url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/zoky
Zoky...
AMN (Arialy)
anio? tandidona no manoloana ahy te ihiaka, hivazavaza, nefa toa tsy sahy fahatsiarovana no tonga toa mibahana nasiako sioka, amin'izay mba tsy ahazo vahana mitadidy ny fahazaza, ilay isika nilalao adiady, torak'hehy, sangisangy izay fanao indraindray bedy fa tsy mety tonga saina misy manko teny ratsy mihitsy no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/fitiavana
FITIAVANA
Totyjim
Ity fitiavana ity re dia tena hafa mintsy Toa trangan-javatra lalina loatra Mifaingoka anio dia rahampitso mahitsy Tsy hita hoe mihemotra ve sa mivoatra Ny fo no ataony mahita matetika Ratraratrainy ,ampifalifaliany Avelany hiaina, tsindriny hilentika Omeny hasambarana,ampijaliany Indraindray izay jerena toa m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/paul-andrianantenaina/zaza-mila-vola
zaza mila vola
paul andrianantenaina
Zaza mila vola Zazakely mila vola Ry Zanahary mba tantano Fa loza be mahasola Ny mandao ity loharano Zazakely milanja angady Ry Zanahary mba tariho Fa io no ampinga ho enti_miady amin’ny hanoanana sy ny tadio Zaza mandrato fianarana Ry Zanahary mba tahio Fa io no tohatra fiakarana ahazoana toe-tsaina madi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/takonila
TAKON'ILA
MAHEFALISON
Efa ao ianao izay! Fa jereo ange e! Mivoaha eo an-davarangana, Jereo fa takon’ila sady mangana sahady lay volana tomaratra nibaliaka tena fatratra, vao tsy iray minitra akory izay! Dia ao ambany keliny ao! Jereo koa fa misy maso anankiroa, mibanjina azy fatratra, manahy ihany koa sao sanatria, mazava salantsal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/gasikarako
Gasikarako!
maeva74
Gasikarako! Ianao ilay tany niaviako, Tanindrazako lalaiko Ianao ilay tany mamiko, Ihanjadian´ny fahoriana Eny, ao koa ny fijaliana Hivavaka aho mba ho anao, Mba hitondra fahafahafana Izao fotoana izao. Tsy misy azoko atao Hampitony ny hirifirinao Ny hany azo atolotro Dia ny vetsoko , ny soratro Ianao no a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mionitra/vonjeo-izahay
Vonjeo izahay
Mionitra
Mikorisa sy mivarilavo Izato fiainana ankehitriny Tena hita tokoa fa lavo Tsy mba toy ny fahiny Mila ny famonjenao izahay Ry Ray be fitia Mba iantrao re Ireto zanakao nania Mahonena loatra mantsy Ny mahita ny zava-miseho Mba vonjeo re izahay Ny Ondrinao jereo Tompo be fiantra o! Mitalaho aminao Miandrandr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/fito-metatra
FITO METATRA
MAHEFALISON
FITO METATRA Injay mipaika eny am-bovonana, ny tara-mahamain’ny masoandro lohataona manomboka mandoro ity tany fandalovana... Io sokatra iray, hana, torovana sy noana. Ho aiza? maniry mba hahita, izay kely monja mba harapaka. Dia indro tazany hafahafa erý am-pita, ravina salady anankiray sendra latsaka. Sahabo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/tompo-o-ampio
Ray ô ampio i Gasikara
AMN (Arialy)
ô ry Ray ô mijere, atrakao izahay, hifoha fa aza ataonao variana, miady toerana ho filoha ny italahoanay aminao anie izato fahoriana ny olona analinkisa, kivy, lany fasahiana tsy te hiady firy intsony, indrisy mantsy fa voahidy anaty raho-mitatao, fahantrana tsy finidy ô ry Ray amin'izao androm-pahatsiarovana m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/ho-anny-ampitso
HO AN'NY AMPITSO
MAHEFALISON
Jehovah-nay rehetra ô! Anokafy lanitra baliaka 'reo zanakao 'zay mitoreo sy manahy ny Ampitso tsy hiposaka eo aminy. Sady ilay Ampitso ry Jehovah ô! Toa toerana voatokana tsy omena azy ireo ka sokafy re ny lanitra handritra ny tomaniny. Ry Tomponay rehetra ô! Anomany fo, mitempo fitiavana 'reto olo-mifandrafy s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/ilay-topi-masonao
ILAY TOPI-MASONAO
maeva74
Topi- maso Nitsahatra aho ny tsy hitia Eny ho mandrakizay doria. Ilay tsikinao sy ilay topi-masonao niantefa Nanaitra indray ny tany am-poko Izay niniako tsy hitodika Hitepo ho an´olon-kafa intsony, ilay topi-masonao malefaka Sendra voadiniko tsy nahy Nampisamboaravoara indray ny fiainako Nampitroatra ny tao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/miangavy-anao-ry-lanitra
Miangavy anao ry Lanitra
Tsilaitra
Aoka re ry lanitra Mba amindrao fo fa osa sy onena Izato firenena Efa difitra any an-davaka Kanefa tsy mahaloaka vavaka Ifonana aminao Vonjeo raha azo atao Miangavy re vonjeo vimbino sy jereo ireo mpandray andraikitra sao amarina any an-kady Indraindray variana miady Ka tsy mahita intsony izay làlana ombana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikemba/volonandro
Volon'andro
