url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/hany-sisa-ifanaovana
HANY SISA IFANAOVANA
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
HANY SISA IFANAOVANA Andeha izao ny tenanay Ka hametraka veloma Tsy ho doria mandrakizay Fa veloma mandram-pihaona Hanainga izao ny fiaran-dalana Ka indro kofakofan-tanana No hany sisa ifanaovana Amin’namana nilaozana Ranomaso no tsy latsaka Fa ny tena fotsy hatsatra No ahafantarana fa mafy Ilay fiainana mp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanambadiana-1
NY FANAMBADIANA
Fredy Jaofera
Ny fanambadiana dia zavatra masina ka tandrovy lava izay hanajana azy ; manonja fitiavana toa ranomasina, tsy atao kilalao na koa vazivazy . Ny fanambadiana dia zavatra harena mba notolorana hahatsara firindra, koa aza hadinoina ny voady nekena f’efa natambatra hiaraka hamindra. Ny fanambadiana dia zavatra lala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/rakitra
Rakitra
Pissoa
Tsaroanao ve ilay tiako nolazaiko anao Fa nafeniko ny anarany ? Tadidinao ilay izaho naka pejy vaovao Hasiako ny tantarany ? Ny tantaranay roa ! Tadidinao ny alina isan'Asabotsy ? Fametrahana ho tahiry Ny takarivanay, angola, rotsirotsy Fitia makadiry. Nandrianinay tokoa ! Tsaroanao ny vinitry ny tànako fahin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/anio-ihany
ANIO IHANY
Ryana
ANIO IHANY Ekeko fa hoe hadisoana, Fantatro fa hadalàna, F’anio tiako ho hadinoina Ireo didy sy ireo fandraràna. Raha raisina ho fahotàko, Vonona aho hizaka ny heloko ; F’anio tsy mba horaràko Fa hoventesiko sy haveriko. Tsy hiahotra aho, tsy hisalasala Hizara ny ao anatiko aho ; Ka ny rehetra hahalala Izay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mimisou/tsiaro-2
Tsiaro
mimisou
Telo taona lasa izay no nisarahantsika roa Fa hatramin'zay ka hatramini'izao dia mbola tsy afaka ato an-doha Tsy hoe tsy manan'olon-tiana Fa mbola hafa ilay nofidina Efa efa voarara tsy azo atao Vao may miredareda ao am-poko ao Ny fitiavako anao tsy ambara roa Fa ahy dia ahy irery tokoa Tsy filaza na amin'iza n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/malokila
MALOK'ILA
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
MALOK’ILA Ho rava ihany angamba ny amintsika roa Na hita tena sarotra ny hamafa anao am-po Hahay hanadino ve ny fo mifankatia ? Hidify fahatsiarovana izay tsy maintsy hanaradia Mangotraka izay tsy izy ny adin’ny fanahiko Ny hoe rahoviana ihany ianao no mba ho ahiko Malok’ila foana ve ny androm-piainantsika Lay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/peratra-mariazy
PERATRA MARIAZY
Fredy Jaofera
PERATRA MARIAZY Iny peratrao iny, tsarovy ankehitriny fa marika iray, sady mandrakizay ny voady natao manomboka izao ka aza hadinoina fa tsy azo lotoina, tsy azo ambanina, N’oviana n’oviana. Iny peratrao iny, tsy manana tsiny fa manana hasina ngeza sy masina, efa voaporofo fa tsy mba hiofo, efa voambar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/mankasitraka-i-rado
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jm-rakotomalala/anjakao-ny-fitiavako
Anjakao ny fitiavako
JM Rakotomalala
Anjakao ny fitiavako Anjakao ny fitiavako izany havako izany Izay naloaky ny vavako Tsy misy lainga izany Anjakao ny fitiavako Ento ho anao daholo Fa ireny no firavako Ho anao tsy hisolo Mandihiza,manampy Ry vorona ao an'ala Ny fonay mifanakatia TSy misy tombo sy ala Kopahy lamba ho tafita Fa fitia vao mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/trade/ny-taniko
NY TANIKO
TRADE
He mampalahelo ahy ianao ry taniko , nefa indrisy! Ny ho haniko aza tsisy Ny kely izay mba azoko tamin'ny asa angady Efa lany sahady Fa vola valon-jato no tsinjaraina ho sakafo Amin'ity fiainana efa lafo Vary dimy kapoaka sy anana ihany Dia vita ny androany Ka aiza amin'izany àry no ahafahako miaro ity tenanao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahavara-1
MAHAVARA
Fredy Jaofera
MAHAVARA Mahavara mamaky baiboly raha mila ny tena hafaliana ; mahavara fa sao ny devoly no avy hisoko mangina. Mahavara mivavaka ombieny raha mila ny Tompo Tsitoha ; mahavara fa ny ao lavareny no misy ny tsara sy soa. Mahavara midera isan'andro raha mila ny asany marina ; mahavara fa Izy no hitandro anao m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njafah/faniriana-tsara
FANIRIANA TSARA
njafah
FANIRIANA TSARA Iny alaheloko iny dia ho afaka ihany Iny sentosentoko iny dia ho lasa avokoa Iny fahoriako iny dia ho voafafa ny tomany Iny fijaliako iny dia mbola ho fifaliana koa Eny ! ireo rehetra nozakaiko Dia mbola antenaiko Fa hampiratra ny saiko Mba ho to izay kasaiko. Tsy ho valifaty anefa no iriko ato...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cute/ny-masonao
NY MASONAO
cute
NY MASONAO Zavatra iray @endrikao No maninton`ahy hijery anao Afaka mananmbara zavatra Na koa hoe mampita hafatra Tsara ary misy loko Tiako ka tsy hadinoko Nefa indraindray toa masiaka Ka manjary mampiady antsika Milaza zavatra iray Dia ilay fitia hoahy Fitia izay mivahivahy Enganie ho mandrakizay Tsy inon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ianao-no-tiako-sy-malalako
IANAO NO TIAKO SY MALALAKO
raozigasy
