url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joachim-michael/fitia-3
fitia
joachim michael
Rakotr'aizina ny tontolo nohon'ny alahelo lava izao Ka maratra koa ny fo tamin ny ady izay natao Lasa izay nananana,nafoy koa ny teo an tanana Nampijaly mnampahory,ilay fitia toa tsy hita akory Ny fanahiko mitia dia mivezivezy lava Minia sy mitia nefa mora malazo Mangorintsina ny vatana miandrandra hafanana Miva...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/tandindona
Tandindona!!
Aino
Efa ela ianao no lasa, lasa nampisaly fiovana Ilay tontolo manodidina niarahana fahiny. Ilay fomba sy fiteny Efa niova avokoa ankehitriny Ilay antsoantsonao fahiny Toa lasa foana avokoa ankehitriny. Efa ela ihany izay, efa ela ianao no lasa Ho tantara fahatsiarovana Hampivaingana ho nofim-paniriana Ampoky ny m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ollie/aiza-miverena
AIZA! MIVERENA
OLLIE
Dia lasa tokoa mantsy ianao Tsy niloa-bava,nampiomana akory Tsy niverina,sahinao ny nandao Ilay fitiavana tato anaty ,efa tony Manontany tena aho fa hoe nahoana? No nahatonga anao sahy tsy niverina Tsy niady, tsy nisy koa fifamaliana Fa na ny misy anao aza tsy notenenina Mandeha ny saina, fa inona ihany? Ny ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/vetsovetso
VETSOVETSO
SCOTLANDYARD
ny vetsovetsoko rehetra, ireo nofinofy tsy voafetra tiako hitambarana aminao mbola any hatramin'izao fa ny anjarako no dify ka tsy afaka na dia hiampify hiandry sombina fitia eny na dia kely akia ka biz'oroka no alefa tsy andrasam-baliny anefa satria haintsika ny tantara ny fiainanao koa mety tsara koa dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felana/saratiana
saratiana
felana
lasa enao manirery aho satria mahatsiaro anao ,toa tsy hitako zay lazaina fa vahotra ny vavako badenina ny lohako toa tsy haiko aiza aho fa planeta hafa mihintsy angamba no misy ahy toa tampindalankaleha lasa ny saina de mieritreritra fa nofy ihany zany angamba fa tsy nino zay noteneninao fa andeha enao eny tsy hanak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/nahoana-6
NAHOANA?
Aino
NAHOANA? Nahoana ny velona no miavonavona, kanefa ny ampitso dia lasa ho zavona; Vola sy harena ho lo no ananana Ka hanamavomavoina ny fihavanana? Nahoana ny maro no mitonatonana, Fahaizana kely dia ifokafokana, Raha vao mandingana irony tokonana Dia efa mihevitra ho eny am-bovonana? Nahoana raha sendra ingain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/handeha-izy
HANDEHA IZY
raozigasy
HANDEHA IZY Misy alahelo tsy mivoaka ato anaty foko lalina Misy hetsi-po tsy tafaloatra, tsy ahitako tory ny alina Misy habangana, iray tsy zaka, mibahana ny ao anatiko, Misy troatram-pery iray maratra, maharary ka tsy tantiko, Misy zioga tsy hay zaraina, manembatsembana ny fiainako, Misy vesatra taraina, mampiho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/irery-2
IRERY 2
raozigasy
IRERY 2 Fandriana mangatsiaka, Vilany karankaina Na hira na mozika Mangina ts’isy aina Efi-babangoana Trano ts’isy hanitra Izay jinery Foana Maizina ny lanitra Fitara-konjokonjo Dongim-pahoriana Izaho sy ny honjohonjo Irery lavi-tiana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/izy-indray-antsoina
IZY INDRAY ANTSOINA !
DadaRabe
IZY INDRAY ANTSOINA ! Izy indray antsoina... ...Raha hitanao fa izy no afaka hampitony Ny fahanginanao, ...Raha toa efa izy no felana mamony Sy fahasambaranao. ...Raha tsapanao fa any ny volana baliaka Mazava sy manjelatra, Ka afaka ampihiratra ny endrikao sariaka, Hiakaranao ny sehatra. …Raha efa mino ianao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naritsimba/niserana-ihany
NISERANA IHANY
naritsimba
Tsapako ankehitriny Fa hiserana ihany Iny fitiavako iny, Raha mbola eto an-tany Toy ny rivotra nitsoka Nahangoly ny aty fo, Sento no nipololotra Ka atao ahoana moa? Hionona aho, izay no mety Ny hitomany sanatria Fa nandalo vetivety Fitiavana tsy ho doria
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/sento-mangingina
SENTO MANGINGINA
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
SENTO MANGINGINA Sento mangingina Porofon’alahelo No narotsany ho anao Ilo-maso nikoriana Tsy tana nofihinina No nanorika ny tavany Antso anaty no nalefany Hampiherika tandindona ‘Reo Aloka napetrakao Ny ako anefa no namaly Tao an-dohasaham-pitia Noventesin’ireo molony Fa tsy teo intsony ianao F’efa lasan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/eny-ambony
ENY AMBONY
DadaRabe
ENY AMBONY Ny masonao nijery ahy No nandrehitra ny foko ho afobe mijoalajoala, Nientanentana fanahy Toy ny vanton-jaza iny aho, angamba tena lasa adala ! Ny feonao mandangolango, Nampangotraka ny rako, hihazakazaka aok’izany, Zary toy ny rapa-dango Ny fiteliko ireo teny atosakao...mihamamy hatrany ! Ny endrika...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/tsy-maninona-ry-tany
TSY MANINONA RY TANY
RATSIMBA Georges
