan-jahatra Ka tsy ho tody akory amin'ny lalana voalahatra Fa hizarazara maro eny anivon-drano la...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/mino-ianao-satria
Mino ianao satria…!
Lebota
Mino ianao satria…! Mino ianao satria nahita tanana nifato-maty Tongotr’efa voafantsika ary loha mivakivaky Voarangotry ny tsilo nanaovan’azy ho mpanjaka Novelesina kanota fa mpandravarava lapa. Mino ianao satria mahita fa voalefona ny fony Nivoaka nana, rako-pery ny atiny sy ilanivony Fa nizaka ireny rora, niso...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-ditra-fa-fitia-tsy-te-hipitra-
TSY DITRA FA FITIA TSY TE HIPITRA
raozigasy
Ny antsika hono ditra, fa fitiavana angalarina Fitia mihoa-pefy, fitia hita fa tsy marina Fitia tsy mazava fototra, sy feno zimbazimba, Fitia sadasada, mpandrava sy mpanimba Isika hono adala, fa tsy mahay manaja olona Isika hoe tsy vanona, mpamita-janak’olona Isika hono diso, fa tsy mahay mipetraka Fa milalao af...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kofaakama/zaho-mahazaka
'Zaho mahazaka
Fo
Ny mifarirotra tsy haiko fa hamafisiko ny saiko ny maso ambony ny loha mitraka 'zay miseho 'zaho mahazaka!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zokieva/andry-rajoelina
Andry RAJOELINA
zokieva
Ny kirarony mangirana Ny pataloha velon-drirana Ny volony sori-bilana ny masony misopirana ny tarehiny miramirana Izay mijery azy dia kirana kanefa ny GASY sahirana! Fanamarihana:kabary Iavoloha 26/06/11
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mifona-re
Mifona re
raozigasy
Mifona re, mba iantrao, Ary aza ilaozanao Mifona re mba mamélà Aza arianao re izaho Ekeko hoe hambo diso toerana sy ota sarotra itserana fa mba miangavy, an-tanan-droa aza dia mba mafy fo fa toky re no omeko anao tsy hanin-droa intsony izao hadisoana mahatezitra sy kitakita ratsy fihevitra fa lalan-diso ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zokieva/im-10-tsy-miboredika
im-10 tsy miboredika
zokieva
Hosahosahoan'ny sahona hofozafozain'ny foza hohotohotoin'ny toho hakivalombalon'ny amalona hofosafosain'ny fosa hobokabokain'ny boka hosorosorohin'ny sorohitra hofokafokain'ny mpifoka hotrandratrandrahan'ny trandraka hohovokovohin'ny tsikovoka! Averina im-10 tsy miato vakiana raha te halama vava
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/toy-izany-ny-andro-rehefa-tsara-
Toy izany ny andro rehefa tsara
raozigasy
Menavava feno bitaka Izay tojo azy savoritaka Zazakely faly an-kiaka Mitehatehaka sariaka Ankizy maro mikarenjy Mihazakazaka amim-benjy Tovolahy mihanjakanjaka Miseho misetra hoe matanjaka Tovovavy mielatrelatra Maka tsioka am-belabelatra Lehilahy sy ny findainy Mifantopantoka ao ny sainy Vehivavy maka tara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-foko
NY FOKO
Fredy Jaofera
NY FOKO Ny foko dia tany ambolena ny tenin'Andriamanitra hamokaran'ireo fahendrena, na hatrany an-danitra. Ny foko dia tempoly masina hihaonako amin'ny Ray rehefa irery, omena hasina ny tebiteby toa tsy hay. Ny foko dia zava-tsarobidy itoeran'ity fitiavako, manana ny tiany na safidy raha faly ny tavako. Ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanazary/gagnanantsihanaka
GAÔGNAN'ANTSIHANAKA
MPANAZARY
GAÔGNAN'ANTSIHANAKA Ilay gaôgnan'Antsihanaka lazaina mpanao ôdy No lasa mpanasitrana nahitana fanafody No nitsaboana olona, nahasitrana marary Misy aza moa no sahy milaza mihitsy Fa ny gaôgnan'Antsihanaka mamely tsy mitsitsy Na ambalavelona, fanainga lavitra sy ôdy fitia Fa ny fitiavana ve azo terena sanatria? ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanazary/io-fitiavana-io
IO FITIAVANA IO
MPANAZARY
IO FITIAVANA IO Toa mila hanempotra ahy indraindray Ilay rivotra entinao ry fitiavana mahamay Toa afo mandoro,mampangotraka ny anaty Ka raha ilaozanao dia miha mirehitra tsy taty Toa rivotra hafahafa, mitondra ankasomparana Indraindray anefa toa vahatra ifaharana Tsy hay adinoina sady sarotra levonina Vao mitsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/matahotra-ho-tia
MATAHOTRA HO TIA
harylovah
Fa izy lasana iny... Nangarika fijery Namindramindra maika Tsy nety noharabaina... Tsy miavona izy akory fa matahotra ho tia Matahotra ho antsoina hoe "tiana sy malala" K'aleony miala mora, Fa sao dia rendrika eo... Fa any anatiny any izy iny tena tia, Maniry anao ho faka hampita ranovelona ho entiny mamoa, i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ampio
AMPIO
raozigasy
Te hindrankindran’ainga, sy talentan’olona aho entiko miteny Te hindrankindran-teny, sy voambola-namana, alefa arenireny Fa toa efa an-tanan-dany, ny soratra fametrako, sy ireo tononkalo Fa natelin’ny ambiroa, ireo talentalentako, tsy misy iray mba mihalo Te hirediredy, hira ts’isy tonony, arahim-peo moana Te hik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsara-fe
TSARA FE
Fredy Jaofera
TSARA FE Tsara fe, na dia hoe tsy mahalala 'ty malala. Tsara fe k'aiza ange no tsy taitra fa dia raitra. Tsara fe ka izao re mijerijery toa mahery. Tsara fe ka maro be ny eritreritra sy hevitra !... Tsara fe ka nanome fo ravoravo raha nandavo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zokieva/mitsikia
