url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vola/ho-anao-8 | ho anao | Vola | Ho anao,
Tsy vao androany aho no hoe hanoratra ho anao
Mikasa ny hanambara izay tena ao ampoko ao
Hitanisa ihany koa ireo tsiambarateloko
Ireo faniriako,ireo hafaliako eny ireo alaheloko
Indrisy anefa fa vao miainga ilay diam peniko
Hamkivaky izato taratasy fotsiko`
Indro midoboka tsy tana mafy ery izato foko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/injato/inome | Inome | Injato | "Inome!!Inome!!"
Sambany reko,
Toa zary nofy,
Fanampin'anarana Antanosy,
Teny Esokaka nandrotsirotsy,
Manakoako hatrany Soavary,
Manetsetra ny any Analamary,
Manongilan-tsofina i Bevoay,
Manatenina,Ampasimenano miray,
ka miara miantso:
"Inome!!Inome!!"...
...Izany re ka tovovavy...
...ô rey roy mba miangavy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/injato/mety | Mety | Injato | Nizotra lavitra ny dia
Hitady ravina , hiary
Nizohy an-taonany satria,
Nanjavona tsy azo sary,
Ilay fitia,
Fitiavako anao,
ry Taniko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/maty-ilay-tantely | Maty ilay tantely | Ny Kanto | Andrarezina no lavo
Namela foana ilay kianjan’
Ny literatiora nampiravo
… Indrisy maty ilay Mpiantsa
Mpitari-dalana no very
Sahy namoha ny olona
Hamaha ny geja izay nanery
… Indrisy maty ilay Mpitolona
Mpino no nitsahatra
Nivahiny toa anjely
Ny sanganasany haharitra
… Indrisy maty ilay Tantely |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vola/ianao-22 | ianao | Vola | Ianao
Toy ny vao omaly no nilazanao ahy
Fa ny tokako eto an-tany
Dia ianao ihany
Tsy nierina akory ny taona
Indro indray ianao nanambara
Fa tsy izaho intsony no hanoloana
Hanoy ny tohin tantara
Tsy hisy intsony ilay hoe « isika »
Ho foana ihany koa ny hoe « ianao »
Ireo zay mba naorintsika
No novahinao vaov... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/tsy-menatra-ny-taniko | Tsy menatra ny taniko | Rajordri | Sambatra ny taniko
fa noravahan'olomanga
sy noventsoin'ilay mpiangaly
ka tonga feno hira
miranty sarisary
kanto nahavariana
nitondra rotsirotsy.
Tsy menatra ny taniko
fa nisy lehilahy
vonton'ny herim-pony
nanandratra ny sentony
hibitsika amin'ny maro
amim-peo manakoako
mba handresy amin'ny ady
ny tolom-pa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/onjanabakabaka/ra-sitrakao | ra sitrakao | onjanabakabaka | fanirko ra toa sitrakao
ny itoetra sy honina tsy miato
eo anilanao
faniriko ra toa ka ekenao
ny iondana sy ionoka hafaliana
eo antratranao
tsy hionina amin'izany iany anefa
dia lay fitia vao mivoaka avy ao mpo
tsy hitsajanona ra tsy efa
andefonandrinao eny sambatra tokoa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vola/lasa-3 | lasa | Vola | lasa
« Lasa »,natao ho adinoina,tsy averina intsony
« lasa » ireo vita hatrizay,nokendrena mba hitony
« lasa » ireo adiady teo aloha,nakarary,naha vaky fo
« lasa » !!!
« lasa »ihany koa ireny tsikitsikinao
« lasa » avokoa ireo teny mamy fanao
« lasa »tsy niverina intsony ny fitiavanao
« lasa » !!!
Eny « lasa »... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/misaotra-ry-andrarezina | Misaotra ry Andrarezina | Pissoa | Misaotra ry Andrarezina
Ny peninao angamba no hitsahatra hanoratra
Ny ranomaintinao no hijanona hikoriana
Fa ny asa-soratrao mbola hitety vohitra
Hampiaina anay hatrany ny kantonao kindriana.
Na tsy ho hita intsony hoe iny ianao mamindra
Na tsy hisy intsony koa ny hoe "I Rado no mpanolotra"
Dia tsy takona tsy ak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vola/safidy-4 | safidy | Vola | Safidy
Tsy noterena ianao raha nandeha
Izahay aza mba nalahelo
mody tsy taitra ka nihomehy
ny sento anaty no namelovelo
tsy naha sahy nanakana na nanontany akory
fa dia nanaiky tsotra ny safidinao
eny na dia nahatsiao tena very sy toa oriory
dia mbola nirary soa anao
safidy ny anao,ny hibanjina any ho any
ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vola/manahy-aho-1 | Manahy aho | Vola | Manahy aho
Manahy aho fa ho nofy mamy ihany
izao iainan-tsika izao
manahy aho fa tsy misy akory izany
fa nofy ihany koa ny « izaho sy ianao »
manahy aho hoe : rampitso vao maraina
raha vao mangiran dratsy iny
dia iny aho lasa saina
fa lasa mpivahiny
manahy aho ry tiana
hoe izato fifaliana
indray andro hiova... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/rado | RADO | ZOZORO | RADO
Tsy fongotra akory fa mbola ao ihany
ilay Fakany hatrany
Haingo sy Harena ary koa Sarobidy
ho an'ny Faramandimby.
Nirongo tantely ary namela Mamy
ao anatin'ny Ankany
Ilay Radon'ny tany, ilay Ravaka tiana
namonjy Fodiana.
Ny Fanahy kosa dia handeha tsy hivahiny
amin'ny toerana tiany
Ny Lanitra izany, dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lionne/hery-miafina | hery miafina | lionne | hery miafina miaina
hery miafina mahery
tsy ho takatry ny saina
mitampify sy miery
mamparary mampahia
mampitroatra mahafanina
mahery vaika mampikodia tsy mampite hinakanina
hery miafina hafakely
mampitsiky mahafaly
sambatra toy ireo anjely
tretrika fa tsy mijaly
ilay fitiavana no tantaraina
hoentin ny olona... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rold/fitia-tena-fitia | Fitia tena fitia | Rold | Fitia tena fitia
Ny fitia tena fitia,
rehefa tia dia tia.
Tsy fitia manalasala,
toa mpifankatia mifanadala.
