url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/ny-finoana | NY FINOANA | LAVENONA | Ny finoana tsy azo ariana
fa fitaovam-piadiana
ho an'ny zanak'Andriamanitra!
Aza adino fa io no kiady
sy apinga enti-miady !
Na kely toy ny voatsinampy
dia azo inoana fa efa ampy
hahafindra tendrombohitra
Sady entina manohitra
ny tsipikan'ilay ratsy !
Ary ny asam-panompoana
raha tsy arahina finoana
dia zary... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/i-dada-sy-neny | I DADA SY NENY | LAVENONA | Tsy misy tahaka an'i Dada sy Neny
raha mbola olombelona miaina eto an-tany
satria tsisy fetra ny fitiavana omeny
ary tsy mba mahafoy na mangidy na mamy !
I Dada no andrin'ny fianakaviana
miasa tsy miato na aza efa lanaka
I Neny nisotro ny rano tsy tiana
mantsy harena ny azy ny zanaka
Ireo no nitaiza sy namolavo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toy-ireny | TOY IRENY | Fredy Jaofera | TOY IRENY
Raha ny toy ireny
no atao hoe : reny,
aleoko tsy manana
hahatsara fihavanana.
Raha ny toy ireny
no tiavina ombieny,
faty antoka etoana
fa tsy hisy haravoana.
Raha ny toy ireny
no ho ahy lavareny,
aleoko mandositra
fa ny jaly, izy no fositra.
Raha ny toy ireny
no mpaniloko eny,
ho haizina avokoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/solom-panomezako | SOLOM-PANOMEZAKO | LAVENONA | SOLOM-PANOMEZAKO
Tononkalo moja
no hany mba kaloiko
ka nefa dia mafonja
sy tena avy ato am-poko !
Io no teny mamy
atolotro ho anao
fa mitsingerina androany
ny nahaterahanao !
Eny ,tononkalo iray
no indro hovetsoiko
hiarahabako anao indray
ry namako tsy foiko !
Dia ny solom-panomezako ?
Tsy akory mofo mamy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/raha-toa-ka | Raha toa ka ... | andriafa | Raha toa ka misy tsiahy,
mitamberina tsy nahy
noho ny sompatra sy ankaso
ka mahatonga ranomaso
dia avelao ihany hitraho
aza tànana akory
hanakotsa ny ondanao
'reo ranomaso anaty tory.
Raha toa ka mitamberina
ireo lasana efa dila
... na ny omaly efa levona
... na ireo diary efa kila
Avelao handeha ihany
aza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyfandeferako/ny-rediredinay-tanora | ny Rediredinay tanora | Nyfandeferako | eh! izany fiainana mpifamaofao
azakazaka avokoa izay rehetra atao
vao mihiratra ny maso dia dia lera no enjehina
tsy hay intsony na hoe izaho no be erehana
izany no atao dia ny hahatratrarana hatrany
izany redireko tsapako ho mamy
ny fahatanorana hono manko mandalo
ka na inona atao dia toa raima sy valo
maro ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lesona-tsara | LESONA TSARA | Fredy Jaofera | LESONA TSARA
Ny marina, lahy,
tsarovy, na ahoana,
ny lalan-tantara :
ny ratsy fanahy,
mampianatra foana
ny lesona tsara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/zandry-a | Zandry a..., | andriafa | Zandry a,
Aok'izay ny alahelo,
dia fafao ny ranomaso...
F'io fiainana io na helo,
noho ny vaikan'ny ankaso
Tsy maintsy ho avy ny maraina
mbola hamelombelon'aina
Zandry a,
Atrakao indray ny loha,
na ho sarotra aza izany.
Dia banjino ny any aloha
... atsaharo ny tomany,
Ny ady anie tsy mbola vita,
raha tsy t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/denariako | Denariako | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Izaho Raiko 'lay tsy taitra, tsy nandefa ny vinaniko
tamin'ny antsonao niangavy sy nikasika ny foko.
Indrisy ny akon-dakolosy nikaroka ahy tanaty akaniko,
tsy nasiako sira akory izany feonao ry Tompo,
Na ny ora fahatelo na ny ora fahaenina,
tsisy nahatsaroako akory izay ho fanoloratenako,
indrisy ity fahadalako, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/fiangaviako-farany | FIANGAVIAKO FARANY | LAVENONA | FIANGAVIAKO FARANY
Raha toa ka fisarahana
no hany lalan-tokana
hizoran'ny fitiavako
dia izao ny ahy no hafatro
sy teniko manokana
lazaiko anao rahavako
Aza ianao tomany !
Dia... ireo hira notendreko ?
Halaviro an-tsofinao !
Ny hahasoa anao hatrany
no hany zavatra kendreko
eny hahasambatra anao !
Tsy tiako ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/kalonny-moana | KALON'NY MOANA | LAVENONA | Moana aho ka moana
Tsy afaka miteny
Ka ny tononkalo foana no...
Soratana ombieny
Io ny ahy ny feoko
..mba entiko mamboraka
ny sento sy toreoko
amin'ny faingo sy ny tsoraka
Anaty rima miaina
sy......teny feno kanto
Mba satriko antsaina
amin'ny feo milantolanto
kanefa izaho dia moana.....!
Mba tia hidradradr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/faratsiho | FARATSIHO | AORN | Tazanina avy lavitra lay Faratsiho izay
Miloko maintso mavana ny voly sy ny hay
Dia misary tohatra mandravaka ny havoana
Reto tanimbary maro, mirafitra miantoana
Fa Faratsiho Fileovana, mandrafitra an’Ankaratra
Mizara toko sivy, mamokatra avokoa
Ka maro no mandray ho kaominina “fitaratra”
Reo toerana lalovana, t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/olombelona-ny-tena | OLOMBELONA NY TENA | LAVENONA | Olombelona ny tena
Ka tsy maintsy mba misento
Tsy maintsy mba miventso ny diariko ato am-poko
Sy izay hany mba tsaroako
Fa nandalo tamin'ny fiainako
Ka mandefa ny fisainako
Am-pitan-dranomasina any
Hoe indray andro any
Mbola ho hitako ny havako
Mbola ho hitako ny namako
Eh, any ilay tananako
Mitahiry fahatsi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/nangidy-ka-tsy-telina | NANGIDY KA TSY TELINA | NY Andri-Fara | NANGIDY KA TSY TELINA
Fararano hafahafa ny aty aminay
Vokatra avokoa izay rehetra nambolena .
