url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/malahelo-ny-zanako-aho-izany
MALAHELO NY ZANAKO AHO IZANY
Miarantsoa Anicet
MALAHELO NY ZANAKO AHO IZANY Malahelo ny zanako aho izany. Malahelo an'ilay tokana an-tany. Malahelo ny andro rehetra, Sy ny alina mampanjoretra. Raha mba teto anilako e ianao, Mba nisangy sy be kilalao. Saingy... Any ianao manena, Izaho aty... Tia tena. Malahelo ny zanako aho izany, Any izy izay mitomany, Any izay ianao sy i Neny, Mievinenvina raha iny aho miteny. Malahelo ny zanako mihintsy aho, Alahelo tsy mitsitsitsitsy, Izay atao mampanembona anao, Izay tsy atao mampanembona anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lany-andro
LANY ANDRO
Fredy Jaofera
LANY ANDRO Lany andro mifanandrina isika mianakavy ka tsisy iray voatandrina ny toky be matavy. Lany andro mihaza lambo toy ny tsisy atao ka tara tamin’ny sambo lasa toa nandao. Lany andro mifandrafy fa tia tena loatra ka mizaka ny ady mafy sy tsy afa-mivoatra. Lany andro be kabary, ho hita lalandava ka tsy nahavaha ny vary ilaina hampisava ! Lany andro be tsikera fa mila ny lafatra ka eto ihany, mihevera, na efa nisasatra !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampionona/fahaleovan-tena
Fahaleovan-tena
Mampionona
Fahaleovan-tena Dimapolo taona lasa izay no nitomany i MADAGASIKARA Niady mafy, niandrandra nibadabada tamin'ny teny. Toa nanangom-panafahana ka nitolom-pandresena namoy ny aina, latsa-drà ireo mpitolom-pahaleovan-tena. Dia nisosa teny ny taona nisosa mora teny foana; Nandalo sedra maromaro toe-tsaina mifangaro. Toa nivady ny rasa, ka lasa maro ireo tsy an'asa? noho ny fitiavan-tenan'ny hafa kolotsaina samihafa. Ankehitriny aiza h' aiza ? ry Malagasy tia vao toa mbola saritsarim-pahaleovan-tena no iainana am'zao. FAHALEOVAN-TENA, dradradradraina tanisaina vao maraina nefa maro ireo mitaraina miady mafy ny anohanana tsy manan'asa; tsy misy farany. Raha halalinina ny saina toa very kolotsaina, raha jerena ny tenin-dreny toa miisa telo ireny : Malagasy, Frantsay, Anglisy tsy vazaha, tsy gasy na metisy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sarinao
SARINAO
raozigasy
Ireo sarinao ry Tiana efa nohidiana ao ampoko lalina Ka entiko mandeha N’ aiza n’aiza haleha Na andro io na alina Ianao mihitsy aza Mba tiako koa hilaza hiteny koa izany hoe ny sarinao ao am-poko ao efa toy izany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiarah/androany-sisa
Androany sisa
Tiarah
Androany sisa Rahampitso aho efa hitanisa Ireo ora mamy niarahana Nandalo ,niserana nizarana ny hasambarana Eny tsy ho afeniko anao Ny alahelo sy ratrakely am poko ao Fa tsika roa efa samy nahalala Fa voafetra ny hifampiantso hoe Malala Nefa , mbola hankafiziko androany Izany mihanoka fitia eo anilanao izany Tsy hamela anao irery ka ho fitia soa tapany Satria mamy marikivy , dia hankafy hatramin ny farany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/veloma-ianao-shoan
Veloma ianao Shoan
raozigasy
Veloma ianao Shoan, Hoy ny namana sy fan Veloma ianao akia, Hoy ry Barbies Veloma no amen, Hafatry ry ken Veloma ianao Shoan, Hitraka izahay na fanina Ny fotoana izay niarahana, Teto am-pandalovana No tapitra nifarana ho lasam-pahalovana Fa ireo fiaraha-mamy, niraisantsika dia Hijanona ho tantara, tsiaro ho doria Ny lalanao no tapitra, ny fiainanao no vita F’ireo fifalianao, niampita dia niampita Ilay tsikinao mpandresy , ny hetraky ny tany, Hijanona ho anay , ny heriny tsy ho lany Ireo sangy, vazivazy, somonga sy ny sisa Hijanona ao am-po , ho lasa fitanisa Ireo traik’efa nozinara, nentinao nisera Ho tsangambatonao, sarotra azera Ny lalanao an-tany, nandalo taminay No tapitra sy vita, izay no anjara izay Fa ny soa navelanao, ny mamy izay napetraka Hampitraka anay, raha toa izahay ka ketraka K’isika raha hisaraka, noho ny lalàn’ny tany Dia veloma avy ao am-po , no manohy izany Ka ny teny farany, “Mandria am-piadanana “ Ireo tsiaro avelanao, tehirizinay an-tanana Veloma ianao Shoan, Hoy ny namana sy fan Veloma ianao akia, Hoy ry Barbies Veloma no amen, Hafatry ry ken Veloma ianao Shoan, Hitraka izahay na fanina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiarah/niniako-tsy-ho-tia
Niniako tsy ho tia
Tiarah
Niniako ny nikipy mba tsy ho lasany ny foko Niniako ny nitsiky mba tsy ho fantany ireo toloko Niniako ny tsy nanaiky fa hay ny foko miha tia Niniako ny tsy hiantso isan andro hoe Avia Izy kosa nefa dia revo aok ' izany Izy kosa nefa tena fy , tena mamy Izy kosa nefa ,maniry mafy ny hiara dia Izaho kosa nefa ,mindrana fitia Mety mbola hisy ve ny fotoana hiarahana Mety mbola ho azo atao ve ny hianoka hasambarana Mety ho izy ve ilay nandrasako hatrizay Mety ho izy ve ilay hitia ahy ho mandrakizay.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sento-mangina
SENTO MANGINA
raozigasy
Na ny fotoana hifanembonana Na ny ora hifampiantsoana Dia tena Samy niombonanana Tena toa nifamotoana Na ny sentonao matetika Na ny tsiahinao mazàna Iarahako aminao ka mbetika Miara-tonga sy tsy tana Na ny hasasaranao Na ny hakiviako aty Dia tsapa mihitsy fa injao Mifanojo foana akia Ilay Fitia moa tsy lazaina Fa samy feno, samy to Sy tena tsy azo hoe visaina Izany hasambarantsika roa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/aiza-nizanako
AIZA NIZANAKO
Miarantsoa Anicet
AIZA NIZANAKO? Ny zanako? Namoizako zavatra maro, Namonoko ny olon-drehetra, 'lay nandaozako ny hatanorako, Ilay nofo 'zay avy amin'ny rako. Ilay zanako , sombin'ny aina. Tiako loatra ka tiako ampihantaina. Tiako ho akaiky ,tsy lavitra ahy... Ila-nofo na sila-panahy. De...fitiavana hafa tanteraka No nitiavako anao fony teraka. Fitiavana tsy ampitoviana Am'fitiavan'ny tia sy ny tiana. Tena adala aho nandositra anao, Mbola zaza ka te hilalao? Tiako loatra anefa ny zanako Ka ...Atakaloko anao ny fananako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/io-no-madagasikara
IO NO MADAGASIKARA !
RATSIMBA Georges
-Ambarao hoe, rankizy, ilay Nosindrazantsika -Io ‘lay tany atsinanan’ny lakan-drano Masombika He jereo ange ‘ty izy miadana sy mihaminkamina Toa salopy atopatopan-dranomasimbe Indiana Io no Madagasikara, nosin-drazana malala ! Io no Madagasikara, iaraha-mahalala, Io no Madagasikara, tanindrazantsika Gasy Io no Madagasikara, vita sady an-taratasy Io no Madagasikara, miendri-tongotra havia Io no Madagasikara, sarotra afoy satria : Io no Madagasikara, nahakely, nahazaza Io no Madagasikara, tsy dia tany be malaza Io no Madagasikara, tena tiako sy lalaiko Io no Madagasikara, ao ny reny sy ny raiko Io no Madagasikara, ao ny zoky sy ny zandry Io no Madagasikara, ao ny adidiko no miandry Io no Madagasikara, misy fasana mitoko Io no Madagasikara, ao milevina ao ny foko Io no Madagasikara, voasokitra ato anaty Io no Madagasikara, hilevenan-draha maty Io no Madagasikara, nosy mamy toa tantely Io no Madagasikara, tsy hohadinoina velively Io no Madagasikara, anjakan’ny fihavanana Io no Madagasikara, ‘zay mihamitombo vahana Io no Madagasikara, tena nosy diavolana Io no Madagasikara, tany mendrika harovana Io no Madagasikara, voahodidin-dranomasina Io no Madagasikara, tsy azon’olona tavasina Io no Madagasikara, Nosy maro fahavalo Io no Madagasikara, tsy miraika, tsy mimalo Io no Madagasikara, nosomparana hikoro Io no Madagasikara, nefa mbola tafajoro Io no Madagasikara, tiana sady mamy re Io no Madagasikara, misy foko maro be Io no Madagasikara, antsoina hoe “’Lay Nosy Mena” Io no Madagasikara, tiavina tsy anerena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fetim-pirenena
FETIM-PIRENENA
Fredy Jaofera
FETIM-PIRENENA Fetim-pirenena, fetim-pambolena ‘reny afom-pitiavana hipololotra ho goavana. Fetim-pirenena, fetim-pahendrena irina mba hahasambatra ny Malagasy tafatambatra. Fetim-pirenena, fetim-pamonjena misy vonim-pilaminana miendrikendri-panambinana. Fetim-pirenena, fetim-pandresena hampihavana aok’izany ny vahoaka tsy hita lany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/tiako
TIAKO
MAHEFALISON
Taniko! Mandra-pahaoviana no haharitra hirehitra, ity Jiro mitsilopy anaty maizim-bolana? Mandra-pahoviana no mbola hifanehatra aminao, ireo Fahavalo maro, miteraka ny olana? Fa tsy haiko, tsy tantiko! Nefa tiako foana, Taniko, ho fiononanao marary, sy ho ranom-panafody sotroinao isan’alina ‘zao famiratry ny kintana mampihira angelikary, toa mivavaka ho anao, hahatonga anao tafarina. Tiako foana koa, ny hitady hitalaho Voninkazo ho anao amin’ito Alim-be. Mialohan’ny maraina, tsy maintsy hahita aho hatolotra ho anao, minoa ahy ise. Taniko! Marary avokoa mantsy izay tsinjoko aminao, na teny, na fomba, indrindra moa fa saina. Mandra-pahaoviana, izao loza mitatao no hamonjy rangolahy, ho lavo hiala aina? Fa tsy haiko, tsy hain’ny fanahiko! Nefa tiako foana ho ranomasonao, ny orana mikija, hanaitra ny atidohany. Satriko ombieny koa, ho fofon’ainao ireo tafiotra mafy, f’ireny koa no rivo-dozany. Mandra-pahaoviana no haharitra hirehitra, ity Jiro mitsilopy anaty maizim-bolana? Mandra-pahoviana no mbola hifanehatra aminao, ‘reo fahavalo maro, miteraka ny olana?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/malagasy-aho-malagasy-ianao
MALAGASY AHO, MALAGASY IANAO
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
MALAGASY AHO, MALAGASY IANAO Raha mainty aho na zarazara hoditra Raha ny fitafiako fatratra na misy rovitra Ny oroko raha petaka na marirana Ny voloko raha vasoka na koa mangirana Dia noharian’Andriamanitra aho ho MALAGASY Na mipetraka ao GASIKARA na aty andafy Raha notaizaina ianao tamin’ny fomba vahiny Ka zary tsy tia fomba gasy ary tena manome tsiny Na tsy hainao mihitsy aza ny teny MALAGASY Dia tsarovy fa ny maha-vazaha anao dia Taratasy Ary tsy azonao fafàna ny marina ara- tantara Fa ny Tanindrazanao ange dia MADAGASIKARA Na MALAGASY tanteraka ianao na koa metisy Mbola misy rà gasy izany ka indrisy Asakasakao raha ny maha-GASY no mahamenatra Raha vao fantatr’olona fa GASY dia toa hendratra Andriamanitra ilay inoanao ange no Nahary Ka Izy ve sahinao omena tsiny ary?????????