Fitia lamban'akoho,
'lay fitiavantsika roa
ka faty no hisarahana,
raha toa ka hifanarahana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vola/mbola-miandry-1 | Mbola miandry | Vola | Mbola miandry foana
Nozarinao ny foko tsy ho taitra intsony
« Raha toa aho ka lasa,dia aoka ianao ho tony
fa mbola ho avy ny fotoana hitoerako eo aminao
andraso !andraso !fa mbola hiverina aho »
Dia izay fehezanteny izay no naverimberinao ho ahy
Nampianarinao aho tsy hanana ahiahy
Ka n’aiza tany nisy anao,nitety... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vola/ry-diary | ry diary | Vola | Ry diary
Indro indray aho hanoratra ho anao
Hitanisa vetivety ny lasako hatrizay
Ao mantsy ireo zay tsy mety mandao
Fa mitamberinberina mitoetra ho tsiahy
Tsy mety manadino,asa angaha nahoana ?
Fa dia misy mantsy hery milaza ho tena mafy
Jereko anefa ny foko !toa babangoana
Toa mitsiky ihany ,toa tsapako miafy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/vahiny-1 | VAHINY | ZOZORO | VAHINY
Vahiny an-tanin'olona ka miherikeri-dava
Ny hoho no tsy misy fa ringitra daholo
Injany misy embona tsy antenain-kisava
Harivariva ny andro, ho gina ny tontolo.
Izaho eto ihany, tsy mahatsiaro tena
Toa aloka mijoro ilaozan'ny fanahy
Ireo tsy hita maso, ilay vohitra salema
No tsaroan'ny saiko ngoly sy mana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/misy-any | MISY ANY | Volatiana Rahaga | Misy any,
Tadidina efa ela,
Dia sary iray tavela.
Ritso-panahy efa voahidy,
Nofongarin'ny tadidy.
Sento iray mbola tsy levona,
Tafahitsoka mampievina
Nofy kely iray tomika,
Nahazo toerana sy bika.
Tana-masoandro kely iray,
Lasa empoka mahamay,
Erika tsy re nitaika,
Tonga orana mijananaika.
Hetsi-po tafahoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fitia-mifamaly | FITIA MIFAMALY | Fredy Jaofera | FITIA MIFAMALY
Fitia mifamaly
mahatsara fihavanana,
tsy vao omaly
no mendrika ho tanana.
Ka hajaojao,
na ahoana na ahoana,
fa efa natao
hahasambatra foana.
Tandrovy lava
ho harenan'ny miaina
hampahazava
raha toa savolaina.
Ataovy tigetra
fa aza andosirana
mbola hitoetra
ny soa mahamirana.
Ataovy filana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/aza-avela-hangasiasy | AZA AVELA HANGASIASY | SANDRATRA | Adro vitsy monja izay
no nifaneraserako taminao
dia efa reko mandoro mahamay
lay fitiavana ao anatiko ao
Eny,ity tenako mahantra
sy ny foko feno ratra
babonao avy hatrany
tsy te hahalala izay hiafarany
Koa anio aho hanoratra
hilaza sy hamboraka
tsy rediredy na kilalao
fa tena fitiavana anao
Ka ekeo re raha ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/raha-ho-nofinofy-ihanydia-naleoko | RAHA HO NOFINOFY IHANY...DIA NALEOKO | ZOZORO | RAHA HO NOFINOFY IHANY... DIA NALEOKO
Rah'ho nofinofy ihany ny hasambarana zahana,
Ka ho levona avokoa izay rehetra "fikasana"
Dia naleoko tsy nisaina na nitady kely akory
Izay mba ahazahoana izany fa ho latsa ampaory.
Rah'ho nofinofy ihany izay rehetra nantenaina
Ka hanjavona ny hery izay asehon'ilay saina.
Dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/ny-namako-endrika01 | NY NAMAKO | endrika01 | NY NAMAKO
NY namana ny namako ny tena namana
Dia sokajy tsy mitovy ka sahiko hiangarana
NY tena namana raha mandre resaka ao am-badika
DIA hijoro hatrany hatrany tsy hisy iray hivadika.
TSY ireo izay mandray ny tanako ihany
NO lazaina hoe namako eto an-tany
FA na mainty,na mena na ny fotsy volo
DIA ho lazaiko a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/mitady | MITADY | Mbola tsy fantatra | Malalako,
any ianao 'zao, mandrindrina irery
ny efitranontsika, fa alina ny andro
dia ... mandroso ny sakafo,
lovia iray monja no indro arosonao
ambin' ny sakafo atoandro
Alaminao ny lamba firakofantsika,
nampianao bodofotsy mba tsy hangatsiaka!
Dia raisinao ny zanako,
fihinin' eo an-tratra, hanakona ny ratra
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ivs-ilay-voromailala-sariaka/sangim-pahasambarana | sangim-pahasambarana | IVS Ilay voromailala Sariaka | Mbola kely ianao dia fantatra
Eny tan-kibo no efa nisantatra
Ilay kanto tena sambatra
Noventsoina fa ho sambatra
Tsy rediredy fa safidy
Hanohizana ny didy
Dia ny didim-pahasambarana
Hahatonga ventson'olon-tsambatra
Nolalovanao ny fahazazana
Nodiavinao ny hatanorana
Nankafizinao ny miaina
Hahasambatra ny aina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lionne/ilay-tsy-foiko | ilay tsy foiko | lionne | ho anao r ilay tsy foiko
no hanolorako ireo hira nokoloiko
noforoniko izy ireny
fa ny fitiavako no miteny
naiza naiza alehanao
ninoninona atao
ny fitiavanao tandrovy
ny fahendrenao arovy
ianao no mamiko indrindra
ny endriko teo aminao no nafindra
idriko tsy hohadinoina
ilay fitiavana na hovonoina
ho anao iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/tsiambaratelo | TSIAMBARATELO | Volatiana Rahaga | Mba inona ary izao?
No lazainao azy iny
Lay hoe "nilaozako izy ho aho"
Sa hoe "efa lany ny hamamiany?"
Sa ve hoe "izy no nandeha?"
Nahita ny olona hafa tiany
Sa hoe zahay samy hafa be
Momba ny lalana avy mba niriany?
