url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/sehatra-hafa-album-sangodina-raphael-spartacus | SEHATRA HAFA ( ALBUM SANGODINA ) Raphael Spartacus | NY Andri-Fara | SEHATRA HAFA
Tany aho...Tany....tany
Nizotra ho amin'ny fahafahako
Tsy nikely soroka aho ,
Satria , ady hono ny fiainana .
Niezaka aho
Nikaroka ny fahafahako
Nahoana ary fa tsy fantatro ;
Ho an'iza kay ny fahafafako .
Nobanjiniko ny làlako
Nideza ka tsy afako ,
Toa tsy misy ilay mpanavotra ;
Ho an'ny resy l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/hiranao-poeta | Nolaingosako aman-taho | tsiolaka | Toa fikarantsan'ny valiha maraina vao maneno akoho
manainga ny fanahy hanakatra haba-manga,
toa feon' angorodao...! valo lambanana ankiroa.
Toy ny tsikin-jazakely vao maraina sanjasanja.
Toa ny hiran-doharano miparasaka amim-kery
maninterak' avana amin'herikerik'ando,
toy ny taratra johary miaro siokam-boronkely
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/menaky-ny-aiko | MENAKY NY AIKO | AORN | Indro tsinjoko ilay sombinaina
Fa mitombo miandalana hatrany
Dia mivoatra ny fo sy ny saina
Fa ny tahotra Mbola eny ihany
Io mijaiko sy mandadilady
Te hiroso kanefa manahy
miherikerika sady mitady
Te hitroatra fa Mbola tsy sahy
Lay fijery toa mangasohaso
Efa zatra nokolokoloina
Dia mandinika manaramaso
Ka mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ventso-ho-ani-ako-album-aloka-sy-tsiky | VENTSO HO AN'I AKO | NY Andri-Fara | VENTSO HO AN'I AKO
Ako..Ilay anarana tsy foiko
Fony tao anaty nofy...,
Ako...Tsy tantiko jerena ;
'lay endrikao fa kanto ,
Ka menatra ny foko .
Nahoana ange ianao
No toa tsy nahatsiaro
Ilay fitiavako mangina ;
Ninoako ho fantatrao .
Fa ny foko sy ny saiko
Isan'andro vaky izao ...,
Dia nahatsiaro anao ;
Fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/lilatra | Lilatra | tsiolaka | Mahay 'nareo lehiretsy a,lilatra dia lilatra
Ny Ntaolo razanay angamba mety ho rarak'ivy
amin'izato fahendrena sy sainareo mahiratra
vesaran-diplaoma miavosa be izay tsy izy
Mazana ianareo e! tena lalim-pandinihana
Mahay manavao ny tsy takatry ny hendry
Voasira vetivety Mbola teny am-panidinana
Ilay valala mpian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/timoty-josto/tsy-ho-ahy | Tsy ho Ahy | Timoty Josto | Tsy Ho ahy!
Isanandro aho mandinika ny fahatsaranao
Fa toa tsy misy fanamperany
Ny fitiavako anao,raha sokafana ny foko tsy tapany fa efa erany
Ilay volonao amin'ilay itiavako azy,tsy ngita tsy malama fa eo ho eo
Mety adiniko izao rehetra izao
Raha ianao no eo anilako eo
Eny fa na ny alokao no tazako
Nefa toa m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-hendry-tia-ny-marina | NY HENDRY TIA NY MARINA | Fredy Jaofera | NY HENDRY TIA NY MARINA
Ny hendry tia ny Marina
raha mijoro ankehitriny
fa tsaroany ho mivarina
iny lalam--piainana iny.
Ny hendry tia ny Marina
raha korontana no hita
fa maro no nangalarina
ny vato mba hahatafita.
Ny hendry tia ny Marina
raha izao mamoaka feo
fa eritreritra ny hanarina
ny fahoriana mankale... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voady/voady | Voady | Randja | Ny voady izay nataontsika roa, izay natsangantsika roa
tsy mba voady amin'ny vava fotsiny ihany
fa mbola miaina ao am-po ao tokoa
sanatria ny ho fongana na ho rava fahatany
Tsy an-tery ny fanekena izay nataontsika roa
najoro ho fefy hiaro ilay fitia mba tsy ho faty
zary ho voady volamena dia voatahiry ao am-po
h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rinhary-na-i-rakoto-rakotomalala-rivonirinharinala/alina-mangina | ALINA MANGINA | Rinhary na i rakoto-rakotomalala rivoniRINHARInala | (dika 1.0, pantoum)
Alina mangina
Tsy misy tabataba
Ny voahary rehetra siana
Fa reraka angamba.
Tsy misy tabataba
Re eny an-dalana eny
Fa reraka angamba
Ka tsy misy re teny.
Re eny an-dalana eny
Feon’angely sisa
No hany re teny
Mikiririoka, mitanisaisa.
Feon’angely sisa,
Fa ny voahary rehetra siana,
Miki... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.e/malala-o | Malala o | R.E | Malala oh,tsapako fa mafy ny sedra holalovana.
Maro ireo hanenjika ka mety hahatorovana.
Nefa aoka ianao hitraka,ahery lalandava.
Fa indray andro any aki ,io olana io hisava.
Moa mba tsapanao fa maro ireo tsy faly?.
Mikasa ny andrava ny voadintsika omaly!.
Nefa izao malala ah!zao atao am po!.
Efa am-pelatanan dr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/herin-tsaina | Herin-tsaina | lain's rakoto | Teo aho
Tsy niala teo mihintsy
Tavela sy tafapetraka
Nianoka hasambarana
Teo aho
Tsy niala teo aho
Niraikitra toy ny dity
Tsy hay fafanana teo aho
Nefa indrisy
Tsy tazanao akory
Ny fihetsiko ireo fijeriko
Tsy nahoanao
Na topi-maso kely monja
Ny foko sy ny saiko
Ny amiko rehetra
Tsy nisy iray tavela
Na k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-radontsoa-mamiratra/ny-foko-sy-ny-fony | Ny foko sy ny fony ... | Ny Radontsoa Mamiratra | Ny foko? Mavokely! Mivolombolon-tsiky,
manafana ny aiko rehefa izy mijery;
Mihaika hirahira sy fitia mitampify
anaty topi-maso mipitra, manirery,
rehefa aho eo anilany …
Maniry te-ho silany …
Ny fony? Volon-tany! Manitra hatsarana:
Mifono fahendrena sy halemem-panahy;
Andry sy fialofana mpampiely hafanana
rehe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rinhary-na-i-rakoto-rakotomalala-rivonirinharinala/maso-voan-tsakay | Maso voan-tsakay | Rinhary na i rakoto-rakotomalala rivoniRINHARInala | Ny maso voan-tsakay!
