url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fotsiny
FOTSINY
Fredy Jaofera
FOTSINY Tsy fahoriana fotsiny no gohana eto an-tany raha efa ranofotsiny ny derako eto izany. Tsy tebiteby fotsiny no lahatra sy anjara raha efa rotsirotsiny ‘reny soa nambara ! Tsy ady mafy fotsiny no sedra lalandava raha efa ny votsiny iny vaky sy nisava. Tsy alahelo fotsiny no entin’ito taona raha ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ilay-fahiny-tsy-hay-afenina
Ilay fahiny tsy hay afenina
raozigasy
ilay tahiri-dinika iny , rakitr’ilay tsy ambara no fanalahidy koa, namoha mandry ilay tantara, niselonaniny ny androko, ka teo indray aho izay vao nino fa tena adinoko mihitsy , ilay nihinam-boamanadino ilay karoka tsinahy, hitady rohy tao an-tahiry no anjombona nanaitra, ilay lasa hidiridiry niseranany indray ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tokana
TOKANA
Fredy Jaofera
TOKANA Maro ny raozy any an-jaridaina, azoko ambara sy hay tanisaina, mahafalifaly raha vao eny ho eny fa tokana ihany ianao re, ry Neny. Maro ny vorona misidina ambony haingon’ny lanitra sy mampitony, kanefa tsarovy fa na iza miteny : tokana ihany ianao re, ry Neny. Maro ny trondro anatin’ny rano mahavariana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/neny
Neny
raozigasy
Neny , Ianao ilay fatotr’aina, fototra niaviana Izaho ilay sombin’aina, zanaka nirina Ianao ilay tohy sy rohin’ny fiaina-mifandimby Izaho ilay naterakao ho fara sy dimby Koa noho ity andro izay, natokana ho anao Dia an-tsoratra aho, no mandefa hafatra Mbola ianao ry neny no olon-tonga lafatra Dia tsaroana ihany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/ny-poety
NY POETY
Solofomanjato
NY POETY Laharan-tsoratsoratra rafetin’ny poety No nasolo kosa ny lefona sy basy Ka nentiny nanainga hanako sy hitety Izao tontolo izao hanondrotra ny Gasy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fotaka-tsy-mandry
Fotaka tsy mandry
raozigasy
Nitsamboatra izy Fa nisy taratasy Nampangasihasy Izay tsy nandrasany Tao anaty asany Nipoitra tampotampoka Nanaitra sy nanampoka Nitsamboatra izy Fa nisy hafatra voaray, hoe rahoviana indray teny tsy nirina tsy tsaroany oviana sady tsy noheverina no indro nitamberina Nitsamboatra izy izato lahatsoratra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manatsiala/ny-poetako
Ny poetako
Manatsiala
NY POETAKO Tsia, tsy tontolo hafa akory no hitoeran’ny Poeta nefa sarotra aminao ny manakatra ny zavatra raiketiny ao anaty izay kajiany tsy ho faty Satria ny hany mba talentany tsy naleviny aman-tany nokoloiny hatrany tsy ho very, tsy ho lany Tsia, tsy adala mihitsy akory ireo lazaina ho Poeta nefa noho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/and/politikan-afrika
POLITIKAN AFRIKA
and
AOK ZAY FA MAHAMAY NAFOINAAY REO HAVANAY POLITIKAN AFRIKA POLITIKA FIKAFIKA POLITIKA LAINGALAINGA POLITIKA HAFETSENA OENTINA HILAN KARENA RY VAHOAKA MIFOHAZA F AZA METY HATAO FIHAZA HANABEAZANA NY ZAZA SATRI RAH AZONY EO NY SEZANY F IZANY ANIE NO TENA EZANY DIA IANAO NO HIMEHEZANY POLITIKA MANKALEO ADALA ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/and/kanto-i-serasera-tohiny
KANTO I SERASERA TOHINY
and
FA NAMANA NY SERASERA KA ZAY MIDITRA AO MARAINA TSY MIALA RAHA TSY RERAK'AINA SERASERA;HIRAHIRA TONOKALO ,VINAVINA TSIKITSIKY,VAZIVAZY DE AMPY HATSIAROVAKO AZY MISAOTRA: SAKAYMENA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ilay-volana
ILAY VOLANA
raozigasy
ILAY VOLANA Ilay volana hitantsika, tsinana sy fenomanana Dia sinto-maso iray midika, fa misy zavatra ikambanana Ilay volana fijery, rehefa lasana vinany Dia mifono misitery, mitondra lavitra any ho any Ilay volana tomaratra, ilay loloham-panazava Dia tsidik’herinaratra, mampisinda alo-tava Ilay volana bal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mifandamina
MIFANDAMINA
raozigasy
Mifandamina Raha ireo rehetra voatanisa S’ireo rehetra tianao tamiko Raha ireo rehetra tsy voavisa Noheverinao ho mamiko Raha ireo tiako taminao S’ilay “ianao” notiaviko Raha ireo rehetra izay natao Nekeko tsy nolaviko Raha ireo no atambatra Sy ataontsika adisanina Isika kay ka sambatra K’aleo re mifandamin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/ry-tovolahy
RY TOVOLAHY!!!