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpandalo/mifalia
Mifalia!
mpandalo
Ekena, Fa ny hetraketraky ny tany No anton'izany; Saingy, Tsy ianao irery akory No mahatsiaro ho tena ory. Zovy, Ary firifiry akory Ireo izay tsy mahita tory? Angamba, Raha alahatra! Tafakatra eny Ankaratra. Mifalia! Fa sambatra ianao, Mbola eto hatramin'izao. Dia mitsikia! Dia miravoa sy mifalia, Satria, Atolotro ho anao ity tononkalo ity.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-tsy-teo-4713
RAHA TSY TEO
Fredy Jaofera
RAHA TSY TEO Raha tsy teo ianao, ry Dada, dia tsy nisy ahy akory ; fa ho redireby nampirada ‘zao tany izay mitory ! Raha tsy teo ianao, ry Dada, dia taiza no niankinana ? Misaotra hatrany fa tsy sada ny fitia sy fanambinana. Raha tsy teo ianao, ry Dada, Dia taiza no niantoraka ? Koa aza tsiny raha toa lada Ny arahaba feno tsoraka. Raha tsy teo ianao, ry Dada, ho inona no hoaviko ? Angamba dia mbola nibada sy mafy izay nodiaviko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sodifafana/tsy-voasolo
TSY VOASOLO
sodifafana
TSY VOASOLO Nafoiko izy ka novako Endrika hafa loko tao Ny tsanganany nombako Hitovy lasitra aminao Ny fijery tsy analana Toyn izao anao zao Lay feony malama Zay fandreko taminao Rahan misokotra ny vava Ka mipoitra izato nify Tena ny anao mazava Zany izy raha mitsiky Ny volony sahondrahondra Sady lava tsy hay tohaina Ny anao fa tsy niova Mba marina io ry somboniaina Lay akanjo tohi-tena Zay fitondrany mazana Tsy mba lavina , ekena F'dia ny anao re ralala Fa , ilay fo mitempo anaty Njao midobodoka ao Tsy voasolo mandra-maty Hafa ihany ilay ANAO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/imasonao
IMASONAO...
andriafa
Imasonao no notoazako 'reo teny mamy izay filazako. Avy ao ampoko no ivoarany ary aminao no ifaharany Imolotrao no nangalako 'reo hantahantam-padalako Ka ny hanitra sy ny hatsaràny, dia aminao no hiafaràny Imasonao, imolotrao No nagalako izao sy izao Ka ny hany faka ifaharako Ianao 'lay tokako, fitiavako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sodifafana/sodifafana
SODIFAFANA
sodifafana
Tsiratsiraina sy ambanimbaniana Fongorana mafy ho foana amin'ny tany Tapahana, dorana de haratsiana Hatoraka ambony mba hilentika ambany Fosafosaina ho hazo maloto Tsy mba manam-didy na ray voamena Voatositosika ,tsy laina tsy zoto Latsaka an-kady tsy misy mpitsena Naniry ho sambatra mandrakizay Hiarak'ihira hiarak'ikalo Hamakivak'ilay lalana iray Niserana ihany dia lasa nandalo Satry dia satry ho ela eto an-tany Mba ahalala ny ho avy rehetra Kanjo, taonad dimy na enina ihany No isa voalahatra sy efa voafetra Tsy kivy aho anefa ry alina zina Miandry ny ampitso ho fanantenana Reo lalana sarotra tsy haiko zoviana Mba hitodiko lay toera-malala Na mafy aza zany misidina ambony Tsy aman'elatra mantsy ny tena Tsinjoko avy eny, irony hady rony Lay ho fitoeran'ny mpanetre-tena Voasotasotan'ny herin'ny adala Tsy mba mety maty, indro izy mandady Manara-drindrina, velona tsara
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/ny-zanaka-sy-ny-raiamandreny
NY ZANAKA sy ny RAIAMANDRENY
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
NY ZANAKA sy ny RAIAMANDRENY NY ZANAKA, ny zanaka Nomen’Ny Avo ho taranaka Napetrany eo ampelatanana Hokoloina, ho tohanana Koa mangataka aho ry Ray Ho an’ny Raiamandreny tsirairay Omeo toetra mendrika Hitaizaina ireo tsy ho rendrika NY RAIAMANDRENY, Nomen’ny Avo ho toavin-teny Fitarainana sy Fanalahidy Ka tolo-janahary sarobidy Koa mangataka aho Ray Ho an’ny zanaka tsirairay Omeo fahendrena tsara Hanajàna ireo Vy Nahitàna
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/tanindrazana
TANINDRAZANA
RATSIMBA Georges
Raha vorona ny vorona ka mba manana ny akaniny Raha biby koa ny biby manna-davaka isitrihana Ny olombelona dia olona ka mba manana ny taniny Nahariana, nitaizana, nitomboana, ipetrahana Fotsy hoditra izy angaha? Any Eoropa no fonenany Raha vony kosa indray dia Azia no nihaviany Any Afrika hoe irony Mainty no iorenany Fa ny mena hoditra dia Amerika no fodiany Reny tany niaviana ka hodiana rahatrizay Nahalatsahan’ny tavony sady tany nahabeazana Sarobidy ka omena ity anarana iray Fantatro sy fantatrao no atao hoe tanindrazana! Izy manana ny teniny vita boky, an-taratasy Dia ny tanin’ireo razany izay manana tantara? Fa izaho sy ianao dia isika Malagasy Aiza kosa ange ny antsika? Ny nosy Madagasikara! Madagasikara hoe? Sao tsy fantatrao izany? Voahodidin-dranomasina, miendrin-tongotra havia Voarakotra ala kanto, manam-batosoa tsy lany, Be mpisompatra tokoa, nefa koa mba be mpitia Ny tanindrazana, ry lahy, lova soa sarobidy Tsy alam-baraka foana, tsy atakalo volamena Na dia ratsy tiavo ihany, raha tsy tiana “Aza amidy” Raha mba tiana ihany kosa, hasoavy ny an’ny tena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fara-andriamamonjy/fantatro-fa
Fantatro fa!
Fara Andriamamonjy
Fantatro fa! Tsy hoe "tsara" ianao dia "tiako"! Fa "tiako" ianao dia "tsara"! Ka raha ny faniriako Dia ianao no mba ho anjara! Saingy faniriana ihany ny ahy; Fa Izy Ray no mpandahatra. Ary fantatro fa na izaho no tena ho sahy! Dia ianao koa angamba mety hihahotra satria mety hoe "matahotra"! Ekeko fa betsaka ny tsara! Misarika, manintona hahatara; Saingy tsy nahababo ahy izany Fa naleoko ianao ihany; Ary ianao hatrany! Ny zava-drehetra anefa misy fetra Satria mandalo tsy hitoetra; Fa fitiavana mitoetra ato am-poko: Dia inoako fa tsy hiova loko; Satria hokoloiko Ary koa tsy hafoiko Na koa ho soloiko! Tsy hoe: "tsara, kanto, meva, soa, manintona, manaitra, misarika, mambambo,..." Ianao dia tiako! Fa tiako ianao dia fenonao ny hatsarana rehetra ! N'inoninona koa toetra! Ary fantatro fa zakako sy lefitro ary ekeko! Raha mbola ny Foko sy ny fitiavako no nomeko; ka izay mety ho faharatsiana ao aminao; dia efa nekeko tsotr'zao! Satria tiako sy mamiko ianao! ANDRINIAINA.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/jiro-mitsilopy
JIRO MITSILOPY
MAHEFALISON
Indreny fa mirentirenty ny jiron’ny fanala, manazava, toa hampisava ity ali-mainty mamanala. Ankizy maro no miventy ny “arendrina taratasy”; ny aty ihany no mangasihasy. ...Fa ny jironay aza moa, mitsilopy hatramin’izao. Misandrahaka aok’izany ny afomanga any ho any, zary ilo manazava ‘ty lambamainty izay manarona ireto olona mandalo; ny aty ihany no manafin-tava, mijaly mafy toa valala an-karona, mitampify toa mimalo. ...Fa ny jironay aza moa, mitsilopy hatramin’izao. Hanim-py tsy hay visaina no nomanin’izy ireo, fa fety hono no andrandraina, fety hono no hiraina; ny aty ihany no mitoreo, zary tany karakaina, tsy misy rano, tsy afa-miaina, zary voly tsy hay jerena tsy misy orana handena. Dia hamindro manoloana ny pitik’afon’ny kitay no mba handanianay izao takariva moana. ...Fa ny jironay aza moa, mitsilopy hatramin’izao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/dia-afaka-lay-tanindrazako
DIA AFAKA 'LAY TANINDRAZAKO
RATSIMBA Georges
Andeha horontsoniko indray ‘Lay lokanga nihantona ela ‘Reo kalon’ny fo fahizay No hamaha ny fatoran’ny lela Hoy ny kalon’ny fo fahizay Raha hadinoko ianao re ry taniko Hanadino ny tanako iray Ny lela hiraikitra an-danilaniko Ny ampitso dia saro-pantarina Ka nikombona aloha ny vavako ‘Zao kosa dia tsapako marina Tena afaka ‘lay Tanindrazako Tsy mandihy tsy afa-tavony Fahendrena navelan’ny razako ‘Zao kosa tsy resaka intsony Tena afaka ny Tanindrazako ‘Zao dia afaka ‘lay Tanindrazako Ka rontsoniko indray ny lokanga Tsy nofisiko intsony fa tazako ‘Lay masoandro eny an-danitra manga ‘Zao dia afaka ‘lay Tanindrazako Ka mitraka ny fo ato anaty Noratrain’ireo hafa karazana Sy ‘reo tapaka tia vola maty ‘Zao dia afaka ‘lay Tanindrazako Ka ho tapitra hatreo ve ny asa? Vao maika ho mafy ny fiezako Nanompoako azy tamin’ny lasa Famaranana ity tonom-bavako : “Zanahary ry Tompo mahery, Mba tantano e ty Tanindrazako Ny fiandrianany anie tsy ho very.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/atsangano
ATSANGANO
Fredy Jaofera
ATSANGANO Atsangano ny saina fa manana avy isika ‘zay ela nolovaina sy hany tsara bika ! Atsangano ny saina fa ny andro ity fety, ka aza malaindaina f’izany re no mety. Atsangano ny saina fa mari-pahafahana mendrika hohajaina sy hankasitrahana. Atsangano ny saina fa ho an’ny firenena mamy eto na lalaina sy zavatra efa harena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/tahiry
TAHIRY
andriafa
Ny raki-tsary tsara indrindra dia 'lay miotrika ao anaty fa na inon'inona mifindra io mitoetra mandra-maty
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/noterena
Noterena
raozigasy
Noteren’ny alaheloko hanoratra aho androany Sy hilazalaza koa ireo vesatr’embon’ny vinany Ireo toloko mifangaro, tsy fahafahana manoatra Ny fiainanao ry fireneko, kely sisa dia any an-koatra Noteren’ny hanin-dava, rehefa maheno vaovao Hoe mijaly hono ianao, fa atao izao sy izao Velona sy mitsipozy, anaty rofy sy adin-tsaina Tena henoko hatrany ilay feonao izay mitaraina Noteren’ny tsiaro, sy ny fahiny fahazaza F’ ireo fitovoana very tany , no nanaitra sy nilaza Hoe ny ho avin’ny tanora, sy ny ampitsony ahoana ? Mbola ho poti-dava ve , sa hatanorana feno saona ? Noteren’ny foko aho, hivavaka ho an’ny firenena Hiainany raha azo atao, hasambarana hay jerena Dia ho tany tena sambatra , toy ilay ventesina an-kira Ilay madagasikarantsika, ilay fireneko sisam-bira
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nivohanta/tojo-anao
SOMBIN NY AINA
Nivohanta
