url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/malahelo-ny-zanako-aho-izany
MALAHELO NY ZANAKO AHO IZANY
Miarantsoa Anicet
MALAHELO NY ZANAKO AHO IZANY Malahelo ny zanako aho izany. Malahelo an'ilay tokana an-tany. Malahelo ny andro rehetra, Sy ny alina mampanjoretra. Raha mba teto anilako e ianao, Mba nisangy sy be kilalao. Saingy... Any ianao manena, Izaho aty... Tia tena. Malahelo ny zanako aho izany, Any izy izay mitomany, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lany-andro
LANY ANDRO
Fredy Jaofera
LANY ANDRO Lany andro mifanandrina isika mianakavy ka tsisy iray voatandrina ny toky be matavy. Lany andro mihaza lambo toy ny tsisy atao ka tara tamin’ny sambo lasa toa nandao. Lany andro mifandrafy fa tia tena loatra ka mizaka ny ady mafy sy tsy afa-mivoatra. Lany andro be kabary, ho hita lalandava ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampionona/fahaleovan-tena
Fahaleovan-tena
Mampionona
Fahaleovan-tena Dimapolo taona lasa izay no nitomany i MADAGASIKARA Niady mafy, niandrandra nibadabada tamin'ny teny. Toa nanangom-panafahana ka nitolom-pandresena namoy ny aina, latsa-drà ireo mpitolom-pahaleovan-tena. Dia nisosa teny ny taona nisosa mora teny foana; Nandalo sedra maromaro toe-tsaina mifan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sarinao
SARINAO
raozigasy
Ireo sarinao ry Tiana efa nohidiana ao ampoko lalina Ka entiko mandeha N’ aiza n’aiza haleha Na andro io na alina Ianao mihitsy aza Mba tiako koa hilaza hiteny koa izany hoe ny sarinao ao am-poko ao efa toy izany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiarah/androany-sisa
Androany sisa
Tiarah
Androany sisa Rahampitso aho efa hitanisa Ireo ora mamy niarahana Nandalo ,niserana nizarana ny hasambarana Eny tsy ho afeniko anao Ny alahelo sy ratrakely am poko ao Fa tsika roa efa samy nahalala Fa voafetra ny hifampiantso hoe Malala Nefa , mbola hankafiziko androany Izany mihanoka fitia eo anilanao izany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/veloma-ianao-shoan
Veloma ianao Shoan
raozigasy
Veloma ianao Shoan, Hoy ny namana sy fan Veloma ianao akia, Hoy ry Barbies Veloma no amen, Hafatry ry ken Veloma ianao Shoan, Hitraka izahay na fanina Ny fotoana izay niarahana, Teto am-pandalovana No tapitra nifarana ho lasam-pahalovana Fa ireo fiaraha-mamy, niraisantsika dia Hijanona ho tantara, tsiaro ho dori...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiarah/niniako-tsy-ho-tia
Niniako tsy ho tia
Tiarah
Niniako ny nikipy mba tsy ho lasany ny foko Niniako ny nitsiky mba tsy ho fantany ireo toloko Niniako ny tsy nanaiky fa hay ny foko miha tia Niniako ny tsy hiantso isan andro hoe Avia Izy kosa nefa dia revo aok ' izany Izy kosa nefa tena fy , tena mamy Izy kosa nefa ,maniry mafy ny hiara dia Izaho kosa nefa ,m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sento-mangina
SENTO MANGINA
raozigasy
Na ny fotoana hifanembonana Na ny ora hifampiantsoana Dia tena Samy niombonanana Tena toa nifamotoana Na ny sentonao matetika Na ny tsiahinao mazàna Iarahako aminao ka mbetika Miara-tonga sy tsy tana Na ny hasasaranao Na ny hakiviako aty Dia tsapa mihitsy fa injao Mifanojo foana akia Ilay Fitia moa tsy laza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/aiza-nizanako
AIZA NIZANAKO
Miarantsoa Anicet
AIZA NIZANAKO? Ny zanako? Namoizako zavatra maro, Namonoko ny olon-drehetra, 'lay nandaozako ny hatanorako, Ilay nofo 'zay avy amin'ny rako. Ilay zanako , sombin'ny aina. Tiako loatra ka tiako ampihantaina. Tiako ho akaiky ,tsy lavitra ahy... Ila-nofo na sila-panahy. De...fitiavana hafa tanteraka No nitiavak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/io-no-madagasikara
IO NO MADAGASIKARA !
RATSIMBA Georges
-Ambarao hoe, rankizy, ilay Nosindrazantsika -Io ‘lay tany atsinanan’ny lakan-drano Masombika He jereo ange ‘ty izy miadana sy mihaminkamina Toa salopy atopatopan-dranomasimbe Indiana Io no Madagasikara, nosin-drazana malala ! Io no Madagasikara, iaraha-mahalala, Io no Madagasikara, tanindrazantsika Gasy Io no M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fetim-pirenena
FETIM-PIRENENA
Fredy Jaofera
FETIM-PIRENENA Fetim-pirenena, fetim-pambolena ‘reny afom-pitiavana hipololotra ho goavana. Fetim-pirenena, fetim-pahendrena irina mba hahasambatra ny Malagasy tafatambatra. Fetim-pirenena, fetim-pamonjena misy vonim-pilaminana miendrikendri-panambinana. Fetim-pirenena, fetim-pandresena hampihavana aok’i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/tiako
TIAKO
MAHEFALISON
Taniko! Mandra-pahaoviana no haharitra hirehitra, ity Jiro mitsilopy anaty maizim-bolana? Mandra-pahoviana no mbola hifanehatra aminao, ireo Fahavalo maro, miteraka ny olana? Fa tsy haiko, tsy tantiko! Nefa tiako foana, Taniko, ho fiononanao marary, sy ho ranom-panafody sotroinao isan’alina ‘zao famiratry ny ki...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/malagasy-aho-malagasy-ianao
MALAGASY AHO, MALAGASY IANAO
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
MALAGASY AHO, MALAGASY IANAO Raha mainty aho na zarazara hoditra Raha ny fitafiako fatratra na misy rovitra Ny oroko raha petaka na marirana Ny voloko raha vasoka na koa mangirana Dia noharian’Andriamanitra aho ho MALAGASY Na mipetraka ao GASIKARA na aty andafy Raha notaizaina ianao tamin’ny fomba vahiny Ka za...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpandalo/mifalia
Mifalia!
