url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rold/tompo-o-3 | Tompo ô! | Rold | Tompo ô!
Tompo ô! Hifonako aminao
Ny zava-bitako tsy sitrakao
Mibebaka aho mitalaho
Fa nanao ny tsy fanao
Tompo ô! Jereo ‘ty zanakao
Mangata-pamelana aminao
Mitady famindram-po
f’efa olona niova fo
Tompo ô! Tompoina ianao
Deraina anie ny anaranao
Ny didy folo izay napetrakao
No fefiko manomboka izao
finday... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/dekilarasionina | Dekilarasionina | Volatiana Rahaga | TIAKO izay rehetra milaza momba anao,
IANAO lay silako any, andrasako iantsapazako.
NA fantatro aza fa lavitra sy dezaka,
TSY tratrako na hifofotra sy hiezaka.
HO ataoko kely sy tsy misy izao tontolo zao
AHY koa na sombiny no ieverako ny aminao.
TANTERAKA amin'izay fotoana zay lay mety ho hasambarako.
(...)Izay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/anjara-sa-fitiavana | Anjara sa Fitiavana? | Volatiana Rahaga | Fo roa tsara vintana,
Vy roa tsy mba mikitrana,
Fa toa mifanome hery,
An-tsitra-po fa tsy voatery.
Saina roa ivohon'ny vato,
Mifampiresaka tsy miato,
Tsy matahotra alavirana,
Anaty haizina mangirana...
Fanahy roa mifampitady,
Sanatria hivarina an-kady
Izay tsara indrindra no omena,
Tia fotsiny tsy tia tena.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/tia-toxico-manina | TIA TOXICO-MANINA | Volatiana Rahaga | (...)Raha tratrany:
Mianjeranjera, mifatratra any an- tatatra
Mihiaka, mitomany, mihatatra...
Mipôripôrina fandeha,
Mibadabada mampihomehy,
Misalebolebo te hivoaka
-'lay rediredy mamo toaka-
Jambembena andro mazava,
Manao fijery mamo lava.
Mivolambolana ny marina,
Miaraka amin'ny feo farina.
Badenidenina ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/tanindrazako | TANINDRAZAKO | RIJADOLLY | TANINDRAZAKO
Tanindrazako tsy foiko
Tanindrazako tsy hadinoiko
Nolovaiko tamin'ny Razana
Ka tsy avelako ho ngazana
Tsy omeko ny vahiny
Mba tsy hananako ny tsiny
Toheriko,foanako izany
Tsy hatakaloko harena ny Tany
Raha any an-tany lavitra aho
Sanatria ny hitia vao
Manina Ilay niaviako
Ny taniko no tena tiak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rindra-fsn/rndr-t-i | ---- rndr t i --- | rindra fsn | maty
ankaranany
le akoho kely
dia ny foko
satry
ho tsapany
toa irery
ka toloko
ratsy
toetra
aho omaly
diso aho
ka tsy
hitoetra
androany
fa andao
six |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/fitiavako-adala | FITIAVAKO ADALA | Ryana | FITIAVAKO ADALA
Misy hilaza fa tsy marina,
Fa heloka sy fahotàna;
Fitia robahina, angalarina,
Mandika didy fandraràna;
Misy hilaza ho hadisoana,
“Fotoana nahavery saina”
Angamba ho dila, tsy ho tsaroana
Rehefa hifoha ny maraina;
Misy hilaza ho sangisangy,
Fanarian-dia, na kilalao;
Angamba nofy… vandivandy,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/voaloham-pahasambarana | VOALOHAM-PAHASAMBARANA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | VOALOHAM-PAHASAMBARANA
Reo sangisaninay, niarahana nifaly
Mbola ho tsaroany, hifantsika ao am-pony
Reo adiadinay, nahatonga fisarahana
Mbola ho tadidiny, tsiaro toa tsy fidiny
Reo teny maharary, izay tena nampijaly
Hiova ho teny mamy, hampangina reo tomany
Reo avonavom-pony, izay tena tsy hita intsony
Hiova ho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanando/satria-tia-anao | SATRIA TIA ANAO | NANANDO | hatramin'ny ora nahafantarako ilay anaranao ry aiko
hatramin'ilay nandrenesako fiteny tsotra, nolalaiko
hatramin'ny andro nahitako ny salovanao sariaka
hatramin'ilay fotoana fohy dia toa masoandro nibaliaka
tato am-poko ianao tontolo : fo, fanahy sy fisainana
tato am-poko ka ambarako fa mendrika ny hitarainana
ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/fa-rehefa-tonga | Fa rehefa tonga... | Volatiana Rahaga | Aleo hiely na hibitaka
Na hatezerana na sitraka.
Avohay aparitaho,
Ny nahafa-po sy nankalao.
Omeo vahana, araraoty.
Ny hetsi-po efa maoty,
Aza refesina, ibahana,
Raha gadra omeo fahafahana,
Ny mangatsiaka hafanao,
Ny tsy be teny ampiresaho.
Efao zay mbola tsy voaloa,
Tohazo zay mivelatra namoa.
Ny maka sis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/avereno | Avereno. | Volatiana Rahaga | Avereno amiko tanteraka,
Raha toa tsy ampy anao,
Ny safosafo, tosy sy fitia...
Na nomeko tsisy tambiny
Aza tazonina ny ambiny.
Raha noheverinao tsy marina,
Raha toa ianao tsy mino,
Ataovy toy ny nofy,
Ajanony aza hitarina,
Rehefa mifoha ianao adino.
Lay "isika" rehetra ireny,
Lay molotra
feno hovitra niteny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/endrika-tsy-fantatra | ENDRIKA TSY FANTATRA | Sunny | Manara-dia anao hatrany
ny fanahy mitady anao
ry Endrika tsy fantatra
hiriny hatramin'izao
fa mitoetra eto ihany!
ô!mifono ankamantatra!!!
mitady ny tsy hita
maniry hasambarana,
anaty nofy mamy
feno filaharana
tonga hatrany am-pita!
ny eritreritro izany
ry endrika tsy fanatratra
ô!toa ankamantatra!
(io no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/miova-loko | MIOVA LOKO | Sunny | Malemy avy hatrany ny heriko anaty
vao sendra ny tsiky lasa tsy nahy
avy eny amin'lahy
ry voromailalako mahafatifaty
mpandrodana nofo...Mpibaiko fanahy
kanefa tsy ho ahy!
