url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rasolofonirina/aingam-panahy | Aingam-panahy | rainianja | Mangina ny tany,
Izaho lasa vinany.
Inona ary no mahatonga izany?
Vinany tokoa ve no mahatonga ireny?
Ireny aingam-panahy ireny,
Sa eritreritra lasa lavitra
Ka mahita zava-dalina?
Angamba kosa noho ny hafaliana na fijaliana.
Na koa izaho toa manimanina,
Manimanina amin'ny andro alina
Ka ny penina no mikorisa
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mia/ny-saka-sy-ny-totozy | Ny saka sy ny totozy | Dox | Indray mandeha ity saka hono
Nantsoin'izay totozy izy
Ndeha isika samy hatono
Ka ho hita eo zay tsy may
Ny totozy no nialoha
Nototofana kitay
Andraso andraso hoy izy aloha
Nihady lavaka izy zay
Areheto amin'izay
Nisitrika izy fa tsy may
Noho ny afaka avy teo
Dia ny rehaka ho mahay
Fa ny saka kosa hono
Niha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nasolo/indray-andro-any-1 | Indray andro any | Nasolo | Mitsiky kely dia mitomany
nidify indray 'lay masoandro
Sa ve izany no eto an-tany ?
Tandrifin-drahona isan' andro
Ilay olon-tiako nitarainako
nanosika ahy toa nandao
Fa nahoana kay ny fiainako
no ranomaso lava izao
Impiry moa aho no mba nifaly ?
Azo isaina an-dratsantanana
Fa raha ny sento sy ny jaly
nampana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njafah/hambo-poko | HAMBO-POKO | njafah | HAMBO-POKO
Noho ny hambo-poko
Tsy vitako resena
Manidy izany foko
Ny saiko tsy hivena
Ka hahatsiaro anao
Hanembona fitia
Ka lasa toa fanao
Mandeha manary dia
Mba hamenoana banga
Mitady fifaliana
Sy lanitra mba manga
Tsy hisy fahoriana
Sy ngidim-pitiavana
Tontolo maintso mavana
Tsy hisy hirifiry
Na rano... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ivs-ilay-voromailala-sariaka/antso-2 | Antso | IVS Ilay voromailala Sariaka | Antso
Mety ho renao mivantana
Mety koa ho feo mamantana
Mety ho hery iray manosika
Mety hevitra misosoka
Mety ho loza mianjady
Mety olona tonga eo ambavahady
Mety ho bitsika mangina
Mety ho tositosin'olo-tiana
Mety ho feo tao ampiangonana
Mety teny ampilanonana
Mety ho vavaka mangina
Mety ho nofy tampandrin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/minitra-sarobidy | Minitra sarobidy | Oully | Anaka,
Minitra an'alikisa no hiainanao etoana
F'ireto no minitra, mba iriko tsy ho foana
Ilay minitra voalohany raha hitsaika ianao
No nahariana anao ho isan'izao hita izao
Fa tsy haiko hotantaraina raha injay fa reko
Ny minitra hilazana, ny fonao izay hitepo
Minitra sarobidy ireny
Minitra maro tafatambatra no ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/masiaka-ianao-ry-fiarahamonina-rilaodid | MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA rilaodid | Sitlo | Vao maraina aho no nividy sakay
Ny fofony aloha d'efa nahavaivay
Diampolo ariary ny tokony iray
Fa raha maka maro dia ambanin'izay
Falifaly ery mama fa nahazo laoka
Naniraka anjanany fa kamo nivoaka
Narotsany ny vary izay telo kapoaka
Nojereko izy fa mbola nanoaka
mamy ianao ry fiarahamonina
Nony tonga ary ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/i-v-s-ilay-voromailala-sariaka/ny-fitaka | Ny Fitaka | I V S ( Ilay voromailala sariaka ) | Ny Fitaka
Hery iray mirimorimo
Mahapotraka ny maro
Ka tsy hainy ny hanadino
Ny Fitaka mifangaroharo
Tsy hoe vazivazy
Na atao ho rainazy
Fa hevitra iniana hatao
Ny Fitaka fa tsy kilalao
Hevi-petsy ao an-doha
Mifono fitiavana ny tena
Tsy mitsinjo ny ho voa
Fa ny mahasoa ny tena
Koa ialao fa fahavalo
Tsy mam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voniely/ny-tontolony | NY TONTOLONY | VONIELY | Tana-mihovitrovitr’
hirifiry mpanangoly
Lamba rovitrovitry
ny taona mpampahory
Trano petsapetsan’
oran-dava tsy fahita
Rindrim-bakivakim-
peta ratsiratsy vita
Izany no tontolony
Nefa tsy eo imolony
Ny sento sy taraina
Na hariva na maraina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voniely/fianao | F'IANAO | VONIELY | Satriko hiraina,
hadera sy dradraina
ny hafaliako anaty.
Ho voady mandra-maty,
f’ianao no ilay fananako,
sarobidy loatra.
Tsy foiko, eny tanako
Tolorako ny saotra.
Fa fony isika nihaona
dia tao an-tsaina foana
‘lay endrika salovana,
na mafy aza lalovana
F’ianao tsy lany tsiky,
Mameno ireo voakiky,
Mampita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/tiako-foana | TIAKO FOANA | mahorani | Tiako foana ianao
Na inona mitranga
Na orana mitraho
Na lanitra ho manga!
Ny laim-pitiavantsika
Naoriko hahazaka
Masoandro mibaliaka
Na oram-batravatra!
Namboariko ho mafy
Hizaka izay miraraka
Na erika mifafy
Nofy izay hisaraka!
Tiako foana ianao
Tiako hatramin'izay
Tiako hatramin'izao
Ary ho mandrakizay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/volana-aogositra | VOLANA AOGOSITRA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | VOLANA AOGOSITRA
Tonga indray ity ilay volam-pialantsasatra
Nihaonako tsy nahy, nitopy maso anao
Teny amorontsiraka, ary efa fantatra
Fa na ho ela na ho haingana, tsy maintsy hifandao
Tsy nahakivy anefa izany fa mainka nampahery
‘lay raotram-po nangotraka tao anatintsika
Ninia namboatra saina sy nifampahery
Fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/noterena-mba-handefitra | NOTERENA MBA HANDEFITRA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | NOTERENA MBA HANDEFITRA
Nohambaniana sy mavoina
Noesoina fa kamboty
Ilay malalakely adalako
Hany tokan'ny FITIAVAKO
Noterena mba handefitra
Navela hioty fijaliana
Raha nikasa
Ny hijinja FAHASAMBARANA
Ray ô! nahoana no niangarana?
