url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hajaina/ingahy-mampianatra
INGAHY MAMPIANATRA
Hajaina
INGAHY MAMPIANATRA Variana dia variana Dia mijery tsy mangina Ny voamason’ireto zatovovavy izay mpianatra Noho ny molotrao Mipentsopentsona toy izao Ampian’ny fanananao traikefa raha mampianatra Ô ry Ingahy Mpampianatra! Voasarikao izy ireo Ka ny marina: ekeo Fa nisy tamin’izy ireny, avy dia inty nanatona Di...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anarim/eny-rilay-silako
Eny r'ilay silako!
anarim
Taona maro izay no lasa Mbola maro no kinasa Fa raha ny hatreto aloha Dia indro aborako ny fo Nifamahofaho teny Ny mangidy sy ny mamy Saingy efa fantantsika ireny Fa fomban-tany ihany Dia teo foana ianao ho ahy Ary teo foana aho ho anao Ka tsy misy mampanahy Ny amintsika hatramizao Ekeko fa tsy mora tokoa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimalala/ianao
Ianao
arimalala
Ianao lay efa tiako Ianao no nofidiako Hotolorana fitia Hiarahana doria Ny fiainako tontolo Raha mbola velona aho Dia mbola ho tia anao Hatrizay ka hatrizao Tiako ho tsapanao satria Toy izany aho rehefa tia Tsy kilalao sanatria Fa rehefa tia dia tena tia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/ilay-fotoana
ILAY FOTOANA
endrika01
ILAY FOTOANA! Tiko foana , Tsy ho lefy Ilay fotoana, Ka ho tomefy Ny fitia, Ny androntsika roa Mandrakizay doria(...)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izaho-ilay-tambanivohi-bavy
IZAHO ILAY TAMBANIVOHI-BAVY
raozigasy
IZAHO ILAY TAMBANIVOHI-BAVY Akanjo manga efa tonta Sy tenisy efa draoka No nentiko niseho vahoaka, Ka toy ny vely kanonta Tam-parahatoko tao Ny filazana tan-gazety Hoe: “tongava aty ianao Ka manaova metimety Fa laharana voalohany No azonao ry Poety Tena tsara fanombohany.” Ny fahantrako, ô indrisy! Tsy mba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hajaina/angamba-tsy-ho-feno
Angamba tsy ho feno
Hajaina
Angamba tsy ho feno Ny fatram-pifaliana Raha toa ka ianao No mody tsy naheno, Nanafim-pitsikiana Na sanatria nandao. Fa tsy mba izany iky No zavatra hita maso F’ianao tena sahy Rakofanao ny tsiky Tsy nifampiandry andraso Ireo asa: tsy manahy. Am-bolam-bitsivitsy Dia marobe ny dingana Vita, ts’isy fetra. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketaka-kely/misaotra-ray-o
Misaotra Ray ô !
ketaka kely
Misaotra Ray ô ! Misaotra anao aho ry Ray Fa nomenao tombon'andro Hahafahako mandray Famonjena isan'andro Misaotra anao aho ry Nahary Fa salama tsy farofy Hahafahako mihary Ary koa manofinofy Misaotra anao aho Ray mahery Fa nomenao fo miantra Hahafahako mijery Ireo madinika mahantra Misaotra anao aho Tompo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mampino
TSY MAMPINO
Fredy Jaofera
TSY MAMPINO Tsy mampino raha ny firenena no mikorontana hoatra izao ; ka halalino fa mihamivena sy nanongotana ny tiako tao !…
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/masonandriamanitra
MASON'ANDRIAMANITRA
Fredy Jaofera
MASON’ANDRIAMANITRA Mason’Andriamanitra, tsy mason’olombelona fa mahita sy maranitra, na tsy miselontselona. Mason’Andriamanitra, tsy mason’olombelona fa avy any an-danitra mahatazana ny velona. Koa mitandrema ihany no hafatrafatra ho anao sao ho potraka amin-tany sy hihomehezana ao ho ao. Koa mihevitrever...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/kaiza-kaiza
K'aiza k'aiza
raozigasy
K’AIZA K’AIZA (Dridridridrin’ny dimbaka Gasy iray eo Ambohipialanaina) K’aiza k’aiza izy izany ry lery, Efa koboko ianareo vao tery Mba siriho fa aty misy hadehaka Tena ramaka aho izany misanehaka. Misy mbala manja be izay hitako Ao am-bovo izy izao, k’izao no fikako : Takalo maizina roa monja ihany, Don...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrakens/haingom-piainana
Haingom-piainana
Fetrakens
Raha vao maraina ny andro miposaka ny masoandro d'efa lasa ny fisainana Aiza ilay haingom-piainana Vao mitady mantsy ity olona mitady izay ho tena namana iza ary no malala-tànana? Mba hiaraka hanohy ny tolona Ity fiainana hono mafy Ka mila anao hiara-hihafy Fa ilay hoe: "ianao" tsy hay hoe iza? Haingom-piain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asiniony/ririnina
RIRININA
ASINIONY
Andriamanitra ô, raha azonao atao foany ny ririnina fa io no fe-potoana iketohan'hirifiry sy maha-ambavahoana ny nofonay mahantra ! Ny asa mantsy tsinona tsy azonay avela Ny hery anefa mihena ny kibo feno tapaka tsy afenina fa noana ny erika, fanala misovoka tsy ela Hatramin'ny tsinay atangolingoliny hat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hajaina/ny-tanindrazantsika
NY TANINDRAZANTSIKA
Hajaina
NY TANINDRAZANTSIKA Rehefa injay manangasanga Eny antenantenan-dravina Ilay tara-bolam-penomanana, Dia ao an-tsaiko ts’isy banga I Gasikara nohasoavin’ Andriamanitra hiadanana. Fa aminao avokoa Ireo karazana hatsarana Ô ry Madagasikarako Ny ali-mainty aza moa Eny, mbola ahitana Ny hatsaranao ry tsarako. Ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mysento/ilay-tovovavy-misitery
Ilay tovovavy Misitery
Mysento
