url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/t-s-y-t-o-n-g-a
T S Y T O N G A...
hjravs
TSY TONGA...???? Zoma faran'ny volana dia nandeha mba haka vola; Oadray, fa toa mbola "tsy tonga" ny karama! Ry BOA ve no malama, sa 'zalahy ao am-piasana no tsy miasa ara-dalàna?! Dia teo "tsy tonga" saina: 'lay revy nantenaina, aloha, tsy maintsy hoe mangaina fa 'lay mody maina no tena mampalaina. Ny hira koa injany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hatraminizao
HATRAMIN'IZAO
Fredy Jaofera
HATRAMIN'IZAO Hatramin'izao dia mbola misy ilay fitia natao tsy hanimba lisy. Hatramin'izao dia mbola miaina ny mamy vao izany re no ilaina. Hatramin'izao dia mbola mitady sangy sy lalao rehefa tsy tomady. Hatramin'izao dia mbola mikalo ny hirahiranao tsy mety atakalo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/miandrandra-fandresena
Miandrandra fandresena
Avoss jah
mbola miandrandra fandresena tsy kivy ny mitady fa mbola manantena ny Abandonne anio fady hatrakao ihany ny loha ary tsinjovy ny hoavy fa tsy hanary anao ame sarotry Izy aza kivy na mandalo ny mangidy ny androany fa omaray mbola hamiratry de ny finoana ihany no ataovy makadiry fa efa hainy ny mandatry ny life ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tanteraho
TANTERAHO
Fredy Jaofera
TANTERAHO Hoy aho izany tsy mba misalasala manoro tsara ka tanteraho : aza mitomany an'ireo tsy mahalala ny lanjan'ny ranomasonao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-miverina
REHEFA MIVERINA
Fredy Jaofera
REHEFA MIVERINA Rehefa miverina mampahory ny fitiavako anao dia manerinerina tsy zaka akory ny entina ka zahao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-joseph-rabearivelo/ho-ani-dr-rawelas-ry-voro-manidina-mora-malako
Ho an'i Dr Rawelas
Jean-Joseph Rabearivelo
Ry voro-manidina mora malako Aiza no hody ? Ry foko tanora malemy sy bako, Moa mba ho tody ? Mangina mangina ka aza mamaly ! Aza mitafa ! Ny ampitso sy anio dia tahaka ny omaly, Tsy misy hafa. Na ampitso na anio, na oviana na oviana Tsy hafa tsy akory ; Ny baikon’ny velona : Tsy mba fanahiana Amin’izay mampa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-lakani-neny
Ny lakan'i Neny
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Iny lakan'iny nitondra ahy sivy volana Nandrotsirotsy mora teny an-drano nofy teny Nisarika ny nofoko ho tonga hisy taolana Namolaka ny lela sy ny vava hahay hiteny Dia ilay lakana masiaka fa niezaka niaro Tamin'ny rano sy ny onja izay mihetsika matetika Tsy namela ahy potiky ny ditraditra maro Fa nihazona ahy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanamby
FANAMBY
Fredy Jaofera
FANAMBY Rehefa mba jerena, tsy somambisamby ny toky nosakanana ; tsy nisy fandresena raha tsy nisy fanamby ny fiainana notanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raluck/fitiavako-mangatsiaka
Fitiavako mangatsiaka
Raluck
Fitiavako fitiavako ihany Na anaty mangidy io na anaty mamy Tamin'izany fotoana fisarahan'tsika No nipotran'ilay fitiavana mangatsiaka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/mba-aoka-izay-fa-ampy
MBA AOKA IZAY FA AMPY
RAVINALA
Efa maro izay vita sy nolalovana Efa tofoka izy raha ny resa-pahatsiarovana Efa tofoka amin’ny tsiron’ny mangidy Efa leo ny vesatry ny adidy Ny didy mahafaty sy ny vokatry ny ratra Manganana aok’izany ny olatry ny lasa Ampy ‘zay ; manaiky izy fa efa resy Manaiky izy ka tsy andrenesan-teny Efa nampitondrain’iala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/mahereza
MAHEREZA
LAVENONA
MAHEREZA...! Ho anao mamaky ny asa soratro io raha toa mandalo olana amin'izao fotoana izao Tsy resy izany ianao fa...izao no tadidio hoe... tsy hamela anao irery ilay Ray ambony ao ! Reny hatrany hatrany ny vavakao mangina Fantany daholo raha ny fiainanao rehetra Tsy nahary anao mba hoe hiari-pahoriana fa kos...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/mama-nandao-antsika
Tsy mahafoy Mama
Avoss jah
mandeha ny andro mandeha ny fotoana ny lasa tsy ho adino na de efa maromaro taona tsy safidiko fa mety izay ny anjara fa tsy mahafoy anao na de misy e fisaraha any anao any, de izao tavela ety fa mbola mahatsiaro tsy manadino fa ny fotoana kely niharako taminao tantara mipetraky mijanona ho souvenir fa tsy maha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/tendrintendry
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/ho-hasambarany
HO HASAMBARANY
Zay LAFATRA
Vao niandoha dia ho tapitra, ilay fitia en-timiaina, fitia tsara rafitra, toa tsy haiko nozakaina. fa ny safidy moa anao, amin'izao fiainana mandalo, izao fiainako izao, mafy loatra mampimalo. fa ny anao no andé ekena, mba tsy hapisy fisarahana, tsy hapisy vitiavan-tena, halaviroko ny fasana. Vy nilentika a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raphael-spartacus/sangodina-album-sangodina-ny-andri-fara
SANGODINA ( ALBUM SANGODINA ) Ny Andri- Fara
Raphael Spartacus
SANGODINA Tsy nampoiziko ho roa izao ny làlana tsy maintsy Ho diaviko mandritra ny andro-piainako. Satria androany aho Etsy no hizorako Ampitso iry no hisafelehako Ny ny hanina Na ny fitafiana na ny hofan-trano na ny saram-pianarana Izay tsy maintsy hatrehako Izany no tadiaviko . Iny zotra niatsinanana in...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/sento
