url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/tsy | TSY... | SCOTLANDYARD | TSY...
Tsy ny vatanao no hoe tiako hindramina
na ny aminao no hoe tiako halamina
fa iny fonao iny no tiako hanjakana
eny na dia hoe voararan ny lalàna
Tsy hanararaotra anao,no hoe faniriako,
na koa hoe ianao hanaovako izay tiako
fa tiako ny fontsika hizara ny fitia
izaho ataonao Malala, ianao ataoko Cherie |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/samia | SAMIA | raozigasy | (Tononkalo napetraka tao amin ny ATRI-TAVA , tafatafa niarahana tamin i zoky S.O.R )
SAMIA
Samia vonona isika, ary samia resy lahatra
ka ny teny malagasy no hoventesin-tsy hitsahatra
hanabeazam-boho ny zandry, hampitàna ny traik'efa
hoenti-miatrika ny ho avy, hoenti-miady koa rahefa
Samia vonona sy sahy, na izaho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rojosalohy/aza-hitserana | AZA HITSERANA | ROJOSALOHY | AZA HITSERANA..........
Ekeko fa manan-danja eo aminao ny fisiako
Fantatro fa ilainao ihany ny hitoerako eo anilanao
Saingy latsa-danja aho manolona ilay tena tianao
Tsy ampy hifanehitra amin'ny siakan'ny fitiavako
Izay sombintsombim-pitia atolotrao ho ahy
Zary lasa fijaliana ho ahy izany
Hadalana ny ahy raha ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/mafana | MAFANA | SCOTLANDYARD | MAFANA
Mafana be ny ahy ny sofina
rehefa mifampiantso isika,
ary ilay hovitra an-damosina
tsy mba vokatry ny hatsiaka
Mihamafana koa ny tanako,
rehefa hikasika anao
indrindra moa ilay havanako,
ilay efa zatra anilanao,
hatramin ny vatako mafana
raha mifanila izaho sy ianao
ilay foko moa tsy tana
miredareda ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rojosalohy/ampy-hitiavako-anao | AMPY HITIAVAKO ANAO | ROJOSALOHY | AMPY HITIAVAKO ANAO
Tsy fantatro ny ao anatinao......
Tsy fantatro hoe rehefa maninona aho vao latsa-paka ny fitiavanao ahy
Ny ahy mantsy, ampy hitiavako anao ny tontolonao
Ampy hitiavako anao ny tontoloko
Ampy hitiavako anao ilay hazo fijaliana nolanjaiko noho ianao
Ampy hitiavako anao ireo tsy firaharahianao ah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rojosalohy/ahiahiko | AHIAHIKO...... | ROJOSALOHY | AHIAHIKO......
Mandavo ny eritreritro ary mahalasa saina ahy
Ka mahatonga ahy hanontany tena indraindray
Hoe "tena fitiavana ve no iainanay?"
Fa toa haitraitra, asa lahy, fa mampanahy
Fa moa mba fantatrao fa izany atao hoe fitiavana
Dia fanadinoana ny tena hoan'ilay tiavina?
Nietry aho, resy aho, nangina ihany k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsiky-fanomezana | TSIKY FANOMEZANA | raozigasy | ATOLOTRA AN I HERY NOHO IZAO TSINGERIN-TAONA NAHATERAHANY IZAO
TSIKY FANOMEZANA
Eny efa niomana aho, ary alina aza, tsy nahita tory
Ilay loha nifamaho , sahirana toa zaza , feno sorisory
Hoe inona no atao , atolotra ho anao , amin ny andro anio
Fanomezana vaovao ? fitafy, kilalao ? mampiasa ny saiko io
Dia lasa t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rojosalohy/talaho-1 | TALAHO | ROJOSALOHY | TALAHO
Fa rahatrizay hotsaroana mangina
Ireo lasantsika izay nahasondriana
Nofy tamintsika ny hihevitra ny handao
Zary tsianjery aza ny hoe "TIAKO IANAO"
Fa tsiaro sisa ireny anio
Malahelo aho ka mba vangio
Tsy tsapanao ve ny lanjan'ny fo tia?
Raha mbola tia ianao,MODIA! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/izaho-sy-ianao-1 | IZAHO SY IANAO | SCOTLANDYARD | IZAHO SY IANAO
Izaho sy ianao, samy lavi-bady
samy aty lavitra isika no mitady
k'andao hifankahazo tsy mba hiadiady
Izaho sy ianao, mifankahazo am-po
mba mitovy ihany ny fisainantsika roa
K'andao hifankatia, manino-nefa moa ?? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/rava-hatreo | RAVA HATREO | Solofomanjato | Rava hatreo ny pitsopitson'ireo fikasany te-handrobona.
Rava hatreo ny fikatrohan-doha nohirifan'ito tanjony.
Foana, potika, sy hoto, no zary kina sy nirodana.
Fa marivo fanotofana, nanantena ambangovangony
Tsy tamn-java-naharatsiana hoe nalahatry ny anjara.
Na koa aza indrisy anefa somaingisaingim-bintandratsy.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/azafady-1 | AZAFADY | Ryana | AZAFADY
Azafady raha nandona tam-baravanao
Tanatin’ny fahasahiranako;
Azafady raha niangavy ny fihin-tànanao,
Sy sandry koa mba hiantasampazako…
Azafady tsy niahotra fa nitanisa ny ratra anaty
Nitalaho fiantràna;
Azafady raha ianao no nizarako ireo tsy tanty
Ary niandrandràko fanovàna…
Azafady raha nangalatra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/ry-serasera-malagasy | RY SERASERA MALAGASY | Solofomanjato | RY SERASERA MALAGASY
Ry serasera Malagasy, ambava, antsoratra, sy namany.
Dia ny boky sy gazety; onjam-peo sy ny …tantarany !
Mba kajio zalahy ny teny; dia ny teny Malagasy,
F’eo ankavananao ny fomba manapotika azy ho faty;
Kanefa ankavianao io koa ilay ampinga tsara indrindra,
Dia fiarovana hatrany ny teny gasy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/f-angaha-3723 | F’ ANGAHA…. | Solofomanjato | F’ ANGAHA….
