url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/fito-febroary
fito febroary
manantena
Asabotsy fito febroary No niseho sy niharihary Ny herim-pon'ireo vahoaka Tsy nisy niala sy nitsoaka Teo amin'ny kianjan'ny 13 mai Hanohana an'i TGV Vahoaka Hendry sy milamina Nanaja tsara ny rindran-damina Hametraka praiminisitra Hanala izay tsy ao anaty lisitra Ka niaraka nirohitra Hanatitra eny Ambohitsiro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/ry-foko-1
RY FOKO,
ZOZORO
RY FOKO, O! ry foko ny anao dia eritreritra ihany Ka hatramin'ny ela, ny ho avy mbola hijanona ho izany Tsy heveriny akory, ndeha mitady izay mba tia F'iny maminao iny tsy ho hitanao doria. O! ry foko mitsahara, aoka izay ny fahorina Aoka izay ny alahelo, fantatrao fa fifaliana No omen'ny fiononana, tsy anjarana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/lasa-aho
LASA AHO
ZOZORO
LASA AHO Aza omena tsiny aho ry omaly nampijaly raha handao anao ankehitriny, fa andeha hivahiny any an-tanin’ny ampitso ka ametraka ny veloma, ary hinoko fa tsy hiverina Ary antenaiko tsy hitamberina ny ritsoka mavany Izay niraisantsika. Ary koa tsy hanontany ireo tontolo izay niraisana nampangovingovitra ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/te-hibanjina-ny-lanitra
TE HIBANJINA NY LANITRA
Miarantsoa Anicet
Te hibanjina ny lanitra Fijeriko fahiny aho. Ilay lanitra manga Manopy ny hazavany. Eny alavitra eny No misy rahom-potsy Milaza fa ho avy Ny orana rahariva. Setroka maloto no hitako ankehitriny. Orana madity, fotaka mandrevo. Loto mivangongo, Ady mahabongo. Hanoanana eran-tany... Aiza intsony ny hanihany? ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/atonamia/hafeno
Hafeno
Atonamia
Raha midobodoboka be ny fo, Ka mahatsiaro fa tena tia tokoa, Tazony ho anao mangina ihany, Aza avela ho re tany, Aza apotra amin' ilay tiana, Hafeno mafy modia variana, Satria raha fitia tsy tanteraka Hanimba anao handavo handreraka Ka hahatonga fijaliana Hikiky anaty anao mangina Kanefa izany rehetra izany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitiariela/nofinofy-mahavahotra
nofinofy mahavahotra
fitiariela
Nofinofy mahavahotra Faly ery ny saiko eo anilanao, mitosy Finaritra aok'izany mihevitra ho toy ny nofy Izato fotoana mamy itambarako aminao Iriko hitoetra hatrany ary sanatria raha hankalao Sodoka sy toa rendremana amin'izany Dia tsapako hono fa izaho sy ianao no hany eto an-tany Ka na ny vavako aza tsy mahalaz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-miverina
TSY MIVERINA
Fredy Jaofera
TSY MIVERINA Nisy izay niarahana tsy hay ny nampivoatra, nisy izay natao tsy mba nahay nanararaotra, ka nahoana àry re no mitady na hoe mila hamerina indray ny andro lasa sy ny kila ? Nisy itony dina tsy nahay nambabo ombieny, nisy itony voady tsy mba nahay nisaotra teny, ka nahoana àry izao mandatsa-dranomaso ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/androany-ihany
Androany Ihany
Pissoa
Androany ihany Raha midoboka ny fo, be ny faniriana Hamboraka fitiavana Aza dia kobonina fa ndeha, bitsiho mangina Ilay irina ho havana. Tsy fantatrao mantsy ny hafa mety hivimbina Tononkalo tsara rindra Ka zary hampietry ny fitiavanao, handrimbona Ilay felany iny indrindra. Raha injay mangetaheta ny ati-tratr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/ho-avy-1
HO AVY
ZOZORO
HO AVY Fa ho avy ny ora izay nandrasana ela Tsy maintsy ho tavela Na dia silanofo tsy te-hitampody Fa tsy maintsy mody Tsy azom-panafana n'iza mahay Amin'izay ora izay Rehefa voahantso malia toy ny raty Fa tonga ny faty. Ny nofo malemy hiverina ihany Hakamin'ny tany Hiondana vato tsidrian-drangolahy Na vavy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/atonamia/ve
... Ve?
Atonamia
Raha misy kiky mianjady Anatinao, anao mangina Tokony ho lazaina ve? Ampandrenesina 'lay tiana? Sa mba tsy hampitranga ady Dia tokony hampangina Ny adisaina hodian-tsy re? Ilaina ve ny tsy miteny Hitsinjovana ny ho avy Ka ho afenina ireny Ahiahy zay mampanavy? Mety hahatonga kotrok'orana Hampivaha ilay fato...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tompo-o-4
TOMPO O !