Laingo
Ho anao ry tovolahy mpihetraketraka vehivavy Mpanitsakitsa-tokatrano sady mpampijaly vady Ho anao no nanoratan’ity tovovavy iray Hieritreretanao tsara ‘zay vitanao hatrizay Mahagaga tokoa mantsy ianareo lehilahy Fa tena feno habibiana sady tena sahisahy Azo ho sokajiana ho isan’ireo mpamosavy Satria manao ody fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tolona-2
TOLONA
raozigasy
Tolona Ianao ilay teny ilazana Ireo alahelo izay tsy tana Ianao ilay hetaheta anaty Izay mampiainga ireo tsy tanty Ianao ilay hery hizarana Ireo mahatofoka tsy tana Ianao ilay feo abaribariny Hoe tsy ekena ny tsy rariny Ianao ilay mamory ny vahoaka Ka ireo alahelo hivoaka Ianao ilay antso tsy voafehy Mitari...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/vetso-pon-jazalahy
VETSO-PON-JAZALAHY
Laingo
Ianao ‘lay raozy tsara indrindra tena endriky ny saha Manim-pofona aok’izany, manintona maha te hizaha Tsiriritin-dolo maro isan’andro isan’andro Na maraina vao mifoha na milentika masoandro Lolo toa mety hitsahatra ny anatona anao Noho ilay hamamiana izay mitoetra aminao Satriny hijanona eo anilanao mandrakariva...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/13-mai
13 MAI
raozigasy
13 MAI Nitirifirana ho faty Ireo tanoran’Iarivo Tsak tsak zato arivo 13 mai anie ilay ivo Fitakian’Iarivo Ireo alahelo izay tsy tanà Fa teo ny Lapan’ny tanà na 13 mai anie ilay toerana Fitabana tsy fitserana Ireo hetaheta izay namelona Ireo hiakiaky ny “hery velona” 13 mai anie safidy Fitsipahana ireo didy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/ry-vetso-ry-volana
RY VETSO, RY VOLANA,
ZOZORO
RY VETSO, RY VOLANA, Vetso ô!...misaotra anao tsy mangina iky fa mitanisa hatrany hatrany ireto hetahetam-poko...na tsiky io na tomany. Eny, aza mihato re mba lazao aminy fa ilay fo tena tia, te hamangivangy tsy ho resin'ny mavàny. Satriko ianao ry vetso, ianao tsy mahafoy, no hitanisa sy hanambara fa ao anaty fo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mitambatra
MITAMBATRA
Fredy Jaofera
MITAMBATRA Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika, ka iriko tsy hiato fa mainka hidadasika ny tena fihavanana ilaina ho fiadanana ! Tsy mahay sobika, mahay fatam-bary ka andao re isika tsy hisy hifanary fa ’zay miray hina no be fitahiana. Ny mita be tsy lanin’ny mamba, ka ny mitambatra re fa mbola t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/o-ry-vetso
O RY VETSO
raozigasy
O ry vetso O ry vetso, fampitana embonembona, miangavy O ry vetso, ilay sakaizan’ny fitia be elanelana Ianao no anankinako ny ampitso sy ny ho avy Hamafiso ny fitia , anananay fa aza aserana O ry volan-tsinjo lavitra, mahita izao tontolo izao O ry volana eny ambony, haiko fa ianao banjininy Ka abosesiko aminao, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/sambatra
SAMBATRA.....
Solofomanjato
Sambatra izy, fa misy anao antenainy Eny, tana sambatra izy…. Sambatra izy, fa ilay tiany nandrandrainy Mandravaka ny tokantranony … Sy ireo hantan’ny ankizy ! Sambatra izy, f ’ireny tsikinao ireny izao Ho toy ny kindriandriana kanto Ho toy ny mbola vaovao Ireo tsiambaratelo maminy …. Feno angolanao milanto ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/soa-fa-nisy-ianao-ry-vetso
Soa fa nisy ianao ry vetso
raozigasy
Soa fa nisy ianao ry vetso Soa fa nisy ianao ry vetso , ilay elatry ny nofinofy Vinavina sy kinasa, iry sitran’ny farofy Ilo taratry ny ampitso, Zavazavam-panantena, Hendratrendratry ny ho avy, tendry vavaka ekena Soa fa nisy ianao ry volana, sy ilay taratrao mangarana Mirotsaka ho an’ny rehetra, tsy mba misy fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/misy-5
MISY
Laingo
Misy endrika tsy foiko sady mamiko eto an-tany Misy fijery mahafatifaty tena tsisy toy izany Misy feo mambabo fo sady tena maharendrika Aminao ry andrandraiko, aminao ilay tena mendrika Misy tsiky tiako loatra izay mipoitra aminao Misy fihetsika ankafiziko rehefa tonga ianao Toa misy hery vaovao rehefa injay aho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-masonao-nijery
NY MASONAO NIJERY
Fredy Jaofera
NY MASONAO NIJERY Nampidoboka ny foko, naharavo an-tsokosoko, nampiteniteny irery ny masonao nijery. Nanitikitika ny saiko, nanadala, hoy ny aiko, nahalasa verivery ny masonao nijery. Nahasambatra ny diako, nampiova teo ny tiako, nampisento toa mahery ny masonao nijery. Nampiainga ny fanahy, nahatonga ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina77/anatinny-bika
anatin'ny bika
AINA77
ry zazavavy tsara bika, endrika sy fitafy, toa vola-manjopika, tena mahafatifaty, tena kanto ra jerena, tena soa soa tokoa, fa ny tena mahonena, indrayndray mahavaky fo, ra ny bika lo dia kanto, fa ny fanahy no asa, saingy indrisy manko, tsy mapite hikasa, ra tsy eo ny fanahy, zavapoana ra ny bika, izao a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/raha-tsy-izahoe280a6
RAHA TSY IZAHO...
