url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/hiezakaho-ny-hanaiky | Hiezak'aho ny hanaiky | Rina | Hampiononiko ny foko
raha izay no sitrakao
ho toneko koa ny saina
raha izay no tianao
Mba ho fanajako ny safidinao
sy hanaporofoko fa tiko ianao
dia hiezak'aho ny hanaiky
ny fihetsem-ponao
Ny fitia dia tsy an-tery
fa an-tsitrapo
ka aleoko dia manaiky
sy mampitony fo
Hitia mangina anao
no hany azoko atao
t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/finaritra-ny-fo | FINARITRA NY FO | RHAd | Lay mason-tsika nifanojo
Lay fo nidoboka hafahafa
Miampanga tsy an-kitafa
Fa maniry anao ny nofoko
Lay endrikao tsara tefy
Lay tsikinao manjopika
Njao mandoro sy mampita
Lay filàna tsy voafefy
Lay volonao tsora dia
Lay vatanao tsara voatra
Misy hery mampitroatra
Te hamihina an-dry
Lay masonao baribary
Lay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/fitiavana-ihany | Fitiavana ihany | Rina | Tsy te hitia intsony angamba ianao
f'efa tofoka sy lao
kanefa'zao no tadidio
fa mbola io fitiavan'io
no hanasitrana anao
sy hanakombona ny fery
ka tsy hamela anao ho irery
Tsarovy sy fantaro
fa na ho aiza ianao na ho aiza
tsy ho afaka mankaiza
fa ny fitiavana ihany
no fanafodin'izany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vao-iny-ianao-miranga | Vao iny ianao miranga | raozigasy | Entam-po tsy laitra,
Fifaliana raitra,
Hetaheta taitra,
Angolangola vaitra…
Bitaka anaty,
Mandoatra ireo tsy tanty,
Te hifamato-maty
Hotraka fitia,
Maniry ny hiria
Hiaraka doria
Fa tena samy tia
Angovom-pitia sahy
Vaika tsy manahy
Mampiainga ny fanahy
Lavitra ahiahy
Izay no tamban-tranga,
Seho manangasa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/mandalo-isika-no-eto | Mandalo isika no eto | Rina | Toy ny voninkazo
ny fiainan-tsika 'zao
vetivety dia halazo
ary koa handao
Mielina ihany isika no eto an-tany
ka andeha mba hamela mamy
ho tsaroan'ny zanak'amam-para
mba hirakitr'ho tantara
Mandalo isika no eto
fa tsy misy tompon-tany
ka andao ry reto
hifankatia hatrany
Esory ny lonilony
alaviro ny disadisa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/indray-miserana | Indray miserana | Rina | Ny tsikinao manaitra
mahababo fo tokoa
'njao enoko mitefoka
tô tselatr'ao an-doha
Sary indray mipika
mielina dia tsy hita
mandalo dia miserana
tsy natao ho ahy angamba
Raha mba iny mantsy
no azoko tazomina
ho tanako ho ahy
atao fahatsiarovana
Saingy nandalo dia niserana
ilay tsiky nahababo
fa mety ahalavo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/zany-mihitsy-aho | ZANY MIHITSY AHO | RHAd | Nanaiky ny hibitsika ny retsiky ny fo
Aminao zay te hiritsoka ny embona sy sento
Lazaiko aloha hatreto fa
Ny nibosesika nandrava sy namefika ny loha
Dia ny rangotra fitia sy ny rotorotom-piainana
Saingy ireny nisy isainana sy
Naka lesona ary nentina namoha
Reo ainga napalesina saika tsy nitrebona
Dia te hambora... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/faty | FATY | Miarantsoa Anicet | FATY
Ny anay ny faty ohanina
Fa tsy alevina any izany .
Raha 'zay fasana amboarina
Ts'hahantana ny hadalany.
Ny anay na velona aza
Alevina eto foana.
Na hitroatra ...Hivazavaza
Dia tsy afaka mimaona.
Tsy asianay fandevenana
Na fiaretan-tory.
Tsy misy fiambenenana
Na kalokalo akory.
'Zany voninkazo izany
D... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/molotro-molotrao | Molotro, molotrao | raozigasy | Molotro, molotrao,
Nifanena ka injao,
Nampitsangana ny voloko
Sy ny horitsin’ny tontoloko
Molotro, molotrao,
Nifanoroka an-dalao
Ka nanadinoiko ny fisiana
Nanosatosa-paniriana
Molotro,molotrao
Takalo, atero ka alao,
Molotra, natambatambatra,
Mitondra fy kisambatsambatra
Molotro, molotrao,
Nifanoho-bava, mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/lasy-vaovao- | Lasy vaovao | raozigasy | Efa ritra taminao ny ranomaso
Efa taminao no tankina ny feo
Ny anganonao, no nivadika ho ankaso
Ny ariranao no nahatonga ahy ho leo
Ankehitriny ianao, miverina, mifona,
Miangavy hoe andao alamina indray
Tsy nety taminao ny tany, fa nandona,
Ka aty ianao milaza ny hiova fa efa fay
Raha vao izay ianao no tojom-pa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/tsy-ahasakanahy | Tsy ahasakan'ahy | Rina | Na orana mikija
na rivotra mifofo
na hatsika mamely
tsy hampihotson'ahy velively
tsy ahasakana ny dia
indrindra rehefa tia
ny ahita anao no masak'ao an-tsaina
tsy misy zoto ts'isy laina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/ary-enao-ahoana | ARY ENAO AHOANA | RHAd | Zaho lay Malagasy nanao fifanekena
Hanandrata ny Teniko amin’ny seha-pifandraisana
Zaho mivonona hiady, hampisy fihavanana
Eo amin’ny samy Malagasy mba ho rindra-piainana
Zaho lay Malagasy mitady fandresena
Sy mikatsa-panafahana ho an’ireo tapenam-bava
Zaho koa hijoro handrava ny elanelam-piainana
Misy reo mahan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/fetinao-anio-ry-neny | FETINAO ANIO RY NENY | RHAd | Sambatra ny manana fitiavana ny Reny
Miangatra ny tanàna tsy amihina an’i Neny
Fa fetinao androany, fotoana sarobidy
Voatokana, finidy isaoranay anao
Ny fiaianao rehetra voatolotrao ho anay
Ny fitiavanao mitoetra am-po hatramin’izay
Tsy vitan-dranomaso fa tamim¬-pifaliana
Ny sompatry ny ankaso aza valinao fitsik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vinany-lasalasa | Vinany lasalasa | raozigasy | Ilay lendalendako anao
Mbola ao hatramin’izao
Ilay tsiriritra adaladala
Mbola ao fa tsy miala
Ilay nofinofy mamimamy
Mbola ao anatiko ao ihany
Tsy hoe raha mikombona ny vavako
Sy mangina ny baradako
Ka tsy henonao matetika
Dia hoe niova ny fitetika
Fa mbola manantena ihany
Hoe angamba indray androany
Mbola ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/ho-tsapanao-fa | HO TSAPANAO FA | RHAd | Milentika, mandray, mipaka anatiko ao
Ny endrikao ry tiako, fa babonao ny foko
Ny tenako miahy tsy manadino anao
Na mbetika iafiako aza, reo antsanao misoko
Tomoetra tsy mifafa reo alina tadidy
Navelako hitsapa ny halalin’ny fo tia
Angamba enao raha maka ‘lay fanalaidy
Dia ho tsinjonao fa zaho mbola mifangy
Reo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/ilay-hiranao | ILAY HIRANAO | MiséVonjy | Rehefa iny harivariva, mihilana andrefan’eny ny hazavana
dia injao mipololotra ivaiva, anatiko aho ilay hiranao tsy tana.
