url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/ny-finoana
NY FINOANA
LAVENONA
Ny finoana tsy azo ariana fa fitaovam-piadiana ho an'ny zanak'Andriamanitra! Aza adino fa io no kiady sy apinga enti-miady ! Na kely toy ny voatsinampy dia azo inoana fa efa ampy hahafindra tendrombohitra Sady entina manohitra ny tsipikan'ilay ratsy ! Ary ny asam-panompoana raha tsy arahina finoana dia zary toy ny voninkazo izay milofika malazo rehefa tsy tondrahana iny ! Ny devoly anie ka kinga e ! Vao tsy anananao ny ampinga dia efa ianao aloha no hazany sy hanetsehany ny vazany ho sakafony sy rembiny ! Koa tano hatrany ny finoana mba tsy zary zava-poana ny niharetana hatrizay raha toa ka andro iray no mety hahafefika anao !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/i-dada-sy-neny
I DADA SY NENY
LAVENONA
Tsy misy tahaka an'i Dada sy Neny raha mbola olombelona miaina eto an-tany satria tsisy fetra ny fitiavana omeny ary tsy mba mahafoy na mangidy na mamy ! I Dada no andrin'ny fianakaviana miasa tsy miato na aza efa lanaka I Neny nisotro ny rano tsy tiana mantsy harena ny azy ny zanaka Ireo no nitaiza sy namolavola Nifofotra mafy sy nikely aina Miezaka hatrany ary mitady vola mba hiadanan'ny sombin'ny ainy I Dada etsy andaniny miasa saina amin'ny hanin-koanina ka tena trotraka I Nenyt etsy ankilany tsy mitaraina na aza tsy misy ny vary harotsaka fa na i Dada na i Neny...olombelona ihany Tsy maintsy hody vovoka ihany izy ireny Ka hajao sy tolory fitiavana hatrany raha toa mbola velona i Dada sy Neny !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/toy-ireny
TOY IRENY
Fredy Jaofera
TOY IRENY Raha ny toy ireny no atao hoe : reny, aleoko tsy manana hahatsara fihavanana. Raha ny toy ireny no tiavina ombieny, faty antoka etoana fa tsy hisy haravoana. Raha ny toy ireny no ho ahy lavareny, aleoko mandositra fa ny jaly, izy no fositra. Raha ny toy ireny no mpaniloko eny, ho haizina avokoa no handrakotra tokoa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/solom-panomezako
SOLOM-PANOMEZAKO
LAVENONA
SOLOM-PANOMEZAKO Tononkalo moja no hany mba kaloiko ka nefa dia mafonja sy tena avy ato am-poko ! Io no teny mamy atolotro ho anao fa mitsingerina androany ny nahaterahanao ! Eny ,tononkalo iray no indro hovetsoiko hiarahabako anao indray ry namako tsy foiko ! Dia ny solom-panomezako ? Tsy akory mofo mamy na zavatra ho lo Tsy vola mety ho lany na harena ihany koa fa tononkalo kely natao amim-pifaliana ka tsy ho lefy velively na oviana na oviana!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/raha-toa-ka
Raha toa ka ...
andriafa
Raha toa ka misy tsiahy, mitamberina tsy nahy noho ny sompatra sy ankaso ka mahatonga ranomaso dia avelao ihany hitraho aza tànana akory hanakotsa ny ondanao 'reo ranomaso anaty tory. Raha toa ka mitamberina ireo lasana efa dila ... na ny omaly efa levona ... na ireo diary efa kila Avelao handeha ihany aza ferana na kely ho any ankoatraotra any ny eritreritrao hiery... Raha toa ka misy izany dia mitomania ihany... ... nefa izao no tadidio, "fa ny faharesena omaly, hody tanjakao anio"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyfandeferako/ny-rediredinay-tanora
ny Rediredinay tanora
Nyfandeferako
eh! izany fiainana mpifamaofao azakazaka avokoa izay rehetra atao vao mihiratra ny maso dia dia lera no enjehina tsy hay intsony na hoe izaho no be erehana izany no atao dia ny hahatratrarana hatrany izany redireko tsapako ho mamy ny fahatanorana hono manko mandalo ka na inona atao dia toa raima sy valo maro ny zavatra mifamafao ao an-tsaina vady sa sipa sa izay hahavelona ny aina mila miketraka dieny izao ka nefa koa te hihaina amin'ny maha tanora aho izay rehetra ao antsaina dia rediredy avokoa asa ny ny fahaiza-mandamina ve no tsy vitako aloha tiako ny atsy , tsy foiko ny aroa izay redirediko tiako ho tanteraka avokoa indrisy mantsy fa izany no fanao rehefa tong amin'ny fahatanorana aho ilay fotoana toa malasasala te hilalao kanety nefa sao lazain'ny olona ho adala hany hery dia manao izay maharesy lahatra na laharam-pahamehana io na tsy voalahatra koa raha tsy mitandrina aho tanora dia ny ho aviok rehetra ho ho goragora
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lesona-tsara
LESONA TSARA
Fredy Jaofera
LESONA TSARA Ny marina, lahy, tsarovy, na ahoana, ny lalan-tantara : ny ratsy fanahy, mampianatra foana ny lesona tsara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/zandry-a
Zandry a...,
andriafa
Zandry a, Aok'izay ny alahelo, dia fafao ny ranomaso... F'io fiainana io na helo, noho ny vaikan'ny ankaso Tsy maintsy ho avy ny maraina mbola hamelombelon'aina Zandry a, Atrakao indray ny loha, na ho sarotra aza izany. Dia banjino ny any aloha ... atsaharo ny tomany, Ny ady anie tsy mbola vita, raha tsy tonga ery ampita e! Zandry a, Zoky a Vizaka aho... vizaka ny nitady,... Nifofotra, nively vy... Tena niezaka niady, ho tody ery ampita ery. F'angamba tsy natao ho ahy ny ho tafita ohatran'ialahy. Zoky a, Aza tsiniana aho raha tomany, na hoe... ho kivy ambony ihany fa n'inon'inona natao hananam-piainana vaovao dia toa rivotra nokomondroina ... fa tsy namaly izay natsoina Zandry a, 'zaho anie ka teo no niainga e! Tao anaty lavaka aho no niezaka, nivoaka. Ratra, fery sy talaho no nanosika ahy hitroatra Tsy izao akory no anjara, na koa hoe vintana tinendry. F'afaka ho hafa ny tantara raha zay no zavatra kinendry. Mitomany ilahy anio, mahatsiaro tena ho irery. Fa io faharesena io ... ka afaka ovaina ho "Hery" hoenti-miatrika indray 'reo ady sesilany ! .. ny Fandresena am'zany, ho mamy tsy hisy fiafarany. Zandry a, Mahereza, Ndao miady !!! Sikino ny herin-tsaina Vimbino ny herim-po Ny anjaranao alaina Mitomboa Hasina ho SOA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/denariako
Denariako
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Izaho Raiko 'lay tsy taitra, tsy nandefa ny vinaniko tamin'ny antsonao niangavy sy nikasika ny foko. Indrisy ny akon-dakolosy nikaroka ahy tanaty akaniko, tsy nasiako sira akory izany feonao ry Tompo, Na ny ora fahatelo na ny ora fahaenina, tsisy nahatsaroako akory izay ho fanoloratenako, indrisy ity fahadalako, ny fanahiko marenina. Niery ny antsonao hatrany ka nitady izay iafenako. Nefa izany kosa Ray tsy nataonao tsy hamelana, Ity ninia tsy niova fo, raha tsy tamin'ny Ora farany, Novelominao finoana, nomenao fanantenana, Maimaimpoana tsy vidiana, tsisy onitra na sarany. He ty ora fiverenako, noheveriko efa tara, sarobidy taminao ka niarahanao hanompo, Tsy nataonao latsa-danja, notoloranao anjara Mba ho isan'ireo mpiasa ato an-tsahanao ry Tompo. He izany fahasambarako, fifaliana ho ahy hatrany. Fa ny tambin'ny karamako tonga tamin'ny fara ora, Fatra feno sady tsapako: denaria sahala ihany toy ny an'ireo talohako, efa niasa ora maro. ''ilay lapa tsy voavidy na koa azoko sandaina: Lova soa atolotrao ireo olonao voafidy, Denaria mandrakizay, sady tsy azon'iza ovaina, Io no sanda atolotrao, 'ilay tanàna sarobidy' ''
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/fiangaviako-farany
FIANGAVIAKO FARANY
LAVENONA
FIANGAVIAKO FARANY Raha toa ka fisarahana no hany lalan-tokana hizoran'ny fitiavako dia izao ny ahy no hafatro sy teniko manokana lazaiko anao rahavako Aza ianao tomany ! Dia... ireo hira notendreko ? Halaviro an-tsofinao ! Ny hahasoa anao hatrany no hany zavatra kendreko eny hahasambatra anao ! Tsy tiako ianao hijaly sy hiaritra alahelo na vonton-dranomaso fa mankarary ny aiko ! Iriako ianao hifaly ! fa ireo tsy tsiambaratelo sy ny vesatry ny ankaso avelao zakaiko sy entiko matory ! Fa ny fiangaviako farany ? Tiako ianao hijery ny nofo mangatsikako rehefa an-tanindrazana ! Ary koa mba mampahery ilay reniko tsy ho hitako raha voalevina ny razana ! Dia eo andoha-pasako ? Ametraho ilay teny namenao ahy fahiny taratasy izay nandrasako namboarinao sy i Neny Tadidinao moa iny ? Rehefa vita izay dia... mahazo ianao mandao Ilaozy izany fasako !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/kalonny-moana
KALON'NY MOANA
LAVENONA
Moana aho ka moana Tsy afaka miteny Ka ny tononkalo foana no... Soratana ombieny Io ny ahy ny feoko ..mba entiko mamboraka ny sento sy toreoko amin'ny faingo sy ny tsoraka Anaty rima miaina sy......teny feno kanto Mba satriko antsaina amin'ny feo milantolanto kanefa izaho dia moana.....! Mba tia hidradradradra Nefa tsy afaka manoatra mantsy toy ny gadra! Minia manararaotra manoratsora-poana sy manakatra vinany Dia ny kalon'olo-moana? Kalo tsisy feo Kalokalo atao mangina Nefa ataovy an-tsainareo Fa mbola ho avy ny fotoana hifarana hatreo ny vetsovetsonay
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/faratsiho
FARATSIHO
AORN
Tazanina avy lavitra lay Faratsiho izay Miloko maintso mavana ny voly sy ny hay Dia misary tohatra mandravaka ny havoana Reto tanimbary maro, mirafitra miantoana Fa Faratsiho Fileovana, mandrafitra an’Ankaratra Mizara toko sivy, mamokatra avokoa Ka maro no mandray ho kaominina “fitaratra” Reo toerana lalovana, toa mampiraiki-po Ny mponina ao indray, tantsaha no ankamaroany Mamboly sy miompy, dia miasa tsy tolorana fa malagasy maro, misitraka ny soany dia mifandray tsy tapaka toa misy ifamatorana Raha Faratsiho no resaka, dia aoka ho fantarina Fa lalan-dra mamelona raiketin’ny tantara Fa manana olo-manga izay afaka manarina Sy tena hampandroso an’I Madagasikara
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/olombelona-ny-tena
OLOMBELONA NY TENA
LAVENONA
Olombelona ny tena Ka tsy maintsy mba misento Tsy maintsy mba miventso ny diariko ato am-poko Sy izay hany mba tsaroako Fa nandalo tamin'ny fiainako Ka mandefa ny fisainako Am-pitan-dranomasina any Hoe indray andro any Mbola ho hitako ny havako Mbola ho hitako ny namako Eh, any ilay tananako Mitahiry fahatsiarovana Ka mba tiako holalovana Sy tiako hotsidihina Mba satriko ny hamihina Ilay reniko tsy foiko Noho ny fitiavako azy Dia tsy mba hohadinoiko Ireo anatra fanaony. Izao mantsy no nataony Raha izahay hisaraka iny Hoe "Anaka, aoka ianao ho hendry hatrany Any an-tanin'olona any. Ary ataovy an-tsaina foana Fa mbola ho avy ny fotoana Izay hihaonantsika mianaka Eh ! tsy manadino anao ity zanaka Tinaizanao ry neny a, Ny zanakao tsy toa ireny manompo vola ireny. Ka raha sendra mba tafita Sy tonga aty am-pita Dia hitsipaka ny lakana Fa ny ahy tsy voasakana Dimy arivo kilometatra raha tianao ho fantatra. Ny fitiavako ny any.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/nangidy-ka-tsy-telina
NANGIDY KA TSY TELINA
NY Andri-Fara
NANGIDY KA TSY TELINA Fararano hafahafa ny aty aminay Vokatra avokoa izay rehetra nambolena . Nioty saingy foana tsy tanteraka ; Izay rehetra novolena tsy mba nohanina akory . Faritana ho iray ny olombelona Mitovy zo , sy fahalalana ary koa fahaizana . Kanefa misy ny mahantra sy miraoka fakofako ; Tsy mahita izay ho anjarany , ka mangalatra no hitany . Herisetra angamba izany, nefa tsy haiko akory Nahoana moa ny tany no mbola feno hadalana? Trano fivavahana miorina hatraiza hatraiza ! Miha-mikorosy fahana ny fiainana eto an-tany !? Nampianarina hifankatia , hifanaja ihany koa Na ny mpiara-miasa , na ny mpiara-monina . Fa izay jerenao mikorontana avokoa ; Vokatry ny fitiavan-tena , sa te hanjaka irery ihany koa . Hifidy aho , sa hofidiana ...aleo atao hoe , Fidio aho Ka rehefa izaho ny lany eo...dia ho hItanao ny tohiny . Ka ny vola natokana ho fampandrosoana...; Lazaiko anao...Fa avy aty amiko...Omeko tsotra izao . Ny fanampiana avy any ivelany , tsy ho adino velively Hamenoako ny ato am-paosiko , fa ny ahy efa nolaniako . Hotolorako sakafo , koveta miampy vary iray kapoaka ! Omeo ahy ny fahefana , hitsetsefako ny ankohonanao . Ireny foto-drafitr'asa ireny , tsy vita raha tsy teo aho Nolaroiko teny mamy fandresen-dahatra mafonja . Izaho no nahavita izany rehefa laniko ny am-pahany , Ianareo kosa hangina sy hifotetaka amin'ny tany !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/ny-kristiana
NY KRISTIANA
LAVENONA
NY KRISTIANA Raha kristiana ianao dia aleteho an-dohanao fa.... ny fivavahana tsy haitraitra ! Na fitafy tena raitra aza... no entinao mandeha mivavaka mantsy ianao mba te hiavaka amin'ny olona rehetra ! Dia tsy izany no toetra izay takian'Andriamanitra raha te handova lanitra ! Raha kristiana ianao dia aoka koa ho fantatrao fa tsy ny rakitrao no inona ! Fa na vola be ohatrinona aza... no ataonao ho fanatitra manginy fotsiny ny tatitra hoe nandoa ny ampahafolony dia tsy lanitra no solon' ireny volanao ireny fa lazaiko ombieny ombieny ! Kristiana ianao ? Mivonona dieny izao hitondra ny hazofijaliana sy hiari-pahoriana amin'ny zavatra hiaretana ! Fa tsy maivana ny entana... holanjainao eto an-tany ! Dia santionany amin'izany ny fanenjehana mihatra miampy eso sy ny latsa ! Fa ny tena Kristiana ? dia mandroso tsy mijanona amin'ny asa fanompoana na sarotra manao ahoana...aza ny lalana andehanana ! Tsy miraviravy tanana fa mila olona mijoro sy finoana tsy mikoro amin'ny ady izay lalovana fa ny eto an-tany fandalovana !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadafaratolotra/tiako-foana-ianao
TIAKO FOANA IANAO
DADAFARAtolotra
Na efa tena andefimandriny Na hoe mpihondana ny sandriny Na mpikitika ny volony Na mpanoroka ny molony Dia mbola tiako foana ianao! Na anaty bokim-piankohonany Na mpikarakara ny tokonany Na mpahandro ny sakafony Na mpanatoha ny safosafony Dia mbola tiako foana ianao! Na mpanasanasa lambany Na mpangorona ny an-tambany Na mpizara fahasambarany Mpanokatra ny varavarany Dia mbola tiako foana ianao! Na fanalany ny hamohamony Na ravaky ny tokatranony Na mpanasoa ny zaridainany Na mpanala ny taintainany Dia mbola tiako foana ihany! Mandram-pialako eto an-tany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/ny-reny
NY RENY
LAVENONA
Ny RENY no miavaka indrindra eto an-tany Satria dia tsy mora ny zavatra entiny Mantsy ny fiainany feno tomany Ka rariny loatra raha misy ny fetiny Raha ny an'ny Reny? Tsy mora ny adiny Mihitsy mizaka ny tsy eran'ny aina Tsy vitsy ny miaritra ny ditram-badiny Ka nefa izy izy ireny tsy mba mitaraina Ny Reny misahana zavatra maro Raha ny fiainana ,be no efa hitany Vehivavy izy ireny ka nefa fantaro,fa... Tsisy mahavita ny zavatra vitany Hafa ny Reny ka tsisy mahasolo Mitaiza ny zanany sy ny hetsetretsetra raha mbola ao an-trano dia izy daholo No indro mikajy ny zava-drehetra Ny Reny dia tsotra ary koa be fitiavana Fitia tsisy mpanana raha ny azy ireny Noho izany dia tsora ny tiako hahatongavana " Arahabaina nahatratra ny fetin'ny RENY"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/namako-ianao
NAMAKO IANAO
LAVENONA
Namako ianao..... Noho izany tsy ho adinoiko sakaiza tsy mandao Eny ,namako tsy foiko! namako eny fona .! Na ho tsiky na tomany na mivalona ny taona dia sakaizako hatrany! Fizarako ny alaheloko Rehefa mila tsy ho zaka ny angon'ny ny tsiambarateloko dia..teo ianao ilay nampitraka! ny finamanana taloha sy ireo lasa nolalovana Tsy voafafako ao andoha , Fa...mitoetra ho fahatsiarovana Ny sombotsombiny ihany ireo fa..... raha fintinina dia izao na inona na inona miseho Dia.. namako eny foana ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lavenona/herezo-ny-dia
HEREZO NY DIA
LAVENONA
HEREZO NY DIA ! Oohf..! Izay aho razandry vao tonga ato an-trano a!! Drii..! Fa nahoana ity maso no managanohano? Ny alahelonao io hoy aho aleo mba hifarahana! Lazao an'i Zoky ! Nisy namono ianao tany ampianarana? Tsia an!! Tsy izany raZoky fa lasa ny saiko a ! Mba nafeniko ihany ka nefa tsy haiko, Ny fiainana eto tsy mora fa indrisy... Ny ampelatanana nefa tsy misy Ilay tompontrano....vao haninkeo no nandalo. Ka ny hany mba hevitro dia nanakalo ilay firavaka kelin'i Dada sy Neny Dia nataoko hofantrano... ny vola rehetra izay tambin'ireny. Eeeh! Aza kivy raZandry fa fiainana izao a! Efa miezaka ihany ity zokinao Manao izay mba vita sy miady mafy Mba hitovizantsika amin'ny zanaky ny hafa Zoky a! Sendra hajanoko aloha ny fianarana Dia ry i Koto atsy ambadika no mody hafarana Hoe tsy afaka mianatra izaho fa marary Dia mba izaho no hitady ny laoka sy vary ! Mba anjaran'i Zoky ny mandoa ny hofantrano, Kojakoja rehetra.... ary jiro sy rano ! Izay no hany hevitra noeritreretiko Mba maivana i Zoky raha zay no mba entiko. Tsia re raZandry a!!!, mbola tsy vizana Zoky hiteny ! Ngah adinonao...ireo hafatrafatr'i Dada sy Neny hoe.. Mianara mafy , dia mba ho tafita ! Fa io no hany tohotra hiakarantsika amin'ny farim-piainana ambonimbony. Ity Zokinao tsy afa-mianatra intsony Hatramin'ny nandaozan'ny Ray amanan-dReny Dia tsy afa-manoatra sy tsy afa-mikomy Hoe aleo izaho hianatra Zandry a ! ianao zao hany mba hoe antenanina ka dia mahazotoa ! Aza mba kivy na miferotr'aina hatrakao ny loha ! Fa isika raZandry tsisy lova hifaharana Ka ny hany teniko ataoko aminao hoe... "HAJAO NY FIANARANA"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ray-mpandahatra
RAY MPANDAHATRA
AORN
Raha nandinika ny saiko nampandefitra ny loha Manoloana ireo kapoaka zay natolotra ho sotroiko Dia niaiky ny eritreritro fa Ianao lay Ray Tsitoha No mpandahatra ikoizana nampitony izany foko Firifiry moa ny hataka nitalahoako taminao Tsisy valiny izy ireny, na taraiky aty aoriana Tsapako ihany aty afara fa toa loza mitatao Ka ho nenina avy hatrany hampitondra fahoriana Saingy ireo zay tsy niriako, no natolotra ho ahy Nahakivy, nahaketraka, nampandatsa-dranomaso Nony nosokafanao, ny ati-saiko sy fanahy Dia nanjary fahasoavana, lay noheveriko ho ankaso Moa tsy taminao ry Ray, no nahazoako fahoriana Nampangoly izany aiko, nitondrako alahelo Fa natolotrao ahy lay hany tena fifaliana dia lay lalam-pamonjena manalavitra ny helo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/aoka-izay
Aoka izay,
andriafa