IANAO NO TIAKO SY MALALAKO Fa Fitiavako ianao, fifaliako fahasambarako fa fiainako ianao, satria hitondra ny anarako Fa fizarako ny alaheloko ny tebitebiko, tarainako fitantarako ireo tsy teliko raha miasa mafy ny fisainako Fa ho ampitsoko ianao ho aviko sy fianteherako fa ny tontoloko ho anao hatramin'ny a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/kanto-2
KANTO
mahorani
KANTO Mifona aho retsy ry KANTO tsy foiko, Mivalo aho tato ho ato fa varimbariana; Voaremby ny saiko ka toa nohadinoiko; Ireo koranantsika ka zary nariana, Aza averina amiko fa tsapako izao; Izany nilaoza-nitoetra mangina! Haiko fa nahatsiaro ho irery ianao, Miala tsiny aho ho'aho; aza dia manakiana! KANTO a! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/fitiavana-mangina
FITIAVANA MANGINA
Ryana
FITIAVANA MANGINA Malahelo fa mionona, Te hiantso fa mangina, Na te hizara aza kobonina, …Mipitrapitra sady sina. Mangitakitaka fa ferana, Ity ratra toa mikiky anaty ; Ny ho avy tsy hita hianteherana, Ny latsa mety tsy ho tanty. Misamboaravoara fa toneko, Mila hitroatra, hanala aina ; Avy eo indray ‘njao fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fihavanana
FIHAVANANA
Fredy Jaofera
Trano atsimo sy avaratra 'zay tsy mahalen-kialofana ; izany no hoe mba fitaratra tsy ilaina hototototofana ! Soroka miara-milanja, tongotra miara-mamindra ; mamiratra soa ireny fanja hiaraka sy mba hirindra ! Tànana havia sy havanana, marary izay indro didina ; izany no tena fihavanana tsy mety raha vidividi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahavara
MAHAVARA
Fredy Jaofera
MAHAVARA Mahavara mamaky baiboly raha mila ny tena hafaliana ; mahavara fa sao ny devoly no avy hisoko mangina. Mahavara mivavaka ombieny raha mila ny Tompo Tsitoha ; mahavara fa ny ao lavareny no misy ny tsara sy soa. Mahavara midera isan'andro raha mila ny asany marina ; mahavara fa Izy no hitandro anao m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/antsoiko-ianao-anio
Antsoiko Ianao anio
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
ANTSOIKO IANAO ANIO Antsoiko ianao anio Antsoiko an-tariby Fa hisy Randevoa “rendez-vous” Hifanaovantsika roa Tsy maninona na lany Ny fahan’ny finday-ko Fa ny feo-nao ihany No tonian”ny Fanahiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/velondrery/ianao-17
Ianao
Velondrery
Ianao ry ilay notiaviko ianao tsy mba nolaviko fa indrisy akehitriny zary niova ilay fahiny reo diantananao tavela antratrako ao ny tambitambinao tsy foiko zary lasa nofinofiko ankehtriny lasa enao tsy ita fa nandao ny indro sisa mba tevela di ilay ampaham-bera tiako enao nefa indrisy............!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ry-dada-2
RY DADA
Fredy Jaofera
RY DADA (Teny am-pasana eny Ilafy) Tsy sanatria hamohafoha irony lasantsika, Tsy sanatria hitanisa irony andro nibaliaka No ijoroako eto an-doham-pasana, ry Dada, Fa hitondra sentosento sy teny mibadabada. Sentosento hoy aho, ary sentosento mankarary Sentosento malahelo ka tsy mendrika ho fanary; Mandria am-pia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/rehefa-iny-lasa-ianao
REHEFA INY LASA IANAO
raozigasy
REHEFA INY LASA IANAO Misy tsindrona maharary ao anaty foko ao misy jaly te hivoaka , ao anaty vatako ao misy kiaka te hitroatra , te handa ny zava-misy misy feo tsy te hanaiky, hoe ekeo aloha f'izao no "hisy" rehefa iny lasa ianao Misy alahelo mitambesatra, ary koa fanahy rotika misy aina feno fery, ary misy sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cute/malalako
MALALAKO
cute
MALALAKO Ianao mahita olona tsara tarehy Dia tsarovy f`izay no malalako Mahatsikaritra olona tia mihomehy Tena tiako izy fa tsy hohalako Malalako izy satria ny tsikiny no mamelona ahy Ka ny fitiavako azy no mahatonga ahy sahisahy Sahy ilaza ny ato am-poko Fa izy ilay malala tsy foiko Be ireo adiady izay natao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rindra/fahatsiarovana-29-martsa
Fahatsiarovana 29 martsa
Rindra
Enimpolo taona lasa izay Ka tsarovana indray Izay nanjo ny Malagasy Niady mafy, sy nihafy Ho fanavotana ny tanin- drazantsika tena mamy Maro ireo namoy ny ainy Naleony maty ho an'ny taniny Toy izay velona hijaly Noho ny kapoka maharary Sy ny fanjakàzakàna Nampimalo ny tanàna Ka ny fahatsapàna izany Toa tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tiako-ianao-satria
TIAKO IANAO SATRIA
raozigasy
Tiako ianao satria Tiako ianao satria tsy haiko ny nitia raha tsy teo ianao Tiako ianao satria natao hiara-dia ny lalako sy ianao Tiako ianao satria voafafa ireo fitia vao noseraninao Tiako ianao satria ianao ilay Tiako, Tia nandrasako hatrizao Tiako ianao satria . . . Tiako ianao satria . . . Satria Tia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/very-hevitra
VERY HEVITRA
Ryana
VERY HEVITRA Sambatra sy tretrika ny foko sy ny fiainako, Vangian’ity masoandro; Nanolatra ny feriko, nitony ireo tarainako, Mazava teo ny andro. Saingy minitra vitsy no hany mba anjarako, Mandalo ihany izy iny; Ka zary hainzin-kitroka no manaron’ity làlako, Hatsiaka sy hirifiry. Finaritra aok’izany ny masoko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-ny-fianarana
REHEFA NY FIANARANA...