Rehefa avy voany
dia izao no tsaroany:
Tsy hisy tsony re!
Na ho kely, na ho lehibe
fa soa lavo hahay mamimndra
ka fakainy indrindra indrindra
Andrao handoro indray |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/teo-am-pahatongavana-album-aina-nafindra | TEO AM-PAHATONGAVANA | NY Andri-Fara | TEO AM-PAHATONGAVANA
Dia iny ianao fa nizotra moramora
Nanarak'iny moron-dranomasin'iny .
Nanitsy hatrany...tsy fantatra ho aiza ;
Miramiran'endrika sy falifaly aok'izany .
Tonga ianao...Nanolona ilay akany
Nibanjina ny faravodi-lanitra iny ,
Dia nikoriana teo ilay hany ranomasonao ;
Fa any misy tiana...Tsy nit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rinhary-na-i-rakoto-rakotomalala-rivonirinharinala/mahavelona | MAHAVELONA | Rinhary na i rakoto-rakotomalala rivoniRINHARInala | Tonga ny maraina:
Velon-tsioka ravorona,
Mivelatra ireo felana
Ery an-jaridaina
Fa tonga ny maraina.
Maneno ireo ankoh(o),
Mihiratra ny masoandro.
Sao tokony hifoh(a)
Hanokona sy hahandro
Fa maneno ny ankoh(o).
Vononina ny saina,
Atrehina ny mazava,
Miranina ny tava
Ka vononina ny saina.
Katsahina ny soa,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ny-lasa-miverina | Ny lasa miverina | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | ireo tsikan'ilay ranomasoko very
Namono ilay afo nataoko hanafàna,
Ireo indray miakatra ho entona kely
Tandrifin'ny hoaviko tsy azoko ialana.
Ireo vakin'ny siniko efa feno molaly
No 'ndreo fa mirendrika indray anoloako,
Efa nafoiko sy adinoko omaly
No manatitra tsiro hafa indray hosotroiko.
Ireo vakivakin'ny sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/ny-tontolo-maintso | Ny tontolo maintso | Frederic Rnf | Ny tontolo maintso
Ny tontolo maintso manodidina ahy,
Manainga ny aingam-panahiko
Mampivelatra ny saiko hanaka-davitra
Ary mamelombelona ny atim-pahalalako.
Ny hazo maitso manopy maso ahy,
Manome alokaloka sy fiarovana ahy.
Ny vorona mihira manome fiadanana,
Ny rivotra mangatsiatsiaka manome fahasambarana .
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zaka-berthot-randrianasolo/lavitra | Lavitra | Zaka Berthot RANDRIANASOLO | LAVITRA
Izany rivotra misiotsioka,
malefaka eny amin’ny tavako
Tsara, matehotia, nefa kosa,
tsy ao no ahitako… ny hasambarako.
Na dia milay aza ny andro,
mibalika ny masoandro
Raha lavitra ianao aho ry tiako
Toa haizin-kitroka no hitako.
Matsiaro anao foana aho
Tsy maraina tsy ariva,
Hany ka ny anaranao,
la... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/andro-tsotra | ANDRO TSOTRA | Fredy Jaofera | ANDRO TSOTRA
Andro tsotra anio
toy ny rehetra ihany
anefa dia tadidio,
misy fitia mankany.
Andro tsotra anio
tsy manahoana firy
anefa dia tsiriho
fa tsiaro no mitsiry.
Andro tsotra anio
tsy antenaina loatra
anefa dia itodiho,
misy toky tafahoatra.
Andro tsotra anio
tsy misy inona akory
anefa dia tsindrio... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/ny-epistilin-dreo | NY EPISTILIN-DREO… | RRAG | NY EPISTILIN-DREO…
Niova vony tokoa kia ny andro,
fa lasan’ny rivo-pivoharana,
ny penintsika fahiny.
Ny ravin-taratasy tahiry
izao, nanjavona tsy hita popoka,
nosoloin-java-baovao.
Finday no ‘njay naka toerana,
ka nifintina ny hafa-niampita,
tsy hilàna paositra intsony.
Ny hafatra mila ho isan’andro,
tonga m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rinhary-na-i-rakoto-rakotomalala-rivonirinharinala/fiononana | FIONONANA | Rinhary na i rakoto-rakotomalala rivoniRINHARInala | Tsy havelanay handrimbona ankory
Ny hamiranan’ endrikay ilay lalana tsy maintsy ho diavina
Fa ny hava-tianay na dia tena salama, na koa narary
Toy ny olona rehetra, ny fandaozany ny tany! Toraka tsy azo lavina.
Fa na hisy vokany toa inona aza, ny fitalahoana am-bavavaka
Ka hatafaverina indray ny havanay, efa fanta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/dada | DADA ! | AORN | Dada o
Satrinay ianao hijoro ho tena loham-piankohonana
Ka mandrafitra ny trano ho andry mafy sy vovonana
Saingy noho ny sotasota sy ny gejan’adim-piainana
Dia tsy sahy mitraka akory ka nahalasa ity fisainana
Fa nankaiza irony kiry nampalaza anao taloha
Tsy manaiky ny ho lembenana raha tsy maty paika an-doha
Man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso/manjavatra | Manjavatra | vetso | Molony misokatra
Mitsiky mampirenty
Ireto nifiny sosona
Te hirediredy
Vavany miteny
Manaitra izany fo
Handahatra ny teny
Amboraka ao am-po
Masony mijery
Te hampita hafatra
Miafina miery
Fa misy ny (manjavatra) |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/afatra-hoanny-ray-rehetra-ii | Afatra hoan'ny Ray Rehetra II | Rabarison Roberto Stephan | 2 - Hoan'ireo Ray pamono vady
Ny erisetra izay natao
Moa ve mba fantatrao ?
Mety eo ihany izy miafy
Ireo vono izay tsy tanty
Ianao ve mba manana anabavy?
