url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/omaly-hariva-kosa | OMALY HARIVA KOSA... | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Isaky ny mihaona isika hatramin’izay
Dia ny tanantsika no indreo mifandray
Fa omaly hariva kosa tsy haiko hoe nahoana
Ny molotsika roa no indreo fa tafahaona
Ny vatana injao toa voan’ny bemangovitra
Ny rà izay nikoriana, ny fo nihovitrovitra
Ny orana namonto ny tenantsikaroa
Tsy nahataitra antsika fa zary fy tok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/na-maty-aza-ny-nofo-aman-dra | NA MATY AZA NY NOFO AMAN-DRA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Misaotra anao nitsetra
Ilay fitiavako nilofika
Nipitra nanjoretra
Leo sy efa tofoka
Ny miafinafin-dava
Miaraka aminao
Kanefa tsy (foy) ho rava
Na dia kilalao
Misaotra anao malala
Misaotra indrindra indrindra
Raha be ny « Tiana » tsara
Ianao no tsy hay afindra
Fa manana fitia
Miendri-bolamena
Na dia tsy ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/rehefa-tia-4 | REHEFA TIA | njaf | Rehefa tia sakaiza
tsy hijerena hoe hatraiza
ny lala-mbola ho diavina
tsy hikajiana hoe
ohatrinona no mbola ho tadiavina
tsy hanasiana fetra
ny andro sy ora itiavana
tsy itsitsiana hery
na iandaniana havana
fa fo mitempo iray
saina mifandray
miaraka mitia
izany no fitia
ekeko ho fy tia |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/irery3 | IRERY3 | raozigasy | Ts’isy mihaino raha miteny,
Tsy bedy raha maditra,
Na faly na manjeny,
Irery anaty pitra
Tsy afaka mizara,
Izay anjara-masoandro
Tsy afaka hitantara
Ny fiainana isan’andro
Ts’isy mifampizara
Izay hanina mba fy
Ka mihinan-drery
Ao an-dakozia |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naritsimba/sambatra-4 | SAMBATRA | naritsimba | Sambatra aho nitia anao
Tamin’ny foko manontolo
Nefa toa tsy tsapanao
Ka manamaizina tontolo
Ilay fitiavana ato anaty
Tsy sanatria kisendrasendra
Fa fitia tsy mety maty
Sady tsy fitiavan-tena
Any andro, any volana
Hahatsiaro ahy ianao
Enga anie tsy hisy olana
Ny amiko sy ny aminao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/faly | FALY | raozigasy | Faly aho fa hay ka tsy izaho irery
no mahatsiaro anao
Fa izao tontolo izao
Fa ireo namantsika, sy ireo namanao,
Ireo namako aza, mba malahelo anao,
Fa ny manodidina, aza nanontany,
Hoe efa elaela, no tsy hita ianao izany
Ny ao am-piangonana, tsy lazaina intsony
Fa manontany foana, hoe manao ahoana hono,
Ireo h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/noezahiko | NOEZAHIKO | raozigasy | Noezahiko fikirana ao an-tratra tsy hozaraiko
Ny alaheloko anao
Kanefa mafy loatra re, sy tsy tanty sombinaiko,
K’izao aborako izao
Noezahiko notanana, tsy hanehoana fahalemena
Ny jalijaly izay iainako
Kanefa mafy loatra re , ka tsy resiko resena
Ka farany dia itarainako
Noezahiko fihinina, hofefena tsy hitsoak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/lavitra-anao | LAVITRA ANAO | SANDRATRA | Lavitra anao aho ry tiana
ka tsy mba misy fifaliana
ny androko maizina foana
satria tsy eto anao manoloana
Lavitra anao aho ry malala
ka mila ho adala
misento sy mitomany
toa miantso anao hatrany
ka asa ianao raha mba mahatsiaro ahy ihany
any an-tany lavitra any
na efa nanadino ny fisiako
ka tsy mahatsapa ak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/fetiny-androany | Fetiny Androany | Pissoa | Eritreritra ory
Sy fanahy ngolingoly
No hany niantsapazany -
Fa lavitra, tsy tazany,
Tsy hitany ho banjinina,
Tsy takany ho fihinina
Ilay tiany - tonga fety.
Hany heriny ? Nangina vetivety,
Nisento ... "Any izy izay !"
Niandrandra ilay Ray
Dia nanomboka nivavaka.
Notononiny niavaka
Ary tena niangaviany :
"... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/niry-solosoa/biby | BIBY | Niry-Solosoa | Mangaron-dela : ny mpanadihady;
Mangarom-bava:ny mpamosavy;
Mangarom-paosy ny olon-tsy vanona;
Mangarom-bilany ny tendan-kanina!
Mangarom-biby an-davaka kosa
ny olona sahy tsy mba kanosa,
f'ity biby 'ty kay tsy masiaka
tsy mba mitrerona tahaka ny alika,
tsisy atahorana tsisy ahina
na dia tafiditra anaty fandri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njafah/safidiko-anio | SAFIDIKO ANIO | njafah | Androany aho aloha mba haka aina kely
Fa reraka ny saiko tsy hita velively
Ny foko koa hatsahatro tsy hitempo anao
Ka tsy hahatsiaro intsony ny ady izay fanao
Tsy ny ady ihany no hadinoko izao
Fa ireo fitia sy tambitamby nomenao
Andramako indray ny handeha irery
Hiova tsy hisy anao ny fomba sy fijery
Toa mahafi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kalasoa/saingy-1 | SAINGY... | KALASOA | Saingy…
Rindran-teny kely, tsy tononkalo tsara vaotra
Hilazako aminao izay ao am-poko te hitraotra
Maro ny efa henonao, ny teny mamy hatramin’izay,
Anio anefa dia ezahiko averina aminao indray:
Tia aho, revo, mitsonika aminao tanteraka
Angamba koa adala nandray ny tananao, tsy menatra!