...Aok'izay hoy ianao, 'reo rohy namehy antsika. Fa ianao kay efa lao, 'lay fitia,... no nangatsiaka ... Aok'izay fa tsisy intsony, 'lay voninkazo nokoloina ka na nitsimoka,... namony ho sorohina... ho vonoina Voninkazo adaladala naniry antsisi-jaridaina, ka na hijoro, hijoalajoala Alàna... rehefa tsy ilaina Aok'izay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/raiso-indray-ny-peninao
RAISO INDRAY NY PENINAO
AORN
Raiso indray ny peninao Ry Poetan’ny tantara Dia farito ambaindainy Na ny ratsy na ny tsara Fa ny zava-misy atrehina Mbola aizina no hita Maro loatra ireo nafenina Sesehana ireo tsy vita Na ny fahantrana lalina Na ireo ziogam-pijaliana Manangoly mahafanina Lasa vesa-pahoriana Ka soraty tsy ankitsahatra ireo zay marina voahosy Fa ny lainga tsara lahatra No manenika ny Nosy Ambarao tsy mihambahamba Ny halatra sy teritery Hasetry ho an’ny mavo lamba Ka raràna tsy hiteny Na ireo tany nangalarina Sy bodoina an-kitsirano Karan-tany namboamboarina Miampy fandravàna trano Dia soraty ...ka soraty... Ireo vahiny izay manjaka Mampihorohoro anaty Nefa miha-mahazo laka K’aza atsahatra ny Penina Raha Mbola misy manambàny Fa andeha hiala nenina Mandram-piala ety an-tany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriafa/aoka
AOKA
andriafa
Eh!.... aoka... aza asina resaka, fa avelao hivalona any fandrao mamerin-drezatra ... satria toa hanina efa lany. Ny lasa tsy mba fanadino, ...mety ho marina ihany. Fa izaho tsy mbola mety mino, hoe... tena nisy hono izany. Aleo hivalona tsy hohita, Hanjavona tanteraka any. Fa raha irony zava-bita mangidy hatram'fiafarany. Aoka ! Aoka mihintsy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/vereza-zay-ho-very
VEREZA ZAY HO VERY
AORN
Vereza zay ho very, matesa zay ho faty Fa ady varotr’aina tsy ataoko an-kitaraina ny iarovako ny taniko ‘lay hany tsy nindramiko Fa lova efa navelan’ireto razambeko Toaviko sy ekeko, namonto tany teto Kanefa alaina an-kery ho tombotsoa irerin’ Ireo mpanjana-tany…tsipahiko avy hatrany Vereza zay ho very, matesa zay ho faty Fa efa sangy mihoatra ka tena mampitroatra no ataon'ireo vahiny aminay tsy manan-tsiny Harena sarobidy ahondrana sy hamidy No alaina antsokosoko ka ampiadiana foko dia gasy vitsivitsy mamono tsy ankitsitsy Ny Malagasy namany miaro zany taniny Vereza izay ho very matesa zay ho faty Fa Mbola hisy hatrany ny hiaro ireto tany Raha misy hetraketraka ,zay mahaketraketraka Ataon’ireo mpanjanaka ho an’ireo taranaky Ny Malagasy maro Zay tena saro-piaro Ny faritra onenany Sy tany ilevenan’ny Zanany any aorina, hiaina am-pitoniana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/mandalo
Mandalo
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Toa nofin'ny alina miserana monja, ny hery mitondra ny fiainan'ny velona. Avalan'ny onja iampita any ho any, any ankoatran'ny tany 'reo aina miforona; Handao ny vatana natolotr'azy. Ka vatana sisa no indro tavela, na ela aza ny ela dia tsy ho voafafa ao am-pon'ny velona ny soa izay navelany. Toa tsy mampino Ilay ora ifandaozana ifankalahelovana, tena mangidy tsy ahitana ny mamy 'lay fara-tomany Tsy maintsy mirotsaka. Na tsy ho reny ilay fara-veloma ifanadinoina anoloan'ny fasana, Na tsy hanafana ny vatany intsony ireo lamba natafy, Ny rano nafafy mba hifamelana, Dia raisina ho adidy sy fara-fitiavana, ho an'ilay havana tiana, nandao. Toa aloka ihany malaky mielina, Dia tsy hiverina 'reo misy rehetra. Dia lasa any ho any, Tsy iverina intsony, Tsy hita izay lalany na teboka farany fantatra onenany. Ny lasany sisa no ventsoventsoina rehefa mahatsiaro, na koa mandalo ao anatin'ny saina 'reo mamy niarahana, Ny diariny sisa no avadibadika hijerena ny sariny, raha tonga misesika anatin'ny fo 'reny soa izay navelany,
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsu-elodie/aza-manahy
AZA MANAHY
Tsu Elodie
Aza manahy akory fa tsy nanenenako ny lasa, Tsy nanenenako ny nitia na aza aho voaratra, Dia lesona ny vita fa manaiky aho hoe tsy anjara, Eny, tsy natao hiara-dia dia aleo hijanona ho tantara. Aza manahy akory hoe arahako alahelo ny momba antsika roa, Fa tamin'ilay ranomasoko latsaka iny ihany dia nivalona avokoa, Na aza nohosenao ny dinantsika 'zay napetraka, Dia hiezaka aho hanova tantara vaovao lavitry ny hetraketraka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/felam-boninkazo-kely
Felam-boninkazo kely
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Felam-boninkazo kely monja ihany, Dia ampy hanadinoiko ny tsy nety vitanao; Tsy mila akory sento, talaho na koa tomany, Fa mialohan'ny nandehanako aho efa namela anao. Tsy mila ranomaso sy ny tenanao miangavy hanatona ahy intsony, aorinan'izao. Fa ny fangatahako, mba hahasoa ny ho avy dia singam-boninkazo iray avy aminao. Tsy mila mahatsiaro na mamadika diary, na koa hoavy hifona vao hamela anao ny lasako. Fa tsangambato iray tsy mila ampiana sary, Sy voninkazo iray no ataovy eo amin'ny fasako. Tsy mila misahirana manafy lamba maro ny nofoko ho rava, ny fitiavanao. Fa felam-boninkazo iray tsy mifangaro, Ho entiko milevina, misaotra indrindra anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ho-tsiniko-ary-ve
HO TSINIKO ARY VE?
AORN
Ho tsiniko ary ve Raha leo tsy te hiherika Ny toky izay nomena Fa hay natao imolotra Tsy sahinao natolotra Dia izaho nangenahena? Ho tsiniko ary ve Raha leo tsy te hiatrika Zay resaka matavy Nambabo ambony ihany Fa he nampitomany Sy lasa nankanavy? Ho tsiniko ary ve Raha leo tsy te hihaino Ny lainga sy ny atsanga Zay nampandriana adrisa Angano tsy hita isa Avy eo tsy sahy mitranga? Aleo ho tsiniko ihany Na ho kianina aza... Lazaina sy fosaina Ho hafahafa toetra Hiomehezan’ny rehetra... Tsy misy ho antenaina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranja-zanamihoatra/ny-mitia
Ny mitia
Randja Zanamihoatra
Mandrera-tsaina ny mitia, Manadala, mampahia, Tsy ahavitana izay atao Fa manjombon-dava izao; Mahalasana ambiroa, Mampirediredy koa, Mampihataka amin’ny maro, Mahalasa saropiaro. Izany masonao mahery, Mihamalefaka fijery, Ny endrika aza mihamalazo, Miova tsy ny voan’ny tazo ! Izany izy rehefa taitra : Ny embonembona, tsy laitra ! Tonga izao karazan-tsiahy Mampahory ny fanahy ! Dia eo ianao misentosento Sy mandefa vetsovetso Ka mitsentsitra mangina Izato faikam-pahoriana ! Hay ity izy manirery Dia manaikitra ny fery ! Hanin-tiana no mitrongy Ka, endrey, mandongilongy ! Tsy latsaina, ho’aho, satria Maharary ny mitia, Nefa aiza no hizahavana Fanafan’ny fitiavana ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotobe-sombiniaina/ezaka
Ezaka
Rakotobe Sombiniaina
Ezaka Izay rehetra natao dia natao am-po Na dia indraindray ary nakarary ny fo Satria nihezaka ny hitia Kanefa tsy tsapany ary tsy ho lasa doria Na inona na inona ny ezaka atao Ka rehefa tsy mifamaly dia avelao amin'izao Ka ianao indray no hijaly amin'izany Ny mba azonao atao dia tsy inona fa mitomany ihany Atokano dieny izao ary ilay ezaka Koa aza avela ho raraka Fa atokany hoan'ilay tena anjara Dia tsy iza fa ilay homen'ny Tompo izay tena tsara. Sombiniaina RKT
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frederic-rnf/mahereza-ry-sombiniaiko
Mahereza ry Sombiniaiko
Frederic Rnf
Mahereza ry Sombiniaiko Ekeko oe mafy laotra ny Onjam-piainana Izay lalovan-tsika amin'izao fotoana izao Mihaina fijalina sy fahasahiranana lava Ra mihinana de zara ra mba misy tapa-tsinay Lalana voasotra hodiavin-tsika ity ry sombiniaiko Fa tsy fidiny ho ahy ny mahita anao mipitrapitra Mijery ny fitafina sy ny fanan'ny manodidina Tsapako ny alahelo sy ny aditsaina mahazo anao Kanefa mahereza atrany zany sombiniaiko izany Fa efa mihezaka mikely ainana fatratra aho Ny mba hananatsika hoavy mamiratra toha ny hafa Miala atrano maraina tsy mody ratsy hariva hariva Nataoko izany mba ho porofo fa tena mitady izay hasoa Ny fiainatsika aho ry sombinaiko any mba harena eto antanako Tadidio fa ny fiainana dia Kodiaran-tsarety ny ambony Mety ho lasa ambany ka manana fanatenana atrany Ary azomy tsara ireny hanatra izay ataoko anao ireny Apiaro eny amin'ny toerana izay halehanao, Ny fahendrena rehetra izay ananao ataovy hoe Mahay mihonina amin'ny tsy fanana ka tsy mba angalatra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/e31-ny-politika-nampiharina-teo-anelanelanny-taona-1220-1897-tohiny-sady-farany-madagasikara-ny-lasa-sy-ny-ankehitriny
E3.1 Ny Politika nampiharina teo anelanelan’ny taona 1220
NY Andri-Fara
E3.1 Ny Politika nampiharina teo anelanelan’ny taona 1220 - 1897 Mahareta kely aloha fa ho mafimafy ny tantara . Teto Imerina tokoa ve no tena nisehoan’ilay fanjakana te hampanjaka tokana olona iray mba hanjaka ? Toa tsy marina izany , satria niniana nadinoina ny tany ivelan’Antananarivo ; izay efa nanana fanjakana natanjaka ihany . Ny Betsileo ; Ny Sakalava ary ny Betsimisaraka , izy ireo dia nanana toetra ihany koa hitovy amin’ny teto Imerina , fa mba te hanjaka tokana . Nahery anefa Andrianampoinimerina . Nampivoatra ny fihazakazakin’ny te hanjaka tokana . Izao no fandehan’ny tantara : - Andriandranolava no nisehoan’ny fanjakana ifanoavana ; ka ny iray manjaka ny iray kosa manoa . - Rangita sy Rafohy : Nampihatra ilay fanjakana arindra indray fa tsy nanohy izay efa nataon’ny razany teo aloha : “ Ny Alakamisy an’Andriamanelo ary ny zoma an’Andriamananintany ”, izany hoe , manjaka aloha ny zoky vao manjaka ny zandriny . Ny Fanjakana arindra , dia ampifandimbiasana ny mpiray tampo ; ka ny zoky no mitondra fa rehefa lasa izy vao mandimby azy ny zandriny . Ny raiamandreny no tompon’ny teny farany ho an’izay handova fanjakana ; izy ireo ihany koa no mandrindra ny fanjakana.Izay voatendry eo no tsy maintsy eken’ny rehetra . - Andriantsimitoviaminandriandehibe : Izy no niavian’ilay fitenenana hoe : “ Zandry olona ; fa mahandrasa ny farany , fa lahy lehiretsy ” Andrianjakatsitakatrandriana sy Andrianjakanavalondambo no tiany tenenina tamin’izany . Miandry ny farany ny zandry olona ; mitovy amin’ilay fanambaran’ny andriana Rangita sy Rafohy ihany . - Andrianjakanavalondambo : Izy ilay niofo ho Andriamasinavalona ; Nanova ny tantara mahakasika ny fandovana ny fanjakana : Nozarainy efatra tamin’ireto zanany sy ny nomeny vohitra iray avy izy ireo ka : - Andriantsimitoviaminandriandrazaka = Ambohimanga - Andrianjakanavalomandimby = Antananarivo - Andriantomponimerina = Ambohidratrimo - Andrianavalonimerina = Ambohidrabiby Izany toen-tsaina izany dia namparefo an’Andriamasinavalona ; satria tia zanaka loatra . - Andriantsimitoviaminandriandrazaka ; izay nanjaka nomen-drainy fahefana tao Ambohimanga , no nahery tamin’izy efatra mirahalahy . Nanomboka teo indray ny fanjakana sy ny fifandovam-panjakana izay tiany handova azy ka ny zanany iray atao hoe ; Andriambelomasina no nandimby azy tao Ambohimanga saingy efa fanjakana tokana kosa Imerina . Rehefa maty izy dia nondimbiasan’ny zanany : Andrianjafinandriamanitra . Manjaka telo nifandimby fanjakana tao Ambohimanga ( 1710 - 1787 ) izany hoe , nahatratra 77 taona be izao . - Andriambelomasina = Ity mpanjaka tao Ambohimanga ity kosa no niavian’ilay fomba fitenenana hoe : “ Anio tontolo andro an’Andrianjafy ; fa ny farany an-dRamboasalama ” tena nanova ny zava-nisy izany satria tsy nitovy tamin’ny hafatra napetraky Rafohy sy Rangita ny toe-javatra . Iry voalohany dia ny zafikeliny Ramboasalama no tinendriny handimby ny fanjakana aorian’ity zanany . Ity faharoa kosa dia ny zanaka ihany no hifandova . sy ny faminaniany fa : " Ilahifotsy avy amin’ alahamadintany no tompon’ ny farany " - Andrianampoinimerina = « Ny tontolo andro ho an’Ilaidama , fa ny farany ho an’i Mavo . » . Hita ihany fa na dia nitovy aza ny tenim-panjakana nanafarana ny taranaka ; dia hita fa nanjary fandrika ho azy ny hafatra . Radama dia zanaky ny mpanjaka ary i Mavo kosa dia vinanto ; kanefa handova fanjakana . Ho hitantsika ao aoriana kely ny vokatr’io hafatra io . - Radama Voalohany = Tsy nanafatra izay handimby azy saingy hita taratra fa nisy tiany hampanjakaina ihany ka ny tandapa no nanova ny hafatra . - Ranavalona voalohany = Toraka izany koa , efa nisy ny olona hampanjakaina dia ny zanany . Nampisy lonilony tamin’ireo tandapa ihany koa izany . - Radama II = Tsy namela hafatra ; saingy ny Praiminisitra no nisalovana izay tokony hanjaka . - Rasoherina = Ny Praiminisitra no nanana fahefana izay tiany hanjaka . - Ranavalona faharoa = Tsy nisy hafatra ny amin’izay handova ny fanjakana . - Ranavalona fahatelo = Nanaraka ny teo aloha ; kanefa hita ihany fa niodikodina teo ny fifandovam-pahefana sy ny fiandrianana . E3.2 Ny Zava-nanahirana teo amin’ny fitondram-panjakana . Aleo aloha isika hijery ity tetiarana ity ; mialoha ny hamakafakantsika ny tantara . Nomeko mialoha moa io tetiarana io , fa ilaintsika foana ; mba hitondra antsika amin’ny fikarohana. Raha tsiahivina, dia fanjakana iray tsy mivaky Imerina hatramin’ny nanjakan-dRalambo , teo anelanelan’ny taona = 1575 - 1610 ; ka hatramin’ ny nanjakan’ny mpanjaka Andriamasinavalona. Nozarain’ Andriamasinavalona tamin’ ny zanany efa-dahy ny faritry ny fanjakany ka nisy fanjakana efatra lehibe teto Imerina ; dia teo Antananarivo ; Ambohidrabiby ; Ambohimanga sy Ambohidratrimo izany , izay samy nanana ny renivohiny avy. Nifandrafy ireo fanjakana merina efatra ireo ; ka voatelin’ny fanjakan’ Ambohimanga ny tao Ambohidrabiby , ka telo sisa ; dia ny fanjakan’ Ambohimanga ; ny fanjakan’ Imerinatsimo izay nanana an’ Antananarivo ho renivohiny ary ny fanjakan’ Ambohidratrimo. Ireo fanjakana merina ireo nohodidinin’ireo fanjakana tsy merina dia ny fanjakan’ Anjozorobe tao avaratra sy avaratra atsinanana, ny fanjakan’ Andratsay tao atsimo, ireo fanjakan’ ny Bezanozano tao atsinanana, ny fanjakan’Imamo tao andrefana atsimo ary ny fanjakan’ i Vonizongo tao andrefana avaratra. Na dia niadiady aza ireo fanjakana merina telo ireo ; dia tsy nisara - mianakavy , fa nifanambady ny ankohonan’ ireo mpanjaka tao amin’ izy ireo mba hitazomana ny hasin-drazana sy ny fihavanana. Fony Andriambelomasina nahazo ny fanjakana = 1730 - 1760 no nanjaka teo Ambohimanga, dia nisy fifanatonana teo amin’ ny fanjakany sy ny fanjakan’Anjozorobe izay marihina fa tsy isan’ ny fanjakana merina sy nanana an’Andriamiharamanjaka ho mpanjakany. Tamin'ireo zanany am-polony maro dia akaikin' ny fon' Andriambelomasina kokoa Andrianjafy zanany lahimatoa sy Ranavalonandriambelomasina zanany vavimatoa. Koa nomen' Andriambelomasina ho vadin’ Andriamiharamanjaka , Ranavalonandriambelomasina mba hitandrovana ny fahalemana amin’ ny fanjakana roa tonta ary hiatrehana ny ady amin’ ny fanjakan’ Imerinatsimo sy Ambohidratrimo. Vadikely anefa Ranavalonandriambelomasina satria Andriamiharamanjaka efa nanana vadibe talohan’ izany. Nanaraka sy nitoetra tamin’ Andriamiharamanjaka vadiny tany Anjozorobe Ranavalonandriambelomasina ary nitoe - jaza taminy. Rehefa akaiky ny andro hahaterahany dia nanainga Ranavalonandriambelomasina hiteraka any amin’ny ray aman-dreniny eny Ambohimanga. Saingy teny an-dalana, raha mbola tsy tafavoaka ny fanjakan’Andriamiharamanjaka akory dia nihetsi-jaza Ranavalonandriambelomasina ary niteraka teo an-dalana. Ikaloy no niantsoana io toerana niterahany io ary Andrianampoinimerina ilay zaza naterany. Arak’izany, io andriana Andriamiharamanjaka mpanjakan’Anjozorobe io no rain’Andrianampoinimerina. Manila zanak’Anjozorobe avy amin’ny rainy ary manila merina avy amin’ny reniny Andrianampoinimerina fa tsy merina madio akory. Marihina anefa fa Andriamiharamanjaka dia manila ihany koa satria isan'ireo razambeny sy razan'andriana nanjaka tamin'ny faritr'Anjozorobe dia ireo Andriamamilaza sy Andriandoriamanjaka izay samy niainga avy eo Ambohidrabiby ary tarana-dRabiby no niverina nankany Anjozorobe. *Faha Ramboasalama : Manodidina ny taona 1720 - 1730 ny taona nahaterahan’ Andrianampoinimerina satria i Mayeur, frantsay nivahiny tao amin’ ny fanjakan’ Andratsay ny taona 1777, dia nirakitra tamin’ ny diariny ny filazan’ ny olona nohadihadiany fa Andrianampoinimerina mpanjakan’ Ambohimanga dia antidahy. Raha apetraka ary fa efa antidahy Andrianampoinimerina tamin’ny taona 1777 nanoratan’ i Mayeur dia efa mahatratra 50 taona farafahakeliny Andrianampoinimerina tamin’ ny taona 1777. Vava Alahamady amin’ ny volana Alahamady kosa no voalazan’ny lovantsofina fa andro nahaterahany. Tsy azo sary Andrianampoinimerina satria norarany tsy hiakatra an’Imerina ny vahiny. Ny lovantsofina anefa dia mitazona fa lehilahy fohy fa tsy lava Andrianampoinimerina. Araka ny filazan’ireo mpitazona tantara momba ny fandrian’ Andrianampoinimerina ao amin’ny lapany atao hoe " Mahandrihono " ao amin’ ny rovan’ Ambohimanga dia sahabo ho 1,45 m ny halavan’ Andrianampoinimerina. Ary farany, i Mayeur dia nanoratra tamin’ ny taona 1777 tao amin’ ny diariny fa araka ny notaterina taminy dia fohy Andrianampoinimerina mpanjakan’ Ambohimanga. Momba ny fihodirany dia tsisy sary ahafahana mamantatra izany. "Ilahifotsy" anefa no niantsoan’ Andriambelomasina raibeny azy. Midika izany fa fotsy fihodirana na mazava hoditra Andrianampoinimerina. Mbola ny hafa-draibeny manao hoe : " Ilahifotsy avy amin’ alahamaditany no tompon’ ny farany " no nentiny nandresy lahatra ny vahoakan’ Ambohimanga raha naka ny fanjakana tao Ambohimanga Andrianampoinimerina satria mantsy mitovy volonkoditra sy fiaviana amin’ny voalazan’Andriambelomasina izy , fa raha tsy fotsy izy no tsy avy amin’ny alahamaditany dia ho mpisandoka fotsiny ihany . Manaraka izany, Tsiahivina ny hafatr’ Andriambelomasina fony fahavelony fa rehefa nodimandry izy dia Andrianjafy no manjaka ary aorian’ Andrianjafy kosa dia Ilahifotsy avy amin’ Alahamaditany zafikeliny no manjaka. Nankato tanteraka ny hafa-drainy Andrianjafy fony izy nihevitra fa momba izy, koa nankininy tamin’ ireo loholona teo Ambohimanga ny