url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/dia-ho-foana-ny-satria | dia ho foana ny satria | Andrin'ny Avo | tiako ianao satria, anjara nosafidian'ny foko
ka ho ataoko sanatria, hampijaly hampitoloko.
Mbola ho tiako ianao satria nofinofiko hatrizay
'lay zaho sy ianao nifankatia sy hikambana ho iray.
Dia satria tiako ianao dia iriako ho zaraina
hiara-mitazana aminao ny fiposahan'ny maraina;
Ny hatsaranao mamirapiratra, i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/papoosy/fisarahana | Fisarahana | Papoosy | Rehefa ny eritreritrao
Sy nandinika ny atao
Ho faranana eto agamba
ny fitiavako anao
Ny fitia hono mantsy
Tony voninkazo eny an-jaridaina
Tondra-tondrahana eny mba
tsy halazo sy ho maina
Nefa ny fitiav’antsika roa
Toa navelanao ho lo
Tsy nojerevanao akory
Inty foko efa ory
Mba niteny iany ao
Nanambara izan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fa-hozoniko | Fa hozoniko | raozigasy | Fa hozoniko ianao ry fitiavana tsy vanona
Mandehana mandeha any, fa aza aty no mitanina
Fa maratra fo ny namako, ny anatiny ferena
Ianao no fototr'afo, ka tsy azoko ekena
Fa hozoniko ianao r'ilay tsy mataho-tody
Fitiavana tsy valahara, tsy ahitana fanafody
Ireo namako rehetra, mijaly mafy, mitaraina
Fa vao nahal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hangina-hono | Hangina hono | raozigasy | Fa hofatorana tsy hanoratra, hono ireto rantsan-tanako
Dia hogejaina tsy hamoaka, izay fanahy miranga mba ananako
Dia hofefena aho, horarana, tsy hizara ireo vinaniko
Hodidiana tsy hamboraka, ireo hetaheta izay mba mamiko
Fa hakombona tsy hamoaka feo, koa hono izato vavako
Dia hoterena tsy hampiseho, endri-tsiky k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/papoosy/lolo | ry malalako | Papoosy | Ry malalako,
Efa ela iany zay, no niaraha tsika roa,
nifandimby teny ny taona sy ny andro iany koa
Nefany hatramizao alo, de fitiavana tokoa
No mitoetra ato ampoko
Tsy ho faty, tsy ho soloiko
Fa ianao irery iany
No nahitako ny fitia
Ary ianao irery hatrany, no amaranako ny dia
Ny fitia antsika anefa to diso fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/te-ho-anilanao | Te ho anilanao | Andrin'ny Avo | Te ahita anao 'reo masoko, indray manganohano,
te hibanjina sy hanaraka hisafo ilay sori-tavanao.
Ny tandidonao no tazako manjombona an-drano
ka nandramako noraisina nefa indro fa nandao.
Raha 'zay sary tsy ahoako, fa ny hany mba ilaiko
dia ny hamihina anao ho eo an-tratrako ry aiko
ka hanitrika ny safon-tanako h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhary/noelim-piovana | noelim-piovana | rhary | Ny andro tiako indrindra eto an-tany
Ny andro fihinana ireo vatomamy.
Ny olon-drehetra dia faly avokoa.
rehfa tonga ny noely ka ravo tokoa.
Andro hahatsiarovana ilay famonjena.
Nahatongavan'ny Tompo tao Betlehema.
Tonga hitady sy hamonjy ny very.
Hanavotra antsika rehetra olom-bery.
Ny olon-drehetra tsy misy ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/massnatany/miala-tsiny | Miala tsiny ... | Massnatany | Ialàn-tsiny!
Tsy fanahy iniako raha nandona an’là zà, ‘zà koa ‘ty dominy (lol),
Pokona mifanesika tsy hifankahitàna, tsy doma à ‘kory
F’aza mikôzy an’zany ‘zama a!
Mb’efa niala satroka aho teo,
Renareo! sa ‘là koa efa hanao filàna vanony,
Aza asiana herisetra, aok’hilamina
Sao ise ‘ndray no lasa hifona afa-bara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/hasarotam-piaro | Hasarotam-piaro | AMN (Arialy) | nitadidy aho hoy izy , fony efa ela be
nisy ramatoa izay nahavalaky ny hehy
isaky ny mifanena dia toy ny ho very
raha azony atao dia ny mandeha miery
raha sendra mifanena anaty "magazay"
dia odiany atao ny tsy nahita ahy
avy eo lazainy fa oe aho no miavona
anefa izy mihitsy no tena sarotra tiavina
mijery ambony... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/papoosy/tiako-loatra-izy-iny | tiako loatra izy iny | Papoosy | Tiako loatra anie izy iny
Fa aza omena tsiny
Izy iany no mahay
Izay no tediaviko hatrizay
Ka raha ande hitony
Tsy ho hitako eto intsony
Alahelo ny hy toetra
Ka tsy hety ho vo fetra
Tiako loatra anie izy iny
Fa aza omena tsiny
Izy anie no malalako
Nametrahako ny fitiavako
Tiako loatra ndray angamba
Ka nat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/massnatany/hiraniza-farany | Hiran'iza | Massnatany | Izy hoy ianao no tompon-toerana sy teo taloha
Ka tsy hitanao intsony ity no hatao, 'zaho miha-tianao kokoa
Dia mibahan-toerana lehibe, "dizina" hananika hatrany amin'ny sainao
Toa ny afo miredareda tonga handoro ny efa nokasainao
Tany aloha tany ...
Ka ahoana no hamaliako an'izany, fa tsy haiko,
Saiko tsy hobaiko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/voaloham-pitiavana | VOALOHAM-PITIAVANA ! | RATSIMBA Georges | Mba fantatrareo ny voaloham-pitiavako
Tsy afaka am-bavako ?
-Ny an’ny havako !
Fitiavana feno ‘reo ray aman-dreny
Tsy sasa-niteny
Ombieny ombieny
Tsy kivy nananatra hatrany, hatrany,
Nanao teny mamy
Arahin-tomany !
‘Lay reniko mantsy no fatratra indrindra
Fa nanindrahindra
Nampiana-mamindra !
