url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kirinadala
KIRIN'ADALA
Fredy Jaofera
KIRIN’ADALA Kirin’adala no nahatratrarana ny zava-drehetra, fa tsy ny nahalala ‘zay amaharana tsy misy fetra. Kirin’adala no nahatongavana tahaka an’izao, fa tsy ny miala rehefa goavana ny tokony hatao. Kirin’adala no efa nahazoana ny soa sy ny tsara, fa tsy hoe nijoala ny hery tsaroana ho nanam-piafa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/folo-taona-serasera
FOLO TAONA SERASERA
endrika01
Folo taona mitsingerina Antenaina tsisy nenina Ny ezaka rehetra efa natao Hikatsahana 'lay fiainam-baovao Folo taona an-tserasera Tranonkala Malagasy Ka andao hanainga vera Tsy an-kanavaka fa gasy 'Lay serasera kolontsaina Tara-masoandro vao maraina Tranonkala Malagasy Haingoin'ireo bilaogy gasy Tononkalo,t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anonyme/taminizay
Tamin'izay
ANONYME
Taona maro lasa izay Samy zaza izaho sy ianao Saingy izaho nitia anao Nitia anao aho tamin'izay Tsy haiko aloha tao am-ponao tao Na te handa na te handray Ilay foko feno fitiavana anao Nitia anao aho tamin'izay Taty aoriana tsy afa nanoatra Ka nitomany sy nitraotra Noho ilay fitia izay tsy niray Nitia anao a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ny-donakafo
TSY NY DONAK'AFO...
Fredy Jaofera
TSY NY DONAK’AFO… Tsy ny donak’afo no maha-tokantrano fa ny fitiavana ‘zay zavatra lafo sy nampiana tsodrano hampihavana. Tsy ny donak’afo no maha-te hipetraka fa ny toe-tsaina, na manana tafo tsy mba mahaketraka sy andrandraina. Tsy ny donak’afo no manome haravoana fa ny fanahy izay sady sakafo tsy il...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbinintsoa/dia-fisarahana
dia... fisarahana
Mbinintsoa
Misy saina tsy tafandry Mandrakariva lasa vinany Fa talanjona ka miandry Fanazavana tsotra ihany Dia miezaka hanakatra Ny anton'izato fiovana Saingy kosa re dia sasatra Indrisy efa gina sady ana Dia ilay fitiava-notinefy Nokoloina tsy ho faty Ankehitriny efa resy Eh! tsisy tandroka ny ratsy Dia tantara sisa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-tiavina-aho-fa
AZA TIAVINA AHO FA...
Fredy Jaofera
AZA TIAVINA AHO FA… Aza tiavina aho fa aoka re ny foko hitepo ilay fitia tsy nety niova loko sy hivazo foana ny antsam-pifaliana, sarotra hadinoina, eny, na rahoviana. Aza tiavina aho fa aoka re ny saiko handeha any ihany no visavisaiko higoka indray ireny fahatsiarovana mamy ela be fa tsy nahatorovana. Aza ti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nitady-ka-nahita
NITADY KA NAHITA
Fredy Jaofera
NITADY KA NAHITA Nitady toky aho dia nahazo fitahiana, nomena izay nilaina sy tojo fifaliana, tojo fiderana toa tokana aman-tany, nampientana ny foko hihira sesilany. Nitady tsiky aho dia nahazo zava-tsoa, natolotry ny Avo ‘reo saotra be tokoa, nampiposaka avy ‘zato fahasambarako afaka ny hanova ny tena hoe tan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/boribory
BORIBORY
Fredy Jaofera
BORIBORY Boribory ny tany ka mihodina ihany hanova ny lasa ho tsara fikasa. Boribory ny tany ka mihasesilany ny soa sy ny tiana hanome fitahiana. Boribory ny tany ka simba sy lany ny sento rehetra nampitsetsetra ! Boribory ny tany ka manana akany ny fo sy ny saina toa ela nangaina. Boribory ny tany ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbinintsoa/eny
Eny
Mbinintsoa
Efa ela no tsikaritro Fijerinao mitory fitia Saingy kosa tsy voafaritro Hatraiza ny herin'izy ity Ankehitriny moa niboraka 'Zay notehirizin'ny fo Nijoro tsara fa tsy folaka Fitia nifamaly tokoa Nefa izao dia efa rava Tantara sisa no nijanona Eny, ny rahona hisava No tokin'ny olom-banona Tsy manan-jo hiaina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vazivazy
VAZIVAZY
Fredy Jaofera
VAZIVAZY Na mamiko aza ianao, dia tsy tiako velively ny hivaky tsotra izao ny tsapa, na dia kely ! Mampisento, na dia mora ; mampijaly rehefa irery rehefa be ny mpanakora toa mitady izay hamery. Mahamoana, na be vazo toa misesy mangingina sy anjakan'itony tazo nampitombo fanaviana. ka aleo ho vazivazy ire...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/misy-ve-ny-fahafahana
MISY VE NY FAHAFAHANA
NY Andri-Fara
MISY VE NY FAHAFAHANA FAHAFAHANA MANDRESY SA MANDRESY HO AN'NY FAHAFAHANA! TSY FANTATRO RY MALAGASY NAMAKO FA REHEFA INJAY AHO? MAMINAVINA NY AMPITSOKO SY MIMBANJINA NY LASAKO? DIA LASA VETSOVETSO..... MANONTANY NY FANAHIKO MISY VE NY FAHAFAHANA ETO? ETO AN-TANINDRAZAKO! TSY HAIKO RAHA EKEN'NY SAIKO IZANY E...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jempl/matoa
Matoa
JEMPL
Matoa aho tsy niteny na niloa-bava Na namerina fiteny handrava fihavanana Dia aoka ho fantatrao fa maniry lalandava Ny hanamafy ombieny 'lay dinan'ny fitiavana Sanatria tsy avonavona na fitia te-hilongolongo No sady tsy arirarira na koa fiatsaraham-belatsihy Fa tiako mba ho mafy orina ka tena mba hiombo 'lay din...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kobaka-am-bava