Tsy haiko fehezina ny hiran'ny foko
vao tojo ny kalo imolotrao
manify mena;
fa hay hira monja dia mampiova loko
ny hery rehetra anatiko ao.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/taratasy-fotsifotsy | Taratasy fotsifotsy | Rajordri | Indro omeko anao
taratasy fotsifotsy
soraty sy fenoy
izay vetso adala ao amponao.
Indro raiso f'aza miavona
asio sary maintimainty
koa raha tonga izay alina
dia tsy ho hitako s'ianao
ny hevitra ao anatiny ao.
Raha toa re ka azo atao
dia ranomainty miavona
no mba hanoratanao
amin'izay ireo mpamaky
hampandos... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/fo-naniry-ny-tsy-hisy | Fo naniry ny tsy hisy | Rajordri | Tonga ho olon-tiako
ilay felam-boninkazo
ivelan'ny tontolo,
nitondra torimaso
nihelina nandalo
mamiko dia mamiko,
saingy taitra ny fanahiko,
ka indro fa tsiahiko
fa ny ory sy ny manana
dia tsy afak'hiombo-dalana.
Dia nojereko ny fitiavana
raha mba azo hifandaharana
saingy hitako mazava
fa ny vesatry ny fai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rold/ry-vady-malalako | Ry vady malalako | Rold | Ry vady malalako
Ry vady malala tsy foiko
Ianao no fanalahidin'ny foko
Ka na iza hanatsatso na iza hanakiana
Ny fitiavako anao tsy mba ho lo
Satria vita hataka teo anatrehan'ny fianakaviana
sy lasam-bodiondry ihany koa
Ry vady malala tsy foiko
Ianao no efa nomeko ny foko
Na maro aza ireo akanga tsara soratra
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina77/alina-4 | alina | AINA77 | tao anaty alina mangina
no namoronako ity vetso,
teo ambonin'ny fandriana,
tsy mba matory fa misento,
mandefa saina any ho any,
toa very very ny fanahy,
moa e, ve eto an-tany ,
mba misy mijaly toa ahy,
loko tokana no mba tazako,
dia ny maintmainty izany,
ranomaso manenika ny tavako,
ho aiza mo fa eto iany,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/dakadaka | dakadaka | Sitlo | Dakadaka vo
ilay kilalao fahiny
Ka isaky ny mo,
dia dakadaka vo
Batabata vy
ilay kilalao fahiny
Ka rehefa tsy mandihy
dia batabata vy
Kapakapa ta
ilay kilalao fahiny
Ka mahafinaritra ahy
Ny kapakapa ta |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/voniala-namana-serasera | VONIALA | endrika01 | VONIALA
Namana ianao ry i Voniala
Namana tsy mbola fantatro
Izaho anefa tsy hisalasala
Ny hametrak'ireto hafatro
Mandrisika'ahy ianao hiezaka
Mba hanakatr' ilay dingana
Izaho anefa tsapako mifezaka
Ny handeha irery sao misingana
Tsapako fa tsara sady mahasoa
Ny toro-hevitrao feno fitiavana
Angamba mety hisy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rold/taranaki-ratiaray | Taranak'i RATIARAY | Rold | Taranak’ i RATIARAY
Indreto izahay
Taranak’i Ratiaray
Omaly, anio, mandrakizay
Dia ladina iray
Vonona sy sahy
Ny zafin’i Ratiaray
Ka ny fo, saina, vatana, fanahy
Mitambatra ho iray
Ratiaray,
Taranany izahay
Ratiaray,
No razambeanay
Mijoro izahay
Taranak’i Ratiaray
Hifanampy, hifanasoa ‘zahay
Mba ho voni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/efa-tia-enao-zay | EFA TIA ENAO ZAY! | Volatiana Rahaga | Manainga tendrombohitra,
Tsy mahalala tohitra.
Marary tsy ahenoan-taraina,
Tsy matory...manaraina.
Mameno ny tapany ho tanteraka,
Tsy mahalala reraka.
Mandry fotsy voky,
Resy, nefa feno toky.
Sambatra amin'ny tsisy dikany,
Mozika no toa lasa hiakany.
Mahiratra jambena,
Tsy mahatsiaro tena.
Tsy mahalala mion... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hi-hi/adinoiko-tsotra-izao | adinoiko tsotra izao | hi hi | Ny lasa hono momba ny lasa
Ny ho avy re no asa
Vao niainga iny ianao,
Dia nanapa-kevitra aho
Fa hanaraka ny rivotra nitsoaka iny hariva iny
Ny lasantsika sy ny fitia fahiny
Nitomany aho saingy nilaza fa io no farany
ka ho adinoiko tsotra izao ny fitia sy ny fiangarany
Mainka moa ankehitriny
Misy anjely miambin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/maniry-anao-ho-ani-endrika01 | MANIRY ANAO | Sunny | Maniry anao ny foko
maniry anao ho namana
ho namanatsy foiko
tsy foiko ka tantana!!!
mitady anao mangina
mitady ny endrikao
ny endrikao 'lay tiana
'lay tiana tsy hankaloho!
mikalo anao hatrany
mikalo hira vao
hira vao tsy lany
tsy lany am-bavako ao!
ô! sarotrarotra ny dia
ny dia mety ahitako anao
ahitako ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/mba-lazao | MBA LAZAO... | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | MBA LAZAO…
Molotra efa maina ngolin’ny ririnina
Vata-mangatsiaka no sisa nofihinina
Fanantenana rava, no hany novantanina
Valaka ny saina, nahatsiaro fanina
Dia niondrik’izy, nanaiky koa fa resy
Ireo adin-tsainy, no indreo nifanesy
Nandravaka ny fiainany, nameno ny tontolony
Ny fahakiviana, no solon-tsiky teo i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/lanitra-tokana | LANITRA TOKANA | Sunny | Lanitra tokana feno fitiavana
tsy manavangavana,
maro mpaniry tsy misy mpahita,
no hiainantsika
ry mamiko indrindra tsy foiko atakalo
Lanitra tokana feno hasambarana
tsy azo hilaharan'
olona ratsy, maloto fanahy,
no omeko an'lahy
ry tsara tarehiko tokana ihany
ambonin'ny tany!
