url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-jeanchris/iano-namitaka | Iano namitaka | RAKOTOMALALA Jean.chris | Tsy nampoiziko ho ianao
No havita tahakizao
Ny nasaivanao
nanitsakizaka ahy toy izao
Ionona aho ,izay angamba no mety
Fa raha ianao tsy maintsy hiopefy
Ka ny any teny farany dia hoe
Hotahin'ny tompo , ho tsinjoviny mandeha |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fily/ny-rano-sy-ny-ala | NY RANO SY NY ALA | fily | NY RANO SY NY ALA
Iza indray no tsy mahalala
Fa saro-bidy anie !
Ny rano sy ny ala
Jereo anie ny rano
Avy ao an'ala
Rano soa madio
Izay mangalahala
Tsy misy izay tsingala
No hita mikoriana
Avy ao anaty ala
Ka tena masondriana
Iza no tsy mahalala ?
Raha tsy hoe mody adala
Ka aoka isika MALAGASY
Tsy hisy h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ianao-9 | IANAO | NY Andri-Fara | IANAO
Fony ianao tsy mbola fantatro
dia niezaka aho ho namanao,
satria hitako fa tia
tia satria tsy mbola nitia.
Na izany aza
mba vahotra ny lelalo
mangovitra ny peniko,
hanoratra ho anao;
hiventso ny anaranao
hikalo ilay hiranao....
dia ilay " Nofy manga"
nokaloinao fony ianao
tsy nahatsapa fa hay izaho t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zo-rado-herizo/iny-olona-iny | INY OLONA INY | Ny zo Rado Herizo | Atolotro ilay olon-tiako izay tezitra amiko nohon'iny olona iny...
Lazaiko anao rahavako
fa iny olona iny
tami-fandalovany
tamin'ny fiainako
dia tsy naka na nampiova
na kely akory aza
tamin'lay fitiavako
nomeko anao rahavako
Ninoako indrindra aza
fa ilay fisiany
no tanana namehy
nanamafy fatotra
ilay fitia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/aoka-ianao | Aoka ianao ... | Pissoa | Raha mandalo izy androany,
Meteza ianao ry diam-peniko
Hampahatsiaro azy indray
Ny alahelo tsy nafeniko.
Raha mandalo izy androany,
Dia aoka ianao ry tandindoko
No hovantaniny ato an-trano,
Hanolotra azy ireo fivimbiko.
Raha mandalo izy androany,
Dia ianao sisa ry sariko
No mety handefasany vinany,
Hitanisa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rmanantsoa-ricardo/ratram-po | RATRAM-PO | RMANANTSOA Ricardo | Indrisy ry fitiavako mahantra
Ilay fitiavana misaona tsy nisy mba nihantra
Toa fitia feno fijaliana
Tsy navela mba niteny notapenana hangina
Raha niangavy nitalaho fiantrana
Dia nojerena fotsiny ihany noroahina mazana
Ianao ry ilay tsy foina,hany tokako eto an-tany
Noheverina hampionona sy hitondra izato mamy
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-joseph-rabearivelo/ny-foko-nanidina | Ny Foko Nanidina | Jean-Joseph Rabearivelo | Ny foko nanidina
Ny foko nanidina ambony dia ambony,
Ary saika hisetra izay faran'ny avo,
Kanefa voadona, ka tsy afaka intsony,
Naratra ny elany, ka indro izy lavo .
Naniry hihoatra anao, ry masoandro
Mazava! Naniry tsy hijanona akory
Na toa dia mandroso ho hariva aza ny andro:
Ny alina tamy ary koa sorisory.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samoana/soa-fa-nisy-vehivavy | Soa fa nisy vehivavy ! | Samoana | Soa fa nisy ianao ry Neny
Mamin'ny fo mpanambitamby
Mifoha maraina, alim-pandry
Tsy mba fanaka malemy
Soa fa nisy ianao ry Bavy
Mamakely tso-panahy
Akamabôna sy favy
Hantahantan-dranadahy
Soa fa nisy ianao ry Vady
Sombin'aina nofinidy
Hiara-dia sy hibalady
Hizara mamy sy mangidy
Soa fa nisy ianao Rasipa
Ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-jeanchris/fitia-2 | Fitia | RAKOTOMALALA Jean.chris | Ny fitia tsy hoe kilalao
Ka azo atao takizao
Fa mirehitra toa afo mandoro
Manaikitra toin,'ny lolo
ny fitia tsy Tsy kilalao
Fa mandoro ny ao anaty ao
Ny fitia toa zary Afo vao
Kely nefa manao
Ny fitia tsy kilalao
Na koa hoe baombao
Fa ny fitia zavabaojanahary
Ka maniry otran'ny vary |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-joseph-rabearivelo/fo-mitohy | Fo Mitohy | Jean-Joseph Rabearivelo | Fo Mitohy
Raha lavitra azy hoe:
Toa lisy maina, toa raozy malazo,
Misento fa ory sy manina anao,
Mariry tsy fantatra. Angaha voninkazo?
Asa, tsy fantatra hatramin'izao.
Miofo ny loko, malazo ny taho,
Toa zary bozaka, tsy lisy intsony.
