url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/antomotra | ANTOMOTRA | Fredy Jaofera | ANTOMOTRA
Antomotra ny oram-piotazana
'reny voa maro nafafy
sy higoka izay fahombiazana
nirina mafy dia mafy !
Antomotra ny andro handresena
amin'izay lalan-kombana
sy hahazo irony soa sesehena
hitobaka foana, mazàna.
Antomotra ny hampiavaka ho azy
ireo voninkazo mangina
sy hamiratany ombieny amin'ny vazy
t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/izaho-1 | IZAHO | RIJADOLLY | IZAHO
Izaho ilay tsy mendrika
Hiantso ny anaraNao
Izaho ilay mpandrendrika
Ka tsy tokony hizotra ny làlaNao
Izaho ilay mpiatsaravelatsihy
Tsy mangatsiaka tsy mafana
Izaho ilay nandaha ny Fitia
Ka tsy mendrika ahita ny Kanana
Izaho ilay mpanandratena
Manana fanahy mpiavonavona
Izaho ilay mpanao tsindrihazolen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/sahinao-ve | Sahinao ve ? | Djaw | Aleo very tsikalakalam-bola
Toy izay very tsikalakalam-pihavanana.
Sa ? Aleo very tsikalakalam-pihavanana
Toy izay very tsikalakalam-bola.
Ry Malagasy namana !
Nankaiza ilay soatoavina faha izay ?
Nahoana no manary havana ?
Leo ve sa izy no efa tsy milay ?
Ny vola no maha rangahy.
Kanefa manontany tena ahy.
S... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azenika/fitia-diso-fiantefa | fitia diso fiantefa | azenika | tsy mba tsapanao mihitsy mantsy,
ilay fitiavako izay tena mafy orona
eny! Tsy mba tsapanao satria,
noheverinao ho vazifazy 'lay fitia
ka dia nosenao tsotrizao,
eny! Sahinao ny nandratra ity foko mahantra feno tomany,
fa dia nahoana re ry malala,
ianao anie ka tsy mana-tsahala,
raha ny ato am-poko no resahina,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masofahatelo/sarotra-ny-mifidy | sarotra ny mifidy | masofahatelo | Ny fo no tompon’ ny fo
Ka anjaranao no manontany
Raha tena ananany tokoa satria
Efa milalao azy ny eran-tany.
Ananako izy ‘nefa
Isanandro aho no misaina
Hoe: @ iza aho no hiantefa
Sao ho lasa karakaina!?!
Ty foko manirery
Nefa be mpitsriritra
Raha ho etsy toa ho very
Ka ny tsara koa tsy ho ritr’e!
Ao ny me... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masofahatelo/ny-fiainako-3 | ny fiainako | masofahatelo | Ny fiainako..!
E ! izany fiainako marina mafy
Tsy ambony tsy ambany toa inona ?
Isanandro tsy maintsy miafy
Na mangidy toy ny kininina …
Honjohonjoko izaho samy irery
No mandeha fa tsy misy amaharana ;
Ka na tazo na gripa mahery
Dia midongy tsy mety mamarana !
Ny havana sy ny sakaiza,
Ao an-tsaiko toa nofy av... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masofahatelo/ra-vola-1 | ra-vola | masofahatelo | reo tsy manana mbola mitady
mitsiriritra ny mpanampitrisa
reto mpanana toa velon'ady
lavitry ny paradisa.
mia-ratsy foana ny sainy,;
mia-maloto koa ny fanahiny
satria maro no mifofo ny ainy
nohon'ny vola maro ambalahany...
misy koa ireo mpimamo an-tatatra
tsy manana henatra intsony
isanandro miasa indrisy sas... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masofahatelo/ny-saina | ny saina | masofahatelo | Ny saina
Toy ny jiro mpanazava
Raha dinihiko ny asany
Ka na ao aza ny lasany
Dia ny tanjany tsy rava.
Zay rehetra hitanao
Dia avy aminy avokoa
Na ny ratsy na ny soa
Dia tsy maintsy hiainanao
Na ireo fiaramanidina ; sarety
Ireo zava-kanto hafa ,
Ireto olona mpitafa
Dia ny saina no nampety |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsos-tafa/ty-hasarotam-piaronao | Ty hasarotam-piaronao! | Antso's tafa | Ty hasarotam-piaronao!
Anjaran'iza no hitsara
Ka hilaza fa tsy tsara
Ny mitia sy ny hotiavina
Moa izany azo lavina?
Ny fitia mora aorina
Ny anaty fo azo tsorina,
Ka raha mitia am-po mazava
Tsy voatery hisoka-bava
Fa ny maso dia mahavita,
Hahatonga azy hitsiriritra
sy hampiresaka ny vavany
Hanolorany ny tana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/teto-an-jaridaina | TETO AN-JARIDAINA | Fredy Jaofera | TETO AN-JARIDAINA
Rivodrivotra malefaka no mitsoka moramora :
rivodrivotra mafana sy mampisento isan'ora ;
voninkazo toa marevaka, zaridaina tsara bika
no mampihetsika ny foko, oriory sy sariaka.
'Reo vorona mihira, ny masoandro be mitaratra,
mandravaka avy hatrany ny lanitra tomaratra ;
iretsy hazo iretsy, iron... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/hifanena-jakoba | HIFANENA @ JAKOBA ??? | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | HIFANENA @ JAKÔBA???
Mbola hifarana ihany
Rehefa any aoriana any
Ireo ditra sy hadalana
Rehefa lasa ka tsy tana
Ny revirevy teny ho eny
No handatsa sy hiteny
Hampangidy rora am-bava
Hampiafinafin-tava
Ireo minia manao izany
Mbola hijaly, hitomany
Hanenina hidradradradra
Hiantso Neny sy I Dada (na koa Andria... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masofahatelo/raoviana | raoviana | masofahatelo | Raovina ?
Fo mangorakoraka...
Molotra makiana...
Sandry te-hiantoraka
Miandrandra anao ry tiana.
Embon-tsasak'alina...
Tsiaro mampanavy...
Adin-tsaina lalina
Miandrandra anao ho avy.
Fo mamelovelo...
Endrika tomany...
Fitia tsiambaratelo
Miandrandra teny mamy.
Maika te-hiantsoroka
Ny adadiko rahavako!...