ikemba
Rakodrako-javona ty maraina ity, fa ilay masoandro midongy tsy hifoha; Toa ilay fo adala mierona fitia, ka raha tsy afa-diana mahalasa ambiroa! Migainan'ny hafanana ity tataovovonana, maherihery setra, masiatsia-piavy; Toa ny fahoriana migadona am-bovonana ka mampanary lamba sy zary mampanavy! Fa londolondo end...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefalison/mamiratra-ho-fahatsiarovana-ani-rado
MAMIRATRA
MAHEFALISON
Eh fatratra aok'izany izao lokon-danitra ao izao! Toa tsy mainty intsony fa mazava sy tomaratra. Tsy nirotsaka intsony 'lay oram-pahavaratra, Nanjopiaka teo ny alina! Tsy misy raho-mitatao. Saingy indrisy! Indrisy Fa ny hany tsy namiratra tao anatin‟ny fisainako Dia ny foko malahelo fa... lasa ilay Mpiadiko, Di...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/inay-anie-aho
INAY ANIE AHO
Teboka Telo
INAY ANIE AHO! Inay anie aho, ka voro-manidina ho afa-hisidina Hitety irony habakabak' irony eny an-danitra ambony ; Kinanjo, indrisy, fa tsy afa-manoatra sy tsy afa-mitroatra, Fa hazo tinapaka amoron' ny hady ka mandadilady. Inay anie aho, ka dihim-bazaha hatao fampitaha, Hampisonenika fianankaviana sy nam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/fanantenana
FANANTENANA
Toetra RAJA
FANANTENANA (Setrin'ny "Hiran'ny fanantenana" - NY AVANA, Ny Mpandinika n°1. 13-7-1923) Efa Niainga Ny fanantenana Kanefa Dia faingam- Pirimo tsy tana Ny fahadalana Tsy ara-dalàna. Ka dia Nilefa Ny fanantenana Satria Tsy voaefa Ny teny nierana Ilay dina tary Vita sonia. Hanao Dia mianotra Ny fanante...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikemba/tia-sa
Tia sa
ikemba
Fa tsaroako tamin'izay nitsiky ianao nijery ahy nitily teo am-baravarana Tsaroako koa indray andro izay, ianao indry nadinika ahy nijoro teo an-tsisin-dalana. Dia nidoboka ny foko nanantena sy nanahy zay mety ho ao am-ponao ao Moa nisy antony tokoa sa sendra mba tsinahy ny fihetsika nasehonao? F'indray folak'andro ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/mamonny-toaka
Mamon'ny toaka
Teboka Telo
Mifamontoana, ary tena tsy tara, reo mpamonjy bara, Na voky na noana dia indreny mivoaka mba hisotro toaka; Indrindra raha azo lay tambin-karama dia miantso ny akama Hiara-mirevy... Ka tsy an-kitaraina na mandra-maraina. Avoaka ny vola, atao ny plisy,... Ny tsaky: saosisy Sy ny masikita, lasary karaoty,... K...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/volan-tantelim-pisarahana
VOLAN-TANTELIM-PISARAHANA
Teboka Telo
Raha tsy tinao ary aho 'ndeha isika hitafasiry Hanomana ny fisarahana, Toy ireo natao taloha, fony isika roa naniry Hanana ny fahafahana! Ka ireo fianankaviana, tapaka sy namantsika Hasaina tsisy fanavahana: Sakafo be sy fandihizana, fakan-tsary no apika Rehefa isika mifamahana! Raha tsy tinao ary aho, 'ndeha i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/zakao
ZAKAO
Tsilaitra
Tiako mba ilamina ny tany andrianiko; Iriako mba iadana ianao ry Nosy Mamiko. Saingy ny mpitondra anay indraindray Variana miady seza sy manao antsojay ny amin'ny fiandriananao. Ka akory aloha atao Fa ny bandikely mbola revo Mampijaly, manadevo ny Malagasy namany Ka toa andrandramany tsy misy fandinihana ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/dada-hono-izany
DADA HONO IZANY
Teboka Telo
Ny anay, hono, Idada no tena bogosy : Mpandany andro mizaha fitaratra, Kanefa, na ariary aza, tsy hita ao am-paosy Toa ny an' Idadan' Ikoto ao avaratra! Ny anay, hono, Idada no tena tomady: Lava, ranjanana sady salama! ... Saingy isan' andro dia miady mivady Fa ny azy ny sipa mameno tanàna! Ny anay, hono, Idada...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/vavaka-ho-azy
vavaka ho azy
AMN (Arialy)
Ho anao izay mijaly fa irery sy marary no mba ilazako izao ka aoka ho fantatrao fa misy olona any ho any miahy anao ka mitomany malahelo sy mivavaka ary tena tsy manavaka fantatro fa tena mafy ny mahazo ka miafy tsy miteny, miferin'aina ary koa tsy mitaraina mahatsiaro, mankahery malahelo anao irery am...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/tsiaro-anao
Tsiaro anao
AMN (Arialy)
tsaroako ny tsingeri-taona alahelo, andron-tsaona fa lasa tampoka ilay Ray ka nampiferin'aina ahy latsaka ny ranomaso fa tena tonga ny ankaso izay nahatonga anao nandeha tsy nilaza, nampandre andro alarobia tokoa vao maraina vao nifoha tsy mbola nisakafo akory dia efa tojo sorisory fa hamehy ny enta-kely h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikemba/toy-ny-vao-omaly
Toy ny vao omaly
ikemba
