url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lolash/ianao-sa-izy | IANAO sa IZY ? | lolash | Raha tsy maintsy aho ny hifidy
ho ianao ve sa ho izy
dia aoka ho lazaiko tsotra
f' ilay fitiavako miavosa
ampy ho zaraina tsara
ho anareo sy kala FARA.
Samy tiako sady mamiko
tsara indrindra sady laniko
fa ianao sariadrika
izy kosa tsara bika
ataoko ahoana no fifidy
f ianareo toa sarobidy.
Aza asiana tabata... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/tanikosy-tomaniko | Taniko...sy tomaniko | andriary | Iny tendrombohitra iny ngazana
hatrany am-para-tazana
ts'isy hazo mba maniry
ny kirihitra tsy hita firy
fa tany karakaina
Io mamelatra ny maina!
Ny riandranom-batolampy
miharitra sady tsy ampy
ny renirano aman'ony
toa tsy hikoriana intsony
fa vodivona dongo sisa
samy koka sy efa tritra
Itsy lohasaha indray
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/kisendra | KISENDRA | andriafa | Kisendrasendra angamba
ny masoko sy ianao
nifampitopy tos tsy nahy.
Fa tselatr'afo nahazo vanja
ny tao anaty tao
ka nampiainga ny fanahy
Angamba koa mety ho tsy nahy
'lay molotro nitsiky
niantefa taminao
Fa toa nadrisika ahy ho sahy
hamoaka ny nifify
am-poko lalina ao
Dia mbola ho kisendrasendra
hoy ny any... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/taratriniaina/tsy-anjara | Tsy anjara | taratriniaina | Rahavako, tsy lavorary le fitia noandrandraiko
satria voarara, tsy azo ambara.
Eny, tsy rariny kanefa hikipiko
Fa ny anjara no mandrary ny fiafarana.
Na tiko aza ianao de izy no fidiko,
Na mamiko aza ianao de izy no hofihiniko
Koa de mitsodrano anao ho tojo ny lalaina
Izaho mantsy efa azy ka tsy afaka zaraina.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/zaro | Zaro | raozigasy | Zaro ny mitsiky, ary aza afenina
Fa rehefa maro , ny tsikinao ho tenona
Handrary hafaliana, ho tambatr’haravoana
Zarao ny tsikinao, dia fenoy ny banga
Fa ny tsiky atolotrao, na inona mitranga
No hampiloa-bava , ilay fo kamoana
Zairo ireo kitapo, tranon’alahelo
Dia aleveno lalina, lavitry ny avelo
Fa tsiky asolo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/resatsika | RESATSIKA | andriafa | Tafaresaka tsy nahy
izaho sy ianao
indray hariva izay
fa nahavariana anao
ny nahita ireto
tovovavy maromaro
feno haravoana
sy lanaky ny hehy
"Angamba hoy ianao
tsy mba marary ireny,
fa hafaliana hatrany
no iainany eto an-tany."
Nefa hoy aho : "Diso ianao,
fa ny tsikin'izy ireny
dia mifono zava-dalina,
ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/mba | MBA... | andriafa | Mba ampindramo ahy
raha azonao atao
Hamelombelona fanahy
Irony tsikinao
Mba omeo mba ho kaloiko
na dia sombitsombiny ihany
Irey hiranao tsy foiko
haneseko ny tomany
Mba omeo fa ho hajaiko,
ho koloiko, ho lalaiko
'lay fitiavanao ry aiko
ary ianao ho SOMBIN'AIKO |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/resy-aho | RESY AHO | andriafa | Afoiko ianao r'ilay Iarivoko
r'ilay Iarivo niriariavako.
Afoiko ianao ka tsy ho tsiahiviko
fa nadratra ny fiatiavako.
Ny fandaozako anao
no taratry ny fahareseko.
Na dia mamiko aza ianao,
mamoy anao no fahendreko.
Fahatsiarovana e! no sisa
hitambololona ao an-doha.
Ny vetsovetso no hitanisa
'reo ora mamy tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lolash/anjara | ANJARA | lolash | NY ANJARA ZAZA HENDRY,
tonga hoazy, mahay mikendry,
kanty sy mahita lalana,
tsy ilàna fitadiàvana,
rehefa ho tonga izay anjara,
mahalala tanana mizara,
fifaliana zava-tsoa,
fitiavana ho an olon-droa,
dia io fa feno fahasambarana,
ireo tia tazatazana,
mibika iretsy mpanambady,
vita dina ...vita voady,
ho mar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lolash/lamboridy | LAMBORIDY | lolash | Lamboridy izany toetra
manandevo mampitsetra
sarotra ovaina mantsy
na dia hita izao fa ratsy
lamboridy koa ny vola
fa na dia antitra efa sola
mbola mitady sy mihary
ny vola hono ZANAHARY
Lamboridy ny fitiavana
mampanadino ireo havana
hanadinoana RAY sy RENY
ventesina ombieny ombieny
lamboridy ny fiainana
m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/soavadia | Soavadia... | AMN (Arialy) | tonga ity ilay ora izay hifandaozana aminao
dia aoka ianao tsy hitsetra fa fiainana izao
Efa fantatra mialoha fa ny eto dia mandalo
ka esory ny toloko, aza atao koa ny mimalo
ianao raha handeha tsy hoe hanadino akory
ka aza asiana alahelo na koa hoe sorisory
Fa isika mbola hihaona na ho ela koa ny dia
izao no ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/embonembona | Embonembona | raozigasy | Notazaniko fodiana, ilay masoandro am-paratazana
Ka ilay loko izay tavela, nanaitra ny hanin-tanindrazana
Ilay volom-bolamena, mireda jery amoron-driaka
Manindrona ny foko lalina, very aty an-dafin-driaka
Nisisika tanelan-drantsako, ilay rivotra nisangy
Nampahatsiahy ireo fotoana, tsy nahafahana namangy
Ireo hava... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lolash/ireo-olo-malaza | IREO OLO-MALAZA | lolash | Ingahy OUSSAMA, dia mpampihorohoro nikoizantsika,
nataony potika sy torotoro, ilay AMERIKA.