Mba inona ary izao
No avalinao ilay fijeriny,
Manontany anao mangina,
Dia inona no ho eritre... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lionne/reny-adiaditsika-reny | reny adiaditsika reny | lionne | reny adiaditsika reny
na an tsoratra na teny
dia nanenenako avokoa
tsy ataoko manindroa
fa nasehonao daholo
ny fitiavanao manontolo
dia fitiavana mahery
nasehonao tsy antery
hambopo sy avonavona
nandrakotra toy ny zavona
no navaliko azy reny
adiady lava reny
menatra aho androany
raha mba te hanontany
mbol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/samy-mitady | SAMY MITADY | Fredy Jaofera | SAMY MITADY
Samy mitady fahasambarana,
na ny tsara na ny ratsy,
saingy tsy hahazo fitsaharana
ny nanota tatsy ho atsy.
Samy mitady fahombiazana
ny meloka sy ny marina
saingy eo avy dia efa tazana
'zay lasa sy mivarina.
Samy mitady hanan-karena
ny miasa sy ny kamo
saingy nofy tsy hay fefena
ny an'ilay olo-ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/indray-zoma-izay | INDRAY ZOMA IZAY | Vanjanofy | Asa ho’ah zay tany ho any raha mba nisy fiovana
fa ny tany izay nitsahiko sy ny làlana nombana
tamin’iny hariva iny dia nanentoento hira sy nisary lohataona.
Izay antony mazava dia tsy fantatro hoe nahoana!!
Nefa raha nandinika aho, njay fa azoko ny dikany
tonga tao an-tsaiko kay ny endrikao sy bikabikany
Marina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lionne/ny-fandalovanao | ny fandalovanao | lionne | iny ianao fa nandalo
nandalo ahy tsy niahotrahotra
fa ny any amponao any
miraki java mahatahotra
tsy mihambahamba iano miteny
manambara izay holazaina
miantefa ao ampoko ireny
ka mahaverivery saina
miandry anao hitafa maharitra
kanjo indrisy fa mandalo ihany
mijaly aho fa miaritra
izany fandalovanao izany
b... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/raha-ho-nofinofy-ihanydia-naleoko-1 | RAHA HO NOFINOFY IHANY...DIA NALEOKO | ZOZORO | RAHA HO NOFINOFY IHANY... DIA NALEOKO
Rah'ho nofinofy ihany ny hasambarana zahana,
Ka ho levona avokoa izay rehetra "fikasana"
Dia naleoko tsy nisaina na nitady kely akory
Izay mba ahazahoana izany fa ho latsa ampaory.
Rah'ho nofinofy ihany izay rehetra nantenaina
Ka hanjavona ny hery izay asehon'ilay saina.
Dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahatraina-omega/ry-nandao | RY NANDAO | Vahatraina Oméga | RY NANDAO,
Dia veloma ry nandao, ry nanda tsy hiara-dia
Ny kapoakako nomena dia ho gohiko satra,
Efa zava-tsitrakao ka na mangidy io na mamy
Dia ho ateliko daholo, ho taperiko hatrany.
Irony androtsika lasa indray miverina ao an-tsaiko
Sarisary mahasondriana ireo toerana lalaiko
Niarahana fahiny, toy ny henoko m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/diso-fanantenana | DISO FANANTENANA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | DISO FANANTENANA
Matsiro angamba ireny
Hoy aho an’eritreritra
Vahotra tsy nahateny
Raha nahita anao niherika
Nitsiky kely ianao
Ka taitra ny fanahiko
Ho ahy ve izany sa….
Ho an’ny rafilahiko?
Somary, nijanona ianao
Toa hoe : “miandry ahy”
Hay tao aorinako tao
No tamy ilay zalahy
Nandray ny tananao
Avy eo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ilay-fonao | ILAY FONAO | raozigasy | ILAY FONAO
Ilay fonao nangitakitaka
Hampitoneo na voky fitaka
Ilay fonao masiaka tempo
Tambazo ihany na voapepo
Ilay fitiavanao voakapoka
Resaho mora tsy hiakarapoka
Ilay fitiavan-te hikiaka
Hampangino tsy higiaka
Ilay fonao sasa-miandry
Aleo re mba handrihandry
Ilay fonao te hikonina
Iangavio re mba hionon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/bitsika-mangina | BITSIKA MANGINA | endrika01 | BITSIKA MANGINA
Tsy voafetran'ora na koa toetr'andro
ilay bitsika mangina ,fa mitombo isan'andro
tsy fantatrao ny fiaviany,na koa ny fiafarany
fa mandrotsirotsy mahalasa embona any ho any
tsy azonao toherina ,na koa hampanginina
fa mavesatra manonja tsy azonao vimbinina
ami'ny alina mangina ,tsy mampahita tory
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/fa-na-azoko-aza-mantsy | FA NA AZOKO AZA MANTSY... | ZOZORO | Fa na azoko aza mantsy izao tontolo hita izao
Nefa aho ilaozanao
Dia tsy hisy hasambarako amin'izany fomba izany
Fa izaho hitomany.
Fa na azoko aza koa ny haren-drehetrarehetra
Sy ny haja tsisy fetra
Kanefa tsy hitako ianao, rehefa tsy eo anoloako
Dia manjonotra ny foko.
Fa na azoko aza anie irony vola sy haren... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oelydina-alias-voninkazofotsy/fahatsiarovana-5 | Fahatsiarovana | Oelydina ( alias Voninkazo.fotsy ) | Isaky ny mahatsiaro aho, dia manoratra hatrany,
Fa ny soratra ihany no hany hamafa ny tomany;
Soratra! Io ihany no hahafahako mamoaka..
..izany ato am-poko izany, sy ity foko feno loatra.
Eny, feno loatra anao, feno loatra ny fitiavako,
Ka tsy afaka hilaza, sady vahotra ny vavako ;
Tsy azo atao rahateo ny mambora... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/ianao-18 | IANAO! | endrika01 | IANAO
Mahalasa saina ahy ianao
liana sy variana ny amiko
Te hahalala ahy ianao
ny havako ny taniko
Mampanotany tena ahy ianao
fa inona no tanjona
noho izaho namana vaovao?
Mitsiky ary f'aza mihanjona
Mampiomehy ahy ianao
miasa saina mafy loatra
raiso aho ho namanao
Tsaotra kely f'aza sendaotra
Mahatezitra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/13-mey-1972 | 13 MEY 1972 | Fredy Jaofera | fa nampivaivay fihetseham-bahoaka
tampoka ihany ka nampikorontana
ireo FRS nitondra haromotana.