SENTO
RAVINALA
Ory ny foko fa tsy manam-pitoniana Miaina manirery lavitr’olontiana Efa ela no naniry saingy toa tsy anjara Angamba nofinofy mijanona ho tantara Ilay nantenaina sy niriana fatratra Tany karakaina mitady tonga lafatra Fitia nambolena saingy tsy naniry Lisin’ny ririnina ; mamirifiry sy mariry
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/aleoko-mangina
ALEOKO MANGINA
LAVENONA
ALEOKO MANGINA ! Vao resaka fitia ? Aleoko dia mangina! ny antony satria... naharary lotra ilay voafitak'olotiana ! Lehilahy ny tenako... nefa aza omena tsiny... fa tena nanenenako raha iny resaka iny ! Aleoko hahay Poeta... mba tokana sy tony ! Na farafaha...pretra... dia tsy mitia intsony ! mifantoka ami...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/mpinamana-ihany
Mpinamana ihany
Nisainana RAFETRARIVO
Hitoniko fa manahirana Izato fihetsikao madamozely Sariadriaka fijery, miaviavy fomba fiteny Hialako tsiny Sao hataonao miavona Sao handrava ny efa miorina Hiarovako ilay fitia, ka aleo samy mionona Mba tsy hisy nenina, oe tahak'izay Any aorina kely ao Ka aleo hitsahatra amin'izay, ilay fitia toa kilalao Dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/fahiny
FAHINY
LAVENONA
FAHINY...! Hoy i Mama izay hoe... "tamin'ny andronay...? maraina vao mifoha mangiran-dratsy iny dia...mitoto vary aloha avieo mandray ny siny mandeha manondraka anana... mankeny antanimboly Rehefa vita izay vao...mamonjy ny sekoly fa hianatra indray ! Tamin'ny andronay dia... zara raha fitaratra no hijere...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/ny-fetiko-ve
NY FETIKO VE!
Zay LAFATRA
Firy teo amin'ny fianako no nahitako hasambarana? Intsony toa tsy hisy ka tsy hanam-pitsaharana! Ny fo na ny saina voarangontry ny hakiviana, Miombo-pahoriana tsy ahitam-pitoniana. Tsy fantatro akory izay atao hoe fety izany, Fa alahelo miom-pery arahin-tseto sy tomany! hafakely ny ahy ny fetiko,hafa noho ny hafa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/mahatsiaro
Mahatsiaro
Avoss jah
fa raha sendra mahatsiaro de ny sarinao fihigniko fa na hariva na atoandro de mbola mahatadidy anao gne endrikao isan'andro miverimberiny ame saiko sarotry gne hagnadino gne zava-bitanao ndre efa ela anao igny nandeha fa iao da tavela, malahelo anao iao fa efa izy gne mandahatry ary io tsy hay aletry fa raha ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/souvenir
souvenir
Avoss jah
efa hitako sahady io fa tsisy anao de sarotry gne miaigna tena tsapako io fa iao tsy afa miala tsisy anao de banga gne fiaigna tsy kiniako fa efa izy gne mandatry iao raiky gne hiatriky gne life na de tsapako fa mamparary zaho tsy kivy na hiondriky amin'ny tany nataoko ity ho fahatsiarovako anao hira natokako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mamafa
TSY MAMAFA
Fredy Jaofera
TSY MAMAFA Tsy mamafa fahatsiarovana rehefa nisy mamy nentiny sy tsy tiana ho fahalovana antenaina tsy hisy pentiny. Tsy mamafa fahatsiarovana rehefa sarobidy ny tantara mbola satry foana harovana ho harena hatrany am-para. Tsy mamafa fahatsiarovana rehefa nisy sedra mazana ny taona maro nandalovana nitondr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/life
Life
Avoss jah
tsy vita moramora gne fiainagny mihezaha mafy raha te ho tafa na mandalo probleme na ame sarotry matokisa fa tsy maintsy ho voavaha de mila mailo mailo anao ety fa ny olona aby tsy voatery hitia tsy manana fotoana zaho handeha hagnaratsy fa mbola lava ny lalana haleha aza mora kivikivy na mandalo gne mangidy f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/namako
Namako
Nisainana RAFETRARIVO
Taratry ny masoandro maraina Izato tsikinao mamiratra ho ahy Ilay fijery manome toky Mampivelatra ny fanahy Raha iny ianao tsy hita kely Toa mangina ilay tanàna Tsy handry ny hiverenanao Satria ilaozana hafanàna Ianao ilay akamako Mpampahery ahy, sendra hakiviana Ianao ilay mpandray ny tanako Iny isika mif...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/mampanongo-tena
MAMPANONGO TENA
LAVENONA
AMPANONGO TENA ! Raha ny fampianarana no mbola ho andraindraina atao tohotra hiakarana dia ... kitana isaina !!! Fa ny tena izy... dia... fendemena saina ! Raha ny hoavin'ny akizy ? Intsony tsy antenaina! Indrisy mahonena... ny akizy malagasy Eny...! Mampanongo tena... izato lakilasy...! Mampihidy vazana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/tonga-hamaly-ilay-fitia
TONGA HAMALY ILAY FITIA
RAVINALA
Vaky ravina ny fitia nambolenao tato am-poko Vaky ravina sy nirobona faniry tsy hay vonoina na fafaina Namelana ka haingon-jaridaina toy ny voninkazo Homeko anao tsy misy fetra sy azonao anjakaina Ilay noheverinao ho faharesena sy tany karankaina Nanjary tany lonaka mamokatra avo zato heny Inoako fa ho faly ianao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zatra-miady-irery
ZATRA MIADY IRERY
Fredy Jaofera
ZATRA MIADY IRERY Zatra miady irery ny saina rehefa voa ka mitombo hery anio rehefa mifoha. Zatra miady irery ny jaly nampahory ka tsy afa-mijery azy ireny any akory. Zatra miady irery ny kiry izay mijoro, na dia rako-pery no mba azo atoro. Zatra miady irery ny sedra nodiavina ka tsy mamery rehefa tsy n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tandrify/ravo-ny-tontolo