EINSTEIN dia niavaka loatra sy tena nikoaizana,
nolazaina ombieny ,sy dradradradraina ho nanam-pahaizana.
zany HITLER dia mpanavakavaka, namono jiosy,
nanao haza lambo ireo mpivavaka, nanosiosy.
BARAK OBAMA dia olona maint... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lolash/izaho-sy-madagasikara | IZAHO sy MADAGASIKARA | lolash | Tiako ny tanindrazako ,
na dia lavitra tsy tazako,
antokin' ny fahombiazako,
sy itoeran' ireo havako,
ho vangiko raha hatr izay,
sy mbola itosiako indray,
GASIKARA-ko no ho ahy,
any ilay ankaninay.
Tantaraina foana amiko,
ny hakanton' ilay taniko,
tiako loatra sady mamiko,
Frantsa tsy ahy fa nohindramiko,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/iza-kay-raha-fantatrao | . | KIRIAH | Ataoko ahoana angaha ny fomba itantaràko
ilay FITIA kely , nitsiry tatoato
fa manaraby ny heriko, misangy koa ny foko
nanova ny fijeriko sy toa mijokojoko
Mitady hidongy toerana , haka an-keriny tokoa
hanao bodin-gerona ,hitrebona sy hamoa
FITIA tsy nasaina , manao loham-boto
tsy haiko hazavaina fa misafotofoto... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/lazao-azy | LAZAO AZY | KIRIAH | Ianao ry rano mikoriana
ilazao lay olon-tiana
any ambadika any ho any
fa ny foko mitomany
mitanisa ireo lasa
novonoina sy voafafa
ary koa manatsiahy
izay vita hatrizay
Ianao ry rahona mpandalo
izao no ventsoko sy kalo
lazao azy ambangovangony
ilay fitia tamin ny androny
aza avela ho adinony
lazao koa mba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikemba/fetiny-androany | Fetiny androany! | ikemba | Mandinindini-tsary dia mahatsiahy ny lasa,
manoritsori-nofy, ahita azy eto...;
fa fetiny androany!
Izy.... any lavitra any!
Mba satriny hono mantsy hody an-tanindrazana,
Hiara-hiriaria amin'ireo tiany,
saingy an-tsaina sisa no tsinjony sy tazana
ny endik'izy ireo s'ilay tany nihaviany...
Onena azy ny foko,
Tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/teny-farany | TENY FARANY... | andriafa | Rehefa injay fa mipaika 'lay ora fodiana
hialàna amin'ny tany, handaozana tiana
Dia ny fiangaviako, hafàrako anao
ireo ranomaso aza avela hitraho
Ny lalan-kizorako tsy maintsy ho izany,
ka aza misento, aza tomany.
Fa any andro iray tsy maintsy hihaona.
Izaho na dia lasa, aza arahina saona
Ny akanjonao, ataovy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafla/fiforetana-anaty | Fiforetana anaty | Rafla | Tadidinao ve ny vanim-potoana fiforetana anaty ?
Nijaly sy voageja tsy afaka nivelatra
Mafy ny fiainana k'aleo dia mipetraka
Ireo sangan'asany alahelo avokoa !
Ka tsy mahagaga raha tohina ny fo
Mahita ilay izy zay velon-taraina
Ka lasa eritreritra hatramin'ny saina ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/fiainako | FIAINAKO... | andriafa | Nijanona minitra vitsy aho
mba nandinika ny fianako,
Eh...! hoy aho nisento lalina
'reto taona efa nandalo,
toa tsy nitondra hafaliana
fa nankarary, nampimalo.
Dia nitambolona tsy nahy,
nibosesika ao an-doha
irony kaikitry ny lasa
'zay mba tiako ho hadinoina,
Tako-pery te ho maina
maharary fa voatohina
Dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/izay-tia-adala | IZAY TIA ADALA | Totyjim | Ny fitia sy ny olo-tiana, iza no mba mahalala
Izay antony fisiany , ny hery miafiny aminao
Re matetika ombieny ny hoe izay tia adala
Dia miara adala eny isika na izaho na ianao
Adaladala mitomany sempotsempotry ny sento
Adaladala sambatsambatra tsy mba mahatsiaro irery
Adala feno fifaliana na fandalovana aza ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/raha-lonaka | Raha lonaka | raozigasy | Raha lonaka ianao
Mitandrema sao
Tsy mahafehy tena
Ka mizarazara hena
...Raha vokatra fitia
Tandremonao akia
Ny mampanofanofa
Sao sendra ny tsofa
Raha toa ka toba-tsiky
Mitandrema iky
Sao mivarobarotra
Ka sendra zava-tsarotra
Raha toa mitady safo
Fadio re ny mandafo
Sao voavidy ambongadiny
Ka trobaky ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/te-hanoratra | Te hanoratra | raozigasy | Te hanoratra aho androany, fa tsy niainga ny fanahy
Te handefa teny ho anao, te hampita koa tsiahy
Te hanoratra anio, te hanoratsora-potsiny
Te hitantara arira, hameno tory ny alim-potsiny
Te hanoratra aho androany, te hanoratsora-teny
Te handrafitra amboara,toy ilay famakintsika ireny
Te hanoratra androany, te ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/aoka-aloha | AOKA ALOHA | MiséVonjy | Tsaroako ilay teny, mitotoa koba hatavy
Fa tsy ho very hankazo tokana ianao akory
Te hihomehy aho, raha mba fantatr’izy ireny fa ny ho avy
No indro fa nafoy, tsy azo atao hoe sambory.
