url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/miandry-5
MIANDRY
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
sombin-taratasy avy amin'ny resatsika izao lazaiko izao; amafisiko eto iny sangisangiko iny fa "TIAKO BE IANAO !" tiako ho ahy irery kanefa indray raha hoe atambatrao fitia dia aleoko, aza ,very izay ihany anie e !!! miandry valiny aho na ho haingana na ho ela fa misaotra be dia be ataovy vetivety ny val...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/visavisaiko
Visavisaiko
Volatiana Rahaga
Ilay volon'andro mainty maloka kotroka, Ilay raozy mena fitiavana tsy hosoka, Ahatsiarovako anao. Ilay vodilanitra lavi-takarina Ilay masoandro iny njay efa miharina, Mamoha izao tontolo 'zao Ahatsiarovako anao. Ilay mainty teo iky nivadika ho manga, Ilay raozy teo manda tsy halazo, Ny volana iny toa efa nitra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/misaotra
Misaotra
Aino
Misaotra! Misaotra anao aho, izay mitohetra eto anilako Misaotra noho ireo tohetranao mahafinaritra Izay manolotra ahy ny tsara sy ny ratsy Manolotr’ireo izay fitiavana izay ao amponao Mifona manao azafady Raha misy ireo zavatra tsy tianao nataoko Raha nisy fotoana iray izay nahadiso hay Fa tiako ho fatatrao…. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avana-ramanantoanina/alahelo-iaraha-manana
Alahelo Iaraha-Manana
Ny Avana Ramanantoanina
Alahelo Iaraha-Manana Tadidiko lava ny endrik'Iarivo Tsy miala ao an-tsaiko ny bikan'Imanga ; Ka lena ny maso fa dobo marivo, Injany ny sento fa tamy mitranga ! Ny tampon'Ankaratra tonga tsaroana, Ny tendron'Andringitra zary tadidy ; Toneko ny foko ka tsy azo toroana Fa saro-tsatsoina ny sento mangidy ! Ibetsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyaritra/asa-ianao-iny
Asa ianao iny
Nyaritra
asa ianao iny...! fa toa hafahafa fihetsika malaindaim-pamindra no sady vitsy teny miova toa vahiny fa tsikaritro matetika ho misentosento lava sy mitokatokan-drery asa ianao iny...! fa toa malomalok'endrika lali-maso sy hatsatra toy ny avy nitomany te-hanome tsiny fa izaho no nandrendrika ilay sambo vao nis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/landy/ireo-masonao
ireo masonao
landy
mila fiarahana, vonona hizara faniriana kely tsapako anananao na tsy nisy aza hatreto filazana avy aminao ireo fijerinao dia ampy nampahalala tia ahy ianao aza ezahina iniana na dia nosakanana aza dia voaraiko ihany resy lahatra aho mantsy matoa milaza izany satria ireo masonao tsy hainao notoniana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoky/fijery-vaovao
Fijery vaovao
zoky
Efa-taona lasa tsy nanampina, no nahalalako anao ry Tina. Tsikitsiky avy hatrany, no nasetrinao ahy tamin'zany. Miramirana isan'andro, safosafo na alina na andro. Tambintamby isan'ora, horokoroka ts halalana ora. Ny ady lava toa ts hita, rah nisy aza hodian-tsihita. Fa samy te hitolo-tena avy hatrany, ho sam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/landy/nofy-4
nofy
landy
ny masoko efa mikipy tsy mahatazana intsony nefa tena nahagaga ahy ihany izy mbola tazako mijery ahy hatrany fijery izay maneho ilay fitia avy ao am-pony Avy hatrany dia nifanoroka izahay ny nifamihina koa tsy nohadinoina velively dia tsapako amin'izay ilay hafanany fa miely ny vatanay aza toy ny hoe efa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fara-mananjandry/ireny-tononkalo-ireny
Ireny tononkalo ireny
Fara Mananjandry
Ireny tononkalo ireny Ireny tononkalo ireny, tsy mba teny fe teny arafidrafitra ho kanto, hirindra sy hilantolanto, fa tena kiakan’ny fanahy, amborahana tsy nahy sombim-piainana mafonja, tsy voafefy ka manonja. Misy onjam-pifaliana miparasaka ho riana, ao ny vongan-dranomaso abosesiky ny ankaso, ny hatezer...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/ho-anny-ankohonany
Ho an'ny ankohonany
Mandefitra
Fiainana mafaitra, rotoroto lava, tsy misy fitsaharany! Rahoviana vao mba ho raitra, ho mirana ny tava, hivaly ny hasasarany? Mikentrona ny andriny, mena ny fijeriny, maina koa ny molony Vizaka ny sandriny, kely zato heriny, henjana ny tolony Nefa vao mahita ny vady aman-janany, nisinda ny adin-tsaina Ireo tokoa m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/miandry-foana
Miandry foana ...
Andriamihaja Johan (H-mainty)
Miandry foana... Raha ho lasa ianao Ka handao ilay ankany Andeha hifindra fo vaovao Hanorin-dasy any ho any tsy mba azoko nontanana fa avy hatrany dia nandao tsy mba azoko sakanana f’efa izay no hevitrao raha toy ka izay no mety sy tsapanao fa ahasoa dia aleo aho hangina vetivety sy hitanondrika ao ampo al...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fara-mananjandry/tsiaro-5
TSIARO
Fara Mananjandry
Tsiaro Tsarovy anaka, aza adino, fantaro hatrany, halalino ny tantaram-pirenena f’aza manaiky horebena amin-javatra disoina. Ny marina dia novonoina ireo nitaky fanafahana ny tanintsika nozanahana. Mbola adidinao hatrany ny fahatsiarovana an’izany. Koa aza anisan’ny adala, ka hinia tsy hahalala ny vono mok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fara-mananjandry/rehareha
Rehareha
Fara Mananjandry
Rehareha Be ny toerana nalehako, tao ny soa, tao ny tsara, fa tokana ny reharehako dia i Madagasikara ! Nianarako ny teny hafa isaky ny niova lasy fa tiako indrindra ny mitafa amin’ny Teny Malagasy ! Nivezivezy aho nandranto nefa tsy nitady harena, fa nikaroka ny kanto ary koa ny fahendrena hahafahako manohy ila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-menja/inty-aho-tompo
INTY AHO TOMPO
HARY MENJA
INTY AHO TOMPO Isaorana ny tompo fambola notahiany ka nitombo iray ny taona nahavelomana fa tsy lavo noho ny ady fitolomana Ny andavanandrom-piainana no nanoroany ny lalana mahitsy tompo o afaho ny sedra samihafa satria ianao no nitokiako fa tsy andriamani-kafa Mila ho kivy aho aho teny an-tsahan'adim-piainana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyaritra/tiako-raha
tiako raha...