Ilay tovovavy Misitery Ho sahinao va reh, ny handratra ity foko 'zay manjohy ,mitady anao anaty ny alina toloko Niezaka aho ny hamatatra ny tena momba anao! saingy tsy izany aloha ny mahamaika ahy izao! fa ny handre ny feonao, sy 'lay tsiky hafakely manangoly ny fanahiko! Ireny sangisangintsika,an-tsoratsor...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketaka-kely/sombinaina
SOMBINAINA
ketaka kely
Sombinaina ! Adinoy ireo hadisoana Ireo tahotra ialao Fa izaho no hanafoana Ahiahy anatinao Raha sendra ianao bolisatra Zaho re no hianjera Fa ny ho avinao hamiratra Tsy hisy sento na tsikera Ny andro nahaterahanao No ilay fotoana sarobidy Nahalalako hoe iza aho? Tiako ianao satria finidy Ka raha toa ny et...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asiniony/ny-vola
NY VOLA
ASINIONY
NY VOLA Sarintsarin'olona, sarin-Tsarimbavy izay tsy manam-bola Hatramin'ny olon-tiana tsy azo antsoina vady rehefa tsy ampy vola Zanaka nateraka no tonga olom-banona nikoriana tao ny vola Havana no tia milaza "manimanina" anananao ny vola Hatrany am-piangonana, ny hanefa adidy tsy maintsy hoe ny vola Na ai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/voatrampangoro
VOATR'AMPANGORO
Fredy Jaofera
VOATR’AMPANGORO Ny olombelona voatr’ampangoro ka mifandimby ambony sy ambany ; na velona toa torotoro sy tsisy dimby ny fony eto an-tany !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/f-angaha
F' ANGAHA
Solofomanjato
F’ANGAHA F’angaha ny avonavona mahavidy aina ? Sa moa filafilan’ny tia rehareha ? F’angaha ny hatsaràna mitory ny an-tsaina ? Ka hiandry voadona vao hiova fandeha. F’angaha ny fo tsotra ilaina alalinina ? Sao ve sarintsarin’ny endri-panahy ? F’angaha moa ny resy fanao tsinontsinona ? Ndrao tojo mahery vao hilef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hajaina/maintinaloka-fotsinandro
MAINTIN'ALOKA, FOTSIN'ANDRO
Hajaina
MAINTIN’ALOKA, FOTSIN’ANDRO Raha tsy eo ianao: maintin’aloka ny lokoko Tsy fantatrao angaha, fa ianao no efa tokiko? Nivoadini-dra tsy satry ny tavako fadiranovana Sarintsarin’olon-tsembana ka maniry ny harovana. Raha tsy eo ianao: fotsin’andro hatsatra aho Matim-bela toa tsy avotra, lanin’orana mitraho, Tari-dr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hajaina/dia-aleo
Dia aleo ...
Hajaina
ho an’ny Havàtsa, noho ny faha 55 taona DIA ALEO… Raha Saina mora ketraka No entinao mamaky ny haizim-be mikitroka, Dia aleo mipetrapetraka Fa sao ho sendra hady… lalina mangitsoka. Raha Fo mora sendaotra No entinao maneho ny teny sy ny sary, Dia aleo mamboamboatra Karazam-panafody, sitrany tsy harary. Fa rah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketaka-kely/nisy-ve
NISY VE ?
ketaka kely
Nisy ve ? Nisy ve lay isika roa Mpifankatia? Niventiventy hifanasoa ho doria Nisy ve lay zaho sy ianao Toa tsy ho faty? Variana izao tontolo izao Hoe nahafatifaty Nisy ve lay isika roa Nifampitantana ? Nitsiriritra avokoa ireo mpitazana Nisy ve lay zaho sy ianao Nitovy fijery ? Ka nifaly nilalao Tsy ant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketaka-kely/hitsiky-aho
Hitsiky aho
ketaka kely
Hitsiky aho Hitsiky aho na dia tomany Mazava izao anaty foko Fa ny hetrak'ity tany Arahin-tsento sy toloko Hitsiky aho na dia tsy faly Fa faniriako ny ho sambatra Ity foko te hamaly Hihira, kalo tsy miambatra Hitsiky aho na dia onena ny foko manko tia miantra Ka ny tsiky izay omena ho fanafodin'ny mahantra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/sombinaiko
SOMBINAIKO
ANJARA7
Tiako ianao ry sombinaiko Tiako ianao satria niriko Tiako ary antenaiko Hampody ndray lay fifaliako Ny fitsikinao dia mamiko Ny fiteninao lalaiko Ny anaranao dia tsy indramiko Fa ventsoiko sy hiraiko Mahafaly maharavo zany iantsapazanao Mahaketraka ny fo zany tsy eo anilanao Toky anefa ho anao fa na lavitra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/malagasy-foana-ianao
Malagasy foana ianao
raozigasy
Na ho fotsy fihodirana, fa notsatsoin’ny hatsiaka Na hiteny teny hafa, noho ny fiampitana riaka Na hiaina fivoarana, noho izato fandrosoana Dia Malagasy foana ianao, izany tsy azonao soloina Na ho vazaha ny taratasy, ka ny anaranao vaovao Na ho ary fomba be mihitsy , ny kojakojan-tranonao Na hiadana am-pitaovan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/lavo
LAVO???
ANJARA7
LAVO??? Andry toky nandrandraina,fa hihaino lay taraina No indro fa nivena,ka nidaboka nianjera Dia noelohina hoe diso,ny sainy hono maramara Tsy hanankinana ny ampitso,fa ny tantara no aoka hitsara Izy zany no ilay lavo?fa nilofika niantonta Dia nitora bato ianao,satria ianao tsy mba nanota? Aza maika hanakora,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izy-iny
IZY INY
Fredy Jaofera
IZY INY Tsy hitako izy iny tao anaty fahoriana, koa aza tsiny raha toa ka tsy tiana. Tsy hitako izy iny tao anaty adin-tsaina, koa dia vahiny vao tsapa fa niaina. Tsy hitako izy iny tao anaty sento maro, koa aoka ny siny fa tsy azo afangaro. Tsy hitako izy iny tao anaty haverezana, koa ankehitriny aleo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/ho-inona
HO INONA ?