Fredy Jaofera
TOMPO O ! Henoy ange vavako atolotro ho fitiavako sy ataoko firariako ho an’ilay olon-tiako, nandratra fa tsy foiko sy mbola antsotsoiko ! Tantano hatany hatrany tsy ho potraka amin-tany, tsy hitsetra velively, na sanatria mba kely, fa hihirahira foana ho lavitry ny saona ! Ry Tompo sy Mpandahatra ! Tiako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/ireo-tsara-indrindra
IREO TSARA INDRINDRA
Solofomanjato
Ireny tsara indrindra tamin’ireo izay fantatro. Narafitro hanjary antson’ny ao an-tratrako ; Ka manainga embona handrafitra tsikelikely Ny endrikao mitsiky mitopy mena mavokely ! Moa ny tany tsy ho levona ? Moa ny izao tontolo izao hateza ? Moa voarefy ny habakabaka ? Nefa…. Ireny rehetra ireny hikoa, Ireny re...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsara-ivelany
TSARA IVELANY
Fredy Jaofera
TSARA IVELANY Tsara ivelany fa ratsy anatiny ny soa navelany sy toa narantiny. Tsara ivelany fa ratsy anatiny izay, hoe, felany toa voafantiny. Ka ento any fa tsy dia ilaiko, na meva ihany sy tian’ny saiko. Ka mba ravao no fiangaviana fa tsy toy izao no mbola irina. Ka ongoty re fa tsisy dikany, na e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hatsiaka
HATSIAKA
Fredy Jaofera
HATSIAKA Mamely ity ny hatsiaka ka mangovitra tokoa ; fotsifotsy toa botsiaka ‘zay tazanina eto koa. Mamely ity ny hatsiaka ka mikaroka hafanana ; ‘zato endrika sy bika, takontakona, mazàna ! Mamely ity ny hatsiaka miampy ny oram-panala misesisesy raha adika no toa mila hanadala ! Mamely ity ny hatsiaka k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ny-hatsaran-tarehy
TSY NY HATSARAN-TAREHY...
Fredy Jaofera
TSY NY HATSARAN-TAREHY… Tsy ny hatsaran-tarehy no tena zava-dehibe fa ny hatsaram-panahy ho an’ireo ‘zay manahy. Tsy ny hatsaran-tarehy no ilaina ho fatratra re fa ny hatsaram-pisainana lavitry ireo fitarainana. Tsy ny hatsaran-tarehy no tokony hezahina be fa ny hatsaram-pahaizana, rehefa tsy tiana hanaizan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/tsy-kivy
TSY KIVY
Solofomanjato
TSY KIVY Raha tianao ho fantatra ny anton’izao, Dia tsarovy ny lasa ka visavisao ; Fa ny omaly sy anio samy tsisy nanaiky Hitondra ity hafatro mangidy tsy laitry Ny fo diso tia, kanjo nombàn’ny jaly ; Fa tsy satry ,hono, mantsy ny hitrosa ny tsy àry ! Ianao aza mino, fa misy maraina, Ka nahoana aho no tsy afaka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/mitady-anao-1
Mitady anao
manantena
Mitady anao hatraiza hatraiza Ity foko kely ry sakaiza Miherika etsy sy eroa Sao ianao mba eny koa Fa tiako ianao ry olona iny Ary angamba tsy ho tsiny Ny hamboraka aminao Ilay fitia anatiko ao Ka n'iza hisakana n'iza handrara Ny fitiavantsika roa Tsy hanova ny tantara Fa ho gina eo avokoa F'efa ianao no an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/tenin-drazako
tenin-drazako
manantena
Tiako ianao ry teny mamiko Ry fiteny malagasy Ahy ianao, tsy mba nindramiko Ka ampiasaiko an-taratasy Ianao no nanomboako nibada Sy nianarako niteny Nanononako an'I dada Sy nanononako an'I neny Avy taminao koa No nahafahako namboraka Ilay fitia tao am-po Na am-bava na an-tsoratra Ireny rehetra ireny Tamina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/map
MAP
manantena
MAP izao no malaza Fa na lehibe na mbola zaza Raha mbola eto Madagasikara Ka ho raiketin'ny tantara Fa n'inoninona atao Dia MAP foana hono izao N'aiza n'aiza no aleha Dia MAP foana no re Tsy mbola tazako anefa Ilay fandrosoana miantefa Isan-tokonam-baravarana Sa fandrosoana diso lalana Fa ny tsinjoko avy ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitola/mba-raiso
mba raiso
tsitola
"Misy maso tsy hitanao fa mijery anao ihany, misy saina tsy arakao fa mandiny anao atrany, misy fo tsy tsapanao fa mitempo anao mangina, misy tia tsy fantatrao fa mandray anao ho tiana". za tena tia fa tsy nilaza,tsy niteny,tsy namboraka nanahy ny ho lavinao ka tsy sahy niantsoraka tsy sahy nibadabada,tsy sahy ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rainmbah/miady-ho-anny-tanindrazana
MIADY HO AN’NY TANINDRAZANA
Rainmbah
Hiady mafy aho anio, mba ho an’ny tanindrazako, K’ireo vokatra mivaingana, angamba mety tsy ho tazako, Fa any andro any taona, ireo zanako amam-para, Dia hiadana finaritra, eto Madagasikara. Nanapa-kevitra aho anio, fa hiady amin’ny kolikoly, Ny fandresena dia ekeko, fa mety tsy ho hitako akory, Saingy fantatro i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnh/o-ry-malagasy
O ry Malagasy
R.N.H
Madagasikara, Nosy manan-daza Feno fahantrana, lasa ratsy laza Nefa anie ny hareny, tsy hita ho lazaina Tsy tambo hotononina, tsy hay ho tantaraina Tany lehibe midadasika tokoa Kanefa tsy volena, avela ho tany lo Ary izay mba misy, avy dia robana Tsy te-hikarakara, nefa anie ka olona salama Maka ny an’ny hafa s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/tiako-loatra
tiako loatra
manantena
Tiako loatra ianao No mamiko tokoa Ny bika sy endrikao Meva sady soa Tena kanto ianao No lafatra indrindra Tsy misy toa anao F'ianao no tiako indrindra Na ho ory na ho sambatra Na faly na tomany Ny foko tsy hiambatra F'ianao hatrany hatrany K'aza ampijaliana Ity izaho mitoloko Ka raiso re ry tiana Ny fit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fitondrana
NY FITONDRANA
Fredy Jaofera
NY FITONDRANA Ny fitondrana, tsy fanangonan-karena na fampiasana ny lakan’ny fitiavan-tena ! Ny fitondrana, tsy fanadinoana vahoaka, na mahatamana toa tsy maha-te hitsoaka. Ny fitondrana, tsy fanaovana jadona na fikarakarana ny azo vao hoe migadona. Ny fitondrana, tsy fanararaotan’ny saina na fanovana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/tsy-misy-hitarainana
tsy misy hitarainana
manantena
Ry tanindrazana malalako Izay ho lovan'ny taranako No injao mitaraina Fa efa mihatra aman'aina Ny hirifirin'ny fiainana Tsy mba misy hitarainana Fa ny vahoaka dia sahirana Ny mpitondra faly mihinana Tsy mijery ny ambany Efa mandady amin'ny tany F'efa lafo be ny fiainana Tsy mba misy hitarainana Ny asa atao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/sentosento
sentosento
manantena
Sentosento lalandava No fiainako hatrizao Alahelo tsy misava Raha vao mahita anao Izato endrikao sariaka Sy ny tsikinao malefaka Zary masoandro mibaliaka Hisintona ahy hiresadresaka Izao anefa toa tsy sahy Ny hiresaka aminao Matahotra aho, tsy haiko angaha Ndrao mantsy ho lavinao Menatra aho ny hamboraka I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnh/moa-ve
Moa ve ?
