url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ounjasou/zaza-vao-hitia | zaza vao hitia | OUNJASOU | Raha nitia anao aho
Nanantena ny ho tiana
Raha niantso anao aho
Niandry ny ho valiana
Saingy indrisy
Fa raha maso no nijery
Arika no azo
Raha vava no niteny
Fery kely lasa tazo
Tsy notereko ange
Tsy fidiny ho ahy koa
Ny hiantso an-dramose
Na hitia an-dramatoa
Fa mbola kely ve aho
Zokiko hono ianao
Tsy na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/tsiaro-1 | Tsiaro | Toetra RAJA | TSIARO
Raha tsy maty
Ao anaty
Ny jaly
Omaly ;
Raha tadidy
Ny mangidy
Mahamay
Nahafay :
Dia ho diso
Ny ampitso.
Hiahotra,
Hatahotra
Ny tena,
Ary hihena
Ihany koa
Ny risi-po.
Aoka aloha,
Izao moa
Hoy ianao
No aza atao :
"Ny mitoetra
Manjoretra
Manirery
Sy miery
Ao an-davaka
Voaravaka
Tsiaro
Mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-narivony/ny-tia-sy-ny-manina | Ny tia sy ny manina | Jean NARIVONY | Rehefa mihaona ny tia sy ny manina,
Omena seza mba hisonanina,
Rosoana sakafo, tolorana hanina,
Satria mpanambady ka ampiadanina.
hatramin'izao izy ireo dia mpivady
Voatana kofehy, voagadran'ny tady
Ka tsy afa-mihenjy na hoe "mibalady".
Ny tia manko resy, ny manim-boafady.
Kanefa tsy "gadra" mitohy falafa,
Miv... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/aiza-no-aleha | AIZA NO ALEHA? | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Dia ho izay tokoa ve
Ny amintsika roa
Izay ve no lahatra?
Tsy mety mino aho
Fa tsy ahita intsony anao
Tomany aho satria
Malahelo mafy
Rakotr’aizina ny masoko
Manjombon-dava ny ao am-poko
Oram-baratra ny fiainako
Noho ny alahelo anao
Dia tondra-drano izao ny tavako
Hila, tsy ahasokatra ny vavako
Toa aleoko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/feno-ambinina/ny-toky-izay-nifanomezana | Ny toky izay nifanomezana | Feno Ambinina | Efa madiva ho maizina ny andro
indro fa dify ilay masoandro
handeha aho hanao veloma anao.
Eny mandrapiaona
fa isika mety mbola hihaona,
Aza manahy fa izaho hahatsiaro anao am-panahy.
Eny toneo ny fo
ary aza malahelo koa,
fafao ny ranomaso
fa aza manaiky ho resin'ny ankaso,
Dia mahereza hatrany fa aza mitoman... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramy-rabefitia/hafatra-misasakalina-2 | "HAFATRA MISASAKALINA...!" | Ramy Rabefitia | “HAFATRA MISASAKALINA… !”
Ny afoko efa maty, ny jiroko efa lany,
ka iza loatra izany
mitsilo ny ati-tranoko amin’ny hiri-baravarana ?
Manao ankasomparana !
‘Lay torimasoko iny nisinda ho azy teo
ny tenako torovana hatramin’ny anikeheo !
Ho inony ary anefa ny hanairany ahy toy izao !
Mba iza loatra izao ?
Havan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/endre-ny-filazako-azy | Endre ny filazako azy | Ranoala | Misy bizina ho anao ity razoky soa mba mila
tena matotra na vao ary tonga dia vola
Atsangano ny tanana raha misy mahasoa
fa ity matavy tsy fahanana hoatra ny kisoa
tsy ampy saosy ilay tary dia mitady mpanohana
zany ny patiny fa tsy mba toro vohana
ahoana ka ahoana, tafa ve 'lay fivoriana?
Mitondra akama fa mba m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nathalia/ilay-tsikinao | ilay tsikinao | nathalia | Raha ny tsiky no mandravaka ilay endrikaosariaka . Avy hatrany ianao dia miavakatoi'ny kintanabaliaka |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-sitraka/porofo-pitia | Porofo-pitia | Ny Sitraka | Misy hery velona ao anaty ao
Hery toa tsy hay toaina, vavahàna;
Atolotro anao izany raha sitrakao
Mitady vohangy mba ho havana
Tsy toiny ireny vonikazo an-jaridaina,
Mora malazo, toa mora maina;
Na koa toa ireny zozoro raha may,
Mirehetra dia indro maty indray!
Na hoe: "irony rano trambo irony"
Ka sahy misando... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/parani/didy-folo-ny-fitiavana | DIDY FOLO NY FITIAVANA | Parani | DIDY FOLO NY FITIAVANA
"Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo."
Jaona 13, 34
1. Aza manana olon-tiana hafa fa izaho ihany
2. Aza manao sarin-javatra ahatsiarovanao ahy
3. Aza manonona ny anaran’ny olon-tianao taloha na ny ahy
4. Mahatsiarova ny andro mamy niainantsika mba hafinaritra azy
5. ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/raki-tsary | Raki-tsary | Toetra RAJA | RAKI-TSARY
Ny nahitako
Azy farany,
Dia nanako
Ny anarany
Tao an-tsofiko
Ela tao ...
Zary nofiko
Izy izao !
Efapolo
Taona lasa
Ilay tontolo
Io mandatsa !
Raki-tsary
Maromaro
No manjary
Voatsiaro.
Tovovavy
Iray bikàna
Indro avy
Nigagana :
Volo kanto
Voamboatra
Izay milanto
Tsara loatra
Sy sariaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/irery-1 | Irery | Ranoala | saika tsara,nefa indrisy
lany zara ilay saosisy
tena dila izao atoandro
rahariva indray mahandro
Dia tsy maintsy hiantsena
hoa atody sa ho hena?
Anefa izany mankalao
dia ho inona no atao?
ny anana iky sarotra
mandanaka tsy haritro
raha mofo maha noana
raha lasopy misavoana
raha ovaina hanikotrana
'zaho mal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/ririnina-2 | Ririnina | Ranoala | oram-panala vao maraina
no mitsena andro ririnina
mitady ho kivy koa ny saina
Tsy hahita ho mbanjinina
Tanety lava, misy hisainana
dia namorona ny anao
asa angaha na fahalainana
na mba hevi-baovao
Andeha anao fety
ndao antsoina hoe Sambatra
izay mihintsy re no mety
ka ny foatra no asandratra
Angalao rano ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arikaomisa-randria/raha-olona-iray | Raha olona iray... | ARIKAOMISA RANDRIA | Raha olona iray no tsy tia,
mitotoa koba ho donga,
mbola maro ireo te hiara dia
na ny lava na tapak'aponga!