mpandalo
Ekena, Fa ny hetraketraky ny tany No anton'izany; Saingy, Tsy ianao irery akory No mahatsiaro ho tena ory. Zovy, Ary firifiry akory Ireo izay tsy mahita tory? Angamba, Raha alahatra! Tafakatra eny Ankaratra. Mifalia! Fa sambatra ianao, Mbola eto hatramin'izao. Dia mitsikia! Dia miravoa sy mifalia, Satr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-tsy-teo-4713
RAHA TSY TEO
Fredy Jaofera
RAHA TSY TEO Raha tsy teo ianao, ry Dada, dia tsy nisy ahy akory ; fa ho redireby nampirada ‘zao tany izay mitory ! Raha tsy teo ianao, ry Dada, dia taiza no niankinana ? Misaotra hatrany fa tsy sada ny fitia sy fanambinana. Raha tsy teo ianao, ry Dada, Dia taiza no niantoraka ? Koa aza tsiny raha toa lada ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sodifafana/tsy-voasolo
TSY VOASOLO
sodifafana
TSY VOASOLO Nafoiko izy ka novako Endrika hafa loko tao Ny tsanganany nombako Hitovy lasitra aminao Ny fijery tsy analana Toyn izao anao zao Lay feony malama Zay fandreko taminao Rahan misokotra ny vava Ka mipoitra izato nify Tena ny anao mazava Zany izy raha mitsiky Ny volony sahondrahondra Sady lava t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/imasonao
IMASONAO...
andriafa
Imasonao no notoazako 'reo teny mamy izay filazako. Avy ao ampoko no ivoarany ary aminao no ifaharany Imolotrao no nangalako 'reo hantahantam-padalako Ka ny hanitra sy ny hatsaràny, dia aminao no hiafaràny Imasonao, imolotrao No nagalako izao sy izao Ka ny hany faka ifaharako Ianao 'lay tokako, fitiavako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sodifafana/sodifafana
SODIFAFANA
sodifafana
Tsiratsiraina sy ambanimbaniana Fongorana mafy ho foana amin'ny tany Tapahana, dorana de haratsiana Hatoraka ambony mba hilentika ambany Fosafosaina ho hazo maloto Tsy mba manam-didy na ray voamena Voatositosika ,tsy laina tsy zoto Latsaka an-kady tsy misy mpitsena Naniry ho sambatra mandrakizay Hiarak'ihira ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/ny-zanaka-sy-ny-raiamandreny
NY ZANAKA sy ny RAIAMANDRENY
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
NY ZANAKA sy ny RAIAMANDRENY NY ZANAKA, ny zanaka Nomen’Ny Avo ho taranaka Napetrany eo ampelatanana Hokoloina, ho tohanana Koa mangataka aho ry Ray Ho an’ny Raiamandreny tsirairay Omeo toetra mendrika Hitaizaina ireo tsy ho rendrika NY RAIAMANDRENY, Nomen’ny Avo ho toavin-teny Fitarainana sy Fanalahidy K...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/tanindrazana
TANINDRAZANA
RATSIMBA Georges
Raha vorona ny vorona ka mba manana ny akaniny Raha biby koa ny biby manna-davaka isitrihana Ny olombelona dia olona ka mba manana ny taniny Nahariana, nitaizana, nitomboana, ipetrahana Fotsy hoditra izy angaha? Any Eoropa no fonenany Raha vony kosa indray dia Azia no nihaviany Any Afrika hoe irony Mainty no ior...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fara-andriamamonjy/fantatro-fa
Fantatro fa!
Fara Andriamamonjy
Fantatro fa! Tsy hoe "tsara" ianao dia "tiako"! Fa "tiako" ianao dia "tsara"! Ka raha ny faniriako Dia ianao no mba ho anjara! Saingy faniriana ihany ny ahy; Fa Izy Ray no mpandahatra. Ary fantatro fa na izaho no tena ho sahy! Dia ianao koa angamba mety hihahotra satria mety hoe "matahotra"! Ekeko fa betsaka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/jiro-mitsilopy
JIRO MITSILOPY
MAHEFALISON
Indreny fa mirentirenty ny jiron’ny fanala, manazava, toa hampisava ity ali-mainty mamanala. Ankizy maro no miventy ny “arendrina taratasy”; ny aty ihany no mangasihasy. ...Fa ny jironay aza moa, mitsilopy hatramin’izao. Misandrahaka aok’izany ny afomanga any ho any, zary ilo manazava ‘ty lambamainty izay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/dia-afaka-lay-tanindrazako
DIA AFAKA 'LAY TANINDRAZAKO
RATSIMBA Georges
Andeha horontsoniko indray ‘Lay lokanga nihantona ela ‘Reo kalon’ny fo fahizay No hamaha ny fatoran’ny lela Hoy ny kalon’ny fo fahizay Raha hadinoko ianao re ry taniko Hanadino ny tanako iray Ny lela hiraikitra an-danilaniko Ny ampitso dia saro-pantarina Ka nikombona aloha ny vavako ‘Zao kosa dia tsapako mari...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/atsangano
ATSANGANO
Fredy Jaofera
ATSANGANO Atsangano ny saina fa manana avy isika ‘zay ela nolovaina sy hany tsara bika ! Atsangano ny saina fa ny andro ity fety, ka aza malaindaina f’izany re no mety. Atsangano ny saina fa mari-pahafahana mendrika hohajaina sy hankasitrahana. Atsangano ny saina fa ho an’ny firenena mamy eto na lalaina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/tahiry
TAHIRY
andriafa
Ny raki-tsary tsara indrindra dia 'lay miotrika ao anaty fa na inon'inona mifindra io mitoetra mandra-maty