Ny foko anefa no nanaiky s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/tsy-ialahy-1 | TSY IALAHY | njaf | Tsy ialahy no andrasany eo
ka aza gaga ialahy
raha tsy valiany akory
fa raha ny fahatsapany ?
ialahy mijoro eo io
toa rahona manakona
ny anjara masoandrony
toa bozaka amin'ny masony
manakona ny jeriny
toa zavatra manasy
manimba izato haingony
toa fofona manempotra
manimba ny tontolony
ka raha izaho ialahy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/loko-fotsy | LOKO FOTSY | njaf | Halako ho'aho ny loko fotsy
fa atsiarovako ilay
olon-tiako fahizay
fotsifotsy fihodirana
izay namotsifotsy ahy
dia izay no nankahalako
ilay loko fotsifotsy
zary loko tsy manaja
sy toa loko alan-tasy
sy mitory faharesena
sady lokon-tsy fisiana
Fa taty aoriana kely
tamin'izay andro izay
andro fampakaranay
n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vale/tu-es-amour | Tu es "'amour!" | VALE | Tojo anao,
Kisendrasendra tamin'izay andro izay,
nahalalako anao, tsy nanenenana
zaho nangetaheta fitia, ny anao toa izay koa
ka dia nifanojo isika roa...
Indraindray toa mahery vaika ny fiantefany
ka babo,lavinao tsy misy fetra
taona folo nifandimby, no nihainako tety
fa ianao no azoko antsoina hoe "fitia...!"... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/banga | BANGA | raozigasy | Amore !!!!!
Banga anao ny foko,
Ka tsisy izay tsaroako
Ny fiainana ivelany
Satria ianao no erany
Banga anao ny saiko
Ka ny asa izay vitaiko
Toa zara raha vita
Tsi’sy izay tafita
Banga anao ny tranoko
Fa ny tena anganoko
Dia ilay farafara
Mangatsiaka tsara
Banga anao ny efitro
Ka simba ny eritreritro
Ka i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-haiko | TSY HAIKO | raozigasy | TSY HAIKO
Tsy haiko na izaho no vonto alahelo
Tsy haiko na izaho no donton-tomany
Fa toa manjombon-dava toa rakotr’avelo
Sy maizina lava izany ny tany
Tsy haiko na izaho no resy sy irery
Tsy haiko na izaho no mangina sy sina
Fa ao anatiko lalina ao misy fery
Manaikitra mafy nefa tsy azo didiana
Tsy haiko na iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/mety-hisy-ve-1 | METY HISY VE? | Arajech | Mety hisy ihany ve ?
Ilay andron-tsika roa
Ho lasa ho mpifakatia tokoa
Sao ho nofinofy ihany
Fa tsy misy anjaratsika roa
Ny mifanka-tia an-tany
Ka ho rava mora tsotr’izao
Ny fitiavan-tsika sy ianao
Mety hisy ihany ve?
Izaho sy ianao
Hofamihina mahatritra
Dia samy hilaza:
TIAKO IANAO
Ka n’iza n’iza
An-didy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriatsitohaina-h-j-l-detekitiva-detekitiva/ravalomanana | RAVALOMANANA | Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva) | Ny dimy taona dia fiandohana
Ireo asa vita no hifampitsarana
Na ireo any an-tsaha na ety an-tànana
Tsapa sy hita ireo fiovana
Mamy loatra raha toa ho tohizana
Ireo asa vita tsara hikirizana
Satria mamintsika ity Tanindrazana
Miara-miasa fa tsy ho mpitazana
Raha tianao izany, izao no tadidio
Ravalomanana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/tsisy-andro-mihiratra | TSISY ANDRO MIHIRATRA | Arajech | Tsy manana andrandraina
Tsy manana hatenaina
Tsy manana hanteherana
Tsy manana an-jara toerana
Fa mihady hatrany hatrany
Mba hahita ny mamy
Sy ny rehetra mahasoa
Ary ny lafatra kokoa
Ny fahantrana tsy mety ritra
Ny andro tsy mety mihiratra
Fa orabaratra sy haizina foana
Raha mijery ny manolohana
Mitady mafy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/namaka-ao-anaty | NAMAKA AO ANATY | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Velona indray ilay fatana efa maty
Nisy hafanana sy tara-pahazavana
Niaina sy nitoetra namaka ao anaty
Endrika mitsiky tena feno hatsarana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/manina-olona-tsy-tia | MANINA OLONA TSY TIA | Arajech | Toa tsy mino izany ny saiko
Hoe izaho manina olona tsy tia
Tsy manaika izany ny foko
Hoe izy no nanadino ny dinam-pitia
Dia izaho niandry ve dia hagaina
Fihafiako ireny ve herim-poa very maina
Ireny soratra nosaratany ireny ve nadalo iahany
Fa tsy notazonaminy na kely izany
Ireo fiafiako ireny toa andalana
Ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/te-hahitanao | TE- HAHIT'ANAO | Arajech | Izay rehetra mandalo ny masoko
Ka maka endrika ilay sarinao
Dia jerevako sy diniko havoko
Sao dia mba ianao !
N’aiza lalana izay halehiko
Dia jerevako avy ireo zazavy
Izay rehetra tojo ny lalako
Sao ianao iny manatona havy
Ny rehetra miditra ao ampiasako
Mbajinoko ambony ambany
Sao mba ity ilay any tiako
I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/asa-ny-aminao | ASA NY AMINAO... | Ryana | ASA NY AMINAO…
Segondra vitsy monja,
Tsiahy mitamberina,
Dia ampy indray hitondra
Ny lasa mba hiverina.
