url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/ny-hany-tafatoetra
Ny hany tafatoetra
Pissoa
Ny hany tafatoetra Tao ambadiky ny traotran'ny foko be taraina Ambadiky ny dinitry ny saiko tsy nisaina Misy finamanana toa navelako hihenahena Izany mba fikiriny, nodiako tsy jerena. Tao ambadiky ny teny tsy mba voalanjalanjako Ambadiky ny ankora sy ny finantsanantsako Misy finamanana toa notereko hangina, Ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tany-masina
TANY MASINA
Fredy Jaofera
TANY MASINA Tany masina i Madagasikara ; ranomasina no ery am-para. Tany masina i Madagasikara, natsinkasina fa mijoro tsara. Tany masina i Madagasikara ; feno hasina sy mbola anjara. Tany masina i Madagasikara, k'aza endasina (1) "zay efa voarara. (1) Aza endasina : aza arahina, aza atao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/ilay-fo-voaratra
Ilay fo voaratra
Rina
Ho gaga angamba ianao raha mamaky 'zao vetsovetsoko izao fa ity foko ity dia voaratra tsy mba toin'ny anao fa dia kivy aho izao N fitiavana dia fifaliana tsy natao ijaliana fa saingy ny ahy kosa dia tena fahoriana Fa na ianao mpamaky dia inoakao fa tsy ahatanty raha aborako eto daholo ny tantara manontolo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/andriamanitry-ny-tany
andriamanitry ny tany
Andrin'ny Avo
ny andriamanitry ny tany hono izany zavatra izany fa maniry raha maniry hanana azy feno tanana nefa izao mamirifiry vao mahita izay hinanana zahavina rahampitso ny arapaka androany dia tsitsiana andro fito Ireo sisan'ny omaly andro enina amim-pito anenjahana azy aoriana na maraina na alim-pito sady atao ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/tsy-maty-fa-matory
Tsy maty fa matory
Andrimaranitra
TSY MATY FA MATORY 1) Bakoly Vady Malalako Ny Fonao mitempo tsy miato an-tratrako Ny Fanahinao no anto-piainan'ny vatako Ilazako fa tsy maty Ianao fa matory Izaho aza mbola tsy nisaona Anao akory. 2) Bakoly Malala Renin-janako Na ory aza aho, ireo zanatsika no Harena sy fananako Tsinjoko foana ny tsikinaon dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/avelao-izy-hatory
Avelao izy hatory
Andrin'ny Avo
Zovy ihany no hitaratra, an'aloky ny efitranony, ngiana izao ny kotro-baratra, voasaron'ny tomaniny, ny varavaran-kazo, no indro lasa figadrany, ny nantenainy no nalazo, ka nentin-drivotra any ho any, nitsikitsiky ny maraina, fa nomeny ny lamosiny, ny voron-kely nitaraina, notapenany ny sofiny, voadona ny a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lalypiso/soa-fa-teo-ianao
SOA FA TEO IANAO
Lalypiso
Ny saiko efa very… Soa ianao fa nijery Ilay foko efa irery Fa fitiavana mahery Kanefa tsy voatery Tsy nisy ankanery Tsy nisy misitery Nanome ahy hery Dia maina ny takopery Dia sitrana ny fery Dia nanjary tsianjery Fa kay zaho tsy irery Fa eo ianao mankahery
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandroso
MANDROSO
Fredy Jaofera
MANDROSO Mandroso ny firenena fa mandroso any an-kady raha very itony harena sy izao no mba mianjady. Mandroso ny firenena fa mandroso any aoriana raha indro mihenahena sy mahazo izay tsy tiana. Mandroso ny firenena fa mandroso miha-mijaly raha ny mafy no mitrena efa ho hatramin'ny omaly. Mandroso ny firen...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/lokonny-fitia
LOKON'NY FITIA
HASINIONY
LOKON'NY FITIA Anihoany misy fo Maroloko ny fitiavany Ifandrombahana tokoa Ny hitohoka ny vavany! Misy kosa tsy izay Tokam-po ohatry ny siny Fa mbola misy maka indray Ilay hany tokana mba tiany! Ny ahy kosa hatramin'izao Tsy mba irony manodoka Fa natokako ho anao... Vita voady, vita loka!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/fitiavana
FITIAVANA
KIRIAH
Nisy ireo notiavina... nefa dia nilaozana tsiahy sendra mielina tsy azoko avaozina nisy ireo nitia... nefa nadinoina tsiaro maty tsimoka tsy azoko koloina Nisy ireo nandratra... ny fo izay nitia fery tsy hay akombona tadidiko ho doria nisy mahasambatra raha toa ka tsaroana toa zary mbola tazako mijoro eo anoloan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/ny-fitiavako-anao
Ny fitiavako anao
Andrin'ny Avo
Mihamafy toa vato, isan'andro mihavao, eny tsapako tsy miato, ilay fitiavako anao. Satria manosika ny rako, hery varatry ny foko, vato sakam-pahotako, ary andrin'ny finoako. Ka ny fitiavako anao, eny enao r'ilay anjeliko, no sarobidy indrindra ao anatin'ny fo keliko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ao-am-piangonana
Ao am-piangonana !!!
raozigasy
Ao no hitanao : Ireo mpijery bika, mpitady tafy hadika Ireo volo tsara bango, ireo teny feno lango Ireo maso feno jery, fa tsy ho irery Ireo mpizahozaho, sy tonga hilalao Ao no henonao : Ireo mpifanao fotoana, fa ela tsy nihaona Ireo mpiresaka sakafo, sy kojakojan-tafo Ireo mpifosafosa ,namana osaosa Ireo hafa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/namako
NAMAKO ?