RAVO NY TONTOLO
Tandrify
Ravo ny tontolo, Anilanao ry tiana, Adinoko daholo, Irony fahoriana. Ny fifalianao ihany, No antom-pifaliako, Ny mahita anao tomany, Tsy tantiko, tsy iriko! Ny zava-mahaory, Ny alahelo koa, Sentosento, sorisory, Nisinda avokoa. Ianao mananihany, Izay no tena tiako, Ny mahita anao tomany, Tsy tantiko, ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/tenin-jokilahy
TENIN-JOKILAHY
RAVINALA
Zandry aa, Haiko inao fa resim-pitia Haiko koa hoe resy ny adim-piainana Kanefa aza mitanondrika Fa ny fitrakana no ataovy tarigetram-piainana Ny olana tsy maintsy misy raha mbola eto an-tany ; Mifalia ! Dia aza tomany f’izany fombanjavatra fotsiny ihany Ary hevero ny fahalavoana sy ny tsy fahombiazana Herijika...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/zaza-maditrani-mama
Zaza maditran'i Mama
TSY RENDRIKA Spica
Zaza maditran'i Mama iny hitanao tafita iny Zaza maditran'i Mama iny no notiaviny fa tsy nariany Zaza maditran'i Mama ilay niankinany rindrina irery Ka na maditra nandratra an'i Mama aza navotany mba tsy ho very Tsy hoe niangaran'ny vintana i Mama Ka sendran'ny zanaka hendry Fa nikolo ny an-tanana adala izy Tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/naleviko
NALEVIKO
LAVENONA
NALEVIKO Eto am-pandinihina ireo rakitry ny lasako tsy maty ato an-tsaina fa mibahana ao am-po no indro tapakevitra handrindrina ny fasako dia ...ilay nolazain'i Jean hoe "Fasana faharoa " Ao no andevenako ireo sento sy ny jaly niainako fahiny izay narahina tomany Ao no hotehiriziko ilay isika niara-paly Tsy f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/aiza-kay-lay-tsiky
AIZA KAY LAY TSIKY
NY Andri-Fara
AIZA KAY LAY TSIKY Tsy haiko na izaho no sanganehana Na ny foko no sakodiavatra . Nahita anao aho , toa malok'endrika..., Tsy toin'ny isan'andro no fahitako anao . Aiza kay ilay tsiky nahafatantarako anao Ilay sangisangy nifanaovantsika fony vao nifankahita ?! Aiza ireny ankehitriny ...Tsy ahitan-teny ianao ! N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/malagasy
MALAGASY
AORN
Malagasy te hivoatra Nefa tsy afaka manoatra Malagasy te hijoro Fa voageja torotoro Malagasy te hiarina Tsy nahita izay mba marina Malagasy leo ny lainga Vonona ny hamadi-bainga Malagasy saro-piaro Reo Harena mifangaro Malagasy tsy mitamby Reo vahiny te hiantsampy Malagasy rano iray Mifanampy, mifandray M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/andevom-pahotana
ANDEVOM-PAHOTANA
RAVINALA
Mifoha vao maraina Miaina teny ratsy Tsy mitsitsy aina Mamono mahafaty Mandritra ny andro Mamorona hadalana Mikatsaka ny akaso Hanimbana ny hafa Ny hariva mbola tsy midify Ilay masondro menamena Dia halatra tsy afiafy Fanangonana harena Tsy mijery ireto hafa Na mba hanasoa azy akory Fitiavan-tena no manja...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/mama
Mama
Nisainana RAFETRARIVO
Raha iny vao maraina, ndeha hiala eo am-pandriana Tsy hitan'ireo ankizy akory, ry zareo mbola sondriana Hitady izay hatokona, hitady hamamiana Miandry masoandro mody Vao ahita fianakaviana Hitafa sy hiaino ireo karazam-panontaniana Taiza ianao ry mama, fa tsy hitanay nifoha? Nitomany foana ve, fa Mama toa ela b...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/rotsy-album-sangodinaraphael-spartacus-dit-andrianarivo-f-raphael
ROTSY ( ALBUM SANGODINA....Raphael Spartacus dit Andrianarivo F Raphael
NY Andri-Fara
ROTSY Niezaka aho hanadino Ireny lasa tsy azo haverina . Niezaka aho ny tsy ahatsiaro ; Ny tantarako mitady hitamberina . Nofoanako ny tsiahiko Izay mitady hanelingelina . Kanefa iza ? Iza no handao ; An'ity mahantra tsy hiverina . Fony mbola nianatra aho Tsy hitako ny fahalalana . Tsapako fa banga indray ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/jomoka-higagana
JOMOKA HIGAGANA
AORN
‘Lay mba nahazoazo fa niaraka nisotro… Dia miova ny fijery Ka lasa tsy azo kianina sy manana ny rariny dia sahy miteny irery Zay olona rehetra tadidy ao an-doha dia lasa misy kiana fa izy tena miavaka, maranitra sy fetsy ka tsy azo ambaniana Dia tantarainy avy eo, ilay sefony am-piasàna lazaina ho tsy mahay f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/antso-farany
ANTSO FARANY
RAVINALA
Allo***Allo***Allooo*** Malahelo aho fa efa saika tsy noraisinao Tsy hanelingelina anao akory ny fiaviako Sanatria, fa tonga mba hisaotra tamin’ny zava-bita Hankasitraka tamin’ireny lasa nolalovatsika Haiko hoe tsy ampy fikolokoloana ny fitia namboleko tao am-ponao Na koa vaky ravina ihany fa ninianao nangotana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/tia-fa-tsy-tsapany
TIA FA TSY TSAPANY
RAVINALA
Sarobidy lotra amiko izy iny Sarobidy lotra tsy nitsitsiako ny amiko Sarobidy mihoatra ‘zay firavaka Sarobidy noho ny rehetrarehetra Tsy atakoloko safira Na diamondra, vatosoa Na ireo karazan-drendrarendra Sy ny mamy etsy, eroa Mamy am-poko lotra Mamy noho ireo tantely Na inona tsara votra Ianao ihany no anj...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nidify