Solofomanjato
(Ho setrin’ny “ho anao” nosoratan’i Zozoro) Tsy ahoako akory izay bedibedinao Fa ny hany tokana fantatro dia izao Tia anao ny foko, ary ny fanahiko Tia anao tsy miambatra, Raha tany ilainao ho fantatra Sy izay rehatra ahiko Tsy ahoako akory izay ventesinao Fa ny hany tokana fantatro dia izao Ny anaranao no sam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/am-pahanginana
Am-pahanginana
Pissoa
Am-pahanginana Taona firifiry no niainany mangina Tontolo feno lainga, tontolo mampitamby. Ny masony mipitra, ny molony efa sina ; Tsy zoky izy, tsy zandry mba mety hanambitamby. Hany mba sakaiza ? Ny taratasy sy ny peniny ; Ka tamim-pahanginana, narindrany ny teniny. Taona firifiry no niandrasany iry volana Ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/dobo-po
DOBO-PO
Fredy Jaofera
DOBO-PO Dobo-po tsy reny kanefa dia niteny no nisy tsaratsara toy ny hoe anjara vao mba tazako izy nisy bika soa izaitsizy ka nahasambatra ahy, na dia tsy nahasahy nilaza ilay fitia satriko ho doria.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/mpinamana
mpinamana
njaf
fa na maro aza ireo elanelana misy ny foko tsy miova fa manina foana ka reo tebiteby iangaviako tsy hisy fa tsy maintsy mihaona rehefa fotoana. ny fahasalamana no ndeha angataho am'ilay ao ambony zay nahary antsika dia ny kisendrasendra no ndeha avelao handamina indray ilay fihaonantsika. dia fihaonana mamy no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/etsy-matoria
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/ho-anao
HO ANAO
ZOZORO
HO ANAO, Moa mba fantatrao Fa izao tontolo izao Sy 'zay rehetra ao aminy, Dia nantsoiko, niangaviako Ho vavolombelon' ity Foko Fa nahita izay mba nokoloiko : Dia ny amboaran'ny Fitia Izay mandrobona aoka izany Tsy ho atreto eto an-tany ihany !... Ray ô! Iangaviako indrindra Ianao. Ampahafantaro azy izany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/izaho-mba-te
Izaho mba te ....
raozigasy
Izaho mba te hianoka izany tsiron-teninao, ry teny Malagasy Nefa hatramin’izao , dia tenin’olon-kafa, no henoko an-dasy Ka mampangasihasy Izaho mba te haka fy, ny kanton-tsoratrao , ry teny nolovaiko Nefa mahagaga, fa tenim-bahiny, no asaina henoin’ny saiko Dia atao hoe teny baiko Izaho mba te hihaino, ireny hain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra-tontolo/adalana-ve-sa
Adalana ve sa...?
SANDRATRA TONTOLO
Na izaho na ianao dia samy tsy nisy nanampo fa hoe hiafara @zao ilay fifandrasantsika roa Fotoana tsy nampoizina akory ny nampitsiry ilay pitik'afom-piia iray fitia nidongy ny ho eo an-tsisin'ny fony na dia fantatra aza fa tsy ho mandrakizay Eny,hatrany am-piandohana no efa fantatra ary izany no nahatonga ants...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketaka-kely/izy-mamako
IZY MAMAKO
ketaka kely
Izy mamako , Izy nitaiza sy niahy Ilay nampihanta sy nibedy Ilay namafa ny ahiahy Indrindra koa ireo tebiteby Izy no ilay tsara fanahy Tiako izy ,izy koa tia ahy Ka raha nisy ny adintsaina Izy teo tsy mba afa maina Izy ilay nataoko modely Amin'ity fiainantsarotra Ny adiny dia tsy mba kely Nefa izy tsy mba n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/ny-nofinofinao
NY NOFINOFINAO
DadaRabe
NY NOFINOFINAO Ny nofinofinao no entiko miaina Sy entiko misedra ny andro be migaina Ary ireo hariva mangitsy, mamanala… Ekeko an-tsitrapo, lalaiko tsy an-kisala, Ventesiko raha alina, Any an-torimaso lalina. Ny nofinofinao no lasa fitsinjovako Ny androko ampitso… Ary fitsilovako Ny haiziko mikitroka nezahiko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketaka-kely/zandry-o-nahoana-kay
Zandry ô ....Nahoana kay?
ketaka kely
Zandry ô !! Raha fantatrao f'ilay Nahary No naha toy izao anao Nahoana kay raha abaribary Fa asatanany ianao ? Raha fantatrao fa mbola ho avy Ilay masoandro anjaranao Nahoana kay no araviravy Ireto ratsambatanao ? Raha fantatrao fa tsy maintsy hisava Ny raho mainty mitatao Nahoana kay no avela ho rava Ny fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/aleoko
ALEOKO.....!!!!