Dia aza vonoina ireo vehivavy
Eny! Fanaka malemy izy ireny
Ka aza mba vonoina toy ireny
Kolokoloy sy aza mba ratsaina
Aza ampijalina, aza avela hitaraina
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rinhary-na-i-rakoto-rakotomalala-rivonirinharinala/aza-taperina-ny-ora | AZA TAPERINA NY ORA | Rinhary na i rakoto-rakotomalala rivoniRINHARInala | Raha mbola hisy hatrany ny orana hitete,
Etsy kely anie:
Ny an-tany hisy ho lena.
Raha mbola hisy koa, ary ekena,
Amin’ny lanitra ny rahona,
Tsy maintsy hisy ho takona.
Raha mbola ho tany koa ny tany
Ka hiodinkodina hatrany hatrany,
DIa mboka hisy rivotra hitsoka
Hamanala, hangatsiaka.
Fa, tsy izay fahoriana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/na-dia-mafy-aza-album-aloka-sy-tsiky | NA DIA MAFY AZA | NY Andri-Fara | NA DIA MAFY AZA
Ry alina mangina tsisy feo
Hono hoy aho nankaiza ?
Ireo sakaizanao tsy nahasaraka ,
Fa toa aloka ankiray ;
Tsinjovin'izato volana toe lefy taratra
Indro fa mandroso hatrany ,
Hamonjy izato tendrombohitra tomavana
Ho aiza ? ary avy taiza !
Fa manjoretra izato aloka .
Alok'iza no manjenjeny ?
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/soraty-indray-androany | SORATY INDRAY ANDROANY | AORN | Soraty indray androany
Fa any misy zaza
Tsy manan-dray sy reny
Toloko an-tsisin-dalana
Torovana irery
ka zoky no amaharana
Kanefa ito farany:
Tsy maintsy mba mikaroka
Zay eo am pelatanany
Manao zay asa tselika
Na amin’ny andro merika...
Karama taom-biriky
Fa tsy mahazo kivy...
Avy eo matsaka rano
Tetezina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tiako-ianao0 | Tiako ianao | lain's rakoto | Raha ny tiako dia ho eo
Ho eo akaikinao mandrakariva
Tsy hiala fa hitoetra
Nefa indrisy
Tsy mora ny fiainana
Ady sy tolona
Hazakazaka amoron-kady
Tsy vitan'ny tambitamby
Safosafo sy orokoroka
Tiako ny eo
Ny eo akaikinao
Nefa indrisy tsy maintsy aho handao
Handao anao
Tsy ho aiza akory fa hitady izay mahaso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/na-mafy-aza-tononkira-iray | NA MAFY AZA . | NY Andri-Fara | NA MAFY AZA
Tompo o! Indreto izahay
Hisedra sy hankatoa ny teninao
Vonona ny hitory...,
Hijoro ho vavolombelonao .
Na mafy aza ny ny adim-panahy
Na inona hitranga , tsy hampanahy
Tsy ataonay mahakivy ;
Tsy maintsy mandroso f'izay no didy .
Tompo o! na aiza na aiza no aleha
Na aiza na aiza hanirahana ;
Na fis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-alahelo-anao | NY ALAHELO ANAO | Fredy Jaofera | NY ALAHELO ANAO
Ny alahelo anao,
tsy zakan'ny halavirana
ka avia re, afaho
itony sento manahirana.
Ny alahelo anao,
mamoha indray ny lasa
ka avia hazavao
fa misy foana ny kinasa.
Ny alahelo anao,
tsy manala ny fitiavako
ka avia anjakao
hamiratan'itony tavako.
Ny alahelo anao,
tsy manam-pahataperana
ka na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/fitiavana-mandrakizay | Fitiavana Mandrakizay | Frederic Rnf | Fitiavana Mandrakizay
Mazava tsara toy ny masoandro miposaka
Ny hendrikao miramirana mahababo ny fo
Manentana ny fanahiko ny bitsibitsikao
Mitory ilay fitia tsy misy tambiny fa tena soa
Toy ny voninkazo mivelatra maraina
Ny tsikitsikinao malefaka mahafatifaty
Manintona ahy hanakaiky anao hatrany
Ka tsy itako in... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/faingana-re-fa-hariva | Faingana re fa hariva | Frederic Rnf | Faingana re fa hariva
Faingana ry zandry malala fa efa mandroso ho hariva ty ny andro
Ny lalakombana mantsy tena mbola lavitra ka herezo hatrany ny diha
Sao tratry ny aizina aty isika ka tsy ahita ny lalakombana
Sy ho henjehan'ireo biby dia masika izay ao anaty ny ala
Faingana fa aza ketraka ny Tompo anie ka momba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/mamiko | Mamiko | Skalove | Mamy ny fary,
fa tsy mamy noho ny tantely
Ary mamy koa ny tantely,
fa tsy mamiko noho ianao
Satria, ny fitiavako anao tsy lany hamamina
Tsy lefy ato am-poko na oviana na oviana
Ka na hivadika im-piry aza ny taona
Tiako sy tsy foiko ianao ka mamiko foana
Ary mamy koa ny mody,
fa tsy mamy noho ny miaina
Kanefa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/eto-an-tany | Eto an-tany | tsiolaka | Eto an-tany fandalovana ,heni-doza efa lò
Misy vony miha malazo ,tsara tondraka tomany
Rakotra alahelo lalina, tototr' alahelom-pò
Aloka sy avelon-tsento tsy ho levon'ny vinany
Misy maso roa mipitra am-paratazan'ny tsy hay
Sy pariakan'hazanava manjepizepy mitsilopy
Toa velirano nifanaovana dila kila efa may
Ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanomezantsoa-lcv/zary-nofy | Zary nofy | Fanomezantsoa Lcv | Ilay fotoana mamy, niarahana hatrizay
No indrisy zary nofy, ka nipetraka ho tantara
Fa miherina sahady, ny nandehananao
Tena mafy sy mangidy, nefa izay mo ilay anjara
Indrisy, tsy afaka ato an-tsaina
Ireo resaka natao, fony ianao mbola niaina
Mitamberina daholo, ireo tsiky sy ny hehy
Ny anatrao naha-tonga saina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/saova-momba-ny-vady | saova momba ny vady | tsiolaka | Vaky ny sova momba ny vady
Mpivady resahako lahy sy vavy
Ny ankoatra ireo dia mamohafady
Ka ialako sy hanaovako azafady
Eto dia atsidiko sahady
Fa hiresaka vady amin’olom-pady
Tsy mba somonga na vazivazy
Resaka vady ka saropady
Misy ny vady ; vady an-tery
An-tery tsy safidy velively
Tsy safidy fa teren’ny ray... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/afatra-hoanny-ray-rehetra | Afatra hoan'ny Ray Rehetra | Rabarison Roberto Stephan | 1 - Hoan'ireo Ray Mamolava
Iny vera miakatra iny
Mety hisy tsiny
Moa ve mba fantatrao?
