url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahatraina-omega/mba-volana-hono-aho-ka-volana
MBA VOLANA HONO AHO KA VOLANA !...
Vahatraina Oméga
MBA VOLANA HONO AHO KA VOLANA !... Mba volana, hono, aho ka volana! ... Volana manangasanga iny rehefa hariva Hiarahaba ny tany efa hangina madiva Hitsinjo izay aminao eny amin'ny tany rehetra Volana manangasanga hitazana anao tsisy fetra. Mba volana, hono, aho ka volana! ... Volana manganohano eny amin'ny lanit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aza-fefena
AZA FEFENA
raozigasy
AZA FEFENA Na dia hovolenao tsilo irony lalana mankany Na dia hotampenanao izany vavahadim-po Raha toa ilay fitiavanao mbola mitempo sy tsy lany Dia ho nofy izany rehetra izany , ho asa very maina koa Na hivoady aza ianao, handa ny fotoana omeny Na hitokona aza ianao, tsy hitsena azy am-piravany Raha toa tsy fon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/faly-ery
Faly ery
Sitlo
Faly ery lekely fa vita ny batemy ka tondrahan'ny anjely ronono sy tantely Vita tompoko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/misaotra-1
MISAOTRA
raozigasy
MISAOTRA Misaotra anao mankahery misaotra anao nijerijery ireo aingam-panahy izay tsy tantiko Misaotra anao maka fy ireo andian-teny izay nambarako dia mitozoa ka mamakia aparitaho ireo ho amboarako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/atonamia/hatraiza-ny-fetra
Hatraiza Ny Fetra
Atonamia
Hatraiza ny fetran'ny fiandrasana Hanaovana sorona ny zava-drehetra Sa ve hiandry andry fona hatrany an-pasana Ka hiafy, hijaly etsetra etsetra? Angamba hoy aho rariny kosa Rehefa misy ny leo aseho mazava Ny fitiavanao fotsiny atao miavosa Mba ts'hisian' ny nenina ho anao lalandava 'Tsika rehetra dia miara-mana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tsy-hiandry-andry-intsony-ry-malala
TSY HIANDRY ANDRY INTSONY RY MALALA
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
TSY HIANDRY ANDRY INTSONY RY MALALA Tsy hiandry andry intsony aho akia malala Tsy te hisakafo fahadisoam-panantenana Tsy hanantena teny mamy miaro tambitamby Na hidradradradra hitomany hirediredy toa adala Tsy hanao fotoana amin-dry intsony aho ry malala Fa lany andro sy mamon’ny voapetrapetraka Tsy hitsena, ary...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahirintsoa/velatra
VELATRA
Tahirintsoa
VELATRA mihanjaka sahady sy mihinjika no sady mandrimandry jery ianao ry vavikely. ka hopondesina ary va ireto tratranao sa havela ho sakafo sy kilalaon'ny maso ? raha ny hahasambatra ahy dia fotsiny FANAHY... fo mitepotepo monja avelatra eto.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lany-ve
LANY VE ?
Fredy Jaofera
LANY VE ? Lany ve ny olomanga no voatavo tsy mifandraka ny toa mitondra firenena sa ireny mbola hitranga haharavo sy hampatanjaka ‘zato Nosy mahonena ? Lany ve ny olomanga no maitso volo ny mijoro ho an’ny tanindrazana sa hisy izay hiranga, hoy aho tsy hampikoro hivatsy fahombiazana ? Lany ve ny olomanga ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/tsy-maninona-2
Tsy maninona
manantena
Raha toa tsy sitrakao Ny fiarahantsika roa Tsy maninona lazao Raha toa ho lavinao Ny hiarahako aminao Tsy maninona ambarao Fa hiezaka aho ny hitia Anao hatrany hatrany Tsy hihemotra aho satria Ianao irery ihany No tiako eto an-tany Raha misy olon-kafa Efa miaraka aminao Tsy maninona lazao Na koa olon-kafa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nantto/henintsoa
Henintsoa
Nantto
Iza? Iza tokoa no anaranao? henintsoa,moa Henin-tsoa tokoa ianao? Heni-java-tsoa avy amin'iza tokoa sa fahafenoana nomena ihany koa? Tsia, tsy Heninka fa Henina Tsy azo atao hoe manenina Fa enina no zava-tsoa, Nohariana hameno ahy koa Enina manambara tsy fahafenoana, Satria olombelona mikatsaka fahafenoana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsiaro-sisa
TSIARO SISA
raozigasy
TSIARO SISA Raha nodimandry ilay notiavina Raha nihitsa-nofo ilay notoavina Vita ilay fiainana nindraminy Ka tantara sisa ny aminy Raha nandao ilay havan-tiana Raha nody tsy hisy fihaviana Fa vita adidy teto an-tany Fa ny fiainany efa any Dia tsarovy lalandava Fa na dia tsy hifanatri-tava Aminao ilay olon’in...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/dradradradra
DRADRADRADRA
raozigasy
DRADRADRADRA Dradradradra sisa ve Sy tononkalo be dia be No mba solom-pamonjena Ataoko ho anao ry firenena ? Dradradradra sisa ve Sy Vavaka atao marobe No ampinga hiarovako Ho anao ry Tany lovako ? Dradradradra sisa ve Sy kiaka anaty tsy ho re No fitaovam-piadiako Ho anao ry Dago tiako ? Na dia dradradrad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vavako-1
VAVAKO
raozigasy
VAVAKO Latsaka an-katerena Ianao ry firenena Izany ve dia azo ekena ? Latsaka ao anaty lavaka Ianao ry nosy ka voaavaka Ka dia entiko am-bavaka Ka ny hatako amin-dRay Irina Izy hampiray Ny Malagasy tsirairay Ka ny Tanany mahery No hambomba sy hijery Ity fireneko tsy ho very Ka Izy Tompo anie hitahy Hiaro ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aloka-5
ALOKA
raozigasy
ALOKA Raha azoko natao Hoe mialà ianao Ry aloka mandindona Raha azoko bahanana Natosi-boho-tanana Ianao ry aloka tsy handindona Dia nataoko izany Kanefa moa tsy mety Na dia vetivety K’aleoko dia mangina Ka ny hany fiangaviako Sady faniriako Izaho aza ampijaliana Raha mbola eto an-tany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/manoratra-aho-satria
MANORATRA AHO SATRIA
ZOZORO
MANORATRA AHO ANIO SATRIA Mnoratra aho anio satria Fantatro fa tia anao Maika eny hiara-dia Hiaina fiainam-baovao. Manoratra aho anio satria Manina sy malahelo Mamolivoly ilay fitia Rakofan'ny tsiambaratelo. Manoratra aho anio satria Efa te-hahita anao Te-hitafa sy hifangiha Manoratra aho fa fantatrao Fa e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/hamoy-fo-mangina
HAMOY FO MANGINA
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
HAMOY FO MANGINA Avelao aho hamoy fo mangina Hanadino moramora, ilay fitiavanao lalaiko Hiaritra irery ny oram-pijaliana Hanafotra ny fiainako, ka hanaisotra ny aiko Raha izay no sitrak’Andriamanitra Dia hisaorako Azy izany ary ekeko an-tsitrapo Inoako ihany koa f’homeny ahy ny lanitra Na dia mpanota tsisy vid...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ry-fireneko-o-nahoana
RY FIRENEKO O NAHOANA ?