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-taona-vaovao | NY TAONA VAOVAO | Fredy Jaofera | NY TAONA VAOVAO
Enga anie ka ho taom-panambinana
hanova ny lasa sy fisentosentoana
ho hafa dia hafa ka hampifaninana
ny soa sy ny tsara ho fandrosoana.
Enga anie ka ho taom-pahombiazana
hibitabitahana sy mety handihizana,
na aiza na aiza no hofafifafazana
ny firariana tsy nety nahamizana.
Enga anie ka ho taom-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanatantara/lakana-ny-aina | LAKANA NY AINA | RAMANATANTARA | LAKANA NY AINA
RY 2008, MIARAHABA ANAO NY LAKANAY !
Lakana ny aina
Mandalo vetivety,
Miserana ihany !
Lasana iny taona iny
Nisy mamy, mangidy
Tsy foy : teo Ianao,
Ianao ry neny !
Tsy adino ny anatrao,
Ny fotoana niarahana.
Manantena foana
N’inon’inona midona !
Na onja, na varatra,
Mianjady avokoa !
Mizot... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsos-tafa/raha-hametraka-fanamby | Raha hametraka fanamby... | Antso's tafa | Raha hametraka fanamby...
Raha te hametraka fanamby
Fadio re ny sangisangy!
Ny hakiviana sy taraina,
Alaviro fa tsy ilaina!
Fa raha hametraka fanamby
Amafiso re ny andry
ho tohan'aina hizakàna
ireo olana mafana
Ny fametrahana fanamby,
dia mitaky herin-tsandry
sy fisaina vaovao,
Tena hafa tsotr'izao!
Koa ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masofahatelo/mandalo-2 | mandalo | masofahatelo | mandalo
ny fiainana fantatry ny olona
dia ny hitan'ny masony ihany
hany ka tsy mety mionona
satria maro ny tsy hita @ izany
Mitady ny lafatra foana
Nefa ny jaly tsy hitsahatr’indrisy
Mifaly mitsiky misaona
Lavitry ny paradisas.
Varian’@fiaina-mandalo
Ka tsy fantar’intsony ny hoavy
Androany ianao revo mikalo
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/varoboba-solde | VAROBOBA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | VAROBOBA
Tobaka eny an-tsena
Ireo mpivaro-tena
Mpanome paradisa
Ireo tary tsy hita isa
Fa n’aiza n’aiza aleha
Toa tabiha sy rehareha
Tena manankarena
Isika raha jerena
Ao ny kalite (qualité)
Ao koa ny kantite (quantité)
Izay tianao tadiavina
Misy tsy azo lavina
Dia gaga zaho zalahy
Koditra tsy sahy
Nano... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masofahatelo/sompatra | sompatra | masofahatelo | Sompatra
Tsy ny tsy tia anao ihany akoory
No afaka anao izany;
Fa na ilay mpanala sorisory;
Sy maminao io aza dia bibibiby ihany.
Izany fiaiana indrisy
Feno karazan-java-maro,
Ny tsara sy ny ratsy tsy hita isa
Eny no miosina sy mifangaro!
Fa nahoana moa no misy foana
Izany raomaso izany?
Raha mbola andro, na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsos-tafa/ampindramo-ahy-3223 | Ampindramo ahy | Antso's tafa | Ampindramo ahy
Ampindramo vetivety,
Ampindramo fa haveriko
Ampindramo raha mety
Hanadiovako ny feriko
Fa tako-perin'ny fiainako
No andrasako eto izao
Mba henoy ny fitarainako
Mba valio raha azo atao
Fa efa tena mankalao
Izaho aza efa fanina
Ka ambarako aminao:
Ny fiainanao no tiako hindramina!
Dia ho tsori... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/tsarovy-1 | Tsarovy | Djaw | Ry tany, taniko malala !
Azafady raha manontany satria tsy mahalala.
Nahoana moa ny hoditrao toa lasa vakivaky ?
Lasa saina aho, sao mba notetehana famaky ?
Ny paompy sy vovon-drano tsy misy !
Ny vavarano fidiovana sasatra !
Fa raha ny vahaolana aloha tsy misy,
Angamba hitohy izao, tsy hitsahatra !
Mba hono ind... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fo/ny-foko-5 | Ny foko | Fo | Ny foko...
no any ho porofo fa ianao no tena tiako,
mamiko, tsy ariako.
Tsy harena...
fa fihafiana, fitadiavana no any azoko omena,
mosarena, mahonena.
Tsy voninahitra...
fa ho fanetretena,fandeferana ho ezahiko alahatra,
mba tsy ho anten-dromolotra.
Tsy bika...
na ho atsaran-tarehy,na ho haingo manjopika,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/rahoviana-5 | RAHOVIANA | Sunny | Fo mangorakoraka...
Molotra makiana...
Sndry te-hiantoraka
Miandrandra anao ry tiana.
Embon-tsasak'alina...
Tsiaro mampanavy...
Adin-tsaina lalina
Miandrandra anao ho avy.
Fo mamelovelo...
Endrika tomany...
Fitia tsiambaratelo
Miandrandra teny mamy.
Maika te-hiantsoroka
Ny adadiko rahavako!...
No maika ko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/akoho | AKOHO | Fredy Jaofera | AKOHO
Akoho tsy naneno hoatra izay,
ahina ho lasan'ny kary,
fa tsy any sy milaza ho mahay
mitia na mbola mirary.
Akoho tsy nihira hoatra izay,
ahina ho resin-tory,
fa tsy niasa na toa nilomay
hanova izay sorisory.
Akoho tsy niantso hoatra izay,
ahina ho akoho vavy,
fa tsy ny mpamoha te handray
'ty maraina m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-menja/tsy-hita-akory | TSY HITA AKORY | HARY MENJA | TSY HITA AKORY
Tsy hitako akory tsy fantatro mihitsy
ny anarany foana no omem-boninahitra
ny feony fantatro sy efa reko
fa ny salovan-tavany tsy hitako hatreto
Ny toetoe-piainany tsy azoko veroka
kizintina ve sa mba malemy paika
vinavinaina fa ho any fa ho any
dia mapionon-tena amin'ny ho hita eo ihany
Eny zah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/iny-indray-mitoraka-iny | INY INDRAY MITORAKA INY | Vanjanofy | Raha nampariko ny saiko iny indray mitoraka iny
dia tsy ho haiko izay nitranga
fa ny foko ilay nangina fony saraky ny tiany
ka nanjohy tsy nihambahamba ilay làlam-pifamoizana
ny ranomasom-pivalozana
dia indro ianao fa nisalovana
tsy nihambahamba akory fa nivatravatra fiavy
k’avy hatrany tsy niangavy
fa nisinton... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/krismasinay-kamboty-1 | KRISMASINAY KAMBOTY | Fredy Jaofera | KRISMASINAY KAMBOTY
Krismasinay kamboty,
Krismasy tsisy bikany,
Krismasy diso angoty,
Krismasy tsisy dikany.