1° Tsy maninona ry tany Ra'izay no sitrakao Tsy ahoako ny tomany Fa arotsako ho anao Hay va re ka toy izany Ny fiovan'izy ity Ny mangidy sy ny mamy Dia miaraka hatrety Tsy maninona ry tany Ra'izay no sitrakao Eny holazaiko ihany Hahato ny didinao: Hay va re ny famadihana Mbola misy ka mandrava 'Lay mba ti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/any-andro-iray-1
ANY ANDRO IRAY
Ryana
ANY ANDRO IRAY Mbola mino aho Fa na mafaitra sy manganana no ateliko anio, Mbola hody mamy izany , any andro iray any; Fa na miloko mainty aza io volon-danitro io, Mbola handresy ny masoandro rehefa any aoriana any. Mbola mino aho Fa na horohoro aza no manemitra ny nofiko, Mbola misy any ho any anjara rotsirots...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/onitra/vavaka-13
VAVAKA
ONITRA
Hanandratra ny feoko aho androany Tompo masina, hanandratra ny feoko ,hidradradradra tsy hanafina hanandratra ny feoko, hivavaka aminao hanandratra ny feoko, hitaraina sy hitalaho Hanandratra ny feoko aho,hisaotra indrindra Ray noho ny nanomezanao ahy tombon'andro iray hanandratra ny feoko,hiova an-kitsi-po satr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/raha-sitrakandriamanitra
RAHA SITRAK’ANDRIAMANITRA
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Any ho any ianao izay Izaho aty manina anao Misaina hoe : rahoviana indray Vao mety hihaona aminao Sompantra ny elanelana Nanasaraka ny tenanantsika Ilay foko vao namelana Namela vony hangatsika Any ho any ianao izay Asa raha mba mahatsiahy Fa ny ahy dia hoatr’izay Manjeny lava ny fanahy Tsy mampionona ny s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ben/sarotra-3
sarotra
Ben
srotra ny miaina rehefa atao hoe tia mora kosa anefa rehefa mifankatia antonony koa izany rehefa miaina malalaka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetsomiangola/tsy-maty-fa-natory
tsy maty fa natory
vetsomiangola
rehefa iny ianao mandrevirevy foana tsy ahitana teny fa toy ireny moana mandefa ny vinany ,any ambadika any rehefa iny ianao manakatra ny lanitra tsy mijery akory hafatsy ny hanitry ny vonin'andro anio sy ny rivotra madio tsy mahafantatr'olona fa toa irery ihany misento tokana, manembona azy any mahatsiaro tamp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikopol/ny-farany
Ny Farany
Nikopol
Ny farany Ny samboko efa fefika, ny antsoko malemy, Iza no hahatakatra ny fara-faniriako? Ny volana efa jamba, ny vetsoko manjeny, Ny onja toa mahery hamarana ny diako. Ny rivotra manala, ny saiko miampita, Manonja ny alahelo fa tokana sy irery. Ny samboko efa rendrika, naniry ny ho tafita, Nihoatra nefa indris...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/mila-raharaha
MILA RAHARAHA
SCOTLANDYARD
Nisavisaka ny lasa sy ny omaly aho androany Nangarongarona ny adino, s’ireo nivalona efa tany Nitady aretina no marina, asa angaha tsy laitra anarina Fa namoha ny lasantsika, ka ny fahiny nofongarina Niverenako niainana, ilay fotoana voalohany Toa tsapako hoe vao eo, ilay fotoana nanombohany, Mbola haiko sary an-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/batr2o/mitady-fifaliana
mitady fifaliana
Batr2o
efa-impiry aho no nitady fifaliana ho ahy sy ho anao nefa indrisy... fa nisoko hatrany ny fijaliana...hatrizao efa impiry...indray nitosaka ny tsiky nefa tsy haintsika nohazonina teo imolotr'eo fa ny reko indindra ato anatiko dia ireo jaly sy toreo iza no mpanome hafaliana... tadiaviko izy.. ho tambazako... na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ollie/tanora-o
TANORA O!
OLLIE
Tanora o! Hadinoy ny hadalana Ajanony, Ny fiainanao andrandraina Tanora o! Tsinjovy ny ho avinao Mianara, Ho an'izay ho taranakao Tanora o! Ianao no fanantenana Ho dimby, Hanasoa ho fanazavana Tanora o! Ianao no hery hany Ho toky, Hanoro,hitanisa hatrany Tanora o! Ianao ihany no hijinja Hifafy, Ny vo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/vato-atsindry-hazana
vato atsindry hazana
njaf
Fony ianao nijaly nantsoinao foana foana aho hiezaka hampifaly dia indro aho fa namaly fony ianao fa ory dia mbola teny foana aho nanala sorisory sy hampahita tory fony ianoa tomany dia teo akaiky foana aho niezaka hanontany sy mba nananihany dia teny foana isika niezaka ho sariaka mba entina hanafoana n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hobiana/madama
MADAMA
HOBIANA
Asa re Madama raha sendrasendra ihany rehefa ianao mampianatra fa tsinjoko mazàna mifampiantefa foana ny masontsika mianaka Ny fanadinana aza efa indroa nisesy tsy nisy haiko akory Nefa dia nahagaga nanjary izaho indray no nahazo isa ambony ...Dia faly ery i Neny nandoka sy niteny fa mianatra ny zanany Ianao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/ilay-ampitso
ILAY AMPITSO
DadaRabe
ILAY AMPITSO Manofy ilay ampitso mamerovero fatratra ; Manofy lendalenda, diavolana tomaratra ; Manofy taona zina sy fararanom-bokatra ; Manofy tojo tanjona, tafakatra ny tohatra. Manofy fahasambarana, fotoana paradisa ; Manofy fisantarana ny mamy tsy hita isa ; Manofy lohataona ravaham-boninkazo ; Manofy andro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naritsimba/heloko-ve
HELOKO VE ?