Lanitra tokana mampifandray
ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/onjampitia/onjaniza-no-anjaka | Onjan'iza no anjaka ? | Onjampitia | lay feonao mibitsika am-poko
Milaza, manambara
ny alahelonao , taraina
Tsy ahy ho zaraina
tsy ahy zakaina
Ra nanonja hatrany anefa
Nivikiviky,
Tsy ahy fefena
Tsy ahy rarana
Tsy voatana
Fa
Nameno ny ato anatiko
Na ho sasana aza ny saiko
Na ho jambaina aza ny masoko
Na ho tapahina aza ny sandriko
Ny peniko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nanando/manantena-fanafody | manantena fanafody | NANANDO | Mitodiha kely fotsiny ry sakaizam-pahalinana,
Te hitafa mora aho hanaisotra ny fahanginana,
Ireo vetsovetsonao na faly na misento, ory!
aza avela hoentin-drivotra fa alefaso hamoha matory.
ny tsy hanoratana intsony? : ny segondra hikimpiana,
tsy hihiratana intsony fa ho am-pasana mangina,
asandrato e! ny talenta,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sambatra-ianareo | SAMBATRA IANAREO | Fredy Jaofera | SAMBATRA IANAREO
(Atolotro an'izay velon-dreny eran'izao tontolo izao)
Mandihiza, ry zareo !...Miderà, mihobia !
Mihirà raha azo atao ! Misaora, mitsikia !
Mivavaha hatrany, hoy aho raha miteny,
raha hatramin'izao eo anilanao ilay reny.
Mitehafa ! Miderà an'Andriamanitra
fa mbola mazava sy manga ny lanitra,
mbo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/saro-kenatra | Saro-kenatra | Volatiana Rahaga | Lavitra anao aho mahatsiaro ho akaiky,
Raha tadiavinao vao maika miery,
R'efa adinonao toa lasa manjokaiky,
R'efa tsy hitanao aho mangala-pijery.
Tsy rarahanao aho vao maika mitady,
Rehefa atsipinao misarangotra miady,
Nony iny roboka enao ka milaza hoe "tara"
Aza mitoditodika,izaho tsy ao afara.
Sarihinao aho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/atao-ahoana-moa | atao ahoana moa | Rajordri | Fenofeno fahanginana
ity andro anio ity
rakodrakotr'embonembona
te hitondra moramora
irony sentosento
hananiky ny havoana
hitety tendron-kazo
hiaraka hikopaka amin'ny vorona manidina.
Fa nahoana indrindra ange?
angamba mahatsiaro
ny aloky ny omaly
sy ny ranomaso
nijohy tao am-po
tami' nifandaozana,
saingy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/ho-an-i-neny-1 | HO AN' I NENY | RIJADOLLY | HO AN'I NENY
Zava-tsoa,no atolotro ho an'i Neny
Fo madio,hatramin'ny fiteny
Teny soa,mifangaro zava-mamy
Atolotro,Mandra-pialako eto an-tany
Neny,tiako ianao
Izay tsy afaka ao am-bavako ao
Eny,tononiko toloko
Izay rehetra ato am-poko
Tononkalo iray monja
No atolotro ho anao
Fa fitiavana mafonja
Ny tena mave... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotondranary-mampionona/vavaka-ho-ani-neny | vavaka ho an'i "Neny".... | RAKOTONDRANARY Mampionona | vavaka ho an'i "Neny"....
Magataka aho ry Ray ao ambony !
Tahio manokana ito reny.
Fetiny anio ka falio ny fony!
Fa izy no solon'i neny.
...ilay Kamboty |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/ny-eo-akaikinao | Ny eo akaikinao | Volatiana Rahaga | (...)Ny eo akaikinao
Manonja,
Mafonja,
Mihiaka,
Masiaka,
Mitsiky,
Mangarika,
Mitrerona,
Miherona,
Mahery,
Malemy,
Mitony,
Mihidy,
Mangotana,
Mangidy,
Mamy,
Hehy,
Tomany,
Ambony,
Ambany,
Mahamanina!
Mahafanina!!
Midaroka,
Manafosafo,
Beroberoka,
Mandoro. Afo!
Marenina,
Manenina,
Doria?
Sanat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rold/fahantrana-la-reunion-kely | Fahantrana | Rold | FAHANTRANA
(La réunion kely)
Eny an-dalam-be,
no fonenanay.
Zôridira anie,
no sakafonay.
Rovigony anie,
no akanjonay.
Tsy fisiana anie,
no iainanay.
Milomano anaty tsy fisiana.
Miaina karazam-pijaliana.
Mahantra ory vola aman-karena.
Mijaly, mahantra, mahonena.
Eny an-dalam-by,
no tanananay.
Fako fatim-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/reny-momba | RENY MOMBA | RIJADOLLY | RENY MOMBA
Tsy fahoriana ho ahy akory
Na alahelo,tomany fo tena ory
Fa fisaorana no atolotro ho an'Raiko
Nanome zaza kamboty maro ho tezaiko
Eny tsy ataoko an-dranomaso
Na fialonana ao anaty fo vato
Fa ho diaviko ny lalako
Izay natolotry ny Tompo malalako
Koa na iza hanatsafa ahy
Na iza hanaketraka ny fanahy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rolland/ianao-no-hany-tiako | Ianao no hany tiako | rolland | IANAO NO HANY TIAKO
Ianao no hany tiako
Tena tiako, ka hiriako
Ho fitia lamban’akoho
‘Lay ho fitiavantsika roa
Fitia tokana an-tany
Tsy horitra, tsy holany
Ho fitia fato-maty
Hoentintsikaroa mandra-maty
Sambatra aho ry aiko
Mitory ‘ty fitia
Tretrika aho ry tiako
Raha toa koa ianao ka mba tia
Ka raiso re r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/ny-aty-sy-ny-any-1 | Ny Aty sy ny Any | Volatiana Rahaga | Ny "Aty" sy ny "Any"...
Dago ny azy ny andro lohataonany,
Raha oharina amin'ny andro aty,
Tena miakatra ny mari-panany
Fa ny aty "fotokopia"
Ilay sakafo tsara fy,
Aloatra atao be am-bilia,
Ny "any" aroso tsara voatra,
Ny "aty" matavy mampihoaka.