Solofomanjato
RAHA TSY IZAHO… Tiako, hoy ianao ny aminao rehetra Tiako ny endrikao, ny masonao mitopy Tiako, faniriako ; ka ho ahy tsy misy fetra Tiako ho ahy irery …. Hoy ianao natoky Tiako hoy ianao, ny Fitiavanao miampify Tiako ny fitempon’ny fonao mikalo vetso Tiako ny salovan’ny endrikao mitsiky Tiako, tena tiako, na an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/aza-miolonolona
AZA MIOLONOLONA
Solofomanjato
AZA MIOLONOLONA Sompanga mitokana irery Tsy haitra fa zaran’ny tany takalon’ny lambany very Dia ny landy no aempaka ihany Satria tanilanila-mizàna Mihambo ho tsy lefin’ny taona Ka mandoka ny reny nihantana Nefa mba olona foana Totorebiky ny tia tsipy sandry Hitora-damba amin’ny haizina Ka sarotro natao lafi-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/tsy-izaho
TSY IZAHO
Solofomanjato
TSY IZAHO Raha tia anao ve aho Ataoko ahoana ny hijery Ny ranomasonao mitraho Anaty fahantrana irery Ka ny tambabin’ito jaly An-damosina efa haraka Ve hilaozako mifaly Sy mitehaka miaraka Amin’izato latsi-tànako ? Tsy iriko, tsy ilaiko Ny filaminan’ito saiko Raha mijaly ny olon-tiako Ka ny anjara fifaliako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/zarao-eto
ZARAO ETO
raozigasy
Zarao eto ny alahelo nokotrehim-po voadona Zarao eto ny hadisoana rehefa iny ianao nifona Zarao eto ny hatezerana, sy ireo otri-balifaty Dia hihamaivana ianao, raha mivoaka ireo tsy tanty Zarao eto ny hafaliana, mampitsiky izany tava Zarao eto ilay fitia, mampisioka izany vava Zarao eto izany vetso sy embonembona...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina77/tsiaro-nandalo
tsiaro nandalo
AINA77
e izany ianao ry tany, misetrasetra, mahavariana, zay lasanao rehetra any, tsy niverina,tà´ sondriana, reo namana tsy foy, ray reny,zoky,zandry, zay lasa any de afoy, tsy hita tsony mampamangy, ilay efitrano fatoriana, nisolo vato mapanembona, mampitondra fahoriana, ireo fianakavina sisa velona, ra toa ka m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mafy-ny-finoako
MAFY NY FINOAKO
Fredy Jaofera
MAFY NY FINOAKO Ray ô !... Mafy ny finoako tao anaty fahoriana, ka tsy hiova loko nony misy fitahiana. Mafy ny finoako tao anaty tebiteby, ka mbola mitoko nony ravo misomeby. Mafy ny finoako tao anaty sedra maro, ka mbola misoko, na hoby re fantaro. Mafy ny finoako tao anaty rivo-doza, ka ento ny foko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malaina
MALAINA
Fredy Jaofera
MALAINA Malaina izy hamafy fa tonga dia ny hijinja, matoa tsy mba nitafy ‘reny tsara indindra ! Malaina izy hamboly fa tonga dia ny hahazo matoa namolivoly sy mba very vazo. Malaina izy hifofotra fa tonga dia ny hatory matoa nihanidofotra sy nanan-tsorisory ! Malaina izy hiasa fa tonga dia ny hifety mato...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/indray-andro-any-3
INDRAY ANDRO ANY.....
Laingo
Ndray andro any... raha toa ka tsapanao F’efa nisy olon-tia anefa tsy notiavinao Dia tsarovy amin’izay, f’iny olona nijaly iny Dia efa an-tanan’olon-kafa, sambatra, tsy toy ny fahiny Ndray andro any.... raha toa izy ka hitanao eny ho eny Dia fantaro f’efa maty ‘lay fitiany rohy memy Ary nosoloiny vaovao tena tsar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/asa-izany-1
ASA IZANY...
Dox
ASA IZANY Ny masonao no itiavako iny abakabaka iny Sa ny masonao no tiako dia ny abakaba-manga ! Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliana Anoloan'ny masonao sy ny lanitra mitranga. Ny tsikinao no itiavako ny fivelaran'ny voninkazo Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany ! Asa izany fa ny foko tsy mits...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/mahereza-3
MAHEREZA
Laingo
Raha sarak’olon-tiana ka oriory izany fo Aza kivikivy akory fa atrako izany loha Ekena fa tsy moramora ny zavatra toy izany Nefa hoy aho aminao “atsaharo ny tomany” Fikasana ihany anie no mba azonao atao e Fa kosa ny fandaharana an’Ilay Ray ambony ao Koa mahereza hatrany, hatanjaho ity fo F’Izy Nahary ity tany, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/efa-hita-zao
EFA HITA 'ZAO !...
Fredy Jaofera
EFA HITA ‘ZAO !... Efa hita ‘zao fa fahantrana no mahazo laka tsisy farany dia dradraina tsy hay rarana ny hifidy lava izato anarany ! Efa hita ‘zao fa hanoanana no misoko hatrany hatrany dia mieboebo fa fiadanana no manjaka amin’ny tany. Efa hita ‘zao fa tsy fisiana no mahaketraka isan’ora dia lasa ihany, n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/dia-miala-any-indray
DIA MIALA ANY INDRAY ...
raozigasy
Dia miala any indray Dia miala any indray ry zalahy belamba, Hampiasa vola hono tsy mba miambahamba Dia tonga izy hampidina, ny vidin-tsolitany Lafarinina sy menaka, hataony daholo izany Ny tambiny tsy fantatra, tsy dia mazava tsara Tsy misy kajy betsaka, hoe ahoana ny ao afara Fa tonga aloha mandranto, izay toe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenomarc/fitia-6
Fitia
fenomarc
Isan'andro mifanena Ny masontsika roa Ny endrikao raha vao jerena Dia mampidoboka ny fo Hany ka tsy tanako intsony Ny hangina tsy hanambara Ilay Fitiavako namony Mila anao hikarakara Ka diso ve aho Raha mba manam-paniriana Hitoetra anilanao Handray anao ho alon-tiana? Sanatria tsy an-terisetra No hitiavako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/satriadia
SATRIA...DIA......