Ny tonkatrano tsy lalao
Ireo zaza toa farofy
Ny ao an-trano mandrifotsy
Ny zaza zara raha mitafy
Ny ao an-trano lasa miafy
Io toaka io foana ve?
Dia tsy maintsy sotroina ihany ve?
Fa raha mba aoka izay?
Sa marary vao ho f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/angamba | Angamba | tsiolaka | Angamba tsy ho tsiniko raha toa ka hanadino
Irony lasa niarahana tan-dalan'ny Fitia
Ary aza atao ho heloko raha intsony aho tsy Mino
Irony toky nifanaovana hoe ny antsika ho Doria
Fa vao tojo an-kodimirana dia Io nanova dika
Taitran-drandram-bao ....! nanjary sahisahy
Dia...Tsy nahari-pery fa dia nirongatra hia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/misy-ny-mitia0 | MISY NY MITIA | NY Andri-Fara | MISY NY MITIA
Nahoana kay ianao
No androany no nilaza .
Ka nandrenesako ny feonao ,
Mikarantsana aoka izany ;
Manambara ilay fitiavana !
Tia ahy ianao ,
Tsilaviko ; saingy indrisy...,
Nahoana kay ny lahatra ;
No niangatra ? nadaboka...!
Ny fo maratrako...Tomany .
Andeha ianao...tsy fantatro
Angamba mbola hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/lahatra | LAHATRA | DADAFARAtolotra | Madiva ho rovitra ny lamba,azotsika roa salorana
Mbÿ ho tapaka ny tady,izay natao fifamatorana
Efa ho tapitra ny lalana,azotsika roa nombanä
ka tsy hiteny aho hoe "avia",na hilaza hoe ''mandehana"
Fa aleo ny ho avy tsy hay faritana,
No andeha hitondra fintana
Hanjonony atsika roa,ka hampihaona atsika indray,
Dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/epistily-mainty | epistily mainty | tsiolaka | Mba tongava saina f’efa ny Andriamanitrao
no nezahany nalaina , nosoloiny vaovao
nolazainy fa vazaha fotsy hatsatra toa azy .Dia …. !
avy ialahy iankohoka ,amin’ny tompo sarim-bavy
ilay lavavolo be sady lava volom-bava
fisapisa-molotra maranidrani-tava
mpiondana sodoma* io no nalainy sary
namitahany an’ialahy,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/teo | Teo | tsiolaka | Eto am-pandinihana Ilay sarinao indrindra
no nitamberina tan-tsaiko Ilay fotoana afak'omaly
Ilay fijery ,ilay fitsiky,eny hatramin'ny famindra
niraikitra an-tadidy ireny hasambaran(a) tena mamy .
Ilay ianao menamenatra ,toa tsy ahitana teny izany
raha notohofako mangina Ilay molotrao tsy manantsiny
ny taramenan'e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-ranomaso | NY RANOMASO | AORN | Ny ranomaso raha lazaina
dia singa iray tsy azo tanana
Na ezahina ho sakanana
Any am-ponao lalina any
Na mifaly na tomany….
Ka miraraka tsy iniana
Na tazomina hiafiana
Sy ezahina ho takonana
hanafenana ireo olana
Nosinedra tany ho any
Ny ranomaso raha fihinina
Mety haningotra any anaty
Ka hiova ho valifaty
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nisy-fahasahiranana | NISY FAHASAHIRANANA | Fredy Jaofera | NISY FAHASAHIRANANA
Nisy fahasahiranana
vao vita izay notontosaina
fa tsy tonga dia fiadanana
no nanazava isa-maraina.
Nisy fahasahiranana
vao nilamina ny nizorana
fa tsy avy dia nananana
ireo tarigetra nifotorana.
Nisy fahasahiranana
vao nirindra ny nodiavina
fa tsy avy dia nompanana
ny haravoana notadiavi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/androany-maraina | androany maraina | tsiolaka | ao ambany tetezana androany maraina?
Loza lehiretsy!dia nahoana loatra?
Dia nisy nanary an'ity sombinainy.
Mbola zaza miraikitra Amy tadimpoitra.
Ireo izay nahita dia samy nitsetra
Nahita ity vatana kely afak'aina
Nanatsiny ny *reny ny rehetra rehetra,
Hoe olon-tsy vanona tsy misy saina.
Fa olon'inona loatra ar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/raosy-jamba | Raosy Jamba | tsiolaka | Raosy jamba efa tena jamba oh
Fa angaha mahita ianao ?
Ndeha savasavao zao ny fotony
Sao mpihindrana, ary tsy tompony
Fantaro ny tany haniriany
Dia jereo koa ny fototra hiaviany
Tazanao ve ny loko hitafiany
Sy ny rijan’ny kalo hiangaliany
Raosy jamba efa tena jamba oh
Angaha mahavita ianao ?
Savao indray koa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/alina-mangatsiaka | Alina Mangatsiaka | Frederic Rnf | Indray andro aho nande hirery teny an-dalambe
Ny kintana manjelatra toy ny diamondra
Ririnina mamirifiry ny rivotra mamanala
Mapaniry fitiavana mba hanala ny hatsiaka
Fa ianao tsy eo an-dalana
Tsy eo mba hanazava ny alina
Ny fonao mangatsiaka toy ny ranomandry
Manala ny hafanan'ny fitiavako
Nieritreritra anao a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/angalisa-rovi-kazo | angalisa rovi-kazo | tsiolaka | Maty ilay zatovo niavon-tsahala
Nalaza nasiak'amboa (an)-kadivory
Nanao azy ho zavatra ka diso anjara
Maty tsy nisy mpangoraka akory
Fa lasa tsy namela dimby amam-para
Tsy vady nitany, tsy zanaka niory
Basin'ari(ary)fito ka manalasala
Tsy tian'ny ambony,tsy takatry ny ory
Basy angalisa rovi-kazo ka he
Tsy nat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/bartimeo | Bartimeo | tsiolaka | Indray andro izay nisy teraka jamba
Dia Bartimeo ilay ory am-panahy
Mba maniry ahita izay zava-mitranga
Saingy tsy afa-nanoatra ity lehilahy
Fa rakotry ny haizina izay nojereny
Tsy mba afaka ahita ny tsapa sy rè
Mantsy efa hatrany an-kibon’i neny
No jamba ka mandrak’izao lehibe
Kinanjo indray andro dia injany k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/teny-tonga-rofy | teny tonga rofy | tsiolaka | Injao ny teny tonga rotsy....!