Krismasinay kamboty,
Krismasy tsisy tsirony,
Krismasy feno ongoty,
Krismasy lany jirony.
Krismasinay kamboty,
Krismasy mampisaona,
Krismasy tsy voaoty,
Krismasy kely foana.
Krismasinay kamboty,
Kri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/tsy-resy-akory | TSY RESY AKORY | endrika01 | Tia anao izy k'aza ampijaliana,
Tia anao izy k'aza ampitoamanina,
Ny fitiavana tsy natao ho fahoriana,
Fa jereo ny hiafarana any aoriana,
Bitsika mangina miaro fifaliana,
Fa tsy ho teny mafy miampy fijaliana,
Fahatsoram-po toy ny an'ny zazakely,
Fa tsy hivatravatra hamono velively,
Tambitamby tsikitsiky,han... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/iza-no-handresy-ny-saiko-sa-ny-foko | Iza no handresy ny saiko sa ny foko? | Rajordri | Misy ady tsy mazava
izay natsangan'ilay saiko
fa nolavin'ilay foko.
Toa faniriana te hangina,
amin'ny androm-pifaliana
no sady antson-dranomaso
noho ny sompatry ny ankaso.
Ny handresy irony sento
ka ho olona mijoro
saingy indrisy aho mihararetra
toy ny rindrina hikoro.
inona hoy ianao?
Ireny sedra nohadinoi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/endrika01/fitia-te-hanan-droa | FITIA TE HANAN-DROA | endrika01 | Toy ny voninkazo tsara bika
'zato endrikao sariaka
'zay nanitona ahy avy hatrany
ka indro aho tonga mba hanotany!
Zato fihetsikao milanto,firesakao malemy
toy ny an'zazakely vao mianatra miteny
ka moa tsy ontsaontsa ireo fo mandre izany
kanefa ity fisainana mirefarefa aminy tany
Iza moa izato anaranao And... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiahy/aloka-4 | aloka | tsiahy | tsy maintsy eny ihany izy;
aloka idifiana,feo tsy te horenesina;
voaloham-pitiavana,fitia mamy loatra;
tia anao ny foko ka tsy afaka manoatra;
mbola tavela ato amiko:diary arafesina.
tsy maintsy eny ihany izy;
matsatso mamy tsiro;tiana hatrizay efa niova loko;
eny kanto ka kanto ny fitiavanao ahy
fa sarotra koa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/fantatrao-fa-nisy-1 | Fantatrao fa nisy | Vanjanofy | Fantatrao fa nisy saina iray nanjoy
nanaraka ny dianao hatraiza hatraiza
nanemitra ny làlana sy tsy mba nahafoy
Ny famindranao nanonja sy endrikao tinaiza
Fantatrao koa, fa nisy jery lalina
nikiry ny ho topazan’ny masonao baliaka
ho sary fankamamy rehefa tonga ny alina
ka hampanjary ho nofy ny ali-mangatsiaka
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/safidinao-io | Safidinao io | Tsilaitra | Maniry fiovana
ny mponin'ny tanàna
maniry ny fialàn'ny Be
Ny Tanàna manontolo
Fa te hiova volo
Kanefa i Be dia Be ...
Be atidoha tsy manaiky moramora
Tsy leon'ny akora sy ny antsoantson'olona
Ka vonona itolona
Hitandro hatramin'ny farany ny satro-boninahiny
Tsy ho raraka amin'ny tany
Ho ita eo ihany
Iza no ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/delestazy | delestazy | Tsilaitra | Rehefa maty jiro
Na injao minaianaina
reo vahoakan'Iarivo
Velona Taraina
valaka sy reraky ny asa an-davanandro
kanefa vao ahandro
ny ketriky ny anio
anaty azim-pito
tsy misy zay mangirana
vahoaka izay sahirana
fa tsy mba maty jiro
ny mapanao zara vilana
eny Ambohimitsimbina
Faly sy mitavana
Hazavana, tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/verokely/miverena-1 | miverena | verokely | Alaivo sary an'aritreritra
Ny dindon'ny lasa tsy hay hadinoina
Aza avela ho faty raha mbola mirehitra
Raha mbola tiana aza soloina
Aza sodoky ny voro-mandalo
Sao hilaozany avy ka hangaina
Ny tia hatry ny ela aza hatakalo
Raha manaja ny tena aza latsaina
Babo ny foko ka varimbariana
Tsy nahalala intsony ny toky... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vony-harinoro/mifona-2 | Mifona | Vony Harinoro | Saika vaky ny foko
Tamin'ny vao tia anao
Tsy nilaiko ny hambompoko
Satria roboka aho
Nanadino ny nanaja tena
Satria efa nanantena
Fa ho mandrakizay
Izay fitiavako izay
Lavon'ny rendrarendra
Ka nivadika tamin'ny teny nomena
Niezaka aho nanova fo
Satria tsy mendrika tokoa
Ny teny fanevany fitia
Antsika roa i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/zava-poana | ZAVA-POANA | RIJADOLLY | ZAVA- POANA
Eny ,izany reharehako tena fatratra
Fa nihezaka ny hanao izay tena mendrika
Mety ho mafy orina fa tsy tonga lafatra
Fa fahamarinana mora miova endrika
Eny, zava-poana ireo fahandreko
Tsy inoNao akory ny zavatra tendreko
Ny fatran’fanandratana izay atolotro
Tsy inoNao akory fa hatreo am-poto-molotro
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/hadisoako-ve | Hadisoako ve ? | Djaw | Hadisoako ve ny nahita anao ?
Nihaona taminao, nifanena taminao ;
Niresaka taminao, nifandray taminao ;
Tsy haiko, ny valiny angamba anao.
Hadisoako ve ninamana anao ?
Niara-nilalao taminao ;
Tsy niala anao, tsy nahasaraka anao ;
Tsy fantako, ny valiny angamba anao.
Hadisoako ve ny nitia anao ?