R.N.H
Moa ve mba tsapanao Ireo teny 'zay natao Teo ambony alitara Eny, ho Tompoko ianao? Moa ve mba vitanao Ireo voady izay nekena Tamin'ny nandraisanao Ilay Tompom-pamonjena? Moa ve navelanao Ho Mpanjaka ao am-po, Ilay Tompom-pahefana Iraky ny Ray Tsitoha? Moa ve mba arakao Ireo Teny 'zay lazainy, Sa ny Alahad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanoherana
NY FANOHERANA
Fredy Jaofera
NY FANOHERANA Ny fanoherana dia tsy fanimbana, feno hatezerana ka tena tsy tana ! Ny fanoherana dia tsy fandoroana ampiana tsy ferana an’izay famonoana. Ny fanoherana dia tsy fangalarana, vao mba niserana sy nanarangarana. Ny fanoherana dia tsy fikorontanana, na manan-toerana ‘zay tsy fiadanana !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/voninkazo-3
VONINKAZO
Solofomanjato
VONINKAZO Voninkazo tsisy voniny Fa mpandefitra ao am-po ; Voninkazo tsisy toniny Tsy hanitsaka ‘zay voa! Voninkazo tsy mba resin’ Ny hetraketraka mavàny ;! Voninkazo mari-drefin’ Ny halalim-potaky ny tany ! Voninkazo mamololona, Sy maandoko morondrano ; Voninkazo tsy hitan’olona Fa maneva tokan-trano. Von...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rojosalohy/vavaka-hoan-i-gasikarako
VAVAKA HOAN' I GASIKARAKO
ROJOSALOHY
ZANAHARY O! Tahio ny tanindrazanay! Ray o! vonjeo ny taniko Jereo ireto Malagasy ka mamindrà fo aminy Aza avela hihatra aminay ny tsora-kazom-pahatezeranao Omeo saina hahay hiray hampandry fahalemana ity tany mahantranay ity Vonjeo Ray o! ny Malagasinao! Dia ireo namoy ny ainy ireo, Fitiavan-tanindrazana tokoa v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mihaaj/mirehitriarivo
Mirehitr'Iarivo
Mihaaj
Loza iray, loza roa, loza telo Indrisy nandalo teto Iarivo Ilay afo nandrehitra helo Nandoro, nandrava ilay ivo Gina, latsa-dranomaso Ireo mponina sisa tavela Fa indro ilay tanàna nitafo Toa ngazana nangenahena Dia haingana tokotrany lahy Ny fandravana sy fomba barofo Nanimba ilay iarivo lahy Nankaiza ilay f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rainmbah/noheveriko
NOHEVERIKO...
Rainmbah
Noheveriko fa volana hanazava ity ianao Hay lay ali-maiziko iny maika aza takon-drahona Nantenaiko mba handrobona saingy maina hatramin'ny taho, Nantenaiko hitondra mamy, saingy indrisy tena vahona. Nantenaiko ho masoandro hibalika va maraina, Hanamaina ity akanjo mbola kotsan-dranomaso, Kinanjo dia oram-batravat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/vetsom-panahy
VETSOM-PANAHY
Solofomanjato
VETSOM-PANAHY Moa tsy tena anaty, Ireny vetsovetson’ny fonao hanangan’elatra ho amin’ny avo taka-tsaina? Moa tsy tena anaty, Ireny bitsikao mihanta safosafo tanatin’ny hirifirin’ny andro diva haraina ! Moa tsy tena anaty, Ireny riakan-dranomaso nandokoanao ny tontolon’ny fitiavanao madiva. Moa tsy tena anaty, I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/saika-fitia
SAIKA FITIA
oceane
Vetsoiko mangina toa kisarisary tsy sahy soratana anaty diary ilay momba anao toa mamy dia mamy Kanefa toa hita ho nampitomany Dia fahatsiarovana sisa tanisa ireo zava-maro niaraha-nandia toa fahatsiarovana marisarisa Ka malain-kiverina toa sanatria Navalon'ny ela toa lasa angano niampify kely toa morom-parihy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/aza-maika
Aza maika
Solofomanjato
Aza maika Tsy ny saiko tsy manaiky Ny fitolaky ny anjara ; No ho dododna sy maika Ka hanenina ao am-para ! Fa ny masoko mijery, Tsisy afatsy ny fanombànana ; Tsy zö nefa koa tsy an-kery, Ny mandramby fihavanana Fa na zovy koa na zovy N’aiza n’aiza misy azy ; Dia tsarovy ka tsarovy F’any ho any ilay sahaza !...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitiariela/vilany-24-ahy-ianao
"vilany 24" ahy ianao
fitiariela
ahy ianao hoy ny foko amin'izay maha izy anao na ny tsikinao , na ny jerinao, na koa fahalemenao na toa inona fanaratsiana, na toa inona fanakianana ahy ianao hoy ny foko na iza hitsivalana bitika, hoy ny sasany, mety kely ihany koa ahy ianao hoy ny foko ary izany dia ho to na ianao koa aza angamba mihevitra ho t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitiariela/tomany-1
tomany
fitiariela
Tomany anao ny foko re, rahavako Tomany satria lavitra anao Koa faingàna ry malalako F'efa sasa-miandry aho Efa sasa-niandry ela 'Lay tia anao ka velon-tsento F'ilay tandindonao tavela 'Reo bitsi-pitiavanao toa reko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitiariela/fitiavana-mandringa
fitiavana mandringa
fitiariela
fotoana fohy ihany no nahitako anao fohy nefa kosa namela fahatsiarovana fotoana namelona fitiavam-baovao fa nahafaty kosa fitia nampivarahontsna tsy mba afaka hilaza mivantana aminao ny ato am-poko rehetra sy ny fitiavako aho ka izany no antony handraisako ny peniko hanoratako ny faniriako mba ho raketiko tia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitiariela/fitiavana-nifoha