raozigasy
RY FIRENEKO O NAHOANA ? Ry fireneko o nahoana Ianao no dia mijaly foana Vaky mihitsy re ny lohako Izato jalinao tsy tohatro Ry fireneko o nahoana Ny vahoakanao no noana Sy mahantra lalandava Ny tontolo vaky vava Ry fireneko o nahoana No tsy maintsy hoe ianao foana No atao sehatra fiadiana Sy fanaovana iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/te-ho-sambatra
TE-HO SAMBATRA
ZOZORO
TE HO SAMBATRA..... Izy, hono, te-ho sambatra ! Inona ary no hataoko hahatanteraka an'izany? Ny fitiavako tsy miambatra Mety ho antoky ny tena fahasambarany eto an-tany ? Nefa indray rah'toa tsy ampy Ilay fitiavana mahery tsy afenina intsony Moa tianay ny hiantsampy Amin'ny andry mafy indrindra dia ny dinako am...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/ny-volantsika
NY VOLANTSIKA
Solofomanjato
NY VOLANTSIKA Iny volana iny Tsy natao ho ahy irery fa indrindra koa ho anao Mampivelatra ny tarany ho amin’izao tontolo izao Hitondra tsikim-pifaliana, toy ny fo tsy manan-tsiny Ny volana iny mantsy izany Misy sentony ao, sy kika ; misy kalo sy tomany Misy vetso nofinofy, misy fo mifamotoana Tsy mampaninona az...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manatsiala/gasy-ankehitriny
Gasy ankehitriny
Manatsiala
GASY ANKEHITRINY Ianao mantsy ilay sahy manora-tena Ho tena Malagasy No sady mirehaka miteny Ho Malagasy ray sy reny Fa angaha moa toa anao daholo izy ireny ? Miteny ho’aho ianao «Tsiparifary sy akotry No mameno sy mandrafitra Izato teny hafa firafitra Tsy tsotra tsy mivadi-drafitra Tenim-boto sy zatovo Sot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/syrius/namana-9
Namana
Syrius
Faly ery re ny tena Raha nahazo anao ho namana Sarobidy toa harena Nomena fa tsy nangalarina Nifampatoky, nizara tsiambaratelo Nifanome hevitra, nifanoro lalana Mba hamalifaly, hamafana ny alahelo Satria zay no maha mpinamana Tsy ho adino, tsy ho very Reo zava-drehetra noresahana Fa vao maika hanome hery Han...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/nahoana-8
NAHOANA ?
ZOZORO
NAHOANA ? Ato anaty haizina ato*Ianao no sainiko mangina Eritrreritro tsy miato Irony andro nifaliana Lasa indray ny tomany Tonga koa ny sentosento E! milaotra ny vinany Fa nahoana ianao no tsy eto ? Ny alina mandroso foana*Izaho mbola lavi-tory*Io fa hitako anoloana Ny endrikao toa oriory Hitako misavika ahy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mivavaha
MIVAVAHA
raozigasy
MIVAVAHA Maro ny korontana Manaitra sy mampiontana Ny fo amam-panahy, Sady mampanahy Maro ny hotakotaka Horaka sy rotaka Etsy sy eroa Mankarary an-doha Maro ny kotaba Arahin-tabataba Tsy mandry re ny tany An-tanindrazako any Maro ny herisetra Tsy voafehy sy tsy voafetra Mampitaintaina Sy mampiferitr’ain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/rafahamarinana
RAFAHAMARINANA
raozigasy
Ny marina hono dia tsy mba maty Misy tsy fambara fa hoe sao tsy tanty Ny marina koa dia saro-tadiavina Ary raha fantatra aza mora lavina Fa Rafahamarinana kosa tsy laitra Mora fantatra izy, ary mody tsy taitra Tsy voaozongozon-dRamarivo tototra Raha miaraka aminy, tsy taitra tsy rototra Rafahamarinana tsy tia s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/josie/mba-tiako
Mba tiako
Josie
Mba tiako ho fantatrao izay rehetra am-poko ao tsy alahelo akory sanatria fa emboka fitia atolotro ho anao Mba tiako ho renao izao antsoko izao fa mitempo ho anao ilay fo anatiko ka atolotro ho anao Mba tiako ho itanao izao soratro izao raha mba mety re ianao raiso ka aza lavina fa atolotro ho anao Mba t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ray-o-1
RAY O
raozigasy
Ray o : Mbola misaotra anao amin 'izao andro anio izao namela ahy hiloaka ny alahelo hivoaka dia henoy ity vavaka antso anaty lavaka Ray o : ny vavaka atao iangaviako anao, dia avelao ny taniko ilay tiako sady mamiko ho feno fitoniana ho lavi-pahoriana Ray o : ifonako aminao ireo ota vita tao omeo fila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/mahatsiaro-anao-ny-foko
MAHATSIARO ANAO NY FOKO
SCOTLANDYARD
MAHATSIARO ANAO NY FOKO Mahatsiaro anao ny foko Tsy haiko hoe maninona Ny saiko moa dia mioko Tsy hitako atao inona Mahatsiaro anao ny foko Miridan-tsy voafehy Manosonoso-doko Ilay sarinao mihomehy Mahatsiaro anao ny foko Ka feno nofy anao Ilay fitia an-tsokosoko Tena mbola ao Mahatsiaro anao ny foko Ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefa72/tia-10