Mitsikia
zokieva
Mitsikia,dia hitsiky aminao ny fiainana Mitsikia,dia hitsiky aminao ny namana Mitsikia,dia ho tanora lalandava Mitsikia,na ho maizina na ho mazava!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/moron-kamory
MORON-KAMORY
harylovah
Aza sangiana 'ty moron-kamory Aza irobohana mba hiampitana Ny fota-mandrevony mbola matory Ka mitahiry ny dia izay nialana Fa mora maloto izy io raha dikaina Ny rivo-mandalo manaitra azy koa Fa ankamantatra tsy azo lazaina 'Zay voatahiry ao anatin'ny fo Saro-takarina nefa dia misy Antony tsara matoa niangalian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ny-lanitra-no-manga-
Ny lanitra no manga
raozigasy
Mikorisarisa mandrandrandrandran-teny Misarisari-betso teny rehetra teny Iny peniko iny Manangonangon-tranga, havadika ho tantara Mandrimarima kalo, hatao fambarambara Iny tanako iny Manonganonga ainga, manondrotra fanahy Manandratrandratr’embona, mandrehitra tsiahy Iny saiko iny Mientanentan-doboka, mitosatos...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanazary/mahatsiarova
MAHATSIAROVA
MPANAZARY
MAHATSIAROVA Any ianao, angamba tsy mahatsiaro akory Fa ity havanao anie ka manina sy ory Lavitra olon-tiana ka mangina manirery Ka lasalasa vinany eto ambaravarakely Raha mba sendra ny masonao mijery Ka vakianao ity tononkaloko ity Iangaviako, ataovy tsianjery Fa ity no solotenako manoratra fitia Angamba iana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zokieva/-fanala-sento-
FANALA SENTO !
zokieva
FANALA SENTO ! Jesoa ô! mihodinkodina ny saiko Tena miasa tsy miato Mitambolona tsy haiko Fa tsy mandry ivohon’ ny vato. Adin- tsaina sesilany Ka mandrongatra aok’izany ! Mitady fitsaharana Fa tsy mahita hamaharana. Eh ! tena iriko fatratra, Izany hoe « ho tonga lafatra » Ny faratampom- piadanana No iriko m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zokieva/politika-gasy
politika gasy
zokieva
Mpanao politika Be fikafika mahitahita fa tsy mahavita!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/fetinao-anio
FETINAO ANIO
MiséVonjy
Vao nifoha aho ny maraina, niarina am-pandriana dia toa verivery saina, nahatsiaro anao ry tiana fa misy inona hoy aho, namerina tadidy sa mbola be ny atao, mbola maro ny adidy? Niverina aho am-pandriana, nakipiko indray ny masoko nitadidy izay nariana, na izay tokony andrasako dia indro anaty tsiahy, ny endrikao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/anjara
Anjara
AMN (Arialy)
Ianao ilay nanaiky fa ho fitia izay ho mafy nefa indrisy ankehitriny fa dia sahy mampirafy fa ny vady sy ireo zanaka no hoe efa mankalao ka naleonao nandeha, hanao fianam-baovao ilay vady efa trotraky ny taiza sy ny adidy no lazainao fa adala sy hoe kizitina izay tsy izy ny ankizy moa dia hoe tsy mba misy hakana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/maso-sendra-taitra
MASO SENDRA TAITRA
harylovah
Aza omena tsiny raha hivily lalana aho, Tsy hampaninona ahy na ho lavitra aza izany Ny saiko mantsy tsapako fa mifamahofaho Fa iny lalany iny mantsy misy anao hatrany... Matahoatra ho tia aho ka aleoko miady mafy Matahotra hanamontsana ny fahatsoranao, Toa tsinjoko mialoha ka manjary mampirafy F'ianao manjary ti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/faniriani-neny
Fanirian'i Neny
AMN (Arialy)
Tsy ary ho lazaiko anao ilay fahorian'i Neny voavaly sy voahompa raha sendra ka miteny ilay zanaka tsy foy, izay tiana mba hahitsy midrikina sy tsy manaiky, mankarary fo mihitsy Tsy azo ariana, tsy azo omena fa an'ny tena ireny tsy hay intsony ny atao, na angoty tsy ekeny fa lazainy ho mandambo izay miharo hafets...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/rahoviana-
RAHOVIANA ?
MiséVonjy
Mitapikitra, mikiry mankamamy ny eto an-tany Ra olombelona ka mikipy falifaly aok’izany Ka raha tojo sedra dia mikiaka Ray o ! ampio Fa tsy zakako ny onja, mahery mafy ny tadio. Mihevitra mihintsy fa eto an-tany paradisa Dia milanona tokoa, tsy mitsinjo ny ampitso Tojo olana nefa indro, Ray ho aiza Ianao Nahoana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/fahalemena-ve
FAHALEMENA VE
MiséVonjy
Te hiezaka tsy hampiseho fahalemena ity foko izay nitia, te hijoro ho matanjaka saingy vao mielatra ny tsiahy, tsy azo terena ny fidobony mandratratra, injao fa mihanjaka Ilay fitiavana nokoboniny, nanofisany tontolo noezahina totofana tsiky sy hehy ivelany fa mbola azy ilay fitia, tsy banga manontolo tsy hanomb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/kintana-sy-volana
KINTANA SY VOLANA
MiséVonjy
Fa satriko omena anao ny kintana sy volana hamirapiratra hanazava ny endrikao lalaiko ka ho rado hanjopiaka, firavaka hiambozonana ny volana an-tendanao, tazaniko ho sary an-tsaiko Ny kintana an’alin-kisa, ho firakotra hanjelatra handrakofako ny vatanao, tsy ho tojo aizina hitahiry ilay fitia, ho tontolo hampivel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/ngah-moa-fanahiniana
NGAH moa FANAHINIANA!