Raha sendra ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/fikasana | FIKASANA ! | RATSIMBA Georges | -“Tsy haditra intsony aho, ry dada sy neny,
“Manomboka anio :
“Ho tia ny zandriko, ho tsara fiteny
“Sy hanao madio,
“Ny boky tsy horovidrovitiko intsony,
“Ny soratro kosa
“Hokaliako tsara…Ary isa ambony :
“No ataoko miavosa !”
-“Fa inona anefa, hoy dada sy neny,
“No anton’izao?”
“Dia hoy Ikotokely namaly an’i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-tsy-teo | RAHA TSY TEO... | Fredy Jaofera | RAHA TSY TEO…
Raha tsy teo ianao, ry Dada,
dia tsy nisy ahy akory ;
fa ho redireby nampirada
‘zao tany izay mitory !
Raha tsy teo ianao, ry Dada,
dia taiza no niankinana ?
Misaotra hatrany fa tsy sada
ny fitia sy fanambinana.
Raha tsy teo ianao, ry Dada,
dia taiza no niantoraka ?
Koa aza tsiny raha toa lada
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/kindriandriana | KINDRIANDRIANA | RATSIMBA Georges | “Avia hilalao,
“Lalao mahavariana,
“Izaho sy ianao,
“Hanao kindriandriana !”
Tsy sary vorodamba
Lava volon-doha,
Fa tavoahangy angamba
Itony tamaboha !
Ny lokony ihany
No lamba samihafa;
Ka izy roa hatrany
No vavany mitafa !
Ny lava : Lehilahy;
Ny boribory moa
Miantso hoe : Rangahy,
Ka dia ramatoa !
Hen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mimi12/tia-ahy-ve-ianao | tia ahy ve ianao? | mimi12 | Ilay mody salotra tsiky sy mody ranomaso
harin-torin-tafatafa @ tsy rony tsy ventiny
haritry ny mamy sy ny ngidin'ny maso
tia ve ianao, ... ,ambarao hoe ho setriny
tsy reko midoboka ny fonao ho ahy
tsy reko ilay feo mibadabada fiatiavana
raiso hoe ny apinga, ataovy re ho sahy
tia ahy ve ianao,..., torio re rahav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/massnatany/hiraniza | Hiran'iza? | Massnatany | Tonga hilaza amiko hono ianao androany
Ny momba anao rehetra tsy fantatro, tsy hitan'ny masoko any amin'ny sisiny any !
Tsy vao ela akory isika no nifankafantatra,
Hitako sahady aminao ilay "aza manadino", ilainao koa ny "homeko ny hafatra"
Tsy nasiana kozy maro,
F'efa maika loatra ny hifangaro
Isika ! tsy nisy f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanankinana | FANANKINANA | Fredy Jaofera | FANANKINANA
Ny fanankinana amin’ny Ray
ny hoavy rehetra rehetra
no ahafahanao mandray
ny soa tsy misy fetra.
Ny fanankinana amin’ny Ray
‘reo tebiteby mafy anaty
no hanova toa tsy hay
an’ireny ka soraty.
Ny fanankinana amin’ny Ray
‘reo sentosento hatrany
no toky tsy hanafay
hanolo ireo tomany.
Ny fanankinan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/papoosy/mila-anao-izany-foko | Mila anao izany foko | Papoosy | Mila anao izany foko
Mila anao izany saiko
Ry malala tsy hadinoko
Ry malala sombinaiko
Rehefa tsy eo anefa indrisy
Zato endrikao feno tsiky
Lasa lasa ery ny saina
Tsy miato ny taraina
Midobodoka ny fo
Ranomaso kely alo
Miverena anie ry tiako
Tanterao ny faniriako
Aza avelanao angaina
F’efa reraka ery ny ai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/ranadahy-malala | RANADAHY MALALA | Riantsoa | Manaraka;
miaraka;
malaina ny hisaraka.
misarisary zoro,
mipetraka, mijoro;
mody tsy miraika;
ilaozako: mihaika,
haingana! andraso!
omeko topimaso:
mibanjina, midify.
mamonjy mitampify,
mihilana;
mivilana.
mikalo moramora,
manontany ora.
tanitany foana!
raikitra ny doka:
"Ianao mahay mihira!"
tsy asia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/espoire/hangina-aho | hangina aho | espoire | hangina aho ka tsy hiteny
satria efa nolavinao
hampanginiko ilay foko kely
izay efa natositosikao
ataoko ahoana moa ny isisika
nefa ianao efa nilaza ho tsy tia
aleoko mampitsahatra ny sentoko
anehoako ny ambopoko
indro hatsahatro ny ranomasoko
anehoako aminao
fa tsy very akory aho na dia tsy eo anilanao
hang... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toloho | TOLOHO | Fredy Jaofera | TOLOHO
Maneno ny toloho
fa vita ny ririnina,
ny hirifiry re nanjo,
lefy toa tsy inona.
Maneno ny toloho
fa io ny lohataona
mahafaly ‘zato fo
sy avy te hihaona .
Maneno ny toloho
fa mihamaitso ery
ny vohary sady lo
ny potiky ny dia.
Maneno ny toloho
fa ‘reny voninkazo,
indro eto mankato
sy ela vao halazo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fotsy | FOTSY | Fredy Jaofera | FOTSY
Fotsy daholo
no tazana etoana ;
mila ho tontolo
very hazotoana.
Fotsy daholo
ny hazo mijoro :
na ny voakolo,
na ny mihoro.
Fotsy daholo
ny bozaka kely,
tsisy mpanolo
sy mora miely.
Fotsy daholo
ny tafo jerena,
misy efa folo
sy hita ho lena.
Fotsy daholo
ny tany rehetra,
nanimba volo
ny efa nit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mifangaro | MIFANGARO | Fredy Jaofera | MIFANGARO
Mifangaro
ny soa sy ny ratsy
matetika,
k’ianaro
ny hahazo ‘zay vatsy
fitetika.
Mifangaro
ny adala sy hendry
mazàna,
ka akaro
ny anjara sy tendry
higagana.