Rotsirotsin'ireo nofy mifandrimbona amin-drofy
Izay nitrebona tsy satry teo am-pototry ny Avana
Hery tsy hita navanavana.....
Ny hakanto sy ny vaikan'
Ireo hovitra entin'ny fiantraikany;
Fa nandrovitra ny voaly maizin'ilay tsy fisiana
Tamin-kery manan-jina
Io no gadona iangalian'I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/apongalahy | Apongalahy | tsiolaka | famelona iray tao an'ala toa reny
tsara sisin'ny tana(n'ny) mpahay vaky tsofa
nojarian(a) ho kipantsona tsara jinery
sandratr'andro Alakaosy malain-kanosa
ondralahy tokam-bolo, mena mazava
voalatsa-drà tamin'ny Vava Alahasaty
nohodirin'ny tanan'ny efa kalaza
tsy kasian-tanan'ny mpiditra am-paty
vahy tsara ladin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/nofiko | Nofiko | tsiolaka | Nofiko indray andro izay, nofy atoandro moa sa sasak’alina?
Hoe iny hono izao fa hirotsaka hofidiana filoham-pirenena
dia niely izay tsy izy ny feo hoe " Raha io no lany eo … hilamina an!"
Ho maro ny mpitsiriritra ilay fotsy sy maitso ary mena.
Dia nanakoako tokoa, izany fampielezankevitra
hoe " Tsiolaka ihany ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanaperana/mpandresy | Mpandresy | Fanaperana | Latsa-paka tanaty saina loatra ny hoe :
" Ny ory tsy avan'ny manana "
Dia nikely aina fatratra nikatsaka ny soa
Natao sary tsara tenona tao am-po ny hoe :
" Tafa no tanjona, tsy tokony hisy hahasakana"
Eny fa na ny mafy indrindra aza no hibahana
Indraindray mety miakarapoka, makafoky ny tolona
Fa tsy maninona iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/mikalo | MIKALO | tsiolaka | Anaty sorabakana tsinjo teny ho eny
Nisy tery izay mikalo tsy voamboraka amin-teny
Fa alonalon'endrika maninteraka fanahy
Tambolimbolin'hararetran'onjan'ny tsiahy
Anaty soradanitra Ilay diva haraina iny
Misy soritsoritr'endrika mikasa hivahiny
An'heritreritro ao tsy fantatra hoe nahoana
Fa reko injao misikimponi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manova | MANOVA | Fredy Jaofera | MANOVA
Be ainga no efa lova
lafo ka ambarao,
mahavariana koa ;
ny poety no manova
izao tontolo izao
ho kanto mahasoa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/asakasakareo | asakasakareo | tsiolaka | Leom-boananana omaly
Ka tsy tia zava- boribory
Olom-bodo ka tsy mba mamaly
Ka asakasakao manai- matory
Monamonain-kofak'ondry
Ka tsy tia zava- misavily
Efa zatra voatora- kilonjy
Ka asakasakao mbola mikiry.
Rafotsibe leon- tsokina
Ka tsy te hierika vodikifafa
Bonaika tsy mahefa mitokona
Ka asakasakao mirafar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/aoka-ihany | Aoka ihany | tsiolaka | Indray andro hanandrify ny menafifin'iny fara-tazana iny ,ny tatao-masonao
Dia lazao ahy,lazao ahy fa...
misy sarintsarin'ireo niarahana fahiny
misoritsoritra mandrangitra
Dia ambadiky ny tazana ,misy emboky ny tsiaro niarahana nitanika
sarotra kosehina ilay rangopohy famantarana mitoetra an-taranoana
fa mbola Io... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/tapia | TAPIA | tsiolaka | Izaho ilay zanak'olona be hambom-pò
Nilaza tsy hitsindroka voankazo lò
Kinanjo fa tratra ary dia nankafia
Indray andro raha nihiditra ny alan-tapia.
Izy itony hono mantsy tsy azo anihina
Fa mitsimpona ifotony ianao raha te hihinana
Teo no nanesokesoka niala liana
Fa nahazo alokaloka feno hamamiana.
Tamin'ny mis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/tomponandraikitra | Tomponandraikitra | Nosy Malala | Tomponandraikitra,
Nantsoina ny Tomponandraikitra,
Fa toa tsisy mamaly na koa misy taitra.
Dia io fa miantso indray ny manaraka,
Aiza ianareo fa ny aty gaboraraka....
Antso avo amin'ny tomponandraikitra,
Ny vidim-piainana tena tsy laitra.
Noana ny ankizy mankany antsekoly,
Ny fandriampahalemana tsy ahitan-tory.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/namangy-teto | NAMANGY TETO | tsiolaka | Namangy teto indray omaly
Tamin'ny mamantonalina,
Ilay ketoka sy jaly
Nitondra embo-mahafanina.
Nanaovany an-terisetra
Sy nosinava tsy an-kiera,
Ka nidirany amboletra
Lay efa mba nipirina ela!
'Reo 'zay noheveriko fa sitrana,
Dia ratra efa nanakom-pery
Reko,injao tinata-bitrana,
Nihirifiry aman-tery!!!
Nama... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/rongatra | Rongatra | tsiolaka | trahotrahon'orana manamban-taika an-tafotrano
an-takariva sinan'alakaosy rava volana
nieloelo tamba-drahona mikisarina fanano
namohafoha ny vinany ndeha handingana tokonana
... moa va tsy toy ny Zaza manin-dotso (n'ny) nonon-dreny
Andrefan-danitro indray antokon-kitan-jepizepy
mampiara-peo mahalana amin'ny doboky... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/satram-baliha | Satram-baliha | tsiolaka | satram-baliha tsara ritsoka
angolapeon'antranantrana
mihenjan-jihy maro afitsoka
midrisina feo mikarantsana
toy ny kalon'ny andro maraina
miampofo fitia mamololona
nitrebona tsy hay notohaina
vaika mibitaka ho forona
topimaso tsy hita fihavy
tsiky tosaky ny hery miraratra
niparasaka imolon-javavy
voatra'anje... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/foha | foha | tsiolaka | Foa …foa ... fohaza a … !