Nioty saingy foana tsy tanteraka ;
Izay rehetra novolena tsy mba nohanina akory .
Faritana ho iray ny olombelona
Mitovy zo , sy fahalalana ary koa fahaizana .
Kanefa misy ny mahantra sy miraoka fakofako ;
Tsy mahita iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/ny-kristiana | NY KRISTIANA | LAVENONA | NY KRISTIANA
Raha kristiana ianao
dia aleteho an-dohanao fa....
ny fivavahana tsy haitraitra !
Na fitafy tena raitra aza...
no entinao mandeha mivavaka
mantsy ianao mba te hiavaka
amin'ny olona rehetra !
Dia tsy izany no toetra
izay takian'Andriamanitra
raha te handova lanitra !
Raha kristiana ianao
dia aok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/tiako-foana-ianao | TIAKO FOANA IANAO | DADAFARAtolotra | Na efa tena andefimandriny
Na hoe mpihondana ny sandriny
Na mpikitika ny volony
Na mpanoroka ny molony
Dia mbola tiako foana ianao!
Na anaty bokim-piankohonany
Na mpikarakara ny tokonany
Na mpahandro ny sakafony
Na mpanatoha ny safosafony
Dia mbola tiako foana ianao!
Na mpanasanasa lambany
Na mpangorona ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/ny-reny | NY RENY | LAVENONA | Ny RENY no miavaka indrindra eto an-tany
Satria dia tsy mora ny zavatra entiny
Mantsy ny fiainany feno tomany
Ka rariny loatra raha misy ny fetiny
Raha ny an'ny Reny? Tsy mora ny adiny
Mihitsy mizaka ny tsy eran'ny aina
Tsy vitsy ny miaritra ny ditram-badiny
Ka nefa izy izy ireny tsy mba mitaraina
Ny Reny misah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/namako-ianao | NAMAKO IANAO | LAVENONA | Namako ianao.....
Noho izany tsy ho adinoiko
sakaiza tsy mandao
Eny ,namako tsy foiko!
namako eny fona .!
Na ho tsiky na tomany
na mivalona ny taona
dia sakaizako hatrany!
Fizarako ny alaheloko
Rehefa mila tsy ho zaka
ny angon'ny ny tsiambarateloko
dia..teo ianao ilay nampitraka!
ny finamanana taloha
sy ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/herezo-ny-dia | HEREZO NY DIA | LAVENONA | HEREZO NY DIA !
Oohf..!
Izay aho razandry vao tonga ato an-trano a!!
Drii..! Fa nahoana ity maso no managanohano?
Ny alahelonao io hoy aho aleo mba hifarahana!
Lazao an'i Zoky ! Nisy namono ianao tany ampianarana?
Tsia an!!
Tsy izany raZoky fa lasa ny saiko a !
Mba nafeniko ihany ka nefa tsy haiko,
Ny fiainana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ray-mpandahatra | RAY MPANDAHATRA | AORN | Raha nandinika ny saiko nampandefitra ny loha
Manoloana ireo kapoaka zay natolotra ho sotroiko
Dia niaiky ny eritreritro fa Ianao lay Ray Tsitoha
No mpandahatra ikoizana nampitony izany foko
Firifiry moa ny hataka nitalahoako taminao
Tsisy valiny izy ireny, na taraiky aty aoriana
Tsapako ihany aty afara fa toa l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/aoka-izay | Aoka izay, | andriafa | ...Aok'izay hoy ianao,
'reo rohy namehy antsika.
Fa ianao kay efa lao,
'lay fitia,... no nangatsiaka
... Aok'izay fa tsisy intsony,
'lay voninkazo nokoloina
ka na nitsimoka,... namony
ho sorohina... ho vonoina
Voninkazo adaladala
naniry antsisi-jaridaina,
ka na hijoro, hijoalajoala
Alàna... rehefa tsy ilaina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/raiso-indray-ny-peninao | RAISO INDRAY NY PENINAO | AORN | Raiso indray ny peninao
Ry Poetan’ny tantara
Dia farito ambaindainy
Na ny ratsy na ny tsara
Fa ny zava-misy atrehina
Mbola aizina no hita
Maro loatra ireo nafenina
Sesehana ireo tsy vita
Na ny fahantrana lalina
Na ireo ziogam-pijaliana
Manangoly mahafanina
Lasa vesa-pahoriana
Ka soraty tsy ankitsahatra
ire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/aoka | AOKA | andriafa | Eh!.... aoka... aza asina resaka,
fa avelao hivalona any
fandrao mamerin-drezatra
... satria toa hanina efa lany.
Ny lasa tsy mba fanadino,
...mety ho marina ihany.
Fa izaho tsy mbola mety mino,
hoe... tena nisy hono izany.
Aleo hivalona tsy hohita,
Hanjavona tanteraka any.
Fa raha irony zava-bita
mangidy ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/vereza-zay-ho-very | VEREZA ZAY HO VERY | AORN | Vereza zay ho very, matesa zay ho faty
Fa ady varotr’aina tsy ataoko an-kitaraina
ny iarovako ny taniko ‘lay hany tsy nindramiko
Fa lova efa navelan’ireto razambeko
Toaviko sy ekeko, namonto tany teto
Kanefa alaina an-kery ho tombotsoa irerin’
Ireo mpanjana-tany…tsipahiko avy hatrany
Vereza zay ho very, matesa z... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/mandalo | Mandalo | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Toa nofin'ny alina
miserana monja,
ny hery mitondra
ny fiainan'ny velona.