Ny làlana iverenana,
Ireo endrika efa hita
No injao mampitamberina
Ireo hefa sy ny vita.
Vetso mampahatsiahy
Andro takariva izay
No manainga ny fanahy
Hamisavisa anao indray.
Eritreritra mivoana
Sento t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjariliva/rdb-1 | RDB | Anjariliva | Tsy akon'ny tamberina nadonan'ny fo tia
monja fotsiny ihany
No teraka ao fa tia
Tsy alaina ka aterina toy ny fitia iainana eto an-tany
Satria hoe malia
Fa tosa-pahazavana mitia manerinerina
fitiavana tamàna, tsy leo mamerimberina ny toky tany ho any
O RDB, izany ka fitia
Tsy misy mahatakalo
Tsy manam -pahavalo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/herinandro | HERINANDRO | raozigasy | HERINANDRO
Vao herinandro izao no nahalasananao
Kanefa dia izao ; loza hoy ianao . . .
Fa rehefa maraina, izaho lasa malaina
Ka tsy mampirin-trano, ka izay no tena angano
Fa rehefa misakafo, lasa mividy lafo
Satria kamo hahandro, na alina n’antoandro
Fa rehefa handeha hiasa, zara raha misasa
Dia mitafy tsy mipa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/veloma-vetivety | VELOMA VETIVETY | raozigasy | VELOMA VETIVETY
Veloma vetivety r’ilay malalako iny
Izay ranomaso latsaka aza omena tsiny
Fa fitia niseho ivelany, sarotra nafenina
Alahelom-po ka sarotra tenenina
Veloma vetivety r’ilay tsy foiko indrindra,
Mahereza hatrany raha izay no hampirindra,
Ny ho avy ho tsara loko, ny ampitso ho tsara lamina
Dia toneo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/rehefa-tsy-eo-ianao-1 | REHEFA TSY EO IANAO... | Ryana | REHEFA TSY EO IANAO...
Rehefa tsy eo ianao,
'Zary babangoana izay rehetra jereko;
Rehefa tsy eo ianao,
Ny fiainako misaona, tsy misy intsony ekeko;
Rehefa tsy eo ianao,
Ny foko zary maona, miantso fa tsy reko!
Rehefa tsy eo ianao,
Tsy misy zava-bitako, toa very remby aho;
Rehefa tsy eo ianao,
Izay mba nofarit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/vola-fitopolo | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vasiana/ilay-fitia | ilay fitia | vasiana | misy fitia tsy mba mety maty ampo
alevina tsy mety ho lo
manenjika raha andosirana
hé!jereo izaho foana no ifikirany
vonoina tsy mba mety maty ampo
alevina tsy mety ho lo
manenjika raha andosirana
hé jereo fa izaho foana no ifikirany
izany matsy ilay taloha
ilay tantaranay roa
na dia efa maty tsiry aza
sy ef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vasiana/tena-malagasy | tena malagasy | vasiana | hamitrana ny ho avy
amin'ny lasa fahantaolo
hanangona ny mamy
hanova koa ny ratsy
hiasana ho an'ny ankany
sy hamenoana ny vatsy
dia:
ny firalahiana tsy ho rava
vatolampy tsy hiafina
hibaliaka tsy hisava
tarafin'ny fifankatiavana
ny soatoavina hotanana
ny kolontsaina hotazomina
ho mafy ko any fihavanana
ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tandry/tsy-nampoiziko-3 | TSY NAMPOIZIKO | tandry | Lazaiko aminareo zalahy
fa ny vadiko anakiray
ny vady mantsy jerijerena
sady ko tsy fefena .
fa raha izy no mande mipa
loza ny manjo anla
ny lobaka sy patalo
misolitika toa kisoa
rehefa matory @ alina
eo vao manomboka ny tantara sy bal
mikisikisina toa manirery
ahy izy ity ka te hiteny :
taiza no mbola hari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manisarivo-rakotomanga/atolotro-ho-anao | ATOLOTRO HO ANAO | Manisarivo RAKOTOMANGA | Tsingerin-taonako tokoa
No nanoratanao ahy voaloany
dia ilay teny firarin-tsoa
Izay no natolony
Tsaroako tsara io andro io
Alatsinainy t@ izay
dia t@io andro io koa
No niniarahabanao ahy
Nisaotra anao aho ny ampitso
Fa faly loatra ity foko
Ka ny masoko no nakipiko
No nilazako ny ato am-poko
Dia nandeha teny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/rehefa-tia-2 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/lebera | lebera | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Lebera ihany fa tsy iza akory letsy
Lebera be kibo hatramin'izao
Vao maika mitombo fa tsy mihetsy
Lebera ,lebera , sitraka , fahiny
Lebera tsy mbola manadino
Ankehitriny aho mahatsiaro
Ny taloha rehetra izay nifangaro
Aiza ny zavabita tsy afaka miverina
Efa lehibe sy ambady ka tsiahy sy no tamberina
Ianar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/-17 | .... | Aino | nofafako ilay teo dia andraso fa rehefa manampotoana amoronana aho dia ho soloiko eto. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tandry/03-desambra | 03 desambra | tandry | maro ny mivazavaza
3 desambra zao no malaza
andro izay notanana
anaovana ny fifidianana
maro ireo kandida
ravalo, ratsirahonana,lahiniriko
ka iza no hofidiko
pasitera ,sy mpandraharaha
anjaranstika no mampita
tokana ny vehivavy
olombaovao ka mety ho favy
anjaranao io ka tsy terena
ny olona itondra ty firene... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ihasinina/mody-ataoko-hoe-namana | Mody ataoko hoe Namana | Ihasinina | Tiako ianao ho namako
na dia tsy ho ahy
na dia tsy hotantanako
aza tsy manahy...