mampisento olon-drery, lavitr’olo-tiana mitomany
anatin’ny tontolo toa very, lasan’embona vinany.
Kanto manko raha kanto, iny hiranao fikalo
nampihetsika milanto, ilay vatako nimalo
nihaotraot... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hasasaranolona | HASASARAN'OLONA | Fredy Jaofera | HASASARAN'OLONA
Hasasaran'olona
no indro nangalariny
ka miady sy mitolona
vao mahita 'tony variny.
Hasasaran'olona
no nahazoany harena
ka izay efa namololona,
any taona mbola hihena.
Hasasaran'olona
no zary fahasambarany
ka tsy nahitam-bololona
'tony hazo namaharany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fitiavako | NY FITIAVAKO | Fredy Jaofera | NY FITIAVAKO
Tsy resin'ny fotoana
'lay fitia natolotra
ka masina eny foana
sy tsy eto imolotra.
Tsy resin'ny elanelana,
tsarovy tsara izany
fa mainka aza hamelana
ny voadintsika ihany.
Tsy resin'irony akanga,
manja sy manaitra
fa mainka hampitranga
ny toky tena raitra.
Tsy resin'irony fosa
nasesika hankar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tranga-tena-marina- | Tranga tena marina | raozigasy | Noraisiko an-tendro,
Ilay teny mampifendro
Hoe tsemboka ny tava,
Vao mihinana ny vava
Ka ireo mpiasa tany
Vary iray vilany
Sy ovy alaina rony
No hanina mba zony
Ireo mpiasa an-dakozia
Anjara iray vilia
No takalon-tsoron’afo
Tsamby tsy mba lafo
Ireo mpiasa mpahay tefy
Hadiry tsara refy
No fanolotra azy
To... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maty-sa-matory- | MATY SA MATORY ? | Fredy Jaofera | MATY SA MATORY ?
Moa ve maty sa matory
'reo tsy foy sy efa lasa ?
Moa ve maty fa mamory
'reo izay tiana sy kinasa ?
Moa ve maty sa matory
'reo natambatra ho iray ?
Moa ve maty fa mitory
ny haravoana ranoray ?
Moa ve maty sa matory
'reo nivadika ho Fanahy ?
Moa ve maty ka mba tsory
fa ny lalako eny toa voata... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/voankazo-angalarina | Voankazo angalarina | raozigasy | Handalo an-tsahanao rahampitso, ka dieny izao sahady
Dia mampiasa ati-doha, sy manoman-tetikady
Fa mikirozam-pahamasahana, ka mampitombo tsiriritra
Ireo voankazo an-tanimboly, izaho koa leo mipitrapitra
Fa hotakariko an-tsambikina, sy hosokirikiriko eo
Rehefa ela ve ny ela, tsy hikorotsaka ireo
Na avy hatrany dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tatamo | TATAMO | Fredy Jaofera | TATAMO
T Tiako dia tiako raha indro ho tontosa
A Amintsika, malala, 'reo tsiky miavosa ;
T Tanjoko ombieny ny hoe mbola hiray
A Anio sy rahampitso ary mandrazkizay ;
M Mirary dia mirary ny hoe mbola hiaraka,
O O ! Fasana ihany no mbola hampisaraka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/tsy-renao-ve | TSY RENAO VE! | RHAd | Nampitenenin’Andriamanitra amintsika,
Ny tontolo manodidina ho fampianarana efa vita
Fa isika efa nandrindrina ny retsi-panahiana
Tsy te-hanaraka ny didiny dia mitady ny tsy hita
Ny fahabangan’ny hafanana mampangiry ny fanala
Ny fandaozan’ny hazavana mampidiridiry ny aizina
Dia tondro marika hamantarana fa nisy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanontaniana | FANONTANIANA | Fredy Jaofera | FANONTANIANA
Rahoviana indray isika
no hihaona any Iarivo
fa indro re mandriaka
ny tomany, na tsy ivo ?
Rahoviana indray ange
no hitsidika ahy ianao
fa mangingina Antsirabe
nilaozan-kira sy lalao ?
'Rony vorona misidina
lany sioka teo no ho eo ;
'rony moka sy angidina
no indro eny mankaleo.