Ireny vetsovetso ireny, Hamonjy anao any ho any, Feno ny mombantsika... Satry hanaraka azy, Ahitanao mivantana, Ny elanelan -tany , Tsy mamela izany... Dia handrotsirotsy anao, Ireo kaloko mimalo, Manembona ireo ora mamy, Nitosiana anilanao... Tsy ho ela dia ho tojo, Ilay fanamperana Anilanao...Ho feno anao Sy ny mombanao rehetra... Mousseaux les Bray 09 05 2010
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/hetraketraka
HETRAKETRAKA
maeva74
Feno hetraketraka ny fiainana eto an-tany Zara raha azo hisaina ny tsiky amin’izany Herisetra, habibiana, fankahalana Ireo rehetra ireo no manjaka tsy azo ialana Lotika, boboka, leo; tsy te hierika intsony Tsy te handian-tany fa te hisidina eny ambony Satriko ho nofy , tsy manam-pahatamperana Ny androko rehetra sisa tiako mba hiserana Izaho ve no ratsy sa!Izao no efa lahatra sy anjara Tsy mitsiky amiko intsony ny voahary fa voarara Izaho ve no jamba? Tsy mahita ny andro mibaliaka Ka toa miteniteny foana toy ny olona mivika Tiako raha nahay niverina aho, namafa ireo lasako Nataoko ho tsy niserana tamin’ iny lalana ny tenako Nofafako, nodriatiko, ireo nampitondra ratra sy tomany Saingy indrisy! Izany hono no “fiainana eto an-tany”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iarivo
IARIVO
Fredy Jaofera
IARIVO Tsy fidiko, Iarivo, ny nandao anao fa ny fahoriana mahazaka maniraka ; ka indro asivo ‘zay toky vaovao ‘zato lalana irina tsy ho firapiraka. Tsy fidiko, Iarivo, ny hoe nankaty fa mafy tokoa ny fitadiavana ; na efa in’arivo no mba nandihy sy nikatsaka koa izay hampihavana. Tsy fidiko, Iarivo, ka injao alahelo no mba mameno ny fo manimanina ; ny Lasa tsahivo fa tsiambaratelo tsaroana maneno sy saro-tazanina ! Tsy fidiko, Iarivo ka mbola tomany no miradraraka mila hanadala ; ianao ange no ivo sy mamiko hatrany na tafasaraka, ry tsisy sahala.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpandalo/aza-variana
Aza variana
mpandalo
Aza variana, Mangoron-karena, Amin'ity fandalovana fa mba mandiniha; Ianao efa giana, Sy mampahonena, Vao hotsaroana fa nisy nania. Mandalo miserana, Sy mora lo, Ny harena sy vola mandreraka anao; Fa misy toerana, Tsara kokoa, Efa voahomana honenanao. Ny olo-maditra, Efa very fanahy, Ka tsy mba handova ny mandrakizay; No hipitrapitra, Sy hangahiahy, Fa tsy nety niova hatramin'izay. Ovay malaky ary, Fa ndrao hanenenana, Ny fomba famindra, fa androny izao; Aza diso miantsampy, Manorom-ponenana, Antanim-bahiny , fa sao very ao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbinintsoa/menatra
Menatra
Mbinintsoa
Rehefa kepoky ny jaly Tsy mahita hazavana intsony Vao miverina Aminao Ray Fa rehefa injay ka faly Ny saina sy fo tony Ny mankalaza Anao tsy hay Fo menatra no entinay Aminao Diovy ka sasao ho Tempolinao Ianao tsy mitana akory Reo hetraketraka tsy an-kiato Zay imasoana sy imatesanay Fa mainka manala sorisory Handrianay ivohon'ny vato Ankehitriny menatra izahay
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/fiteny-mamy-fahiny
FITENY MAMY FAHINY
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
FITENY MAMY FAHINY Aleo very tsikalakalam-bola Toy izay very tsikalakalam-pihavanana FITENY noraisina ho fahagola sy tola Tsy ampiasaina intsony, nofohanana Fa ny vola izao hono no maha-rangahy Tsy mikonty intsony ny Fanahy Izay nolazaina fa maha-olona Ka ny manana miavona, miolonolona Trano atsimo sy avaratra Izay tsy mahalen-kialofana FITENY tsy hita intsony taratra Eo amin’ny fiaraha-monina Fa dia toa ranon’Ikopa Ny fiainan’olona rehefa misosa Ka tonga namana vao mavomavo Nefa dia samy voaharin’Ny Avo Manaova soroka miara-milanja Ary tongotra miara-mamindra FITENY fahiny nahazo lanja Saingy ankehitriny hafa no ahindra “Tiavo ny tenanao, mifalia avanja” Fa izany no tsara indrindra Hanehoana ny maha-ambony saranga Sy ny fananana fiaina-mirindra Indrisy ry Taranaka taty aoriana Nahoana ireo FITENY MAMY ireo no nariana? Tsarovy fa "Ny firaisan-kina no hery, Ka izay misaraka very " Mivadibadika ange ny fiainana Ny fahafaham-ponao anio Ampitso mety ho fitarainana Ka ny fanao tsy mety ahitsio
https://vetso.serasera.org/tononkalo/katiaa/fetinao
Fetinao Anio
katiaa
Atolotro ho an' ilay namako iray izay ho fahatsiarovana ny 11 Jona 2010. Fetinao androany ka tsy haiko ny hangina Mirary soa mirary tsara na dia lavitr' olon-tiana Enga anie ny andro anio sy ny arivo mitsingerina Hanome fifaliana sy hasambara-tsy voantentina Tongava soa, enga anie hahazo izay irian' ny fo Kariera, tokantrano, ny ankizy sy madama koa Hahazo 'zay rehetra irina, hahita ireo 'zay notadiavina Ka ny fiainana ho feno, izay nambolena koa handravina Misaotra tamin' izay nomenao misaotra tamin' ny finamanana Misaotra fa tena tsy irery nisy anao tsy nialangalana Ny Ao Ambony anie hamaly ireo vitanao rehetra Misaotra zato heny arivo misaotra anao tsy misy fetra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiarah/hitia-indray
Hitia indray
Tiarah
Toa mihalefy ny toloko Miha mientana ny foko Mandondombaravarana indray ilay fitia Hiventso indray ny fo kely ,hanonofy ,hiara dia Nefa izay rehetra mitranga toa ahatsiarovako azy Ny fihetsiny ,ny fitenininy ,ireo sangisangy vazivazy Izy ilay nantenaiko, kanjo làsana , indrisy Ho olonkafa indray no hizarako, ireo niarahanay tsy nisy Tsy ho haiko ny ampitso, ny fiainana hitohy eny ihany Fa ny fitiavako azy tsy ho adino , tena fy , tena mamy Dia havadiko ve ny pejy, ho tohizako , asa!!! Iriko mafy ho tandindony , hanohizako ny efa lasa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranirina-josephine/ny-ombin-tsarety-sy-ny-olona
Ny ombin-tsarety sy ny olona
Ranirina Joséphine
OMBIN-TSARETY Aoka aloha re Tompoko, mba haka aina kely, Ny entana manindry tsy hita velively, Tsy araky ny aina fa tsy hoe hakamoana, Ny vozona marary, ny kibo tena noana OLONA Efa omby tsy manjary ilay baka ratsy ity, Izay entan-kely io no mba entina ka mi... Tadiavin’ialahy ho very foana angaha Ny vilona omaly nalaina tany an-tsaha...? OMBIN-TSARETY Tadidiko iny Tompoko na dia tsy betsaka aza, Ny voky kosa anefa tsy haiko ny milaza, Satria izahay roalahy no niaraka namely Ka izay anjaran-drery tsy ampy velively, Ny alina aza mantsy ka saika tsy maraina, Nihempahempa ery fa reraka ny aina. Androany izao dia vao mangiran-dratsy No niala an-tanàna, kanefa izay mba vatsy: Mololo kely foana, mafika sady maina Ny andro ‘nefa ity mangotraka migaina OLONA Ny hakamoan’ialahy ka « reraka aho reraka » Lemanja ‘nefa iry mihoitra sy manezaka Mibaribary izao fa ialahy no tena kary, Mianatra mamaly sy manabe kabary. OMBIN-TSARETY Raha ny hamaly anao dia sanatria izany Satria ny aiko mantsy dia mbola tiako ihany, Lemanja io anie ka torovana tokoa Saingy tsy sahy mamoaka ny ao am-pony; Matahotra izy mantsy fa sao miampy indray Ny fanapahan-drambo sy kapoka mavay. OLONA Mameleza mafy raha tsy mamaly ary Fa sao ialahy mahazo ny tena maharary; Isan’andro izao na voky ialahy na noana Dia tsy manan-tsaina afa-tsy mitokom-poana OMBIN-TSARETY Tsy fidiny mihitsy ny hoe mba hitokona Fa ny aina manontolo no efa tena ankona; Manezaka kanefa izao no fara-hery, Ny rariny sisa andrasana hijery OLONA Raha ny rariny leity no tian’ialahy lazaina Dia tokana ihany : miasà tsy malaina, Tsy mamono antoka ny olona tompoina Sy tsy mamalivaly rehefa mba baikona Miezaka malady sy mba mivikiviky : Izay no tena rariny fa... « adiroaty tiky ». OMBIN-TSARETY Izany rehetra izany dia arakay daholo Feonao fotsiny aza dia mampitsangam-bolo Ny fatiantokao dia tsy misy akory re Ny tombom-barotra aza no manana amby be Satria raha mahazo ariary roa izahay Dia zara raha voatsipy mololon-dasiray. OLONA Mihevitra an’ialahy ho inona ialahy ? No mba miana-kendry sy efa miha-sahy Tsarovy tsara anie fa volako no niala Nividianako an’ialahy fony mbola ankoala; Tsy moramora koa ny namolaka an’ialahy Impiry akory ialahy no nitady hanoto ahy ? OMBIN-TSARETY Tsy laviko tokoa raha ny zavatra fahiny, Kanefa tamin’izany nataoko fa tsy tsiny Satria mantsy mafy ilay tena fahafahana, Ka nikarokaroka izay làlan-kitsoahana, Nefa tsy nahita ka fara-hery nety Hivesatra ny zioga, hitarika sarety. OLONA Tena hitako izao fa mendrika an’ialahy Ny hamidy indray amin’olona mpamahy, Ts’izy intsony mantsy ka tokony ho hena Tetehina rasaina, amidy eny an-tsena. OMBIN-TSARETY Efa resy mantsy ka dia miomana hijaly Mangotsoka any foana tsy afaka mamaly; Nony mitaraina fa misy mba tsy toha, Lazaina ho maditra sy efa mafy loha Ny rariny anefa dia ela aoka izany Ka ny aina kely ity ho ritra ambony ihany. Joséphine RANIRINA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/ho-ani-dada
HO AN'I DADA
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
HO AN’I DADA Olon-tokana tsy mahatsiaro lanaka Mifofotra miasa hamelomana taranaka Mahay manafina raha sendra fahakiviana Satria andry iankinan’ny fianakaviana Olon-tokana ilay hany mahavita Manovo hery vao isan’andro hahatafita Hahatonga olom-banona ireo sombiniaina Mikaon-doha mafy hatrany alina, maraina Olon-tokana feno fitiavana tsy manam-paharoa Tia mananatra sy manome hevitra mahasoa Hahafahan’ny zanaka hahay hiatrika ny fiainana Amin’ny fivavahana sy fandresena ny fahalainana Ankehitriny izahay efa lehibe sy manan-tokantrano Misaotra an’Ny Avo nanome anay anao ho Loharano Nihaviana sy antoky ny fahombiazanay Ka faly miarahaba anao “tratry ny fetin’ny Ray” Mankasitraka re ry Dada, mankatelina tokoa Ary manoroka mamy amin’ny takolakao roa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/dada
Dada!
