url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iara/lanto-tia-anao-aho-meteza-ho-tiaviko | Lanto! Tia anao aho, Meteza ho tiaviko. | Iara | Lanto!
Ny endrikao manga, meva sady kanto
Ny fitsikinao sariaka dia sariaka
Ny famindranao somary milantolanto
Mitambatra iray dia masoandro mibaliaka
Tia anao aho
Lanto Lanto foana, Lanto Lanto ihany
Tsy miala ao an-tsaiko, tsy afaka ao am-bavako.
Ny anaranao foana, Ny anaranao hatrany
Tanisako isan'andro fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-alimbetso-soa-na-endrika-nasalotra/ry-foko | Ry foko | Ny Alimbetso Soa na Endrika Nasalotra | Ry foko,
Nahoana ianao no mitomany
Mieritreritra azy foana
Moa tsy efa fantatrao
Tany ampiandohana....
F'izy tsy maintsy andao
Ikopak'elatra any
Ry foko,
Nitia ianao dia izay
Aza sainina intsony |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanto/iza-2 | Iza ? | Lanto | Iza no hizarako
Ireo hirahira mamiko
Raha toa ka tsy ianao ?
Iza no hilazako
Ny embona sy haniko ?
Iza no hahalala
Ireo teny tsy voambara
Tanaty masonao ?
Iza raha tsy izaho
No hahatsapa izay sahala ?
Iza, afa-tsy ianao
No hahay hitantana ahy
K'izaho tsy mba hanahy ?
Iza kay, lazao,
Ilay silaka fanahy ? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/hodio-tsy-hita | Hodio tsy hita | Vanjanofy | Hodio tsy hita intsony ny làla-masatsika
hodio tsy hita akory ny tontolo niainantsika
totofy tsy hamony irony sangintsika
hevero ho toy ny tsisy ny tsikitsikintsika
koseo ho faty mihitsy 'lay tenimamintsika
hodio tsy hita hoy aho ny diavolantsika
hodio tsy hita koa 'lay isika roa taloha
f'izah tsy hamoy fo!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/bye-bye-london | BYE BYE LONDON | raozigasy | BYE BYE LONDON
Veloma ianao London,
Ny revy tany bonne
Irina ny hiverina
Na dia hoe tsy amin'ny heriny
Veloma ianao London,
Fa hiverina amin'ny laoniny
Ny fiainana rehetra,
Bouchon, stress, etsetra
Veloma ianao London
Fa souvenirs amin'ny tonne
No sisa hotsaroana
Raha toa tsy tafahoana
Veloma ianao London
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/irery-6 | IRERY 6 | raozigasy | IRERY 6
Irery ts'isy namana
Lavitra sakaiza
izay zavatra mibahana,
Lazaina an'iza ? aiza ???
Irery mijery sary
Tsy misy izarana
Ireo tsiaro maharary
Fahiny tsy hay fafana
Irery eo am-pandriana
Mitakoko raha matory
vao mitady ho variana
Dia lasa oriory |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiderana/tia-7 | Tia....... | fiderana | Azo hatao dia azo hatao,
Ny mitia am-pilaminana,
Azonao?....azo hatao,
Ny misarika ahy tsy hivilavilana,
Tsy korontanina aho anefa....,
Tsy kotabaina koa satria....,
Ny foko tia efa tia, ho anao ho doria.
Azo hatao dia azo hatao,
Ny mandray izay hatolotro,
Azonao?....azo hatao,
Ireny tsy an-tendro molotro,
T... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitia/enga-anie | Enga anie | FITIA | Efa ho kivy aho tamin'izay
Valalanina tanteraka
Resy foana, mila ho fay
Drodroka sy tena reraka
tao ny rava tsy hay nahoana
tao ny voahitsakitsa-poana
nisy tsy tsara ka noseko
Naka saina aho no injay
Nifoha tamin'ny torimaso
Notairina noho ny ankaso
sa, hankasitrahana amin'izay?
Topi-maso, kopakopaka
Mampah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitia/adin-tsaina | Adin-tsaina | FITIA | Miasa mafy ny saiko ry tiana
Mba mangataka aho, aza kiviana
Miandry valin-teny avy aminao
Aza afenina re ambarao
Efa hoa avy ity ny fialam-boly
Hiato kely indray ny ao an-tsekoly
Dia ho marina ve sanatria:
Hisara-toerana izaho sy indry?
Tsy dia sitrako loatra anie izany
Raha ny tiako dia miaraka hatrany
Nefa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/tsy-tiako-hono | Tsy Tiako hono | Pissoa | Tsy tiako hono
Tsy tiako hoy aho ianao !
Fa vao hitanao maloka
Ny endriko mazàna
Dia iny ianao tsy tana,
Tsy mety fa mikaroka
Ny hampitsiky hatrany !
... Izaho te hitomany.
Tsy tiako koa ianao,
Fa minitra vitsy ihany
No avelanao hitoetra
Ny embona sy tsetran'
Ity lavitra akany ;
Lavitra ny maro.
... Izaho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/irery-7 | IRERY 7 | raozigasy | IRERY 7
Irery tojo olana
Tsy afaka mivolana
na koa hitaraina
Irery ka mangaina
Irery miasa saina
ka ontsa ery ny aina
mikobona ao anaty
izay zavatra tsy tanty
Irery ka sahirana
f'izay andro mba mangirana
toa feno sento lava
ka mampikentron-tava |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/isaky-3 | Isaky | Vanjanofy | Isaky ny mifanojo ireo masontsika ireo
ka mitsipika eny an'endrika ny hafaliana tsy omby tratra
dia tsarovy fa ny foko savilihan'ny toreo
hanadino ny hirifiry ho toy ny zavatra tsy niatra!