Tiako ianao ho namako
na dia tsy hofihiniko,
na dia tsy ho fananako
aza tsy maninona...
Kanefa tiako ihany
raha toa mba miara-dalana,
raha misy manontany
dia mody ataoko hoe "namana" |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/adinoy-izy | Adinoy izy! | Andriamihaja Johan (H-mainty) | ADINOY IZY!
Adinoy izy fa tsy anjaranao, adinoy any dia soloy vaovao
Adinoy izy aza asiana resaka, adinoy any, adinoy tanteraka
Atrakao ny loha androany
Atrakao ataovy ambony
Dia atsaharo ny tomany
Aza averina intsony
Reo alahelo tsy omby tratra
Soloy tsikitsiky kely aloha
Sao ho potika haratra
Sy ho torotoro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tandry/avy-ao-am-po | AVY AO AM-PO | tandry | ny vavaka izay hasandratro
dia ho anao ry ray
dia vavaka fisaorana
ho anao mandrakizay
ny soa sesehena izay natosakao
dia saotra no atolotro
ka hietsika ny molotro |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/onitra/tsiky-3 | TSIKY | ONITRA | Tsiky !
entiko maneho hafaliana sesilany
entiko hanamaivana ny jaly anatiko any
fitaovana sy ampinga handreseko ny adim-piainana
hery hafa kely mampirindra ny fisainana.
ONITRA alahady 31 janoary 1999 t@ 11ora latsaka 14mn alina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tandry/lalaina | lalaina | tandry | Indray takariva teo an-jaridaina
nahita tovovavy atao hoe lalaina
izy amin'io mande hirery
izao kosa tamin'izay mba te hiteny
ny vonin-kazo dia hita miavaka
fa ny hankatonao no tena mandravaka
ny volo olioly ny maso baribary
dia vonon-draozy miharihary
kanto ,dia kanto ianao ry lalaina
dia vonin-kazo malasa ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mamikely/29-martsa-1947 | 29 MARTSA 1947 | MAMIKELY | Andro iray tsy ho adinoina
Sady tantara tsy mba maty
Ilay tena namonoina
Ireo vahoaka Malagasy
Tantara tsy ahy vonoina
Ary voatahiry am-po
Tsy mba maty fa inonà
Ho voatahiry tsy ho lo
Ilay andro iray naharavarava
Tsy hitahita akory ary vetivety
Dia 59 taona rahavana
Tantara tsy mba maty
Ary tsy hay vonoina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/tafaray-samy-tia | Tafaray samy tia | Aino | Tafaray samy tia
Izany olona, ny olon-droa ,mifanome teny
Fa na ho ratsy na ho soa , dia ho avy any ireny
Ireny maraina mibaliaka , ary koa ireny lanitra rakotra
Tsy ahoana ny hatsiaka , ny fo afaka mifandrakrakotra
Raha toa ny ratsy mandroso tsy akin-jery
Dia hifoaka izay natsoiko tsy haiko lavo
Fa hanao an-ker... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/gasikara-1 | GASIKARA | TOAVINA | O!ry tanindrazako malala
inn no ambarako 'reo tsy mahalala
ny hahakantony ve no ho lazaina
sa ny zavon'ny maraina
Ianao no tany niaviko
ny ho filohanao no faniriko
ianao no nahalebe ahy
ka omeko fanajana ara-panahy
ho faranako ny teniko
ka ho apetrako ny peniko
ka veloma ry sakaiza tsara
veloma oan'ny ao afa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joachim-michael/alahelo-3 | alahelo | joachim michael | nalatsako ny tomany noho ny ditranao
tsy nasiako ankaso fa niafiko lava izao
namboleko tato anatiko ny fitiavantsika roa
dia nitombo toa tsy nahy nefa rava avokoa
hitomany koa ianao raha miana amin ny fitiavana
saingy izany no lalana raha mbola velona ety
nahajamba ahy koa ireo teninao taloha nefa ten ny mandaiga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/ianao-14 | IANAO | ny eja | Mijery ny masonao
Mandinika ny endrikao
Misafo irony tànanao
Mankafy ilay orokao ...
Dia tena mamiko ny fiainana !.
Ka na inona hidona
N'inon'inona hitranga
Ianao tsy foiko mba soloina
Satria dia fenonao ny banga !. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tandry/jono | JONO | tandry | Indray takariva nandrahona
Taitra ity sahona
Fa tana-mangeja
Farango mandratra
mamely ny tratra
Niala tsy fidiny tao an-kamory
nandositra ireo namana niara nivory
amalo-masiaka no nihantana
vonjeo re ry kaky fa tena mafana
indrisy fa revo nandrapaka izy
ka voafintana mora rankizy . |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tandry/lalaina-1 | lalaina | tandry | Indray takariva teo an-jaridaina
nahita tovovavy atao hoe lalaina
izy amin'io mande hirery
izao kosa tamin'izay mba te hiteny
ny vonin-kazo dia hita miavaka
fa ny hankatonao no tena mandravaka
ny volo olioly ny maso baribary
dia vonon-draozy miharihary
kanto ,dia kanto ianao ry lalaina
dia vonin-kazo malasa ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/handevona | HANDEVONA | Arajech | Hoviatako ihany ny handevona
Ity vatanao ry malala
Tiako indrindtra ny fitia tsy niala
Fa voatery ny zava manolona
Tsy hiankatiavan-tsika intsony
Izay manahirana ahy ny hitony
Na dia tsy sitrako aza izany
Tsy maintsy hambolena an-tany
Tsy vitako mihintsy ny handevona
Ilay fitiavanao ao am-po
Ninona zavatra ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hobiana/adalakeliko | ADALAKELIKO | HOBIANA | Lavo indray ianao kanefa
tsy ny mbola handao anao
no ato an-tsaiko raha ny marina
Fa hiezaka aho ny hanefa
izay mba azoko hatao
handray ny tananao sy hanarina
Mahatoro fo tokoa
ny miaritra izao
saingy hezahiko ho leferiko
ka hitolona aho aloha
sao ihany ho tsapanao
ny hoe "Fitia" ry adalakeliko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanilo/mimy | mimy | fanilo | mimy be lo mpihinana tainako miaraka amin' ny ilay volombava .Ikely iray dia mampihome be maibo tay kely |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/fahafana | FAHAFANA | Arajech | Ny fahafana!