Ilay adala endriko iny
Fa, amiko izy tsisy tsiny
Fa fanirina ihany izany
Ray ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mia/valim-babena | Valim-babena | Pierre Robert Ralandy | Dada malala sy i neniko izay
Dia fola-damosina ery taminay
I Neny no nitaiza, nibaby, nanasa
I Dada isan'andro torovana miasa
Izaho no tomady sy tena salama
I Dada no vizana be nikarama
Izaho no olom-banona sady hendry tsara
I Neny no sasatra nikarakara
Mba inona kosa no havaliko ireny
Fitiavan-tsy ritran'i Da... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mia/mahaiza-misaotra | Mahaiza misaotra | Mia | Raha misy manome zava-tsoa ho anao
Kinga miteny hoe "tsy misy instony ve" |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voarabe/bitsika | BITSIKA | VOARABE | BITSIKA.
Etsy hobitsihiko, raha mbola tsy matory
Izany sombinaiko lalaiko loatr’izany
Bitsika tsy ataoko handrebireby akory,
Fa ritsoka malefaka ho zary nofy mamy
Sanatria tsy rediredin’ny alina mangina
Fa tena ventsoventso miloatra avy ao am-po
Avia ka miondàna eto antsandriko ry tiana
Ny ato am-poko rehetra h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voarabe/finoana | FINOANA | VOARABE | FINOANA
Mamindrà fo amiko, mamelà ny hadisoako
Ry Andriamanitra mahery
Matimaty, ratsy rehitra, mangatsiaka ny finoako
Ka matahotra aho sao very
Omeo ny solikao mateza, sao ny ahy dia tsy haharitra
Mandra-pihavin’ny mpampakatra
Miaraka amin’ireo anjely, sy ny tafiky ny lanitra
Amin’ny ora iray tsy fantatra
Ani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitlo/ambondrona | AmbondronA | Sitlo | scorp bobo
kiks gena
samy manana tombo
samy misy jerena
satroka avadika
fe mira ranjo
dia vita nadika
hatramin'ny akanjo
ze mitady hiteny eo
ataoko hoe mialona
satria tsy ho leo
ny mpakafy aman'alina
vao nikozy ra-penina
dia manaova salaka
ny tena nisenina
"ny sipakely efa zaka"
Beranto ahhhhh
izany ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voarabe/mifankatiava | MIFANKATIAVA | VOARABE | MIFANKATIAVA.
Tsarovy re ry velona
Fa kodiarana sarety
Ny fiainana eto an-tany
Mandalo sy mihelina
Miova vetivety
Manao ambony ambany
Na izaho na ianao,
Tsy afaka handova
Ny tany fandalovana
Tsy afa-manavao,
Tsy afaka manova
Ny lalàn’ny fahalovana
Ny endrika sy bika
Ny hatsaran-tarehy
Ny harena mora rav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/tiako-ianao-14 | TIAKO IANAO | SCOTLANDYARD | Tiako ianao
Tiako ianao , Tiako ianao, tena Tiako, tena Tiako
ny hiara-dalana aminao , mandrakizay no faniriako
ny hifampizara fifaliana , hasambarana etsetra
hifanambitamby, hifanohana, raha toa ny iray ka manjoretra
nefa . . .
ny lalana izorantsika, lalan-droa samihafa
ianao manana ny fiainanao, izaho manana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misa-randria/hevina-ihany | Hevina ihany | Misa Randria | Atsiha e!
Dia evina ve sa akon'ny lavitra saindra tsy nahy.
No dia nampitondra fitserana lalina ho ahy
Sa?...rivo-masika nanetsina ity volon'oroko
Ka nahatonga ity fanontaniako hivoaka izany molotro
Fa nahoana ary ho aho ireo takoperin'ny fanadinoana
No dia ho sitran'ny fiainana misy
Dia mbola ho voatohina hieda... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/tia-sahady | Tia Sahady | Pissoa | Tia Sahady
... Ilay minitra dimy
Nifankahafantarantsika
No nitondra ny ahiahiko
Fa misy tsiky tiako ;
Tsiky iray sariaka
Mambabo ny fanahiko.
Kintana alin-kisa,
Ny ravaky ny lanitra
Voakaly an'hoso-doko ;
Kisary paradisa,
Tontolo tsara rafitra
... Zay hitako anoloako.
Tsy niandry ela akory,
Tsy mba nanadi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/i-v-s-ilay-voromailala-sariaka/ny-fitondranilay-nahary-1 | Ny fitondran'ilay nahary | I V S ( Ilay voromailala sariaka ) | Ny fitondran'ilay Nahary
Vao nitsaika tao ambohoka
Eny mbola tsy niteny
Dia efa teo antanany
Ka notrotroiny sy notanany
Vao niantsoantso neny
Ka nibada niantso dada
Dia efa notolorany
Ny fiarovana sahaza
Raha vao niditra antsekoly
Ka nahatsapa sorisory
Dia nomeny fitsikina
Mba ho namany mangina
Raha niroso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/i-v-s-ilay-voromailala-sariaka/ny-fitondranilay-nahary | Ny fitondran'ilay nahary | I V S ( Ilay voromailala sariaka ) | Ny fitondran'ilay Nahary
Vao nitsaika tao ambohoka
Eny mbola tsy niteny
Dia efa teo antanany
Ka notrotroiny sy notanany
Vao niantsoantso neny
Ka nibada niantso dada
Dia efa notolorany
Ny fiarovana sahaza
Raha vao niditra antsekoly
Ka nahatsapa sorisory
Dia nomeny fitsikina
Mba ho namany mangina
Raha niroso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/setrinilay-fitia-natolotra | Setrin'ilay fitia natolotra | ny eja | Tia anao aho...
Fa tsy nosaininao
Tia anao adala,
Dia niantso anao malala
Tanaty eritreritro ...
Ianao ninia nikipy
Nandositra ny tsikiko
F'ilay fitiavana ahy
Dia ho fankampanahy !