ANDRINIAINA1
Ngah moa fanahiniana!!?? Ngah moa fanahiniana: Ny ho tia na ho tiana, Satria tsy niantso na nitady, Fa tongatonga ho azy. Ngah moa fanahiniana: Ny nalaina na nariana, Fa ny fitiavana na ny fankahalana; No nisehony tamin'ny tantara. Ngah moa fanahiniana: Ny harena na ny tsy fisiana, Fa samy manana ny anjarany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/fotoana-nolalovina
Fotoana nolalovina
AMN (Arialy)
Ilay mosoara izay nomeny hamafanao ranomaso aza ariana sy lazaina fa mpitondra ny ankaso ataovy ho tsiaro ilay fotoana, izay nolalovina aza averina any intsony, ka ataovy fahatsiarovana Ihomehezo aoriana fa fotoana ny hadalana fotoana izay natao hanovozam-pahalalana fotoana tiana hidifirana nefa koa nahafinaritr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/ady-sy-tolona
ADY SY TOLONA
MiséVonjy
Ny foko ve no hampanginina tsy hitepo fitia intsony sa ny masoko mijery no hakipy tsy hahita ny endrikao fa ady sy tolona isan’andro ny miady amin’embona tsy mahasaraka, misento lava te ho anilanao . Sa ny tahiry mitoetra an-tsaina tsy maty kosehina no endahina hiala ka hatsipy lavitry ny vetso fa ady sy tolona i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nankaiza-ianao-rangahy-poeta
Nankaiza ianao Rangahy Poeta
raozigasy
Nankaiza ianao Rangahy Poeta No kaokam-betsovetso sisa Sy sentosento lany visa No asetrinao ireto hetaheta Nankaiza ianao Rampanakanto Fa ilay tambin-teninao mpanentana Lasa rivo-maina mampangetana Ka valan-kalo no voaranto Nefa ianao toa eny ihany Lasalasana vinany Lasam-borona any ho any Ka betsaka ny man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tandremo-lahy-
Tandremo lahy !!!
raozigasy
Tofo-pifaliana ve ? sa efa leom-piadanana No akanga iray mandalo no andaniana ny fananana Sa reraky ny hasambarana, sy ny fiainana milamina Ka dia lalan-kafa indray, no santarina indramina Tofo-panajana ve ? sa efa leon’ny tokam-po No vahiny iray miserana, no ampiasana izato loha Sa ilay fitia misafononoka, no mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manaraka
MANARAKA
Fredy Jaofera
MANARAKA Manaraka ahy ihany ny endrikao taloha ka malahelo izany sy hafahafa koa. Manaraka ahy ihany ny tsikinao tsy foiko, miampy ireo tomany, ry efa nohadinoiko. Manaraka ahy ihany ny hasambarantsika, maniry ahy hankany fa mila hangatsiaka. Manaraka ahy ihany ny voady izay natao, mamelona ny tany hiva...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/raha-namana-ianao
RAHA NAMANA IANAO
harylovah
Miomàna mba hizara Na tsiky fotsiny aza Raha namana ianao... 'Zay zavatra mba tsara Sy mendrika ho filaza Avoahay mba tantarao Fa raha fifanampiana No entina misetra Ny zotra izay aleha Hanjary hahaliana Ny olona rehetra Ny tanjona handeha... Tsarovy anefa zandry Fa tsy voatery hitovy Ny entana zakaina, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/satry-ho-tadidy-foana
SATRY HO TADIDY FOANA
harylovah
Asa raha tsikaritrao, fa misy andro sy fotoana Tiana ho tadidy foana... Hamohazana hifoha 'Reo tamberina taloha: Toy ny ngotin'olon-tiana vao manomboka nitsiry; Topimaso nisy tsiky, feno hery mankadiry... Fiarahana madio tsy nisaina zavatra hafa; Resadresaky ny fo, fenofeno tafatafa... 'Lay fiandrasana malala t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoky/fanala-sento-
FANALA SENTO !
zoky
Jesoa ô! miodinkodina ny saiko Tena miasa tsy miato Mitambolina tsy haiko Fa tsy mandry ivohon’ ny vato. Adin- tsaina sesilany Ka mandrongatra aok’izany ! Mitady fitsaharana Fa tsy mahita hamaharana. Eh ! tena iriko fatratra, Izany hoe « ho tonga lafatra » Ny faratampom- piadanana No iriko mba hananana ! Ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zokieva/nofim-pifohazana
NOFIM- PIFOHAZANA
zokieva
NOFIM- PIFOHAZANA Sanatria ve ho nofy atoandro Izao faniriako izao ! Fa manery ahy isanandro Ka ho volaniko aminao. Rahoviana Gasikara vao tena hifoha tokoa ? ka handroso hihatsara ho lasa paradisa soa ! Ny vahoaka Malagasy Izay manerana ny nosy Tiako hadio tsy hisy tasy Dia sanatria ve ka ho nofy ? Ry sam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/gejam-pitia
Gejam-pitia
AMN (Arialy)
Fa ianao no nofinidiny ho malalany hatrizao ianao ilay hoe tiany ka aoka mba ho fantatrao fa izy iny tsy nilaza izay tena tao am-pony aza dia ampifilaina sy ampiandrasana intsony amborahy aminy koa ilay hoe toraka fitia fa izy efa niandry ela, sao hiova fo satria hoe fitia tsy mitovy, heveriny ho tsy tianao izy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raiamandreny
RAIAMANDRENY
Fredy Jaofera
RAIAMANDRENY Raimandreny no niantorahana tamin'ireny disadisa nefa 'zahay dia nandaharana latsalatsa sy ny sisa. Raiamandreny no niantsampazana tamin'ireny sedra maro nefa 'zahay dia nofafazana teny mafy ka fantaro ! Raiamandreny no nandrandraina tamin'ireny fitsapana nefa 'zahay dia nofosaina impiry tsy ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/fantatro-sy-inoako
Fantatro sy inoako!
