url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tsy-haiko-intsony-raha-ianao
TSY HAIKO INTSONY RAHA IANAO
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
TSY HAIKO INTSONY RAHA IANAO Tsy haiko intsony raha ianao No nahavita nanadino Nahavita ny tsy sainina Ary tena tsy mampino
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrakens/lavidavitra-any-ho-any-1
Lavidavitra any ho any!
Fetrakens
Lavidavitra any ho any Misy toerana tsy fantatra Misy tery sy ankamantatra Aiza ho aiza eto an-tany!? Lavidavitra aiza ho aiza? Ho tadiavina hatraiza Tsy haiko anarana sy taona 'Lay toerana manao ahoana! Fa dia lavidavitra any ho any (Extrait)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/aloka-3
Aloka
Pissoa
Hatraiza ny lapan'ny fahatsiarovana Ary aiza ny akanin'ny fanadinoana No tonga manenika, mahatorovana Ny akon'ny lasa niravoravoana ? Moa tsy ampy ny vaikan'ny rivotra anio Handrava ny embona mbola miritsoka ? Sa nahery loatra ka zary tadio, Nampisafoto ny hani-nanditsoka ? Ny saina va re no minia mitanisa Ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tsy-fanaperana
TSY FANAPERANA
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
TSY FANAPERANA Fa ngah raha fanamperana ny hatsaranao Dia entinao hitety izao tontolo izao Fa ngah izy io tantely ka tsy ho lany mamy Sa atao fotsiny amin’izay alehany any? Fa ngah raha be ny harena ilomanosanao Dia izao rehetra izao ataonao kilalao Fa sao heverinao fa ny androany ihany No andro tena tsara sy t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/tiako-ianao-15
TIAKO IANAO
SCOTLANDYARD
TIAKO IANAO Ato anaty hotakotaka sy tebitebin-tsaina ato anaty hirifiry, ato anaty feritr'aina no hanoratako anao Ato anaty havizanana, ato anaty sorisory ato anaty hakiviana,sy tsy fahampian-tory no hanoratako anao Ato anaty jalijaly, ato anaty roti-po ato anaty faharesena, ato anaty vaky loha no hanoratako a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/ho-avy-hono-ianao
HO AVY HONO IANAO
SCOTLANDYARD
HO AVY HONO IANAO Ho avy hono ianao tsy hoe hitsidika ahy, na hoe mba nahatsiahy fa hiala voly kely, fa toa tsy namely, ilay mariazy izay natao, herintaona izao Ho avy hono ianao, fa te hiova lasy, leo ilay saina gasy, feno fifosana, ka tsy mahatamana ireo fiteny sy filaza , hoe aiza re ilay zaza Ho avy hono i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mimijolie/-18
...
Mimijolie
Raha mbola eto an-tany Hisy fahoriana hatrany Ka ny fo hatanjao Ny saina hatrakao Raha ny alaelo no visaina Iombohonantsika 'zany ry aina Ka Iaraha-mizaka Ndeha hiara-hitraka Fandalovana ny eto an-tany Anjara sy lahatra izany Sao adinonao anefa Ireo mamy niarahana tsy lefa Aza ketraka Fa ho avy ny maraina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/mando
MANDO
Sunny
Mamo ny aty, Mamom-pitiavana andro aman'alina, Daozim-pitia, Lanaka mafy,malemy lalina! Malemy ny aina, Malemin'ny tolona natao teto, Ka indro malaina; Torotorovana,mamoaka sento Mando ny any, Mandom-pitiavana,tafiditra lalina Indro tomany; Nanaiki-molotra...mandon'ny alina! Indreto isika mitolom-pandrina,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/hanina-anareo-1
hanina anareo
njaf
ny hanina anareo no nahatonga indray ny peniko hikorisa sy hamisavisa ny hanina anareo no nampifoha indray reo vetsoko hiampita sy ny ainga tsy hita isa ny hanina anareo no nampametsovetso sy nampisentosento ka nahatonga indray ity peniko hikorisa ity vetsoko hiampita mba ho ainga ho anareo fa ny hanina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasolofonirina/ny-ho-aviko-ny-rampitsoko
Ny ho aviko ny rampitsoko
rainianja
Nankaiza ireo mamy Lasa aiza ny hafaliana No sento sy tomany Sisa no hihainana. Nisento kely dia izay Nikipy kely ny ho aviko Ka nandatsaka in-dray (une fois) ranomaso nandrakotra ny tavako. Nikaika ny manodidina ahy Fa mafy ny manjoa Nikendry ny hamely ahy, mantsy Ny ratsy mba ho fijaliako Nikopak'elatra n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/tonokalo-mahakamo
tonokalo mahakamo
Sitlo
Ravolamena no latsaka an-tany dia indro manjelatra ihany Rafitiavana no latsaka anaty erehana vao may tsy tanty Ka indro ary izy fa tonga Nahatsiaro ny somongamonga Ny tokelaka sy ny vanitika nanampiana ireo bitsibitsika kamo aho ganh
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsatnk/embona-4
Embona
Antsatnk
Maizina manoatra ny alina mikitroka ny akon'ny maraina, Milanja hirifiry toa reko mangatsiaka 'lay raozy an-jaridaina. Tsinjoko milonjy ny jalim-pahoriana ny alina mihavoasa, Indro mitomany sy ontsan-dranomaso ny lanitra efa osa. Itsy manirery nilaozan-naman-tiana ilay zaza milalao, Ny andiam-borokely tanatin'ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/miandry-vasoka
miandry vasoka
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Miandry vasoka Hionona amin’izay aho Fa izay angaha no mety Mahatsiaro tena ho lao Ary hibaboka fa resy Malahelo mafy aho Tsy misy azoko natao Ny tambitamby izay nomeko Toa zary lasa esoeso Homeko tso-drano ianao Hahita izay tena lafatra Tsy hanao ny tsy fanao Ka hivarina any an-tantatra Aza asiana kozy n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/ireo-nosarahina-les-separes