Raha olona iray no hanadala,
aza mandraiky manavy,
mbola maro ireo te ho malala
na ny kaozatra na ny matavy!
Raha olona iray no nandao,
aza dia atao mamparatra,
mbola maro ny safidinao
na ny fisaka na ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/hangina-aho-1 | Hangina aho | Mandefitra | Hangina aho
De napetrako ny peniko
f' inona hono zay mba za, manoloana ireo vaventy!
Ny tiako ambara tsy ho teneniko,
f'iza moa no hiraharaha na hanompy maso vetivety?
Aleo hakomboko ny diary,aoka ho ahy fa tsy zaraiko
ny ratram-poko naharary, na zay nahamirana ny saiko
na ireny redirediko raha sendra irery ane... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/tafatoetra | Tafatoetra | Dox | Tafatoetra
Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany,
Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany!
Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko
Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko ...
Sodokan'eritreritra aho izay elabe izay ...
Hetahetan'ny tanteraka, afo mampiolomay
No nandoro ny fisainako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saharoy/teo-amorony-farihy | Teo amoro'ny farihy | saharoy | Iny tolakandro iny
tsy hohadinoiko mandrakizay
Tanteraka ny faniriny
Nifamihina izahay |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/tsingerin-taona | Tsingerin-taona | Andriamihaja Johan (H-mainty) | Tsingerin-taona
Koa indro tonga ary anio,
Lay nandrandrainao hatry ny elà
Dia tsaroy sy tadidio
Ataovy rakitra tavela
Ny tanako tsy ho torovana
Hamela diam-penina
Ho mari-pahatsirovana
Tsy hety ho lavenona
Taona iray no niampy
Taona iray no lasa
Ny fahazazanao ampy
Ny tsara atao fikasa
Roampolo taona zany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/atolotra-ho-anao | ATOLOTRA HO ANAO | Miarantsoa Anicet | Ho an' ilay Malala!
Ho an'izay Fiononana!
Tsy atolotra ho anao:
Amboaram- boninkazo.
na amboaran- tononkalo
Sy vony iray fehezana .
Tsy hira , vazovazon'ny
Ny volana "Adalo"
Tsy misy fanomezana ...
Na zavatra atolotra.
Tsy hanoroka ny molotra .
Tsy handray anao ny tanana .
Tsy hiarahaba akory .
O! lavitra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/fiononana-1 | FIONONANA | Miarantsoa Anicet | Fiononana a !
Mba torio fitiavana aho!
Mba lazao hoe : tiako ianao .
Hananika ny vohitra
Na tany tsy hay anarana .
Ho henik'hasmbarana .
De eny an-dalana eny ,
Ny lokanga e no tendreny...
Hioty voninkazo
Atao anaty vazo.
Hiran'olon-tsotra
Izay faly noho ianao .
Rebika aho injao!
Fiononana a !
Izaho torio ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/tia-anao-sahady | TIA ANAO SAHADY | Miarantsoa Anicet | Tia anao sahady
Ny foko vao mandady.
Vao mianatra mandeha e
ka te hirehareha....:
Hitantana sy hamihina .
Im-polo kely lavo
Manenjika ny tiako.
Mitraka aho,mbola ravo
hanohy izato diako .
Raha vizaka aho hitsahatra :
An-tratranao no hamahatra .
Anilanao vao miononana.
Akaikinao no honina . |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/fitia-toa-saro-kenatra | FITIA TOA SARO-KENATRA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | FITIA TOA SARO-KENATRA
Rehefa nodinihiko
Dia nifankatia isika
Saingy, tsy nisy sahy namboraka
Fa natahotra fandavana
Dia minia manafina
Ilay fitia izay tsy azo afenina
Fitia toa saro-kenatra
Ny ahy sy anao
Rehefa injay tokoa
Hifamontoana isika
Dia mamerimberina,
Ireo resaka ho atao
Dia minia manafina
Ilay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravelojaona/raha-sendra-sarotra | RAHA SENDRA SAROTRA | Ravelojaona | Raha henjana ny làlana,
Mideza sady lavitra,
Mampiravy tànana,
Tsy maha-te hiaritra,
Dia izao no ‘ndeha hatao:
Ataovy indray mijery,
Tsy hijanonan’ela izay hoe mbola hizorana,
Ka diavo tsy an-kiteny,
Tsy an-kisaina akory izay mety ho ranon’orana.
Mandehàna, aza mihemotra,
Fa aza mba fanao ny resy tsy miady
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravelojaona/kinanjo-inona-tokoa | KINANJO INONA TOKOA! | Ravelojaona | Izay faniriana tato anaty,
Lefy laza, tsy heno ako,
Very an-javona, toa fako.
Nanan-kevitra ny hiova,
Sao mantsy idiran-doza,
@ izato fahazarana,
ny manao hitsin-dàlana.
Milaza foana hoe : mifona,
Kinanjo ampitso dia mirona,
Endrey mamerina indray,
Toa zaza tsy mba mety fay.
Dia mandini-tena sisa,
Misaina s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetrakens/fiainana-5 | Fiainana | Fetrakens | Ny namana!
Inona ny atao hoe namana
'zay rehetra eny an-dalana
sa 'zay rehetra manome
fitiavana be dia be!asa?
Fa inona loatra ny namana
'zay manampy sy manoro
ary koa manome tanana
hanala ny savorovoro!!? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/roam-polo | ROAM-POLO | Miarantsoa Anicet | Roam-polo taona lany
Niandrasako ny androany.
Hanandranaa aho hitondra
Ny foko feno onja.
Aza omena tsiny
Raha toa tsy lafatra iny .
'lay zazavavy keliko
Na mamy toa tanteliko :
De fetinao sahady
Ny ampitson' ny Alahady!
'lay Fiononako any
Mifaly tsy tomany .
'lay endrika tsy hitako:
Akaiky ianao anio .
R... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-sitraka/fa-mba-nankaiza | Fa mba nankaiza!? | Ny Sitraka | Fa mba nakaiza kosa lahy,
Lay nahaolona dia ny fanahy!?
Fa toetra mamohetra,
No mianaka, mivelatra!?
Fa mba nakaiza kosa izao,
Lay naha malagasy anao!?
Toa mirongatra tsy hay tanana
Ny ory tsy havan'ny manana!
Fa mba nakaiza kosa izatsy
Lay famaontinana tsy mba misy tasy!
Fa fitafiana, miboridana, tsy mirindr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravelojaona/tsy-hohadinoiko-1 | TSY HOHADINOIKO | Ravelojaona | Izay no sisa tsy voalaza,
Ny misaotra sy midera Anao, ry Tompo Ray lehibe,
Fa ny maraina mantsy izao, maika lava, misy aleha,
Na dia ny sakafo aza lasa zary tsisy sitraka,
Ary ny hariva indray, rerak’aina ka mifitsaka.
Noho ny hazakaza-dava.
Hany sisa tsy voateny,
Ilay hira izay fanao rehefa andro fitsaharana,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rary-elysee/ny-zezako | NY SEZAKO | RARY Elysee | Tsy politika , tsy mpitondra fivavahana
Fa izay rehetra eo mamikotra mamahana
Izao no voatendry, izaho no voafidy
Izaho irery ihany no masina mpandidy
Raha ianao miady hanongam-panjakana
Gadraina avy hatrany amoronana lalana
Na ianao manoro na miseho manatsatso
Dia valiany tsotra izao hoe izaho anie voaantso
Ry... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranja-zanamihoatra/malagasy-mankany | Malagasy mankany .... | Randja Zanamihoatra | Eny, ho'aho Ramalagasy! Malagasy be fivoarana!
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana!
Izato fihetsiketsikao eh, izato fomba amam-piteny!
Ianao no tena malagasy fa tsy ireny Ntaolo ireny!
Satrinay hitsinjo ihany izato ianao mirehareha:
Borizanom-pandrosoana miedinedina fandeha
Soa, manko, nitanila ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-jeanchris/tiako-ianao-10 | tiako ianao | RAKOTOMALALA Jean.chris | Fa nahoana kay ry tiana
No mampijaly toa izao
Tsy mba misy fifaliana
Ny fiainako eo akaikinao
Izany anefa tsy misakana
Ny fitiavako anao
Fa voa maika miredareda
Ny fitiavako anao
Tiako ianao
Tiako tsotra izao
Tiako foana foana
Tiako mandavataona |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fiaritiana | FIARITIANA | raozigasy | Fiononana o ! Fiaritiana,
Izaho aza ange mba variana,
Hoe tsy namako ianao
Nefa ange jereo injao,
Misononoka izato peniko,
Manoratsoratra ny teniko
Ka androany aho hiarahaba
Satriko hoe arahin-kotaba
Fety sy hiaka lavareny
Nefa ho sarotra ireny
Ka izao soratro izao
No entiko hiarahabana anao
Noho ilay tsing... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ambivitra | AMBIVITRA | Fredy Jaofera | AMBIVITRA
Ambivitra ny fanantenana
hisondrotan'ity firenena,
kanefa eto ihany, mazàna,
mitady izay hoe fandresena.
Ambivitra ny fahatokisana
hahasambatra ny vahoaka,
kanefa tsy hanamafisana
ny kizo ka mba hitsoaka.
Ambivitra ny tena finoana
hampiova ny zavatra anio,
kanefa izay handrosoana
no tanjona ka tad... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/nandalo-dia-niserana | NANDALO DIA NISERANA | SANDRATRA | Nandalo ny fiarahatsika
ilay hafanana no nivadika ho hatsiaka
nserana ka tsy tantiko
ka ndro soratako fa tsy haritro
ieo andro niainako teto an-tany
dia ny niarhaotaminao izany nokoshako ho adinoina
ary noezahako ho vonoina
indrisy anefa fa tsy mety maty
fa vao mainka velona ato anaty
ireo andro feno mamy
i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zana-bahoaka | ZANA-BAHOAKA | Fredy Jaofera | ZANA-BAHOAKA
Zana-bahoaka
tia tanindrazana,
mahay mandoaka
ny làlana mazana.
Zana-bahoaka
nihafy tanteraka,
tsy mba mitsoaka,
na maty reraka !
Zana-bahoaka
mahatsiaro saina,
hampipoapoaka
ny Nosy lalaina.
Zana-bahoaka
te hampandroso,
mahay mandroaka
ny nampikororoso.
Zana-bahoaka
nitondra tangena,
ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vale/fitia-tsy-mety-levona | Fitia tsy mety levona | VALE | Asa loatra fa tsy ho haiko
ny hanadino ilay endrikao
tsy mbola nisy fihetseham-po
nahery raha tsy ny nitia anao!
Fa toa anananao daholo, na ny bika, na ny endrika,
fahaizana miresaka, indrindra fahatsorana,
resinao aho, tena rendrika!
Ny talenta koa tsy hafenina,
io aza no nampifanojo taminao,
mbola isany nand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramy-rabefitia/28-mey | " 28 MEY... " | Ramy Rabefitia | “ 28 MEY…”
(Tsingerintaona nahaterahan’i Lala RABEFITIA )
Mitsingerina indray ny 28 MEY
nahaterahanao !
Tsapako hatr’izao
f’io andro tokana io mbola hafa ihany !
May ery ny foko, dodona aok’izany
hanolotra “Arahaba”. Feno ny hafaliako,
ka na lavitra aza, hoy ny firariako :
“Ho tratry ny ela anie !”
E ! izany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahay/ho-ani-dada | ho an'i dada | Mahay | Dada ô ! na de heverin'olona ho adino ianao matetika
de laviko ankitsirano ity hevitra sy fihetsika
fa vao mianatra miteny eny mandrakizay doria
de tsaroana ianao ry dada ; tsy hadino sanatria
Manak'ambo ery ny zaza raha miresaka amin'ny namana
mitantara an'i dada ; mangasihasy ny tsy manana
"dadanay an ! ra mite... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-joseph-rabearivelo/eritreritra-fahavaratra | Eritreritra Fahavaratra | Jean-Joseph Rabearivelo | Eritreritra Fahavaratra
Mijononoka moramora ny orana avy hariva,
Ny alina madiva,
Hamonto an-torimaso ny lanitra sy tany,
Ka hitondra any ho any...