maeva74
Amin' izao fetin' ny Ray izao dia faly miarahaba anareo Ray rehetra Dada! Dada, ilay teny voatonoko fony vao nahay niteny aho. Dada, ilay nandrotsirotsy ahy rehefa injay harivariva avy niasa iny, nampitony ny tarainako nampihena ny fanaintainako. Dada, ilay tsy atakaloko Tiako sy malalako. Dada! Dada, ilay nisahirana nifoha maraina isan' andro, nikaroka ireo manahirana. Dada, ilay mpiharo tamin' ny rehetra ilay mibedy, raha vao tsy mody tamin' ny ora voafetra. Dada, ilay fiantahantana Mamiko tsy ampisalasalana Dada! Dada, ilay nitrerona mahery na dia naharary aza ireo teny voatononao, dia niova ho safosafo izany ho anay zanakao. Dada,ilay mpitondra hafaliana tamin' ny androm-pahoriana Dada, ilay fiadanam- poko vonon-kiheno ireo tolokoko Dada tiako ianao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/dada-malala
Dada malala
Sunny
I dada malala Ampinga fiaro ny tratrako osa Mandrisika ny heriko tena kanosa. I dada malala Tana-mahery manampy ahy hatrany Manambony ny saiko raha sendra aho tomany I dada malala Manefy ny fiainako ho tonga homendrika Tena mpitarika tsy mamela ahy ho rendrika I dada malala Miatrika foana na ady mahery; Mamatotra anay tsy mamela ho very. I dada malala Tokana an-tany tsy hananan-droa Tianay tanteraka, tia anay tokoa !!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbinintsoa/tia
Tia
Mbinintsoa
Mifanalavitra isika sombinaiko tsy anoloako Fa ny endrika sy bika isaloranao dia tsaroako 'zany tsiky manendrika ny vatanao tontolo No inoako tsy haharendrika 'lay fitia tsy ho voasolo N'aiza alehanao tsarovy re rahavako F'izaho tia anao no mipololotra eo am-bavako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/ireo-dobo-manga-roa
Ireo dobo manga roa
maeva74
Ireo dobo manga roa Dobo kely maha te ho tia, Mibaliaka toa azo hitarafana. Nanintona ny fitiavako toa andremby Izato jerinao toa mitory fitiavana. 'Ry volana ambony, raha vao mibaliaka Dia hita ny hatsaran' ireo endrikao Dia toy ny tana-masoandro be manjopika Raha vao mihiratra ilay jerinao Nampientana sahady ny fo ato anaty Naniry ny hiara-dalana aminao mandra-maty Toa loharano maha-te hilomano Ireo masonao manganohano. Ireo dobo manga roa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/moa-ve
Moa ve ?
AMN (Arialy)
Raha toa ka osaosa sy tena farofy dia tsy afaka mihitsy ny hanonofy fiainana soa sy ny atao oe paradisa fa foana kosa milomano anaty disadisa? Moa ve mba misy ny hoe anjely ka hanampy azy izay manirery ? Raha toa ka lasa mborona tsy mahavita, tsy mahaforona izay tokony hatao isan'andro toa moana, irery mitazana ny andro Moa ve mba hisy hery hafahafa hapatanjaka azy sy iarahany mitafa Raha toa ka tsy mba mahatsiaro ka mitokatokana fa tsy tia miharo be rehareha sy hoe mahavita tena ny azy foana fa ny hafa tsy jerena Moa ve mba misy fanahy ho avy hijery hanova azy, ahatonga azy tsy hiery Raha toa ka tsy mino ny tsy toha be ditraditra sy manao kitoatoa mimamo, mifoka, manao ny tsy mety ka mivarina, manimba tena vetivety Moa ve mba hisy olona hiteny azy ho hentitra tokoa fa tsy hamazivazy Raha toa ka misy manantena ka ho tafavoaka izay novonjena tsy misy intsony jaly sy taitaina ho sambatra, tsy misy ny taraina Moa ve izany mety mba ho tanteraka ho foana ny teny hoe: resy sy ny reraka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/ny-fahaleovan-tena
NY FAHALEOVAN-TENA
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
NY FAHALEOVAN-TENA Moa ve fitiavam-pirenena, Raha sahy hosihosena Ikipiana maso, tsy jerena “NY FAHALEOVAN-TENA” Nilofosan’ireo feno fahendrena Fa natakalo fangoronan-karena Nahatonga mahantra sesehena Nankamamina ny hafetsena Fitiavam-bola no nampandresena Moa ve fitiava-tanindrazana Ny fampiasàna fahalebiazana Hanapotika tsy ho tazana Ny soa napetrak’ireo razana “NY FAHALEOVAN-TENA” Fa ilaozana mihidy vazana Mifikitra amin’ny fanotazana Ka izao ny tany ngazana Ny fiainana miha- mazana Moa ve fitiavana an’i Gasikara Raha ilay lova sarobidy tsara : “NY FAHALEOVAN-TENA “ Voarakitra ao amin’ny tantara Hoan’ny taranaka amampara Tsy voakolo, tsy voakarakara Nananana hevitra maramara ka namidy ambongady, antsinjara Ny mpiray monina voazarazara
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/dimam-polo-taona
DIMAMPOLO TAONA
Fredy Jaofera
DIMAMPOLO TAONA Dimampolo taona ny fahaleovantena nefa dia eto foana sy mampahonena ‘lay Madagasikara mitady fahafahana miha-mizarazara, na tsy mibahana. Dimampolo taona no tsy voazanaka nefa mbola naona ‘reto izay taranaka nanantena hatrany ny fiainam-baovao teto amin’ito tany nolaroina raorao ! Dimampolo taona no nanova lalana nefa toa nivaona sy nihalangalana ‘reo nahazo seza ela hatramin’izay raha mbola mideza ny hery mampiray. Dimampolo taona tao anaty fahantrana tsy afa-nampitaona ‘rony fahagagana ; tsy afa-nanonofy ny azo tanterahina ka saika hoe farofy raha resadresahina. Dimampolo taona tao anaty fijaliana mbola nahamoana ‘reo tojo fihafiana ; mbola nahafanina ny mitrongy lava ka tsy nahamanina fa be koa no rava. Dimampolo taona tao anaty kolikoly mbola nampisaona fa tsy afa-niala voly, tsy afa-nampitsiky fa mainka tebiteby no indro toa nikiky sy be nandrebireby. Dimampolo taona tsy nisy fivoarana Nampiraondraona tsy hita ho nifarana ny halatra sy vono nahakivy lavareny tsy mba honohono fa nisy lava teny ! Dimampolo taona, tsy nahasoa vahoaka fa toy ny babangoana raha avy avoaboaka ny alahelo sy tomany O ! ry tanindrazana , nahalasa ’ty vinany, na dia hoe tsy tazana ! Very ve, re olona, ‘reny rà nalatsaka sa masina ny tolona mba natao hikatsaka ny soan’ny Malagasy kendrena marimarina tsy hampangasihasy fa tena hahatafarina ? Dia maty ve, indrisy, ‘rony afo tany aloha sa any mbola misy mitsilopilopy koa fa mampisento irery ny fiainam-pirenena tsaroana ho feno fery sy tsy azonay ekena ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefa72/fitiavantena-sa-hambom-po
FITIAVANTENA SA HAMBOM-PO
Mahefa72
FITIAVANTENA SA HAMBOM-PO Asa raha mba nosaininao, Maninona aho no mitondra tena toy izao? Toa ilay hambom-po no hamafisina ka miteraka kizintina? Sa fitiavan-tena no tiana aseho ka mahatonga ahy tsy ahaloam-peo? Tsy fantatro hoe nahoana Tsy mbola tonga angamba 'lay fotoana? Ahatsiarovanao saina Sa ianao mihitsy no malaina? Hisaina ny momba ahy amin'izao! Zaho nefa tsy hitalaho aminao! Miandry ihany aho hatramin'izao Nefa toa tsy mba nosaininao Ka aleo ny ho avy no hitsara Sy haneho 'zay tiako hambara! Lasa tsy manao veloma Hono naman'ny tezitra Oha-pitenenana fahagola Saingy mbola mampihevitra Ankehitriny hoe fa nahoana? Sy mahatonga ahy ho moana Tsy rarahiana ve no antony! Sy ny hevitra afatony? Tonga tsy miarahaba kosa Hono naman'ny sosotra mifono adin-tsaina miavosa Izaho sa ianao no fositra? Hangina aho tsy hisoka-bava Ny ho avy no aoka hanazava Fitiavan-tena sa Hambom-po? Asa a! Tsy fantatro! Tsy fantatro 'zay ho voa!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/lasa-ianao
Lasa ianao
AMN (Arialy)
17:15 Anio vao maraina Nahenoko ny taraina Oe nandao anay ianao Tsy izany nefa no tinao Fantatro fa mafy marina Ny te hiainga tsy tafarina Nanome ny toky hoe Ho sitrana fa tsy handeha Indrisy anefa fa tsy tody Ilay fitiavana ny hody Hiaina toy ny isan'andro Ka hikarakara sy ahandro Ny rainao sy reninao Ory tokoa nilaozanao Ireo zanaka sy vady moa Dia tsy hahita anao hifoha Fery tsy sitrana oviana No lazaiko ry ilay tiana Fa ny fahalasananao Dia fahoriana sy talaho Na maro aza ny ala-nenina volana maro tsy afenina Izahay namana sy havana Dia niandry am-pitiavana Nefa tsy avotra, indrisy Ilay fiverenanao tsy nisy Fa dia lasa ianao tsy tana Dia navelanao ny akama Iriako mafy ilay Ray naka Mba handamina tsy ho vaka Satria ireo olona rehetra Nilaozanao dia manjoretra Handry ampiadanana tokoa Ho sakambinin'i Tsy toha Ny fanahy soa izay nandeha Ka hanjary ho rehareha
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/ny-fitiavani-neny
NY FITIAVAN'I NENY
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
NY FITIAVAN’I NENY Fitiavana madio mangalahala Lehibe sy tsy manan-tsahala Ny fitiavanao ry Neny Fitiavana mamy toy ny tantely Omen’ilay miendrika anjely Dia tsy iza fa ianao ry Neny Fitiavana sarotra adinoina Sarobidy ka tsy mba foina Ny fitiavanao ry Neny Fitiavana lehibe mihoatra ny tontolo Tafalatsa-paka anaty tsy mba voasolo No atolotrao anay zanakao ry Neny
https://vetso.serasera.org/tononkalo/henipitia/tsiaro-nahahendry
TSIARO NAHAHENDRY
Henipitia
Nofarako androany ilay “tsiaro” Teny iray namintinako ny tononkalo Avaloko anio ny tantarany Fa ny anjara niainana azy efa vita hatramin’ny farany Tsiaro, tononkalo mifono misitery Tsy hazavaiko an’iza an’iza fa aloe ho ahy irery Saingy kosa omeko anao ny soratra raketiny Satria ianao no namorona ny lohateny nentiny Tsiaro nahahendry satria niezaka nanitsy Ny lalako nivily nitady izay tandrify Tsiaro nahahendry nahafantarako anao Nikoloko ilay fitia tao anaty tao Tsiaro nahahendry nampitodi-doha Hibanjina ny ho avy hanamboatra fo Hanankina amin’ny Avo, ny mety ho fianana ety Hiezaka hitraka, tsy hitanondrika satria: Mbola misy Ilay Tsitoha izay manome hery Tsy mamela irery fa miaro sy mijery Raha tojo fifaliana Izy tena tsy mandao Raha sendra fahoriana Izy no eo anilanao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/oviana-moa
Oviana moa?