IREO NOSARAHINA
Ryana
IREO NOSARAHINA Aza manoratra… Aza manoratra akory, torotoro ny fanahiko, Mahatsiaro ho very aho; Zary andro mampahory ny lohataona izay itsahiko, Ravina saraka aman-taho; Efa nakomboko ny sandriko tsy hitady na hanandrana, Na hanantena ny hamihina; Ary mikoro ireo andriko, tsy misy tavela na miangana, Rava, p...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/hianao-irery
Ianao irery
Jeankely Razafimamonjy
Hianao irery Toa mandalo fotsiny ihany ‘zany androko eto an-tany nirihariha tsy hita fihaviana , tsy fatam-.pihafarana. Nandeha ny rendrarendra, sy ireo zavatra tsy tiana. niseho ireo zava-mamy, tao anatin’ny mangidy. Nisedra zava-tsarotra, nandalo fahoriana, nefa teo ihany koa no niseho ireo nahaliana. Na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/bedy-2
BEDY
Sunny
Bedy aho ve ry dada rah'manomboka mitia, rah'manomboka mibada ity fokokely ity? Bedy aho ve ry neny rah'mitia an-dralala ka manoboka miteny ito foko adalala? Bedy ve aho ry zoky rah'miady izay ho tiako, rah'miady izay ho toky rah'miady izay hiriako? Bedy ve aho ry zandry rah'nikafiry kely androany ka tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mimijolie/dila
DILA
Mimijolie
DILA Dila tokoa ny fitiavako anao Dila indray mitopy tsy nataoko ho lalao, Fifampitaizana tsy nety Fifampitondrana ratsy tefy Olatry ny lasa Tsy nety voafafa Niainako hatrany Toa hafahafa Dia hoe: hanadino anao Dia hoe: hamafa ny aminao ....Vao fiandohana anefa zao Ka ihezaka hatrany aho Hitady ny anjarako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tompon-trano-vahiny
TOMPON-TRANO VAHINY
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
TOMPON-TRANO VAHINY Mba nitsaty aho indray andro Nanantena mba hahazo Tao amin’ilay fihaonana…, Indrisy anefa fa nolaviny Fa vahiny no tadiaviny Izaho gasy mitovy aminy Ka tsy haravaka ny akaniny Notsoriny avy hatrany Nasainy niala tany Fa vazaha no tadiaviny Ary ireo no tena maminy Dia ontsa akia ‘ty foko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sergent/ianao-20
Ianao
sergent
Ianao, ianao no mba tiako, mba hitantana ahy ianao no iriko ho hasina ho ahy ianao eny no inoako fa tolotra ho ahy anjara voatendry, ho silampanahy Ho fo iray ,ny fanahy ihany koa raha mbola misento, hifanisy soa ho andry iankinana raha misy manjo na sento, tomany ,tsikitsiky ihany koa Fa fitia no atolotra tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tany/fehizoro
Fehizoro
Ny Tany
Any zay i Fehizoro ! Any andrefana any ! Ilay fitiavantsika ré ! Tozoy aza avela ho simba Fa arovy sy hikoro! Fehizoro a! moa mba tsapanao ? Fa ianao no ilay rovako ? Toerana iray nolalaiko sy tandrovako! Tia anao aho nefa toy ny ahoana No ilazako an'izany r'i malalako Fehizoro!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/tsia-2
TSIA...
Sunny
Ny foko ve no adala no minia tsy mahalala ny ngidin'ny fitia? Ny foko ve no pahina minia manapi-maso ka mora fitahin' ny fitiavana matsatso? TSIA!!! Tsy pahina ny saiko, ny foko tsy adala fa singotry ny aiko ny fitiavana rah'miala!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsatnk/mira-2
Mira
Antsatnk
Ny amiko? Efa lasany nanaraka iny faravodilanitra hikasika ny tany Ny amiko? Efa nentiny nisidina,nitrobaka ny rahona hilomano anaty kintana. Ny amiko? Indro efa nafoiko ho Azy,Ilay tsy manam-paharoa. Satria ny aminy? Nafoiny!!! Nataony ho tsinotsinona,ho entina hamonjena ity foko mahonena. Ny aminy? Natolony...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/nihelina
NIHELINA
Ryana
NIHELINA Indray harivariva izay... Iny volana eny iny, Hatrizay niriako ho namana, Namangy ahy izy iny, Nanetri-tena mba ho havana. Tsy sanatria nataony ho sazy, Na fandrabiana ny fanahy, Izaho izay nanantona azy, Fa nijanona izy, niandry ahy. Dia nihaona izahay, Nidinidinika, niresaka, Liana izy nihaino ah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/ampy-izay-4
Ampy Izay
Pissoa
Ampy Izay Na tsy tsaroanao maloka aza ny endriko fa nisariaka, Ary tsy nanganohano ny masoko fa nibaliaka ... Tsy sanatria tsy nisy akory ny alahelo sy hirifiry Fony kivinao ambony ilay fitiavako nikiry. Na ilay tsikiko isan'andro aza no taratrao teo imolotro, Ary teny nitsodrano no tadidinao natolotro Dia ny pe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/ry-zanadomoina
RY ZANADOMOINA
Sunny
Ry zanadomoina fatratra loatra ny foko te hanidina ho eny aminao, tsy manana elatra,tsy afa-manoatra, indrisy,mitsetra ary koa mitalaho. Ry zanadomoina bikana sy soa Avia mitoera eto anilako ianao Fa ianao dia ianao tokoa No andrasan'ny foko hatramin'izao. Ryzanadomoina satriko akia Hamihina anao an-tratrako e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fily/tsy-ahy
TSY AHY
fily
TSY AHY ianao dia ianao irery ihany no tiako indrindra eto an-tany, fa nahafeno ny idealiko manoloana ny fitiavako; d'ilay fitia nandrandraiko nantenaiko, hiadanan'ny fanahiko...! kanjo indrisy...! toa rendrika sahady? fa ny lakakelin'ny fitiavako no tojo Nosy izay niriny, dia faly, ravo, finaritra...! k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenotsoa/fa-tiako
'Fa tiako!'