KOBAKA AM-BAVA
Fredy Jaofera
KOBAKA AM-BAVA Kobaka am-bava nandrebirebena ny vahoaka madinika ny kabary lava toa nahasorena rehefa nandinika ! Kobaka am-bava nanakonakonana ny tiana ho azo, ny teny nandrava nanangonangonana Ny soa tsy halazo ! Kobaka am-bava nampanantenana ny tsara tadiavina ny re lalandava nidradradradrana ny ti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-aingam-panahiko
NY AINGAMPANAHIKO
Fredy Jaofera
NY AINGAMPANAHIKO Izy ihany no mendrika azy ka fohazy ho tonga any 'zato ainga tsy mitsahatra miakatrakatra tsy lainga.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirojo-tis-riky/tsy-mety-fay
tsy mety fay
nirojo tis-riky
aoka ho fantatrao f'amin'izao fotoana izao ny foko manirery ka manembona ny lasa. 'lay fitiavana efa very no indro karohiko eto indray fa tsy mbola mety fay. manantena hatrany ilay hafanana iray ho ao am-poko ao... hay ianao ihany no tiako hatram'izao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/angamba-maika-hody-aminny-varo-tsy-mifody
angamba maika hody amin'ny varo-tsy mifody
Rajordri
Tsy rendrika ny sambo anefa koa tsy ho tafita, toa ilay fitiavantsika roa, hiombonombona eny ihany mandra-piala eto antany. Tsy mangatsiaka angamba anefa koa tsy hihamafana satria ny kalon'ny fitia dia tsy mety hiraina intsony fa nivadika nikomy. Dia hoy aho:inona no atao? fa tsy hoe aiza no aleha satria la...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lehilahy
LEHILAHY ANGE
Fredy Jaofera
LEHILAHY ANGE Nanan-kambo ny tany, nahoana no nanontany, na nitaditady hamahatra nony indro ory fatratra ? Lehilahy ange ny tenany koa nahoana no haka aty raha maro ireo harenany mampitombo ilay fitia ? Lehilahy ange ny tiana koa nahoana no misento nony tojo ny hakiviana sy tsy nety ny hoe ento ? Lehilahy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/milaka-milaka
MILAKA MILAKA
Fredy Jaofera
MILAKA MILAKA Manao olona milaka milaka ka ataon’ny olona milaka mihohaka, koa aza ory raha mizaka mizaka fa efa anjara tsy maintsy natohaka ! Manao olona tsy mitsitsitsitsy ka ataon’ny olona be menomenona koa aza kivy raha resy mihitsy sy kaikikaikerin’ny latsa sy nenina. Manao olona mafy dia mafy ka ataon’n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vetivety
VETIVETY
Fredy Jaofera
VETIVETY Vetivety monja no nahitako anao, ry ela tsy hita maso, dia indro fa nanonja ny tao am-poko tao nitaditady andraso ! Dia tsy niova mihitsy 'zato bikabika tiana hatramin'izay tokoa, ka na ireo hira vitsy mamy nangingina dia mbola nifoha ! 'Lay ianao omaly no nahatazana ahy tamin'iny toerana iny, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/baramba
BARAMBA
Fredy Jaofera
BARAMBA Manelingelina ny fiara no tia mibahana arabe, izy ireny raha tsy tsara hita eny mandehadeha. Tsy matahotra olona avy amin'izay asa tanterahina, fa mainka aza te hiangavy hanan-toerana horesahina. Tsy mifidifidy holemana rehefa iny natsaka rano na mitondra fahalemana fa mandoza an-kitsirano. Tsy met...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/ny-ranomasoko
Ny ranomasoko
maeva74
Ny ranomasoko, Ny ranomasoko dia nateraky ny alaheloko Izay mikoriana moramora manaraky ny tavako Ny ranomasoko dia mitory ny fahakiviana Izay mikoriana tsy mitsahatra sy tsy mandalo fiviliana Ny ranomasoko dia hafatra ho anao rahavako Noho ity fahoriako izay tsy misaraka amiko Ny ranomasoko dia tsy mba hery n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpandalo/fa-nahoana
Fa nahoana...?
mpandalo
Fa nahoana no novaina vetivety Ny fihetsikao nambabo zato foko? Sao kosa nisy vitako tsy nety Tsy niniako, nampiteraka toloko? Fa nahona no tsy haboraka Raha misy ventso manadala? Sa malaina hiantoraka Fa niova tiana sy malala? Fa nahoana no kobonina tsy havoaka Na zaraina Ny tora-po te hitroatra? Sa manindr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/tsy-fantatro
Tsy fantatro
Pissoa
Nitsambikimbikina ny foko, niolomay ! Ny anaranao mantsy sendra voatonona Ka injay nampiontana, nampandroatra indray ; Ny hetsi-po niery, nitombo, namololona. Injay mangitakitaka ny amiko rehetra ; Tsy hita izay atao : hitsiky ? Hitomany ? Toa tsindrin-daona, mitsangana, mitoetra. Inay aho mba vorona, nisidina a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lanitri-gasikara
LANITR'I GASIKARA
Fredy Jaofera
LANITR'I GASIKARA Ny Lanitr'i Gasikara no indro manangasanga ka falifaly no azo ambara fa io sahady ilay Mahajanga. Maika ery ny diako izany ny ho tody soa eny Ivato sy hanitsaka indray ny tany mamiko loatra no tsy niato. Tsy andry ery ny hifankahita amin'ireo havana manontolo fa ela ihany no tany am-pita k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/arako
ARAKO
Fredy Jaofera