HASINIONY
NAMAKO ? Lavo indray ianao kanefa mahereza, mitonia Fa tsy avelako ho irery, tsy sitrako hangasihasy Izy mantsy no nandao sy nandrava ilay fitia Fa ny finamanantsika tsy azon-doto, tsy voa-tasy Raha azoko natao ny nampindrana ny foko Dia nomeko tsotra izao mba hitiavany anao Hahaizany ho tena tia fa tsy sanatria...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ao-am-poko
AO AM-POKO
Fredy Jaofera
AO AM-POKO Ao am-poko no matory 'reo nofinofy tsy tanteraka, miteny lava hoe : izory rehefa mila ho reradreraka. Ao am-poko no mitoetra 'reo hetaheta be fiadanana, satry foana ho tarigetra mandra-pisy izay ho hananana. Ao am-poko no mikalo 'lay fitia tsy nanam-bintana, tsy niriko ny hampimalo fa hanazava to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ny-eto
Ny eto...
AMN (Arialy)
Zovy no tsy mahalala fa ny eto dia mandalo isika ny nahorina an-taona maro, iray minitra dia jifa tsy mitsitsy ireny loza ireny ka avy dia manapitra ka na hoe firenena mafy dia ataony vono-lalitra ny eto moa dia toy izany, ezaka tsy misy fetra nefa ianao poa tahakizay dia mandao ny rehetra na ny tia na ny mankaha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niry-solosoa/fanaingalavitra
FANAINGALAVITRA
Niry-Solosoa
FANAINGALAVITRA lalan-tsy nodiavina mandalo tevan-dalina maizi-mahafanina lala tsy notiavina manalok'isan'alina maninto-mahamanina roso tsy mihemotra na sarotra ny dia tsy mahalavi-tany ny fo mifangia fa noterem-pitia iny lala iny na dia tsy fanta-paritra tsy very lalana aho fa voam-panaingalavitra ny dia t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fetinao-anio-ry-zanako
Fetinao anio ry zanako
raozigasy
Fetinao anio ry zanako Ka ny soratry ny tanako Sy ny aingan’ny fanahy No ametrahako tsiahy Fetinao anio ry aiko Ka ny vavaka lazaiko Dia misaotra ny ao Ambony Noho izato sitrapony Fetinao anio ry tiako Ka ny tambam-paniriako Ianao ho salama tsara Hanohizantsika ny tantara Ka ho taona maro mitsingerina No h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lalypiso/ilaiko-ianao-ry-aiko
Ilaiko ianao ry Aiko
Lalypiso
Rehefa tsy eo ianao ry aiko Tsy ampy ny fofonaiko Ny foko tsy voabaiko Manadino toa tsy haiko Dia lasa lavitra ny saiko Fa ianao no ilaiko Fitiavanao tsy tanisaiko Ka tsy hita hoazavaiko Hoe ianao no lalaiko Ianao no andraindraiko Ilaiko ianao ry Aiko ....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/polygasy/ny-zanako
NY ZANAKO
polygasy
NY ZANAKO Ny zanako, zanako ihany No andaniako ny herim-poko raha mbola eto an-tany, Hokolokoloiko sy safosafoiko Ataoko toy ny kely ka mbola ampofoiko. Ny zanako, zanako ihany Na sendra maditra ka mampitomany Tsy atakaloko ny hafa Fa mamiko hatrany Ny zanako zanako foana, Ny fiainany koa alamiko foana Ka na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lalypiso/ianao-sy-ny-tomany
IANAO SY NY TOMANY
Lalypiso
‘Zaho tsy mety fay… Nefa saringodringom-piainana ny miaraka aminao Jalijalintsaina toa miolikolidresaka tsy fantatra avy hatrany Dia midika teny iray…. …IANAO sy ny…TOMANY tena mahamay… fa toa afo mijoalajoala, tsy voatondrak’alahelo ny fitiavako anao mbola tsofitsofinao, kopakopahanao an-daingalainga sesilany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/polygasy/fanantenana
FANANTENANA
polygasy
FANANTENANA Ny FANANTENANA dia afon’apombo, Midonaka lava ao anatin’ny fo, Raha tsofin’ny rivotra maika mitombo Vao maika mitombo raha misy manjo. Ny FANANTENANA dia lazaiko anao, Fa mampiezaka hatrany amin-javatra atao Tsy mamela antsika hijanona an-dalana, Fa mirisika hatrany na dia tojo fiakarana. Fa i FA...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/vavaka
VAVAKA
HASINIONY
VAVAKA Andriamanitra ô! Androany ny fivavako ... Tsy ho ahy velively fa any misy havako Vonton-dranomaso ny ampitso sy ny hoaviny Tankina sy ketraka fa lavo ny fitiavany 'lay hany mba notoaviny toa nivadika imolony Ary toa izany koa ny fitiavana natolony Nanadino lokaloka, nitsipa-dakana nitàna Hay tsy azo iant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heritreritro/fitiavana-manorisory
fitiavana manorisory
heritreritro
hazavana lasa aloka sy sedrasedra ary tampoka hadisom-panantenana sy alahelo tsy hay hialana setrasetra sy ankaso mety arahin-dranomaso nofinofy tsy tanteraka sy adin-tsaina toa mandreraka ratra anaty mampahory fitiavana manorisory!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/fiononana
FIONONANA!
ANDRINIAINA1
FIONONANA! Ampianaro mionona re ny foko! Mba hatoky anao foana ry Tompo. Ka hahay hanaiky sy hanompo, Ary hitraka hatrany; tsy hitoloko. Ampianaro mionona ny saiko! Mba hatoky anao re ry Raiko. Ka hahay ho tony sy handefitra; Ary ho matotra fihetsika. Ampianaro mionona ny fanahiko! Amin-javatra tokony tsy ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsoa/aza-kivy
AZA KIVY
...Tsoa
Mafy tokoa ny akason’ny tany Izay nentim-pisoparana nandalo Ka mampahory sy mampitomany Nefa ankalazain’ny mpifankatia maro Fetin’ny mpifankatia izany Raha ambarako etoana Izay feno taotrin’ny sento sy tomany Nefa kosa mamela ny foko hisaona Tiako loatra mantisy ianao ka tiako Na dia lazainao voninkazo adala a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fanomezana
FANOMEZANA
raozigasy
Raha omeko anao ny voninkazo Rahampitso io dia halazo Raha omeko anao ny mofomamy Vetivety io dia ho lany Raha omeko anao ny ranomanitra Dia ho fohy ny fotoan-tsalanitra Raha omeko poketra ianao Ny lamaody mety handao Raha omeko anao ny jaika tsara Hiseho in-telo dia tsy tsara Raha kiraro no homena Tsy ho el...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mi-hel/izaha-ahy-aho
Izaha ahy aho!