Nyaritra
tiako raha... ho tiako ianao raha toa ka afaka hanarina ireo lasa feno jaly tiako raha mandre ity antsoko efa farina tsy afaka hifaly fa mijaly ny fitiavako tsy misy mba mitsetra nofitahin-dava izao moana tsy niteny nanaiky ny herisetra resy sady lao dia nisaona teny foana ninia tsy nahalala ireo olona nitia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyaritra/talaho
talaho
Nyaritra
tompo o! ankiniko aminao ily olon-tiako lasan'ny hafa any an-tany lavitra any ianao no hampahery ahy tsy handrotsaka tomany raha tendrinao no nilefàny tompo o! ampianaro aho hanaiky tsy amim-panomezan-tsiny izay rehetra atolotrao ampianaro aho hanadino ilay olon-tokana notiaviko nefa tsy natao ho ahy tomp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/lay-fitiavanao
'lay fitiavanao
Andriamihaja Johan (H-mainty)
'Lay fitiavanao Ts foiko ho adinoina Isan’andro isan’ora ‘lay fitiavanao ahy Mahababo ny fanahy Mampitsiky ahy tomany Mampisinda irony jaly Mampitraka ahy raha valaka Manafaka ahy anaty lavaka Ka ifonako aminao Reo hadalana izay fanao Fa mahatsapa tokoa aho Fa mamy ilay fitiavanao K’irony haditrana irony ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanantsoa-ricardo/tiako-loatra-ianao-1
TIAKO LOATRA IANAO
RAMANANTSOA Ricardo
tiako loatra enao, na dia tsy eto anilako aza tiako ho doria, fa tsy kilalaon-jaza tiko loatra enao, tsy aiko ny miteny hatsiarovako anao, ireny rehetra ireny! tiako fona enao,zay no tena marna teny avy ato am-poko, fa tsy nambaorimboarina tiako loatra enao,tiako fona fona raha tsy misy anao, ny foko babangona ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/landy/tsy-mbola-anjarako
tsy mbola anjarako
landy
noferako ny molotro tsy hanonona intsony ny anaranao r'ilay nidify teo saingy indrisy mantsy lavitr'azy ny hitony lasa tsianjery mihitsy tena efa mankaleo Nandramako ihany koa ny tsy hametraka an-tsaiko ilay endrikao kanto nambabo ny fijeriko hay moa ianao iny efa nanomboka ny aiko 'lay fanafody ampy ham...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyaritra/tsy-misy-tia-ireny
Tsy misy tia ireny
Nyaritra
tsy misy tia ireny ka aza mikiry intsony hahalala ny ao am-pony dia handrera-tena foana hanenjika fotoana mba hiaonana aminy aza mitady sazy havalinao azy fa hevero ho tsisy antony ny fony izay nakatony ekeo f'izay no maminy aza mikasa hametra izay sakana rehetra noho ny kilemanao f'ekeo tsotr'izao fa an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fara-mananjandry/ny-fanahy-no-olona-1
Ny fanahy no olona
Fara Mananjandry
Ny fanahy no olona Maro no mihevitra mandraka androany Fa ny vehivavy dia ravaka ihany, Ary fanaka malemy genagenaina Sy onda-malefaka fakana aina. Ny lahy tsy mba ratsy ary tsy hita fery, Mahazo manandrana, mijerijery. Fa izay hampakariny dia tadidio Fa tsy maintsy ho zazavavy "madio" ! Ho an’ny sasany manko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyaritra/ianao-21
ianao
Nyaritra
ianao ilay milaza fa voafitaka io ianao ilay nandefitra tamin'ny hadalany ianao tsy resy akory f'izao no tadidio vonona aho hanavao ny toerana nialàny ianao ilay oriory voarombaka fitiavana ianao ilay nanaja olon-tiana tokana? ianao tsy irery akory na dia mivesatra fandavana mbola tiako foana ka toneo ny fo tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-manoratra-aho
RAHA MANORATRA AHO...
Fredy Jaofera
RAHA MANORATRA AHO... Raha manoratra aho, tsy hitantara ny zavatra lasa, raha manoratra aho, tsy hanambara zava-boakasa, raha manoratra aho, tsy fitia ny hanoratra fotsiny, raha manoratra aho, tsy rediredy atao ranofotsiny ! Raha manoratra aho, tsy anehoana fa hoe malahelo, raha manoratra aho, tsy amoahana fa mam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/landy/hikorisa-hatrany
hikorisa hatrany
landy
mivonona ianao ry ranomaintiko sao lany fa hiainga indray isika izao hivetso ireo any ho any Mitombo mantsy ity ny taona ny aingam-panahy koa toy izany mbola misy ary eo foana vonona hikorisa hatrany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyaritra/mety-aho
mety aho
Nyaritra
mety aho... eny mety aho hameno indray ilay fitiavana efa ritrany dia aoka ianao hihaiky fa tombony ho anao ny korana izay tsy vitany dia hotohizantsika fitia safononoka ny enintsika anio ka ny lasa izay honerana no rano mpanadio
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ataoko-ahoana-1
ATAOKO AHOANA...