ARAKO Arako hatry ny ela ny hevitry ny ozony, fa saingy hoe navela hahangeza ny vozony ! Arako tamin'ny jaly ny hevitry ny fosany, fa naleoko tsy namaly raha ireny no natosany. Hita tamin'ny latsa ny hevitry ny tsarany, fa tsy ampiampy patsa dia nesoina tsisy farany. Hita tamin'ny vava ny hevitry ny sainy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketaka-kely/vetso-ho-anao-ry-reny
Vetso ho anao ry reny
ketaka kely
VETSO HO ANAO RY RENY Ry reny rehetra izay velon'aina Henoy izato bitsika Ny fiainanao anie ho vitsy taraina Ka havitribitrika Ny fitadiavana sy ny fitaizana Ho maivana atrehina Ka tsiky sy hehy ary koa reo korana No hiverimberina Irariako erampo hoe ny reny rehetra Ho sambatra tretrika Ho foana ny jadona sy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ady-seza
ADY SEZA
Fredy Jaofera
ADY SEZA Ady seza no mila hahamaika ny mpanao politika, koa aiza no ho maty paika ny tsara ho antsika. Ady seza no anakorontanana fiainam-bahoaka, ka topatopazo fa tsy fiadanana 'zay zava-mivoaka. Ady seza no kendrikendrena handrosoan'ny antoko, ka dinidiniho fa toa mampivena sy mandoto ny loko ! Ady seza ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpandalo/tsiky-asolo-sento
Tsiky asolo sento
mpandalo
Vidin-dafo Ny vongan-dranomaso, Ka ny latsaka anio Lafo vidy tadidio; Koa manomboka eto Soloy tsiky zany sento. Raha toa ka izaho No misedra toy izao, Hosoloiko tsiky ny tomany Eny na dia sarotra aza izany; Tsy hataoko hita soritra ny fahoriako Satria ho ela velona no faniriako. Na mangidy tsy ho tanty, Na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandimby/tsingerintaona
TSINGERINTAONA
MANDIMBY
Moa ny mofomamy ihany Fy kanefa mora lany Na koa lamba mety rovitra Sy kiraro haingon-tongotra Sa hoe ravaka marevaka 'zay ho verin'ny tandrevaka Na voninkazo am-pehezana No mendrika ho fanomezana? Tsia, fa ao koa ny teny Tsy ambaka azy ireny Ampy koa ny diam-penina Mba hamoahana an-tsipelina ny tian-kambar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsimihorirana
TSIMIHORIRANA
Fredy Jaofera
TSIMIHORIRANA Tsy naniry ny ho tsimihorirana ‘reny vehivavy mivoaka amin’ny alina fa very toky sy tsisy ifikirana raha mijorojoro sy toa resy lalina ! Tsisy mahalala ny zava-nanjo nahatonga azy mbola hivaro-tena, ka aza tsinina, hoy re ny fo, fa tsy fidiny azy ny ho mahonena ! Aza latsaina mafy dia mafy na ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/ry-be-galona
RY BE GALONA
Toetra RAJA
RY BE GALONA Ry be Galona Madera soa Mandeha Mirona Mankaiza moa ? Ry be Galona Madera koa Efa hoe Mifandona Ny lafy roa ! Ry be Galona Madera moa "Mihetseha" Fa milona Ilay ho filoha !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aza-tsiny
Aza tsiny
raozigasy
Raha nangina sy nilamina ny fanahiko ka moana Raha nidongy tsy nanoratra, satria tsy ampy ny fotoana Raha tsy niloatra elaela izany hetaheta anatiko Dia aza tsininao ry embona, raha be ny vetso tsy narantiko Raha tsy henonao intsony, tao anaty vola-maro Ireo lahateny izay fanaoko, Angolan-teny mifangaro Raha tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/atonamia/soratro
soratro
Atonamia
Ianao irery ihany no azoko hilazana 'Lay jaly ato anatiko mikiky ahy mangina Ny ranomaso ritra, ny kiaka 'zay tsy tana Ny fo mangahiahy, ny fiainana 'zay sina Ianao irery ihany no tsy mba mandatsa Tsy mamela irery amin'ny fotoana mangidy Tsy manesoeso sy tsy mamadi-drasa Fa manolotolo-hevitra tsy ho voavidy Ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpandalo/angamba-hoy-aho
Angamba hoy aho
mpandalo
Angamba mbola misy ihany, Embona sy ventso izay tavela Tsy voatototry ny tany. Angamba ianao mbola mahatsiaro Ilay natosikao fahiny, Sa manahy ho tsisy mpiaro. Angamba tsisy fetrany sy tsy hita lany Ny toky izay nomeny, Ka mahatonga anao te hiverina ho any. Angamba ianao nanenina ny lasa Ka tsy efanao akory ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaho/alina
Alina
Iaho
Fa ny alina no hany sisa namana Itafana tsy ho irery, izarana fifaliana Sy ny ngidy osotroina. Alina, haizina sy kitroka Rahona, tsy kintana amam-bolana Aloky ny fifaliana Hasambarana efa dila. Alina, hatsiarovako hatrany Ilay alim-pisarahana, alin'ny tomany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaho/talaho
Talaho
Iaho
Ry orana ô, mba ento Hanaraka ny riakanao Ity foko velon-tsento Sarak'olon-tiana Ry rivotra mandalo, miserana ihany Indreto re mba ento, any aminy any Itony sentosento, safosafo, teny mamin'ny fitia Ento handrotsirotsy azy, any lavitra any. Itony taraina sy tomany Re ry lanitro henoy Ka ento any aminy any Sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahirintsoa/raha-ho-efa-ny-alina
raha ho efa ny alina
Tahirintsoa
(setrin'ny "rehefa alina" an'i Onitra) andro iray tanteraka alina ho teraka ... mitsidika sahady: baraingo be mandreraka ery ambavahadin' ny ampitso manadala tsy mbola misy lala (1) ny jironao tsofy ny lamba irakofy ... tapitra ny androany. alina tanteraka miandry andro ho teraka. ... manofisa mamy !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vovoka-sisa
VOVOKA SISA !...