( F’angaha moa, teny kely iny.
D’efa ampy ho fanoitra,
Hampody indray ny efa rava ?
F’angaha moa, ilàna fahampiany
Vao ho tafita, ireny soratra,
Navoakantsika hanazava…)
Ireto fomba iniana atao,
Mikely aina ombieny ombieny
Te hanimba tsotr’izao
Ilay nahasarotiny an’Ineny
Ny tenintsika é! Ka ny t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lyam/ny-elanelan-tany | Ny elanelan-tany | Lyam | Tonon-kira iray mba tiako ho zaraina aminao raha sitrakao satria:
… rehefa lasana any lavitra any manembona ny tiana … eo amoron-dranomasina fikaloko mangina hanariana fahoriana … tsy mety anefa indrisy fa be ny faniriana … ity rano ity no hany mampitohy ny morotsirakay … tsy afaka mandeha.
Ny elanelan-tany!
Sentos... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/malahelo-anao/tsy-fantatro-1 | Tsy fantatro | malahelo anao | Fahiny, mbola teo anivon'ny lalao
Mbola tsy nalala akory zany oe fitia
Na oe zany olon-2 mifankatia
namana , namana , namana
Izay ihany no tao an-tsaina
Fa mbola tena tsy nahalala ilay teny hoe "lalaina"
Tampoka teo anefa toa indro olana iray
Tazako avy lavitra ao anivon'ny rehetra
Taitra aho , reko mafana ity ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/poly/izaho-miandry-anao | Izaho miandry anao!!! | poly | Indro aho mahatsiaro tena diso
tena manenina isan'andro
f'ireo tsy nety nataoko v
no mahatonga antsika toy izao.
Ibebahako isaky ny mahatsiaro
angatahako foana @ Atra
ny fiverenan'ny fonao ho ahy irery
fa mankarary ny ao ampoko ao
reo oul-kafa mampitsiky anao.
Fa za v no tena diso
sa ianao no efa niova fitia
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/fitia-5 | Fitia | Ranoala | sanganehana ny maro
vao mandalo ra-fitiavana
any anaty mahatsiaro
misy banga ve rahavana?
bobaka no sanganehana
voadona fo,voadona loha
toy ny mamo ka mivehana
nilatsahambaratra avokoa
Ao ny mihira sy mifaly
fa tojo zay niriana
ao ny mitakoko sy mijaly
tsy nahalaza izay tiany
betsaka ny miova toetra
ho ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/katsaho | KATSAHO | Fredy Jaofera | KATSAHO
Katsaho ny fahamarinana
tsy hosolafaka an-tany
fa sarin’ireo fanambinana
hirotsaka tsy hita lany.
Katsaho ny fanetren-tena
tsy hahavery mihitsy
fa mbola zavatra harena
iainan’ny olona vitsy.
Katsaho ny fahatsarana
tsy hahavasoka ery
fa azoko atao hoe lalàna
tsy mba hampikodia.
Katsaho ny firahalahi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/katiaa/lazao-azy-1 | Lazao azy ... | katiaa | Ny tsy niniana tsy mampino
Ny fahendrena? Manadino
Satria naratra ilay tina
Nangaingaina zary sina
Lazao azy lazao ihany
Ndana ihany aloha mankany
Miala fondro miala tsiny
Mampahatsiahy ny fahiny
Zay mba nety nataonao
Ny tao amponao ambarao
Ny fahanginanao taminy
Sy izay filanao vaniny
Bitsio aminy teneno
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ho-avy-ilay-mesia | HO AVY ILAY MESIA | Fredy Jaofera | HO AVY ILAY MESIA
Ho avy ilay Mesia,
Mpanjakan’ny Mpanjaka,
Ka miraisa, mihobia
Fa ho tonga hiorim-paka.
Ho avy ilay Mesia
No hafatry ny Anjely,
Ka misaora, mifalia
N’aiza n’aiza fa tsy kely.
Ho avy ilay Mesia
Na ny Tompo Imanoela,
Ka miomana, matokia
Fa hasambarana tsy ho ela.
Ho avy ilay Mesia
Ho antsik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/nofofoiko | nofofoiko | lamour | nofofoiko hatry ny ela
ny hitoetra anilany eo
saingy indrisy rava teo
nofy sisa mba tavela
nofofoiko hatrizay
ny hamihina ny fony
saingy indrisy ts'hita intsony
f'efa kila sady may
nofofoiko hatramin'izao
ny hilaza hoe doria
saingy indrisy ilay fitia
'zary takona sy lao.
nofofoiko ny handresy
'reo hetraket... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/soa-ihany-2 | SOA IHANY | Volatiana Rahaga | Tsy tahaka ahy izy,
Ny azy,
ny sarisary sy diary nomeko azy,
efa kila efa may.
Aminy,
sangy,vazivazy
andriran'antsy kay ny anay.
Baraingo no nanaingo
ny "tsy fantatra indray"
Izany no mba valin-teniny
amin'ny hoe: rahoviana
no fotoana mety hifanomezanay.
Ny vita manko hono tsy neniny!
Ny ahy
noheveriko fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/ry-fankam-panahiko | RY FANKAM-PANAHIKO | RIJADOLLY | RY FANKAM-PANAHIKO
Toa misendohatra,midobodoboka
Rehefa tsy omena ny filany
Misy hery mampirisika mba hiroboka
Raha tsy mahazo hafalin'ny tany
Toa te hilomano ao anaty fahafinaretana
Mba hanadinoako ny ankason'ny tany
Ny ato anatiko mihentanentana
Raha sendra lavina ny filany
Ry fankam-panahiko manoloana ny ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/poly/ksk-on-traverse-en-ce-moment | ksk 'on travèrse en ce moment? | poly | Asa izaho v no diso tia
fa izy to tsy mirara intsony
manjary fijaliana ato anaty
ty fisentona isa minitra.
Refa eo anilany aho
to manjary toy ny kofafa
tsy henony intsony aho
f'izy angamba efa an'olo-kafa.