naritsimba
Heloko ve ny nitia ? Heloko ve sanatria ? Olona iray tena tiako Raikitra anatin’ny foko Heloko ve ny nitia ? Heloko ve sanatria ? Sanatria tsy handalo ihany Tiako ho ahy irery hatrany Heloko ve ny nitia ? Heloko ve sanatria ? Matoa aho nitia anao Vonona tsy hilalao Heloko ve ny nitia ? Heloko ve sanatria ?...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/zary-tenany
ZARY TENANY
RATSIMBA Georges
Resadresaka tsy kabary Tositosy tsy mba fitia: Sombinaina tsy mba fanary Fa tsinjovina raha mania! Kolokolo tsy tena vary Vosobosotra tsy mba ady: Tsongo teny no mankarary, Mampisaraka ny mpivady! Tsangatsangana tsy mba dia Ombikombika tsy mba toko: 'Zay manitsaka ny olon-tia Mbola hanenina sy hitoloko Siat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/safononoka-fitia
SAFONONOKA FITIA
raozigasy
SAFONONOKA FITIA Tsy ilay taramenan’ny masoandro, takariva mby hilentika Na ilay somambisamby, zava zavon’ilay volana Na ilay tsiky izay miloatra, aorian’ny fo lentika No nanainga ahy hiventy , tononkalo sy voambolana Tsy ilay lokon-danitr’iny, mangamanga tsara soratra Na ilay siokam-boronkely , velon-kira dibo-k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/alahelo-1
alahelo
njaf
tomany anao ny foko dia lasa toa tsy nahy nandrafindrafi-teny dia zary toa tsaroako ny niainantsika rehetra teny rehetra teny sy hatramin'ny fahakely ianao lay zazazaza mbola nibadabada ianao lay zandry kely tsy mbola mahay miteny ... dia teny mantsy teny... dia lasa ny fotoana ianao nitombo taona f'izaho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-foiko-1
TSY FOIKO
raozigasy
TSY FOIKO Ny vetsovetso nosoratako, Ny andian-teny nanandratako Ny fitiavako anao Dia fitaovana ihany Ilazako f’eto an-tany Dia fitiavako ianao Ny nofinofy mamintsika Ny visavisa izay tafita Tsy porofo ireo akory Fa tsindrim-peon’ny fitia Fo iray tempo, iray dia Na mandeha na matory Ireo toky izay nomeko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aza-kivy-2
AZA KIVY
raozigasy
Ho valin'ny hafatr'i Penhell amin'ilay tononkaloko hoe HO NAMANAO AZA KIVY Raha toa ianao ka te ho namany Sy maniry ny ho tantanany Kanefa tsy afaka manoatra Dia aza kivy na sendoatra Fa mbola any ilay anjara Dia mahareta f’any afara Ho hitanao ilay tena Namana Mety hanarianao ny eo an-tanana Aza maika hampir...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/11-septambra
11-septambra
Ny Kanto
Tsy mora ny hanadino ny lasa izay nandrasa Aina maro no indray tsy hita popoka Tsy mba nanahy, fa teo amperin’asa Hay ilay ratsy efa ela no nilokaloka Dimy taona aty aoriana, litania no indro haniriana Hahatsiarovana ireo izay nodimandry Fanavaozana, fiarena-mahasondriana Voarakitra an-tsary isan’ora, isan-tsego...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/madaiesdanny/ity-foko-1
ITY FOKO
MADAÏES(danny)
EH! ity foko mitempo lava ho anao, hatry ny ela hatrizay hatramin'izao. ka ho hadisoako ve ny mitanondrika etoana, tsy sahy manatri-maso anao zay eo anoloana. te hilaza mafy aho hoe :"ry malalako tsy foiko". nefa salasala ihany ity fitiavana koloiko, nefa ankehitriny izao,de ho lazaiko ho ren-tany fa TIAKO ianak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/efa-niova
EFA NIOVA
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Averiko eto indray Ireo teny mamy nahababo anao Dia inoako f’efa lany Ireo tsiro tao K’aleo soloina vao Na ‘lay fakitera Mpampiampita hafatra Efa niova koa Ka mety tsy mahalala Ny tamintsika roa Ireo mpitan-jiro Namono ny fanalany Fa efa ampy izao Ny vatsy eny an-dalany Ankehitriny kosa Averiko eto indr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tara
TARA
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Ho raisinao ny tanany Ny masony hiantefa Hanopy maso anao Fijery mahababo ! Ny molony hisokatra Hitafa aminao Fiteny miaro-hanta Feo mandrotirotsy ! Ny famindra amin’izay Milanto dia milanto Tena zava-kanto Mampierika mpandalo! Izay olona izay raha hitanao Dia mba ilazao Izao teny izao : “Tiany hono ian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rha-nary/fifanenana-1
FIFANENANA
R.H.A. Nary
Izay tena tao am-pony tsy fantatro mihitsy tsy haiko nozahàna, fa teo an-tenantenana làlana mahitsy no nifanenana, Izaho,izaho irery izy izy irery... Vao teny lavitra izy dia hitako nijery dia mody tsy nahita angamba tsy ampy hery hiatrehana ny ditran' ny masoko tsy niery variana fa voasariky ny toetra mifa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/hasambarana-1
HASAMBARANA
RATSIMBA Georges
1° Tsy fiombonam-pofonaina fony isika nifanoroka Vetivety dia nisaraka No niteraka hasambarana tany anatintsika tany, Sanatria tsy izany! Moa ny voromahailala tsy mba sambatra tokoa Raha mibakobako roa? 2° Tsy fifamihinan-drantsana toa mamindra hafanana Vetivety dia vahana No niteraka hasambarana tany anatintsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/meteza-ianao-1
Meteza ianao
Pissoa
Meteza ianao Nahoana no mifidy ny hitanisa fitarainana Handemy ny fisainana? Na minia tsy mahalala fa matoa "izao" Dia mety ho noho ianao? Nahona no lazaina fa azy manontolo Ny toetra bobongolo? Nefa koa ianao mety manana hadisoana Ka mba mila mifona ... Atanjaho ny saina, dia raiso ny andraikitra, Fa aza ave...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/fa-nahoana-1
FA NAHOANA
Ryana
FA NAHOANA Raha mba fantatro mialoha Ny anjara fahoriana izay tsy maintsy hozakaiko, Ny anjara fanaintainako; Raha mba fantatro ihany koa Vaingan-dranomaso firy no hiboika avy amin'ny aiko Hanaloka ireo marainako... Raha mba fantatro eny mantsy Ny setrasetra sy ireo fitaka izay handraby ny fanahy Sy hamizana n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahenina/sombin-kafatra
Sombin-kafatra
MAHENINA
Sombin-kafatra Sombin-kafatra tsy nahy no nahafantaranao ahy sombin-kafatra hafa kely eto ambaravaran-kely Soa fa nisy ny fitia ka ny antso at-tariby no fitaovan-tserasera hiaro azy tsy hianjera Sombin-kafatra tsy nahy no nahafantaranao ahy tamin'ny andro harivariva teny amoron'i Tritriva nisy izaho, nisy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/aminao
AMINAO...