Fredy Jaofera
VOVOKA SISA !... Vovoka sisa no hitako avy ao, ry andro sy taona, fa tsy ny tarehiny 'zay nantenaina raha toa mikorisa 'zao tanako izao manoratra foana sy tsy voafehiny ny foko nangaina !... Hay ve efa vaky 'ty hoe vatam-paty nosakantsakanana ny hojerijerena hatramin'izay !... ...Dia tena nahasaky ka m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaho/hatsarana
Hatsarana
Iaho
Volamena tsara tefy no ilazako anao Fa ny aminao rehetra, midorehitra avokoa. Ny masonao sariaka, toa volana baliaka Ny molotrao mitsiky, toa lisy manjopiaka Ny endrikao rehetra, tara-pifaliana Mamafa ny alahelo, mamafa hakiviana NY angolan-teninao, ny angolam-pihetsikao Hantahanta, doladola... Tena kanto lahy i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/ny-lamba-tafiako
NY LAMBA TAFIAKO
RIJADOLLY
NY LAMBA TAFIAKO Ny lamba tafiako Dia ireo fanaratsiany Ka ny zavatra tiako Dia efa nariany Ny lamba tafiako Dia ireo fanenjehany Ny nanala ny hatsiako Dia mbola nopotehiny Ny lamba tafiako Dia ireo eso-teniny Ka ireo zavatra hiriko Dia mbola noseny Ny lamba tafiako Dia ireo tondro-molony Ka ny zavatra n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iaho/raha
Raha...
Iaho
Raha tojo fitsapana, Izato fo mangasihasy Aza kivy, mitsangana Mitsikia fa Malagasy Mahazaka izany miafy. Raha tojo alahelo, Izato fo mamelovelo Aza kivy, antenao Ilay maraina vaovao: Ho ahy, ho anao. Raha tojo hakiviana, Ketraka eo ampanantenana Tsarovy lalandava, f'any ananona any, Misy ny miaritra ny ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harys/namana
NAMANA
harys
NAMANA Namako ianao ka namako Mamiko sady lalaiko Namana nomeko ny fitiavako Namana hamoizako ny aiko Namana akaikin'ny foko Namako izaho samirery Namana tsy hanadino ny toky Namana hahatsara fijery Namako ianao ka namako Mamiko sady lalaiko Namana nomeko ny fitiavako Namana hamoizako ny aiko Namana toy ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketaka-kely/mampamangy
MAMPAMANGY
ketaka kely
Mampamangy Ry volana ô r'ilay tsy miangatra Mba ento ny hafatra Izy hono hoe mahatsiahy Mangahiahy F'izay rehetra mba jereko Mampisento Ka ny saiko savolaina Monamonaina Ento ny hafatra fa manina Fanimpanina Izy hono hoe mangenahena mila hivena FA IZAO ! Bitsiho azy ampifaliana Ampitsikiana F'ilay kinta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/i-kaozatra-kely
I KAOZATRA KELY
Toetra RAJA
I KAOZATRA KELY I Kaozatra kely No nampihorohoro Ny mponina ety, Tena namely Ka dia nampikoro Sy nampikodia. I Kaozatra kosa Miantehitra foana Amin'i Hozatra be Mba hampisosa Na dia mivaona Ny lalan-kaleha. Indro fa fanina Mafy ny adin' Ilay lamasinina Tsisy ny hanina Lany sahady Ireo vitamina Ny ets...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/toloko
TOLOKO
endrika01
TOLOKO!!!! Ity foko manirery lavi-tiana an-tanin'olona eny ekeko fa tsy an-tery raha mafy zany tolona Ho giazako mangiana na ho mety fahantrana sy hahatonga fahoriana lay toloko tsy voatana Hokoloiko fatratr eny mba tsy handratra ny olon-tiana tsy ho tanisaiko an-teny na ho averiko ombieny Ry toloko ô! amp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/mandalo
MANDALO
ANJARA7
Tsarovy fa mandalo Izao hitanao izao Ilay endrikao kanto Dia hiserana handao K'araraoty ny fotoana Dia tandremo ny hadalana Fa na ho haigana na ho ela Tsy maintsy handalo fitsarana Dia mahaiza re mifaly Amin'izay hanananao Miareta mionona F'efa io no anjaranao Alaviro andosiro Zay hanome adi- tsaina Hanas...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mangamaso/izaho-sy-ianao
Izaho sy Ianao
mangamaso
Izaho sy Ianao Ianao lohataona Izaho fahavaratra Ny ho avinao feno fanantenana Ny ahy efa eto anoloana Ianao fahavaratra Izaho fararano Ny fiainanao mamirapiratra Ny ahy mbola mahafinaritra izao Ianao fararano Izaho ririnina Mbola mitepotepo anie ny fo Na efa mandroso ao fahanterana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/-4293
...............