'Lay lanitra to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/fakafakao | Fakafakao | Rina | Tsy ny filazanao foana
hoe : tiako ianao
no hana-porofoana
fa tena tia tokoa ianao
Toky fitaka ihany
fa ny atao no hita
ny filazàna izany
dia porofo iaraha mahita
Fa raha tena tia ianao
dia ho hita amin'izay atao
sy fihetsika rehetra
ilay fitia tsy misy fetra
Ka tsy ho toy ny boloky lava izao
ka hiteny hoe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/betsmihilana | BETSMIHILANA | Fredy Jaofera | BETSMIHIMILANA
B Be ny voninkazo toa tsara loko,
E Eny kanefa mba misy tsy foiko :
T Tsotra fijoro no tsy mitongilana
S Sady maharavo fa betsimihilana ;
I Izato farihy rehefa hoe anjakany,
M Maina daholo, na 'reo mpanontany ;
I Iny habakabaka raha hita ho misava,
H Hatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalatokana/tia | Tia | ikalatokana | Tsy mba vola na harena
No nitiavako anao
Fa fitiavana jambena
Noho ny maha ianao anao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nisy | NISY | Fredy Jaofera | NISY
Nisy teny tany ho any
tsaroana ho nafaitra,
nampirotsaka tomany
sy mila ho tsy laitra.
Nisy vava tany ho any
namely mafy loatra,
tsy zakako aok'izany
sy efa nampitraotra.
Nisy latsa tany ho any
nankarary 'zato foko,
nataony lava hatrany
sy mbola tsaroako ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/diso-be- | Diso be …. | raozigasy | ‘Njay enton-dranomanitra, nanaitra ny hanimboloko, nandalo avy ao ivohoko
Ka poa toy izay dia lasa, ireo zavatra rehetra, namantoka ny lohako,
Dia iny aho fa nitodika, tsy nisalasala, fa nanara-jery,
Ilay olona nandalo, nanelatrela-pofona, hanitra mahery
Nojereko ny kirarony, avo voditongotra, sy maranidranitra,
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahery | MAHERY | Fredy Jaofera | MAHERY
Mahery ny fitia
nisy hatramin'izay
raha ny " soava dia "
no atolotra sy hay.
Mahery ny voady
nifanomezantsika
raha mbola mitady
toky mahasariaka.
Mahery ny tsiaro
mizotra any lava
raha manafangaro
ny eto sy ny rava.
Mahery ny tsetra
manadala foana,
ka tsy misy fetra
'zato te hihaona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhad/eny-hoaho-ry-tiako | Eny ho’aho ry Tiako | RHAd | Tanaty jerinao niotazako fitamby
Mba, hanambitamby ny aiko.
Teo imolotrao, notsakaiko ny fitsiky
Ka nampitsiky ny androko.
Tontolon’ny fonao norombahiko natiora
Dia, nomenao tsy an-tery.
Ka ny amiko rehetra dia nirakitra lay ora
Fa, babonao irery.
Dia lalaiko irery Ianao raha, ny fitia no lalako;
Hiantefa hat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hafa-kely | HAFA KELY | Fredy Jaofera | HAFA KELY
Tsy hangina velively
'rony vetso tonga aty
fa mainka aza hiely
hanamafy ilay doria.
Tsy hangina fa hitsena
fitia mba mahafinaritra
tsy an-koso-bolamena
no sady koa haharitra.
Hamoha ny hirantsika
sy izay ambara ho fety
ka hahay hanova bika
ny taona izay tsy nety.
Torimaso hanafoana
ny tebiteby s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/paradisa | Paradisa | raozigasy | Ny Paradisa hono, dia any an-danitra any
Akaikin’Andriamanitra, lavitra ny tany
Kanefa raha ny tiako, dia aleo dieny eto an-tany,
Dia efa mba misantatra, izany Paradisa izany
Na dia samy hanana, izay paradisa iriny
Samy te ho sambatra, amin-java-tiany
Ny an’ny manam-bola, filaminan-tsaina
Fandriana am-pahalemana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zokirivo/vetso | Vetso | Zokirivo | Apetrako ho fahatsiarovana,
raha toa ho avy tsy hay fefena ilay fetrako
ho amin'ny fahalovana.
Apetrako ihany mba ho tsiahy,
sy mba hanembonanao, fa efa nisy izy ' zay
ary angamba mbola hitahy
Ireto vetson'ny fanahy sy izay tao ampoko tao,
nomena ahy mba hilazako ny fitiavana aminao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ento | ENTO | Fredy Jaofera | ENTO
Ento any aminy any
ny amboara tononkalo ;
ho azy foana hatrany
raha tazanao mimalo.
Raketo azy fa ny aty
manoratra tsy miato ;
mandehana ka ny dia,
halaviro ny harambato.
Tonony azy moramora
'zato vavak'ilay poety,
na minitra na ho ora,
na lazaina ho vetivety.
lazao azy fa ny teny,
mandalo na miseran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mbola-misy | Mbola misy | raozigasy | Mbola misy nofinofy tsy voarindra
halatralatry ny fo mahery sangy
Tiako ho nikambanana aminao indrindra
Fa saingy tsy tafita teo am-bangivangy
Mbola misy ambin-ketsa tsy voafindra
Tsy mbola resin’ny haintany izay nisesy
Ka amin’ny sahanao no maniry indrindra
Handrobona ho voam-pitia mpandresy
Tsy sanatria hoe ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tefigasy/fitiavan-dray | Fitiavan-dray | Tefigasy | Efa impiry moa ry Dada ity maditranao no niala taminao?
Efa firifiry koa ireo toetra mahatofoka nataoko mba ho anao?
Nefa dia fitiavana, fitiavana hatrany no nasetrinao ireny
Fitia tsy mety ritra, fitia tsy misy mpanana, fitia ombieny ombieny!
Fantatro ankehitriny, fa tena tia ianao, tia tsy misy fitaka
Vonona hat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tefigasy/tsy-nahoana | Tsy nahoana | Tefigasy | Ho setrin'nilay tonon-kalo hoe nahoana !
Tsy asiana hoe nahoana,
Fa fiaianana eto izany,
Tsy asiana fisentoana
Na arahina tomany!