Laingo
Satria rehefa fantatrao izany fahatsoram-poko Tsisy miafina aminao ny toetrako rehetra Dia vitanao ny nampirafy tany an-kafa an-tsokosoko Sy nandainga tsara lahatra, teny fitaka tsy voafetra Satria ianao mieritreritra fa hoe tsy misy ny mahita Dia nanao adalana izay diso tafahoatra Ka vitanao ny namadika ireo din...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/volana-ianao-rahavako
VOLANA IANAO RAHAVAKO
Laingo
Diavolam-pararano, fenomanana madiva Ka ny tarany botsiaka manazava ny hariva Kanjo e! tsy ela akory dia nisoka anaty rahona Mifamalivaly ireo toa tantely sendra vahona Moa tsy izany indrindra ve ny fiainana eto an-tany Ka ny androm-pifaliana dia dimbiasan’ny tomany? Nefa kosa sanatria dia ho kivy ve ny saina Ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/mbola-hisy-1
MBOLA HISY
Laingo
Raha mbola hivadika ho maraina zany ali-maizim-pito Raha mbola misy fitenenana fa ny anio tsy ho ampitso Raha mbola hisy masoandro hanome hafanana Dia mbola hisy koa ftiavana anjakan’ny fahazavana Raha mbola misy fifaliana aorian’ny tomany Raha mbola misy tsikitsiky azo asetry an’izany Raha mbola misy kintan-kely...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/soa-fa-nisy-tsiky
SOA FA NISY TSIKY
raozigasy
SOA FA NISY TSIKY Soa fa nisy tsiky azo nozaraina Ho an’ireo nijaly sy niferitr’aina Soa fa nisy tsiky , azo nifamaliana Rehefa samy moana, noho ny hakiviana Soa fa nisy tsiky, azo nangalarina Teny amin ny mpandalo, ilay sendra tsy tafarina Soa fa nisy tsiky, azo nantenaina Natsikin’ireo namana, rehefa rera-tsa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahirintsoa/iantsako-sa-tsy-iantsako
IANTSAKO SA TSY IANTSAKO
Tahirintsoa
IANTSAKO SA TSY IANTSAKO vola vola inona ? ... ny volana banjinina ! dia aza korontanina ny filaminan-tsaiko: hira izao no ilaiko na tononkalo manjan' i Zanamihoatra Ranja. vola vola inona ? ny foko angaha poketra ?!? ... ny tanako fihinina dia ampahalalaiko anao ny hasambarana rehetra kobonin'ny poeta. Ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/ianao-27
IANAO
Laingo
Ianao no notsongaiko tao anatin’ny maro Tsy mba manan-tsahala ka tsy tiako hafangaro Ianao ‘lay mamiko indrindra mihoatra noho ny tantely Ka tsy foiko hatramin’ny farany, tsy hariako velively Ianao no handaniako ny herim-poko manontolo Mandritra ny androm-piainako eto, eto anivon’ny tontolo Ianao no natokako hian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitiariela/herintaona-izay
herintaona izay
fitiariela
Herintaona izay Herintaona izay no lasa Herintaona no nikasa Herintaona nivoadiana Herintaona izay 'lay dina Herintaonan'ny fitia Herintaona nankahia Herintaona nampifaly Herintaona nankarary Fa nahoana re izany? Fanenjehana, resa-be Hatrany Hatrany 'zay no re Eso koa fanaratsiana Nahatonga fanahiana Memy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/safidiko-ianao
SAFIDIKO IANAO
Laingo
Satria safidiko ianao dia tsy maintsy hotiaviko Tsy atakalo n’iza n’iza fa anankinako ny hoaviko Ny fitiavana ato am-poko ho anao tsy zaraina Na anio na rahampitso, hatrany am-para-pofon’aina Be ny azoko tiavina, maro no afaka hitia Nefa ianao irery ihany no andrandraiko ho doria Ka na ory ianao na manana, na ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/indrisy-6
INDRISY.....
Laingo
Efa noezahiko nalevina tsy hifoha intsony intsony Lay fitiavanao nandalo sy niserana tanatiko Efa noezahiko vonoina mba tsy ho velona sy hamony Nefa indrisy fa vao maika nahazo faka ka tsy tantiko Efa navaloko ho tantara ny andro teo anilanao Niniako koa ny nampangiana ireo lasantsika rehetra Efa narindriko hikat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tiava
TIAVA
Fredy Jaofera
TIAVA Izay anjakan’ny fitiavana tsy anjakan’ny haizina ; fa mahazo fahasoavana maromaro no tsy laizina. Izay anjakan’ny fitavana, tsy anjakan’ny ora ratsy ; fa mainka aza mihavana sy mahay mizara vatsy. Izay anjakan’ny fitiavana, tsy anjakan’ny disadisa fa mainka aza goavana ny hisehoan’ny paradisa. Izay a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/ny-ory-tsy-havane28099ny-manana
NY ORY TSY HAVAN'NY MANANA
Laingo
Nolavinao ny faniriako raha nitady hamaharana Noratrainao koa ny foko izay nikasa hasambarana Fifankatiavana madio no nantenaiko nefa indrisy Zary fankahalana ahy no hany tsapako fa misy Olon-kafa mantsy izao no hitako eo anilanao Olon-kafa tsara bika mendrika sy tia anao Olon-kafa tokinao hotiavina mandra-maty ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/iray-ihany-no-fidio
IRAY IHANY NO FIDIO
Laingo
Tovolahy va ianao? Aza diso fihetraketraka Fa na tsara ianao na ratsy aoka ianao ahay mipetraka Fa tsy ataonao kilalao ireo zavavy marobe Ka iarahanao daholo n any kely na lehibe Tovovavy kosa ianao? Aza tia mampirafy Satria hita miharihary fa izany no tena ratsy Na tsy menatr’olona aza matahora Ilay Tsitoha Fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laingo/filazana-manjo-1
FILAZANA MANJO
Laingo
Amin’alahelo lehibe no indro fa ampandrenesana Anareo tapaka sy namana ary havana hatrizay Fa indro lasa nodimandry, nindaosin’ny fahafatesana ‘Lay fitia tato am-poko, hatory ho mandrakizay Rehefa nivahiny teto, volana vitsy teo ho eo Dia nanomboka narary izy ary koa nanjoretra Niezaka aho nitsabo azy, saingy loz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/firy-taona
FIRY TAONA ?!...