Isaky ny mifandona hanjary ho iray ny tànantsika
ka misotro teny mamy ny aty foko sy fanahy
dia injay fa toa tsaroako miom-pe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/arahabaina-ianao-rineny | ARAHABAINA IANAO R'INENY | raozigasy | Arahabaina ianao r'Ineny, tratry ny taona enim-polo
Miarahaba anao daholo, izahay zanakao iray manontolo
Na izahay aty am-pita,
ela tsy tazana tsy hita
Na izy mivady izay any
miara-miombona izany
Indrindra moa fa Ifaralahy
ao aminao izay tsara mpiahy
Ka ny hany faniriana izay hitambaranay rehetra
Ho salama hat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/mbola-miandry | MBOLA MIANDRY | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | MBOLA MIANDRY
Mbola miandry anao ny fony
Fa misy ratra tsy mitony
Manaintaina tsy mitsahatra
Toy ny faka ratsy fahatra
Mbola misy izay tavela
Sy ny ako-ny tsy mamela
Handino ny andro lasa
Toy ny loto tsy voasasa
Mbola misy sombintsombiny
Teny mamy teo imolony
Mitoetra ireny ho tahiry
Hitsimoka, hamelan-tsir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ho-ani-roma | HO AN'I ROMA | raozigasy | HO AN'I ROMA
Salama ve ianao ry Roma, ny namana ny akama etsetra
Manao ahoana daholo, ianareo rehetra rehetra
Izaho aty salama tsara, efa niverina niasa
Vetivety ilay vacances, poa toa izay dia dify lasa
Izaho izao aty Paris, efa niverina mi-rythme
K’ilay tsikitsiky lavako iny, efa nivadika ho-kizitina
Ny sangis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-hajainao | REHEFA HAJAINAO | Fredy Jaofera | REHEFA HAJAINAO
Rehefa hajainao ny zavatra tsy tiako
sy omenao vahana izay zavatra iriko,
amin'izay fotoana izay ny fo feno jaly
ho tretrika tokoa sy mbola hoe voangaly.
Rehefa hajainao ny zavatra tsy tantiko
sy tandremanao tsy hanonja ato anatiko,
amin'izay fotoana izay ny tena ahiahiko
ho potika sy rava hampi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando-rochelinah/tsiambaratelonao-ry-kanto | TSIAMBARATELONAO RY KANTO | ANDO ROCHELINAH | NY TSIAMBARATELONAO
RY KANTO…
Mahavàka tokoa!
Ny fahagagana vitanao
Talenta, tsy manam-paharoa
Fa mipololotra ao anaty ao
Voaborakao ny nofinofy;
Mamelona ny ati-fanahy,
Vitanao koa ny mandrotsirotsy
Raha ketraka ka manahy
Na antoandro be migaina,
Na alina mikitroka
Dia sokafanao ny saina;
Handefa indra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando-rochelinah/voagadra-rojo-vy | VOAGADRA ROJO VY | ANDO ROCHELINAH | Fitiavana mahajamba
No namatotra ny aina
Ary indrisy fa angamba :
Handreraka ny saina
Voagadra rojo vy
Ny fanahy sy ny fo
Nohelohan’ny sedram-pitia
Tena mahavaky loha
Fitia anaty fonja
No manefika ny aina
Milamina nefa mafonja
Mahafaly, mampahonena
Hatraiza ny fetranao !?
Ry fonjan’ny fitia
Fa toa isan’an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fony | FONY | Fredy Jaofera | FONY
Fony lakana very fivoy,
tsy nanana aho izay namaharana ;
nony avotra kosa re, roy,
vao indro ianao be varavarana !
Fony alina namirifiry,
tsy nanana aho izay nirakofana ;
nony nisy tory nitsiry
vao niantso mba nialofana.
Fony toa singany irery,
tsy nanana aho izay nisitrihana ;
nony iny fa nisy nijery
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/dieny-izao | Dieny Izao | Pissoa | Dieny izao
Dieny izao ianao ry aiko,
Ry firesako isan'andro
Na mbola tsy hitako eto imaso :
Tsy fiangaviana ity fa baiko,
Mivonona ianao hitandro
Fa ny tany mantsy ankaso !
Dia alaivo amin'i Neny
Izay rehetra mety ho ilaina ;
Mihetseha ianao, mba kinga.
Angalao daholo ireny
Herim-po sy herin-tsaina
Ho sabat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/finaritra | FINARITRA | Vanjanofy | Finaritra!
Ny anarany aza
dia efa milaza
'lay endrika kanto
'zay soa sy milanto
narindran'ny Ray
Ny feony indray
dia toa vorona iray
mihantsa ao an'ala
ka tsy hisalana
fa tena mambabo ny fo sy ny saina
raha izay no lazaina!
Finaritra!
Toa satriko ihany
haverina indray
fa toa mampahatsiahy
'lay tsanganan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando-rochelinah/aleo-mangina | ALEO MANGINA | ANDO ROCHELINAH | ALEO MANGINA
Aleo mangina
Raha ilay olon-tiana
No tsy miraika aminao:
Aza miteny tsotra izao!
Aleo mangina
Fa velomy ny faniriana
Alaviro ny sento sy tomany:
Fa mitsikia hatrany
Ilay fanantenana no hazony
Fa mbola hihiratra ny fony;
Ny fahendrena no tohizo,
Ny fahalemem-panahy vohizo
Ny herin-tsaina aza ar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando-rochelinah/hanompo | HANOMPO | ANDO ROCHELINAH | HANOMPO
Tontolo tsy hay tohaina
No natobakao tety;
Na iza na iza velon’aina
Tsy diso anjara, samy mankafy
Naposakao ny masoandro
Hamafa ny rahon-taraina,
Nasianao koa ny andro
Hanazava ny alina mampalaina
Ireo mangidin’ny tany
Mandalo, tsy mahazo laka
Mipetraka ho fitsapana ihany:
Ny herinao no tena manjaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahenina/vetsovetsom-poko | vetsovetsom-poko | MAHENINA | Vetsovetsom-poko
Tsy manam-paharoa ny toetra anananao
Tsy misy toa anao raha mbola eto an-tany
‘reo bedibedinao ahatsiarovako anao
Raha nalahelo ianao za koa mba tomany
Tontolo tsy hita maso,tontoloben’ankaso
‘reo sisa tavela, dia ny bitsiky ny ela
ny lohataona faly, tsaroako vao omaly
ny oram-batravatra, io n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/sorona | SORONA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | SORONA
Hisoronako ny tenako
Raha ny aminao malala
Ary tsisy anenenako
Na dia tsisy hahalala
Hisoronako ny aiko
Na tanteraka na tsia
Ny amintsika ry lalaiko
Tsy ho rava sanatria
Hamoizako ny havana
Raha izay no ahatontosa
Ilay herin’ny fitiavana
Tsy mihena fa miavosa
Hamoizako ny namako
Handaozako ‘reo Ray... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niry-solosoa/miangaly | MIANGALY | Niry-Solosoa | MIANGALY
Ny hoditra malamany mainty ngalingaly;
Ny tsikiny malefaka toa kristaly;
Fotsy sy botsiaka ny lahatry ny nify;
Ny randrandrandram-bolony,madinika,manify;
Ny maso baibari sariaka mahamanina
manintona mpijery, rendrika sy fanina;
Ny fijorom-batany toa fototra rofia
Vorivory nofo bikàna tsy mahia!