Eny, ra za lo tena mbola tia
t ho eo anilany foana isan'ANDrO
ka mahatsiaro tena very
satria izy efa n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/tsy-niniany | tsy niniany | lamour | tsy niniany ny handratra
'lay fonao mbola tia
tsy niniany sanatria
fa ny tahotry ny hamoy
ireo fatotra sy rohy
nifanomezana omaly
s'ireo tsiky nifamaly
feno ampoka sy fatra
tsy niniany ny hiala
hanafina ny ao ampony
tsy mangina, tsy mba tony
fa ny tanjaky ny ady
nanesik'azy ho any ankady
nanafenany anao
t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-zakako | TSY ZAKAKO | raozigasy | TSY ZAKAKO
Tsy zakako ny alahelo, rehefa hisaraka aminao
Tsy zakako ny fisarahana, rehefa iny handao anao
Tsy zakako daholo izany, nefa inona no hatao ?
Tsy maintsy zakaiko foana ihany , raha izay no mety aloha izao
Tsy tantiko ilay filaharana, sy fisavana be dia be
Tsy tantiko mandre ilay feo, hoe miondrana ny m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/tiako-nefa | tiako nefa | Aino | tiako ho fatatrao fa raha mbola izaho
dia ho tia anao, ary tsy ho kilalao
tiako anefa izany mba ho trapanao
nefa toa sarotra aminko ny ampita izany aminao
ilay foko mitempo tsy miato anao
ireo rivotra hiainao manitra anao avoko
izay jereko dia toa mihova ho endrikao
mao ve ho nofim-pitiavana ihany ny ahy
tiako ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/bitsika-1 | Bitsika | Pissoa | Bitsika
Efa hariva angaha ny andro no mangina ny tontolo ?
Sa ny amiko rehetra no manadino tsotra izao
Ny ranomasina midoboka, ny lohataona tsara volo
Fa sondriana, lasa lavitra, manimanina anao ?
Efa tena akaiky angaha ilay paradisa andrandraina
No milanto, maharavo izay rehetra andrian'ny maso ?
Sa ilay fitiav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/rediredy-1 | rediredy | Ranoala | Fisaka ny marina
nefa toaka no fisaka
dia ho ny toaka va no marina
sao dia mbo tsy rariny?
Tena fisaka ny marina
fa amin'lay sarotra tadiavina
amin'lay sarotra jerena
amin'lay sarotra fantarina
Ary ny marina ve mbo fisaka?
sa ny fisaka ihany no marina?
fa ny toaka aloha tsy marina e!
zay mbo azoko fantarina!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tsiaro/afa-po-1 | Afa-po | Ny Tsiaro | Niezaka aho hatramin`izay handresy lahatra anao
Niezaka aho ny hanaporofo ilay fitia anatiko ao
Ny hevitra rehetra efa nataoko avokoa
Niezaka aho hatramin`izay, nefa anio aho afa-po!
Tsy mba noraisinao mihitsy ny fitiavako
Tsy mba niantra anao, tsy nanaiky mba ho havako
Niezaka aho ny hanome izay rehetra tao am-p... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tsiaro/anio-ihany-1 | Anio ihany | Ny Tsiaro | Ekena fa mafy ny fandaozanao ahy
Ka ny fanafodiny dia ny manadino
Ekena fa marary ny fo sy ny fanahy
Raozy soa tokoa nefa misy tsilo!
Nefa ve raha tsilo iray no indro fa nandratra
Raha fitia indray mandeha no nahavaky tratra
Dia azo heverina va re fa noho izay ihany dia hitsahatra hitia
Angamba tsy azo inoana, s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/vitsy | VITSY | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | Ny ahy io torimasoko io
sasatra no ataoko sorona;
Raha mikipy aho na mierotra;
Tsy rendrika aho fa vono-vorona
Handaminantsaina fotsiny:
Fahendren'ny olo-malina;
Fa ny vetsovetsom-poko
Tiako hotantaraina anao,
Mila hiakatra aman'alina:
"Ianao hitantana ny tanako,
Na ianao hitantana ahy,
Na isika homem-para
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/hoy-izy-anona | HOY IZY ANONA | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | be ny resaka mandeha
fa tena mampadisadisa;
Izaho mahalala tsara hoe
ny volana efa kely sisa,
nefa aleoko manontany:
Fa mba manao ahoana loatra
ny fomba fiainanao any ?
Tena mahavalalanina!
Tampenako ny sofiko eto*
Raha vao miainga ny "hoy izy anona"
Fa mahamenatra ry zandry!!!
Toro-hevitra tsotsotra
izao a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/fameriny | FAMERINY | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | izaho aloha tsy naminany
na nahazo tsindrimandry
fa iny zanak'olona iny
tsy hamadika an'i Zandry;
tena sahiko milaza !
fa ianao aza indraindray
no manao fanahin-jaza
mivadibadika im-polo:
'zao vehivavy rehetra izao
vao mamboraka fitia
dia tiavinao daholo!!!
fahambanian-tsaina lalina.
'zao inao tsy mody an-t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/ny-any-aminay | Ny any aminay | Ranoala | Dia nandeha hono,dia nandeha
dia nandeha tamin'ny tranon-kala
tranon-kala feno teny gasy
gasy kely marani-doha
Dia nandalo hono Rahonala
Ka nandatsaka tononkalo
mbo inona no vakin'ny tonokalo?
"Akory jiaby vaomaraina!
Salama salama va ny any dago?
fa ny aty zao tena ngoma
mahatsiarotsiaro 'reo mangahazo,
ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/ny-taniko-1 | ny taniko. | lamour | tsy hamidy tsy atakalo
f'handrianina s'hajaina
tsy omena 'zay mpandalo
fa ho lovain'ny sombin'aina
tsy vahiny sanatria
no hifehy sy hitondra
f'ireny mety hiova dia
mety handroba ireo diamondra
ny an'ny hafa ve lanjaina
fa ny antsika dia hitsahina?
sanatria tsy eken'ny saina
raha mbola endrim-panjanahana.
ry... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tsiaro/maso-mifanojo-1 | Maso mifanojo | Ny Tsiaro | Mifanojo matetika ny fijerintsika roa
Kisendrasendra angamba, tsy fantatro aloha
Kanefa tsapa ihany fa midoboka ny fo
Any anatiko any, misy fitiavana mifoha!