Mifangaro
ny mora sy mafy
eto an-tany,
ka atsaharo
ny tsy mba hihafy
eny ihany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ny-lalao-fitia | Ny lalao fitia... | AMN (Arialy) | Ianao nilaza taminy, hoe fitia tsy lalao
izy izay nandray , tsy nanao ankilabao
fa nitia madio, tsotra tsy misy fangaro
fitia izay marina, tena vonona hiharo
Tao an-dohanao anefa dia sarisary ihany
fa tsy hoe tena tia , izay hanorina ankany
efa izay no filaza, efa izay no tarigetra
hilalao ireo tovovavy izay ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/am-bavaka | AM-BAVAKA | Fredy Jaofera | AM-BAVAKA
Entina am-bavaka
‘ty firenena
toa any an-davaka
rehefa jerena.
Entina am-bavaka
tsy hifanjevo
ny maro te hiavaka
sy be revorevo.
Entina am-bavaka
tsy hifamono
fa avy handravaka
soa tsara jono.
Entina am-bavaka
ny hifankatia,
ka avy hampihataka
an’ireo sanatria. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jupria/fahatsiarovana-ani-dada | FAHATSIAROVANA AN'I DADA | Jupria | Aza ampionononao ny saiko
Sao hivadika hafaliana
Ny sentosentom-pahoriana
Holanjain'ity foko
Sao hiova ny toloko
Mampirotsa-dranomaso
Tao anatin'ny ankaso
Mampikaikona ny aiko
Enga anie mba tsy ho voafafa
Ato anaty foko ato
Ny fahoria-mitafotafo
Ka ho eo ny fahatsiarovana
Mampahatsiahy ny salovana
Mampirot... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/lasana-izy | LASANA IZY | MiséVonjy | Halamiko ny foko, tsy hitroatra intsony
Hiantsoantso ilay notiavina, hikiakiaka mbola tia
Fa lasan’izy mantsy, nodioviny ny fony
Tsy hisy ny tavela, ny lasa fony nifankatia
Zary toa kely ny lalam-pofonaina
Hiainako isan’andro nony lasa izy
Tsy haiko intsony, fa toa zavona maraina
No tazan’ito masoko manao hamboz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ny-fiainako | Ny fiainako | AMN (Arialy) | Ny fiainako iarahana mizotra aminao
fiainana finaritra sy tiako tsotra izao
fiainana tsy mora, nefa tsy sarotra akory
fiainana tsy hay lazaina, tsy misy sorisory
Ny fiainako iarahana miaraka aminao
dia ilay lazaiko fa hasambarako amin'izao
tsy haiko tononina, sarotra ho fintinina
fiainana izay mafana, lavitry ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oracle/any-ianao | any ianao !!! | oracle | Any ianao ry tiana
mihanoka hasambarana
ny fiainako aty makiana
tsy manan'olon-kiarahana
fa ny foko sy ny fitiavany
efa lasanao ambon-gadiny
izany no fo diso ny tiana
milonjo fahoriana
manirery
fa singan-drery
toy ny zaza manjeny
tsy anilan-dray sy reny |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tonga | TONGA | Fredy Jaofera | TONGA
Tonga hitondra fiadanana
ho an’ny mpino marobe
ny zanak’Andriamanitra
sy hitandro fihavanana
eritreretina ho handeha
amintsika sy ny Lanitra !
Tonga hitondra fitahiana
ho an’ny olona rehetra
‘zay maniry famonjena ;
tsy nahalala fifaliana
fa toa ory nanjoretra
fony kivy mahonena.
Tonga hitondra vavaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sodoka | SODOKA | Fredy Jaofera | SODOKA
Sodokan’izato fitiavany
ka namoy ny akoho taman-trano
ianao vao indro ny tavany
nambabo ka tratran’ny angano.
Sodokan’izato tantarany
ka nesoina ny niaraha-nanangana
fa efa naniry ny anarany
raha tsisy haravoana mba niangana.
Sodokan’izato fijeriny
ka niroboka ho azy avy hatrany
fa nanana lava ny heri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fanomezana-tsy-lafo | Fanomezana tsy lafo | raozigasy | Na totofan-kilalao, takalom-bola sy harena
Na hodidinin-java-maro, sy fanomezan-tsesehena
Na omeko anao daholo izay voavidin’ny karamako,
Dia tsy ampy hahasambatra anao, hiadananao ry zanako
Na ravahan-drenty sy haingo, ilay tranokelinao,
Na atolotro anao izay tsara revaka sy vao,
Na hodibohan-drotsirotsy, sy lan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vita | VITA | Fredy Jaofera | VITA
Naman’ny lasa
ny fitiavako anao,
na tsara fikasa
sy saika tsy ho lao.
Naman’ny very
ny voady nomena,
na nanana hery
vao hoe nambolena.
Naman’ny vita
ny nofy niarahana
na tsapa sy hita
fa mbola mibahana.
Naman’ny maty
‘reo tanjona maro,
na tsy poak’aty
‘reo soa ka fantaro. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-feno | TSY FENO | Fredy Jaofera | TSY FENO
Tsy feno ny haravoako
raha tsy ianao mifaly,
ry tiako mba nahazoako
ny mamy sy voangaly.
Tsy feno ny hirahirako
raha tsy eo ianao mikalo
hatramin’ny namikirako
teny ho eny vao nandalo.
Tsy feno ’zay fitiavako
raha tsy eo ianao mitory
ny tsirony hahatongavako
ho tretrika…Tsy ory !
Tsy feno ’zay fia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izay-mitambatra-vato | IZAY MITAMBATRA VATO | Fredy Jaofera | IZAY MITAMBATRA VATO
Izay mitambatra vato,
izay misaraka fasika
no ilaina in-jato
vao hidadasika.
Izay mitambatra vato,
izay misaraka very
no asesy tsy miato
vao hanan-kery.
Izay mitambatra vato,
izay misaraka ho voa
no tiana ato ho ato
tsy hanary tokoa.
Izay mitambatra vato,
izay misaraka avela
no be mp... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/ririnina | RIRININA | KIRIAH | Ririnina mamirifiry , tsisy sombin-kafanàna,
henoko mangirifiry zany ventsoko mazàna,
fa ianao lay fitosiako... any lavitra tsy hita,
ka reo jalim-paniriako , eny fona toa tsy ho ritra.