Toy ny vao omaly ny efapolo taona nifamihinantsika tan-dalan'ny fitia. Na dia efa niova bika aza ilay endrikao malanto, sy ilay vatanao tomady nambabo ahy tery. Ny volonao koa, tsy tana fa indreo efa fotsy sasaka noho ny ady saina sy ny olana nianjady teo am-panabeazana ireto sombiniaina; nefa hoy aho akia: toy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fana/fitia
fitia
fana
Ao anatiko ao dia misy fitia Izay natokako ho anao Fitia tsy nangalariko sanatria Fa fitia tena avy ao am-po Maro no milaza fa tsy natao ho ahy ianao Tsy ho enoiko nefa izany Tsy sahy aho ilaza aminao ny haben’ny fitiavako Satria matahotra aho fa tsara loatra ianao Izaho anefa tsy dia manana omena Afatsy ny fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heritage/fitia-ao-anaty
Fitia ao anaty
HERITAGE
Hery tena hafa mihitsy Mampangorintsina mangina Tsy mitamby tsy mitsitsy Ny fitiavana olon-tiana Herin'aratra mamely Miparitak' izay azony Tsy azo antsaina velively Mankarary izany tazony Fa hasambaran-tsy hita lany Misonenika izay tratrany Toy ny tsy ety an-tany Tsy voalanjanao ny fatrany Na ny adala aza ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/velirano
Velirano
Tsilaitra
Nisy velirano nifanaovanay kanefa indraindray adino tsy tsaroana Nisy toky maro noraketina am-po natao tsy ho vonoina kanefa atao ahoana moa raha sendra ka solafaky ny làlana malama ka voatery nialàna
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/raha-lehilahy
Raha lehilahy
Tsilaitra
Jerem-potsiny ary ve ireto rà mitete mandavana fotoana Moa odiana tsy ho re ny dinitra mijoy toy ny oran-dohataona? Moa hanampi-maso koa manoloana ireo longoa famandrihana vahoaka Fa ny etsy sy eroa tsy mahita asiana loha, kanefa ianao itsoaka Mijoroa raha lehilahy Aoka ianao ho sahy hiatrika ny ho avy raha t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/dada
Dada
AMN (Arialy)
iza moa no mba raiko ampio aho re fa ilaiko fa mba te ahita azy fa tsy hoe hamazivazy i neny mantsy tsy nilaza fa oe izy tsy sahaza fa nanary ny adidy ka hajaina ny safidy ny maso anefa te ahita na tsy nisy zava-bita ny fo koa mba te hitady ka handeha hanadihady taona roa taty aoriana aho nahita olon-tian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fana/madagasikarako
madagasikarako
fana
Efa volana maromaro izay no nandaozako anao ry taniko Vo vetivety ihany izany nefa tsy foiko ianao fa mamiko Ny ankaton’ireo tanananao Ny atsaram_panahy misy ao aminao Tao efa lavitra ery izany Ho ahy aty alavin-tany Eny lavitra anao aho izaho Zay vo tena tsapako fa tsy misy roa toa anao Aty an-tany lavitra vo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikemba/mbola-tia
Mbola tia!
ikemba
Te hanadino azy aho, Tsy te handre intsony ny kiakan'ity foko miantso azy hipody! Te hitia anao, ilay maniry mafy ny sombim-pitiavako k'indry misodisody, Tsy te hahatsiaro intsony ilay salovan'endriny nahodiny tsy ho ahy, Tsy te hahatsiaro intsony ny ratra zay natentiny ny foko sy fanahy! Te hiravoravo anilanao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikemba/ho-any-aho
Ho any aho
ikemba
Raha nisy azo natao dia efa novangiako ianao, saingy hovangiako aiza? Nofo efa rotidrotika sy tsisy aina intsony sisa ao am-pasana ao! Fa ilay reniko tsy foiko, nitaiza sy nikolo ahy, indrisy efa tsy ao intsony, ka hamangy an'iza hono? Sa hamoha ny fota-mandry sy hitolokoloko foana eo an-doha fasana eo? Nefa hoy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mionitra/resy
RESY
Mionitra
Resy aho ankehitriny Tsy mahavita mitraka intsony Mangidy sady mangirifiry Lay foko tiako hitony Tsy te iaina itony aho Fa tena leo ny miaina Roe fahoriako toa mankalao Nefa tsy misy azoko itarainana Ray o!alaivo aho raha sitrakao Fa leo ny miaina eto an-tany Aza asiana hoe:fa ahoana izao? Stria be loatra ir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/onitra/tsy-ahoako
Tsy ahoako....
ONITRA
Tsy ahoako! Tsy mampaninona ahy izay resaka ataonao, manindrona ao ivohoko milaza "izao sy izao" satria tsy misy fiainana raha tsy misy toy izany raha mbola mihodinkodina ny bolabolan-tany. Ianao manejika ahy, f'izay no lafatra aminao fa ny ahy tsy mety foana izay hany rehetra atao, mahazo kihana aho avy etsy, m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/noheveriko
Noheveriko
raozigasy
Noheveriko ho ny teniko, no harena tsara indrindra Noheveriko ho ny reniko, no fitiavan-tsy hay afindra Noheveriko ho ny vadiko, no fitiavan-tsy azo asolo Kay ny zanako no mamy, noho ny hatsaran'ny tontolo Noheveriko ho ny namana, no tsy foy raha mifaly Noheveriko ho ny havana, no mifampizara jaly Noheveriko ho n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/nofy
Nofy ...