Mi ' Hel
Izao aho irery Izao aho mangaina Izao aho mahalaelo Izao aho manahy Nefa ity izaho hiatrika Ity izaho hijoro Ity izaho hanorina, Fanantenana vaovao Hizaha aho, ho avy Hizaha aho, tsiky Hizaha aho, fanilo Hiazaha aho, hery Ary indray androany mety….. Ho izy izao indray, No hizaha….. izao izaho
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsoa/fitia-tsy-tanteraka
FITIA TSY TANTERAKA
...Tsoa
Dia voarara izaho sy ianao tsy hiombona fitia Voarara sy voadidy tsy hahazo hiara-dia Mafy izao sy maharary, tena jadona ny teny Tsy afaka manoatra f’efa didin-dRay aman-dreny Indrisy ity izaho dia mibaby fisentoana Nefa lahatra ho antsika ka atao ahoana Mangidy sy mafaitra ity voam-pahoriana Ny tsy maintsy hata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/kanto
KANTO
raozigasy
Ilay habaka iny, ilay niloko manga; Misarika ny maso, hitraka ka hiandrandra Ilay randran-drahona, miavaka mihary Endriky ny kanto, voatran’ny nahary. Ilay bika iny, ilay nandalo sy niserana Nanaitra izany maso, ka tsy hay noferana Ilay sombin-tsiky, nentiny nidify Nandrehitra indray, ilay forohina niampify Ila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/very
VERY
KIRIAH
Tsy henoko intsony mamangy ny foko Lay aingam-panahy zay mamelovelo Ka Ireo RIMARIMA nisolo TOLOKO Nanary aina sy niova ho avelo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsoa/mba-lazao
MBA LAZAO
...Tsoa
Moa adalana ve ny hay Raha handao anao tanteraka Tsy heo izaho no efa sahy Fa ny foko no efa reraka Nijaly loatra izy hatrizay Fa tsy nahita fahasambarana Ka te haneo fa aoka izay Fa sarotra ny fiarahana Sarotra tamiko ny namantatra Izay tena ao am-ponao ao Ka zary lasa ankamantatra Tsy mbola voavaliko hatra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ditra
Zaza maditra
AMN (Arialy)
Izy no zaza tsy hay tenenina, sady koa tsy iriana ilay tsy hay lazaina koa, fa ny nataony tsy iniana ny zavatra mitranga rehetra, tsy hadisoany mihitsy ka hoe diso izay milaza fa izy foana no ahitsy ny fianarana tsy tiana, ny lalao no ao an-doha nefa milaza fa hoe raitra, raha ny tiany, ho filoha izany moa dia m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/notrombainao
Notrombainao
raozigasy
Notrombainao ilay fanahiko, ka niaingaainga foana Namboramboraka voambolana, nofihinim-bava moana Notrombainao ilay foko tia, ka nidobodobo-dava Nitempotempo fitiavana, tsy voafehin-kombom-bava Notrombainao ny rantsam-batako, ka nitsamboamboa-pihetsika Nibitabitaka fitia, falifaly, tretritretrika Notrombainao ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajo/vola
VOLA
AJO
Vola... mivolambolana fitia ny volana desambra, mivolombolon'andro fety vangian'ny kintan'i Mesia. Volavola vovon-tany novolainy zary bika, manimbolo fofon'aina, anaty volana miaina zazavavy miangola dia nanjary Angolaina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajo/hafahafa
HAFAHAFA
AJO
Toa manjary hafahafa rehefa ts'isy anao mitafa sy midinidinika amiko dia ny hatsiaka sy fanala vovoka sy tranonkala no mameno ny efitranoko Fa na dia 'lay hirahira zary toa naniratsira ny tontolon'androko dia nanjary takon'ila sady sahy namilafila 'lay mba hany taratr'androko He! jereo ny zaridaina feno z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/teny-no-tontoloko
TENY NO TONTOLOKO
raozigasy
Fa raha teny no tontoloko Dia fitia no hampamololoko K’ireo aingam-po mipololotra No arangako avoitra Fa raha teny no tontoloko Dia zaraiko ireo daholoko Ka an-tsoratra no aborako Ireo siakasiaka izay fitorako Fa raha teny no tontoloko Dia atomboko eo ny toloko Ka an-taratasy aho no miady Amin’ny olana mianj...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asiniony/foiko
FOIKO.
ASINIONY
Foiko an-kitsim-po ho famadibadik'ireo maso te hahalala ny Kanto nongoniko, angola noforoniko. Foiko indrindra koa ho an'I Nosy Masina tsy manana sahala Ny soratry ny peniko, hanasinako ny Teniko. Foiko hanasoa an'izao tontolo izao sy I Madagasikara ny afon-java-kanto soronana tsy miato. (Nalaina tao amin'ny b...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahy/ny-olon-droa
Ny olon-droa
AHY
Ny olon-dro mifankatia, Nifanaiky hiara-dia, Hiar-ho sambatra ho doria Mahafinaritra erÿ Ny olon-droa adaladala , Mifampihatsaravelatsihy, Mifampiantso hoe malala, De samy maka toky erÿ,fa hoe hiara-dïa, Aza hatao kisangisangy , Sao de bikina vô dangy, Fa mifankatiava ihany , Raha mbôla miaina eto a-ntany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ry-maraina-o
Ry maraina ô...