Fredy Jaofera
FIRY TAONA ?!... Firy taona izy teo kanefa ange jereo fa mihamikororosy na zara fa mandroso ‘zato firenena efa mivena ? Firy taona izy teo ka ahoana no tsy leo fa tsisy fiovana na fahagagana, n’aiza n’aiza ange, sakaiza ? Firy taona izy teo fa tsy nahenoana feo, na kely akory ny tsy hatory ho an’ny osa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/indrisy-4
INDRISY
Fredy Jaofera
INDRISY Raha ny tiana hatramin’izay no niova sy nisintaka ka nifosa tsy nampino sy nanjary nahay namitaka dia aleoko re mangina tsy hamaly avy izay lazainy fa ho tantaran-dranomaso hipetraka ao an-tsainy. Raha ny tiana hatramin’izay no lasa hoe : fahavalo ka nampisento izany foko teny ho eny tsy hikalo, dia aleo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aza-hitako-1
AZA HITAKO
raozigasy
Aza hitako Any an-tanindrazako any, any madagasikara No lakabe hampiova endrika, ny tontolo sy tantara He ity fireneko simba, ifandrotehin’ny mpitondra Ka ny vahoaka malagasy, no batiana atao ampondra Any an-tanindrazako any , no sehatra iray vaovao Iantombohan’ady hafa, amin’izao taon-jato izao Satria rehefa ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ny-tantara-no-aoka-hitsara
NY TANTARA NO AOKA HITSARA
raozigasy
Ny tantara no aoka hitsara Izao hetraketra-pamonoana, tsy misy fetra tsy mitsahatra Izao fanararaotam-pahefana, sy ireo didy tsy anka-dahatra Izao fampijaliam-bahoaka, , mpiray rà  sy tanindrazana Dia mbola hivaly eny ihany, tsy hiandry anao ho lasa razana Izao fitondrana sadasada, tsy fanta-pototra izao Izao fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ry-tanindrazako-o-nahoana
RY TANINDRAZAKO O NAHOANA
raozigasy
Ry tanindrazako o nahoana ? Ry tanindrazako o nahoana ? ianao no dia mijaly foana Tsy efa ampy ve izay ny sotasota sy kibay Ry tanindrazako o nahoana ? rahoviana ilay fotoana hilamina ny malagasy hitsahatra ny tifi-basy Ry tanindrazako o maninona ? ianao no atao tsinontsinona verezin-jo, verezin-tsata ka ba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-fantatro-ianao
TSY FANTATRO IANAO
raozigasy
TSY FANTATRO IANAO Tsy fantatro ianao, tsy ho fantatro intsony F’irony hiranao, ventesina irony Sisa hahalalako, f’ianao ilay andrarezina K’ireo kantonao, sarotra verezina Tsy fantatro ianao, tsy ho fantatro intsony, f’irony sarinao, ilay felana namony sisa nobanjiniko, toy ilay feonao lasa hira fikaloko, eny h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riso-lalason/laingalainga-1
Laingalainga
riso lalason
LAINGALAINGA Laingalainga tsy mampino Raha ianao hoe "Manadino" Fa kirin-tsaina mba iniana Dia indro ianao fa "Mangina" Korana no niarahana Fitia nifamaliana Koa nahoana no mibahana Ny teny hoe : TSY TIANA Eto mantsy, misosa ihany ny andro Be ny zava-bao Kanefa mbola mandro Anaty tsiaro anao Tsy mino ny fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vaky-loha
VAKY LOHA
raozigasy
VAKY LOHA Ankona ny tena, ankona ny saina, kenda tsy niteny, ny molotra koa maina nahita izato sary, loha malagasy izay nizara roa, voatifitry ny basy kivy sy torovana, ana, valalanina tsy naharay sotro intsony, tsy nihinan-kanina nahita izato sary, tena valan-ketraka nangovitra ny lohalika, ka tena tafapetraka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/any-anaty-nofiko-any
Any anaty nofiko any
Pissoa
Any anaty nofiko any Any anaty nofiko any, izy mihoatra noho ny namako Izy ilay efa voatokana, silak'aina amam-panahy. Any anaty nofiko any, ny tanany iny no tantanako Ary na inona mitranga, izahay mijoro, tsy manahy. Any anaty nofiko any, izy mihoatra noho ny namako Ka amin'ny aliko mikitroka, izy ihany no fihin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/menatra-aho-ry-taniko
Menatra aho ry taniko
raozigasy
Menatra aho ry taniko Menatra aho ry taniko raha ny hafa no indramiko mba hisolantsolana hitady vahaolana ho an ny firenena izay vao hoe ekena Menatra aho ry taniko raha ny hafa no indramiko handamina ny fiainako hanazava ny fisainako hikatsaka izay tsara ho an'i gasikara menatra aho ry taniko raha ny haf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/antsika-1
ANTSIKA
Fredy Jaofera
ANTSIKA Antsika, Gasikara, ka aza potipotehina na mila ho rotehina fa tsy zavatra tsara ! Antsika, Gasikara, ka aza ravaravana, na tsy isalasalana ny tianao hambara. Antsika, Gasikara, ka aza mifandrafy, na tsaroana mihafy fa haharatsy fiafara. Antsika, Gasikara, ka aza ampiadiana n’oviana n’oviana, ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanjanahan-tany
FANJANAHAN-TANY
Fredy Jaofera
FANJANAHAN-TANY Fahavoazan-dehibe, tsy mampihomehy, nampitera-doza vao nivozavoza. Sedra maromaro mafy ka fantaro nanjakan’ny hafa raha nijafajafa ! Nampiozonozona fa be tery vozona sy izay tsy rariny tiany sy tsy ariny ! Fangalaran-tany an-kery hatrany, be mpanararaotra ka nampitraotra. Fangejana lava...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/fony-teto-ianao
FONY TETO IANAO
Solofomanjato
FONY TETO IANAO Malala a ! Raha tsy ho eto intsony ny tsikinao ry tiako Hanjary karankaina angamba itony riana itony Ho kiana sady maina mihitsy izay mba fifaliako Ho haolo maninteraka ny voahary sy ny fony Ireny voronkely eny antsefany eny toa gina tsisy feo Fa sioky ny manina no mameno nofy natobaky ny sento ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lohataona