Fa ampiasao ny saina
Hatanjaho ny loha,
Fa ho an’ny manana aina:
Ny ratsy sy ny soa
Koa aza mora kivy
Na be taraina loatra,
Fa andeha mba mikiry,
Miezaka, hitrotra,
Fa ady ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/fitaratra | Fitaratra | Rina | Inay aho fitaratra
ahazoako mahita
fa eo foana hono mantsy ianao
no mijery bika
na isan'ora na isa-minitra
mila tsy ho voaisa
Inay aho fitaratra
ahazoako mitaratra
na miakanjo ianao na mihanjaka
hitako eo daholo
izy manontolo
Mba inay hono aho fitaratra
anehoanao foana,foana
na ny miseho na ny mihafina
ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/mitomany-ilay-fitia | MITOMANY ILAY FITIA | MiséVonjy | Ny orana mikoriana, toa ritsoka an-tafo-trano
Ny volon’andro maloka, rivotra arahin’erika
Lokon’ny fitiavako, ranomaso toy ny rano
Mandena ny fitiavako, resy mila ho rendrika
Injany ny filatsany, gadogadona kotaba
Manindrona ny foko, ilay nitia tsy mba tony
Toa akora manenji-dresy, manamaina izato vava
Mainan’or... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/mpisoloky | MPISOLOKY | Riantsoa | Hendry, hono, izato ianao;
tsy hamadika na oviana,
tia ny masaka am-potony,
tsy mpioty ny mangidy!
Aiza ho aiza izany izao,
sa natao fampatoriana,
fanafenanao ny lotony
ho an'izay tsy mitadidy?
Inay aho tsy sodoky
ny endrikao mareva-doko
....ilay kintam-pifaliany
norombahanao bontolo!
Eh! ianao ry mpisoloky... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tefigasy/vavaka-ho-azy | VAVAKA HO AZY | Tefigasy | Ray ô ! apetrako aminao ny fiainany eto an-tany,
Iriko mba ho Ianao no hitantana azy hatrany,
Fanilo mpanazava, andry fiankinany,
Hanome fiainana, hitarika ny diany!
Ho fifaliana hatrany no iarahany aminao,
Ho feno fitiavana ilay fiainany vaovao
Ravahan-tsikitsiky sy endrika sariaka,
Hipok’hasambarana, ho lavitr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajo/tsy-ho-lena-ianao | TSY HO LENA IANAO | AJO | Tsy ho lena ianao,
toa ahy...
toa ahy, kotsan'orana an'alim-pahavaratra
mikotrokotrok'andro,
mikotrika masoandro
maraina vao hiposaka.
Tsy ho lena ianao, f'izah'
miandry rivotra hitosaka
hanamaina miandalana
ito lamba mialin'andro,
sitrany mba malamalana.
Tsy hangitsy ianao, f'izah'
izaho kosa mbola hamindr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tefigasy/tolory-tanana | Tolory tanana | Tefigasy | Ray ô! Tsinjovy sy vonjeo ireo mpifankatia,
Izay efa nifanaiky fa hiaraka ho doria
Aza avela irery fa tantano sy vimbino
Ny fiainany tontolo, tsilovy sy fihino.
Ray ô! Malama sady lavitra ny lalana halehany
Maro fahavalo ilay fenitra henjehiny
Ka tolory tanana izy fa malemy sady osa
Manoloana ireto…. olana miavo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/entan-indram-peo- | ENTAN INDRAM-PEO | raozigasy | ireo kirakiram-po tsy tanako,
no nanjary sora-tanako,
ka taminao no nikambanako;
ireo no navadiko ho teny,
tiako hotanisaina ombieny,
hovinakinao mpireny;
ireo no narafitro ho boky,
hopetsoninao boloky,
sy hovakianao haka loky ;
koa raha maminao ireo,
dia hotrony aho ry zareo,
amin'ny hetsiko "INDRAM-PEO" |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/siotsioka | SIOTSIOKA | MiséVonjy | Siotsioka tsy hay fiaviana,
Tononkira tonga ho azy
Zary kalon’olo-tiana
Miverimberina toa sazy.
Sarisary mialoalo,
Manalokaloka fijery,
Mitoetra tsy takalo
Zary namana tsy very.
Embonembona mandalo
Mandrakotra fisainana
Tompontany tsy mpandalo
Larolaron’ny fiainana.
Fa rivotra mitsoka
Mitondra embona…manit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misa/ny-fitia | Ny fitia | misa | Ny fitia
Toetra iray izay tsy mety ho voafafa.
No mibahana ato anatitsika olombelona.
Tsy mifidy na saranga ary tsy miafahafa.
Fa ita eny fona ary toa tsy manelingelina.
Na fotsy na mainty na zarazara.
Misy azy eny fona na izà mteny aza.
Anjaranao no mifidi,anolokolo,izara.
Izy io tsy mifidy na atolotra anjara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tefigasy/fanoloran-tena | Fanoloran-tena | Tefigasy | Efa taona maro izay
No niantsonao ahy ry Ray
Mba ho tena zanakao
Hiaina fiainam-baovao.
Saingy izao no tena adala
Ninia nikipy, tsy hahalala
Ny fitia natolotrao
Sy fahasoavana hatrizao.
Dia nivily lalan-dava,
Dia nandà, namoaka vava,
Ka niala taminao,
Nisafidy tsotra izao.
Ankehitriny kosa anefa
Dia voadon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tefigasy/nahoana | Nahoana | Tefigasy | Nahoana angaha no nisy ny tomany?
Nahoana koa no nisy ny sento sy ny jaly?
Nahoana ianao no miaina anaty fihafiana?
Feno fangejana, ngidim-pahoriana!
Nefa dia lazaina fa fitiavana ny fiainana
Paradisa kely tsy misy fitarainana
Fa fifaliana lava, tsy ahitana ankaso
Koa nahoana re no misy ny mandotsa-dranomaso?
S... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/mahia-zahay-dika-vilana-looool | MAHIA 'ZAHAY | Riantsoa | Jereo ny namanay:
voahidy tsara ery!
sady izay indray
nasiana rojovy!
Jereo ny taninay:
vidian'ny Tsarasoa;
ny asa kosa indray
voagetiny avokoa!
Ny haren'ny Dadanay
miavosa aok'izany;
dia ny faladianay
no tsy mandia tany!
Ny zokinay moa
mpikosoka mahay:
voakosony avokoa
ny atidohanay!