ANJARA7
ALEOKO.....!!!! Manadala ny mitia Mampanjombon-dava izao Ary koa mankahia Tsy ahavitana zay atao 'Lay mitia ambara eto Dia hazavaiko aminao F'ilay fitia mampisento Satria atao kilalao Mitia nefa tsy hajaina Ka tonga fiferotan'aina Fitia atao an kilabao Mandratra fo ka ialao Aza mihevitra akory Hamaly faty...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ketaka-kely/anontanio-hoe
ANONTANIO HOE .....?
ketaka kely
Anontanio hoe ny masoandro Raha tia anao aho ka nanome Taratra ampoko ao isan'andro Hafanana be dia be Anontanio hoe iny volana iny Raha tia anao aho ka naniry Hoe ny ho avintsika fifaliana Ho fankatoavana ilay dina Anontanio hoe ny havoana Raha tia anao aho ka nandohalika Fa ity foko re tsy mivaona Fa tena ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/fiainana
FIAINANA
Solofomanjato
FIAINANA Fiaina-mandalon’ny mponina ety Di’ efa voafetra hatrany ampiandohana Indramina ihany ito nofo malia Fa samy voavidin’ny vovo-niaingàna Maimaim-poana ny fiainana entina Saingy mibaby ny trosan’ny tany Satria efa miandry ao ny fahafatesana Na faly na ory, tsy maintsy mankany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/jodasy-mpamadika
JODASY MPAMADIKA
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
JODASY MPAMADIKA Indrisy … Sahin’ialahy ny namadika ny rahalahy sy anabavy Ny tapaka sy namana, Ray sy Reny, Zoky, Zandry Nampisotroina ny tangena, nomosavin’ialahy tambavy Ialahy ‘lay noheverina ho kiady, hiankinana sy andry Voafitaka ny maro fa hay ialahy no tena Jodasy Fositra mpanimba voly, ary tena biby fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/jery
JERY
ANJARA7
JERY Ny fijerinao ahy dia mambabo ny fanahy Nefa koa indraindray ,maha velon'ahiahy Toy ny taratra maraina r'efa njay ianao fa faly Tena sahiko lazaina ,fa lavitra ahy zany jaly Ndrindray kosa anefa,ny masona toa mankalao Toa milaza manambara fa mifosa ny sainao Asehony mibaribary fa ny fona mankahala Ka mitond...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandefona/tsisy-tsiny
TSISY TSINY
felandefona
Tsy mba omeko tsiny Ny foko raha toa ka ory Tsy fananiany tsy akory Fa noho ilay fitiavako iny Tsy omeko tsiny ihany koa Ary tsy ataoko mahagaga Ny ranomasoko raha toa Ka mikoriana lalandava Tsy fananiany sanatria Fa noho ilay foko tena tia Tsy omeko tsiny velively koa ianao Raha toa ka efa tofoka sy lao Sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandefona/niova-loko
NIOVA LOKO
felandefona
Malahelo aha satria Voadonan'ny fitia Torotoro izato foko Ontsa noho ny fiovan-doko Very hevitra aho satria Ilay foko mbola tia Eny fa na dia mbola babo Tsy afaka hanarina ny efa lavo N.A.F
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/topi-maso
TOPI MASO
ANJARA7
TOPI MASO Ny fijerinao ahy dia mambabo ny fanahy Nefa koa indraindray ,maha velon'ahiahy Toy ny taratra maraina r'efa njay ianao fa faly Tena sahiko lazaina ,fa lavitra ahy zany jaly Ndrindray kosa anefa,ny masona toa mankalao Toa milaza manambara fa mifosa ny sainao Asehony mibaribary fa ny fona mankahala Ka m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandefona/tsy-nampoiziko
TSY NAMPOIZIKO
felandefona
Tsy mahita tory aho indrisy Mivadibadika izay tsy izy Ny masoko tsy mikimpy Ny saiko koa tsy ao mihintsy Talanjona aho no sady gaga Tsy mahateny akory ny vava Ranomasoko mijohy Alahelo toa hitohy Zay vao tena fantatro Zay vao tena tsapako Mangidy raha ny fitiavana Mampijaly mampatorovana Tsy nampoiziko mihi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/neny-tiako
NENY TIAKO
ANJARA7
Neny o!ry Neny tiko Tena tiako ka tsy ariako Tsy atakalo ,tsy soloiko F'anankinako ny foko Ny fitivanao ry Neny MIraikitra ao an dohako ao Ka tsaroako lalandava Na dia lavitra aza anao Neny o!mba tsaroy F'izaho anie katsy mahafoy Ireny tambitambinao Tena mamiko hatrizao Izaho ry Neny dia mahatsiaro Ny miva...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara7/izy-ilay-fitiavana
IZY ILAY FITIAVANA
ANJARA7
IZY ILAY FITIAVANA Fitiavana iray,fitiavana tokoa Ilay fitia madio ,tsy voatery ho an'olondroa Ftia iray tsy manampetra na voasanda volabe Moa mba fantatrao vare lay fitia agape? Fitia iray nanaiky ho lavo, Nahafoy ny tontolo Fa nohosena ho mavomavo Filay fitia tsy ho bobongolo Fitia iray nanetry tena Saingy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandefona/indrisy
INDRISY...
felandefona
Indrisy re ry tiako Fa toa tena tsy tantiko Ny alahelo ato am-poko Ka mampirotsaka tomaniko Mandifotra ny aiko Manakorontana ny saiko Mahalasa ny vinaniko Eny manimba izay rehetra ataoko Mavesatra dia mavesatra tokoa Hila hamaky loha Mitambesatra aok’izany Toa fara-fahoriana eto an-tany Inona anefa no azoko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandefona/tsikitsikinalahelo
TSIKITSIKIN'ALAHELO
felandefona
Ity foko feno faniriana fahiny Indrisy anefa toa mijaly ankehitriny Nanankim-po fa hoe tena tiany Kinanjo kay nosangisangiany Noheveriko ho tena fitiavana No hany mba natolony Hay kay fanadalana Fanalana andro fotsiny Mitsiky ihany anefa ity izaho Izay sisa no mba azoko atao Izany no mari-pifaliana Hanafenak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandefona/tsisy-natakaloko-anao
TSISY NATAKALOKO ANAO
felandefona
Tsy misy atakaloko mihoatra noho ianao Kanefa dia nahoana re no nosomparanao Tsoriko aminao aloha fa mbola tiako ianao Kanefa atao ahoana moa f’izao no anjarako Dia sarak’alahelo sisa sento lava izao Manjombona isan’andro izao ny fiainako Satria tsy nampoiziko ny nahatonga izao Hay sahy namitaka ahy ihany ilay m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandefona/indrisytohiny
INDRISY...