Any ho any, nefa aiza? Aiza ho aiza ry Fanahy
Toa reraka, manahy?
Aiza ho aiza no hampita izato nofinofinao
Izay mameno, no injao
Mihodinkodina ao am-po, mihodinko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/omeo-tsiky-kely-aho | Omeo tsiky kely aho..... | Andriamihaja Johan (H-mainty) | Omeo tsiky....
Omeo tsiky kely aho
Rehefa iny vao maraina
Ho taratr’andro vaovao
Hampamiratra ny saina
Omeo tsiky kely aho
Refa mba ande hiasa
Mba hanembonako anao
Fa sanatria tsy ny hafa
Omeo tsiky kely aho
Raha tonga indray ny hariva
F’efa reraky ny natao
Ka ny feoko aza iva
Omeo tsiky kely aho
Dia ants... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/ho-ani-madagasikara | Ho an'i Madagasikara | Pissoa | Ho an'i Madagasikara
Ny asa ataonao isan'andro sy hikelezanao aina,
Ny fandraisanao andraikitra mba ho to izay nokasaina;
Na tsy voasoratra any ho any aza ny fandraisanao anjara,
Dia soa mipetraka izy ireny ho an'i Madagasikara.
Ilay fahazotoanao manampy, tsy mba hita miandriandry,
Na ara-bola na koa vavaka, na h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ekeko-2 | EKEKO | raozigasy | EKEKO
ho valin'ilay hafatr'i Fiaritiana ao amin'ilay tononkaloko hoe TSY NANORATRA
Ekeko re ry Fiaritiana
Ilay hoe aza dia variana
Fa manoratà foana ihany,
Manoratà foana hatrany
Ekeko re ry Fiaritiana
Ny hoe hanoratra ho an’ny Tiana
Ary satriko hoe isan’andro
No hanoratra fa tsy hilona andro
Ekeko daholo re ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/tononkalo-3 | TONONKALO | Miarantsoa Anicet | Tononkalo toy ny kalo...
Hirahira ivaiva....
Nofinofin'ny fahiny.
Aiza intsony i "tsisy tsiny" ?
Injay mangina ny maraina :
Tsisy intsony zaridaina ,
Foana teo voninkazo,
Ny ririnina mandazo ...
Lava loatra itony hatsiaka .
Injay manembona isika ...
Tonokaloko mandalo ...
Hirahira miovaova .
Nofinofy tsisy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/sao-ianao-dia-efa-tsy-tia-ahy-intsony | Sao ianao dia efa tsy tia ahy intsony. | Fiaritiana | Ho avy aho...
Ho avy hanasitrana
Ireo fery, tata-bitrana
Nandratra anao hatrizay.
...Kanefa kosa raha nisy
Olo-manam-bitana
Naka izany toerako!
Dia hiala aho moramora
Tsy hiditra handondona
Tsy hila ady akory
Aleoko maka saina
Mandinika ny antony
Sao ianao dia efa
TSY TIA AHY INTSONY... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anarim/mirana | Mirana ! | anarim | Mirana !
Sombin’ny aiko
Tiako sy lalaiko
Ikelezako aina
Ifohazako maraina
Iaretako hirifiry
Fa satriko hitsiry
Hamelana, hamoa
Hitombo hatrany ho soa
Hiaina izay anjarany
Anaty famiratany
Hianoka hasambarana
Ho valin-kasasarana
Hiatrika fiainana
Tsy misy fanaintainana
Satriko, eny satriko
Izany rehetra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antra/mba-omenareo-indray-ary-ny-lohateny | mba omenareo indray ary ny lohateny | antra | Raha iny ianao ry tiako
Ka hamitaka ahy indray
Ka hanova ireo fifaliako
Dia ny roa ho lasa iray
Raha iny ianao hanambara
Fa hizara izany dia
Dia ianao no mahalala
Tsy ramatahora sanatria
Raha iny ianao hiteny
Sy hangata-tsodrano
Ny ahy ambarako ombeny
Maharena tokatrano
hoy RTJB |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/teny-fohy | TENY FOHY | Toetra RAJA | TENY FOHY
Teny fohy,
Hary elatra
Hitohy
Hielatrelatra
Hariva...
Ao anaty :
Bitsik'iva
Tsy mba maty !
Raha mifoka
Rivotr‘alina
Aho, sodoka-
Nofy lalina;
Ary injao
Fa mifoha,
Ho anao,
Ny ritso-po !
Tsy miato
Ny vaovao;
"Rari-vato"
No atao,
Efa vonona
Izy izao
Ka tononona
Ho anao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/moa-va-tsy-fantatrao | Moa va tsy fantatrao ? | Ny Kanto | Moa va tsy fantatrao ?
Fa kanto anie ilay teny izay toa navela hihafy
Am-po sy saina irery, voagejan-teny hafa
Mihamihanaka mandrafy
Moa va tsy fantatrao ?
F’ireo faka nipoirana sy tanjona kinendry
Ny lasa, anio sy ny hoavy ; ny anjara sy ny tendry
No miara-asandratry ny teny
Moa va tsy fantatrao ?
Fa vahatra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/volana-o-meteza | Volana ô meteza! | Andriamihaja Johan (H-mainty) | Volana ô meteza...
O ry volana eny ambony, zay tsy mba roa na mba telo
Ka mahita izany fony sy ny foko malaelo
Ambarao any ho any, na ho ela na hadiva
Fa ny masoko tomany na maraina na hariva
Ambarao raha hitanao izy, f’any ho any hono anie
Misy olona tomany, manan-tsento fa tsy ré,
Ka ianao irery ihany no ilay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/lokiloky | LOKILOKY | Toetra RAJA | LOKILOKY
Andro hariva
Tsisy olana
Efa hadiva
Diavolana,
An-kodimiran'
Arabe,...
Miramirana
Tarehy
Izato ianao,
Lokiloky
Milalao
Tsy mety voky
Sy tsy tola
Fa vao mainka
Miangola
Sy milaika.
Sarin-teny
No lalao
Izy ireny
No atao
Mampiontana
Fanahy
Manamontsana
Ahiahy.