Angaha ny loha iha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/hafatra-paska | Hafatra Paska | Rabetokotany Latiana (Petakasoa) | Hafatra Paska
Miarahaba antsika notahian'ny Avo;
nahatratra indray izao andro Paka.
Endrika mirana, fo ravo,
no aoka handraisana hampiorim-paka
ao anatintsika ilay Famonjena
natolotra ho fanafahana
amin'ny olana samihafa, sesehena
hita ho mila hahazo vahana
hampihemotra @ asa fanompoana
ary mety hamono tsikel... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heritreritro/tandremo-ry-zandry | Tandremo ry zandry | heritreritro | Somary sorena indray aho ry zandry
Nanoratra ity « inspiraka » ity
Indraindray koa mba valaka mantsy ny sandry
Dia izao 'lay mahatonga ny bandy hana-py !!
Ilay kôzy tsy niova fa kôpy ihany ialahy
Ny ao am-bovo ry zandry no mampiahiahy
Fotoana hoatr’izao ilay maha saina tonga
Kay ny fanambadiana ‘lty tsy somonga ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hents-fy/ilay-tsingerin-taona | Ilay tsingerin-taona | hents fy | Hiakiaka sy tomany
No hany zay mba re voalohany
Nahatongavana teto an-tany
Tamin'ny andro niatombohany
Mitamberina eny foana
Ny ora maro sy fotoana
Dia miverina sahady
Ilay tsingerin-taona
Tsingerin-taonam-pahasambarana
Nefa hisy fitsaharana
Alahelo be tokoa
Nefa atao ahoana moa!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hents-fy/lasa | Lasa... | hents fy | Raha handeha ianao ka handao
Angamba mety ho fantatrao
Ny fahoriako tsy ho lazaiko
Fa aleo ho ato an-tsaiko
Malahelo aho milaza
Tsy hitomany toy ny zaza
Hnagina ka tsy hiteny intsony
Hitalaho ny any am-bony |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/ilay-solo-tenanao | Ilay solo-tenanao | Rina | Satriko fihinina
ary koa vimbinina
tiako ho tehirizina
ho voarakitr'ao anaty
tsy hisarak'amiko mandra-maty
Fa io no any solo-tena
tsy novidiana fa nomena
efa natolotrao ho ahy
ka ho tanako tsy amin'ahiahy
Rehefa tsy eo ianao
ho jerena sy tazanina
rehefa tena manina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ratra-afaka | Ratra ho afaka | AMN (Arialy) | fa ianao angaha mihevitra fa izy iny kilalao
ka hoe mankaleo sy azo hariana tsotra izao
toy ny tsy nisainana ilay fitia niaraha-nita
ka hoe lakana havela fa ianao efa tafita
ny tendrim-po ekeko fa mety tsy hoe finidy
rehefa izay no natao dia nekena ho safidy
ny hoe lalao fitia amiko dia azo asiana fetra
fa tsy i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hents-fy/neny | Neny!!!! | hents fy | Neny mamiko tsy foiko
Ny teninao tsy hohadinoiko
Fanoroana anatra maro
Fahalalana mifangaro
Natolotrao ho ahy ireny
Hafaliana ombieny ombieny
Tsy ho very rahatrizay
Fahatsiarovana ho ahy
Ianao ilay reny sarobidy
Ka mamita ny adidy
Ho anay sombiniana
Izay natao ho andrandraina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/tompo-o-ataoanay-ahoana | Tompo ô! ataonay ahoana | Rabetokotany Latiana (Petakasoa) | Tompo ô ! Ataonay ahoana ?
(Atolotra an’i Haingomalala sy Doudou )
Tompo ô ! Ataonay ahoana no tsy ahatsiaro
Anao niambina ny tokantranonay sy niaro
Andriamanitra azo ianteherana sy itokiana
Nahatraranay izao faha 25 taona nivadiana
Tompo ô! Ataonay ahoana no tsy hametraka
Eo aminao ny hoavinay ,ho lavitry ny he... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/o-ry-foko | ô ry foko | AMN (Arialy) | ô ry foko izay torovana aza dia asiana triatra
izy no lasa ka ianao no hitomany isa-minitra
aleo ho any ny tsy tia, aleo izy tsy ho heno
fa sao ataony ho kilalao inty fitia mbola feno
ô ry foko aza manahy, izay hoe fisarahana
aoka moa izay ny sento, mba asio fifanarahana
aleo iny hilamina any, fa tsy misy ilana a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heritreritro/mba-lanjao-kely-azafady | mba lanjao kely azafady | heritreritro | Mba lanjao kely azafady
Dieny mbola tsy mpivady
Ny hasarotam-piaronao !!
Mpifankatia tsy miantsy miady
Nefa aza enjanin-droa ny tady
Fa mba matokisa ianao !!
Tiako ianao, marina izany
Sanatria tsy ho hanihany
Nefa kosa mihevera !
Maro ny olona eto an-tany
Ny manja koa tsy mety lany
Noho izany mandefera !
Ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado-ramaherison-1/dieny | Dieny. | RADO RAMAHERISON | Dieny mbola velon' aina, aza kivy ianao,sakaiza
Aza resin'ny taraina fa hazao hatraiza hatraiza
Ny anjara tsy midify, anjaranao ety
mba hisambaranao rehefa mby ery
'Dieny mbola velon'aina,milofosa ombieny ombieny
Fa ny adinao ety dia ady ihany ireny
Ady ho fandresena raha toa ianao tsy kivy
Ny mamy no andraso ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hents-fy/vavaka | Vavaka | hents fy | Vavaka no sisa atao
Hatsiarovako anao
Tena feno fahoriana
Satria nandao ilay olon-tiana
Tsy sitra-po velively
Ary koa tsy an-tery
Fa avy @ ilay ray
No hiantsony anao mandrakizay
Lasa ianao r'ilay tsy foiko
Iza indray no hikaloiko
Hanampy ahy eto an-tany
Satria ianao lavitra any
Dia ny vavako ihany sisa
No ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hents-fy/dada | Dada!! | hents fy | Tiako loatra ianao ry dada
Nampianatra ahy hibadabada
Nanome fitia feno
Namporisika ahy hiaino
Nanoro ahy ny lalan-tsara
Ary koa nanambara
Fa ny fiainana ho soa
Raha toa ka mankato |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiarah/tantara-tsy-ho-vita | Tantara tsy ho vita | Tiarah | Tomany ,toloko, toreo sesilany
Tsy mety ho afa po fa mitia , mitia hatrany
Mivavaka , manonofy , mananantena ny maraina
Ho tapitra , ho dila , vita hatreo ireo taraina
Ny azy mantsy ilay fitia ,tena fy , lalim paka
Ka na faran ny mangidy ,efa vonona ny hizaka
Ny rà mikoriana, fo mitempo anatiny ao
Dia noho ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/fitia | Fitia | AMN (Arialy) | vao tonga ilay ora, efa tsy andriko éry
ilay ianao ho tonga, hiaraka amiko ety
eny safidiko izany, tena tiako sy niriako
ilay fihavianao, nampisy lanja ny fisiako
eritreritra nandalo, lasa tena zava-tsoa
fanomezana tsy foy, ary tena soa tokoa
fa fitiavan-dehibe no azoko isan'andro
fifaliana lalandava na maraina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbinintsoa/fitia | Fitia | Mbinintsoa | ‘Lay tia fa tsy miteny
No tena tia tokoa
Tsy miandry akory lay “eny”
F’efa sambatra ny fo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/ianao-tokoa-ilay-voninkazo | IANAO ToKoa ilay VONINKAZO! | ANDRINIAINA1 | VONINKAZO
Ianao tokoa ilay voninkazo;
Ilay koloiko tsy halazo.
Ilay tiako ka hajaiko,
Ilay mamiko sy lalaiko.
Voninkazo tena soa;
Tsy mba manam-paharoa
Nanentana fanahy,
Ho afaka ahiahy.
Voninkazo tena tsara;
Tena irina mba ho anjara.
Nanentana ny saina;
Hahay hanaja sy miaina.
Voninkazo tena kanto;
Mampi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiarah/ambom-po-tsara-toerana | Ambom po tsara toerana | Tiarah | Lainga ny hoe hanadino
Lainga ny hoe tsy mila intsony
Lainga, rediredy tsy mampino
Lainga ihany fotsiny hanalana lonilony
Mody hoe veloma mandrapihaona
Mody hoe mahazoa izay iriana
Mody hoe tsy mila intsony ny mihaona
Mody hoe hadinoy ny atao hoe tiana
Ny marina ,fitia tsy mba maty
Ny marina ,AMBOM PO taflatsa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/aza-resy | Aza resy... | AMN (Arialy) | Aza asiana jery akory irony mason'ny tsy tia
tsy mila sento na dia kely, fa ataovy sanatria
ny alahelo, ranomaso, alaviro ka fongory
sao izay hadalany any no tsy ahitanao tory
Aza saininao mihitsy, avelao any ny azy
fa raha izy no hoe diso dia ho azy koa ny sazy
fa ny fiainanao mitohy sy tsy hisy disadisa
aleo i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/lazao | Lazao | Rina | Tiako ny miteny
hanambara ombieny,ombieny
fa ny fitiavana dia tsara
ho an'ireo 'zay tsy mahalala
Ambarao!Dradradradrao
fa na izaho na ianao
eny isika rehetra izao
dia nomen'Andriamanitra fitiavana
ka tokony hahay hiavana
Na i dada na i neny
na ry zoky na ry zandry
eny!ny mpianakavy
dia tokony ahitana daholo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arast-rasamuel/miangavy | MIANGAVY | Arast RASAMUEL | MIANGAVY
Miangavy re ry tiako
Miangavy mba avelao
Irony ratsy vitako
Ka ho fiainam-baovao
Miangavy re ry tiako
Aoka tsy ho ravana
Ilay fitia nokoloiko
Fitia mbola mafana
Miangavy re ry tiako
Ifonako ny vitako
Honerako ny lasa
Ka ny ho avy nokinasa
No nde ho banjinina
Ka ho hafanana fa tsy ho ririnina
Mia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajo/ora-fahafiry | ORA FAHAFIRY? | AJO | 'Zao no ora fiketrehan'
ny nahandrom-barintsika
amin'ito nongo triatra;
'Zao no sora-pilenteham-
bolon'andro mangatsiaka
eto andoharano ritra
'Zao no ora fisalorana
ny akanjo izay navitran'
ny kofehy sy fanjaitra
'Zao no mora hisamborana
ny endrikao nadikan'ny
fitsikiny, nanaitra
'Zao no ora fangotrahan'
n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/hafatro | Hafatro | AMN (Arialy) | Raha hiala aho anio, tadidio fa tsy iniako
ny handao izao rehetra, ary koa ireo tiako
fa tendry avy ao ambony ary koa tsy azo lavina
ny hoe handeha irery sy koa handao ny tiavina
Rehefa lasa aho, dia izao no hafatro, lazao
Aza asiana latsaka na kely, ny filazako izao
fa ianao no mpandray, sy mpizara ihany koa
Ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/arira | ARIRA | raozigasy | Ireo sisasisam-pitia, natsipitsipy fahatany
Ireo teny mamy izay naloaka, nambarambara tamin’izany
Dia nangoniko mangina
Ireo sary zoro kilalao, sy ireo sangisangy adala
Ireo anaram-bositra fanao, Angolan-teny sy malala
Mbola tononiko mangina
Ireo halatrala-tsafosafo, nakako tsirony an-kamehana
Ireo fikipikitra t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/lasa-ilay-mahery-fo | LASA ILAY MAHERY FO | RATSIMBA Georges | Eto anio no hoborahiko
Ny vetsovetson’ny fanahiko
Vonton’alahelo loatra
Noho ny sangy tafahoatra
Tena adin’ny kanosa :
Ady am-pitaka
No mampiboha ireo fahavalonao!!
Tsy mba veliranon’olona malama sady fetsy
Nivolambolana hoe “na ho vy na ho vato”,
Kanjo re ka hay : hatretsy!!