Tia
Mahefa72
Tia " Teny Kely tsotra ihany Dia ampy entiko maneho Ny fitiavako ho an'ilay olona any Lavitra ahy tsy tongam-peo Eny ry ilay Malalako, mamiko tsy foiko Ny fitiavanao no tanako, tazoniko sy koloiko Ary mbola averiko, sy teneniko eto indray Tiako ianao ry ilako, eny tiako mandrakizay Tonga ity ny fety, fetin'ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/resim-pitiavana-1
RESIM-PITIAVANA
SCOTLANDYARD
RESIM-PITIAVANA Resim-pitiavana aho ka midanàka Resy aho rey olona ka midonàka Resy ahy satria reko hoe latsa-paka Lasa fato-maty amin ny foko ilay faka Resim-pitia ahy ka varimbariana Resy sy lavo ka indro sondriana Resy tokoa ka mifona fa resy Fa nijery ireo sarinao ireo nifanesy Resinao aho, dia babo indra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sedra
SEDRA
Fredy Jaofera
SEDRA Pi-maso indray mandeha dia tsy hita izay nambara, Angamba dia efa kapoka fa nihamaizina ny anjara ! Reharehako…Hasambarako…Tokiko…Nefa indrisy, Izaho tsy tena izaho…Ianao dia efa tsy nisy ! Sento lavareny !…Sedra ombieny ombieny !…
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tratry-ny-fety
TRATRY NY FETY
raozigasy
TRATRY NY FETY Tratry ny fety indray ranabavy Tena vetivety ilay taona dia avy Mbola tsaroako herintaona hoatr’izao Izaho ilay nanoratra, teny ho anao Izao ity tonga indray Vita sahady ny taona iray Toy ny vao omaly, tena mandeha Ilay fotoana haingana be Ka raha samy handeha toy izao ilay fotoana Dia izao no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/aza-gaga
AZA GAGA
SCOTLANDYARD
AZA GAGA aza gaga na variana raha toa ianao tsaroako lava tsy fidina aho ange ry tiana fa satriko hifanatri-tava ary ilay aingam-panahy enti-manoratra ho anao dia fientanan'ilay Tsiahy rehefa mahatsiaro anao ny ankoatr'izany moa dia tsy afenina anao fa fitiavana sy fo miara-mitempo aminao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/na-dia-lavitra-aza
NA DIA LAVITRA AZA
SCOTLANDYARD
NA DIA LAVITRA AZA na dia lavitra aza ny elanelan-tany amintsika roa, tsy miteny izany, fa ny antsika mantsy ny saina sy ny fo na aiza misy antsika, miara-dia tokoa ka na any ianao,ary izaho aty ny hafatra apetrako, ampitaiko akia dia izaho eto foana, ary ho mandrakizay ilay "isika" antsika, ilay fitia mivaivay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johary-j/hampandroso-sy-mihaino
HAMPANDROSO SY MIHAINO
JOHARY J
Tonga soa ankehitriny ilay andro nandrandraina Ka nandresy ny Mpanohitra dia tonga soa Ambotsirohitra. Anefa izao no tadidio tsy rahampitso na anio fa miandry anao i Gasikara mba hametraka tantara. Fandrosoana no filamatra fandrosoana mba ho taratra tanteraho ny vavanao mba ho porofo vaovao. Mila anao ny Ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/ho-avy-2
HO AVY !
Solofomanjato
HO AVY ! Ho avy ianao izao, Ka dodona ery hanokatra indray iretsy boky iretsy, Firaiketanao ny tontolo andronao androany, Isaky ny ora sy fotoana nandalovany. Ho avy ianao izao, Hitomany mora ao anaty lamba isalobonanao, Misy anefa ianao mirana sy homehy ; Rehefa injay mamaky ireo raki-tsarobidy Ho avy ianao i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nantto/hitadiavo
Hitadiavo
Nantto
Hitadiavo tontolo iray vao Mitadiava hasolo ny ao zay efa lao Hitadiavo endrika hanavao Mitadiava hevitra hafa ianao Mikaroha fototra hafa indray Mikaroha fanoitra hanamaivana ilay Mikaroha anatra hamefy indray Mikaroha teny hanaingana ilay Manehoa endrika mitraka Manehoa toetra tia kinasa Mijoroa f'aza mih...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/tanteraka
Tanteraka
Pissoa
Tanteraka Na inona mitranga, na inona midona Na toa tomefy tsilo ny lalana diavina Na efa ho ritra aza hatramin'ny finoana Dia aza hadinoina izay nekena hotiavina. Na inona ho ratra, na inona hirifiry Na ho vy na vato mianjady ao am-babena Na inona tsy ho zaka, meteza ianao hikiry F'aza atao tsifoifoy ny fitia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramario/voaendaka-sahady-aho
VOAENDAKA SAHADY AHO...
R.A.Mario
Voaendaka sahady aho … Voaendaka sahady aho omaly… Voaroba ny fananako Tsy milamina ny tany Foana teo ny fahafahako Fa tanora vitsivitsy Manao fihavin’olon-dratsy No nandroba tsy nitsitsy Sahy mandrangaranga basy Norohitiny tan-dàlana Ilay sarobidy loatra Voaroban’ny mpangalatra Indro nentiny nitsoaka Very...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/omeo-ahy
OMEO AHY.