fitaizana an’ Andrianampoinimerina nandrandrainy handimby azy rahatrizay. Tato aoriana anefa dia niteraka an-dRalaitokana i Andrianjafy ka novoriny ny vahoaka ary nilazany fa Ralaitokana no hanjaka aoriany. Tezitra tamin’ Andrianjafy ireo loholon’ Ambohimanga izay efa nifankahazo am-po tamin’ Andrianampoinimerina. Nohararaotin’ ireo loholona ireo ny tsy nahateo Ambohimanga an’ Andrianjafy hanandratany ho mpanjaka an’ Andrianampoinimerina sy hakana ny fon’ Ambohidrabiby sy ny vohitra miaraka aminy. Koa nandefa iraka teroa Ambohidrabiby Andrianampoinimerina handresy lahatra an' Ambohidrabiby sy ny vohitra manodidina hiandany aminy sy haka lamba jaky tenomin' Andriandoriamanjaka hotafiany amin' ny fanandratana azy ho mpanjaka. Tsy nanaiky Ambohidrabiby raha tsy natao Menabe sy tsy alaim-bodihena koa noeken' Andrianampoinimerina izany. Ny Andriandoriamanjaka kosa nampitondra lamba jaky ireo irak' Andrianampoinimerina mba hatafy ity farany ho mariky ny maha mpanjaka azy. Vao tafiditra teo Ambohimanga ireo iraka dia nasain’ ny loholon’ Ambohimanga nohidiana ny vavahadin’ Ambohimanga ary natafin’ izy ireo an’ Andrianampoinimerina ny jaky noentin’ ireo iraka sady napetrak’ izy ireo miaraka amin’ny mpanotrona maro teo Ambatomiatendro Andrianampoinimerina ary natao fararano ny fanapoahana basy sy dobok’ aponga sy sodina. Teny an-dalana hody ho any Ambohimanga Andrianjafy no nilazana fa efa natsangan’ Ambohimanga ho mpanjaka Andrianampoinimerina. Tsy nino izany izy fa niroso hatrany ny diany ka afaka an’ Ambohitrandriamanjaka izy no nahatazana an’ Andrianampoinimerina eroa Ambatomiatendro miavaka amin’ ny jaky tinafiny izay mbola mazava loko tsara satria vaovao ka fantatr’ Andrianjafy fa efa lasan’ Andrianampoinimerina Ambohimanga ary Ambohidrabiby koa. Hany hery, nitodi-doha nankeny amin’ ny lafin-kavany eny Ilafy Andrianjafy no nanozona an’ Ambohimanga. Niezaka nampiray ny tany nanjakany : Araka izany, tamin’ Ambohimanga sy ny manodidina no nanjaka Andrianampoinimerina. Ambohidrabiby sy ny vohitra miaraka aminy moa dia nanaiky niandany taminy rehefa nataony tsy alaim-bodihena sy menabe. Ilafy sy Andrianjafy kosa mbola nanohitra azy ka niadiany ka resiny. Natambany ho tokon’ Avaradrano, zokin’ Imerina 6 toko ireo. Tsy fantatra marina ny taona nanombohan’ Andrianampoinimerina nanjaka tao Ambohimanga fa efa talohan’ ny taona 1777 nivahinianan’ i Mayeur tao Andratsay izany ka hatramin’ ny taona 1787. Rehefa izany, na dia teo aza ny fifamitranam-pihavanana nifanaovan’ izy sy havany dia ny andriana Andrianamboatsimarofy mpanjakan’ Imerinatsimo tamin’ ny fanambadiana dia ady no niafaran’ izy roalahy ka resy sy nandositra any Imamo Andrianamboatsimarofy , fa tato aoriana izy vao nafindra nafenina tao Antsahadinta. Nozarain’ Andrianampoinimerina ho toko roa Imerinatsimo mba tsy hatanjaka intsony, dia tokon’ny Vakinisisaony sy tokon’Ambodirano ka nalainy vady ny maro tamin’ny Zanak’andriana teo Alasora ka nisy napetrany teo Antsahadinta fa izy kosa nanao lapa hitoerany teo Antananarivo. Fanitarana ny fanjakana : Rehefa izany, dia nanoa an’ Andrianampoinimerina ny fanjakan’ Ambohidratrimo izay nanolotra an-dRambolamasoandro ho vadiny ka nataony ho toko iray ; dia Marovatana izany. Ary ny fanjakana madinika maro tamin’ ny tany atsinanan’ Ambohimalaza dia nanoa azy ; na dia nanohitra mafy azy aza ny tao Ambatomanga ka lasany hatramin’ ny fanjakana bezanozano amin’ ny faritry Mantasoa. Nataony isan’ Avaradrano ireo fa tato aoriana vao natao ho Vakiniadiana. Rehefa izany dia nitarin’ Andrianampoinimerina miakandrefana ny fanjakany ka nanoa azy ny fanjakan’ Imamo, izay nataony isan’ ny tokon’ Ambodirano. Nanoa koa ny fanjakan’ i Vonizongo ka nataony toko iray dia Vonizongo. Rehefa izany dia nitariny nianatsimo ny fanjakany ka nanoa azy mora foana Andriamanalinibetsileo mpanjakan’ Andratsay. Dia nitariny nianatsimo amin’ ny Betsileo ny fanjakany ka Ilaidama izay vao 20 taona monja no nasainy nitaritafika ka resy i Rivoekembahoaka mpanjakan’ i Fisakàna sy Andrinaompanalina mpanjakan’ Ambositra Sahasomangana. Nanoa azy Andrianantara mpanjakan’ny Manandriana sy Andriamanalina III izay mpanjakan’ Isandra sy Raonimpanarivotomponony mpanjakan’ i Lalazana sy Andriambavizanaka mpanjakan’ i Lalangina sy Rarivoarindrano mpanjakan’ i Arindrano. Natambany ho tokon’ ny Vakinankaratra ireo fanjakan’ Andratsay sy Betsileo. Mbola navelany hitondra ny anaram-boninahitra mpanjaka anefa ireo mpanjaka nanoa fa Radama I no nilaza tany Fianarantsoa fa tsisy mpanjaka intsony amin’ ny fanjakany eto Madagasikara afa-tsy izy ihany fa zanak’andriana no anaram-boninahitra isaloran’ireo mpanjaka nanoa azy. Nandritra izany, ny fanjakan’ Anjozorobe dia efa ireo zanaky ny vadiben’ Andriamiharamanjaka no nanjaka tao ; ary izy ireo tsy nety nanoa an’ Andrianampoinimerina koa notafihan’ ito farany izy ireo ka lasany ny ampahany amin’ ny faritry ny fanjakan’ Anjozorobe ka nataony ho isan’ Avaradrano. Tsy fantatra mazava anefa ny sisin-tany amin’ ny fanjakany sy ny fanjakan’ Anjozorobe fa dia namporisihiny ny vahoakany hianavaratra mihoatra ny reniranon' i Mananara araka izay tratra. Vokatry ny fanitaram-panjakana : Arak’izany, niainga tamin’ny faritra kely indrindra Andrianampoinimerina ka tonga lehibe indrindra ny fanjakany, ary izy no mpanjaka voalohany nahatafaray ny fanjakana merina hatramin’ny andro nizaran’Andriamasinavalona izany ho fanjakana efatra. Nataony enin-toko Imerina. Raha tsiahivina dia talohan’ny taona 1787 ; ary efa talohan’ny taona 1777 ; no efa mpanjakan’Ambohimanga Andrianampoinimerina ary teo ny renivohitry ny fanjakany nisy ny lapany natao hoe Mahandrinono. Tamin’izany, ny andriana fito toko dia tsy mba nomeny zaratany teo Ambohimanga satria tsy noeken’ Ambohimanga izany, fa dia ireo terak’Ambohimanga na andriana na hova na mainty efa tompontany teo ihany sy ireo olona avy amin’ny lafy valo nampiakarin’Andrianampoinimerina taty Imerina dia ireo mpanandro na ny mpisikidin’andriana sy ny ombiasa sy ny mpiambin’andriana ary ny vady amanjanak’Andrianampoinimerina no nonina teo Ambohimanga. Ny taona 1787 ka hatramin’ny taona 1810 kosa no namoriany an’Imerina sy nampanekeny ireo fanjakana maro hafa ka ny rovan’Antananarivo no renivohitry ny fanjakany izay nisy ny lapany atao hoe " Mahitsielafanjaka ". Ireo tranokotona nitoeran’ny ankohonana sy fianakaviana akaiky an’Andrianampoinimerina no nanodidina ny lapa tao androvan’Antananarivo. . Teroa ambany avaratry ny rova kosa, manodidina an’Andohalo dia nisy faritra nohodidinin’ny hadivory ka fianakaviana notsongainy avy amin’Andriatompokoindrindra; Andriandranando; Andrianamboninolona; Andriamasinavalona; Andriandoriamanjaka; Raberanto ary Zazamarolahy no namponeniny tamin’izany faritra voahodidina hadivory izany. Teo atsimon’ny rova kosa no nametrahany ny Voromahery mpiambina azy. Tsy noekeny hisy loholona hova sy mpanandro sy mpimasy nonina teo akaikin’ny rovan’Antananarivo. Fa ny sisa amin’ny andriana sy hova ary mainty enin-dreny amin’Imerina enin-toko dia samy nomeny zaratany saingy ivelan’Andohalo sy tamin’ny faritra manodidina ny vohitr’Antananarivo azon’izy ireo honenana. Izany fizaran-tany izany no tsy itovizan’Antananarivo sy Ambohimanga. Aza adino na odian-tsy fantatra fa tsy Andrianampoinimerina akory no nilaza voalohany ny hoe : “ Efa nomen’Andriamanitra ahy ity Nosy ity ” ; fa ny mpanjakan’Imerina atao hoe, Andriamasinavalona . Nosy ! izay midika fa voadidina ranomasina izany . Efa nilaza ihany koa fa mpanjaka tokana teto madagasikara ; raha iny nahavita ny sorona saika hatao i Trimofoloalina . Ilay taranaka nandova an’Ambohimanga ; dia Andrianampoinimerina kosa no niteny hoe : “ Ny ranomasina no vala-parihiko ”. Midika ho Nosy izany . Samy tsy nisy nahita ny ivelan’Antananarivo anefa ireo mpanjaka roa ireo . Ahoana ary no naminavinany fa voadidina ranomasina anie ity tany onenany ity ? Tonga tao an-tsain’ity mpanjaka lalin-tsaina ity ny hoe : “ Ny ranomasina no vala-parihako ”. Ny heviny dia izao. Te hanitatra ny fanjakany izy, lehilahy tsy mbola nahita ranomasina akory, kanefa azo inoana fa ireo avy any amoron-tsiraka no nampahafantatra azy izany , dia ireo Ombiasa Antaimoro namany . Ady anefa vao nahatsangana an’izany. Nasiany aloha Antananarivo ka azony. Avy eo nitodika tamin’ireo faritra enin-toko : Avaradrano, Ambodirano, Vakinankaratra, Vakinisisaony, Marovatana, Vonizongo indray ny tolona . Tao anatiny taona ( 1788 - 1794 ) , izay naharitra 6 taona. 42 taona izy raha vao nanomboka nanjaka , ary naharitra 23 taona ny fanjakany ary nolaniany tamin’ny ady izany . Mba hamoriany izay fanjakana tiany ho azy . Fito taona garangidina no namoriany an’Avaradrano fotsiny vao nanoa azy. Namantana toe-javatra sarotra Andrianampoinimerina noho ny fanjakana niverina nitsitokotoko, noho ny ady an-trano izay nataon’ireo mpandova , ny fanjakan’Andriamasinavalona , izay efa nanjaka tokana teto Antananarivo, fa nizara ho efatra ny fanjakana tamin’ireo zanany. Nanjakan’ny herisetra sy ny fanjakan’ny mahery, niseho ny tsy fahandriampahalemana, ny halatra sy ny halatr’olona izay tena nanjaka tokoa, ny fanararaotana samihafa ataon’ireo be sandry. Tsy vitan’ny kabary fotsiny fotsiny ny famoriana ny fanjakana nitsitokotoko teo aloha mbamin’ny fampajariana ireo rafitra vaovao napetraka hankatoavina, mba hisian’ny fiaraha-monina mandry fahalemana. Ady amam-basy sy lefona no nifamelezana. Ny ady tamin’Antananarivo sy Ambohidradrimo ary ny tao Ambohijoky no tena nalaza, ankoatra an’Avaradrano. Avy eo ny ady nifaovany , tamin’ny Betsileo, tao Ifandana, ilay vohitra nanan-tantara , fa nahatonga ny olona 3000 tany ho any hamono tena tsy nanaiky ny hanompo ny Merina na hilavo lefona. Ady no namoriana izao firenena izao • L’organisation du Gouvernement d’Andrianampoinimerina : [ Andrianampoinimerina , no Mpanjaka : Niainga avy any aminy avokoa ny baiko rehetra. nandalo teo ambany : « Gouverne directement avec les Vadin-tany, Le Menabe, Imerina Domaine Royal » sy ny Confie aux nobles les Menakely, hors de l’Imerina. Ny fahefan’ireo kosa dia ny : » Tous deux sont divisés en Fokontany, dont les habitants le Fokonolona.] • Fikomiana Faha Andrianampoinimerina : Rabodolahy sy Rakotovahiny , rahalahiny dia nikomy tamin’Andrianampoinimerina rainy satria , tsy nety nanatanteraka ny teniny raha nasainy haka ny tany izy nohon’ny fahafantarany fa Radama no hampanjakaina ; fa tsy izy lahimatoa ; kanefa izy dia zaza natsangana . Novonoina noho izy nikasa handatsaka ny ain’ny mpanjaka rainy sy Radama . Ny fokon’ny Zafinandriamamy , izay nanampy an-dRabodolahy ; dia novonoina , ary izy kosa nalevina tao Ambohimanatrika . Rafaravavinandriambelomasina ; dia rahavavin-dRabodonimerina izay niteraka an-dRabodolahy sy Rakotovahiny . Tsy niteraka mantsy Rabodinimerina vadin’Andrianampoinimerina ka natsangany izy mirahalahy . Ny Fikomiana nataon-dRamavolahy , izay zaza hafa reny ; satria nialona an-dRadama ; izay hampanjakaina . Ary novonoin’ny mpanjaka izy ireo na dia zanany aza . Niamboho Andrianampoinimerina ka nalevina ao amin’ny tranomasina ao Mahandrihono , avaratr’Andriambelomasina ao Ambohimanga.. 65 taona izy vao maty. [ Tamin’ny Taona 1774, dia tonga teto Benyowski, ilay mpijiri-pahefana ka nisandoka ho Emperoran’i Madagasikara. Nitady fanampiana hatraiza, hatraiza fa tsy nahazo na tany Angletera na tany Etazonia. Maty nahantra ity nilaza ho Mpanjakan’ny Mpanjaka teto Madagasikara ity .] *Fiokona tsy namoizana aina : Tena tsy nahafaty tokoa , raha ny zava-nisy teo amin’ny fitondran’Andrianampoinimerina no resahana . Fiokona saika hampanjaka ny zanak’andriana Rapoenty; fa tsy Ilaidama . Tena tsy fantatra hoe , iza tao an-dapa no te hampanjaka azy ; ary zanak’iza ihany koa ity hampanjakaina ity ; fa ny hany tsilion-tsofina nivoaka ka tonga tao an-dapa , no nandrenesana fa misy te hampanjaka ity andriambavy ity . Tsy novonoina izy ary tsy nokasihana ihany koa . Tsy fantatra ihany koa ny antony , satria ny andriana dia tsy namela mahazo ireo izay misavi-panjakana ; na ireo izay manohitra ny hafatra nataony ka napetrany ho an’ireo andriana tsy manjaka . Natao sesitany tao Mamoriarivo , etsy Talata volonondry izy ary maty nahantra tao . *Faha Radamalahimanjaka : Rehefa hitany Rasalimo , zanaky Ramitraho mpanjakan’ny Menabe fa ho sarotra ny raharaha sy ho mafy ny ady, dia nanaiky ho vadin-dRadama izy.Ary nivitrana ny ady sy ny fifanolanana. Vita ny fihavanana, iray ny fanjakana. Anankiray tena nanamafy orina ny fahefany sy ny tanjany ara-miaramila, dia ny fananany an’ilay Frantsay iray atao hoe Robin, saingy ilay Anglisy roalahy atao hoe Brady sy Hastie , no tena nanampy azy betsaka teo amin’ny fanofanana ny miaramila. Radama rainy no nanaiky ny tsy hamarinana ny andevo intsony, rehefa nifanaraka tamin’ny Anglisy, fito taona taty aorian’ny nanjakany ( 1810 - 1817 ). Izy no azo lazaina fa vavahadin-tsaina voalohany ny amin’izay hanoratana ny teny Malagasy, ny taona ( 1823 ). Nandroso ny fanjakany satria tapitra nanaiky azy avokoa ny foko lehibe sasany, indrindra fa Jéan Rene, mpanjakan’ ny Betsimisaraka. Raha tsiahivina ny fomba hentitra, nanapahan-dRadama rainy ny fomba hanoratana ny teny Malagasy dia toy izao ny tantara. Novoriany tao an-dapa aloha ny solon-tenan’ny Anglisy sy ny Frantsay. Nanambara ary ny mpanjaka fa izy dia efa nahay ny fomba fanoratra amin’ny Sorabe , avy tamin’ireo Antaimoro, nandova ny fanandroana Arabo. Tsy ho amin’izany anefa no tiany hanoratana ny teny Malagasy fa iriany mba ho amin’ny teny latina. Rehefa hitan’iretsy fa tsy nahazo nahodina ny mpanjaka dia izao no nekena: Ny fanononana ny zanatsoratra dia vakiana sy soratana amin’ny teny Frantsay ho : a, e, i, y, ary ny O dia tononina sy soratana amin’izao endriny izao na dia OU sy Ô aza no fiheverana azy. Ny renitsoratra kosa dia amin’ny fomba fanononana sy fanoratana Anglisy ary tsy misy : c, q, w. Ny 23 Martsa 1823 izany fanambarana lehibe izany, ary nakatoavina.[ Marihana fa efa nahay niteny tamin’ny fomba fiteniny ny Malagasy fa tsy nahay nanoratra]. Nanomboka teo ny fifanolanana. [ Ny Taona 1722 no niditra teto Madagasikara ny Frantsay ary nanomboka tamin’ny 1822 , no efa namahatra sy nanao manda tao Foulpointe Mahavelona ny Fanjakana Malagasy .] 1. Tsiaribika IX voninahitra izay saika hampanjaka an-dRaketaka , zanaky Rasalimo sy Radama I , na Rakotobe , zanak’Anabavin-dRadama I . Nidiany tao anatiny ny vavahady vao maty Radama I, nibosesehan’Andriambola na Andriambavola sy Raberesaka ny vavahady ka vakiny ihany ary nafatotra izy roalahy . Radama I, mbola tao amin’ny tranovola ny razany ary Ranavalona I, kosa nafindra tao amin’ny Masoandro . Nohelohina izy roalahy fa nanangana andriana hafa sy nanda ary nanova ny tenin’Andrianamponimerina tanteraka ka dia novonoina tao Ambohipotsy i Manantsimijay ary Tsiaribika kosa tao an-dRova ihany . 1820 : Nisehoan’ny miaramila voalohany ka ny zanakin’ny mpanan-karena ihany no nalaina hanao izany . Atoa Brady sy Caren no nisehoan’izany . 50 no isany teo aloha vao niakatra 1000 ; Tafakatra 14.210 ny isan’ny Miaramila raha 1000 izany tany am-boalohany. ka ny manan-katao ihany aloha no nalaina , izay vao ny Ambaniandro , ka ny faka azy fahiny dia toy izao : Raha 4 dia Roa no alaina , raha 2 dia iray no alaina , ka ny matanjaka sy ny mahery ary ny fetsy no tazonina ho miaramila , ka teo Sahafa no orimbato voalohany . Toy izao no Dingana faha Radama I : Sori-dany : Soritana , handeha no heviny Miara-mila : Samy mitady samy Mandeha [ Mbola notazomina izy io ankehitriny] Nataon’ny Mpanjaka Goverinora tao Foulpointe Rafaralahy Andriantiana izay zaodahin-dRadama I . Nirahin’ny Mpanjaka indray i Jéne Réne sy Ratefinanahary, handamin-draharaha tany atsimon’i Toamasina sy Mananjary Pangalana. [ i Fisa no rahalahin’i Jéan Réne, izay nanapaka tao Ivondro, tena ratsy fanahy izy, i Printsy Coroller, izay zanak’anabavin’i Jéan Réne , dia mpiara miasa tamin’ny Mpanjaka Radama I. Marihana fa i Jéan Réne , dia Frantsay ny rainy ary Tanosy Mahafaly ny reniny.] Nandefa taratasy tany amin’i Baron P.B.Portal, direkteran’ny Kolonia tamin’ny 2 May 1817 ny tompon’andraikitra Frantsay teto, manao hoe : « Efa tonga sady mety ny fotoana hakantsika indray an’i Madagasikara, araka ny tetika novolavolaintsika matetika nefa natao an-tsirambina hatramin’izao ». Sir R.J Farquhar , izay Governoran’i Maurice dia niady mafy mba hahazoana an’i Madagasikara ho an’i Angletera. Teo amin’ny varotr’olona dia lalam-barotra nandritra ny 120 Taona nahazoan-dRadama I, tombony tokoa satria nahazoany Vola Folo na 12,50 Ia tamin’ny taona tsy tsaroana. Nomena an’i Frantsa indray anefa i Madagasikara sy Sainte Marie ary i Tintinque sy Fort Dauphin ka tsy faly noho izany i R.J Farquhar ; noho ny politikan i Angletera io izay tsy nanaja ny fanekena tamin’ny 30 May 1814. Tonga teto indray ny Kapiteny Le Sage, niaraka tamin’ny Miaramila 30, ho fanamafisana ny fihavanana no natao ary tanteraka ny tetika nataon’i Hastie, satria Mpanjaka liam-pandrosoana Radama. Izany dia ho fanafoana tanteraka ny varotr’olona. Lasa tamin’ny 05 Febroary 1817 i Le Sage ary najanony teto i Brady hampianatra ny Tafika. Tonga indray i James Hastie, nalefa tany Maurice ny Printsy Ratafika sy Rahovy . Nandimby an’i R.J Farquhar ny Jeneraly Hall . Manandaza : Rasatranabo IX voninahitra . 