Tsy hoe lasam-bananana
Fa fiovan-dalana
Ny fahafahana!
Tsy manome fahalalahana
Fa miova ny fanagejana
Ny fahafahana!
Tsy dia fahazona manao
Izay rehera izay tiana atao
Ny fahafahana!
Tsy fanaovana ny hadalana
N’aiza toerana miana akalalana
Ny fahafahana!
Fandraisana ny tena
Andraikitra fa tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/sitraka | sitraka | njaf | Hoe mafy ny saina
ka nikasa hanadino
ny lasa rehetra
kanefa ny foko
dia emboka ihany
ka tsy mety voafefy
dia tonga nalemy
lay nofo matanjaka
nangahiahy
kanefa nitraka
rehefa nangataka
tamin'ny fanahy
dia teo no tsaroako
fa ianao dia tsy maty
fa velona anaty
tononkalo nosoratako teo am-pahatsiarovana ilay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/andrasako-ihany | ANDRASAKO IHANY ! | Arajech | Andrasako ihany
Raha toa ka tsy mialaza ianao
Hoe: leo ny aminao izao
Fa misy ihany ny tsy fahafana mamatotra
Tsy miala eto an-tany
An’isan’ny fiainana izany
Mangeja sy mamatotra
Andrasako ihany
Raha mbola tsy milaza ianao
Hoe: izaho tofoka sy lao
Ity fitiavan-tsika toa hafahafa
Fa raha mijery ny rehetra
Ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/izay-sisa | IZAY SISA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Ny gidragidran’ny fiainana
Isan’andro tsy mitsahatra
Ny tontolo izay honenana
Rakotr’aizin’oram-baratra
Toloko mitaraina
Aina miha-kely
Izany no zakaina
Hanohanana mamely
Ny tena kely sandry
Tsy manam-pahalalana
Hila ho kivy ny miandry
An’ilay fanantenana
Ny hany hery sisa
Mamalifaly tena
Misotra sy milok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tandry/olondroa | olondroa | tandry | harivariva mena masoandro
n'dréo olondroa mifandangalango
mandefa fisainana lavitra loatra
manafina ny ao ampo izay tsy miloaka
ra lehilahy toa miahiahy
te hiteny kanefa tsy sahy
ra vehivavy miandry ny ambara
mba hanomboana voalohany izato
tantara .
kanjo tsy tana ramatoa
fa izy no nilaza ny tao ampo
rangah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tsy-hiova-intsony | TSY HIOVA INTSONY | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | TSY HIOVA INTSONY
Mety hisy ve ny fanadinoana
Ka tsy ho tsaroany intsony ny anarako
Ary ho foana ny fanantenana
Hivalona ho tantara ao am-po
Izy hono tsy hiova intsony
Fa efa babonao
Ny fo-ny hono tsy ho zarainy intsony
F’efa natolony anao
Tomany izy nandre ny anaranao
‘Lay endriny faly dia maloka indray
Tsa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/raha-11 | RAHA | raozigasy | RAHA
Raha mikoriana mitsontsorika, manorika ny tavako
Ilay ranomaso adala,
Tsy midika akory izany, fa resin’ny fiainana aho
Raha nilaozanao malala
Raha malomaloka ny endriko, sy maina kina, izato molotro,
K’izaho zary nilaozan-teny
Tsy fahareseko akory izany, fa trangan-javatra eto an-tany
Mpanjo ny olona ireny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/rehefa-eo-ianao | REHEFA EO IANAO | NY Andri-Fara | REHEFA EO IANAO.
RAHA TSAROAKO NEFA INOAKO;
AOKA ANGAHA LAZAINA HO ADISOAKO...
NY ERITRERITRO TOMANY,
NOHO NY ANKASONAO RAHAVAKO.
SAINGY...
ASA!AOKA IANAO HANGINA...
HANGINA INDRAY MANDEHA,
F'IZAY NO SITRAKO...AZONAO?
REHEFA HIFANDAO ISIKA
NOHO NY DISADISA.
AZA ASIANA FANENENANA...
TSY MANINONA HO FERANA
I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/ny-vola-1 | NY VOLA | Arajech | Mitovy ihany ny masoandron-tsika
Raha dia ianao mpanefoefo,
Na izaho mahantra marefo
Samy masoandro iray ny mitaratra an-tsika
Raha ny vola no mampirehare anao
Dia vidio ny masoandro
Ary ataovy tsara fitandro
Ho anareo mianakavy rehetra ao
Aza avela hitaratra anay
Izay mahantra lalandava fahizay
Fa efa voavid... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/tsy-afaka | TSY AFAKA | Arajech | Te hitraotra
Nefa tsy afa manoatra
Fa voageja hatrany
Toa sesilany
Hatramin’izao miezaka
Mba ho tafita
Nefa tsy mbola nahita
Fa valaka
Mitady foana
Nefa lany ny fotoana
Tsy nahita mangirana
Fa vao maika,
Mihay sahirana
Mahery vaika
Tsy hafahana mitraka
Fa mitrongy foana
Mandritra ny taona
Tsy afa-patot... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/matokia-2 | Matokia | Andriamihaja Johan (H-mainty) | Tsy ho adinoko ianao
Ary koa ny fahiny
Na hisolo vaovao
Aza iny lanitra iny
Fa hitoetra ao am-poko
Ka isan’andro ho tsaroako
Tsy ho fafako, tsy ho vonoiko
Tsy ho ariako, tsy ho lotoiko
Fa fitia tsy mety ritra
No itiavako anao
Tsy mety rovitra sy triatra
Tsy atakalo vaovao
Lay nolazaiko taminao
Indro averik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/haria/ihany | IHANY | haria | Ho zava-poana angamba
ny teny fanekena raha ho ahy sy ianao
Fa maso indray mitopy
dia azoko hanekena.