fitiavana nifoha
fitiariela
FITIAVANA NIFOHA fotoana fohy indray no nahitako anao fohy nefa nampikobana 'zay efa tony fotoana namelona fitiavam-baovao tsia, tsy vaovao fa fitiavana natory raha tsiahivintsika kely ireo taona sy andro lasa efa elaela ihany satria efa-taona mipaka niontanan'ity fo taminao tsy voahodina sa ve zany marina toko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/matoa-3
Matoa
Solofomanjato
MATOA MISY Matoa misy ny tomany, ka marary koa ny fony. Nisy jaly tany ho any, ka ranomaso no antsoiny ! Matoa misy koa ny sento mipololotra avy any anaty, Ry malala arafeto, ianao no tiany mandra-maty ! Matoa misy ny alahelo, nofitahin’olon-tiana ; Izany fony hoe mba antero, ndrao variana dia variana ! Matoa mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/ny-tenatia
Ny tenatia
Solofomanjato
Ny tena tia Raha tena tia ianao mandrotsaka tomany, No lasam-betsovetso, tsy pizin-tory ihany; Satrinao daholo ny tontrolo izao rehetra, Hisy ny tandindony sy ny « izy » tsisy fetra. Ny olona raha tia, tsy mahatombin-tany, Satry ho ao an-tsaina ho tadidiana ihany; Ilay tsiky sy fijery nataony afak’omaly, Fa nam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/misaotra-ry-benasy
MISAOTRA RY BENASY
ZOZORO
Dia nofongoriny ho tarangana ireo amboaran-tsentosento Sy ilay antsovonjiny mangina mba ho avotrin’ny eto Indro nisy nampitraka, eny nisy nampitony Mba ahaizany miaina, ka izy tsy hanonofy intsony. Lakalaka moa ny eto ary toa voamaintilany Misy faly, ao sento, izay no misy eto an-tany Sendra varatra izy omaly, se...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anjomara
ANJOMARA
Fredy Jaofera
ANJOMARA Toa feon’anjomara avy any lavitra any no reko ka niafara ho tsiky sy vinany. Nanaitra ny alina fa ho avy ny maraina hampiravoravo lalina ny efa nandrandraina. Namoha ny torimaso fa ho avy ny fotoana hialan’ny ranomaso sy ny rediredy foana. Naneno tsy nitsahatra fa ho avy izay nirina hamorina ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/very-maina
VERY MAINA
Solofomanjato
VERY MAINA Tsisy dikany aminao, ny fahafahako Tsisy fotony aminao, izay mba zöko Maivana ao an-dohanao, rah’ ny anarako Maivana ao an-tratranao, ny ratram-poko Terenao mafy hitovy tsy hisy miavaka Ny karazan-tsampy sy ody, amin’ny vavaka Ny anao…Ny anao, ny anao, no hany marina Ny rehetra ankoatr’izay « tsy rar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/ory-fitia
ORY FITIA
Ny Alimbetso Soa
Nangaina teo lay fo Nanantena hitafa Ora maro tokoa No nandrasana hamafa Saingy, Alahelo no nameno Ny tontolon'ny andro F'izy tsy hita na heno Nidify iany ny masoandro Ny alin'iny tsy tafandry Sao mba ......injay Indrisy, Sasatra ny niandry Tsy naneno ilay finday
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/ny-heriko
NY HERIKO
Ryana
NY HERIKO Teny iray monja dia mety mampikoro Sy mandravarava ny kely mba najoro; Eo nefa tsy ilaina, tadiavina tsy hita Dia mety mahasina ny hefa sy ny vita; Eritreritra mivaona, faniriana diso toerana Ampy mandratra fo, mitondra fanenenana; Teny anankiroa, ela no efa nandrandraina Dia ampy mampifaly izato fo s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vokatry-ny-fanahy
VOKATRY NY FANAHY
Fredy Jaofera
VOKATRY NY FANAHY Vokatry ny fanahy, Fitaviana ka aza manahy, Rahavana ! Vokatry ny fanahy, Fifaliana no misy mpitahy tsy zoviana. Vokatry ny fanahy, Fiadanana, ambarako, lahy, hihavanana. Vokatry ny fanahy, manao soa raha dia sahisahy miasa koa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/faly-1
FALY
Ny Alimbetso Soa
Akimpio ny maso dia matoria Aza misaina kely akory Ny anton'izay fitia Tonga hankarary sy hanorisory Mitsikia dia mifalia Mba hamiratan'ny saina Avelao any izay fitia Mandreraka ny aina Mitrakà dia manana fanantenana Iposahan'ny mazava Ny ampitso andrandraina Hanarina izay rava
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/tsy-sahy-1
tsy sahy
manantena
Nitsiry irery tato am-poko ny fitiavako anao r'ilay tiako sy tsy foiko nolalaiko hatramin'izao tsy sahiko ny namboraka ilay fitia taminao natahotra aho tsy sahy niantoraka sao mantsy ho lavinao Dia nanjary ratra am-poko ny fitiavako anao zary niova ho toloko sy ratram-pery vaovao tsy misy afaka ny hitsabo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/zozoro
ZOZORO
ZOZORO
Morom-parihy tsy manonja, fa miaty ny fota-mandrevo. Tsianjerin’ny ny olon-tsy tia ny azafady tsy misy andaharana, Fa mihevitra tsy ho tratry ny aloka, ka mielo amin’ny tanana an’ila; Ka fotaky ny efa nandao ve no tanisaina amin’ny fo torotoro ? Tsarovy k’ataovy ao an-tsaina, fa tsy namana ny fendrofendro; Ny alah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/irery-3
IRERY
Ny Alimbetso Soa