Te hiezaka aho ny hino, fa hisy fanafody
Entin’ny ampitso, tsaratsara no ilay teo
Fa ny fantatro aloha, dia malaina aho ny hody
H... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tanora | Tanora | raozigasy | Izy mihevitra azy ho izy
Efa tsy naman’ny ankizy
Fa efa niova sata hafa
...Ka niova hatramin’ny fitafa
Izy mandinika fitaratra
Vao hivoaka dia miharatra
Manarak’andro ny fitafy
Ny fofo-manitra tsy mihafy
Izy sahisahy raha
Mampiasa tenin’ny vazaha
Rehefa te hatao hoe tezitra
Na koa hoe disoin-kevitra
Izy man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/diso-fanantenana | DISO FANANTENANA | Totyjim | Feno dia feno toa mila hitobaka indray ny hafaliany
Somebiseby maketsy sy eroa fa ho avy ilay tiany
Tsy hainy hoe aiza no asiany ny tenany, feno azy ny trano
Faly sahirana toa zanak'omby ampianarin-domano
Nanomboka niandry, nandeha ny minitra nikisaka ny ora
Iaraha-mahalala fa miandry fotoana tsy zavatra mora
Ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/taratasy-ho-an-i-malala | Taratasy ho an i malala | KIRIAH | ho anao re tiana no anoratako eto indray,
mialatsiny aho raha variana ,tsy namaly hatr' izay,
tsy sanatria aho nanadino ,na nahita olon-kafa,
ny fitiavako fihino ,f efa anao ka tsy ho voafafa.
itantarao vaovao , ilazao zay zava-misy,
ny tontolon ' andronao,tiako ho fantatra mihitsy.
ataovy antsoratra ho vakiko, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/anio-fotsiny-ihany | Anio fotsiny ihany | maeva74 | Anio fotsiny ihany !
Lonaka aho anio,
ka namokatra fitia,
tsiky, hafaliana.
Haofako, hampindramiko,
hamidiko aminao
Eny ! Mety ho foiko koa
Raha ho mendrika azy ianao
Fa ho anio fontsiny ihany
Ireo tsikiko
izay niery tany ho any
toa nitobaka aok’izany
Angamba!
voatondrak’ireo
sentoko sy tomany
Koa hampi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/koto-fetsy-sy-i-mahaka | koto fetsy sy i mahakà | KIRIAH | Fetsifetsy izany KOTO,
ratsy toetra jiolahim-boto.
Bibilava miolankolana,
milaza " antsanga tsy aman' orana ".
Maka mora tsy miera,
fanta-daza h@ ela.
Feno fitaka ny vavany,
ratsy loatra zato asany.
I MAHAKà nanampy isa
kely toa " mapandry adrisa ".
manta vava toa matsatso,
tontakely sa malaso ?.
Fa mandrob... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/tiako-ianao | TIAKO IANAO | Totyjim | Tiako ianao ry olona iny
Toa voary tsisy tsiny
Fa niangaran-janahary
Tsara tefy lavorary
Ny fijerinao mambabo
Ny fitsikinao mandavo
Ny famindranao milanto
Fitafy tsotra nefa kanto
Izay lalovanao variana
Toa maka tsirony mangina
Mangalatra manara-maso
Te hiantso mafy hoe andraso
Ny manodidina ahy tontolo
To... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/indramiko | Indramiko | raozigasy | Indramiko ny feon’ny riana mikorotsaka
Haingon’ny masoandro maraina vao miposaka
Havadiko ho sary, sy ritsoka milanto
Hakako an’eritreritra, vinany kantokanto
Indramiko ny habaka, ravahim-penomanana
Sy tsikin-diavolana, manimani-namana
Havadiko ho hosotra, sy diarim-panembonana
Ho bikabikan-tsary sarotra takonan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/karemy | Karemy | raozigasy | Malala o !
Toneo kely aloha anio,
...Ilay afom-batanao mireda
Tsy hahafahanao mibeda
Manomboka anio indray
Ilay fefintsika no ajoro
Ilay folo andro mahamay
Ilay hainao fa tsy atoro
Mihafy kely vetivety
Mipetrapetraka milamina
Rehefa afaka mitohy ny fety
Isika hiara-mihinan-kanina
Fa ny anio, karemy aloha
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tiavo-re-ny-teninao | Tiavo re ny teninao | raozigasy | Ireo tononkalo akorisan’ny fanahy tsy misy farany
Ka mirindrarindra ho teny, manambara ny tantarany
Dia fanehoako ny fijery, sy fahitako ny tontolo
Ireo korian-teny atao, sy ireo voambola-nofinidy
Ireo tamban-teny tohivakana, sy voasoratra tsy fidy
Dia mbola haingom-panandratana, ilay teny gasy ho tsara kolo
Ire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiarah/ny-fiainako | Ny Fiainako | Tiarah | Izany tenako toa manadino ny fisianao
Tsy mahatsiaro akory fa tsinotsinona izao rehetra izao
Toa manaiky fotsiny hoe fa misy
Miaina ,mandeha ho azy , mihelina dia midify
Ifonako ny ditra, hajejoana honjohonjo
Ireo fiheverana mahavita tena irery indraindray
Toa tsy tonga saina raha tsy ny ranomaso no mijojo
Izay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/aok-izay | Aok izay | KIRIAH | aok izay ny tomany, aok izay ny sentosento
f ireo lasanao omaly,ataovy hira ho tonga vetso.
tsy resy akory izay nitia,fa mbola hiarina hijoro,
tsy ho kivy sanatria, na ho lavo sy hikoro.
any ambadika any ho any,tsy tazànao fa mbola ho avy,
ilay hamafa ny tomany...,ilay hanolotra ny azy.
ho herinao sy tsioka vao,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/mbola-gasy-ve | -MBOLA GASY VE ? | KIRIAH | tonga hono avy any ivelany, ka nisehoseho fatratra
toa namony izany felany,tsara fihaingo tonga lafatra.
dia nataonao tsinotsinona,ireo namana taloha
ka ny loha notsintsinina ,tsy niteny gasy koa
natosikao reo fomban-drazana,nolazaina ho dila taona.
moa feno fahombiazana ,ka niova toetra sy himaona ?