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
ATAOKO AHOANA… Ataoko ahoana intsony moa Ny mbola hanantena indray Ilay voankazo tsy namoa Mendrika ny hatao kitay Ataoko ahoana ihany koa Ny fanantena ny tsy hisy Ilay voankazo efa lò Moa hety hiova ho ranovisy? Ataoko ahoana hoy ianao Raha ianao no tamin-toerako Moa ve misy azo atao Raha tapitra ny fandef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/landy/amiko-4
amiko
landy
mbola satriko aza ny hahaizako anao lalindalina kokoa fa ianao no mahalaza ireo izay mety vaovao manodidina ny fo Roa volana eo angamba no naharetan'ny fotoana nifandaozantsika dia tsapako aho hoe banga mangina sady moana rakofan'ny hatsiaka Hay n'inon'inona hanjo ahy tsy ho tantiko na oviana ny tsy hanor...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/mamafaza-voa
MAMAFAZA VOA
Toetra RAJA
MAMAFAZA VOA Mamafaza Voa Ka aza Mamoy fo Raha tojo Sarotra Sy rojo Hamatotra. Mahereza Saina Meteza Sombinaina Mitrakà Faingana Hizaha Izay ombana. Hahazo Voka-tsoa Hazo Fihinam-boa Fanatitra Amin'ny fo Rakitra Avo loha. Mamafaza Voa Hilaza Teny soa Handrombona Tsy hadino Hampiombona Ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/sambatra-hoaho
SAMBATRA HO'AHO
mahorani
SAMBATRA HO'AHO Sambatra ho'aho Ireny olona ireny Miaraka ombieny!! Mba izaho hono anie No manana re Olona tiana Izarana hafaliana!!! Sambatra ho'aho Ny manan-katao Isan'andro izao Mifaly mazàna!! Mba izaho hono nama No mana-karena Tsy miandry omena!!! Sambatra ho'aho Ireo manana namana Mba iarahana I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/sambatra-hoaho-2
SAMBATRA HO'AHO
mahorani
SAMBATRA HO'AHO Sambatra ho'aho Ireny olona ireny Miaraka ombieny!! Mba izaho hono anie No manana re Olona tiana Izarana hafaliana!!! Sambatra ho'aho Ny manan-katao Isan'andro izao Mifaly mazàna!! Mba izaho hono nama No mana-karena Tsy miandry omena!!! Sambatra ho'aho Ireo manana namana Mba iarahana I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/mbola-hisy
MBOLA HISY...
Ryana
MBOLA HISY... Misy andro, indraindray, Zary toa nifamotoana ny olana sy ny ankaso Ka miara-manao haody eo an-tokonanao; Toa nifanome teny ny aloka sy ranomaso, Ka indreo fa mitambatra: maizina ny andronao; Ny anjara ve no efa ratsy sa izay no voalahatra, Efa voasoratra any ve sa izay no jadon’ity tany? Satria a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/landy/amiko-5
amiko
landy
mbola satriko aza ny hahaizako anao lalindalina kokoa fa ianao no mahalaza ireo izay mety vaovao manodidina ny fo Roa volana eo angamba no naharetan'ny fotoana nifandaozantsika dia tsapako aho hoe banga mangina sady moana rakofan'ny hatsiaka Hay n'inon'inona hanjo ahy tsy ho tantiko na oviana ny tsy hanor...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanina-1
FANINA
Fredy Jaofera
FANINA Ratsy aho tsy tiany, tsara aho tsy zakany no sady izay ampiany 'reny sakantsakany ! Ory aho tsy hitany, ravo aho tsy sainy, ka jereo ny vintany, tsy amin'izay ilainy ! Kivy aho tsy reny, nihira aho voafosa, ka aleo tsy miteny fa mbola nahosa. Resy aho tsy tanty, tafita aho voalatsa satria toa poak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahatraina-omega/ny-faniriako-1
NY FANIRIAKO
Vahatraina Oméga
NY FANIRIAKO Zavatra tokana no faniriako diany hahita foana ny tiako ny eo anilany no fifaliako. Ny hahita maso ny hendriny soa no fahasambarana amiko koa Ny hanatri- tava ilay tsy mba roa. Sarotra lahy ity lala-kombana ny fo ao anaty no toa mamanala lavitra mantsy ilay fihantahantana. Fa ny fanahiko no toa m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/ny-reny
NY RENY !
endrika01
NY RENY Ny Reny no fitaratra Mampiseho ny tena izy Toy ny tondro avaratra Ka mailak\'izaitsizy Raha mbola tao akibo Dia nomeny anao ny trano Toy ny trondro anaty dibo Tsy mataho-milomano Nandrtitra ireo volana Nitondrany anao am-bohoka Tao ny tahotra ny olana Fa hoe:sao ianao mihohoka Vao tonga teto an-tan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/ry-ho-avy-mistery-ianao
Ry ho avy, mistery ianao
Rajordri
Nefa sady kosa antenaina mbola ho avy ireo anio ho lasa omaly, andrandraina hitondra aina na hamotika ny saina. Eny e, ireny lasa ireny efa vita tsy hay intsony toa toloko tsy hamony sady hafaliana vao hamelana mampisandratra fitserana sy antsoantsom-pandresena. Fa ny marina ry ho avy O mistery ianao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/fandeferana-1
FANDEFERANA
RIJADOLLY
FANDEFERANA Tsy resy akory ianao Rafandeferana Tsy resy akory ianao raha toa ka irery Aleo ho azy ny toerana Raha donginy samy irery Ho voatsindrona ny fonao Rafandeferana Raha mihondrika milefitra tsinjon-defona tsy azo ferana Izany no niharetan'Mpandefitra Mahafantatra ny tsy rariny ianao Rafandefera Ka ten...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/am-pahanginana-sans-bruit
AM-PAHANGINANA
Ryana
AM-PAHANGINANA Noforonony daholo izao rehetra izao Handresy lahatra azy, Fa hoe ny anjara fiainany, diaviny hatrizao, Tsy hoe helo na hoe sazy; Ny hany hoe madilana, eny an-tsefatsefany eny, Dia toa manaloka, mibahana Ireny tovovavy soa, miendrika anjely, Mitady anao mba ho namana; Efa hainy izay ho tohiny, N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fara/tsy-tia
TSY TIA...