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
AMINAO… Adala taminao ny foko ka tsy tana Mamelana fitia tsy hita ho raràna Maditra dia maditra tsy azo nofefena Fa ny azy ianao ihany no tanjona kendrena Toro taminao ny ombelahim-pitiavako Ary raha tsy ianao tsy niteny ity vavako Hamboraka avy hatrany Ireo karazan-teny mamy Izay rehetra nofinidiny Sy izay m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ilay-fitsikinao
Ilay Fitsikinao ...
Ny Kanto
Fitsikinao …. Feno misitery sy ankamantatra Ilay Fitsikinao mijadona mahitsy Vita sikotra eo i-molotrao mihintsy Ny mandrakizay tsy tazako tsy fantatra Ny Fitsikinao toa iposaham-pahatoniana Farihy filomanosam-piadanana Mamoha ny varavaran’ny fisainana Ho amin’ny andro lavi-panahiana Anefa tsinjo koa mifangar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/nefa
NEFA
RATSIMBA Georges
Samy olona isika Ara-batana, ara-bika! Samy manan-tanindrazana! Samy manana finoana! 5 Samy manana fiteny Nolovana tamin-dreny! Samy manana fisainana Voavolavolan'ny fiainana! Nefa asa, 10 Ary eo no mahalasa Lasan-davitra ny saiko, Mampiferina ny saiko : Fa ny mba fisainanay Notsatsoiny ambony ihany! 15 ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njaf/alahelo-2
alahelo
njaf
tomany anao ny foko ka lasa toa tsy nahy nandrafindrafi-teny dia zary toa tsaroako ny niainantsika rehetra teny rehetra teny sy hatramin'ny fahakely ianao lay zazazaza mbola nibadabada tsy mbola nahay niteny ... dia teny mantsy teny ... dia lasa ny fotoana ianao nitombo taona f'izaho toa zaho ihany nifank...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naritsimba/raha-toa-1
RAHA TOA...?
naritsimba
Angamba...! Toa tsy ho haiko, ny hanadino Ilay fiarahantsika, roa Raha ny saiko, toa tsy hino Raha toa hisaraka tokoa Mafy koa raha tena mafy Rehefa tonga ‘lay fotoana Andeha ianao hanambady Ny eo anilako, ho foana Tsiahy sisa, ho tadidiana Ireo lalana nizorantsika Ny tiako…izaho aza kiviana Raha toa hisara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rindra/ny-vadiko-2
Ny Vadiko
Ny R. Fidimanantsoa
Tsy tiako ny vadiko ho be fahavalo Tsy tiako raha hisy ny fiavonavonany Tsy tiako koa anefa ny olo-mandalo raha omeny lanja ho toy ny ankohonany Tsy tiako hisy olona hankahalainy Tsy tiako ho isan'ny mpanavaka izy Tsy tiako koa anefa ny fony ho zarainy afa-tsy amiko sy amin'ny ankizy Tiako izy ho mamin'ny mpiar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nathalia/fitiavako-ianao
fitiavako ianao
nathalia
fitaivana tsy sambasamba nakoa hoe rambaramba fitia nomen'ily nahary ka vaelao hibaribary fitia tena sarobidy sady koa tsy azo amidy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/efa-atao-ny-famotorana
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njiva/mafy-2
MAFY
NJIVA
Mafy ty nahazo ty foko Fa vao mba nitia dia toja toloko Nanatena fitiavana mamy Kanjo fijalina no setrin'izany Noheveriko fa tena fitia No natolony sy nomeny ahy Nolazaiky koa fa fitia ho doria Kay mpamitaka ratsy fanahy Ny todi-paty tsy hisy Fa ny todi-pitia manodiava Raha ny hiverina aloha dia tsy misy Sat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/mpitazana-tazanina
Mpitazana-tazanina
Ny Kanto
Izaho ve no mitazana anao sa ianao no mijery ahy R’ilay masoandro tratra hariva manopy anaty rano Ny mamiratra hiangaviako hivimbina tsiahy Sy hampipongatra irony arirarira sy angano ? Izaho ve no mitazana anao sa ianao no misarika ahy Ry sidim-borom-potsy amoron-kady izay mitaona Ahy tsy ho eto intsony ka manain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/sanatriaviko
Sanatriaviko
Oully
Impiry moa ity tànako No te hanoratra ho anao Hitantara sy hanambara Ny hatramin’izay tsy nahateo anao Saingy aoka ihany Sanatria ho olon-kafa any No hamaky ‘zato taratasinao Impiry koa ‘zato eritreritro No mamisavisa lava anao Ka mamadibadika ireo sary Sy ireo tononkalo voakaly Saingy nionona avy hatrany S...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/vahiny
VAHINY
Toetra RAJA
VAHINY Mizaha tany Ny vahiny, Akory izany Fifaliany ? Notondrahana Tantely Sy narahana Bà kely ! Nony nonina Avy eo : Mimonimonina Sy leo Ny tompontrano Fa nidirana Angano ... Manahirana ! Ary rehefa Valovotaka : Manefa Hotakotaka, Tsy an-tany Am-parafara ... Lavitra any I Gasikara ! Izay manda...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tiako-2
TIAKO
raozigasy
TIAKO Tiako ny mitia Raha toa ka ianao No iarahako miria Isan’andro izao Tiako ny mijaly Raha toa ka noho ianao No tsy hahafahako mifaly Ekeko tsotr’izao Tiako ny miaina Satria izao tontolo izao Ireo izay tian’ny saina Efa fenonao Tiako ny Fitia Satria tiako ianao K’izaho sambatra ery Fa manana anao Ti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njiva/nataoko-daholo