AMN (Arialy)
Oviana moa no mety hisava Izato gidragidra izay heno lalandava Hiainanay isan'andro mampijaly ny ety Ka mahatonga ny fialan'ny fitia Ho tsy hisy intsony,ny adiady, firafiana Ka hanolo azy indray ilay firaisan-kina Oviana moa no tsy hisy intsony Izato adiady, avona ary koa lonilony Mampifandrafy ireo mpihavana Ho toy ny ala maty fa tsy mavana Raha mba azonay ho fohanana Izay tena mandrava fihavanana Oviana moa no mba tsy hisy Ireny aretina rehetra izay mampisy Hirifiry ary koa ny fahafatesana Izay tsy azo rafetina sy tsy azo refesina Raha ny tianay ho azo sy tanteraka Tsy misy fisarahana, tsy harary ny ho teraka Oviana koa no hisava ny loza maro Ka tsy hampisaraka ireo izay miharo Hilamina amin'izay ny fiainana ety Tsy hisy intsony ny adiady, fa dia hifankatia Raha ny tena sitrakay dia hilamina ny tany Ka ho faly sy ho ravo fa ho foana ny tomany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/iny-ilay-zaza
INY ILAY ZAZA
Toetra RAJA
INY ILAY ZAZA Atolotra ampanajana ho an'ny reny rehetra tsy mikely soroka amin'ny fanabeazan-janaka, amin'izao fankalazana ny fetin'ny reny izao (30 mey 2010). Iny ilay zaza Natao an-tsangory Fa lasa kalaza Mahay manamory Ny fiainany irery : Voarakotra hery. Iny ilay zaza Natao am-babena Fa lasa malaza Sy mahavita tena Mitraka famindra Ary tretrik'indrindra. Iny ilay zaza Notrotrotrotroina Fa tojo "sahaza"... (1) Ka raha mba antsoina Dia fo maromaro (2) No indray mahatsiaro ! Na teo 'reto soroka, Lamosina folaka Nampian'ny oroka (3) Mamy an-takolaka... Dia iny ilay zaza Nandray ny SAHAZA ! (3) (1) taolan-tehezana (2) ankohonan'ny zanaka (3) Zanaka nahay namatra ny sahaza azy tao amin'ny tontolo iainany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/embona
EMBONA
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
EMBONA Lasalasa izany saina, Mijery ny masoandro dify Inona no ho entin’ny maraina EMBONA taraina sa tsiky Narindriko ny varavarana Fa ny saiko lasa ihany Indro volana nanarangarana No namporisika avy hatrany Handefa EMBONA sy vetso Hahatsiaro ny fahiny Lavitry ny sento Nanjakan’ny fifaliana Teo anivon’ny Akany Nisy an’i Dada sy i Neny Ary i zoky, zandry tiana Nilaozana avokoa ireny Saingy handranto fianarana No fototr’izao fisarahana Tsy ho ela, ho avy ny fotoana Hifankahita indray, hihaona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/fikasana-4657
FIKASANA !
RATSIMBA Georges
-“Tsy haditra intsony aho, ry dada sy neny, “Manomboka anio : “Ho tia ny zandriko, ho tsara fiteny “Sy hanao madio, “Ny boky tsy horovidrovitiko intsony, “Ny soratro kosa “Hokaliako tsara…Ary isa ambony : “No ataoko miavosa !” -“Fa inona anefa, hoy dada sy neny, “No anton’izao?” “Dia hoy Ikotokely namely an’ireny : -“Ny taombaovao !” “Kinanjo ny ampitso hadinon’Ikoto Ny voadiny omaly ! Ny isany ? –Atody. Ny tena ? –Maloto. Rainy tsy faly!... Ry zoky sy zandry, fidera tokoa Ny tsara fikasa ; Kanefa ny teny mba inona moa Rah’tsy arahina asa ? Samia àry miezaka isika rehetra, Na inon-katao, Hanatanteraka ny tarigetra- N’ny Taombaovao !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/any-i-neny
ANY I NENY
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
ANY I NENY, Lavitra anao aho ry Neny, Aty an-tanin’olona aty, Ny tononkaloko no hiteny, Hamboraka anao ilay fitia Koboniko isan’andro irery Noho ny alahelo anao Amin’ny fo tsy an-tery Satria fitia madio tsotr’izao Tsaroako tokoa isan’andro Ireo hafatrao sy anatra Ianao no nahafotsy , nahandro Izao fiainako faly sy sambatra Miaraka amin’ny fianakaviako Ny vadiko sy ireo zanaka Fa ny fitiavako anao tsy nariako Lova ho anay taranaka Neny, lavitra anao aho aty Tsy ho afaka hanoroka Kanefa dia matokia Fa izaho tsy hikely soroka Hitondra anao am-bavaka Mba hihaona soa aoriana Andro iray izay hiavaka Fa tanteraka soa ny faniriana. Tompo ô, mba henoy ny vetso-poko Ho an’ilay reniko tsy foiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abs/raha-mbola
Raha mbola
ABS
Raha mbola mijery ka mamindra hery hampitsiry fitia ireo masoko ireo dia Fitiavako anao hahasambatra anao Ka raha mbola hitepo sy hisefosefo ny any an-tratrako any dia hidobodobo-pitiavana mamy ho anao irery ihany Rah mbola hisento sy hahatsiarotsiaro ireo lasa efa maro, ny tantarantsika tsy ho afaka antsaiko lay ando'ny aiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/tsara-mandry-ry-alina
TSARA MANDRY RY ALINA!
MAHEFALISON
Tsara mandry ianao ry aliko, na dia tsy hahita tory akory fa sasa-miandry ny Maraina! Ho lasanao anie ny sorisory, Ho telinao anie ny taraina. Tsara mandry ianao ry aliko, na dia mbola handry fotsy ity ianao! Fa toa mbola lany vatsy. Ny Tomponao anie handrotsirotsy Hanala indray 'reo nofy ratsy. Tsara mandry ianao ry aliko, na dia tsy mety ny hiova fa maditra lalandava. Meteza re mba handova Ilay Hazavana “tsy hisava”. Tsara mandry ianao ry aliko fa resi-tory koa izay 'lay tiako... torovana tanteraka! Zovy sisa no hovangiako? Ianao sisa! 'Ty ianao tsy mety reraka!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/hatraiza-no-fetra
HATRAIZA NO FETRA
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
HATRAIZA NO FETRA ? Hatraiza no fetran’ ny fitiavan-tena? Fa zon’olona maro no hosihosena Karama vary masaka no mba homena Nefa ny eso sy latsa atao sesehena Ny tanjona moa dia fanangonan-karena Hatraiza no fetran’ny fitiavam-boninahitra? Manao fihetsika miedina sy fitafy miraratra Dia mihevi-tena ho tsara atao fitaratra. Ny hafa ambara ho fako aman’ahitra Sy hoe : mandrimandry toa omby ao ampahitra Hatraiza no fetran’ny fialonana Ny namana tafita indro niavonana Mamangy lazaina fa mitonatonana Itadiavana hevitra izay hifandonana Hampiadina hatramin’ny iray ankohonana Hatraiza no fetran’ny faharantsian-toetra? Tsikeraina daholo ny zava-drehetra Vaovao mahafaly atao mampanjoretra Ny fitiavana nosoloana herisetra Fampahoriana no tonga tarigetra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oracle/ilay-masoandroko
ilay masoandroko
oracle
Ilay masoandroko baliaka kanto sy sariaka tsy nahaleo ny rahona mitatao ka orana no nitraho dia ora-mijojo mamefy anay tsu hifanojo nanakotsa ny aty foko tonga nitoloko nefa nosanatriaviko ny hikoro izao no finoako nampijoro aorian' ny ora-mikija no misy masoandro baliaka indrindra kinanjo aho gina nahatsinjo ty lanitra sina tsy teo intsony ilay nantenaiko fa aiza ianao ry aiko? orana niserana namela takaitra tsy hay noferana tsy misy tsy narodany izay nolalovany nanamparany ny fahalovany izaho ty ketraka mimalo tapitra iangaviko ireo voro-mandalo hikalo aminy ny vetso-poko tsontsan' ny fitiavana maniry handoa-danitra hampitsiry ilay havana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oracle/ny-fitiavanao-ihany
ny fitiavanao ihany
oracle
NA hikomy amiko aza ny masoandro eny, amela ahy hitakaizina ka tsy ho diaviko intsony izany tontolo andro lavitra ahy ny fanahiana ho inoko moa ny tarany manaloana ny masonao mitopy dorehitra hazavana tsy mitsilopy ireo masonao no tena satriko dia ireo masonao mijery tsy mamela ahy irey Na hiofo aza ny tontolo eny, ho lasa bobongolo tsy hisy intsony izany kalom-boronkely na voahary mandravaka eny ho eny toa tsy hampitsangam-bolo ahy akory tsy izany no hampiroroha saina, hampahory satria ny voahary kanto dia tany aminao izy no nandranto ny endrikao no nataony tsisy very nentiny nanefy ireny rehetra ireny N' inon' inona hiraraka tsy hisy ahavaka satria ny fitiavanao ihany no antoky ny fiainako eto an-tany raha io no misy rimbina dia ny aiko no tohina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/henipitia/ny-mitia-tsy-faharesena
NY MITIA TSY FAHARESENA
Henipitia
Ny mitia tsy faharesena Raha entina am-pahendrena Sy entina am-pisainana Ny fandraisana ny fiainana Ny mitia tsy faharesena Raha tsy atao an-katerena Ny fahaizana mandray Ny safdin’ny tsirairay Koa raha mitia nefa toa nolavina Aza kivy mahereza, mbola ahita fahombiazana Mbola ho avy ny maraina Ho tonga soa ilay nantenaina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiarah/sombiny-misy-anao
Sombiny misy anao
Tiarah
Toa tsy mety mionona ny fo Fa miandry ny hiverenanao Anio, rahampitso, voatanisa avokoa Hoe rahoviana no hisy hahasolo ny toeranao Mitady anao hatraiza hatraiza Ho olontiana sa sakaiza..... Ka hampiaina indray ilay fitia Hiara dalana ho doria.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/henipitia/any-ho-any
ANY HO ANY
Henipitia
Any ho any misy nofo Toa tsy handairan’ny hirifiry Tsy mba miova, tsy mba miofo Na tsy tò aza ny faniriany Any ho any misy saina Mitraka hatrany tsy mba reraka Na nanjavona aza ilay nantenaina Indro izy tsy mifezaka Any ho any misy aina Tsy mety maty manantena Manan-javatra andrandraina Mino foana fandresena Any ho any misy fo Mahay manaiky ny anjarany Kanefa manantena koa Fa tsy maintsy hisy farany Hisy farany ny fahoriana Hitony koa ny harerahana Ka ho tò ny faniriana Hivaly ireo izay nisasarana Ka fanantenana vaovao indray no hiainany amin’ny ho avy Handresy amin’ny rehetra hatao Ireharehan’ny mpianakavy Ireo toetra ireo no nanesika ahy Nandona izany foko hiantoraka tsy nahy Nefa rehefa eo ianao, indro aho toa manahy Te hiresaka aminao, nefa miahotra tsy sahy Dia naleoko nokobonina, nafenina Naleoko nampanginina tsy ho hitanao intsony Ilay fitiavako efa zary saika nanantena Satria ianao tsy nahalala ny fisiany akory
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/aza-adino
AZA ADINO
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
AZA ADINO Aza adino ny mivavaka Mba hisaotra Ilay Nahary Fa Izy mahavita zavatra Tsapa, hita miharihary Raha ianao mamaky io No mbola velon’aina androany Dia tsarovy tadidio Fa mbola fitahiany izany Aza adino ny mivavaka Mangataka famélana Fa mandatsaka an-davaka Ny heloka sy fahotàna Ny satana miasa mafy Hahapotika fanahy Atsangano izy ho rafy Mijoroa mba ho sahy Aza adino ny mivavaka Ho anao sy ny rehetra Fa hery no handravaka Ny finoanao efa mitoetra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/mino-aho-fa
MINO AHO FA...