FARA
Aza atao mahakivy, na mampiondri-doha Ny vavan’ny tsy tia. Aza atao maha ketraka, na mampiova akory, Satria ho leo ireo. Tsarovy f’eto an-tany tsy ilaozan’izy ireny. Aza atao mampitofezaka, mampirotsaka tomany Fa fialonana daholo no ao an-dohany ao. Mikatraka hatrany ny hamingana anao. Tadidio fa.... Na ilay n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/sambatra-hoaho-1
SAMBATRA HO'AHO
mahorani
SAMBATRA HO'AHO Sambatra ho'aho Ireny olona ireny Miaraka ombieny!! Mba izaho hono anie No manana re Olona tiana Izarana hafaliana!!! Sambatra ho'aho Ny manan-katao Isan'andro izao Mifaly mazàna!! Mba izaho hono nama No mana-karena Tsy miandry omena!!! Sambatra ho'aho Ireo manana namana Mba iarahana I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fara/fivavako
FIVAVAKO
FARA
FIVAVAKO. Niezaka aho, nikiry biby Nitady izay rehetra mety. Nefa tsy kinendrinao Ka dia indro aho fa voafefy. Raha izay no tendrinao dia ; Hionona ny foko Izay no zava-mahasoa Ka manaiky aho re ry Tompo. Omeo ahy ny fo mionona; Omeo ahy ny saina tony. Hialàko sy hiodonako. Izany famoizam-po. Ianao ihany r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramy-rabefitia/ny-ranomasonao-1
NY RANOMASONAO
Ramy Rabefitia
NY RANOMASONAO 1 - " Sivy amby roapolo Marsa…fito amby efapolo. Raha mbola malagasy, mahatsiaro an’io daholo. Fotoana nanoherana ny fanjanahantany, Kanjo habibiana no setriny avy hatrany. Tsy tanty ny alahelo, nitomany ianao ry Nosiko Zava-nisy izany, tsy angano na hoe nofiko. Tsy ranomaso anefa, na dinitra tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/ny-29-martsa-ko-remix
Ny 29 martsa-ko remix
Sitlo
Hazo mahitsy maromaro, vy maranitra isa-tendro, ny fo midoboka mikalo, tsisy tahotra sy fendro. F'efa tamin'ny hazazany no nahitany ny tsy mety. Ny rainy lasa any ho any, hilanja zioga an-tanety. Tamin'ny fara-lohataona, nanjombonjombona maraina, ny iray tanàna no nisaona nahare fa tapitr'aina. Tomany izy t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimalala/ho-anao-6
Ho anao
arimalala
izao tontolo izao na tsara sady kanto dia indro babangoana raha tsy eo ianoa... tiako hobanjinina hatrany ilay endrikao izay mamiko na ho levona aza ny tany tsy ho ritra ny fitiavako! ory loatra izany foko irery lavitra anao antenaiko anefa fa tsy ho ela hifankahita izaho sy ianao lavitry ny maso hono ka l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fara-mananjandry/ny-fahatsiarovako-azy
Ny fahatsiarovako azy
Fara Mananjandry
Ny fahatsiarovako azy… Nikalo ny fitiavana izy, nihira ny firahalahiana, Tononkalo no nasetriny ny tolona sy fahoriana, Mbola hira ihany koa no nateriny eny am-pasana Hampionona ny fony namoy ireo havan-tiany lasana… Ny fahaizany mamehy an-teny fohy ny ao am-pony Ka mandrindra azy ho kalo dia efa tsy ambara intso...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/fako-kely
FAKO KELY
Toetra RAJA
Nosoratana tao aorian’ny fandaminana adim-piangonana. Tsy nitsahatra niady mantsy ny olona tao, na nandritry ny fivorian’ny birao sy Komity izany na tamin’ny fivorian’ny mpandray. Namory ny olona ny Mpitandrina ka nazavainy fa misy fako kely voatahiry ao an-tratran’ny tsirairay ka mila alefa any amin’ny fanariam-pako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina77/fitia-fahiny
fitia fahiny
AINA77
Eh izany fahiny Lay endrikao tena kanto Indrisy anefa ankehitriny Niova izany tato ho ato Fony isika vao nifankalala Tsy mba nifankafoy Nifampiantso hoe malala Na maraina na hatory Angamba hoy aho adino izany Adino, eny tsy tsaroany Fa angamba any ho any Misy mambabo ny fony Tsy misy azo omena tsiny Amin’...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/raha-sendra
Raha Sendra
Pissoa
Raha sendra Raha sendra tafahoatra, mandoro ilay masoandro Ka mila hitanondrika ilay raoziko tanora Dia iangaviako ianao, aza angatahina andro, Fa mba alokalofy hitombo moramora. Raha sendra ka mijijy ny orana, vaventy Ka mila ho torotoro ny raviny malefaka Dia iangaviako ianao, aza avela hirenty An’ivom-pahara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/ny-eto
NY ETO
Sunny
Ny eto aloha hatramin'izao mbola tianao hatrany, ary mbola miandry anao any an-tany lavitra any Ihany koa hiaky foana fa mahery ny fitia; tsy maintsy hisy ny fotoana hiverenanao aty! Ny eto aloha fantatrao mbola mitana hatrany ny dina toky 'zay natao teto imason'ito tany Ihany koa tena mino fa toraky ny et...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/gasikara-2
GASIKARA
Toetra RAJA
GASIKARA Misy toerana Malaza Tena fanaperana Aza, Ary akanin- Java-tsoa, Sy ny hanim- Pitoloha, Ny harena Mierinerina Moa tsy Edena Tafaverina ? Zava-bita Nanahary Mbola hita Miharihary. Misy kosa Noforonina, Miavosa Tsy voatonona, Na tanàna Na ny saha, Ny "lalàna" Koa angaha... Fari-tazana Na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahatraina-omega/vavaka-ho-anny-nosiko
Vavaka ho an'ny Nosiko