Fa ampy ahafehy ny toky fanome. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/tena-fitiavana-ve-1 | TENA FITIAVANA VE ? | Arajech | Io sarin’ilay tiako fa mbola tsy mba hitako tarehy
Io ilay tiako ihany nefa izao mbola tsy ary nandrehy
Ny feonay raha izaho na izy atrimin’izao
Nefa tiako izy dia tiako tsotra foana izao
Dia sariko aniko ny any mba mety hitanao any
Izay mombamomba ahy asa raha mba fatany
Fa izy dia milaza fa tia izay mampitsa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/miandry-aho | MIANDRY AHO! | Arajech | Miandry aho!
Miadry hampiarin-tena fa manantena
Nefa efa vatana mangatsika mamanara
Hiaraka hamolavola sy mbola hikarakara
Indrisy anefa a voatery hambolena
Miandry aho!
Miandry ny hiverenanao fa tsy hiverina
Lasa nay amin’ny vary tsy mifody
Tsy azo antenaina ny mbola hody
Nefa andrandraiko ho hiarahana hiaina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoe/fitia-4 | FITIA | RANÖE | Doladolam-pitia bakobako
sangisangim-pitia safosafo
Ny ratram-pitia lafolafo
Angolangolam-pitia mamomamo
izay ilaozan'ny tia kamokamo
Ny ferim-pitia lasa angano
Hantahantam-pitia kakakaka
matimatim-pitia vakavaka
Ny aretim-pitia maka faka
Babobabom-pitia sambatsambatra
sefosefom-pitia mihambatrambatra
Izay v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/ny-an-tany | NY AN-TANY | Arajech | Ho zavam-poana
Ity bikanao miraradraratra
Andaninao ny ora anoloan’ny fitaratra
Raha tonga ny fotoana,
Ka hambolena izato vatana
Na dia mafy ny alahelo ireo havana
Fa tsy afaka intsony hiara-monina
Ny tia anao aza tsy maintsy hionina
Nefa izato fihevitrao
Izay manao tsinontsinona izao rehetraa izao
Mba ataovy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/tsy-ampy | TSY AMPY | Ryana | TSY AMPY
Tsy izaho mihitsy
No ampy hampifaly ny ao anatinao;
Tsy izaho, indrisy,
No hahasafononoka ny fo sy fiainanao;
Tsy ampy izay ananako,
Na hosandaina aza havadik'ho hasambarana,
Satria ny tantarako
Toa efa voalaza fa olana tsy hifarana!
Tsy amiko tokoa
No hahitanao ny tsikin'ity fiainana;
Eo ny ratrako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/raha-izay | RAHA IZAY... | Ryana | RAHA IZAY...
Na inona ho sanda,
Na inona ho fatra,
Na inona ho lanja,
Na inona ho ratra...
Na inona ho takaitra,
Na inona ho fery,
Na inon-tsy ho laitra,
Na inona ho very...
Na inona ho ngidy,
Na inon-tsy ho telina,
Na inon-tsy finidy,
Na mety hanenenana...
Na inona haterany,
Na inona ho voafafa,
Na inon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cristal/tsia-1 | Tsia!!! | cristal | Tsy ho hanoratra aho
Ka ilaza ny tsy nahy,
Na hitory koa fitia,
Fa hiteny ny ao am-poko
Efa babo hatr'izay
Ireo tsikinao mantsy no
Nialonako,raha nomena hafa
'Reo tsiky,teo imolotrao
Hany mba fivelomako
Dia efa tsy rehako intsony
Koa mahereza ianao
Mahita ny soa,f'aleo aho hangina
Tsy hitia anao intsony,
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/bedy-1 | BEDY | raozigasy | Ho setrin'ny tononkalon'i HOBIANA ary nampidirin'i Helitiana hoe : BEDY
Bedin’ny fitiavako aho
raha saika handao anao,
Bedin-dray sy reniko aho,
noho ny ditrako sy ianao
Mafy izany bedy izany,
Nefa raha samy ho bedy ihany,
Aleo izay tiako no hatao
Fa leo aho, bedy lava izao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/neny-7 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/tsy-misy-fetra-1 | TSY MISY FETRA | Arajech | Raha hafatra !
Tsy ho voafatra
Na ovina na ovina
Ny fitiavako anao ry tiana
Raha ho lanjainja!
Tsy ho voalanja
Ny fitiavako anao ry tiako
Fa mitombo isa minitra ny am-poko
Raha ho refesina!
Tsy ho voarefy
Ny fitia homeko anao manotolo
Mihaotra izao tontolo
Raha hiisaina!
Tsy ho voahiisa
Tapitra foana ny i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/inona-no | INONA NO ! | Arajech | Tiako Izy !
Fa nahoana no tiako
Dia tihako fatany fa tiko
Nefa inona no hitiavako azy
Dia tiko amin’ny hahoana?
Tsy mahita azy mahatsiaro babangoana
Fa inona no no itiavako azy?
Tsy fantatro fa mampiasa ny loko
Fa izy dia tiako!
Izay tihako ho ahy
Nefa toa mampanahy!