Nahoana no mitomany? Malahelo sy mitakoko Nahoana no manontany? Irery va ny foko? Eny sady tsia angamba No valin'izany Na ny maso no jamba Difotry ny tomany Asa, Oviana vao hisava Lay fahorian'ny fitia Amin'izay ho tsiky lalandava No hameno izato dia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/dona-miverina
DONA MIVERINA
Solofomanjato
DONA MIVERINA ( Teo ihany no miverina ) Tsy ny tany andalovana no asian-dratsy, Fa mbola iverenana rehefa atsy ho atsy ! Manjohy ny tantara fa tomoetra ao ihany, Tsy maintsy hain’ny taranaka, mankany-mankany… Moa ve tsaroanao ny « quarante sept » ? Navalon’ny ela… nefa toa vetivety ; Tsikerain’ny tantara ka fant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/raha-ho-avy
RAHA HO AVY
Ryana
RAHA HO AVY Raha any aoriana any, ho avy ny andro iray Hilazànao amiko; Fa tsara ajanona eo ny tànantsika tsy hifandray, Ho alainao ilay fitia nindramiko; Aza manahy ny amin’io, izaho tsy hanangana ady Tsy hifikitra na hitambesatra, Satria dieny ankehitrio dia efa tsinjoko sahady Fa hisy farany ity resaka… Rah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/fantatro-4
FANTATRO
Solofomanjato
FANTATRO Tsy aritry ny foko sasatry ny manantena, Ny hitroatra ka hitaky valifaty tsy terena ! Fanina nandraingiraingy, nakarapoky ny toky; Satria «nihinana amam-bolony» …variana tamin’ny nofinofy. Aza manantena anefa, na vavaka tsy avy amin’ny fo, Na lokanga mitomany, na torifolom-baliha koa… Fa tsy hisy iray a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/ny-ampitso-2
NY AMPITSO
Ny Alimbetso Soa
Sakafo tena ampy RAHAMPITSO Vahoaka mifanampy RAHAMPITSO Fiainana milamina RAHAMPITSO Firenena tafarina RAHAMPITSO Masoandro mibaliaka RAHAMPITSO Foana ny ady politika RAHAMPITSO Ny anao, ny anareo Ampitso, ampitso lava Zary efa mankaleo Rahoviana vao hisava
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/tomany
TOMANY
Ny Alimbetso Soa
Na ny zanako aza any aoriana Aza avela hahalala F'ilay Ray vontom-pahoriana Maro mpankahala Aza avela hanontany Momba ny tantarako Lazao fa vovoko an-tany Ny androm-piainako Raha toa mikiry ihany Hahalala ny amiko Dia ambarao hoe "TOMANY" No solon'ny anarako NAS
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/ianao-26
IANAO
Ny Alimbetso Soa
Malomaloka toa misaona Zay rehetra manoloana Takon'ila fararano Lay eritra nandalo Rehefa tsy eo ianao Ny ao anatiko ao Heno mitambolona Miantso mitalaho Hita ho kivy Miatrika ireo adidy Satria lavitra anao Mangina fa irery Manjonitra tsy an-kiteny Raha toa "IANAO" No lasana nandao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/vorona
VORONA
Solofomanjato
VORONA Vorona, hono, aho ka vorona, Hisidina an-danitra ambony… Vorona anie aho ka vorona, Tsy honina an-tany intsony…. Tsy hienjy na hamonjy morona, F’entanin’ny fo tsy mba tony ! Tsy hipetraka an-tanin’olona Fa hamonjy ilay mamin’ny fony… !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/niova-ho-hira
NIOVA HO HIRA
ZOZORO
NIOVA HO HIRA Ireny tafantsika ireny Ny korana tany ho any, Ny asa vita teny ho eny, Ny hafaliana sy tomany, Indray mitambatra ho dina, Indray niorina ho tantara, Lasa amboaram-paniriana, Niova ho hira tsy hay ambara. Irony sentosentonao Rano niorika mazana, Alahelo lava izao Lavin-kavana hiampitana Dia ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/white-flag
WHITE FLAG
Miarantsoa Anicet
Raha misy saina fotsy Mitsangana eo am-baravaran-keliko De te hilaza izay fa ... Resy aho ry anjeliko. Azonao baboina , Azonao vonoina. Menamena loatra Ny ra nalatsakao. Ny foko no miloatra: Marary, voaratranao. Azonao tiavina aho Raha toa ka mahatsiravina. Raozy fotsifotsy No ao anaty vaziko . Ny foko an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/dada-2
DADA
raozigasy
DADA Betsaka ny niova, be ny vaovao Hatramin ny fotoana , izay nandehananao Tsy hary ho voatanisa, ireo karazan’hai-tao Raha misy fiverenana, hitola-gaga ianao Izany finday izany, zary fiainana isan’andro Azo antsoina ianao, na alina, na antoandro, na aiza misy anao, na an-tsaha na an-tanàna afaka miresaka, ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/tsy-tazana
Tsy tazana
Ny Alimbetso Soa
Malomaloka tsy tazana Iny faravodilanitra iny Manentoento manitra Lay dindon'ny fahiny Manangasanga ila Ny moron'ny kamory Potipotika sy kila Lay eritra natory Tsiky iray nibahana Ao an-tsaina sondrina Tsy hita ho fafana Lay endrik'olon-tiana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/angaha
Angaha
Ny Alimbetso Soa
Angaha! tsy ao aminao ny fitoniana no miantso fahoriana aza mandratra tena hitakoko, mahonena Angaha! tsy efa afa-tsaona nifaly sy nikorana toa zary moana zany lalan-kmbana Mitsikia re, mifalia Mahareta ka sahia Ny solon'ny fitia, fitia K'aza de mania...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nanaram-po
NANARAM-PO
Fredy Jaofera