AMN (Arialy)
Ho anao izay nandao 20 taona lasa izao tamin'ireny aho mbola kely ka tsy haiko velively Oe tsy hiverina ianao Fa niandry amin'izao nanontany tena foana tena niandry ilay fotoana Nony ela taoriana Dia tena nisy faniriana Ny hifankahita indray Hoy i dada: "nofy izay" Nazavainy tsara tamiko Fa hay ny dianao r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/amboara
AMBOARA
Ikalamako
Tsy mba ampy raha ny teny Na andalana handry eto, Hiderana ny herinao Miady mafy handresena Ilay foza mampikena. Ary na miavy an’angaredona aza Izato hetraky ny fiainana, Toa ny sangy mihoatra loha ; Vehivavy tsy mba lazoin’ady Fa misiki-kerimpo Lehibe tsy hay tohaina Ilay namana lalaina. Ka ny an-tsasa-tao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/samitiana
Samitiana
raozigasy
Ny anarako sy ny an'i dadako, no nomeko anao ry zanako ho mariky ny fitohizana sy ny tantaran'ny taranako Ny fanampiny indray, dia nofidianay sy neny ho famintinanay ireny, fifankatiavana ireny ilay anarana iray, dia anaram-pahatsiarovana ilay andrim-pianakaviana, tsy ho resim-pahalovana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ny-fitiavantsika
Ny fitiavantsika
AMN (Arialy)
Fa na inona miseho izaho tsy ho leo na havesatra ny entina tsy aho no hanisy pentina ny fitiavako madio de lazaiko anao anio tsy hiova na oviana na misy tamby na vidiana Ianao irery no ao am-po eny fitia, tsy mety ho lo lazaiko marina eto izany fa ianao irey hiany marina fa tsy mora foana satria be koa ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/bonne-occasion
BONNE OCCASION
Teboka Telo
"BONNE OCCASION" Ny "bonne occasion" no mbola malaza raha eto Gasikara : Na bisikileta io, na posin-jaza, Indrindra ny fiara... Ka na fatin'entana izao, eny an-tsena, na koa voro-damba,... Dia vonjivonjena toa tsinain-kena Voarombaka mamba! Na ny silipo io, na ba kiraro efa lasa "fripy",... Dia avakavahana t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/tekitaonika
TEKITAONIKA
Teboka Telo
TEKY TAO NIKA!!! Malaza ankehitrio ny Tekitaonika : 'Lay dihy hafahafa sy sarotra adika; Tsy "afindrafindrao" no tsy mba "basesa", Fa dihin-jatovo ka tsy hain'ny rehetra. Voahogo ny volo, voasasa ny tanana, Dia mipelipelika havia sy havanana; Afindra ny tongotra haladilady : Toa kankana kely voatombok'angady. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/namana
Namana
AMN (Arialy)
Tsory amiko anio fa orana sy ny tadio no injao fa nifamaho ka nampitomany anao Lazao amiko daolo izay rehetra oe nikoro aza misy afenina ahy na dia mahavizana fanahy tiako ianao mba hizara sy hilaza ny tantara izay naharesy anao fa tsy hionona amin'izao ambarao izay tsy mety fa izaho tsy mpanety ka ahita ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ho-tsiniko-ve
Ho tsiniko ve ?
AMN (Arialy)
tsiniko ve hoy aho nahatonga ahy ho toy izao nakalainao sy nodikainao satri tsy manana ny tianao tsiniko ny tsy nanana nolazainao fa tsy namana sahinao ny nanaratsy oe aho zaza lany vatsy tadidiko daolo ireny na tsy ianao izay niteny no naharenesako fa tsy tia Tsy ho tezitra aho, satria Na dia teo ny alahel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/aza-arahina-tomany
Aza arahina tomany...
AMN (Arialy)
Aza arahinao tomany ny filazako anao izany fa ny ahy fitia tsy matotra ka tsy azonao hafatotra fantatro fa tsy mety ilay fitia vetivety fa mapisy hirifiry ny ezakao izay hikiry ianao mantsy nanantena fa ny fo azo terena anefa lazaiko aminao fa diso ny fihevitrao ny fitia tsy kilalao tsy laviko ny teninao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/izy
Izy...
AMN (Arialy)
Mamiko ny endrikao eny tiako tsotra izao ny fitia avy aminao tsy hanadinoako anao fotoana fohy nifanenana nahitako hafanana betsaka ny soa hita na ny rano niaraha-nita reny,namana, tsy adino eny, iza moa no hino? Fa ianao nandao tsy fidiny noho ny aretina sy ngidiny Lozako ny tsy nahita ny adidiko tsy vita...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/fitadiavana
Fitadiavana
AMN (Arialy)
Miasa foana ny an-doha na maraina vao mifoha fa hitady mahasoa ka ho lafatra tokoa indrisy anefa indraindray fa tsy azo na ny iray ireo kasaina fa ho anjara ka dia mijanona ho tantara tsy ho kivy tsy ho ketraka fa dia milanja na mavesatra miandry ihany miandry foana tsy hanaiky oe ho noana mitady zavatra ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/hadalana
Hadalana
AMN (Arialy)
Tonga indray ianao fa tia midoka, miresaka, satria mitady fitia vetivety mamo manko fa nifety tsy nahajery aho, natory fa tsy tia sorisory satri tantara efa nipoitra tena sarotra, tsy tsotra. fantatro fa ny maraina hiova ianao ka hitaraina fa lay omaly tsy napoizina hamono ahy toy ny poizina Efa voalazana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/kanto-nefa
KANTO NEFA
Tsilaitra
Na Kanto sady Raitra Aoka tsy ho taitra Ny fonao Sakaiza. Anonatanio aloha hatraiza Ny halalin'ny fitia Moa mba ho doria? Na dia tiana sy iriana Aoka tsy ho variana Amin'ny endrika eny ivelany Aoka tsy ho sodokan' Ny angolan-teny, lokaloka Na ny akanton'ny firehany Ny fanjelatry ny molony Ny oroka natolony...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ny-fiverenanao
Ny fiverenanao ....