Nieritreritra n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/na-masay-na-tsibolo-notetezina-daholo | NA MASAY NA TSIBOLO NOTETEZINA DAHOLO | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | NA MASAY NA TSIBOLO
NOTETEZINA DAHOLO
Tsy laviko aloha
Fa taminao taloha
Dia tena hendry kely
Sy maha-te ho tia
Nambabo ny fanahy
Nametraka tsiahy
Tsy hay hadinoina
Fa tsaroana foana
Tadidiko ihany koa
Fa fony isika roa
Nifanao fotoana
Ianao taraiky foana
Mbola mitady fika
Mba ahafahantsika
Mampiaraka f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/ilay-hany-tokana-iriany | Ilay hany tokana iriany | Rajordri | Tsy ho resy, tsy hangaina
ireo miandry ny andrandraina
satria mahery ny finoany
sy ny vavaka ao am-pony
Tsy ny sainy no maranitra
fa tantanan'Andriamanitra
ilay hany tokana iriany
sy mpitantana ny diany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratovo/avelao-aho-ho-mamo | AVELAO AHO HO MAMO | Ratovo | Avelao aho ho mamo
raha izay vao mahavaoka
rindran-teny feno angola sy fitiavana miavosa
angamba mety ho tafahoatra, avelao saingy kosa
aza raisina ho angano
aza atao hoe resa-toaka
avelao aho hiteny
na miraiki-dela aza
fa ranovaky ny ati-foko ka tsy tànanao intsony
moa niampy rano kely, mainka koa tsy mety to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/dia | . . . DIA . . . | SCOTLANDYARD | ... Dia . . .
Dia nantsoiko ianao ora iray mahery
Dia nasaiko namaky ary koa nijery
Ireo angonangon-teniko, ireo rangondragon-tanako
Ireo vetso tononkalo sy soratra mba namako
Dia teo isika roa, niresaka tsy nihafa
Nampiady karajia sy nitafatafa
Dia avy eo ianao namaky, tamim-peo milanto
Ireo kanto mba voararik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/diso-ve-aho-sa-ianao-no | Diso ve aho sa ianao no ... ? | Djaw | Diso ve aho ?
Sa ianao no nandrava zaho sy ianao ?
Ilay hoe mandrakizay ho doria ;
Nefa tsy hita amin'izao, aty sa ary ?
Diso ve aho ?
Sa ianao no namitaka ahy ?
Nanimba, nanapotika ilay revy ;
Ahitsio aho, tantano kely.
Diso ve ianao ?
Sa nitsambki-mikipy aho ?
Nihaino ny resaka mandalo ;
Sao izy ireny dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/verokely/ditra-1 | DITRA | verokely | Tovovavy bikana sy maha-te ho tia
Manana endrika kanto dia kanto
Nefa ankehitriny aza manatra satria
horahiko eto hatramin'ny harato
Fa vao roapolo taona ity ramatoa
Dia indro fa efa nibaby ny kitra
Tsy mba iray fa anankiroa
Izay tsy azo afenina fa valin'ny ditra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yfkmk/tia-9 | tia | yfkmk | Nindramiko ny elo hamitrivitrika ahy
Nindramiko ny penina hanoratra ho ahy
Nindramiko ny feo, hibitsika...tsy sahy
Kanefa ilay foko, nidoboka tsy nahy
Nindramiko ny maso hitopy sy hanambara
Nindramiko ny vava hilaza hitantara
Nindramiko ny saina handinika ny tsara
Hindramiko ianao, nindramiko hitsara.
TIA |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiavina/tsy-maintsy-1 | Tsy maintsy | Tiavina | TSY MAINTSY
Na be mpanakiana, na maro mpanebaka
fa be sentosento sy be faniriana,
hanoratra ihany aho.
Na atao fihomehezana, zary fandatsa
fa be ranomaso, malemy tehezana,
hanoratra hatrany aho.
Hanoratra foana, na ho lany fotoana.
satria mbola maro ny tokony hambara
anatra ho an'ireo dimby sy fara
Hanoratra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/tia-am-boninahitra | Tia am-boninahitra | Djaw | Nahoana ianao nilaza tiako ianao ?
Nefa tsisy ninoninona natao !
Menatra ve sa matahotra ?
Inona ny zavatra mamatotra ?
Safidiko, nofinidiko !
Izany no mba tiako.
Ny hanajanao ny faniriako,
No hany zavatra mba iangaviko !
Aleonao ve ny malahelo !
Misy zavatra tsy ampy, tsy feno !
Sarotra ve ny mitia ?
Sa ian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiavina/bodo-dia-nitia | BODO DIA NITIA | Tiavina | Indrisy ...
Fa tsy fidiny ny bodo
ny ho bado
Dia matin-dokam-boka,
tsy nisaina hibikabika
ny dikan-tenim-boky
Fa kobaka finafin'ny vavanao,
tsentsafiny.
Ka roboka, nitsoboka
Any dia namantana...
Namakivaky ny atin'ny
koba tsara tsoka.
Sa ... vinakivakin'ny atin'ny
tsoka tsaran-koba
... Dia babonao fitiav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiavina/savoana | SAVOANA | Tiavina | SAVOANA
Taona moana
Gaona noana
Laona foana
Saona ...
Dia toa izany foana
No niainan'ny gaona
Nandritra ny taona
Fa fotsy ny laona
Raha kibo no noana
Dia toa tonga noana
Ny fiaina-misaona
Ny iafarany: MIVAONA |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/voninkazo-maimbo | voninkazo maimbo | Rajordri | Nisy hazo izay
tsy namelana,tsy namony
fa maniry manadala
hitangoronan'ny valala.
Ianao no antsaiko r'Ikala adala
mpivarotra fitia, mpamitaka malala
hazo be mandravina fialofan-dry zalahy.