Ny tov... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mazanakiki-rakoto/ilay-fita-miteny | ilay fita miteny | mazanakiki rakoto | Ilay fitia miteny
Ny foko no mitempo
Mahita ilay fitia
Ity molotro ibitsibitsika anao
Amboraka ilahy fitia
Ilazako aminao izay ao am-poko ao
Raha tsimisy anefa izany
Dia zavam-pohana ihany
Ny fitia fa tsy miteny
Raha mba hitanao matsy
Izay ao am-poko aho……
Dia filamatra iray holazaiko anao
Fitia tsy vaokara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando-rochelinah/boseseho | BOSESEHO | ANDO ROCHELINAH | BOSESEHO
Ry voro-mandalo iry
Lazao azy any
Ity foko tena tia
Sy loziran-tomany
Ry habakaba-manga
Mba ampitao azy izao:
Ny fiainako tena banga
Koa mba mitalaho
Iangavio mafy izy izay
Ry kintana amam-bolana
Fa ny alina no tena mamay
Ny embona maha torana
Ianao masoandro miposaka
Borahy aminy hatrany
Fa ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/arrivederci-roma | ARRIVEDERCI ROMA | raozigasy | Arrivederci Roma
Izay sahady aho dia efa ngoma
nefa mbola tsy nisidina
akory ilay fiaramanidina
Arrivederci Roma
izay sahady aho dia nisaona
ny fiarahana rehetra
ka niveri-najoretra
Arrivederci Roma
rahoviana indray re vao hihaona
soa fa vetivety ihany
tsy ho ela aho dia ho tamy
Arrivederci Roma
tsy veloma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando-rochelinah/mitsikia-2 | MITSIKIA | ANDO ROCHELINAH | MITSIKIA …
Raha mikiky ny adin-tsaina
Izay mandifotra ny aina;
Dia aza mandrotsaka tomany
Fa lalàm-piainana izany
Ny ady, ny tsy fanànana
Aoka tsy ho vato fanakànana;
Milofosa, misalorà toky
Raha mino tsy mba handry fotsy
Ny fahoriana, ny fahafatesana
Mafy tokoa raha iaretana;
Nefa nofo isika, ikorianan-drà
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fantatro-3 | FANTATRO | Fredy Jaofera | FANTATRO
Fantatro fa diso ny làlana asainy
izoran'ny safidim-poko,
ka aza igagana raha tsy hita lalainy,
fa efa tsy inoako !
Fantatro fa diso ny toky tadiaviny
tsy maintsy anajana azy,
ka aza talanjona ra'zao re no ho aviny
fa anjara sy sazy !...
Fantatro fa diso ny tsiky natolony
hanakonany ny marina,
ka az... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando-rochelinah/manina-havan-tiana | Manina havan-tiana | ANDO ROCHELINAH | Manina havan-tiana
(atolotro ho an’ireo fianakaviana any an-tany lavitra any)
Ry voron-kely iny
Raha ho any ihany ianao
Ity hafatro re mba vimbino:
Tsy nohadinoiny hoe ny fahiny
Fa voarakitra hatramin’izao
Tsy mety maty fa ao am-po ao
Dradradradrao ho rèny any
Fa ny fitadiavana mahazaka maniraka
Tsy mahafoana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikopol/andrasako-ianao | Andrasako ianao | Nikopol | Andrasako ianao.
Raha mbola misy irika,
Hahafako mandrevy,
Higoaka nofy hafa
Anaty masonao…
Raha mbola misy toerana,
Sombin-tany kely,
Ho nosin’ny fitiavana
Mety ho ahy sy ho anao...
Dia ...
Andrasako ianao...
Andrasako madiva,
Na dia efa iva :
Masoandro am-para-tazana....
Andrasako tsy raho,
Raha toa ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bobmcneal/farany-aho-hangina | Farany aho hangina | Bobmcneal | Irony lalantsika roa
nitosiana teo aloha
Afeniko aiza re ry tiana ?
Irony vetsovetso-po
namenoantsika fo
moa avelako hangina ?
Ireny teny maminao
rehefa nanafosafo ianao
moa avelako hatory ?
Mbola tsy haiko hatramin'izao
ny hanadino anao
ilay tsy hiverina intsony.
Sa... avelako ireo lasa
hofongorina tsy ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/irery-aho-kanefa | IRERY AHO ... KANEFA ... | raozigasy | Irery aho kanefa
Ireo soratrao manafatra
Akamamiako fatratra
Vakiako dia averiko
Hampitombo ny heriko
Ilay feonao fandreko
Avy lavitra ekeko
Mitondra fitoniana
Mampita hafaliana
Ireo sary voatahiry
Jereko efa impiry
No mampitraka loha,
Mampitony fo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/sarinao-sarintsika | SARINAO, SARINTSIKA | raozigasy | rehefa iny aho resiresy
vizaky ny adin-tsaina
noho ireo ola-mifanesy
izay tsy vatra tanisaina
dia ny sarianao ry Tiana
no banjiniko mangina
rehefa iny aho valabalaka
ka manomboka sorena
noho ny asa izay mandanaka
sy ireo adidy izay nekena
dia ny sarintsika akia
no entiko manary dia
rehefa iny aho, ketraketr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iara/ny-teny | Ny teny | Iara | Inoako fa ny teny
Mba miaina toa izao
Mety maty izy ireny
Raha tsy averimberinao.