Isaky ny mifanojo ireto masontsika
Dia misy hafanana izay tsapa fa miampita
Ka maniry ny hifanantona mba hifampijery tsara
Ary dia hifampitantana ka hanohy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/tsy-manahy | Tsy Manahy | Ny Kanto | Raha misomedika daholo
Ny manodidina ahy
Feno tahotra, horohoro
Izaho kosa tsy manahy
Satria…
Ao anatiko ao
Dia mino Anao tanteraka
Ao anatiko ao
Ampaherezinao raha reraka |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tiako-loatra-foana-ianao | TIAKO LOATRA FOANA IANAO | raozigasy | TIAKO LOATRA FOANA IANAO
Efa malemy izato foko,
Ka tsy mahatanty intsony
Izato fisarahan-toerana
Matahotra aho fa sao toloko,
Sy saina tsy hahay mitony
No takaitry ny elanelana
Resabe daholo izany
Fomba firesako ihany
Vazivazy, hanihany,
Ny tena marina dia izao
Tsy afenina aminao
Tiako loatra foana ianao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tsiaro/ianao-24 | Ianao | Ny Tsiaro | Noho ianao tsy nitia ahy
Ka tsy nety mba nandray
Ilay fo nomeko anao
Izay nataonao ankilabao
Dia nanjary olon-kafa indray
No nanolorako fitiavana
Satria izy no nandray
Tsy mba nametraka fandavana
Fa zarany koa aza nisy an`izay
F`izy hono hatry ela no efa nitia ahy
Dia niezaka aho hifankatia taminy
Izy koa na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/ny-antitra | ny antitra. | lamour | (tsiahy an'i Mompera Ralibera)
lasa teo ny antitra
lasa fa tsy tana
lasa nandeha nody
nody ireo mpanatitra
niverina an-tanàna
f'izy tsy himpody
'reo tafa ho an'mpino
'reo dinika fanaony
'reo anatra nomeny
samy tsy hadino
fa be 'zay nataony
na soratra na teny
ilay feony miavaka
'lay tsikiny mazava
'lay e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/aoka-aloha | AOKA ALOHA | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | moramora ianao malala
fa midona ny any an-karatra !
Reo miakandrefam-baravarana
samy reraka sy hana
fa mitraina ny fahavaratra;
samy trotraka sy tola.
'Reo firenena NGEZALAHY
any am-pitan-dranomasina,
tratry ny olana ara-bola:
Ianao vao miha-mirobaroba.
Ny maro anaka aza izao,
efa tsy hihinam-bary intsony
s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/adr/mpihetraketraka | MPIHETRAKETRAKA | ADR | MPIHETRAKETRAKA
Mendrika hohelohina, mendrika ho faizina
Mendrika hosaziana, hitoetra anaty haizina
Mendrika hadinoina, ny olona ohatr’anao
Tsy tiako ho hita intsony, ny salovatavanao
Mendrika kapohina, nefa tsy amin’ny hery
Kapoka iray mafy, tsy amin’ny hazo velively
Mendrika kapohina, mba hahafantatra taraina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aiko/ilay-tokako | Ilay tokako | Aiko | Nambabo ny fitiavako
Tsy foiko ianao rahavako
Ny fahoriana hafa
mbola azoko ihafiana,
fa raha ianao no lasa
Tsy lefitro ry tiana
'Reo voady izay natao,
Averiko aminao
Ho tia mandra-maty
Ianao no ato anaty
Ajanoko ny peniko,
Sao betsaka ny soratro.
Zao ihany teneniko,
Tiako ianao ry ilay tokako |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-rariny-hoy-ianao | TSY RARINY HOY IANAO | raozigasy | TSY RARINY HOY IANAO
Tsy rariny hoy ianao, ka inona no hatao ?
Handeha indray ve, hi-13 mey ?
Hilahatra indray, mbola tsy leo sy fay ?
Sa hampiaka-peo ? dia hihomehezany eo
Sa hanoratra an-gazety,sa inona no mety ???,
Sa hiaka-bohitra, ho eny Faravohitra ?
Sa hanamavo loha, , ho eny Iavoloha ?
Sa handeha hanak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zandrinao/aza-4 | Aza | Ny zandrinao | Aza avela ho lo
ny fo mahay mitia
fa toneno ny loha
raha tsy to ny faniriana
Aza avela ho moana
ireto molotrao
Fa teneno foana
Ireo finoanao
Eny aza avela hangina
NY fiddoboky ny fo
Fa ny ranomasonao
NO HANARINA NY DINA!!!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saroy/fa-nahoana-2 | Fa nahoana | saroy | Fanahoana ilay fitia no lazaina fa hadalana . ka entina handrahonana ary ampiana fandraràna eny sarotra amiko ny hamakafaka izany . ka izany no mahatonga ahy manoratra ary koa mba manotany misy mantsy ireo voarara tsy hitia ilay olon'tiany fa lazaina avokoa hoe izao anie iny olona iny anefa anie ilay fitia dia avy @A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/zarako | zarako.. | lamour | zarako aza avy ny erika
hamonto ity tavako
mainan'ny alahelo
nilaozan'ny fitiavako
lasana tsy niherika
zarako aza avy ny orana
handena ity taniko
mainam-pahatrana
'zay zary tonga helo
sy tsy manan 'hisalorana
zarako aza avy foana
'reo tsiokan-drivotra malefaka
hamelombelona fanahy
f'ity aiko efa trotrakin'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saroy/fo-torotoro | Fo torotoro | saroy | Izany foko torotoro te hilaza vaovao
dia ireo litera folo dia ny hoe Tiako ianao teny kely nefa manja nolazaiko taminao teny kely hoy aho tena tia anao aho olondroa tsy hisaraka ,na oviana na oviana avy hatrany dia miaraka @ fiainana any aoriana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/aza-mangina | aza mangina | lamour | aza mangina ianao sakaiza
raha hibaboka fitia
raha hitory hafaliana
fa lazao hatraiza hatraiza
ambarao fa hoe doria
ary tsy lany hamamiana
'raha fitia tena fitia.
aza mangina izao sakaiza
raha hitory ny ao am-po
raha hamosaka ny marina
fa lazao hatraiza hatraiza
ambarao fa hoe tsy lo
tsy mba sarotra takarin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/andrianiko | ANDRIANIKO | Fredy Jaofera | ANDRIANIKO
N'aiza n'aiza no misy ahy,
O ry Tompo izay mitahy,
fa na eto an-tanin'olona
miatrika ady sy mitolona,
dia andrianiko ny teniko
sy tsy foiko toy ny reniko !