Tia anao aho,
Saingy efa nihonona
Novoriako ny heriko
Naleoko aloha ho antonona
Ilay fatra sandainao
izay se... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tonitony/vavaky-ny-mpivarilavo | Vavaky ny mpivarilavo | Tonitony | Raha tsy misy intsony tompo
Sombitsombin-kasambarana
Azonao atolotra ahy eto an-tany fandalovana
Dia mba raiso ny fanahiko
Izany jaliko mba hifarana
Ary aoka koa ny vatako ho resim-pahalovana
Raha tsy misy intsony koa
Potipotika fitia
Hampihonona ny foko efa resim-pahoriana
Dia mba raiso ny fanahiko
Hiala sas... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsos-tafa/ambony | Ambony | Antso's tafa | AMBONY
Raha ambony matikambo;
Mihevi-tena ho tilikambo
No tsy mahay mijery ambany
Fa ny ambony, ambony ihany
Dia tsarovy, tadidio
Fa ho avy ny tadio
Hivimbin-tsento sy tomany
Ka ny ambony ho lasa ambany
Fa ny ambony tsara fo,
Tia manondrika ny loha
No ambony tsara orina
Ho ambony tsy azo esorina
Raha mbola... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voarabe/tiako-ianao-13 | TIAKO IANAO | VOARABE | TIAKO IANAO.
Tiako ery ianao, ‘lay hendry maotimaotina
Malefa-pihetsika iny
Tsy mba firinga mihevotra, mora araraotina
Fa kanto, ts’isy tsiny
Tiako loatra ianao, tsy haiko izay hambara
Fa ny fo ‘zay ao anatiko
No injany fa midoboka sy misamboaravoara
Toa mila tsy ho tantiko
Tena tiako ianao, ka satriko hobanji... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ivs-ilay-voromailala-sariaka/neny-8 | Neny | IVS Ilay voromailala Sariaka | Neny
Ilay nitondra sivy vola
Nanao ny ainy tsy ho zavatra
Ilay nibaby raha tomany
Dia mbola i Neny ihany
Ilay nigoka ny tsy tiana
Niaritra ny fahoriana
Ilay nitaiza nahabe
Dia mbola i Neny ihany re
Ilay nikapoka , nibedy
Tsy nitsitsy tsora-kazo
Ilay nanambitamby sy nitia
Dia mbola i Neny tia
Ilay somary ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/avela-izy-handeha | Avela izy handeha | oceane | AVELAO IZY HANDEHA
Avelao izy handeha
Fa tsy fanafody akory
Ny fihazonana azy
Avelao izy handeha
Hizotra lalan-kafa
Fa hanampy azy ny fandehanany any
Any izy ahatsapa
Ny fahabanganao
Any izy ahita
Fa tsy feno raha tsy eo ianao
Raha kosa izy hanadino
Aza miherika azy intsony
Fa tsy anjara angamba
Ny fiarah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/ho-anny-hafa-indray | Ho an'ny Hafa indray | ny eja | Impiry aho no naniry
Olo-tiana tena matotra
Hitantana ahy mba tsy hivily
Raha tojo ny ady sarotra ?
Nefa kosa ho aho ry Ray
Miangavy aho mba itodiho
Ireo nisara-tiana indray
Mba tsiahivinao anio !
Impiry aho no nitia
Matetika toa mangaina
Dia miandrandra mafy ery
Olon-kendry antenaina
Nefa kosa tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/tantely | TANTELY | Toetra RAJA | TANTELY
Afa-drakotra
Indrisy
Ilay tantely,
Ady varotra
Tsy misy
Na dia kely.
Lalim-paka
Ilay fomba
Efa lo :
Manjaka
Ireo mpomba
An'i Baroa !
Ny hery
Manafaka
Ny takotra :
Mamery
Mahasolafaka
Manafotra.
Fa tamy
Mandrombaka
Hampipitra :
Ny mamy
Mitobaka
Ho ritra.
Maro
Ny mpitavana
Tsy voky.
Fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/fanahy-mendrika | Fanahy Mendrika | ny eja | Tsy ny bikanao sy ny endrika
Niangalian'Ilay Nahary
No sarobidinao voamariko
Fa ilay fanahinao mendrika
Tsotra ka miharihary
Tsy aritro ka nasongadiko.
Ny fitsikinao baliaka
Tiako ery mba hotahafina
Miampy ilay fomba fijery
Miavaka tsy miafinafina
Dia feno ilay fahendrenao
Ny tontolo raha mitafa
Sady ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/fiofona | Fiofona | Ny Kanto | FIOFONA
Misy teny tsy hay tononina
Tsy hita maso, … avy aiza ?
Mitoetra … miara-monina
Mamelona ny saina sy mitaiza
Teny afaka manokatra ireo maso
Amin’ny hita sy tsy hita
Amin’ny soa sy ny ankaso
Izao tontolo izao vita
Teny fahanginana sa ... fahaginan-teny
Mampihavana ny nofy amin’ny aliny
Sy amin’ny nofin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voarabe/masina-ny-tanindrazana | MASINA NY TANINDRAZANA | VOARABE | MASINA NY TANINDRAZANA
Ny gasy dia tokana fa tsy maro
Ny foko rehetra mahay miharo
Na ngita na oly na tsotra volo
Ny gasy dia tokana iray daholo
Na fotsy na mainty na zarazara
Dia tokana iray Madagasikara
Anaram-ponenana fotsiny ihany
Ny hoe an-tanivo sy indran-tany
Ny gasy efa fantatra hatramin’izay
Fa mahay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotondranary-mampionona/manina-6 | MANINA | RAKOTONDRANARY Mampionona | Lavitra, saraka toa tsy tafaraka.
Ny lasako kosa toa manaraka.
Miteny milaza fa any ho any;
Sarika balika ilay volana mamy.
Ilay malala tokana iray tsy soloiko
Ilay namana tokana nameno ny foko;
Ireo sanginy, tsiky tsy nankaleo;
Toa vao tsy ela fa vao anikeo.
Tadidiko ery rehefa tomany,
Nifoko mangina izy amiz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/iny-zanako-iny | Iny Zanako Iny | Pissoa | Iny Zanako iny.
Tanora loatra izy iny dia lasana sahady ;
Zaza mbola tsy nandady !
Mbola tsy nandramany ilay fombako nibada
Nihanta tamin'i Dada ;
Mbola tsy hainy akory izany hoe miteny
Na miantso an'i Neny.
Mbola tanora hoy aho, tsy mbola nitomany !
Tsy mba nahita akory ilay mazava ety an-tany.