nidera ireo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsiahy | Tsiahy | raozigasy | Tsiahy
Tsy afaka am-bavako ny hiran’i neny
Ny siokan’I dada tsy afaka an-tsofiko
Ary ireny kalo mitambatra ireny
No vetso sambatry ny aty nofiko
Kotaban’ankizy, mikorana hariva
Sy soron’afo, ambody forohana
Anaty tsilopin’ny masoandro iva
Manindrona anaty ilay foko efa tohina
Lalao an-tsomamby eny ambanivohit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/ilay-penina | ILAY PENINA | MiséVonjy | Fa lany sy ritra ny ranomaintin’ity penina
ilay tokana namako, nilazako izay nafenina
d’ireo alahelo maro, nokoboniko tao am-po
tsy nisy nahalala, nosoratany avokoa
Ireo fifaliana niainako, naha-maintso ny tontolo
tsy nahalalako fijaliana, fa fitia tokam-bolo
no noraketina an-tsoratra, notehiriziny ho ahy
novaki... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/vato-fehizoro | VATO FEHIZORO | MiséVonjy | Ito vato izay nipetrahana, fony nandalo teto isika
Valabalakin’ny dia, niato nitady fitsaharana
Dia indro mbola eo, tsy lasana, tavela toa vatofantsika
Hitahiry ny andro rehetra, ny andron’ireo mila namana
Isika koa mba isany, nanamarika ny fiainany
Nanamafy orina ihany koa, izato toerana nipetrahany
Saingy izaho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izaac/tabataba | tabataba | izaac | tsi hita tsony izay marina
na ni ola no tena fana
tsikely tsi lehibe
mitabataba @ harabe
ni resever ts maraina
tsi atoadro dreo mitabataba
tsi adino ni panera
izay misotona ny hetana
tonga enao eto nalakely
tsi hita ni lala f de tery
mandalo enao posara
tsi hita ra ts soara
mitodikia enao petite vites
otri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/trosa | Trosa | AMN (Arialy) | ny maraina vao mifoha
dia toaka no andoha
maka takila kely eny
fa tsy maitsy mila ireny
tsy mahandry mihitsy
tsy mahalala ny tsy misy
sady tsy mahay onona
ka mitady sy mamorona
vazomboana sy ny dozy
no natao mba hoe kôzy
hitadiavana ny marina
nefa lavo tsy tafarina
misy koa ny tsy eo iany
fa dia misy hiafa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/aoka-re | AOKA RE ! | MiséVonjy | F'ireo teny nolazainy, tsara rindra avokoa
nampihesona fanahy, saika raikitra am-po
tsy lainga f'efa roboka, falifaly aok'izany
fa nihevitra mihintsy, fa dia tokana aman-tany
Fa ny gadon'izany feony, toa vorona mikalo
siotsioka vao maraina, mampiherika mpandalo
dia nisonenika nihira, nampitovy tadin-dokanga
teo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/mitraka | MITRAKA | MiséVonjy | Isan’andro ianao mitolona, miady lava amin’ny fiainana
Te-hitovy aman’olona ka mampitatra ny fisainana
Mahatsapa fa ny ezaka sy ny hery nolaniana
Toa vao maika mampitofezaka ‘ty vatana kely notsitsiana
Dia lasa ny fisainana mitady ny omen-tsiny
Fa ny vavaka sy taraina tsy misy valiny mangina
Saingy izao no tsarov... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/vao-maraina | VAO MARAINA | MiséVonjy | Fa vao nifoha maraina dia ianao tao an-tsaiko
r’ilay tokana notiaviko, ‘lay tokana lalaiko
tsy anilako ho fihinina, an-tany lavitra any
miarina malaina aho, malaina aok’izany
Firy andro no hiandrasako, mety ho amam-bolana ve ?
fa hiarina maraina, ka tsy ho afaka handre
‘lay feonao mozikako, manafosafo ny fanahy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arast-rasamuel/antso | Antso! | Arast RASAMUEL | ANTSO
Raha sendra nanopy maso
Ny tantaran-tsika aho dia
Toa vonton-dranomaso
N’aiza n’aiza no aleha
Ndraindray toa mifandramatra
Toy ny aliaka
Tsy misy resy lahatra
Fa zary mifanditra
Aiza ilay fitiavana
Nolazaina fa hoe lafatra?
Aiza ilay fo
Nilaza hoe tia tokoa?
Aiza ilay tanana
Nolazaina fa itantana?
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/mionona | MIONONA ! | MiséVonjy | Fa inona moa no ho azoko atao,
fa raha ianao ilay nantenaiko no toa indro
toy ny fatana eny lavitra, tsy anilako eo
fa dia fo mangatsiaka, afo lavitra hamindroana
Nanantena aho androany, niandry teto foana
tsy mety mino mihintsy, fa ho vitanao
ny hikosoka hamafa, hampanjary ho moana
‘lay horakorakin-tsika ireny,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/mahajanga | MAHAJANGA | MiséVonjy | O ry Mahajanga, tsy ho adinoiko
Na inona hitranga, efa ato am-poko
Fa firy taona aho no nikolo ilay fitia
Raha tsy teo ianao, tsy ho tafara dia.
F’ilay tiako iny, ilay niriako hatrizay
Ny tora-pasikao, nampangotraka, nahamay
‘lay fitiavana tahiry, nokombonina an-tratra
Nosafosafoinao malefaka, k’indro tsy tratra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/mody-hoe | Mody hoe... | AMN (Arialy) | Mody hoe mandokadoka
nefa anaty toa lamoka
mitady olona malemy
hampiasaina ny oe hery
mody hoe manambitamby
ny an-doha nefa vandy
mikasa ny hametsy eo
domelina sy tia toreo
mody hoe tsara toetra
anefa olona voretra
maloto sy ratsy saina
tia mizaha ferin'aina
mody hoe mahatanty resy6
dia milaza hoe aoka les... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kiriah/olom-banona-ianao | OLOM-BANONA IANAO | KIRIAH | Olom-banona ianao fa nifidy handray adidy.
olom-banona ianao,lay nitondra folo volana ,
olom-banona ianao, lay niasa tsy torovana,
olom-banona ianao, ilay nitaiza ny an ny hafa,
olom-banona ianao, olom-banona mpihantra
ATOLOTRA IREO RAY aman-dreny rehetra . |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/hivavaka | HIVAVAKA | MiséVonjy | Hivavaka aho ka hiantso ilay Ray any ambony
Fa tsy maintsy ho Hainy ny hanasitrana ity fo
Hinoako mihintsy, fa na latsa na lonjony
Ho voafafa daholo, ho voasolo avokoa
Fa marary ity foko, eny mahatsiaro mijaly
Fa sarak’olo-tiana, ‘lay notiavina tokoa
Nefa moa raha tsy anjara, ‘lay Ray hampifaly
Hanome andro vaov... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/ndao-handiha | NDAO HANDIHA | MiséVonjy | efa nangatsiaka ve ilay fo izay nitia
no dia avonavona no hasetry ity tsiky
fa tsy nisy mihintsy, fony isika niara-dia
sombitsombim-pifaliana, fa toa fankahalana no mikiky ?