AMN (Arialy)
ry maraina itondra soa, raha ho avy iany ianao dia iangaviako anie, mba halaviro ny talaho izahay moa marofy , mora reraka sy ketraka aza avelanao irery, hamaivano ny mavesatra ry maraina izay ho tonga, ianao no andrandraina mba hitondra ny sahaza, hampihena ny taraina izahay izay miantso, mila izato fanampiana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mandrakizay
MANDRAKIZAY
raozigasy
Iverenako apetraka an-tsoratra eto indray Ilay sonia nifamatorana, fa hoe mandrakizay Ilay tantarantsika roa, nifanaiky tamim- boady Hoe lamban’akoho no fetra, toy ny fato-matin-tady Iverenako ambara aminao eto ihany koa Ilay teny nifanaovana, fony ilay isika roa Nifanaiky teo anivon’ny vahoaka sy tontolo Hoe na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/tily-aho
TILY AHO
RATSIMBA Georges
Teny tsy mba misy “lasa” Tsy mba misy “ho avy” koa ! “Ankehitriny” lalandava : “Tily aho” Tily ! Ankehitriny toy ny anarako Marina fa efa tsy ao Ny marika sy fanamiana nentiko ‘Lay tehina fivimbiko iny Asa izay mba niafarany ! ‘Lay satro-penjy kitso-loha Lasan’iza? Tsy tsaroako ! Tsy ao tokoa tokoa ireo Fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsoa/tiako-ianao
TIAKO IANAO
...Tsoa
Asa angamba vao manoratra Ireto tanako manolatra Dia efa fantatrao fohy fohy Ny holazaiko ka henoy Aoka anefa ianao tsy alahelo Na ho tezitra sy hamelovelo Raha toa ka adalako Ny hiteny tsy hiato Fa raha toa ianao kiriana Dia ity tononkaloko aza ariana Fa ity teniko androany No teny tena mamy Ka mety ho roa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajo/eritreritra-nandalo
ERITRERITRA NANDALO
AJO
Eritreritra nandalo de nanjary tononkalo... tononkalo mantamanta, tononkalo mihantahanta an-tanin'olona, vahiny! zary nahafeno siny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/topi-maso-monja
TOpi-maso monja
Rina
Tsaroako 'zaho sy ianao fony vao nifankahita samy nitsambotra noho ny topi-maso 'tsika avy hatrany dia nitsiky na izaho na ianao manambara avy hatrany fa misy fitia ao anaty ao Samy tsy niteny ny vava 'tsika fa avy hatrany dia ny maso no nampita satria lay maso 'tsika nifanena no any nanambara fa tia ahy i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/fihaonana
FIHAONANA
Rina
Nidobodoboka ny fo lasa very saina koa fa tonga ilay andro izay hihaona ntsika roa Asa ianao raha ahoana fa raha izaho aloha dia tena lasa ambiroa hoe : hihaona tokoa Taona maro izay no lasa niresahana nifampitafa dia nihaona tokoa tsy nisy nifampihafahafa toy ny efa ela nifankahita nefa sary no niampita ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/ho-anny-malalako
Ho an'ny malalako
Andrin'ny Avo
Ny tsikinao malalako dia 'lay tsy mba ho atakaloko, nampamiratra ny handroko nampajavona ny aloko, dia nataoko ho masoandroko ilay fitiavanao, izay natory fa nofohaziko ho maraina vaovao. Ny teninao dia ampy hampiverina ny heriko, ny feonao no ody manasitrana ny feriko, mataka-danitra ny tanako, ianao no lasa ela...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ara/fiainana
FIAINANA
ARA
FIAINANA Fiainana ! Hiaino tsotra fotsiny fa aza asiana ahiahy, Hiaino mora ihany fa aza sahisahy Fiainana ! Hiaino am-pifaliana f’aza ilaozana sondriana, Amin’ny ady efa ho lava, Sao ho sarona eo ny tava, Ka tsy hanam-pitsikiana amin’ny fiainana mandalo, Fiainana ! Aza asiana sasin-dresaka Natao hampifezaka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/tako-ianao
Tiako ianao ....n
Rina
Tiako ianao,hibitsika ary koa hiritsoka teny mamy,tsy ho lany any ampoto-tsofiko any Tiako ianao hibitsika ary koa hitafa ny fonao miritsoka milaza,tsy mihafahafa Tiako ianao hiteny fa tsy hangina tohizo ireny antso ireny indrindra rehefa alin' iny Tiako ianao hamaly tsy an-kihambahamba na tezitra na faly...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/ianao-manontolo
IANAO MANONTOLO
Rina
Ilay tananao malefaka toy ny tanan-jazakely tsy tiako amihin'olon-kafa hafa tsy izaho irery Ilay masonao,baliaka manintona,manaitra tsy sahiko jerena fa tô ho fanina aho jambena Ny feonao malefaka mahababo fo tokoa satriko ho heno foana na matory na mifoha Ny endrikao tsy lazaina toy ny masoandro vao marai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/ianao-irery-ihany
Ianao irery ihany
Andrin'ny Avo
ianao irery ihany indro nalefako ny saiko nande' nizaha ny ati-foko, ka dia tazako sy notsapaiko f'ianao irery no ilaiko, f'ianao irery no tsy foiko. Dia ianao irery ihany no sisa mba tavela tao; Fa voron-kely lavo an-tany ka mba mila ny elatrao. Dia mbola ianao irery foana no tiako antsoina hoe malalako, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajo/arabo
ARABO
AJO
ARABO Feno ny volana, volana Aprily volana tandrefana misary kapsily lalovana soavaly anaty rivo-pasika sy tany midadasika, efitry ny trambo... amin'ny dihy miolankolan'ny tovovavy arabo, nanolankolana ny vatany anaty saromboaly, misarontsaron-tava, isian'ny topimasony nanao antsamotady niantsampy teny am...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/ny-fitiavana
NY FITIAVANA
Rina
Ny fitiavana 'zareo tsy natao hampitoreo fa koloy sy hatsarao dia ho hitanao ny atao ho tsara sady hampifaly ka diniho tsara ary fa raha fitiavana hampijaly na mety hankarary dia ialao avy hatrany fa tsy izy izany Toy ny voninkazo vao maraina mamelombelon'aina ny fitiavana voazaha moa tsy toin'ny voankazo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/fihononana
FIHONONANA
Rina