Fenotsoa
'Fa tiako!' Tsy foiko hihataka amiko n'aiza misy ahy ry mamiko na olon-kafa no hiantso Malala fa tiako ianao,tiako, ahy irery lavitry ny mason'ny tia jerijery f'izay tratrako? Hijaly, ho ory tsy hanompy maso anao akory! 'Zay manandrana mikitika anao dia handraingiraingy tsotr'izao F'izaho mantsy rehefa tia, m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/adala-fa-tia
ADALA FA TIA
Sunny
Mba satriko loatra ry tiako ho malala ataonao adala, atanao adala satria tena tia sy maka fy. mba sitrako ihany ry tsy manan-tsahala no ataonao malala, ataonao malala satria very anjara tanivon-tantara. mba sitrako indrindra ry voninkazo hiombom-bazo, hiombom-bazo amin'ny tontolonao isika sy ianao. mba mami...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/indray
INDRAY
Sunny
Ianao ilay tsy tiany indray no lasa anjarany fa ilay niriany hitondra ny anarany, nandefitra any ho any! ary noho izany raha tsorina aminao ny zavatra nataony: nofoiny noho ianao ny izao tontolo izaony
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tokatrano-sy-fitia
TOKANTRANO SY FITIA
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Atolotra hoan'ireo manambady na ireo vao manomana hiditra ny @izany hoe fitia izany na ireo efa miaina ao anatiny na mbola Mpisipa aza ary indrindra i Tina R (Yonikafopl)... TOKANTRANO SY FITIA Ny tokantrano raha sambatra Dia tsy noho iza tsy akory No manambara sy mitory Fa ianareo roa ihany ! Ny tokantrano raha ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/mitady-anao
Mitady anao
Pissoa
Nodinihiko akaiky : "efa nirindrina ny fasana !" Izay no tena nahatsapako fa lasa ianao, tena lasana Dia nahodiko ny lohako ... "Efa nirava koa ny olona !" Ka ny alahelo anao no sisa nisavika ahy, nitambolona. Dia noferako ny masoko : "Aoka ianao tsy hitomany !" Notereko koa ny vavako : "Mangidy io fa tsy maintsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faralisy/ny-fitiavako-3
NY FITIAVAKO
Faralisy
Sarobidy loatra tamiko Ka hofintiniko an-tantara Tsy nariako satria mamiko Nikatsaka ahy ho anjara Mpianatra aho tamin'izay Tao amin'ilay Lycée Dia nisy zazalahy iray Te hiresaka amiko izy hoe: "..." Tamin'izay aho dia sahirana Fa inona ary ity ho lazainy? Hay zany endriko rehefa mirana No tena tsy afaka ao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/fanilonny-fitia
Fanilon'ny Fitia
Sunny
Arehitro tsy ho faty Ny anilon'ny fitia Ataoko latsak anaty F'isika hir&dia Arehitro misoko Ny tena fitiavana, Koa indro re ny foko Raiso mba ho havana. Ny foko mankafy Mandrehitra mangina Ny fanilon'ny fitia Aminao re ry tiana Arehitro tsy ho faty Ny Fanilon'ny fitia Ataoko latsaka anaty Tsy ho faty ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/izay-ilay-fotoana
IZAY ILAY FOTOANA
RIJADOLLY
IZAY ILAY FOTOANA Rehefa reraka nandehandeha Lalan-davitra,filana tsy voafehy Izay ilay andro miantso sy mitaona Miverenà fa, izay ilay Fotoana Indro tonga ilay fahatsiarovan-tena Nandanjalanja ireo fanarian-tena Injay ilay Feo miantso anao foana Miovà fa, izay ilay Fotoana Eny mety misy fahatsiarovana Ny rat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsatnk/vavaka-ho-azy-1
Vavaka ho azy
Antsatnk
Ray o!mba tahio Ilay namako any any ho any Tsinjovy sy ampîo Ho lavi-tsento sy tomany Ray o!mba tatano Ilay havako amin'ny lalany Ka ambeno sy sakano Ny loza mety tsy ho tantiny Ray o!mba jereo Fa tsy manan-kamaharana Ilay fony mitoreo Lavitry ny fahasambarana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/to-ny-faniriako
TO NY FANIRIAKO
Sunny
Raha ianao no olon-tiako hiankian'ny fo dia ho to ny faniriako ho tanteraka avokoa raha ianao no anjarako hiombonako fitia, dia ho to ny hasambarako ety an-tanintsika ety. raha mba ianao io angamba no mikalokalo mangina ho an'ny foko efa jamba tsy mahita izay ho tiana: dia ho to ny nofinofiko, dify teo ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/onitra/tena-ampy-izay
Tena ampy izay
ONITRA
Ampy izay ry tiako,tena ampy, tena ampy izaho aza manenina fa niatsampitsampy tamin'ny hazo tena fantatra fa niniako tsotra izao tsy nofantarina ny toetra ratsy rehetra taminao Ny fandeferana niainako, ny niaretako ny hatsiaka tamin'ireny sasak'alin'ny ririnina masiaka ninia ianao tsy nahalala f'izaho dia mila la...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenotsoa/ho
HO....