Nihitsan-dravina ny hazo,sina koa ny tontolo,
ka na lay vorona mpivazo , niova sata niova volo,
zay rehetra nojineriko, toa mane... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/halina | HALINA | Fredy Jaofera | HALINA
Halina aho nahatsiaro
‘reny Lasa tsy nanjary
nampisento, nahamaro
‘tony ratra nankarary !
Halina aho nahatsapa
ny alahelo mafy anao,
nanadala, nampirapa,
nampahory lava izao.
Halina aho nahatsiahy
‘reny voadintsika roa
nampivoatra sy nitahy
ny androntsika ho soa.
Halina aho nahavatra
nanoratsora-to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/idealysoa/valio | VALIO | IdealySoa | VALIO
-Hono oa mba valio,
Izao ahiahiko izao
Raha diso aho dia ahitsio,
Sao manao ny tsy fanao;
-Raha toa ka tsisy fahasambarana
Ny fiainana izay iainako,
Moa ve azoko faranana,
Ny sisa izay mba androm-piainako?
-Raha mahatsiaro mijaly,
Lavitry ny fifaliana,
Azoko atao ny miangaly,
Hirahiram-pijaliana?
-Ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/idealysoa/efa-taona-izay | EFA-TAONA IZAY | IdealySoa | EFA-TAONA IZAY
-Mitamberin’ilay andro,
Niarahantsika roa,
Mamirapiratra masoandro,
Mba mahatsiaro ihany koa.
-Tsy adinoko satria,
Fotoana iray mamintsika,
Nanirin’ilay fitia,
Nampafana ilay hatsiaka.
-Tsingerin-taona faha-efatra,
Raha ny taona no isaina,
Nizakàna ireo mavesatra,
Ny mamy koa tsy hay tanisai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/idealysoa/ho-maraina-vao | HO MARAINA VAO | IdealySoa | HO MARAINA VAO
Ho avy ny maraina, hitondra fitsikiana;
Ho avy ny maraina hivimbin’hafaliana;
Ho avy ny maraina hamafy hazavana,
Ho an’ireo izay mila izany;
Hanome mosoara, hamafana ireo tomany,
Ka handritra azy tsy ho naman’ny eto an-tany.
Fa mbola ho avy ny maraina, hanarina ireo lavo,
Hamaha ny tadin’ireo iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/idealysoa/nahoana | Nahoana!? | IdealySoa | -Tsy mety maty ny afom-pitiavako anao,
Niezak’aho namafa, nikosoka, namono,
E! mbola miredareda, mbola mamono lolo;
-Niantso aho mpamonjy voina,
Mba hamono ity afo:
Nikiaka mafy ho tsaboina,
Fa tojon’ny atao hoe ankaso;
-Vitako daholo izao rehetr’izao,
Akory ny hagagana,mbola io foana ianao.
-Manadino anao toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikemba/tsy-nahy | Tsy nahy | ikemba | Taratasy iray efa vasoky ny taona,
no voasokatro tsinahy io maraina io.
Nampatsiahy ilay lasatsika efa nimaona,
ka namolivoly ny aty foko anio...
Sarinao voahety sy efa saika may,
no noaiketiny ka taitra teo ilay fo.
Nahatsiahy ilay salovanao izay,
niniana nohadinoina kanjo indry nifoha...
Dia nitamberina ilay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nantto/ry-za | Ry Zanako vavy | Nantto | inona zato mapanjombona ry zanako vavy
Inona no mampisento ka mahalasa vinany
Ny fiainana va no makivy fombany izany
Aza ketraka rahavako, aza mora kivy
ny ho avy banjinina hampisy tsiriry
Mitraka, miharena,
Miandry ao ny ho avy ka mihorena
Miaingà ka misikina hery
Misalora fahavononana handrava ny elo
Manante... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/ho-avy-aho | Ho avy aho | maeva74 | Ho avy aho
Hipaika injay ilay ora,
niandrasako hatrizay,
ny ho eo anilanao
sy hamihina anao
......Indray.
Ireo ratsa-tanako
tsy analana tsy miampy
no hany sisa hisaiko
dia eny anilanao aho
ny hitoetra r' Isombinaiko.
Ny hanina anao
.......Mafy,
ka mila tsy ho tanty
Tsy ho nofy intsony
Eny! Ho avy aho.
I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manahirana/fa-mbola-tia-aho-no-nilaozanao | Fa .. mbola tia aho no nilaozanao | Manahirana | Fa mbola tia aho no nilaozanao
teo am-pakana fihy izany hatao hoe "fitiavana"
manina anao hatramin'izao
nefa..te hanadino ,hamadika ny pejy sy hiova lalana
nitolona tsy hisaina ireny andro ama-mbolana
nifamatoran-tsika roa
fifaliana ,tsiky ,tsy nisy olana
fahasambarana avokoa
fa .. mbola tia aho no nilaozanao!!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asiniony/isaorana-andriamanitra | Isaorana Andriamanitra | ASINIONY | N'inon' inona fikasa
sy fikatroky ny saina
raha tsy Izy no miasa:
...herim-po very maina !
Ny tanjona kinendry
no mby sy todinao:
tsy tanjakao irery
...Izy tena tao !
Koa Izy no isaorana
sy anandratam-peo,
dia 'lay Ray Mpitantana
ny tranga sy ny seho. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/honohono-ahoana | HONOHONO, AHOANA ? | Fredy Jaofera | HONOHONO, AHOANA ?
Honohono, ahoana
ny tebiteby iainana ?
Hafahafa ity mitaona
ka mahabe fisainana.
Honohono,ahoana
ny tifitra nandeha ?
Miteniteny foana,
mahakivy izany re.
Honohono, ahoana
ny nifanjevo omaly ?
Be no maty noana
ny mponina mijaly.
Honohono, ahoana
ny hitaky fanovana ?
Topazo fa mivoana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manahirana/hoanao | Hoanao | Manahirana | ...hoanao
foko nilaozana ireo nanome aina ahy
iray tam-po ,mitovy ra sy fanahy
ny fireneko ,tanin-drazako
nataoko ho anao ry malalako!
hoanao
no nandaozako,namoizako
ny fahazarako ,tsy notoizako
ireo namako,sakaizako
navelako ,nilaozako
hoanao
nanomezako ,zaza mahafatifaty
sy fiainana faly tsy miafiafy
t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/zory-izato-dia | Zory izato dia... | AMN (Arialy) | Arosoy izany dia ry sakaiza, aza kivy
efa vonona izao, mirosoa izato izy
aza asiana jeri-todika ny lasa, avelao
na tsy mora aza, ilay atao oe mifandao .