Fredy Jaofera
REHEFA NY FIANARANA... Rehefa ny fianarana no tsy mba isasarana, atao ambanin-javatra sy ankahalaina fatratra dia aza asiana nenina rehefa mipenipenina ! Rehefa ny fianarana no tsy mba nanitarana ny soa tsy mantsy ilaina ho entintsika miaina dia aza taitra intsony ra'toa tsy lasa ambony. Rehefa ny fianaran...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/antsoiko-ianao-anio-1
Antsoiko Ianao anio
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
ANTSOIKO IANAO ANIO Antsoiko ianao anio Antsoiko an-tariby Fa hisy Randevoa “rendez-vous” Hifanaovantsika roa Tsy maninona na lany Ny fahan’ny finday-ko Fa ny feo-nao ihany No tonian”ny Fanahiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njafah/aza-3
AZA
njafah
AZA Aza asiana sento akory Ity fiainana mandalo Fa ny zava-mampahory Avadiho ho tononkalo Aza asiana sento akory Ianao nilaozan’olotiana Ny alahelonao fongory Ka soloy ho fifaliana Aza asiana sento akory Ny hasoparan’ity tany Handanianao aina hitory Ity harena mora lany Aza asiana sento akory Ny tsy fisi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ry-dada
RY DADA
Fredy Jaofera
RY DADA Tsy sanatria hamohafoha irony lasantsika, Tsy sanatria hitanisa irony andro nibaliaka No ijoroako eto an-doham-pasana, ry Dada, Fa hitondra sentosento sy teny mibadabada. Sentosento hoy aho, ary sentosento mankarary Sentosento malahelo ka tsy mendrika ho fanary; Mandria am-piadanana f’ireny lasantsika ir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ny-vehivavy-aminy
NY VEHIVAVY AMINY
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Ny vehivavy aminy Iri-mahaory raha ny vehivavy Mampitsiriritra toa ronono an-tavy Mamitaka ihany koa toa I Eva niandohany Kanefa raha tenenina dia mody mitomany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njafah/tsisy-nenina
TSISY NENINA
njafah
Tsy ho neniko akory izay fotoana lany izay Niandrasako anao tanaty hery mahamay Tsy noterena fa fitiavana, eny tena tia tokoa Niaritra fakam-panahy tsy nitondra voka-tsoa Tsy ho neniko akory ilay fitiavana nomena Faly aho satria nahatàna fanekena Fa ianao izay nandao tsy ho azoko terena Ka hitalahoko hatrany hoe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/androm-bokatra
ANDROM-BOKATRA
raozigasy
NOSORATANA HO FANKALAZANA NY ANDROM-BOKATRA TAO ANTSAHABE ANDROM-BOKATRA Andeha isika ry vahoaka, hiantso sy hihoby ny Anarany, Ndeha isika rehetra mpino, hihira, hiantsa ts’isy farany, Ka hiaraka hankalaza, ny Jehovah Tompontsika Ka ireo zava-maneno, no arahin-kira sy mozika Fa androm-bokatra androany, , ho ant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/teo
Teo
Pissoa
Teo Teo no niandrandrany izay mba teny maminy, Teo no nitadiavany angola, fahasambarana ; Teo no nikatsahany izay mety ho tambitambiny Teo no nantenainy handrenesana "fitiavana". Teo no niandrasany ny tsiky fanaperana, Teo no fitarafany ny hakanton'ny tontolony ; Teo no noheveriny tsy halalany fahanterana, Teo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/nofy-matsiro
NOFY MATSIRO
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
NOFY MATSIRO Efa nentiko amam-bavaka Notononiko niavaka Ny anaranao ry tiako Nampahafantariko ny Ray Fa ho doria mandrakizay Raha araky ny faniriko Ny hitoerako mangina Eo anilanao ry tiana Mba ho tò ‘lay hasambarana Izay no teny fikasako Sy sori-dalana hombako Nofy mamy tsy hifarana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-kamboty-tsinona
TSY KAMBOTY TSINONA
Fredy Jaofera
TSY KAMBOTY TSINONA Tsy ho fantatrao akory, na rahoviana na rahoviana raha mbola tsy kamboty, ny tena fijaliana tsy manan-dray sy reny rehefa manina azy ireny, fa lazaina ho rediredy nahatonga anao hibedy. Tsy ho fantatrao akory, na ambarako tsy hita lany raha mbola tsy kamboty, ny sento sy tomany mety afaka h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/soa-fa
Soa fa ...