ANDRINIAINA1
Fantatro sy inoanko! Tsapako isan'andro; Na alina na atoandro: Fa mpamonjy IZY Tompo: Na jentilisa na mpanompo. Tsapako lalandava; N'inoninona mitranga: Fa miaraka amiko Andriamanitra: Tompon'ny tany sy ny lanitra. Tsapako foana; N'inoninona fotoana: Fa momba ahy ny avo, Na malahelo aho na ravo. Tsapako ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ravola
Ravola
AMN (Arialy)
Izy no hoe tadiavina sy hiadivana hatrany tsy hay hoe oviana no hifaran'izany fa anaty ny fiainana no filana tsy hay lazaina ka hoe tena sarobidy, ka katsaina fa ilaina izy foana no an-doha isan'andro vaky izao eny izy no ambony ka tsy azo atao ho kilalao ka tandremana aok'izany, fa tena mahavery raha sendra ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nankaiza-ianao-ry-aingam-panahy
Nankaiza ianao ry Aingam-panahy
raozigasy
Nankaiza ianao ry Aingam-panahy No taratasy fotsy sisa Hafatra nomenao ahy Hiantsoako visavisa Nankaiza ianao re Ravinany No tsy hita hoe miserana Ny rima aty an-tanan-dany Ireo voambolan-toa noferana Nankaiza ianao ry tononkalo No tsy mitsidika mamangy Ela tsy nandalondalo Ela tsy nisangisangy Nankaiza ian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/ho-anao-ry-tovolahy
HO ANAO RY TOVOLAHY
harylovah
Ianao, ry Tovolahy, bikaina sy tomady: Nahoana no dia sahy, mahery setra loatra? Ilay fitiavany iny, nitsahinao sahady, 'Zay mihamafana hatrany,manomboka mandroatra... Ny ranomasony iny, moa azonao sotroina? Ny fony feno ratra,oviana no hitony? Ianao raha 'zay mandalo dia azonao baboina, Fa izy tena tia, ka tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herytina/lay-nofiko
'lay ''nofiko''
herytina
‘LAY NOFIKO Fony aho mbola irery, Niaina tanaty rofirofy; No indro ianao fa niserana, Ka vao maika aho nanonofy! Kinanjo indray hariva izay, injao ‘lay nofy fa tanteraka; ‘Nga moa nisy nanam-po, nofinofy iray no teraka. Tohana, zara sy tsiky, ‘ty nofy izay niainantsika; Hasambarana mifono nofy, no ê fa nandramant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/tafan-i-dada-sy-i-nofy
TAFAN' I DADA SY I NOFY
Miarantsoa Anicet
TAFAN’I DADA SY I NOFY Aleo hatory i Dada ! Vizaka izy izao. Rahampitso indray ianao Mbola hitondrana mofo. Dia matoria hoa Nofy Fa vizaka eny i Dada. Vizaka nihaza Sy niharana sakafo. Ataoko ho maty safo Hatrany am-para-nofy Fa…tafandriana leitsy Ry Nofy sombinaiko. Matoria aloha fa Rahampitso indray mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/dada-
DADA ô!
RHAd
Nahoana moa ry Dada no Nilaozanao zahay Dia nipitrapitra irery Kamboty velon-dRay Fa tontolo ratsy lahatra ve No narindranao sy Neny No dia navelanao hanjahatra Lay tokatrano kely Tsy fantatrao reo ratra Niambezo anatinay Tsy tsapanao fa vatra Niandry anao zahay Rinambinay daholo Ny aretina sy jaly Dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianiaina-fidelis/aiza-toa-very
aiza toa very?
ANDRIANIAINA Fidelis
aiza toa very? nankaiza fa tsy hitako sa ve efa tankina lay loharano velona tinazako namiratra tarafin'ny masoandro teo imasonao nisarika ny masoko efa matin'hetaheta fony isika roa vao nifankatia angamba hoy aho adino raha tsy efa lefy irony tsiky kely tsy nety vaky hehy natosiky ny fo efa feno bitaka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-sarinao
NY SARINAO
Fredy Jaofera
NY SARINAO Ny sarinao no jerijerena rehefa mba ory fa mbola, hoe, volamena manova ny tory. Ny sarinao no tena ilaiko rehefa mba manina hampitonymoa ny saiko vao mitady hanina. Ny sarinao no haravoana rehefa tokana re hanova ny fanadinoana tsy hirongatra be. Ny sarinao no fanafodiko rehefa misy hitomany r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/i-dada
I DADA
Miarantsoa Anicet
I Dada , Ilay niankin-drindrina irery… Niaraka tamin’I Neny, Ilay olona mahavariana Fa nisotro ny rano tsy tiana , Ilay olona tsy nahalala sasatra Fa naniry anareo mba ho lafatra. Kanjo…Raha niteny izy tsy mba nohenoina. Raha niantso tsy mba nisy nanohina, Ny andro tokana atao mba ho azy… Misy mihevitra ho va...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/tsy-eto-aho-anio-
Tsy eto aho anio !