Andeha fafao ny ranomaso, mahereza
manamafy saina, fa ny lalana mideza
aza sainina ny sento, izay mibahana anio
mitrakà, mijoroa, ny soa ho azo tadidio.
Tsarov... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/mila-anao-aho | Mila anao aho | Andrin'ny Avo | vongan-dranomaso nikorina tan-takolako,
tandindon'ny ankaso nohazoniko hatrizay,
kinanjo, nilefa ny fanahiko, nibahana ny olako
ka ny tsiahy sy ny ahiahy no niverina indray.
Dia voarakitra tan-tsaiko ny tandindon'endrikao,
fotoana vitsivitsy monja, nofinofy mangingina
avy eo niverenako tan-tany, tamin-kery vaovao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/n-y-taniko | N y taniko | AMN (Arialy) | tsy hasiaka aho fa hilaza
izay mba hany voabada
fa ny taniko voazimba
ka lazaiko fa hoe simba
tsy hoe hilaza fiantsiana
na dia marary fo sy liana
hoe iza no niandraikitra
itsy vono olona sy kaikitra
tena toro ny fo sy saina
tsy misy hery hitaraina
fa dia tody no antsoina
hoan'ireo nanao ny voina
ny maraina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/namokehana | NAMOKEHANA | Fredy Jaofera | NAMOKEHANA
Nikim-bato
ho nanana ny marina
iny niato
nihira ka farina.
Niziriziry
ho tompon’ny lafatra
ka impiry
no saika nifatratra.
Namokehana
ho tsy azo kianina,
nanosehana
an’izay norandranina
Nizihizihy
ho mahavita tena
ka lany dihy
sy mampahonena ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mimi12/satria | satria | mimi12 | tiako izy tsy asiako satria
tiako izy, ary saika "doria"
tiako izy fa saingy sanatria
tiako izy nefa tsy miantso ahy avia
dia satria tiako dia tiako fotsiny
dia satria tsiky dia tsiky fotsiny
fa satria zary nofiny
satria tsy misy fotony
satria sa nahoana
fo babo tsy hay tohaina
satria toa maona
satria kely n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/fitia-diso-fiantefa | FITIA DISO FIANTEFA | Riantsoa | azon'ody tany angamba
no niraparapa foana
sa ny maso no efa jamba
sa ny saina no nivoana?
bika ve no hany bala
vola no atao mpitondra
entinao hanjono kala
any ambadiky sahondra
tara loatra ianao ry Zandry
kely loha toa an'i Kaina
atao inona ny sandry
raha tsy miaraka amin'ny saina?
izao ny aina efa very
ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herimec/ho-tapitra | Ho tapitra . . . | Herimec | Ho tapitra ny amiko satria tonga ny fotoana,
Ka ho levona avokoa ireo rehetra manoloana;
Ny tenako mihetsika, ny vatako mijoro,
Ho potika sy ho lo fa izay angaha no toro.
Ho tapitra ny amiko fa izay ny fandaharana,
Fetra ho an'ny aiko, safidy izay hiakarana;
Ka handao 'ty tany, ity tanim-pijaliana,
Veloma ho dor... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/taotaon-kafa | TAOTAON-KAFA | Riantsoa | Manao tohivakana maneho ny hatanorany
Ny eritro manjeny;
Anefa, ny tontolo notadiaviny any
Zakain’ny heniheny.
Ny hanin’olon-tiana manao amboletra,
Voafefin’ny havoana;
Ako hiakam-po mitraho an-kerisetra,
Tamberina eto foana;
Atopan’ny alom-betso handrongatra ny morona,
Tsy nisy tsy nafoy,
Tsy nisy nandrombin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/tantara | TANTARA | MiséVonjy | Ringidringitrin’ny fiainana, ‘lay fitia nifanolorana
niaritra adim-piainana, indraindray toa novolena
noresena tamin-tsiky valabalaka hasosorana
nefa dia niaraka ihany nitady famonjena
Rovidrovitr’ny rivotra nitsoka mafy toa tadio
nanilika tahirim-pitiavana voatahiry mitampify
tanaty fo misalasala manaiky resy ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/faniriana-ihany | FANIRIANA IHANY | Riantsoa | Etsy ange ry olona iny
indramiko ny molotrao
mba lazao azy kely
tsy hoe, hono, manadino
fa manao sangodim-panina
hananganana tadio
hitondra rivo-baovao
satria tiako hiredareda
ny dona-tsetroka miavosa
manangan'aloka maria
tiako hirehitra indray
ilay afon'ny fitia
mangatsiaka antaravelona
tsy hoe mamafa ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/aleoko-ho-nofy | Aleoko ho nofy | Andrimaranitra | Aleoko ho nofy
Mitia Anao aho kanefa
Aleoko izany ho nofy
Satria amin’izany ny foko afaka miantefa
Tiavinao ka tsy avelanao ho farofy
Hitanao aho kanefa tsy jerenao
Izato foko efa tsy tamana an-tratrako ao
Mba te ho anilan’ny anao no hitampify
Nofy izany hoy Ianao mandositra lava midify
Aleoko tokoa ho nofy ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charles-and-de-stella/alina-fitia | Alina fitia | Charles And de Stella | Mangina aok’izany ny manodidina ahy,
Ny hany sisa hitako, ny volana eny ambony,
Mamerina tadidy, mamerina tsiahy,
Ny embona alahelo ao am-poko sy ao am-pony.
Ry alina ô! Alina fitia.
Mangina sady tony ‘ty alina mangina,
Ny andro diasan’alina dia misy ilay mazava
Tsy alina mba moana, tsy alina mba sina,
Fa alina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/toy-ny | Toy ny... | Andrimaranitra | Toy ny…
Toy ny tsy fahafahako mankafy ny haren-java-boarin’ny tanindrazako
No tsy famelanao ahy hitia Anao rahavako
Miha ory ho azy eny ny foko, tsy maninona fa ekeko
F’efa nahay niray fahantrana aho tamin’ny fireneko.