Nisy voninkazo maimbo
sy taratasy bobongolo
nentiko ho anao, atao fanomezana
sitrany ahay, mba misy hihomehezana
Ry haz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/sao-diso-tafahoatra | SAO DISO TAFAHOATRA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | SAO DISO TAFAHOATRA
Raha lainga tsara lahatra
Sy fampandriana adrisa
No entinao mambabo
Ny foko mba ho tia
Dia tena sanatria
Raha ho azonao
Ny lapan’ny fitiavako
Raha teny miharo-fitaka
Sy feno fiheboana
No entinao manokatra
Ny varavaram-poko
Mba hidiranao
Dia aoka ihany aloha
Hatory ilay nifoha
Tsy lain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiahy/ny-fahanginanao | ny fahanginanao | tsiahy | ny fahanginanao no zary tabatabako,
fa ny masonao mijery, dia mifono misitery
tiako hofantarina,
ny fahanginanao,no zary tabataban'ny fanahiko,
fa miafina ao ,ny fangaron'ahiahiko
moa tia izy,hatraiza ny aminay
inona no miafina tsy nolazainy tamiko,
vetson'ny fo tia tsy manana afa-tsy iray,
ka miady i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-rahamefiarisoa/inona-marina-kay-ny-hoe-ftiavana | inona marina kay ny hoe f'tiavana | antsa RAHAMEFIARISOA | soa fa f'tia vao mitsiry
enny na d mbola haniry
fa ny tena tsara d ianao manambara
fa ilaina ny f'tiavana tsara fara
marina fa mety tsy hamoa
nefa ilaina hifoha
halalana izany hoe lavina
sy koa ny tena f'tiavana
ny tena tsara ho fantatra d izao
ny famborahana ny ao anaty ao
ka na mankarary io na mahasalama
n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tiavina/andran-tsiro | ANDRAN-TSIRO | Tiavina | Tendron-tratran-dreny
no nisantara-nanandramana
ny tena tsiron-kanina.
Fa teny rehetra teny,
teny am-pikatsaha-namana,
nirotsaka ny hanina.
Dia tendron-tratran'olona
tsy fantatra iny akory
no nanaitra izany fo.
O! nanomboka ny tolona.
Ninofy hatrany an-tory
ilay teboka ankiroa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-menja/any-ianaoilay-foko | ANY IANAOILAY FOKO | HARY MENJA | ANY IANAOILAY FOKO
Hanoratra aho
Hanoratra ho an'iza
Asa!ho an'ny foko angamba
Eny ho azy indrindra
Izy izay miasa foana tsy mba mila baiko
satria mamelona ny aiko
Any ianaoilay foko
Tsara fono aoanatiko
mandrapahafatiko
Eny tiako izay hotiaviko
lalaiko izay lalaiko
satriamidoboka ianao hampisy indray ny ai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-menja/ambiroa | AMBIROA | HARY MENJA | AMBIROA
Nanonofy anao aho
Nefa raha ny taona nihaonana efa dimy hanakatra ny folo
Ireo vita ,tadidy ihany saingy tsy izy manontolo
Izay antony ysy fantatro ,tsy haiko tanisaina
Fa dia nanonofy aho, indray alina efa hadiva ho maraina
Nanonofy anao aho
Nofy tena izy saingy ny tantara no tsy marina Ny tokotanin'end... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tiako-ianao-kanefa | TIAKO IANAO KANEFA... | Fredy Jaofera | TIAKO IANAO KANEFA...
Tiako ianao kanefa
tsy hiaraka aho rehefa
ny saiko no miteby :
oriory sy voareby.
Tiako ianao kanefa
maro ireo miantefa
mamely ahy re moa
tsy hitodika tokoa.
Tiako ianao kanefa
tsy hampirefarefa
ny dobo-po mangina
izany, na rahoviana ?
Tiako ianao kanefa
aleoko aloha milefa,
aleoko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/vavaka-11 | Vavaka | Mandefitra | Tompo o,vokiso hani-mahasoa ty fanahiko efa trotraka
mitady zay mba hitsaharany
Ny eo anilanao dia soa, im-piry moa no efa potraka
Raha nivily zato lalany ?
Soa Ianao mpamindrafo, Soa Ianao fa mpampahery
Tsy nijery ny hadalako
Ka dia mionona ny fo, eny sitrana ny fery
Voadio hatramin’ny fahotako
Ny ampitso zay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsos-tafa/noelinay-fahiny | Noelinay fahiny | Antso's tafa | Noelinay fahiny
Ny noelinay?...
Lanonana sy fifaliana,
Fa herinandro mialoha,
Eny herinandro ao ariana,
Dia voky hatatra hatrany
Tsy miala eo raha tsy lany
'lay cotelette iray vilany!
Izany eo ihany fa....
Ny belote sy rami
Afandimby isanandro
Labiera,toaka,whisky
Tsy avela hitanin'andro!
Fa lahasa mila ef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-menja/serasera-2 | SERASERA | HARY MENJA | SERASERA
Anarana an-drivony misoratra ato
mitady fifandraisana daholo
namana,olon-tiana,isan'andro isam-bolana tsy miato
Dia mahaliana e! tiako manontolo
"serasera"teny malagasy madiodio
mahalaza izay hetsiky ny olombelona
Misaotra e!tena mety amintsika ny ohatra an'io
raha te hitady torohevitra,hamahana olana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/hoy-ianao-1 | HOY IANAO | SCOTLANDYARD | Hoy ianao . . .
Aleo hilamina amin'izay ny amintsika
fa leo ianao, mamitaka,mifika
leo ianao mahita azy mipitra
f'izy "hono" hendry fa ianao maditra
Hoy ianao . . .
Aleo isika tsy miaraka intsony,
aleo ny fo tsy hisamboara fa hitony
fa leo ianao ilay mandaingalainga
rehefa injay hivoaka sy hiainga
Hoy ianao .... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/dia-ahoana | DIA AHOANA | SCOTLANDYARD | Dia ahoana . . .
Dia nitantara ianao, nilaza, nitantara
hoe ilay isika roa efa tena nety tsara
f'ilay fitia no nahazo faka lalina
ka tsy ahitanao tory intsony ny alina
Dia ahoana . . .
Dia aleo isika samy handinika izany
hisaintsaina ny any anatiny avy any
dia afaka andro vitsy indray mitafa
f'aleo hiresaka, h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiambaratelo/fahatsiarovana-4 | FAHATSIAROVANA | TSIAMBARATELO | Andro iray sarobidy
'lay fotoana nihaonantsika
ka tiko tsara ho tadidy
mba tsy ho mora hangatsiaka
Tia anao ny foko
efa diso fantatrao
nefa indrisy fa toloko
no manjaka ao izao
Ny momba anao manontolo
'ireo toerana falehantsika
dia voakajiko daholo
toy ny sary indray mipika
Angamba ianao no nanadino
f'izah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-menja/fara-fitiavana | FARA-FITIAVANA | HARY MENJA | FARA-FITIAVANA
Matoa aho nijaly sy maty
dia izay no fara -fitiavako
Hoy ilay fiverenan-kira rehefa manakaiky ny andro Paka
nefa tao an-tsiko tao toanihahotra niambakavaka
fa tsy fara-fitiavana fa tena faratampon'ny fitiavana
satria izay tia ka mahafoy ny ainy tsy iainany intsony
dia izay no tena tia ary vokatry ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/fa-tsiaro-ireny | Fa tsiaro ireny | Rajordri | Fa nahoana tamin'ireny,
no nandavanao ry tsiky,
ka nampanjombona ny hafa
sy namono ny hafaliany?