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/noterena
Noterena
raozigasy
Noteren’ny alaheloko hanoratra aho androany Sy hilazalaza koa ireo vesatr’embon’ny vinany Ireo toloko mifangaro, tsy fahafahana manoatra Ny fiainanao ry fireneko, kely sisa dia any an-koatra Noteren’ny hanin-dava, rehefa maheno vaovao Hoe mijaly hono ianao, fa atao izao sy izao Velona sy mitsipozy, anaty rofy sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nivohanta/tojo-anao
SOMBIN NY AINA
Nivohanta
Ireny vetsovetso ireny, Hamonjy anao any ho any, Feno ny mombantsika... Satry hanaraka azy, Ahitanao mivantana, Ny elanelan -tany , Tsy mamela izany... Dia handrotsirotsy anao, Ireo kaloko mimalo, Manembona ireo ora mamy, Nitosiana anilanao... Tsy ho ela dia ho tojo, Ilay fanamperana Anilanao...Ho feno ana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/hetraketraka
HETRAKETRAKA
maeva74
Feno hetraketraka ny fiainana eto an-tany Zara raha azo hisaina ny tsiky amin’izany Herisetra, habibiana, fankahalana Ireo rehetra ireo no manjaka tsy azo ialana Lotika, boboka, leo; tsy te hierika intsony Tsy te handian-tany fa te hisidina eny ambony Satriko ho nofy , tsy manam-pahatamperana Ny androko rehetra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iarivo
IARIVO
Fredy Jaofera
IARIVO Tsy fidiko, Iarivo, ny nandao anao fa ny fahoriana mahazaka maniraka ; ka indro asivo ‘zay toky vaovao ‘zato lalana irina tsy ho firapiraka. Tsy fidiko, Iarivo, ny hoe nankaty fa mafy tokoa ny fitadiavana ; na efa in’arivo no mba nandihy sy nikatsaka koa izay hampihavana. Tsy fidiko, Iarivo, k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpandalo/aza-variana
Aza variana
mpandalo
Aza variana, Mangoron-karena, Amin'ity fandalovana fa mba mandiniha; Ianao efa giana, Sy mampahonena, Vao hotsaroana fa nisy nania. Mandalo miserana, Sy mora lo, Ny harena sy vola mandreraka anao; Fa misy toerana, Tsara kokoa, Efa voahomana honenanao. Ny olo-maditra, Efa very fanahy, Ka tsy mba handova ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbinintsoa/menatra
Menatra
Mbinintsoa
Rehefa kepoky ny jaly Tsy mahita hazavana intsony Vao miverina Aminao Ray Fa rehefa injay ka faly Ny saina sy fo tony Ny mankalaza Anao tsy hay Fo menatra no entinay Aminao Diovy ka sasao ho Tempolinao Ianao tsy mitana akory Reo hetraketraka tsy an-kiato Zay imasoana sy imatesanay Fa mainka manala sorisory ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/fiteny-mamy-fahiny
FITENY MAMY FAHINY
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
FITENY MAMY FAHINY Aleo very tsikalakalam-bola Toy izay very tsikalakalam-pihavanana FITENY noraisina ho fahagola sy tola Tsy ampiasaina intsony, nofohanana Fa ny vola izao hono no maha-rangahy Tsy mikonty intsony ny Fanahy Izay nolazaina fa maha-olona Ka ny manana miavona, miolonolona Trano atsimo sy avaratr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/katiaa/fetinao
Fetinao Anio
katiaa
Atolotro ho an' ilay namako iray izay ho fahatsiarovana ny 11 Jona 2010. Fetinao androany ka tsy haiko ny hangina Mirary soa mirary tsara na dia lavitr' olon-tiana Enga anie ny andro anio sy ny arivo mitsingerina Hanome fifaliana sy hasambara-tsy voantentina Tongava soa, enga anie hahazo izay irian' ny fo Kariera...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiarah/hitia-indray
Hitia indray
Tiarah
Toa mihalefy ny toloko Miha mientana ny foko Mandondombaravarana indray ilay fitia Hiventso indray ny fo kely ,hanonofy ,hiara dia Nefa izay rehetra mitranga toa ahatsiarovako azy Ny fihetsiny ,ny fitenininy ,ireo sangisangy vazivazy Izy ilay nantenaiko, kanjo làsana , indrisy Ho olonkafa indray no hizarako, ire...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranirina-josephine/ny-ombin-tsarety-sy-ny-olona
Ny ombin-tsarety sy ny olona
Ranirina Joséphine
OMBIN-TSARETY Aoka aloha re Tompoko, mba haka aina kely, Ny entana manindry tsy hita velively, Tsy araky ny aina fa tsy hoe hakamoana, Ny vozona marary, ny kibo tena noana OLONA Efa omby tsy manjary ilay baka ratsy ity, Izay entan-kely io no mba entina ka mi... Tadiavin’ialahy ho very foana angaha Ny vilona om...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/ho-ani-dada
HO AN'I DADA
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
HO AN’I DADA Olon-tokana tsy mahatsiaro lanaka Mifofotra miasa hamelomana taranaka Mahay manafina raha sendra fahakiviana Satria andry iankinan’ny fianakaviana Olon-tokana ilay hany mahavita Manovo hery vao isan’andro hahatafita Hahatonga olom-banona ireo sombiniaina Mikaon-doha mafy hatrany alina, maraina O...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/dada
Dada!