Volatiana Rahaga
Omeo izay azonao omena: Ny tananao ho fihiniko, Ny masonao banjiniko, izay foinao tsy an-katerena, Ho ahy dia izay no fandresena. Omeo ahy ho vinaniko, ny andronao maraina mihiratra tana-masoandrom-pitsikiako, kintana iray mamiratra. Izay mozika fandrenao ento amiko ataoko hira ho ren'izao tontolo izao F'am...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/andefimandry
ANDEFIMANDRY
Fredy Jaofera
ANDEFIMANDRY Moa ve fantatrao ny faniriako izay tavela, nofiko mangina sy hetahetany hatry ny ela ? Moa ve fantatrao no nivavahako isan’andro, nataoko fangatahana vao mipoaka misandre ? Moa ve fantatrao ny anjara tiako indignera hipetraka ho ahy sy tsy afaka ny hifindra ? Moa ve fantatrao no nokoboniko ato am-p...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hiandry
TSY HIANDRY
Fredy Jaofera
TSY HIANDRY Tsy hiandry ny volana aho hanilo ’zato lalako raha tsy izay ny sitrapony, fa hikiry tsy hisy olana hahazo izay fiadanako sy ’zay ilaina hitony !… Tsy hiandry ny kintana aho hitarika ny tongotro raha tsy izay no faniriany, fa hisy foana ny vintana, hoy ihany ireto molotro, hampiravo, na tsy tiany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johary-j/lahatra-tsy-izay-vohakasa-2
LAHATRA TSY IZAY VOHAKASA
JOHARY J
Be tokoa ny vitanao na fito taona monja aza voatery anefa ianao ny handao misaotra izahay dia mankalaza indrisy anefa alahelo ireo tsy mahasaraka anao manontany tena irery fa hoe inona no helokao ? Tsia hoy ianao fa Tanindrazana tsy azo atao kisangisangy tsy azo avela ho tany ngazana na atao fanasa vangy fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johary-j/lahatra-tsy-izay-vohakasa-1
LAHATRA TSY IZAY VOHAKASA
JOHARY J
Be tokoa ny vitanao na fito taona monja aza voatery anefa ianao ny handao misaotra izahay dia mankalaza indrisy anefa alahelo ireo tsy mahasaraka anao manontany tena irery fa hoe inona no helokao ? Tsia hoy ianao fa Tanindrazana tsy azo atao kisangisangy tsy azo avela ho tany ngazana na atao fanasa vangy fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/indraindray
Indraindray
manantena
Indraindray ianao toa mahafinaritra ahy Mambabo ny fo sy ny saina amam-panahy Ny masonao mijery sy ny tsikinao malefaka Manintona ahy hoeny sy hiresadresaka Indraindray anefa tsy hita hoe ahoana Toa manorisory sy mampiteniteny foana Indraindray izany an!, fa tsy hoe foanafoana Ka avelao hoany fa toa zava-poana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/mitovy-izany-isika
MITOVY IZANY ISIKA
SCOTLANDYARD
MITOVY IZANY ISIKA mitovy isika izany hoy ny teninao dia azoko am-binany izay ao anatinao mitovy isika izany marina tokoa efa tamin izany tsy izay ve moa ? mitovy isika izany izaho tena manaiky satria tsapako hatrany izaho mbola taraiky mitovy isika izany rehefa mijery sary dia any anaty any misy tsongo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/sarinao
SARINAO
SCOTLANDYARD
SARINAO Mijery sy mibanjina ireo sarinao Dia lasa teo ny saiko Ka iny aho manontany Moa ve mitovy tanjona Ny foko sy ny anao Ny valiny tsy haiko Fa mahalasa vinany Dia sady maka fy Ilay sarinao mitsiky Ilay tsikinao tsy foiko Dia verivery saina Ahoana loatra akia Fa dia nahoana iky No feno anao foko Ry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mankahery
MANKAHERY
Fredy Jaofera
MANKAHERY Efa ory ve ianao ?… Tsarovy tsara izao Fa ny olo-mankahery No toky tsy mamery. Efa kivy ve ianao ?… Tsarovy tsara izao Fa ny olo-mankahery No andry tsy mijery. Efa osa ve ianao ?… Tsarovy tsara izao Fa ny olo-mankahery No antoka tsy miery. Efa resy ve ianao ?… Tsarovy tsara izao Fa ny olo-manka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/ilay-hatsiaka
ILAY HATSIAKA
SCOTLANDYARD
ILAY HATSIAKA Ilay hatsiaka izay tsy tiana Mampangoly ny fanahy Ilay hatsiaka fijaliana Mampivaingana ny rà No vao maika zary laro Te ho tambatry ny tranga Ka tamin ny foko izy niharo Ka ny lanitro nihamanga Ilay hatsiaka feritr’aina Rehefa handingana tokonana Ilay hatsiaka tsy hay lazaina Na dia mitatao vo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manatsiala/raha-mba-2
RAHA MBA...