HASINIONY
Rahatoa ianao mifoha, taitra sy hendratin' ny rezatry ny nofy! ... dia aza atao tsikaritro F'izaho aty salanitra, minosana ao anatin' ...ny valabe sy riakan'ny nofinofy mamiko Aty ny eritreritra, galabon-tsy mba revo Tsy mahalala akory ny hiaky ny andevo Mangina ny filàna, tony ny hetaheta Foana aty ry lala ny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/vavaka-fifonana
VAVAKA FIFONANA
harylovah
Anio aho, ry Ray, Miondrika mangina, mivavaka aminao; Satria dia hatrizay, Tsy sahy aho nijoro na niezaka hanavao, Ny herin'ny Finoako, 'Zay mbola hijoroako... Ka eto aho milaza, Tsy hanadio ny tena, Fa kosa toy ny zaza Mitady famonjena Aminao ry Ray, 'Lay tena maminay... Ka: Ifonako aminao, ny ditran'ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianiaina-fidelis/manantena-inona
manantena inona?
ANDRIANIAINA Fidelis
manantena inona? inona ary moa no mibaiko ny sera ifandraisan'ny olona miriaria ety tsy ny harena ve, ny hery sy ny hasina mampiseho hatrany ny ambony sy ny ambany oviana ny mahantra no inoan-teny na eken-ko marina ny hevitr'izy ireny ny marisa moa tsy maharaka ny namany na mitarika aza sintonina ho farany mis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/lehibe-ny-zanako
Lehibe ny zanako
raozigasy
Lehibe ny zanako, Ka tsy mety tantanako Fa mikarenjy Sy mivenjivenjy, Tsy mety afa-po Efa ho adiny roa Dia mitodika kely Ilay mason’anjely Sady mikiaka Amim-peo sariaka Sy mitabataba Toa miantso an’i dada Izaho ato aoriana Revo, sondriana Manara-dia Kevoka èry Fa lehibe ny zanako Efa tsy mety tantanako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/ara-nofo-fotsiny-ihany
ARA-NOFO FOTSINY IHANY
Lebota
« Nakipiko ny masoko teo ampahitana ny olontiako nanoroka olon-kafa aninkeho. » Sendra mba nandalo aho ka tojo sy nahita ny oroka mafana nifanaovan’izy ireo, Tsy hitako ny lalana, maizina ny andro, farina ny feo… Fa nifamahofaho tao an-tsaina ny anton’ilay oroka : angamba izy leo… Nefa vao omaly tontolo, tsisy fetr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/domoinam-pifaliana
Domoinam-pifaliana
Lebota
Domoina kely roa nateraky ny fo I Tsitoh sy Ashitah Tsara volo tsara bika milambolambo-tava izy mianadahy Kilalaon’ny fo, fifalian’I Mama, fifalian’I Dada isan’andro lava Ka na alina matory na andro mibaliaka dia tsiky manazava. Itsy zokiny mailaka ny teniny f’efa hainy ny miresaka Tsisy very aminy ny resaka rehe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/nofinny-kamboty
Nofin'ny kamboty
AMN (Arialy)
Alahelo lehibe ilay fandaozanao ahy latsaka ny ranomaso, nalahelo ny fanahy na dia nisy feo henoko tao anaty nofy soa fa ianao hoe ho eo, tena akaikiko tokoa tsy mba nino aho, ilay feo nanakoako nikorotana ny saiko, fa ianao hono manko raha miverina dia tsy ho olona akory satria efa maty, tsy hiverina intsony n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/mila-fanampiana
MILA FANAMPIANA
RHAd
Izahao fiononana ny foko re roy Hikosoka ratra nolariny omaly Antsoiko zay hery afaka hanohina Tongava, faingàna fa ory aho… mijaly Ny foko efa lotika misentosento Ny voaharin’ny rehetra nivelin-ko faty Kopahiko hanampy ahy ny alina teto Kinanjo nanonitra fo, maharary Nefa antenaiko ny hisy fanafana Amin’izao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/tena-fitiavana
TENA FITIAVANA
Miarantsoa Anicet
Kimpantsona maneno… Siny tsy mba feno… Tsy manana fitiavana… Tsy fantatra izay havana… Miteny toy ny Anjely… Mitory sy manely Ny tenim-pahasoavana… Saingy…Tsy manana fitiavana. Mahalala zava-miafina, Mamantatra ny takona, Anefa dia holavina Raha tsy manana fitiavana. Mamindra fo tokoa, Manao izay asa soa ,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/teboka-farany
TEBOKA FARANY
RHAd
Montsana rava lay hanitro tia Fa kalo efa konka no iray vela-tsihy Mangana foana e! lay akom-baliha Fa kely fiatonta reo vetsoko an-dry Soraty ao an-tratra fa resy ny foko Sasa-namitrana ratra tsy maty Sokafy eo imolotra ny hadin-toloko Sasa-niandrandra singa lo aty Ny foko naratra nibitsika antsa Fandrehitra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/manidina
MANIDINA
Miarantsoa Anicet
MANIDINA Manidina eny an-danitra aho Na dia tsy manan’elatra. Tsy mahalala menatra. Manidina eny ambony Miaraka amin’ny fony. Ny ankizy ety ambany, Variana aoka izany; Mitanatana vava Mahita ahy miran-tava. Milomano eny amin’ny habaka. Dia ny rahona no ravaka. Manidina eny isika. Tsy mahalala hatsiaka. Ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/indray-mipika