LOHATAONA
Fredy Jaofera
LOHATAONA Miverina indray ny masoandro ka miaina sy mba lavi-tsaona ; mahafinaritra ery izany andro fa tonga tokoa ny lohataona. Mitsimoka indray ny voahary, ka kanto no maharavo foana ; satry ny ho vita amin’ny sary fa tonga tokoa ny lohataona. Mitsoka mangina ny rivotra, ka mamelona vao manoloana ; raozy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/any-an-tanindrazako-any
Any an-tanindrazako any
Pissoa
Any an-tanindrazako any ! Misy hiaka sy talaho hampitsahatra ny ady, Misy fo midradradradra, "Miverena, Fihavanana !" Nefa misy koa ny hambo mampihenjana ny tady Sy fitiavana harena, hampitombo ny eo an-tanana. Misy zaza izao kamboty, ka ny hoaviny voafia ; Misy hatanorana koa, mandry am-parafara vato ! Misy ren...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/mpitolona
MPITOLONA
Solofomanjato
MPITOLONA Misy ireo mitolona ho an’ny tanindrazany Somampimampy rà  ny ketron’ny hidivazany Misy ireo mitolona ho an’ny fahafahana Hamahana ny fatoram-pangejan’ny fanjanahana Misy ireo mitolona mba ho fahatratrarany Ny kirin’ny herim-po hanakatra ny tsarany Misy ireo mitolona hampiadana finaritra Ho an’ilay mal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vavaka-lamokany
VAVAKA LAMOKANY
raozigasy
Vavaka lamokany Nivavaka aho ry Ray Eny hatramin izay Ho an’ny fireneko Izay niseho nekeko Nivavako aho ry Ray Na dia nahamay Ny zavatra nianjady “ilay fireneko miady” Nivavako aho ry Ray Dia nanadino anay Fa sao dia hoe tia tena Tsy mijery firenena Nefa izao no vokany Vavaka lamokany Faty be dia be Mam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/hiady-an-trano-ve-isika
HIADY AN-TRANO VE ISIKA
raozigasy
HIADY AN-TRANO Hiady an-trano ve isika Raha tsy mitovy politika Hifandavo tsy hifanarina Tahaka ny valala an-karona Hiady an-trano ve ny gasy Hifampitifitra amin ny basy Nefa mpiray firenena Sao dia tokony hihevi-tena Hiady an-trano ve ny Merina Raha ny mpitondra no heverina Ka hifamono sy hifandritaka Dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/na-dia-misy-aza
NA DIA MISY AZA...
Fredy Jaofera
NA DIA MISY AZA... Na dia misy aza ny mampandrahona ny fiainako ka tsy ahafahako mibitaka na mbola hifalifaly, tsy ho resy akory na ho ketraka ny fisainako fa miezaka ombieny ny hanala itony jaly. Na dia misy aza ny alahelo mamatotra ny foko ka tsy ahafahako mitsiky na mihirahira hatrany, mbola hisy fetra ange i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/misy-maso
MISY MASO
Solofomanjato
MISY MASO Misy maso tsy hitanao, fa mijery anao ihany, Misy fo tsy tsapanao, fa mitempo anao mangina Misy orana milondo saingy tsy henonao mitraho Misy sento mipolotra, fa tsy mba tsapanao, variana ! Misy kalo injany miainga, te hivoaka anatiny any Misy tsiaro, misy sary, sento miharo faniriana Misy nofinofy lal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahirintsoa/orokanjely
OROK'ANJELY
Tahirintsoa
OROK'ANJELY Tsy safotofoton'oroka foretadretak'ota mifampifotafota no "veloma akia malala" nataony nony niala ... fa oroky ny anjely mihajahaja kely (ho toy ny tsetsatsetsa tsy aritra naely) ... kanefa tena oroka... hany ka naharitra ilay tsirona voaloboka !!! Izy efa nanidina nikopaka eny an-danitra f'izah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rainmbah/izy-iny
IZY INY...
Rainmbah
IZY INY Izy iny ! Toa torova sy kivy, fa mahatsapa fa mizotra amin’ny lalana tsy izy, Izy iny, toa misaly sy mibaby fanenena, Nefa tsy mahita intsony izay lalan-kiverenana. Nefa izy iny ! Mbola manana fitiavana miavosa, tiana homena ny tontolo, Saingy kosa, Noho izy iny ! Toa torovana sy kivy, izay mahatsapa fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/be
BE
Fredy Jaofera
BE Be ny alahelo tsy voavoaka fa ao am-po, efa in-telo no nitsoaka sy namoha... Be ny ranomaso tsy hitanao niraradraraka, efa an-kaso sy toa natao hanarakaraka. Be ny ady mafy tsy mihary fa mangina, nampihafy sy nanjary fanaviana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rainmbah/faka-itiavana
FAKA ... ITIAVANA
Rainmbah
FAKA ... ITIAVANA Moa aminao ve izay kanto sy soa No tiana ho namana ho mamin’ny fo ? Sa ireo bikana sy izay be harena No tiana ho azo sy ho an’ny tena ? Nefa tsy izany no antony hitiavana, Ka aoka ho lazaiko aminao re rahavana Fa ny toetrany aloha no tsara jerena, Dia eo no misaina, mitsara ny tena Ny toe-pan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/titosy/tsia-3
tsia
titosy
TSIA Fitia tsy hay faritana Entana tsy maivana Nofy tsy mamiratra Ilo toa famaizana Toky salasala Revo, tia, adala, no Ambaranao malala
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hotakotaka
HOTAKOTAKA
Fredy Jaofera
HOTAKOTAKA Hotakotaka, rotadrotaka, mampitsoatsoaka, mampipoapoaka ny basy rehetra tsy misy fepetra ! Hetraketraka, ketraketraka, mandrebireby, mampitebiteby, mampivahobahotra, no sady misy tahotra. Korotandrotana, ongotrongotana, potipotehina, kosikosehina ny marina maro fa loza tsy hiaro.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahirintsoa/anjohy-la-haute-ville
Anjohy ...