Iny Zanako iny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranja-zanamihoatra/malagasy-mankany-2 | Malagasy mankany | Randja Zanamihoatra | Eny hoy aho Ramalagasy
Malagasy be fivoarana
Tsara haingo, tsara vasty,
Tsara sampy, tsara anarana
Izato fietsiketsikao eh!
Iazato fomba amam-piteny
Ianao no tena "Malagasy" fa tsy ireny Ntaolo ireny
Satrinay hitsinjo ihany
Izato anao mirehareha
Borizanom-pandrosoana, miedinedina fandeha
Soa manko nitanila ia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rinajulie/tsisy-lohateny-62 | [Tsisy lohateny] | Rinajulie | TIAKO
asa lahy raha tsapanao,
Fa tiako koa
no sady mamiko
zay rehetra momba anao
mba ho ahy irery tsy indramiko
Raha lanjaina tsy ho zaka
Raha refesina tsy takatra
Fa ny foko sy ny saiko
Tena babo toa tsy fantatra
Bold text |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/mifono-lambamena | MIFONO LAMBAMENA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | MIFONO LAMBAMENA
Any an-danitra mihaona
Raha sitraky ny Ray
Lay veloma mandram-pihaona
Ho doria mandrakizay
Ilay niarahana nanangana
Ho arodana daholo
Potehina tsy avela hiangana
Avela ho lò sy bobongolo
Ny tantara izay tsy maty
No avela hitantara
F’efa nisy sahy maty
Nanadino ilay anjara
Nanapotika ny ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/mifona-aminao-andriamanitra | Mifona aminao Andriamanitra | SCOTLANDYARD | Mifona aminao aho Andriamanitra
raha toa ka manana andriamani-kafa
ka izy no ataoko andriamanitra
ary koa andrianiko tsy mihafa
Mifona aminao aho Andriamanitra
raha toa ka izy indray no hivavahako
ka hafoiko azy ny tany sy ny lanitra
ny toerana hametrahako azy koa avahiko
Mifona aminao aho Andriamanitra
raha t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotondranary-mampionona/tsiaro-3 | tsiaro | RAKOTONDRANARY Mampionona | An-tany lavitra, toa singan'olona irery.
Te hitomany, matahotra ny ho very.
Asa, ianareo ve mba mahatsiaro?
Aza adino re aho sao mimalo.
Tsy misy hitarainana ny fahorina manjo.
Halavitra anareo!toa hamoy fo?!!
Ny volana balika no fanantenana,
Milaza mitsiky mitondra hafanana.
Aza tomany, toneo ny saina
Ny s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/ilay-fitiavako-2 | Ilay fitiavako | ny eja | Eny ekeko tsy aritro
Indrisy tsy voakasiko
Ny lapan'ny fonao
Ny diantsika anefa miaraka
Mifanjoy malai-misaraka?
Tena amin'ny foko tokoa
Te hanoroka anao aho moa
Mandinika anao,
Mindrandra mafy anao
Kanefa hatramin'izao
Mangahiahy anie aho !
Rotidrotika ny foko
Raha mba fantatrao tokoa
Ny fotoana dia m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/kalo-anaty-haizina | Kalo anaty haizina | Ny Kanto | Atolotro an'i H.L.
Kalo anaty haizina
Ny masoandro izay nantenaina
Voafonjan’ny haizina tsy azo tohaina
Ny volam-peno teo avara-tanàna
Nianatsimo fa tsy tamana
Ny lanitra hoe lavitr’ankaso
Notenain’ny orana, mifia-dranomaso
Ireo kintana zatra trotroina
Niraraka aiza, tsy tsinjo intsony
Eny e! ray anjara sy v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/mijanona-any | Mijanonà any | oceane | Mijanonà any
Raha ny teo aloha dia faniriako
ny fiantsana ny fiverenanao
Raha ny teo aloha dia toa satriko
ny hanafaingana izato dianao
Kanefa ...
toa tsy mety izany
Kanefa ...
toa niova ianao ilay any
Toa tsy izaho intsony
no ambetindresakao
Toa tsy izaho intsony
ilay andrin'ny fonao
Ny elanelan-tany
toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riso-lalason/amiko-3 | Amiko | riso lalason | Amiko dia tokana ny zavatra mba fantatro
manomboka androany
tsy misy n'iza n'iza ankoatra anao intsony
miaina eto an-tany
nenjehiko ny nofiko, dia indro f'efa takatro
anaty habaka any
ka volana baliaka no tsinjony eny ambony
milaza ny hatsaràny
voarafiny ho sary anaty raho-milalao
endrikao mitsiky, rakofakofam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voarabe/ny-fifankatiavantsika | NY FIFANKATIAVANTSIKA | VOARABE | NY FIFANKATIAVANTSIKA
Tsy dia noho ianao malala, na ny momba antsika akory
No mampivadibadik’ahy ka tsy ahitako tory
F’indraindray manonja loatra ny hetraketraky ny fiainana
Ka mandrotika fanahy, mampijaly ny fisainana
Soa aza nisy anao, dia ianao ilay voninkazo
Ilay fela-manim-pofona, mampitony ho azoazo
Rahefa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/fitia-tsy-ankiteny | fitia tsy ankiteny | njaf | nipetra-drery aho
dia lasa indray nahatsiaro
ilay fihaonantsika
indray takariva izay
tsaroanao tsara angamba
ilay nifanindry lalana
rehefa isika nody
dia niangaviako ianao
mba hiara-dalana amiko
noho lay tranontsika
tsy mifanalavitra iny
ianao moa tsy nanda
fa dia nanaiky mora
dia iny isika roa
no niaraka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mamy-lalaina/tsy-maintsy-hisy | TSY MAINTSY HISY | MAMY LALAINA | Raha mbola misy ihany
dahalo iray voasambotra
kanefa tsy migadra
dia tsy maintsy hisy hatrany
ny asa ratsy mahatsiravina
horohoro,dradradradra.
Raha mbola misy ihany
marina voavidy vola
eto anivon'ny tontolo
dia tsy maintsy hisy hatrany
fanosena ny madinika
tena mampitsangam-bolo.
Raha mbola misy ihany
voa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/i-dada-amiko | I Dada Amiko | Pissoa | I Dada amiko ?
Ray mahafoy izay eny ampelan-tanany,
Mikaroka ombieny
Izay mety hahafaly sy hahatafita an-janany ;
Tsy miandry ahy hiteny.