NANARAM-PO Nanaram-po fahazaza ka maka kitay fotsy volo iny trotraka lasa mpihaza fa resy tsy mana-mpisolo. Nanaram-po tsy nisaina ka antitra vao ratsy laoka iny tretrika tonga nangaina sy menatra nitsoatsoaka. Nanaram-po fiadanana ka tsy nahatsinjo ny soa iny tola tonga tsy nanana sy matin’ny nenina koa. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/lay-fo-adala
Lay fo adala
Ny Alimbetso Soa
Tsiniko ve, ny nitia anao tsia.... babo manontolo babo tanteraka ny tao anaty ...dia... nitempo mangina lay fo adala nibitsika fitia tamim-peo iva tiavo.....izy izay no safidy Nitia ianao dia izay Aza sainina intsony
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/manantena-inona
MANANTENA INONA
Miarantsoa Anicet
Aza manina ny olon-tsy manina. Aza miantso izay olon-tsy vanona. Manantena an' izay tsy ho tia. Maka saina ka indro mahia. Hanantena ny inony anefa...? Mbola hiandry va re fa hilefa Sa hitsoaka azy ny andefi-mandry? Dia hiandry eo ianao ka hiandry. Te hitsimpona poti-tsakafo... Manantena ho voasafosafo... Mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/tody
Tody
Ny Alimbetso Soa
Ry tody!aza manantona ahy sao voaantsoko tsinahy tiako izy k'anefa.. tsy ilaina ianao hiantefa aza omena tsiny, izaho fa ny foko mitalaho hirario izy ho tafita ary ny tenako hanadino ireo vita ny jiogako.. eto manalavitra ahy izato ratram-panahy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bryce-hes-esdi/lasa-5
Lasa
Bryce Hes ESDI
Mbola ho lasa ny ho avy Ny lasa iny efa lasa Ny ankehitriny moa ahoana? Fa tsy izay monja dia efa lasa. Mandeha ny fotoana tsy azo tanana Tsy hay ajanona, tsy azo sakanana Aleo ny tokony atao no vitaina Sao maty manenina sy hangaina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/tsy-fantatro-2
Tsy fantatro...
Solofomanjato
Andro inona àry androany, no hafahafa izany ‘zaho Fa misy inona any ho any, fa miantraika anatiko ao Toa mamofona tomany, sy hafaliana tsotra izao Mipariaka sy manenika ao anaty tenako ao Hafanana toa mandoro ny aty foko zary ory Kanjo teny kanto loatra tsisy ankoatr’izay akory No bedesin’ito vavako, dia hatsaran...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/malalako-1
Malalako
Ny Alimbetso Soa
Malala â! Tsy omena tsiny dry Raha toa tsy nino ny teny natolotra Satria, Eo ny elanelantany Mety koa hifanadino na teny imolotra Tsia, Tena tia ny fo Nanaja adry hatrany Tsy sasatra ny miteny Babo manontolo Fitiavana tsy ho lany Dry lay "TOKANA AN-TANY"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/ny-zanako-2
Ny Zanako
Solofomanjato
Anaka ! Ianao no tena aiko, Ianao no andrandraiko, Ianao no antenaiko, Ho tena fanafody, ka Ho sitran-tsi-miody, Ireny feriferiko ! Mameno ny eritreritro ! Tsarovy sombinaiko Fa zavatra lalaiko Sady koa hajaiko Ny fikirizanao Hanakatra ny avony Ka ny hasasaranao Tsy hisy very anjavony N’inona hidona ! N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/ho-aiza-moa
Ho aiza moa?
Ny Alimbetso Soa
Ho aiza moa no ho avin'ireto ankizy marobe Misaringo-borodamba mameno arabe Tsy fanta-dray, tsy fanta-dreny Avy aiza no fiavin'izy ireny? Vatana maloto, kibo lonaky ny hanoanana Sasatra mifako miady amin'ny tanana Ny sisa efa lo eny rehetra eny Saingy indrisy tsisy mpiteny Iny lay kamboty, velondray manirery R...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/aza-avela-3
AZA AVELA !
Solofomanjato
AZA AVELA Aza avela akory hisy, na ny monja aza … Izay teny rehetra mety ahakivy anao Aza avela akory hisy na singa fotsiny aza … Handavo ny herim-po sy finiavanao. F’ireny rehetra ireny ‘Ndeha avadika ho fanoitra Hanjary tonga hery… Teny mampivoatra Aza mba manaiky, ho resin-tondro-maso koa …. Tohizo ka tohi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mba-iriko
MBA IRIKO
Fredy Jaofera
MBA IRIKO Mba iriko ho anao izay iriko ho ahy : ho taom-baovao misy Ray mitahy. Mba iriko ho anao izay irin’ny olona : ho ny soa lava izao no avy hamololona. Mba iriko ho anao, izay irin’ny maro : ho ny tsara ao ho ao no eny tsy hifangaro. Mba iriko ho anao izay irin’ny mpaniry ho ny mamy ka zahao fa sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/any-aminao
ANY AMINAO
Fredy Jaofera
ANY AMINAO Any aminao no alehan’ny saina rehefa irery, na efa lao sy tsisy antenaina izay verivery. Any aminao no nofinofy lava rehefa mifaly, na efa natao izay hoe haharava ‘reny molaly. Any aminao no mbola eritreritra rehefa mijafa, na efa nandao sy toa tsisy hevitra ny hifampitafa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/18-avril-1976-5rpolivier
18 avril 1976 5
Ny Alimbetso Soa
Fantatro fa, Fitsingerenan'ny taona nahaterahanao saingy, tsy tsiniko angamba ny tsy hitsiky, hifaly hanadino tsotra izao satria, tsy mila dradraina lay fotoana fohy niarahana ireo alahelo sy taraina hatramin'ny fisarahana ampy izay atreo nefa aoka ho fantatrao fa nanomboka teo fianambaovao......