Ni..! (RPR)
Mb’omeo vola kely dadabe raha misy madama … M’se e…. Ntsss….!!! mba mangataka tompoko … Efa mb’henoneo ve ny ako mitaraina sy ontsa toy izany na ny hoe…………. M’se e….mba meo e ! mba meo roapolo fa noana e! Miampy tanan-jaza mitsotra eo anoloana Ary ilay jamba miambozo baoritra misoratra hoe… Mangataka tompoko fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsos-tafa/ampindramo-ahy
Ampindramo ahy
Antso's tafa
Ampindramo ahy Ampindramo vetivety ampindramo fa haveriko Ampindramo raha mety hanadiovako ny feriko Fa takom-perin'ny fiainako no andrasako eto izao Mba henoy ny fitarainako ka valio raha azo atao Fa efa tena mankalao Izaho aza efa fanina Ka ambarako anao: ny fiainanao no tiako hindramina! Dia hotsoriko n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsos-tafa/fitia-mahery-vaika
Fitia mahery vaika
Antso's tafa
Fitia mahery vaika, Tsy takona afenina ny ratram-po anaty Ezahina harenina vao mainka toa tsy tanty Ny fidoboky ny foko No hany feo reko Toa rivotra mifofo Mandrava izay jereko Ny vetsovetsom-poko Afeniko tsy hipoitra Ny rofy sy toloko Vao mainka toa mivoitra Fa hovitra mahery manetsika ny fo Baiko toa m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/ny-vola-ve-tadiavina
NY VOLA VE ???....................... TADIAVINA
Ni..! (RPR)
Ny Vola ve tadiavina fa fiainana ny Vola ??? …..dia atoko ny aina sitrany ahay tonga roapolo ty loso eto an-tanana ka mb’hiova hena irony laoka anana niainana hatrizay Ny Vola hoe tadiavina fa fiainana ny Vola ……..dia fomba maromaro madio sy maloto no mifangaroharo ka dia mitotototo fa lavitry ny Vola Ny Vola ve...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/toky
TOKY
ANJARA7
Na ho mafy na ho mora Dia tazoniko ilay dina Fa ny antsika ho mandra-maty Ka matokia re ry tiana Tano mafy ny finoana F'izaho manaja ilay voady Ka na be ireo mpanakora Vonona aho ny hiady Aza be ahiahy Na koa manary toky F'ataontsika miala maina Izay misora-tena ho mpisoloky Ka tafio ny herin-tsaina Fa ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsos-tafa/resy-aho-anio
Resy aho anio
Antso's tafa
Resy aho anio Resy tsy tafarina? Ekeko tsy azo lavina Ekeko am-po madio Fa efa resy aho anio Avelao aho mba hilaza na anio fotsiny aza Mba hibitsika mangina hitanisa fahoriana Fa fahoriana maromaro Alahelo mifangaro Sento-po tsy azo ahena izay midika ho faharesena Ny fahareseko anio anefa dia faharesena v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/soga-taratasy
SOGA ... TARATASY
Ni..! (RPR)
Ataovy ampy ho fifaliana ho antsika sombinaina Izay azontsika anio mba hanohanana ny aina Ataovy mahavoky koa izato ambina sosoa Fa mbola hisy fa tsy nofy kibo izay tsy handry fotsy Ataovy ampy hahatafy izato tapa-tsoga kely Fa ireo voa izay nafafy mbola hamelana tantely Ataovy ampy ho fifaliana ny trano bongokel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/amiko
AMIKO
Ni..! (RPR)
Amiko ! Raha adika teny fohy ny ampahan’ito fiainako Dia !!! izao no azo hambara Ny mafy no mihafy tsisy hisalorana Fa ny andro moa ririnina Ka gony no fihinina solona firakotra Ny tafy no talaky manintona ny saina Ka tsy mampaninona Ny tafo manjelatra ery avara-trano Amiko ! Ny dikan’ny fiainana lalovako isa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/aza-hitako
AZA HITAKO
Ni..! (RPR)
Raha ho foana izao tontolo iainantsika eto izao Raha ho ritra koa ny rano izay ateraky ny havoana ery an-dohasaha ka tsy hisi koa ny rivotra mampiaina ahy sy anao dia!... izay aho vao sahy hilaza fa ho foana tsy hisy tsiaro ny aminao ny ato anatiko ka hanadino anao tanteraka aza hitako any izany marainan'Ni....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/anjara
ANJARA
ANJARA7
Izay rehetra miseho Na ny ratsy na koa tsara Dia raiketo ho tantara Dia ekeo f'izay no anjara Enjehina ilay malalako Toraham bato hoe adala Tokana no hany ambarako Izy re no anjarako Tsy voatery ho tonga lafatra Na hasambarana mifatratra Ka tsy henatra ny manambara Hoe zay no anjara Ka reseo ilay tomany No...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/maizina-ny-tany
MAIZINA NY TANY
Ni..! (RPR)
Misaleboka vongan-draho mainty ny mahatsaravahininay… Mandrovy ampitso tsy hay hoe ahoana Fanin’ny bolabolan-tany tsy mitsaha mihazakazaka ny omaly.... Ka! Fihinin’ny bemangovitra milalao fotoana Manorana fo mitempo loaranjy Ny voa….makirana, mangana afero Mangidy ny tsatsony tsy hita ho tsentserina Ka mankadi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/malala-laingako
MALALA LAINGAKO
Ni..! (RPR)
Malala a! Nandainga taminao aho Ka dia… hifonako etoana !!! Nandainga taminao aho! Izaho ilay nidoka ho mpanambola be Nolazaiko ireny mba hambabo anao Nefa raha ny marina na fiara iray aza tsy anananay Iny vata fiantsoko entiko an-tanana iny tsy mandeha akory Fa ‘lay kilalao eny an-tsena ireny Izany ihany koa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/azonao
AZONAO
Ni..! (RPR)