Lehilahy tsy mba mamadika fa azo itokiana !
Fa na ho mafy na ho mora
Dia mitsangana eo anilako, mivimbina hafaliana
Misongona ny ankora.
Mitsangana ho vato, manda fihafenako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naritsimba/ho-azy-1 | HO AZY | naritsimba | Izay rehetra ataonao ahy,
Raisiko am-pahatoniana,
Ka tsy ataoko mampanahy
Na dia hazo fijaliana
Vonona aho ny hizaka
Izay rehetra atolotrao
Na ho eso na ho latsa
Dia zakaiko tsotr’izao
Raha ny foko sy ny saiko
Sy ny momba ahy rehetra
Vita sedra sy voabaiko
Hitia anao tsy misy fetra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tonitony/tiako-ianao-12 | Tiako ianao | Tonitony | Misy vetsovetsom-po
Tiako hotantaraina anao
Hobitsihina mangina
Eo am-poto-tsofinao
Ry 'lay feno fitsikiana
Tadidio fa tiako ianao
Vao mifoha aho ny maraina
Dia ianao no ao an-tsaina
Ny voahary manontolo
Mampahatsiaro anao daholo
Amin'ny alina magina
Ny endrikao no alaiko nofy
Mahatsiaro ny olon-tiana
Na s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voarabe/kimandorondoro | KIMANDORONDORO | VOARABE | KIMANDORONDORO
Raha misy ny hevitra tsy itoviana
Mandinika aloha
Ny omby indray mandry na oviana na oviana
Tsy indray mifoha
Raha fampandrosoana no atao tarigetra
Sy lalan-kombana
Dia arovy ny dingana vita rehetra
Fa aza ravana
Rehefa mitokona kosa ary ve
Dia tsy maintsy mandoro
Fa angaha izy ity oniversite
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/hiova-hevitra-aho | HIOVA HEVITRA AHO | Vanjanofy | Hiova hevitra aho anio
tsy hitsetra intsony intsony
ny hakantom-boninkazo
sy ny tsikim-birijiny
mora maina sy malazo
fa hiova hevitra aho !
Ka na rahona mandalo
na ho loza mampimalo
na ho mosarena hatrany
noho ny fiainana eto an-tany
dia tsy ahoako intsony izany
fa hiova hevitra aho !
Hariako irony fiantran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/ditratsika | DITRATSIKA | SCOTLANDYARD | DITRATSIKA
Antsoiko sy antsaiko, izany anaranao
Kaloiko sy angolaiko, izany fiantso anao
Lalaoviko safoiko,ny lamosinao
laingoiko sy tsongoiko, ny nofon-tratranao
Hazoniko, fihiniko, ilay vatanao
ny molotro ankiniko, amin'ny tendanao
Ataoko izay tianao, sady ren'ny aiko
Ataovy izao sy izao ; hoy ianao mibaiko
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/tsy-ho-rava-tsy-akory | TSY HO RAVA TSY AKORY | Vanjanofy | Injay fa tsinapako mbola mafana
sy mamy ao anatiko ny hanina anao
mbola mamiratra tsy azo fafana
‘lay bika nanjary tsy foiko hatrizao !
Tsy maty tsy akory fa mbola ao ihany
‘reo raki-pitia nokoloina fahiny
zary hasambarako iray eto an-tany
ny fahatsiarovana ny orokao iny !
Ho reraka foana eo ‘reo mpanakora
ham... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/hafatro-ho-anao-2 | HAFATRO HO ANAO | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Hafatro ho anao…….
Raha miloloha lanitra lena,
Mandia tany tafitohana
Ny lasa no hany jerena
Ny anio koa hijoroana.
Ka tandremo ny mamohifoa
Amin’izao fiainana izao
Mitrakà, atanjao ny loha
Fa ho avy ilay fiainam-baovao.
Tandremo ny fiainana lesy;
Bedao aza isalasalana
Fa sao tratry ny evi-petsy
Tsy misy za... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/tsy-nisy-ve | TSY NISY VE….? | Vanjanofy | Ny taloha ihany
no sorisorin-tsaina
hiainako eto izany…!
Mitohy hatrany hatrany
‘lay ratra sy tomany
nianjady hatramizay
fa nahoana kay?
Tsy nisy ve ilay
hirahira mamy
sy nofinofintsika
tanaty takariva
sy vola-mibaliaka !?
Nandalo ve irony
rodon-tononkalo
nampamolivoly ny fo, fanahintsika
sa dia nangatsi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/tononkalo-ho-an-drado-ilay-poetanny-fahafahana | Tononkalo ho an-dRado ilay poetan’ny fahafahana | Vanjanofy | Maro tsy hay lazaina
tsy tambo hotanisaina
‘reo tononkalo maro
nandrendrika olo-maro
nandalo teo imasoko
fa ny tena tsy haritro
sy hany mba tsikaritro
dia ny rindranao
tsy ataoko ankilabao
fa vaikan’andrian’nofo
nanindrona ny foko
no sady nahalaza
ny am-poko tsy nandaza
tamin’iza n’iza !
‘Reo vazonao mita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/safidy-tena-adala | SAFIDY TENA ADALA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | SAFIDY TENA ADALA
“Raha mba ninoanao, sy mba narahanao ny anatra nataoko
Dia angamba tsy ho nisy ny tsotsorimamba nisarahantsika
Raha mba niainanao ny fiainana niainako, ny fomba fanaoko
Lay tokatranontsika angamba mety tsy hangatsiaka”
Ny anao ny anao ihany
Lay fo tsy mahay mandefitra
Nefa aiza ‘zao? Atody toa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/fo-adala-1 | FO ADALA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Misentosento lava
Arahina anjoretra
Mitapitambim-bava
Toa mampite- hitsetra.
Ilay tovolahy iray
Te hamboraka fitia
Fa toa mangahiahy
Toa adala sanatria.
Tsy mba manan-kolazaina
Raha mba tojo ilay tiana,
Fa toa lasalasa saina
Tena valaka sy sina.
Toa mangovitra daholo
Raha jerena izato izy
Ary toa mitsanga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/fahatsiarovana-3 | Fahatsiarovana | Vanjanofy | Dia fahatsiarovan-tsisa
re mamisavisa
'lay endrika nandalo
nimalo dia nimalo
nidify tsy hita intsony
ka toy ny felam-bony
tsy tojo terak'andro
'ty fitia nialin'andro
anivon'ito hariva...!