oceane
Soa fa nisy ilay nofy… Namerenana ireo lasa Nampatsiahy minitra vitsy Fa hay mbola any ianao Tsy mbola lefy am-poko Ny momba anao rehetra Tsy voafafa akory Ireo potika fitia Tsy mety anefa izany Ny foko tsy tsara raha mankany Satria efa manan-tompo Olon-kafa noho ianao Kanefa … Toa ianao no vetsoiny Toa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/29-marsa-1947
29 MARSA 1947
Fredy Jaofera
Fantatrareo moa ity zava-nitranga nampahonena izay tao Moramanga, nataon'ny mpanjanaka sady nibahana an'ireo Malagasy nitady fahafahana ? Fantatrareo ve fa andao tantaraina ny ady nipoaka nahakivy ny saina ; ny rà nikoriana toa eran'ny Nosy naha-voazanaka sy tena voahosy ? 'Reny tafondro toa nampihorohoro, nia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cute/afoiko-ianao
AFOIKO IANAO
cute
AFOIKO IANAO Efa mifarana ny lalako Indro itako ny anjarako Ilay hotiaviko mandrakizay Ilay olona iray Eny,ianao no tena tiako Ianao no faniriako Tiako ianao homalalako Mino aho fa ianao no anjarako Iny tovovavy iny anefa niserana Ny fitiavany anao tsy azo ferana Tsy maintsy azony hony ny tiany Ka ianao no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cute/ny-dadako
ny dadako
cute
NY DADAKO Dada,ilay raiko lavitra ahy Dada,ato ampoko mandrakizay Mafy tokoa ny tsy eo anilanao Nefa fiainana izany,tsy misy azo atao Latsaka ny ranomaso Mitombo ny ankaso Ilaiko i dada nefa indrisy Ny elanelan-tany no sakana misy Sambatra ianao Izay anilany rainao Tiavo izy,hajao hatrany hatrany Satria te...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tiako-ny-anabaviko
TIAKO NY ANABAVIKO
raozigasy
TIAKO NY ANABAVIKO Tiako ianao, tena tiako, ary alahelovako mazana ary amin'izao anio izao, ny soratsoratro tsy tana fa hampirimàko vetsovetso,ary handrariako teny, ho teny mamintsika dahy, tsy ho adinoinao ombieny Fetinao anio ry bavy, nefa fetiko ihany koa satria ny bitakao izay any, tena fifaliako koa ireo fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/ny-fitiavako-azy-2
Ny fitiavako azy
Fiaritiana
Ny maraina vao mifoha indro fa mihelo ao an-doha ny endrikao ry olon-tiako tokako sy faniriako izy ilay voaloham-pitia tiako ho ahy doria doria ka na hisy ny "barazy" tsy hampiova ny fitiavako azy ny tsikitsikiny sariaka sy ireo longilongy koa fahita tsy hadinony ny vazivazy izy mampitombo ny itiavako azy k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maminirina/ampy-ahy-1
Ampy ahy...
Maminirina
Ampy ahy... Ampy ahy ny tsikinao, hampisinda ny ahiahiko. Ampy ahy ny orokao, hampitony ny hetahetako. Ampy ahy ny safonao, hanafana izato vatako. Ampy ahy ny fitiavanao, hanorenako ny hoaviko. Ampy ahy Ianao, ry 'lay hany hotiaviko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/izy-ihany
IZY IHANY
Ryana
IZY IHANY Ireo izay nitady sy nanaiky ho namana: Tsy nisy nojereko, Niantso fa tsy reko; F’ilay tsy nila ahy, tsy nanolo-tànana No hany nozohiko Sy niangaviako. Ny voron-te hiantrano hizara hafaliana: Tsy novohaiko akory, Nilaozako natory; F’ilay hoe voromanga tsy ela nidifiana No hany nandrandraiko, Nameno...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njafah/asa-soratro-ho-anao
ASA SORATRO HO ANAO
njafah
ASA SORATRO HO ANAO Hosoratako ho anao ity tonkalo ity Ianao ilay olona nandao tsy nanaja ny fitia Fa dia lasa tsy mba niera maika fatratra aok’izany Toa tsy hitanao akory ity foko ory sy tomany Hosoratako eto koa ireo zava-maro niarahana Lay andro voalohany izay niraisantsika làlana Ka nahatonga anao ho babo ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fo-mitempo/ny-tontolo-sy-ny-fitiavako
Ny Tontolo sy ny Fitiavako
Fo mitempo
Io volana tinazako io Dia mitahiry ny vetso-poko; Mitanisa ireo fitiavako Ho anao ry 'lay malalako. Io masoandro miposaka io Dia taratry ny hasambarako; Mitantantara ny fihetseam-poko Ho anao akia ry tiako. F'io kintana manjelatra io Dia toy 'lay ilon'ny fitiavako Mirehitra tsy mety maty Fa efa raikitra ato ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tolona-1947
TOLONA 1947
Fredy Jaofera
Mafy dia mafy ity nanoherana ny fanjanahan-tany raha ady tsy taka-piheverana no setriny izany. Ady mafotaka feno habibiana nandoza ny maro, tsy tanty n'oviana n'oviana ka mbola ampiakaro. Ady nahafaty an'ireo Malagasy tia tanindrazana, voan'ireo tafondro aman-basy ka tsy nahamazana. Ady nandravana an'ity fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsetsatsetsa
TSETSATSETSA
Fredy Jaofera
TSETSATSETSA Rehefa izaho no manan-dreny tsy handratra ahy lavareny ka manaiky hiombom-po rehefa mafy ny manjo ; manaiky hiray saina rehefa voa sy maina ; manaiky hiray fanahy rehefa tototra ahiahy, dia inoako ho hasambarana no ho hita sy hisantarana. Rehefa izaho no manan-dreny tsy handentika ahy ombieny, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/nofiko-hono
Nofiko hono ...
ny eja
Nanonofy aho, Nofy hafahafa Isika roa hono Niresaka nitafa Naharitra ela be ... Dia nanonofy aho Nofy tsy voazavako Ny olana dia izao Tanaty lahateny No nihaonantsika Kanefa aho dia nahita Ilay endrikao mitsiky Mahagaga iky...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/tsy-ho-hadinoko-ianao
Tsy Ho Hadinoko Ianao
Pissoa
Tsy ho hadinoko ianao Any andro, any volana Tsy eto an-tany ny "Doria" : Mety hivoha ity mba fatorana Na horavana ilay fitia. Mety hisy koa fotoana Hoe tena mamy ilay fitiavana Saingy tsy afaka mihaona Tsy afaka hifampitantana ... Fa tsy ho hadinoko ianao. Ny bedibedinao maro, Ny hatezeranao mafana, Irony f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elidera/ho-anao-5
HO ANAO
ELIDERA
Ho anao : vady sy ny zanako rehetra; ny tenako, ny heriko, ny ahiko tsisy fetra no itolomako, iadiako, iasako hahasambatra anareo no fikasako. Ho anao mpampianatra sady mpanabe no iaretako ny mafy, ho rehareha, mpitari-dalana mahay sy mpanilo, ny fanabeazana tomombana, matsilo. Ho anao mpianatra maniry te hison...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/saingy-tiana
SAINGY TIANA
Ryana
SAINGY TIANA Saingy tiana ve, Dia manan-jo tokoa Hanoritra ny làlana izay tokony hodiaviko? Saingy tiana ve, Dia afaka ihany koa Hametra sy hifantina izay olona hotiaviko? Saingy tiana ve, Dia afaka mibaiko sy mandidy ahy tsy hiantso na hitady? Saingy tiana ve, Dia mamehy izay ilaiko, Ka mandridrim-baravara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/efa-sambatra-izy
"EFA SAMBATRA IZY..."