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
MINO AHO FA… Mino aho fa izy lasa iny, Hahatsiaro ahy ny fony, Fa sarotr’adinoina irony Fiaraha-mamy tsisy tsiny Mino aho fa izy nanaraka Akanga iray tsara soratra Taitran'ny ivelany ka niantoraka Tamin'ilay olo-tsy fantatra Mino aho fa izy lavitra any, Hibanjina ahy ny sainy Fa izaho mbola nolalainy Izao izy nandao ity akany Mino aho fa izy hiverina tsy ho ela Noho ny valim-bavako Hiteny : “mbola tiako ianao rahavako” Ary “tohizantsika ireo navela” Mino aho fa amin’izay fotoana izay Hitobaka indray ny hafaliana Fa tafaverin’olon-tiana Ary tsy hisaraka intsony mandrakizay PETAKASOA (Alarobia faha-5 mey 2010)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/neny
Neny
maeva74
Ho anão Ry Neny!!! Atolotro ho an´ny Reny rehetra ity tononkalo ity!! Ianao ry Neny, ilay tsy haiko ho adinoina Ny fitiavanao , avo mihoatra noho ny hafa Ianao ilay nanome aina, ho anay taranakao N´inona n´inona, n´iza n´iza ?? Tsy ahasolo ny fitiavanao Voninkazo kely, izay mba notsongoiko No hany voarambiko teo an-jaridaina Mba natokako ho anao Amin´izao fetinao izao Neny tiako ianao, eny tena tiako Tsinjoko ny endrikao, mandinika ireto zanakao Tebiteby isan´andro, no iananao F´andrao voafingana izahay Menaky ny ainao. Ny avo anie homba anao. Tsy hitako ny teny mety ahasolo Ny hoe “ Tiako ianao” mba ho anao Ny foko mihitsy no hamboraka ny fitiavako Neny mamiko sy tsy foiko Hivavaka aho mba ho anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andriandriambeniandry/manina-anao-aho
Manina anao aho!
Ny Andriandriambeniandry
Manina anao aho Malalako, Ny lavitra anao tena halako ! Irery aho ary tena mangina, Fa tsy akaiky an’ilay Olontiana! Manina anao aho Malalako, Nefa aho tsy afaka ho any! Ny ventsoko sisa no alefako, Hanakatra anao lavitr’any! Manina anao aho Malalako, Lasam-borona, very fanahy! Izay ataoko tsy mety tontosako, Ny fanahiko toa nandao ahy! Manina anao aho Malalako, Adala tokoa izany tia! Nefa ianao no fanilon’ny lalako, Raha tsisy anao aho dia maizin-dia!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/zanaka
ZANAKA !
RATSIMBA Georges
Ny zanaka Hendry : harena tokoa, Dia haingo sy ravaky ny tokantrano ! Tsy misy to’azy satria ny Tsitoha No efa nanolotra sy nitsodrano ! Mba sambatra kosa ny ray aman-dreny Manana zanaka tahaka ireny ! Satria sarobidy ny valimbabeny : Dia ny fahadiovany sy fahendreny ! Fa mampahonena ny zanaka adala : Manimba ny saina ary koa mahaory ! Fanondro-molotr’izay mahalala Ka henatra mantsy naleo tsy ary akory !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rasa
RASA
Fredy Jaofera
RASA Tsy ianao no nampiainga ny fanahy hisosa vao nisy bainga hoe nitahy. Tsy ianao no nahalasa ny vinany, ka injao ny rasa eto ihany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/fetinao-anio-ry-neny
FETINAO ANIO, RY NENY!
RATSIMBA Georges
Fetinao anio, ry Neny Ka hisokatra ny vava Mba hanolotra amin-teny Voninkazo sy arahaba! Arahaba ianao, ry Neny Reny tianay tokoa Ary etsy mamikely Ny takolakao roa! Ary solom-panomezana Noho ‘zao fetinao izao Voninkazo am-pehezana No atolotray anao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/namana
Namana
raozigasy
Tao anaty sasa-kalim-pahanginana irery No nifohazako indray, hikaroka ary koa hijery Tao anaty solo-saina , sy tan-takelaka nizaha Ireo zay endrika sy namana, mety hampifaly ny fanahy Kanefa tamin’izay fotoana izay , tamin’iny alina iny, No nifanenantsika koa , na samy olona vahiny Dia tan-tsoratra niresaka, dia nitafa ka nitafa, Nampiady karajia, tsy mba nisy nihafahafa Dia nifankahazo am-po, tsy nisalasala intsony, Namboraka tsiambaratelo, s’ireo vesatry ny fony Nifampizara ireo takaitra, ireo fifaliana sy tantara Hatramin’ny bitika indrindra, no nolazaina tsy voarara Dia tsy nahatsiaro torimaso, fa teo koa no tra-maraina Ary teo no nahatsapa, fa tena mamy koa ny miaina Ka satry foana, hamoron-dresaka, hitazonana ilay namana Ka tena ny fotoana mihitsy, no tiana hofikirina sy tanana Kanjo indro ilay maraina, fa tonga koa nanarangarana Ny hazavan’ny andro koa, nandroaka ilay aizina nifarana Dia voatery isika hifandao, ka nifanome fotoana Ka rahalina indray, an-tsoratra isika hihaona
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/tso-drano
TSO-DRANO
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
TSO-DRANO Lasa ihany ilay malalako, Nofihiniko nefa tsy tanako, Fa izy manana ny elany, Ka te-hizaha ny any ivelany. Nandao ahy ilay olon-tiako, Notoaviko sy nokajiako, Fa izy manana ny sitrapony, Hiova tiana, hiova vony. Lavitra ahy ny mamin’ny foko, Ilay notiaviko sy nokoloiko, Fa izy manana ny sainy, Hahatontosa izay ilainy. Namela ahy ilay nantenaiko hoe : Mandra-pialam-pofon’aiko, Izy no efa voafidy, Kanjo nahitako ny mangidy. Ferako ny foko tsy hitroatra, Ny masoko tsy hanganohano, Tsy hanozona aho fa hisaotra, Ary mbola hitso-drano : “MAHAZOA NY SOA, TSY HAHITA ANGANO”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/mahay-aho-ry-dada-sy-neny
MAHAY AHO RY DADA SY NENY !
RATSIMBA Georges
Mahay aho, ry Dada sy Neny, Mamaky ny teny hoe : la-la, no-ro, mi-te-ny, Sy manoratra hoe : dadabe ! Mahay aho, ry Dada sy Neny, Manisa hatramin’ny zato ; Ireny manambatra ireny Vitako tsy mila vato ! Mahay aho, ry Dada sy Neny, Na hirahira na hanao tsipy sandry ; Ka nony nanaovako ireny Variana ry zoky sy zandry ! Mahay aho, ry Dada sy Neny, Mamono kahie mbamin’ny boky Rah’izay manao an’ireny Tsy hindramako intsony an’Izoky ! Mahay aho, ry Dada sy Neny, Ka moa tsy marina ve Fa efa mba anisan’ireny antsoina hoe : olon-dehibe ! Ny RAHONA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/kivarivary
KIVARIVARY
RATSIMBA Georges
Manasa re lahy, manasa! Manasa hiara-mihinana: Sendra masaka tsy diso rasa, Ka ny vonona, avia iombonana! Dia feta novolavolaina No vary natao ampangoro; Ravin-kininina maina No sotron’ny Voahangy sy Noro! Ny sira dia vato haranana Ny lovia dia vakim-bakoly; Ny anana no tena anana Nalaina teo an-tanimboly! Ny hena dia ravin-draiketra; Taola-manga no solom-bilany; Dia somokotra izy rehetra Mba mikarakara an’izany! Tsy ela fa telo minitra Dia masaka ny hena matavy! Tsy andriny akory ho ritra Fa dodona ny mpianakavy! Dia indreo fa nivavaka izy… Tsy ‘lay vavaka vao nampianarina Nataoko ho vavak’ankizy, Kanjo hay tena vavaka marina. Nohatoniko re izy ireo, Ka revo mihinana ery! Ny lelany henonareo? Mipoapoaka ery mankafy! ‘Lay zanako vavimatoa No hany manasa avy hatrany: “’Ty, ry dada, ny henan-kisoa!” Fa ny sisa dia tenda aoka izany! Dia nipetraka aho ka nandray Sy naira-nihinana taminy! Kanjo: “Dada, jereo : tsy mahay, “Fa ny variny re tena haniny!” Naira-nihoraka re ny ankizy Fa izaho, hono, tsy mba manary! Nolazainy fa tsy tena izy Fa lalao hoe ny Kivarivary.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/taloha/diso-aho
diso aho
taloha
Hay ianao tsy nanadino ka mahavatra sady mino ny hiarahantsika roa Ialako tsiny hatrany ny nandaozako anao ilay sento sy tomany Toa nataoko ankilabao Ny iriako sy lalaiko dia ny hiadananao hampilanimany saiko tsy hampisy rahoraho Mahazoa izay irina mahareta tokantrano ka hahita fifaliana sy ilay ravaky ny trano
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/madio-izahay
MADIO IZAHAY!
RATSIMBA Georges
Jereo ny volonay : Voahogo tsara ery ! Sady izay indray Nasiana bigody! Jereo ny tananay: Madio tsara koa; Ny hoho kosa indray Voahety avokoa! Jereo ny tongotray: Mandina aoka izany; Ny faladia oadray! Toa tsy nandia tany! Ny reninay moa Mpipasoka mahay: Voapasony avokoa Ny fitafianay! Angaha ny tena ihany No diovinay ‘zareo? Madio tahaka izany Ny bokinay. Jereo! Boky sy kahie, Sy kitapo koa, Avia jereo ange: Milamina avokoa! Tsy zaza be lalao Fa hendry sy mahay Ka moa ho gaga ianao Raha toa madio ‘zahay?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/minoma/inoko-fa
INOKO FA
minoma
Inoko fa ho avy ny maraina ka ho foana avokoa ireo taraina Inoko fa hisy ny farany ary ho tapitra hatreo ny tantarany Inoko fa tsy misy tsy diso na omaly na anio na rampitso inoko fa fandalovana ny tany ao ny fifaliana ao ny tomany Inoko fa ra mbola misy ny maraina tsy maintsy ho foana ny taraina Inoko fa ny fitia dia misy sarotra adinoina indrisy!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiarah/hasambarana-niserana
Hasambarana niserana
Tiarah
Efa fantatro mialoha fa handalo izy de hiserana ka Tsy ho reko intsony ny feony Tsy ho tsapako intsony ny hafanana hoentin 'ny safosafony Ka handao ireo ,tiany tety, rehefa nahazo ny hasambarako ny fony Fa naleony lavitra nifankahita zahay roa , nihanoka tao anatin ny hasambarana fohy Toy izay fiainana iray manontolo tsy mba nifampitopy maso akory "Toa hitako sahady ny tananao hitsena ahy rehefa ho avy ny fotoana ahatongavako eo anilanao"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/ny-hambom-po
NY HAMBOM-PO
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
NY HAMBOM-PO Ny hambom-po azo ampandeferina Raha tsapa fa tsy hahasoa Ny nenina mantsy tsy laitra afenina Raha sendra misy mahavoa Ny hambom-po raha “tsy diso toerana” Ilaina hahavitàna izay kinasa Aleo izy hivoaka, aza ferana Fandrao mivadika ho latsa Fehiny, Ny hambom-po tsara dinihina Hanampy hery sa hamotraka Hitondra hafanana sa ririnina Hahalavo sa hahatsara vokatra PETAKASOA (Talata faha-04 mey 2010)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andriandriambeniandry/hangina-aho
Hangina aho!