Ilay noheverina ho "fitiavana"
hamitana ezaka goavana,
Ny "any"... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ho-ani-neny-malala-tsy-foiko | HO AN'I NENY MALALA TSY FOIKO | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | HO AN’I NENY MALALA TSY FOIKO.
Ho an’i Neny malala tsy foiko
Ity tolotra avy amin’ny foko
Tonombavaka no omeko anao
Ho solom-boninkazo fanao
Ny Tompo ry Neny malala
No hitantana tsy hisalasala
Hanome ny tsara indrindra ho anao
Mihoatra izao fanomezako izao
Fitiavana sy fahendrena
Ireny no azoko omena
Ho vali... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/zany-tia-zany | Zany tia zany | Volatiana Rahaga | Tsy ampy raha ny teny
Tsy ahatafavoaka ireny
Eritreritra mandalo
Na hifofotra na himalo
Ireto tananao manoratra,
Tsy vitan-tsoratsoratra,
Tsy ahalaza velively
Ny hetsi-po miely,
Tsy eto an-tany ihany
Fa hatrany am-parany any.
Na noheverina ho maty,
Adino, lalina, latsaka anaty,
Dia mety handao ny fasany
La... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rold/ry-zanako | Ry zanako | Rold | RY ZANAKO
Ianao ilay tsirin’ny aiko
Hobeaziko hotaizaiko
Mba ho solofo, dimbin-tsaiko
Antsoro hihoa-bero manga
Hotaizaiko hatrany tsy ho janga
Mba hanjary tena lasa olo-manga
Ianao ry zanako malala
No ho solofo dimbin’ala
Asandratonao ity Gasikara
Ianao no zanako, ianao ry Fy
Dia mijoroa ka mba sahia
Mba ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/ho-an-i-neny-2 | HO AN' I NENY | RIJADOLLY | HO AN'I NENY
Tsy mba manana hatolotra
Fa tonon-kalo eo am-potomolotro
No hany ankalazaiko
Ho an'ilay nikolokolo ny fanahiko
Tsy manana andro hisasarany
Hamolavola ny taranany
ny hany mba katsahiny
Tsy mampandry ny fanahiny
Ka mendrika ny ho deraiko
Ilay Reny nanampy ny Raiko
Naha lehibe sy nitaiza
Nefa ny v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/faniriko | FANIRIKO | endrika01 | FANIRIKO
Tiko sady faniriako ny hiaona aminao
Na ho anio na ampitso ao aorina kely ao
Ny anarana ny fonenanao mbola ho fantatro daholo
Amin'izay ora izay omeko anao ny foko manontolo
Efa tiako ianao hatramin'ny ela be
Na tsy nifankalala aza isika teny an-dalam-be
Angamba ianao lay nankahala ahy omaly
Na ilay ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/voam-pitia | Voam-pitia | Volatiana Rahaga | Avia raiso ary ny tanako,
Zay omabanao no ombany,
Ampindramiko anao koa ny masoko
Ovao tsiky zay mety ho tomany.
Indro raiso koa ary ny sandriko,
Apetraho eo zay mety ahiahy,
Na ho ela na ho haingana andriko,
Ny iraisan ny fon-tsika sy ny fanahy.
Raha sanatria ary halazo,
Ka ho ketsa afindra zay novoleko
Aza ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rold/ianao-no-hany-tiako-1 | Ianao no hany tiako | Rold | IANAO NO HANY TIAKO
Ianao no hany tiako
Tena tiako, ka iriako
Mba ho fitia lamban’akoho
‘Lay ho fitiavantsika roa
Fitia tokana aman-tany
Tsy ho ritra, tsy holany
Ho fitia mifato-maty
Hoentintsika mandra-maty
Sambatra aho re ry aiko
Mitory mafy ity fitia
Tretrika e ity saiko
Raha toa ianao ka mba tia
Ka rai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/gasy-karakaina | Gasy karakaina | Sitlo | Google gasikara
karakaina
tany maina
Rivo-doza
tany mena
rehefa lena
zary fotaka
Tanim-bary
Tsisy vary
hain-tany
hatrany hatrany
Tsisy atokona
misy rotaka
politika
polemika
vatosoa
volamena
hazo soa
saha Edena
Saingy tsisy
ho anao
Raha tsy kesika
sy bozaka!
Indrisy indrisy
sisa atao
Tsy afa-mih... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hay-ve-2 | HAY VE ? | Fredy Jaofera | HAY VE ?
Rehefa ianao ve no nitia dia nolazaina hoe : FITIAVANA
Fa rehefa ny hafa no nitia dia nambara hoe : TSY GOAVANA ?
Rehefa ianao ve no nihafy dia nolazaina ho FIHAFIANA
Fa rehefa ny hafa no nihafy dia tsy marina NA OVIANA ?
Rehefa ianao ve no niezaka dia nolazaina hoe : NIFOFOTRA
Fa rehefa ny hafa no nieza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsipakombalahy | TSIPAK'OMBALAHY | Fredy Jaofera | TSIPAK'OMBALAHY
Ny ana-dray aman-dreny
toy ny tsipak'ombalahy :
raha mahavoa mahafaty,
raha tsy mahavoa mahafanina ;
ka aza dikaina raha miteny
na adaladala toa manahy,
fa soa tsy hoe poak'aty,
marina foana mahamanina ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/satria-1 | SATRIA | Fredy Jaofera | SATRIA
Satria aho nitia
dia avy ianao nangia,
tsaroana ianao niravo
sy nisaotra koa ny Avo !
Satria ianao tia ahy
dia iny ianao nahasahy
namboraka fitiavana
niampy koa finiavana.
...Dia samy tia isika,
velon-kira nahasariaka,
tafatambatra ho iray,
feno dera toa tsy hay. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahatraina-omega/ho-fahatsiarovana-ani-edy | HO FAHATSIAROVANA AN'I EDY | Vahatraina Oméga | Miritsidritsoka any hoany
'lay valiha torifolo,
Manembona aho lasa vinany,
Mitamberina daholo ireo taloha
...Indrisy lasa izany...
Ilay johary fahazavana,
Ilay railovy izay mpivazo,
Ilay voara haingon'ny tanàna
Nijoro teto nefa lavo ho'aho ry lahy
...Kanefa tsy ho adino...