maeva74
Amin' izao fetin' ny Ray izao dia faly miarahaba anareo Ray rehetra Dada! Dada, ilay teny voatonoko fony vao nahay niteny aho. Dada, ilay nandrotsirotsy ahy rehefa injay harivariva avy niasa iny, nampitony ny tarainako nampihena ny fanaintainako. Dada, ilay tsy atakaloko Tiako sy malalako. Dada! Dada, ilay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/dada-malala
Dada malala
Sunny
I dada malala Ampinga fiaro ny tratrako osa Mandrisika ny heriko tena kanosa. I dada malala Tana-mahery manampy ahy hatrany Manambony ny saiko raha sendra aho tomany I dada malala Manefy ny fiainako ho tonga homendrika Tena mpitarika tsy mamela ahy ho rendrika I dada malala Miatrika foana na ady mahery; Mama...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbinintsoa/tia
Tia
Mbinintsoa
Mifanalavitra isika sombinaiko tsy anoloako Fa ny endrika sy bika isaloranao dia tsaroako 'zany tsiky manendrika ny vatanao tontolo No inoako tsy haharendrika 'lay fitia tsy ho voasolo N'aiza alehanao tsarovy re rahavako F'izaho tia anao no mipololotra eo am-bavako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/ireo-dobo-manga-roa
Ireo dobo manga roa
maeva74
Ireo dobo manga roa Dobo kely maha te ho tia, Mibaliaka toa azo hitarafana. Nanintona ny fitiavako toa andremby Izato jerinao toa mitory fitiavana. 'Ry volana ambony, raha vao mibaliaka Dia hita ny hatsaran' ireo endrikao Dia toy ny tana-masoandro be manjopika Raha vao mihiratra ilay jerinao Nampientana sahady...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/moa-ve
Moa ve ?
AMN (Arialy)
Raha toa ka osaosa sy tena farofy dia tsy afaka mihitsy ny hanonofy fiainana soa sy ny atao oe paradisa fa foana kosa milomano anaty disadisa? Moa ve mba misy ny hoe anjely ka hanampy azy izay manirery ? Raha toa ka lasa mborona tsy mahavita, tsy mahaforona izay tokony hatao isan'andro toa moana, irery mitaz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/ny-fahaleovan-tena
NY FAHALEOVAN-TENA
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
NY FAHALEOVAN-TENA Moa ve fitiavam-pirenena, Raha sahy hosihosena Ikipiana maso, tsy jerena “NY FAHALEOVAN-TENA” Nilofosan’ireo feno fahendrena Fa natakalo fangoronan-karena Nahatonga mahantra sesehena Nankamamina ny hafetsena Fitiavam-bola no nampandresena Moa ve fitiava-tanindrazana Ny fampiasàna fahalebi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/dimam-polo-taona
DIMAMPOLO TAONA
Fredy Jaofera
DIMAMPOLO TAONA Dimampolo taona ny fahaleovantena nefa dia eto foana sy mampahonena ‘lay Madagasikara mitady fahafahana miha-mizarazara, na tsy mibahana. Dimampolo taona no tsy voazanaka nefa mbola naona ‘reto izay taranaka nanantena hatrany ny fiainam-baovao teto amin’ito tany nolaroina raorao ! Dimam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefa72/fitiavantena-sa-hambom-po
FITIAVANTENA SA HAMBOM-PO
Mahefa72
FITIAVANTENA SA HAMBOM-PO Asa raha mba nosaininao, Maninona aho no mitondra tena toy izao? Toa ilay hambom-po no hamafisina ka miteraka kizintina? Sa fitiavan-tena no tiana aseho ka mahatonga ahy tsy ahaloam-peo? Tsy fantatro hoe nahoana Tsy mbola tonga angamba 'lay fotoana? Ahatsiarovanao saina Sa ianao mihi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/lasa-ianao
Lasa ianao
AMN (Arialy)
17:15 Anio vao maraina Nahenoko ny taraina Oe nandao anay ianao Tsy izany nefa no tinao Fantatro fa mafy marina Ny te hiainga tsy tafarina Nanome ny toky hoe Ho sitrana fa tsy handeha Indrisy anefa fa tsy tody Ilay fitiavana ny hody Hiaina toy ny isan'andro Ka hikarakara sy ahandro Ny rainao sy reninao Or...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/ny-fitiavani-neny
NY FITIAVAN'I NENY
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
NY FITIAVAN’I NENY Fitiavana madio mangalahala Lehibe sy tsy manan-tsahala Ny fitiavanao ry Neny Fitiavana mamy toy ny tantely Omen’ilay miendrika anjely Dia tsy iza fa ianao ry Neny Fitiavana sarotra adinoina Sarobidy ka tsy mba foina Ny fitiavanao ry Neny Fitiavana lehibe mihoatra ny tontolo Tafalatsa-pak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/henipitia/tsiaro-nahahendry
TSIARO NAHAHENDRY
Henipitia
Nofarako androany ilay “tsiaro” Teny iray namintinako ny tononkalo Avaloko anio ny tantarany Fa ny anjara niainana azy efa vita hatramin’ny farany Tsiaro, tononkalo mifono misitery Tsy hazavaiko an’iza an’iza fa aloe ho ahy irery Saingy kosa omeko anao ny soratra raketiny Satria ianao no namorona ny lohateny nen...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/oviana-moa
Oviana moa?
AMN (Arialy)
Oviana moa no mety hisava Izato gidragidra izay heno lalandava Hiainanay isan'andro mampijaly ny ety Ka mahatonga ny fialan'ny fitia Ho tsy hisy intsony,ny adiady, firafiana Ka hanolo azy indray ilay firaisan-kina Oviana moa no tsy hisy intsony Izato adiady, avona ary koa lonilony Mampifandrafy ireo mpihavana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/iny-ilay-zaza
INY ILAY ZAZA
Toetra RAJA
INY ILAY ZAZA Atolotra ampanajana ho an'ny reny rehetra tsy mikely soroka amin'ny fanabeazan-janaka, amin'izao fankalazana ny fetin'ny reny izao (30 mey 2010). Iny ilay zaza Natao an-tsangory Fa lasa kalaza Mahay manamory Ny fiainany irery : Voarakotra hery. Iny ilay zaza Natao am-babena Fa lasa malaza Sy ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/embona
EMBONA
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
EMBONA Lasalasa izany saina, Mijery ny masoandro dify Inona no ho entin’ny maraina EMBONA taraina sa tsiky Narindriko ny varavarana Fa ny saiko lasa ihany Indro volana nanarangarana No namporisika avy hatrany Handefa EMBONA sy vetso Hahatsiaro ny fahiny Lavitry ny sento Nanjakan’ny fifaliana Teo anivon’ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/fikasana-4657
FIKASANA !