1825 Niodina tamin-dRadama I , ireto tanàna ireto : Ambatomanga , Ambositra ary Kiririoka . Somary sahirana izy nandamina azy ireo . *Faha Ranavalona Voalohany : Mbola tao anaty fanjakany ity mpanjaka lozabe ity no niseho lany tany amin’ny fahaterany tany ny ady fahefana ny amin’izay handova azy eo amin’ny fiketrahana ny fanjakana . Fony vao hanjaka mantsy izy dia nipoitra ny olana isan-karazany ny momba izay hisolo an-dRadama . Ny 01 Aogositra 1828 i Mavo , izay vadin-dRadama , no nisora-tena ho mpanjaka niaraka tamin’ireo manamboninahitra nampanjaka azy, izay nambaran’izy ireo fa nolazain’Andrianampoinimerina. Ary niova anarana ho Ranavalomanjaka. [ Io ilay voalazako tery aloha ; fa hiteraka olona ] Mena midorehatra, misy sary satroboninahitra ary soratra hoe: R.M na Ranavalomanjaka , ny saina Malagasy. Mpanjakavavy lian-dra satria tapitra novonoina avokoa ny havam-badiny rehetra izay mety hanohitohina ny fiandrianam-pirenena . Novonoiny ary Ramananolona tao Fort Dauphin, Rafaralahy Andriatiana tany Foulpointe, Ratefinanahary tao Ambatomanga, afa tsy Ramanetaka ; izay nitsoaka tany Kaomoro ( Mayotte ) sy ny fianakaviany ary nanjaka tao , ary mbola misy taranany any mandraka izao. Raketaka zanaky Radama tamin-dRasalimo . Anankiray nijaly sy nitondra faisana tamin’ny mpanjaka ny rafozany Rambolamasoandro , izay nahitany Radama masoandro. Ny 02 Aogositra 1828 , dia noraisina maizimazina tao an-tranony, Rakotobe ary nentina nahohoka tao Imarohoho, atsinanan’Ambohipotsy, satria izy no voatendrin’ny Mpanjaka Radama hadimby azy. Sarotiny tamin’ny fiandrianam-pirenena noho ny hevi-diso nataon’ny mpanolotsainy ; kanefa hita fa tena marina ihany, nandroaka ny vahiny rehetra afa tsy izay nankasitrahany. Nanomboka teo amin’ity mpanjaka ity ny asan’ny praiminisitra ary ny taranak’Andriantsilavo izay nampanjaka an’Andrianampoinimerina . Avy amin’ny Tsimahafotsy. Raimahamay no mpitaiza andriana tamin’izany, nandimby azy Rainiharo. Azo nambara fa nisy fandrosoana ihany ; na dia maizin-tsaina aza ity mpanjaka ity, nanampy azy betsaka tamin’izany ny Frantsay iray atao hoe, Jean Laborde , ny 03 May 1832 , mpanao taozavatra sy mpandrafitra ary mpano trano sy mari-trano ihany koa izy. Tany Mantasoa Soatsimanampiovana no nananganany ny fandrendreham-by, fanaovan-tsavony, nampanao fefiloha, fambolena. Tsy irery anefa izay fa nanampy azy tamin’izany De Lastelle . Tsy mba noroahan’ny mpanjaka izy mirahalahy ireo. - Nanao sy nandrafitra ny lapa tao Manjakamiadana - Nanao ny fasan’ny Praiminisitra tao Isoraka, any Rainiharo sy ny taranany Nikomy taminy indray ny Sakalava ary nitady fiarovana tamin’i Frantsa. Ny Amiral De Hell no namaly ny antso ary ho tambin’izany dia nomen’i Bety, mpanjakany i Nosy be. Efa nahazo ny morontsiraka andrefana sy ilany atsimo atsinanana ny tafika Frantsay. Mafy ny ady tany an-tsakalava, natao andevo ny resy. Nalefan’ny mpanjakan’i Frantsa, Charles X, ny Capitaine Gourbeyre ny taona 1829 hanafika an’i Madagasikara, mbola notohizan’i Louis Philippe, mpanjaka vaovao , tany Frantsa ny ady. Nasian’i Angletera sy Frantsa baomba ny tany Toamasina ny taona 1845. Nirahin’ny Frantsay teto ny Amiral Romain De Fosses. Nihemotra anefa ny mpanafika ary notapahan’ny hova avokoa ny lohan’izy ireo ka narantirantiny tany amoron-tsiraka avokoa. Nitady hanongana azy Rakoto zanany noho ny hevi-petsin’i Lambert, mpivarotra Frantsay namany. Nosoloana an-dRainijohary ny Praiminisitra. Mafy dia mafy ny Antoko mpifikitra tamin’ny nentin-drazana izay nifandimbiasan’ireo mpitaiza andriana ka nandray ny toeran’ny Praiministra ( Ranimahamay, Rainiharo, Rainijohary ). Nipoaka nandritra ny 26 taona ( 1835 - 1861 ) ny fanenjehana ny kristiana . Tonga teto ny Capitaine Gourbeyre . Andriamihaja no nanao ny fanelanelanana fa an’i Malagasy i Madagasikara, ary tsy refesi-mandidy amin’izany Mpanjaka. Dr Lyall no solon’i Hastie , tsy noraisin’ny Mpanjaka. Hoy izy “ Radama izay nifanaiky tamin’i Anglisy efa maty, anefa kosa izaho Ranavalomanjaka dia tsy mba mifanaiky amim-bazaha ”. Nitombo fahasiahana ny mpanjaka noho ny fahaterany, nitady hevitra hanampiana ny olona na ny ambanilanitra Rakotoseheno ; saingy tsy sahy fa natahotra. Nitombo marobe ny maty novonoina na teo amin’ny kristiana izany na teo amin’ireo mpikomy na ny mpangalatra. Nanana andevo maro dia maro Masombika ny Fanjakana Malagasy tamin’ny fotoan’androny. Nalefan’ny Mpanjaka ho Ambasadaoro tany Angletera Ramanakoraisina; Ramena; Andriantsitohaina; Andriantseheno ; Raharolahy ; Rasatranabo, Razedaoro mpanompo, ny 04 Jona 1836. Nanoratra toy izao ny Mpanjaka, hoan’ny Mpanjakan’i Angletera Guillume IV : “ Izaho tsy nandray ireo zavatra fanomezanareo an-dRadama I, tsy hasosorako na hatezerako anefa, fa raha ny fihavanana no vidim-bola amin-karena, ary ny fanomezana no atao hahatamana ahy. Izao tsy nandray izany, ary izay zavatra anananay ka tsy anananareo dia azonareo vidiana eto aminay, ary izay anananareo ka tsy misy ato aminay dia vidianay aminareo ”. Manambara hampom-po izany teny izany ary azo nohamarinina ny fahamarinany ankehitriny. Natao sesitany i Laborde , tamin’ny 19 Jolay 1853, ary noravan’ny olona i Mantasoa Soatsimanampiovana. Nijaly mantsy ny vahoaka satria asa fanompoana no natao, ka naharaikitra ny teny hoe : Fanompoan’i Mantasoa , avy eo dia voaraoka tanteraka. Izy anefa no namolavola an-dRakotosehenondradama , zaza 3 taona raha nandalo teto izy. Tonga teto Madagasikara indray F. des Pointes, Komandin’ny Tafika an-dranomasina, aty amin’ny Oseana Indiana. Nampitondra taratasy: “ Misy Tombontsoa ny fanekem-pihavanana, handroso ny vahoaka Malagasy , hitombo fahendrena sy harena sady ho afaka amin’ny fahoriana ataon’ny Ranavalona ”. Niaraka tamin’io fanekena io de Lastelle , izay nampitondraina azy. 12 Taona Rakotosehenondradama . Tafiditra tao anatin’izany tsikombakomba izany Jean Laborde sy de Lastelle. Hoy Radama II, raha namaly an-drizareo : Hitako am-pifaliana fa te hanafaka ny Firenena malagasy amin’ny fahoriana mangidy…ka manome fahefana anareo aho…Ekeko avokoa ny article rehetra ao amin’ny fanekena. Tsy hanao sonia aho, rehefa vitan’ny Fanjakana Frantsay izay lazainy hatao amiko amin’ity fanekena ity…, . Ny taona 1848 izany. Nohetsehan’ny Frantsay indray ny raharaha, dia ilay Tremalahy tapitrohatra tamin’ny fangoronan-karena atao hoe : Lambert , no safidian’ireo Voanjo Frantsay ( Colon ) mba hanatanteraka ny nofinofiny. Nanoratra tany amin’ny Emperora Napoleon III ary Radama , ilay hanjaka ka lasa Radama II , ny 14 Janoary 1858, mba handefa tafika ho aty Madagasikara noho ny fahatsapany fa mijaly loatra ny Firenena eo ambany vahoan-dreniny izay lian-drà tokoa. Nitady vola hatraiza hatraiza ary i Lambert , ary nalefa tany Frantsa sy Angletera mihitsy fa izay nitadiavany vola nanda avokoa. Ny 28 Jona 1855, dia teraka ny “ Carte Lambert ”. ( 1836 - 1837 ) Ratsitohaina : “ Premier Chef de mission Diplomatique en Europe ” ( 1838 - 1896 ) Rainandriamampandry , natao Governora tany Toamasina. ( 1857 - 1916 ) Dokotera Ralarosy , no niandraikitra ny fahasalamam-bahoaka. Ireo Kristiana niharitra ny fahafatesana Ny sampy nampiasaina Atoa Flacour ( David Jones sy David Griffiths Misionera teto Madagasikara ) de Richelieu Izany Imahamasina fahagola 1813 Ireo Fikomiana tena nanahirana : Ireto manamboninahitra ambony tao an-dapa ireto : Rainivoninahitriniony XIV voninahitra , Rainilambo XI voninahitra , Rainikoto XI voninahitra , Rainitavy XIII voninahitra , Rainizaka XIII voninahitra : Izy ireo no nampanjaka an-dRadama II , izay tokony ho Ramboasalama XIII voninahitra izay Officier de Palais no nanjaka . Niampy indray ireo mpioko te hampanjaka an-dRadama II : Rainilaiarivony , ankeviny ho XII voninahitra , Rainjohary XII voninahitra , Rainimamonja , ankeviny ho VIII voninahitra Ravonianahitriniarivo , Ankeviny ho VIII voninahitra . Ireto kosa no saika hamono ny zanak’andriana Ramboasalama XIII voninahitra : Rainingory XIV voninahitra , Razakamahefa XIII voninahitra , Andrianaivodofotra XIII voninahitra, Andriatsitohaina XIII voninahitra , Andrianarosy XIII voninahitra, Rainitomponiaera XII voninahitra , Rafaralahingory X voninahitra . Ratafika X voninahitra ( Ny taona 1857, izany faha Ranavalona I ) *Andao ho fantarina ary ireo andriambaventy sy manamboninahitra ; namelan-dRabodonandrianampoinimerina ny hafatra farany nialoha ny hahafatesany : Rainivoninahitriniony , Rainijohary , Rainimanonja , izay samy XIV voninahitra avokoa , afa tsy Rainiandriantsilavo sy Rainimanantoanina , izay XII voninahitra . Tao ihany koa ireto manamboninahitra ireto izay samy XIII voninahitra avokoa : Rainilaiarivony , Rainitsimbazafy , Raimaharavo . Nambenana mafy ny Lapa , natahorana hipoaka ny fikomiana sy ny tabataba satria efa niseho lany ny tsy fitiavana ny andriamanjaka fahavelony dia ny fitondrany izay tsy refesi-mandidy sy efa nahitana rà-mandriaka maro . Koa nandray fepetra Rainivoninahitriniony , praiministra : Nasaina nandray ny toerana teo Andohalo sy niambina izany vavahady lehibe izany ny miaramila 500 lahy ka Rainimboanana XII voninahitra , no lehibe tao . Nambenana mafy koa tao Antsahatsiroa , nametrahana miaramila 500 lahy ihany koa ; ka Raberanto XII voninahitra , no lehibeny ; Nametrahana miaramila 300 lahy tao Ambatofandrana ary Randrasana XI voninahitra , no nampiandraketina izany . Teo amin’ny manodidina kosa nametrahana miaramila nivezivezy 1700 lahy , teo ambany fifehezan-dRainilambo XII voninahitra ; Ny tao Ankaditapaka ihany koa dia nametrahana miaramila 300 lahy , ary Ramanankantsoina X voninahitra izay izy ireny no ambany tamin’izy ireo no niandraikitra izany . Ravanomanana XII voninahitra izay dekan’ny Rainivoninahitriniony praiministra sady Commandat en Chef ary Rainikirimbola XII voninahitra , Officier de Palais , no voatendry hiandraikitra ny fombafombam-panjakana raha maty ny andriamanjaka . Nitaingina teo amin’ny filanjana izay hisy ny tranovorona izy ireo , izay nisy ny mpanjakavavy nodimandry . Ka ny iray XII voninahitra no teo aloha ary ny XI voninahitra kosa no tao afara . *Faha Radama II : Fahadisoana lehibe vitany sy nahatonga azy hifanolana tamin’Ingahy Rainivoninahitriniony, Praiminisitra . Tsotra ny antony fifanolanana dia ny fanomezan’ny mpanjaka vahana ny sakaizany atao hoe Menamaso ; izay tsy nahafaly ireo Andriambaventy ; an’isany ihany koa ny fanomezana tombontsoa betsaka an’ilay Frantsay atao hoe Lambert , vokatr’ilay fifanarahana miafina mikasika ny handovany ny Fanjakana. Teo ihany koa ny nampihenana ny fandoavana ny haba aloha amin’ny seranana, ny fanaovan-tsonia teo amin’ny mpanjakan’i Madagasikara sy Napoleon III, mpanjakan’i Frantsa ny amin’izay tombontsoa omena an’i Frantsa. Tamin’ny androny ihany koa ; no nisehoan’ilay ady nifanaovana 1 sy 1 na ny ( duel ) . Ny fisehoan’ilay aretina vaovao natao hoe ramanenjana, izay nahazo ny olona. Nikomy ny praiminisitra Rainivoninahitriniony sy ny tandapa, ka nokendaina lamba landy ny andriana satria tsy azo nalatsa-drà. Maty tamin’ny 12 May 1863, ary nalevina tao Ilafy. .Nanoa an-dRadama II , kosa ny Printsy Ramboasalama XIII voninahitra izay Officier de Palais . Nipoitra indray ny fikomiana ka novonoina avokoa ireo Menamaso sakaizany tsy foiny . Rainivoninahitriniony sy Rasoherina vadiny no tompon’antoka tamin’izany . Ny 15 Adaoro 1863 , no namonoana ny menamaso sy nampipoaka ny ady . *Ireo Menamaso Novonoina :(55) Randriamihamina , novonoina teo Faravohitra . Rasoamanankoa , niaraka tamin’ny ankiziny , novonoina teo Faravohitra ihany koa . Ralambobe , novonoina teo atsimon’ny Faravohitra . Ratsirahonana , izay Dekan’ny praiminisitra, novonoina teo ambadikin’ny tranon’i Jean Laborde etsy Andohalo . Ralaitsiry , novonoina tao Alasora . Rasoamiaramanana , novonoina tao Ambavahadimitafo . Ratsirahonana Rainilambo , novonoina teo an-tsenan’i Mahamasina atsimo . Ratahaka , novonoina tao andrefan’ny Soanierana . Randriampahita , novonoina tao Ankazonandriampianina . Nifona Rabodo na Rasoherina tamin’ireo iraky Rainivoninahitriniony dia Randriampenomanjaka XI voninahitra sy Rafaralahimboay XIV voninahitra , izay dekan’ny praiminisitra , mba tsy haripaka intsony ny Menamaso fa efa be ny maty , fa tsy laitra akisoka izy mirahalahy . Mba naniraka an-dRanibiby XV voninahitra sy Rainitsonga X voninahitra ary Ralaimanga IX voninahitra ; ny mpanjaka Radama II , mba handamina ny raharaha fa nandamoka avokoa . Maro ireo minisitra , izay menamaso sy ireo andriambaventy ary manamboninahitra ; izay namana akaiky an-dRadama II , no nialokaloka tao an-tranony ( Lapa ) nandositra ny famonoana . ( Na dia nanao ilay didim-panjakana hifandonana iray sy iray aza izy ) : Rainihazo ; Ranjamasaha ( Ranjomasaha ) Rakotovao izay andriandahy XII voninahitra ; Rainiketaka ; izay ministra menamaso ; Rabetsarazaka ; Razafindranando ; Rainikambanavelo ; Rabeantoandro ; Rakotovaondrabemila ; Rainimaitso ; Randriantsalama ; Ratoandro ; Rasakalava ; Ravoavy izay andriandahy ao anatin’ny dekan’ny praiministra ; Randriantseheno ; nisy ihany koa ireo Officier de palais madinika , teo ihany koa ny Tsaramiera sy ny Tsimandoalahy madinika . Ireo manamboninahitra ambony : Rainitotozy sy Ratompohana XV voninahitra , ary Rasoanianana XIV voninahitra ; saingy Ratsimandisa ihany no XII voninahitra ; Ireo andriambavy sy andriandahy vitsivitsy . Nantsoin’ny praiminisitra hivoaka tao an-dapa Rainimiadana XIII voninahitra , ka rehefa niera tamin’ny mpanjaka dia nalefany . Niditra tao an-dapa ny miaramila 200 Lahy , ka Rainimanito XII voninahitra sy Razafimandimby XIII voninahitra , izay andriandahy no lehibe , navoaka ireo menamaso ary ny mpanjaka mivady , nafindra tao amin’ny tranovola . *Ireo namono an-dRadama II : Rainibeso ; Rasoarahona ; Razafimandimby ; Ratsiharovana ; Ramiandravola ; Rangilobe ; Rafaralahibevary ; Rantanaina; Randriantsara ; Tsimandaimanana ; Tsimanjenitra ; Tsiandavana ; Tsimiededa ; Tsimijongy ; Itafita ; Ifehizato . *Ireo nampanjaka an-dRabodo ( Rasoherimanjaka ) : Rainivoninahitriniony ; izay praiminisitra , Rainingory , Rainilaiarivony , Raimaharavo , Rainijohary , Raimanonja , Rainizaka , Rainibeso , Rangilobe , Ravoninahitriniarivo , Rainimiadana . Niteraka alahelo tamin’ny ambanilanitra iny fikomiana , izay namonoana ny mpanjaka Radama II iny ka , nifandringana ny teto Imerina . Tao Imamo indray kosa dia nitomany ny vahoaka . Nirahina Rainibeso izay XV voninahitra ka namono olona 2300 , tany Imamo ( 1864 ) . Ny tao Vakinakaratra dia 100 no maty . Tamin’ny taona 1865 dia nisy zava-niseho tahaka izao : Nisy olona tena nitovy tamin’ilay mpanjaka Radama II, izay vao novonoina , Ramota no anarany ary zanak’olo-mianadahy izy Radama II . Izy no saika hampanjakaina ka niteraka ny savorovoro dia novonoina ihany koa . Ny taona 1864 , io ihany dia nifamono ihany koa Rainivoninahitriniony sy Rainjohary izay samy XIV voninahitra . Niafara tamin’ny fametrahana an-dRainivoninahitriony tsy handray ny toeran’ny praiministra izany ka nosoloina an-dRainilaiarivony , izay zandriny rahateo . Ny taona 1864 izany ny 14 Jolay . Izany dia vokatry ny fikomiana nataon’Andriatsalama sy Rainivoninahitriniony , Raberiaka sy Rataivoroko . *Nisy Fikomiana hafa indray : Iza no tena namono ny mpanjaka Radama II ?. ( Araka izay voatantara ao amin’ny tantaran’andriana ) Rasoarahona sy Rainibeso ary Ramiandravola no nahavita nitolona ny mpanjaka sy nanakenda azy tamin’ny lamba landy, satria tsy azo alatsan-drà ny andriana . Razafimandimby , kosa no namely diamanga ny handriny sy ny vaniany , ka naha afaka ny nifiny anankiray . Navoakan’izy ireo ny andriambavy vadin’ny mpanjaka Rabodozanakandriana ; ary Ratompohohana no namindra azy tao Tsarafahatra. Rainitotozy XV voninahitra , no niandry ny fatin-dRadama II, tao amin’ny Lapa izay namonoana azy . Nentina avy hatrany teny Ilafy (56) ny razana ; ary ireto ny miaramila manamboninahitra nitondra azy : Rainitotozy , Randrianavalona , Rainisampona ary Rabevilany . Niampy miaramila 20 Lahy sy Dekan’ny praiministra ; teny an-dàlana ; dia nihetsika Radama II, teo Ifaliarivo Ambanidia . Nantsoina ireo mpamono ka tonga indray Rainibeso sy ny namany nanampitra tanteraka ny ainy [13]. Tonga tao an-dapa tsy nahalala na inona na inona Raobelona XI voninahitra , Officier de palais , avy hatrany dia nafatotra. Ireo menamaso sy ny minisitra azo babo , kosa dia novonoina teo Isotry . Ny 18 Adaoro 1863 , Nanjaka Rabodo ary naka ny anaram-piandrianana ho : Rasoherimanjaka . Nentina tao Besakana ary Nobabena no fitondrana azy tao rehefa hiditra tao Manjakamiadana . Hoy Rafaramanjaka, mantsy ny andriambavy Rabodo : “ Ndriako namono ny zanak’olona, tsy maintsy hahita loza , na miadana aza ankehitriny izao aza ” ; dia hoy ny mpanjaka namaly azy : “ Ny hadalanao no anaovanao tahaka izany ; fa ny olona no namono azy fa tsy izaho ”. Nisy 32 ny olona novonoina tamin’izany . Ny taona 1864 , dia nitohy ny fikomiana sy ny filazana fa misy mitahiry any ho any Radama II, ary hampanjakana indray (57), ka olona 150 no nosamborina , kanjo Ratovohery irery no azony . Teo anelanelan’ny fanjakan-dRadama II sy Rasoherina , vadiny no nanafoanana ny fitsarana amin’ny tangena . Niverina ny tabataba herinandron’iny . Noroahana Rainivoninahitriniony ; Andriantsalama ; Raberiaka ; Ratsivoroko . Ny Printsy Rajoaka XIII voninahitra: Offier de palais no lehibe tao an-dapa . Raha ny tantara voasoratra , fa tsy lova-tsofina ; dia nahatratra 240.000 Ar, ny trosan’i Lambert ; vokatr’ilay fifanarahana na ny “ Charte Lambert ” ; ka ny vola : 114.012 Ar, dia avy amin’ny mpanjaka dia nampiana 112.432 Ar . Rehefa natambatra izany dia nahatratra 226.446 Ar ilay vola . *Faha Rasoherimanjaka : Niverina nikomy indray ny Sakalava sy ny Vonizongo, saingy tsy nahomby ka voalamina. Tsy nahazo nanao lalàna ho azy irery intsony ny mpanjaka, fa tsy maintsy iadian-kevitra, teo am-pelan-tananan’ny Praiminisitra avokoa ny fahefana rehetra na teto an-toerana na ny tany ivelany. Tsy dia nisy ihany koa ny raharaha nanahirana tamin’ny fitondrany. Ny taona 1864 dia naongana ny Praiminisitra, noho ny hasiahany diso