felandefona
Indrisy re ry aiko Fa toa tsy afaka ato an-tsaiko Ireo lasa nijaliako Izay nampitoloko Mikiky ny ato am-poko Manditsoka ny masoko Mahakotsa ny tavako Mampitaraina ny vavako Nandramako nesorina Nezahiko nendahina Toa zava-poana Lasa ihany ny fotoana Koa miangavy aho mitalaho Inona no azoko atao Hanadinoako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/mijoroa
MIJOROA
Solofomanjato
MIJOROA Nandalo Nimaona Tsy hiverina intsony Ny kalo Misaona… Fa efa nitony Ka niova Ho hira Ny onja Efa dila Ambinambin’ Ny feo Voatsiramby Anikeheo No nivoatra Ho vazo Ka niloatra Tsy azo Notanana Intsony Tanatin’ Ny fony Hira mpandresy Mifeo fandresena Ingaho hifanesy Fa aza terena Ho matr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/efa-nisy
Efa nisy
Pissoa
Efa nisy Efa nisy anie mazava tery am-para vodilanitra Efa tazako mazàna ilay ava-maro loko ; Fa miserana izy iny, tsy natokana haharitra Ka tsy tsinjony akory, ny atý anie ka mitoloko. Efa nisy ranon'ando nanakotsa itony tavako, Efa nisy orana aza mba niseho nivatravatra ; Fa niserana izy ireny, tsy nahatototra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/ny-zanako
Ny zanako!
maeva74
Ny zanako ! Fony mbola kely indry , Tsy mbola nahay namindra akory, Dia nandao andry i Neny, Noho ity fiainana mampahory Tsy nosainin- dry akory ny hoe: "Izany nilaozana izany" Nibitabitaka tokoa indry Nefa i Neny kosa nitomany Dia niantefa tany amin-dry, Ny aliny iray manontolo, Tsy nisy fotoana iray akory...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina77/vavaka
vavaka
AINA77
Ry Jeso tomponay, mpanjaka ny mpanjaka, ho deraina mandrakizay, fa anao irery ny laka, ry rainay be famindrampo, mamelà ny elok' ity zanakao fa toa tsy tsaroanay tokoa, ilay hatsaramponao, ampio izahay ry Ray ahatsiahy, ary ny mba salama sy tony, fa toa lasa very fanahy, ka anjakan'ny demony, ry Ray ô! ampi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/raha-ho-tonga-ny-andro-iray
RAHA HO TONGA NY ANDRO IRAY
Solofomanjato
RAHA HO TONGA NY ANDRO IRAY Rehefa tonga ny andro iray ka handaozako ito tany S’ilay ora notinendrin’ny anjara tsy ivalozana Ka handona ambaravaran’ito nofoko ito izany Dia ny soratro sy kalo sisa tsy hanam-pahalovana. Raha hoavy ny andro iray hisarahako amin’ny tiako Ka ho ranomaso indray no dimbin’ny hany fifal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandra-pisy
MANDRA-PISY
Fredy Jaofera
MANDRA-PISY Mandra-pisy fahazavana eny am-para vodilanitra hanova ny tontolo, hirahira tsy hay rarana sy manam-pofo-manitra no avy hamelom-bolo. Mandra-pisy ranon’ando hanakotsa izato tava drodroky ny lasa, ny maso roa no mando fa mahita lalandava ny jaly izay nikasa… Mandra-pisy anjomara hiredona any ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandefona/r-mamiko
T... MAMIKO
felandefona
Mamiko tokoa ianao Eny tena mamiko izany Teny mamy avy aminao Mamy be tahak’izany Eh ! izato tsikinao Manambara hafaliana Tsiky mamy toa anao Eny tsikitsikin’olontiana Endrey izato masonao Mipitrapitra mahonena Fa ny tena my dia izao Ny taratr’io mameno tena Oay ! izato anaranao Satry foana hotononina T… ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fetinao-anio-ry-taniko
Fetinao anio ry Taniko
raozigasy
Fetinao anio ry taniko Ka ny vavako alamiko Sy atokako ho anao Amin’izao anio izao Fetinao anio ry taniko Ka adinoiko kely ny amiko Fa ny hatako rehetra Dia ho anao tsy misy fetra Mangataka aminao ry Ray Tahionao ny taninay Tahionao ity firenena Izay latsaka an-katerena Mangataka aminao ry Ray Mba hampang...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ilay-dada
Ilay Dada
raozigasy
Dada Ilay tokana eto an-tany Mpizara hanihany Mpizara sangisangy Mpizara tambitamby Ilay andrin’ny ankohonana Mpanome fiononana Raha sendra hakiviana Raha tojo fahoriana Ilay tsikim-pifaliana Mpitondra hamamiana Ho an’ny fianakaviana Tia sady tiana Ilay hery fiarovana Tsy mahay torovana Mpisedra sy mpiar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/izaho-hono-poety
Izaho, hono, poety !