INDRAY MIPIKA
harylovah
Fo miara-mitempo Mikatsatsaka ny mety, An-tany fandalovana... Tsy diso sentosento, Manonja vetivety, 'Reo akom-pahatsiarovana. Izay 'lay fiainantsika Sedraina eto an-tany 'Zay tsy azo ialana akory Fa sary indray mipika Hifarana ihany, 'Reo zava-mampahory!...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/hatreo-dia
HATREO DIA
RHAd
Nitsongaiko hanta tsy mbola mba fimaonako Ny rakitry ny foko Nasakambiko an-tsoroky ny hafatra, fitariky ny nofy Ny sabatry ny rofy Dia tonga teo an-tsaha milenoka fitiavana Ny sentoko nihofo Hatreo no nitadiana sadika ho an’ny vaonako Mantsy teo no nitolefika ny vokovokom-piainako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/tamininy
TAMIN'INY
RHAd
Tamin’iny lalana iny No nandrotsona ny foko Ny fiantsampin’ny fitiavana Dia voagejany aho fa tia Tamin’iny andro iny No niantomboka lay nofy Namboloiko fa hiotazana Fahasambarana dieny ety Tamin’iny olona iny No niantsampy te hiampofo Tontolo hanitry ny mavana Ny firedako hifangy Tamin’Andriamanitra , eny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/mba-mahaiza-mianina
Mba mahaiza mianina
harylovah
Mihevitra ny maro, fa hoe mila miasa mafy, Mba hanana fananana ananan'ny rehetra; Matory sasak'alina dia mahavita mihafy, 'Zay hahazoana vola,dia atao tsy misy fetra... Dia asiany teny hoe "Ny fiainana tsy mora.. Tsy vitan-tranga lela ny mamelom-bady,zanaka" Ny heviny ao ambadika dia be ny mpanakora, Ka dia misi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/indrisy
INDRISY
RHAd
Misaly famoizana va ny fitiavako No toa hafahafa sy be fanahiana Manomban-ko faty va ny retsiky ny avako Manarak’izany ny foko dia gina Naoriko ho ela mantsy ny lapam-pitiavako Kinanjo mihoraka ty ny fandrava Folahiny hilefitra ho any ny lalako Ka indro ny lanitro “TIA” mihamisava Miady fiainana , mingosy ho fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/na-izany-aza
NA IZANY AZA
RHAd
Nahoana no iantsoako tody Amin’ny olona notiaviko Moa tsy efa notohaviko Ny hampanjaka ny eritreriny Ka ny fitia natolotro azy Tsy niandrasako fameriny Lay salovan-tavany iny, Efa nikombona ato am-poko Ka ny fandaozany ahy, tsy ho tsiny f’ilay nitiavany ahy koloiko Io no antok’Ifahiny Tsy ho kina na hiofo M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/ekeko
EKEKO
RHAd
Tsapanao ve ny asam-peniko fa tsy mba tononkalo Ny fihorenam-poko aza, ny ankamarony tsy mazava Dia monaina teo Ianao ka niato tsy nibada Navadikao lay pejy feno sento mampimalo Tsikaritrao reo hadisoako tamin’ny fampitana hevitra Ny voan-teny norafetiko tsy namoha ny maha – gasy Dia monaina teo Ianao ka niriton...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/resim-pitia
RESIM-PITIA
RHAd
Tsy adala anie ny fo raha mibaboka fa tia Fa hery tsy hita no ndreo nampifangy Tsy mety tototry ny atsanga nitsagana ho fefiny Ny hanitra efa nentiny Tsy voasakan’ny ankalana, nitsivalana ho hidiny Reo atema ny antsavidiny Fa fiotanam-po voafantina, ny mifanaiky hiara-dia Fatomaty tsy mba tankina, ny voady ho do...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/vetsovetso
Vetsovetso
oceane
VETSOVETSO Sendra nahatsiaro aho androany ... Eny, mody atao hoe androany ihany satria, mety tsy ho tinao raha hoe mahatsiaro foana. Sendra nisento aho androany ... nanembona ilay tantarantsika nanembona ilay ianao namihina ahy fahiny. Dia lasa ny fisainako, mandinika ny hafa aiza ianao izao? aiza ilay antsika?...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/meloka-aho
MELOKA AHO
RHAd
Andrimanitra ô! Hifonako Fa maina hatramin’ny telindrorako Eto am-pikiràna reny andro lasako Ka na Noely aza anio dia Tsy haiko ny mifantina Tonom-bavaka, hanadio Reto haratsiako efa mantsina Andriamanitra ô! Nanenenako Fa tao ny lela sy ny vavako Nanekena sy nandavako Reo sitra-ponao Ray Mpahary Fa teo ny s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izy-niandry-
Izy niandry …
raozigasy
Izy nitanim-bolana Efa nanala ny olana sy sisatsisan-tafy mety hoe hampihafy ny vaika tamban-koditra fana hampihovitra ilay joalam-batana tsy mahandry tantana izy niandry tamby tanatin’ny somamby vonona hisangy fa ho avy ilay mpamangy hitondra hotraka hafa ka izy tsy hitsafa fa tonga dia hiantsampy hisin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/ampy-ho-anao
Ampy ho anao!