AMN (Arialy)
Mila anao tokoa aho tena fitia tsy lalao ka mba araho jery kely fa aza odianao miery Fantatro fa herisetra no nahatonga anao hitoetra any ambadiky ny havoana Mba tsy ahita ahy foana setrasetra ny tontolo fitadiavana no solo lay fitiavanao mafana zary hatsiaka nigagana haiko ianao fa mitia ka avia mba modia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/valentin-rakotondrasoa/tamininy-lalana-iny
tamin'iny lalana iny
Valentin RAKOTONDRASOA
Tamin’ iny lalana iny Toa tara-bolan-tsomambisamby Taorian’ ny takariva iray Ny taratry ny endrikao Tamin’ iny lalana iny Toa masoandro malefaka Ny hazavan’ ny tavanao Manosika ny andro ho lava Ka tsy arahin’ny talaho F’ataoko ahoana ny hanakatra Izay tiako omena anao Ataoko ahoana ny hanome Ny tsy azo omen...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ilay-nandrasako
Ilay nandrasako
AMN (Arialy)
faly aho ka ho zaraiko fa someby ery ny saiko mihomehy sy milalao fa nahoana hoy ianao ? fanadinana no afaka ? no dia toy ny tena lafatra ny hafaliana ao anaty sa nitsangana ny maty ? Raha ny maty no hiseho tsy ho loza hoy ianareo? mipody, eny, ny olon-tiana nefa aleoko ilay mangina. tsy ho zaka ny hafal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arast-rasamuel/nofy
NOFY
Arast RASAMUEL
NOFY Eh! 'zany afaliako ra toa ka naheno, oe!ho tateraka ny faniriako ka ho hasambarana feno, toa tsy andriko erÿ zan oe ho anilanao, ka ho mamy sy ho fÿ ny fiainako sy ny anao efa tazako mihiratra ny lanitry ny fianana, ho manga sy hamiratra fa tsy ho adim-piainana, endre! zan afaliako fa tojo ny tiako,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/aterina-eto-internet
Aterina eto
Totyjim
Mitory fitia amin'ny olona tsy hita Mamorom-porona kely eo dia vita Mifamitapitaka mandefa sary Miseho tena mendrika sy lavorary Ny alakaosy milaza ho alakarabo Dia maro ny roboka be koa ny babo Iny dia mirana,misioka, mihira Valala eny an-danitra no asiany sira Tsy ela dia diso ilay fanantenana Voakitika hatr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/saingy-tiana
SAINGY TIANA
Tsilaitra
SAINGY TIANA Saingy Tiana mantsy Ianao Dia mirehaka ho mahay Miseho ho milay Kanefa indraindray (...) Manao ny tsy fanao Aoka itsy ry Tiana Fa tsy fanahy iniana Ny andro mampangiana Fa famerenana fisainana (...) Ho amin'ny andro rehetra iainana Ianao ilay Tiana tena tiana Kanefa toa variana Manjehy ny andr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volasarik/ny-fanantenako
Ny fanantenako
VolaSarik
Na be ny nanenjika, na be ny nankahala Na be ny ts tia, be koa ny nanadala Tsy mampiova ny fitiavako anao izany satria Ny fitiavako efa natokako ho anao ho doria. Na be ny nilaza fa toa ho nofy ihany Ny amiko sy aminao indray andro any Tsy nahoako,ireny satria fahavalo Ka tsy sainiko akory fa teny mandalo Na be...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/sento
SENTO
Totyjim
Lalina loatra manindrona anaty toa teny marary Ny donan'ny sento izay tonga tsy nahy Manangona tsiaro sy ireo vetsovetso mitambatra ho sary Dia ho entiny miainga ny fo sy fanahy Misoko mangina toa toakam-bazaha miha-mahazo laka Ny tena fiaviny tsy fantatra loatra Mamolivoly mitondra tamberina mila tsy ho zaka Di...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volasarik/ny-marina-tsy-maty
Ny marina tsy maty
VolaSarik
Fanontaniana mameno ny saina Tomany, alaelo mameno ny fo Fahatsiarovana mankarary ny aina Izay sisa miraikitra an-doha FANONTANIANA …!Fa dia nahoana loatra re Nahoana no dia sahinao ny nanao ahy toy izao? Mitaraina izany foko, feno ratra be dia be Dia tsy ho ahy intsony tokoa mantsy izato fonao Inona ary ny na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/ilay-fitia
Ilay fitia
Tsilaitra
Noheveriko ho doria Ilay fitia zay nokoloinao tao am-po Nantenaina tsy ho faty Tao anaty Hay fitia mora lo Nilokana tsy ho lany Sy ho mamy Ilay fitia Nifametrana tsy levona Hay nanjavona ho doria Ilay fitia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/tsiaro-ho-anireo-mpahay-mozika-efa-lasana
TSIARO
Totyjim
Nolalovan-drahona matetika nisesy Ny tontolon'ny mozika sy ny seha-javakanto Nahatsapana sento sy fijerin'olon-dresy Alahelo niavosa ranomaso tsy hay naato Tsarovako manokana indray alin'ny talata Volana novambra fito amby roarivo Nodimandry i "Toty" nitsotra anaty vata Rehefa nialana nenina teto Antananarivo I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/trai-kefa-mampijaly
trai-kefa mampijaly
AMN (Arialy)
Tsofy rano aho fa handeha fa aza atao oe rehareha raha toa tsy tamana ka mitady fiaingana fantaro ianao fa tsy diso na hoe fitia risoriso fa izaho raha hiala sanatria tsy mankahala fotoan-tsarotra izao ka ilazako aminao fa tsy mora velively ny hamela anao irery matokia, aza resy izaho koa tsy mpandresy f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volasarik/ny-fitiavako-azy
Ny fitiavako azy
VolaSarik
Manoratra aho ho fanembonana ilay malalako Ilay tiako sy tsy foiko anefa dia nampijaly ahy Nampahory, nampitomany ireto masoko an-kiroa Anefa tsy arahiko alaelo satria be ny fitiavako azy Manoratra aho mba hahafantarany izay tena ao am-poko Amborahako izay rehetra reko ho azy Na ny foko io mitempo, na ny saina la...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ny-hoavintsika
Ny hoavintsika
AMN (Arialy)
Ilay dianao omaly zary tritra nankarary Ity foko malahelo Zary sina toy ny avelo Miteny irery anefa gina Tsy hita intsony izay tiliana Te hiantso hoe avia miverena, ka modia fa any andro hoy ianao irony serana fanao dia ho foana sy hadino ianao, hitoetra tsy hirimo Isika roa manantena fa ny hoavy no jeren...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/sitrako
SITRAKO........