Ary aza simbaina
Ny hasin'ny teny
Fa mba manan'aina
Ihany koa izy ireny |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/alina-2 | alina | Vanjanofy | alina!
avy indray ianao
mitondra vetsovetso
ao am-poko ao...!
indro ny elatrao
manainga ny fanahiko
ho any an'anona any
misandratra tsy nahiko
ho ankoatrahoatra ny any
ny masoko oriory
ny sainko tsy mitony
fa ohatran'ny efa irony
an-dafy am-pita irony
'reo ladin-kasambarako
fongarinao tsy hitony!
Alina ô... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/ainga-vaovao | ainga vaovao | Vanjanofy | Zao vetsoko izao?
atolotro ho anao
ny aingam-panahiko iray vaovao
sy ireo heritreritro niotrika tao
dia indro mitosaka etoana ho anao
k'indreny anjakao
Tsy kiry tsy akory
fa fo te hitory
ny rakitra ela
zay hany tavela
tsy levon'ny taona!
Tsy hira mimaona
na kalo misaona
sy liana hikika
ny lasa efa vita
f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niry-solosoa/fiteny-haolo | FITENY HAOLO | Niry-Solosoa | "Ny heloka ibabohana mody rariny,
ny rariny itompoana mody heloka"
FITENY HAOLO!
Tsy rariny "ny heloka ibabohana mody rariny" fa tena HAFETSENA!
Tsy rariny "ny rariny itompoana mody heloka" fa tena FANDEMENA!
Ny diso ve afahana?
Ny marina hitsahina?
Tsy mainka hantsana sy hady
mampihenjana ny tady?
Ny famindra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/tsy-hisy-intsony | tsy hisy intsony | Vanjanofy | Tadidinao lay sipa miaraka amiko iny?
tsy ahy intsony izy iny!
tadidinao lay tànanay nifampisarizoro?
rava sy nikoro
'lay tsikitsikinay indray andro iry
zahay nidoladola hitanao taty
nirodana tery!
Tsy adinonao angamba 'lay ora fihaviany
ireo fotoana mamy niarahanay fahiny
efa nidifiny!
ny tsiky sy ny teny mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/noely-2 | Noely | Ranoala | Tonga indray ny noely
ravoravo ny fanahy
isan-taona hafakely
ka mampite hizaha
Ny hira izay manakoako
sa ny fety mandondona
nampiroborobo tao ho ato
rodorodo, godogodona
somebiseby aok'izany
ny eny an-tsena asa lahy
dia ho tsena ihany
sa mba aim-panahy
Na ny tsy mpino aza
dia serona aoka izany
indreo mba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mirindrar/tonokalo-mifoka | Tonokalo mifoka | Mirindrar | Tonokalo tsisy dikany
Indro atolotro izao
Haisoratra mitapy
Zay nomaniko ho anao
Sady tsy miady rima
No tsy manaja ny tsipelina
Teny maro nafangaro
Tsisy bedy tsisy nenina
Tsy natao omena isa
Na koa nosoratana hotsaraina
Fa embonn'y mamisavisa
Sy ny bandy tsy ampy maina.
Aleo faranako amin'izay
Dieny mbola... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/irery-4 | IRERY 4 | raozigasy | Ny jiro maro loko,
Tsy natao ho ahy
Ny krisimasim-poko
Fahontsam-panahy
Ny korana, fifaliana
Ny tabataba noely
Raha teo ianao ry Tiana
Angamba ho hafa kely
Ny sakambina, ny tantana ,
Ny oroka, ny sangy,
Izay hitanao mivantana
Mampanidy vangy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iara/faingana-vonjeo | Faingana vonjeo | Iara | Faingana hiady mafy
Avondrony ny hairaha,
Fandrao ny "malagasy"
Ho babon'ny "vazaha".
Asandrato ny faneva
Ajoroy re ny satany
Mba tsy hitratrevatreva
Ireo vahiny sasantsasany.
Katsaho re ny lasa
Fongaro ny tantarany
Fa maro ireo mikasa
Hamono ny anarany.
Tsaboy fa maratra
Ireo kolontsainy
Fa sao tsy ho tr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandrak-mirindrar/tonokalo-mifoka-1 | Tonokalo mifoka | Mandrak & Mirindrar | Tonokalo tsisy dikany
Indro atolotro izao
Haisoratra mitapy
Zay nomaniko ho anao
Sady tsy miady rima
No tsy manaja ny tsipelina
Teny maro nafangaro
Tsisy bedy tsisy nenina
Tsy natao omena isa
Na koa nosoratana hotsaraina
Fa embonn'y mamisavisa
Sy ny bandy tsy ampy maina.
Aleo faranako amin'izay
Dieny mbola... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/zo-1 | zo | Vanjanofy | Zonao ny hamitaka ny foko lasanao
zonao ny hamitsaka sy hanao an-kilabao
zay rehetra foiko ho anao!
ianao dia manan-jo
hampifilafila
hilaza hoe "tsy mila"
raha izay no sitrakao!
azonao atao
eny zonao
ny hangarika ny tsikiko
sy maso valalanina
niantefa taminao
ny zo ananao?
io no apinga vao
entinao hiarova... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/tojo-anao | TOJO ANAO | SANDRATRA | Tojo anao aho ry tiana
sy ilay hany fahasambarako
ianao mantsy ilay niriana
mba hitantana ny tanako
Ka raha ny faniriako eto an-tany
dia ianao irery ihany
ianao irery mandrakizay
ary ny ahy rehefa izay dia izay |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/misy-4 | misy | Vanjanofy | Misy andro takariva mahalasalasa saina
hatsiarovana ny lasa sy zay mbola hokasaina
mampisandratra ny hanina mampamongatra hafaliana
hanembonana ny fiainana tanilan'olon-tiana
Misy takariva miavaka mivolombolom-pararano
amin'ilay mamanton'alina maha irery an-tokatrano
mampametsovetso lalina misintona fisainana
ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/irery-5 | IRERY 5 | raozigasy | Irery an-tanin'olona
sady lavi-tiana
ny tena miolonolona
na maro faniriana
dia mitsiriritra
ny fifalian'ny sasany
anaty pitrapitra
tsy misy tiana andrasana
dia lasalasam-borona
ka riakan-dranomaso
manaraka ny orona
no tsy hay atao andraso |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vanjanofy/resy | resy | Vanjanofy | Tsy fantatro rahavako
fa vahotra ny vavako
raha vao mahita anao!
tsy fantatro fa izao
no hany tato an-tsaiko
"ianao no nolalaiko"
kanefa dia tsy haiko
fa toa tsy ampy ny aiko
hilazako izany...
tsy fantatro ihany koa
na saina efa voa
na henatra nandalo
no nanosika ahy himalo
sy hiahotra fiteny
rehefa toy i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/oroka-1 | OROKA | Fredy Jaofera | OROKA
Ny oroka mamy
na ny safosafo
dia zavatra samy
tiana ka lafo.