Tahirintsoa
Anjohy ...(La Haute Ville) tanàna nahafantarako tantara ora fohy tsy misy hotantaraina... tsy sanatria malaina hananika ny tendron'ny vohitrao ny foko, fa izy ange ry Anjohy mba olona tsy foiko e ... mba satriko ho zatra handia ny tokontaniny ... mba satriko ho tratra alinalina ao an-tranony ... mba satriko h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasobakobako/ny-hatsaranao
NY HATSARANAO
Rasobakobako
Ny hatsaranao Na ny entako mavesatra, ny jaliko,ny olako Dia angatahinao, hozakaina, hobataina, Ireo trosa mitambesatra, ny ziogako, ary ny otako Mbola lazainao fa hofafaina, sy hosasaina Tsy tsarovanao akory ny haratsiako, ny adisoako Fa omenao fahefana aho mba hangataka ny ilaina Fasahiranana, sorisory man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasobakobako/tsy-misy-maharesy-anao
TSY MISY MAHARESY ANAO
Rasobakobako
Ireo lolom-po Ny alahelo koa Tsy maharesy anao Itony adin-tsaina Mandreraka ny aina Tsy maharesy anao Ny vola sy harena Fananana sesehena Tsy maharesy anao Ny tsy fahampiana Ny trosa, fahoriana Tsy maharesy anao Ny rehareha rehetra Eboebo tsisy fetra Tsy maharesy anao Fiatsaram-belatsihy Sy ny olona tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/titosy/izy-6
izy
titosy
IZY Mifalia ry foko fa tonga lay tianao Ilo tsy ho faty mihira anatinao Ravahiny tokoa ny fiainantsika rehetra Angolainy feo kanto sy ny tsiky tsisy fetra Deraiko ianao ry tiako satria mahay mitia Omeko anao ary 'lay nalefanao taty Manontany ianao hoe: inona ary izany? Akon'ny lay feo nanafana antsika hatrany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasobakobako/iza-moa-izay-izaho
IZA MOA IZAY IZAHO ?
Rasobakobako
Iza moa izay izaho no tsy maintsy hajaina Mitady voninahitra, mba tsy ho vingavingaina Tsy mba manetry tena araka ny baikonao Nefa tsinotsinona akory raha lavitra anao Iza moa izay izaho no tsy maintsy omena Izay rehetra angatahina sy izay mety mbola ilaina Manandratena fa ilaina amin’ny asa izay atao Nefa tsino...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasobakobako/izaho-sy-ianao-2
IZAHO SY IANAO
Rasobakobako
Izaho mbola tinao foana, na dia tsy mendrika aza Fa raha mbola eto antany, tsy misy teny mahalaza Ny fitiavanao, ny voninahitrao, ny hatsaranao Ho ahy tsy manao akory ireo izay sitrakao izaho milaza foana fa tena tia anao efa impiry impiry no mivoady aminao mifona sy mibebaka, hoe tsy hamerina intsony, manao tsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-nino
TSY NINO
Fredy Jaofera
TSY NINO Tsy nino ianao fa tiako, ka hadino ny fisiako ! Tsy nino ianao fa soa, ka vimbino ‘zay nahavoa. Tsy nino ianao fa mamy, ka halalino ‘zay mba tamy. Tsy nino ianao fa raozy, ka banjino vao mipaozy !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasobakobako/nomenao-ahy-avokoa
NOMENAO AHY AVOKOA
Rasobakobako
Nomenao ahy avokoa Ny endrikao tena soa, sy fofon’aina mahavelona Ilay vady tia sy tiako koa, nomenao ahy mba hamelona izato vatako salama, ireo dimbiko sy farako ny talenta, fahalalana ary ny asa fitadiavako Ny sakafo izay haniko , sy ny akanjo itafiako Ny entana ao anaty tranoko, sy zay rehetra fandaniako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasobakobako/ny-hany-angatahinao
NY HANY ANGATAHINAO
Rasobakobako
Ny hany angatahinao... finoana voatsinampy Fa tsy toy ny vatolampy No hany angatahinao Fianteherana aminao Sy ny entako ho entinao No hany angatahinao Fanekeko fitondrana Tsy ho amin’ny lalam-pahotana No hany angatahinao Safidy lalana izay ety Zay neveriko ho tsy nety No hany angatahinao Famelana anao hias...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/ry-fifankatiavana-o
RY FIFANKATIAVANA O!