Ny Andriandriambeniandry
Hangina aho tsy hiteny, F’efa vitanao ireny! Maina izao ny ranomasoko, Ny alaheloko horeseko! Hangina aho! Ampy izay! Fa nandoro, nahamay! ‘Lay Fitiavako anao, Nefa nataonao ho kilalao! Hangina aho nefa ny Foko, Mbola tsaroako mitoloko! Tsy mety manadino anao, Fa mahatsiaro lava izao! Hangina aho, nefa ny saiko, Tsy manaiky izay kasaiko, Fa vao maraina vao mifoha, D’ianao no masaka ao an-doha! Hangina aho, nefa ry aiko, Ireo lasa mamintsika, Mialohalo ato an-tsaiko, Tsy mety resy be dohika! Ireo lalana niarahana, Ny toera-nitafàna, Mamerina ao an-tsaina, Ireo lasa: mampitaraina! Angamba mbola hiteny aho, Hampatsiahy anao indray: Tsy mahay tsy tia anao aho Mandrakizay, mandrakizay! Nefa…aoka ihany hangina aho, Mbola ho foana ny talaho! Mivavaka aho ho afa-patotra, Mba hiadana finaritra! Hangina aho, tsy hiteny, Noho ireny rehetra ireny, Andriamanitra hitsara, Sy hanome izay ho anjara!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doda/zoky-be-rendrarendra
zoky be rendrarendra
doda
etsy nge ianao ra zoky e anga tsy tazanao zao fiananana @ izao fotaoana izao to milaza fa tsara ny vola sy ny harena ao anaty ao ka kololikoly sy ny halatra hanitry ny fiainanao raha diso lalana ianao de tsaraovy ilay ray ao ambony ao fa izy no hanapy anao sy ampisokatra ny fona nefa aza adino fa ianao no safidy ny lalana ombanao na hakasitraka ianao na hanalavitra ilay tena fianiana ao raha fitia no maha ory anao tsarovy fa izy hanome anao sanatria tsy sangisangy na kilalao fa tena te hizara amainao hatolory ny fonao mba hanamboarany ny ao anatinao tonga izy hanasitrana sy hitabo ny olana ao anatinao ao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/nahoana-loatra-re
NAHOANA LOATRA RE
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
NAHOANA LOATRA RE Nahoana loatra re ry Adama sy ry Eva, No mbola nohaninareo ny voankazo voarara? Izao ianareo voaraoka tao antsahan’ny Edena, Ilay fahasambarana taloha indro rava. Nahoana loatra re ry Ingahy Jodasy, Noho ny sekely telo polo monja; Natolotrao toy ny mpanao ratsy Ilay Zanak’Andriamanitra mba tonga? Voavono Izy, teo ianao vao tra-nenina, Nefa ho aiza intsony moa? Ny ngidinao tsy zakanao natelina, Nanjary nanantona tena fa voa . Nahoana loatra re ry tia manjana-tany, Ny fahafahanay mbola sahinao hosena? Ny voninahitrao sy laza efa potika aok’izany, Nefa satry ihany hidera tena. Mba jereo zareo, ny lafiny Fanahy, Fa io no tena mampandroso. Satria ianareo raha mampitahy, Hafa ihany ny manana an’i Jeso ho Tompo. Nahoana loatra re isika Olombelona No mifanipaka toy ny valala an-karona? Ny fiainana ange mandalo sy mihelina, Sa leo “tantely” ka mitady “vahona”? Tsy tia lanitra manga fa mila rahona? PETAKASOA (Zoma faha-30 aprily 2010)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/diamondra/mafy-ny-misara-toerana-refa-mifankatia
MAFY NY MISARA-TOERANA REFA MIFANKATIA
diamondra
Hisara-toerana izaho sy ianao Mba samy hitady zay mahasoa Nef tadidio fa ny fitiavantsika ro(a) Dia ts ho ritra na ho lo Mafy zany tsy ho fihaonana maharitra izany Enao ho any antsirabe zà ho any ampitan-dranomasina any Tena tsy tantiko ka mahatonga ahy dia hitomany Tsy mahafoy,resy ny hakiviana Satria ho lavitr'olon-tina Fakam-panahy be no mety handalo mandritra izany fotoana izany Ny hany sisa teniko dia ny fifampitondrana am-bavaka ny fitiavan-tsika hatrany hatrany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpandalo/any-ianao
Any ianao
mpandalo
Any ianao ry tiako, lavitra ny foko Moa mba fantatrao fa izaho aty ka mitoloko? Tsy eto anilako eny ianao, indrisy! Ka ny hafanana izay ilaiko, Nolalaiko taminao ry aiko Na dia sombiny aza tsy mba misy. Any ianao ilay nofidiko mba ho ahy samirery Moa mba fantatrao fa izaho aty ka manirery? Te hiantoraka any aho, eny na dia izao ankehitriny izao Nefa indrisy, sompatra ny elanalan-tany Ka tsy avelany aho na dia hanopy maso fotsiny ihany Fa voafetra ny azo atao, hany hery manoratra ho anao. Any ianao, inoako fa mba toa ahy Tsy tafa-tombona mihitsy na ny saina na fanahy Fa mivezivezy te hanakatra ny volana Sao mba azo hafarana iny hanambara ny ao am-po Na mba afaka hitsidika hampombaina zava-tsoa Fa tsy ho zaka intsony ny alahelo nony injay misedra olana. Any ianao sasa-miandry ny fotoana izay hodiako, Ka manafatra isan'andro an-tranokala mba hiaviako Nefa indrisy, Voafetra ihany zany Noho ny elan'elan-tany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/teraka-aho-ry-mpamonjy
TOLO-JANAHARY
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
TOLO-JANAHARY Endrey izany hafaliana, Tonga vahiny kely nirina, Izay efa nandrasana ombieny, Hisy hiantso ihany hoe : Neny. Taona maro mantsy no lasa, Tsy tanteraka izay kinasa, Ahazoana an’Ikoto sy Ikala, Niongo-bolo, nila ho adala. Nalaina ny tsihy avy namadihana, Natao tambany kidoro filafihana, Niandry fitahian’ny razana, Kanjo moana teo, nihidy vazana. Natao indray ny fomba hafa, vokatry ny dinidinika sy tafa, Mazotoa hono mandohalika mivavaka Fa Ilay Nahary manome fitahiana miavaka Dia roso ary izato dia, natao antsaina “minoa sy matokia”, Tsy ela akory taoriana, nitsiky ty molotra efa maina kina. Mananjanaka ianao hoy i Radoko, Mitonia, atsaharo ny toloko, Misaotra anao Ray Mahery, Namonjy ity olom-bery. PETAKASOA (Alatsinainy faha-26 aprily 2010)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oracle/volana-fihononako
volana fihononako
oracle
Ny volana no miara mizara amiko ty alina sina , kitrok'alahelo manainga sento mamelovelo tonga ratra manevika ny fo Ny manodidina rehetra efa tony avokoa zaho ty mbola velon-tsetra savilian' adin-tsaina ,mamaky loha Ny hiratry ny volana no mba mahatsirika nu atin-trano bongo keliko dia tena hoe volan'ny kamboty onena ka avy mivimbina rotsirotsy Ry volana fihononako ho inoko intsony ny masoandro sy ny baliakany raha mandositra ahy ny tarany manilika ahy , tsy mba ho namany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oracle/satria-tia
satria tia
oracle
eto an-joron-dalana ny masoko no mitsipalotra miandrandra topy maso iray avy amin'ilay nambabo fo eto an-joron-dalana no mitsatoka ty fo fadiranovana ny maso no apitrapitra maneho ilay fitia tsy mety ritra Notomoriko izy omaly tsy nanatrika ahy izy raha namaly hoe tsy afaka hitafa ela intsony fa efa any ilay hiraketan' ny fony Manga teny an-tsofiko zany lantom-peony malefaka na dia nifono teny nametaka nandraingiraingy ny fo, nitofezaka Nefa aho anio mbola eto an-joron-dalana manantena ny topimasony indrindra moa raha laroiny tsiky dia hihafana kely ty rofy mikiky
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mionitra/inty-aho
INTY AHO
Mionitra
Raiso aho Tompo o! Fa vonona ho anao Vonona aho ny hanompo Inty aho hanjakao Leo ny hetraketraky ny tany ka te hiara-dia aminao any an-danitra any Inty ny amiko omeko anao Raiso fa natokako ho anao Aza avelanao irery Ity zanakao nania Fa matsiaro tena irery Raha toa ianao ka minia Raiso ny fitarainako Fa mafy ny ady ety Inty aho re ry Raiko Vonona ny hiara-dia Hanoka-tena ho anao Ka hanadino ireo rendrarendra Sy ny fiainan'izao tontolo izao Manaiky aho ny ho tantananao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/tsy-hitsahatra
TSY HITSAHATRA
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
TSY HITSAHATRA Tsy hitsahatra hidera Anao izato foko, Dia ianao ry Andriamanitra izay inoako, Fa tao anatin’ny mangidy no nisy ny mamy Tao anatin’ny fahoriako no indro Ianao fa tamy. “Mandondona aho ka mba vohay”, hoy Ianao, “Izaho Ilay itokio hitondra fiainam-baovao”, Resy lahatra avy hatrany ty foko efa sasatra, F’Izao vonjy izao no efa mba niriako fatratra. Tsy diso fiantefa intsony 'ty fanantenako, Lazao, hoy Ianao, fa ny olanao ho vahàko, Fa izao Ilay hany Andriamanitra Fitiavana, Mihaino ny rehetra fa tsy mba manavangavana. Tsy hitsahatra hihoby Anao ny fanahiko, Fa Ianao ilay nahavoky soa ny vavako, Raha ory aho, eo Ianao manohana ahy, Raha faly kosa, Hianao no nitahy. Eny, tsy hitsahatra aho hitory ny hatsaranao , Ambarako eto izany, ho ren’izao tontolo izao. PETAKASOA (Talata faha-27 aprily 2010)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samuel-ratany/nofiko-hono
Nofiko, hono ...