tafahoatra izay nasahiany nikasi-tànana ny mpanjaka mihitsy. Nasandratra ho amin’izany toerana izany Rainilaiarivony , izay efa lehiben’ny Foloalindahy sady zandriny rahateo. Ny Praiminisitra teo aloha kosa dia natao sesitany. Nandoa onitra 1.200.000 Farantsa, tamin’i Frantsay ny Fitondrana Malagasy raha vao nandray ny asany ny Praiminisitra vaovao, noho ny nanafoanany ny fifanekena nifanaovany mpanjaka Radama II sy Lambert , Rainifiringa sy Rasatranabo , no Ambasadaoro nalefa tany Frantsa handoa ny onitra voalaza tery aloha izay notakian’ny Kompania Lambert. Tsy nahazo nividy tany teto , ny vahiny na iza na iza, ary lasa lalàna fototra teto Madagasikara izany. Olana anankiray ihany koa ny nahafaty tampoka ilay andriandahy iray nalaza atao hoe : Louvieres, iraka nalefan’ny Amperora Frantsay. Ny taona 1865 kosa no nisy fifanekem-pihavanana nataon’ny Fanjakana Malagasy sy Anglisy ary Amerikana. Nofoanana tamin’izany ny famarinana andevo. Io Cassas io , izay tsy iza fa : “ Commissaire du gouvernement francais et consul ”; izay nisolo an’ingahy Labord tamin’ny taona 1879 : no nanolotra ny misiona katolika ( Mompera Cazet ) ny faritry Andohalo , mba hanorenany Fiangonana . ] Sahirana Rasoherina teo amin’ny fanerena nataon’i Dupre, tamin’ny anaran’ny Emperora Napoleon III, momba an’ilay fifanekena. Nihahenjana andro aman’alina ny fifampiraharahan’ny Fanjakana Malagasy sy Frantsay. *Faha Ranavalona Faharoa : Nolavin’ny Praiminisitra Rainilaiarivony ny filazan’i Frantsa fa azy ny tany amin’ny ilany atsinanan’i Madagasikara. Fahadisoana lehibe hoy ny mpitantara vahiny ny nataon’ny Praiminisitra tamin’ny fitondrana Frantsay noho ny ady tamin’ny taona 1870 - 1871 ; izany ady izany mantsy dia noho ilay Frantsay iray nisy namono tao Fenoarivo. Maty 27 Desambra 1878 i Jean Laborde; Edouard Labarde sy Campan , izay zanak’anabaviny no voalaza fa mpandova azy .Telo taona talohan’izany kosa no maty i Cameron , izany hoe ny taona 1875 . Nanambara ary ny Praiminisitra fa an’ny Fanjakana Malagasy ny fananana navelan’Ingahy Jean Laborde teto Madagasikara, araka ny lalàna mifehy ny Firenena. Inona moa no naha maika ny Frantsay tamin’izany fa tsy filana valiny sy kisa ny azy no nataony. Niteraka fifanolanana tamin’ny Firenena roa tonta izany ka nahatonga ny disadisa ary nipoaka indray ny ady ny taona 1883, nanampy trotraka izany ny ady nataon’ny Fanjakana Malagasy ( Hova ) tamin’ny foko Sakalava . [ Marihana fa Firenena vitsy ihany no nankatoa ny Fanjakana Malagasy niainga teto amin’ny Fanjakana Hova ; dia ny Fitondrana Frantsay ] Izay hampitatra ny fahefany sy hananganana ny fanevany izay efa nomen-drizareo ny Frantsay, tamin’ny taona 1840. Niodina tamin’ny Fanjakana mantsy ry zareo Sakalava tao andrefana, nandefa tafika tany nampandry tany ny fitondrana Malagasy ny taona 1872 , saingy resy ny hova sy ny taona 1873, dia maro ny matin’ny tazo. Nihodina ihany koa ny Bara. Tonga tao Ivonea ( Fianarantsoa ) ny mpanjaka, faly ny Betsileo. - Ny Tantaran’andriana izay nosoratan’i Pere Callet , raha adika dia Copiste ( Mpandika ) sy Mpanamboatra ( Compulateur ) mihitsy . Ny Documents Historiques d’après les manuscrits Malagasy . Maty tao La réunion izy ny taona 1885 , rehefa voaraoka teto Madagasikara ny taona 1883. Andriamifidy Andriamanalimbetany Razanakombana XX Tetiaran’andriana Andriantsoly Tetiaran-dRadama *Faha Ranavalona III : [ Fanamarihana: Ny tena marina dia tena filana vaniny ho an’ny Malagasy ny nataon’ny Frantsa, ka na inona fanadiovan-tenany na inona mety ataony dia diso izy satria tena asa fampirohorohoana tokoa no nataony teto amintsika, tamin’ny fandrahonana fa tokony aloantsika ny onitra momba ny mpandova an’i Laborde ary ilay fifanekena tamin’i Lambert, izay azo heverina fa tsy fahadisoan-dRadama II, mihitsy fa amin’ny maha zaza azy, 12 taona mantsy izy raha tonga teto i Lambert ary 3 taona izy raha tonga teto ihany koa Laborde . Rariny sy hitsiny raha nihenjana Ranavalona I sy ny mpifikitra amin’ny nentin-drazana ary ireo mpanompo sampy , raha nanohitra ny vahiny tsy hiditra teto, tahaka an’Andrianampoinimerina tsy namela mihitsy ny vazaha hiakatra an’Imerina, efa tsinjony ny fandehan-javatra fa ny tsininy ho an’ny Mpanjaka Ranavalona reniny dia ny rà marina nalatsany. Efa nomena sy naloa ny onitra 10.000.000 Ia ho an’ny Frantsa, Vola izany. Tsinjony Praiministra Rainilaiarivony io teti-kady io ka nahatonga azy nandrirarira foana ny fanekena. Efa nananontanona ny Protectorat. Nisy ary ny fanekena hafa natao tamin’ny 17 Desambra 1885, izay namarana ny ady nifanaovantsika tamin’ireo mpanani-bohitra ireo. Atoa Patrimonio sy ny Amiral Miot no nanao ny tetika vaovao sy paik’ady nomena ny Praiministra. Io ilay fifanekena tsy nazava sy nanjavozavo izay tena nanala ny toeran’ny Mpanjaka Ranavalona III sy ny Praiministra Rainilaiarivony. Naverina indray ilay fifanekena satria tsy nazava ary ny tena marina dia nazava tamin’Ingahy Rainilaiarivony ilay izy fa nodiany fanina. Ny 09 Janoary 1886 , izy sy Ingahy Le Myre de Vilers , dia nifanandrina tanteraka momba ny hanaovana an’i Madagasikara ho tany momba an’i Frantsa. Fa nahoana tokoa moa ? In-telo Le Myre de Vilers no tonga teto ( 1886.1888.1894 ). Toy izao ilay fanekena mampieritreritra: « Le Gouvernement Francaise représentera Madagascar dans toutes relations extérieures…un Résident, représentant le Gouvernement de la République, presidera aux relation exterieures de Madagascar » Tsy nanaiky lembenana ny tao Manjakamiadana sy Andafiavaratra. Azy i Madagasikara ka nahoana moa ? , Nosy nomen’Andriamanitra ho azy. Nanana ny Fiandrianany sy ny maha izy azy ka nahoana no hampirohorohoan’i Frantsa amin’ny azy. Rafitra indray ny ady. Izay ho hitantsika amin’ny Toko manaraka.] Atoa Ravoninahitriniarivo « Diplomate et Officier Militaire » .Tsara ho marihina koa anefa fa tamin'ny taona 1890 dia nanapa-kevitra ny hanorina lapa lehibe amin'ny biriky i Ranavalona fahatelo, izay nomeny avy hatrany ny anarana hoe " Masoandro ". Noho ny fanafihan'ny Frantsay sy ny fanapotehany ny Fanjakana Merina anefa dia tsy tanteraka ny fikasana ka ny fototry ny trano sisa no hany mbola miangana ao amin'ny faritra atsimo-atsinanan'ny Rova. .Nividy basy 500 amin’ny kesika 50 isa sy ny kojakoja amin’ny 10 kesika , izay novidiana 10940 Ar tamin’ Atoa Pakenhan izay masoivoho Anglisy ny taona 1874 , ny Malagasy . Ny taona 1882 , dia nanampy basy 5000 indray ny Malagasy ka ny vidiny dia 7000 Ar ary Robinson , no nandray ny vola tamin’izany . .Ny Fanevam-pirenena , faha Radama I , Mena sy Fotsy ary tena mitovy tanteraka amin’ny saina Polska ( Poland ) na Polona ankehitriny . Lambert faha Radama II Rainandriamampandry Rasanjy Rainianjalahy Rainilaiarivony F. Ny Vanim-potoan’ny fanjanahantany F1 = Ny Fikasana haka an’ilay Nosy maitso : Teo anelanelan’ny taon-jato faha fito amby folo , no efa nihaodihaody teto amin’ity Nosy maitso ity ireto Firenena Eropena malaza ireto : Ny Frantsay sy ny Anglisy . ( 1644 - 1645 ) Ry zareo Anglisy no voasoratra fa efa nanandrana nanangana voanjo (58) sy mba hanorom-ponenana sy handraharaha hiasan’ny tany . Ny toerana nisafidian-drizareo ; dia tao Saint Augustin, saingy tsy nahavanona noho ny antony maro. Folo taon ataty aoriana , ny taona 1650 ; dia nanova famindra indray izy ireo , ka ny vondrom-barotra sy ny fampielezana ny filazantsara indray no nimasoany , ka tao Nosy-be indray izy ireo no namahatra . Io taona voalaza io no naharomotra ny minisitra Frantsay atao hoe, Colbert nohon’ny tsy fahatombanan’ny raharaha teto Madagasikara , ka nanangana ny “Compagnies des Indes Orientales ” , vaovao marobe tany Indes tany . Fa ny taona nialan’ingahy Flacourt , teto Madagasikara , dia nosoloina ny “ Compagnies de l’ile de Madagascar ” ny “ Société des indes Orientale et de Madagascar ”. Ity misy tantara mampihetsim-po , izay nitranga teto Dago ny taona 1663; satria nisy Pretra Lazarisita roalahy sy Malagasy , nanandrana nitory filazantsara ka ny hampiala ny Malagasy amin’ny fanompoan-tsampy no tanjony , kanjo fahafatesana no azon’izy ireo vokatr’izany , satria novoin’ireo tompon-tany noho izy ireo nikitikitika sy sahy loatra momba ny finoany . Ny taona 1665 , io ihany dia natao hoe : “ Ile Dauphin ” no anaran’ilay Nosy Maitso , Nosin’ny Malagasy . Zanatany , Zanatany tsy misy farany no masaka tao an-tsain’ny La Frantsa . Ny taona 1666 ary dia nandefa sambo mpiady 14 be izao ny Frantsay . Azonao an-tsaina ve ! Nosy mbola vitsy mponina , tsy manam-piadina akory kanefa dia nanafarana sambo mpiady 14 be izao . Feno miaramila 200 lahy , efa vonona hiady sy Voanjo 1000 be izao . Izy ireo dia niala tao La Rochelle , ny volana May ; ary Louis XIV , izay mpanjakany no naniraka azy ireo . Na dia niasa fatratra ary izy ireo tany amoron-tsiraka Madagasikara dia tsy nahasehaka ny Nosy manontolo akory izany . Tsy tanteraka indray noho izany ny hakana an’i Madagasikara ho zanatany . Namely mafy ny tazo ; tao ireo Malagasy niady hatramin’ny farany , ka nanao izay ho afaka niarovana ny taniny ; teo ihany koa ireo ady nifanandrinan’izy samy vazaha . Ny taona 1672 , no niverina tany Frantsa ilay Goverinora atao hoe, Marquis de Mondevergue , natao hifehy ny Nosy Maitso , vao tonga tany anefa dia ny tranomaizina no niandry azy tany , satria izay no fanapahan-kevitry Louis XIV , mpanjaka tany Frantsa . Maro ihany koa ireo voanjo izay matin’ny tazo mahery sy notapohan-tany ary ireo novonoin’ny tompon-tany ary y sasany aza lasa niverina nody tany aminy . Nisy akony teo amin’ny Frantsa izany , kanefa nandroso tsara ihany ny raharahany vokatrin’ny fizarazarana sy ny ady an-trano nahatsiravina niseho teto , ary nohararaotin’ny Frantsay izany . Tsy azo lazaina fa maro anefa ireo tany nomen’ireo mpanjaka tany amoron-tsiraka azy ireo fa vitsy ihany . Ny taona 1750 , izany hoe , 78 taona aty aoriana ( Taon-jato 18 ) no natolotrin’ny mpanjaka Bety ny Frantsay ny Nosy iray atao hoe , Sainte Marie sy ny helodranon’i Antogil , araka ny tolo-kevitr’ilay kaporaly Labigorne ; tamin’io mpanjakavavy Betsimisaraka io . Tsy izany ihany ; fa niseho lany tany Eropa tany ny ady nifanaovan-drizareo samy te hanjaka-tokana eran’izao tontolo izao , dia nisy tantara tsy hay adinoina fa tena nahakasika ny Malagasy iray manontolo ; dia ny tantaran’Ingahy Benyowski. Iza moa izy io ? Andriandahy Hongroia , izay voafonjan’ny Rosiana tany Kantchatka , no afaka tany tamin’ny fomba tsy hay hoe ahoana ; fa iza efa tonga tany Frantsa vao fantatra . Nandalo tao Parisy ary nitady lalana ho aty Madagasikara . Vao nigadona teto Madagasikara izy ; dia nitoetra sy nonina tao amin’ilay helodranon’i Antogil ; izay fantantsika tsara fa nomen’ilay mpanjakavavy Betsimisaraka Bety an’ny La Frantsa . Olona be herim-po raha Ingahy Benyowski , be fitiavana ary nahay nifaraka tamin’ireo tompon-tany tanteraka sy nanaja ny fomba amam-panao teo amin’io tanàna io ; ka tsy mba nanana olana izany ; fa niroso tsar any asa izay nampanaovin’ireo voanjo Frantsay . Nanamboatra Manda avo sy tsara tarehy ; izay nomeny anarana hoe : “ Louisbourg ” ho fanomezam-boninahitra an’i Louis XIV , izay nanolotra azy izao toeram-boninahitra sy fiadanana izao teto Madagasikara . Nisy niampanga tany Frantsa anefa izy satria nandany vola amin’ny tsy misy antony hono , ary ireo asa nataony dia tafahoatra loatra ny vola notakiana tamin’izany , ka voatery nandeha tany Frantsa mihintsy izy handaha-teny momba izany sy niaro ireo asa efa vitany sy mbola ho ataony ; kanjo tsy nahazo rariny intsony tany izy ka tsy nahazo niverina teto Madagasikara intsony .Rehefa tsy nahita rirany tany Frantsa izy dia nitodi-doha ho any Etazonia ; mba hitady vola hanatevenana ireo asa efa natombony teto Madagasikara . Vao tafaverina teto izy , dia nampiasa ireo vola azony ary notanterahany izay niriny hatrin’ny ela ; dia ny hanjaka tokana sy ho ambonin’ny mpanjaka ; ary nanandratra ny teniny ho Emperora . Tsy nahafaly an’ny Frantsa izany ; izay nahazo an’i Antogil ; ho fananany manokana ; fa tsy an’i Malagasy intsony . Izay ilay izy ka nahatonga ny Firenena Frantsay nandefa miaramila Frantsay hanafika azy ; izay niafara tamin’ny fahafatesany mihintsy izany . F2. Ny Fototry ny olana : Tsara aloha ny manamarika fa tsy kisendrasendra ny naha zanatany an’i Madagasikara , fa hevi-petsy sy fitiavan-tenan’ireo Firenena tany Eropa , izay nifaninana haka tany izay tsy azy akory . - Maty tamin’ny taona 1878 , i Jean Laborde . Izy no masoivoho Frantsay voalohany teto Madagasikara . Ny taona 1879 , kosa Atoa Cassas ; no nandimby azy ; ka nitondra ny anaram-boninahitra ho : “ Commissaire du gouvernement français et consul ”. Jean Labord , dia efa vahoaka frantsay , satria nomen’ny mpanjaka azy izany , ary nahazo sy nizaka izay Zo fanolotra ny teratany Malagasy Indrindra fa ny tany onenana sy hitoerana . Rehefa maty izy dia nitonona ho mpandova azy , Atoa Campan ; izay zana-drahalahiny . Tafiditra tamin’ny fiokoana hampanjaka an - dRadama II , anefa izy ka niverina ho vahoaka frantsay ary tsy nanan-jo hizaka ny fananana tany intsony . Aiza ilay tany nampifanolana ny mpandova sy ny fanjakana Malagasy . Tsy iza fa io tany misy ny fiangonana Katedraly EKAR etsy Andohalo io ; sy ilay tany eo ambanin’ny Lyçée Gallieni izay misy ny trano an’i Jean Labord ; ary ny faritra manodidina an’Ambohitsirohitra . Tsy mbola vita akory ny fifanarahana an-taratasy dia efa natolotry ny mpandova ny misionera Katolika ny tany ka nanorenan-drizareo io Katedraly io . - Ny taona 1882 ; indray dia ny raharaha Botry atao hoe ; Touélé ; izay tratra nivarotra basy tamin’ny vahoaka Malagasy . Nisy Arabo teratany frantsay novonoin’ireo teratany tao amin’ny fanjakan’i Bakary Bekirindro , tao amin’ny tanànan’i Marambitsy , misy ny Sakalava . Na ny fanjakana Malagasy nosoloin-dRavoninahitriniarivo minisitry ny raharam-bahiny sy Ingahy Meyer , izay masoivoho nisolo an’i Cassas ; dia tsy nahita vahaolana satria Ingahy Meyer ny azy , dia ny onitra ho an’ireo Arabo maty ireo nohon’ny fandikan-dàlana nataony teto Madagasikara no vahaolana ; fa ny an’ny Malagasy kosa dia ny rariny ihany ; saingy raha vao tonga
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/ry-ilay-olona-iny
Ry ilay olona iny
Rabarison Roberto Stephan
Ry ilay olona iny Izay angamba ilay lahatra Nifarana koa ilay tantara Isika alahatra fa tsy mpandahatra Dia mba mitsinjova ny any afara Nifarana ny dia Na dia lalim-paka ilay fitia, Dia nofaranana satria... Ianao tsy natokana ho ahy Fa efa an'iny olona iny Ka veloma aza manahy Fa tsy ho voafafa ny fahiny Ka tso-drano no atolotro Tso-drano no omeko Ilay teny avy amin'ny molotro Ny fandaozanao ekeko Misambara hoy aho Misambara an-tratrany any Fa na mafy ary izao Dia miangavy, aza mitomany Mahereza, atrakao ny loha Fa ny antsika tsy anjara Miangavy aho tiavo ilay taloha Mba tsy ho ratsy fiafara Dia misambara ry ilay olona iny Fa izaho anie ka tsy nitoetra , Fa mpandalo, mpivahiny Ny androko voafetra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotobe-sombiniaina/skoto-indray-andro-skoto-mandrakizay
Skoto indray andro, Skoto mandrakizay
Rakotobe Sombiniaina
Skoto indray andro, Skoto mandrakizay Tsy toy izao aho raha tsy nandalo Skoto Nampianatra sy namolavola ahy ho mpankato sy mazoto Tokanteny ary tsy miovaova izay nifanekena Manaja olona satria izany no tena fahendrena Vonona sy hanasoa ireo namana Satria izany no maha havan'ny olona rehetra anay Lasa nahay sy nisedra ny adim-piainana mivatravatra Sady mihira sy mitsiky raha sedra ny sarotra Izahay Skoto dia tsy iza fa miaramila sy vavolombelon'i Tompo Jesoa Vonona hatrany hanantanteraka ny asany sady hanao ny soa tokoa Mbola maro anefa ireo mbola hosedraina fa fantatray Ka noho izany Skoto indray andro, Skoto mandrakizay izahay. Sombiniaina RKT
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/ivelany-lasako
Ivela'ny lasako
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Tsy fihetsika intsony rahampitso no asehoko, Hanambarako izay mierin'ny foko, Na irony lasa tsy foiko ho kosehiko, Na ireo tomany sy sento, toloko. Fa rahona kely mba hanalokaloka, Misy salovana dindon'ny lasako, Eny ny sariko ho hitanao aloka rehefa tafiala any anatin'ny fasako. Tsy soratra intsony no atolotro anao, Raha misy ny mafy izay mety tsy ho zakako, Tsy ranomaso no asehoko anao am(in'n)y fatotra mafy hampahory ny vatako. Fa erika kely mba handrotsirotsy, Sy hanampy anao hanadino ny lasa, Eny ho alefako any anatin'ny nofy, Ireo mafy niarahana tsy ho voafafa. Tsy ho hitanao tsony ny endriko faly sy ny tsikitsiky fahita amin'ny tavako, Na ny vatako sambatra avy narary, Na ireo kalokalo mpiloatra amin'ny vavako. Fa tara-bolana kely no alefako ho solon'ny tsikiko mba hamangy anao. Ho solon'ny deran'ny milotra amin'ny lelako ny taratry ny alina avelako ho anao. Ireny rehetra izay akon'ny fiainako, Ny koran'ny fahazazako fahiny, Ny fahatanorana namehy ny fisainako, Ny fetran'ny orako ankehitriny. Ny pejy mirakitra ireny tantarako, Foiko avokoa mba atolotro anao. Izao no mba tanjoko sady hanafarako : tohizo ireo tsara ''navelako ho anao''
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/farany
Farany
honenantsoa
Efa tsy nofy ratsy ilay mpandrakotra ny alina haizim-pito, No iainan'ihalahy fa iny no nanatitra hifoha; Ka niposaka mibalika teo ny hazavana. Raha mijery ny hasarotan'ny halavirana iny ialahy Tsy nidongy ny ho tantanana, tsy nahatoky namana, Fa iny lalana iny novitain'ialahy irery hatrany. Eny !...efa tsy ho solafaka intsony Satria!tsy hizotra hifantonka fafinaretan'ny tany, Efa tsy hahare reraka fa nahasedra ireo Enta- mavesatra ka tody FARANY ilay hoe fahasambarana...!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/satria-nahoana
SATRIA NAHOANA ?