Fenotsoa
HO.... Anaty nofy mazana misy hafanana iainanao irery mifono mistery tsy azo tsapaina na antenaina fa mijanona HO nofy...sy ...ho sarisary ihany am-ponao any!!! 15:43
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-joseph-rabearivelo/dihy
Dihy
Jean-Joseph Rabearivelo
DIHY Ritsodritso-baliha telo Dobodobok'amponga tapaka Lokanga dimy indray dinidy Sodina taolana tsara loaka. Io misonenika Ratovovavy Miankanjo manga marain-droa Ny lamba valaka mavokely Raozy gasy ao anaty volo. Tsaokam-bero sa bararata Mihararetra eny amoron' ala Tsidintsindin' ny andro meva Sa angindina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/nivavaka-aho-androany
Nivavaka Aho Androany
Pissoa
Nivavaka aho androany, nivavaka ho ahy Fa maro mantsy akia ny hotakota-piainana Mandrotika ny atiko, mikiky ny fanahy Na atoandro na alina, mandemy ny fisainana. Nivavaka aho androany, nivavaka ho anao Fa raha tsy teo ianao ry tokana fitiavako Angamba aho lavo ihany, tsy sangy - tsy lalao Fa tsaroako ho ritra ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/ankafiziko-ny-anio-carpe-diem
ANKAFIZIKO NY ANIO
Ryana
ANKAFIZIKO NY ANIO (Carpe diem) Raha sendra any aminao Ka misy sombim-pitiavana, Tantavano sy kenao Mba ho ela vao hifarana� Raha sendra ianao mahatsikaritra Izay mba mety ho lafintsarako, Kobony any mba haharitra, Ho ravaky ny tantarako� Raha sendra ianao maminavina Ny hizara tapa-d�lana amiko, Aza a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/natachha/ratra
Ratra
Natachha
Ratra angolaina Fitia mitaraina Ratra tato am-poko Feno ny toloko Neniko ato anatiko Mandram-pahafatiko ny fitaka nataoko Anao hatramin'izao Ny ditrako no lasa ny hoaviko no asa ny todiny no sisako ho anjara paradisako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sunny/ny-masonao-1
NY MASONAO
Sunny
Ny masonao ihany Dia ampy hitarafako Ny fatran'ny fitia Anatinao rahavako. Ny masonao ihany Dia fitaratra vita Dobo Nanaharin' Ilay fitiavantsika. Ny tsikinao koa Dia mitory moramora Ny fahadiovan'ny fitia Atolotrao ahy. Ny endrikao rehetra, Ny vatanao tontolo Dia fitiavana daholo Ambaboanao ny foko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/maminko-ianao
maminko ianao
Aino
Volon-andro feno alahelo No any nandaozako anao Dia teny iray no tao anatiko tao Ho ao aminko ho mandrakizay ianao Fatatrao mantsy, Fa tsy sitrako ny andao anao Ireo embona sy ainga raha tsy eo anilanao Toman’alaelo faona no ao ampoko ao Raha toa sendra lavitranao. Ny tomaniko anefa,Raha indro andao anao Nefa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/rotika
ROTIKA
RIJADOLLY
ROTIKA Ato anaty alina mangina Tsy eo anilan’olotiana No mandefa ny fisainana Mba hiantefan’ny fitarainana Tsy afaka hamitra halahelo Ny fahatsiarovana mamelovelo Tambitamby nofinofy Ny mandrotika ny nofo Sentosento sesilany Tsy tamby isaina ny vinany Ka nanindrona ny fo Mahavaky ny ati-doha Ranomaso mite...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fo/ianao-19
Ianao
Fo
im-polo malahelo in-jato mitomany ...tsiky indray miserana dia noho ianao ihany Ny fitiavan-tsika mantsy tsy hita hoe maharitra tsy hita hoe ho rava Fa sento... mahafinaritra! Fahorina nefa mamy...... Dia ianao izany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenotsoa/lay-tsikinao
'Lay tsikinao
Fenotsoa
'Lay tsikinao Na ilay tsikinao aza ampy, eny, hanazava ny làlana ho diaviko ary koa hampisava ny adim-panahiko. Na ilay tsikinao aza eny, ampy, handrava ireo sakantsakana Hampifaly lalandava ny tsy salama vatana. Fa raha ianao no tsy mitsiky tena mafy amiko mihitsy iky!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/haitso-haitso-fofonaiko-1
Haitso Haitso fofon'aiko
Andrimaranitra
Azafady mialoha izay sao maratra fa RAP ity :
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/mandrakizay-2
Mandrakizay
Aino
Voatambiny tsiky Nihelatra monja indray andro izay, nahery fanonja dia resy aho iky ary… mandrakizay
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsos-tafa/resy-aho-anio-3025
Resy aho anio
Antso's tafa
Resy aho anio, Resy tsy tafarina? Ekeko tsy azo lavina! Ekeko am-po madio F'efa resy aho anio Avelao aho mba hilaza Na anio fotsiny aza Mba hibitsika mangina, Hitanisa fahoriana Fa fahoriana maromaro, Alahelo mifangaro, Sento-po tsy azo ahena, 'Zay midika ho faharesena Ny fahareseko anio anefa, Dia fahare...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenotsoa/antsaiko
ANTSAIKO!
Fenotsoa
ANTSAIKO! Antsaiko lalandava, tsy afaka am-bava ny anaranao mamiko! Antsaiko samirery mantsy toa manery ny fitiavako anao! Antsaiko hatrany na aza aho tomany ny miafina anatiko! Antsaiko ; an-tsaiko eny ho'aho ry aiko ny endrikao- ianao! Tamin'ny 9h20mn
https://vetso.serasera.org/tononkalo/desirelyaime/ilay-sambokelintsika-1
ILAY SAMBOKELINTSIKA.