Ryana
"EFA SAMBATRA IZY..." "Efa sambatra izy, efa nanadino, Efa tsy tsaroany ny vita sy ny lasa; Efa fo vao no mitempo sady mino, Efa lasy hafa no kinendry sy kinasa... "Efa anarana hafa no tsy afaka am-bavany, Raha misy ny manjo, na tojo hafaliana; Efa tsikitsiky no mandravaka ny tavany, Satria tsy iray fa roa, sal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitia/aoka-hitandrina
AOKA HITANDRINA
FITIA
Mitandrema ianao ry taniko Misy aretina mandindona Ny asasoratra indramiko Ho fanafana, ho tsindrona Efa sarotra ny fiainana Ny loza anefa maka bahana Zary lasa itarainana Sy nenina ny fananahana Tsy mifidy izay asiana Tsy manavaka saranga Tsy mijery fiaviana Taona, harena,… tsy hainy angamba… Fitaovana tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njafah/aleoko-ihany
ALEOKO IHANY ...
njafah
ALEOKO IHANY ... Aleoko ihany mbola zaza Ilay be tomany lava Mieritreritra lalao Isan`andro vaky izao Tsy mba manonofinofy Voatsabo hatrany raha farofy Ny alina matory tsara I Neny koa mikarakara Dia rehafa krismasy Miova ilay nahandro gasy Mahazo akanjo sy kiraro Sy vatomamy maromaro Tsy mahatsiaro fahori...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/efa-nomeko
EFA NOMEKO
SCOTLANDYARD
Ho setrin'ny tononkalon'i Ryana hoe OMEO AZY Ary mbola atolotra an'i pissoa ihany koa ho setrin'ilay hoe MAHAIZA MANDEFITRA EFA NOMEKO Efa nomeko azy, ny tso-drano sy hafatra hahafahany miaina, fitia feno sy lafatra Efa nomeko azy, ny tsikombakomba efa mangina aho, sy mahalala fomba Efa nomeko sy naveriko, ny sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mahantra-3
MAHANTRA
Fredy Jaofera
MAHANTRA Mandry izy aloha fa tsy hita izay lazaina, ny vola toa tsy misy na azony antenaina, lamba maimbomaimbo sy rovitra tanteraka, izao izany ve no tena olon-dreraka ? Ketraka izy ity fa mitebiteby mafy fatratra amin'izao fonenany manakaikikaiky tatatra, tsy ampy jiro lalandava na izay rano isasana mahamenat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ghanot/ny-fitiavana-4
Ny fitiavana
Ghanot
Ny hatao hoe fitiavana Fo mifanaiky hiara-dia sy hihavana Ka na anatin'ny tsara na ny ratsy Tsy misy hifandao fa iray vatsy Raha hoe tia moa no ilazako azy! Tsara ho fantatra fa tsy manala azy Fa kosa mitempo @ fo manontolo Ka haharitra fa tsy ho bobongolo Ny hatao hoe tia moa ry reto Zay mipetraka ao am-po sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitia/fitiavan-tena
Fitiavan-tena
FITIA
Fantatro efa ela, eny hatrany am-piandohana... fa tsy ho iray isika Kanefa notereko sy noezahiko hihamafana sy tsy hisy tomika na dia hanam-piafarana hay ny anao tena izy. Irery aho tamin'izay, eny tsisy niangolana... dia ianao no tazako notorian'ny vavako,... dia valiny igagana : Hay ianao tena tia. Dia nih...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njafah/manantena-2
MANANTENA
njafah
MANANTENA Manantena tsy ho kivy Na dia mizaka ny mangidy Sy fiainana misondro-bidy Eny fa na dia kibo noana Ny kely ananana aza foana Tsy maintsy hamiratra ny andro ka ho matsiro ny nahandro Manantena tsy ho kivy Tsy ataoko handany ivy Ny enjikenjiky ny hafa Ka handaniako ora hitafa Fa vao maika hampiezaka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/androany
ANDROANY
SCOTLANDYARD
Ho tohin'ny tononkalon'i Ryana hoe SAINGY TIANA ANDROANY Androany ianao no babo, sy milavo lefona Fa ny ampitso mbola ho avy, K’ianao hiefonefona Ka tsy hanaiky intsony, ireo fetra sy lalàna Namerany anao tsy hivoaka ny tanàna Androany ianao no resy, mahery ny fitia Ka mbola tsy mihiratra fa saron’ilay fy Fa ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/atambo
ATAMBO
SCOTLANDYARD
Raha nahay nanoratra ilay olona izay dia ity tononkalo ity no nalefany ho ahy . . . ATAMBO Niseram-betivety ihany toa rivo-doza nitatao ka nandringana ny tany izato fandalovanao Nandalo andro vitsy monja toy ny tafiotra iray mahery ny sanginao narahin'onja ka izay natsangako dia very Natselatrao indray mandeh...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/haiko
HAIKO
SCOTLANDYARD
Ho valin'ny tononkalon'i Ryana hoe TSY HO AHY HAIKO Ekeko marina ny anao ka ny fara fiononako Dia ireo tahiry mamy tao anaty tonantonako Izay voarakitro anaty, ho diary vita sikotra Tomboka vatsa naka toerana ary koa tena nifikitra Ekeko marina ny anao, satria izy mpivahiny K’izay rehetra vita tany, ts’isy hifan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nataoko-ihany