Grevin'ny mpianatra nitady fiovana
hihataka kosa amin'izay fahantrana
sy ny hanongana an'izato Filoha
vao " tsak, tsak" no vava tokoa.
Grevin'ny mpianatra feno habibiana
tsy nampitsahatra an'ireo fijaliana,
nidirana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oelydina-alias-voninkazofotsy/ilay-diariko | Ilay diariko | Oelydina ( alias Voninkazo.fotsy ) | Toa tsaroako hatrany foana
Ilay indray sabotsy hariva,
Izay nifankahitantsika;
Toa manjohy ahy foana
Ireo vetso takariva,
Norotsian'ny mozika.
Mozika izay fanaonao!
Tafapaka tato am-poko
Nohiraiko, nokaloiko…
Nokaloiko ho anao,
Eny, ho anao irery,
Ry malalako tsy foiko.
Toa mamelovelo hatrany!
Mipololotra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahatraina-omega/ho-fahatsiarovako | HO FAHATSIAROVAKO | Vahatraina Oméga | HO FAHATSIAROVAKO
Ho fahatsiarovako olona iray
Ho fahatsiarovana mandrakizay
Izay efa nataony na tsara na ratsy
No anton'ity ka ataoko vatsy.
Satria izany sisa no azoko atao
Dia ny mankasitraka izao sy izao
Na hedrika ahoana no isehoan'izany
Dia tiako tokoa sy mamiko hatrany.
Ny vitan'ny tiana vare mba tsinian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/noely-mamiko | NOELY MAMIKO | Mbola tsy fantatra | Ny ahy ny noely tena tiako sy tsaroako ho tena mamy,
d' ilay isika nilalao ny tantaran' i Jesoa ...
Ianao Maria, izaho Josefa
ka nataoko tamin' ny fo ny teny rehetra izay niantefa
sy nisafoiko kibo anao tao anaty tranon' omby
Ka nony terak' i Mpamonjy,
na ny magy izay namangy na ireo mpiandry ondry
tsy nosainiko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/antsahabe | ANTSAHABE | raozigasy | ANTSAHABE
Any ianao ry Antsahabe
Ela tsy heno sy tsy re
Ka manoratra sy manontany
Inona ny vaovao any ?
Izahay aty salama tsara,
Tsy dia misy ny ambara
Ny andro no mafana be
Ny fiainana koa hafabe
Manao ahoana ny fidirana
Inoako fa tsy dia sahirana
Ho avy izao ny EFAFI
Tsy mba misy izany aty
Ny Antoko Mpih... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rold/maro-irony | Maro irony... | Rold | Maro irony...
Maro irony hazo,
Fa ny fary no tena mamy
Tsy fitia otan-kazo,
Ka ho zary lany mamy.
Maro irony vorona,
Fa ny railovy no tsara feo
Ny tenako hataoko sorona
Ho faty eo anilanao eo
Maro irony zatovovavy
Fa ianao no finidin’ny foko
Ny fitia tsy mba hanavy
Sanatria koa hiova loko
Finday: 033 07 97... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mitsikia-ihany | MITSIKIA IHANY | raozigasy | MITSIKIA IHANY
Raha manetoka ny fery
Ka ny masonao mijery
Mila ho dibo-dranomaso
Noho ny sompatry ny ankaso
Raha mikombona ny molony
Fa tsy to ny famololon
Ilay fitia izay nantenaina
Ka zary rotika ny aina
Dia miezaha ianao mitsiky
Ary afeno na mikiky
Izay ratram-ponao lalina
Tsy natorianao mandrak alina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/iza-re-mba-hisaorako-e | IZA RE MBA HISAORAKO E! | RIJADOLLY | IZA RE MBA HISAORAKO E?
Izay maso mihiratra avy ve
Dia tsy avy amiko
Nefa tsy tsaroako izay manokatra azy
Iza re mba hisaorako é?
Izay vatako mihetsika avy ve
Dia tsy ny herin'ny tenako
Nefa tsy tsaroako ny mibaiko azy
iza re mba hisaorako é?
Izay saina mihevitra avy ve
Dia tsy avy amin'ny fitadidiako
Nefa i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/tia-anao-loatra | Tia anao loatra | Rajordri | Tsy mety tony fa mahatsiaro
Ireo andro niarahana
Androkelim-pahasambarana
Andro mamy nanam-petra
Nandalo ihany dia nandao
Andro indrisy nampitsetra
Omaly kanto mitalaho
Lasa lavitra tsy fantatra
Olo-tiana nolalaina
Angamba izay ve no lahatra
Tsy maintsy hampionona ny saina
Resin'embona eny angamba
Atao ahoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zozoro/zava-kanto | ZAVA-KANTO | ZOZORO | ZAVA-KANTO
Kintana mamirapiratra amin'ny alina mangina
Iantefan'ny nofinofy any an'habakabaka any,
Misy bitsika mankeny, misy amboaram-panirina
Moa tsy zava-kanto izany ?
Saingy izaho tsy mahita ny hasambarana omeny
Tsy morotsaka hahalala, tsy miteny, tsy mandre
Fa ny saiko sy fanahy no tsarovako manjeny
Mitady... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiff/endrika01namana-serasera | ENDRIKA01 | tiff | ENDRIKA01
Endrika ny anarana entinao
Endrika fotsiny tsisy fanampiny
tsisy ahafantarana zay mombanao
endrika ivelany sa endrika anatiny
dia nataonao ho ankamatatra
sy nambara tamin ny tononkalo
iza ary aho ra misy mahafantatra
tia namana mbamin ireo fahavalo
manomboka miala tsikelikely
ilay lamba anaronanao t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/o-rafiakarana | O RAFIAKARANA | Rajordri | Tiako ianao RAFIAKARANA
hibanjinako ireo midina
rehefa iny aho ka miakatra
O RAFIAKARANA
asehonao miharihary
ireo kararazan-tsarisary
na ny loko misendoatra
ataon'ireo mandroso loatra.