Tsaroana fa tsy misy tsiny,
Ireo hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranja-zanamihoatra/ireny-kintana | Ireny Kintana | Randja Zanamihoatra | Ireny Kintana ...
Ireny kintana eny ireny dia malala nodimandry
Any ankoatrahoatry ny aina sy ny fotoana sy habakabaka,
Ireny zavozavo ireny, vovok’aina mbola miandry
Ny firendriny ho tsiahy na andalan-tonom-bavaka...
Ireny kintana eny ireny, pitik’afo tamin’ny fo
Raha niredareda teto ireo fitiavana mahery ;
Iny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naritsimba/sahady | SAHADY...! | naritsimba | "Ho an'i RC"
Ilay fitia vao nafafy
Nantenaina mba haniry
Dia nilofika sahady
Ts'hita akory mba nitsiry
Fa nahoana kosa lahy
'lay olon-tiako sy ity tenako
Ilay fitiavako mba sahy
Ny foko no mba nandevenako
Teny tsotra no voasoratra
Ho anao ilay notiaviko
Ranomaso no nandrakotra
Nameno ny salova-tavako
Hifan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratovoary/fisarahana-6 | FISARAHANA | RATOVOARY | Hadinonao angaha lay andro fahiny
Niaraha-nifaly ka feno koràna
Nanjary hatsiaka sisa ankehitriny
Lay andro baliaka sy tena nafana
Lay ankanim-pitiavana noravànao
Nilaozan'ny andry ka he migodàna
Ny alahelon'ny foko raha saraka anao
Ritra sy maina ilay fatsakàna
Raha ny masoandro no efa lasa ka nody
No hilenti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahatraina-omega/manembona-aho | MANEMBONA AHO | Vahatraina Oméga | Mamiratra maraina
Ingahibe Masoandro,
Mamelombelona aina
Ity misandratr'andro,
Manembona hava-tiana,
Sakaiza sy ireo namana,
Ankany fitosiana
Vohitra nialana.
Dia lasa ny vinany
Mahatsiaro ny any ho any,
Tsy tana ny halahelo,
Ny fo mamelovelo.
Handeha toa tapa-tongotra,
Hijanona toa hafaka,
Ny an-tanana t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/soronafom-pitia | Soron'afom-pitia | Mandefitra | Soron'afom-pitia
Jereko tsy faly … nefa raha miodina aho
Indro ny masony baribary fa toa mitalaho
Itsikiako tsy mirana … nefa zaho rehefa montotra
Hitako misompirampirana manaiki-molotra
F’inona ngaha ny zava-tadiaviny?
Zaho mody maty sa velom-pitia…
Sa andrasana hihintsana ve zato raviny
Vao hoe ahy io ry ret... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/babonao-1 | Babonao | Jeankely Razafimamonjy | Nambabo ahy ny fitiavanao,
ry volana mibaliaka,
Izay tena avo toa tsy takatra,
nefa dia sariaka.
Manazava ny aty tratrako,
izato jironao manjopika.
lavitra ahy anefa hianao
ka toa zary angano ny antsika.
lavitra ahy ny endrikao;
lavitra ahy ny tsikinao.
lavitra ahy ny masonao;
lavitra ahy ny jerinao.
lavi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/mikoty-sipa | Mikoty sipa | Sitlo | Ataoko hoe tsara
Tsy D
Ataoko hoe ratsy
Tsy D
Ataoko hoe tiako
Tsy D
Nefa raha ariko
D hoe
Za tsy hoe tsara
Fa T
Nefa tsy ratsy
Ka T
Andao tsika hifakaT
hifampikitikitika V
Avy eo vao ho hita
Raha D
Na ho ajanontsika
sy enao
hehehe ...
C tsy teny gasy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malailay-1 | MALAILAY | Fredy Jaofera | MALAILAY
Malailay
fonosana
tahaka ny fary
iny olona iny,
ka faifay
fa nilomanosana
ny tsizarizary
sy ny tsiny ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naritsimba/fitarainana | FITARAINANA | naritsimba | Ory loatra izany foko
Raha misaina ny amintsika
Ilay hafanana teo
‘Zary lasa nangatsiaka?
Moa ve afo mololo?
Tsy nahazoana hafanana
Raha nitia tamin’ny fo
Dia lazaina, hadalana?
Tsia anefa no havaliko
Raha izany no fisainana
Ray ô! Izao no angatahiko
Esory ity fanaintainana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahatraina-omega/izao-aho | IZAO AHO | Vahatraina Oméga | IZAO AHO
Izao aho no mitomany,
Izao aho no misento,
Izao aho no miantso vonjy ho havotrin'ny fiainako eto,
Izao aho no mitomany hitan-danitra ao ambony,
Fa any andro, any taona,
Izaho tsy hitomany intsony.
Izao aho no hita resy,
Izao aho no hita lavo,
Izao aho no andosirana, satria mbola mavomavo,
Izao aho no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/soa-kenda | SOA KENDA | Fredy Jaofera | SOA KENDA
Soa kenda
hahay hitsako ;
soa lavo
hahay hamindra.
'Zao ny tenda
norarako
toa nanjavo
raha narindra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/adidy-1 | ADIDY | Fredy Jaofera | ADIDY
Tsy fandaniam-potoana
izao raha tafahaona
matetika isan’andro
sy matin'ny hainandro
isika rehetra rehetra !...
Fa mbola hisy fetra
'ty tolona iarahana
tomefy fangatahana
azy foana mba hiala,
Na miziriziry adala !
Tsy fandaniam-potoana,
na ahoana na ahoana ;
na saika ho fanimpanina
tsy nahita hohanin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ndao-ianao-raha-handeha | NDAO IANAO RAHA HANDEHA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | NDAO IANAO RAHA HANDEHA
Ndao ianao raha handeha
Rehefa tsy azoko tanana
Tsy zazakely ianao
Ka ho tambatambazana
(ka mbola ho tantanana)
Fa raha ny hoe :
Ny momba ilay fitiavana
Izy iny raha tsy raikitra
Tsy aharatsy fihavanana
Koa mandehana aloha
Misaina sy mandinika
Mba hisy hoentina a!
Miatrika ny fiaina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/gidra | gidra | Ranoala | Dia namorina ny saiko
ny maraina t@ dimy
mbo amin'ny firy zao
any dago any?