NATAOKO IHANY
Fredy Jaofera
NATAOKO IHANY Nataoko ihany izay hoe hanadino ny sangisangy fanao re, ry tiana, kanefa tsy nety ka indro vimbino 'zao kalokalo tsy fanta-piaviana. Nataoko ihany izay hoe hanafoana ny fahatsiarovana maro dia maro kanefa tsy nety fa zary nampihaona ny omaly sy anio izay toa mifangaro. Nataoko ihany izay hoe hana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fo-mitempo/tafatoetra-ilay-fitiavana
TAFATOETRA ILAY FITIAVANA
Fo mitempo
Nihazakazaka ny fony, nanenjika etsy sy eroa; Novonjeny avokoa ireo fitia nitodika aminy; 'Zay nitopazan'ny fijeriny ka nahafinaritra ny masony Dia nitoriany fitiavana satria nampisy fihetseam-po. Nizarazara tamin'ny fo maro teny ny fitia tao anatiny Notsetsafiny, nangoniny avokoa ireo mamy nandalovana Nandehande...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njafah/misy-farany
Misy farany
njafah
MISY FARANY Ray o, Ampio aho hanadino Ka hanaiky sy Hino Fa ny zavatra rehetra Dia voafetra N`inona n`inona kinasa Sy mba natao lahasa Dia hisy farany avokoa Ka hisy iray tsy hankato Ny teny rehatra nifanomezana Ka naharava ity fehezana Mba handeha sy hifindra Lalan-kafa no arindra Na dia tsy hitako akory...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/lozanao-ry-bibidia
LOZANAO RY BIBIDIA
SCOTLANDYARD
Atolotr'ilay TSAMY iray izay , ho an'ilay TSAMY iray hafa any ho any . . . LOZANAO RY BIBIDIA Lozanao ry bibidia ... Fa novirainao izato vatany nozimbainao izato nofony k'ankehitriny toa tsy fantany izay ekena sy atosiny Lozanao ry bibidia . . . Fa nosetrainao izato fony nampianao fikorontanana ka ny ambany l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njafah/namako-2
NAMAKO
njafah
NAMAKO Tsy ho aritro intsony ny tsy hanoratra ho anareo Namana rahavavy mpiaraka manandrapeo Tao anaty taona maro nahitana fifaliana Sy ny adiady kely nanaingo ny fisiana Satry foana hifanena hiaraka hikakakaka Ka hampiseho hatrany fa antsika anie ny laka Amin`izato feo miredondredona aok`izany Mamitodika ny ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikopol/raha-tia-ahy-ianao-1
Raha tia ahy ianao
Nikopol
Raha tia ahy ianao Tsy ho reko fipatraka Ny orana mifafy, Ny alaviran-dalana Tsy tsapako hoe ahoana ... Ireo mety havizanana, Tsy ataoko hanakana ahy, Hiketrika fiarahana, Tsy resin’ny fotoana ... Raha tia ahy ianao ... Raha tia ahy ianao ... Dia ... Hery tsy hita lany, Hanamboarako akany, Ho an’ilay fiti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ao
AO . . .
raozigasy
Ao am-bavako ao mbola misy tsironao ilay faly mankafy mamy sady tia Ao am-molotro ao mbola misy molotrao manoroka sahisahy maharesy lehilahy Ao am'masoko ao mbola misy masonao manao fijery lalina anaty sasak'alina Ao an'oroko ao mbola misy fofonao ilay manitra fitia malefaka, malia Ao an-tsofiko ao mbo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/sary-fanarany
SARY FANARANY !
Arajech
SARY FANARANY ! Dia izy mitsohitra eo ambony farafara Tsy mihetsika tsy mandreha tsy mitantara Izay no sary farany Izy anty ankanjo fotsy manjopika Tsy mba mihetsika maneho ilay bika Izay no sary farany Tsy tezitra sy misy tsiky toa fanaonay Endrika afa tsy ary nisy atrizay Izay no sary farany Dia izay no sar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/foana-foana
FOANA FOANA
raozigasy
FOANA FOANA Saika hanoratra aho androany, hilaza indray hoe " Tiako ianao " Kanefa izany teny izany ve ? moa tsy efa fandrenao ? Saika hanoratra aho androany, hilaza hoe " Ianao tsy foiko . . . " Kanefa haiko hoe fantatrao, f'ilay fitiavanao koloiko Saika hanoratra aho androany, hilaza fa ianao no mamiko Fa moa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/ialako-tsiny
IALAKO TSINY
SCOTLANDYARD
Ialako tsiny raha toa ka ny fandalovako niserana, tao an-tokantranonao no nahatonga anao hiova, sy hitomany toy izao Ialako tsiny raha toa ka ny fiserananao namangy, sy nitsidika ahy taty no nanova anao tanteraka, ho resy sy latsaka fitia Ialako tsiny raha toa ka ny fikipikitra am-pandriana, ny oroka sy safosafo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/aleo-hiteny-fa
Aleo Hiteny Fa ...