Lokiloky
Ho'aho ianao,
Io ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/onja | Onja | Ranoala | Lavitra aho fa mahatsiaro
ny tanana sy ny akama
sy ny sombiny voarakitro
Asa ireo raha mbola any?
sa izaho irery sisa
no hany mitanisa?
efa niova sa dia fongana?
nihatsara sa dia very!
Lavitra aho ka maminany
ireo tapaka sy havana
sy ny hafa mba tadidiko
Asa ireo raha mbola any?
sa izaho irery sisa
no han... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/ny-hatanorana | Ny Hatanorana | Aino | Ry maro tanora, bikana sy soa!
Mba hajahajao e! ny hatanorana.
Fa endrika tsara sy ravaka koa,
Mba hajahajao e! fa aza simbana.
Ny sasany manana tohetra tsy mendrika,
Rehefa mby amin'ny hatanorana!
Miliba fiainana ka indro fa rendrika,
Manao toetra ratsy fenoin-kadalana.
Ilay andro tsara, fotoam-bolamena,
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramy-rabefitia/ny-fahatongavanao | " NY FAHATONGAVANAO " | Ramy Rabefitia | “ NY FAHATONGAVANAO ”
Mila tsy ho andriko ny andro ‘zay tavela
tsy hahatongavanao.
Manjary kilalao
ny fanisàko ny ora. Satriko aza izany
ka ny andro vao mifoha, ho alina avy hatrany !
Izay no hahafaingana ny hahitako indray
‘lay endrikao tsy foiko, nofisiko hatrizay.
“Lala à, aza ela” !
Tsy misy ts’hilazako ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-nanoratra | TSY NANORATRA | raozigasy | TSY NANORATRA AHO
Tsy nanoratra ho anao aho, tamin’ny taona vaovao
Tsy nanoratra ho anao aho, tamin’ny andro fetinao
Tsy nanoratra aho satria, na ny fo na ny fitia
Samy efa any aminao daholo, tsy atakalo na asolo
Tsy nanoratra aho satria, na ny soratra ho an-dry
Na ny teny tiako ambara, dia efa tena hainao tsara
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/tsiky-dia-ampy-1 | Tsiky dia ampy | Tsiky dia ampy | Raha mila tsy ho tanty
Ny zava-mitranga
Mitsiky tsy kivy
Ho mamy ny ngidy
Ny lanitra ho manga
Tsiky andravana
Ny hakanosana
Te-hiorina faka
Tsiky andresena
Ny fahalemena
Tsy hahazo laka
Tsiky eo imolotra
Nefa manolotra
Hery miavosa
Tsiky tsy rototra
Tsiky tsy ankosoka
Tsy osaosa
Tsiky mangina
Maniry h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/lasana-aiza | Lasana aiza? | Tsiky dia ampy | Lasana aiza ny malalako
No fandriana babangoana
Trano haolo sady foana
No navela hovantanako?
Lasana aiza izato tiako
No mangiana sady moana
Lay radio mpinaonaona
Tamin'ny androm-pifaliako?
Lasan'aiza ianao ry silako
F'efa dila ny fotoana
Nef'izaho toa sasa-poana
Miandry anao ho eto anilako?
Lasana aiza i s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/ho-anao-3 | Ho anao | Pissoa | Ho anao,
Ilay nanome ny anarako
Somary lava, tena raitra.
Ilay nanoro ahy ny lalako
Ho tsotra, tsisy aitraitra.
Ilay nampianatra ahy nivavaka,
... Na dia tanana havia.
Ilay nanampy ahy nanavaka
Ny paiso sy ny voatabia.
Ilay mpandrandrana ny voloko,
Rehefa iny i Neny fa sahirana.
Ilay nameno ny tontoloko,
Ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/angamba-fa | Angamba... Fa... | Tsiky dia ampy | Angamba tsy voaantsoko
Dradraiko an-tafontrano
Ho ren'izao tontolo
Fa ambakain'ny masoko
Malia manganohano
Sy izaho mitsangambolo
Rehefa ilaozanao
Fa mbola tiako ianao
Angamba tsy hanoratako
Tononkalo lava
Manambatamba-tsento
Fa ambakain'ny habako
Mandrahon-tsy misava
Izaho misefosefo
Rehefa ilaozanao
Fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/tiaviko-mangina | TIAVIKO MANGINA | SANDRATRA | Tiaviko mangina ianao
ka na ianao aza tsy hahalala
fa ao an'eritreritra ao
no iantsoako anao hoe:malala
Tiaviko mangina ianao
ka ataoko tsy misy mahafantatra
hoe ny ao am-poko ao
tena tia anao fatratra
Ny toerana hiaonantsika
mbola ao an'eritreritra ao ihany
ao isika tsy misy mpahita
raha mbola eto an-tany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anarim/misaotra-anao-ry-dada | Misaotra anao ry Dada | anarim | Dada ô!
Noho ireo porofom-pitiavana,
Fandeferana, finiavana
Fikelezan'aina,
Tsy ho tambonay isaina
Natolotrao anay
Enina mianadahy...
Misaotra anao ry Dada !
Fa na làsana aza i Neny
Ka zary maizina ny tany
Tsy nataonao ireny
Handraraka ambany
Ny fitaizana anay
Tsy nisy nampanahy
Fa nitraka hatrany ianao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/mendrika | MENDRIKA | Kezia Ravanomanda | R'ilay teny ankiray, sarobidy ianao ry teniko
Teny mamiko tokoa, eny mamy toy ilay reniko
Lovan-drazana tavela, razana izay nipoirana ;
Raha ny fanononana azy, toa tsy dia manahirana.
Voafono anatinao: fahendrena tena lalina;
Mampiavaka vahoaka iray, miara-monina anatin'izay nosy izay;
voarakitra anatinao : sangi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nali/ry-zandriko-ho-anilay-zandriko-nody-mandry-fito-taona-monja | --- Ry zandriko--- Ho an'ilay zandriko nody mandry fito taona monja | Nali | --- Ry zandriko---
Raha ho alina ny andro ka tsy hisy fiafaràny
Nofinofy ihany izany
F'ilay zandriko tsy foiko,mamy indrindra teto an-tany
No nanadao ity akany.....
Raha ho ritra ,tsy hisy intsony aza izato ranomasoko
Izaho tsy maintsy mitomany...