Tsy hita hoe antsoina
na koa mba hanoina
ny kiakan-dranomaso
narotsaky ny ankaso
'lay aloka niserana
nandatsa-panenena... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naritsimba/ny-lalako | NY LALAKO | naritsimba | “Atolotra ho an’ireo izay tsy manan-tsaina afa-tsy ny manaratsy sy manenjika ny hafa.”
Ny lalana hombako, dia efa voasoratra
Lala-mankany, amin’ny tanjona iray,
Ny lalan’hombako, dia tsy ho tratra toraka
Mizotra amin’ny fiainana mandrakizay
Ny fomba izorana, dia maromaro
Ny fakam-panahy etsy an-daniny ihany
Fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/sambatra-ianao | SAMBATRA IANAO | Vanjanofy | Sambatra ianao fa mahay mody tia
sy mitsiky anoloanan’ny manina anao
sambatra ianao fa tsy raiki-pitia
tamin’ny endrika kanto sy toky fanao!
Sambatra ianao fa toa maro mpaniry
kanefa tsy tia hafa tsy olona iray
sambatra loatra fa nety nikiry
ny hifampitantana mandrakizay !
Sambatra ianao f’efa manan-kotiavina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/ho-fetini-neny | Ho fetin'i Neny | Pissoa | Ho fetin'i Neny
Neny ô !
Androany ihany ony
no natao ho fetinao ?
Androany monja !
Nefa anie ka ny onja
mafy resinao
no tena mampitony.
Fa iza moa no niaritra
ny feoko raha nikiaka ?
ny ditra sy tomany
raha tsy ianao ihany !
Ny sasany aza moa mipiaka
helika ... Finaritra !
Ry Neny tokako eto an-tany,
Ry ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/malala-6 | Malala | Vanjanofy | Malala a!
Tsaroako izany isika nifampisarizoro
ny kilalaontsika sy 'rony torotoro
niarahana nanao tandàlan'ny fitia
ilay izaho sy ianao nifankatia ery
rava anefa izany, foana ankehitriny
maina sy malazo 'lay tsiky tamin'iny!
Ny bitsika natao tsy nisy nahalala
Ny atsika nihafiana 'zay nampivoajamala
ny dinidini... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/tia-8 | Tia | Vanjanofy | Mahafinaritra ahy 'reto 'ty zazavavy ity a!
Tsanganan-birijiny nanaitra ny fitiavako
henoko niankira ny kalon'olon'ory
sy hiran'olo-manina!
Tiako 'reto izy iny a!
fitiavan-tsy voafetra no hitiavako azy
fitia tsy toy ny efa
hita sy voasetra
hatrany am-piandohany
ny ao am-poko ao!
fitia tsy mba nateraka
na ini... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/alina-3 | Alina | Vanjanofy | Alina !
avy indray ianao
mitondra vetsovetso
anaty foko ao !
Indro ny elatrao
manainga ny fanahiko
ho any ananona any…
misandratra tsy nahiko
ho an-koatrahoatry ny any
ny nofoko oriory !
Ny saiko tsy mitony
fa ohatran’ny efa irony
an-dafy am-pita irony
‘reo ladin-kasambarako
fongarinao tsy hitony !
Alina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/ny-fiadanako | Ny fiadanako | Vanjanofy | Mikobona eritreri-dalina ny rivotra mitsoka avy atsimo,
Mitsoka hafaliana anaty alahelo
ririnina manara… !
midona-tsetro-pahoriana ny saiko savolaina
mahita ny vatako mihararetra
tolomin’ny fanala vao mangiran-dratsy
eo am-panomanana ny ho aviko!
E… ‘ty izaho…!
Manjohy ny hazakazako
eto an-dàlam-ben’ny velona!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/valin-kafatra-ho-an-drado | VALIN-KAFATRA HO AN-DRADO | Vanjanofy | Ho porofo f’efa
henony sahady ireto hafatrao
dia ny tranonao no narindriko mangina
hikorisan’ny rano avy eo imasonao
ho fahatsiarovana azy…
ka ’lay tànako ‘zay efa rainazy
nokoboniko mangina
mandram-pifandrain’ny tànako sy ny azy….
Dia nentiko ‘lay tenako…,
‘lay tenako tsy ahy
fa eo am-pisalorana ireo tomanin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riso-lalason/mody-hoe | MODY HOE | riso lalason | hambo be fisisika sy henatra nafenina
dia mody hoe "tsy taitra"
fa zioga faratampony sy ngidy tsy voatelina
tsaroana fa nafaitra
.....ny fitak'olon-tiana
fanenjanan-tsaina sy ezaka hitraka
dia mody hoe "tsy voadona"
fa longoa mitototra sy fandrika nandratra
tsy maintsy ho tsaroana
.....ny diso faniriana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/lasa-babonao-ny-foko | LASA BABONAO NY FOKO | SCOTLANDYARD | Lasa babonao ny foko
lasa babonao ny aiko
ka ny hazavana sy ny loko
zay manemitra ny saiko
dia ilay endrikao nitsiky tamiko
ka nitondra fifaliana
eny na dia hoe hindramiko
dia tiako foana hokafiriana
Lasa babonao ny foko
lasa babonao ny aiko
ka ny hazavana sy ny loko
zay manemitra ny saiko
dia ilay masonao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilalatahiana-tojosoa-sarah/mba-avelao-aho-hitomany | MBA AVELAO AHO HITOMANY | HERILALATAHIANA Tojosoa Sarah | Ry namana ô !
Aza tsiny re omaly raha norarako ianao tsy hitomany
Omaly aho mantsy mbola faly
Tsy voaratram-panahy ka nahateny izany
Anio aho izao vao mahatsapa
Fa hay ny ferim-pijaliana
Dia voafantsika alahelo
Maika miha-lalim-paka
Raha kobonina mangina
Anaty tsiambaran-telo
Hay tsy niaiko ny lasa
Resy teny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/veloma-ianao-raneny | VELOMA IANAO RANENY | raozigasy | VELOMA IANAO RANENY
Veloma ianao Raneny
nangina aho tsy nahateny
raha nampandrenesina
fa niantso i Fahafatesana
Veloma ianao Raneny
nilaozanao i Neny
ka triatra koa ny fony
sy sarotra mitony
Veloma ianao Raneny
ts'isy afa-tsy teny
no azoko atao
manao veloma anao
Veloma ianao Raneny
Veloma ianao ry Reny
v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/fantatrao-fa-nisy | Fantatrao fa nisy | Pissoa | Fantatrao fa nisy
Fantatrao fa nisy fitia naniry handrobona
Hanome hanitra ny fonao zary hefitra.