Na rahoviana na rahoviana
no be mpitata ho tsy tiana
na mahamenatra mihitsy,
hoy aho tsy mba mitsitsy,
dia andrianiko ny teniko
fa harena no ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-rariny-1 | TSY RARINY | raozigasy | TSY RARINY
Nahoana re ry taniko
Ianao no atao izany
Nahoana ianao ry taniko,
no omena fahatany ?
nahoana ianao no afoy
ho an ny kely maso
tsy nierana akory
izany ve tsy ankaso ?
nahoana ianao no omena
ny saiko rikoriko
nefa tsy nifanekena
izany ve dia tiako ?
nahoana ianao no atolotra
ho an’ikalahafa
sa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/izy-nandalo | izy ...nandalo. | lamour | nandalo 'lay sakaiza
nivingitra ny alina
nisakelik'alahelo
nibaby ahiahy
niloloha tahotra
nisakambina toloko
kotsan'ny tomany...
nandalo ilay namana
ny feony efa fotsy
ny masony efa mena
ny tavany efa hatsatra
ny ranjony efa mavo
ny molony efa kiana
rotiky ny hanina...
nandalo 'lay mahantra
nilaozan'ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/nitetika-ny-ho-kala-be | NITETIKA NY HO KALA BE | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Ny faharetanao no tena nantenaiko
Tamin’ny fotoana mba niarahantsika
Kanefa moa ianao nilaza fa ts’ilaiko
Raha hiafy lava izay vao hisy fika.
Ny hoavinao anefa no tena nimasoako
Tamin’ireny fotoana rehetra ireny
Niniako nobanjinina nataoko teo anoloako
Fa nodianao tsy hita, ireo fihetsiko niteny
Ankehitriny ian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saroy/saro-piaro | saro-piaro | saroy | lainga raha ny tia no milaza tsy ho miaro fa. kobonina mangina ilay hasarotam-piaro dia mody tsy miraika fa etin'ambopo ka anefa zavatra tena kely dia mahavaky loha dia hoe tsy rarahiko fa zavatra mandalo. ka na olon-tsotra aza dia ahina ho fahavalo kinanjo ora tampoka tsy nampoizina iny taratra teo ny fony ilay nataho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahefa-rasolofonirina/tsiaro-ani-rado | Tsiaro an'i RADO | rainianja | Lasa...
Izay no azo ambara
An'ilay olo-mangan'ny tantara.
Asa,
Raha tsaroan'ny olona
Ireo teny notononony
Nanavotra ity tany
Nitandro filaminana
Nanampy hatrany hatrany
Toa andry nihankinana.
Lasa...
Ka hisy mpisolo?
Iza no vonona amintsika tanora maintso volo?
Maty...
Ilay nampianatra ahy niteny
Nampia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saroy/sariko | sariko | saroy | Raha manembona ahy mazàna ka ny sentonao tsy tana ny alahelo no mikiky io ny sariko mitsiky ,raha tojo lalana irery ka mangina tsy miteny tsy hangina akory ianao fa ny sariko hiresao ,raha sendra manina ka malaina ihina-kanina mazotoa fa aza kamo io ny sariko fahano ,ao anefitra mangina raha mahatsiaro ianao ry tiana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saroy/manina-8 | Manina | saroy | Any ilay malala mamangy ny fitiavako ny foko dia tsy miala fa .Tia anao rahavako salama ihany ity fa saingy malahelo indray alina aho aky nievina in-telo matoa misesy ireny dia misy mahatsiahy fa angamba ise niteny na mba nanembona ahy, ny lavitra hoatrizao ka sendra anio rahavana dia manantena anao hanaja ilay fitiava... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/lany | lany | lamour | lany teo ny soa
ritra teo ny tsara
ny ravina efa maina
ny tany karakaina
tsisy azo ambara
f'izy niova fo..
lany teo ny fy
ritra 'zay efa tao
ny faka efa niala
ka rava teo ny ala
tsisy azo atao
efa niova ny fitia.. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/adr/tononkaloko | TONONKALOKO | ADR | Tononkaloko
Tononkalo no soratana
Tononkalo no vetsoina
Tononkalo foana ny ahy
No anehoako ny ahiahy
Tononkalo ihany koa
No ilazana ny ao am-po
Adintsaina sy hatezerana
Fitiavana sy fandeferana
Tononkalo nosoratako!
Ao mifono ny tantarako,
Ao mifono ny alaheloko,
Ao ny tsiambarateloko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/solofomanjato/tsiahy-1 | Tsiahy | Solofomanjato | Tratra hariva am-pihariana.
No mametso irony rotsy...
ka nampomba tsy niniana,
'lay foko miantso nofinofy.
Mba hanakatra ny tsiahy,
Handrafindrafitra ankamehana.
ny tombanao mamihina ahy
Niriko ho tsapa, nefa nielina . |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/adr/adino-1 | ADINO | ADR | ADINO
Adinonao mantsy aho,
dia tavela irery eto,
mitoetra irery ka misento
no hany sisa mba atao!