NATAOKO DAHOLO
NJIVA
NATAOKO DAHOLO Nataoko daholo ze azoko natao Mba Tsy hampahory fa hiadananao Tsy nikely sorika aho tsy nitsitsy aina Eny fa na de mafy aza tsy mba nitaraina Nataoko daholo na mora na sarotra Ze zavatra hita mba hiadanantsika Fitiavako anao no mahatonga ahy hiaritra Sy fiarovana lay fitia tsy hangatsiaka Nat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naritsimba/tiako-ianao-11
TIAKO IANAO
naritsimba
"Atolotro an'izay olona izay...!" Niangaviako izato ianao Mba hiara-dàlana amiko Nanaiky tsara ianao satria Fantatro fa efa TIA TIA ahy hatramin’ny ela Ary tiako, tsy havela, Teny tsotra avy eo imolotra Teny kely no atolotra Teny tsotra mahalaza Teny kely fa mazava Mety efa fantatrao Dia ny hoe : TIAKO IANA...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ny-fahatsarana
Ny Fahatsarana
Ny Kanto
Ny Fahatsarana Tsy omena fa nomena ... Fanomezana Tsy tazanina, mpitazana ... Fampitazana Tsy mangina, mampangina ... Fahanginana Feno, tsy mameno ... Fahafenoana Fisiana, fahagagana ... Fahazavana Sarotra faritana, tsy azo lavina ... Fahalalahana Bitsi-po, hiram-panahy ... Mandrakizay ???
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gerard-ranaivozanany/manahirana-ny-miaina
manahirana ny miaina
Gérard RANAIVOZANANY
MANAHIRANA NY MIAINA Asa raha diso ny fiheritreretako Mandinika izato lalanan’ny fiainana Ka andeha ary henoy f’ity ny hetahetako Diniho tsara dia hoento am-pisainana Fa nahoana ireo olona nahavita ratsy ? Sy namohafady tsy fanao ianao No mateza fiaina, ary toa be vatsy ? Sa izany no lalàn’izao fiainana izao ?...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gerard-ranaivozanany/ra-fifidianana
ra fifidianana
Gérard RANAIVOZANANY
RA FIFIDIANANA Ho avy indray rafifidianana Ireo mpitondra firenena Haresaka tokoa ny lalana Tsy vitsy ireo nanolo-tena Hampidera ny fananany Sy ireo kobaka ho ekena Ary ireo lainga eo antanany Mba hitondrana firenena Toa maromaro izy ao No hitady seza iray Ka hankininy aminao Ny fiadanany rahatrizay Raha v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/tsara-tso-drano
TSARA TSO-DRANO
SANDRATRA
Fa nahoana kosa re ry tiana nahoana ianao no nisitaka aiza ireo teny maminao sy dina hay moa ka fitaka fa nahoana re ry lala nahoana ianao no nandao sa izaho no tsy nahalala fa ny anao fitia kilalao tsy maninona anefa raha izay no tianao fa tsara tso-drano @izay atao hahita ilay tena tiana sy iriana hiaina l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amcko-jasmine/indray-andro-izay
Indray andro izay
A.Mcko Jasmine
Indray andro izay tamin'iny lalana iny No mba nahitako anao toa vehivavy tsisy tsiny Asa aloha na tia aho na koa jambena Fa ny fahitako anao dia tena nahonena Nilaza ianao tamin'izay fa Mahasosotra ny fiainana Tsisy ho antenaina ka Mahatonga fitarainana Dia indro aho fa tonga nampitraka anao Niezaka hatrany mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/misy-ra-mijininika
Misy rà mijininika
Ny Kanto
Misy rà mijininika, Mandeha moramora : Ny ran’ny fahalalana Ny ran’ny fihavanana Ny ran’ny fitiavana Ny ran’ny fahendrena ... Fa nosoloina vola Sy haingitraingitra ho tola Ireo lova sarobidy Voakoaka moramora Mijininika mora Mandeha moramora Miha-very ireo harena Sy soatoavin’ny fahagola. Misy rà mijinini...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/iarivo-mitomany
Iarivo Mitomany
Ny Kanto
Ho Fahatsiarovana ny Rova indray andro tapaky ny volana septambra Iarivo mitomany Irony tranogasy mevany mihantokantona eny an-tendrombohitra Dia naneho toy ny mianjaika ireo biriky mena midorehitra Rehefa iny novangian’ny tara-masoandro tratra hariva ... Ô Indrisy ireny koa nihintsana, nosoloina trano miva Ireo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/asa-izany
Asa Izany
Dox
Asa izany Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny, Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga? Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliany, Anoloan'ny masonao sy ny lanitra mitranga! Ny tsikinao no itiavako fivelaram-bonikazo, Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany? Asa izany fa ny foko tsy mitsahat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/jereo
jereo
randria
hiangaviako ianao hijery, meteza kely re hibanjina, f'aza de odian-tsy hita, fa mba tompazo maso ihany . mba andefaso eritreritra, satria tsy mila anao diniry, na miandry fikarohana, fa reny akaikikaiky reny, reo ambany maso reo, ka mba jereo ... jereo fa mahonena . jereo ange reo tanimboly, rakotry ny biby...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/matoa-zahay
MATOA 'ZAHAY...