Avalan'ny onja
iampita any ho any,
any ankoatran'ny tany
'reo aina miforona;
Handao ny vatana
natolotr'azy.
Ka vatana sisa
no indro tavela,
na ela aza ny ela
dia tsy ho voafafa
ao am-pon'ny velona
ny soa izay navelany.
Toa tsy mam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsu-elodie/aza-manahy | AZA MANAHY | Tsu Elodie | Aza manahy akory fa tsy nanenenako ny lasa,
Tsy nanenenako ny nitia na aza aho voaratra,
Dia lesona ny vita fa manaiky aho hoe tsy anjara,
Eny, tsy natao hiara-dia dia aleo hijanona ho tantara.
Aza manahy akory hoe arahako alahelo ny momba antsika roa,
Fa tamin'ilay ranomasoko latsaka iny ihany dia nivalona avokoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/felam-boninkazo-kely | Felam-boninkazo kely | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Felam-boninkazo kely monja ihany,
Dia ampy hanadinoiko ny tsy nety vitanao;
Tsy mila akory sento, talaho na koa tomany,
Fa mialohan'ny nandehanako aho efa namela anao.
Tsy mila ranomaso sy ny tenanao miangavy
hanatona ahy intsony, aorinan'izao.
Fa ny fangatahako, mba hahasoa ny ho avy
dia singam-boninkazo iray a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ho-tsiniko-ary-ve | HO TSINIKO ARY VE? | AORN | Ho tsiniko ary ve
Raha leo tsy te hiherika
Ny toky izay nomena
Fa hay natao imolotra
Tsy sahinao natolotra
Dia izaho nangenahena?
Ho tsiniko ary ve
Raha leo tsy te hiatrika
Zay resaka matavy
Nambabo ambony ihany
Fa he nampitomany
Sy lasa nankanavy?
Ho tsiniko ary ve
Raha leo tsy te hihaino
Ny lainga sy ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranja-zanamihoatra/ny-mitia | Ny mitia | Randja Zanamihoatra | Mandrera-tsaina ny mitia,
Manadala, mampahia,
Tsy ahavitana izay atao
Fa manjombon-dava izao;
Mahalasana ambiroa,
Mampirediredy koa,
Mampihataka amin’ny maro,
Mahalasa saropiaro.
Izany masonao mahery,
Mihamalefaka fijery,
Ny endrika aza mihamalazo,
Miova tsy ny voan’ny tazo !
Izany izy rehefa taitra :
Ny e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotobe-sombiniaina/ezaka | Ezaka | Rakotobe Sombiniaina | Ezaka
Izay rehetra natao dia natao am-po
Na dia indraindray ary nakarary ny fo
Satria nihezaka ny hitia
Kanefa tsy tsapany ary tsy ho lasa doria
Na inona na inona ny ezaka atao
Ka rehefa tsy mifamaly dia avelao amin'izao
Ka ianao indray no hijaly amin'izany
Ny mba azonao atao dia tsy inona fa mitomany ihany
At... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/mahereza-ry-sombiniaiko | Mahereza ry Sombiniaiko | Frederic Rnf | Mahereza ry Sombiniaiko
Ekeko oe mafy laotra ny Onjam-piainana
Izay lalovan-tsika amin'izao fotoana izao
Mihaina fijalina sy fahasahiranana lava
Ra mihinana de zara ra mba misy tapa-tsinay
Lalana voasotra hodiavin-tsika ity ry sombiniaiko
Fa tsy fidiny ho ahy ny mahita anao mipitrapitra
Mijery ny fitafina sy ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/e31-ny-politika-nampiharina-teo-anelanelanny-taona-1220-1897-tohiny-sady-farany-madagasikara-ny-lasa-sy-ny-ankehitriny | E3.1 Ny Politika nampiharina teo anelanelan’ny taona 1220 | NY Andri-Fara | E3.1 Ny Politika nampiharina teo anelanelan’ny taona 1220 - 1897
Mahareta kely aloha fa ho mafimafy ny tantara .
Teto Imerina tokoa ve no tena nisehoan’ilay fanjakana te hampanjaka tokana olona iray mba hanjaka ? Toa tsy marina izany , satria niniana nadinoina ny tany ivelan’Antananarivo ; izay efa nanana fanjakana n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/ry-ilay-olona-iny | Ry ilay olona iny | Rabarison Roberto Stephan | Ry ilay olona iny
Izay angamba ilay lahatra
Nifarana koa ilay tantara
Isika alahatra fa tsy mpandahatra
Dia mba mitsinjova ny any afara
Nifarana ny dia
Na dia lalim-paka ilay fitia,
Dia nofaranana satria...
Ianao tsy natokana ho ahy
Fa efa an'iny olona iny
Ka veloma aza manahy
Fa tsy ho voafafa ny fahiny
K... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotobe-sombiniaina/skoto-indray-andro-skoto-mandrakizay | Skoto indray andro, Skoto mandrakizay | Rakotobe Sombiniaina | Skoto indray andro, Skoto mandrakizay
Tsy toy izao aho raha tsy nandalo Skoto
Nampianatra sy namolavola ahy ho mpankato sy mazoto
Tokanteny ary tsy miovaova izay nifanekena
Manaja olona satria izany no tena fahendrena
Vonona sy hanasoa ireo namana
Satria izany no maha havan'ny olona rehetra anay
Lasa nahay sy ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ivelany-lasako | Ivela'ny lasako | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Tsy fihetsika intsony rahampitso no asehoko,
Hanambarako izay mierin'ny foko,
Na irony lasa tsy foiko ho kosehiko,
Na ireo tomany sy sento, toloko.
Fa rahona kely mba hanalokaloka,
Misy salovana dindon'ny lasako,
Eny ny sariko ho hitanao aloka
rehefa tafiala any anatin'ny fasako.
Tsy soratra intsony no atolotro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/farany | Farany | honenantsoa | Efa tsy nofy ratsy ilay mpandrakotra ny alina haizim-pito,
No iainan'ihalahy fa iny no nanatitra hifoha;
Ka niposaka mibalika teo ny hazavana.