Adinonao lay hirantsika,
Lay nankahala fisarahana
Ny hany sisa ampelantanana
Dia tantara mangatsiaka
Adinonao tanteraka aho
Lay tena tia anao tokoa
Nefa ho aiza intsony moa
Reraka ny mitalaho
Adinonao ilay har... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/adr/farany-aho-hangina-1 | FARANY AHO HANGINA | ADR | Farany aho hangina, hanadino ireo tantara,
Farany aho hangina, tsy hanana malala
Farany aho hangina, tsy hiteny zany intsony
Farany aho hangina, fa lavitry ny fony,
Farany aho hangina, fa leo manambitamby
Farany aho hangina, mandra-podimandry
Farany aho hangina, mba hanana hambo-po
Hangina aho fa tsy tiana, izay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/halatra-2 | halatra? | lamour | halatra hoy ianao
nefa resaka mitovy
tafa mifandray
vetso miara-dalana
sioka miombom-peo
kalo miray rindra
halatra hoy ianao
nefa moa mba zovy
no olona ho sahy
haka tsisy alalana
raha hita akaiky eo
'reo mpitandro sy mpandrindra
ny halatra razoky
dia 'reo vola ts'hita
lasan'ny boloky
netiny any am-pita
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/nankaiza-2 | nankaiza..? | lamour | nankaiza 'lay mamy?
lanin'ny fetsy
iza no fetsy?
ireo mahay miresaka
resaka inona?
resaka amin-tavy
matavin'inona?
matavin-dainga
lainga hatraiza?
hatrany amin'ny tsoka
mitsoka mankaiza?
makany makany
maka ny inona?
maka ny harena
harenan'iza?
harenam-bahoaka
vahoaka aiza?
an'ilay nosy be
be manakory?... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/adr/na-dia-2 | NA DIA | ADR | NA DIA
Na dia lazainao hoe adala aza aho,
ka ataonao hoe rediredy ny zavatra lazaiko,
dia aoka ho fantatrao, fa ianao raha mibedy,
dia vao maika koa lalaiko.
Na dia hangarika aza ianao,
ka tezitra tsy te hijery zany tavako,
dia aoka ho fantatrao fa ny harikao indrindra,
no mampitoetra ny fitiavako.
Na dia tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/adr/menarana-1 | MENARANA | ADR | TOVOVAVY
Nahoana ianao ry tovovavy, no dia mivadibadidela,
Mahay mandangolango ery, nefa tsy mijanona ela,
Nahoana ianao no mahay mitia, nefa avy eo dia mampifila
Rehefa fantatrao fa tia, dia hoy ianao, izaho tsy mila!
Nahoana ianao ry tovovavy no dia sarotra fantarina,
Tsy azo vinaniana akory hoe, iza marina no ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/ny-aingako | NY AINGAKO | Mbola tsy fantatra | Teny manao ahoana no entina milaza
ny matoatendro-poko te ho hipoka tantara?
Ny fameno foana no manezaka hanazava
ka mampiova loko izay tian-ko ambara
Ny drafitra apetrany efa tsy hita intsony
fa mivadika mazàna ka manafoaka saina
Mba aiza re ny setrin' ny ainga toy itony
Izay mandrakotra hafanàna sy mamelombelo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/adr/tiako-ianao-16 | TIAKO IANAO | ADR | TIAKO IANAO
Tiako ianao ry sombianaiko
Tena tiako sy lalaiko
Tiako indrindra eto an-tany
Tiako ianao, ianao ihany.
Ny foko no mitia anao,
Nitia anao hatramin izao
Hatramin izao, hatramin'zay
Sady ho mandrakizay
Misy ianao eny hitako
Efa hitako ary tsapako
Eny tsapako fa tiako
Tena tiako ho olontiako |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/tsaroako-4 | tsaroako. | lamour | tsaroako eto indray
'lay isika nihomehy
nifanakalo sary
nifampizara kalo
nanafina tarehy
ts'ho hitan'ny mpandalo
ary nifampirary
hiombona ho iray
tsaroako ihany koa
'lay isika nifamaly
nifanolo-tsaina
namosaka ny miafin'
ireo tsiky sy 'reo jaly
ary vonona hanafy
'zay ho entin'ny maraina
dia niombom-po
t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ontsy/anarana | Anarana | ontsy | Voaloham-pananako tsy novidiana,
Niangolain'Ikaky, natolotr'Ineny
Tanatin'ny maro no he nofidiana
'Lay litera vitsy narafitr'ho teny |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/iza-no-adala | iza no adala? | Sitlo | Ny adala tsy adala
hoy ny olona adala.
Raha misy manala
ireo olona adala.
Dia aleo ahalala
fa izy no adala.
Fa mody miala
manara-dalàna,
ka tsy mba adala
fa miadaladala.
adala |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/efa-tsy-anao-hintsony | efa tsy anao hintsony | Aino | Dia lasa tokoa ny andro sy ny volana ary ny taona
Endre hifandao ny vary sy rano
Noho ny elanelan-tany izay naha kely finoana azy
Ka nanadinoniany ilay tiany sy tia azy fahiny
Fampirefesana ve? tsy aminko velively no anaovanao izany
Fa raha toa ianao tsy maharitra ny fiverenako any
Dia nde zory ny lalanao tantera... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/raha-13 | Raha ... | Mbola tsy fantatra | Raha toa ve aho ka teto
aina firifiry no reko mba nisento
ho an' ny ainga izay tovoiziko?