NIDIFY
Fredy Jaofera
NIDIFY Nidify ianao toy ny masoandro milentika ka tao ho ao dia mbola tsaroana matetika. Nidify ianao toy ny vorona hita mikopaka ka tsy mandao ny sento fa mainka mitobaka. Nidify ianao toy ny lohataona mahavariana ka very lalao ny tontolo sy very hamamiana. Nidify ianao fa eto ihany ny fo amam-panahy ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/inona-moa
Inona moa,
Nosy Malala
Inona moa, Inona moa ny soan'ny raiamandreny. Mitantara amin'ny ankizy, disadisa lavareny. Mampangotsika azy ireo, hankahala, hiasa loha, Nefa ireo lehibe ihany, no tsy mahatony fò. Inona moa no hamporisihina ny ankizy, Hoe iny olona iny, mankaleo sy be kirizy. Ny maso jamba, tsy mahita ny ao ampo. K'izay taz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/iraika-ambinny-folo-taona-tsiaroni-randrianilaina-jean-claude
IRAIKA AMBIN’NY FOLO TAONA
RAVINALA
Manjetoko lotra ny fo sy fanahiko Trotraka tanteraka tsy mahita ny lala-kombana Ny folo taona misy iraika amby Nandaozan’ialahy ny tany malala Fiteny ny hoe hazakitay ny alahelo Ialahy anefa hatreto tsy afaka am-poko Ny raho-mitatao toy ny vao omaly Indro miserana ; mangidy tsy taty Ialahy ilay zoky tokiko indr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lantorose/te-hamantatra-ny-marina
TE HAMANTATRA NY MARINA
Lantorose
Te higafy aho, haneho ny ratram-po ato anatiko Te hikiaka an-dranomaso hampiseho ny tsy tantiko Nabadoina aho hanaiky fa ny fitia ka fandeferana Dia nanobaka fitia, ampy, mihoatra sy fitserana Saingy indrisy fa ny foko no mizaka izay tsy anjarany Fa voasoratra ho ratra sy ho ngidy ny tantarany Fo iray monja no mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fa-taiza-nareo-no-tsy-hita-hatrizay
FA TAIZA NAREO NO TSY HITA HATRIZAY?
AORN
Fa taiza nareo no tsy hita hatrizay No tampoka teo tonga aty aminay mitety tanàna mizara koveta dia mampitangorona ny olon-drehetra Fa taiza nareo no tsy hita hatrizay No toa mitakosona, tia mifandray Fa an-taona maro dia tena variana ka dia nanadino lay tany niaviana Fa taiza nareo no tsy hita hatrizay Manao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila-3
MILA
Fredy Jaofera
MILA Mila miala sasatra ny vatana vao tonga hafatra soratana. Mila fiadanana ny saina vao ananana ny aina. Mila hafaliana itony fo vao fitahiana tsy ho lo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/ilay-sento-farany
ILAY SENTO FARANY
RAVINALA
Miha reraka ny nofo Malazo ‘zany vony Ny felana efa niofo Tsy nanana andry intsony Nanitsan-dravina ny hazo Fa maririn'ny ririnina Malefaka fijery ilay masoandro Zara raha mazava Takonan-drahona sy zavon’ny maraina Mitomany ao anaty firifiry Mizaka ny afotroa sy fanala Miady aina resy samy irery Ny sento fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/mivavaka-ho-anao
MIVAVAKA HO ANAO
LAVENONA
MIVAVAKA HO ANAO Mivavaka ho anao no hany ataoko etoana raha toa tsy hiova intsony ! Fa ny ratra anatiko ao? Angamba aman-taona vao ho sitrana sy tony ! Mivavaka ho anao na aza vita hatreo ny fitiavana hatrizay ! Kamanomboka izao dia mitso-drano anareo ny poeta toa anay ! Ho tojo izay irina hahazo izay il...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/reniko-faharoa
RENIKO FAHAROA
LAVENONA
RENIKO FAHAROA Raha nisy ny tena nitaiza ianao koa a nisan'ireny Tsy adinoko ianao na aiza na aiza fa noraisiko ho toy ny reny ! Nitaiza ny ara-panahy nanefy ahy mba ho tia vavaka tsy sasa-nanatra ahy ka amiko ianao tena miavaka ! Ny anatrao ombieny ombieny tsy very maina tsy akory... na raraka an-tany izy i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/fihavanana
Fihavanana
Rabarison Roberto Stephan
Fihavanana Firaisankina hoe no hery Ataoko hoe diso ianao angamba Ny fiainana ankehitriny efa an-tery Fa tsy aiko ianao na hoe jamba ah! Sa ve mody tsy mahita ireo fiatsaram-belatsihy? Satry ve ny havana maloto, dia nahilika tsy misy mpitia Aza ahilika ny havana raha sendra mavomavo Dia aoka tsy mba hanavaka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/mafy-ilay-nahita
MAFY ILAY NAHITA
NY Andri-Fara
MAFY ILAY NAHITA Nahoana moa ny androko rehetra No tsy maintsy hanjombona ..., Tsy misy fitsaharana , mangidy ka tsy laitra ! Nahoana koa izay rehetra hita Sy ny manodidina no mandrahona ahy ? Nahoana kay ry lahatra... No nafatratra anaty haizina ny masoandroko . Kanefa ilay tara-pahazavana nantenaiko taminy ; ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-teny
NY TENY
AORN
Ny teny tsy voahevitra Dia antsy roa lela Mitrebaka mandratra Ka saino sy diniho Alao ambony ambany Mba tsy hivatravatra Ny teny koa mazàna Mandemy ny ao am-po Mampisy fery lalina Koa asakasakao Zay tia miteny lava Misora-tena ho marina Maninona ary moa Raha ferana indray Ny teny izay havoaka Ka tsiky sy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/ry-tanora
RY TANORA
IALY NOFY
RY TANORA Aza dia variana foana Fa tsy fantatrao ny fotoana Samy tsy mahafantatra ny hoavy , Na ny omaly na ny androany . Indray andro any Ho tonga saina ianao ? Kanefa matokia fa ny Ray dia Ao ; Dia ahatoky anao , satria izy tsy Mandao . Raha ny fiainana no jerena Indrisy mampahanonena Ka izao anio izao ......