Totyjim
Mba sitrako loatra ny hahita anao isan'andro isan'ora Hiara-misedra aminao izay mitranga na mafy na mora Mba sitrako loatra ny hiara-dia sy hitantana anao Hamadika pejy ka hiaraka hanangana fiainam-baovao Tsy aritro mihintsy ilay tsikinao tsy dia fahita firy Ny endrikao kanto misaridrika toa raozy maniry Ny volo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nitriatra-indray
Nitriatra indray
raozigasy
Nitriatra indray ilay foko, tata-bitrana iny, Raha mando re ny masoko aza omenao tsiny Fa sompatra nandalo, no namely azy Fa tafahoatra hono ireto vazivazy Nitresaka ny anatiko, ilay efa naharary Aza tsiniana re, raha lany ny kabary Ritra resadresaka sy maina laha-teny Ka mangina irery, sy ankona manjeny Nivav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/ho-aiza
HO AIZA ?
Totyjim
Zary mangingina tsy ahitana teny Manjonitra toa vorona tsy afaka misioka Ny maso kaodikaody izay hita maha-sodoka Manembonembon-dava tao zaza very reny Miainga lalina any finiavana hitroatra Hitroatra ho aiza anefa? Ireto manodidina efa tsara voatra Mampihemotra hilefa Kivikivy foana tsy mahandry ny maraina Is...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abs/foto-poko
Foto-poko
ABS
Mirotoroto fokofoko Mifokofoko fofofofo Mifofofofo fitoloko Ny dobodoboky ny foko dorehitra ny tsikinao Ka nivatravatra fipatraka Nipatrapatraka filatsaka Toy ny zavatra aparasaky ny varatra nalatsaka ny anatiko manontolo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aza-ampirongatinao
Aza ampirongatinao
raozigasy
Aza ampirongatinao, ilay hetaheta anatiko aza fohapohazinao, ilay filàna izay tsy tantiko fa sao tsy zakanao ny valiny Aza taitairinao, izato biby ato an-davaka sao enjehiny ianao, ka tratrariny miavaka ka izay ianao vao tena laniny Aza alanao volombava, ity saka izay matory fa raha taitra eo izy io, tsy voafehi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/tsy-anjara
Tsy anjara
AMN (Arialy)
Tsy hoe tsy misy fo fa sarotra ny antsika roa tsy hoe adaladala na tsy hoe tsy te halala tsy hoe sarotra iresahana fa tsy misy fahafahana tsy hoe mora manadino na koa hoe mirimorimo tsy hoe tsy mitia fa tsy mety hoy aho satria fantatrao fa tsy afaka aho Ka aza arahina talaho.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/masonandro-anio
Mason'andro anio
Tsilaitra
Hanomboka eto anio, Toa rivotra tadio mandalo sy miserana ny nahitana anao Ka angamba ianao toa gaga Fa misy ireo milaza Fa antra sy fitserana Izay vita sy natao Mason'andro anio Dia fafana tsy ho re Ny antso be dia be Nifampiantsana fahizay Mason'andro anio Voajery an-tsipirihany Izay homban'ny diany Fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riva-ando-andriamalala/impiry
IMPIRY
Riva
IMPIRY Efa mba impiry impiry no nikasa sy naniry ka tapa-kevitra hikiry sy hiezaka hampitsiry fitia iray makadiry, ary efa impiry impiry ny arika sy diridiry no tsy navela hampariry* fa mainka aza hampitahiry fanantenana firifiry... Nefa mainka koa impiry no niaritra hirifiry fa mbola miziriziry isaky ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amn-arialy/ny-tiako-indrindra
Ny tiako indrindra
AMN (Arialy)
tiako ianao satria ao ampoko ho doria hamoizako ny aina raha toa ka ilaina mahalasa ny fisainako satria ianao no fiainako ho tontosaiko avokoa izay rehetra hahasoa sombinaiko tiko indrindra napianariko namindra ny hoavinao no hiezahako hafoiko anao ny fananako omeko ho anao daolo izay rehetra ho ajoro na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mionitra/fitiavako-ianao
FITIAVAKO IANAO
Mionitra
Tsapako ankehitriny Fa lalim-paka ilay fitia Na dia maisy aza ny tsiny Ny fitiavako anao tsy hangia Fitia latsaka anaty ny ahy Ka n'inon'inona mitranga Lay fitiavako tsy ho banga Aza manana ahiahy Tena tiako ianao malalako Ho mandrakizay izany Koa raiso re ny tanako F'aza avela hirotsaka ny tomany Fitiavana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mionitra/tiako-ianao
TIAKO IANAO
Mionitra
Ny topimasonao Nanintona ahy Ka nambabo ny fanahy Dia lasa tiako ianao Lay tsikinao indray Nanjary nanambatra ho iray Lay fontsika roa Niova ho tia tokoa Tena tiako ianao Lay fitia ato am-po Tsy mba ho lo Isika ho iray fa tsy ho roa Dia izay no vetsovetsom-poko Eny izaho tsy itoloko Ary mbola inoako Fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oracle/singan-drery
singan-drery
oracle
Singan-drery manirey matahotra ny ho very anivon'alondrano be tsy mahita izay ho aleha Singan-drery manirey matahotra ny ho very raha hanohy ny dia tsy anilan'olon-tia singan-drery manirery matahotra ny ho very raha hikopakelatr'irery tsisy ilay aina hankahery