ito endrikao ilay volana baliakan’ny foko
taratra hasambarana izay niainana anaty
zary malomaloka tarehy, hianjadian’ny toloko
no lazain’it... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izaac/tokisa | tokisa | izaac | hamparary anao tsy iriko
hampahory anao tsi diniko
fandratra anao tsy faniriko
hamitaka ano tsi tiko
hampiharina ano no tiko
hanoana anoa no fanoriko
anaja anao r olotiko
misakambona anao no faniriko
fahorinao anakay
ratranao iarahoana mandrani
hasambarako d ho zaraiko
ni tsi fananako ts ho lazaiko
lona roa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajha/tsiky-folo | TSIKY FOLO | AJHA | Misy tsiky akasoka atafy ny fo izay mijaly
Misy ny tsiky taratra avoakan'ny fo falifaly
Misy ny tsiky lamba isaloran'ny fo misoloky
Misy ny tsiky angolan'ny fo mahatoky
Misy ny tsiky irina hivimbina fanantenana
Misy ny tsiky mifono hasambarana mbola hinoana
Misy ny tsiky mampionona fo malahelo
Misy ny tsiky ampa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasobakobako/satria-mbola-tia | SATRIA MBOLA TIA | Rasobakobako | SATRIA MBOLA TIA
Lainga …
raha tsy alahelo
raha tsy hitomany
raha tsy hiady saina
raha hoe tsy tia
Fa leo …
malahelo
mitomany
miady saina
mitia
saingy…
tsy te alahelo
Tsy te hitomany
Tsy te hiady saina
Mbola tia
Mandram-pahoviana aho no mbola ...
halahelo ?
hitomany ?
hiady saina ?
ho tia ? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izaac/pivarotra | pivarotra | izaac | tonga asabotsy teto tana
handeha mb hamonjy tsena
fa malalaka n andro hizhahy
@ 8 ah miala an tnana
ai vare zao no eto analakely
maro ni mpivarotra
ary to totena mamaly
tsy hota f mijaly e!
jereko ni heta na sinoa
varo boba tokoa
hetana maro hisafidianana
mora simba de lamina
behoririkia no tanan ireo sinoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/saotra | Saotra | raozigasy | saotra mitovy sy sahala
tsy misy tombo ts’isy hala
tsy mba natao am-bakiraoka
fa ny marina no avoaka
saotra betsaka sy mamy
tsy mety hoe an-tanan-dany
no omena ts’isy laro
ho anareo izay nahatsiaro
sitraka tsy mety tapitra
no omena mba haharitra
ho anao izay nahatsiahy
ity fety androany lahy
ny anio tsinger... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/o-ry-zanako | Ô ry zanako | AMN (Arialy) | Ô ry zanako izay tiako
lazaiko anao fa tsy iniako
ny ho lefy ndraindray
sy ho reraka fanahy
Fa ianao iriako ho mafy
sy tsy mba ho lany vatsy
Fa hatanjaka , hahery
ary ho soa tsy ho very
i Neny manko mora osa
na dia tsy olona kanosa
fa mitady fona ny ahasoa
sy aha lafatra tokoa
Averiko aminao indray
tiako i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/tamberim-pitia | TAMBERIM-PITIA | Ni..! (RPR) | Ataovy aloha ny ditranao
Sy ny libanao rehetra
vitao aloha ny revinao
Fa toa mbola tsisy fetra
Fay ny zava-bita aho
Ka tsy te handre intsony
Tsy te handre na hahatsapa
Fitiavana toy itony
Nanenenako ny lasa
Ka tsy tiako hiverenana
Be tany ny nandratra
Dia aleo mba ho ferana
Tsy hoe tsy tia anao ny foko
Rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/veloma | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ratsy-vintana | Ratsy vintana | raozigasy | Foana izato paosiny
F’ilay vola saika kaofiny
Raraka sy very
K’izy tsy nahajery
Fa nanjavon-tsy hita taratra
Natelin’ito tatatra
Ireo madinika fameriny
Ka tankina ny jeriny
Ka tsy afaka mba hila
Na hividy tapakila
Hanohizan-dia
Am-piaran-dalam-by
Ka sisasisam-pitra
Sy ranomaso ritra
No mba hany namany
Ro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/fanilo | FANILO | MiséVonjy | Fa jiro mitsolopy, no manazava zato efitra
Miezaka ho fanilo, hijoro tsy hilefitra
Na avenavenan-drivotra, ato anaty aizina
Mikiry hatrany tsy manaiky, tsy azo laizina
Fa na taratra kely, hazavana mitsilopy
No mba hananany hiady, dia mijoro mahatoky
Mba ho fanilon’ny aizina, hanazava manondidina
Hianteheran’ny t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fanainga-lavitra | Fanainga lavitra | raozigasy | Vinany mamy, riam-betso
Sombin-kalo an-tsomamby
Indray mikalo am-betsovetso
Te hampita tambitamby
Safosafo arahin-tsefo
Orokoroka mamelona
Kaikikaikitra marefo
Indray mitanina miselona
Tambatambatra angola
Lokilokim-peo konaina
Vaitram-pitia mamon-dola
No sary azoko an-tsaina
Rehefa injay ianao nofisiko
Ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sahady | Sahady | raozigasy | Tara-bolana an-javo,
Alokaloka voanio
Andian’olona miravo
No sary hitako anio
Hirahira am-peo farina
Tsy mitotaly raiki-dela
Tenim-boto efa varina
No nitaba sy nilela
Hay ka afa-panadinana
Ireto andiana zatovo
Ka mifaly mifaninana
Misotrosotro am-panovo
Dia ilay dingana tokonana
Sa ilay saina afak’ady ?
K... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/fara-vodi-lanitra | FARA VODI LANITRA | MiséVonjy | Indro dify ambadik’ito havoana
Ilay masoandro, mpanjakan’ny hazavana
Mandefa fara-parany, izato tarany fa hisaona
Ny tontolon’ny hazavana, ho dimbiasina tsy tana
Rivo-drivotra mangatsiaka, no injany mitsoka
Mampitsangam-bolo ahy, hitady hafanana
Anatin’izato aizina, tonga mora ka mandrotsaka
Fahanginan’ny voary,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajha/hafany | HAFANY | AJHA | Tsy menatra izy akory
Ny hiresaka aminao
Fa mahatsiaro ory
Ka manafatra izao
Ianao hono tiany
Ary tena maminy
Ka ianao no mba iriny
Hiara-dalana aminy
Izay hono no mba hafany
Izay no tiany holazaina
Izay ihany no mba teniny
Lazaina anao ry sombin'aina
Izay hono ka valio
Mba ekeo raha azo atao
Nefa kosa ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sakabeloha | Sakabeloha | raozigasy | Baboko hono izy, nefa boboka ny teniny
Fa hatolony ahy daholo, tsy misy izay ho neniny
Izao tontolo izao, ny vatany, ny fony
Ny sainy sy fanahiny, tsy misy ho azy intsony
Baboko hono izy, k’izay rehetra ilaiko
na izay zavatra tadiaviko, izay zavatra lazaiko
sy ny hatako rehetra, vitainy an-kisesy
ary ataony sy e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/lainga | LAINGA | MiséVonjy | Lainga fotsiny ny hoe, hiezaka aho hangina
Fa ato anatiko ilay feo, mikiakiaka anao ry tiana
Tsy voasakana hampanginina, hanadino ny omaly
Fa injao mitroatra foana, mitomany mampijaly
Raha vao mitamberina, ato an-tsaiko ny endrikao
Ka mitsikafona ‘lay sary, ireo lasa mba natao
Dia mikiry manadino, mati-kambo tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/aza-hitako-hono-izany | AZA HITAKO HONO IZANY | Ni..! (RPR) | Raha ho foana izao tontoloiainantsika eto izao
Raha ho ritra koa ny ranoizay ateraky ny havoana ery an-dohasaha
ka tsy hisi koa ny rivotramampiaina ahy sy anao
dia!...
izay aho vao sahy hilazafa
ho foana tsy hisy tsiarony aminao ny ato anatiko
ka hanadino anao tanteraka............
aza hitako any izany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/taloha | TALOHA | Fredy Jaofera | TALOHA
Vao nifankahita
toy ny tsy ho vita
ny oroka natolotra
mamy sady imolotra.
Vao mba tafaraka
toy ny tsy hisaraka
isika mandramaty
no dia nahafatifaty.
Vao nisangisangy
toy ny tsy ho dangy
ny voadintsika maro
indrisy tsy voaaro !
Vao nisary adalala
toy ny hoe malala
narafitra ho doria
natao ny hifan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/eso | ESO | MiséVonjy | Zary eso ato am-poko, mankararirary ny fanahy
Ireo teny hoe “mamy”, nifanolorana fahiny
Tsy tantiko mihintsy, fa mandrerandreraka ahy
Mahasavolaina, mandrakotra ny ankehitriny
Te-hivadika voabolana, hiantsoiko izay malala
Tsy hampiasa intsony, ireo izay fitenin-tsika
Tofoka tanteraka aho, ary aleoko tsy mahalala
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajha/lavitra-anao-ry-malala | LAVITRA ANAO RY MALALA | AJHA | Ny eritreritro tsy mety mijanona
Ny alahelo indraindray mahafanina
Ny tena irery ka toy ny any an'ala
Fa lavitra anao ry malala
Ny torimaso tsy mety ho tonga
zany fo toa midoboka amponga
Ny fahasorenana tsy mety miala
Fa lavitra anao ry malala
Te hitory fitia aho fa tsy afaka
Ny elanelantany no mbola mampisara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/impiry | IMPIRY | MiséVonjy | Impiry moa ianao
Raha tojo ny tsy tiana
No mikasa ny andao
Fa tsy tanty ny fiafiana
Saingy moa fantatrao
Fa any ho any tsy fantatra
Misy maniry ny vintanao
Mitady mafy tsy sasatra ?
Ny anio tadiavina zahana
Ny ampitso mbola tsy hay
Fa lalàna migodana
No sedraina mahamay. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafindratsima-ndremahery/dinika-mombanny-finday | DINIKA MOMBAN'NY FINDAY | razafindratsima ndremahery | DINIKA MOMBAN'NY FINDAY
Te hitafa ianao Ramarofisera
Maniry ny onina any Mandaniresaka.
Hifanapatapak'ahitra amin'ny ambanilanitra.
Andriamisafidy ny hitoka-monina
Tsy te hifangaro amin'ny Rampifanipaka-an-karona
Ireo sady mifanoroka no mifanebaka.
Fa te iray petsapetsa amin-ndry Ramarofinday
Tsy mifankahita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajha/hafatra-farany | HAFATRA FARANY | AJHA | Mbola azoko atao ve ny hiantso anao hoe tiako
Mba hilazako ny manahirana ahy?
Mba rahoviana no ho tanteraka ilay faniriako
Hamborahako aminao ireo rehetra mampanahy
Tiako ianao saingy misy mampiahiahy
Fa efa lasan'olona lasany rahatrizay
Azy ianao fa tsy ho ahy
Ary ho azy irery ihany mandrakizay
Isaorako ianao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/nofinofy | NOFINOFY | Rabetokotany Latiana (Petakasoa) | NOFINOFY
Satriko ianao ry Lanitra
Handrotsaka ny andonao maharitra
Hikolokolo ny fanantenana
Ao amponay efa mila ho hàna
Iriko ianao ry Volana
Hitondra tsiky hamaha olana
Hampitony ireo tomany
Noho ny fahoriana sesilany
Sitrako ianao ry Kintana
Handefa taratra hanasitrana,
Ireo marary miferin’aina
Rera-ten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ajha/fiainana | FIAINANA | AJHA | Nahoana no dia masiaka loatra ianao ry fiainana?