Eny, masoandro efa hidify
lany taratra mandrorona
izay hany sisa nivelomany
tamin'ny androm-pitolomany
no hiandrasany ny ho avy
hiandrandrainy rangolahy.
Tsy tononkalo miramirana
erikeriky ny ravo
no hosoratany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elyse-rarison/tsy-hita-itsony | TSY HITA ITSONY | Elysé-RARISON | E! Mangina ny tontolo,
Tsy hita intsony ianao
Toy ny trano bobongolo,
Haolo lava maimbo lao.
Indro maizina ny andro
Fa tsy eto intsony ianao ;
Efa dify ilay masoandro
Ka ho aiza indray izao ?
Zary oram-be mikija,
Kotro-baratra mafonja,
Injao ny hevitra mirija,
Ranomasina manonja.
Ny tandindonao no sisa
Not... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/dia-hoy-aho | DIA HOY AHO | SCOTLANDYARD | Dia hoy aho . . .
Aza maika aloha ianao f'aleo hilamina
eny na dia hoe fitia nindramina
aza tonga dia manapatapak'hevitra
f'aleo isika mifandinika, mihevitra
Dia hoy aho . . .
Lazao izay rehetra tsy nety hitanao
mba hisainana sy hanovana izay fanao
s'izay lesoka rehetra tamin'ny fiarahana
ka nahatonga anao hil... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elyse-rarison/eny-sa-tsia-1 | ENY SA TSIA | Elysé-RARISON | ENY SA TSIA
Anjaranao sisa misafidy,
Ry zavavy!
Izaho anefa tsy handidy
Fa miangavy.
Ny ato am- po dia voalaza
Tia anao,
Fa na hisedrako loza aza,
Tsy handao
Ianao no efa tiako hatrizay
Ho lova ;
Ny ahy rehefa izay dia izay :
Tsy hiova.
Sarobidy toy ny volamena
Ny fitiavana,
Ka fidio tsara ny fanekena
S... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/eny-2 | Eny | Djaw | Eny, ry fahafatesako,
Tiako, tsy tiako nefa tsy maintsy hiatrehako.
Nefa ahoana moa ilazako fa niaina ahy ?
Raha ianao no tsy nak'ahy.
Eny, ry fahafatesany,
Izay nanala azy teto an-tany,
Tsy nampilaza, tsy nampiely,
Fa tonga dia namely.
Eny, ry fahafatesany, ry fahafatesako,
Anjarany, anjarako ; ny hoaviny, ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nimatimatesako | NIMATIMATESAKO | Fredy Jaofera | NIMATIMATESAKO
Nimatimatesako
ny hifankatiavana,
na nandrenesako
latsa, rahavana !
Nimatimatesako
ny hifankahazoana,
ka nankanesako
tany hiravoravoana.
Nimatimaresako
ny hoe hifanohanana
sy resadresako
hahatsara fihavanana.
Nimatimatesako
ny hizara hafaliana,
sady natresako
ny Lasa tsy irina ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hary-menja/raha-ianao-2 | RAHA IANAO... | HARY MENJA | RAHA IANAO...
Raha tohina ny aty marary koa ny afero
Raha ianao no mitaraina
izaho koa mba miady saina
raha ianao no miramirana
izaho no lavita havinirana
Raha tohina ny aty marary koa ny afero
Raha inao no very jery
izaho mahatsiaro manirery
Raha ianao no dibo-kafaliana
izaho no te handihy revo ka sondriana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/mionona-akia-malala | MIONONA AKIA MALALA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | MIONONA AKIA MALALA
Mionona akia malala
Fa izay no efa anjara
Eny na ho lasa adala
Ity foko feno ratra
Mionona ho aho ianao
Fa izay no efa lahatra
Atrakao ny loha, ‘tanjaho
Fa ny antsika efa fantatra
Fa handalo dia miserana!
Mionona sombinaiko
Fafao ny ranomasonao
Ary tsapako sy haiko
Fa tsisy hahasolo ana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/veloma-amoron-drano | veloma amoron-drano | Rajordri | Tazako mamiratra ao anaty haizin-drano,
Volana sy kintana miombon-tokantrano.
indro koa mianona anaty hafenoana felam-boninkazo iray,
reno-tory lasanofy.
Dia tsaroako tamin'izay tamin'ny taramasoandro
ny hatsarany sy ny masoko nifanojo ananjoanjo
nifamihin-teny ho eny, tany anaty sento tany.
Amin'izao efa alina,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanatantara/tsy-lavitra-aho-akaikinao-ihany | TSY LAVITRA AHO, AKAIKINAO IHANY | RAMANATANTARA | HAFATR'I NENY
TSY LAVITRA AHO,
AKAIKINAO IHANY !
Ity nofoko ity ho lo, ho levona,
Matokia ary aza matahotra:
Izaho hamonjy ilay niaviako
Efa namboarin’ny Mpamonjiko
Any aho miandry anareo
Zanaka, havana, namana.
Tsarovy fa tsy very aho
Na levona aza ny nofoko
Tsarovy fa tsy gina aho
Na maina aza ny nofoko
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanatantara/raha-azoko-natao | RAHA AZOKO NATAO... | RAMANATANTARA | RAHA AZOKO NATAO...
Raha azoko natao tsy niaina
Iny andro nalasanao iny
Andro hosoko natao tsy nisy
Ora nihato ka nihemotra
Dia ho nataoko kanefa, indrisy !
Satria mandroso ny fiainana :
Misy andro natao hiainana,
Misy andro natao halasanana,
Misy ora tsy maintsy hizorana.
Misy fotoana tsy azo difina.
Satria... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/mox | mox | Sitlo | Tsy sipa, tsy vady, tsy vola
kanefa izaho nidoladola.
Ravina maitso marevaka,
izy io dia mampitofezaka.
Ny fofony kanto dia kanto,
ny setrony mahamena maso,
Lafolafo izay ilay izy,
Tandritandremo ny ankizy.
Izay tratrany lasa manidina,
manan'elatra toy ny angidina.