Sasanangy
zara fa mira,
ka sangisangy
sy be hirahira.
Toa nofinofy
lafatra ihany,
ka tsisy rofy
iainana izany.
Toa tambitamby
hafa ho doria,
somambisamby
milaza fitia.
Toa hadalana
sarotra ambara,
misy hafanana
tsara dia tsara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/lany-fanahy-nahia | LANY FANAHY, NAHIA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | LANY FANAHY, NAHIA
Manjeny lava ny fanahiko
Lasam-borona tsy satry
Manjohy ny lalan’ny fitia
Ka ny sento no hirahiko
Hitondra embona tsy tanty
Fa manirery sy mania
Nihitsan-dravina ny felana
Voahoty manta ilay voankazo
Nodimandry ilay masoandro
Siningotry ny elanelana
Ka injao fa miha-malazo
Mantamohaka nah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ciscah/tsy-ho-adinoko | TSY HO ADINOKO | ciscah | Tsy ho adinoko mandramaty
fa fitia latsaka anaty
Ny fiarahako aminao no tena mamy
toy ny tsy ety antany.
Ireo toky izay nomeko
ireo dina izay nekeko
dia voady ampifaliana nataoko ka hajaiko.
Fa efa fantatry ny foko
fa ilay olona tsy ho foiko
dia enao irery iany ry malalako lalaiko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/krismasy-hafa-loatra | KRISMASY HAFA LOATRA | Fredy Jaofera | KRISMASY
HAFA LOATRA
Raha tonga ny Noely
dia toy ny zazakely
naniry izay niriny,
nitady izay mba tiany
ny foko ravoravo
mbola hoe tanavo
nahazo kilalao
maro sy mba vao...
Kanefa na izany,
indro fa tomany
no reko nampahory,
tsy nitondra tory ;
indro fa fahoriana
niampy fijaliana
no niraradraraka,
fa toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ciscah/ho-anao-4 | HO ANAO | ciscah | Vadinao aho androany sy mandrakizay
Tsy hiova aho amin`izay
Ny toeranao, ianao irery no sahaza azy
Aza manahy fa tsy hisy olon-kafa omeko azy.
Efa anao tanteraka
Ny amiko rehetra
Ny dina iriko ho tanteraka
Dia ny ho anao mandrakizay tsy hisy fetra.
Ny voady ho anao efa nomeko.
Efa anjarana koa ny foko.
Ny fit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/miandrandra-anao | Miandrandra Anao | Pissoa | Miandrandra Anao
Indrisy tongo-bakivaky - sisa ezahiny afindra,
He, mikentrona izay tsy izy ilay hodi-tavany nalama,
Efa tonta, misaritaka ilay fitafy mba nirindra ;
Fa mpisakaiza mantsy izao izy sy "Rafahantrana".
Mba niezaka izy handroso, nikiry biby ny ho tafita
Saingy tsy afaka manoatra fa mbola be ireo mpana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/krismasy-any-an-danitra | KRISMASY ANY AN-DANITRA | Fredy Jaofera | KRISMASY
ANY AN-DANITRA
Krismasy any an-danitra
no nialany teto an-tany
ka toa masina sy manitra,
na izay diany tamin'izany.
Krismasy any an-koatra
tsy voavisa iray minitra,
nahasambatra azy loatra
fa toa nampipitrapitra !
Krismasy tsy hay ambara,
tsy dia hoe fanao modely,
na nahenoana ny anjomara
sy notse... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ciscah/reo-safosafonao | REO SAFOSAFONAO | ciscah | Tsaroako ato am-poko
Tadidy tao an-tsaiko
Reo safosafo tsy foiko
Nampiantanao ahy ry lalaiko
Tsaroako refa misento foana
Tadidin`ny vatako refa manembona
Lay afanan`ny tananao misafosafo anah
Anambatambazanao ahy ampitiavana
Tsaroako toy ny vao teo
Tadidko hatramin`ny alemin`ny feo
Ela misafosafo, toa eo
Eo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ciscah/lay-fijerinao | `LAY FIJERINAO | ciscah | Mbola tsy nahita aho
Zany ka nanaitra ny ao anaty foko ao
Izato ianao
Izato fijerinao
Anaty masoanao
Anaty fijerinao
No naitako ny fonao
No nametrahako ny foko ho anao
Anaty masonao
No naitako lay fitia notadiaviko
Fitia nomenao
Ny angezany, tao no itako
Zany fijerinao
Tsy ho adinko mandrakizay
Noho `zany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mimisou/lalam-piainana | Lalam-piainana | mimisou | Lalam-piainana andalovana
ny fahazazana
Lalam-piainana hotsarovana
ny hatanorana
Samy mamy, samy soa
Samy ahitam-boka-tsoa
Rehefa atao amim-pahendrena
Sy manaiky hofefena
Fa raha ny zaza no manda
Tsy manaiky izay ambara
Dia hanjary hampiahiahy
Sy lazaina ho zaza adala
Raha tanora ihany koa
No milaza ho mat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-joseph-rabearivelo/ny-alahelonny-olombelona | Ny Alahelon'ny Olombelona | Jean-Joseph Rabearivelo | Ny Alahelon'ny Olombelona
Injay manako moramora,
toa ra mipololotra,
feo kely feno akora,
sady latsa mafy loatra,
Mitampody indray ny lasa,
ka mamoha ny efa maty,
zava-bery tsy voakasa,
sady vata hoboka aty.
Ao ny sasany tomany,
ao koa ny ketra-po!