Fa azafady kely,
tsy saina lasa ho azy
na koa hoe vazivazy
fa raha toa ka azonao
dia andeha hovaina ny fanao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/miverena-2 | MIVERENA | endrika01 | MIVERENA
Maraina ny ririnina
No nandao ahy ianao
Mangidy toa kininina
Ny tao am-bavako ao
Reo tositosy mamy
Sy malala tiako ianao
Tena vatomamy
Ho doria zaho sy anao
Lay andon'ny maraina
Teny amoron-drano
Dia nanjavona sy maina
Zary arira sy angano
Lay takariva amorom-patana
Niady lay ankalana
Mangatsia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anarim/tsiky-ve-dia-ampy | Tsiky ve dia ampy ? | anarim | Tsiky ve dia ampy
Raha manetoka ny fery
ka ty masoko mijery
manganohanon-dranomaso ?
Tsiky ve dia ampy
Raha tsy to ny famololony
f’ilay fitiavana natolony
nosomparan’ny ankaso ?
Eny ary, hitsiky aho !
Hanantena famonjena
Avy amin’ny tsikinao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/te-hiadaladala-efa-anolona | TE HIADALADALA @ EFA AN'OLONA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | TE HIADALADALA
Na dia mbola tsy malalako
Fa vao nirina ho tantanako
D’efa tsinjoko sahady
F’efa hisy haka vady
Ilay olona nosainiko
Ka nakorisako ny peniko
Tara ve ny fitiavako
Ka zary hendratra ny tavako ?
Maniry te hiadaladala
Te hiantso hoe « malala »
Amin’izato efa an’olona
Ka te hiady sy hitolona
Te ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tahaka-anao | TAHAKA ANAO | Fredy Jaofera | TAHAKA ANAO
Tahaka anao irery
ny raozy tiana hananana
hanova izato fery
ho hirahira sy fiadanana.
Tahaka anao ihany
no iriko hampionona ahy
rehefa misy izany
ny mampahory ny fanahy.
Tahaka anao tokoa
no malala izay tadiavina
mba tsy hampifoha
ny Lasa nihitsan-dravina.
Tahaka anao monja
no efa nofiko hatry... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/jafa | JAFA | Fredy Jaofera | JAFA
Maninona, ho'aho, izato tany
manjombona sy maizin-dava ?
Rahoviana no tsy hisy tomany
ny midona ka afaka hisava ?
Nahoana no dia tahaka izao
'zato fiainana be manadala ?
Nahoana fa dia tao ho ao
sentosento be mpankahala ?
Nankaiza ireo hoe fifaliana
no voady no sisa lazaina ?
Nahoana no nampijaliana
't... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vaovao | VAOVAO | Fredy Jaofera | VAOVAO
Vaovao isa-maraina
ny risi-po ilaina
ka aza malaindaina.
Vaovao lalandava
ny toky vao mazava
ny andro ka mahasoava.
Vaovao am-pifaliana
ny vavaka irina
hivatsy fitahiana.
Vaovao feno hira
ny vetso an-dakira
no tsy mba misy mira.
Vaovao mandavataona
ny tsiky lavi-tsaona,
tsotra rehefa mihaona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nandao | NANDAO | Fredy Jaofera | NANDAO
Nandao ianao kanefa ny foko aman-panahy
dia mirona any ihany malahelo sy manahy,
mitanisa tsisy farany ireo fotoana adaladala
niarahantsika teny vao nanomboka tsy niala.
Nandao ianao kanefa mipetraka ato an-tsaina
'reo hafaliana maromaro metimety sy lalaina,
'reo tambitamby sy tomany fony isika nihafy
ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ho-anao-7 | HO ANAO | Fredy Jaofera | HO ANAO
Ho anao irery ihany, Veromanitra malala,
no efa nokasaiko ho an'ny foko kely adala ;
ho anao irery ihany, na ahoana na ahoana :
na misento na mitsiky, na sanatria misaona !
Ho anao irery ihany, Veromanitra tsy foiko,
no hetaheta ombieny sy satry hantsotsoino ;
ho anao irery, na rahoviana na rahoviana,
k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsos-tafa/sao-diso-safidy | Sao diso safidy? | Antso's tafa | Sao diso safidy?
Mizotra aho, mizotra mankaiza?
Hiodina mila hisavaona!
Ny vatsy natao ho fitaiza,
tsy nahavita nandritra ny taona
Mizotra aho, mizotra eny ihany
Ketraka, mila ho kivy!
Toa hikorefa amin'ny tany
Sao kosa diso safidy?
Mba tsy hovesarin'ny sento,
dia aleoko mijanona hatreto... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anjarako-1 | ANJARAKO | Fredy Jaofera | ANJARAKO
Anjarako ratsy
no tsy nahazo vatsy
atao hoe : Fitiavana
tsy misy fandavana
avy amin'ito reny
nandeha tsy niteny,
ka aleoko re mionona
fa izay no mahavonona
ka mampirotsa-tomany,
na kely fotsiny ihany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lavitra-ezaka | LAVITRA EZAKA | Fredy Jaofera | LAVITRA EZAKA
Kely dia kely ny fanantenana
mety hipoiran'ny fahagagana
rehefa tsy tazana fa mihavao
'ty Gasikara sy izay olona ao.
Nofin'adala ny hifanampiana
amin'izay ory sy be fijaliana,
mila vonjy sy te hihantahanta
any amin'ity governemanta !
Nofin'adala ny fahamarinana
lafo dia lafo sy azo isikinana
re... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/filafila | FILAFILA | Fredy Jaofera | FILAFILA
Ny itiavako foana hatrany
anao, izany havako izany
dia tsy inona f'ireo filafila
nampiady nilaza tsy mila !
Tsy tiako kanefa tsy foiko,
tsy tanty kanefa misoko,
tsy mety kanefa raketo
fa 'zay no ananana eto.
Tsy miova kanefa zakaina,
tsy mamy kanefa lanjaina,
tsy tsara kanefa nekeko
f'ianao no mba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsos-tafa/hetraketraky-ny-misy | Hetraketraky ny misy | Antso's tafa | Hetraketraky ny misy
Ambara ho mangidy
Nefa sarobidy
Ny miaina eto an-tany,
Moa diso ve izany?
Etsy sy eroa
Loza tsy mitsahatra
Mandrotika ny fo
Sao kosa efa lahatra?
Ny holatry ny omaly
Vao mainka ahariharin'
ny kaikitry ny nenina
Toa mora raha tenenina!