‘zao ny hafatra izay nomeny
Naveriny ombieny ombieny
Ny hisarabazana ? tsy ekeny
Fa masina ny fireneny
Aoka tsy hatokotoko
Amin-doko,foko, antoko
Masina ny tanindrazana
Ka aoka mihitsy tsy ho tazana
Na hita soritra eo amintsika
Ny ankahala, …. Hifanditra
Amin-dresaka-politika……
Ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/raha-azoko-natao | Raha azoko natao | tsiolaka | Raha azoko najanona tsy hiodina intsony
ny famantaran’andro ,hanajanona ny ora
dia angamba ho nataoko mba ampitonitony
ilay fitiavako masiaka misoko moramora
raha azoko notanana tsy hilentika ihany koa
ilay masoandro hariva,mitara-menafify
dia ho nataoko mihitsy ahafahan-tsika roa
manohy ilay fitia toa mitampifi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/very-vakana | very vakana | tsiolaka | O reroy e, o ry lahy!
sao tsikaritrareo any
'Lay vakana tsy ambanindahy
Sy 'lay manjakaben'ny tany?
Mba hanaovana azafady,
Raha mba sitrakareo ihany
Ndeha iarahana mitady,
Fa sarak'azy aho ka tomany!
Izy io mantsy Vakodrazako
Tsy mihata-maso na dia vitsy,
Fa vetivety teo tsy tazako
Toa nangalarina mihintsy.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/niova-dika | Niova dika | tsiolaka | Adala ve isika raha toa ka samy resy
na dia nilokaloka fa tsy hanova dika
Ilay fitia maty paika sady efa tsara refy
fitiava-maninteraky ny finamanantsika?
adala ve isika raha niofo Ilay Fitiavana
ka tsy vatra nosakanana ,tsy tana,tsy voafetra?
Fa manao ambozizy tsy Miaky ho mpinamana
manao an-terisetra ami(n'ny)... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/hitsa-damba | hitsa-damba | tsiolaka | Nitsahinao ny lambako raha iny aho fa niserana
Ka dia latsa-damba taminao ny foko taitram-piheverana
tsy ilay nirefarefa intsony na ahiana koa sao very
fa tojo anao ilay tia ka intsony tsy hanirery
maro mantsy ireo rofia,maro ireo ravaky ny ala
no naniry sy hikasa mba antsoina hoe malala
nikasa ny hanitsa-damba n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ando-rabearivelo/embona-sy-fitiavana | Embona sy Fitiavana | Ny Ando RABEARIVELO | Be ny zavatra ato antsaiko
ts tanako ts tantaraina re ry malalako
satriko fona ny ho eo anilanao
ilay masoandro manazava n tontoloko
Saingy indrisy re ry fitiavako
fa voafatotra ilay vavako
Lasalasa vinany, kanefa ts akory
satria ny eto an-tany, dia fanirina irery ihany
Fa fitiavana mahay mivoatra
Fitiavana te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/nasoka | Nasoka | tsiolaka | naharendrika tsy nahy ilay afobe tao edena
misarin-davaka mangitsoka nosaloran-diadema,
mibaràka eo an-dohany tana-taratra hazavana
ny lamba mainty nisalorany manevokevoka hafanana
toy ny sary hosodokon'ny fanahy tsy mahatam-belona
Mirenty sy miraradraratra an-takariva mitsingerina
somparan'erikeriky ny fo torova... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/tohy | Tohy | tsiolaka | Nolaingosako tsy niera ny firaketana tan-danitra
tamin'ny ora nisokafan'ireo vavahady fito
raha Ilay tondraka maraina iny ilay onin-dranomanitra
nampisosa tsy niato ilay zahatra fodiako.
Nobitsihako mangina ho an'ny kintana maraina
ilay tononkira vitsy miangola fisamonina,
narahim-beso ivaivan'ireo loharanon'aina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/olonory-album-aloka-sy-tsiky | OLON'ORY | NY Andri-Fara | OLON'ORY
Olon'ory itony izaho
Mahantra ka niatahana .
O! ry Tiako..Tondraka ny senteko ;
Nolavina tsy tiana .
Raha nitia 'ty foko
Injao kaikitra masiaka .
No nandrotika ny nofoko ,
Nilaozan'ilay tiako .
Lasan'oloa tsy tia
Tiany semban-drahona ;
'lay notiaviko fahiny .
Nanintona tsy hita
'lay embon'embona t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ho-tanterahako-ny-voadiko | HO TANTERAHAKO NY VOADIKO | NY Andri-Fara | Ho tanterahako ny voadiko
Ampy izay ny adalana izay natao
Hovaiko ny fomba ratsy izay fanaoko ,
Hiezaka aho hiala amin'izany ;
Koa manantena Tompo o...;
Ampio ity mpanomponao .
Hialako amin'ireto :
Ny masoko nanao fijery hafahafa ;
Nangarika nirirana hoan'ny olon-kafa ,
Ny vavako namoaka ozona ary koa niteny r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/raha-mbola-velona-aho-album-aloka-sy-tsiky | RAHA MBOLA VELONA AHO . | NY Andri-Fara | RAHA MBOLA VELONA AHO
Raha mbola velona aho
Ireto no iriako :
Ho an'ireo taranako ;
Hitahiry am-pifaliana ,
Izay rehetra nosoratako .
Raha mbola velona aho
Inoako mandram-pahafatiko
Handosi-pahotana..;
Ny ditra maro hadalana ,
Nolovako tamin'ny razako .
Ka ny marika handreko
Hanahafako ny tsara,
Hanaiky an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ry-fitiavako | RY FITIAVAKO | Fredy Jaofera | RY FITIAVAKO
Ry fitiavako,
mandehana any
fa ny tavako,
maloka eto izany.
Ry fitiavako,
mipoira vetivety
fa ny vavako,
vavak'ilay poety.
Ry fitiavako,
ento ny soratra
fa izy ravako
ka mamokatra.
Ry fitiavako,
mampamangy,
ny finiavako,
tsy mba dangy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izy-roa | IZY ROA | Fredy Jaofera | IZY ROA
Ny fanginana
sy ny fotoana
no anankinana
ny fiainana foana.