Hisentoako eto izany,
Holazaiko ny manjo.
Fo kely iray mar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/omeo-azy | OMEO AZY | Ryana | OMEO AZY
Ireo angolan-teny mamy nokasainao handrotsiana
Izay mety ho takarivantsika;
Ireo nofinofy mamy nokoboninao mangina
Hanazava ny alintsika;
Ireo fihetseham-po izay tsy azonao notànana
Rehefa isika mba nihaona;
Hafaliana anaty koa izay tsy azo nosakanana,
Tsy voazava hoe nahoana;
Ireo masonao sariaka, mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/mafy-3 | Mafy | Mbola tsy fantatra | Mafy,
mafy rehefa tia
eny,mafy hoy aho satria
na ny fo na ny saina,
tsy mitsaha-mitaraina
ny mitady ilay lalaina
izay tiana sy antenaina,
eny, na vahotra ny tena,
ka mihaotra ny saina
ny fo tsy te hahalala
fa mikiry hatrany hatrany
ny hitady ilay malala
na dia tsy tiany aza,
fa miezaka ihany
dia miezaka h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ciscah/sarakolo-tiana | Sarak`olo tiana | ciscah | Raha toa ka sarak 'olo tiana
Dia aza asiana hakiviana ( Na koa hitomaniana)
Fa mbola ho avy ny hifaliana
Ka ho feno hamamiana
Raha toa ka tianao ilay tiana
Dia aza ampijaliana ( Na koa ampahoriana)
Fa taizao hatrany ireo dina
Ka ho tanteraka izay niriana
Raha toa ka very fanahy
Noho ireo fakam- panahy
Ka hise... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niry-solosoa/raha-eo-ianao-malala | Raha eo ianao, malala... | Niry-Solosoa | Raha eo ianao, malala, ny ririnintsika,
inoako marimarina fa tsy hangatsiaka;
iarahana mitafy ny bodofotsintsika
na efa tontalazo manomboka hitriatra.
Ny ririnintsika hanjary lohataona,
ny ao am-patantsika hisy amindroana;
hiakatra ny ambiaty arotsaka ao an-daona,
ireto zanatsika akory tsy ho noana...
Tsy hamir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-embona/lamaodim_behivavy | Lamaodim_behivavy | Ny embona | Raha izao no mandroso,mitohy,mitohy,..
Hisintona hatraiza ‘ty zipony fohy?
Nanarona ranjo taloha elabe,
Fa ankehitriny kosa an-tsasaka fe!
Lamaody tokoa ve no tiana ho voatandro
Sa efa ny kibo no mila masoandro?
No dia tsy eny an-dalana tsy eny an-tsena:
Manoatra ny akanjo hivarotra tena?
Vehivavy tsiririntina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/damien/alahelo-4 | ALAHELO | damien | TOA TSAROKO TOA MANGIDY
SY TSY LAITRA SY TSY FIDY
NY ANDRARANA TSOTRIZAO
NY TSY HIAONAKO AMINAO
SARAHINA TSY AVELA HIAONA
TENENINA BEDENA FOANA
NBA HIRONA ILAY FITIA
ARY KOA MBA HIKODIA
MADITRA VE IZAHAY ,SA HOE MAFY LOHA ?
NO TENY MAHARARY SY KITAKITA LAVA NO AVOKA AO AM-PO
MBA HAMANTARANA FA HOE TEZITRA
TS... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/very-1 | very | oceane | Very
Tsy misy azo atao
tsy misy azo antenaina
intsony ny amintsika
Fa lasa ianao ry tiako
lasa ka nandao
tsy hierika intsony
ireo vita hatrizay
Fa very tsotra izao
ilay fitia tanaty
fa olon-kafa indray
no mababo ny fonao
Miezaka ihany aho
hanadino tsotra izao
ireo lasa hatrizay
Fa saingy very ianao
very... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/onitra/ilay-very-fa-hita-indray | ILAY VERY FA HITA INDRAY | ONITRA | ILAY VERY FA HITA INDRAY
"Niainga tamin'ny fiainan'ny namana iray"
Ilay fitiavako mahery efa ela tato anaty
zay nosembanin-drahona noho ilay etraketraka,
no indro indray mitsiry,velona tsy maty
fa sendra fanafody ka sitrana tanteraka
Taona vitsy izay no lasa, nionona 'ty foko
fa noheveriko hoe tsy hitohy intson... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sergent/mafy-4 | Mafy | sergent | Mafy,
Mafy rehefa tia
eny,mafy hoy aho satria
na ny fo na ny saina
tsy mitsaha mitaraina
ny mitady ilay lalaina
izay tiana sy antenaina,
eny, na vahotra ny tena
Ka miahotra ny saina
ny fo tsy te hahalala
fa mitady hatrany hatrany
mitady ilay malala
na dia tsy tiany aza,
fa misisika hatrany
dia misisika i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niry-solosoa/tobin-tsarety-ririnina | TOBIN-TSARETY RIRININA | Niry-Solosoa | TOBIN-TSARETY RIRININA
Fa ny tsy fisiana mahalava tongotra
Reraka ny vatana efa miombotrombotra,
Manjono hafanàna eo amoron'afo,
Lavitra malala tsy hita hanafosafo...
Na alina ririnina, na oram-pahavaratra
Mangintsy dia mangintsy manerana an'Ankaratra...
Ny alin'ny ririnina itobian-tsarety
Korana,hirahira,moa v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/arahaba-ry-ambanilanitra | ARAHABA RY AMBANILANITRA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Arahaba ry ambanilanitra
Ny Tompo anie homba antsika
Ho samy tratry ny asaramanitra
Ny fiainana anie hibaliaka
Arahaba ombam-pirariana
Ho samy salama avokoa
Hatramin’ny fianakaviana
Irariana indrindra ho soa
Arahaba no azo atolotra
Arahina fo falifaly
Aoka hitsiky ny molotra
Hadinoy avokoa ‘reo jaly
Arahaba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando-rochelinah/malagasy-aho-1 | Malagasy aho | ANDO ROCHELINAH | Tsy mahamenatra ahy ny mijoro ho Malagasy
Na iza hihomehy na iza hanabanty
Dradradradraiko na aiza no aleha
Hindrahindraiko fa gasy aho re !