Pissoa
Izaho, hono, poety ! Izaho, hono, poety ! Nefa nony injay fa reko mikorontana ny taniko Tifitra misesisesy, herisetra tsisy farany No misolo "Fihavanana" ! Voazimba ilay akaniko ; Dia tsy hita izay voasoratro hamiliana ny tantarany. Izaho, hono, poety ! Nefa nony injay tsaroako irony ankizy tsy ampy taona Izay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/aina
AINA
Solofomanjato
Aina, Foiko ho anao Ny aiko, sy ny tenako Ny lasako rehetra Afoiko noho ianao Ny mamiko, sy ny amiko Sy ireo tsy takatry ny saina Aza afoiko ho anao rahavako Mba hisambaranao Aina, Izao tontolo izao S’ izay mba hany fanaperako Tsy misanda, tsy mifetra Afoiko ho anao Fibitsiky ny teny mamiko Raha ho anao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/i-dada
i DADA
ZOZORO
I DADA Dada fiangotiana tsy eto intsony Fa lasana niampita ka tsy hita. Folaka ilay andry niankinana, Potika sy toro ilay fehizoro. I Neny anie ka maina sy mangaina, Misento lava izao tsy eo anilanao, Misaina ireo taona maro niaraha nilaozanao nandeha namboatra lalana. Dada ô! Matokia ka matoria, Ny haf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/sao-tsy-fantatrao
SAO TSY FANTATRAO !
endrika01
Sao tsy fantatrao Fa ny resaka mivoaka Tena mankalao Mampirifatra hitsoaka Matoa notantaraina Taminao samirery Tano mafy aza lazaina Amizay ianao tsy very Sao tsy fantatrao Ny manavaka ny fosa Ka atao an-kilabao Satria ianao kanosa Sao tsy fantatrao Fa ny "tsy izaho" fa "izy" Izay ifamaliana ao Dia hiter...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra-tontolo/tiaviko-mangiana
Tiaviko mangiana
SANDRATRA TONTOLO
Ho tiaviko mangiana ianao ka na ianao aza tsy hahalala fa ao aneritreritra ao no iantsoako anao hoe:malala Ho tiaviko mangiana ianao ka ataoko tsy misy mahafantatra hoe ny ao anatiko ao tena babonao fatratra ny toerana mba hiaonantsika mbola ao aneritreritra ao ihany ao isika tsy misy mpahita raha mbola eto ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fetinny-ray
Fetin'ny Ray
raozigasy
Dada Raha mbola teo izao ianao Dia vao maraina dia natao Arahaba mamibe Sy sangisangy be dia be Dada Raha mbola teo izao ianao Dia hanihany sy lalao No nifampiantsoantsika indray Noho ity fetin’ny ray Dada Raha mbola teo izao ianao Dia tsy izao tononkalo izao No nosoratana maraina Fa fitiavana zaraina D...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/ry-taniko
RY TANIKO!
endrika01
RY TANIKO! Fa nahoana loatra ianao ry taniko No mijaly toy izao ? Angamba tsy ho avy amiko Fa iza loatra mba lazao ? Notapahiny ny tongotro Mba tsy ho afaka hamindra 'Lay ranomaso tsy voatana "Hay fanon-ganam-panjakana Notapenany ny masoko Mba tsy hahita 'zay ataony Tsy nahataitra ny rehetra "lay habibin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/tsy-maintsy-ve
TSY MAINTSY VE ?
Solofomanjato
TSY MAINTSY VE ? Tsy maintsy hoe hasambarana ? Tsy maintsy ho fiadanana ? Tsy maintsy hoe faratampony ? Tsy maintsy koa ny fatratra ? Vao afaka htia ! Vao afaka hiaina ! Vao afaka hivelona ! Vao afaka hitambatra ! Tsy hoe fitsaharana Na koa izay hany anànana Sy izay mba zava-kantony No tombam-bidy fantatra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ndeha-isika
Ndeha isika
raozigasy
Ndeha isika Malagasy tsy ankanavaka Hanangantsaina Malagasy ka hiavaka Ho mariky ny fetim-pirenena S’ilay tsingerin-taonam-pahaleovantena Koa na an-trano, na an-takelaka izany Dia andeha hataontsika hatrany hatrany Ho marik’ilay fitiavam-pirenena An-tsitra-po nefa io fa tsy terena Dia io hetsika io mila arahim-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maizina
MAIZINA
Fredy Jaofera
MAIZINA Maizina eo am-pototry ny jiro raha nifaizina ka andeha halaviro ! Maina eo am-pototry ny rano raha niaina hetaheta sy angano. Noana eo am-pototry ny vola raha nivaona sy toa hoe lasa njola. Ory eo am-pototry ny soa raha nitory ‘reny zava-nahavoa !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/iza-ary-izy-namana-serasera
IZA ARY IZY
endrika01
IZA ARY IZY ô Miondrika aho mandray ny penina Efa mihoatra ny aminy enina Ny zavatra voakarakara Dia ho tantaraiko eto tsara Izaho anefa tena noana Ny taratasy misavoana Tsy nataoko hahataitra firy reo mpanotany hoe:efa am'firy? Angamba hisy hanontany Na ho lasa embona any ho any Fa dia nahoana loatra ry end...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra-tontolo/tiako-ianao
Tiako ianao
SANDRATRA TONTOLO
Raha mifoha aho ny maraina dia ianao no ao an-tsaina Ilay tsikinao tsy misy mpanana iny no hery ho ahy ankehitriny Raha mirana ny tavako ary raha vao misokatra ny vavako dia ny anaranao no voatonona dia injay aho lasam-borona tsy haiko hoe izany ve no tia sa manina? fa ny tontoloko rehetra feno anao daholo ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/desirelyaime/tanindrazako
Tanindrazako
Desirelyaime
Tanindrazako malala Mijaly ianao ankehitriny Fa miady sy mifankahala Ny gasy nifankatia fahiny Tiako ny hisandratanao Anio na rahampitso aza Saingy ireo mpitantana ao Mifandrafy sy mifandrava. Ho tonga izao ny fetinao Ilay fetim-pahafahana Ny faniriako dieny izao Hisy indray ny fihavanana Tompo ô Aniraho m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/desirelyaime/nahoana
Nahoana?