Indray andro any dia ahita ianao ahita olona vaovao amin'izay fotoana izay ho tadidinao fa nisy olona iray natositosikao Asa!nahoana loatra lahy ity foko dia sahisahy toa tsy mety fa mitraotra malahelo sy mahatsiahy mitambolona fahatsiarovana ary mila ho torovana Soa fa nisy ilay Nahary ampitony saina tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/nofy
NOFY
Rina
Any ianao ry olon'iny tsiahy sisa ankehitriny nofinofy ireny fahiny Zary mirongatra tsy azo tànana ny fahatsiarovana ireo fiarahana mieloelo ao anatiko ao ny sarin'ilay endrikao vita sikotra ao anaty moa va tsy toin'ny tombon-kavatsa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/fo-iray
Fo iray
Andrin'ny Avo
Zahao am-ponao aho ny masonao no akipio ka raha ny tandindoko no ao dia izao no tadidio: Iray ny fontsika ...fa tsy ahy, fa tsy anao. Rehefa tonga ny Hatsiaka dia hafana an-tratrako ao, ny ranao hiboiboika hizara aina ho ahy sy ho anao, fo iray, iray fitempo, fo iray, iray fidoboka, fo iray, iray fisento, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/fitia-tsy-hadino
Asio kaonty ihany
AMN (Arialy)
Za tsy hikaonty izay any aoriana Ny ahy ny kilonga tsy te ho 'Ngandriana Na ihinan'iem na ho be fahavalo ny ahy hoa loranjy, tsy mila Ravalo zahay be sandry manao be bokona na rahampitso tsy misy atokona aleoko mifidy loranjy domelina Ravalo oa tsy tiko na asiana famerina Ndana milahatra rehefa tsy faly dradra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/safidy
Safidy
AMN (Arialy)
Aza tairinao ny foko , ry fitia izay fahiny fa efa tsy aleha intsony iny zotra iray iny efa feno ny diary, feno hoy aho ny takila raha mbola asiana hafa lasa toa mihilahila Aza antsoina intsony, inty saiko efa dify efa niova loko anie, efa nahita ny tandrify tsy te hiverin-dalana, hitanisa, hamisavisa fa aleo hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/veloma-ianao
Veloma ianao
raozigasy
Na laroinao lefa-teny, sy angolan-dangolango Na fenoinao pitrapitra, arahin-tsafo lambolambo Aza izany hatakao Tsy hanokatra ny foko intsony, efa leo maheno fona Ka nokitronin’ny fitia, fa nozarinao voadona Noho ireo fitakao Fa aoka izay ny amintsika, fa ampy ahy ny ditranao Na dia hoe efa nekeko, ho zanako ny z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/ilay-sary
ILAY SARY
Rina
Raha nisy fanomezana natolotro an-tsitrapo aza dia ihomehezana fa tena vokatry ny fo Aza ny hakeliny no jerena fa izaho nanaja ny teny nomena na kely na lehibe mba raiso re Tsy mba fombako ny mandefa sary kanefa izao hitanao miharihary fa nalefako izy iny ka aza dia asiana tsiny Ekeko mety ho kely loatra f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ho-hitanao-ny-anganoko
Ho hitanao ny anganoko
raozigasy
Hotsindroniko ianao, amin’ilay solanga domboko Hanehoako aminao, ilay fiady sy firomboko Sakoa izay raha taitra aho, fa lozanao ilay nila ady Izao koa moa no tena marina, ianao mila , izaho mitady Koa dia manantona aty, ianao ilay miseho ho sahy Fa tsy matahotra ny aty, sady efa mitsangan-dahy Tsy hitsoaka velive...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/rehefa-tia
REHEFA TIA
Rina
Rehefa tia ianao dia jamba vita hatramin'ny manary lamba avy hatrany ianao dia babo na manana izy na mavomavo Rehefa tia ianao dia manaiky na fotsy izy na mainty na tsotra na ngita volo dia ahababo ny fonao manontolo Tsy ny taona na fihaviana no anilikilihana hoe tsy tiana fa rehefa tsy ao ny fitiavana dia m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/aza-tsiny
AZA TSINY
HASINIONY
AZA TSINY Ny topimasonao mihatsy Ny fonao mangidihidy Fantatro...! fa indrisy mantsy Ny finoako no mandidy (ahy) Hanalavitra izany Fa aoka ianao tsy hanontany? Tena aza tsiny indrindra Fa mandehana aloha mifindra Inoako mantsy fa any ho any Misy nahavita ankany Ao am-pony mba ho anao Fa aza taitra randram-b...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ara/izao-sy-ianao
IZAHO SY IANAO
ARA
IZAHO SY IANAO Izay rehetra efa niainako, Sy izay rehetra mbola ho avy, Na ny fiainako,ny fisainako,sy izay mety momba ahy: Ny tarainako, ny sentoko; Eny, fifaliana, fihafiana,fitsikiana, Dia hatokako ho anao Nataoko ho anao, mba ahasambatra anao Amin’ny androm-piainanao rehetra, Mba ho feno tonga lafatra. Fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/voninkazo-tsy-halazoko
voninkazo tsy halazoko
Andrin'ny Avo
Tsy misy mamy noho ny fary ra' mbola samy hazo, Manitra aok'izany koa ny lisy ra' mbola samy voninkazo; fa ny tahom-pary dia hatsatso, ho ariana koa ny faikany ary ny lisy mbola halazo noho ny hatsiaka izay tsy laitrany; fa ny maminao ry tiako no ilay mamy izay maharitra ny endrikao mamerovero toy ny vonikazo mani...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiarah/tsipolotra
Tsipolotra
Tiarah
Mbola ho tantiko ve ny handrava izay mba efa nokasainy Fa ny malalany izay mba efa nantenainy Mitia misoko mangina fitiavana any an kafa Inty malalany eto anilako ,milalao fitia hafahafa Fa ny ahy ny foko , tena lasany tanteraka Mankafy, manantena , nefa toa kivy sady reraka Saingy any ambadika any efa misy mian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/ny-asan-ny-tanako
NY ASAN' NY TANAKO
RIJADOLLY
NY ASAN' NY TANAKO Ny asan'tanako mamafy fasoavana Namana, rahalahy, ho an' ny havana Manao asa soa ho voninahitrao Tsy misy safidy fa irakao Ny asan' ny tanako ho an'ny mpanararaotra Omena tsy tapaka ho an' ireo mody misaotra Nasehoko fatratra fa tsy manam-paharerahana Tsy misy safidy fa natao ho fiarahana Ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/mba-sambatra-kosa