RATSIMBA Georges
-“Tsy haditra intsony aho, ry dada sy neny, “Manomboka anio : “Ho tia ny zandriko, ho tsara fiteny “Sy hanao madio, “Ny boky tsy horovidrovitiko intsony, “Ny soratro kosa “Hokaliako tsara…Ary isa ambony : “No ataoko miavosa !” -“Fa inona anefa, hoy dada sy neny, “No anton’izao?” “Dia hoy Ikotokely namely an’i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/any-i-neny
ANY I NENY
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
ANY I NENY, Lavitra anao aho ry Neny, Aty an-tanin’olona aty, Ny tononkaloko no hiteny, Hamboraka anao ilay fitia Koboniko isan’andro irery Noho ny alahelo anao Amin’ny fo tsy an-tery Satria fitia madio tsotr’izao Tsaroako tokoa isan’andro Ireo hafatrao sy anatra Ianao no nahafotsy , nahandro Izao fiainako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abs/raha-mbola
Raha mbola
ABS
Raha mbola mijery ka mamindra hery hampitsiry fitia ireo masoko ireo dia Fitiavako anao hahasambatra anao Ka raha mbola hitepo sy hisefosefo ny any an-tratrako any dia hidobodobo-pitiavana mamy ho anao irery ihany Rah mbola hisento sy hahatsiarotsiaro ireo lasa efa maro, ny tantarantsika tsy ho afaka antsa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/tsara-mandry-ry-alina
TSARA MANDRY RY ALINA!
MAHEFALISON
Tsara mandry ianao ry aliko, na dia tsy hahita tory akory fa sasa-miandry ny Maraina! Ho lasanao anie ny sorisory, Ho telinao anie ny taraina. Tsara mandry ianao ry aliko, na dia mbola handry fotsy ity ianao! Fa toa mbola lany vatsy. Ny Tomponao anie handrotsirotsy Hanala indray 'reo nofy ratsy. Tsara mandry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/hatraiza-no-fetra
HATRAIZA NO FETRA
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
HATRAIZA NO FETRA ? Hatraiza no fetran’ ny fitiavan-tena? Fa zon’olona maro no hosihosena Karama vary masaka no mba homena Nefa ny eso sy latsa atao sesehena Ny tanjona moa dia fanangonan-karena Hatraiza no fetran’ny fitiavam-boninahitra? Manao fihetsika miedina sy fitafy miraratra Dia mihevi-tena ho tsara at...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oracle/ilay-masoandroko
ilay masoandroko
oracle
Ilay masoandroko baliaka kanto sy sariaka tsy nahaleo ny rahona mitatao ka orana no nitraho dia ora-mijojo mamefy anay tsu hifanojo nanakotsa ny aty foko tonga nitoloko nefa nosanatriaviko ny hikoro izao no finoako nampijoro aorian' ny ora-mikija no misy masoandro baliaka indrindra kinanjo aho gina nahatsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oracle/ny-fitiavanao-ihany
ny fitiavanao ihany
oracle
NA hikomy amiko aza ny masoandro eny, amela ahy hitakaizina ka tsy ho diaviko intsony izany tontolo andro lavitra ahy ny fanahiana ho inoko moa ny tarany manaloana ny masonao mitopy dorehitra hazavana tsy mitsilopy ireo masonao no tena satriko dia ireo masonao mijery tsy mamela ahy irey Na hiofo aza ny tonto...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/henipitia/ny-mitia-tsy-faharesena
NY MITIA TSY FAHARESENA
Henipitia
Ny mitia tsy faharesena Raha entina am-pahendrena Sy entina am-pisainana Ny fandraisana ny fiainana Ny mitia tsy faharesena Raha tsy atao an-katerena Ny fahaizana mandray Ny safdin’ny tsirairay Koa raha mitia nefa toa nolavina Aza kivy mahereza, mbola ahita fahombiazana Mbola ho avy ny maraina Ho tonga soa i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiarah/sombiny-misy-anao
Sombiny misy anao
Tiarah
Toa tsy mety mionona ny fo Fa miandry ny hiverenanao Anio, rahampitso, voatanisa avokoa Hoe rahoviana no hisy hahasolo ny toeranao Mitady anao hatraiza hatraiza Ho olontiana sa sakaiza..... Ka hampiaina indray ilay fitia Hiara dalana ho doria.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/henipitia/any-ho-any
ANY HO ANY
Henipitia
Any ho any misy nofo Toa tsy handairan’ny hirifiry Tsy mba miova, tsy mba miofo Na tsy tò aza ny faniriany Any ho any misy saina Mitraka hatrany tsy mba reraka Na nanjavona aza ilay nantenaina Indro izy tsy mifezaka Any ho any misy aina Tsy mety maty manantena Manan-javatra andrandraina Mino foana fandresena...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/aza-adino
AZA ADINO
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
AZA ADINO Aza adino ny mivavaka Mba hisaotra Ilay Nahary Fa Izy mahavita zavatra Tsapa, hita miharihary Raha ianao mamaky io No mbola velon’aina androany Dia tsarovy tadidio Fa mbola fitahiany izany Aza adino ny mivavaka Mangataka famélana Fa mandatsaka an-davaka Ny heloka sy fahotàna Ny satana miasa maf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/mino-aho-fa
MINO AHO FA...
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
MINO AHO FA… Mino aho fa izy lasa iny, Hahatsiaro ahy ny fony, Fa sarotr’adinoina irony Fiaraha-mamy tsisy tsiny Mino aho fa izy nanaraka Akanga iray tsara soratra Taitran'ny ivelany ka niantoraka Tamin'ilay olo-tsy fantatra Mino aho fa izy lavitra any, Hibanjina ahy ny sainy Fa izaho mbola nolalainy Izao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/neny
Neny
maeva74
Ho anão Ry Neny!!! Atolotro ho an´ny Reny rehetra ity tononkalo ity!! Ianao ry Neny, ilay tsy haiko ho adinoina Ny fitiavanao , avo mihoatra noho ny hafa Ianao ilay nanome aina, ho anay taranakao N´inona n´inona, n´iza n´iza ?? Tsy ahasolo ny fitiavanao Voninkazo kely, izay mba notsongoiko No hany voarambiko te...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andriandriambeniandry/manina-anao-aho
Manina anao aho!