Inona ary izany ra-penina?
Ilay zavatra mah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanatantara/avelao-aho-ho-zaza | AVELAO AHO HO ZAZA | RAMANATANTARA | AVELAO AHO HO ZAZA
FOTOANA VITSY MONJA…
Hitomany hanala ny foko
Fa sara-dreny.
Mba hisara-nono tanteraka.
Avelao aho ho zaza !
Mba hidradradradra !
Avelao aho hikiaka
Ilay teny mamy
"Mama, mamako !".
Avelao aho ho zaza !
Mba hanimpy hiala
Ny ratra sy sento,
Ny ranomaso maina.
Avelao aho ho zaza !
Zaza va... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/malahelo-anao-1 | MALAHELO ANAO | SCOTLANDYARD | MALAHELO ANAO
Malahelo anao ny foko,
ka midoboka mitsamboamboatra
ilay tosi-dra io misendoatra
Malahelo anao ny aiko,
ka mihovitra aho mihararetra
mitsangam-bolo ny rehetra
Malahelo anao ny lohako,
ka mitady harary be
fa aiza ianao no elabe !!
Malahelo anao ny masoko,
fa te hahita anao mitanjaka,
indrindra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/verokely/ny-fianarana-1 | ny fianarana | verokely | Ny fianarana Razandriko izany
Tsy hoe kilalao mahavariana
Fa mila herim-po tsy roa aman-tany
Indraindray aza hitomaniana
Kanefa indraindray mba mahafinaritra
Indrindra ianao fa rera-dahasa
Raha sendra vakansy maharitraritra
Dia satry hianatra fa tena tsy lasa
Handresy ianao fa aza kivy
Aza kamo, milofosa, hefa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/verokely/tsy-neniko | TSY NENIKO | verokely | Hangina aho ka tsy hiteny intsony
Kanefa ho'aho misaotra anao ry Vony
Noho ny fihetsika izay nasehonao ahy
Fa manohina ny fo nampisento ny fanahy
Tsy haiko ny hangina tsy hisaotra noho izany
Satria ianao tiana dia nitsotra avy hatrany
Manana ny fo madio sy fitia tena marina
Hany katsahiko eto an-tany ka tsy haik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanatantara/fiainana-6 | FIAINANA | RAMANATANTARA | FIAINANA
Fiainana hoe ?
Fiainako, fiainanao …
Sarobidy, fahasoavana
Azoko, azonao
Tsy antery fa nomena !
Fiainana hoe ?
Fiainako, fiainanao…
Ao ny mifaly
Mahay mankasitraka
Miravo, mampiasa
‘Zay talenta anjarany !
Fiainana hoe ?
Fiainako, fiainanao…
Ao ny mimalo
Mivezivezy fanahy
Mijaly, tsy faly
Misav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/kely-ihany-ve | kely ihany ve... | Rajordri | Kely ihany ve ny tao amponao tao,
sa ny ahy no maro loatra?
Ry renirano izay nandao
Ry ranomasina nitroatra
Tsy haiko hazavaina,
tsy resiko ho fihinina,
ilay ranon'oran'ny fanahiko mampanjombona ny foko.
Manjohy moramora hokosehin'ny taona,
ilay lobaka tanora miandry ny andron-tsaona
Satria tsy hisy intsony ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/aza-anenenana | AZA ANENENANA | Ryana | AZA ANENENANA
Raha sendra tsy niniana ny resaka niserana
Fa tonga tam’izao;
Aza dia tsiniana ary aza anenenana
Raiso ho soa natao…
Raha toa tsy tandrintandrina ny tàna-nifandray,
Tsy nahim-po akory;
Aza miahiahy fa roa tsy mety ho iray
Ny manana sy ny ory…
Aza tsikeraina iny fotoana fohy iny
Izay mba niarahan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/zavonny-fanahiko | zavon'ny fanahiko | Rajordri | Iny toerana iny toa tsy tiako ho tsarovana,
toa halako hosainina, anefa iriko holalovana.
Raozy kely kanto kanefa saro-draisina
satriko hofihinina, faingy miahotra aho ny ho faisana.
O ry aiko, aiza e ny lalana ombana?
fa zavona matevina manamaloka tanana
no indro eo alohako.
Fa rako-javon-takariva iny toerana i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rajordri/ey | EY | Rajordri | Tiako ianao raFiakarana
hibanjinako ireo midina
rehefa iny aho ka miakatra
O raFiakarana
asehonao miharihary
ireo kararazan-tsarisary
na ny loko misendoatra
ataon'ireo mandroso loatra.
Fa azafady kely,
tsy saina lasalasa ho azy
na koa hoe vazivazy
fa raha toa ka azonao
dia mba ovay re ny fanao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanatantara/ramanatantara | RAMANATANTARA | RAMANATANTARA | Anarana hafa kely,
Anarana mitahiry,
Anarana tetiharana,
Andriambavilanitra:
Rasoatantara,
Ramanana...
Anaran'ireo renibeko
Nisesy hatrany,
Vehivavy nampianatra,
Nanao kolontsaina.
Anarana, anara-penina,
Anarana, tena anarako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/saika-mba-hizara | SAIKA MBA HIZARA | Miarantsoa Anicet | Saika mba hizara
Ny hakanton'ny natiora
Anivon-jaridaina
Takaikinao aho ry aina.
Tsy nety anefa ianao,
Lasana nandao.
Ny volana baliaka,
Ny hariva mangatsiaka;
Ny alina efa ho avy ,
Mivoaka mpamosavy,
Mivoaka olon-dratsy ,
Mivoaka lolom-paty.
Saika mba hizara
Tara-bolana mazava
Sy kintana mamiratra
Ho an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/mananamby | MANANAMBY | Sunny | Fo efa zatra
Ny jaly sy ratra
Fa vonona hiady...
Mizaka izay mianjady.
Fo tsy mitamby
Fa fo mananamby,
Manana anjara
Anatina tantara.
Ka asakasakao
Raha toa ka handao
Fa ny eto fantatrao
Fo efa tia
Ts'hivadika hodoria! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanatantara/ranomaso-ho-ani-mama | RANOMASO HO AN’I MAMA … | RAMANATANTARA | RANOMASO HO AN’I MAMA …
"Matory tsy mifoha intsony"
"Lasana tsy miverina intsony"
Olombelona iza no tsy harary ?
Olombelona iza no tsy hitany ?