Desirelyaime
Nahoana no toa mangina ny antsa ao anatinao Fahoriana, fijaliana, ny antony mba lazao? Mampandinika ahy fatratra ary mampametsovetso irery Ny mahazo ity fireneko, mihamahantra, toa ho very. Nahoana koa no mitomany , misentosento lava ianao Moa nilaozan'olon-tiana,sa navadiny tsotra izao? Tsia, tsia dia tokoa hoy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/sadaikatra
SADAIKATRA !
endrika01
SADAIKATRA ! Tara-bola-manjopika,atsefatsefan-drahon'iny narahi-maso,tsy nipika,any ianao ry olon'iny! nalahelo mafy anao,ka torovana fanahy! valalanina niandry ,zay havalinao ahy! Toa tsy ho reny,na mba hitany akory zany rehetra retra izany! fa mamindra anjambany ihany,'reto tongotro ankiroa! maniry mafy ny h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lydia/eny-sa-tsia
ENY SA TSIA ?
lydia
Anontany anao aho ry tiako, lazao Tena tia ahy marina ve kay ianao ? Valio mihitsy re fa miandry aho ENY sa TSIA ve ny ao am-ponao ? Averiko ihany ilay fanontaniana Tena tia ahy ve ianao kay, ry tiana ? Tsy handriko ianao ilay hamaly hoe ENY Fa raha TSIA kosa dia aza miteny Dodona mafy aho fa te hahalala Tena ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ange-andriatsalama/tranga-sendrasendra
tranga sendrasendra
ange razanatsalama
Ny zavatra rehetra Mipoitra sy mitranga Dia tsy azonao an-tsaina Na koa novisaina K'izany no inoako Lalim-paka ao am-poko Fa ny tranga izay misoko Dia lahatra avy amin'ny Tompo Nahoana ary hoy ianao No nifanena isik'zao? Maro be ireo sampanana Nefa dia niray làlana Ka dia nifankahalala Sy nifandray tanana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/ny-nofiko
NY nofiko
maeva74
Ny nofiko Ny nofiko hoy ianao ? Ny nofiko dia izao! Ny tanako maniry ny hanafosafo anao Ny molotro maniry hikasika amin’ ny anao Ny vatako ???? Mba maniry koa ny ho eo anilanao Ny nofiko hoy ianao ? Ny nofiko dia izao! Ny masoko maniry hifantoka amin’ny endrikao Ny tsikiko maniry hiantefa eny aminao Ny vatako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/and/fitia-saro-bidy
fitia saro-bidy
and
Tsy ho azonao terena Na koa ho gejaina an-tady Ny fitia tsy mifanena Tsy afaka mifanam-bady Ny fitavana:harena Ka tsy azonao hosena Na harendrika ho tefena Fa hery ao anaty tena Tsy voasakan ho fefena Fa safidy volamena sakaymena
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/tsy-ho-very-maina
TSY HO VERY MAINA
Solofomanjato
TSY HO VERY MAINA Nataoko tsy haniry, Kanjo namololona Nefa dia impiry Ny ady sy ny tolona Nanaovako anjolofo Mba tsy hipoitra intsony Izay tsirina solofo… Sy rakitry ny fony Nefa very maina Ny herin’ny fangiazako Fa indro velon’aina Ilay tsimo-bonikazoko Tsy nampihontsina azy Ny fantsika letrezana Fa to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/voromahery
VOROMAHERY
Fredy Jaofera
VOROMAHERY Nataoko hitsikitsika hivavahana kanjo voromahery nipaoka akoho iny hita nibitsika sy niarahana ka nampisy fery ny tao am-po !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/inona-no-omena
Inona no omena
raozigasy
Ho avy izao ny fetim-pirenena Dia inona no zavatra homena Harivo tototra va izato lainga Sa tifi-basy sy tafondro no hiainga ? Sa doka-tena hoe mahavitabe Ka ny maro no roahina handeha Sa toky fitaka firesaka boloky Sa teny moana noloarana tam-boky Sa resabe ilay fampandriana adrisa Sa sary hoe nahazo olona al...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/fosafosa
FOSAFOSA
Toetra RAJA
FOSAFOSA Tsarovy Ry be Fosafosa Mitovy Amin'ise (1) Ny kanosa Aleo Hifanatrehana Kosa Ny feo Reharehan' Ny osa. Fingana Ivoho (2) Mampisosa Mandringana Lasan-ko Trosa ! Raha toa Tsy lany Miavosa Ny fo Iantefany Mihaosa. Tsilaolao (3) Heverina Hisosa No atao Ka hiverina Kosa ! ____________...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/namana-iray
NAMANA IRAY
endrika01
NAMANA IRAY Namako iray tsy fantatro tantara Nifamezivezy teny toy ireo tanora Nifankahita fa taty afara Nifanojo taminay 'lay dingana tsy mora Tafaresaka izahay tsy nifanatri-tava Nifampiantso an-taroby sy nifandefa hafatra Ny teny nolazaina voakajy lalandava Voasivana tokoa ho kanto sy ho lafatra Tsy nisy ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maeva74/ilay-sakaizako-tsy-hita-maso
Ilay sakaizako tsy hita maso
maeva74
Ilay sakaizako tsy hita maso Tamin’ ny mamanton’ alina no nifanenako taminao Tao anatin’ ity kianja seraseram- pifandraisana ity Teny ho eny nifanankalo soratsoratra izaho sy ianao Dia nitombo teny ny fifankazahoana ka lasa nifankatia Tsy handriko intsony ilay alim- be hihaonako aminao Ianao koa hoy ianao dia tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra-tontolo/sombintsombiny
Sombintsombiny
SANDRATRA TONTOLO
Asa ianao raha mba mahafantatra? ity foko mahantra izay tia anao fatratra aza omena lamosina re fa mba topazo eny fa na dia kely aza mba atsipazo Fa ny pitipitiny avy aminao no tsoponiko ny sombitsombiny ihany koa no fofoniko ka aza odiana fanina fa efa tafalatsaka lalina Eny e!fantatro fa tsy ho ahy mihitsy ia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/ny-diam-peniko