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/18-avril-1976-5rpolivier-1
18 avril 1976 5
Ny Alimbetso Soa
Fantatro fa, Fitsingerenan'ny taona nahaterahanao saingy, tsy tsiniko angamba ny tsy hitsiky, hifaly hanadino tsotra izao satria, tsy mila dradraina lay fotoana fohy niarahana ireo alahelo sy taraina hatramin'ny fisarahana ampy izay atreo nefa aoka ho fantatrao fa nanomboka teo fianambaovao......
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/arahaba
ARAHABA
raozigasy
ARAHABA Dia miova diary isika androany Ka mifampiarahaba indray Ireo taona lasa aleo ho any Ity tonga atao tsarafandray Dia arahaba rahalahy Arahaba ranabavy Tratry ny taona ihany lahy K’hifaly isika mianakavy Arahaba ry sakaiza Ry namana , fianakaviana Raiamandreny, sy mpitaiza Feno izao ny fifaliana Fa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tratry-ny-farany
TRATRY NY FARANY
raozigasy
TRATRY NY FARANY Tratry ny farany, tratry ny farany Ho an ny 2008, izay koa ny anjarany Tratry ny farany, tratry ny farany, Izay zavatra ratsy, adinoy koa ny anarany Tratry ny farany isika rehetra Dia mba kingakinga aza dia mitoretra Pasohy ny akanjo, jereo ny fitaratra Ianareo lehilahy mandehana miharatra Tr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/diso-ve-1
Diso ve ?
Solofomanjato
Hadisoako ve… ? F’ilay fitiavako efa feno; Naparasaky ny vovo Novelarinao ho ahy ; No natsangako ho eo Amoron’hantsan’ny longoa, Ilay namandrika ahy tsinahy !! Diso ve aho … ? Raha ny hanitra sy tsiron’ny Fitiavana tsy voalotom- Panirian’ny filàna ! No nohoseko ankodimiran’ny Fitiavako hotohoto Zary lasa f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rojosalohy/ranomaso-1
RANOMASO
ROJOSALOHY
RANOMASOKO........... Moa misy olona milanja fahoriana toa ahy ve any ho any? Fa moa izaho ihany no ianjadian'ny ngidin'ny tany? Misy olona mihohoka eo anivon'ny fijaliana ve any? Sa izaho no voaozona ho amin'izany? Manadino ahy ve Andriamanitra? Manary ahy ve ny havana sy ny hava-tiana? Fa mavesatra loatra ny h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/03-janoary-2009
03 JANOARY 2009
raozigasy
03 janoary, na dia tsy hitako an-tsary dia haiko tsara ny fety tsy tara 03 janoary Na dia lavitra tary Dia notsaroana Tokoa ilay fotoana 03 janoary Izao no kabary Aina no fetra Atao tarigetra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tratry-ny-taona
TRATRY NY TAONA
raozigasy
TRATRY NY TAONA Raha tonga indray ity tonon-taona Taom-baovao, Asaramanitra Dia tonga aho , miarahaba etoana, sy misaotra an’Andriamanitra Fisaorana Azy no atolotra Noho izato fahasoavana ka ny vavaka eo imolotra dera, laza, fankatoavana Dia arahabaina isika Zanany Mandia ity taona vao Ny fiarovan ilay Tanan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rojosalohy/aza-omen-tsiny
AZA OMEN-TSINY
ROJOSALOHY
AZA OMEN-TSINY Aza omen-tsiny aho rahavako tsy foiko Mila fitiavana aho, mitady anao ny foko Saingy hetaheta tsy ho afaka ny ahy Satria lavitr'olon-tiana, silaka fanahy Koa aza omen-tsiny ho'aho fa hanadino Hamafa ao am-po izay tantarantsika roa Ianao koa hanadino ny fitiavako Saingy aza manadino ny anarako Ir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/samy
SAMY
Fredy Jaofera
SAMY Samy hijinja izay nafafiny ‘reo nandrindra ny ady mafiny ! Samy hahazo ny namboleny ny nampalazo ny vony teny. Samy higoka ny asa ratsiny ny nilokaloka fa tsy vatsiny. Samy hahita ny hasasarany ‘reo nahavita tsisy farany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa-na-endrika-nasalotra-1/aleo-1
Aleo
Ny Alimbetso Soa na Endrika Nasalotra
Aleo iany hitia zany foko adala n'inona n'inona hiseho atao tsisy hahalala Fa...... mijaly fa minia izay koa no safidy hampitony ny fo diso fiantefa tany ampiandohana Aleo iany hitia hitia ka hitia na mamy na jaly izay anjara ekeko hanafoana ny tomany indrindra fa rehefa eto lay andrasako eto antany mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rojosalohy/aza-minia-manadino
AZA MINIA MANADINO
ROJOSALOHY
AZA MINIA MANADINO Minia manadino ny fisiako va ianao? Ka zary mamafa ny tandindoko eo anatrehanao? Nefa asakasakao! Fa ampy hitiavako anao Ireo vaingan-dranomaso nalatsako ho anao Ka ny sentoko mangina No ho lakolosy hanaitra ny torimasom-panadinoanao.........