NY Andri-Fara
SATRIA NAHOANA ? Norantsanana ilay hazo nidoroboka Nokapaina ,novonoina…, tsy nataina . Navela fotsiny eo , ho lo tsy mba nampiasaina ; Ny mpandalo aza moa indrisy fa tsy te ahalala . Kanjo …, indro tsy nampoizina Nitsimoka ilay hazo norantsanana , Nisandrahaka namony mavokely feno rantsana ; Nahafinaritra ny maso hoan’ireo nitazana . Dia tonga indray ilay mpandrantsana Tsy nahoana akory , izato rantsana namelana ; Avy hatrany nokapaina sy nadaboka ! Fa manalokaloka ny hafa angamba . Satria nahoana …vao nijoro dia sakanana ? Izany ve no lalàna tsy maintsy diavina ! Tsy ho kivy aho satria…, na sarotra ny dia ; Ny tanjona tratrarina , mbola maro no tsy vita . Feno antso hafahafa manelingelina Fahitana tsy voafaritra hanimba ny finoana , Fijoroana fahasahiana ho an’ny fanompoana ; Izany no ilaina raha te ahita vokatra . Aoka izay ny vava tsy ambina , nafafy am-pamoloana Aoka izay ny tendrom-po , fa anao koa ny Fiangonana. Aoka hazoto hitana ny firaisana , ho fehim-pihavanana ; Aoka ny fontsika hanaiky …, mba ho iray ny Finoana . Ampandrianomby tamin’ny 08 Ora maraina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ialao
IALAO
Fredy Jaofera
IALAO Rehefa ela, tsy manan-jo ny jaly ka ialao ; aza avela ny ratram-po hanimba anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/soraty
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/ise-kay-maty-3
Ise kay maty 3
DotMG
E r'ilay fahavaloko, fifanasako vangy Andeha tsy hiady intsony, fa mba hisangisangy Dieny mbola velona, andao re hifamangy Anio no hifamela, fa tsy hiandry rehefa dangy. Tsy maintsy hihaona mantsy, fa vorona an-garaba Toa voanjo indray manendy ao am-bilany saba Ka rehefa mifanena, andao hifampiarahaba Hifanao teny mora, tsy misy tabataba. Jereo ireto isika: mitonona ho mpivavaka Raha tonga ny alahady, baiboly no firavaka Tazanin'olon-kafa: toa masina sy miavaka; Ny lolom-po anefa: aretina mandavaka. Aleo izaho no hanomboka hangata-pamelàna Ifonako aminao, izay rehetra fahotàna. Ny foko efa nodioviko, ka sanatria hitàna Izay mety ho alahelo na koa fankahalàna. Tsy hisy hotanisaiko ireo fihetsikao nafaitra. Ny teny naharary, nanindrona tsy laitra : Foanako ato an-tsaiko, ataoko tsy hahataitra, Hovaiko ny fijery; fafàko ny solaitra! Pejy iray vaovao no tiako havaditsika Fa efa tena ampy, ny gidra sy ady alika Ny ho avy no himasoana, ka andeha ny politika (ho)Soloina revy manja, dia kalo sy mozika. Alaivo sary an-tsaina, isika hifamela, Ho toy ny mpisakaiza nifankahalala ela Hanaiky hifankatia, hamadika takela Ka tena hiova marina, tsy hivadibadi-dela. Hitondra ho aiza mantsy izay lolom-po tsy maty, sy ny avonavon-kevitra kobonina ao anaty? Ho zary lasa poizina handrotika ny aty! Tsy hoe mampandry andrisa aho, mambosy anao hatory Kanefa hamely am-pitaka sy mbola hampahory Ny mbola hifanditra, dia tsy ao an-tsaiko akory Ka halalaho ny saina, ny fanahiana esory! Izao no hany hafatra sy tiana hahatongavana: Dieny samy velona no tsara isika hihavana. Tsy hoe rehefa maty aho vao hanehoam-pitiavana Fa andrao ireo ratsy vita no hanjary hifanodiavana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/iray-sy-ireny
(I)ray sy (I)reny
honenantsoa
Fa ireo anatra tsy avela ho rano raraka an-tany Fa ireny fanilo mitaratra ny soa, Ny nahitana masoandro no lakana nitana,fady hitsipahan-doha IRay nibedibedi-teny toa makarary Fa hay fitiavana ho toha Ny rotsa-kazo ihany koa fananarany Fanitsiana mba ho olom-banona tokoa Izy IReny nihafy ny hirifiry nigoka rano tsy tiana nanome aina mba ho any sombiniainy tiany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/ampianaro
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/honenantsoa/lalana
Lalana
honenantsoa
Lalana nodiaviko Feno zavona ka sarom-patarina, Diako nalama maina saron-dinganina, Fa tsy maintsy nizotra na maro ireo sakana, Ho tonga amin'ny tanjona tiana tratrarina. Ny Ray ao ambony no tondroatrika nitondra namily, Indrindra fa ireny sampanana sy lavaka tsy hita firifiry; Soa fa nohitsiny! Izy fanilo sy hery nanohana Efa nametraka ny kintana ho fahazavana Firavahan'ny haizina ho ahy; Nahatofoka ireo fahavalo nikasa ny andavo ahy. Raha ny lalako tsy takatrin' ny faly manakiana Ka andeha amin'ny heviny tiany, Lalan-tsarotra sy ny dezaka Fahombiazako ny tanjoko tsy voatokana ho an'ny ireny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/teo-am-bava
TEO AM-BAVA
Fredy Jaofera
TEO AM-BAVA Raha rava ny toky lavareny sy mafy ny nanjo, teo am-bava ianao dia reny fa tsy tao am-po.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/efitry-ny-foko
EFITRY NY FOKO
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Voleko voninkazo ny efitry ny foko Hahatamana anao, rehefa ianao mandalo Ovaiko tsikitsiky ireo endrika toloko Hataoko mahaliana ny hira sy ny kalo Hiezaka aho hanagona zava-tsoa sy mamy Hifampizaratsika sy harosoko ho anao Dia ho tsapanao fa mitombo hatrany hatrany Ilay fitia ampo avelako ho anao Asiako fefy mafy tsy hidiran'olonkafa Ilay efitra natokako, hampiantranoana anao D'ianao d'ianao irery tsy misy mahafafa No honina amin'ny foko navelako ho anao Eo anivony eo kosa no harehatro Ilay afon'ny fitia natokako ho anao Eo ilay endrikao, eo ianao no hatrehako Sady hilazako fa tena tiako ianao Sedraiko anaty memy ny fo hitia anao Sedraiko mba ho mafy hahazaka izay midona Mba ho fitia mafonja no havelako ho anao Dia ny fitia rehetra avy ao ampon'i Anja.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-fahazazako
NY FAHAZAZAKO
LAVENONA
NY FAHAZAZAKO Raha mahita ireto ankizy Mikarenjy izay tsy izy Izato tenako amkehitriny Dia mahatsiaro ny fahiny Tamin’ny androm-pahazazana Dia ilay ……,nilazana hoe Miana-desona ao an-trano Fa tsy mahazo mivoaboaka Nefa avy hatrany dia mivoaka Raha vao tonga any maraina Hanao kanety no ao an-tsaina Miaraka amin’ireo ankizy Tsy hainay fa hoe krizy anie.. Ny firenena tamin’izany Fa ny anay ny hilalao ihany Izay no masaka ao an-doha Fa mbola vao maneno akoho Dia tsy handry izay andehanana Hahitana ireo namana Mpitifi-borona mafana fo Amin’izato pataloha Efa mila tsy ho zaka Feno fingotra sy baka* Dia lasa izahay mandeha mihaza Na dia fody iray monja aza No mba azonay avy any Dia natono avy hatrany Izay ilay fiainana taloha Tsy adino ihany koa Ireo fiara atao kapoaka Fa na fiaravao nivoaka aza Vitanay dika mitovy Kely izahay nefa tsarovy Fa mba nahavita tena tsara Dia nangaina teo ny fiara Kilalaon’ireo sinoa Fa vitanay Tanana avokoa Izao kilalao rehetra izao Dia mamindra amin-joto Izato tongotra maloto Sy Tanana nilalao vovoka Tsy heno intsony ny hanoanana Masoandro mody vao faranana Ny fiarahana mafana Mamy sady mahatamana Toa satrinay tsy hifandao Fa mbola hiaraka hilalao Nony hariva dia voadaroka Ny hany hery dia mikaroka Valiteny hiarova-tena Mipitrapitra mahonena Raha toa bedesina sy anarina Dia izay no tena zava-marina Toa lasa saina izaho mazana Hoe:” ditra ve sa hadalana Ny zava-bitako fahiny” Raha toa tsy misy tsiny ,dia… Valio izato tenako Ny valiteninao no hitenenako Ireto ankizy milalao Mba tsy hanovany ny vitako! Baka=(hazo misampana roa asiana fingotra entina mitifi-borona)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tsingerintaonako
TSINGERINTAONAKO
LAVENONA
TSINGERINTAONAKO Isaorako ny Ray fa… Nampitomboiny indray Ny taonako eto an-tany Mitsingerina izy androny Ka faly ery ny foko Fa… Efa samy mba nandoko Ny lanitry ny lasako Ireo alahelo,fijaliana Ny sento sy ny fahoriana Ny hafaliana izay nitranga Ka mbetika izy manga …..,mbetika izy mainty Nefa ireny dia tsy maintsy Nolalovako sy niainako Mba hanefy ny fisainako Ho tonga olom-banona Ho sahy sy tena vonona Hiatrika ny ho avy, Dia…..isaorako ny Avo Satria, Tsy tamin’ny herin-tsina No mahatonga ahy ho velon’aina Fa noho ny fandaharany Ka….hasandratro ny Anarany!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tefeonao
TEFEONAO
AORN
Tefeonao izany foko, aza avela hankahala Ampianaro hahay manaiky sy handefitra ihany koa Aoreno ao anaty, tano mafy tsy hanala Lay fitia tsy manam-petra… fa hikatsaka ny soa Amboary izany saiko, mba hanaraka ‘zay mety Ho Tolon-tsaina avy aminao, hanitsiana izany diako Aza avela hivilivily, ka hanao zay hevi-petsy Haminganana ny hafa, ho zary lasa fifaliako Arindrao ny fikasako, mba ho amy tsara hatrany Ka tsy hikatsaka intsony ny ho an’ny tena tsy hita faritra Dia zarao ho an’ny hafa zay mety ho anjarako androany Hisitrahany ihany koa, ny hasambarana maharitra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ho-ani-neny
HO AN’I NENY
LAVENONA
HO AN’I NENY Misaotra anao ry Neny a! Nampianatra ahy namindra Sy nampianatra ahy niteny Ary koa indrindra indrindra Tsy sasatra namefy Sy nananatra ahy ombieny Neny o!.......tsy ho lefy Ireny vitanao ireny! Ireo dian-drotsakazonao Izay nokapohana ahy fahiny Tsy voafafa hatramin’izao fa… Niova endrika ankehitriny Zary lasa toy ny vatsy Sy fitaovam-piadiana Handreseko ireo ratsy sy Rehefa sendra fahoriana Ny vavanao izay nila ho tataka Noho ny fibedesana ahy Ka ankehitriny aho diangataka Neny o! mamela izay vita izay, fa…toa tsaroako hatramin’izao ianao miteny ahy mifokofoko tsy very akory ireny izao fa.. ho raiketiko ato am-poko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/durman/tsikitsiky
TSIKITSIKY
Durman
TSIKITSIKY, NA FALY,NA MALAHELO AHO DIA EO FOANA ILAY TSIKY SATRIA IZY MANEHO NY ENDRUKA HARAVOANA REHEFA HITAN'OLONA MITOKIKY NEFA AMBADIK'IZANY METY HO: FASAHIRANANA,HAKIVIANA FA AFENIKO AMIN'NY HAFALIANA TENA HOE! MANOVA ENDRIKA AN'OLONAN-DREHETRA IZIO ARY METY VOAFITAKA IANAO RAHA TSY MAHALALA AN'IO SATRIA MANKO,TSY IZAY REHETRA MITSIKY DIA RAVO NA KOA HOE FALY FA MISY NY HAFA ZAO D'MITSIKY FOANA NA EO AZA NY JALY NY VIDIM-PIAINANA ANIE EFA MIAKATRA EH! DIA IZAY MITSIKY HONO TSARA TARE EH! IZANY INDRINDRA MAHATONGA ANAY MIMEHY MBA MANIRY LAVA ANDRO IAINANA TAHAK'NY ZOKY BE NY FASAROTAM-PIAINANA KOA DIA MANAO NY ATAONY BEDIABE MIPOPAKA SY MANONTANY HOE''efa izao mihitsy ve no ataony?'' SOA FA TEO ILAY FITIAVAKO,AN'ILAY TSIKITSIKY ZAY MAHATSOTSOTRA KELY NY FIAINAKO, TSY MBOLA NAMITAKA AHY KA ATAOKO AMIN'ANDROM-PIAINAKO MISAOTRA ANAREO IZAY MBA TIA AN'ILAY'' TSIKITSIKY'' HO LAVA ANDRO IAINANA ANIE IANAO RY BE TSIKY MIRARY VOLA SY FASALAMANA HO ANAO EH! ANDRIAMANITRA HOMBANAO SY NY FIANAKAVIANAO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/andrasako
Andrasako
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Soratako ho anao ity tononkalo ity Omeko tsy atakalo amin'ny foko manontolo Hanamporofoiko fa vao ato ilay fitia Natokako ho anao, tsy misy mahasolo Taona vitsivitsy, izay no efa lasa Namelanao ahy hiandry lalandava Nefa ilay ampoko tsy akory hoe voafafa Fa mbola velona ato, ambarako mazava Ka na tsy fitoviana, ekeko izaho ambany Na ny elanelan-tany, na ny elanelan-taona Dia tsy hahavono fa hiredareda hatrany Ianao ilay samirery, Ianao ilay tiako foana Ka na tsy tia ianao, na koa hankahala Andrasako eny foana f' inoako indray andro any Ho maminao ny miaina, antsoiko hoe malala Fa na tsilo, na koa bozaka, na fehim-bonikazo No atolotrao, ho setrin' ny fitiavako Dia ho karakaraiko, tsy havelako halazo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-fahafatesana
NY FAHAFATESANA
LAVENONA
NY FAHAFATESANA Ny fahafatesana tsy mba miera Fa tonga dia maka avy hatrany Mantsy raha tonga ny lera Dia tsy maintsy mandao ny tany Mba satriko ho velona fona Ilay Renibe tiako loatra Fa indrisy…! Izao no fotoana Izay tsy maintsy hifindrany any ankoatra Ka…tononkalo no fara-veloma Tsy mba raozy na koa voninkazo Teny farany ataoko etoana Fa ity no tsy mety malazo Ny fo malahelo ,misaona Ka mitroatra tsy azo sakanana Any an-danitra indray no mihaina,dia… Veloma! Mandria am-piadanana….!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/veloma-30-avelako-ho-anao
Veloma 3.0 ''avelako ho anao''
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Tsy tanana ahofa na satroka akofaka, No endri-beloma atolotro anao; Fa ny ela-panahiko mikopakopaka, Dia efa tso-drano havelako ho anao. Raha misy fotoana indray andro any, Rehefa mahatsiaro ny lasako ianao, Mba mitsikia re fa aza tomany Fa fo falifaly no avelako ho anao. Ireo ratsy rehetra lavenon'ny lasako, Ampiaraho amin'ny nofoko ho rava sy lò, Aleo ireny hitambatra ho anisan'ny fasako, Ho levona mandrakizay tsy hifoha. Ireo mamy rehetra nifampizarana, Ny tsara mba vitako rehetra ho anao, Fenoy mba tsy ho hita izay fahabangana, Sy tsiro vaovao izay n'havelako ho anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fenoy-mozika
FENOY MOZIKA
Fredy Jaofera
FENOY MOZIKA Ny aborako eto ombieny ho fahasoavana, na indro ianao fa moana, rehefa tsy ampy ny teny hilazana fituavana, fenoy mozika ny fotoana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/malahelo-ny-any
Malahelo ny any
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Raha misy fahanginana ! Misento samirery ilay olon-tia anao, Mamisavisa irery ireo toerana sy Ora Nihaonan-tsika farany, fa mahatsiaro anao Any lavitra any, ka tsapako ho tsy mora Ny mandany ny Ora iray Miadana fisosa tsy eo anilanao, Ka mampanganohano ny foko mbola tia mirediredy foana; milaza ho tia anao! Ka mampivondron-drahona ny lanitro aty, Ka indro mampijaly, Ny ora izay mandalo sy tsy voarafitra isa mangiana dia mangiana, toa akon'ny tomany, 'ty singan'irery toa resimbisavisa ka indro fa misento fa malahelo ny any.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/manina-ny-any
MANINA NY ANY!