MBA SAMBATRA KOSA…
RATSIMBA Georges
Mba sambatra kosa ry lahy, ny manana Ray aman-dreny Mitsilo ny dia isan’andro: masoandro amam-bolana ireny, Fa itony kamboty hankaiza? Maizina atoandro ny dia Lavo dia miarina indray, tafarina dia mikodia Raha sendra sorena ny sain’ireo velona ray aman-dreny Dia manan-kidodododoana fa avy mampionona ireny Fa iton...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/holimihanta/otam-pitia
otam-pitia
Holimihanta
Endrika nofinofy, feo mandalondalo, toky toa farofy, mitia anaty tsiaro. Halatra? Sinto-mahery, ny fonao no ala-tsiny, aleo ho anao indray ny fery, niaretako fahiny. Fa ny anay eh! anjara, lahatra no nanotàko, ady tsy ho fitsàra, satria voasoratra hiafaràko. Koa andeha antsoy ny tody! Anaovy hiaka aho fa r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rina/namana
Namana
Rina
Nisy namana iray tonga dia nifandray nanoratra nitafatafa tena tsy nihafahafa Avy ianao tsy nisalasala nanoratra ary nanambara maniry te-ho namana ary nitady fihavanana Fa irery aty an-tanin'olona ka tsy te-hiolonolona sady tsy te-hangasihasy fa alavitra ny malagasy Indro fa tsy nihafahafa an-tsoratra 'zah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manjakavelo-chackmanof-prosper/mamani-anissah
MAMAN'I ANISSAH
Manjakavelo chackmanof prosper
Ilay vadiko malala tsara fanahy, tiako izy ary fitiavanay, tsy misy manahy. Ny anarany heritiana georgia, tiako izy ary maneva ahy. Na misy ny hady tsy inona tsy akory, fa fitiavana azafady. Tsy mihala amin'olona koa ny manaratsy, fa izy no tikoy ary tsy mialon-jafy. Roa ny zanakay anissah sy achy. Viavy roa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/mba-sambatra-kosa-nrrg
MBA SAMBATRA KOSA…
RATSIMBA Georges
Mba sambatra kosa ry lahy, ny manana Ray aman-dreny Mitsilo ny dia isan’andro: masoandro amam-bolana ireny, Fa itony kamboty hankaiza? Maizina antoandro ny dia Lavo dia miarina indray, tafarina dia mikodia Raha sendra sorena ny sain’ireo velona ray aman-dreny Dia manan-kidodododoana fa avy mampionona ireny Fa ito...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/ny-tena-sakaiza
NY TENA SAKAIZA
RATSIMBA Georges
Tsy olo-natolotry ny Zanahary Tahaka ny havana : ray aman-dreny Sy mpiray tampo Ka tsy maintsy tiana Na tiana na tsia Fa olona sendra nihaona tsy nahy Tanivon’ny sehatra iray niombonana Na tafara-dia tan-dala-niraisana Dia nifanatsafa Nifampitantara Dia nifanazava Nifanopi-maso, Nifamihin-tanana… Dia nifan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-azoko
TSY AZOKO
raozigasy
Tsy azoko sakanana, tsy halazo izany ravina F’izay no lalàn’ny voary, ka tsy azoko hoe ho lavina Fa ny azoko atao, dia ny mikarakara Manondratondraka azy, mitondra kolo tsara Tsy azoko fefena, tsy ho maizina ny andro, Satria tsy maintsy hilentika hariva ny masoandro Fa ny azoko atao, dia ny mianoka ny tarany Sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/sangy
Milalao afo
Pissoa
Embona, tsiahy Nofohaziny daholo ; Ny sainy sahisahy Mitety ny tontolo, Mitady indray ilay afo Asa ... Fa toa tiany hanafosafo Ny lasa. Tsiky, tomany Mivadika, mivadika ! Fo mananihany Mitsiky sy mangarika ; Mitanintanina afo ! Asa ... F'injay manafosafo Ny lasa. Mamongotra, mamikitra Ny tsiarony rehet...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsiky-fitaka
Tsiky fitaka
raozigasy
Ilay tsikinao tsy ravo, nalefanao ho ahy, Dia novaliako tsiky, tsy nisy ahiahy, Hay ka tsikim-barotra, ilay nentinao nisaotra Nataoko ho tena izy , fa tena tsara voatra Ilay tsiky hatrany an-tsofina, narahin-kopa-tanana Dia novaliako tsiky, fa hoe tsiky avy amin’ny namana Hay tsiky mody tsiky, ilay feno mandram-p...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/andao
Andao
raozigasy
Andao isika rehetra Malagasy, hifanampy sy hifanome tanana Hanao entan-jarai-mora zaka, amin’ny olana iarahana manana Andao samy hampirina an-tranony, izay hambom-po diso toerana Ka ny aretina izay ikambanana , no tsara asiam-piheverana Andao hifamela hifandefitra, raha toa ka misy tsy zaka Ka ny fihavanana hatran...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/ianao-no-fahazavako
Ianao no fahazavako
Andrin'ny Avo
Ny ali-maizim-pito, mamela-damba maloka volan-kitroka miandry ireo kintana mandalo, rivotra manafosafo, injay mibitsibitsi-bakoka; miventso ny anjarako ho tonga kalokalo. Ho anao no nandrehetako ny afon'ny masoandro, mba itiavanao ny tenako, nirakofako ny lanitra, nefa nitsoaka ny tadio nanala azy ka kinanjo, ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izany
IZANY
raozigasy
Izany hasosorako ry zanako, s’ireo tambam-pahalanako Vao tojo izato tsikinao, dia misava sy mandao Izany hakiviam-panahy Ireo setra, sedra mampiahy Vao ifanenan’ny tsampinao Dia misinda tsotra izao Fa ny inona hasosorako, Na inona ady ifoforako Tsy henoko hoe mijaly ny aiko Rehefa eo ianao ry Sombinaiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/ny-fanevako
NY FANEVAKO
Riantsoa
Ny fanevako, mitsangana, mazava sy mitaratra toy ny tara-masoandro izay miritsoka maharitra dia mivelatra fehizay noho'ny rivo-pahavaratra izay mitsoka, mampiseho ilay endriny finaritra Mihamafy hatrany anefa ilay rivotra mitsoka, ny fanevako no indro miova tsy ny nohenjanina; dia mivonkina ny tanako manamafy ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-misy-ny-fitiavana
IZAY MISY NY FITIAVANA...