Desirelyaime
ILAY SAMBOKELINTSIKA. Tapa-kevitra isika Hiara-hita an-tsambo lay Tony botry mitsorika Eny anivon-drano iray. Niara-dia nifampitantana Nanatona ny moron-drano Io no tena fisandratana Nahasolo ny tso-drano. Dia nizotra izany dia Nony niainga samy faly Nifandray nifankatia Tsy mba ory na nijaly . Nihomehy ,n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/ventsoko
Ventsoko
Aino
Ambony ventso nolalaiko Ireo felana nitory Fa aminao ny hetsi-po Ilay anjarako soa Homeko eto ny voadiko anio Fa ho tia anao mandrakizay Ka izay elanelan-tany Ho fitrapana ihany izany Fa raha tena tia ny fo Ka raha izay elanelan-tany Ka tsy mba hitohetra ao antsaina Ka ireo nofy nolalaina Ilay faniriana tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenotsoa/angolaiko-dia
Angolaiko dia...
Fenotsoa
Angolaiko dia... Angolaiko dia... an-tsaiko, antsaiko ny anaranao! Angolaiko dia.... Hajaiko, hiraiko ny fitiavanao! Angolaiko dia... kojaiko, lalaiko ny anilanao! 21h26
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/veloma-hozizy
Veloma hozizy
Sitlo
Maraina manoaka dia any zany Atondro mivoaka dia any ihany Tonga ny hariva dia mody indray Dia mamisavisa izay sipa izay Ny ampitso! Maraina manoaka dia izay foana Na tia hisafoaka dia aleo misaona Fa izy efa lasana tsy hita intsony Nankamin'ilay fasana ao am-pony! tsla tsla tsla
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/mifona-aminao-ry-ray
Mifona aminao ry Ray
Aino
Ny teninao ry Ray, izay nataonao ho ahy Ho sakafoko tokoa, izay anome ny soa Satsia ianao mantsy, no natohy izao ahy Ka indro re aho raiso ho eo atratranao. Ary ilay baikonao iray, Ande ho diaviko sy ho hamonjy ahy Teo aloha aho dia nania Ary tsy mba nanaraka ilay didinao Ô jehovah ô, Ray ao andanitra ao Mba ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/haitso-haitso-fofonaiko
Haitso Haitso fofon'aiko
Andrimaranitra
Azafady mialoha izay sao maratra fa RAP ity :
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/mahery-ny-fitiavani-jesoa
Mahery ny fitiavan'i Jesoa
Andrimaranitra
Mahery ny fitiavan'i Jesoa Raha ny ranomasina no horefesina Na an-tapitrisan-taona maro aza tsy ho vita Mbola mahery noho izany ny fitiavan'i Jesoa izay lesona Na mandrakizay aza ny fahendreny no hotovozina tsy ritra Raha ny faran'ny lanitra no hokatsahina Na fitaovana faran'izay lafatra aza tsy hahatratra Mbola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenotsoa/fa-moa-nofy
Fa moa nofy...?
Fenotsoa
Fa moa nofy...? Fa moa nofy ihany isika roa tafaray- fa tsy efa hatrany -tendrin'ilay Ray? Ny nofintsika roa nanjary ho iray ny fontsika koa moa tsy efa izay? Fa moa nofy ihany isika roa tafahoana, tafaraka hatrany tsy hay hoe nahoana? 15h14
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/aza-mody-fanina
AZA MODY FANINA
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Rehefa tsy hanao dia aoka mihitsy hajanona Fa aza mba izaho no odianao fanina Ny foto-kazo betsaka, f’ianao no voro-manina Fa raha tsy tia ianao dia aoka aloha hilamina !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/tsiaro-4
Tsiaro
Aino
Nihira aho omaly Fa nahatsiaro anao Nitiavoko ny hira Sy izao tontolo izao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fo/ry-tovovavy
Ry tovovavy
Fo
Ry tovovavy Raha tia azy ianao ka maniry mba ho tiany. Aza mila resaka aminy fa alaviro lavitra izy. fa raha toa ianao ka maminy ho lazainy anao ny faniriany. Aza asiana resa be sy sangisangy lavareny. Tafa lava mankalao fa tsiky kely antsipy ho azy ny fony hisokatra ho anao Ka ho fitiavana no homeny Ny to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/ho-inonao-3
HO INONAO
Ryana
HO INONAO Na mirodana aza ny fananten�na, Foana, babangoana; Ka mangahiahy, miandrandra fiantr�na, Gina sady moana; Na tsy hita intsony ny tara-masoandro Fa maizina ny tany; Ka tsy hafa intsony ny alina sy andro Fa toa iray ihany; Na efa lany hatreo ny mamy sy ny mety Fa ngidiny no sisa, Ka tsy misy ints...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasolofonirina/ny-hirako
Ny hirako
rainianja
Ny hira mampanembona no kaloiko Rehefa mahatsiaro ano ity foko Ny hany sisa alahelo tsaroako mantsy Dia ny tsy mahita anao eto am-pofoko . Fa mizotra moramora manantona anao Ity fitiavako tsy mety fay, Na milaza aza ianao fa mankaleo Izany fitiavana izany tsy mampahay. Na fitia tsy voavaly ary, Fa fitia ho ahy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/tsy-ahy-fa-anao
TSY AHY FA ANAO
RIJADOLLY
TSY AHY FA ANAO Indro ho tanisaiko Izay rehetra ato an-tsaiko Raiso ho voninahitrao Izay araky ny sitrakao Ezaho ho mendrika Izay rehetra voatendriko Fa Hianao no manome Ny teny ataoko voafehy Indro ny fitaovaNao Raiso ka ampiasao Mba tsy ho sasatra Hitondra ny hafatra Dolly (Isaia 50:4)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/taminny-taretra-1
TAMIN'NY TARETRA
Fredy Jaofera
TAMIN'NY TARETRA Fony nitory fitia isika fa hiara-dia dia napetraka tamin'ny taretra ho hita no tiana hitoetra ny sarin'ny fo iray naratra voatroboka lefona hihatra, nasiana ny anaranao soa mira amin'ny ahiko koa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/ilay-dia-molotrao
Ilay Dia-molotrao
Andrimaranitra