Ny fanginana
sy ny fotoana
no andaminana
ny ora fa tsy moana.
Ny fanginana
sy ny fotoana
no amintinana
ny misy manoloana.
Ny fanginana
sy ny fotoana
no anambinana
ny tiako, na ahoana ? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/tena-namana | Tena Namana | tsiolaka | Sendra tratra hariva tan-dala(na) mampimalo
Raha nanjenjena irery ity vahiny oriory
No tojo ny hetraketraky ny tanam-pahavalo
Nikasa hanafak'aina hampizaka ny lonjony
fa sendra lako tampoka...
ka lavo niakarapoka ...
Raha sendra mba nandalo 'reo mpitondra fivavahana
Nahita ilay vahiny toa efa trotraky ny vono
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/hosoka | HOSOKA | NY Andri-Fara | HOSOKA
Vita iny ilay tsy ho vita
Tanteraka ny fifidianana .
Fifidianana izay hisolo ny vahoaka ;
Hitondra izay mba hetahetany .
Tsy efa impiry moa aho no nilaza !
Fa ho sarotra ny fandidiana ...;
Aiza izany ankehitriny ?
Eo am-piandrasana ny valiny .
Mba fantatrao moa hoe...;
Iza ireo nofidianao ireo ?!
Firy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/neny | Neny | tsiolaka | Avia etsy matoria izany zanako izany
Etsy ho ampofoin'i dada,mangina!aza mitomany
Aok'izay! aza midongy fa inty ny vatomamy,
Io neny io anie ka reraka e! fa tsy mitaraina izany!
Mbola maizimaizina izy no efa henoko nifoha
Mbola tsy nazava ratsy,angamba vao naneno akoho,
Nitanika ravim-boafotsy,sy niketrika sosoa
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/ny-tena-fitia | Ny tena fitia... | honenantsoa | Ny tena fitia izany!
Tsy endrika amam-bika
Na vola aman-karena
Fa ny fihetanam-po.
Ny tena fitia izany!
Tsy hay hazavaina
Tsy voa-tantaraina...
Toa haningotra aina.
Ny tena fitia izany!
Mampitomany,mampifaly.
Hahatsapana ngidy sy mamy;
hileferana.Fiharetana hatrany.
Ny tena fitia izany!
Tsisy taona na sar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/skalove/tsy-sakana | Tsy sakana | Skalove | Tsy natao vato manankana ny lalan-kizorana
Ny sotasotan'ny hafa, hetraketraky ny fiainana
Tsy ny maso mena na ny biby fatahorana
No mampiasa loha hanimba ny fisainana
Fa ny herim-po hanananao ihany
No hoento handresena izany rehetra izany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/tsy-tompony-isika-fa-mpiambina | Tsy tompony isika fa mpiambina???? | tsiolaka | efa ringana ve ny ala?
vao samy mody adala.
hilaza tsy nahalala
sao lahy efa tara?
Aza misy anie izany
hoe lao sy potika ny tany
rava,konka,mitomany,
dia asa re izay hiafarany!
fa ho ripaka ireo biby
tsy nomena tombambidy
vao hamerina tadidy?
hoe diso tokoa Ilay safidy.
Sa andrasana ho voaloto
ireo rano si... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/hafahafa | Hafahafa | tsiolaka | hafahafa ka tsy takatro...!
inona no nisitrihan'ny tantely an-dava-botry?
ka nandrafetany ny papiny tan-tsefaky ny fotamaina
moa hanolotra ny mamy sa fitia te hila sotry
Iza no afaka hanazava fa valalanina ny saina
hafahafa ka tsy fantatro...!
amboa vantony mitaiza itangoronan'ny tantely
mivingitr'ireo vovombony... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/hombo | Hombo | tsiolaka | peta-tondro tavela ho raki-tadidy
imbika tsiaro nanaitra ny maso
nisetra ny topa tsy ananan-tsafidy
dindon'ny ela tsy niaky ny andraso
tadidy tsy hita fipongatra akory
miafitra anaty tsy hay norarana
vonto ahiahin'ny fo ngolingoly
manilo ny lala-niraparapana
Odian-tsy hita f'injao manakora
tsy mamela mahazo fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hamiratra | HAMIRATRA | Fredy Jaofera | HAMIRATRA
Mahasoava
rehefa hitandro
fiainam-baovao,
hamiratra lava
ny masoandro,
na tsy eo ianao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/very-remby | Very Remby | tsiolaka | Very...! tena very ialahy ry Gasy a
Malagasy sadasada sisa, gasy an-taratasy
Nilanjalanja diplaoma dia nanary fahendrena
nanamavo fananarana fa maika hanandra-tena.
Gasy tsy mahalala intsony Ilay tena fihavanana
naka tahaka vahiny dia nanary ny efa an-tanana
Nanao ny tsy fanao , mirebika amin'ny tsy an-tena
very... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/tevika | Tevika | tsiolaka | kevokevoka aok'izany fa hoe anangana tempoly
arantiranty an-tambazotra hoe mpandroaka ireo devoly
Dia milanjalanja boky ,mirebareba akanjo fotsy
Nefa sahisahy mandrimbina ny zaratanin'ny kamboty
Dia mirehareha fatratra fa manompo ny Tsitoha
satry foana halaina sary raha sendra manao asa soa
tsy mba sahy mitelin-d... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiolaka/lasa-i-dada | lasa i dada! | tsiolaka | Nanjombona maraina ny lanitray ray olona,
ny anjolofon'ny ankaso ity tsy vatra nidifiana.
Mangidy sy mafaitra saingy efa anjara tolona
Dia miondrika tsy satry ,milofika mangina !
Masiaka loatra lahy izato ankasonao ry tany
saingy afaka haninona? Malia moa ny aina.
Manaiky aloha hatreto ry lahatra mavany
tsy azo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/aiza-ianao-album-aloka-sy-tsiky | AIZA IANAO | NY Andri-Fara | AIZA IANAO
( Nivoaka voalohany tao amin'ny Gazety Imongo Vaovao . Ny 24.02.1988 . Laharana 9272 . Taona 33...Tamin'izany mbola nitondra ny solon'anarana hoe : TOLOKO ANDRI-FARA )
Aiza ianao rahafahahana
Izay aty potika sy lao
Avia avia taiza ianao ?
Izahay aty sasa-miandry anao .