Fantatrao fa nisy fanahy naniry hiombona
amin'ny fanahinao : handidy sady handefitra.
Fantatrao fa nisy maso tsy niery
Nanjohy anao tanaty jery lalindalina.
Fantatrao fa nisy fo manirery
Nitempo ho anao maraina, ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/etsy-kely-ange-e | ETSY KELY ANGE E! | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Etsy kely ange e!
Raha atao indray mijery
Izao tontolo izao akia
Dia kanto sy mahate-hijery
Saingy indrisy, tsy maharitra doria
Na ianao na izaho
Dia toy izany ihany koa
Tsy maintsy mbola hifandao
Hody vovoka ho lò
Ka aoka samy hifandefitra
Hampanjaka ny fihavanana
Izay ihany no fanefitra
Ary tokony ho tana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/tsy-mbola-isika | TSY MBOLA ISIKA | Vanjanofy | Tsy mbola isika angamba no hiaraka doria
an-dàlan'ny fitia
tsy mbola isika koa
no 'lay olon-droa
natao hifanasoa
sy hikambana eto an-tany
an-tsento sy tomany!
Nataoko iky fa ianao
'lay avy niantoraka
niondana ny tratrako
niararetra fatratra
no ilay tonga lafatra
nofisiko hatrizay!
Nataoko tamin'izay
fa ia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/trade/vavaka-14 | VAVAKA | TRADE | Andriamanitra ô tahio, izay malalako izay
Fa midadasika ny elanelan-tany mampisaraka anay
Ka ny tànanao mahery no ho tànako havia
Hitantana azy anaty tsiahin'ny fitia.
Ianao hiaro azy eny, hanampy azy amin'ny sarotra
Tsy sanatria mandidy anao fa mba miady varotra
Fa efa fantatrao ihany ny fitiavako azy iny
Izay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilalatahiana-tojosoa-sarah/azafady-mba-fafao-1 | Azafady mba fafao | HERILALATAHIANA Tojosoa Sarah | Azafady mba fafao
Ilay tantarako hatrizay
Fa raha ny amiko dia ,
Efa fantatro fa,
Tsy ho anjaranao
Eny raha niezaka aho
Ny mba ho tiavinao
Dia tsy noheverinao akory
Fa nolozainao aza fa hoe
Toa adala sy manorisory
Ka hiangaviako mba fafao
Irony lasako sy tantara
Aza atao an-tsaina intsony
Indrindra fa ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/fitiavan-tsika | FITIAVAN-TSIKA | Arajech | Ampianaro ahy ny mitia
Fa tsy aiko angamba
Tsy araka ny fihevitro ny fisananao
Antorohy ahy izany hoe fitia
Fa tsapako toa misy banga
Fa izaho vao sambany mitia anao
Mba lazao ahy izany hoe tia
Hafako misedra izay mindranga
Afako mantateraka ny sitrakao
Mba azavaho ahy ny hoe fitia
Tsy hisanako tsy hihampanga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilalatahiana-tojosoa-sarah/azafady-mba-fafao | AZAFADY MBA FAFAO | HERILALATAHIANA Tojosoa Sarah | Azafady mba fafao
Ilay tantarako hatrizay
Fa raha ny amiko dia ,
Efa fantatro fa,
Tsy ho anjaranao
Eny raha niezaka aho
Ny mba ho tiavinao
Dia tsy noheverinao akory
Fa nolozainao aza fa hoe
Toa adala sy manorisory
Ka hiangaviako mba fafao
Irony lasako sy tantara
Aza atao an-tsaina intsony
Indrindra fa ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/ady-1 | Ady | Vanjanofy | Hiady ialahy anio ry zandry
ka avokony izato sandry
amafiso koa ny loha
fa hanomboka tokoa
ny ady mafin'ito tany...
Dia hiady ialahy izany
ka indreto ny apinga
isalory raha hamindra
ho any an-tanim-piadiana
izato tenan'ialahy...
Aoka aloha ialahy ho sahy
hanatrika ny haratsiana
sy ny habibian'ny fahavalo
e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/fo-mitia | FO MITIA | Vanjanofy | Misy fo mitempo ila lavi-kavana hitafana reko izany
misy sodina aman-kira re mamelovelo nefa tsy eto an-tany
misy fifaliana mamy
misy rotsaka tomanim-pifaliana sesilany any ho any!
Hasambarana mandalo
miampy rodon-tononkalo
no injany fa mitsaika
sy mandodona tsy laitra
ny aty fo!
Fo irery
te hitia
tsy tafand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/ilay-1 | ILAY | SCOTLANDYARD | Ilay fijeriko anao, somary malefadefaka iny
raha mifono hevi-dalina,dia aoka tsy ho tsiny
Ilay fibanjinako anao, ilay fitopy angalarina
dia midika zava-maro, izay tsy sarotra fantarina
ilay fitsikitsikiko iny , raha vao mahita anao,
tena te hanambara mafy, izay miafina ao am-poko ao
ilay hamiranako iny, tam'izat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sanga/mba-tazano | MBA TAZANO | sanga | Mba tazano e! Mba tazano
Aza avela hikoriana toa rano
Izahay vahoaka aty ambany
Fa mosarena sy tomany
Ny anareo ao ambony ao
Efa milamina izay natao
Ny ambanilanitra koa omeo anjara
Fa toa ratsy karakara
Tadidio fa Nosy iray Gasikara
Tsy tianay ho voazarazara
Ho antsika ny vita soa sy ny tsara
Mba tsy ho tsa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/jehovah-tompo | JEHOVAH TOMPO | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Ny Fiainako tantarako
Tsy misy izay ambarako
Ka zoriko ny lalako
Fa ny hany ifaharako
Dia : JEHOVAH TOMPO |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/vavaka-15 | VAVAKA | Vanjanofy | Ray ô!
Raha vitanao atao,
nahoana Ray
raha omena ahy indray
ilay finoana izay
nampitoerinao fahiny
tamin'ireo mpiandany anao?