Manatsiala
Raha mba fantatrao mantsy ry lay notiavin'ny fitiavako Ny fitiavako anao tao am-poko rehetra tao Angamba tsy ho narodanao tsy ho nazeranao Ny mandan'ny ho avy Novinaiko, nandrandraiko fa ho mamiko Nefa indrisy fantatrao izany... Teo isika no nikoro
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiff/raha-misy-ny-tiko
raha misy ny tiko
tiff
raha misy ny tiko raha misy ny tiko de ianao ry malala ze retra niafiko tsy misy mahalala raha misy ny mamy tsy zarazaraina lay tokana antany zay tena lalaina enao re ry tiana lay tsy foiko ndrindra fitia mahaliana tsy ho azoko afindra raha ho tantaraina lay fitiavana mamy dia karakaraina tsy avela ho l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/vavaky-ny-malagasy
Vavaky ny Malagasy
Mandefitra
Tompo o vonjeo Fa amoron-kady zao Ny firenenay Ny fonay mba tendreo Hatoky indrindra Anao Ka tsy hanahiahy. Na mifofofofo Mamono sy mandripaka Mamotika mandrava Ny asan’ilay fetsy ... Dia hino Anao tsy hiofo Tsy hivadika tsy hisintaka Hatoky lalandava Satria Ianao Mpandresy! Ny Voninahitrao, Tsy ho ela d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manatsiala/teny-mamiko
TENY MAMIKO
Manatsiala
Raha toa ka alahelo no ahafahako manaingo anao ry teny izay lalaiko Dia aleko alahelo foana Haratra fo hitomany fe mandavan-taona Hahatsapan'ny maro sy ireo vahiny izay mandalo Fa sarobidy tokoa ny loharano soa tovozina avy aminao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/dieny-1
DIENY
Fredy Jaofera
DIENY Tandrotandrovy ny hita sy ananana dieny ronono izay mbola fahanana ; tendritendreo ny valiha sy lokanga dieny mbola afaka sy mampitranga ; velivelezo ny vy sy langoroana dieny maneno sy mampihaona ; hirahirao ny fiainana an-tany sao diso paika vao hanontany ! Tsinjotsinjovy ny mamy rehetra dieny tsy mis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiff/any-andro-ray
any andro ray
tiff
any andro ray any andro ray hiverenako hitsenanao ahy ndray andro ray tsy hanenenako izay vitako hatrizay valo taona enao tamzay nilaozako irery teo tsy atranondreny na ny ray nisetra irery zay niseho nanapakevitra aho nandeha tsy naka dinika na era nibanjina izay haleha nikiry rery raha nenjera any andro ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/diamondra-sa-vahiny
DIAMONDRA SA VAHINY ?
Fredy Jaofera
DIAMONDRA SA VAHINY ? Diamondra ianao kanefa asa loatra fa dia mirefa ny fanahy toa nampijafa ka nataoko ho olon-kafa… Eny, noraisiko ho vahiny tsy mba hay ankehitriny. Diamondra ianao kanefa tsy mba tiako no mandefa ny hafaliana tato am-po sy ny alahelo izay nanjo raha nesoina marimarina sy nirina tsy ho t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mankahery-1
MANKAHERY
Fredy Jaofera
MANKAHERY Efa ory ve ianao ?… Tsarovy tsara izao Fa ny olo-mankahery No toky tsy mamery. Efa kivy ve ianao ?… Tsarovy tsara izao Fa ny olo-mankahery No andry tsy mijery. Efa osa ve ianao ?… Tsarovy tsara izao Fa ny olo-mankahery No antoka tsy miery. Efa resy ve ianao ?… Tsarovy tsara izao Fa ny olo-manka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hadinonao-ve-1
HADINONAO VE ?
Fredy Jaofera
HADINONAO VE ? Hadinonao ve ‘reo hirahirantsika fa ny foko kely ange, mivetso lava toa mozika ? Hadinonao ve ‘lay takarivantsika fa n’aiza n’aiza aleha, mbola mamy mahasariaka ? Hadinonao ve ny fahatsiarovantsika fa ny mbola hany sisa re, kalokalo iray mandriaka ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/dia-lasa-indray-ianao
DIA LASA INDRAY IANAO
SCOTLANDYARD
DIA LASA INDRAY IANAO Dia lasa indray ianao, ka miontana ny foko, Dia iny indray aho, halahelo an-tsokosoko Dia lasa indray ianao, hamonjy tokantrano Dia izaho no tavela eto, hamarana ny angano Dia lasa indray ianao, hamonjy any an-tanàna Dia vita indray ny antsika, ilay fihaonana raràna Dia lasa indray ianao, h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/tiany-hono-aho
TIANY, HONO, AHO...
Ryana
TIANY, HONO, AHO… Tiany, hono, aho… Dia aiza sy rahoviana? ny inona? nahoana? Tsy takatro ny valiny; Ahiahy sy fanontaniana no zary manoloana, Tsy ahitàko rariny! Tiany, hono, aho… Dia satriko hofantarina hoe hatry ny oviana, Amam-bolana sa taona? Dia tiako hovinaniana hoe haharitra hafiriana, Hihelina sa ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefa72/embona-7
Embona
Mahefa72
"Embona" Manina aho ka dia manoratra, Ho an'ilay malalako lavitra ahy Tsy azoko takarina toa lavitr'ohatra Ka mampirongatra ny tsiahy Lavitra ahy ianao kanefa Ny foko manaraka anao eny hatrany Any aminao izy no miantefa Mandra-pialany eto an-tany Tiako ianao ary fifaliana Ary koa tia ahy Ny fitiavanao no iri...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/syrius/ny-lasa-3
Ny lasa
Syrius
Na de be aza ny olana eto an-tany De tsy atao mahakivy zany Ny hoa avy irosoy Fa ny lasa adinoy Izay vita aza anenenana Nafa ezaho mba tsy hiverina Ny fiainana mbola ho lava Fa ze lasa de tantara Avadio hatr'eo ny pejy Ezao ahitsy izay tsy nety Ataovy tsara ny safidy Mba tsy ho tojo indray ny mangidy Lasa n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/hasiana-elatra
HASIANA ELATRA
Solofomanjato
HASIANA ELATRA Hasiana elatra ?... Angaha ianao tsy tazako ? Angaha ianao tsy anilako ? Moa ianao tsy takatro ? Moa ianao tsy silako ? Ka nahoana ianao, no hovolena elatra ?..... ‘Ndeha hisidina avo indray Hanadino ny eto an-tany ! Hoany an-toeran’ny fanahy Any…misy maminy any… !!! Fa nahoana ianao, no homen...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/fiadanana-hafahafa