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/niandoha
NIANDOHA
Fredy Jaofera
NIANDOHA Tsy tonga dia nandeha izay natao tokoa, na tsy misento velively ; ny haravoana lehibe dia niandoha tamin'ny zavatra kely.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nisainana-rafetrarivo/nofy
Nofy
Nisainana RAFETRARIVO
Ao fa hiezaka tsy hijery akory Hanadino ireo lasatsika, Hitopy any ankafa f'efa ory Fa ny antsika tsisy fika instony Hinihiko ho hadinoina, na sarotra aza izany Handingan'ireo pejy, hamafa tantara mamy Ho mafy ihany izany, satria tiko loatra ianao Toky volamena, Voady sarobidy No nifanekena saingy tsy tadidy N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/mbola-hisy-fiovana
Mbola hisy fiovana
Frederic Rnf
Mbola hisy fiovana Ny ory anie lesy ry zandry malala Tsy mba havan'ny ireo olona manana Fa raha mbola manana hery oetina Miady dia andao hiezaka atrany Mahantra isika amin'izao fa andao Hihezaka hitovy am'ireo izay mankahala Antsika ka rehefa mitovy aminy isika Dia ndao mba hovaintsika ny fomba fiainany Satry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ialy-nofy/ny-fitiavana
NY FITIAVANA
IALY NOFY
Ny FITIAVANA Ny Fitiavana dia mampijaly Nefa ihany koa mampitaraina . Ka samy harary avokoa ....; Na ny Fo na ny Saina . Kanefa ahitana ny mamy Sy ahitana fifaliana. Feno tsiky satria anilan'ny tiana ! Ka manjary vatosoa izao rehetra izao . Ny Fitiavana dia mampahia Satria ahitana hirifiry Ka lasa mampitoman...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ianao
IANAO
AORN
Haiko loatra raha ianao Vita lasitra ato am-poko Fa ny tsiky sy talaho Vita sary maro loko Tena fantatro ianao Na misento na tomany Tsisy toetra manavao Nefa Mbola tiako ihany Tena mamiko ianao Na dia manahirana aza Efa tsapako hatrizao Lay fitia tsy lefy laza
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/fitahiana-ho-anny-hafa
Fitahiana ho an'ny hafa
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Hiezaka aloha isika mba ho fitahiana ho an'ny hafa Hitrakan'ireo malemy sy ireo mianjera amin'ny tany Ho mpampianatra mahitsy sy tsy mba mihafahafa Mba hoe ahatafita olona maro any aoriana any Ireo folaka marary tamin'ireo ora nianjeràna Sy ny fotaka maloto nodiovin'ny fotoana No lasa lesona amin'izao hizarako fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/mba-koloy
Mba koloy
Frederic Rnf
Mba koloy Ny zava-boaary, an-tsaha sy an-tanàna Dia nomen'Andriamanitra, mba hanjakana Izany anefa tsy midika, anamparo filana Fa sahia mananja, sy miaro ny zony Kolokoloy mba ho soa lalan-dava Fadio ny manimba, fadio ny mandrava Raha te hanana zavatra tsara ho jerena Ho fahafinaretan'ny aty fanahy Raha te hif...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tatamo-album-aloka-sy-tsiky
TATAMO
NY Andri-Fara
TATAMO Ianao ve 'lay teo anilan'ny kamory Fa ny foko indray andro izay ...; Nanjary lasa oriory , teo am-pijerena anao Ka tsy tana ny tanako nanongotra anao . Manina aho Manina anao Rehefa injay mibanjina ireny Tatamo . Indrisy rehefa nongotako Nialako nenina... Tsy nety nivelatra intsony ; Fa maty teo anila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/tsiky
TSIKY
Rabarison Roberto Stephan
TSIKY Io tsikiko io Ilay tsikin'olona mafy Ilay olona efa zatra miafy Ilay tsikin'olona manam-panatenana Ilay olona miandrandra fahazavana Io tsikiko io Tsy ho foana ety amin'ny tavako Fa entiko hanafenako ny ratrako Ilay tsikin'olona tsy manaiky ho resy Fa olona manana herim-po, tsy mety lefy Io tsikiko io ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fisarahana-an-tany
FISARAHANA AN-TANY
AORN
Ory ny fo raha mandao havan-tiana An-taonany maro niaraha-nidolàna Sarotra loatra raha toa fahoriana No hametra sy hanapaka fanantenàna Tsy zatra ilaozana mantsy ny saina Fa satry eo mandàvana ny olona akaiky Raha vao fisarahana miantra aman’aina Kapoaka sotroina io... tsy maintsy manaiky Mangoly fanahy rehefa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/matory
MATORY
Fredy Jaofera
MATORY Amin'izay matory, misy fahatsiarovana manome sorisory sy tsy tia fahalovana. Amin'izay matory, misy alahelo mangina manjary mamory ny, hoe, fangirifiriana. Amin'izay matory, misy ratra mamelively tsy sitrana akory fa ao manindrona kely. Amin'izay matory, misy nenina manirikiry any ho any, fotory ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/ratra-anaty-tsy-misy-mpiahy
RATRA ANATY TSY MISY MPIAHY
RAVINALA
Ooo ! ity foko tsy mitony Manontany tena Mangolingolika manorisory Tsongoina fon’ny tena Miakatrakatra, misavaona eny Miantsampy an-kazo boboka Mitorovoka tsy an-drenesa-teny Midaraboka mianjera Manandrana ny hiarina Ka mitady teny mamy Milomano tsy mitsahatra Ny omaly sy ny androany Ny fitempo misendoatra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/ny-hafatrao