Ny tena nofo sy rà
No ‘njay migadona :
Maizina ny tontolo !
Ratra, ngidy, sedra,
Asa, misy mafy noho izany ?
Ranomaso tsy nisy :
Taolana maina avokoa !
Asa ny varat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/-19 | ??? | oceane | mbola misy ve ireo navelanao?
mbola tia ve izao foko izao?
no toa manembona aho rehefa ilay irery
no toa mbola mitamberina ireny vita ireny
ianao angaha tsy lasa
sa mbola toa mikasa
no toa hitako ihany
anaty nofiko any
ianao ve tsy nandao
sa kosa mbola ao
no mampahatsiahy
fa hoe toa mbola "ahy"
ahoana ny he... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/fanahy-mitady-anao | FANAHY MITADY ANAO | Sunny | Va raha misy fo
Maniry ny ho iray
Hanakambana ny roa
Va ho meloka izy izay?
Raha misy va fanahy
Nifanena teny ho eny
Ka tafakambana tsy nahy
Va dia meloka izy ireny?
Raha tsy meloka izy izay
Ka tena mihaiky koa ianao
Dia aoka isika mba ho iray
Amin'izao tontolo izao!
Raha tsy meloka izy 'reny
Tena marina a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanatantara/ekeko-satria | EKEKO SATRIA… | RAMANATANTARA | EKEKO SATRIA…
Ekeko satria
Ianao nahary,
Ianao nanome,
Ianao niaro,
Ianao no naka…
Niamboho anikeo,
Nody any aminao
I Neny…
Miverina aminao:
Ny asanay, ny momba anay,
Rehetra, rehetra !
Tsy misy anay :
Ny ainay, ny herinay,
Ny vatanay, ny zanakay,
Ny havanay, ny taninay…
Ny ray aman-dreninay,
Anao avok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanatantara/mamela-ahy-vetivety | MAMELA AHY VETIVETY, | RAMANATANTARA | MAMELA AHY VETIVETY,
Avelao aho ho zaza…
"Lasana tsy hiverina intsony."
Mbola tsy eken’ny eritreritro
Ny tsy hahita anao intsony !
Jereko, hifoha ve ianao ?
-Tsia, efa lasa toeran-kafa !
Banjiniko ny tavanao :
Tsiky mbola imolotrao,
Hodi-tavanao malama,
Ianao niova lasa anjely
Hitsena ny mpahariny...
Nisy n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/tadidio-ry-mpanakanto | TADIDIO RY MPANAKANTO | RIJADOLLY | TADIDIO RY MPANAKANTO
Tadidio ry mpanankato
Fa ianao no hitarika
Ka aza mba miato
Hanoro ny voasarika
Tadidio ry mpanakanto
Fa ianao no fitaratra
Ka aza mba miato
Mihiry ny vazo feno anatra
Tadidio ry mpanakanto
Fa ianao no hitory
Ka aza mba miato
Ho anay sondrian-tory
Tadidio ry mpanakanto
Fa tsy anao ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joro/neny-9 | Neny | JORO | 'Lay nanolokolo sy nitaiza
Tsy namela ahy irery n'aiza n'aiza
Raha ny aminao ry Neny
Tsy afaka ao am-bava raha hiteny
Neny!'lay nisotro rano tsy tiana
Niankin-drindrina irery
Na fahoriana na koa fifaliana
Niharitra ny jaly sahy niari-pery
Neny!nampianatra ahy niteny
Fony 'zaho vao nahay nibada
Nampianatra ahy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/diniho-ny-fiainany | Diniho ny fiainany | Pissoa | Diniho ny fiainany
Misy fofom-boninkazo henonao nanentoento
Saingy sompatra ny rivotra fa tsy mamela hankafy.
Misy felana nirenty namoizanao ny sento
Saingy fohy ny fotoana namiratany tety.
Misy tsiky iray tinady raha vao mangiran-dratsy
Saingy zary nofy ihany hatramin'ny misasak'alina
Misy amboaram-pahendrana m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mimijolie/tahotra | TAHOTRA | Mimijolie | Matahotra aho ry aiko
Sao voaratrako ianao
Tsy takatry ny saiko
Ny tena heritraritrao
Matahotra aho ry aiko
Sao lay foko kely janga
No hamitaka anao indray
...hanjera ny manda
Ka hianjahanja
Matahotra aho ry aiko
sao lay tsikinao iny
ho dify ratrizay
Inay hivadika ho tsiny
Ka matahotra aho ry aiko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrakens/lavidavitra-any-ho-any | Lavidavitra any ho any! | Fetrakens | Lavidavitra any ho any
Misy toerana tsy fantatra
Misy tery sy ankamantatra
Aiza ho aiza eto an-tany!?
Lavidavitra aiza ho aiza?
Ho tadiavina hatraiza
Tsy haiko anarana sy taona
'Lay toerana manao ahoana!
Fa dia lavidavitra any ho any
(Extrait) |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mimijolie/zato-enao | 'Zato Enao | Mimijolie | 'Zato Enao
Tô mihevitra tsy ho resy
Tô manantena hatrany ho mpandresy
...Mbola ho avy ny mangidy
'Zato Enao
Tô manindry, mihetraketraka
Tô mandavo mahandreraka
...Mbola ho avy ny mangidy
'Zato Enao
'Ty enao angé é!
Toy y ravi-maintso amin-kazo
Topazako avandra ka alazo
Ho tonga aminao ny mangidy
Koa avelak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/sarimihetsika | SARIMIHETSIKA | SCOTLANDYARD | SARIMIHETSIKA
Izao sarintsarin-tsaraka lalaovintsika izao
izao sarisarin'ady niniana hoe hatao
ireo todika lamosina, sy fodian-tsy hita
ireo fodiana fanina tamin'ny zava-bita
ilay tsara vela-tsihy, fo mody mangatsiaka
ilay tsikin'hidy vazana, mody misariaka
izato sarimihetsika, hoe tsy mifankahalala
rehefa ety ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiambaratelo/tonga-eto-anio | TONGA ETO ANIO | TSIAMBARATELO | TONGA ETO ANIO
Eny!
Raha ory
'zany fo,
ka torovana
ny saina...
Jereo ny
eo anoloana
F'ireo
lasa babangona
Aza itodihana
Akory,
Raha tsy hoe:
Angah,
Zakanao 'lay sedra"
(hey,averiko adika eto ny tononkaloko fa tsy haiko we nankaiza????) |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.