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsiriry-ahitra
TSIRIRY AHITRA
Fredy Jaofera
TSIRIRY AHITRA Tsy tsiriry vorona fa tsiriry ahitra ny fitiavako anao rehefa indro niforona sy mba voarafitra hirobona tsy ho lao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/isika-2
ISIKA
SCOTLANDYARD
ISIKA Manoratsoratra ho anao, Rehefa avy naka fy Nianoka ireo sarinao Vao nobanjiniko akia Dia lasa saina mahatsiaro Lasa embona, vinany Namerina ireo zava-maro “Isika” ilay taloha tany Dia nidika zava-dalina Ilay sento namaranana azy Honofisiko ianao rahalina Hiarahako mivazivazy Miteny irery aho manontan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramario/ny-andronny-mpifankatia
Ny andron'ny mpifankatia
R.A.Mario
Ny andron'ny mpifankatia Ny andron'ny mpifankatia F'angaha tsy hoe mandrakizay? F'angaha tsy hoe doria ny dia? Izay aloha no fantatray Raha atao tsingerin-taona Samy manana ny azy Tsy mitovy ny fotoana Ao ny lasa ao ny ho avy Raha hoe jôbily lehibe Maika mbola hafa ihany Mety ho "aout" na "février" Na jola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/atsy-ho-atsy-2
ATSY HO ATSY
Fredy Jaofera
ATSY HO ATSY Anikeheo nisy feo nitoreo, ry zareo ! Fa izao misy vao ‘zay natao ho lalao. Ary atsy, na izatsy, hahazo vatsy tsy hisy ratsy Hahazo teny soa ombieny sy ho reny lavareny. Hahazo laza, tsy hivaza fa sahaza, na ela aza !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/hiandry-anao-hiarina
hiandry anao hiarina
Rajordri
dia hoe... fandrosoana fikomiana, eritreritry ny resy. dia hoe... hanjera fahoriana, mba hamongotr'ireo fetsy. Indrisy anefa fa dahalo izay mifampfahavalo no milalao tantara kely, valifaty teny ho eny. dia indrisy... tsy fantatr'ireo resy, fa kilalaon'ny dahalo izay mifampifahavalo ny fahafahan'izy ireo. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/mamela-ahy-raiko
MAMELÁ AHY RAIKO
Solofomanjato
MAMELÁ AHY RAIKO Raiko o ! Iangaviako ianao Mamelà ahy, raha tojo tokoa ilay silaky ny nofo sy fanahiko hatrizay Fa nohariana izaho sy izy, handresy ny fotoana, Raha toa ka tiany izany ! Raiko o ! Iangaviako ianao, Izato tenabeko raha ilaina mba ho sorona noho ny fitiavanay Dia ekeko, ka zakaiko hatrany antara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/josie/aokizay
Aok'izay!
Josie
Aoka izay! avelao aho andeha hanadino anao, Ampy izay! ireo natao taloha ho fafako avokoa, Tsy hanantena anao intsony aho Fa hitady hafa vaovao! Koa avelao re ny tanako Avelao amin'izay ny fitiavako. Aoka izay! leo ny miandry anao aho f'izay aho vao fay Ampy izay! ilay fitiavako omeko olon-kafa indray! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/tsiky-niserana
TSIKY NISERANA
ZOZORO
TSIKY Moa ve ho tsiky miserana ihany ary ho segondran'ny fahasambarako Ka hamerina ny androko lasa mirakitra irony tantarako ? Moa ho bitsika malemilemy mikalon'ny hiran'ny foko Fa toa tsapako manenika ahy ity fitiavana kanto misoko ? Moa ve hiserana ihany ka ho lasa tsy ho hitako intsony Ilay endrik'ilay mpanome...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/ny-fitiavako-anao-5
ny fitiavako anao
Aino
Izao andro anio izao No fotoana fohy anambarako aminao Fa n’iza n’iza teto an-tany Tsy mbola notiaviko tahaka anao izany Malahelo ianao, izaho no mitomany Manina ianao, izaho avy no marary Ny manodidina ahy tsy hitako akory Fa ny endrikao no manaloka izany Na lavitra ahy aza ianao Ny foko tsy mitsahatra mitepo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nony-nisy-i-vero
NONY NISY I VERO...
Fredy Jaofera
NONY NISY I VERO… Nony nisy i Vero, saino sy hevero ary mba diniho ny làlako eto anio, fa zary fitoniana azoko itokiana; zary fanajana, tsy azonao ravana ; zary lamin-tsaina mamelombelona aina ; zary koa fitiavana mitombo tomandavana. Nony nisy i Vero... Aiza ka ny afero mangidy sy mafaitra, tsaroako ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/tsy-tsapanao
Tsy tsapanao
manantena
Efa natolotro ho anao Izay sitrakao rehetra Nomeko tsotra izao Fa tsy nasiako fetra Kanefa inona lazao No nasetrinao izany Teneno ambarao Tsy sento sy tomany? Tsy tsapanao akory Ny fitiavako anao Ka zary nampahory Ity foko hatramin'izao Tanatara sisa no tavela Ny fitiavantsika roa Ny fotoana tsy mamela N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/mbola-ho-avy-ny-maraina
mbola ho avy ny maraina
manantena
Fahamarinana eh, fahamasinana Izany no mody hitarihana Ny vahoaka hanara-dia Izay efa mikodiahadia Eny amoron'ny arabe Tsy mahita izay aleha F'efa lafo izao ny fiainana Tsy misy azo itarainana Ny asa tao nefa tsy misy Ny orinasa miha vitsy Ny fambolena tsy manjary Toa akaiky ny mosary Koa matokia ianao ry t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ovay
OVAY
Fredy Jaofera
OVAY Tompo ô !… Ovay ny fireneko no vavaka voalohany ; ataovy fandreseko fa misy ny tsy tohany. Ovay ny adiady no vavaka faharoa ; ataovy tsy fitady sy handositra any koa. Ovay ny disadisa no vavaka fahatelo, ho zary paradisa sy ialan’ny alahelo. Ovay ny fahoriana no vavaka fahefatra ka fafazo fitahiana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/atonamia/voady-3
Voady
Atonamia
Diavolana n andro, takariva zary maina Mivenjiveny ny fanahy, mahatsiaro sombinaina Lavitra tsy hita maso, lavitra tsy hay hatonina Miandry anao fona ny foko, miandry anao hiara monina Mamerimberina ao antsaina, mitsiky sy mamisavisa Irony andro niarahana, ny oroka tsy voatanisa Averimberiko etoana, ho ren'izao t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/mahantra-hoy-ianao-ny-malagasy