NY DIAM-PENIKO
endrika01
NY DIAM-PENIKO Ny tanako tsy vizana Ny penina tsy ritra Manoratra mazana Isan'ora isa-minitra Mitantara ny fiainako Sy ny manodidina ahy Io no hany itarainako Raha misy mampanahy Voantantarany ao daholo Ny lasa sy ny tsiahy Hatramin'ny efa bobongolo Nampangoly ny fanahy Ny diam-penina hitoetra hirakitra n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra-tontolo/ilay-sarinao
Ilay sarinao
SANDRATRA TONTOLO
Ilay sarinao irery ihany no hany mba fijery ary koa mampahery rehefa sendra irery Ilay molotrao mitsiky iny sy ny masonao mijery toa milaza ankehitriny fa mbola any ilay fitia fa tsy very Any tokoa mantsy ianao,any lavitra ahy tsy hita,tsy eto akaiky mba ho fihinina ka rehefa lasan'embona sy mahatsiahy dia i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando/fitia-nekeko
fitia nekeko
Ando
Hatram 'zao anio zao No anekeko ho anao Ny fitia manontolo Zay ao am-poko ao Ka ho koloiko Sy ho hajaiko Hatrany am-para_pofonaiko Na maro fandrika sy sarotra Ny lalana hizorantsika Tsy ataoko sakana na tahotra Satria ny safidiko efa vita tapitra fa niakatra ny soratra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahirintsoa/avy-ny-orana
AVY NY ORANA
Tahirintsoa
(Natosaky ny Francis CARCO tamin'ny alalan'ny IL PLEUT-ny) "Avy ny orana: kanto loatra.Tiako ianao. Isika roa handeha hijanona ato an-trano: Tsisy fy ankoatra antsika amin'izao tontolo izao amin'ito vaninandro divadiva fararano. Avy ny orana. Ny fiara mpikaretsaka hila hifanosy. Tsinjo avy eto mikodia ireo fiaran...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/and/fitia-miandry-valiny
FITIA MIANDRY VALINY
and
Tsy haiko na mba tsapanao Hatraiza ny ao am-poko ao Midoboka tsy mety miato Raha vao matsiaro anao NY vatako iray manontolo Injao malemy daholo Mitaintaina mafy hoe Mba ho tiny ihany ve? Indrisy tsy aminao ny toerana Ka mba indramo indray miserana Dia ho tsapanao tokoa Ny miady irery am-pitoerana manonofy a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/indrisy-mantsy
Indrisy mantsy ...
raozigasy
indrisy mantsy ry valiha, ry lokanga sy gitara, satriko ange hiara-dia, k’isika hifankahazo tsara saingy ireto rantsan-tanako, tsy dia kinga am-pitendrena k’aleo aloha aho hipetrapetraka, izay mitranga no ekena indrisy mantsy ry lokanga, sy gitara, ry valiha, satriko mihitsy ange, mitendry hiran’ny fitia saingy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/neny-o
NENY Ô !
ZOZORO
NENY Ô , 'Zao vao fantatro ry Neny fa tena mbola zaza marina aho, Toa voankazo maintso tsy te-hisaraka aman-taho Ka ho main'ny danin-kandro, ho montsanin'ny fotoana, Ho fatimomoka mihintsy, tsy ho tsaroana toy ny foana. 'Zao vao fantatro fa hay ireny tambitamby ireny 'Zay noheverina ho tsy ho inona fa natao ho te...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/soa
SOA...
ZOZORO
SOA... Soa fa nisy ianao ry vetso ka nanan'elatra eny lahy, Ka nivadika ho teny, soratra, aingam-panahy, Ka mampita any ho any ireo izay mba tiana hiantefa Amin'ireo maminy indrindra ny nofinofy, tarigetra... Soa nisy anao ry volana fiandrandran'ny rehetra Na ny sambatra eny izany na ny mahantra manjoretra, Ao k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/nofiko-aza-hono
NOFIKO AZA HONO
Sunny
mba nofiko aza,hono, 'lay izaho minono hasambarana eo an-tratranao. mba nofiko eny mantsy 'lay ianao tsy hahatanty ny ali-mangatsiaka sy ny hirifiry hoentiny. De nofiko tokoa 'lay isika roa nirevy am-pitolomana tsy nisy fitsaharana. ô! nofiko any izany 'lay ianao tomany niararaka hatsembohana noho ny san...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/and/kanto-i-serasera
KANTO I SERASERA
and
ISAORAKO ANAREO NAMORONA INOAKO TENA TSARA ORINA TY SERASERA SOLONTSAINA TSAPAKPO FA KANTO IANAO RY MALAGASY HATRAMIZAO ENY FA NA DE EO AZA NY MAHA ENAO ,ANAO SY NY MAHA AHY ,AHY TSY ATAOKO MAMPANAHY FA REHAREHA TSOTRA ZAO DE INDREO MIFAPITADY ARY DIA MANADIHADY IZA IZY? AIZA ENAO? IZAO HIRESAKA AMINAO AM...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/onitra/rehefa-alina
REHEFA ALINA ......
ONITRA
REHEFA ALINA ..... Rehefa injay fa tonga ny alina tsy mba kivy ny fisainako, fa finaritra aok'izany, raha mandinika ny fiainako, satria tafita soa aman-tsara fa nahavita andro iray, sy nahatontosa ireo adidy izay napetraky ny Ray. Alahady 31 janoary 1999 / 9ora sy 36minitra alina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/azafady-leitsy
AZAFADY LEITSY
Sunny
azafady leisy zoky raha mandray ny fitenenana etoana tsy sanatria tsy mahatoky na manivaiva mihitsy ny haja ambony anananao! 'Reny ialahy miteny fa hampitombo hatrany ny herim-pirenena sy ny tanjona kendreny, hahafoana hatrany ny tsindry hazo lena. kanefa leitsy izao ialahy mihitsy no miteny:" KATSAO, KATSAO...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/onitra/sahia
SAHIA......
ONITRA
SAHIA...... Aoka tsy hiala any aminao ra-FAHASAHIANA fa ataovy an-tsoroka, an-kelika, am-balahana. Dia ho tsapanao fa tsy hisy fanahiana ny fiainana tontolo fa ho feno fahafahana.