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Matoa ‘zahay Matoa ‘zahay niaraka Dia noho ianao ihany Ny orana nipatraka Namonto izato tany Dia mbola ianao hatrany Ny faka nipoirany Sy varavarana nidirany Ho ao an-tranom-pahatsiarovana! Matoa ‘zahay nisaraka Dia noho ianao ihany Ny ranomaso raraka Namonto ny takolany Dia mbola ianao hatrany No sento n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/angamba-4
ANGAMBA
raozigasy
Ho setrin'ny tononkalon'i hery hoe Angamba ... fa .... Angamba tsy ho voadradra Ho ren’izao tontolo Ilay fitiavana mikoro Fa ilay fonao voagadra Nitahiry sy nikolo No tena torotoro Angamba tsy ho tanty Ny ketoky ny fery Latsain’ny taraina Fa vaim-pitia miranty Mahatsiaro fa irery Nilaozam-bolon’aina Angamb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rmtn/hanantena
hanantena
Rmtn
Androany ianao no hitako nanatena mafy aho izao andro izao hanatena nefa,...tsy haiko ho inonao tsy sasatra aho hilaza fatiako foana ianao aharitra hiandry izay fara fitiavanao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gerard-ranaivozanany/sambatra-hono
SAMBATRA HONO
Gérard RANAIVOZANANY
SAMBATRA HONO Sambatra hono f’izaho lasan-davitra Satria tsy voakasiky ny fahoriana sambatra hono no sady finaritra Nefa aho la vitra fianakaviana Raha misy zava-midona any hoany Tsy sambatra aho satria miady irery Ianareo rehetra miaraka ihany Izaho aty singany toa olona very Ny tena tsy zaka dia rehefa mane...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/inona-ary-zany
Inona ary zany?
Ranoala
Ankamantatra ry lahy mba handramo kely ange! Inona ary izany : "Loharano antendro-kazo?" Dia fantatro avy hatrany fa hamaly ianao hoe: "kobo fa voasary, hafahafa mba atao" Izao indray aza asa ianao raha hahita: "Tsy tafavoaka ny ala anefa dia misioka?" Diniho maharitraritra tsy henjana io ry lahy mbola t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-joseph-rabearivelo/nosoratana-tao-anatinny-fangorakorahana
Nosoratana tao anatin'ny fangorakorahana
Jean-Joseph Rabearivelo
NOSORATANA TAO ANATIN'NY FANGORAKORAHANA Eritreritra, nofy mangina, Hovitrovitra saika tsy re, Kopak'elatra, ho aiza? - Hiampita. Any an'inona? - Tany tsy hita. Nefa feno ny zavatra irina, Feno azy ary be dia be ... Kopak'elatra ho aiza? - Hiampita... Hovitrovitra saika tsy re... Hovitrovitra... Ny antony? - A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanoratra/rdbradio-don-bosco
RDB
Tsy akon'ny tamberina nadonan'ny fo tia monja fotsiny ihany no teraka ao fa tia, tsy alaina ka aterina toy ny fitia iainana eto an-tany, satria hoe malia fa tosa-pahazavana, mitia manerinerina, fitiavana tamàna tsy leo mamerimberina ny toky tany ho any O RDB, izany ka fitia, tsy misy mahatakalo, tsy manam-pahav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/tsena
Tsena
Ranoala
"Eo le vandro ramose! Eto mora fa avy fa ataoko be dia be tongava mankaty" "Aty kambony, ny ahy misy kado bobaka ny ambiny betsaka kokoa!" "Saosisy mantsy atao fa mampangateta ireny ho mandina ny molotrao mamiratra jerena!" "Zany mihintsy mise a! eto amiko ampiana mofo eto 'lay mora be mampitorajofo" "s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/hanakenda-elefanta
HANAKENDA ELEFANTA
Miarantsoa Anicet
HANAKENDA ELEFANTA Nisy vitsika an-kiray Niakatra hankenda Ny tendan'elefanta. Nisy vitsika am-polo Niakatra hankenda Ny tendan'elefanta Nisy vitsika an'arivo Niakatra hankenda Ny tendan'elefanta. Nisy vitsi-tsitaisa Niakatra hanakenda NY tendan'elefanta. Kanjo...nahifiny ny loha ka nipitika avokoa Ireo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/lazao-3
Lazao
Pissoa
Malala ô, Torio fitiavana aho, Lazao aho fa tinao Toy ny tamin'ny voalohany, Ireny andro niatombohan' Ny fifankatiavantsika ... Volana baliaka. Eo moa e! ataovy amiko Ireo teny tena mamiko Nandravahanao ny androko. Ireny mantsy no masoandroko Nomenao isa-maraina ... Namelona ny aina. Aza avelanao hiandry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/mangana
Manga...na!