Mahantra hoy ianao ny Malagasy
manantena
Mahantra hoy ianao ny Malagasy Sahiran-dava izao sy mangasihasy Mitsiriritra mafy mahita ireo vahiny Miadana, finaritra, toa tsy manan-tsiny Kanefa, harena hono izany Ao an-kibon'ito tany Raha zava-boahary no 'ndeha ho lazaina Dia I Madagasikara no mby ao an-tsaina Fa hananany avokoa ireo izay tsy fahita Anten...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/aza-kivy-4
Aza kivy
manantena
Na mafy aza ny manjo Mila ho ketraka ny fo Aza kivy na tomany Mijoroa hatrany hatrany F'izany no fiainana eto an-tany Mandalo izao rehetra izao Ianao io koa mbola ho lao Aza variana amin'ny fiainana eto an-tany Mba tsinjovy ny any am-parany any Ny fiainana anie misy fetra Misy farany ny zava-drehetra Fa na z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ranom-pasika
RANOM-PASIKA
Fredy Jaofera
RANOM-PASIKA Toy ny ranom-pasika, natao tsy hisy fa nisy ihany 'lay fitia mahakasika anao ka lisy tsy hita lany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/fanehoam-pisaorana
Fanehoam-pisaorana
manantena
Faly ve ianao Amin'izao fotoana izao Raha Malagasy maro No lavo raha niaro Ny hasin-tanindrazana Sy nitaky FAHAFAHANA Tsinjaka sy dihy No ataon'ny mpanara-dia Ho solom-pisaonana Sy fanehoam-pisaorana Ireo tia tanindrazana Nody ho razana Malagasy ve ianao Teneno ambarao Raha mandihy ambony faty Manosihosy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/josie/tiako-3
Tiako!
Josie
Raha ho ataoko teny iray Ny momba azy izay! Dia tsy ho aiko izay lazaina Fa ny tsy afaka ao an-tsaina Dia ny hoe izy no iriko Ary koa ilay tena "TIAKO" Raha ho lazaiko anao Dia tena "TIAKO" izy izay "TIAKO" ny zato isan-jatony "TIAKO" tsy mba misy antony "TIAKO" ny aminy rehetra "TIAKO" tsy mba nisy fepetra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/valio
VALIO
Fredy Jaofera
VALIO Rahoviana vao ho re Ny fototry ny nisy ? Rahoviana sa dia hoe : Indrisy ka indrisy ? Rahoviana vao hivoaka Ny Marina rehetra ? Rahoviana vao hipoaka Hamotika ny fetra ? Rahoviana vao haseho ‘zay sahy nanao ireny ? Rahoviana fa, ry zareo, Nandrava tsy an-kiteny ? Rahoviana vao hisava ‘reny maty sy no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/harena
HARENA
Fredy Jaofera
HARENA Ny harena tsy voasolo, Mampitsiky ny tontolo, Mampihetsika ahy tokoa : Ny Tompo izay Tsitoha. Ny harena tsy mirenty, Sady lafo no vaventy, Azo antoka tsy hamery : Ny fahaizana irery ! Ny harena tiako hateza, Tsy hisy làlana mideza, Tsy hisy aloka lazaina : Ny mitaky lamin-tsaina. Ny harena tsy voate...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/miombona-vavaka-amiko
MIOMBONA VAVAKA AMIKO
raozigasy
MIOMBONA VAVAKA AMIKO RAHA MBOLA MAHATSIARO IANAO FA MALAGASY TOA AHY RAHA MBOLA MINO KOA IANAO FA ANDRIAMANITRA MITAHY DIA MIOMBONA VAVAKA AMIKO RAHA MBOLA MISY KORIAN-DRA MALAGASY ANATINAO RAHA MBOLA I MADAGASIKARA NO TANINDRAZAKO SY IANAO DIA MIOMBONA VAVAKA AMIKO RAHA MBOLA TANY KOA IANAO NO NILATSAKA TAVONY...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toetranny-olona
TOETRAN'NY OLONA
Fredy Jaofera
TOETRAN'NY OLONA Toetran'ny olona hangata-javatra ny mody ondry kely malefadefaka, ka mitandrema no hafatrafatra sao torantorana voan'ny tefaka ! Toetran'ny olona mitady toerana ny manambitamby isan'andro vaky, ka mahaiza mamindra fa tsy ferana 'reo fingampingana mety halaky ! Toetran'ny olona tsy ampy saina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vavaka-18
VAVAKA
Fredy Jaofera
VAVAKA ( Ho an'i Madagasikara) Tompo o !… Hitanao ny zava-manjo an’ity firenena, fa loza mila tsy ho to no mampahonena. Hitanao ny ady saritaka be tato ho ato, tsorina fa nampangitaka no irina ny hiato. Hitanao ny fahantrana mamely lava, ovay, asio fahagagana ho lasa sy rava. Hitanao ny hanoanana mafy d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/raha-mba-misy-hambom-po
RAHA MBA MISY HAMBOM-PO
Solofomanjato
Raha mba misy ny hambom po Fa mba Malagasy koa Sy raha mbola nofo ihany Hitsanga-menatra eto an-tany ? Mihirà ianao ry taniko Fa simbàin’olona ny mamiko Ry Mpihira malagasy mitsangana misehoa, ka kiaho anaty hira ny hoe mila fahafahana mitsangana ka hifoha, ao ny ranomaintinao hitaky koa, ny fahafahana Ry Mpa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/ny-fitiavantsika-roa
NY FITIAVANTSIKA ROA
Joh
Anjarako ianao, voatokana ho ahy Raha eo anilanao aho, tsisy mampanahy Fa feno toky loatra, hipok'hafaliana Ka zary foana ho azy ireny fahoriana Irony ranomaso miady hamangivangy Niova tsiky mamy noho ny tambitamby Izay mety halahelo mitady hiseratserana Nitony ka nisolo hehy, tena fanaperana Inona ary no anton...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aina-2
AINA
raozigasy
AINA Tonga soa ianao ry Aina Tonga ary dia arahabaina Faly i Dada faly i Neny Izahay koa faly ka miteny Hanta koa dia arahabaina Tonga soa ilay sombinaina Tonga soa, tonga tsara Ilay dimby, ilay fara Hery koa mbola arahabaina Fa tonga soa ilay nandrandraina Ampoka ny hafaliana Tonga i Aina ilay nirina Ny v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/atonamia/tiana-3
Tiana
Atonamia
'Zao alina izao, lasalasa zany saina Hoe aiza zay ianao Ka mangina sy mangaina Ny torimaso koa nandao Mihodina aho mijery ny famataranandro Mikisaka ny ora, sina ny tontolo Miezaka manandro Amin'ny saina zay bontolo Iriko indrindra iky, iriko ho fifaliana Ny hiainanao rehetra Iriko ho feno tsiky Sambara tsis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/dia-sahiny-1
...DIA SAHINY !...