Pissoa
Aleo hiteny fa ... Na ny lasa haparitany Mba hanosoram-potaka ; Na ho zary fitanisany Irony andro nahapotraka ! Na ny toetra no hofosainy, Na tsiambaretelo haborany ! Na inona ho lazainy, Amin'ny lainga tsy totorany ; Na inona hangoniny Hanamaloka ny anio, Na ny tsisy aza hoforoniny ! Dia izao no tadidio : ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/mpamadika
MPAMADIKA
Miarantsoa Anicet
MPAMADIKA Mamanara mamanala Ny volana ao an' ala . Mamiratra aoka izany Ny vorona any ho any. Mampalahelo irony hatsiaka , Any ivelany any izy lanin' ny alika. Lamba marobe Tinafin' ny parasy. Mitsambikina fandeha : Voky ra ny malagasy. Eo ambonin' ny fandriana Misy olo-milomano. Misy trondro mahavariana:...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/marary
MARARY
raozigasy
MARARY Marary izany aiko mahita olon-droa mitovy faniriana Marary izany saiko mahita azy roa Tia sady Tiana Marary ny fanahiko mijery ireo tosy sangy sy angola Marary ny tsiahiko ny foko toa voahosy lalovan'ny mpidola Marary ny fitiavako ferena ny ao anatiko fa lavitra ianao Aiza ianao rahavako ilay ir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/te-ho-anao
TE HO ANAO
Miarantsoa Anicet
Te hiaraka aminao aho ! Hatory akakinao. Tsy haninona tsy haninona an! Ny tananao fihinina , Ny tratranao iankinana, .Izay no mba fihinana. Te hiakina aminao aho ! Tsy hilalao akory . Hatory tena hatory. Hanonofy fotsiny . Ny fitia sy rotsirotsiny, Anilanao ny hanta, Tony koa ny ratra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niryna/ny-fitiavako-anao-anie-ry-lala-1
NY FITIAVAKO ANAO ANIE RY LALA
niryna
NY FITIAVAKO ANAO ANIE RY LALA NY FITIAVAKO ANAO ANIE RY LALA DIA FITIAVANA TSY MANANTSAHALA FITIAVANA MIRAKITRA HO TADIDY NY FITIAVAKO ANAO SAROBIDY FITIAVANA MIBOIKA ATO ANATY NY FITIAVAKO TSY METY MATY FA NY FITIAVANA TSARA INDRINDRA DIA NY FITIAVANTSIKA ROA MIARA-MAMINDRA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/mifona
MIFONA
SCOTLANDYARD
MIFONA Mifona aho, raha toa nanaiky ilay tsapatsapa izay taraiky Mifona aho raha toa nalemy tamin'ireny oroka ireny Mifona aho raha toa solafaka, k'izao ianao toa zary tsy afaka Mifona aho, raha tsy nandà ilay tsikinao izay sahisahy Mifona ahy raha toa nanaitra, ilay sangiko sy angola vaitra Mifona aho raha ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niryna/ny-fitiavako-anao-anie-ry-lala
NY FITIAVAKO ANAO ANIE RY LALA
niryna
NY FITIAVAKO ANAO ANIE RY LALA NY FITIAVAKO ANAO ANIE RY LALA DIA FITIAVANA TSY MANANTSAHALA FITIAVANA MIRAKITRA HO TADIDY NY FITIAVAKO ANAO SAROBIDY FITIAVANA MIBOIKA ATO ANATY NY FITIAVAKO TSY METY MATY FA NY FITIAVANA TSARA INDRINDRA DIA NY FITIAVANTSIKA ROA MIARA-MAMINDRA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/vazoly-1
vazoly
Arajech
Any ilay vazoly iray izay Niavonany teniko nanambany ilay fitia dia ilay fitia volameniko ny fitiavanao anga toy ny lamba tsara loko ka anaovanao fampitaha ka voahosadokanao ny foko indray hariva pararano ho tsaroanao angamba namborahako fitia taminao tsy niambahamba nefa moa tsarioanao ny avona izay navalinao h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nyhavana/tena-tia-2
TENA TIA
nyhavana
Tena tia, Tsisy tambiny ny fitia na takalo volamena satria rehefa tia dia efa izay no harena Ny fitiavana madio izay mivoaka avy am_po io ihany no kajio dia ho tsapanao tokoa 'fa mamelombelon'aina, o,mampientana fanahy alaivo sary an-tsaina anie,tony fo mahatsiahy ilay olon-tiany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitia/ny-teniko
NY TENIKO
FITIA
Misy zavatra hafahafa Mahalasalasa saina Fa ny tenin'olon-kafa no indro toa indraindraina Nefa eto an-taniko aho eto Madagasikara Efa hatrany an-dakilasy Raha vao nianatra abidia Te hahay taratasy vahotra tokoa satria... Tsy ilay teny ataon'i Neny Hafa noho ny an'i Dada. Eny an-toerana mihaja Raha hanoro n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/soa
SOA
raozigasy
SOA Soa ny orana milatsaka k'hanafina hampiharo ireo ranomaso latsaka noho izato tsiaro Soa ny andro maloka hampitovy loko ny endriko izay maloka noho ny alahelom-poko Soa ny andro maizina ka sarotra avahana ireo helo s'ireo aizina anatiko mibahana Soa fa mitabataba ny any ivelany any ka saron'ny kotaba ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aiza-1
AIZA
raozigasy
AIZA Mandeha tsiroaroa, ny mpifankatia manavatsava orana Ny masoko ankiroa mahita izany akia mila hananga-torana Mifanorokoroka etsy sy eroa ny mpifankatia Ny ahy anefa izay oroka lavitra tokoa raha teto mantsy indry Misakambikambina mamihina ny tiany ireo tovolahy be sangy Izaho kosa miambina ilay fin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mihaja/jejijefy
JEJIJEFY
miHAJA
JEFIJEFY Te hikimpy aho, te hijery fa tsy mampino ity miseho… Hay, toy izao no tena izy ka nahatonga ny ankizy jejojejo any Dago. Eto no Parisy, renivohitr’i Lafrantsa vohitra dongabe, avo lenta, mizahozaho, feno tabataban’ ireto fiara mikaretsaka… Lohataona, hono, izao. ‘Ndreny mifanena an-dalana eny zoki...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/raha-ianao-1
Raha Ianao
Pissoa