Dia namaly ahy injao
izato radio
nankarenina ny sofiko
fa @ dimy zao teo madagasikara
Dia namorina ny saiko
ny maraina t@ dimy sy dimy
mbo inona no laoka
any andakozia any?
Dia namaly ahy injao
izato feo bilany nikarapoka
nankar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/tantara-mitohy | Tantara mitohy. | Volatiana Rahaga | Tantara...mitohy
Tsy tandriko ny nahatongavany,
Tsy hitako ny nialany,
Fa ny foko sy ny tontolo ngazany,
No mbola eto diboka tomany.
Dia indreny koa ny tanako manoratra,
Fantatro fa mbola aminy ihany,
Mitady teny ahafahany manolatra,
Ny fery sy ny ratrany tany.
Ny sofiko njao mbola maheno,
Ako, sy hira toa fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/johary-j/tia-anao-aho-1 | TIA ANAO AHO | JOHARY J | messageAo anatiko ao izay olona iray izay
ao anatiko ao ianao
ao anatiko ao 'lay ririnina
misy hafanana
ao anatiko ao Malala
F'indry raha matahotra
izaho tsy mba sasa-miandry
f'indry raha tsy mino
izaho aza adino
Tia anao aho, tena tia tena tia
tena tia, tia anao aho tena tia
Ao anatiko ao ilay endrikao
kan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/velomarilay-ravintoto | VELOMA...R'ILAY RAVINTOTO | Ranoala | veloma r'ilay ravintoto
niforitra ambany fanoto
nangotraka anaty vilany
veloma fa hohaniko ihany
tsy navelako hikotrana irery
nampiako tavin-kisoa
'ty menaka mahate hijery
nambabo ny vavako koa
Asiako sira mba tsy hamitaka
ny lelako tsindrian-daona
'zaho 'ty efa mibitaka
ny kibo koa 'zato foana
veloma r'ila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rha-nary/rakitra-1 | RAKITRA | R.H.A. Nary | Marina letsy
fa tena ilaina ny vola sy harena
kanefa tsy mety
raha izy no avela hanandevo ny tena
Ny fiainana an-tany
dia tsy mba ilaozan'ny fakam-panahy
fa toavy hatrany
Ny baikon'ny Masina anatin'ialahy.
Mahaiza mitia
fa ho fatiantoka tsy hita avanavana
raha niaina tety
kanefa tsy nanana raki-pitiavana.
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/ny-ray | Ny RAY | endrika01 | Ny ray no fototra ijoroana
Mba tsy ho olonolom-poana
Andry lehibe iakinana
Amin'ireo zava-manahirana
Vao tsy mbola hary ianao
Dia zava-maro ny nifamaofao
Ho vavy ve sa ho lahy
Izany dia natao hampanahy
Nomeny anao ny famatarana
Dia ilay sombin'anarana
Manambara ny fisiany
Sy hiantsoana ny olon-tiany
Faly ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/indro-3 | indro | Ranoala | Dia gaga indray ny maro
ito tonga indray ranamana
hitoetra sa andalo
ndeha mba raisina ny tanany
Dokafana va re ?
sa...hatsafaina mba hilaza
tsy hita an-taona maro be
O mba firy zao ny zaza?
Dia namaly koa ty izy
"Arahaba ririnina"
nivilana ny sainy?
sa...tsy ao fa badenina?
aleo ny teniko ahitsy
Manakory ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/hadinonao-ny-lasa | HADINONAO NY LASA | endrika01 | Alahady ny andro tamin'izay
Tolak'andro hariva tamin'ny roa
Nandeha nitsangatsangan'izahay
Toy ny fanaon'ireo olon-droa!
Ny lalana naleha dia lavitra tokoa
kanefa tsitahita dia tonga sahady
Taiza moa? aahhh teny Atombotsoa
Io no soratra tery am-bavahady!
Ny orana nifafy dia tena nanafitra
nanamando ireo fitaf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sadaikatra | SADAIKATRA | Fredy Jaofera | SADAIKATRA
Lazainy ho misintaka
raha tsy hita mibitaka ;
lazainy ho mankahala
raha tsy hita manadala ;
lazainy ho manadino,
ka tairo sy ampangino !
Nefa raha tonga any,
lazainy ho hafetsena
mitady foana harena ;
lazainy ho doladola
miandry foana vola ;
lazainy ho fitiavana
miaro tetika goavana ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/any-misy-fo | ANY MISY FO... | SANDRATRA | Any misy fo miandry sy ory
any misy tsy mahita tory
any misy feo mitaraina
miantso anao 'zay nolalaina
Any misy tava
kotsan-dranomaso lava
any misy olona mitomany
miandry anao hatrany
Any misy tia fa tsy sahy miteny
any misy fo manin'rery
any misy fo reraka sy torovana
mitahiry 'reo fahatsiarovana
Any misy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ihanta/sabaka | Sabaka | IHanta | SABAKA
Lalao mba nahavariana ihany
Ny sabaka fehizany:
Nisy ambaratonga izany
Natao ihoiranao hatrany
Dia noezahina ombieny
Ny ahafahana azy ireny!
Tsy misy hafa amin'izany
Ny fiainantsika ety an-tany
Fa misy lalana namboarina
Misy fenitra ho tratrarina
Soa sy kanto feno hanitra
hahatrarana ara-lanitra! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/tsy-resy-akory-raha-mangina-tohiny | TSY RESY AKORY RAHA MANGINA (tohiny)! | endrika01 | Tia anao izy k'aza ampijaliana
Tia anao izy k'aza ampitomaniana
Ny fitiavana tsy ho fahorina
Ka jereo ny hiafarana aoriana
Bitsika mangina miaro fifaliana
Fa tsy hoteny mafy tena fijaliana
Fahatsora-po toy ny an' zazakely
Tsy hivatravatra hamono velively
Tambitamby tsikitsiky hantahanta
Fa tsy atao toy ny voan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranja-zanamihoatra/eny-alina | Eny, Alina | Randja Zanamihoatra | Eny, alina
- Alina !
tsia, ry mpiambina malala ! mbola miafitra etsy aniva
Ny salovana somamby niafaran’ny taratr’andro
nitsontsorika mankany :
Mbola izao manako izao ny fara-ezaky ny antsiva
Miala aina moramora eny an-tsefa-draho-mihandrohandro :
ny hariva mitomany !