Malagasy ray, malagasy reny
Malagasy rà, malagasy fiteny
Eny fa hatramin’ny tsinay lalina
Gasy petaka, tena gasy marina !
Koa hizingiziniko izany mandraka izao
Ary ijoro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/tovovavy-mistery | tovovavy mistery | njaf | zovyloatra moa ianao
ry tovovavy mistery
no nambabo izato foko
sy nahasarika fijery
zato endrika sy bika
tsaratefy sy voakaly
noravahan'ito maso
boribory baribary
zato molotrao manify
sy ilay fandaingana kely
noravahao tsiky
moa va re ka tsy anjely
teo dia resinao ny foko
ka voasarika ny hanantona
mba hil... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mimisou/rehefa-tia-5 | rehefa tia | mimisou | Izato masonao mibanjina ny masoko
Toa nihiratra teo izato masoandroko
Tsy tsapako akory izany ety an-tany
Fa efa eo ianao hamafa ny tomany.
Mety tsy ho tsapanao ny fifaliam-poko
Raha vao mahita anao misinda ny toloko
Raha lavitra anao manjombona hatreo
Ilay hazavana anilanao teo
Tiako loatra ianao
Tsy azoko ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ciscah/tena-tia-tokoa | TENA TIA TOKOA | ciscah | Tena tia tokoa
Tiako @ FO
Tiana tsy mba hamadika
Ka inoko fa aharitra!
Ny FAHATSORAM-PONAO
Heriko atr@zao
Rehefa enao no eritreretina
Toa sitrana ho azy ny aretina!
N'aiza2 no haleha
Ny anaranao no VOATONONA
Ho hafaliako lehibe
ka na lavitra aza mba mionona!
Ilay AVO anie hitarika ny DIA
Ary isika ka tena... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/penina-mainty/fitia-velon-ko-ringana | Fitia Velon-ko ringana | Penina Mainty | zato isan-jatony
ilay fitia faratampony
nafoiko ho anao manontolo
ka efa nataoko tsara kolo.
saingy ianao nialangalana
nanafangaro azy tamim-pihavanana
ka nanova ny endrika ifotorany
sy ny fiandohana niforonany
f'ianao nampananika ahy zana-tohatra
ahatonga ahy amin'ny farany ambany
ka ny foko efa naniry elatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-elanelana | NY ELANELANA | Fredy Jaofera | NY ELANELANA
Ny elanelana efa misy
amintsika re, rahavako,
tsy hanaloka ahy, indrisy,
na hampihena ny fitiavako.
Tsy ataoko mankarary
n'inona n'inona miseho,
fa ataoko mampibary
fa tsy sento na toreo.
Tsy ataoko itomaniana,
na mila, hoe, tsy zaka ;
fa ataoko ho fifaliana,
tsy mitsahatra mipaka.
Tsy ataoko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/tia-6 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/hafatra-8 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ledada/toaka | TOAKA | ledada | Raha misy ny rano madio
Ny fisotroko anisan'izany
Fisotro mampiadana io
Fisotro mandefa vinany
Raha misotro aho tsy maintsy mipaozy
Fisotro tsy zakan'ny zaza
Ny fisotroko fa misy daozy
Fisotro manetry ny ambony
Fa manandratra kosa ny ambany
Fisotro tsy misy ohatr'itony
Ny fisotroko sahala @ izany
Izay misotr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/ireny-rehetra-ireny | ireny rehetra ireny | njaf | ireo tsiky kely monja
eny amin'ny molotrao
ilay jery mitsilopy
eny amin'ny masonao
dia ampy halalako
ny ao anatinao
reo sangisangy mamy
matetika fanao
ireo tsongotsongo kely
ataoko an-tsandrinao
dia ampy ahatsapana
ireo hetahetanao
ny doboky ny fo
miritsoka ao anaty
ny fihetsika ao ivoho
mitory tsy mivak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lysardelisa/naleoko | Naleoko | Lys.AR.Délisa... | naleoko ihany ianao niery tany ho any,
tsy niserana ny masoko mijery
nantenaiko hampangina ny tomany
kanjo indrisy nampanonitra ny fery.
naleoko ihany tsy nisaina ny aminao.
ka nanokatra ny foko sy ny rakiny
nantenaiko ho fifaliana ny endrikao,
kanjo indray ny sento-poko no nivakiny.
naleoko ihany tsy nandray n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-narivony/rajakom-bazaha | RAJAKOM-BAZAHA | Jean NARIVONY | Jereo ity Rajako fa hoe lasa ambony
Ka tsy mba miharo amin' ny namany intsony
Niofo ka tonga Vazaha lehibe
Fa efa mandroso, na sivilize!
Nomem-pataloha sy satro-baonetra,
akanjo jaby na didy jaketra;
Ny salotra anatiny asiam-pehitenda
Sy kaolina henjana mila hahakenda.
Mahazo latabatra fisakafoana,
Mampidin-di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rivonala/noely-indray | Noely indray | rivonala | Endrey zany hafaliana
Fa akaiky lay noely
Fenofeno ery ny fo
Raravo izany saina
Hoavy antsy ilay Mesia
Toa hateraka indray
Lay namonjy ireo nania
Novonoina fahizay
Hitsingerina amin'io
Lay fotoana niezinezina
Nampatahotra an'i Eroda
Lay mpanjaka tena sangany
Zazakely menavava
Zay voahosotra ho Mpanjaka
Iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niry-solosoa/tana-mifandray | TANA-MIFANDRAY | Niry-Solosoa | TANA-MIFANDRAY
Ny tana-mifandray
dia mari-pandeferana
fahaiza-mampangina izay mety ho hambom-po;
Ny tana-mifandray
mety ho fanafenana
ny hoho tanan-tsaka handefona ivoho...
Rah'tsy te hahita angano
manaova velirano
hanasina Fihavanana,
vao mifandray tanana!