Ny anao Ratsimandrava,
Tena teni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/fiononam-poko | Fiononam-po | AMN (Arialy) | Ho azy, eny ry tsy hitako, no anoratako inty
indrisy izay tsy tazana, nefa koa toa be mpitia
fa voafandriny tokoa, inty foko ka nirefotra
tsy afaka ny hidola, ka milamina, tsy jefitra
Ho azy, toa miafina, tsy mba hita taratra eto
eny, izy indrindra, ilay hoe tiana, mapisento
tsy tononiko anarana fa mahavaky izato... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arast-rasamuel/fetin-tsika-anio | FETIN-TSIKA ANIO | Arast RASAMUEL | FETIN-TSIKA ANIO
Fety tsy azo ho adinoina
Ka tononkalo no ndeha ho kaloina!
Maro ny lalana nodiavina
Nisy ny ratsy tsy azo lavina
Fa nitoetra kosa ilay fitia
Fitia efa natao ho doria
Efa ho dimy taona lasa izay
Isika nitambatra ho iray
Dimy taona tena mamy
Satria ilay fitia tsy nety lany
Na dia tao aza ny ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajo/tsy-tafandry | TSY TAFANDRY | AJO | Dia eto tsy tafandry
fa miandry
ny ora
isaloran'
ny salovanao
lalovan'
ny hirahira
nokiniran'
ny foko mba nibintaka
Dia eto miandry sary
izay navarin'
ny taona maro,
mifangaro
faharetan-
ketahetan'
ny alaheloko, mba hisintaka
Manantena volamena
ny fahanginana nosikinana
'lay endrikao iny, iky,
O! tsi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado-ramaherison-1/hafaliana-sy-alahelo | HAFALIANA SY ALAHELO | RADO RAMAHERISON | HAFALIANA sy ALAHELO
Hafaliana sy alahelo samy tonga tao am-pony
nony injay ianao nilaza tsy hipetraka eto intsony
Hafaliana ho azy fa hary elatra ny zanany
Alahelo koa anefa fa ho lasa ilay malalany
Hafaliana sy alahelo samy tonga tao am-pony
Ny hafaliana anefa no nilaka , niambony
Hafaliana ho azy fa nahatsang... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ora-sy-daty | NY ORA SY DATY | Fredy Jaofera | namboraham-pitiavana,
mbola tsy maty
sy nitondra fahasoavana.
nahasambatra antsika,
mbola soraty
fa norakorakofako pika.
nambara ho fahoriana,
aoka ho poak'aty
fa tsy tsara ho valiana.
nampisaraka indray,
aoka ao anaty
fa tsaroana ho mivay. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajo/holazaiko-ve | HOLAZAIKO VE ? | AJO | Holazaiko ve fa
banga ora maromaro
ny tontolon'androko,
tsy nisy ny endrikao
madinidini-masonkoditra,
mandomando ranon'ando
nararaky ny habaka
tanaty tora-javon'ny
maraina maivan-doko;
De 'lay hodi-tavanao
tsy nila mangamanga,
tsy nila menamena,
tsy nisy maintimainty
nafotetaky ny loto,
fa kanto ho azy te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/andramo-ka-zahao | ANDRAMO ka ZAHAO! | ANDRINIAINA1 | Andramo ka zahao!
Andramo tokoa ka zahao;
Eo anivon'ny fiainanao.
"Fa tsara tokoa ngeh Andriamanitra"
Ry mpanompo mbola miahotra.
Andramo tokoa ka zahao;
Fa ho hitanao sy tsapanao:
Fa IZY Tompo tsy mandao;
Ary eo foana, miaraka aminao.
Andramo tokoa ka fantaro;
Fa IZY Tompo dia miaro:
Ireo zay miankina sy mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lalypiso/hambom-po-diso-toerana | HAMBOM-PO DISO TOERANA | Lalypiso | Avelao izy ho any
Fa efa tsy sahaza
Fa ny mahagaga…
Toa mahalala fomba ihany
mahay mampilaza
Fa matoa miala tsiny
Dia mbola ianao no tiany
Fa manakambo fotsiny
Miseho ho sarotiny
Tsy sahy miatrika akory
Sao ho soritra amin’ny tavany
F’izy tsy nahita tory
Nisaina anao rahavany !
Dia miangavy ny alikany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajo/teny | TENY... | AJO | Teny aho
teny am-pamotoanan'itsy
morona farihy
sy ny taratra voavoatra
avy etsy ankotrahoatran-
tsefa-drahona, nandihy
nefa ianao, tsy mbola tonga
Teny aho,
teny an-dalana fihaonan'
ny andon'ny maraina
sy ny tranga moramoran'
irony felana tanora
teny an'ivon-jaridaina
fa noheverinao somonga
Androany ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajo/ianao-ihany | IANAO IHANY | AJO | Samy teo ry zareo,
de teo koa ny hafa,
de teo izy, teo!
fa ianao ihany ho'aho
no tiako hiarahana mitafa...
Ianao irery
ianao ihany
no nitopazan' ny jinery
tao anaty vazan-tany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/tsy-ianao-mihitsy | TSY IANAO MIHINTSY | RIJADOLLY | TSY IANAO MIHINTSY
Tsy ianao mihintsy ny hamafa ny lotoko
Ny lotoko izay mivanditra ny endriko
Fa kosa, hanambany ahy fa tompoko
Ka hanome setriny tsy mendrika
Tsy ianao mihintsy ny hanao azafady
Ity olona mavomavo izay efa voafetsy
Fa kosa, handika mba angatak' ady
Ity olona osa, manomboka ho resy
Tsy ianao m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/fa-angaha-dia-izao-ihany-no-andro | FA ANGAHA DIA IZAO IHANY NO ANDRO ? | ZOZORO | Izao aho no mitanondrika,
Izao aho no misento.
Izao aho no miantso vonjy
Ho avotrin'ny fianako eto
Izao aho no mitomany
Hitan-danitra ao ambony,
Fa any andro...any taona...
Izaho tsy hitaraina intsony.
Izao aho no hita resy,
Izao aho no hita lavo.