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/dimy-taona
DIMY TAONA
raozigasy
DIMY TAONA Dimy taona ve izay Ilay mariazy be nilay Dimy taona ?… vetivety Dimy taona izay ilay fety ? Dimy taona… izay sahady Ianareo roa ilay nivady Dimy taona izaho tsy teo Nifaly irery ianareo Dimy taona, poa toa izay Ilay andro tena miolomay Tena tsy azonao an-tsary Dia mivadika ny diary Fa izao no ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/18-avril-1976-5rpolivier-2
18 avril 1976 5
Ny Alimbetso Soa
Fantatro fa, Fitsingerenan'ny taona nahaterahanao saingy, tsy tsiniko angamba ny tsy hitsiky, hifaly hanadino tsotra izao satria, tsy mila dradraina lay fotoana fohy niarahana ireo alahelo sy taraina hatramin'ny fisarahana ampy izay atreo nefa aoka ho fantatrao fa nanomboka teo fianambaovao......
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/diso-ve
Diso ve ?
Solofomanjato
Hadisoako ve… ? F’ilay fitiavako efa feno; Naparasaky ny vovo Novelarinao ho ahy ; No natsangako ho eo Amoron’hantsan’ny longoa, Ilay namandrika ahy tsinahy !! Diso ve aho … ? Raha ny hanitra sy tsiron’ny Fitiavana tsy voalotom- Panirian’ny filàna ! No nohoseko ankodimiran’ny Fitiavako hotohoto Zary lasa f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/teny-tonga-lafatra
TENY TONGA LAFATRA
raozigasy
TENY TONGA LAFATRA Ilay tenintsika fotsiny, dia efa tonga lafatra Tsy mila larolarony, dia voampita ny hafatra Ka inona indray , no ilàna teny hafa Raha toa ny antsika, dia mahatsara tafa Ilay tenintsika fotsiny, dia kanto sy raitra Jereo ange ny vahiny, izay mandre fa taitra Maheno ny filantony, ireo karantsam-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rojosalohy/raha-toa-ka-3
RAHA TOA KA...............
ROJOSALOHY
RAHA TOA KA............. Raha toa indray andro any ka tsy afaka ny hitia ahy intsony ianao Raha toa ka ho avy ilay fotoana Hanatrehantsika ilay rindrina farany Hahazoantsika miara-dia Raha toa ka izay andro izay No hanalan'ny hafa anao ety amiko Jereo mangina ny masoko Topazy maso ireo lasa niaraha-namita Iten...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/madaiesdanny/ho-avy
HO AVY
MADAÏES(danny)
Ho avy aho ho azy, ho avy manantena 'ty sombin'aiko mamy ,sitraka nomena
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/miandry-paradisa-1
miandry paradisa
Rajordri
Tsy hita intsony hono ny aloky ny omaly ka ny rahon'ny ampitso, taingenan'oram-baratra no indro arangarangany. Fa lany tsisy ambiny, nokaohin'ny fanahiny ny azony antenaina hitondra ny maraina. Marainan'ny fitiavana marainan'ny alahelo fa rava sy nikoa ilay hanitra naoriny hampamelana ny fiainany ka mano...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rojosalohy/fatra-tsy-sahala
FATRA TSY SAHALA
ROJOSALOHY
FATRA TSY SAHALA Aza hitserana aho raha mba tia anao Aza hivaivaina ny hadalan'ny foko Tsy fantatro hoe nahoana ny fitiavako, No niantsampy ho eo aminao Fantatro fa tsy maintsy ho ailikao izany Fantatro fa tsy afaka ny hitia ahy ianao Toy izay fomba mety hitiavako anao Tsy laviko fa hadalana tsotry izao ny ahy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/tsikinao-omena
Tsikinao omena
Tsiky dia ampy
Raha namako ianao Ka sendra nahalala na nahita tany ho any fa fetiko ny androany Dia aoka kely aloha Aza maika akory Handany ron-doha Hitady fanomezana Ka handefa tsiaro Voninkazo iray fehezana Na taratasy maro. Fa tsiky kely iray Dia efa ampy ahy. Na fetiko aza androany Zavatra tsy haiko Sady koa tsy t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/hahatsiarovako-anao
HAHATSIAROVAKO ANAO
SCOTLANDYARD
Ireo tsikitsikinao, ireo sangisangintsika, famihinako anao, rehefa mangatsiaka ...hahatsiarovako anao... Ireo fosa adaladala, sy resabe fanao fanontany te-hahalala an'izao sy izao ... hanembonako anao... Ireo tsiambaratelonao nozarainao tamiko ireo samirerinao mamiko dia mamiko, ... hahatiahivako anao ......
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/eny-razoky
ENY RAZOKY
raozigasy
(fintin-dresaka nifanaovana tamin i S.O.R. tao amin ny ATRI-TAVA) ENY RAZOKY eny razoky izao no toky tsy resa-boloky na fitak'hamoky fa tenin-dehilahy mijoro sy sahy milaza miteny, f'ilay tenin ineny no mamy indrindra ka enti-mandrindra sy mandrary ny kanto ho feo milanto, io ilay kofehy mandrary mamehy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena/ianao-25
Ianao
manantena
Ianao no sakaizan'ny foko Ianao no mamiko indrindra Ianao tsy mba ho afoiko F'omeko fitia tsara rindra Ianao ilay kintan'ny diako Fanilon'ny androko hoavy Ianao irery ihany no tiako Hanaovako ilay mariazy Ianao ilay andrian'ny saiko Ianao no tena lalaiko Ianao, ianao irery ihany No tiako dia tiako eto an-tan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tratry-ny-krismasy
TRATRY NY KRISMASY
raozigasy
Tratry ny krismasy izay no teny malagasy entiko hirariana soa ho anao sy ahy koa Tratry ny krismasy dia faingana aza milasy miravoa dia mifalia, mahaiza koa mifankatia Tratry ny krismasy dia mba tsarovy ireo mangasy tsy mba manam-pifaliana lavitra fianakaviana