Raha mijery ny hasarotan'ny halavirana iny ialahy
Tsy nidongy ny ho tantanana, tsy nahatoky namana,
Fa iny lalana iny novitain'ialahy irery hatrany.
Eny !...efa tsy ho sol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/satria-nahoana | SATRIA NAHOANA ? | NY Andri-Fara | SATRIA NAHOANA ?
Norantsanana ilay hazo nidoroboka
Nokapaina ,novonoina…, tsy nataina .
Navela fotsiny eo , ho lo tsy mba nampiasaina ;
Ny mpandalo aza moa indrisy fa tsy te ahalala .
Kanjo …, indro tsy nampoizina
Nitsimoka ilay hazo norantsanana ,
Nisandrahaka namony mavokely feno rantsana ;
Nahafinaritra ny m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ialao | IALAO | Fredy Jaofera | IALAO
Rehefa ela,
tsy manan-jo
ny jaly ka ialao ;
aza avela
ny ratram-po
hanimba anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/soraty | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/ise-kay-maty-3 | Ise kay maty 3 | DotMG | E r'ilay fahavaloko, fifanasako vangy
Andeha tsy hiady intsony, fa mba hisangisangy
Dieny mbola velona, andao re hifamangy
Anio no hifamela, fa tsy hiandry rehefa dangy.
Tsy maintsy hihaona mantsy, fa vorona an-garaba
Toa voanjo indray manendy ao am-bilany saba
Ka rehefa mifanena, andao hifampiarahaba
Hifanao te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/iray-sy-ireny | (I)ray sy (I)reny | honenantsoa | Fa ireo anatra tsy avela ho rano raraka an-tany
Fa ireny fanilo mitaratra ny soa,
Ny nahitana masoandro no lakana
nitana,fady hitsipahan-doha
IRay nibedibedi-teny toa makarary
Fa hay fitiavana ho toha
Ny rotsa-kazo ihany koa fananarany
Fanitsiana mba ho olom-banona tokoa
Izy IReny nihafy ny hirifiry
nigoka ran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/ampianaro | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/lalana | Lalana | honenantsoa | Lalana nodiaviko
Feno zavona ka sarom-patarina,
Diako nalama maina saron-dinganina,
Fa tsy maintsy nizotra na maro ireo sakana,
Ho tonga amin'ny tanjona tiana tratrarina.
Ny Ray ao ambony no tondroatrika nitondra namily,
Indrindra fa ireny sampanana sy lavaka tsy hita firifiry;
Soa fa nohitsiny!
Izy fanilo sy h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/teo-am-bava | TEO AM-BAVA | Fredy Jaofera | TEO AM-BAVA
Raha rava
ny toky lavareny
sy mafy ny nanjo,
teo am-bava
ianao dia reny
fa tsy tao am-po. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/efitry-ny-foko | EFITRY NY FOKO | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Voleko voninkazo ny efitry ny foko
Hahatamana anao, rehefa ianao mandalo
Ovaiko tsikitsiky ireo endrika toloko
Hataoko mahaliana ny hira sy ny kalo
Hiezaka aho hanagona zava-tsoa sy mamy
Hifampizaratsika sy harosoko ho anao
Dia ho tsapanao fa mitombo hatrany hatrany
Ilay fitia ampo avelako ho anao
Asiako fefy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-fahazazako | NY FAHAZAZAKO | LAVENONA | NY FAHAZAZAKO
Raha mahita ireto ankizy
Mikarenjy izay tsy izy
Izato tenako amkehitriny
Dia mahatsiaro ny fahiny
Tamin’ny androm-pahazazana
Dia ilay ……,nilazana hoe
Miana-desona ao an-trano
Fa tsy mahazo mivoaboaka
Nefa avy hatrany dia mivoaka
Raha vao tonga any maraina
Hanao kanety no ao an-tsaina
Miaraka a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tsingerintaonako | TSINGERINTAONAKO | LAVENONA | TSINGERINTAONAKO
Isaorako ny Ray fa…
Nampitomboiny indray
Ny taonako eto an-tany
Mitsingerina izy androny
Ka faly ery ny foko
Fa…
Efa samy mba nandoko
Ny lanitry ny lasako
Ireo alahelo,fijaliana
Ny sento sy ny fahoriana
Ny hafaliana izay nitranga
Ka mbetika izy manga
…..,mbetika izy mainty
Nefa ireny dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tefeonao | TEFEONAO | AORN | Tefeonao izany foko, aza avela hankahala
Ampianaro hahay manaiky sy handefitra ihany koa
Aoreno ao anaty, tano mafy tsy hanala
Lay fitia tsy manam-petra… fa hikatsaka ny soa
Amboary izany saiko, mba hanaraka ‘zay mety
Ho Tolon-tsaina avy aminao, hanitsiana izany diako
Aza avela hivilivily, ka hanao zay hevi-petsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ho-ani-neny | HO AN’I NENY | LAVENONA | HO AN’I NENY
Misaotra anao ry Neny a!
Nampianatra ahy namindra
Sy nampianatra ahy niteny
Ary koa indrindra indrindra
Tsy sasatra namefy
Sy nananatra ahy ombieny
Neny o!.......tsy ho lefy
Ireny vitanao ireny!
Ireo dian-drotsakazonao
Izay nokapohana ahy fahiny
Tsy voafafa hatramin’izao fa…
Niova endrika ankeh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/durman/tsikitsiky | TSIKITSIKY | Durman | TSIKITSIKY,
NA FALY,NA MALAHELO AHO DIA EO FOANA ILAY TSIKY
SATRIA IZY MANEHO NY ENDRUKA HARAVOANA REHEFA HITAN'OLONA MITOKIKY
NEFA AMBADIK'IZANY METY HO: FASAHIRANANA,HAKIVIANA
FA AFENIKO AMIN'NY HAFALIANA
TENA HOE!