Tsy manam-bola aho tsinona hitetezako ireo tanána malalako
Toy ny tsy fananako endrika mendrika... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herimec/tia | TIA | Herimec | Maro ny hazo fa ny fary no mamy
Maro mpitady sady be mpanontany
Fa raha zazavavy de ianao no to raitra
Ka hitsabo ‘ty foko ka hametaka zaitra
Railovy no tsara raha vorona an’ala,
‘ty feony manga miantso malala;
F’ireo tovovavy ‘zay eto gasikara,
De ianao irery ihany no kanto sy tsara.
Betsaka ihany no niserana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charles-and-de-stella/ny-endrika-soa | Ny Endrika soa | Charles And de Stella | Miserana sy mampahory,
‘Lay endrika maha-te ho tia,
Rehefa ka lasa matory,
Ho lovan’ny fasa-mangia.
Ny bika manaitra ny saina,
Tomady sy tena mijoro,
Somparana ve tsy hangaina,
‘Ty nofo ‘zay mora mikoro!
Ry fahafatesa-mavany,
Nanala ireo olo-malala,
Ny ENDRIKA BIKA HATSARANY,
RAVANA NAHINTSANA, NIALA!
Ny fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/alokilay-olona | Alok'ilay olona... | Andrimaranitra | Alok’ilay olona...
Anaty masonao isan’andro
Ilay olona nofinidinao
Tsinjoko fa tsy izaho anefa izany
Satria toy ny namosaviany ianao ka toy ny tsy eto an-tany
Mba noheveriko fa izaho ilay masoandronao
Mampitsiky anao mandavan’andro
Nefa ianao manoroka ahy aza fanahinianao hatrany
Fony tsapako
Fa nisy fanahy ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/habakabaka | HABAKABAKA | MiséVonjy | Malomaloka ny andro, tandindondin’orana
Mafanafana manempotra, maina rivotra mitsoka
Sempotrempotra embonembona, tena hana mahatorana
Alokalok’olo-tiana an-tany lavitra mampisioka
Maizimaizina ny tontolo, mihilan’andro ho alina
Kopak’elatra tsiriry, mifindra lasy tsy tamana
Kaikikaikitra tsiahy olo-tiana mahamani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charles-and-de-stella/tsy-iza-tsy-akory | Tsy iza tsy akory | Charles And de Stella | Ry tokana an-tany tsy azo soloina,
Ry be fandeferana misolo voina,
'Lay be fanompoana tsy mila karama,
Ineny mpikajy ny ankizy ho salama.
'Lay be tebiteby raha misy marary,
'Lay hita eo akaiky fa tsy mba manary;
Ilay be orokoroka mamy fiteny,
Tsy iza tsy akory fa ianao e ry Ineny.
'Lay tana-masoandro ao anatin'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mimi12/nankaiza-ny-tanteliko-teto | nankaiza ny tanteliko teto | mimi12 | nankaiza ny tanteliko teto
mba hitanareo ve izy ry reto
toa matsatso ny variko anio
fa tsy hitako ilay voanio
nankaiza ny tanteliko teto
malahelo ny foko ka ento
raha hitanareo izy dia teneno
hoe miandry azy ilay fokely feno
nankaiza akia tanteliko teo
toa hitako omaly fa anio mba jereo
sao narary, sao nandam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/-4999 | ... ! | KIRIAH | aza diso araraotina lay fony zay nitia
aza diso hodian-tsy hita, aza avela hiriaria.
ndrao hiova ho lasa nenina reo haingitraingitrao
ka hodiany be marenina, ao aoriana kely ao
aza diso atositosika, ilay izy nitaraina
aza diso ampiandrasina,aza avela koa angaina
ndrao rehefa any aoriana,lay fitia ho an' olon-kaf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/aiza-i-dada | NOFIKO | KIRIAH | Sombi-NOFY omaly alina
tratry ny andro,tra-maraina
no indro mampalaina hiarina
fa mameno fo sy saina
Nofy adala , sahisahy
tsy mifidy hiantsapazana
fa misitrika tsy nahy
dia mandonaka ny ngazana
Dia NOFIKO hono izaho sy ianao
nifankatia sy tena sambatra
ka indro nivangongo tao
ny fanaperana sy lafatra
feon'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/namana | TIAKO HO FANTATRAO | KIRIAH | tiako ho fantatrao daholo zay ao ampoko sy nafenina,
ho zaraiko manotolo, ho zaraiko tsisy nenina,
tiako ho fantatrao daholo ka tsy misy ho tehiriziko,
ho zaraiko manotolo ...ireo izay tiako sy ankafiziko.
tiako ho fantatrao daholo, zay tantara tany aloha,
ho zaraiko manotolo , na dia ireo zay nahavoa,
tiako ho f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrinny-avo/tafandria-mandry | Tafandria mandry | Andrin'ny Avo | Tafandria mandry ankia ry sombin'ny aiko
dia manindina avo ianao ry andry soan'ny saiko,
ho an-tanin'nofinofy no 'ndeha zory ho lalanao
ho tantanako an-kira hoy ilay malalanao
izay mitendry ny valihim-bolonao,
mibitsika ny toky, rahatrizay tsy mba handao,
tsy hanipy aloha ireo masony fa hiandry ny anao
ho zevat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/iny-takariva-iny-ilay-takarivan-tsika-roa | Iny takariva iny, ilay takarivan-tsika roa | maeva74 | Iny takariva iny,
'lay takariva nody masoandro
Teny isika no nikalo
'lay kalokalon'ny fitia
Nivoady ny hiara-dia
nilokaloka ny ho doria
Iny takariva iny
' lay takarivan-diavolana
Revo teo izaho sy ianao
nihirahira, nakafy
ny hatsaran' ny zava-boahary
sy ny siotsiokam-borona
Iny takariva iny mantsy
'lay fot... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsiky-vendrana | TSIKY VENDRANA | raozigasy | Ilay bitsi-teny izay natsipiko, tan-tsofinao izay nanongilana
Ilay pi-maso izay natorako, taminao tan-kodimirana,
Ilay vongan-tsiky feno lefaka, natorako tsy mba noferana
Ilay kopa-tanan-tsaro-kenatra, nomeko anao ilay niserana
Dia fihetsika ninia-natao, natera-betso te ho namana
Ilay vezika etsy sy eroa, akaikina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aoka-izay | AOKA IZAY | raozigasy | Aok’izay ilay nofinofy, revirevy
Fa atreho ilay hotra-piainana mandevy
Aok’izay ilay sidin’eritra an’habaka
Fa amin’ny fiainana isan’andro aloha mivavaka
Aok’izay lay hoe an-dafy paradisa
Fa ny ampitso aloha ataovy tsara visa
Aok’izay ilay faniriana tsy ho tanteraka
Fa izay hohanina androany aloha ateraka
Afoiz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/fandaharanao | FANDAHARANAO | RIJADOLLY | FANDAHARANAO
Eny Ray, eny
Ekeko ny fandaharanao
No dikaiko izy ireny
Kanefa Ianao tsy nandaho
Reraka aho nandika izany
Ny heriko no nentiko teto an-tany
Nampiasa izay saim-patatro
Ka torovana ny vatanko
Nihevi-tena ho matanjaka
Hay inty tena toa mitanjaka
Toa very ny Fanahy
Ka naditra sahisahy
Notoroana a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/o-ry-foko | O ! RY FOKO... | KIRIAH | o ! ry foko malahelo ,mihonona dia andraso
mba tsy ho resin-tsetrasetra,fanahiana ,sy ny ankaso
fa na lavitra lay tiana, ho avy ihany , hikalo indray
sy hitondra fifaliana,ka hamihina ,ary handray
mety ho sarotra tokoa, zany miandry, manantena
na izany aza moa,angaha FITIA NOTERENA ?