Ny Andriandriambeniandry
Manina anao aho Malalako, Ny lavitra anao tena halako ! Irery aho ary tena mangina, Fa tsy akaiky an’ilay Olontiana! Manina anao aho Malalako, Nefa aho tsy afaka ho any! Ny ventsoko sisa no alefako, Hanakatra anao lavitr’any! Manina anao aho Malalako, Lasam-borona, very fanahy! Izay ataoko tsy mety tontosako,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/zanaka
ZANAKA !
RATSIMBA Georges
Ny zanaka Hendry : harena tokoa, Dia haingo sy ravaky ny tokantrano ! Tsy misy to’azy satria ny Tsitoha No efa nanolotra sy nitsodrano ! Mba sambatra kosa ny ray aman-dreny Manana zanaka tahaka ireny ! Satria sarobidy ny valimbabeny : Dia ny fahadiovany sy fahendreny ! Fa mampahonena ny zanaka adala : Manimba ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rasa
RASA
Fredy Jaofera
RASA Tsy ianao no nampiainga ny fanahy hisosa vao nisy bainga hoe nitahy. Tsy ianao no nahalasa ny vinany, ka injao ny rasa eto ihany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/fetinao-anio-ry-neny
FETINAO ANIO, RY NENY!
RATSIMBA Georges
Fetinao anio, ry Neny Ka hisokatra ny vava Mba hanolotra amin-teny Voninkazo sy arahaba! Arahaba ianao, ry Neny Reny tianay tokoa Ary etsy mamikely Ny takolakao roa! Ary solom-panomezana Noho ‘zao fetinao izao Voninkazo am-pehezana No atolotray anao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/namana
Namana
raozigasy
Tao anaty sasa-kalim-pahanginana irery No nifohazako indray, hikaroka ary koa hijery Tao anaty solo-saina , sy tan-takelaka nizaha Ireo zay endrika sy namana, mety hampifaly ny fanahy Kanefa tamin’izay fotoana izay , tamin’iny alina iny, No nifanenantsika koa , na samy olona vahiny Dia tan-tsoratra niresaka, dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/tso-drano
TSO-DRANO
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
TSO-DRANO Lasa ihany ilay malalako, Nofihiniko nefa tsy tanako, Fa izy manana ny elany, Ka te-hizaha ny any ivelany. Nandao ahy ilay olon-tiako, Notoaviko sy nokajiako, Fa izy manana ny sitrapony, Hiova tiana, hiova vony. Lavitra ahy ny mamin’ny foko, Ilay notiaviko sy nokoloiko, Fa izy manana ny sainy, Hah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/mahay-aho-ry-dada-sy-neny
MAHAY AHO RY DADA SY NENY !
RATSIMBA Georges
Mahay aho, ry Dada sy Neny, Mamaky ny teny hoe : la-la, no-ro, mi-te-ny, Sy manoratra hoe : dadabe ! Mahay aho, ry Dada sy Neny, Manisa hatramin’ny zato ; Ireny manambatra ireny Vitako tsy mila vato ! Mahay aho, ry Dada sy Neny, Na hirahira na hanao tsipy sandry ; Ka nony nanaovako ireny Variana ry zoky sy z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/kivarivary
KIVARIVARY
RATSIMBA Georges
Manasa re lahy, manasa! Manasa hiara-mihinana: Sendra masaka tsy diso rasa, Ka ny vonona, avia iombonana! Dia feta novolavolaina No vary natao ampangoro; Ravin-kininina maina No sotron’ny Voahangy sy Noro! Ny sira dia vato haranana Ny lovia dia vakim-bakoly; Ny anana no tena anana Nalaina teo an-tanimboly! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/taloha/diso-aho
diso aho
taloha
Hay ianao tsy nanadino ka mahavatra sady mino ny hiarahantsika roa Ialako tsiny hatrany ny nandaozako anao ilay sento sy tomany Toa nataoko ankilabao Ny iriako sy lalaiko dia ny hiadananao hampilanimany saiko tsy hampisy rahoraho Mahazoa izay irina mahareta tokantrano ka hahita fifaliana sy ilay ravaky ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/madio-izahay
MADIO IZAHAY!
RATSIMBA Georges
Jereo ny volonay : Voahogo tsara ery ! Sady izay indray Nasiana bigody! Jereo ny tananay: Madio tsara koa; Ny hoho kosa indray Voahety avokoa! Jereo ny tongotray: Mandina aoka izany; Ny faladia oadray! Toa tsy nandia tany! Ny reninay moa Mpipasoka mahay: Voapasony avokoa Ny fitafianay! Angaha ny tena ih...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/minoma/inoko-fa
INOKO FA
minoma
Inoko fa ho avy ny maraina ka ho foana avokoa ireo taraina Inoko fa hisy ny farany ary ho tapitra hatreo ny tantarany Inoko fa tsy misy tsy diso na omaly na anio na rampitso inoko fa fandalovana ny tany ao ny fifaliana ao ny tomany Inoko fa ra mbola misy ny maraina tsy maintsy ho foana ny taraina Inoko fa ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiarah/hasambarana-niserana
Hasambarana niserana
Tiarah
Efa fantatro mialoha fa handalo izy de hiserana ka Tsy ho reko intsony ny feony Tsy ho tsapako intsony ny hafanana hoentin 'ny safosafony Ka handao ireo ,tiany tety, rehefa nahazo ny hasambarako ny fony Fa naleony lavitra nifankahita zahay roa , nihanoka tao anatin ny hasambarana fohy Toy izay fiainana iray manont...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/ny-hambom-po
NY HAMBOM-PO
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
NY HAMBOM-PO Ny hambom-po azo ampandeferina Raha tsapa fa tsy hahasoa Ny nenina mantsy tsy laitra afenina Raha sendra misy mahavoa Ny hambom-po raha “tsy diso toerana” Ilaina hahavitàna izay kinasa Aleo izy hivoaka, aza ferana Fandrao mivadika ho latsa Fehiny, Ny hambom-po tsara dinihina Hanampy hery sa h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andriandriambeniandry/hangina-aho
Hangina aho!