Vahatraina Oméga
Vavaka ho an'ny Nosiko Zanahary ô!ry Andriamanitra inoko, Mba jereo re ka angoray ity taniko tsy foiko, Fa tena trotraky ny jaly, mitalao re ka vonjeo, mba henoy ny fitarainana, ny fangatahana hekeo. Mba aoka re izay ireto onjam-pijaliana Fa mba atolory kosa na dia hoe : sombim-pifaliana, Fa tena reraka tokoa fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/ny-maso-sy-ny-camion
Ny maso sy ny camion
Sitlo
Ny maso sy ny camion toa tsisy idirany hoy nareo, Fa mba vakio kosa ange ny fitovizan-dry zareo. Raha toa ka tsisy maso ianao dia tsy hahita camion. Raha toa ka tsisy camion dia tsy hahita camion. Ny olona tsy misy maso, mety handona camion. Ny camion no tena loza fa mety handona tsisy maso. Raha mpamily ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimalala/tiako-ianao-rahavako
tiako ianao rahavako
arimalala
Tohina ny fo raha hamaly Mbetika toa faly Tampoka sadaikatra... Moa ve mendrika ahy ny fitiavanao Ka ho sahaza ahy ny fanomezanao? Nefa raha ho fanomezana an-tery Aoka ihany tsy ho tsiny! Ndrao tsy mitondra soa ka Ho zary fombafomba ihany Raha ho fitiavana indramina, Aza atolotra ahy akory Raha mba fantatrao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/mahagaga-fa
Mahagaga fa
njaf
Mahagaga fa zary lasa nofy tsy afaka eto imasoko izato endrikao zary hirahira miritsoka ato anatiko ilay fiteninao zary tsinam-bolana tsy afaka amin'ny aliko ny fitsikinao masoandro mibaliaka manazava ny androko ireo fijerinao fa ny tena tsy afako ... ... dia lasa sarobidy sy tsy afaka ato anatiko ny hitia a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-marina-1
NY MARINA
Fredy Jaofera
NY MARINA Ny marina toy ny vato am-balam-parihy raha tsy hitan'ny angady fahavaratra, hitan'ny antsy raha lohataona ; ka tsarovy fa na navalona anaty tsihy tsy hipoipoitra na ho hita taratra, aza hadinoina fa ho hita foana !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahatraina-omega/ny-hira
Ny Hira
Vahatraina Oméga
Ny Hira Misy zavatra iray sarobidy Fiononan'ny ory ampanahy, Fisambaran'ny tojo mangidy, Mpanafana ny ngoly tsinahy, Dia ireo Hira mpanala ny seto, Dia ireo Hira fikalo ny fo, Fa raha mbola amin'ny fiainana eto Tsy maty io fa lovasoa. 'Reo niangaran'ny vintana roy Ka darofan'i rafahoriana, 'Zany Hirany anie ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina77/embona-6
embona
AINA77
Arivariva antanin’olona Singatsinga manirery Tapakevitra aho fa amorona Fa tsy asiko lohateny Teo ambaravarankely Ra vao tonga ny maraina Siontsiokam-boronkely Mamelombelon’aina Tsy adinoko amin’izany Ny mangatak’amin’i Ray Ilay nanao ny tany Mba ho soa mandrakizay Rehefa vita nefa izany De alefa indray ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/todisoa-ndremiranga/aniza-ary-aho
AN’IZA ARY AHO
todisoa ndremiranga
An’i Dada ve? Ilay nanabe sy nanolokolo Ny fiainako rehetra, ny hoaviko manontolo Kanefa tsy mba mahalala ny hetsim-poko akory Na hafaliana, na alahelo, tebiteby, sorisory. An’iza ary aho? An’i Neny ve? Ilay nitondra ahy an-kibo tamin’ny sivy volana Ireo fahoriany maro sesehena, tsy mba nasiany olana Kanefa ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ny-foko-no-voafantsy
NY FOKO NO VOAFANTSY
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
NY FOKO NO VOAFANTSY Jerena mahafinatra Toy ny kintana eny an-danitra Mahasarika ny saina Kanefa tsy azonao alaina Irony fanjam-boninakazo Toy ny hoe “tsy halazo” Ka midola sy milanto Izato indry akia ry Kanto Maniry manitra toa orona Maniditsidina toa vorona Izany saina amam-panahy Mieritreritra tsy nahy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahatraina-omega/iny-hono-izy
INY HONO IZY
Vahatraina Oméga
INY HONO IZY Iny hono izy ry antsiva mandalo Mba rotsirotsio amin-kira sy kalo, Fa trotrak'itony ankaso mavany Ka indro misento sy vonto-tomany. Fa niteli-mangidy noho ilay fandrika tsy hita Satria naka toky fa hoe ho tafita, Kinanjo indrisy fa rendrika an-dalana 'ty lakana kely natao hifaharana. Ento hanaraka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina77/indray-andro-ee
indray andro ee
AINA77
Indray andro izay Ra ande ody ho any amiko Dia nisy olona iray Nambabo ny fanahiko Teo ampiandrasan-jotra No nahitako an’ azy Hitako izy fa tsotra vonona aho ny hanantona azy raikitra ary ny arahaba miaro tsiky kely hitohy ary ny tanatara fa aza misy miteniteny toa ny mahazatra manko samy milaza ny anaran...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahatraina-omega/hafatra-9
HAFATRA
Vahatraina Oméga
HAFATRA Volana o! O! ry volana ambony, Mba jereo re ity fo tsy mitony, Mahatsiaro ilay Tany niaviana, Ilay ankany mbola hitodiana. Embona, sentosento tsy tana Mahatsiaro ireo any an-tanàna, Volana o! mba lazao any izany, Fa izaho anie ka misento tomany. Ho avy hoe tsy ho ela fa andraso, Hihaona soa samy hifa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimalala/raha-12
Raha...