LAVENONA
MANINA NY ANY! Ireo masoko ireo…… Raha toa latsa-dranomaso Dia tsy vokatry ny ankaso Ka koa zava-mahaory Tsia!..tsy izany akory Fa mba ditsoky ny vovoky ny Hanina ny taniko Mihitsy tsy hafeniko Tsy tiako hikoroso Fa mba satriko handroso Ilay tany fihaviako Mantsy izay no tena tiako! Ireo masoko ireo Matoa manganohano Dia mamon’ny hanohanon’ Ny lavi-tanindrazana Gasikara tsy mba tazana Tsy afaka tsidihina Fa ny tiako ho marihina Dia teny tsotra ihany: Mahantra ianao androany Nefa kosa mahandrasa Fa hivadika ny rasa ao aoriana kely ao azo inoana fa ianao Dia ho firenena miavaka Ka hiala ao an-davaky ny Kizom-pahantrana Izay no faniriko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ho-ani-zoky
HO AN’I ZOKY!
LAVENONA
HO AN’I ZOKY! Izany raZoky ny fiainana eto a! Teren’ny vola ka dia miasa foana Lavitra havana aloha isika hatreto Ka nefa tsarovy fa mbola hiaona Ilaozan’i Zoky ny vady aman;janaka Noho ny asa izay efa mahazatra Atao sanatria ny hitaraina hoe lanaka Na ino-kidona na ino-kihatra Na ora-mikija na koa hain’andro Hiaretana hatrany tsy maintsy sedraina Izany no iainan’i Zoky isan’andro Ekema fa mafy ka nefa zakaina Mbetika i Zoky no miampita lakana Anaty ora maro ,fotoana maharitra Nefa izany aza ataonao ho sakana Lehilahy ny tena ka aoka hiaritra! Mitety tanàna sy faritra maro Mamaky ny ala,tsy mba mitaraina Sarotra izany kanefa fantaro Fa mbola hody ventiny ny rano natsakaina!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/na-teo
NA TEO...
Fredy Jaofera
NA TEO... Na teo ny fotoana tsy nitsaha-nanasa ny jaly nahavalalanina, manaraka foana ny vesatry ny lasa tsy mety hamaivanina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/mibebaha-dieny-izao0
MIBEBAHA DIENY IZAO!
LAVENONA
MIBEBAHA DIENY IZAO! Tsy misy mahavidy ny andro iainany Ny olon-drehetra miaina eto an-tany Fa tapitra sy vita hatreo ny fiainany Rehefa mipaika ilay ora fialana Tsy misy mahavidy ny lanitra koa Izay mandao ny tany ka zary fanahy Nefa samy maniry ny ho any avokoa Ny olon-drehetra amin’izay andro izay Tsy misy mahalala ny andro hahafatesany Raha toa mbola manana nofo sy rà satria ny harena dia tsy azo hatrefesana heo…. “hatraiza ny fetra izay tokony ho ahy?” Ka aza miandry ny andro ho ampitso! Vao hiova famindra sy hiala amin’ny ratsy Izao no fotoana fa tsy rahampitso Mba tsy hanenina ianao atsy ho atsy Mibebeha dieny izao,fa aza variana! Variana miliba amin’izao fiainana izao Mivavaha dieny izao,ndrao tratra aoriana! Raha tonga any ora dia” HO AIZA IANAO?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/b.-ravaka/asus-mafy
Ady mafy
Bob Ramanamiravaka
ADY MAFY Raha tojo ady mafy ianao Dia aza atao ny mamoy fo Fa hevero aloha ny lalanao Sao tsy sitrak’i Jesoa Raha ianao no sendra fahoriana Dia aza adino ny mivavaka Fa ao ianao no hahita hafaliana Satria ny Tompo tsy manavaka Raha toa ny fiainanao no feno alahelo Dia aza kivy fa mitrakà ihany Fa sao ianao ho lasa anaty elo Ka ho feno fahoriana sesilany Fa raha ianao sendra fanalam-baraka Dia i Jesoa no ataovy ao an-tsaina Fa izy no afaka hampitraka An’ireo rehetra izay mitaraina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/misaotra
Misaotra
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Misaotra Misaotra anao nanaiky ho misin'ny tantarako, Misaotra anao nanolotra ny toky tamin'ireny, F'izaho no hanafarako, Ataoko tsotra kely, Tsy adinoko ny tsiro izay natolotrao, Ireo sary nofinofy napetrakao ampoko, Ny soa navelanao, Isaorako tsy foiko! Misaotra anao ho felana nandravaka ny akaniko, Misaotra anao nandrehitra ilay afon'ny fitiavako, Izay tsiro tena mamiko Natolotrao rahavako, Nasianao vatofantsika hiorim-paka fatratra Hiorina ao am-poko, ilay fo anatinao, Ekeko ho tonga lafatra Ilay fitiavanao. Na tsy eto intsony ianao dia tsy ho adino velively, Ireo soa natolotrao, ireo dia-tsika mamy, Manahaka tantely Sy lavitra tomany, Eny ankehitriny dia mbola hitsikiako, Ny mahatsiaro anao, na dia efa lasana, Dia raiso akia ity lisiko Apetrako eto ampasana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra%C3%AF-tsitoh-mikalo/ramose-mpampianatra
Ramose mpampianatra
Raï Tsitoh Mi'kalo
Misy ramose tena mahafinaritra ahy Ao koa ireo na hanontany azy aho tsy sahy Ao ny tsotra sy be hanihany fa ao koa ilay olona mampitomany Toa an'i Ramise "Frederic" Mitazona ny taranja siantifika Miaraka aminy aloha dia tena manala azy fa ny tsy hitiavako azy, izy tia manasazy Ao i "m'se Elvis" Izay mitarika ny taranja anglisy Ny miaraka amin'ny aloha dia tena hoe "good" N'iza n'iza tonga eo lasa tsy tafody Mbola ao ihany koa i ramose "Anay" Mpampianatra taranja malagasy sy frantsay Izy aloha dia rangahy tsotra sy be indra fo Olona tena enjana tokoa Mba iza ary ilay mpampianatra anareo? Ny mahita azy efa mankaleo Sady masiaka no tsy azo hifandaharana Ao mba samy mitonona ny isam-baravarana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/raozy-mena
raozy mena
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
RAOZY MENA Ho anao malala no mbola hanoratako Satria raha tsy eo ianao, tsy nisy ny hasambarako Ho anao irery, izao tononkalo izao Solon- draozy mena, hatolotro ho anao Toa tsy haiko intsony ny hilaza ilay fitiavako Feno loatra anao, ny foko re rahavako Feno ny hasambarako, rehefa ianao anilako Sy ny anaranao no any an-tononkirako Ity ny tononkaloko, hanamafisako orina Ireo diana efa natao, sy 'reo izay vao haorina Sady ho fehizoron' ny fiainantsika ho avy Iray tsy hadinoina amin'ny andro mariazy Ireo zava-boary ireo, atrehatsika izao Ireo vavolombelona fa, tiako loatra ianao Ka amin' ny fo madio, mba raiso sombiniaina Indro omeko anao, ny solondraozy mena
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-tena-namana
NY TENA NAMANA
LAVENONA
NY TENA NAMANA Ny tena namana tsy mifanary Na inona na inona zava-tsedraina Mifameno toa rano sy vary Iray vatsy sy iray aina Ka raha misy ny ady lalovana Eo ny namana hifampizarana na dia mafy sy mahatorovana,aza Zary maivana mora vahana Ny tena namana tsy hamela irery Raha sendra ny andro manjombona Mampitraka ary koa mampahery Ny fahoriana iaraha-miombona Ny finamanana eo ihany ,fa indrindra Ny fanampiana dia tsy latsa-danja Toy tongotra miara-mamindra Sy ny soroka miara-milanja Izany no tena namana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/arahabaina-ianareo
ARAHABAINA IANAREO
LAVENONA
ARAHABAINA IANAREO!! (08 martsa) Izaho aloha tsy vehivavy ka tsy haiko hoe "inona avy ?" raha ny sedran'izy ireo e ! Fa raha araka ny feo ? Dia mizaka hirifiry... sy adin-tsaina mankadiry amin'ny fiainana izy ireny... izay vao azo atao hoe Reny ! Dia...mijaly sy miafy sy misedra ady mafy, mitondra kibo sivy volana ! Nefa tsy ataony olana izany rehetra izany Fa ny sainy dia mahery ! Miankin-drindrina irery... misotro izay tsy tiany fa raha toa ilay faniriny hoe hahazo sombin'aina dia milamina ny sainy. Fa ny ahy dia izao ihany: izaho tsy tonga teto an-tany raha tsy noho izy ireo Koa ARAHABAINA IANAREO Nahatratra ny andro androany!!!!!!!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/toky-omeny-anao
TOKY OMENY ANAO
LAVENONA
TOKY OMENY ANAO Raha iny volana iny no.... azonao alaina akaiky Dia izay aho vao manaiky Fa ianao no tena enjana Ny ankoatrizay dia v'enjana* Ireo izay sahy miteny fa ho alainy sy omeny ary hatolony ny tiany raha iny volana iny! Fotsiny io mba toky dia toy ireny boky izay...tsara ivelany ihany Fa ny any anatiny any? Tsy azonao tombanana Ilaina ianao mamaky ny tena andinindininy Mihitsy mety hadinony ny teniny fahiny hoe: " ho atolony ho anao raha iny volana iny" Any aoriana any !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-mpivavaka
TANDREMO RANABAVY
LAVENONA
TANDREMO RANABAVY Io fitia io ranabavy ,dia… Tsy mba kilalao a! Mba tsy hahasimba ny ho avy Dia ….ajanony dieny izao Raha toa tsy mbola vonona Hitondra tokantrano Sao ianao hahita angano Fa io dia lala-mikodàna Izay alehan’ny tanora Nefa kosa dia malama Ka mandehana moramora Ndao ho potraka eny an-dalana Vato be no ho lolohavina Ka omany tsara ny halana Mantsy ianao tsy mety fay Fa io anie ka toy ny afo e ! Izay mambomba azy no may Tandremo sao vidina lafo Ny toetra tsy voatandrina Anabavikonianao ka…. Tsy maintsy aho mampitandrina Ity anadahinao….. Na dia mbola tsy amin’izany Sy toka-tena hatramin’izao Dia mba mahalala ihany hoe.. Ny FITIA dia saro-pady Tsy kilalao fa sarobidy Koa tandremo ranabavy a !!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-teny
NY TENY
LAVENONA
NY TENY Tsy amin-ditra re razandry a! Tsy amin-kery na koa sandry ny fitaovam-piadiako Tsy mba basy tsara fahana Na koa antsy ampiarahana Amin’ny lefona maranitra Tsotra ihany ny ahy no ilaiko Ny fitaovana ampiasaiko Tsy famaky na angady Fa dia teny iray monja Manan-danja sy mafonja Izay no entiko miady Aoka ho fantatrao raZandry fa Ny sandry tsy mikaonty rehefa voa izay ny saina Na dia bokon’ozatra aza Raha mahery no tsy maody Mety hanaraka ny aina Fa ny tenintsika mantsy Dia manoatra noho ny antsy Ka mety hitera-doza be Sy manindrona ao anaty Ary mety mahafaty raha toa tsy voafehy Etsy andaniny anefa Fanafody tsara indrindra io Ho an’ireo izay kivy fo Tsy ilana dokotera Fa ny teny tsara rindra No mampitraka indray ny loha Koa tandremo re raZandry a! Saino tsara izay lazaina! Fa io no basy entintsika Mantsy isika no antenaina Mba hanao ireo tsy vita fa…… Isika olona misaina!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/eto-foana-i-dada0
ETO FOANA I DADA
LAVENONA
ETO FOANA I DADA ! Tsy verivery foana raha ny ezaka ry zanako ! tsy ho very maina raha ny fikirizantsika ! Ho teniko eny foana fa raha toa ka mbola ananako... ny fahaveloman'aina, dia tsy maintsy ianao tafita ! Izay atao an-tsaina ! Dia aza mitaraina...raha tsy eo intsony i Neny! Fa Dada mbola velona sy vonona hitady ! Kamboty ianao kanefa ,averiko ombieny hoe... Eto foana i Dada an ! Eto izaho hiady! Eto izaho hiafy...sy vonona hitolona ! Hanafy anao mianjaika,na aza aho rovi-damba ! Eto i Dada hiaritra izay mety ho vavan'olona... Afatsy hoe mandao an'ity tany ity angamba ? Fa eto foana Dada...! hikarakara hatrany, ka sady lahy no vavy ! Mandeha mipopopopo...mitady dokotera rehefa sendra aretina ka iny ianao manavy Sy vonona hanarina raha sendra ianao mianjera ! Eto foana i Dada...ho reharehanao ! Mirary anao tafita sy ho tojo izay irina ! Fa zavatra iray loha no mba hiangaviako anao...! tsarovy foana foana rehefa sambatra any aoriana hoe...teto foana i Dada !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ireny-poety-ireny
IRENY POETA IRENY
LAVENONA
IRENY POETA IRENY Ny ao am-pon’ny poeta dia saro-pantarina Ny hevitra ny azy dia saro-takarina Ny fihetseham-pony tsy hainao soritana Ny fiainany mihitsy no tsy azo faritana Ka na misy mandratra aza anie izany fony Dia zavatra hafa no mody vetsoiny Fa ny alahelony ny azy feheziny Dia ianao mamaky indry no ampahereziny Na mandalo olana aza ny fiainany,dia… Tsy ianao velively no ndeha hitarainany Fa fotsiny,mody totofany rima Amin’ny teny sy soratra ianao dia variana Raha ny azy ireny dia be ny alahelony Ka nefa tazoniny ho tsiambaratelony Mazàna izy ireny misento mangina Ny sorany kosa fenoiny hafaliana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/fonja-tsy-hita-maso
FONJA TSY HITA MASO
LAVENONA
FONJA TSY HITA MASO Fahafahana…! Fahafahana…! Toa dradraina isan’andro Mihitsy aza isan’ora Andraindraina, fa kinanjo Mbola maro ireo tanora Voafatotry ny rojo Hitanao mirijarija, Nefa rakotry ny ankaso Fa misy fonja tsy hita maso Izay mamehy ny fiainany Sy mangeja ny fisainany Amin’ny fombafomba ankolaka Dia fitaovana mamolaka Ny sain-draolombelona Ho donto sy domelina Tsy hahatsiaro fivavahana Fa raha izay fahafahana? Toa tsy misy velively Fa ny fampianaran-dratsy miely An-tambazotran-tserasera Ireny no andaniana lera Sy andaniana fahana Ka ny vokany sy fehiny: -mihavendrana ny mpianatra -ny Ray sy Reny raha mananatra Dia tsinitsiniavina Etoana dia tsiahivina fa… -na ny ao an-tokantrano aza Zary tsy mifampiteny Fa na i Dada na i Neny Na i zandry na i zoky Dia samy tsy hahitana teny Fa varianan’ny finday Hany ka toa mangatsika Ilay fitiavana hatrizay Ary izao no tadidio Fa io telefaonina io Io ilay fonja izay nambarako Io ilay fonja izay mamatotra Ny olona eto an-tany Ka mba saino ihany,hoe…. Ianao ve mba anisan’ Irdeo olona an-tapitrisany Voageja anatiny ao? Sa ianao ilay olona Niady sy nitolona Ka tsy hain’ny telefaonina Gadraina sy fonjaina? Tiako ianao hisaina! Raha mampiasa azy ireny Tsy hanita-pahadalana Fa hanovo fahalalana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tsingerintaona
TSINGERINTAONA
LAVENONA
TSINGERINTAONA Io asa soratro io dia... nosoratako ho anao ry zandriko tsy foiko ! Fa mitsingerina anio ny andro nahaterahanao ka tononkalo no vetsoiko! Mba ho solom-panomezana entiko hampaherezana ho anao razandry vavy ! dia,...arahabaina ranabavy a! Izay no azoko lazaina Mantsy mbola antenaina ny hiaontsika dahy Ka esory ny ahiahy an! Ny zokinao tsy afa-manoatra na dia tena faly loatra aza... dia tsy afaka mamihina ka tononkalo no hanilihina ny hafaliana tsy omby tratra! Dia...mirary soa ho anao mba hitombo fahendrena! Mino sy mba manantena aho fa... anananao ny fahalalana ! Dia hialao ny hadalana izao fanaon'ireo tanora Fana na zaza vao bakora aza amkehitriny dia maditra tsy hay tenenina zavamisy tsy azo hafenina no lazain'ny zokinao Irariko mba tsy ianao no... hanao tahaka ireny Fa hajao tsara i Neny raha miteny sy mananatra Dia mahereza hatrany mianatra ! Izany zandriko an! Dia veloma mampamangy izany zandriko izany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/mivonona-hatrany
MIVONONA HATRANY
LAVENONA
MIVONONA HATRANY Ireo zavatra miseho Sy ny loza izay mitranga Dia zary toa maneho fa….. Efa manangasanga ny faran’ity Lalana diavintsika ity Mantsy ireny famantarana Sy solon’ny trompetra Fa tsy ho ela dia hifarana Ny zavatra rehetra Sy ny fiainana eto an-tany Ka dia MIVONONA HATRANY!! Mivavaha!!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tia-ianao0
TIA IANAO
LAVENONA
TIA IANAO ! Tia ianao matoa... falifaly foana raha sendra mba resahany na mihomehy irery tsy fantatra hoe nahoana masoandro mibaliaka ny fiainanao iarahany Manembona matetika sy manina azy foana ! Tia ianao matoa... Manofy ny eo anilany raha alina matory Mikaroka ny sariny isaky ny mahatsiaro Tsy mahafehy tena loatra na mba misaina akory fa vao ny hafa no hitafany ,dia io fa saropiaro ! Tia ianao matoa... Mahatsapa maharary rehefa miadiady kely Na aza tsy hadisoana dia hifonana hatrany tsy mivadi-panekena hampirafy velively fa miharitra eny foana , na tsiky na tomany ! Tia ianao matoa... velombelo-kira sy miramiran'endrika ka mankafy irony... vazon'ny fitia irony Miandry hatrany hatrany ilay fitia tsy mety rendrika...! maniry te hahalala izay mba vetsovetsom-pony dia tia ianao izay...!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-any-ambanivohitray
NY ANY AMBANIVOHITRAY
LAVENONA
NY ANY AMBANIVOHITRAY Ny any ambanivohitray dia... somary saro-dalana mihitsy aza toa mahalana irony fiara fitanterana vao misy mba miserana! Ary ny mampalahelo dia... afaka andro roa na telo izay ireny vao tonga any! Na izany na tsy izany... tena tsara ny tanana Ary tena mahatamana sy milamina aoka izany Ka toa satriko hatrany hianoka ny hatsarany Hikalokalo tsy misy farany raha mahita ironyv vero sy mibanjina ny hakantony sy ny filantolantony arahin-drivotra malefaka! Zary tsapako manafaka ny vesatry ny foko efa trotraky ny ankaso ! Endre! Manintona ny maso raha atao indray mitopy iretsy vary izay manopy mavokely mavamavana sy ireo lohasaha mitomandavana izay tena mahavariana! Misy rano mikoriana any antsefatsefany any! Ary ihany tsy izany fa... tazana eny koa ny ala rako-borona sy haza sy ny maro tsy voalaza! Na any mangina aza ny any Izao no zavatra tsikaritra Tsara sady mahafinaritra ny any ambanivohitray
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/nalain-drafahafatesana0
NALAIN-DRAFAHAFATESANA
LAVENONA
NALAIN-DRAFAHAFATESANA ! Zaza mbola kely sy mahonena loatra tsy mahalala velively fa efa any ankoatra ilay andry niankinany... tsy hiverina intsony ! Raha mba hainy mantsy fa nantsoin'ny ao Ambony ny reniny malala ! Ity zaza tsy mahalala ka tsy omena tsiny raha nono no angatahany sy mba itomaniany fa tsy ny fisarahany amin'ny reny tena tiany sy tokana lalainy ! Mantsy raha mba hainy fa tandrifiny ny rahona tsy takatry ny sainy fa tsakoiny anie ny vahona amin'izao fotoana izao ! Ny fantany dia izao... minono dia matory tsy mahafantatra akory izay fampandrenesana fa iny reniny iny ? ...nalain-drafahafatesana !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-vetsonay-poeta