Inoako Ray,
fa vitanao hatao
ny mampanaiky ny ao am-poko
nefa fantatro ry Tompo
fa safidy no omenao
ka mba hahafahako manao
izay rehetra sitrakao
dia aza omena ahy aloha
izay rehe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/ny-fiainana-an-tany | ny fiainana an-tany | Vanjanofy | Ny fiainana an-tany?
fiainana ihany
fiainana feno mangidy sy jaly
kanefa na izany
hilofika ve ka hisotro tomany!? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herilalatahiana-tojosoa-sarah/mba-ho-aiza | MBA HO AIZA? | HERILALATAHIANA Tojosoa Sarah | Mba ho aiza ?
Izaho moa mba ho aiza rehefa tsy horaisinao ?
Hiverin-dalana aho angamba dia hody
Hangina samirery
Hitsapatsapa toin’ny jamba ireto masoko mijery
Ka hitogaigigaigy eny
Nandosiran-kasambarana
Ho lasa adala angamba anjeny
Dia ho ory tsy hanam-pitsaharana
Ka tsy hahatelin-dray sotro
Fa ho kotsam-pa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/ilay-2 | ILAY | SCOTLANDYARD | Ilay fijeriko anao, somary malefadefaka iny
raha mifono hevi-dalina,dia aoka tsy ho tsiny
Ilay fibanjinako anao, ilay fitopy angalarina
dia midika zava-maro, izay tsy sarotra fantarina
ilay fitsikitsikiko iny , raha vao mahita anao,
tena te hanambara mafy, izay miafina ao am-poko ao
ilay hamiranako iny, tam'izat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/dom-panantenana | Dom-panantenana. | randria | Isika nifandrify... aloka niserana,
Lay topi-maso dify, lanitra nanerana.
Ny làlana tsy hita, ratra vao mihombo,
Ny kopa-tsy tafita, aretina mitombo.
Babo tsy miloaka, apombo mialon'afo,
Ny fitia tsy tafavoaka, trano tsisy tafo,
Kilema tsy sitranina, tombo moana anaty,
Ny mafy nodinganina, raketo ndeha soraty .
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/ny-tena-fiainana | NY TENA FIAINANA | SANDRATRA | Raha ny fiainana eto an-tany
dia sento lava sy tomany
tsy mba misy andro manjopika
fa fahoriana lava no hita
Fa indrindra io fitiavana io
izay tena mora maty ka kajio
io no tena mampijaly ny tanora
mamono sy mikiky ny anaty moramora
Ka ho anao zay leom-pahoriana
zay efa tena miafiana ho anao indrindra ity hafa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vasiana/taratasy-farany | taratasy farany | vasiana | handao anao aho hoy hianao
tamin'ny tsiky feno sento
fa ny fonao tsy amiko
ka mampitombo izany haniko
sy ireo adintsaiko...
asavoamboan'ny nenina
ka hafoiko re ny aiko,
hahohadinoiko re ny ankaniko...
dia veloma...
any ankoatra any indray
no hanatanterahako
ilay voady "ho iray",
'zay nohitsakitsahiko
tsy t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vasiana/ny-fitiavako-anao-4 | ny fitiavako anao | vasiana | Na tsy ho avy ny orana
Na ho maina koa ny taho
Ny ravina ho torana
Hanantena foana aho
Na tsyhisy rotsirotsy
Hosotroiko ny fahoriana
Na ho maintsy na hofotsy
Fanantenana no hifikirana
Na tsy hiposaka io masoandro io
Ka hitsahatra ny andro
Ny alina no hanjaka
Hanantena foana aho
Na ny orana tsy hisy
Ka ho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jm-rakotomalala/ny-tia-sy-ny-tiana | Ny tia sy ny tiana | JM Rakotomalala | Ny tia sy ny tiana
Ny tia sy ny tiana
No tafara-dia
Miventso sy mikalo
Tsy misy mampimalo
Rano sy vary
Tsy mifanary
Ketsa maniry
Ka indray mitsiry
Ny fasana tokana no hany hanafongana
Ny hafan'izany hiomehezana ihany
Ny tia sy ny tiana
No tafara-dia
Rano sy vary
Ka tsy hifanary |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/herinny-tokantrano | HERIN'NY TOKANTRANO | Fredy Jaofera | Ny haja sy ny fitiavana
No andry tsy ilana fandavana ;
Ny ady sy ny fitiavana
No toky kendreho hampihavana ;
Ny vola sy ny fitiavana
No jiro ataovy mitandavana ;
Ny vady sy ny fitiavana
No harena miampy fahasoavana ;
Ny ezaka sy ny fitiavana
No ahavitana zavatra goavana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/izaho-mantsy | IZAHO MANTSY | Vanjanofy | Izaho mantsy ilay tsy tiana
novesaram-pahoriana
mody hanaovana angoty
dia indrisy fa nitoky
sy nihevi-tena ho tiana
ka nijinja fifaliana!
Eny izaho ilay nifaly
teo am-pisotroana jaly
fa nitokitoky foana
Raha mba hoe manao fotoana
dia mivimbina joretra
fa voalainga manjoretra
eny an-kebakeban-tany
Izaho man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/amiko-ny-ray | AMIKO NY RAY... | Fredy Jaofera | AMIKO NY RAY…
Amiko ny ray raha vao nanomboka namindra
no hita nianteherana ka toa tadidy indrindra ;
amiko ny ray fony mbola ankizy sy naditra
no nikatsaka nambomba fitiavana tsy ritra ;
amiko ny ray dia ilay namana nohatonina
nilazako ny alahelo fa tsy lainga be foronina ;
amiko ny ray raha ato am-po foana om... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/ny-tena-fiainana-1 | NY TENA FIAINANA | SANDRATRA | Raha ny fiainana eto an-tany
dia sento lava sy tomany
tsy mba misy andro manjopika
fa fahoriana lava no hita
Fa indrindra io fitiavana io
izay tena mora maty ka kajio
io no tena mampijaly ny tanora
mamono sy mikiky ny anaty moramora
Ka ho anao zay leom-pahoriana
zay efa tena miafiana ho anao indrindra ity hafa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vasiana/sisa | sisa | vasiana | fo voalefona
natsatoky ny sento
vokatry ny fandaozanao
no sisa ato antratrako...
fanahy torotoro
maniditsdina eny ho eny
saina tsy mitoetra
mangina tsy miteny
no mba hany lova taminao... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.