Ny Hafatrao
Bob Ramanamiravaka
NY HAFATRAO Voaraiko daholo ireny hafatrao ireny Nampitondrainao olona fa ianao tsy sahy niteny Misaotra fa voaraiko ilay diam-peninao Ny nilazanao hoe tsy anjara ny antsika la aleo mifandao Misaotra anao nilaza fa saingy efa fantatro Matoa tsy nanontaniako ka ny ranomaso no alatsatsako Tsy tianao intsony aho ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/isaorako-ianareo
ISAORAKO IANAREO
LAVENONA
ISAORAKO IANAREO Ho anao ilay sakaizako  nanampy teny foana Nampahery hatrany tamin'ny andro nitarainako Namafa ranomaso raha sendra izaho nisaona Misaotra anao manokana fa nisy tamin'ny fiainako ! Ho anao tsy nanadino fa nahatsiaro ahy Tsy sasatra  nanohana ary koa nitondra am-bavaka Rahalahy sy anabavy..., Ray...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/ny-tena-tia
NY TENA TIA
LAVENONA
NY TENA TIA Ny lehilahy rehefa tia dia ianao foana no ao an-tsainy ka manembona hatrany ary mahafoy ny ainy raha toa ilaina izany Ary tsy mikely soroka mandroso teny mamy miampy toky sy ny oroka ho anao hatrany hatrany Ny lehilahy rehefa tia ? Iniany hitiavina ny mombanao rehetra satria jambanao ny fony ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/teny-malagasy
Teny Malagasy
Bob Ramanamiravaka
TENY MALAGASY Ry teny Malagasy, ianao no safidiko Mamiko loatra ianao ka kajiko Ianao ilay teny mamiko indrindra Ka tsy avelako ho lany taminga Ny teny Malagasy no fianatro Izay hanaperako ny androko Ianao ilay yeny tsy mba miova Omena ny taranaka mba ho lova Ny teny Malagasy no mampitambatra Ka nahatonga ana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/izy-irery-ihany
IZY IRERY IHANY
LAVENONA
IZY IRERY IHANY Izy ilay masoandro izay mitondra hafanana ka miposaka isan'andro Izy koa no volana mitondra hazavana rehefa alina ny andro Izy no hany tokana nanaitra ny fitiavako tao anaty torimaso Rehefa misy azy dia...toa mirana ny tavako na be aza ny ankaso Izy irery ihany no nambabo izany foko ka tia ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/volana
VOLANA
LAVENONA
VOLANA Ravolana iny rankizy ? Dradrain'ny lehilahy ankehitriny Ambarany mantsy fa izy... no hanolotra an'io amin'ny tiany ! Olona efa an-tapitrisa no efa nilaza an'izany an ! hanakatra an'io sy ny sisa fa io izy mbola eo ihany ! Ataoko fa tsara kokoa ny mionona amin'ny ananana Fa ny tonga teny aza moa mbola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/ny-ora-sy-fotoana
NY ORA SY FOTOANA
RAVINALA
Ny ora sy fotoana moa manam-petra Ka hisakana ny foko sy ny anao tsy hifakatia ? Ny ora sy fotoana moa voafehin’ny elanelana Ka hahatonga antsika koa hifanadino rehefa mba hisara-toerana ? Ny ora sy fotoana moa ho azoko tenenina tsy handeha intsony Hanery ny fiainan’olon-droa ho foana tsy hanohy ny ao am-pony ? N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/lasana-ambiroa
LASANA AMBIROA
RAVINALA
Lasana ambiroa irery Eto amoron-dalana eto Mahatsiarotsiaro tena very Fa nilaozanao nandao Manembonembona ny lasa Mitomany samirery Misento tsy mitraka Mitanondrika sy resy Iny ilay lalana Nizorantsika roa Nitondra fiadanana Nifampitantana taloha Sina izy androany Mandatsa ny eritreritro Tsy miaina teny m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/faranako-eto-androany
FARANAKO ETO ANDROANY
RAVINALA
Ho faranako etoana Ny lala-nombana Sy dina natao Ny soa nifanaovana Sy ny fitiavana Halevi-ko ireny, tsy hohitanao Ny taratasy Natao mba ho basy Nampiray antsika Ho potipotehako Sy ho dorako ho kila Tsy misy tomika K’aza fantarina Na anontianiana ‘zay anton’izao Fa ny tambitamby Na ho fialan-tsiny Tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/embonembona
EMBONEMBONA
RAVINALA
Injay miraona any lavitra any Ny hiran’ny fitia Manainga ny ao anaty Mampanembona ny tiana Toa mifono misitery Tsy takatry ny saina Mampiolonolona irery Hizaka ny taraina Injany koa ny orana Mikararana aok’izany Miorim-paka lalina Mampahatsiaro ny fahiny Milaza mitantara Ny lasantsika ireny Ianao angamba ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/mahazo-seza
MAHAZO SEZA
LAVENONA
MAHAZO SEZA Ny ao ambony dia manana hatrany fa mahazo raha toa ka midongy Ny vahoaka etsy andanin'izany tsy homana raha tsy mitrongy ! Izy ireny tsy mba mitotaly ny kapoakan'ny vary harotsaka Fa isika vahoaka mijaly misarena sy tena efa trotraka Ny ao ambony? harena no sezany Toa ho nofy raha ny hahatsapa ten...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/tiako-ianareo
TIAKO IANAREO
LAVENONA