Fredy Jaofera
IZAY MISY NY FITIAVANA… Izay misy ny fitiavana no misy fahasambarana raha any no itadiavana ‘reo nofy nisantarana. Izay misy ny fitiavana no misy fahombiazana raha any re, rahavana, ny tsiky no fafazana. Izay misy ny fitiavana no misy fanambinana raha any izay goavana ho toky sy fiankinana. Izay misy ny fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsoriko-ny-marina
TSORIKO NY MARINA
raozigasy
Ireto masonao, mamiko fijery, sy feno banjina ahy, dia mampita hery ka maka ny fanahy ireo hafa mbola tsy haiko , sy tiako hofantarina dia efa tiako ry aiko, fa tsoriko ny marina Ireto sofinao mpihaino izany bitsiko, s’ireo teny mamiko dia lasa horovitsiko, ka sarobidy amiko ireo hafa mbola tsy haiko , sy tiak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/omeko-anao
OMEKO ANAO
raozigasy
Tsy hiteny aho hoe omeko anao ny volana Na koa hoe tangosako ny kintana ho anao Fa resabe izany, sy teny be fisolana Teny fambaboana sy teny belazao Fa izay azoko omena ihany no atolotro Dia ilay fitiavana ao am-poko, resahiko imolotro Fa izay azoko atao , ihany no lazaiko Hiadananao ry tiako, ka toaviko, vitai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manjakavelo-chackmanof-prosper/josette
JOSETTE
Manjakavelo chackmanof prosper
JOSETTE Ho an'i malalako tiako josette, Izay tsara fanahy sy fanenty, Hitiavako azy tsy dia maventy. Tsara bika tsy dia mainty Manina aho ry malala, manambara ny fitiavako tsy misalasala Nanao izao tonokalo izao aho ho anao Hanambarako ny fitiavako tsy kilalao. Tiako ianao ka moa ve tsy tsapanao Ka raiso iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/hiderako-anao
HIDERAKO ANAO
MiséVonjy
Ny masoandro ‘zay miposaka, mandefa izato tarany nandresy aizim-pito nampahory, ireo lavi-tiana singan-drery hiderako Anao daholo, na tsy fantatro aza ny lalany fa asan’ny tanànao ireny, hita maso tsy miery Ny volana baliaka solon-jiron’ny tsy manana manazava ny kianja, hiravoan’ny kilonga hiderako Anao ihany koa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/mirary-soa
MIRARY SOA!
ANDRINIAINA1
MIRARY SOA! Mirary soa aho ho anao! Ho an'ity taona vaovao: Hahita izay irina, Hahazo izay tiana. Mirary soa aho ho anao! Hahavita soa izay hatao. Ho tafita fa tsy ho rendrika; Hahazo ny toerana mendrika. Mirary soa aho ho anao! Hazoto amin'izay rehetra atao. Handresy lalandava; Amin'izay rehetra mitranga. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/ianao
Ianao
Djaw
Azafady ! Iza moa ianao ? Toa ohatry ny miseho henjana Ka sahy manao izay tsy fanao Nefa raha dinihina dia ohatry ny vendrana Miseho azy ho afo mijoalajoala Mitetiky ny handevona ny ala Izay hany mampiredareda anao Aza omena tsiny raha manontany hoe : Adala ve ianao ? Mihevitry ny tenany ho tena masina Ka mizi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/adala-ve-ny-tia
ADALA VE NY TIA
MiséVonjy
Adala ny tia, tsy mahalala avona fa na hiafenana aza, misisika ihany very saina ve sa ilay fitia efa lavony fa mijoro tsy ami-kenatra, mifika ny tomany Ny sarin’ny lasa, tampikirana mafy mikaroka hamamiana, ho enti- mandresy alahelo ny omaly, tsy hitamberina ho avy fa nalevin’ny fony, mihira fa mpandresy Izay t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/manina
MANINA!
ANDRINIAINA1
MANINA! Manembonembona aho izany; Manimanina ny akany, Mahatsiaro ireo havan-tiana, Mahatsiaro ny tany niaviana. Any izay i Dada sy i Neny; F'izaho ity no toa irery. Toa tsy mba manan-kitarainana, fa misedra irery ny fiainana. Any izay i zoky na i zandry; F'izaho irery aty, toa tsy tafandry; Tsy mba manana n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/fahafatesana
FAHAFATESANA!