MANOVA ENDRIKA AN'OLONAN-DREHETRA IZIO
ARY METY VOAFITAKA IANAO RAHA TSY MAHALALA AN'IO
SATRIA ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/andrasako | Andrasako | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Soratako ho anao ity tononkalo ity
Omeko tsy atakalo amin'ny foko manontolo
Hanamporofoiko fa vao ato ilay fitia
Natokako ho anao, tsy misy mahasolo
Taona vitsivitsy, izay no efa lasa
Namelanao ahy hiandry lalandava
Nefa ilay ampoko tsy akory hoe voafafa
Fa mbola velona ato, ambarako mazava
Ka na tsy fitoviana,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-fahafatesana | NY FAHAFATESANA | LAVENONA | NY FAHAFATESANA
Ny fahafatesana tsy mba miera
Fa tonga dia maka avy hatrany
Mantsy raha tonga ny lera
Dia tsy maintsy mandao ny tany
Mba satriko ho velona fona
Ilay Renibe tiako loatra
Fa indrisy…! Izao no fotoana
Izay tsy maintsy hifindrany any ankoatra
Ka…tononkalo no fara-veloma
Tsy mba raozy na koa vonin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/veloma-30-avelako-ho-anao | Veloma 3.0 ''avelako ho anao'' | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Tsy tanana ahofa na satroka akofaka,
No endri-beloma atolotro anao;
Fa ny ela-panahiko mikopakopaka,
Dia efa tso-drano havelako ho anao.
Raha misy fotoana indray andro any,
Rehefa mahatsiaro ny lasako ianao,
Mba mitsikia re fa aza tomany
Fa fo falifaly no avelako ho anao.
Ireo ratsy rehetra lavenon'ny lasako,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fenoy-mozika | FENOY MOZIKA | Fredy Jaofera | FENOY MOZIKA
Ny aborako eto ombieny
ho fahasoavana,
na indro ianao fa moana,
rehefa tsy ampy ny teny
hilazana fituavana,
fenoy mozika ny fotoana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/malahelo-ny-any | Malahelo ny any | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Raha misy fahanginana !
Misento samirery ilay olon-tia anao,
Mamisavisa irery ireo toerana sy Ora
Nihaonan-tsika farany, fa mahatsiaro anao
Any lavitra any, ka tsapako ho tsy mora
Ny mandany ny Ora iray
Miadana fisosa tsy eo anilanao,
Ka mampanganohano ny foko mbola tia
mirediredy foana; milaza ho tia anao!
Ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/manina-ny-any | MANINA NY ANY! | LAVENONA | MANINA NY ANY!
Ireo masoko ireo……
Raha toa latsa-dranomaso
Dia tsy vokatry ny ankaso
Ka koa zava-mahaory
Tsia!..tsy izany akory
Fa mba ditsoky ny vovoky ny
Hanina ny taniko
Mihitsy tsy hafeniko
Tsy tiako hikoroso
Fa mba satriko handroso
Ilay tany fihaviako
Mantsy izay no tena tiako!
Ireo masoko ireo
Matoa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ho-ani-zoky | HO AN’I ZOKY! | LAVENONA | HO AN’I ZOKY!
Izany raZoky ny fiainana eto a!
Teren’ny vola ka dia miasa foana
Lavitra havana aloha isika hatreto
Ka nefa tsarovy fa mbola hiaona
Ilaozan’i Zoky ny vady aman;janaka
Noho ny asa izay efa mahazatra
Atao sanatria ny hitaraina hoe lanaka
Na ino-kidona na ino-kihatra
Na ora-mikija na koa hain’andro
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/na-teo | NA TEO... | Fredy Jaofera | NA TEO...
Na teo ny fotoana
tsy nitsaha-nanasa
ny jaly nahavalalanina,
manaraka foana
ny vesatry ny lasa
tsy mety hamaivanina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/mibebaha-dieny-izao0 | MIBEBAHA DIENY IZAO! | LAVENONA | MIBEBAHA DIENY IZAO!
Tsy misy mahavidy ny andro iainany
Ny olon-drehetra miaina eto an-tany
Fa tapitra sy vita hatreo ny fiainany
Rehefa mipaika ilay ora fialana
Tsy misy mahavidy ny lanitra koa
Izay mandao ny tany ka zary fanahy
Nefa samy maniry ny ho any avokoa
Ny olon-drehetra amin’izay andro izay
Tsy misy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/asus-mafy | Ady mafy | Bob Ramanamiravaka | ADY MAFY
Raha tojo ady mafy ianao
Dia aza atao ny mamoy fo
Fa hevero aloha ny lalanao
Sao tsy sitrak’i Jesoa
Raha ianao no sendra fahoriana
Dia aza adino ny mivavaka
Fa ao ianao no hahita hafaliana
Satria ny Tompo tsy manavaka
Raha toa ny fiainanao no feno alahelo
Dia aza kivy fa mitrakà ihany
Fa sao ianao h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/misaotra | Misaotra | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | Misaotra
Misaotra anao nanaiky ho misin'ny tantarako,
Misaotra anao nanolotra ny toky tamin'ireny,
F'izaho no hanafarako,
Ataoko tsotra kely,
Tsy adinoko ny tsiro izay natolotrao,
Ireo sary nofinofy napetrakao ampoko,
Ny soa navelanao,
Isaorako tsy foiko!