randria
itony zao no inona ? zaroa moa no ahoana ? itsy zany lahy ... toa mampiahiahy ... ny amin'zato fihetsiny! izay rehetra tazana, de samy mihodikodina. mikatsaka fivoahana iretsy kosa ho aho... mitrongy ambany midina? tsia! fa tsy sitram-pony ny làlana ombany, ianao no mieritreritra fa midina izy zany! ny fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gerard-ranaivozanany/nahoana-kay
NAHOANA KAY
Gérard RANAIVOZANANY
NAHOANA KAY ? Nahoana kay no lasa niova ireo fomba nahazatra fifankatiavana izay lova zary lasa namparatra sa rehefa lasa lavitra ka tafita sy mahay dia hadino ireo nanavotra nilaozana niolomay nahoana koa no lasa miavona rehefa injay ka mifanena zary tany feno zavona nefa samy gasy tena misy aza manadino ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njiva/ny-fitiavako-anao-3
ny fitiavako anao
NJIVA
Ny 100% ny fitiavako D' efa natolotro ho anao Tsy vidim-bola rahavako f'efa nafoiko trotr'izao ra azo navoaka ho jerena dia nasehoko anao zany foko mba ho marik' ilay fifanekena fitiavako tsy miova loko ka na mafy na mora ny lalana na kou be ny fandrika hamingana tsy hilaozan'izany ny fitiavana ka mahaiza ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radogeorges-andriamanantena/rehefa-tia
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/nahoana-5
Nahoana
Pissoa
Lasalasa indray ny saiko Manontany, Mitadidy; Taiza moa ianao no haiko? Nahoana aho no nisafidy Nandray anao mba ho namako? Ho ratsan'ny tanana an-kavanako? Angamba hoy aho ny anaranao No mahasarika avy hatrany? Na ireo mahaliana anao No hitovizantsika ihany? Angamba koa ireny hevitra Asehonao: misari-matotr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njiva/porofom-pitiavana
porofom-pitiavana
NJIVA
Fitiavana tena grave Mahasalama fa tsy mampanavy Fitiavana tena jolie dédié pour toi ry cheri fitiavana tsy hay pesipesenina aderadera fa tsy mba hafenina fitiavana tsy lany laniana dédier pour toi re ry tiana fitiavana ngeza de ngeza tsy vita sinoa fa mateza fitiavana tena vrai plus bisous chocolaté fitiav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bana-rahalahy/angano-arira
Angano ... Arira ...
Bana Rahalahy
Angano angano, arira arira Tsy izaho no mpandainga fa ny tany aloha. Misaotra dia misaotra anareo Razambe Misaotra dia misaotra anareo nanome Angano, Kabary, Hainteny, Hira Ohabolana, Ankamantatra mahavariana ! ! ! Misaotra anareo tany aloha Namela ho anay LOVASOA ... Angano angano, arira arira Tsy izaho no mp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/filigasy/sahy
Sahy
FILIGASY
Raha izaho mantsy sahy sahisahy fanahy dia izaho lena navembenan' iny rotsak'oran'iny dia nobitsihiko tao an-tsofiny : "sakambino aho fa mangatsiaka" nef'izaho tsy sahy fa be ahiahy dia or'iray mahery resaka sy fijery ary eritreritra nanidina no nanafana ny fihavian'ny aizina izaho sy ny foko anefa amin'io...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfjo/ato-anaty-foko-ato
Ato anaty foko ato
rfjo
Ato anaty foko ato, Misy feonao iray, Feon'ny tsikin'ny fonao, Feo mikalo nampiray. Ato anaty foko ato, Misy teny maminao, Misy bitsikao tavela, Misy tsiky tsiaro anao. Ato anaty foko ato, Misy misiterinao, Misy sary endrikao, Misy sora-tananao. Ato anaty foko ato, Misy sentosentonao Misy veton-kira iray,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nangorintsina-2
NANGORINTSINA 2
raozigasy
NANGORINTSINA Nangorintsina aho tanaty nofy, nahita anao niova sata Nihoron-koditra indray, ny tanatiko toa mahatsapa Fa raha misy fiovana , ny fihetsikao, ny vatanao Dia haiko tsotra izao ianao, fa tsy hilaza vaovao , Nangorintsina aho, tanaty nofy , nahita anao kizitinjitina Nihararetra ny tanatiko, nahita anao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfjo/kantonlay-fitiavany
Kanton\'lay fitiavany
rfjo
Any ho any, Misy toerana iray, Tany no nitsiry \'Lay fitiavany, Nahatsiarovana indray, Ny tsara sy kanton\'ilay Olon\'iray! Nomeny ahy, Fo nofenoina fitia, Noraisiko amin\'fy Satria samy tia, \'Njary namiratra ery, \'Lay masoandrom-pitia, Satria tena tia! Hery iray izany satria, \'Lay fitia nolalaiko tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ny-ampitso-1
NY AMPITSO
raozigasy
Ho setrin'ny tononkalon'i Hery hoe NY AMPITSO Omaly isika olon-droa Samy nanana ny lalany Samy nanana ny tanjony Nanana izay fahazarany Nanana izay fibanjiny Androany isika olon-droa Nefa roa mitokan-dalana Sady roa mitovy tanjona Minia mitovy fahazarana Miezaka hitovy banjina Rahampitso isika hitombo Tsy h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/lazao-izy
LAZAO IZY
ny eja
Miangavy ange aho Lazao izy fa ny amiko tontolo .. gina bobongolo. Dia lazao izy fa izy irery ihany izy hatrany hatrany no olona niriko sy hany tena tiako. Lazao izy mba miangavy aho fa ranomaso lava fihereta –tory ny andro tsy eo anilany. Lazao izy na olon-kafa aza no ezahako anoloana ilay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/indro-2
Indro...