Ny Andriandriambeniandry
Hangina aho tsy hiteny, F’efa vitanao ireny! Maina izao ny ranomasoko, Ny alaheloko horeseko! Hangina aho! Ampy izay! Fa nandoro, nahamay! ‘Lay Fitiavako anao, Nefa nataonao ho kilalao! Hangina aho nefa ny Foko, Mbola tsaroako mitoloko! Tsy mety manadino anao, Fa mahatsiaro lava izao! Hangina aho, nefa ny s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doda/zoky-be-rendrarendra
zoky be rendrarendra
doda
etsy nge ianao ra zoky e anga tsy tazanao zao fiananana @ izao fotaoana izao to milaza fa tsara ny vola sy ny harena ao anaty ao ka kololikoly sy ny halatra hanitry ny fiainanao raha diso lalana ianao de tsaraovy ilay ray ao ambony ao fa izy no hanapy anao sy ampisokatra ny fona nefa aza adino fa ianao no safidy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/nahoana-loatra-re
NAHOANA LOATRA RE
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
NAHOANA LOATRA RE Nahoana loatra re ry Adama sy ry Eva, No mbola nohaninareo ny voankazo voarara? Izao ianareo voaraoka tao antsahan’ny Edena, Ilay fahasambarana taloha indro rava. Nahoana loatra re ry Ingahy Jodasy, Noho ny sekely telo polo monja; Natolotrao toy ny mpanao ratsy Ilay Zanak’Andriamanitra mba to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/diamondra/mafy-ny-misara-toerana-refa-mifankatia
MAFY NY MISARA-TOERANA REFA MIFANKATIA
diamondra
Hisara-toerana izaho sy ianao Mba samy hitady zay mahasoa Nef tadidio fa ny fitiavantsika ro(a) Dia ts ho ritra na ho lo Mafy zany tsy ho fihaonana maharitra izany Enao ho any antsirabe zà ho any ampitan-dranomasina any Tena tsy tantiko ka mahatonga ahy dia hitomany Tsy mahafoy,resy ny hakiviana Satria ho lavit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpandalo/any-ianao
Any ianao
mpandalo
Any ianao ry tiako, lavitra ny foko Moa mba fantatrao fa izaho aty ka mitoloko? Tsy eto anilako eny ianao, indrisy! Ka ny hafanana izay ilaiko, Nolalaiko taminao ry aiko Na dia sombiny aza tsy mba misy. Any ianao ilay nofidiko mba ho ahy samirery Moa mba fantatrao fa izaho aty ka manirery? Te hiantoraka any aho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/teraka-aho-ry-mpamonjy
TOLO-JANAHARY
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
TOLO-JANAHARY Endrey izany hafaliana, Tonga vahiny kely nirina, Izay efa nandrasana ombieny, Hisy hiantso ihany hoe : Neny. Taona maro mantsy no lasa, Tsy tanteraka izay kinasa, Ahazoana an’Ikoto sy Ikala, Niongo-bolo, nila ho adala. Nalaina ny tsihy avy namadihana, Natao tambany kidoro filafihana, Niandr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oracle/volana-fihononako
volana fihononako
oracle
Ny volana no miara mizara amiko ty alina sina , kitrok'alahelo manainga sento mamelovelo tonga ratra manevika ny fo Ny manodidina rehetra efa tony avokoa zaho ty mbola velon-tsetra savilian' adin-tsaina ,mamaky loha Ny hiratry ny volana no mba mahatsirika nu atin-trano bongo keliko dia tena hoe volan'ny kambo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oracle/satria-tia
satria tia
oracle
eto an-joron-dalana ny masoko no mitsipalotra miandrandra topy maso iray avy amin'ilay nambabo fo eto an-joron-dalana no mitsatoka ty fo fadiranovana ny maso no apitrapitra maneho ilay fitia tsy mety ritra Notomoriko izy omaly tsy nanatrika ahy izy raha namaly hoe tsy afaka hitafa ela intsony fa efa any ilay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mionitra/inty-aho
INTY AHO
Mionitra
Raiso aho Tompo o! Fa vonona ho anao Vonona aho ny hanompo Inty aho hanjakao Leo ny hetraketraky ny tany ka te hiara-dia aminao any an-danitra any Inty ny amiko omeko anao Raiso fa natokako ho anao Aza avelanao irery Ity zanakao nania Fa matsiaro tena irery Raha toa ianao ka minia Raiso ny fitarainako Fa m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/tsy-hitsahatra
TSY HITSAHATRA
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
TSY HITSAHATRA Tsy hitsahatra hidera Anao izato foko, Dia ianao ry Andriamanitra izay inoako, Fa tao anatin’ny mangidy no nisy ny mamy Tao anatin’ny fahoriako no indro Ianao fa tamy. “Mandondona aho ka mba vohay”, hoy Ianao, “Izaho Ilay itokio hitondra fiainam-baovao”, Resy lahatra avy hatrany ty foko efa sasat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samuel-ratany/nofiko-hono
Nofiko, hono ...