Ilay Dia-molotrao Ilay Dia-molotrao Tsy mbola mety natolotrao Raha isika samy mbola hinfahalala Tsy mbola nifampiantso hoe "Malala" Ilay Dia-molotrao Ilay voalohany vao natolotrao Raha isika vao nifampatoky fitia Mbola indray mandeha no nifampiteny hoe "Tia" Ilay Dia-molotrao Ilay mazàna fanolotrao Na mifand...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/aiza-ianao
Aiza ianao
Aino
Tsy eo mantsy ianao, ka sendra tsiaro izay lasa Raha misy olona notiaviko indrindra teto an-tany dia ianao no voalohan'izany. ilay fitiavako anao hatramin'izay tsy maty fa dia ho velona ho mandrakizay satsia mantsy ianao ilay nirina. Ianao no nampitomany ahy ianao, ianao ilay nanjevo ny foko ianao ilay nampija...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/mihonona-kaza-kivy
Mihonona k'aza kivy
Aino
Tiako ianao ry neny, mba homirana indray Ity masonao bongo lava ny tomany raha sendra nilaozany teto an-tany Moa ve tsy efa anjaran’izany? Matoa izy lasa any amin’ny tsy hita maso any! Eny malaelo ny fo Raha sendra tsy tojo azy Lasa miady ny saina ary mazana ny mitaraina Mamy maintsy ireo taloha, ka tsy mba man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/andraso-kely
Andraso kely
Pissoa
Andraso kely Ry volako mazava, na toa takonan-drahona Raha mba tsinjonao ity vetsovetsom-poko Voatemitra tantely nifangaro tamim-bahona, Raha toa mba taratrao ity tsiky mitoloko Dia andraso kely aloha ! Aza maika hisinda, handao ny tafon-tranoko, Aza avelanao hanafotra ahy ny alina ; Raha lasa mantsy ianao, ndr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasolofonirina/tsinjonny-foko
Tsinjon'ny foko
rainianja
Tsinjon'ny foko Tsapako indray fa ato am-poko Ilay alahelo izay nandrombona ny fiainako, Tsinjoko indray fa velon'ilay fitiavako Tao anatin'ny tahirinafon'ny fanahiko. Fantatro mantsy fa mbola tia ahy ianao Any lavitra any, tia ahy tsotra izao. Tsy manadino ahy na ela aza izay, Tsapako ato am-poko izany Ka mam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/narary-kibo
narary kibo
Sitlo
Fa ny taiko mafy no zary lasa valana Voatery aho niafy noho ianao ry kankana! Fa ilay tavimandry fitsidiko @ alina No natao fiandry nga tsy efa lalina Ilay lava-piringa Toa famakiam-boky Tena nahakinga Ny tenako aza loky Ny olona nirevy Izaho nandefa rivo Tamin'izay grevy Tao Antananarivo lalala
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/taminny-taretra
TAMIN'NY TARETRA
Fredy Jaofera
TAMIN'NY TARETRA Fony nitory fitia isika fa hiara-dia dia napetraka tamin'ny taretra ho hita no tiana hitoetra ny sarin'ny fo iray naratra voatrobaka lefona hihatra, nasiana ny anaranao soa mira amin'ny ahiko koa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/raha-miverina-ianao
Raha miverina ianao
Andrimaranitra
RAHA MIVERINA IANAO (Mbola tsy vita tsara fa afaka misy manohy featuring) Nilaozanao ny tokantranonao Ny vady aman-janakao narianao Trano hafa indray hoy ianao izay indray no ilaina Trano misy soratra hoe "ampanofaina" Réf : Ka na miverina aza ianao Inoako fa tsisy intsony azo atao Efa maty ny fitiavako anao M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/fitia-aminny-maso
Fitia amin'ny maso
Andrimaranitra
FITIA AMIN'NY MASO Raha iny aho kivy irery Nizotra iny sisin-dalana iny Tsisy mpijery, izay no tena fery Tsisy mpitia ka iza no omena tsiny Raha iny ianao niserana teny am-pita Efa tsy nanantena aho ka tsy nangata-maso Kanefa ny masonao nisafo ny ahy niantso hiampita Nanaraka ho azy ny masoko nibitsika hoe "and...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/fitia-mangatsiaka
Fitia mangatsiaka
Andrimaranitra
FITIA MANGATSIAKA Fitia mamanala hatrany No nafafinao ny foko Tsy mba molotra mafana izany Fa sisan'ireo fitia maro loko Efa tsianjery sisa moa ireo teninao hoe mitia Kanefa tsy vitsy koa no izaranao ireny Ataonao zava-poana ny fitiavako anao mbola mankafy Satria ianao mody moana, mandainga koa rehefa miteny T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/soa-ianao
Soa Ianao
Pissoa
Soa fa misy anao iny, nomeny ahy ho fihantako Ho sakaiza mahatoky, namana afaka hitafako ; Ka na ny ketriky ny foko, na ny rebiky ny saiko Samy azoko zaraina aminao, tsy mila baiko. Soa fa misy anao iny, mba nanova ny fijeriko Hanandratra ny fahalavoko ho apinga, zary heriko. Anao ny tanana nanala irony geja amam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/onjanabakabaka/hadisoam-panantenana
hadisoam-panantenana
onjanabakabaka
ianao no nametrahako ny foko ianao no nantenaiko hifaharana indrisy anefa fa nivadika ho toloko toloko izay tsy maintsy hoentiko eoantsoroko ankavanana taratasy sesehena no nalefako ho anao lay fitia tato anaty no nanosikahy eny hatraminizao ary tsy hitsahatra raha tsy efa eo ambavahoana fantatro izany rahetra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/iray-ray
Iray Ray
Sitlo
Mba mangataka aho ry Ray Ny hitahianao ireo ray Mba ampio, omeo fitia Fa mafy loatra izato dia Ho an'ireo mpifoha maraina Mba ombao ny tohan'aina Ka na be na kely arapany Dia Ianao no toky fantan Ho an'ireo mpikarama tena Mba tantano tsy hivena Ka ny zotom-po re hananany Ary hotsinjovinao ny lalany Ho an'ir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/raha-handalo-aty-ianao
RAHA HANDALO ATY IANAO...