Fa ny hanina azy izay,toa mitambatra ho ankasok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahay/neny-5 | NENY | Mahay | Neny ô fetinao indray anio
ka tsaraoanay tokoa ianao
averinay eto tadidio
izao voadinay izao :
tinay ianao ry neny
ka hajainay raha miteny
ho henoinay lalandava
ka ny andronao ho lava
neny ô asa raha mba fantatrao
fa ireny ditra nampahory anao ireny
tsy ninianay natao
fa tsy fidiny ry neny
vokatry ny hatano... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsoa/telo-taona-sahady | telo taona sahady | ...Tsoa | TELO TAONA SAHADY
Tadidiko ireny,
tsaroako ombieny ombieny;
lalan-tsarotra nodiavina,
fahoriana notadiavina,
saingy nody fifaliana
satria nanaiky ireo tiana.
Henjikenjika sy fosa,
hatrohatro samihafa,
toa ireny indray kosa
no vao maika nampitraka.
Faniriana nitovy,
ny nikatsaka azy roa,
zao r'ise no tsarov... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/pitikafo | PITIK'AFO | Toetra RAJA | PITIK'AFO
Teo anivon'
Ny kamory
Iray marivo
No nivory
Voron-drano
Mihaminkamina
Tazano
Fa tsy malina...
Ka haiko
Hoy ianao
Ny nijaiko
Toy izao :
Niroboka
Aho, ...nijoko,
Nidoboka
Ny foko,
Naka sary
Ka ilay tena
Lavorary
Nokendrena
No voaray
Mba hanova
Loko ilay
Anatirova.
Teo anivon'
Ny vahoak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anarim/nofinofy-3 | Nofinofy | anarim | Nisy ianao
Dia nisy aho
Ary saika nisy "isika"
Saika efa nanjopiaka
Ilay kintana amam-bolako
Efa ela tsy nitsiky
Kanjo ...
Fotoana vitsy monja ihany
Izany nofinofy izany
Dia niraraka an-tany
Eny, manam-petra ihany ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/ho-ani-neny-2 | Ho an'i Neny | Pissoa | Ho an'i Neny
Noho fetinao ry Neny
No andrariako eto izao;
Soratra sy andalan-teny
Entiko hiarahabana anao.
Ry Neny tia tsy misy fitaka
Na mety tezitra, mangarika.
Ry Neny mbola nampibitaka
Raha kivy sy mivaloharika.
Ry Neny miezaka mamita
Ny adidinao tsy azo tokonana.
Milofo mafy hahatafita
Ny zanaka sy ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/andalan-tonon-teny | ANDALAN-TONON-TENY | raozigasy | ANDALAN-TONON-TENY
Satria anio fetin’ny Reny
Dia hatolotro ho azy ireny
Indrindra indrindra ho an’i neny
Ireto andalan-tonon-teny
Tsy tonga lafatra ianao
Raha niezaka hamita
Ireo kely izay mba fantatrao
Ka ny zanaka ho tafita
Tsy tonga lafatra ianao
Raha nitaiza nanabe
Nikolo ireto zanakao
Hahaleo tena raha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anarim/hangina-aho | Hangina aho ! | anarim | Nikimpy kely iray minitra
Ireto masoko mipitra
Izato foko toa tsy mino
Ny saiko koa tsy manadino
Dia injao fa tadidy
Ilay ora izay nangidy
Nilazanao fa tsy ho tafita
Ny lakantsika niampita.
Dia verivery teo ny jeriko
Toa tsy hikombona ity feriko
Reko any anatiko any
Feon-toloko sy tomany
Nefa afaka hankaiza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/azonao-ovaina | Azonao ovaina | Ny Kanto | Azonao Ovaina
Azonao lokoina ho fotsy
Ireo raho-mainty mitataho
izay mitady handrakotra
‘Lay masoandronao misandratra
Azonao avadika hafaliana
Ny alahelo sy hakiviana
Na dia mafy ny manjo
Raha ao ilay mpampaherinao Tsitoha
Azonao hafanaina
Ilay ngolin’ny hatsiaka
Tsy nampamirana ny tava
Hamitranana ny tritr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/any-i-neny | Any i Neny | Pissoa | Any i Neny
Ilay volana tomaratra
Sahy mamakivaky haizina
No hahatsiarovako anao.
Neny, raisiko ho fitaratra
Ilay finiavana tsy azo faizina,
Sy ny fikirizanao.
Ireo voninkazo an-jaridaina
Izay mamelana sy manitra
No hanembonako anao.
Neny, hatramin'ny vao maraina
No manao izay hahafinaritra
Sy hahasoa ity za... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/ny-adinny-reny | NY ADIN'NY RENY | Oully | Amin'ny ankapobeny
Afa-sy ireo olom-bitsy,
Ny anjara-toeran'ny Reny,
Dia tsy mba mora mihitsy !
Ireo vady sy ireo zanaka
Dia mihevitra izy ireny, fa i Neny:
Tsy manana ny fahalemeny,
Tsy tokony hanjombona,
F'ho sariaka, ho be fitia,
Fa raha tsy izany dia hianjona,
Hidongy izahay satria:
i Neny toa tsy tia.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/madaiesdanny/tena-ho-anao | Tena ho anao ! | MADAÏES(danny) | saikatra aho te hilaza .
ny ato am-poko aminao
sao mantsy sendra angamba .
sy izay tsy sitrakao
nefa indro fa holazaiko
tsy angatahako andro intsony
f'ianao no tena andrandraiko
hampamelan'ity vony
raha misy tiana ho ekena
sy omena ny izato ahy
dia ianao no volamena
zay nandrotika fanahy
eny tsisy iray tave... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/nahoana-3 | Nahoana? | Aino | NAHOANA?
Nahoana ny velona no miavonavona,
kanefa ny ampitso dia lasa ho zavona;
Vola sy harena ho lo no ananana
Ka hanamavomavoina ny fihavanana?
Nahoana ny maro no mitonatonana,
Fahaizana kely dia ifokafokana,
Raha vao mandingana irony tokonana
Dia efa mihevitra ho eny am-bovonana?
Nahoana raha sendra ingain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aza-afenina | AZA AFENINA | raozigasy | Ho setrin'ny tononkalon'i Nikopol hoe Tsy Nafeniko Anao
Aza afenina azy
Na ny vazivazy
Ny rehetra ahiahy
Aza misy afenina
Aza afeninao
Ny fery anatinao
Raha adino re tsy nahy
Lazao fa sao dia ho nenina
Aza misy afenina
Fa soraty am-penina
Ka hikamban-diary
Tsiambaratelonareo
Aza afenin’akory
Ary aza avel’... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/madaiesdanny/izy-5 | IZY | MADAÏES(danny) | Sahy milaza ve ianao fa izaho tsy mba tia?