arimalala
Rahatsy ho ahy intsony Ilay fitiavana ao am-pony Fa tapaka ny tady Dia izao no fara teniko... Tsy neniko akory ny niarakanay tsy hataoko tsy hampatory ny fisarahanay fomban-tanyizany fiainana iany koa tsy hataoko mamparary hatrakako ny loha Fa any andro iray izao fahoriana izao ho foana sy handao ilay ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/lehibe-izahay
Lehibe izahay
Pissoa
Lehibe izahay Ry lalanay fahiny tery amoron-kady Niatrika ny angola, ny tsiky, sangisangy Niaraka niaritra irony ady, tena ady Izahay toy ny adala ... nifanasa vangy. Mahatsiaro anao izahay ! Ry rano mikoriana tery an-dohasaha Nihaino irony voady mba nifanaovanay Ny fifanomezan-toky hiara-misalahy, Hamakivaky ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/todisoa-ndremiranga/ny-ho-fahazazana
NY HO FAHAZAZANA
todisoa ndremiranga
Ireny lalao fanao fahizay Mandalo ihany, tsy ho mandrakizay Ireny soamiditra, tsikonina omaly Mijanon-ko tsiaro, fitia mifamaly. Ireny fihantana fanao fahazaza Mandalo ihany, toa olo-malaza Anio volamena, rahampitso ahitra sy akata Satria miova andriana hono, miova sata. Diso hevitra hianao, raha ho zaza foana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/todisoa-ndremiranga/sadikaim-pahalalana
SADIKAIM-PAHALALANA
todisoa ndremiranga
Sadikaim-pahalalana, ady hevitra milona Tsy mampiraika akory, anefa mampirona Sadikaim-pahalalana, natao hoan’ny rehetra Na ny kely na ny be, tsy mba misy fetra Aingan’ny fanahy, ary elatra anio Sadikaim-pahalalana, rahampitso tadidio Miova hevitra sahady, tena miova ilay famindra Lasa avonavom-be, lay fomba teo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nanantena
NANANTENA
Fredy Jaofera
NANANTENA Nanantena tsy ho tratran’ny alok’akoho iny tangena nivadika adala vao nisy nanjo. Nanantena tsy ho tratran’ity maizim-bolana ka nihenahena vao niantso vonjeo sy nisolantsolana. Nanantena tsy ho tratran’ny kapoka marina ka nivembena vao nifosafosa sy mba nivarina. Nanantena tsy ho tratran’ny andr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/ny-marina-an-tany
NY MARINA AN-TANY
Sunny
Afenina foana tsy hohitam-bahoaka ny marina an-tany, kobokobonin-tsy avela hivoaka, tsy rariny izany! 'zay olona hendry mikaroka izany vonoina ho fay enjehina ambony,enjehina ambany tsy hoekenay! mba inona loatra no tombon-tsoa azonareo? valio izahay...f'izahay aloha dia tena efa leo lozanareo! afenina foa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfrbinahkoely/hitalahoako-ray-o
HITALAHOAKO RAY O!
RFR(binahkoely)
Fa ankiniko aminao Ry Raiko tokana mahery Ity anjaran-janakao Tantano tsy ho very Ilay nofidin'ny foko No hitalahoako izao Ilay tiako tsy ho soloiko, Ho entiko anatrehanao Fa ianao irery ihany, No itokiako sy antenaiko Hamaly izany vetso izany Hetaheta nandrandraiko Iny tokana, iray Tena tiako fa NIRINA E...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zana-drafy
ZANA-DRAFY
Fredy Jaofera
ZANA-DRAFY Zana-drafy ka nihafihafy, navelavela teny ho sisasisan-dreny. Zana-drafy ka natafitafy sento sy tomany tsy hahita akany. Zana-drafy ka nafafifafy fosafosa foana isaky ny mihaona. Zana-drafy ka mafimafy ny latsalatsa azo namoaboaka tazo !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/todisoa-ndremiranga/diam-peniko-1
DIAM-PENIKO….
todisoa ndremiranga
Diam-peniko hanjafy, hanaron-dratra anaty Amboarako ianao, eny mandra-maty Tsy mba mety ritra, tsy hisy fahataperana Mandrakotra ny tava, tsy mba azo ferana. Misy ny manjo, takonan-drahona Ianao mampitony, ianao amborahana Misy hafaliana, ndroko misava Ianao tsy hadino, fanilo hanazava. Ny hoaviko rehetra, anki...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/todisoa-ndremiranga/fiainana-izany
FIAINANA IZANY
todisoa ndremiranga
Kodiaran-tsarety hono ny fiainana an-tany Mivadika ambony, mivadika ambany Ngidy sy mamy hono tafaraka hatrany Ka indraindray ianao faly, indraindray kosa tomany. E, aza atao mahakivy fa….. Fiainana izany!! Misy fotoana ianao kivy aok’izany Eny, manao mihitsy aza hoe: ‘’ Tsy anjarako angamba Ratany!!. ‘’ Nitamb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/dobo-manga-roa
DOBO MANGA ROA
Toetra RAJA
DOBO MANGA ROA Tany an-toerana Nombako Niserana No nahitako Dobo manga Roa miery Naharanga Ny fijery. Na fihinin' Ny zozoro Hodidininy Tsy atoro Dia tsikaritra Ihany Nahafinaritra Aok'izany : Voaloko Kanto ery Mampifoko Foko tia Sady vita Nanahary Tsy fahita Amin'ny sary Ao an-tsaha Meva ery ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/hay
HAY
Vanjanofy
HAY Nisy fiovana ny ngadon’ny tany va re sa ny foko no izao vao mitia? fa toa tsy haiko tsony ny hanavaka izay hoe rano manonja sy dobo maria Niova famindra ary ve ny adipaikan’ ny oram-baventy mamonto ny tany no toa tsy tsaroako dia mahery vaika ny sento tarihany izay sesilany? Ô! Ny tany tsy niova, ny rano t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/fiainana-7
FIAINANA
RIJADOLLY
FIAINANA Ny fiainana eto an-tany Dia tsy maintsy hatrehiko Ny fijaliana sesilany Dia tsy maintsy ho potehiko Koa ampio aho rahavako Hiadiko,hanoherako izany Hanazavako ny tavako Hamakivaky ny eto an-tany Ny faharetana etsy an-daniny Dia mbola ho sakelehina Mba ahitana ny vaniny Hanampy atao ho solon-tehina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/nakaiza-lahy
Nakaiza lahy
Aino
Teo ampiandrasana anao izy ny sabotsy maraina, niandry anao niandry anao ela teo izy niherika miankavia sy havanana kanefa indrisy fa tsy tonga ianao Niondrik'izy nijery ny lera Efa mitatao vovonana ity ny andro Ny hanoanana teo ihany, nefa dia niaretany "raha izy no endrasako, dia andriko ny hafa" tsy mbola r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/todisoa-ndremiranga/sombin-dova