Dox
Indro ny Zanakavavin'ny Alina Hiroboka anatin'ny Lanitra lalina... 'Ndeha handro izy iny... Ny volony lava toa setroka oly, Ny maso baliakany toa hanangoly... Mandrendri-bahiny !... Mba mahina angaha sao misy mahita Ka miherika im-polo..., kinanjo eny am-pita dia indro tokoa... Ingahy masoandro misalotra mena ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfjo/mitsikia-ianao
Mitsikia ianao!
rfjo
Mitsikia ianao! Fa ao ambadiky ny tsiky, Hisy rahona hisava: Hampamiratra indrindra, 'Lay masoandronao; Hampilanto sy handrindra, Ny androm-piainanao, Hitondra sombin-tara-drindram-piainana, Ho an'ny hoavinao!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bobone/mizara
Mizarà
bobone
mahaizay mizara Raha sendra hakiviana ka tsy hita izay hatao Dia mitondra fifaliana Ny fahitako ny endrikao Raha sendra ady sarotra mila hahavaky loha dia mitsikia maharitra fa hisinda avokoa raha sendra fifaliana dia mba hizarao ny hafa fa ho feno hamamiana raha ianao tsy mihafahafa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/voatery
VOATERY
SCOTLANDYARD
Noteren’ny fotoana isika roa tsy hifanoratra Noteren’ny fiainana, Noteren’ny rotoroto Kanefa dia lazaiko anao, fa na ts’isy izay voasoratra Dia tsy adinoko ianao, satria voasikotra ao am-poko Noteren’ny tokantrano, isika roa hisara-dalana Noteren’ny halavirana, sy ny tantara tsy hiara-dia Kanefa izany rehetra iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfjo/ny-fiainantsika-ety-1
Ny fiainantsika ety!
rfjo
Ny fiainantsika ety, ety an-Tany, Mihamaloka mihamaizina hatrany. 'Lay rivotra nitsoka hatrizay, Manditsoka toa mivaivay. Ny làlantsika ety toa tery hatrany, Mivilivily tsy hita fihafarany, Fa toa mivezivezy any ho any, Mahalasa saina sy fanahy. Ny fanantenana toa lasa nakany.... Ilay tsikitsiky nanjary tomany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herifaniri/ireo-nofy-an-kira
IREO NOFY AN-KIRA
herifaniri
NOFY AN-KIRA Toa irery foana aho Raha tsy eo anilanao Mirenireny eny ho eny Fa manembona anao foana Toa mbola manonofy foana aho Raha mahita anao ka mandre ny feo Toa tsy mety mino mihintsy aho Hoe tena ianao no anilako eo Ireo fihetsiko indraindray Ifonako aminao raha azo atao Mahery,fijery,eny na fiteny N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nathalia/lavitra-ahy
lavitra ahy
nathalia
Anyianao izay ry tiako t Tsy mahita ny fijaliako Asa ianao raha manao ahoana Fa izao aty mahatsiaro foana Malahelo mafy anao hatrany Indro latsaka ny tomany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/nentiny-aho
Nentiny aho
Ny Kanto
Nentiny aho dia faly sy nanaraka Ho eny an’habaky ny lanitra fitiavany Hankamamy azy sy tsy hamela hiraraka Ireo kintana an’aliny am-bozony firavany Vahobahotra ery, ireo tongotro tsy zatra Mira dia mirindra, migadona amin’ny aminy Tsy miteha-tany intsony fa ravo sy milafatra Mandeha mandranto ‘reo kanto sy ny h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/tsy-diso-akory
tsy diso akory
Ranoala
raha fitia no ho lazaina, iny tsy haiko re ry lahy na angano ho tantaraina, aza mba miandry ahy Eny e, taloha angamba ireny nahafeno pejy maromaro nahitana karazan-teny nambabo ny mpandalo Ankehitriny, fiainana no atrehina tsy hoe tsy tia na tsisy irina fa mba efa niova sehatra Tranga maro mba miserana ase...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nandalo-ianao-dia-niserana
NANDALO IANAO DIA NISERANA
raozigasy
Ho setrin'ny tononkalon'i ZOKY hoe NANDALO IANAO DIA NISERANA Nandalo ianao dia niserana Ny volo nahifika tsy aritra Toa rambon’omby mandroaka lalitra Nefa nampivaivay ny afo tanatiko Ka ilay hafanana tsy tantiko Nandalo ianao dia niserana Ny masonao nitopy niharo harika Kanefa toa vanja misarika Sy kopaka a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry/haratrana-1
HARATRANA
Thierry
Nilaozanao aho mbola tia Tsy nety izato fo Kivikivy, very dia Noho ianao tsy nankato Toky fitaka natao very mafy aho ity Nanimba ,nampandao,... Ka tsy afa-nankafy Nijangajanga teo imasoko Orokoroka natao toetra tsy mba tantiko kanefa vatranao Nanilikilika ahy Toy ireny tsy olo-tiana Ratsy 'zaho lahy Fa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry/anjara-ratsy
Anjara ratsy
Thierry
Adalana ve ny ahy ? Sa izay ilay vitan-dratsy Tsy mahatoky ny Mpitahy Ka hanantona mpimasy Ratsy anjara ve ny tena ? Sanatria anjara ratsy Vao mizotra toa mianjera Mety ho lavo atsy ho atsy Miezaka isan'andro Manatsara izay tsy nety Ny fizotran'ny masoandro Tsy mety...fa voafefy Ny fiovana toa tsy nisy Toa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry/haratrana
HARATRANA
Thierry
Nilaozanao aho mbola tia Tsy nety izato fo Kivikivy, very dia Noho ianao tsy nankato Toky fitaka natao very mafy aho ity Nanimba ,nampandao,... Ka tsy afa-nankafy Nijangajanga teo imasoko Orokoroka natao toetra tsy mba tantiko kanefa vatranao Nanilikilika ahy Toy ireny tsy olo-tiana Ratsy 'zaho lahy Fa t...