Hetraketraky ny misy,
Sa anjara sy tandrify
ny fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/iny-zanako-iny-1 | INY ZANAKO INY | Volatiana Rahaga | Iny zanako iny
no porofom-pahamatorako,
Iny zanako iny
no fahatanorako,
Amin'iny zanako iny
ihany koa ny fahatsorako,
Feno iny zanako iny
ny taratry ny fikasako.
Iny zanako iny
No tena adim-piainako,
Iny zanako iny
Lay tsy foiko tsy atakalo,
Izy iny indrindra koa
No tena odim-panaintainako,
Ho azy irery a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/princesss01/fo-nomena | fo nomena | princesss01 | ilay foko efa ela no babonao
tsy asaraka intsony ka raiso anjakao
ataovy 'zay tinao
tontosaiko anie izao dia eny izao
ka tsinjovy sahady ny androany
fa hifanaja 'lay voady
fitia tsy no torena
fa vokatry ny fo nomena
fitia tokana aman-tany
tsy ho zaraina fa ho ahy sy ho anao iany
ho paradisa ny tany'zay no iri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/levenam-bola | LEVENAM-BOLA | Fredy Jaofera | LEVENAM-BOLA
Ny soa atao : levenam-bola
sy hamamiana tsy ho tola ;
ny soa atao : levenam-bola
sy haravoana mampidola ;
ny soa atao : levenam-bola
sy rakotra hira rehefa sola ;
ny soa atao : levenam-bola
ka n'aiza n'aiza zary angola ;
ny soa atao : levenam-bola,
na rahoviana, tsy hampanjola ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/rehefa-1 | REHEFA | Volatiana Rahaga | Rehefa iny lasa ianao,
Ny mba kinasako tsy misy vanona,
Ny aingam-panahiko avy no mandao,
Ny fiainako mihitsy no mijanona.
Rehefa iny lasa ianao,
Mitsonika ny famataranandro,
Mandrahona ny orana hitatao.
Latsa-baratra mivolo fara-andro.
Fa rehefa iny kosa ianao tampody,
Miverina ny tsikiko nandalo fahirano,
I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rold/zaza-milalao-fitia | Zaza milalao fitia | Rold | Zaza milalao fitia
Mbola tsy tonga taona indry
dia efa milalao fitia,
Fa zaza maroroka be mpitia
‘zaho aza toa babo ka tia
Ny fitafy atao manara-pe
Rehefa mandeha eny an-dalam-be
Ilay foitra haderadera
Hanaporofoina fa tsy mba masera
Ny lehilahy atao marobe
Tsy manam-pady intsony va re!
Tsiratsiraina ny Ray ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/tsiky-feno-hery-aminny-andron-dranomaso | Tsiky feno hery amin'ny andron-dranomaso. | Rajordri | Tsia,
tsy ekena ny herisetra
atobaky ny omaly hanafotra ny ho avy.
Tsia, satria raha tohina
ilay aina izay marefo
dia ho entiny hivarina
amin'ny tsy hay fantarina
ny kely niandrandrana ny azo andrandraina.
Anefa, firifiry moa
no nitondra ireo takaitra
tamin'ny kaikitry ny nenina?
minia miaina ny mafaitra
fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lava-tongotra | LAVA TONGOTRA | Fredy Jaofera | LAVA TONGOTRA
Ravo ny tany ka mihetsiketseha,
feno ny lisy ka tondratondrahy,
ento ny jija, na mody mandeha
fa mitandrema no hafatra iray.
Vaky ny sôva ka isekosekoy,
tretrika aloha ka mibitabitaha,
vory 'zao ny lasa ka kolokoloy
fa matsirotsiro ny vorom-bazaha.
Nefa tsarovy fa ny zavatra vita
dia any ihany n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/rediredy-takariva | REDIREDY TAKARIVA | Ryana | REDIREDY TAKARIVA
Ianao ry Masoandroko iny,
Mba fantatrao va re…
F’izaho aty tsindrin-daona, miandrandra ny fihavianao,
Ny foko mientana tsy hay ferana;
Manontany tena foana hoe hibaliaka ve ianao,
Sa zary ho taratra fitserana…
Fa izaho anie marofy rehefa injay ianao tsy tazana,
Fa toa takona any ho any;
Dia l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiff/tao-antokotaninay | TAO ANTOKOTANINAY | tiff | harivariva tamizay
tao an tokotaninay
olondroa mpifankatia
nifanaiky hiaradia
mikaondo mifampiresaka
mifampizara zay mavesatra
nanome toky nivoady
ho mpinamana hivady
teny mamy safosafo
ampy ho solon sakafo
tanandro mifandrairay
tao an tokotaninay
ilay tara diavolana
no nanarona zay olana
tsikitsiky tambi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/anjara-1 | Anjara | Ny Alimbetso Soa | Misy tokoa ve ny anjara?
Nefa afenina ahy
Ary ny lahatra
Sa takona tsy nahy!!
Tompo ô!
Ekeko zay voasoratra
Hitanao mahatsara ahy
Tsenaiko tsy amin-tahotra
Vonona hisedra sy ho sahy
Nefa Tompo ô!
Mitalaho famonjena
Ity zanakao mahatra
Mila vonjy, mahonena
Tolory tanana sy vahatra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiff/tsy-hanadino-anao | tsy hanadino anao | tiff | tsy hanadino anao
tsy hanadino anao aho
naiza naiza tany alehako
mitia anao mangina aho
ninoninona atrehako
mbola lavitra ny lalako
tsy hokivy aho na hoketraka
manantena aho ry malalako
fa enao no hizarako ze mavesatra
mafy sy manonja ny ady
zay atrehako isanandro
miaritra aho ka mivoady
fa tsy hiverina int... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/fa-ora-firy-izao | FA ORA FIRY IZAO? | Volatiana Rahaga | Mba ora firy izao?
No ny hariva manontolo
No nahatsiarovako ahy nanoratra?
Mba ora firy izao?
Ny ratsa-tanako efa valaka,
Soa ihany reo fa folo,
Feno hetsika malalaka
Ka afa-nanimbolo
Ireo rediredy aingam-panahiko
Atobaka aminao, ianao lay tsiahiko.
-Angamba-
Malahelo,
Ilay isan'ora banga anao
Ireo segondr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa/vavaka-16 | Vavaka | Ny Alimbetso Soa | Tsy sasatra ny mitaraina
Miantso ny anaranao
Tompo ô!