SOMBIN-DOVA
todisoa ndremiranga
Ny zavatra rehetra, samy mety ringana Na vola na harena, tsisy ny voadingana Fa ny Teniny irery, io no tsy mba miova Hany mba fananana, zary sombin-dova. Raha ity Tany ity no hanankinana ny fo Anio mety ho volamena, ampitso dia efa lo Fa ny Teniny irery, io no tsy mba miova Tsy fonosi-mistery, io lay sombin-dova...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/tononkira-moana
TONONKIRA MOANA
Sunny
Ry tsara tarehiko: ny foko raha mitepo dia tsy mitepo amin'izao fa mitepo FITIAVANA mitepo ho anao Ry voromailalako: ny vavako raha mihira dia tsy mihira fahatany fa mihira FITIAVANA mihira FITIA sy ny hatsarany Ry mamiko indrindra: 'zaho raha mihira dia hafa ny tonony: tonony mangina fongarin'ny foko, to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/aloka-niserana
aloka niserana
njaf
tsy haiko ny hilaza ilay fotoana fohy nifanenantsika tsy haiko ny hanambara ilay fihaonana iny sy irony zavabita fa ny azoko ambara dia teny tsotra ihany hoe "tsara sady mamy" tiako tsy ho ferana fa tena fanaperana saingy aloka niserana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/todisoa-ndremiranga/hoavinao-banjinina
HOAVINAO BANJININA
todisoa ndremiranga
Raha mbola misy tsiky iray, hanenika ny tava Dia ambarako aminao etoana, aoka mba hazava Fa tsy ho foana tsy akory ilay fanantenako Hoavy mamirapiratra no ho eo am-pelatanako Fa raha mbola any hianao, manodidina ahy Tso-dranoko aminao, Andriamanitra anie hitahy ! Na izaho na hianao, amin-javatra rehetra Na amin’...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/inona-no-nisy-raha-tsy-nitia-anao-aho
INONA NO NISY RAHA TSY NITIA ANAO AHO
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
INONA NO NISY RAHA TSY NITIA ANAO AHO Misasak’alina aho mbola tsy nopizin-tory Fa nipitrapitra irery nisaina anao mangina Mieritreritra ny ho avy sy izay mety anjarantsika Na lohataona mahamay na ririni(na)-mangatsika Raha ny sitrako angamba izao dia izao dia ho any Fa raha izay halaviran-tany tsy ahasakana ahy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/christian-rakotovao/mionona
MIONONA
Christian RAKOTOVAO
Na ny embona ny lasa Na ny tsiahy ireo fahiny Zary lasa toa mandatsa Sy mihantsy ankehitriny Na ny fo mangitakitaka Na ny saina mahatsiahy Dia mahatsiaro toa voafitaka Ka mionona am-panahy Fa ilay tiana dia nandao Ka nifindra an-kafa indray Fa nanao toa kilalao Izay niarahana hatrizay Ilay malala izay nihaf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/j-nalisoa-ravalitera/tontolo-feno-anao
TONTOLO FENO ANAO
J. Nalisoa RAVALITERA
Ny ao anaty nofiko Na any an-tsefaky ny rofiko Heno foana ianao! Na an-toerana mangina Na eny am-pivoriana Tsaroako foana ianao! Na toerana ialàko Na lalana ombako Dia misy ny alokao! Izay rehetra alehako na fotoana hatrehiko Toa ahitana anao! Ny marina dia izao TONTOLO FENO ANAO Izao tontolo izao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/embona-5
EMBONA
Fredy Jaofera
EMBONA Ny orana ity mitaika, izaho anefa saika mba hiasa vetivety saingy toa tsy nety, fa embona no tonga sy indro nampironga ny alahelo mafy anao nanadala tao ho ao !... ...Dia kotroka no re narahina oram-be nampijafajafa sy nahahafahafa, kanefa moa mba ho aiza ?... Fa hoy aho, mahaiza mionona, ry anjar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ifanomezantsoa/hafatri-dada
HAFATR'I DADA
Ifanomezantsoa
Anaka ! Hifarana eto ny tantara Nantenaiko mbola hitohy. Tsy haiko intsony izay ambara Ka ranomaso no mijohy. Efa natolotro avokoa ‘zay kely mba nananana. Nampandefitra hambo-po Nandady tongotra aman-tanana. Nosakanako i Neny tsy handrava ‘zay niarahanay nanangana, mba hitsinjovana ny zaza miferin’aina sady...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toy
TOY
Fredy Jaofera
TOY Toy ny voninkazo 'zay mety malazo ny fitiavako anao ka ambarambarao. Toy ny domohina 'zay mety soloina : avela eo no ho eo fa niharatsy feo. Toy ny korana izay mety fafana, ka lasa nahakivy no feno voangivy. Toy ny tantara manam-piafara izay ela ny ela ka tsisy tavela.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/afrika
AFRIKA
Fredy Jaofera
AFRIKA Mampahonena fa tsisy famonjena ny mahazo ny Afrika tsy lavitra antsika ao anaty hanoanana tsy misy fiadanana ; ao anaty hotakotaka mampirongatra rotaka ; ao anaty adiady, fanimpanina mitady ary ao anaty mosary, tsy tsara amin'ny sary ! Mampahonena ka dia mandena ny masoko roa ny nahita avokoa ir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dieudonne-randria/aleoko
Aleoko
Dieudonné Randria
Aleoko mihitsy mokobona fery ao anatiko ihany. Aleoko mihitsy tsy misy mpitsetra rehefa tomany. Aleoko ny fo sy fitiavana kely izay efa mba ahy, hanorenako mànda tsy mety mikoro ao anaty fanahy. Fa halako loatra ny hanivaivàna ny dina-pitia. Halako loatra ny fanovaovàna izay efa nitia. Ka aleoko mangina tsy mitsa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/ianao-foana
IANAO FOANA
Ryana
IANAO FOANA Efa nofehezina ny eritreritra tsy ho any, Niezaka ny hanadino; Ary dia namehy tena tsy hisaina na hanontany Hoe nahoana ny foko no mbola mino; Saingy ny anaranao Sendra henoko niserana Dia ampy nampisavoara tsotra izao Ny atifoko, tsy hay noferana… Efa mba nisikina hery ka namadika ny pejy, Ny ami...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masofahatelo/avia-1
avia!