Fa tsy mba fantatro velively
Na dia nafe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naritsimba/fahatsiarovana-2 | FAHATSIAROVANA | naritsimba | Taona Iray sy roa arivo
Nahitako ny endrikao
Fitafy tsotra, miramirana
Fotsifotsy fihodirana,
No nahasarika ahy hijery
Tamin’ny maso, tsy miteny
Ary lasa teo ny ventsoko
Nidobodoboka ny foko
Hitia mangina, ao anaty
Ilay fitia tsy mety maty
Sao mantsy, ka hatairana
Vetivety dia hifarana
Nahita izato volo lav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nomeny-1 | NOMENY | raozigasy | NOMENY
Ho setrin'ny tononkalon'i Nikopol hoe NOMENY
Nomeny ahy ny vatany , ilay henatra nariany
Nafoiny ho ahy tanteraka , ilay nofo virijiny
Nomeny ahy ny fahaizany, hamahana ny olako
Nomeny ahy ny fananany, tsy hiasan’ny volako
Nomeny ahy ny androny, mba hanjaka ny orokoroko
Nomeny ahy ny aliny, hiondanana e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/onitra/ny-fahafatesana | NY FAHAFATESANA | ONITRA | Ny FAHAFATESANA?...sarotra toherina
rehefa lasany any dia tsy afa-miverina
tsy maintsy handalovana, tsy maintsy sedraina
tsy maintsy ekena, tsy maintsy zakaina
saro-pantarina izay lalan-kombàny
tsy fantatra intsony izay iantefàny. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rha-nary/tsatso | TSATSO | R.H.A. Nary | Rehefa ny tiana
Izay nofidina
Homena fitiavana
No tsy hita ho havana
Dia ny andro rehetra
No mampanjoretra
Ny fo sy fisainana
MATSATSO NY FIAINANA |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/soa-1 | SOA | Fredy Jaofera | SOA
Soa fa tao ny ranomaso
nanamboatra sy nanefy
ny ora maro be an-kaso
ho hafaliana tsisy fefy.
Soa fa tao ny tebiteby
nanamafy sy nitondra
ny taona izay nandreby
tsy ho adala na apondra.
Soa fa tao ny rivo-doza
nandravarava sy nanitsy
ho metimety tsy hitavoza
sy ny ho olona mihitsy.
Soa fa tao ny fahoria... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hobiana/bedy | BEDY | HOBIANA | Ny fodiako harivariva efa ho isan'andro izao
sy ny fangalaran-dia mba hiarahana aminao
Nahabedy ahy tokoa!
Ny fahalasanan'ny vinany mandeha mikaroka ny anao
tsy nahavitako entimody sy izay tokony ho natao
Nahabedy ihany koa !
Ny vetso soratananao sy ireny taratasy ireny
'lay sarinao mba sendra adino eny ambony o... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naritsimba/ny-zanako-1 | NY ZANAKO | naritsimba | Tiako ny zanako
Hany mba fananako
Nomen’ny Ray ahy
Saina, vatana, fanahy
Fahendrena no iriko
Fa izay no fifaliako
Tsy atakaloko an’iza
Na maraina, na hariva
Na ny alina hatory
Dia tsy misy ahiahy
Foana koa ny sorisory
Satria ny zanako tia ahy
Tiako foana izy dahy
N’inona n’inona hidona
Vonona aho ny hiahy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/herim-po-very-maina | HERIM-PO VERY MAINA | SANDRATRA | Niady aho niady hatrany
niady ho an'ny fitiavantsika
indrisy anefa fa toa herim-po very maina ihany
satria ankehitriny ianao dia tsy hita
Ireo ezaka mba natao
hatramin'izay ka hatramin'izao
herim-po very maina ihany
satria nilaozanao ity ankany
Ny fijaliana niaretako hatrizay
ny ranomasoko narotsako noho ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/ody-fitia | ODY FITIA! | Arajech | Hiaraka aminao aho ry tiako
Ry malala izay nofidiko
Ninoninona miseho eto an-tany
Isika roa hiaraka hatrany
Hiezaka isika ny hifandefitra
Izay fifandirana rehetra
Tsy maintsy ho hisy any aoriana
Fa tsy higoka foana ny hafaliana
Ny fifonana sy fifamelana
Hany fanafody iray hahafana
Mitsabo ny fitiavana
Natsik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/onitra/andriamanitra-o | Andriamanitra ô ! | ONITRA | Andriamanitra ô!
ny vavaka asandratro ho renesinao androany
mba tahio ilay raiko any am-pasana any
mba tahio ihany na dia efa vovoka aza
amy fitahiana mendrika azy sy sahaza
mino aho Andriamanitra fa Ianao dia tsy marenina
ka mandre sy hamaly izany, misaotra Ray, amen. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/efa-atao-ny-famotorana-1 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/izay-ve-no-tia | IZAY VE NO TIA§ | Arajech | Ny ora tsy ianarako
Dia isainako foana anao
Ny fotoana tena mamiko
Dia tiako hahitana anao
Ny masoandrom-piainako
Dia ilay fijerinao
Ny sakaom-panahiko
Dia ny fandrenesana feonao
Ny tena fahasambarako
Dia mifampitositosy aminao
Ny hany fiadanako
Dia lalandava eo anilanao
Ny voninahitra mba hiriko
Dia ny fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/rehefa-tia-1 | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manisarivo-rakotomanga/lavi-tiana | LAVI-TIANA | Manisarivo RAKOTOMANGA | LAVI-TIANA
Ny maraina vao mifoha,dia marary ny an-doha.Mieritreritra anao tsy hita hatramin'ny izao. ka izany mantsy no nahatonga ahy,hamoron-kira ho anao ry tiana.