Azonao lazaina Azonao hambara Ny aminao rehetra Azonao bangaina Azonao alaina Ny foko tsisy fetra Azonao toavina Azonao tiavina…. Ny foko manontolo raha izay no tianao Zandry Ni..!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/mangitsy-ny-ririnina
MANGITSY NY RIRININA
Ni..! (RPR)
Mangitsy ny ririnina Fanala koa ny atoandro Ianao ‘lay nofihinina No solona akanjo nanafana ny alina Manara ny hirifiry Mangoly lohataona Ny felana nitsiry Malazon’ny fotoana tsa naha teo anao Tsary hoe fidongy diso fiantefa Ity fitarainako ho mangatsiaka lava Fa!!! ‘ty lobako manify niaritra ny taona No tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/alina
ALINA
Ni..! (RPR)
Alina…. Nofiko hono alina Tsy ianao no teo anilako Izaho aza mba gaga fa niova ho tena lafatra Noho ilay hatsarana efa anananao Ilay alina iny Ka !!! laniko namihinana ilay olona tsy fantatro Ny alina tontolo Dia nankafy aho Nankafy tanteraka Ka !... tsy nahatsiaro anao Kinanjo nony tonga ny tsiokan’ny mar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/nahagaga-ahy-iny-alina-iny
NAHAGAGA AHY INY ALINA INY
Ni..! (RPR)
Nahagaga ahy iny alina iny Fa toa tapitra voafihiko ny zorom-parafara Vao naraina ny androko Lay ondako iny aza mba nahasolo sandry Hamihina ahy rahefa Injay hipatrapatraka ny ranom-panala Fa …! Manina… malala Ny nivadibadihako tsy nahitako tory ? Noho ianao tsy tonga tamin’ny fotoana Angamba no efa antony Na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/ritsoka
RITSOKA
Ni..! (RPR)
Ritso-balihy tsy misy fanahy Korintsan’amponga mangina fidona Izany no ako mba nahataitra ahy Rehefa ianao no tsarotsaroana Tsy avy hiaina ‘ty vatako ngoly Toa andro ririnina ery an- dohataona Lavitra e! lavitra loatra ka hila tsy hitony Ny fanirina sy ny te hihaona Sodin’ikaky miangola fahiny Mivazo ny “manin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/lazao
LAZAO
Ni..! (RPR)
Lazao ny masoandro Tsy hanazava ny androko Lazao ny volan-danitra Tsy ho fenomanana eto Fa ny ahy io na mazava Na maizina efa kitroka Efa nahazatra ka tsy mahataitra intsony Tsy ny fiposahany Ela niandrasana akory no efa tanjona Tsy ny diavolana Mandritry ny taona no enti-miavonavona Ka zotra hanosena Ny za...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/saritaka
SARITAKA
Ni..! (RPR)
Ny tafy misalotra Ny jorom-batanao Dia ampy hamantarako Ny zava-miafina aminy Ny molotrao dorehitry Ny loko maro sosona Na tsy hilaza izay fonosiny aza Dia fantatro ny ho entiny Ny ranjonao fidola midongy akanjo fohy Misangy foto-pe Tsy tiako ho tantaraina fa ao dia ao ny antony SARITAKA marainan'Ni..!20/10...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/mitomany-ny-efitranoko
MITOMANY NY EFITRANOKO
Ni..! (RPR)
Mitomany ny efitranoko Fa babangoana ny tokonako Sary iray no mba nindramiko Fa mafy izany fatahorako…nony injay tsy teo ianao Ilay vazy aman-draozy Fikolokolonao teo Ts’isy izay hikarakara Fa malazon’ny fanala…nony injay nilaozanao Ilay vera fisotroana Toaka mamy fony ianao Vaky aninkeo maraina Fa tsy voaaz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/misy-ianao
MISY IANAO
Ni..! (RPR)
Misy ianao matoa ny nofiko alina nanembona salovana karazan-tovovavy toa anao izao Saingy!!! Tsisy ianao raha toa ka tsy nasehon’ny volana sy taona ilay tsikitsikinao nambabo fotsiny iny Nefa dia!!! Nisy ianao nanaitra ilay fijery tafatopy tampoka tan-dalanao teny ka nampiteny irery ‘lay foko nanantena N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/iny-alina-iny
INY ALINA INY
Ni..! (RPR)
Nahagaga ahy iny alina iny Fa toa tapitra voafihiko ny zorom-parafara Vao naraina ny androko Lay ondako iny aza mba nahasolo sandry Hamihina ahy rahefa Injay hipatrapatraka ny ranom-panala Fa …! Manina… malala Ny nivadibadihako tsy nahitako tory ? Noho ianao tsy tonga tamin’ny fotoana Angamba no efa antony Na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/penina
PENINA
Ni..! (RPR)
Raha ranomainty ny jojon-tavako Ka hanjary penina ny fitiavako Dia sahiko loatra eto ny milaza Fa diam-penina avy amin’foko No entiko handrafitra hosodoko Ka hanoratako...“TIAKO IANAO“
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mysento/mikisana-makaty
MIKISANA MAKATY
Mysento
Mikisana makaty Refa izaho mba tratra alina Noho ireo asa miavosa tena tsy mahatelin-kanina Ka tsaroako mihaosa Mangina ny tontolo efa tena tapi-mandry Siotsiokam-boron-dolo Ao ivelany no miandry fa 'lay vady tiko kosa tsy namoha trano akory tsy vanona aho ny hilefa angamba izy,efa momoky ny tory Ny masoko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/ray-o
RAY ô
Ni..! (RPR)
Ray ô Raha izao tokoa ny ora farany Handalovako eto an-tany Dia ankiniko aminao Ny fanahiko tontolo Ary ‘lay saika ho andefimandriko Fenoy hery ny androm-piainany Ka tsy hisaraka aminao N’aiza n’aiza dia hizorany Ray ô Raha ‘zao tokoa ny ora farany Hamehezako ny lasako Dia aoka ao an-dapanao No hany tokana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anarim/eny
Eny...!