Raha Ianao Raha toa ianao ry aiko Tsy mety hizarako Ny rebiky ny saiko, Sy mba ho fihantako ; Raha toa tsy ho anao Ity raozy nokoloiko, Ka tsisy ho sitrakao Na ny fijorony na loko ; Raha toa ianao tsy sahy Hitantana ny tanako Na sanatria handa Ny ho tiana sy ho namako ; Moa ve mbola ho haiko Ny hifaly ind...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tao-an-tempolinny-fitia
TAO AN-TEMPOLIN'NY FITIA
raozigasy
Aingam-panahy tokony ho nivoaka ny 14 febroary kanefa nabosesiny loatra ny tanako ka dia voatery namoaka azy an-tsoratra , mazotoa mamaky TAO AN-TEMPOLIN’NY FITIA Dia tonga indray ity ilay andro, voatokana , voaavaka Ho an’ny mpifankatia , rehetra rehetra tsy an-kanavaka Izaho moa toa mba anisany, ka tsy te-hoe-hia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mihaja/etsy-kely
ETSY KELY
miHAJA
ETSY KELY Etsy kely atataovy sy ampio ny finiavako hanavotra ny firenena mba ho vanona sy velona. Misy koa toe-tsaina hahitsy ao misy fitsipika vaovao. Misy, eny misy tsara saingy tsy ampy ho an’i Madagasikara. Etsy kely re ampio e! Fa mavesatra loatra ity entako an-doloha, ka sao miatonta dia ho solafa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/domoina-ratovozanany/hitia-anao
HITIA ANAO
Domoina Ratovozanany
Handao izay rehetra mamiko Hiarahana aminao, Hanokana ny hoaviko Hahasambatra anao, Izay talenta, soa ananako, Omeko, afoiko daholo ! Ny aiko sy ny fitiavako Ho anao manontolo… Na ho mamy na hangidy, N’inon’inona hanjo ahy, Hitia anao ry sarobidy, No voadiko mandrakizay ! Ny foko tia, tena tia, Nifidy anao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/revirevy/vavaka
Vavaka
Ikalamako
Raha manoloana fefy sarotra hihoarana Na ny mikitroka tsy hahitako làlana. Dia fantatro fa ao ny Tànanao Mahery Handray sy hitantana ahy. Raha toa hirodana ireo izay naoriko Hosomparam-pahavalo izay mba fananako Tsy hitarainako akory fa ny zavatry ny tany Tsy mateza hoy Ianao. Raha misedra tafiotra ny sambokeli...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mihaja/hanompo-1
HANOMPO
miHAJA
HANOMPO Na ho mora na ho sarotra: tsy hisy itarainana na ory na finaritra, n’inona n’inona adim-piainana; Fa toky tena nofinidy, efa latsaka ato anaty hanompo an’i Jehovah aho, voadiko io mandra-maty.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mihaja/mifanadala
Mifanadala
miHAJA
Mifanadala Efa nokoboniny sy misisika ao anatiny ny endrikao tsy fantany… Ny soratsora-maminy toa mangentana tsy ho tantiny kanefa dia izany… Mivavabavaka izy, isan’andro vaky hahita anao anilany… Mitombo ny fotoana sady efa manakaiky ny tsy ahitany izany silany! Misandratra amin’ny tranobongony ny setroka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mihaja/hala
HALA
miHAJA
HALA Menafify ny taratra hariva manombantombana ny androko ety, Toa mandefa ambiroa andakira hitondra hafatra ho an’ilay tia. Te-hianoka fy hogiazana hihoso-menaka ny alo-navelany, Misambatra irery tsy tazana raha miravaka ny sombin’ny elany. Ifikirako mba hanan-tandrify andosirako toa mangarangarana, Ny hal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitsina/fisarahana-4
fisarahana
tsitsina
apanganiko ny foko izay nitempo atrizay ho toniako koa ny saiko tsy amisavisa anao ampy izay ny vitantsika fa ny hoavinao jerena fa ny fonao manontolo efa nisy nanantena izao ane tsy ho kivy na hisento aminizany fanirihana ane ny antsika olom-belona eto antany ko raha tsy tanteraka ary koa tsy anjara tsy a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rtl/adala-aminao
Adala aminao
rtl
Adala hono aho raha toa tsy mahakipy Manina irery ao am-pandriako Adala hono aho raha toa ka mitsiky Hany mahatsiaro 'lay olon-tiako Tsy ahoako anefa 'zay fanarabiany Fa tiako iny ny ahy,tena tiako tokoa Hany andro iray izy hahita ny tiany Ho adala ny fony tahaka ny ahy koa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanto/segondra-maromaro
Segondra maromaro
Lanto
Segondra maromaro No nanginanao Mitady izay hambara... Segondra maromaro Baraingo nifangaro No tao an-tsaiko tao : Rahoviana vao hiafara Ity fahamaonanao ? Fotoana lava loatra Raha hampitahaina amin'ny Zavatra holazaina Tena lava loatra !!! Kanefa dia nilaina! Sa miankina aman'aina ? Segondra nampiahotra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitsina/fisarahana-5
fisarahana
tsitsina
apanganiko ny foko izay nitempo atrizay ho toniako koa ny saiko tsy amisavisa anao ampy izay ny vitantsika fa ny hoavinao jerena fa ny fonao manontolo efa nisy nanantena izao ane tsy ho kivy na hisento aminizany fanirihana ane ny antsika olom-belona eto antany ko raha tsy tanteraka ary koa tsy anjara tsy a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ianao-15
IANAO
raozigasy
ho setrin'ny tononkalon'i NYeja hoe : IANAO Ny masonao banjiniko, Ny endrikao dinihiko Ny tananao fikiriko Ny oroka ankafiziko Izay no tena fiainana Ireo rehetra tsy ampy tamiko saika hoe nindramiko tetsy sy teroa fenonao avokoa Ka mamy ny fiainana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ianao-no-tiako
IANAO NO TIAKO . . . .
raozigasy
IANAO NO TIAKO . . . Ianao no tiako nizaràna izay fahitako ilay tanàna ireo zavatra izay nigagàna ireo rehetra nampihàna Ianao no tiako niara-nahita ireo zava-maro tsy fahita tsy mijery havia raha miampita ka mila mailo vao tafita Ianao no tiako niaraha-nizaha ireo karazana vazaha mifanoroka tsy miahy nefa ...