TIAKO IANAREO Ilay anarana hoe " Dada " ? Teny iray fanonoko fony aho nibadabada Tsy adino koa ny "Neny " fa... Naveriko matetika vao nianatra niteny I zoky ilay nibaby ary koa ny ambina ahy , fony aho nianatra nandady Ny tena marina aza... ireo no nifandrimbona nanasa lamban-jaza ! Ireo zandry notrotroiko Av...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/fitia-voarara
FITIA VOARARA
LAVENONA
Izao re no izy ry tiana a! Aleo avy hatrany dia tsorina voararan'ny fianakaviana ilay fitia izay niaraha-nanorina Tsy avelan'i dada sy Neny ! Hiaraka ihany ve hono dia olona ohatran'ireny e ! Mba farafaharatsiny ahay ny zanakalahin-drampanana nianatra sady mahay ! Ekeko hoe sahirana izahay ka nefa mba olona ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/teboka
Teboka
Rabarison Roberto Stephan
Teboka Teboka fa tsy tsoraka! Ilay tantara efa vita, Ka niakatra ny soratra Fa rava ny amintsika Teboka famaranana Satry tsy hitoy intsony Fa sendran'ny sapanana Ka aleo ny fo hitony Tsy hoe: teboka telo sanatria Fa teboka tokana ihany Rehefa rava ihany ilay fitia Dia miangavy aho, aleo hivalona any Ka vel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/latsaka-ny-sotro
LATSAKA NY SOTRO
LAVENONA
LATSAKA NY SOTRO Nisento izaho no sady... noraisiko ilay sotro nilatsaka amin'ny tany raha hisakafo iny ! Angamba hanambady... izy iny atsy ho atsy hoy ny tany an-tsaiko tany sa niova ve ny tiany ? ehh! Lasa ny fisainako... Ka ilay sakafo tsara akoho sy tsaramaso izay tena nankafiziko zara raha nohaniko ! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/azonao-atao
AZONAO ATAO
LAVENONA
AZONAO ATAO ! Azonao fehezina ny vavanao tsy hiteny ! Azonao tehirizina izay vita rehetra tany ! fa kosa dia tsarovy sy fantaro ombieny ombieny hoe ny marina rehetra mbola hiseho indray andro any ! Azonao hafenina ny zavatra efa lasa ka ho tsiambaratelo ,tsy hisy hahalala ! Fa raha fongarina eto dia angamba fots...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/ho-fanantenana
HO FANANTENANA
RAVINALA
Ho fanantenana iny volana ambony Tarafin’ny tarany tomaratra soa Mamelona ny atin’ny fony Maniry ho sambatra koa. Ho fanantenana ny tsiky fitia mambomban’ny hiran’ny fony Mikasa hanorim-ponenana soa Ka hiara-hitempo am-po mandrakizay Ho fanantenana ilay vonikazo Mamoaka ny vony marevaka lotra Amin’ny andro ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/velon-dray-aman-dreny
VELON-DRAY AMAN-DRENY
LAVENONA
VELON-DRAY AMAN-DRENY Raha toa velon-dray aman-dreny misaora ny Ray ao ambony ! Satria rehefa lasa izy ireny dia... tsy misy mpananatra intsony ! Tsy fidiny ho an'ny kamboty ny hisotro kapoaka mangidy fa tokana tsy afa-miangoty ka zary tsy manan-tsafidy Raha toa velon-dray aman-dreny Hajao izy ireo dia tiavo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/fitia-madio-adaladala
FITIA MADIO ADALADALA
RAVINALA
Fitia madio hony no natolotrao ho ahy Fitia madio kanefa mampanahy Rehefa isika tafahaona Dia ny tananao manantona Hisarika ny tanako Dia mody tsy jereko Fa tohizako ny resaka Avadiko ny tafa Ka ataoko sangisangy Dia io ianao mihomehy sady lasana vinany Raha sendra ka variana Dia mody miankinakina Dia raiki...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-radontsoa-mamiratra/lasa
Lasa …
Ny Radontsoa Mamiratra
Lasa nanakopaka ny elany tanora ‘lay voro-mpanonofy tan-tafon-tranonao … Nisidina, nisidina, nanivatsiva mora ny lanitry ny fiainana sy ny habakabakao … Ireo tafasiry nandaniana fotoana; Ireo ngadon-kira namelona ny andro … Nasainy tahirizin’ny volana sy taona Hitamberina eto ka hampihandrohandro! Ny teny izay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/ho-ani-mama
HO AN'I MAMA
LAVENONA
HO AN'I MAMA Mama o! Satry dia satriko loatra hiantsampy sy hamihina anao nefa indrisy aho tsy afa-manoatra ka izao manoratra izao ! Mama o! Efa aman-taona no nandaozako anao sy ny taniko Ka nefa tsarovy eny foana an! fa tiako ianao sady mamiko! Arahabaiko manokana ianao nahatratra ny andro androany ! Andri...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/taratasy-avy-any-am-ponja-taratasy-2
TARATASY AVY ANY AM-PONJA
LAVENONA
Taratasy avy any am-ponja (tohiny...) I Zoky ihany letsy a! i zoky aty am-ponja ! Somary nalahelo sy nahatsiaro mangingina dia niezaka nanoratra...na teny kely monja ! I Fely koa namangy dia mba azo niangaviana... hitondra ity ho anao! Inoako sy antenaiko fa salama tsara ialahy eo ampamakiana ity taratasy ity ! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/i-dada-1
I DADA
LAVENONA
Iza moa no nanan-po hoe... ho lasa kristiana ianao ry dada tiako Mihitsy izay no faniriako efa hatramin'ny fahazaza Satria izaho dia sahy nilaza sy nihevitra taloha hoe... na hisy nify aza ny akoho dia tsy hiova mihitsy ianao ! Mahay zavatra Andriamanitra an ! Notakariko ny lanitra (raha takatro) Fa nataoko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/anatra-1