Izaho fanina tsy mahita hitarainana
Mivezivezy etsy sy eroa
Mba hikaroka izay kely mahasoa
Fiainana toa midika endrim-pijaliana
Ny tany indray toa toeram-pitomaniana
Be loatra ny ankaso
Ka mahalatsa-dranomaso
Toa tsy ahitana fahasamabarana
Vao mainka aza mitombo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/raha-toa | Raha toa | raozigasy | Raha toa ka fohazinao ny lasa,
dia fohazy moramora,
Matahotra aho fa sao voarasa,
... ny foko na koa hoe voakora
Raha toa ka ho fohazinao ihany,
dia fohazo mangingina
Matahotra aho fa sao tomany,
no tsiarom-pongatr’ireo dina
Raha toa fohazinao tokoa,
dia fohazo am-pitoniana
Handaminaminam-po,
ny anao moa fan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/diary-sy-tahiry | DIARY SY TAHIRY | MiséVonjy | Dia nody indray ‘lay masoandro, mangingina ny tontolo
indreny miara-dia mikopak’elatra, andiana tsiriry
saingy kosa ato anatiko, injao manangatra daholo,
Izy mianakavy, dia I Diary sy Tahiry.
Ito taratr’andro, miantefa faram-parany
hakana hafanana, ho enti miatrika ny alina
lasa lavitra ato anaty, manazava izay h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/izaho-irery-sisa | IZAHO IRERY SISA | MiséVonjy | Izaho irery sisa akia, no mikalo ireo hira fihiranao
Miezaka mihira miangola, saingy indrisy ranomaso
No gadon’ilay hira nankafizina, nandrotsirotsy anao
Teo an-tratrako nihanoka, tsy nahalala hoe andraso
Fa kanto akia iny hira iny, hiangolan’ny feonao
Nampangovitra fanahy, nampiakatra ny ventso
Saingy izaho irer... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/eritreritra | ERITRERITRA | MiséVonjy | Niezaka aho ny hangina, tsy hieritreritra fa
ireny lasan-tsika ireny, tsy mba hisy izay hitoetra.
Ho zavona tratr’andro, ka handena ito saha
Ka ho tany karakaina, ny fon-tsika tsy nifametra
Sarotra ny hino, fa mbola hisy fanadinoana
raha ny embona sy sento no sakaiza tsy mahafoy
na hanolatra aza ity fo, ito saina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/lalana-tiako | LALAN-TIAKO | Toetra RAJA | LALAN-TIAKO
Eo anolohako
Misy sampanana,
Tsy hitsofohako
Ilay miankavanana
Fa lala-mivaona
Mandavan-taona.
Hitako izao
Ny lalan-kaleha
Tsy mba fanaon'
Ny daholobe
Misy tsy marina
Sy mampivarina...
...Lala-mahitsy
Sy ara-drariny
Izoran'ny vitsy
Nilaozan'ny tariny
Mpifindrafindra
Miova famindra !
Na ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/te-hahita-anao | Te hahita anao | raozigasy | Tsy andriko sahady, ilay fotoana iray,
Hihaonantsika roa, hihaonantsika indray
Fa satriko sy sitrako, hahita anao androany
Higoka tambitamby, hivoky angola mamy
Te hahita anao, eny te ho anao
Hanao izay sitratsika, sitrako sy ianao
Izay no tena marina, tian’ny foko ambara
Fa tiako loatra ianao, faingana aza tar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kolesy/tsiky | TSIKY | KOLESY | Raha tsiky mialin-taona, tokony hifoha
Nefa dia sakanan’ny hambo diso toetra
Tentezin-taniravo mikiry ny tsy hikoa
Nefa nofo ihany, no sady misy fetra
Mba tara-bao-marainan’ny hiratrao mjery
Ka nahoana iky, no asalobon-tsaona
Ve ka misy ihany ilay tsiky tsy an-tery...
Ireo fendrofendronao? hidio antaranoana !!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kolesy/io-volana-io | IO VOLANA IO | KOLESY | IO VOLANA IO
Raha mba azoko nafarana
Mantsy io volana io
Hamongatra indray ireo vetso efa antaranoana …
Angamba dia tsy hifarana
Io sari-soratro io
Raha tsy efa tamy indray ny tsinan-kateloana !
Rah’ masoandro mitomany
Na reno-torin’ny hazavàny
Matokia ianao, f’angamba misy ihany
Volana mazava koa tomaratra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/saina | SAINA | MiséVonjy | Fa adala hoa ny saina, tsy mba mahatombo-tsiraka
Fa na rivotra mandalo, eny hatramin’ny bozaka
Hanehoany lalandava sary, olona iray nofinidiny
Tsy lasan-davitra mitoetra, mbola ao foana tadidiny.
Ny volana baliaka an-danitra avo, maneho fenomanana
Lokolokoiny ho sary, endrikao tsisy mpanana
No indro havoitrany an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nahoana-re | Nahoana re | raozigasy | Nahoana re, no navelantsika
Izato fotoana, hanasaraka antsika
Izao izao isika, samy mangatsiaka
Tsy misy hafanana, sy johary baliaka
Nahoana re, no natao an’izany
Hoe misy misaraka ny eto an-tany
Izao izao isika, samy manjoretra
Aizin-ngalingaly, ny zava-drehetra
Nahoana re , no tsy afaka mihaona
Tsy misy man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/iny-volana-iny | INY VOLANA INY | MiséVonjy | Tsaroako tsy afaka an-tsaiko, ilay iska mba nijery
sady nino mihintsy, f’izato endrika nasehony
dia olona mitia, tsy mba niafina nihery
fa izao tontolo izao, no zary vavolombelony.
Fa na ny tarany niantefa, nanazava izay maloka
dia ninoan-tsika ihany koa fa fanilon’izay ho làlana
ka nampisinda ahiahy, sy nampa-ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/matory | MATORY | MiséVonjy | Tsy mety akia ny fo, fa mikiry biby ihany
Hiaina sy hankafia ‘reo lasana omaly
Norarako fa tsy nety, tsy nahoany na tomany
No setrin’ity embona, mitampody mampijaly.