Ryana
RAHA HANDALO ATY IANAO… Raha handalo aty ianao, Tsy akory hoe hitoetra; Fa hiserana, handao, Ny ora hihaonana voafetra. Azonao an-tsaina, inoako, Ny hasambarana andrandraiko; Nefa marefo ny finoako, Manenjika ahy koa ny saiko! Sao mantsy ho fahoriana No hameno izato fony; Tebiteby, fanahiana, Ahiahy tsy hit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/onjanabakabaka/any-ianao-1
any ianao
onjanabakabaka
mijaly aho mijaly noho ny fisinao angamba raha tsy nisy ianao raha tsy nifankahita isika na raha mba tsy nisy aho de ho maro no nitsiriritra ny toerako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/tantara-fohy
TANTARA FOHY
Ryana
TANTARA FOHY Tantara fohy dia fohy... Indray mpi-maso monja dia lasa sy nihelina Toa tselatra ihany; Tantara tsy nitohy, Tsy hita hoandrandraina hipody na hiverina, Nefa namela mamy. Sombin-tononkira... Tsy nisy akory andininy, na koa fiverenana Fa teny vitsy monja; Ritsoka an-dakira, Tsy sarotra tononina, a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/nahoana-ny-rahona
NAHOANA NY RAHONA ?
RATSIMBA Georges
Nahoana Ny Rahona no haratsina ? Tsarovy fa izy no he nofidina Mba hitari-dalana ny Israely Tsy handevozin’ny mponin’I Neily. Nahoana Ny Rahona no haratsina ? Saingy nietry ka bantibantina Fitiavana anefa no anton’izany Hamangy ‘reo resy eto ambonin’ny tany. Nahoana Ny Rahona no haratsina ? Avy aiza ny rano ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsatnk/hanitra-ianao
Hanitra ianao
Antsatnk
Hanitra ianao ka dia mamerovero Mameno tontolo ny ahatsaranao Hanitra ianao ka dia manentoento Mamaky abakabaka ny ahakantonao Eny ry lala Hanitra ianao ka mandalo miserana Mantsy ry tiana Ny zavatra hiriako mba hitoeranao Nefa indrisy Hanitra ianao ka natao ho mpandalo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avylavitra/ry-madagasikara-am-perinasa
Ry Madagasikara Am-Perin'asa
Avylavitra
Ry Madagasikara Am-Perin'asa 47 taona izao no lasa, zava-marobe no nokinasa, nisy ny tafita tao koa ny tsy vita, ny hanefa ireny no ndeha ho voadintsika Ry Madagasikara, Am-Perin'asa isika izao, misikina herim-po ka ilazao 'reo namanao fa ho fampandrosoana an'i Madagasikara mahaleotena isika rehetra mihitsy no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/avelao-4
AVELAO
Ryana
AVELAO Na dia hitanao fa efa lavo sy efa resy, Efa sempotra sy hana, Satria nahilikilikao; Nahoana re, lazao, no latsa mifanesy, Miaro didy fandraràna No hany hirahiranao? Na dia efa fantatrao fa tomany, ranomaso No hany sisa mba tavela, Rehefa lasana ianao; Nahoana kosa ho’aho ianao no minia mamboly ankaso, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/blaogini-dadarabe
Blaogin’i DadaRabe
DadaRabe
Ho hitanao ao, Tononkalo vao Sy ny ela koa… Atolotry ny fo ! Mitantara fiainana Ary koa fisainana, Ho an’ i Gasikara, Mba hanana anjara. Ny fahasalamana, Mitranga an-tanàna, Dia ho ambara ao, Hampety izay atao. Koa dia manasa anao ! Handroso tsotra izao ! Tsy asiana fombafomba… Ho raisina izay tonga. Ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nasolo/nofinofy-4
Nofinofy
Nasolo
Ny nofinofy sisa no entiko miampita Hiotr io vohitra io fa tsy hita izay atao Ny nofinofy sisa no fanefitra hany hita Hanasitrana ny foko, marary noho ianao Ny nofinofy sisa no hany mampitony Ny onjan’ny fiia, mahery toa tsy ho tanty Ny nofinofy sisa no hanondraka hampamony Ilay fitiavana ato am-poko hiarina ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/ry-volana
Ry Volana
Pissoa
Ry Volanay nazava, Dia resy lahy ianao ... Resy anaty haizina ho mandrakizay ; Haizina tsy hisava Fa na inona atao, Ianao efa an'ny fasana fa tsy natao ho anay ! Ry Volana fenomanana, Efa ny tantaranao No sisa hitamberina anaty resak'olona ! Misy koa ny havanana, Manitatra tsotra izao Ka tsy ianao fa "sary" ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-eric/teny-roa-2
Teny roa
Rakotomalala Eric
Teny roa dia efa ampy Ilazako ny ato anaty ; Teny roa no vatolampy, Tsy voazera mandramaty. Teny roa efa afaka Manambara ny ato am-poko ; Teny roa tena miavaka, Mbola meva sy miloko. Ny voalohany dia ny "tiako", Ny faharoa dia ny hoe :"ianao" ; Ka ny hany mbola iriko Ny fitambarany eto izao. Mba tia anao ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/ny-lasa-2