Iriko ho maraina
Lay ali-mitatao
Tsy takona aminao
Ny fiainako manontolo
Tompo ô!
Tiako hisava, handao
Ny fahorian'ny tontolo
Iriko raha tsiky
No asetrinao ireo
Tompo ô!
Inty aho mitampify
Miantsoantso ka vonjeo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ketsa | KETSA | Fredy Jaofera | KETSA
Ny lasa dia lasa
ka tsy afaka hiasa
hamerina indray
ny nisy hatrizay !
Miova ny tiako
fa dia nijaliako
ny zavatra vita,
na nisy tsy hita.
Miova ny tsara
fa efa voarara
ny tsy hiara-dia
ny vetsom-pitia.
Miova ny mety
fa mbola tanety
ny tany rehetra,
nampitsetsetra.
Koa mahasoava
sy ho lalandava
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiff/lavitra-anao-1 | Lavitra anao | tiff | lavitra anao
lavitra anao aho ry lala
lavitra tsy takatra atsoina
irery tsy misy mahalala
raha misy ny loza sy voina
mahatsiaro zay retra nerahana
na tsara na ratsy no vita
na fifalina na alahelo nibahana
nandalo faingana to tsitahita
manirery manjombona lava
malahelo manembona ny aina
ny ranomaso manorika n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rold/famangiana-mana-manjo | Famangiana mana-manjo | Rold | Famangiana mana-manjo
Eny, vahotra ny vava
Malomaloka ny tava
Ny orona seren’ny lelo
Fa tojo alahelo
Niamboho tokoa mantsy ny Raiamandreny
Izay tena mpananatra ary mpiteny
Folaka andry niankinana, toro vato nandiavana
Koa indreto miombon’alahelo etoana re izahay rahavana
Ny fahafatesana dia hady lalina eto an-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ny-maha-ianao-anao | NY MAHA IANAO ANAO | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | N.B :ialako tsiny mialoha raha somary vantambatana ilay tononkalo satria zava-misy io kanefa tsy midika akory fa ny Pasitera na ny Mompera eny fa na de ny Papa Benoit 16 aza mety tsy mahalala fa misy Kristiana marobe miaina @io tonokalo nosoratako io, misy ihany anefa ireo izay tena hanompo tokoa ka maha te hidera ...
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanantsoa-ricardo/resy-1 | Resy | RAMANANTSOA Ricardo | Resy aho, Resy ka mangina
Solafaka nianjera nilaozan'Olon-tiana
Resy aho, milavo-lefona mibaboka
Nosoloinao olon-kafa, ireo nofonofy nidaraboka
Resy aho, Resy ka mipetraka
Mamisavisa ireo fahiny, manganohano vala-ketraka
Resy aho, tsy mahita fifaliana
Mipitrapitra fa kamboty,toy ny zaza tsy niriana
Resy aho, ve... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rold/atosako-ho-anao | Atosako ho anao | Rold | Atosako ho anao
Misentosento aok’izany
Ianao anilako eo
Toy ny tsy ety an-tany
Ny vatako fihininao
Miridiridy aok’izany
‘lay fitia kitihinao
Miemponempona aok’izany
‘lay fo, foanao
Henika aho,
Tsy misy toa ahy eto an-tany
Tretrika aho
Ravoravo lavitra tomany
Midobodoboka aok’izany
Ny foko anilan’ao
Temp... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/indrisy-mantsy-1 | INDRISY MANTSY | endrika01 | INDRISY MANTSY
Asa ianao raha efa namoy
Zandry tiana toa ahy
Ny fiarahana tsy foy
Ny resakay hitohy am-panahy
Mpiraitampo nifankatia
Zay nosarahin'ny fiainana
Piady lava zay satria
Tsy nitovy ny fisainana
Ny fotoana izay nialako
Mba hoaty am-pitan-dranomasina
Nampisento ary halako
Hitoetra ho tantara masina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiff/folo-taona-2 | Folo taona | tiff | Folo taona
folo taona ianao izao
sombiniaiko nolalaiko
no efa nitaizaiko anao
nahalany ritra ny aiko
toy ny rivotra niserana
nandalo toa tsy hitahita
toy ny rahona tsy ferana
ireo folo taona dia vita
mbola maro ireo adidy
hovitaiko indray izao
na ho mamy na mangidy
hoefaiko aminao
hijoro tsy amitahotahotra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/herisetra-1 | HERISETRA | endrika01 | HERISETRA
Hatraiza re ny fetra ny herisetra maro
Tsy hay ho tohaina reo loza mifangaro
Dradraina lalandava amini-onjam-peo sy gazety
Aseho fahita lavitra hoan'ny kely sy vaventy
Zaza tsy ampy taona haolana vitaina
Niaritra ny mafy satria nambakaina
Tsy nosainina akory lay hirifiry mafy
Ny baviny ihany no hijinj... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ok | OK | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | raha tsy tian'ise
dia aleo 'zaho hande
f'ise efa tenenina
tsy himenomenona
tsy tiako raha izaho
no maha-ory anao
k'aleo 'zaho handeha
rehefa tsy tian'ise
ok. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiff/iny-orana-iny | iny orana iny | tiff | iny orana nilatsaka iny
no nampatsiahy ny fahiny
nahatsiarovana ny lasa
nitamberina izay kinasa
andro avy orana hoatr zao
tafaradia izaho sy ianao
tamzay fotoana izay
ny tanatsika nifandray
tadidinao ve izany
izao aho vao manontany
tsapako fa nahafinaritra
saingy indrisy tsy naharitra
tsy hadino tokoa ireny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/ilay-toerana | ILAY TOERANA | endrika01 | ILAY TOERANA
Mitamberina niserana
Tampoka tsy nahy
Teo amin'lay toerana
Ny vetso ny fanahy
Toa nihomehyirery
Izaho nandalo teo
Eh,tena nanirery
Niandrandra ilay feo
'Zay tao an-tsaiko tao
Tsy ho ambarako aminy
Ny visavisako ao
Mba hety hisy maminy
Hovaiko ny famindra
Zay mety hahasolafaka
Ka ho lafatra i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hi-hi/tsy-ianao | Tsy ianao | hi hi | Sao ianao mihevitra fa noho ny aminao no nahavitako izao
Sitrapo, ny ahy, fa efa vonona sy sahy hiatrika ny fiainana aho
Sombiny ihany ny tantarantsika
Sary kely indray mipika sy namelona ny lakolosy.