Samuël Ratany
Nofiko, hono ... Dia renoka tao amin'ny alina tao izany nofoko vizan'ny andro efa lany, ka nofy naterin'ny foko no injao fa nasesik'ilay fahanginan'ny tany. Dia nofiko, hono, fa indray novorina ny velona tamin'ny tany rehetra, hatao an-kilasy sy ho tadidina, ho hita izay faly sy izay manjoretra. Dia hitako teo ny mpividy fitia sy mpitoky ny volany mbola mafonja, harena no nenti-nanova ny tsia mba ho eny miserana indray andro monja. Dia tazako koa ny fitia natakalo voafingan'ny vidin'ny ron-tsaramaso, ka ny efa eo an-tanana, tonga nandalo, ny tena no sisa, mifia-dranomaso. Ireo efa voafitaka, hono, dia indreto fa niara-niriotra sy niara-nanainga ny feo fitarainan'ny fony misento mitsetra ny marina niova ho lainga. Ireo feo mora taitra, nalaky nirona, nanombim-pitiavana sady nizara, ka tsy mba nitsinjo ny loza hidona, fa nety voasinton'ny kopa-mosara. Jereko, ka niara-nisotro kapoaka, fa tojo ny ratsy sy diso fifidy, voagejan'ny tody, ka tsy afa-nivoaka, fa hery nigoka ny zava-mangidy ! Ny maro zatovo nilaza "tsy impiry", "tsy impiry tanora", nanao vonjy maika, no hitako tratry ny mangirifiry, manenina no sady tomany mikaika. Ny fo nosingoran'ny olon-tiana dia samy voamarika tombo-kavatsa, voasoratra hoe "tsy fanahy niniana, voankazo nandramana ity no mandatsa !" Ka nony navahana, samy voaisa, dia dia indreny fa ny ory natao iray foko, ny faly sy miadana, firy no sisa ? Jereo : fahafolon'ireo mitoloko ! Ny fototr'izany dia tsotra, satria ny fitiavana, zahatra very fivoy, izay mifaly ao anatin'ny rano maria, ka mihodina kely, dia rendrika, afoy ! Mba mahantra ny fon'olombelona itony, mihambo handidy ny tenany ihany, milaza hahery, milaza ho ambony, kinanjo ny sento no tany iafarany ! Dia taitra aho, hono, ny nofiko lasa, ny nofin'ny foko izay sasa-dahasa. Ny Tanamasoandro, lah. 237
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/antsanny-tia
ANTSAN'NY TIA
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
ANTSAN’NY TIA Ranomaso sa fifaliana, Ankaso sa hamamiana, Tsy misy hamoizako Anao. Volana baliaka sa orana mijotso, Endrika sariaka sa hasina voaloto, Tsy misy hanadinoako Anao. Hazavàna maraina sa hariva feno aizina, Fiadanan-tsaina sa fahoriana tsy azo laizina, Tsy misy hampisaraka ahy Aminao. Siokam-boronkely sa fidarabokin’ny onja, Volana tantely sa olana mafonja, Tsy misy handaozako Anao. Hafanàna mahatamàna sa rivotra mifofo, Fahasalamana sa faharotehan’ity nofo, Tsy misy hampiala ahy Aminao. PETAKASOA (Alarobia faha-28 aprily 2010)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/sorona
SORONA
MAHEFALISON
Raha misy ranomaso tsy laitranao fafana mangirifiry lalina, dia antsoy aho fa ho avy na dia misasakalina! Raha vesatra ho anao ny ziogan’adim-piainana mampisento lava, dia omeo mba ho lanjaiko na hahavaky vava! Raha misy koa tangena tsy maintsy atelinao, dia asio ity kapoakako hiarahako misotro aminao. Satria... tiako loatra ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kolo-aina/fitiavana-voafonja
Fitiavana voafonja
Kolo Aina
Zary hirifiry izato ianao eo anilako Toa lefona manindrona, mandrotika ity foko Ny tananao manafo, ny molotrao ry silako Ny sandrinao fiakiko, miteraka toloko Satria tiako ianao, nefa asa re indrisy Fa aorian’izao, dia fotoana manao ahoana No hihaonantsika indray? impiry toa tsy misy Hangaina ny fanahiko, ny tsikiko ho moana An-taroby sisa , no kalom-pitiavako Mihaino anao ny foko, vao maika sentosento Tsy afaka manoatra, fa ny tsiky eo am-bavako No manarona ny ratra, toloko tsy ho eto. Aiko ianao sombiniaina, aiko manontolo Ny sakana tamboho, ny manodidina mamefy Raha hamoy aho, dia ho foana ny tontolo Fitiavako miaina, hovonoina ka ho resy Aleo hihafy, ato anaty fonjam-pitiavako Ny tananao mamihina, na dia iray minitra monja Ekeko ho hasambarako, eo akaikinao rahavako Diavolam-penomanana, toa rivotra manonja . Tiako ianao, eny tiako tsisy tambiny Ka sitrako daholo, ny zotra izay kinendry Satria inoako fa feno fa tsy ambinambiny Ilay iray minitratsika, fandaharana voatendry
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/mahery-ilay-zvt-miafina-ao-anaty-ao
MAHERY ILAY ZVT MIAFINA AO ANATY AO
doda
NA MIAFINA AZA NY AO ANATINAO AO DIA TOY NY ZVT AZO FANTARINA EO IMASONAO KA NA TSY LAZAINAO AZA DE VOAVAKY TSOTRA IZAO ILAY ZVT ATAO IZAY EZAHINA HAFENINA IO ZVT MIAFAIANA IO NO MANERY ANAO HILAZA NY TSIAMBARATELO AO ANATINAO KA NA HAFENINA AZA DE MIBARIBARY ENY FONA NY MARINA AO ANATINAO JEREO NGE NY ENDRIKAO TO TE HILAZA ZVT HAFALINA VE SA FAHORIANA AOKA IANAO NO HILAZA AZY DE HO SANATRIA VE HAMITAKA ANAO NY ENDRIKAO SY IZAY HALOAKA NY VAVANAO KA FANTARO NY MASO ADALA RAHA MIBAJINA ANAO FA AOKA NY TANTARA NY HILAZA NY AO ANATINAO KA AZA OMENA TSINY RAHA TOA KA NISAFIDY ANAO SATRIA NY FOKO NO MILAZA NY AO ANATIKO AO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/diamondra/mafy-ny-fisarahan-toerana
MAFY NY FISARAHAN-TOERANA
diamondra
Hisara-toerana izaho sy ianao Mba samy hitady zay mahasoa Nef tadidio fa ny fitiavantsika ro(a) Dia ts ho ritra na ho lo Mafy zany tsy ho fihaonana maharitra izany Enao ho any antsirabe zà ho any ampitan-dranomasina any Tena tsy tantiko ka mahatonga ahy dia hitomany Tsy mahafoy,resy ny hakiviana Satria ho lavitr'olon-tina Fakam-panahy be no mety handalo mandritra izany fotoana izany Ny hany sisa teniko dia ny fifampitondrana am-bavaka ny fitiavan-tsika hatrany hatrany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/raha-toa
RAHA TOA
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
RAHA TOA Raha toa ianao ka nitsikin’ny vintana, Tretrika fa nampihantain’ny anjara, Ny aretina rehetra nandalo, sitrana, Izay atao isan’andro mandeha tsara, Aza adino ny mankasitraka Ilay Nanome, sy misaotra, Mba hitsinjovanao ny fiainanao rehefa any ankoatra. Raha toa kosa ianao nandosiran’ny mazava, Tsy mba nahita firy itony volana tomaratra, Fa izay atomboka rehetra, eo no eo dia rava, Ianjadian’ny ora-mikija, izay arahim-baratra, Mahereza miaripery, ho avy ihany ilay masoandro Mifikira amin’i Jeso, mivavaha mafy isan’andro. Raha toa ianao miahotra, misy Andriamanitra sa tsia, Andramo fotsiny ihany, tsy ela ianao dia ho raiki-pitia, Ny miaraka Aminy ve? Toky hatrany, mahamirana ny saina Ka mahatsiaro Azy foana, atoandro, hariva sy maraina. Midera anao aho Tompo,” hitako ny lalantsara ka hizorako”, Tsy omby tratra ny hafaliako ka indro avoakako, aborako. PETAKASOA (Talata faha-27 aprily 2010)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/petakasoa/ho-anao
Ho Anao
Rabetokotany Latiana (Petakasoa)
HO ANAO, Ray ô, ho anao ity tononkalo ity, Fa ravo aho novokisanao fitia, Tsy mba navelanao ho irery, Ity foko naratra feno fery. Noharianao aho mba ho tretrika, Nifikitra tamin'ny ota anefa ka rendrika, Teo foana Ianao nanolo-tanana, Nanonona ho ahy ny "fahafahana". Ray ô,ny adintsaina nitambesatra, Noho ny fiainana mahaketraka, Nesorinao tsy nisy fetra, Nisinda ny olana rehetra. Ny aretin’ny nofo he fa sitrana, Maina ny toloko , ny fo afa-bizana, Ny fanaintainana indro nitsahatra, Avotra aho ka olon-tsambatra. Ray ô, ho anao ity tononkalo ity, Ravo aho novokisanao fitia, Hitory aho fa Tsara Ianao Dia ilay Ray nahary izao tontolo izao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doda/mahery-ilay-zvt-miafina-ao-anaty-ao
MAHERY ILAY ZVT MIAFINA AO ANATY AO
doda
NA MIAFINA AZA NY AO ANATINAO AO DIA TOY NY ZVT AZO FANTARINA EO IMASONAO KA NA TSY LAZAINAO AZA DE VOAVAKY TSOTRA IZAO ILAY ZVT ATAO IZAY EZAHINA HAFENINA IO ZVT MIAFAIANA IO NO MANERY ANAO HILAZA NY TSIAMBARATELO AO ANATINAO KA NA HAFENINA AZA DE MIBARIBARY ENY FONA NY MARINA AO ANATINAO JEREO NGE NY ENDRIKAO TO TE HILAZA ZVT HAFALINA VE SA FAHORIANA AOKA IANAO NO HILAZA AZY DE HO SANATRIA VE HAMITAKA ANAO NY ENDRIKAO SY IZAY HALOAKA NY VAVANAO KA FANTARO NY MASO ADALA RAHA MIBAJINA ANAO FA AOKA NY TANTARA NY HILAZA NY AO ANATINAO KA AZA OMENA TSINY RAHA TOA KA NISAFIDY ANAO SATRIA NY FOKO NO MILAZA NY AO ANATIKO AO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doda/fitia-mangina
fitia mangina
doda
Nandeha ny Andro sy ny Taona Fa izaho tsy nahay nanadino Ilay toeranao mbola banga foana Ny foko minia tsy mety mino Tadidy ireo niarahana taloha No mameno ny saina sy ny fo Mbola mahatsiaro anao tia Mbola manonofy ilay fitia Nijanona daholo ny tontoloko Raha vao lasa ianao Tsy nisy tantara izay natomboko Tsy nisy afa-tsy ianao Mbola tiako foana ianao, tena mila anao Mampanantena aho fa hahay hitia anao Mba minoa ahy akia fa ho mandrakizay Ny antsika raha hifampitantana indray Ireto masoko jereo fa mipitrapitra ery Mangata-topi-maso avyaminao ô ry malalako Maika hamerina indray sy hifankatia Tsy miandry afa-tsy ianao irery ilay fitiavako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/fanantenana
fanantenana
AMN (Arialy)
tadidio fa misy foana ny sakafo raha hoe noana na dia kely sy tsy tsara fa mba atao hoe sahala misy ny andro mafimafy ka voatery mampihafy misy ny andro tsy apoizina mapijaly toa andevozina na sahirana aza ny tena ka mijaly, mahonena diniho anefa ny any an-kafa fa fijaliana, jafajafa. aleo ny saina atao ambony fa tsy ho takatra irony lanitra avo, tsy voatsapa izay famonjena fa hoe lapa fantaro fa mandalo ireny ary misava tsy ankiteny toy ny fahatongavany iany satria izany ny eto an-tany ny mazava hoavy foana ny masoandro hanafoana ilay haizina nandalo ilay natao ho fahavalo raha ny kivy tsy hatao fa hamafiso ny sainao hisy tsiky, hazavana hitondra soa sy hafanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/izaho-efa-tia-anao
Izaho efa tia anao
Ny Hasina Heritiana
Handray ny peniko aho Hanoratra ho anao Satria toa mila hitroatra Ny foko anatiko ao Nataoko ho sangisangy Ilay resatsika iny Kanjo aho tsy tafandry Ka aza omenao tsiny Haiko fa ho sarotra Ny hanatanteraka azy Nefa... ny foko tsy niahotra Fa tia anao sahady Na ny elanelan-tany Na ny fiainako amin'izao Izany rehetra izany Aza ataonao mahakivy F'izaho efa tia anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-rahampitso
TSY RAHAMPITSO
Fredy Jaofera
TSY RAHAMPITSO Tsy rahampitso no ho tonga ‘zay hahasambatra ny taniko, raha maromaro no tsy donga sy misento lava ka tomaniko. Tsy rahampitso no hiseho ‘zay hampiova ny hakiviany raha izao foana avia, jereo no fiaimpiainana ihafiany. Tsy rahampitso no hitranga ‘zay hampivoatra marimarina raha eny ihany fa tsy manga ny disadisa mampivarina. Tsy rahampitso no hipoitra ‘zay hahasoa an’ny vahoaka raha tsy misy izay mizotra ‘reo kabary izay mivoaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikemba/ny-vady-ve
Ny vady ve?
ikemba
Ilay nambabo ny fonao tamin'ny topi-maso indray nielatra Ilay nivoady taminao ary nivoadinao koa, Ilay ho eo anilanao anaty oram-be sy tselatra, Ary hiombom-pifaliana aminao ihany koa! Ny vady ve? Tsy zanaka matoanao na hoe fari-panananao, Tsy irakirakao akory ka anananao fahefana, Fa namanao, eny sakaiza, ary ho rain-janakao, tena manana ny zony fa tsy ho gejainao toy ny zaza Ny vady ve? Tsy nitrebona tan-kazo na tamim-bozaka aman'ahitra, Fa olona mitafy nofo ary natera-behivavy, Manan-dray sy reny tokony hotmenao voninahitra, ary hotiavinao fa tsy ho ataonao havam-bady! Eny ny vady, Ilay efa nofinidinao hizara ny andronao ho avy, Ka na tsara izy na ratsy, anao ary adidinao, Koa raha tsy mbola sahy ianao ry tanora zazavavy, Aza maikamaika hanorin-tokantrano vaovao!