Injao manetsaketsa maika ny mpitoto sy ny h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/fanadinana | Fanadinana | Ranoala | raha lazaiko hoe ratsy
dia avy hatrany ianao hangarika
kanefa ianao tsy dia tsara,
na manintona hisarika
Raha ataoko indray hoe tsara
toa avy hatrany dia hibitaka
nefa valana tantara,
karazam-pandrika sy fitaka
Mety hanava tena koa
ho ambony na ambany
asa aloha zay tombontsoa
tsy misy haiko ny amin'ny zany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naritsimba/afaka | AFAKA | naritsimba | “Atolotro ho an’i zanakolahy noho ny fahafahany fanadinana CEPE ny 24 jona 2007”
Tebiteby, adin-tsaina,
Ny taona maro niadiana
Tena nampiferin’aina
Tsy nananam-pahatoniana
Dingana iray no vita
Noezahina ho tratra
Herim-po tsy nety ritra
Tao anaty no nanjaka
Ianao ‘lay zazalahy
Tsy be teny sy bonaika
Noesoin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/ny-masonao-mijery | NY MASONAO MIJERY | endrika01 | Ny masonao mijery
Toa manao fangalam-piery
Raha jerena manoloana
Vatosoa babangoana!
Ny masonao mijery
No hanome ahy ny hery
Izay mitondra fifaliana
Sy bitsika mangina
Ny masonao mijery
No hanasitrana ireo fery
Izay nohentiko hatrin'ny ela
Ka tsy sahiko navela
Ny masonao mijery
Hanampy ahy tsy ho very
Ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vetsonny-manina | VETSON'NY MANINA | Fredy Jaofera | VETSON'NY MANINA
Akanga diso ala ny aty ka manina ny nahazatra,
ny vatana ihany no eto fa ny saina lasa tsy tratra ;
fantatrareo ve, re olona, hikopaka ho aiza ny goaika ?
Asaivo miandry ahy vetivety fa ny orana ity mitaika !
Kamboty diso tsiky aho ka mivembena fotsiny eny,
manonofy an'izay tsy eo sy manontany te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/nomenao | NOMENAO | RIJADOLLY | NOMENAO
Nomenao fanenjehana
Ao anatin'ny faharetana
Ny fanahy manjehana
NatsoiNao ho maivan'entana
NomeNao fitiavana
Ao anatin'ny fahavalo
NomeNao fihavanana
Ny fo maloto atakalo
NomeNao fanopoana
Ireo mpiara-belona
Hiasa tsy voatohina
Ny Fanahy tena velona
NomeNao alahelo
Ao anatin'ny herin-tsaina
Ho re... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-valala | NY VALALA | Fredy Jaofera | NY VALALA
Ny valala
tsy indroa mandry
am-bavahady,
ka aza adala
sy toa be fiandry
fa soa fitady ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naritsimba/velomarilay-notiaviko | VELOMA...R'ILAY NOTIAVIKO | naritsimba | “Fanaovam-beloma an'i RV"
Toa volana tantely
No niainantsika roa
Nandalo vetivety ireny
Ka tsy hanam-paharoa
Nahasahiako nilaza
Ny fitiavako indray
Nifankatia toy ny zaza
Ny fontsika nifandray
Feno antsika ny tanana
Ny tora-pasika madio
Ireo lala-migodana
Niarahana niriorio
Nasehontsika ilay fitia
Latsaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/vakiraoka-1 | Vakiraoka | Ranoala | saika anoratra aho
kanefa...
na ny lohateny aza tsisy
ny hambara koa
mbola tadiavina indrisy.
Dia hofaranana ny pejy
andro hafa ho tohizana.
ny saiko koa da vizana.
Mbola hitohy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsarovy-2 | TSAROVY | Fredy Jaofera | TSAROVY
Tsy ao an-tsaiko akory ny hamaly ratsy anao,
Na nahaketraka ahy hatrany ny vava mankalao,
Na tsy tanty mora etoana ny latsalatsa sy ny fosa,
Mba nataoko ho rediredy ka hay tsy izany kosa.
Tsy ao am-poko akory ny hanala ilay fitiavana
natokako ho anao zary hitombo tomandavana,
zary kalo tena hohiraina sy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miantsa-fitia/na-dia-izany-aza | Na dia izany aza | Miantsa Fitia | Na maro aza ireo niserana
na nisy aza ireo niarahana
asa re fa tsy haiko ferana
ny foko mila anao ho namana
Na nisy aza ireo mpisompatra
na maro aza ireo tsy tia
ny faneva no hasondrotra
isika roa tsy hisara-dia
Na teo aza ny fianarana
izay tsy hitovizantsika roa
dia tsy tokony ho sakana
hampizarazara ny ao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/tiako | TIAKO | Vanjanofy | Tsy resaka barara
na fampandriana adrisa
ny resaka efa vita
nataoko anao ry tiana
fa vetso mahaliana
ny foko sy fanahy
nanitikitika ahy
hatramin'ny fahagola
'lay teny tsy mba tola
vetesiko isan'andro
hoe TIAKO IANAO RY ANDO |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/tsy-misy-toa-anao | tsy misy toa anao.. | Aino | Ianao tsy mba misy hafa, satsia ianao irery no naharesy ny fanahiko
Ary ilay toherana lalinindrindra ao ampoko ao no teheranao,
Fatatro ny fitiavanao ahy,
ireo alina mangina,kitana mamiratra
Ireo mozika tsara indrindra, ireo teny mamy, ireo nofinofy,
Izany rehetra izany dia kely ho ahy, fa ianao no mameno ny fiain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miantsa-fitia/miserana-ihany | Miserana ihany | Miantsa Fitia | Jereo ny hankanton'ny raozy mamony
sy ny fofony manitra zay mampitony
fa toy ny tsy ho lo manadrakizay
kinanjo nilofika mora dia izay
Jereo ny hankanton'ny lanitra ambony
miadana ery izy fa hoe eny ambony
kanefa seranan'ilay raho-mainty
de rava ilay endriny soa sy mirenty
Jereo ny hanakanton'ny vorona an'ala
m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/christian-rakotovao/ny-maraina-tsy-ho-avy | NY MARAINA TSY HO AVY | Christian RAKOTOVAO | Inona no hany andrasako amin'izao tany izao
Ahoana no hanantenako ny maraina vaovao ??