Aiza ianao ry tiana fa izaho mangina.Lasa revy aky fa malahelo an-dry. Raha mba teo mantsy ianao, namafa ny tomany ka fifaliana hatrany ity fiainako eto ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/hivadika | HIVADIKA ! | Arajech | Hivadiaka amin’ny izay velirano nataoko
Raha toa ka lasa hivalo-mainty iny loko
Iny masoandro sy hiposaka avy Andrefana
Hangirana maintso hiletika any Antsinanana
Hivadika tsy hotia anao intsony ny foko
Raha toa ka hiantsilany ny lanitra lolohaviko
Dia hiankohoka ny tany diavin’ny rehetra izao
Ka tsy mandiha ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/ny-any | Ny any § | Arajech | Ny any ankotra any
Tsy mba misy ny toamany
Ny anay tena lafatra
Tsy mba misy ny manasatra
Ny any no tsara
Tsy mba misy ny mandrara
Ny any no kanto
Tsy mba misy ny mandranto
Ny any miramirana
Tsy mba misy manahirana
Ny any no tiako
Hampiadana ny fo sy saiko
Nialanareo ny teto tsy ilan-tomany
Na zaza na tano... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gazela-meva/fisarahana-2 | FISARAHANA | GAZELA MEVA | Na tsisy ratsy nifanaovantsika
Ny nisy niarahana tsisy tomika
Anio, tsy maninona, hisaraka isika
Hangina ny lasa sy izay efa vita
'Zay no farajerin'izay rehetra hita
Hisaraka isika, tsy misy fanditra
fa tokana ihany :
ritra ny mamy
lalàn'ny tany
ny tsirom-pitiavana mety ho lany! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiderana/mbola-ho-avy-ilay-maraina-1 | Mbola ho avy ilay maraina... | fiderana | Na rivotra mifofo,
Na orana hijojo,
Tsy hatao ampitaraina
Mbola ho avy ilay maraina
Na ny kotrokotro baratra
Na ny tselatra ao an-karatra
Tsy hatao ampitaraina
Mbola hoavy ilay maraina
Ny tsy fisina lava izao
Ny fahorina makanlao
Tsy hatao ampitaraina
Mbola hoavy ilay maraina
Fa fitiavana no indro
Handrese... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/tompo-o-2 | TOMPO Ô | Arajech | Tompo ô! Omeo fo aho hitia
Hanomezako ny tena fitia
Iandanany ny tiako eo hanilako
Tsy hihafihafy sy hikao-po
Fa mba ho afaka hiaina
Tena finaritra sy an-kafalina
Tompo ô! Omeo hery aho hanoherako
Ireo miraviravy anatrehin’ny masoko
Tsy hanadinoko na ovina na ovina
Ilay tiako izay mba nofidiana
Mba hifanaraka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ollie/tsiahy-anao | TSIAHY ANAO | OLLIE | Eto aho dia mitanisa
Ireo fotoana niarahantsika
Mahatsiaro lalandava
Hany ka maloka ny tava
Je t'aime hoy ianao
Ary fais-moi confiance
Je t'aime aussi hoy aho
Tsy nisaina zay hoe ton absence
je t'aime hoy ianao souvent
Zaho koa tia anao énormement
Je t'aime par sincèrité
Hoy ianao ary sahy ni-juré
Dia hoy i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arajech/noferako | NOFERAKO | Arajech | Noferako ny saiko !
Tsy hisaina anao lava izao
Saika mandritra ny andro manontolo
Tsy mety voafetra
Toa maihy hary helatra
Nisidina ny habakabaka nampiharaka
Noferako ny eritrerotro
Tsy hampitaberina ny efa lasa
Ireo feo sy sary voasikotra
Ao anaty tsy mety voafafa
Tia handrea hatrany ny feonao malefaka
Sy h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/dia-lasa-sahady-indray-nareo | DIA LASA SAHADY INDRAY NAREO | raozigasy | DIA LASA SAHADY INDRAY NAREO
Dia lasa sahady indray nareo, ry bavikely sy ry valy,
Dia nitodi-doha sahady, namonjy ny asa sy ny adidy,
Kanefa izay niarahantsika, niombonam-po, niombonam-paly,
Horaketinay am-po, ataonay tsara tadidy
Fotoana fohy, tsy hay notanana,
Fotoana mamy, tsy hay sakanana
Fotoana niarahan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/izaho-irery | IZAHO IRERY | SANDRATRA | Izaho irery no sisa eto
mitomany sy misento
mitomany ireo lasa
sy ireo andro niarahana nitafa
Izaho irery sisa
no miventso sy mitanisa
mitanisa ireo fahiny
niarahana nandritra iny taona iny
Asa iza no mba mahatsapa ny alaheloko
iza no mba hitarainako
iza no hizarako ny tsiambarateloko
iza no mba hianteherako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/misy-lavaka-ao-zalahy | Misy lavaka ao zalahy! | Ranoala | Maikamaika aho taloha
ny hiova tontolo
tampoka amiko avokoa
indro mampihorohoro
Very, irery toy ny adala
nony tojo izay niriana
Inay aho taloha nahalala
Hay ity izy fahoriana
Izay mahita mihomehy
Ity tena vato alatsaka
vao mianatra mandeha
dia mitady hiazakazaka
Feo sy laza: naharoboka
fa izany paradisa
I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiderana/fitiavana-matotra | Fitiavana ... matotra! | fiderana | Tena tsitanty,sy mahavaky fo
Raha hilaozanao, lavitra rê!
Tena tsitanty, marary ny loha
Indrindra ny hoe fotoana ela be,
Tena tsitanty, fa hifonako lala
Ny hilaozanao, makarary ny saiko
Ilay Ray ao ambony mahalala tsara
Ny lavitra anao maharary ny aiko.
Tena tsy vita, mifona aho ry tiako
Avy manakaiky,eto anil... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.