Fredy Jaofera
…DIA SAHINY !… …Dia sahiny ny nampitifitra ny vahoaka marobe nirodorodo k’efa ambivitra ny ho sitraka eto re ! …Dia sahiny ny nampamono tsy nisy izay fitserana sy ny nampisambotra, hono, fa mba nitady toerana. …Dia sahiny ny nampandriaka ny rà fa mbola niaro ny tombon-tsoa ka nampasiaka fa toa nanafangaro… ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/tanisa-tanisa
TANISA, TANISA...
Solofomanjato
TANISA, TANISA Tanisa, tanisa, tanan-droa, Mpanao politika ka mafy loha ; Iza ianareo ireo no tena sahy Hijoro ka hiseho ho lehilahy Hilaza fa « tena tia vahoaka » F’aza ny endrika ivelany ihany avoaka Tanisa, tanisa, tanan-droa Milalao aim-bahoaka, satria tsy ho voa ; Mpanefoefo, manontany ny ory Tsy mivaky ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/tsy-ekena-intsony-1
Tsy ekena intsony
manantena
Tsy ekena intsony Ny asa famoretana Ataon'dry lerony Ka andao hiara-hientana Tsy ekena mihitsy Ny jadona ataony Isika tsy hitsitsy Hiaraka hanongana Tsy ekena koa Ny fanjakan'olo-tokana Izay mahavoa Ny firenena hitotongana Ho lavintsika daholo Ireny rehetra ireny Hazera manontolo Fa mpitondra tsy mamely
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/mitaraina-ny-tany
mitaraina ny tany
manantena
Indrisy mahonena No manjo ity firenena Fa vahoaka maro an'isa Izay efa an-tapitrisa No mitaky fiovana Izay ataon'ny fitondrana Antananarivo maoderina Potika lasa lavenona Tsy nisy niangana intsony Fa levona, may, nodoroany Ny entana sisa tsy zaka Fa izy hono no tompon'ny laka Izao anefa tsarovy Na iza na i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/tsy-votery
TSY VOTERY
Solofomanjato
TSY VOATERY Tereko hanoratra ny tànako, Hanoritsoritra ankamehana ny endrikao an’eritreritra ! Tereko hisidina ny eritro, Hanefinefy nofy iray, misy antsika mifandray ! Tereko hamboraka ny foko, Hitantara ilay fitiavako safomorom-pahasmbarana ! Tereko hijoy ny ranomasoko, Hampitobaka ny foko mitafotafon-kafalia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/dia-sahiny
...DIA SAHINY !...
Fredy Jaofera
…DIA SAHINY !… …Dia sahiny ny nampitifitra ny vahoaka marobe nirodorodo k’efa ambivitra ny ho sitraka eto re ! …Dia sahiny ny nampamono tsy nisy izay fitserana sy ny nampisambotra, hono, fa mba nitady toerana. …Dia sahiny ny nampandriaka ny rà fa mbola niaro ny tombon-tsoa ka nampasiaka fa toa nanafangaro… ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/tsy-ekena-intsony-2
Tsy ekena intsony
manantena
Tsy ekena intsony Ny asa famoretana Ataon'dry lerony Ka andao hiara-hientana Tsy ekena mihitsy Ny jadona ataony Isika tsy hitsitsy Hiaraka hanongana Tsy ekena koa Ny fanjakan'olo-tokana Izay mahavoa Ny firenena hitotongana Ho lavintsika daholo Ireny rehetra ireny Hazera manontolo Fa mpitondra tsy mamely
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nampiasainy
NAMPIASAINY
Fredy Jaofera
NAMPIASAINY Nampiasainy ny vahoaka hahazoany ny fahefana, ka rehefa tafavoaka, nanadino izay nitana ! Nampiasainy ny vahoaka ho fitaovana niakarana, ka rehefa tsy nitsoaka, toa nanidy varavarana. Nampiasainy ny vahoaka hahazoany tombon-tsoa, ka rehefa tsy voaroaka, nampitifitra tokoa ! Nampiasainy ny vahoa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ady-an-trano
ADY AN-TRANO
Fredy Jaofera
ADY AN-TRANO Jereo ny firenena fa mampahonena, mampivarahontsana no nahontsankontsana, ka tonga ady an-trano nidiran’ny angano ! Samy Malagasy dia nisy poa-basy, nisy rà mandriaka fa leon’ny politika ; leon’ny zava-mafy sy ny mbola hihafy. Mpiray tanindrazana dia ady re no tazana, fa ny fandeferana na i...