ANATRA 1
LAVENONA
Izao no teniko aminao any volana any andro mbola hiseho ny masoandro fotsiny io tandrifin-drahona ka ny anio no mety hoe vahona nefa mahareta kely fa hivadika tantely io... rehefa tonga ny ampitso !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/anatra-2
ANATRA
LAVENONA
Ireo zavatra miseho sy ny loza izay mitranga dia zary toa maneho fa efa manangasanga ny faran'ity lalana diavintsika ity ! Mantsy ireny famantarana sy solon'ny trompetra fa tsy ho ela dia hifarana ny zavatra rehetra dia ny fiainana eto an-tany koa dia MIVONONA HATRANY !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/i-dada
I DADA
LAVENONA
I Dada raha alim-podiana lavi-dalana ka tena lanaka Tsy akory iny fanahiniana fa... mamelona vady aman-janaka! I Dada matoa mitaraina tsy nahiny * na haitraitra fa ny asa mihatra aman'aina magidy sy tena mafaitra ! Izy tsy manan-tsahala tokana tsisy mahasolo Fiharetan'i Dada malala ? Fitiavany antsika daholo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/tsingeritaonanao
TSINGERITAONANAO
LAVENONA
TSINGERINTAONANAO Lahin-jiro iray tsy misy mofomamy No nenti-mankalaza ny tsingerintaonanao Tsy nisy koa mpanotrona hafa tsy iray ihany Raha ny tombatombako dia ray na reninao. Tehaka malefaka sy hira mangingina Ireo no nandravaka ny fetinao androany Kanefa nahagaga sy tena nahavariana, Fa... rako-pifaliana ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/manana-faharetana
MANANA FAHARETANA
LAVENONA
MANANA FAHARETANA Raha sendra ka mafonja ny entana zakaina Mahery sy manonja ka mankarary ny aina Dia teny kely monja no azoko lazaina... Manàna faharetana ! Raha toa ka mankadiry ny ady izay lalovana ka rakotra hirifiry sy tena mahatorovana Dia tiako ianao hikiry ity teny ity tsarovana Manàna faharetana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ty-foko-adaladala
TY FOKO ADALADALA
AORN
Indraindray dia lasa saina Mandinika tsy satry Ty foko adaladala Fa mbetika izy tia avy eo mianjonanjona dia tonga mpankahala Ny tenako aza fanina Fa olona efa tiana Zakainy fahoriana Ny hafa izay nahataka Amy toetra mamoehatra No indro omeny sehatra Akoho tamàna an-trano Zay efa nahazatra Rangitina harat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/raha-ho-avy-izany-farany
RAHA HO AVY IZANY FARANY
LAVENONA
Raha ho avy izany farany dia samy hahazo ny anjarany sy ny valin-kasasarany ny olombelona rehetra Ka miankina amin'ny toetra izay nafafy teto an-tany no hojinjaina ami'izany ! Raha ho avy izany farany dia... ho ho antsoina amin'ny anarany avy ny isam-batan'olona Ka hifarana ny tolona sy fahoriana izay niaina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/tia-anao-ny-foko
TIA ANAO NY FOKO
LAVENONA
Malala a! Tiako raha raiketinao mba tsy ho verivery foana ity tononkalo ity ! Eny ataovy ao am-ponao ka na ho volana na taona dia tsy voafafa sanatria ! Ka izao ry tiako a ! Raha mbola misy hatrany fo mitempo anatiko ao dia hitia anao rahavako Ary mbola averiko ihany mba ho re sy tsapanao fa tsy miova ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tonombavako
TONOMBAVAKO
LAVENONA
TONOMBAVAKO Ray o ! raha ilaina ny hazofijaliana mihatra eo ami'ny fiainako Intsony aho tsy hitaraina fa lanjaiko ampifaliana eny tsy hitarainako ! Ka ny saiko hohatanjahiko! Ny herim-poko tsy ho very fa vonona aho hiady ! Ary ny ara-panahiko ho mafy sy mahery na inona mianjady ! Ray o! raha mahasoa ny ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/voatery-miasa
VOATERY MIASA
AORN
Vao kely izao ialahy tsy manana safidy handalo lakilasy... tsy toy ny zaza hafa zay tretrika sy tafa I Neny moa sahirana Hariva vao tafody Manao zay sasa-lamba Dia vizana sy lanaka kanefa ireto zanaka tezaina sy sahanina I Dada indray... indrisy Fa efa vovon-tany Na farafaharatsiny Taolana mikitrana mifo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/voadiko
VOADIKO
LAVENONA
VOADIKO Dina sy voadiko androany Ary koa hianianako etoana , Na inona hitranga eto an-tany ? Isaorako ny Avo eny foana ! Ekeko sy hiaretako hatrany Lanjaiko fa sedram-pinoana! Raha diso famindra ka voa ! Olombelona mantsy tena Indrindra tanora ihany koa ,ka... Mba manana fahalemena, Etoana aho hiova tokoa ! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/mitaraina-ny-ala
MITARAINA NY ALA
LAVENONA
MITARAINA NY ALA Eny ho aho ry olombelona Satria tsy afaka miteny sy tsy afaka hitroatra na dia efa tafahoatra aza ny tsindry ataony anay dia sahinao simbaina ? Ka nefa ataovy an-tsaina fa ny hazo manan'aina ka mety hitaraina ! Fa ianareo no fositra Mantsy izahay tsy afa-mandositra ny afo ataonareo Ehhh......