ZOZORO
RY FIFANKATIAVANA à”! Aiza hoe ny elatrao hitetezako ny tany Niarahanay fahiny ! Ny sarinay nihara-droa angamba mbola ho hitako any tamin'iny lalana iny Fa nisian'ny tsikitsiky sy ny hira tsara feo sangisangy, hanihany, Ilay niarahanay nihira angamba mbola ho hita eo Miandry anay foana hatrany. Aza tà nana ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/dia-miverina-indray
DIA MIVERINA INDRAY
raozigasy
Dia miverina indray irony tifi-bary raraka Dia tsy mety mihitsy ve raha tsy ny aina no araraka Dia misahotaka indray, ny vahoakan’iarivo Dia sanatria indray ve, ka tsak tsak zato, arivo Dia mihoson-dra indray, ny araben’ny renivohitra Dia tsy mazava intsony mihitsy, iza no izy sy mpanohitra Dia tabataba horakorak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahirintsoa/sarimihetsika-1
SARIMIHETSIKA
Tahirintsoa
misy sarimihetsika mandeha mandavan-taona eny ananona eny misy sarimetsika miovaova foana na sehatra na teny ... dia mihondinkodina ao ireo mpilalao, somokotra maneho ny anjara adidiny ... kanefa raha tsy IANAO no mpandray anjara fototra: ... tantara tsisy vidiny. (ahitanao tononkalon'i Tahirintsoa ihany ko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mbola-tsy-ampy-ve-ry-taniko
MBOLA TSY AMPY VE RY TANIKO
raozigasy
MBOLA TSY AMPY VE RY TANIKO Dia mbola tsy ampy ve ry taniko, Ny gidragidra politika No hatramin’ny “alanao”, no hanaovana “ady alika” Dia mbola tsy ampy tsara ve, ny fijaliana iainanao No ilay “ala” hany sisa harena, no hanaovana ny tsy fanao Dia mbola tsy ampy ve ry taniko, ireo harena norobaina No hatramin’ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahirintsoa/tiako-ianao-ho-namako
Tiako ianao ho namako
Tahirintsoa
Tiako ianao ho namako Tiako ianao ho namako na dia tsy ho ahy, na dia tsy hotantanako aza tsy manahy ... Tiako ianao ho namako na dia tsy hofihinina, na dia tsy ho malalako aza tsy maninona ... Tiako ianao ho namako, na dia tsy hitambatra ny lalanao sy lalako: sitrany aho mba sambatra ... Fa tiako noho ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/misy-andro
MISY ANDRO
raozigasy
MISY ANDRO Misy andro indraindray Zary toa mifamotoana, ny olana sy ny ankaso Misy andro indraindray Toa ianao irery foana, No milatsa-dranomaso Misy andro indraindray Mikomy aminao daholo, Ry Fitsikiana, sy ry Faly Misy andro indraindray Manjombon-dava ny tontolo, Feno atambo, loza, jaly Misy andro indraindra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tonga-soa
TONGA SOA
raozigasy
TONGA SOA Tonga soa ialahy leiroa Dia falibe i dadatoa Faly ny fianakaviana Tojo zaza ilay nirina Tonga soa ialahy leiroa Dia arahabaina ihany koa Na i neny na i dada Be someby sy kotaba Tonga soa ialahy leiroa Tretrika ireo bebe roa Fa nahazo zafikely Ho torahi-mamikely Tonga soa ialahy leiroa Dia raisin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/ny-lasa-4
NY LASA
Solofomanjato
NY LASA Raha ny lasana rehetra no tanisaina tsisy farany Dia ny ratsy sy ny soa ; mirakitra izay ho tantarany Tao ny lasa afak’omaly nampirotsaka tomany Tao ny mbola tsiky vao ; izay no fiaianan eto an-tany Nefa ireny lasa ireny, tsy mba azonao tsiniana Vovoky ny lasa ihany, fa aloky ankehitriny Ao ireny mampits...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-joseph-rabearivelo/tsy-hitony-tsy-akory
TSY HITONY TSY AKORY
Jean-Joseph Rabearivelo
TSY HITONY TSY AKORY Na dia misy olon-tiana Hanakely ny mahory, Sy hitondra hafaliana - Tsy hitony tsy akory ! Na dia misy anjely soa Hanafoana sorisory, Sy hamalifaly koa - Tsy hitony tsy akory Na dia manan-kery aza Ny fitia mamorivory, Dia sahiko ny milaza: Tsy hitony tsy akory ! Tsy hitony tsy akory Fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahirintsoa/tapaka
TAPAKA
Tahirintsoa
TAPAKA Tapaka tsy manana ny tapaka sy namana fa tapaky ny volana ... ny vola hamelomana ireto zaza maro, mameno tokantrano, anefa mbola olana tsy azo avilivily amin'ny ala hamohamon' ny toaka mahamamo... rahoviana vao hifarana ny volana aprily e. rafotsy nihomankomana hitsoaka tokantrano fa hoe tsy velon-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/s-v-andriazananony/-20
...
S. V. ANDRIAZANANONY
- "Ary raha miverina izy indray andro any dia ahoana no ho lazaiko ary koa ho tantaraiko ? - "Ambarao ka lazao fa miandry azy aho hatrany na maraina na hariva mandram-pialam-pofonaiko... - "Ary raha mamakafaka na manao teny tsy tsaroana ka manjary mpivahiny tsy mba fantam-piavina ? - "Ianao anie no havany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/ry-volana-1
RY VOLANA
Solofomanjato
RY VOLANA Eny ry Volana irikatra, Tsy mba mifidy tazanina Tsy sodokan’izay randra-mitatra Fa misoka mora, milamina. Endrey e, ry volana soa ! Satriko ho’aho ireny tarany Hitrebika antiko koa Ka hitaratra indray izay ho làlany Indriako ry volana feno Mbetika indriako dia tazana Mbetika kosa dia heno F’any am...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ny-anaranao
NY ANARANAO
raozigasy
NY ANARANAO Ny anaranao dia mahafoaka Ilay ao am-po izay tsy miloaka Ireo loharanon’ny taranaka Tsara ny anaranao anaka Ny anaranao dia tonga lafatra Tsy mila hampitaina intsony ny hafatra Fa ny tenanao ihany Dia efa eo hanaporofo izany Ny anaranao dia tena raitra Ary izaho moa dia tsy taitra Fa tsara fidin-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahirintsoa/misy-zanakolona
Misy zanakolona
Tahirintsoa
misy zanakolona toy ny hoe nateraka hambabo ny fanahiko... misy zanakolona milasitra tanteraka amin'ny endrika katsahiko ... misy zanakolona satriko havahana amin'izao tontolo izao ... misy zanakolona tiako mba hiarahana. ... ho iza raha tsy IANAO.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahirintsoa/aminity-ririnina-ity
Amin'ity ririnina ity
Tahirintsoa
Amin'ity ririnina ity... Ity kininina ity ve dia hahavita hanafana an'ity ririnina ity ? f'ilay nirian-kitia nitsoaka tsy tamana tamin'ity fandriana ity Ny kindriandrian'ny mpanana notsiriritin-dry hoe tsy maintsy mbola hananana ka miveren-ko namana f'impiry izay ny aty no nisalakalaka tanana ?... sa volam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rainmbah/andraso-izy
ANDRASO IZY
Rainmbah
ANDRASO IZY ! Raha toa ka misy ny fitiavana, Dia tsara ihany ianao miandry, F’izy tsy haneho fandavana, Fa hitsena anao an-tambitamby Tsy lany andro akory ianao, Nitsena azy tsy nahita, Fa tena fisedrana izao, Mba ho lesona amin’ny sisa. Ny hamono ny anarany, Dia fadio mihitsy izany, Aza leo f’ianao no anjar...