anarim
Ny hafaliako? Ianao ry tiako! Ny hasambarako? Ianao no anjarako! Ka tsy hitsikera, Na hidera. Tsy handoka, Na hanafoka. Hitia anao Tsotra izao. Ataoko ampy ahy Tsy ho tsinahy. Ho tena mamiko Na dia indramiko, Raha toa ny tany Mandalo ihany, Tsy mampaninona, F’izaho tsinona Efa vonona Ny hanonona Il...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mangamaso/ho-ani-nirina
Ho an'i Nirina
mangamaso
Ho anao ry sombiniaina, Voankazon' ny fitia, Nitombo votsavotsa, Tao anatiko ao. Niandry aho isan'andro, Nihaino ilay fihetsehana, Fotoana sarobidy, Nahafeno ny fanahy. Dia tonga ilay fotoana, Nahitanao ny andro, Zava-tsoa nitomany, Niala ny kibon'i mama. Io isika nifampijery, Nisariaka aho, novalianao, I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anarim/miranto-amintsoa
Miranto Amintsoa
anarim
Miranto, Fony mbola I zokinao No hany tokana nananako Dia tena nihevitra aho Fa izy irery no ho taranako Narary mafy mantsy I neny Fony niteraka an’I zoky Hany ka dia tafa-teny Hoe aoka izay, nanary toky! Kanjo tsapa teny ihany Taona maro tato aoriana, Fa toa nisy banga izany Dia nitsiry faniriana Tojo a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/mahery-sombinaiko
Mahery Sombinaiko
Ni..! (RPR)
Fa zanako Mahery Tokan’I Aiko ialahy ry sombinainakeliko Zanako ahy irery niaraka nizaka Sy niady mafy tamiko nigoka ny onjam-piainana Anaka! Tapitra hitanao ny adinay sy I dada Tsisy tsy fantatrao ny fahoriana entiko Mikiky anatinao ny ratrako sy feriko Fa mahery setra loatra I Rainao Soa fa!... zanako Mahery...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mysento/hafanana
HAFANANA
Mysento
Hafanana! Tsy afaka ato an-tsaiko izaho sy ianao ry aiko Nodarofany hafanana Ka lasa valaka tsy tana Tao anaty ny haizim-pito Nifampitolona fitia lakakely novoizina Hasambarana ho doria(...)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/tsy-ampy
TSY AMPY
Ni..! (RPR)
Tsy ampy akia ny fotoana hilazako ny ato anatiko Ka na ahoana na ho ahoana Be ny zavatra tsy tantiko rahefa injay mifanalavitra ny elanelantsika Tsy ampy ho ahy ny tontolo andro voafetran’ny fotoana Hany ka na ilay masondro miposaka antsinana aza Noheveriko nipoitra avy eny andrefan’eny mandoko ny amintsika r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mysento/res-tory
RES- TORY
Mysento
Resi-tory Sambatsambatra aho 'zalahy Nifampiapofo tamin' azy Niova zaza aho ve rangahy Tena hé,fa tsy vazivazy Resi-tory ilay tiako Izaho koa mba natory Ireo teny efa nomaniko Tsy voalazako akory Satria ,resi-tory, ilay olon-tiko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/dia-mbola-tonom-bavaka
Dia mbola tonom-bavaka
Ni..! (RPR)
Ry havako Meteza ianao hiaiky Fa!... mahery sy mafonja Izany hoe mivavaka Iza moa! No tsy nivetsovetso Karazana fivavaka raha vao nikorontana Ity Madagasikara ??? Na andian’olona Na haino aman-jery Tsy mba nisy an-tery fa tamin’ny fo tokoa Iza tokoa moa No tsy nandohalika Niandrandra ny lanitra Ka nitalah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/-4259
...
Ni..! (RPR)
Safotra fitiavana ny tontolo teto fa ngoly fahatsiarovana ny aninkeo maraina fitondra ny omaly fivimbim-pahatsiarovana tsy te hiseho ampitso Difotra alahelo ny tontolo teny raha nipatrapatraka ny dinitry ny alina radiva ho hariva ho antoky ny ho avy hatreto aloha tsy fantatra izay mbola ho tohiny Ny tontolo t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano/sipa-milay
Sipa milay
Fano
Tononkalo iray mba tena nilay Efa ela ihany, taona maro lasa izay No nalefako paositra ho an’azy tany Hatramizao nefa tsy nisy valiny ihany Efa mba nataoko niady rima tsara, satria noeritreretina hipetraka ho tantara. Tssss, angaha norarahiany akory? za koa efa leo sy tsy niandry intsony. Soa ihany aho aloha fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/lanjam-pitia
LANJAM-PITIA
Toetra RAJA
LANJAM-PITIA Iry lasa iry Olona iray Milanja fitia Tsisy mpandray ! Mibaby miafy Fola-damosina Seriny mafy Mila hitrosona ! Kaody fijoro Osa dia osa, Fo torotoro Maty voafosa ! Ela ny ela, Nilefitra ihany, Ny sisa tavela ...Raraka an-tany ! Lalana mody Atao anton-dia, Aza manody Ny lanjam-pitia !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/misy-fo-miteny
Misy fo miteny
Ni..! (RPR)
Misy fo miteny Kanefa dia tsy reny Fa takon-tabataban’ny rivo-piainana eto Fa fo miteniteny …Mirediredy…adala… Sao mb’eny ananona eny Ilay tiana sy malala Misy antsoantso Tsy haiko na mba reny… Fa te hanakoako Hikiaka fitiavana… Misy fo miteny Mba henoy rahavako Aza avela irery Fa … izany no FITIAVAKO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/ny-tontolo-teto
Ny tontolo teto
Ni..! (RPR)
Safotra fitiavana ny tontolo teto fa ngoly fahatsiarovana ny aninkeo maraina fitondra ny omaly fivimbim-pahatsiarovana tsy te hiseho ampitso Difotra alahelo ny tontolo teny raha nipatrapatraka ny dinitry ny alina radiva ho hariva ho antoky ny ho avy hatreto aloha tsy fantatra izay mbola ho tohiny Ny tontolo t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/te
Te...
Ni..! (RPR)
Te hanara-po Sy hianoka fitiavana Aminao maharitra aho Saingy! Voafetra ny fotoana Tamin’iny hariva Tsy nampoizina iny Ka mangataka aho Ny mba hiverenany Sy haharitraritra Raha sitrakao Valio Zandry Ni..!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/fitaizam-po
fitaizam-po
Ni..! (RPR)
Avelao ny fo hiteny Raha misokatra ny vavany Fa raha ho avy ‘zay hanginany Aza terena intsony ny aminy Ndrao mitriatra ka mamono posak'andron'Ni..! fitaizam-po
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ni-rpr/tandindona
Tandindona
Ni..! (RPR)
Tandindon’ny omaliko… Dia nisy tandindona Nampahatsiahy ahy ny lasa Ny fisianao vatana narantin’ny tontolo Satria na ny tsanganana na koa ny fijoro Dia tena nitovy Tonga namoha ny lasa Ianao ry ilay niserana Ka na dia efa voafafa taona maro aza Ny salovan’ilay olon’ny fahiniko Dia aoka tsy ho tsiniko Raha ia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketaka-kely/ny-ety-ambany-masoandro
Ny ety ambany masoandro
ketaka kely
Manonofy aho mazàna Fa indrindra ny maraina Olo-maro mikoràna Mifalihavanja ,velon'aina Samy hafa firenena tsy mitovy fiaviana Nefa indro raha jerena toa tsy misy fanahiana Tao anatin'ity nofy Na lehilahy, vehivavy , ankizy Tafaray ,mitositosy Ravoravo izay tsy izy Miara miredona ,mihira Hoe :miadana ny ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimalala/-4256
...