Ny fonareo marefo
feno irifiry, tomany sy miventso
tena saingy tsy nampoiziko
Raha misy fo mitempo
hipo-pahatsiarovana
Raha misy saina kivy
rotik' alahelo
Aingao 'reo vazivaziko
mandra-pahatorovana
ho marika amantarana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/laingalainga | LAINGALAINGA | Mbola tsy fantatra | Nanentana finoana
nanilo fandresena
ireo laingalainga kely
nasesikao tanatiko
ka nahatonga ahy hiroana
hizioga "manantena
hisantatra anjely"
hatreo am-para hatoko
Hay moa ka laingalainga
nentina hanadala
ny fiainako efa tony
ireny tafanao
Kanefa laingalainga
tiako indrindra re ry lala
ka mbola halaiko ron... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lamour/hivavaka | hivavaka | lamour | hivavaka aho anio hidera sy hisaotra
an'ilay mpahary, mpizara sy mpandray
hivavaka aho anio hilaza sy handoatra
'reo vesatry ny foko maniry hampiray
'reo saraky ny taona
'reo saraky ny tany
'reo saraky ny ady
'reo saraky ny fonja
hivavaka ihany koa
ho an'ireo moana
ho an'ireo tomany
ho an'ireo mitady
na ira... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnh/ry-tanora-aza-avela | Ry Tanora aza avela ! | R.N.H | Ry tanora izay misaina
Vory nofo, feno hery
Aza avelanao ho very
Izany andro sarobidy
Fotoana fohy tsy voavidy
Ny hatanorana voninkazo
Raha main-tany dia halazo
Ho voahosy , ho fanary
Ho fandatsa, ts’hisy mpiaro
Toy ny zazavavy maro
Fa raha sendra rano velona
Hijoro, ho vavolombelona
Hanasitrana marary
Ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/adr/ho-anao-9 | HO ANAO | ADR | HO ANAO
Ho an'iza ny adintsaina!
Ho an'iza ny ahiahy
Moa ianao ry sombinaina
Mety ho sahy hamadika ahy!
Ho an'iza moa ny vazo
Ho an'iza itony kalo
Moa tsy hoa anao ry voninkazo
Rehefa iny aho fa mahatsiaro
Ho an'iza koa ny sento,
Ho an'iza ny tomany,
Moa tsy ho anao izay tsy eto
Any ambadimbadika any. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/manirery | MANIRERY | Mbola tsy fantatra | Angamba tsy hitako eto ny lanitra iantsapazana
fa feno anao ny foko,
Ny maso kely foana no indry mitazatazana
ny fitempon' ny fitia, ilomanosan' ireto olona
ambadika toloko!
Jereo 'ty izy ireto, mikambana - miraikitra
maka tahaka eny ilay anjara andraikitro
rehefa anilanao
Fa mantsy tsy eto ianao, dia mihevitra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/mahazo-manadino | "MAHAZO MANADINO'' | Zavona Rakoto (AQUARIUS) | Azonao Fafaina anatin'ny eritreritra,
Azonao fakoina anatin'ny erikerika ny misiko nandalo,
Aza mahatsiaro raha izany monja no fahasambaranao,
Mahazo manadino raha tsy sitrakao ny teniko eto izao:
Tsy lafatra tomefy,tsy voankazo mamy aho: ka ananao safidy,
Mahazo ianao manaiky,mahazo manadino! fa kosany io tsy did... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/ianao-no-tiako-iriako-ilaiko-nanandrana-nandika-ny-beautiful-in-white | Ianao no tiako, iriako, ilaiko (nanandrana nandika ny | Elysé Azrael | Tsy haiko mety tsy hainao mihitsy,
Fa fony nihaona isika,
Izaho dia vitsy teny
Tsy nahateny mihitsy
Fa tamin'iny ora iny indrindra,
'Lay fitia tsy mifindra
'Zay tao anaty tao
Natolotro ho anao
...Koa raha mbola velon'aina koa aho,
Dia hitia anao:
Ianao no tiako, iriako, ilaiko,
...Manomboka anio, ary ho mand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/manody-ny-fitia | Manody ny fitia... | Elysé Azrael | Mamoy fo mangina
Ankehitriny ilay nilaozanao,
Sakaizam-pandriana
Sy ny toaka izy izao
Potika tanteraka ny fiainany rehetra
Fa sendra anao ry olona tsy mba misy fo mitsetra,
Ny hambom-pony sisa no tsy andriany an-tatatra
Fa sendra olon-tsy vanona sady tsy vaky antatra!
Tadidio anefa fa mihodina ny tany:
Androan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/hafa-ihany-ilay-tena-hoe-nitia | Hafa ihany ilay tena hoe nitia... | Elysé Azrael | Ny fitiavanay? ekeko fa tsy anjara:
Tsy anjaranay ny hiaina ilay fitia tantara
Zay nosoratanay hoe mba hiainanay
Sy hilomanosanay rehefa rahatrizay...
Ekeko, mety diso aho tsy manadino ny anay,
Fa tena sarotra hadinoina ilay fitia mivaivay
Izay nandoro ny fonay
Sy nanery anay hiray...
Fa mamy anie izany nofihin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/hoani-yaly | "" HOAN'I YALY"" | Zavona Rakoto (AQUARIUS) | Omaly ianareo no nifanome laharana,
Omaly koa 'nareo vao mba tafara-dalana.
Eny e,efa ela no nifampitady,
Kanefa dia indrisy,ise Kay manambady.
Nisy taratasy miforitra ankivalo any ampaosiny any,
Dimy taona izay no saika omeny anao f'indrisy tsy izany.
Tsy nomeny mihitsy,natahotr'izy Mantsy sao hanam-pahavalo.
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/famato | "" FAMATO"" | Zavona Rakoto (AQUARIUS) | Nadabony ihany ialahy,
Nomeny tsiky farany dia nosoloiny toerana,
Nataony ho mpiserana'zay misy mba kinolo,
Any izao ialahy,Kotsan-dranomaso,tomany fa voasolo.
(Nembohany tongolo)
Ny fon'ialahy anefa mba reko tato ho ato,
Nidoboka tsy niato,niritsoka mba ho azy,
Nanaiky ho toy ny vazy hasiany voninkazo,
Ny fony... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-hadino | REHEFA HADINO | Fredy Jaofera | REHEFA HADINO
Indro re, fihino
ny mamy narovana
tato anaty ;
rehefa hadino
ny fahatsiarovana
dia maty. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanantenako | FANANTENAKO | Fredy Jaofera | FANANTENAKO
Ianao no fanantenako
inoana ange hahitako
ny tena hasambarana
inty manarangarana.
Ianao no fanantenako
mbola eto hahalalako
ny tena fitiavana tiana
hitondra ireo fifaliana.
Ianao no fanantenako
mbola ho fahazavako
amin'izay efa kasaina
vao tonga ny maraina.