Misaotra anao ho felana nandravaka ny akaniko,
Misaotr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra%C3%AF-tsitoh-mikalo/ramose-mpampianatra | Ramose mpampianatra | Raï Tsitoh Mi'kalo | Misy ramose tena mahafinaritra ahy
Ao koa ireo na hanontany azy aho tsy sahy
Ao ny tsotra sy be hanihany
fa ao koa ilay olona mampitomany
Toa an'i Ramise "Frederic"
Mitazona ny taranja siantifika
Miaraka aminy aloha dia tena manala azy
fa ny tsy hitiavako azy, izy tia manasazy
Ao i "m'se Elvis"
Izay mitarika n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/raozy-mena | raozy mena | Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv) | RAOZY MENA
Ho anao malala no mbola hanoratako
Satria raha tsy eo ianao, tsy nisy ny hasambarako
Ho anao irery, izao tononkalo izao
Solon- draozy mena, hatolotro ho anao
Toa tsy haiko intsony ny hilaza ilay fitiavako
Feno loatra anao, ny foko re rahavako
Feno ny hasambarako, rehefa ianao anilako
Sy ny anaranao n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-tena-namana | NY TENA NAMANA | LAVENONA | NY TENA NAMANA
Ny tena namana tsy mifanary
Na inona na inona zava-tsedraina
Mifameno toa rano sy vary
Iray vatsy sy iray aina
Ka raha misy ny ady lalovana
Eo ny namana hifampizarana
na dia mafy sy mahatorovana,aza
Zary maivana mora vahana
Ny tena namana tsy hamela irery
Raha sendra ny andro manjombona
Mam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/arahabaina-ianareo | ARAHABAINA IANAREO | LAVENONA | ARAHABAINA IANAREO!! (08 martsa)
Izaho aloha tsy vehivavy
ka tsy haiko hoe "inona avy ?"
raha ny sedran'izy ireo e !
Fa raha araka ny feo ?
Dia mizaka hirifiry...
sy adin-tsaina mankadiry
amin'ny fiainana izy ireny...
izay vao azo atao hoe Reny !
Dia...mijaly sy miafy
sy misedra ady mafy,
mitondra kibo sivy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/toky-omeny-anao | TOKY OMENY ANAO | LAVENONA | TOKY OMENY ANAO
Raha iny volana iny no....
azonao alaina akaiky
Dia izay aho vao manaiky
Fa ianao no tena enjana
Ny ankoatrizay dia v'enjana*
Ireo izay sahy miteny
fa ho alainy sy omeny
ary hatolony ny tiany
raha iny volana iny!
Fotsiny io mba toky
dia toy ireny boky
izay...tsara ivelany ihany
Fa ny any an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-mpivavaka | TANDREMO RANABAVY | LAVENONA | TANDREMO RANABAVY
Io fitia io ranabavy ,dia…
Tsy mba kilalao a!
Mba tsy hahasimba ny ho avy
Dia ….ajanony dieny izao
Raha toa tsy mbola vonona
Hitondra tokantrano
Sao ianao hahita angano
Fa io dia lala-mikodàna
Izay alehan’ny tanora
Nefa kosa dia malama
Ka mandehana moramora
Ndao ho potraka eny an-dalana
V... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-teny | NY TENY | LAVENONA | NY TENY
Tsy amin-ditra re razandry a!
Tsy amin-kery na koa sandry
ny fitaovam-piadiako
Tsy mba basy tsara fahana
Na koa antsy ampiarahana
Amin’ny lefona maranitra
Tsotra ihany ny ahy no ilaiko
Ny fitaovana ampiasaiko
Tsy famaky na angady
Fa dia teny iray monja
Manan-danja sy mafonja
Izay no entiko miady
Ao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/eto-foana-i-dada0 | ETO FOANA I DADA | LAVENONA | ETO FOANA I DADA !
Tsy verivery foana raha ny ezaka ry zanako !
tsy ho very maina raha ny fikirizantsika !
Ho teniko eny foana fa raha toa ka mbola ananako...
ny fahaveloman'aina, dia tsy maintsy ianao tafita !
Izay atao an-tsaina !
Dia aza mitaraina...raha tsy eo intsony i Neny!
Fa Dada mbola velona sy vonona h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ireny-poety-ireny | IRENY POETA IRENY | LAVENONA | IRENY POETA IRENY
Ny ao am-pon’ny poeta dia saro-pantarina
Ny hevitra ny azy dia saro-takarina
Ny fihetseham-pony tsy hainao soritana
Ny fiainany mihitsy no tsy azo faritana
Ka na misy mandratra aza anie izany fony
Dia zavatra hafa no mody vetsoiny
Fa ny alahelony ny azy feheziny
Dia ianao mamaky indry no ampah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/fonja-tsy-hita-maso | FONJA TSY HITA MASO | LAVENONA | FONJA TSY HITA MASO
Fahafahana…! Fahafahana…!
Toa dradraina isan’andro
Mihitsy aza isan’ora
Andraindraina, fa kinanjo
Mbola maro ireo tanora
Voafatotry ny rojo
Hitanao mirijarija,
Nefa rakotry ny ankaso
Fa misy fonja tsy hita maso
Izay mamehy ny fiainany
Sy mangeja ny fisainany
Amin’ny fombafomba ankolaka
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tsingerintaona | TSINGERINTAONA | LAVENONA | TSINGERINTAONA
Io asa soratro io dia...
nosoratako ho anao
ry zandriko tsy foiko !
Fa mitsingerina anio
ny andro nahaterahanao
ka tononkalo no vetsoiko!
Mba ho solom-panomezana
entiko hampaherezana
ho anao razandry vavy !
dia,...arahabaina ranabavy a!
Izay no azoko lazaina
Mantsy mbola antenaina
ny hiaonts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/mivonona-hatrany | MIVONONA HATRANY | LAVENONA | MIVONONA HATRANY
Ireo zavatra miseho
Sy ny loza izay mitranga
Dia zary toa maneho fa…..
Efa manangasanga ny faran’ity
Lalana diavintsika ity
Mantsy ireny famantarana
Sy solon’ny trompetra
Fa tsy ho ela dia hifarana
Ny zavatra rehetra
Sy ny fiainana eto an-tany
Ka dia MIVONONA HATRANY!!
Mivavaha!!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tia-ianao0 | TIA IANAO | LAVENONA | TIA IANAO !
Tia ianao matoa...
falifaly foana raha sendra mba resahany
na mihomehy irery tsy fantatra hoe nahoana
masoandro mibaliaka ny fiainanao iarahany
Manembona matetika sy manina azy foana !
Tia ianao matoa...
Manofy ny eo anilany raha alina matory
Mikaroka ny sariny isaky ny mahatsiaro
Tsy mahafehy ten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-any-ambanivohitray | NY ANY AMBANIVOHITRAY | LAVENONA | NY ANY AMBANIVOHITRAY
Ny any ambanivohitray dia...
somary saro-dalana
mihitsy aza toa mahalana
irony fiara fitanterana
vao misy mba miserana!