Raha izay nataoko izay ,dia tena sahindry.
Tsy izaho no namadika ,fa diso jery ianao,
fa fitia tsy tody volana ny ahy sy ny anao.
Nitia anao ny foko nitia anao ny saiko,
Naniry tsara indrindra,ho anao ry aiko,
Tsipazo indray ny saina 'reo androntsika lasa,
Onena mahonen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/nifandamoro-1 | ....nifandamoro | andriary | Teny amoron'ny Kamory,no nandrombahanao ny fony
Eny lasanao tokoa,tsy an'olon-kafa intsony
Dia nosoratanao teo, ny anaranao sy ny azy
Voady tototra fitia,tsy aman' antoka na sazy...
Raha fitia nifanolorana,tsy nisy kilalaon'afo...
Sy manaja reo dina tsy hifangaro safosafo
Dia azo antoka fa hisy,hasambarana hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/i-neny-1 | i neny | Aino | vehivavy fiangotiana
mamy sady fitosiana
tsotra,manam-po malemy,
io no antsoina hoe: i Neny.
Fony izaho mena vava,
Tsy nahay niteny dada,
Dia i neny no nitahy,
Nampisava ny ahiahy.
Fony tsy nahay nisotro
Dia i neny no nitrotro
Nampinono sy nibaby
Izany no isaorako azy.
Teliko sy tena nmamy
Ny soa rehetra s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tiako/ry-tiana-1 | Ry tiana | ny tiako | Ry Tiana,
Indro lasa inao ka tsy
niverina intsony.
Ny foko anefa mbola te hiakatra
amonjy ilay ambony.
Indro dify ilay masoandro.
Dify koa ilay hazavana
Ny fitiavako anao anefa isanandro,
Tiako ianao manko ry malala.
Nivezivezy aho nitady anao,
ianao anefa try mba nangoraka
na nijery ahy akory.
Tsy mba tsap... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramy-rabefitia/ranomasina | Ranomasina | Ramy Rabefitia | Ranomasina !
Manjepizepy… mainty, manga !
Mandefa Erika hifafy
‘lay onjany miantonta mafy.
Tsy mitony
Ny ao am-pony.
Misamboaravoara hatrany,
Miova tsy olona tomany
Olon-tiana tsy nitranga !
Ranomasina !
Lalina… mangeniheny !
Ny alon-drano misavoana,
Toa mbola tsy ho tody foana.
Iny indray,
Miolomay,
Mis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/matokia-1 | MATOKIA | SANDRATRA | Tiako ianao ,tsy misy afa-tsy izay
tiako tsotra izao ary ahy mandrakizay
marony zavatra efa hita
maro ihany koa ny mbola tsy hitafa raha ny lasa no jerena
dia ny fitiavako tsy mba hiena
Ka n'inona n'inona miseho
dia izaho tsy mba ho leo
fa hijanona eo anilanao eo
Mety ho sarotra ny dia
nefa hoy aho hoe:matokia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/raha-saraka-olontiana | Raha saraka olon'tiana | Aino | Raha saraka olon-tiana
Raha misaraka ny tena
Noho ny elanelan-tany,
Aza resin-kalemena
Fa sikino ny fanahy.
Raha mijoy ny ranomaso
Noho ny elanelan-tany,
Mahonona fo k'andraso
Fa tsy maintsy hihaona ihany.
Raha ny fo tsy mety tony
Noho ny elanelan-tany,
Andrandrao ny ray ambony
F'izy no mahefa izany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ho-namanao | HO NAMANAO | raozigasy | Ho setrin'ny tononkalon'i Nikopol hoe Namanao
Tsy hitsikera
Na hidera
Izay zavatra tianao atao
Tsy handoka
N’hanafoka
Ireo faniriana anatinao
Fa tiako ny ho namanao
Na fotsiny hoe akaikinao
Fa tiako ny ho namanao
Na hita hoe anilanao
Izay fotsiny dia ampy ahy,
Na dia hoe namana tsinahy
Satria ny akaikinao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/moa-misy-va | Moa misy va? | Aino | Moa misy Va?
Moa misy va ety iriko toa anao?
Ry malalako tsy foiko, tao mampitoloko
Ny foko lasanao, ry malala ô!
jereo ity olo-tianao izay te hiatoraka aminao.
Moa misy ve ety, iriko toa anao?
Ry malala mba lazao izay ao amponao
fa aza de mampijaly tahaka izao
Avy ianao hiarady isika sy ainao,
raha toaka sitr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahay/raha-tia-ahy-ianao | raha tia ahy ianao | Mahay | raha tia ahy ianao dia mahay mamela heloky ny lasako rehetra
zava - nisy ireny tsy azo hodiantsy hita fa tantara mitoetra
fantatrao aho izao, fa tsy tia olona afa -tsy ianao irery
ka raha tia ahy ianao dia andeha isika roa hampitovy fomba fijery
raha tia ahy ianao de afa -manome amin'ny fo madio
fa tsy takianao am... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramy-rabefitia/dia-nangina | "DIA NANGINA... !" | Ramy Rabefitia | « DIA NANGINA… ! »
Dia nangina
‘lay Valiha fitendritendriko
io nahantoko io sahady
fa torotoro, tapa-tady :
mivalo-mainty ery ny endriko !
Zary sina
ny voahary manontolo :
‘lay “Mpampihira”, ‘lay mba namana
lasa tsy azoko notanana
noho ‘ty “Valihako” torotoro.
Dia nangina
‘lay hirako mba tsara feo
vao nari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/filigasy/leo-1 | LEO | FILIGASY | Rehef'izy iny
avy nandrezatra vehivavy
favifavy
tsisy tsiny iny,
dia las'ihany ny saina fa mihamaimaina
sy mihamasaisay
ny Sodoma sy Gomoro-nay
sa izaho no mateti-piavy ? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriandalaoarivony/aza-avela-2 | AZA AVELA | ANDRIANDALAOARIVONY | AZA AVELA
Aza avelanao ho ngazana
Ny tanindrazana
Nahoana no andosirana
Ny fototra nipoirana ?