Tena sitrapo ny ahy, tena sambatra aho izao
Fa ny lasako sy anao, dia lakolosy tsotra izao
Fanomezan-tsy voavidy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/ity-indray-mandeha-ity | ITY INDRAY MANDEHA ITY | Volatiana Rahaga | ...Ity indray mandeha ity,
Zaho tsy ivolana fitia...
Izaho tsy hamboraka hetsi-po
Tsy hanatobaka azy ho vary raraka
Izy no aleo hilaza aloha,
Fa harary ilay "zahay" hisaraka.
Tehiriziko mafy anaty,
'Lay "tiako ianao" mitady hitroatra,
'Lay zaho sy izy fato-maty
Kanefa tsy afaka manoatra.
Azoniko ilay fefiloha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/ny-foko-enina | NY FOKO "ENINA" | Volatiana Rahaga | Ilay tononkalonao,
No tena lasa vaika,
Ientanan'ny fanahiko,
Tsy rototra tsy maika,
Mampisava ny ahiahiko.
F'efa hitako nandrasako,
Tehiriziko an-diary
Afeniko any TOLIARY.
Ny feonao 'zay
Mampandry fehizay,
Ireo samontamonta
Navoakan'ny hetsi-po
Zay mbola tsy matoy,
Mety amin'ilay hirako,
Notendreko namik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/eny-ambanivohitra-eny | ENY AMBANIVOHITRA ENY ! | endrika01 | ENY AMBANIVOHITRA ENY
Vao nangiran-dratsy ny andro tamin'izay
Dia zava-maro no niseho teny Ambanivohitray
Gaga aho raha nandre feo maro nikotaba
Nanako hatrany lavitra any,hay izy ireo nifampiharahaba
Tsy naharitra aho ka niakanjo dia nitsangana
Niroso moramora hamonjy varavaran-kely
Ny eritreritro mitondra ahy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/mampitraka-ahy-ianao-you-raise-me-up | MAMPITRAKA AHY IANAO | Ryana | MAMPITRAKA AHY IANAO
Rehefa trotraka ny tenako, ny fanahy madisadisa;
Olona maro tsy voafehiko, ny foko mavesatry ny kisa;
Dia aleoko aloha mimaona, miandry anaty fahanginako,
Mandra-pihavinao etoana, hitoetra vetivety anilako…
Mampitraka ahy ianao, k’izaho hijoro, tsy hiraika,
Mampitraka ahy ianao, hitety onja b... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rold/koloy-fa-kanto | Koloy fa kanto | Rold | KOLOY FA KANTO
Ny teny no lovako
Ny tany no harenako
Raha very ny teniko
Dia potika ny taniko
Lovako, andrianiko ny teniko
Harenako, soaviko ny taniko
Ny teny sy ny taniko koloiko
Fa kanto ka tsy foiko
Ka hoy aho hoe:
Gasy aho, gasy ianao
Miteny gasy aho, miteny gasy ianao
Gasy Ray, gasy Reny
Koloy àry fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/tsy-hananam-piry-endrika-01-serasera | TSY HANANAM-PIRY | Sunny | Raha misy ny tiana,
ka nofidiana
tanatin'ny maro,
dia isan'ny ialahy
'lay zanak'anjely mpambabo fanahy
tsy hay hafangaro
raha misy hoso-doko
mamin'ny foko
tsy foiko hatakolo,
dia isany ianao
'lay lanitra tokan'ny tontolo 'zao
vitsy mpikalo
raha misy aina
tena lalaina
afantsiko anaty,
dia ianao ihany
'la... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/fo-nandresy-ireny | Fo nandresy ireny | Rajordri | Na mangidy koa ny rora
dia mamiko ny lasa
satria anatin'ny ilay foko
dia tsy maty fa matory
ny tantaran'ny fitia.
Tsy ny hitady mba ho ahy
izay tsy hananako safidy
no ekeko ho ho fahamarinana,
fa ny hitondra sy ho sahy
hamela izay tadidy
ho vetsom-pahanginana.
Nentinao ankerisetra
izay tsy tokony ho anao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/ilay-ampinga-fiadiako | ILAY AMPINGA FIADIAKO | Sunny | Ny tananao no ilaiko hisafo ny tavako manam-tomany
ry hany lalaiko
mpitondra hazavana anaty haizina ambonin'ny tany
tsisy hatsarana
ny feonao no tiako handravaka foana ny lalan-kombako
ry faniriako
mpitondra hafaliana mandavan-taona tsy hay norarako
fa zary fiadiana.
Lany sy ritra tsy nisy intsony aza ny fahori... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/iriako-ho-tena-marina | IRIAKO HO TENA MARINA | Ryana | IRIAKO HO TENA MARINA
Omaly ianao nitady,
Nanantona, nanaraka ary toa nanafatra,
Nijanona, niandry;
Nikanto, nisariaka nefa olona tsy fantatra,
Namboly resaka amiko,
Sanganehana aho... tsiky no navaliko.
Omaly ianao nibitsika,
Nilaza hamendrehana, nitory hatsaràna,
Fa hoe na maso ditsoka,
na sanatria jambena ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/hevero-ho-tsy-misy | HEVERO HO TSY MISY | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | HEVERO HO TSY MITENY
Hoany indray aho
Tsy hoe hamangy anao
Fa hitondra hirahira
Kalokalon-tsovenira
Ho an’ny tapaka sy namana
Indrindra fa RAMBOLAMANANA
Fety be zany andro zany
Tsy roa fa tokana aman-tany
Toy “ilay ianao” zay teo aminy
‘Lay hany ravaky ny akaniny
Dia hoany indray aho
Fa tsy hanantena ahita ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rold/ranomasom-pihatsarambelatsihy | Ranomasom-pihatsarambelatsihy | Rold | Ranomasom-pihatsarambelatsihy
Ranomasom-pihatsarambelatsihy
no narotsakao taty
Hanakonana ny ratsy efa vita
noheverinao tsy mba ho hita
Tambitamby zary maha te ho tia
no nataonao taty
mba tsy hampiovana loko
'lay fitiavana tato am-poko
Fifonana an-dranomaso, tambitambim-pitia
Karazam-pihetsika hisaritana fiti... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.