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/rotika
ROTIKA
andriary
Vonton'alahelo Kotsan-dranomaso Lay foko toa misento Maro loatra ireo ankaso Tomany lava no iainako Satria mangidy ny fiainako Ankasoparana ve? Sa fitsapana ihany re? Rotika ny foko Mitanondrika aho mitoloko Toa leo ny miaina izany Satri tena vonton-tomany Potika ny amiko Ny fahoriako mantsy toa tsy tantik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/ny-ambiny
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mionitra/fahatsiarovana-sisa
FAHATSIAROVANA SISA
Mionitra
Dia niova fahatsiarovana Lay fiarahana hatrizay Lasa mantsy ianao Lay reny malalanay Toa tsaroana avokoa reo bedibedy maro mahatsapa aho f'ilay fitiavanao tsy azo hafangaro Nitsingerina andoany ilay nahaterahanao indro izahay rehetra mahatsiaro anao Any andro inoako fa mbola hihaona isika ka hifankahita i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oracle/fitia-malok-ila
fitia malok' ila
oracle
Misy maso tsy hitanao mibanjina anao tsy ankiato Misy fo tsy tsapanao mitempo ho anao tsy miato Misy dia tongotra tsy renao manara dia anao n' aiza n' aiza misy feo tsy renao miantso anao hoe sakaiza Misy saingy tsy fantatrao ny fisiany mistery aminao avokoa satia nafeniny anao tokoa sao lavinao ny ao am-pon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/diavolana
DIAVOLANA
ANJARA7
Tena lafatra tokoa ,na dia alina aza ny andro Ny hazavanao ry volana ,anolonao lay masoandro Izato taratrao malefaka,mitory hatsaram panahy Mampitony zany saina,mba tsy hisy ahiahy Fotoana iray tena mamy ,any Ambanivohitra any Ilay andro diavolana,hanadinoina ireo olana Fa ny andro diavolana,dia fihaonana iray A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oracle/lisy-maina
Lisy maina
oracle
Lisy maina Lisy mariry tsy tomombana faniry mifaka eo an-tany karakaina lavitr'azy izany angoty indrindra moa fa hoe mpioty lisy maina maniry samirey tsy taho,tsy ravina ka voahilika tery ny manodidina rehetra nandevilevy avokoa tsy nisy iray mba nitsetra ka hoe hanolo tanana hanarin-doha efa ho lanytahiry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/totyjim/ny-soratra
NY SORATRA
Totyjim
Mandonaka tany ny ora mikija Misoko mangina ireo feon'antsiva Mandrava ny sarotra ny herin-tsaina Fa ny herin'ny soratra toa tsy hay lazaina Mandalo ny teny fa izy mitoetra Fitaovana tsotra fa mahery setra Azo andemena ny fo ny sy saina Mety manimba raha tsy hay ampiasaina Ny sento, ny tsiky na koa ranomaso Ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oracle/ireo-tsikinao
Ireo tsikinao
oracle
f' ireo tsikinao,nataoko ho niloaka avy ao am-po nataoko ho solon-tana miantso hoe avia hiara droa f' ireo tsikinao, mahavalalanina ny loha mampandroatra ny hatrany anaty fo hay ireo tsikinao, tsiky tsotra ihany f'izaho no adala nandefa vinany hay ireo tsikinao, tsy nilaro n'inon'inona f'izaho no efa nentanim-pi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/iny-aliko-iny
Iny aliko iny
raozigasy
Ilay aliko iny nofenoiko anao, ka sarinao mitsiky no nanemitra azy, feonao miangola, no manako am-bazivazy safonao malefaka, no nampitony fo paradisa an-tany no nisy antsika roa Ilay aliko iny, nozaraiko taminao, ka orokoro-mamy,no rojo nampitambatra tan-tsafo zavon-tany isika no nihasambatra ny tananao nandalo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mionitra/tsy-nampoiziko
TSY NAMPOIZIKO
Mionitra
Vao nitopy ny masoko Ianao no indro tazako Teny an-tratran'olon-kafa Namihina azy tsy nihafahafa Izay fanaonao amiko No ataonao azy koa Ireo teny mamiko Toa zary ataonao kitoatoa Gaga ihany aho Fa iza kay ianao No dia nanolorako ny fitiavako Raha toa ka hampanjombona ny tavako? Tsy nampoiziko ny nahitanao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/relrih/rovi-damba
rovi-damba
reltih
lamba rovidrovitra nofo feno hovitra hovitra, nahoana? satria ny andavan-taona satria ny andavan'adrony lavitry ny akaniny
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/tsy-baraingo
TSY BARAINGO
Toetra RAJA
TSY BARAINGO Ny fo Za-mioty Matoa Miangoty Ny laingo Ambony, Tsy baraingo Intsony : Zaza hendrin' Ny tena No kendri- Kendrena ! Ry Ray Aman-dReny Mahay Izy ireny, Tsara bika Fa joko Tsoriaka Misoko ! Arovy Ny zaza Diovy Koa aza Fa maro Ny adala Miharo Ao am-bala !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vola/fanantenako
Fanantenako
Vola