koa fafao ny ranomaso ,hatanj... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirhy-lanto/ny-tena-reny | NY tena reny. | Nirhy-Lanto | Fa ny reny dia nitohoka
tamin-drano tsy nilainy,
noho ny zaza tao am-bohoka:
dia ny tena sombinainy!
Ineny irery sisa raikitra,
raha nisy ray voalaza,
tsy nivonona hiandraikitra:
nahavatra nianga-jaza!
Na dia noho ny hatsembohany,
faly, lany mondron-kery,
dia ny reny no talohany
niankin-drindrin-tsamirery!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/ny-vavaka-nasandratro | NY VAVAKA NASANDRATRO | Riantsoa | Ô ry Raiko, mitalaho
mba henoy 'ty zanakao
mitenena re ry Ray
moa ve izao no lalana
sinoritrao ho anay?
Eny, fantatro fa tsia
f'izahay no ninia
nampiova ny hasambarana
ho lasa nahalala
'ty tontolo mamarara
Ô, ry Raiko feno antra
inty aho ilay mahantra
tamy hangataka aminao
fo, fanahy sy toetra
ary saina v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/soa-ihany-teo-ny-nofy | SOA IHANY TEO NY NOFY | Riantsoa | Dia ho nofy ihany sisa ve no hilazako indray
ireo vetsovetsom-poko fiangaliko hatrizay?
Raha toa tsy nisy nofy, iza moa no itanisàko
ny androm-piainako rehetra; ny taraina, ny adalako?
Dia ho nofy sisa ve no navelanao hiteny
sy handrotsirotsy ahy amin'ireny kalo ireny?
Miangavy re ry Lala, miverena re ry Tiako
m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/fitia-fahazaza | FITIA FAHAZAZA | Riantsoa | Miaraka eny an-dalana, someby aok'izany
Mifampitositosy sy mifananihany
Tsy mihontsona akory ny ao anatiko ao
Eh! Fitia fahazaza; nataoko kilalao
Rehefa mba mitafa mitokana irery
Ny andaniny mandà, ny ankilany manery
fa amin'ny herinandro no atao ny mariazy
Fitia fahazaza; eh! nataoko vazivazy
Indreny fa midola... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/mampirafy | MAMPIRAFY | Riantsoa | Angamba ny fahitako anao
Isan’andro lava izao
No mampihetsiketsika ahy ?
K’ilay endri-miramirana
Laroan-tsiky misompirana
No sinafoko tsinahy
Diso ve izaho raha toa
Ka nanao kitoatoa
Ireo iraka sy asako?
Satria ilay endrikao
Sy ny safosafonao
No andrandraiko sy andrasako
Mba tsy fahotana kosa
Ito vavako mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/hataka-mangidy-sira | HATAKA | Riantsoa | Antenaiko tsy ho very
ilay tafa
tsara tefy,
hanakombona ny fery
ratsy fafa
tsara fefy
dia tsy tsapanao mihitsy
ve ry Kala
manja kely
izato vatany mangitsy
mihoatra vala
miandry vely?
Raha tsy te-hifampizara
rohin-tsera
dia mba tsory
sady izaho lany ambara
lany lera
te-hatory |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tolom-bahoaka | TOLOM-BAHOAKA | Fredy Jaofera | TOLOM-BAHOAKA
Mandeha ihany ny tolom-bahoaka
mandra-pahazo an’ireo izay takina
fa tsisy misaina ny mba hitsoaka
na koa hiala, n’oviana n’oviana !
Mitohy ihany ny tolom-bahoaka
mandra-piovan’ny zava-drehetra
fa tsy ho kivikivy na hitady toaka
hanadinoana ny sento sy tsetra.
Miorina ihany ny tolom-bahoaka
mandr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ntsoa/izaho-i-mota-kely-i-sedy | IZAHO, I MÔTA KELY, I SEDY | Riantsoa | Tonga ihany ilay maraina rako-javo-mitambolona;
Ireny feom-piarakodia no solon’ora fifohazana.
Efa miandry indray ny adidy amin’ny maha zokiolona,
Solon-dreny hanambitamby, solon-dray hiantsampazana.
Hatanjahina ny saina, dia hanainga amin’izay;
I Sedy kely am-babena, fa i Môta atao an-tanana,
Lolohavina eo an-do... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/atao-ahoana | ATAO AHOANA ? | KIRIAH | Atao ahoana no filaza ny asan' ny fitiavana?
toy ny boi-drano eny an-tany ngazana.
Atao ahoana no fandrefy ny heriny ao ampo?
zay toa balisama manamaivana ny fo.
Atao ahoana ny hanazava sy filaza amin ny hafa?
ilay afo ao ampo manosika hitafa.