Izay mivadika am'izay
tsy maintsy idiran-tay ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando-rochelinah/tiako-ny-miaraka-aminao | Tiako ny miaraka aminao | ANDO ROCHELINAH | Fefika ditra ny tany,
Mitombo ny fitiavan-tena
Maro, eny, sesilany
Ireo mpandratra…mampahonena
Hafa anefa ny manana Anao
Tsy kivy, tsy mety potraka
Na mitranga aza izao olana rehetra izao
Ny fahasoavanao no mirotsaka
Ireo halemen’ny nofo mahasolafaka
Efa niara-voaombo tamin’ny hazo fijaliana,
Fa ny zanakao te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando-rochelinah/tsy-ory | TSY ORY | ANDO ROCHELINAH | Ritsoka mangina
Manainga nofinofy
Ny miantsa ho anao olona tiana
Mitondra rotsirotsy
Toa andon’aina
Manamandina ny anaty
Ireny siotsiokam-pitia
Rehefa injay tafara-dia;
Izay làlana ombàna
Tsy ory hazavana.
Irony topi-masontsika
Zary masoandro baliaka
Nampiredareda afom-po
Midorehitra tokoa.
Raiso ho silak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/hanina-anareo | Hanina anareo | Pissoa | Hanina anareo
Tsy ny feo mitory aina nakarin'ireo voronkely
no namoha ny eritreritro,
Na ilay tara-pahazavana avy etsy am-baravarankely
no namily ny fijeriko ;
Fa ny hanina anareo, havan-tiana tafasaraka,
no efa te-hihariary,
Ka hany azoko natao, nialako ny fandriana -
dia nobanjiniko ilay sary.
Tsy ilay tsiky... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joro/hiezaka-aho | HIEZAKA AHO | JORO | Hozakaiko 'zany anjara
Na ho ratsy na ho tsara
Holanjaiko ampitsikiana
'Zany ziogam-pahoriana
Hiaretako ny jaly
Amin'ny fo falifaly
Hosotroiko ny kapoaka
Hiafiko tsy an-kitsoaka
Dia koboniko ho ahy irery
Ka hositraniko ny fery
Ka na mafaitra na mangidy
Hotontosaiko rehefa adidy
Ka any taona any
Mbola hisav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/adidy | adidy! | randria | Midona ny ariva amin'ny enina ora marina,
Izaho ity mbola tafandry matahotra ny hiarina,
Anio tontolo teto no nananteran-kanina,
Niady saina irery nanao ny adisanina .
Namisavisa lalina ny fiainam-pirenena,
Nanao ny fampitahan'ireo z'efa nekena,
Nametraham-pitokisana ho amin'ny fanavontana,
ireo mahantra analink... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/301106 | 30/11/06 | Arajech | Enina amby roa-polo taona
Sahady izany ny lasa
Nefa ny manolona toa mbola bambangona
Nisy ihany ny ezaka natao an’asa
Tsy nampiova inona loatra
Na dia mba te-hitraotra tsy afa nanaotra
Enina amby roa-polo taona
Sahady ve izahy
Izaho anefa mbola mihanatra foana
Ny miaina fa tsy mety mahay
Mbola sahirana ihany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rivonala/tsy-haiko-1 | tsy haiko | rivonala | Tsy haiko intsony zay ho diso
na izaho na ianao
aoka hoan'ny ampitso
no hamosaka izao
Lay fitia zay nandrandraiko
ho anao doriadoria
toa naningotra ny aiko
fa navelonao hania
eny ,ekeko re ry tiana
raha izao no sitrakao
aok'izay izaho hangina
tsy ho anao mandrakizay
fa raha fitia mihilahila
tsy haharitra h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/parani/tonga-ianao-kanefa-1 | tonga ianao kanefa | Parani | ho setrin'ny tonkalon'i RADO hoe:HAFATRA"
Tonga ianao kanefa:
Nahona no tsy izy no tonga nandondona?
Nahoana no tsy izy no hilaza sy hifona?
Fa ianao no nalefany hilaza sy hanmbara
Hamantatra,hanontany ny fandehan'ny tantara
Tonga ianao kanefa:
Nahoana no tsy izy no hiteny ny ao an-tsainy?
Fa olon-kafa no hirah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/aza-kivy-3 | Aza Kivy | Pissoa | Aza kivy
Na dia saron-draho-mainty aza ilay masoandron'ny maraina
Ka toa tsy ho azo tanterahina ny nofinofy sy kinasa ;
Dia aza mba manary toky, mbola misy ny antenaina,
Fa ny androany mantsy, rahariva ihany dia efa ho "lasa".
Na misarisary folaka aza ilay andry fianteherana,
Ka tsy hita ny hiantefana amin'ny and... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tohizo-ny-lalantsika | TOHIZO NY LALANTSIKA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | TOHIZO NY LALANTSIKA
Raha samy hifidy ihany
Isika ry vahoaka
Dia aleo ny zana-tany
Teto amintsika no avoaka
Avela izy ho mpandresy
Fa tsara be ny fandaharany
Tsy olona mpanenji-dresy
Ka ‘ndao tohizana ny lalany
Avelao hitabataba
Ny sahona sy ny tabebaka
Fa ny an’ireny basy vava
Ts’hijanona aiza r’efa reraka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/mahereza-2 | MAHEREZA | njaf | Aza sasatra miandry
raha mbola misy fanantenana
aza vizaka mitady
raha mbola manana hazavana
aza reraka ny miady
raha mbola misy hery enti-miarina
dia aza kivy manantena
fa ny any ambony no jerena
dia aza mampiseho koa
fa efa vizaka sahady
fa izao no andrandrao
mbola hiposaka aminao
lay maraina vaovao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tandry/tandra | TANDRA | tandry | Antsoiko hianao hoe Tandra
satria antenaiko ho manam-panahy.
Na dia lavitra aza ny elanelan-tany
Ny foko lasanao avy hatrany
Ka ataoko ahoana ny handà
Ny tsy hivetso ho anao ry Tandra
fa sady mamy no tena tiako
Ny anilanao ka ho fidiako
Tsy hoe hirahira na angano
Na entina hanalana hamohamo
No hanoratako azy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/francis-turbo/ny-fahasambarana | Ny Fahasambarana | FRANCIS TURBO | Rehefa nataoko ny fandinihana,
Ny fahasambarana eto an-tany,
Dia ny olona roa mifamihina,
Sy mifampitolona ambony-ambany.. |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.