Ahoana no hahazoko toky fa ho manga izany lanitra
Ka hivaly zany vavako, ka hanampy ahy Andriamanitra ??
Moa va tsy efa simba zay mba kely nohariana
Ka ny sisa mba tavela mampitondra fahoriana
F'ilay saika mba hanirina toa lasa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyaritra/roa-mira-iray | Roa mira iray | Nyaritra | ny hoe sipa hono dia teny nafohezina toa mahatsikaiky
ny heviny anefa mifono fahendrena tena mampihaiky
misy ny milaza fa Sila-Panahy no mahadika azy
ny sasany anefa misitrika tsy enjehina toy ny voasazy
ny zatovo no seriny tsy laitra raràna amin'io sehatra io
ovaina daholo na famindra na fitafy, satry foana hadio... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/satria-fetinao-anio | Satria fetinao anio. | Volatiana Rahaga | Satria fetinao anio.
Amboara tononkalo,
No atolotra ho anao
Ry zandry tiana tsy atakalo,
An'izao rehetra zao.
Ho omena anao koa,
Ny hatanorana soa,
Ataonao firavaka,
Ahatonga anao hiavaka,
Amin'ny voninkazo hafa
Ho andrandraina tsy ho voatsafa,
Hanjary raozy soa mivelatra,
Ho hiram-borona ary elatra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/hoso-dokonny-foko | Hoso-dokon'ny foko | Volatiana Rahaga | Hoso-dokon'ny foko...
Loko maro hafa no namboloin'ny foko,
Ventesin'ny fanahiko,
Tanaty fahanginana,
Sarintsarin-tsaina,tsy misy filaminana.
Loko MANGA, ilay ndray lohataona,
Ny masoko nanopy,
dia taminao foana,
Feno teo lay banga,
Tamin'ny ora sy fotoana,
Vetivety teo dia MAITSO,
Ilay eritreritra tsy tana,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/misy-fefy | MISY FEFY | Toetra RAJA | MISY FEFY
Misy fefy
Tsy mazava
Fa mandrava
Izay tomefy
Ao anaty
Tsy mba maty
Tsy tadidy
Nefa kosa
Miavosa
Fa mihidy
Manafay
Indraindray.
Ny fitiavana
No simba
Voazimba
Misy havana
Akaiky
Moa miaiky,
Tadidio
Indro ambara
Heno tsara
NY HAMBO IO
No tena fefy
Tsy mba lefy !
Famaritana nomen-dRajemi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/madagasikara-kely-ko | Madagasikara kely ko | Volatiana Rahaga | Madagasikara kely ko,
Tiako, omeko anaram-bosotra
Hoe"kely" nefa tsy mahasosotra,
Any aminy ny saiko,
Vao misokatra ny masoko
Mahararirary ny aiko,
Raha tsikeraina ka ho vasoka.
Toerana ifaharako,
Sady koa reharehako,
Mampiakatra ny anarako,
Antony hisasarako.
Fototry ny toe-tsaiko,
Fakan'ny Soa Toaviko,
T... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/eritreritra-2 | ERITRERITRA | Vanjanofy | Eritreri-takariva atopatopan’ny vinany
Izay mamantana any ho any
injao miboika ombieny ombieny sy misary fifaliana
fa mahatsiaro anao ry tiana
Visavisa feno fatra mamolavola tsangan’endrika
injay misavika mandrendrika
‘zato saina sy fanahy ary ny aiko manontolo…
Feno anao ireo tontolo!
Tiako ny alina mangina s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miantsa-fitia/ao-am-poko-lalina-ao | Ao am-poko lalina ao | Miantsa Fitia | Ao am-poko lalina ao
Mitrotra mafy tsy hay tohaina
Asa angaha raha fantatrao ?
Hoe maninona aho no very saina
Satria ianao raha vao miserana
Toa tselatr'afo re no tsapako
Mety amgaha fitia namelana
No ato am-poko ,taitra anao
Satriko aza enao foana
no hiara-dalana amiko eny
ka tsy hisy ny fotoana
tsy ho eo a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volatiana-rahaga/fo-velon-kira | Fo velon-kira. | Volatiana Rahaga | Ny teny rehetra rehetra filazana ny fitia,
Dia efa novetsoiko, nolazaiko, nampiasaiko,
Saingy tsapako fa tsy ampy reo satria,
Ny fitiavako anao dia tsy takatry ny saiko.
Ny aminao rehetra ampitahaiko amin'ny hafa,
Dia nalahatra hambabo ity foko nanirery,
Fomba fiaina, fijery, fitsiky sy fitafa,
Niampy ny fahatso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miantsa-fitia/nahoana-kay-1 | Nahoana kay? | Miantsa Fitia | Nahoana kay no haizin-dava
no solon'ilay hazavana?
zay nantenaina mba hitondra
fifaliana fa tsy loza
Nahoana kay no dia tomany
no re manerana ny tany
dradradradra,hikiaka
satria nilaozan'olo-tiana
Nahoana kay no dia ankaso
zay mampirotsa-dranomaso
ray,reny,olon-tiana
sahy mandao fa hoe tsy mila
Nahoana kay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vahatraina-omega/lasa-ilay-mpamoron-kira | LASA ILAY MPAMORON-KIRA | Vahatraina Oméga | LASA ILAY MPAMORON-KIRA
Manjomon-takariva ilay diavolam-pararano,
Mangina samy irery ilay farihy manganohano.
Ory, fa nilaozan'ilay taratra.
Ilay kintana namiratra natao ho doria,
Ilay voninkazo manitra namelana tety,
Indrisy, fa nilofika sahady.
Nangina ilay valiha, voatahiry an-dakira,
Ninkimpy koa ny masonao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/miorina-1 | MIORINA | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | nifankatia mangina tanaty bedy isika
Fa mamy ny fiarahana;
dia nisedra riana,
nisangisangy riaka
tanaty fangorahana,
tanaty rahoraho;
fa tsy nivadika aho
na dia mafy aza
ny ataon'ny havanao.
jereo ny manodidina
raha mba mijery antsika;
fa samy mankahala
mifosa miaka-midina,
dia samy manadala
sy mitantara ... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.