arimalala
Tia anao aho sombinaina Hany ka mitaintaina Sy toa velon-taraina Moa tia ahy ve ianao? Ity foko tena tia Moa ve sanatria Ho diso fanantena Satria ianao toa mihenahena? Mino anefa aho fa tsy izany No any antsainao any Fa fitiavana sesilany Malala a, tena tia anao aho Tsy ho haiko ny handao Ka aza ampijalian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketaka-kely/sahia-milaza
Sahia milaza
ketaka kely
Sahia ... Inay ianao mba sahy nilaza Reo teny zay namelovelo Tanaty bitsika sahaza Tahaka ny tsiambaratelo Inay ianao niloa-bava Reo teny izay mba nantenaiko Na hahamena ireto tava Hahasadaikatra ny saiko Inay ho nambara tsisy fetra Izay faniriana ,fitenenana Ny ho avy tsy mba azo atoetra Eo ambony fanenena...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/ny-soratra
NY SORATRA
endrika01
NY SORATRA! Tsy ny soratra no tsara Fa ny fo zay manambara, Ny alahelo fifaliana, Raha lavitra olon-tiana! Tsy ny soratra no marina Raha misy ho fantarina Fa ny vava 'zay miloaka, Ny ao am-po tsy mivoaka! Tsy ny soratra no maizina, Raha toa tsy maintsy hofaizina "Reo mpandika ny lalàna Izay tsy azony iala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/ndeha-ary-ry-sakaiza-veloma-ho-ani-levelo
'NDEHA ARY RY SAKAIZA
ZOZORO
'NDEHA ARY RY SAKAIZA Dia hangina ve i Morafeno Fa ilay feonao tsy ho heno? Mino aho fa tsia dia tsia Fa mbola hanako antaranoana Ilay feonao tsy adinoina Ary tsy hangina izany kalo Sy ilay feon-gitaranao Nahavarina ny mpandalo. Imamo moa ve tsy hisaona Satria ilay zanaka anoloana mpandrotsirotsy sy mpivazo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozygasy/tsy-misy-vidiny-ny-tsiky
Tsy misy vidiny ny tsiky
raozy2
Tsy misy vidiny ny tsiky, Ary koa tsy mila tambiny Ary azonao zaraina, Eny na ireo izay ambiny Fa ilay tsikinao zinara, ilay sombin-tsiky iny Dia efa hanamaivan-danja, ireo loza s’ireo tsiny Tsy misy vidiny ny tsiky, nefa ny hafanana entiny Dia efa ampy hampisava, ireo jaly sy ny pentiny Fa ilay tsiky toraky ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/raha-teto-i-rado
RAHA TETO I RADO
Toetra RAJA
RAHA TETO I RADO Raha mba teto Ianao ry RADO Nampisento Ireo "bado" Nanapoaka Ireny takotra Mandroaka Ny tsy matotra... Na ilay "vato Fehizoro" 'Ngaha tsy harato Nampikoro ! Ny tanàna Moa nasolo Fahefana Bobongolo Radio teny Anosy indray No nohoseny Kila may Voadotra Ireo kolo Sy olon-tsotra Val...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hajaina/inty-aho-hamaly-anao
INTY AHO HAMALY ANAO
Hajaina
INTY AHO HAMALY ANAO J’aimerais bien vous croire un jour mais mon cœur y renonce Ma question reste toujours sans réponse. MIKE BRANT Tiako loatra ny hino anao fa hisy indray andro any… Nefa indrisy izato foko tsy manaiky an’izany Manontany aho hatrizao ts’isy valiny hatrany! Izaho dia izaho ilay tsy hitanao tao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketaka-kely/misy-andromisy-andro-tsara-izay
Misy andro
ketaka kely
Misy andro tsara izay Ireo vehivavy ho tsara endrika Ny masoandro hahamay Ho foana koa ny erikerika Misy andro mampiray Izay jerena toa mahitsy Hamela heloka amin'izay Fa ny olana tsy misy Misy andro ihany koa Ifampitoriana ilay fitia Hianoka e ! izy roroa Hifaly sy hiriaria Misy andro hanomezana Tsy hitsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hajaina/tsisy-toa-ahy
TS'ISY TOA AHY
Hajaina
TS’ISY TOA AHY Ho lany andro am-pisikinana Ka tsy hahita akory ny tena mendrika indrindra Ny fiakarana, fidinana Hitondrana izay forongo tsy ahafahana mamindra! Angaha ianao raha ho any Dia hihevitra fa hahita ny tsara noho ny tenako? Na hitety vazan-tany Tsy hahita izay ho meva noho izaho sy ny fonenako. Hid...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hajaina/sakoa-izay
SAKOA IZAY
Hajaina
SAKOA IZAY Aza taitra amin’izay zava-mitranga F’ianao no rangory mpamelona ny afo, Ianao no efa zatra sy tia langalanga Ka mody mba voky mahita sakafo. Misy ireo maso izay mipitrapitra? Misy ny fo izay mangaihay? Nahoana efa fantatra izao fa ditra Ka mbola tsy foy irobohana indray? Ny maso sy fo izay nitondra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/aza-karohinao
AZA KAROHINAO !
DadaRabe
Aza karohinao izay momba ny fiainany, Na ireo fanaintainany Na ireo fifaliana afeniny ao am-po, Tandroviny tokoa Ka tsy tiany aseho Sy tsy asiany feo. Aza anontaniana ireo tsiambaratelo Izay hitanao mihelo Ao anaty masony kanefa dia koboniny Fihininy, tazoniny Satria izay no sitrany… Tsy fantatrao ny dikany ...