Na be ny nanenjika, na be ny nankahala Na be ny ts tia, be koa ny nanadala Tsy mampiova ny fitiavako anao izany satria Ny fitiavako efa natokako ho anao ho doria. Na be ny nilaza fa toa ho nofy ihany Ny amiko sy aminao indray andro any Tsy nahoako,ireny satria fahavalo Ka tsy sainiko akory fa teny mandalo Na be...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina/toy-ny-afo-novonoina
Toy ny Afo novonoina
aina
Maninona ianao Ratovolahy No mitsikitsiky ahy toy izao? ny oroko maratra ve sa Ny tarehako marary no tazanao? Maro izany eso, latsa, natorakao ahy "Tsy mendrika ho anao aho" ho ianao ka sahy Teny mahamay, manadoro ny fanahy Ny fitiavana hono tsy vitan'ny fanahy irery Izany no mba lesona azoko taminao Olombelo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/diam-penina
DIAM-PENINA
Toetra RAJA
DIAM-PENINA Nisy hataka Fanao Nampihataka Anao Tsy nahazoako Valin-teny... Tamin'ny foko Anefa ireny ! Re nandady Sasak'alina Ireo adin- Tsaina lalina Nisoko Foana teny... Nampifoko Loatra ireny ! Mahatonga Diam-penina Manonga Tsy afenina Atolotra Amy fo : Solo-molotra Ba roa !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/mahamay
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johary-j/tiako-raha-ny-tanindrazako
Tiako raha ny Tanindrazako
JOHARY J
Ry Tanindrazako malala niangotiako hatrizay tsaroako lalandava Izato kantonao tazanina mamerina ato an-tsaiko ireo nofy faha-zaza Ndreo reo Mponina ao aminao samihafa raha fiteny nefa toa mifankahalala Ntaolo mantsy no filaza ireo fahiny fahizay dia 'reo Ray aman-dReninay Sarobidy ianao raha samy Firenena ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aza-ambara
Aza ambara
raozigasy
Aza avelanao hitroatra, fa fihino ho anao mangina izay fitiavana tsy tanty Aza avelanao hihoatra ireo hetaheta faniriana fa tazony ao anaty Aza avelanao ho fantany ilay Tia tianao abaribary fa fehezo tsy hiloaka Eny aza ataonao fantany ary aza atao miharihary tehirizo mafy tsy hivoaka Fa Ilay fitia tsy nol...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/resaky-ny-fo
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izaac/diso-fiatefa
diso fiatefa
izaac
niezahako afoy nitsikitsiki nao hafoiko satria tsi hoahy odoria azadino enefa fa mbola tiko enao tena diso fiatefa nifitiavako anao to niova tampoka ilay fitiavanao mijaly ity foko izay nilaozanao nihany sisa fantaro dia aleo mangina hionona aho satria angamba efa tsi tina DANIELA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-kilalao
TSY KILALAO
Fredy Jaofera
TSY KILALAO Tsy kilalao ny fiainam-pirenena ka zahao fa ny misy re tsy ekena. Tsy kilalao ny fijaliam-bahoaka ka vahao fa aza mandry te hanoaka. Tsy kilalao ‘reo hetaheta maro ka vitao fa kabary lava feno laro ! Tsy kilalao ny toky izay nambara ka araho fa ho an’i Madagasikara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/tetika-mpanjanaka
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/izaac/zany-v-le-fitiavana
zany v le fitiavana
izaac
tam volo vo ny fankalala tsy tao antsaina mihintsy zany hoe hifankahala fa izay rehetra natao tonet avokoa isika sy eano tsy zalo faly ery amonjy randevo ny gitrika natao avoko nitarika kalasa napiaka bady indrisy fatong ny ady vo amabolana no vita ity tokatrano de andao ravaiha f ragahy mamomamo ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/fakam-panahy
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/tena-tiako
TENA TIAKO
ANJARA7
Izy irey dia izy irery Ilay haiko tsianjery Ilay ela no niriako Tena izy ilay tiako Vonin- draozy hafa loko Fa nambabo ilay foko Ilay hany fifaliako Ts' izy zany f"ialay tiako Na nisy aza ny hadisoany Nanamaloka ny fifaliako Dia mbola ho hatsaraiko hatrany Satria "izy"tena tiako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/mba-volana-hono-aho-ka-volana
MBA VOLANA, HONO, AHO KA VOLANA...!
ZOZORO
MBA VOLANA, HONO, AHO KA VOLANA!... Mba volana , hono, aho ka volana! ... Volana manangasanga iny rehefa hariva Hiarahaba ny tany efa hangina madiva Hitsinjo izay aminao eny amin'ny misy rehetra Volana manangasanga hitazana anao tsisy fetra. Mba volana, hono, aho ka volana!... Volana manganohano eny amin'ny lan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/atao
ATAO
Fredy Jaofera
ATAO Atao ny tsikitsiky lazainy fa tsy tiany ka toa namikiviky sy nikonjo no niriny. Atao ny hirahira lazainy fa tsy ilainy ka nahay namiravira no sady noratrainy. Atao ny safosafo lazainy fa tsy izany ka indro ange tarafo fa tezitra avy hatrany. Atao ny sangisangy lazainy fa tsy mety ka indro fa be nang...