Atao ahoana no fandrara reo zay tia mafy loatra?
ka hampangina izany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hobiana/papangohazo | PAPANGOHAZO | HOBIANA | PAPANGOHAZO
Mangina tany efitra
ny foko tsy mandre ny rotsirotsy aakon’ny sora-kafany iny.
Kamory ka mandefitra
… Nilaozan’ilay vorona niritsoritso- kalo, kalo tsy niniany
…kanefa tsy nekeny ho kalona fitia.
Dia asa, hono, re… ilay vovoky ny ireriko tsofin’embonembona:
Mivenjivenjy indreny misarina fanahy mitady... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/boboka | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hatanjaho-ny-saina | Hatanjaho ny saina | raozigasy | Raha sembanin-drahona, ilay baliakan-johary
Raha azeran’ny tadio, izay tinefy lavorary
Dia hatanjaho ny saina, hizaka izay marary
Raha diboky ny riaka, ilay fototra najoro
Raha nindaosin-drano, izay vita ka nikoro
Dia hatanjaho ny saina, aza mora toro
Raha kilan’ny joala, ilay andry nantenaina,
Raha lasana laven... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/mana-sisa-andrasana | Mana sisa andrasana | Tsilaitra | Irediredy isika raha irehaka ahavita
Anafoana ity krizy amin'ny endrim-pifidianana
Raha tsy ny fifanomezan-tanana
Hioitra ny ho tsara no raketina an-tsaina
Irediredy isika ka iambo ny hiampita
Tetezan-tokana malama, mideza sady lava
Kanefa ny hefitrefitra tsy mbola nisy rava
Mbola he manjaka ny havakava-tava
Ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/rehefa | REHEFA | KIRIAH | Rehefa irery aho malahelo sy mandrotsa-dranomaso,
resin 'ireo setrasetra , fahoriana , sy ny ankaso,
dia roasinao daholo ny alaheloko sy nenina
isaorako manokana ianao re ry PENINA.
Rehefa faly aho mitanisa ny hasambarako rehetra,
zato fikorisanao mamy loatra tsisy fetra,
voatantaranao daholo ny madinika indrind... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/nahoana | RAHAMPITSO | KIRIAH | Rahampitso dia hanainga sy handao iny olona iny,
rahampitso dia ho maina.. lay nandravina fahiny,
rahampitso dia tsy ho tazako ilay nameno fifaliana,
ka ho lavitra ny tavako ...ilay "nisarin' olon-tiana".
Rahampitso aho dia hitomany ,ho feno sento feno tsetra,
zaho koa mba te ho any, hanaradia tsy misy fetra,
ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nahafinaritra | NAHAFINARITRA | Fredy Jaofera | NAHAFINARITRA
Nahafinaritra ahy
iny lohanao nihodina,
na dia tsy nahasahy
nanaitra amin’ny sodina.
Nahafinaritra ahy
iny masonao nangarika,
na dia tsy voatahy
ny ora izay voamarika.
Nahafinaritra ahy
iny volonao nakopaka,
na tsy mba nanahy
‘zay tsapa ho nitobaka.
Nahafinaritra ahy
iny bikanao nandeha,
na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sambara | Sambara | raozigasy | Sambara ianao ry saiko, dia odio fanina
Ireo olana rehetra, izay mitanintanina
Sambara ianao ry foko, dia odio tsy hita
Ireo hetraka fitia, tsy tapitra tsy vita
Sambara ianao ry aiko, dia odio adino
Ireo sedran-jiogam-piainana, mihatra tsy mampino
Sambara ianao ry zoko, dia odio tsy jerena
Ireo tsindrio fa lavo,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/tsiky-kely-dia-ampy | TSIKY KELY DIA AMPY | KIRIAH | Tsy ahoako na tsy hoahy,tsy ahoako na tsy ho anjara,
tsy asiako ahiahy na tsy ho lasan-ko tantara,
avelao aho mba ho namany ary koa hiantsampitsampy,
tsy ahoako zay tantarany,TSIKY KELY D' EFA AMPY.
Tampoka sy sendrasendra,tafaresaka izahay,
tato anaty SERASERA, indray harivariva izay,
dia nitohy antaro-by zany v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/safidy-manadala | Safidy manadala | Tsilaitra | Safidy manadala tsy mba manana sahala
Raha toa ka sendra roa, izay andrian'ny fo
Zary ravina sy taho ny hoe "izy sa ianao"
Lainga tsara lahatra sy fitaka miavosa
no asetry faniriana zay tiana ho tontosa
Anafenana ny saina malemy sy kanosa
Ka tsy afaka isafidy, na ho mamy na mangidy
Ny Lokaloka sy ny dina, Voady,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/irery-10 | Irery 10 | raozigasy | Ilay trakan-doha ety ivelany
Ilay botsin-tratra tsy noferany
Ilay rijan-tafy sy fandeha
Dia sarisary ihany ange
Ilay feo manga, tsara rafitra,
Ilay resadresaka an-kandasitra
Ireo fihetsika rehefa hiteny
Dia toa olona ireny
Kanefa ny ao anatiny ao,
Dia tena afeniny anao
Fa misy jaly feno ratra
Fa koboniny ao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/boloky | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/ny-masonao | NY MASONAO | MiséVonjy | Fa toy ny volana baliaka, anaty aizim-pito
Ito masonao mijery, anivon’ny takolaka
fanilo hafa mihintsy, vitsy no mahita
ny hakanton’ny tarany, hazavana miantoraka
fa ny aizin’ny tsiahy, sokafam-betsoventso
tarafin’ito maso, mitahiry fahatsiarovana
dia indro fa tazaniko, tsy lavitra fa eto
anilan’ny anio, tomorim... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/tadidinareo-ve-ty | MARARY FO AMIN IZANY EO | KIRIAH | VAVY:
Eiiy! marary fo amin izany eo
vady ao antrano aza mankaleo
ikala SAHONDRA no andeha vonjeo
avelako ho hitany havany eo
na hidradradradra sy hanaka-peo
hanafatra alika sy vorondreo
ny kisoa no enjeho ary koa babeo
LAHY:
ianao ngah adala sa tsy ampy saina ?
toa voalavo sasatry ny miaina
ery alatrano mina... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.