Samuël Ratany
Nofiko, hono ... Dia renoka tao amin'ny alina tao izany nofoko vizan'ny andro efa lany, ka nofy naterin'ny foko no injao fa nasesik'ilay fahanginan'ny tany. Dia nofiko, hono, fa indray novorina ny velona tamin'ny tany rehetra, hatao an-kilasy sy ho tadidina, ho hita izay faly sy izay manjoretra. Dia hitako teo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/antsanny-tia
ANTSAN'NY TIA
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
ANTSAN’NY TIA Ranomaso sa fifaliana, Ankaso sa hamamiana, Tsy misy hamoizako Anao. Volana baliaka sa orana mijotso, Endrika sariaka sa hasina voaloto, Tsy misy hanadinoako Anao. Hazavàna maraina sa hariva feno aizina, Fiadanan-tsaina sa fahoriana tsy azo laizina, Tsy misy hampisaraka ahy Aminao. Siokam-boronk...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/sorona
SORONA
MAHEFALISON
Raha misy ranomaso tsy laitranao fafana mangirifiry lalina, dia antsoy aho fa ho avy na dia misasakalina! Raha vesatra ho anao ny ziogan’adim-piainana mampisento lava, dia omeo mba ho lanjaiko na hahavaky vava! Raha misy koa tangena tsy maintsy atelinao, dia asio ity kapoakako hiarahako misotro aminao. Satria... ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kolo-aina/fitiavana-voafonja
Fitiavana voafonja
Kolo Aina
Zary hirifiry izato ianao eo anilako Toa lefona manindrona, mandrotika ity foko Ny tananao manafo, ny molotrao ry silako Ny sandrinao fiakiko, miteraka toloko Satria tiako ianao, nefa asa re indrisy Fa aorian’izao, dia fotoana manao ahoana No hihaonantsika indray? impiry toa tsy misy Hangaina ny fanahiko, ny tsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/mahery-ilay-zvt-miafina-ao-anaty-ao
MAHERY ILAY ZVT MIAFINA AO ANATY AO
doda
NA MIAFINA AZA NY AO ANATINAO AO DIA TOY NY ZVT AZO FANTARINA EO IMASONAO KA NA TSY LAZAINAO AZA DE VOAVAKY TSOTRA IZAO ILAY ZVT ATAO IZAY EZAHINA HAFENINA IO ZVT MIAFAIANA IO NO MANERY ANAO HILAZA NY TSIAMBARATELO AO ANATINAO KA NA HAFENINA AZA DE MIBARIBARY ENY FONA NY MARINA AO ANATINAO JEREO NGE NY ENDRIKAO...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/diamondra/mafy-ny-fisarahan-toerana
MAFY NY FISARAHAN-TOERANA
diamondra
Hisara-toerana izaho sy ianao Mba samy hitady zay mahasoa Nef tadidio fa ny fitiavantsika ro(a) Dia ts ho ritra na ho lo Mafy zany tsy ho fihaonana maharitra izany Enao ho any antsirabe zà ho any ampitan-dranomasina any Tena tsy tantiko ka mahatonga ahy dia hitomany Tsy mahafoy,resy ny hakiviana Satria ho lavit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/raha-toa
RAHA TOA
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
RAHA TOA Raha toa ianao ka nitsikin’ny vintana, Tretrika fa nampihantain’ny anjara, Ny aretina rehetra nandalo, sitrana, Izay atao isan’andro mandeha tsara, Aza adino ny mankasitraka Ilay Nanome, sy misaotra, Mba hitsinjovanao ny fiainanao rehefa any ankoatra. Raha toa kosa ianao nandosiran’ny mazava, Tsy mba n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/ho-anao
Ho Anao
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
HO ANAO, Ray ô, ho anao ity tononkalo ity, Fa ravo aho novokisanao fitia, Tsy mba navelanao ho irery, Ity foko naratra feno fery. Noharianao aho mba ho tretrika, Nifikitra tamin'ny ota anefa ka rendrika, Teo foana Ianao nanolo-tanana, Nanonona ho ahy ny "fahafahana". Ray ô,ny adintsaina nitambesatra, Noho n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doda/mahery-ilay-zvt-miafina-ao-anaty-ao
MAHERY ILAY ZVT MIAFINA AO ANATY AO
doda
NA MIAFINA AZA NY AO ANATINAO AO DIA TOY NY ZVT AZO FANTARINA EO IMASONAO KA NA TSY LAZAINAO AZA DE VOAVAKY TSOTRA IZAO ILAY ZVT ATAO IZAY EZAHINA HAFENINA IO ZVT MIAFAIANA IO NO MANERY ANAO HILAZA NY TSIAMBARATELO AO ANATINAO KA NA HAFENINA AZA DE MIBARIBARY ENY FONA NY MARINA AO ANATINAO JEREO NGE NY ENDRIKAO...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doda/fitia-mangina
fitia mangina
doda
Nandeha ny Andro sy ny Taona Fa izaho tsy nahay nanadino Ilay toeranao mbola banga foana Ny foko minia tsy mety mino Tadidy ireo niarahana taloha No mameno ny saina sy ny fo Mbola mahatsiaro anao tia Mbola manonofy ilay fitia Nijanona daholo ny tontoloko Raha vao lasa ianao Tsy nisy tantara izay natomboko Ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/fanantenana
fanantenana
AMN (Arialy)
tadidio fa misy foana ny sakafo raha hoe noana na dia kely sy tsy tsara fa mba atao hoe sahala misy ny andro mafimafy ka voatery mampihafy misy ny andro tsy apoizina mapijaly toa andevozina na sahirana aza ny tena ka mijaly, mahonena diniho anefa ny any an-kafa fa fijaliana, jafajafa. aleo ny saina atao amb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/izaho-efa-tia-anao
Izaho efa tia anao
Ny Hasina Heritiana
Handray ny peniko aho Hanoratra ho anao Satria toa mila hitroatra Ny foko anatiko ao Nataoko ho sangisangy Ilay resatsika iny Kanjo aho tsy tafandry Ka aza omenao tsiny Haiko fa ho sarotra Ny hanatanteraka azy Nefa... ny foko tsy niahotra Fa tia anao sahady Na ny elanelan-tany Na ny fiainako amin'izao Iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-rahampitso
TSY RAHAMPITSO
Fredy Jaofera
TSY RAHAMPITSO Tsy rahampitso no ho tonga ‘zay hahasambatra ny taniko, raha maromaro no tsy donga sy misento lava ka tomaniko. Tsy rahampitso no hiseho ‘zay hampiova ny hakiviany raha izao foana avia, jereo no fiaimpiainana ihafiany. Tsy rahampitso no hitranga ‘zay hampivoatra marimarina raha eny ihany fa ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikemba/ny-vady-ve
Ny vady ve?
ikemba
Ilay nambabo ny fonao tamin'ny topi-maso indray nielatra Ilay nivoady taminao ary nivoadinao koa, Ilay ho eo anilanao anaty oram-be sy tselatra, Ary hiombom-pifaliana aminao ihany koa! Ny vady ve? Tsy zanaka matoanao na hoe fari-panananao, Tsy irakirakao akory ka anananao fahefana, Fa namanao, eny sakaiza, ary h...