ANDRINIAINA1
Ampy ho anao! Ampy ho anao ny fahasoavako: Hoy ny Tompo re rahavako! Mamiratra ho anao ny tavako; Satria mitoetra aminao ny fitiavako. Ampy ho anao ny fahasoavako; Raha iainanao ny fitiavako: Ny alahelonao ho savako, Ny ahiahinao ho ravako. Ampy ho anao ny fahasoavako; Raha banjininao ny tavako. Hitoetra ao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vita-koa-ny-fetiny
Vita koa ny fetiny
raozigasy
Iny tovolahy, mihevitra azy ho izy,fa hoe miaramila Nahazo fahafahana, hivoaka andro fety, ka nieboebo fila Dia nisekoseko, miseho azy ho be vola, ka nitobatobaka Manasanasa an’edina, mividy izao sy izao, miampy toaka bobaka Dia nahazo namam-bao, nahazo dokadoka, fa izy no tena izy Dia nanararaotra, naka koa izay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/anjarako
ANJARAKO
RHAd
Maty androany lay anjarako Maty tsy nialako nenina Ka navelako ho ny penina No handaotra anao ny tantarako Anjara, rotiky ny jaly Tototry ny ratra foana Ana, ankon'ny tomany Vonton-tsento sy misaona Anjara, loko bambaray Nifototra amin'ny fahoriana Ka ranomaso tsy afa-dina No rano mba narosony ahy Dia feno ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/baraingo
BARAINGO
RHAd
Tsy tantiko eny mantsy Tsy avy tamiko raha toa Izy no namafy ‘lay vonindraoziko Kanefa foiny ho faty Fa taminy ary ve tsy nisy maminy Ny tontolom-piainanay Fa ankona ary ve lay nomaniny Ho fo mitempo ho iray Ahoana no fandemy reo tomaniko Te-mbola hanotrika fitia Ao am-pony efa lao Dia ahoana, nefa izaho Te...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/tsy-tafa
TSY TAFA
RHAd
Ny afotroan’ny hirifiriko Tsy mety mba mangina Fa mankahatra aman’aina Ny fararemotry ny foko Dia migororona foana Mba hampiferinaina Mirara-boa ny votoatiko Fa nidarabo-tan-trotrony ‘Lay pitik’hafaliana nentiny Ho tsangan-tsiry sy andrareziny Amin’ny androny mamony Tonga antaravelona aho Volotara iray voao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/sedra
SEDRA
RHAd
Ny ngidy itohofan’ny ory rehetra Tontolo tsy fantatra nefa iantefana Haizina lava tsy manana fetra Rano mba gofina amin’ny ady mafana Ny ratra olarin’ny andro efa lany Ravaka mbola miendrika jaly Fery tsy ho faty fa handry ihany Naloatran’ny sento mba vokatr’Iomaly
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/zo
ZO
harylovah
Amiko ny zo dia rariny itoviana Rafitra najoro tsy mba sarotra itakiana Fomba hifanajana mba hisian'ny firindrana Zavatra ananana mihoatra ny lalàna Amiko ny zo dia mendrika hajaina Fototr'iorenana mandrindra ito saina Eken'ny maro an'isa mba ho fefy isakanana Izay tsindrio fa lavo ka manimba fihavavana Zoko ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hambo
HAMBO
raozigasy
Raha ilay sary tan-takelaka, dia tena hoe mamono lolo Fa na ny endrika na bika, dia tena tsaratsara kolo Ireo toerana nakana sary, tena hita hoe an-dafy, Ny kojakoja manodidina, maneho fiainana tsy mihafy Dia roboka ilay lehilahy, revorevo nila resaka Dia nangataka ho namana, fa be vaovao sy be maresaka Dia nano...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/saingy
SAINGY
RHAd
Saingy tsy mpanoratr’aho tsy poeta koa: Ny kely mba voarakitro Mitrena sy miriatra toa rangotry ny soratra Dia vato tsy miori-paka, fa singa mba voahatsa Tanaty fiainana mangoraka Eny tsy mpanoratr’aho no tsy poeta koa Angambaiko hoe voahozona hipololotra sento Hitafako fa maratran’ny alahelo ka maneko Ireny no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/iny-hafatro-iny
INY HAFATRO INY
RHAd
Inty misy hafatra ambarako anao eh Ry taratra hody Izy hono hoe tia tena tia Fa tsy mety tafody Fantaro any anie, raha am-pony mitempo Lay dina natao Raha toa ka indrisy.. mba ento anilan’ny fony Zao tomaniko zao Ny mason’ny alina no sisa hampihiratako Hitazana lavitra Fiondan’ny ako am-pony, raha manina Ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fisaorana-indram-peo
Fisaorana INDRAM-PEO
raozigasy
Telin-tsitraka aman-tsaotra Noho ny haravoana tafahoatra No atosaka,atolotra, Hafa-po mivoaka imolotra Isaorana ianareo Namana nindramam-peo Niantsa sy nikalo an-teny Ireny soratra ireny Isaorana ireo mpiara-dia Tamin’ity boky “TIA” Sy tamin’ny “INDRAM-PEO” Misaotra betsaka anareo Izay no voaloham-bokatra, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/satria-tiako-ianao
SATRIA TIAKO IANAO
RHAd
Malahelo aho dia Nambarako fa rota Nandramako natonta ‘lay fitiavantsika roa Saingy lay alahelo monja Tsy ampy nampatsontsa Ny rakitr’ao am-po Nataoko ampy ho ahy reo taona Nivalona ho forehatra Saika hanamaloka ny ho avy Mantsy inoako lay fotoana Hanova sy hampanjary Lay voadin-tsika hilonjehitra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/indro
Indro
raozigasy
Indro lehilahy, efa zokinjokiny, nahazohazo taona Manaranara-drindrina, mikisaka famindra, manao fandeha noana Manajobo satroka , manafinafin’endrika, ny tanana ao am-paosy, Toa mirenireny, nefa misy tanjona, kanefa dia kabaosy Indreny koa jerena, andian-tovovavy, jefijefy rakotra Kevoka fihetsika, mikakakaka feo,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/asa
Asa
raozigasy
Indraindray aho mila ho leo, miasa sy mitady vola, Fa ny volom-bava mihafotsy, ary ny loha mihasola Indraindray aho kivikivy, mandao ny trano vao maraina Miketriketrika ati-doha, mikajikajy miasa saina Kanefa ….. Vao maheno an-tarobia, ilay zara risikao ry vadiko Dia mahazo zoto vao, ilay vitribitrika fitadiko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/ny-zaza-maditra-mampijaly-ny-reniny