Ary ny mampalahelo dia...
afaka andro roa na telo
izay ireny vao tonga any!
Na izany na tsy izany...
tena tsara ny tanana
Ary tena mahatamana
sy milamina aoka izany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/nalain-drafahafatesana0 | NALAIN-DRAFAHAFATESANA | LAVENONA | NALAIN-DRAFAHAFATESANA !
Zaza mbola kely
sy mahonena loatra
tsy mahalala velively
fa efa any ankoatra
ilay andry niankinany...
tsy hiverina intsony !
Raha mba hainy mantsy
fa nantsoin'ny ao Ambony
ny reniny malala !
Ity zaza tsy mahalala
ka tsy omena tsiny
raha nono no angatahany
sy mba itomaniany
fa tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-vetsonay-poeta | NY VETSONAY POETA | LAVENONA | NY VETSONAY POETA
Ny vetsonay Poeta ?
rakotra ankamantatra...
sy saritsarin-teny
ka vitsy no mahafantatra
ny hevitr'izy ireny
Fa ny maro an'isa ?
babon'ny hakantony,
ady rima sy ny sisa..
Ny folo isan'jatony
no mba mamisavisa
ny hevitra koboniny!
Dia....
Ny vetsonay Poeta ?
Feno mistery....
mihitsy,izaha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/mandoro-tanindrazana | MANDORO TANINDRAZANA | LAVENONA | MANDORO TANINDRAZANA
Raha iray ampiana iray
Hainao tsara hoe roa
Fa raha izay ala may ve ?
Tsy hiasanao loha!
Mihitsy aho te* hitroatra!
Na aza tsy mamono
Fa tafahoatra loatra
raha ny gidro no atono e!
Mbola hovidinao lafo
Ny tody sy ny valiny
Kasiho aloha ny afo
Dia ho tsapanao ny jaliny
Ka.....
Etoana a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/railovy | RAILOVY | LAVENONA | RAILOVY
Railovy tsara feo
tsara bika tsara loko
no indro teo anilako eo
ka nampifaly izany foko
Ny siotsiokany amin'izany an !
Aoka fotsiny rahavako
toa mamafa ny tomany
ka mapitsiky indray ny tanako!
Ny feony no ody fery
hanatrarako ny tanjoko
Izy ilay mba mampahery
raha manjombona ny androko
Ankehitriny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-loza | NY LOZA | LAVENONA | NY LOZA
Tsy mba maniry ny ho tonga mahantra
Ireo gasy sahirana sy mitaraina
Fa noho ny loza sy voina mihatra
Dia zary mizaka ny tsy eran’ny aina
Mantsy ny loza dia tsy mba nitsetra
Fa dia narodany mbamin’ny trano
Simba hatramin’ny fananana rehetra
Izay sisa tavela aza lasan’ny rano
Ny aina aza moa mila hanarak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/teboka-telo0 | TEBOKA TELO | LAVENONA | TEBOKA TELO
Raha tonga ny andro handaozana ny eto
fotoana voatendry hialana eto an-tany
Dia teboka telo no fantatro hatreto
ka indro ambarako anao androany:
Voalohany indrindra ireo fahadiranovana
fony fahavelony nodiana fanina
maty izy ireny izay vao tsarovana
havadika kosa vao hihinanan-kanina !
Manaraka iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/hafatra-farany | HAFATRA FARANY | LAVENONA | HAFATRA FARANY
"Anaka...!
Mbola kely ianao ka nefa
inoako kosa fa misaina
Ka aminao no miantefa
ny teny ataoko sombon'aina !
Hitanao ny fahanterako
tsy mahavita intsony
ka ianao no hianteherako
mba hampitraka sy hampitony
ireo zandrinao mianadahy !
Raha hikipy ireto masoko
dia aza kivy na manahy fa...
efa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-farafahanginany | NY FARAFAHANGINANY | LAVENONA | NY FARAFAHANGINANY
Iny fahanginany iny…
Tsy nidika faharesena fa….
Izay mangina volamena
Ka naleony tsy niteny
Na dia efa tahaka ireny ,aza
Ny hadalana vitanao
Ka naleony tsotra izao
Nanakombona ny vavany
Nefa hita soritra amin’ny tavany
F misy angon’alahelo
Mitambolina ao am-pony
Mila tsy ho zaka intsony
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/olombelona-ny-tena | Olombelona ny tena | Daniel ROIMEMY RKT | Olombelona ny tena
Ka tsy maintsy mba misento
Tsy maintsy mba miventso ny diariko ato am-poko
Sy izay hany mba tsaroako
Fa nandalo tamin'ny fiainako
Ka mandefa ny fisainako
Am-pitan-dranomasina any
Hoe indray andro any
Mbola ho hitako ny havako
Mbola ho hitako ny namako
Eh, any ilay tananako
Mitahiry fahatsi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tsy-maintsy-tafita0 | TSY MAINTSY TAFITA | LAVENONA | TSY MAINTSY TAFITA !
Ny eto rankizy tsy vitan'ny haitraitra a !
raha toa tia hahatratra ny tanjona irina
tantely amam-bahona io ka dia mafaitra
fa kosa ny farany feno hamamiana !
Raha tia ho tafita tsy maintsy miafy
Vonony ny saina amin'ny fandavatena
Dia aoka tsy haingo na koa ny fitafy
no loha laharana fa f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/sambatra-ianao | SAMBATRA IANAO | LAVENONA | RAHA MANANA IANAO !
sambatra ianao...
raha mbola manan-ko tinafy
ary koa tsy mihafihafy
amin'ny resaka sakafo !
Mividy fiara tena lafo...
manam-bola aman-karena !
Ka nefa...
Raha mba manana omena
dia ampio ireo sahirana
mahantra mahonena !