Ianao no fanantenako
ka, sanatria, n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/horonam-pitia | HORONAM-PITIA | DADAFARAtolotra | Vonikazo mamony mangina
Mandrobona anatiny fo
Manala fangirifirina
Mahavita manangan-tamboho
Ny fitiavana hatolotro anao !
Ny ranon’ilay fitokisana
Sy zezik’ireo fanajana
No sehatra mba himafisana
Ka ho soratra tsy azo fafana
Ny fitiavana hatolotro anao !
Ka ito ny foko androany
Mirongo fitia tena marina
Ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/tsy-nampoiziko | Tsy nampoiziko. | Arisons | Tsy nampoiziko.
-Naratra loatra ny foko.
-Noho ianao ihany.
-Nizaka tsy zaka ka nanjoko.
-Taminao ka nigoka
tomany.
*Tsy nampoiziko diso fanantenana aho.
*Nitia anao loatra aho tamin'ny fo manontolo.
*Tsy mba nisaina akory hoe tsy tsara anie ny miankin-doha.
*Tamin'ny fitiavana nomenao iny satria mora lefy toy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravo/mpandalo | MPANDALO | Ravo | MPANDALO
Vorona iny, hono, ange
ka mijihina eny amorona eny,
misidina hanjohy alon-drano,
misodika hisangy onja.
Fa vorona iny ange
ka mpitazana fotsiny ihany,
mpitsidika ka milalao,
tsy tompony hay fa mpandalo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arisons/efa-lahatra-ve | Efa lahatra ve? | Arisons | Efa lahatra ve?.
-Resy ihany aho farany.
-Miaiky fa vizana ihany.
-Ilay ambom-poko natao hoe mafy.
-Folaka teny foana noho ny mpigafy.
*Kivy ihany ilay saiko nahery.
*Toravana ihany ilay vatako nikiry.
*Satria tsisy nampitraka ka very.
*Tanaty fijaliana namirifiry.
-Ka tsy haiko intsony.
-Fa rakotr'aiziny tan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-amintsika | RAVA NY AMINTSIKA | Fredy Jaofera | RAVA NY AMINTSIKA
Rava ny amintsika,
tantara ihany sisa
raha mbola adika
ny toky, visavisa !
Rava ny amintsika,
vorona nikopaka
fa tsy mampipika
ny vazo mitobaka.
Rava ny amintsika,
very ny hafanana
ka injao masiaka
ny alahelo mitana.
Rava ny amintsika,
mikatona ny lasa
ka mampandriaka
ranomaso hiasa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njakahery/ny-anio | NY ANIO | Njakahery ANDRIAMALALA | NY ANIO
Ny androany ho vita ihany,
Fa ny ampitso mistery,
Na ho hafaliana na tomany,
Na ho sorisory na ho fery,
Ny anio tsy mampilaza,
Ny ho fizotrin'ny maraina,
Ny alahelo ve ho rava?
Sa mbola hikika hitaraina?
Itsikio aloha ny anio,
Eny mantsy na toloko,
Izao koa no tadidio,
Ny nofo anie ka mora miofo
En... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ankona | ANKONA | Fredy Jaofera | ANKONA
Ankona aho nahalala
ny hetraketraka nivay
ka tsy mba nisalasala
ny nisinda fa dia fay.
Ankona aho voaroso
esoeso tsy nitsahatra
ka tsy tia nisosososo
ho any rehefa nihatra.
Ankona aho voalatsa
ka tsy nisy fiheverana
ny indro hikaro-patsa
any izany fa noferana.
Ankona aho voapita
'reo ratsy izay nat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zavona-rakoto-aquarius/dridry | "" DRIDRY"" | Zavona Rakoto (AQUARIUS) | Vaky lafatry ny efa goga,
Hitsa-petana omby manga,
Koso-bary midridran-gilo,
Kalo gasin'ny fahagola.
Tafasiry mamotsy volo.
Hirahiran-dravoromanga,
Tsikitsikina virijiny,
Boky velan'ny fahagaly
Vatolalaky ny efa tonta.
Boky ihany fa rosovola.
Tabataban'aponga sola,
Horakoraka an-tany haolo,
Torak'antsan'ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/haody-ry-embona-matoritory | Haody ry embona matoritory | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Haody ry embona matoritory!
Nankaiza nankaiza toa tsy tazako intsony.
Irony fotoana nahatsapana fa ory,
Nisinda nalaky, nangina sy tony.
Ry embona mainty sakaizan'ny alina,
Nandalovako teo tsy nitsetra akory,
Hoe feno ny fo, kivy sy fanina,
Lasa aiza izy androany, sa tena matory?
Fa embona sisa no mandalo eto,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fahadisoana | FAHADISOANA | Fredy Jaofera | FAHADISOANA
N'aiza n'aiza itomboana
ka solafaka eny ihany
dia inty no tafa :
izay manao fahadisoana
ka tsy manitsy izany
dia hanao hafa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ampianarina | AMPIANARINA | Fredy Jaofera | AMPIANARINA
Tsy ilaina ny avona,
na mody amboarina
mba tsy ho taratra ;
tsy misy manjavona
rehefa ampianarina
ny tokony ho fantatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elys%C3%A9-azrael/alina-mangina | Alina mangina | Elysé Azrael | Ny alina mangina
Feno embona anao...
Mahatsiaro ireo fanao
Mahatsiahy ireo natao...
Ny anaranao ry tiana
No sainiko hatrany,
Fa mbola hiverina aho indray androany...
Amin'izay fotoana izay
Hiverenako indray,
Hamihina anao eo an-tratrako eo! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azrael/fitia-sandoka | Fitia sandoka | AZRAEL | Ireo hoe fitia sy tokiny,
Hay ka sandoka avokoa!
Hay fampatoriana fotsiny,
Fa tsisy vokatry ny fo!
Toa trano babangoana,
Maizina mangitsohitso,
Trano haolo sady foana
No hovantaninao rahampitso...
...Nefa aza kivy, mitrakà
Mijoroa ho lehilahy,
Fa raha izay iny koa no lasa,
Firifiry no mikasa?
Firifiry no ma... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.