ANDRINIAINA1
Fahafatesana! Zovy moa no tsy hihorohoro! Rehefa sendra ny tontolo: Isehoan'ny fahafatesana: Fa tena mafy sy mavesatra. Zovy ve no tsy hahalala!? Rehefa hiaina ity tantara; Fa mikorontana ny saina, Ka mila tsy ho zakan'ny aina. Anjara lahatra ho an'ny miaina rehetra Amin'ny fotoana tsy voafetra; Izany fahaf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/anjara
ANJARA !
ANDRINIAINA1
Anjara! Tsy nisy aloha nahalala, Zay ho vady na ho anjara. Fa ny fandehan'ny tantara No mety nanambara. Ny anjara hono tsy midify, Fa vodi-tsobika aza manan-tandrify. Rehefa sitraky ny avo dia tafaraka; Fa na mpifankatia aza mety hisaraka. Raha mba fantatra mialoha, 'Zay zavatra hahavoa; Dia angamba nosoroha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/tsy-sahy-hono
TSY SAHY HONO!
ANDRINIAINA1
Tsy sahy hono! Tsy mety mino aho indraindray; Ka toa enjehin’ahiahy, Manahy mafy mantsy aho satria; Tsapako ny foko fa tia. Henoko ao anatiko ao; Fa miredareda tsotr’zao: Lay fitiavako tsy sahy, Ka mahatonga ahy hiahiahy. Ny hiteny anefa toa tsy ho haiko; Satria mihorohoro ny fanahiko: Toa tsy hanan-ko lazai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/namana-5074
NAMANA!
ANDRINIAINA1
Namana Namako tsy foiko Tsy haiko hadinoiko; Ianao Namako hatrany Na hangidy na ho mamy N’inoninona hatao. Namako foana N’inoninona fotoana; Ianao Namako lalandava N’inoninona hitranga; Hatramin’zay ka hatramin’zao. Koa iriko ato am-poko; Mba tsy hiova loko: Ny fifandraisantsika. Iriko haharitra hatrany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/hafatra
HAFATRA!
ANDRINIAINA1
Hafatra Aza resy tsy miady; Raha mbola mitady. Aza be fitarainana Satria ady ny fiainana. Aza mora kivy; Na dia maro aza ireo adidy Miezahà hatrany; Hikatsaka ny soa sy ny mamy. Aza dia mora ketraka; Na dia tsy vitsy fa betsaka: Ireo mpanenjika tsy tia. Aza atao mankahia. Aza mora tezitra; Na maro aza ire...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/tapa-kevitra
TAPA-KEVITRA!
ANDRINIAINA1
TAPA-KEVITRA Tapa-kevitra aho androany; Fa tsy hisento na hitomany, Tsy halahelo intsony, Ka hiezaka hitony. Tapa-kevitra aho androany; Fa tsy hanadala na hihanihany, Fa tena ho matotra tsotr'izao; Amin'izay rehetra hatao. Tapa-kevitra aho androany; Fa tsy hirenireny tsony na handany, Ireo andro na fotoana, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/embonny-mpamboly
Embon'ny mpamboly
Andrin'ny Avo
Mihitsana ireo ravina, imasoko mandalo, mihintsana toa azy koa ireo dina nantenaiko, fa nangiana sy nanjavona, nitsahatra nikalo ny voron-kely manga feo, izay tiako, notezaiko. Ny jaridaina voavotra fa tsy hamelana ny lisy, ilay masoandro hoe hipoaka toa niserana indrisy, indreo ny rano izay natondrako nitombaka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/tsy-ambarako
TSY AMBARAKO
MiséVonjy
Ilay foko nitomany, nitady ilay silany niefonefona fidoboka, marary tsy anilany koboniko ihany, hafeniko na tsy zakako… ny sentony…. TSY AMBARAKO Ny alina mangina, ilay fanaingako nofy fitsonjovako anao, indro mitondra rofy mampivadika am-pandriana, eny tsy zakako ny akom-pitiavana tsisy….. TSY AMBARAKO Ito o...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hofatorako
Hofatorako
raozigasy
Hofatorako ,hofeheziko amin’ny fahamatoran’ny fitia Ny tantarantsika roa Ka hifaningo-po sy saina, mandrakizay doria doria Na amin’ny ratsy na amin’ny soa Hogejaiko an-tambitamby, sy oro-mamy tsy ho lany Izao fiarahantsika izao Ka fatomatin’ny fitia, hifandalim-paka hatrany No hamehy ahy sy ianao Horojoiko tadi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mymye/veloma
veloma
mymye
veloma ry aiko ry tiko tsy foiko veloma satria noratrainao ty foko tsy nohekenao teny tsy nohenoinao taraina fa nampahorianao nataonao nangaina eny, ekeko tsy sarako ianao efa nivoadiako fa tsy hankalao kanefa ve diso aho raha toa ka handao rehefa mijaly aho isan'andro zao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/anatra
ANATRA
ANDRINIAINA1
Anatra! Mahaiza misafidy: "Ny mamy sa ny Mangidy?" "Ny mahasoa sa ny mahafinaritra?" "Ny mandalo sa ny maharitra?" Diniho tsara izay hatao; Mba tsy hisian'ny fanenenana. Ahitsio mialoha ny ho avinao; Satria ny lasa tsy hay iverenana. Katsaho aloha zay hahasoa; Ary aza revo amin'izay mora lo. "Ny soa atao hiv...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nivohanta/ritsoka
RITSOKA
Nivohanta
RITSOKA... Ritsoka mangina, Avy ao anatiko ao, Kalokalo avy aminao, Ony nitondra ahy, Eo anilanao... Osaosa,hendradrentratra, Manina sy manembona, Anao sy ny mombanao... Atsaharo ny toloko, O ry foko mitonia....