Aza avelanao ho maina
ireo tany karankaina
Tanindrazana iombonana
Andao hifanankonana !
Aza avelanao hangaina
Ireo ‘zay mitaraina
fa tsy fidin’izy ireny
raha toa mirenireny.
Aza zatra manankiana
mampitahotra ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mavo/fandresena-1 | Fandresena | mavo | Fandresana
Raha izaho no misafidy dia naleoko ihany resy.
Dia tsy hifandrombahana intsony ny anarana hoe mpandresy.
Tsy hampisy koa ny adiady izay natao hifamonoana.
Fa ataoko ampy ahy ny kiboko tsy noana.
Fa raha variana miady isika, moa ahoana ny ho avy ?
Tsy ho potika sy ritra, tsy hisy intsony mpianakavy.
Mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/la-tulipe/fa-aleoko-tsy-nanana | Fa aleoko tsy nanana | La Tulipe | Fa aleoko tsy nanana olo-nitia
Ny hitady azy atao sanatria
Toy izay hanan-dratsy
Handany ny vatsy
Avy eo vao hanenina
sy hanary penina
Ny kalon'ireo tsy misy mpitia
Dia mifarana amin'ny avia
Kanefa raha sendra fitia tena ratsy
Dia lazaina fa vintana ratsy
Fa sembanin-drahona foana
Ny ora, minitra, rehefa fot... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aino/izy-no-izy | Izy no Izy | Aino | Izy no Izy
Izy no tiako
ary efa mba niriako
izy no malalako
mba mikolokolo ny tavako,
raha mitomany izy, mitomahy aho
raha mirana izy, dia mirana aho.
Izy ny olotiako
sy efa niriako
izy no izy.
Izy no hasambarako.
Raha sendra izy no tsy eo
dia mitoloko sy mitomany izany fo,
satsia lavitra azy tokoa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/mpankafy | MPANKAFY | andriary | Izaho mankafy ny tonokalo nosoratany
tsy fantatro ny antony
tsy fantatro ny dikany
Fa taratro avokoa,lay mamy any anatiny
fantatro ny kantony
hitako ny bikany!
Izaho mankafy;ka maniry eny fotsiny
ny lalana nodiaviny
ka tiako ho lalovana!
satriko hifanena,hanofisako ny nofiny
inoako fa tsy ho laviny!
raha ata... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/hahita-anao | HAHITA ANAO | Ryana | HAHITA ANAO
Misy trangam-piainana
tiana horaiketina, havadika ho teny;
Nefa tsy hay lazaina,
Vahotra ny tànana, sarotra izy ireny!
Tsy hisy teny akory
Hilaoka, hanambara ny ao anaty fo;
Ny maso no hitory,
Hamboraka, hizara fa ... satry raha ho to!
Fotoana fohy ihany
Nefa hanamarika ny fiainako tontolo;
Handr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/na-ho-maro-aza | NA HO MARO AZA | SANDRATRA | Na ho maro aza ny olana mianjady
sy ny etraketry ny tsy tia
dia sanatria amiko ny hanapaka ny tady
fa hiroso hatrany hanohy ny dia
Na ho maro ireo mpankahala
dia izaho tsy mba hiala
fa ho anao irery ihany
mandra-pialako eto an-tany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/niezaka | NIEZAKA | SCOTLANDYARD | Niezaka aho mba tsy hangovitra
Niezaka aho mba tsy ho resy
Ny foko iriko tsy ho rovitra
Amin’ny antsonao misesy
Niezaka aho tsy hangoritsina
Niezaka aho tsy hotsembo-tanana
Ny saiko iriko tsy hihotsona
Maharay ilay sora-tanana
Kanefa
Ireo rehetra rehetra ireo
Tsy misy iray izay voafehy
Fa dia resy toy ilay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/antso-vonjy | ANTSO VONJY | raozigasy | Malahelo aho ry vahoaka,
Ka tsy maintsy hoe miloaka
Izato fahoriam-poko
Ka izay no italahoako
Malahelo aho ry sakaiza
Nefa moa afaka ho aiza
Ka manentana antsika
Todiho ny tanindrazantsika
Any mantsy ny ankizy,
Tena sahirana izay tsy izy
Na ny sakafo , na fitafy
Tena hita hoe mihafy
Ny sakafo moa tsy zariza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/madaiesdanny/izay-andro-izay | IZAY ANDRO IZAY | MADAÏES(danny) | Izay andro izay no andrasako sisa,
satria aho valaka ka tsy ahavita.
Izay andro izay no hiriko ho tonga,
satria ny lasa nataonao somonga.
Ka amin'izay andro izay,hitomany aho ry ...
ry ..ko.fahiny tsy satriko afindra
amin'izay andro izay no hitadiavanao ahy,
fa saingy ho trotraka ho very fanahy
ary amin'izay an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/any-madagasikara | ANY MADAGASIKARA | raozigasy | Any an-tanindrazana any
Henoko re ny tomany
Henoko ny fahoriana
Any Madagasikara
Henoko re ny tantara
Henoko ny fijaliana
Ary ianao ve mba mandre
Ireo hetaheta be dia be
Sy antso vonjin-drahalahy
Ary ianao ve mahalala
Hoe firy moa no lasa adala
Sy very saina sy fanahy
Ka ny vavaka atao
Tiako hiarahana amin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahay/iza-no-hitarainana | iza no hitarainana ? | Mahay | Iza no hitarainana
Amin'ny fahasarota -piainana
ny mpitondra fanjakana
toa samy mihanaha
vahaola iray "mitsitsia, mitsitsia"
tsy fantany angaha fa efa ela ity
ny paosy tsy misy afa - tsy fitsitsiana
tsy misy izay fotoana hoe mba niala liana
ny malagasy iray vao teraka d'izao
fitsitsiana ihany no aoka mba atao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/scotlandyard/satriko-2 | SATRIKO | SCOTLANDYARD | Satriko anie hoe mba ho havako
Ireto olona amin’ny sary
Satriko anie hoe teo ny tavako
Tamin’ilay fotoanan’ny kabary
Satriko anie hoe ialahy
No fiantso sy firesaka
Satriko hoe izy roalahy
No fizarako ny mavesatra
Satriko anie hoe i zokinao
No iarahako mifaly
Satriko hoe lazainao
Fifankahazahoanareo no mahafa... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.