Ny fiemponempony toa sary, taratr’ady
Mandrakotra ny vatako, efa resy
Zary ravina maina, mitady seranana sahady
Hiantsonan’ny fo tia, tsy te hiampi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hafatry-ny-vavako | Hafatry ny vavako | raozigasy | Raha ataoko an-tsipitady, izany hafatro ho anao
Atahorako ho very, raha ratsy toraka fandrao
diso ny lalana alehany, ka tsy tafita izato balany
ka tsy tody any aminao, ilay tifitra-hafatry ny Lalany
raha lakaniko an-teny, hampitaiko izany onja
ireo vetsoko tsy foiko ireny, raki-pitiavako mafonja
matahotra aho, s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsarovy | Tsarovy | raozigasy | ireny tononkalo ireny,
tsy sanatria hoe ambin-teny,
ka natsipy fahatany,
fa ketrik'ainga avy any ho any!!!!
tsy sisatsisan-teny very,
na piti-droran-teny irery,
na angonangona vinany,
fa fiparasaky ny mamy !!!!
tsy tsindroka fehezan-teny
na foromporon’hainteny
na rediredy tsy voaranto
fa tarataratry ny kant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/raiko-o | RAIKO O ! | MiséVonjy | Fa nahoana moa aho, no tsy hahatsiaro ka hisaotra Anao
Ry Raiko mahery, izay nitantana ny diako
saingy mbola mafy ho’ahy, ‘lay fisarahana ka nandao
nisintaka lasana ilay notiaviko sy nandrian’ny saiko.
Fa nangidy Ray o ! ilay kapoaka nosotroiko
tsy nosainiko akory, fa jambena izato masoko
hay ve Ray o ! hankosotr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/drafi-piainanay | Drafi-piainanay | raozigasy | Mandinika anao, anaty torimaso
Mibanjina anao, lavitry ny ankaso
Dia variana aho, ka lasa koa ny saiko
Mitazana anao, ilay tsy manan-tsiny
Mijerijery anao, ilay mikotaba iny
Dia lasam-borona aho, r’ilay sombiniaiko
Fa ny hany mba lahasa sy ezaka ataonao
Matory, misakafo, mifaly, milalao
Indraindray mba tomany; ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hihomehezako | Hihomehezako | raozigasy | Hihomehezako malakolako
Jereko manao jery fako,
Ireo olona izay te handrava
Be resaka sy be vava
Hihomehezako tsiky tsy ravo
Ireo mialona sy te handavo
Ny lalam-pitia izay diaviko
Hamariparitako ny hoaviko
Hihomehezako tsy asiako sanda
Ireo mitady hanjera ny manda
Sy andrim-pitiavan’ny foko
Ka mihevitra n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vetso-mikorisa | Vetso mikorisa | raozigasy | Ilay tsiky iny, niantefa tao am-poko
Tsy hitako fiavy, kanefa dia nisoko
Ka dia namela-dasy, no sady naka toerana,
Izay haravoana nentiny, sarotra noferana
Ilay hira iny, nanako tao an-tsofiko
Ilay isan’andininy, kaloiko anaty nofiko
Nivadika ho feo, siahako maraina
Hitako avy eo fa mamy ery ny miaina
Ilay maso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/fivavako | FIVAVAKO | MiséVonjy | Fa raha vao mifoha aho, ka manandratra ny fivavako
dia ny sarinao, ny fitiavan-tsika no tonga ao am-bavako
tononiko hatrany sy hampiakariko any an-danitra
ho tafita sy voaray ka eken’ilay Andriamanitra
Ny andro izay misandratra, hanatontosako izay lahasa
dia hapetrako tanteraka amin’ilay tompon’ny asa
fa ny fitia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/avadiho-ny-pejy | Avadiho ny pejy | raozigasy | Aza atao mahakivy ny hetraky ny tany
Matoa tsy nety iny, dia tsy anjaranao izany
Fa atrakao ny loha, hatanjaho ny saina
Sedra ihany izany, ho an’ny manan’aina
Avadiho ny pejy, na ovay ilay boky
Ireo resaka efa vita, habobon-draboloky
Tsy nisy dina vita, na voady io na toky
Hevero toy ny hoe : fitiavam-boasoloky
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nandriana/fitia-efa-maty | FITIA EFA MATY | Nandriana | Efa naleviko any ambanin’ny tany
Ilay fitiavanao nakarary,nampitomany
Niniako nototorana,nofenoiko vonikazo
Vonikazo, tsy ho ela koa dia halazo
Ny fahatsiarovana rehetra nodorako avokoa
May tao koa ilay fitiavanao,mora miova fo
Niniako nodorana, nototofako kitay
Ka lavenona no setrin’ny vita hatrizay
Tsy misy f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nasoolo/nody-haizina-ny-volana-noho-lay-rahona-nadalo | nody haizina ny volana noho lay rahona nadalo | nasoolo | Izao sy ianao teo aloh
De samy tena tia re ry Toky!
Nifanindrandalana ny fo
Ka tsi ahiahy ny hoe tsy atoky
Isika ra nifampizara teny
De nisy fona teny niavaka
Hita teny anefatsefany eny
Zay toa mitory lay fitiavana
Niova daholo anefa zany
Fa lay fahazarana fahiny
De tsy vitany eo tsy atao ihany
Fa manotra no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/rahoviana-indray | Rahoviana indray | raozigasy | Tsy andriko ny anio, hoe andeha hivory
Ary alina aza,zara raha natory,
Nihevitra ny androany, hoe hifankahita
Ny tsy akaiky aza, fa ianao ery am-pita
Dia nihaingo sy nijejo mba nanao manimanitra
Hisarihan-jery, ilay andriambavilanitra
Nanomana kabary, karazan-hainteny
Hanintonana azy, rehefa injay hiteny
Ka ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/fa-tiako-loatra-ianao | FA TIAKO LOATRA IANAO | MiséVonjy | Fa tiako loatra ianao, ka tsy foiko ho an’olo-kafa
Satriko tazomina, tsy ho simban’ny tontolo
fa tiako ho ahy irery, ilay feonao mitafa
mikalo ilay fitiavana, tsy nety bobongolo
tanaty ady sarotra aho, ilay feonao nohenoiko
nampitsimoka indray, ilay fanantenana efa maty
nampamelon’aina, ny lasa tsy hay novonoiko
... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.