masofahatelo
Avia! Avia ety akaikoko mba ho fihinina Ny masonao balika Mba tiako ho banjinina Ny foko mitempo mba te hikiakiaka! Avia eto anilako mba ho tsapatsapina Ny tavanao sariaka Mahalasalasa saina Mapitsoaka ny hatsiaka… Avia ety amiko fa zaho te hiofana Ny molotrao malefaka Mba tiako ho tohofana Faniriana fa tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimalala/lasana-1
lasana
arimalala
dia lasana ianao lasa ka nandao nandratra ity foko izay vonton'ny toloko... lozanao ry tany fa natelinao any ilay mba hany havako mba hany fitiavako hiezaka aho hionona ary koa tsy hanonona tsy hitanisa intsony irony lasa irony hivavaka aho hahery hahay hizaka irery ny ngidin'ny mafaitra sy mafy izay tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/fiainana-o
FIainana o
Rajordri
Fiainana O, onja ve ianao ka naharendrika ahy, sa torimaso ka naharendrika ahy sa hery toa tsy haiko ka manery izay tsy tiako, Toa avarinao kisendrasendra, ireo mba mamy tao am-poko nokosehinao hanjary lasa, ireo izay mba nandrandraiko. Nefa ry fiainana o mbola hantenaiko ianao raha mbola misy koa ny ampitsoko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/isika-1
ISIKA
Fredy Jaofera
ISIKA Isika dia natao hifampitrotro am-bavaka, n'aiza n'aiza sao ny diavina any an-davaka. Isika dia najoro hifampitantana eran-tsaina sy afaka hifanoro rehefa very na mangaina. Isika dia narindra hifampitsimbina ho doria sy ny hiray famindra raha eny an-dalan'ny fitia. Isika dia natefy hiombom-po amam-pa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimalala/lavitra-2
lavitra
arimalala
lavitra ny tiana misento manirery ny maso no variana ny saina verivery any ianao zay ry tiako lavitra ahy ny foko mitomany tsy afaka mankany ny hany antenaiko ry tiako sombinaiko hoavy ny andro iray hiaonantsika indray amin'izay ny foko hifaly ka hifarana eo ny jaly hifarana hatreo ireo sento sy toreo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/adala-hoy-aho
Adala hoy aho
Pissoa
Adala hoy aho Adala hoy aho ny manina, Adala ... matihanina ! Fa na ny alina mikitroka Na ny andro mibalika Na ny hariva misariaka Dia taratra, mandifotra Ny masony jambena Ny maitso - fotsy - mena. Adala tsy ho sitrana, ... Sa adala manam-bintana ? Fa ny rano mikoriana Eny andohasaha eny Heveriny ho miten...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arimalala/raha-izay-1
raha izay...
arimalala
Raha izay ry aiko Ry tiako sy lalaiko No fantatrao fa mety, Ndehana ka soava! Ny vavako hikombona; Ny foko koa hionona Ka veloma sy masina MAsina ianao ry tiana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hazo-fijaliana
HAZO FIJALIANA
Fredy Jaofera
HAZO FIJALIANA Hazo fijaliana raha iny olona iny anefa dia irariana hahazo izay iriny. Hazo fijaliana ny very sy ny simba anefa dia tsy tiana ny hanimbazimba. Hazo fijaliana ny setrasetra maro anefa dia ihafiana, ka hafatrafaro ! Hazo fijaliana ny ady tsy nahasoa anefa dia itafiana kalokalo tsara koa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masofahatelo/fivoarana
fivoarana
masofahatelo
Fivoarana Mbola maro ireo tanora Izay revo @ hadaläna Ny fivoarana isan’ora Na an-tsahy na an-tanäna Eny fa ana ireo efa zokiny aza Dia mbola ireny f a manjohy; Manara-jambena mitovy ny zaza Toa ratsy, toaz tsara, avela tsy foy! Ritafy mivoatra, maro no haitraitra Ny vehivavy indrindra no mpanao ireny; Rha h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masofahatelo/raha-toa-2
raha toa
masofahatelo
Raha toa.. Raha tokana no dify; Aza kivy toy izao; Sanatriavo ny hitampify Fa hatrakao ny lohanao! Raha toa izy no nitsoaka Dia safidy ny azy izany; Tsy ianao no nandroaka Ka fafao ny tomany! Ilay fitiavanao azy Izay nafonja dia nafonuja; Tsy kilalao na vazivazy nefa izy nentin”ny onja! Mbola ho tsaroany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/ity-foko-2
Ity Foko
Pissoa
Ity Foko Te hitsimbikina ho hita Hampatsiahy ny efa vita Fa hany atao mangitakitaka ... Tia izy mantsy fa voafitaka. Te hanantena fa fefeko Mitempo mafy fa toneko Dia mbola injay mibitsibitsika ... Tia izy mantsy fa nailika. Mitady anao fa notoheriko Mbola miandry fa bedesiko Mangahiahy sy vasobasoka ... Ti...