NY LASA
mahorani
NY LASA Iny lalana iny Falehako fahiny Toa zary Tsy tiako ankehitriny Fa tsy hitsena azy intsony aho!! Ka izy ary moa Tsy toy ny taloha F'efa lasa Ka ny ahy anie ny fo Sasatra, mitalaho!!! Izaho mbola mahatsiaro Ilay fitia Miserana mihalohalo Ny endriny akia!! Fa aiza izy izay No tsy mety mandalo intson...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/shoan/fitopolo-taona
Fitopolo taona
Shoan
Fitopolo taona ... Hirahira, fety sy kalokalo, sa vetsovetson'ny mpandalo ny taona miserana eto ihany ka ho anao izahay no mihira androany Feno fitopolo taona vé ianao ? nefa toa tanora lalandava sady miramiran-dava ... Mba teneno hoe, ka lazao ahoana ny fomba ataonao ? Vory eto izahay izany ka miarahaba ana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avylavitra/kzaho-ve
k'zaho ve?
Avylavitra
K'zaho ve? Nijery aho dia nahita f'ireo be sandry sy be fikafika dia miezaka hatrany hamotika antsika Dia nijery aho, mbola nahita f'ireo be hatoka mpangoron-karena manindry tsy miato 'zay te hiavo-tena dia mbola nijery aho fa tsy nahita na iray aza tamintsika sahy hitsangana sy mba hiteny hamaky bantsilana n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/aoka-fa-tsilaiko
AOKA FA TS'ILAIKO
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
AOKA FA TS’ILAIKO Tiako raha ianao no ravaky ny akaniko K’hilomanosanao ‘lay hasambarana nomaniko Ekeko tsotr’izao ary tena laniko Raha toa ka ianao, n’higoka izany mamiko Tiako raha ianao, ‘lay olo-nandrandraiko Hanoro sy hanavao, ireo hira nohiraiko Hila hankalao , ny foko sy ny saiko Raha sanatria tsy ianao,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/dia-voatery-ve
DIA VOATERY VE...
Ryana
DIA VOATERY VE… Raha maratra izy any, ka hositraninao ny fery, Raha izy ka tomany fa mahatsiaro tena ho irery; Raha miandrandra hazavàna ny ampitso sy ny ho aviny, Raha toa ka ny hafanàna anilanao no tadiaviny; Dia voatery ve ianao Nanamaizina ny amiko; K’izay mba tsikiko hatrizao Nofaohinao fa hoe nindramiko? ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/tsy-izany-ny-fitia
TSY IZANY NY FITIA
mahorani
TSY IZANY NY FITIA! Heverinao ve,fa vao ianareo irery No vao hoe nitia teto amin'ny fiainana? Mifanjohinjohy foana, tsy menatra mpijery Tsy izany no fitia, fa mba asio fisainana!! Maraina sy hariva, hifanenjika an-tanety Manantena ny ho avy, hanaraka ao aoriana Mifandany andro eny, tsy mahalala fefy Tsy izany n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/forum-serasera
Forum Serasera
Sitlo
Na dovidovy endrika Fa modimody mendrika Refa amin'ny forum de lasa mignone Na motomoto-dava Na fofofofom-bava Bonetra tena izy Eto amin'ny ankizy Na ngeda be labiera Na vesa-be deriera Refa mangala-tsary De poinss hatrany Na miovaova anarana Sy fombafomba arahana De mety lalandava Manao saro-tava Na ik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voniely/ray-o
RAY Ô !
VONIELY
Tiako raha Avelanao ireo hadisoako hatrizay, Ireo fomba ratsiko fanao, esory fa mangeja ahy Iriko raha Diovinao ny foko diso feno loto, Sasao ho tonga vaovao, Tonio tsy hisafotofoto Mamiko raha Raisinao ny tenako mba ho fanatitra, Fa vonona aho hanompo Anao na hikentrona sy hihaantitra Tefeo aho Ray ! Tend...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana-1/safidiko
SAFIDIKO
Ny Hasina Heritiana
Hijoro aho anio Hanambara aminao Fa na tsy tianao, safidiko io Safidiko, Ahy, fa tsy anao. Na hofenoinao tsikera Ho fankahalanao ny safidiko Ny pejin'ito serasera, Tsy hampihemotra ny diako. Sao heverinao aho fa ho menatra No dia vazavazainao foana Ka ataonao firesaka Ny fiainako mandavantaona!! Diso ianao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/masiaka-ianao-ry-fiarahamonina
MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA
ny eja
Nahoana no mandrangitra ady MASIAKA ianao ry Fiarahamonina Moa ny tany ve no fady Sa irony vavan'olona ? Lazaina tsisy fiheverana Irony fo izay miara-dia Satria ny taona mielanelana Tsy mendrika hifankatia Lazainao koa fa VOARARA Raha samihafa ny FIHODIRANA Tsorinao fa TSY ANJARA Satria ny MASO...