Izao aho no andosirana
Satria mbola mavomavo,
Izao aho no vo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/vavaka | Vavaka | Rina | Ianao ry Ray no hanakinanay
izay làlana hombana
sy ny fomba itondrana
ny fiainanay
Ianao ilay tsy mba mandao
na inona na inona atao
Ianao ry Ray Mpahary
no tsy mba manary
fa miaro sy mitahy
tsy ho azon'ny fakam-panahy
Na mafy sy mafaitra
ary mila tsy ho laitra
ny akason'ity tany
Ianao tsy aiza fa eo ihany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lalypiso/azy-ianao-fa-tsy-ahy | AZY IANAO FA TSY AHY | Lalypiso | Takolako ravahin’ny boiboikan-dranomaso
Toloko-pahoriana miantsoantso hoe andraso
Takalom-pitiavana namelanao ahy ho irery
Takela-pahatsiarovana tamin’ilay fitia tsy antery
Fa azy ianao fa tsy ahy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lalypiso/nofiko-hono-hoe | NOFIKO HONO HOE ... | Lalypiso | Nofiko hono hoe,
Tampototr’ilay tataovovonana aho naka alokaloka
Iny ianao namikiviky, tonga niala satroka
Dia nandoalika nifona …
Mba ho taondasa tsy tsaroana
ireny lonilony….
Nakipiko ny masoko mba hijereko anao
Toa hianao vaovao ?
Dia niposaka tanaty alina indray ilay masoandroko
Ka nanjary diavolana ihany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ilay | Ilay | raozigasy | Ilay …
Ilay sariakanao, miresaka mitafa
Ilay fitsikinao, tsy miavona na mihafa
Ilay angolam-peo, satry foana ho re
Mitambatra manjary, zoto be dia be
Ilay tafa an-tarobia, tiana hoe hitohy
Ilay resaka atao, tsy tiana hoe ho fohy
Ilay halatra fotoana, tiana hoe itarina
Satriko haheno anao, izay no tena marina
I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lalypiso/natambatry-ny-soratra | NATAMBATRY NY SORATRA | Lalypiso | Ny peniko manaiky
Hikorisa sy hanoratra
Satria eo ianao
Tena silaka fanahy
Fa tsy mba namanamana
Namako akaiky
Amin’ny teny sy ny soratra
Izay rehetra atolotrao
manome aingampanahy
dia mivadika ho andalana
ka manorata ihany …. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lalypiso/fiara-pahasambarana | FIARA-PAHASAMBARANA | Lalypiso | Misavovoana aok’izany ny alaheloko
Toa havoana
Eto amin’ny tanànan’adintsaina
Babangoana
Toa mandavaka ny taniko ny heloko
Ny fotoana…
angamba hamaly ny taraina
Miandry fiaram-pahasambarana mandalo
Hiakarako
Miandry tanam-pahasoavana mitsotra
Hifaharako
Sady miafina ny lefom-pahavalo
Tsy ho arako
Mananten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/ny-nahitako-anao | Ny nahitako anao | Andrin'ny Avo | Afo kely no nirehatra,
nitsilopy tao an-tratrako,
fa toa kotroka nitselatra,
ianao ilay vao tazako;
Afo-manga, doboka amponga;
nifety anao ny tao am-poko,
ilay nandrasako no tonga
hampisinda ny toloko;
Tsy hiato aho tsy hitony!
hoy ny foko maika ery,
tsy hitady hafa intsony!
fa aminao no hiara-dia;
Dia fije... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/baraingo | BARAINGO | HASINIONY | Tsy mino ve ianao?
Fa ny ankohonana no an-tàna naha mamba
Iarahana miantsoroka izay zavatra mitranga
Ao ny mamy iraha-mifaly sy ny itondrana faisana
Dia ifanakonana ao; nohon'ny rà izay iraisana
Tsy arirariran-dresaka ny hoe "velona iray trano"
Io 'lay rohim-pihavanana izay tsy mety atao angano
Ary ao no omena a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/naleoko | Naleoko | Rina | Naleoko ho amin'izao
nihaino ny feonao
fa toa ilay fihaonan-tsika
no nampisy disadisa
Naleoko tsy nahita anao
fa nijanona amin'zao
mba ho ny antso 'tsika
no hampita vaovao
Naleoko nionona tamin'zao
fa rehefa nifankahita
dia nitsahatra hatreo
ilay fifandraisan-tsika
Na serasera an-tsoratra
na an-tariby
dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ireto-tononkaloko | Ireto tononkaloko | raozigasy | … ho rakitry ny ela
Sy taratry ny lasa
Ireo soratra navela
Sy toky nokinasa …
… ho tsiaro tsy ho tonta
Sy omaly hovetsoina
Na mafy fisamonta
Ny fanadinoina…
… ho tantara mamy
Hokaloin’ny zanako
Rehefa tototry ny tany
Ireto rantsa-tanako |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/any-ianao | Any ianao... | Rina | Nofiko izany izaho
namihna anao
kanefa toa ho nofy ihany
raha amin'izao fotoana izao
Any manko ianao
asa!mety manadino ahy
na tsy te-ahatsiaro
izay rehetra momba ahy
Izaho irery sisa no mamisavisa
sy any mitanisa ireo lasa 'tsika
toa mahatsiaro very sy manirery
fa any mantsy ianao,lasa sy mandao
Ny eriterit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ry-foko-o-misandrata | Ry foko o misandratà | raozigasy | Ry foko o ! misandratà
Avia ianao mitraka
Ka aza odiana re
Ireo jaly marobe
Niainanao fahiny
Ry foko o ! aok’izay
Ity kapoka kibay
Hifandatsanao tena
Sy antso hoe miverena
Jereo ny ankehitriny
Aleo ny lasa ho any
Efa fahiny izany
Aleo ny taloha hatory
Aza tsaroana akory |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lalypiso/impiry-ny-valifatinao | IMPIRY NY VALIFATINAO ? | Lalypiso | Impiry ianao diso lalana kanefa tsy nivily, fa nikiry
Impiry ianao nijery lanitra mba ahita ny masoandro
Impiry ianao mba niteny f’izy niziriziry
Impiry nanantena… mbola ho maraina ny andro
Impiry ianao no ory , niandrandra fifaliana,
Impiry ianao no adala nitavandra fahendrena
Impiry nitomany nihanta fitsikiana... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.