Aiza ianao , haingana e !
Hiants... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/mama-fetinny-reny | Mama [Fetin'ny Reny] | Nisainana RAFETRARIVO | Ilay neny tiako, nitondra ahy foana
Niaritra ny mafy, niaritra ny fotoana
Mama tsy foiko, tiako loatra ianao
Nitaiza nanabe, hatramin'izao tsy mandao
Tsy manan-komena aho, vola na harena
Fa teny mamy kely sy zoto arahim-pahendrena
Firariantsoa ihany koa, mba ho salama lalandava
Ho lava andro iainana, ho taratry ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tsy-maty-fa-matory-album-sangodina-raphael-spartacus | TSY MATY FA MATORY | NY Andri-Fara | TSY MATY FA MATORY
Rehefa nieritreritra
Ny làlana nodiaviny ...,
Anikeo maraina vao nifoha ;
Dia lasa lavitra ny saiko
Ka namonjy naka sasatra,
Teo am-pahatongavana...;
Fa nodimandry ilay mahery .
Eny , lasa ianao tsy laviko
Ny tantara koa tsy fanadino
Manambara fahasahiana !
Sy fitiavan-tanindrazana .
Hito... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/izao-rehetra-izao | IZAO REHETRA IZAO | IALY NOFY | IZAO REHETRA IZAO
Fa raha izao rehetra izao
Dia mamitaka avokoa
Ka mampijaly ny fo ;
Sy mandreraka ny saina .
Fa raha ny tontolo
Dia niova avokoa
Na ny toe-tsaina aza miova ,
Dia lasa mampitaraina .
Maizina avokoa ny tontolo
Tsy misy mazava akory
Ka na ny kely na ny lehie ,
Dai manova ny toe-tsaina .
Raha ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/malala-ah | Malala ah! | Rabarison Roberto Stephan | Malala ah!
Izaho anie tena tia
Ary tsy mba mahafoy
Fa na alavitra ary njy
Dia ny fitiavako koloy
Ho vetsoiko anaty rima
Ilay fitiavana ato anaty
Indray fa toa mivaralila
Ilay fitiavanao tsy mety maty
Toa hoe lasa adala hono izaho
Fa manonona anarana tsy fantatra
Ny anaranao nefa no ambavako ao
No sady ataok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarina-rf/s-o-m-b-i-n-y | S O M B I N Y | Miarina RF | S O M B I N Y
Ny tia sy ny tiana
mifankahalala,
no fitia nofidin'
ny maro mpandàla,
Ny tena fitiavana
maro sampana
mitombandavana
misy fiadanana
no tena lalana,
enti-mandatra
ny hany fananana
anjara sy lahatra,
indrindra ny tendry
napetraky ny Avo
izay vina nikedry
ireo kivy tsy ho lavo,
mihoby ny mpin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamoron-tononkalo | MAMORON-TONONKALO | Fredy Jaofera | MAMORON-TONONKALO
Mamoron-tononkalo
fa manembona ny any
ny misy izay mimalo
te handrotsaka tomany.
Mamoron-tononkalo
fa mahatsiaro lavareny
ny tantara natakalo
izay sarobidy ombieny.
Mamoron-tononkalo
fa alahelo no misosoka
ny tsiky izay nandalo
sy, indrisy, fa voakosoka.
Mamoron-tononkalo
fa mbola misy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tsy-reko-intsony-album-aina-nafindra | TSY REKO INTSONY | NY Andri-Fara | TSY REKO INTSONY
RESY...!
Izay no reko tato ho ato
Hatramin'izay tsy nahafantarako ,
Fa hay ianao tsy mbola baboko .
Dia naleoko tsy niteny
Ka nampijaly 'ty foko manirery ;
Fa tiako ho tsapanao ,
Fa resy aho noho ianao .
Mino aho fa tsy hisy intsony
Vetsovetso tsy hay ambara
Faharesena hita taratra ,
No han... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/efa-ela-2 | EfA ELA | Fredy Jaofera | EFA ELA
Efa ela no nizorana
ny lalam-pahatsorana
fa tsy mba nety taminy
na zavatra tsy maminy.
Efa ela no nivoizana
ny lakam-pikirizana
fa tsy ny tao an-tsainy
izay tody ka tsy ilainy.
Efa ela no naniriana
an'ireo tokim-pitahiana
fa tsy hita ho eritreriny
sao hihombo ny feriny.
Efa ela no nezahina
ny tian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nangirifiry-2 | NANGIRIFIRY | Fredy Jaofera | NANGIRIFIRY (2)
Nangirifiry
ny nanana azy :
manirikiry
ka vaky ny vazy.
Nangirifiry
ny vava sy fosa
ka tsy firy
ny toky nisosa.
Nangirifiry
ny ratsy namely
makadiry
fa tsy mba kely.
Nangirifiry
ny rava rehetra
ka maniry
fo feno tsetra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarina-rf/sombiny | SOMBINY | Miarina RF | S O M B I N Y
Ny tia sy ny tiana
mifankahalala,
no fitia nofidin'
ny maro mpandàla,
Ny tena fitiavana
maro sampana
mitomandavana
misy fiadanana
no tena làlana,
enti-mandahatra
ny hany fananana
anjara sy lahatra,
indrindra ny tendry
napetraky ny Avo
izay vina nikendry
ireo kivy tsy ho lavo,
mihoby ny mp... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/mandeha-irery | Tonga saina | Avoss jah | Mandeha irery zaho vo maika mahery
satria tsy miantehatra amin'iza
miezaka mafy zaho mba ho tafita
tsy manenjika mba hitovy amin'ny hafa fa hanakatra ny ambony
zanahary antampon'ny lohako no hametrako ny hoaviko
ary R.A.D hanampy ana amin'ny lalana ho diaviko
fa tsy maintsy tafita izay ny ahy ny tanjoko
ary tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mitaky-fotoana | MITAKY FOTOANA | Fredy Jaofera | MITAKY FOTOANA
Mitaky fotoana
ny fahasambarana
vao avy hanafoana
ny lalam-piakarana.
Mitaky fotoana
ny fahamendrehana
vao tsy afa-mihaona
an'ireo fanenjehana.
Mitaky fotoana
ny fahamboniana
vao avy anoloana
ireo izay fitahiana.
Mitaky fotoana
ny fahombiazana
vao hita mitaona
fahalehibiazana. |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.