NY VETSONAY POETA
LAVENONA
NY VETSONAY POETA Ny vetsonay Poeta ? rakotra ankamantatra... sy saritsarin-teny ka vitsy no mahafantatra ny hevitr'izy ireny Fa ny maro an'isa ? babon'ny hakantony, ady rima sy ny sisa.. Ny folo isan'jatony no mba mamisavisa ny hevitra koboniny! Dia.... Ny vetsonay Poeta ? Feno mistery.... mihitsy,izahay irery... no mahafantatra ny marina Fotsiny io amboarina, tsy ho hitanao mivantana Fa niniana nosoratana Mba ho azonao kaloina ho satrinao ventsoina ary..ho ataonareo tsianjery fa marina fonosiny ? Aleo ho anay irery ..!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/mandoro-tanindrazana
MANDORO TANINDRAZANA
LAVENONA
MANDORO TANINDRAZANA Raha iray ampiana iray Hainao tsara hoe roa Fa raha izay ala may ve ? Tsy hiasanao loha! Mihitsy aho te* hitroatra! Na aza tsy mamono Fa tafahoatra loatra raha ny gidro no atono e! Mbola hovidinao lafo Ny tody sy ny valiny Kasiho aloha ny afo Dia ho tsapanao ny jaliny Ka..... Etoana aho hitaraina! Fa i Madagasikara ? satrin'ny adala ho maina sady ngazana Nefa tsarovy tsara , fa... " IZAY MANDORO ALA dia..... MANDORO TANINDRAZANA!"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/railovy
RAILOVY
LAVENONA
RAILOVY Railovy tsara feo tsara bika tsara loko no indro teo anilako eo ka nampifaly izany foko Ny siotsiokany amin'izany an ! Aoka fotsiny rahavako toa mamafa ny tomany ka mapitsiky indray ny tanako! Ny feony no ody fery hanatrarako ny tanjoko Izy ilay mba mampahery raha manjombona ny androko Ankehitriny nefa indrisy! Lasa izy fa tsy hay ka nadinoiny toa tsy misy ireo niarahana hatrizay! Mantsy izaho tsy manan'elatra tsy mba afaka ny ho any fa toy ny tanana nialam-peratra izatro fiainako androany! sanatria mivazivazy fa tiako ho ren'izany tenanay izaho tsy manadino azy fa mbola miandry ny hiverenany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-loza
NY LOZA
LAVENONA
NY LOZA Tsy mba maniry ny ho tonga mahantra Ireo gasy sahirana sy mitaraina Fa noho ny loza sy voina mihatra Dia zary mizaka ny tsy eran’ny aina Mantsy ny loza dia tsy mba nitsetra Fa dia narodany mbamin’ny trano Simba hatramin’ny fananana rehetra Izay sisa tavela aza lasan’ny rano Ny aina aza moa mila hanaraka mihitsy Satria na aretina na tondra-drano Na "Batsirai" dia tsy nisy nitsitsy,ka…. Aiza ny gasy no tsy hahita angano? Ny fiainana mihitsy no efa mihasarotra Satria tsy mitsaha-miakatra hatrany Angamba efa izany no lalam-boasoritra Fa ny azo atao dia mivavaka ihany!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/teboka-telo0
TEBOKA TELO
LAVENONA
TEBOKA TELO Raha tonga ny andro handaozana ny eto fotoana voatendry hialana eto an-tany Dia teboka telo no fantatro hatreto ka indro ambarako anao androany: Voalohany indrindra ireo fahadiranovana fony fahavelony nodiana fanina maty izy ireny izay vao tsarovana havadika kosa vao hihinanan-kanina ! Manaraka izany dia ireo iray aina ry mpiady lava sy be disadisa vovoka sisa izay vao tonga saina hoe "Tiako izy iny " ! fa nenina sisa ! Ny fahatelo kosa ny ray aman-dreny raha mba mananatra...atao be marenina ! Efa any am-pasana tsy afa-miteny Ireo zanaka indrisy kaikerin'ny nenina ! Samy ho hody vovoka isika olombelona Tsy afa-manda rehefa tonga ny lera ! Ka mifankatiava raha toa mbola velona fa... ny fahafatesana tsy mba miera !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/hafatra-farany
HAFATRA FARANY
LAVENONA
HAFATRA FARANY "Anaka...! Mbola kely ianao ka nefa inoako kosa fa misaina Ka aminao no miantefa ny teny ataoko sombon'aina ! Hitanao ny fahanterako tsy mahavita intsony ka ianao no hianteherako mba hampitraka sy hampitony ireo zandrinao mianadahy ! Raha hikipy ireto masoko dia aza kivy na manahy fa... efa vita ny ahy ny lasiko! Mahereza hatrany zanako ! dia izao no hafatro aminao karakarao ireo fananako izay nohariako hatramin'izao mba ho anareo taranako ! bebenao tsy ho eto foana fa tsy maintsy hifindra monina rehefa tonga ilay fotoana! Mitraka mahaiza mionona fa izaho kosa handeha hiaona amin-dray sy reninao dia veloma man....ndra....pi..hao........na !"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-farafahanginany
NY FARAFAHANGINANY
LAVENONA
NY FARAFAHANGINANY Iny fahanginany iny… Tsy nidika faharesena fa…. Izay mangina volamena Ka naleony tsy niteny Na dia efa tahaka ireny ,aza Ny hadalana vitanao Ka naleony tsotra izao Nanakombona ny vavany Nefa hita soritra amin’ny tavany F misy angon’alahelo Mitambolina ao am-pony Mila tsy ho zaka intsony Iny fahanginany iny…. Nanambara zava-maro Fotsiny izy tsy nivolana Fa nozakainy ny azy ny olany Tsy borahiny aminao Tsy nataony ho fantatrao hoe…. Ny azy anie io efa fiainany Ka nefa tsy mba nitarainany Fa notazoniny ho azy irery Indrisy nefa fa ny fery Vokatry ny ratram-pony No tsy maha eto azy intsony! Indrisy mantsy….! Talohan’ny nialan’ny ainy Dia indro fa notantarainy Ny zavatra nataonao taminy Izay tsy mba nisy maminy Fa toy ny vahona mangidy Dia naleony nisafidy Ny ho lavitra tomany Ka nilaozany ny tany Izay no farafahanginany Indrisy mantsy!!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/olombelona-ny-tena
Olombelona ny tena
Daniel ROIMEMY RKT
Olombelona ny tena Ka tsy maintsy mba misento Tsy maintsy mba miventso ny diariko ato am-poko Sy izay hany mba tsaroako Fa nandalo tamin'ny fiainako Ka mandefa ny fisainako Am-pitan-dranomasina any Hoe indray andro any Mbola ho hitako ny havako Mbola ho hitako ny namako Eh, any ilay tananako Mitahiry fahatsiarovana Ka mba tiako holalovana Sy tiako hotsidihina Mba satriko ny hamihina Ilay reniko tsy foiko Noho ny fitiavako azy Dia tsy mba hohadinoiko Ireo anatra fanaony. Izao mantsy no nataony Raha izahay hisaraka iny Hoe "Anaka, aoka ianao ho hendry hatrany Any an-tanin'olona any. Ary ataovy an-tsaina foana Fa mbola ho avy ny fotoana Izay hihaonantsika mianaka Eh, tsy manadino anao ity zanaka Tinaizanao ry neny a, Ny zanakao tsy toa ireny manompo vola ireny. Ka raha sendra mba tafita Sy tonga aty am-pita Dia hitsipaka ny lakana Fa ny ahy tsy voasakana Dimy arivo kilometatra raha tianao ho fantatra. Ny fitiavako ny any.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tsy-maintsy-tafita0
TSY MAINTSY TAFITA
LAVENONA
TSY MAINTSY TAFITA ! Ny eto rankizy tsy vitan'ny haitraitra a ! raha toa tia hahatratra ny tanjona irina tantely amam-bahona io ka dia mafaitra fa kosa ny farany feno hamamiana ! Raha tia ho tafita tsy maintsy miafy Vonony ny saina amin'ny fandavatena Dia aoka tsy haingo na koa ny fitafy no loha laharana fa fahendrena! Ny eto ihany koa tsy mba vitan'angola Na koa hiantehitra ray aman-dreny Fa mety tsy haharaka ny azy ny vola... sy vatsim-pianarana omen'izy ireny Ny eto rankizy ...? Ny fiainana mihitsy no atao lakilasy Mampianatra anao amin'ny fomba famindra Tsy vitan'ny vava ny mifehy taratasy fa ilana fiharetana indrindra indrindra Izany ka izany ny eto rankizy o ! ka nefa na mafy aza tsy maintsy vita Ny firenena mandalo krizy fa isika kosa " TSY MAINTSY TAFITA "
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/sambatra-ianao
SAMBATRA IANAO
LAVENONA
RAHA MANANA IANAO ! sambatra ianao... raha mbola manan-ko tinafy ary koa tsy mihafihafy amin'ny resaka sakafo ! Mividy fiara tena lafo... manam-bola aman-karena ! Ka nefa... Raha mba manana omena dia ampio ireo sahirana mahantra mahonena ! Fa ny azy ireny tsy mba fidiny no hizakany izato ngidiny Amin'ny fiainam-pahoriana Tsy misy toerana hatoriana na fonenana izy ireny ! Fa dia eny an-dalana eny no mba azony hiafiana ! Eny no hitampifiany ... Ka ny lanitra no tafony! Ary ny hany mba sakafony ? Zary toa tsikoninkonina ! Mantsy ny ambin-kanina avy amin'ny hotely na koa ny poti-kanina arian'ny olona eny... Ireny no harapany ! Mihitsy tsy mba tsapany izay hoe fahasambarana ! Tsy misy fitsaharana ny olana lanjainy ! Fa fotsiny lazainy hoe... " Tsy antsika ny handahatra ny fiainana eto an-tany fa efa izao aloha no lahatra ! Ka ny zavatra mba hany... azontsika atao antsaina dia misaotra an'Andriamanitra fa mbola velon'aina.... !"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/alefako
ALEFAKO
Fredy Jaofera
ALEFAKO Alefako any fa tena mifono aim-baovao : aza mitomany an'ireo namono ny tsikinao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nitsidika
NITSIDIKA
Fredy Jaofera
NITSIDIKA Anio raha mandeha, ipoiram-pahagagana ny misy fa dia mety, tsy nisy saina lehibe raha tsy nisy hadalana ny nitsidika vetivety.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tandremo-razandry
TANDREMO RAZANDRY
LAVENONA
TANDREMO RAZANDRY ! Ny eto anie razandry ka...vola no miteny e! fombafomba ivelany ireny rehetra ireny Fa raha ny tena tia ve?dia andraso eo Paoly ! Ny toetra sy fitiavany dia fitaka daholo Ny tena ao am-pony ? sarotra fantarina Takon'ny angolany izay mody namboarina dia iny ianao fa roboka tsy nahalala maty ! Ento mora ihany fa ndrao ry lahy tsy ho tanty a! Ny azy ny fitiavany mifindra toy ny ketsa Tsy toy ny an'ny siny tsy mahalala hafa tsy rano Iarahany daholo ny lehilahy rehetra rehetra Ka aoka itsy razandry a! Ndrao ialahy hahita angano !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/taratasy-miafina
TARATASY MIAFINA
LAVENONA
TARATASY MIAFINA Ito taratasiko ito...,raiso ka hafeno fa aza avela ho hitany fotsiny teneno hoe..... hisaorako azy foana ny zavatra efa vitany Na aza feno fery ilay fo izay noratrainy Tano ho antsika lahy fa.. aza avela ho hainy dia izao koa letsy Da a! raha toa anontaniany na..hatsafainy ialahy mikasika ny amiko.. ,dia izao sy izao havaly.. efa voafafa hoe ireo holatry ny jaly nataony tato am-poko Efa niova tsiky hoe ny sento sy toloko niainako fahiny, Dia iangaviako ialahy hijery, ilay valopy vao fa misy sary tapaka nataoko anatiny ao Ilay sariny fahiny, tsy haiko raha tsaroany ! mba avereno ho azy letsy fa tsy ilaiko intsony a ! Vita hatreo ny fiainana izay nosembanin-drahona ampy izay ny andro nosotroana ngidim-bahona ka hivadika tantely rakotra hamamiana indray ! Rehefa vita izay dia... Aoka hivalona eto ny alina aizim-pito , sy.. fahoriana samihafa...! Izay fa..hofaranako ny resaka sy tafa an ! dia veloma mampamangy ...!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nosy-malala/voandalanny-neny
Voandalan'i Neny
Nosy Malala
Voandalan'i Neny, Sombiniaiko ô, andraso kely, Ity misy mofo namboarin'i Neny, Afak'omaly no nataoko izy ity, Natokako tato fa hoe ho avy ndry. Ity misy akanjo tany amin'ny mpivarotra, Ohatra-tsara amindry, afak'asiana satroka, Nitady ihany aho fa tsy nahita lehibe, Ohatr'izay za mba mampitovy am(in)'se. Asa ity sakay ity raha tian'i Lita, Ravinanto mantsy tsy mila vidina vita, Tsisy fotoana nanamboarana aho tandroany, Ity no efa tao, ao mba ento any ihany. Andraso haka harona asiana azy ireto. Saika adino ny ravintsara evohina ry reto, Ao antokontany koa vokatra ny saosety, Raha tia inareo angalako vetivety... Tandremo Ary sao misy entana adino, Lehibe ireto ankizy, tena tsy mampino. Mampamangy any amin'i Lita vinanto. Aza miandry ela an , mandalova ato ato.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/itony-tononkalo-itony
ITONY TONONKALO ITONY
LAVENONA
ITONY TONONKALO ITONY Itony tononkalo itony No mba fanafodim-pony Manasitrana ireo fery Ary koa mba mampahery eny itony no antsainy Raha reraka ny ainy kely hery sy torovana Fa velom-pahatsiarovana tsy mba afaka ao ambavany mahamirana ny tavany Na aza sendra ankaso Ka mijohy ny ranomaso Dia ... itony tononkalo itony No hany mba kaloiny Mantsy ny antony dia izao io no hitiavany anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/efa-lavitra
EFA LAVITRA
Fredy Jaofera
EFA LAVITRA Efa lavitra ny momba antsika, na arafitra mbola hanjopiaka. Efa lavitra ny andro niarahana mirakitra eto iny fisarahana. Efa lavitra ny vazivazy maro mitatitra ho azy ireny tsiaro. Efa lavitra ny vetsom-pitiavana naharitra raha safidy goavana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/namako-ianao
Namako ianao
Daniel ROIMEMY RKT
Namako ianao..... Noho izany tsy ho adinoiko sakaiza tsy mandao Eny ,namako tsy foiko! namako eny fona .! Na ho tsiky na tomany na mivalona ny taona dia sakaizako hatrany! Fizarako ny alaheloko Rehefa mila tsy ho zaka ny angon'ny ny tsiambarateloko dia..teo ianao ilay nampitraka! Ny niainantsika fony kely? Mbola ato an-tsaiko tsara Tsy adino velively fa.. nirakitra tantara ny finamanana taloha sy ireo lasa nolalovana Tsy voafafako ao andoha , Fa...mitoetra ho fahatsiarovana Ny sombotsombiny ihany ireo fa..... raha fintinina dia izao na inona na inona miseho Dia.. namako eny foana ianao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/aleteho-an-tsaina0
ALETEHO AN-TSAINA
LAVENONA
ALETEHO AN-TSAINA ! Aleteho an-tsaina ry mpino an-tanin'ady... fa tsy nilaza mihitsy ny tenin'Andriamanitra hoe ny tsara haingo indrindra isaky ny alahady no indro hovonjena ary koa handova lanitra fa aoka dia hazava...! Aleteho an-tsaina fa tsy mora ny adintsika ! Tsy fombafomba ivelany ny asa fanompoana ! Ny fiangonana re olona tsy fanehoana bika fa raha te handova lanitra? Manana aloha finoana ! Dia aoka hanetry tena...! Aleteho an-tsaina... raha mpivavaka ianao fa tsy mahatsapa ady sy tolona akory dia aoka ho tonga saina....fa misy antony ao Mandiniha aloha tena ...ndrao maty na matory ....ny ara-panahinao ! Izay no aleteho an-tsaina !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ilay-famantarana
ILAY FAMANTARANA
LAVENONA
ILAY FAMANTARANA Andro fahatelon'ny volana Jolay Fotoana iray nangidy, mihitsy tsy voafafa ! Indrisy...niala aina tao anaty trano may noho ny adalana sy hetraketraky ny hafa... ...ilay namako tsy foiko! Taorian'ny antso sy ny fampandrenesana dia noentina ny tenako namantatra ny razana ndrao isan'ireo dimy nindaosim-pahafatesana... iny namako iny...na koa tsy mbola tazana ! Niezaka aho nijery narahina tomany... no sady niala nenina nampiasa ny fahaizako Minitra vitsivitsy dia tsikaritro avy hatrany fa nisy famantarana ny an'ilay sakaizako ! Na aza efa kila ny endrika amam-bikany ka tsy hitan'ity masoko ny fara-fahavelomany dia...azoko inoana fa io no nofo mangatsikany... manamafy izany ilay firavaka iambozonany ! Firavaka tsy foiny...tsaroako tsara iny ! izay no mba porofo sy marika niavahany ! io no fanomezana avy amin'ny olotiany fony nitsingerina ny andro nahaterahany ! Io no famantarana !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/lavitra-anao
Lavitra anao
Rabarison Roberto Stephan
Lavitra anao Ny foko toa malahelo Isan'andro toa mitaraina Fa indreo mamelovelo Ilay fitiavana nozakaina Malahelo satry tia Lavitra anao toa nanjary nahy Eo anilanao no hany fifaliko Fa ny lavitra anao no fijaliko Tiako ianao dia zay Ilay fo roa itambatra ho iray Tsy ho anenenana ireo lasa Fa etsy ho tanterahana , ireo voady izay kinasa Ho lamban'akoho ny atsika Ka na tonga ny ririna tsy mba angatsika Afanana foana no hozaraina Dia ilay fitia tsy mora miofo no tantaraina Fa izaho aloha aho malahelo Fa tsy anilanao dia tena mitoreo Miangavy , miavy malaky Fa ilay alahelo aky tena efa tsy tanty
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/adabohy
ADABOHY
Fredy Jaofera
ADABOHY Ny marina indraindray, adabohy ireo tsy hita tao ho ao ; amin'ny fotoana iray, hadinoy ireo nanadino anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tandremo-rampanana0
TANDREMO RAMPANANA
LAVENONA
TANDREMO RAMPANANA ! Sao mihevitra ianao hoe... olona manan-katao sy manam-bola aman-karena dia sahy mihevitena fa tsy handalo fahoriana ! Satria vola no hatoriana sy hilomanosanao ! Ka manao ny tsy fanao sy manambany ireo sahirana tsy mahita izay mangirana amin'ny fiainana efa sarotra ! Mantsy tsisy hiadiana varotra ny saranga tsy mitovy ! Kanefa dia tsarovy fa... zava-poana ny harena raha toa fitiavan-tena no entinao miaina eto ! Ny hany fantatra hatreto dia... ny rehetra misy farany...! Samy hahazo ny anjarany sy ny valin-kahasasarany ny olombelona eto an-tany ! Tsy misy vidiny amin'izany ny vola be izay nananana ! Koa tandremo re Rampanana a ! Ovay malaky ny famindra ! Ny toe-tsaina indrindra indrindra Mba hitsinjo ny mahantra ka hanampy sy hiantra ireo tsy manan-ko tinafy mosarena sy mihafy ! Ianao no andrasan'izy ireo sy hanandratany ny feo hoe... " Mba mangataka re tompoko oo!" Ary mety hampiova tampoka ny fiainan'izy ireo ny vola izay hatolotrao ! Koa tandremo re Rampanana a!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manazava
MANAZAVA
Fredy Jaofera
MANAZAVA Asa fa miharava iny ratrako iny ? Ny lasa dia manazava ny ankehitriny.