NY ZAZA MADITRA MAMPIJALY NY RENINY
Miarantsoa Anicet
NY ZAZA MADITRA MAMPIJALY NY RENINY Neny a ! Fetinao anio. Fetinao madiodio, Tsy itambarana amin’ny hafa. Fa fetinao manokana. Noho izany indrindra , Aleo aho mba handrindra Ny fiainantsika mianaka; Mitonia ianao fa lanaka. Aloe aho mba hipetraka Amin’ny toeranao anio. Aloe aho mba hivesatra Alahelo sy tad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/henjana-sy-lalina
HENJANA SY LALINA
raozigasy
Henjana dia henjana ilay nofiko alina Henjana satria namaka anao lalina Henjana ara-tsaina, henjana ara-batana Henjana satria ditra vatambatana Nofiko hono anie, tany an’ala tany Ala vao foronina, edena angamba izany Ts’isy afa-tsy isika, dia izaho sy ianao No olona nameno izao tontolo izao Ka dia niriaria tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/tiako-ho-fantatrao
Tiako ho fantatrao
ANDRINIAINA1
Tiako ho fantatrao Mba fantatrao moa ry olon-tiako? Ilay fitiavana niriko: Hitiavana anao; Isan'andro vaky izao! Fitia tsy misy fitaka Ary fitia tsy hisitaka. Fa tena fitiavana marina, Ary fitiavana milamina. Tena tsapako ato am-po: Ilay fitia tsy mety lo, Ilay fitia tena mahery, Ilay fitia tsy mba very. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-mety
Tsy mety
raozigasy
Tsy mety ange ny sofiko, raha tsy maheno anao, Tsy mety ange ny foko, raha tsy adobokao, Tsy mety ange ny findaiko, raha tsy ahovitrao Tsy mety ilay tsy mety, tsy mihaona aminao Tsy mety ange ny tanako, raha tsy misafo kely, Tsy mety ange ny molotro, raha tsy mahazo mamikely, Tsy mety ange ny masoko, raha tsy mah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/aokizay
AOK’IZAY
RHAd
Nahoana indrindra iky Ray andro mionjaonja No tohininao ny foko Dia rafetina reo vinga Hijofo ny fitiavako Hamoitra fahalovana Tsy fantatrao ‘reo lira Miambezo anatiko ao Fa aina ts’isy fetra Rinambiny ao daholo ‘Reo tsiky mety hitsaika Hamony hafaliana Aok’izay ‘reo alona Fandrindranao ankaso Mpihatsy ‘r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/ho-anilay-malalako
HO AN'ILAY MALALAKO
harylovah
Any ianao, Malala! Tsaroako fa hatrizao dia mbola mihafy ianao; Tsy ampiampy foana ny isan'andro vao... Kanefa re ry aiko mba miady koa ny saiko, Manao zay azo atao mba hahomby izay kasaiko... Fa any andro any Tsy maintsy ho tonga izany, Tsy maintsy ho tanteraka ireo nofinofy mamy... F'izao aloha mihafia, Ko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/neny-a-
Neny a
raozigasy
Fetin’ny reny hono amin’ny alahady izao Dia tondraka indray ny mpivarobarotra, Miaraka amin’ny doka sy loko mizahozaho Amin’izay ny vola, mivoaka tsy mba sarotra Fetin’ny reny hono amin’ny alahady izao Dia zarina ny ankizy any am-pianarana Hanao tsianjery, hiteny izao sy izao Hanao fanomezana sy hajejo an-dahar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/injay-
Injay
raozigasy
Injay ilay antso anaty Mandrava ny tsy fehy Mandevy mahafaty Maika te handeha … tonga ny ora farany… Dia Rovi-tsihy an-trena no hetsika nindraminy Nataony hamonjena Ilay segondra maminy … saika nifaharany… Dia nirifatra fandevy, Nangotraka filoatra Tapi-devilevy Ilay vatana mpitroatra … naloany ny sarany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-randry/i-madagasikaranay
I Madagasikaranay
Ny Randry
Ry Ray Tsitoha mpahary anay Misaotra sy mankalaza izahay Fa nomena sy nambinina, Ka nivelona sy nonina Teto amn’ity Gasikara Nosy mankadiry sy tena tsara Malagasy no razanay Napetraka teto hatrizay Ho tompony sy mpandova an’I Madagasikara Ny taranany sy ny zanany ama-para Ho deraina manokana Ny fahendrena t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/tsy-natao-hiara-dia
Tsy natao hiara dia
Rina
Raha andeha ianao ka ho any tsy hisento aho na hitomany andeha ny lalanao no izory fa tsy hampaninon'ahy akory Raha izay ianao no tsy tia tsy ataoko hampahia hiezak'aho ny hitraka mba hitovizako amin'ny hafa Na mafy aza ny alahelo hiezak'aho ny tsy hamoy fo ny ho avy atao mamerovero mba hitondra voka-tsoa T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/-....voafidy-ho-ahy
....Voafidy ho ahy
Rina
Ianao ilay notsongaiko tao anatin'ny an'alinaliny ianao ilay nirifako andro aman'alina tsy tsapanao ve fa ianao irery ihany no tiko eto an-tany tsy misy faharoa na fahatelo koa fa tokana ihany dia ianao izany Tsy misy anarana hafa tsy ny anaranao ao am-bavako ao tsy misy endrika voarakitra ao an-tsaiko haf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/malaina
Malaina
Rina
Raha vao maraina koa dia indro fa hifoha hanohy indray ny fiainana andavan'andro aleoko ihany,alina ny andro tsy misy eritreretina fa matory dia miesona ny alina mandra-maraina matory dia tsy misaina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajo/efa-nisy
EFA NISY
AJO
Mba efa nisy sarisary namboarintsika teny nefa ange, tsy tonga volana; efa nisy eritreritra natamberintsika hankeny nefa de nitonatonana. Mba efa nisy nofinofy voavaofy koa tety saika hananika vovonana; efa nisy fo nitempo te hamorona fitia nefa ange de...nianjonana. Izay no sitraky ny fony, lalina tokoany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/mivadibadikeo
Mivadibadik'eo
Rina
Maraina indray ny andro vetivety dia atoandro tsy hitahita akory dia indro fa hatory Dia toy izany foana mandava taona mivadibadik'eo,ny ririnina ny lohataona ary koa ny fahavaratra izay mahabe kotroka sy varatra Dia toy izany koa iray lasa roa kely miha lehibe, lasa be dia be Dia mivadibadik'eo ny alahelo...