Fa ny azy ireny tsy mba fidiny
no hizakany izato ngidiny
Amin'ny fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/alefako | ALEFAKO | Fredy Jaofera | ALEFAKO
Alefako any
fa tena mifono
aim-baovao :
aza mitomany
an'ireo namono
ny tsikinao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nitsidika | NITSIDIKA | Fredy Jaofera | NITSIDIKA
Anio raha mandeha,
ipoiram-pahagagana
ny misy fa dia mety,
tsy nisy saina lehibe
raha tsy nisy hadalana
ny nitsidika vetivety. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tandremo-razandry | TANDREMO RAZANDRY | LAVENONA | TANDREMO RAZANDRY !
Ny eto anie razandry ka...vola no miteny e!
fombafomba ivelany ireny rehetra ireny
Fa raha ny tena tia ve?dia andraso eo Paoly !
Ny toetra sy fitiavany dia fitaka daholo
Ny tena ao am-pony ? sarotra fantarina
Takon'ny angolany izay mody namboarina
dia iny ianao fa roboka tsy nahalala maty !
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/taratasy-miafina | TARATASY MIAFINA | LAVENONA | TARATASY MIAFINA
Ito taratasiko ito...,raiso ka hafeno
fa aza avela ho hitany
fotsiny teneno hoe.....
hisaorako azy foana ny zavatra efa vitany
Na aza feno fery ilay fo izay noratrainy
Tano ho antsika lahy fa.. aza avela ho hainy
dia izao koa letsy Da a!
raha toa anontaniany na..hatsafainy ialahy
mikasika ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/voandalanny-neny | Voandalan'i Neny | Nosy Malala | Voandalan'i Neny,
Sombiniaiko ô, andraso kely,
Ity misy mofo namboarin'i Neny,
Afak'omaly no nataoko izy ity,
Natokako tato fa hoe ho avy ndry.
Ity misy akanjo tany amin'ny mpivarotra,
Ohatra-tsara amindry, afak'asiana satroka,
Nitady ihany aho fa tsy nahita lehibe,
Ohatr'izay za mba mampitovy am(in)'se.
Asa i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/itony-tononkalo-itony | ITONY TONONKALO ITONY | LAVENONA | ITONY TONONKALO ITONY
Itony tononkalo itony
No mba fanafodim-pony
Manasitrana ireo fery
Ary koa mba mampahery
eny itony no antsainy
Raha reraka ny ainy
kely hery sy torovana
Fa velom-pahatsiarovana
tsy mba afaka ao ambavany
mahamirana ny tavany
Na aza sendra ankaso
Ka mijohy ny ranomaso
Dia ...
itony tono... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/efa-lavitra | EFA LAVITRA | Fredy Jaofera | EFA LAVITRA
Efa lavitra
ny momba antsika,
na arafitra
mbola hanjopiaka.
Efa lavitra
ny andro niarahana
mirakitra
eto iny fisarahana.
Efa lavitra
ny vazivazy maro
mitatitra
ho azy ireny tsiaro.
Efa lavitra
ny vetsom-pitiavana
naharitra
raha safidy goavana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/namako-ianao | Namako ianao | Daniel ROIMEMY RKT | Namako ianao.....
Noho izany tsy ho adinoiko
sakaiza tsy mandao
Eny ,namako tsy foiko!
namako eny fona .!
Na ho tsiky na tomany
na mivalona ny taona
dia sakaizako hatrany!
Fizarako ny alaheloko
Rehefa mila tsy ho zaka
ny angon'ny ny tsiambarateloko
dia..teo ianao ilay nampitraka!
Ny niainantsika fony kely?
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/aleteho-an-tsaina0 | ALETEHO AN-TSAINA | LAVENONA | ALETEHO AN-TSAINA !
Aleteho an-tsaina ry mpino an-tanin'ady...
fa tsy nilaza mihitsy ny tenin'Andriamanitra
hoe ny tsara haingo indrindra isaky ny alahady
no indro hovonjena ary koa handova lanitra
fa aoka dia hazava...!
Aleteho an-tsaina fa tsy mora ny adintsika !
Tsy fombafomba ivelany ny asa fanompoana !
Ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ilay-famantarana | ILAY FAMANTARANA | LAVENONA | ILAY FAMANTARANA
Andro fahatelon'ny volana Jolay
Fotoana iray nangidy, mihitsy tsy voafafa !
Indrisy...niala aina tao anaty trano may
noho ny adalana sy hetraketraky ny hafa...
...ilay namako tsy foiko!
Taorian'ny antso sy ny fampandrenesana
dia noentina ny tenako namantatra ny razana
ndrao isan'ireo dimy ninda... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/lavitra-anao | Lavitra anao | Rabarison Roberto Stephan | Lavitra anao
Ny foko toa malahelo
Isan'andro toa mitaraina
Fa indreo mamelovelo
Ilay fitiavana nozakaina
Malahelo satry tia
Lavitra anao toa nanjary nahy
Eo anilanao no hany fifaliko
Fa ny lavitra anao no fijaliko
Tiako ianao dia zay
Ilay fo roa itambatra ho iray
Tsy ho anenenana ireo lasa
Fa etsy ho tanter... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/adabohy | ADABOHY | Fredy Jaofera | ADABOHY
Ny marina indraindray,
adabohy
ireo tsy hita tao ho ao ;
amin'ny fotoana iray,
hadinoy
ireo nanadino anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tandremo-rampanana0 | TANDREMO RAMPANANA | LAVENONA | TANDREMO RAMPANANA !
Sao mihevitra ianao hoe...
olona manan-katao
sy manam-bola aman-karena
dia sahy mihevitena
fa tsy handalo fahoriana !
Satria vola no hatoriana
sy hilomanosanao !
Ka manao ny tsy fanao
sy manambany ireo sahirana
tsy mahita izay mangirana
amin'ny fiainana efa sarotra !
Mantsy tsisy hiadia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manazava | MANAZAVA | Fredy Jaofera | MANAZAVA
Asa
fa miharava
iny ratrako iny ?
Ny lasa
dia manazava
ny ankehitriny. |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.