Tsy hehy na tsiky fa feo mitalaho,
Toa rivo-baratra tsy mba mitony
Miova ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/amcko-jasmine/ilay-fitiavanao | ILAY FITIAVANAO | A.Mcko Jasmine | Anio ny andro iray hiandrasanao azy
Hifanolorana indray ireo voady mariazy.
Ho safononoka izany ny hasambarako hoy ianao
Fa ho tanteraka avokoa ireo voady izay natao.
Dia niandry ianao,ka nanantena tokoa .
Fa izy irery ihany moa no antenaina hitondra soa
Indrisy anefa tsy hay hoe ahoana,fa lasa ny fotoana .
Ilay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avana-ramanantoanina/asakasakareo | Asakasakareo | Ny Avana Ramanantoanina | Asakasakareo
Horakoraka anjaran'ny akanga,
Kalokalo fanaom-boromanga,
Fa asakasakareo tsy hitranga.
Dobodoboka fomban'amponga,
Tabataba ny maro kilonga,
Fa asakasakareo tsy mba tonga.
Rodaroda fanaon-dranotrambo,
Setrasetra no fomban'ny lambo;
Fa ny hanina anao tsy mba tambo!
Jononoka ny erika an'ala,
Patrap... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-joseph-rabearivelo/tanala-very-sampy | Tanala Very Sampy | Jean-Joseph Rabearivelo | Tanala very sampy
Raha sendra misoka ny volana ambony;
Raha takona mantsy, ka tsy mba hita intsony,
Ankaratra misento, ka tsy mba mitony,
Andringitra no ho avy hanony ny fony.
Irony domoina raha toa saraka ala,
Indrisy! misento. Indrisy! fa adala?
Manembona hono, fa lavi-malala -
Hanova no sisa, fa sampin-tanal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/nangoritsina | NANGORITSINA | raozigasy | NANGORITSINA
Nangoritsina aho nahita , Ilay sarianao misarom-boaly,
Nihoron-koditra aho nijery, ilay sarinao izay falifaly,
Nihararetra ny hodi-dohako, nipararetra ny tanatiko
Nangorangorana ny tenako, fa nisy fery iray tsy tantiko.
Na dia efa fantatro aza, eny na dia niomana aho,
Fa ny sarinao ho hitako, dia sar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-joseph-rabearivelo/tsy-embona | Tsy Embona | Jean-Joseph Rabearivelo | Tsy Embona
Valin-kira ho an'i Samuel Ratany
Tsy mba zavatra vao,
Fa tena fahita hatramin'ny ela
Ny tahaka izao:
Raha ritra ny rano, ny sisa tavela
Dia fotaka monja,
Dia fota-mandrevo nalamin'ny onja.
Ny hany fitana:
Ny onin'ny fiainana. Anefa ka foana.
Hany ka ana
Ilay fo manantena firavoravoana
Hatrany ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zo-rado-herizo/aleo-manadino | ALEO MANADINO | Ny zo Rado Herizo | Ity tononkalo ity dia atolotro hoan'ilay tovovavy iray izay tiako nefa tsy azonay atao ny miara-dalana fa...
Tsy afo-namàna fa afo nandoro
ilay afom-pitiavana izay niainantsika
ka izaho mety ho may ianao ho torotoro
k'aleo tsisy afo, aleo mangatsiaka
Ny fo tia ve ry tiako, tsy maintsy maratra
Sa ilay ahiko no mbo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/avelao-3 | AVELAO | NY Andri-Fara | AVELAO
Neny a!
Sahirana ny saiko
Mieritreritra fa,
Nalaina teo an-tanako ny raiko
Nahoana no sedraina ny ankaso
Izay no anjara
ka nahoana....
Ity mahantra tsy miteny.
no avela hanirery |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-jeanchris/ianao-8 | Ianao | RAKOTOMALALA Jean.chris | Ianao
Inao no izy
Tsy atakaloko raha oviana
Ilay tena izy
Izay hany fanirina
Tiako ianao ka tsy afeniko
dia apetrako ny peniko
Fa ny fitiavako anao dia ho teniko
Ka noho izany dia ho teneniko
Izay ary fa raha manadino ahy ianao
Dia ity ny soratanako
ka ny amiko no ario
Fa ny soratanako tadidio
Je t'aime mo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-jeanchris/jamba-tsy-ampy-fitia | Jamba tsy ampy fitia | RAKOTOMALALA Jean.chris | Jamba aho nefa mahirana
Takonoin'ilay edrikao
Tsara toa mitsipilatra
Mandratra ny aty ny foko ao
Jamba aho nefa mahiratra
Jamba anaty fa tsy ivelany
Jamba @nhy maso mahiratra
Jamba mahita ny felany
Jamba aho nefa mahiratra
Jamba mpitia
Mahitratra maso
tsy Jamba mahita fitia
Jamba aho anefa mahiratra
Jamba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samoana/mifankatiava-ihany-e | Mifankatiava ihany e ! | Samoana | Tsy afaka am-bavako ny fampiresahana
Toa mpikabary efa mila ho fanina
Ny fifankatiavana no tiako masahina
Matoa aho miteny tsy mety mijanona.
Tsy afaka an-tsaiko ny fieritreretana
Toa olon'adala efa lasa vinany
Ny fifankatiavana no tiako raiketina
Matoa aho manofy paradisa eto an-tany
Tsy afak'imasoko ny fitoma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/-15 | ... | Miarantsoa Anicet | Ny retsiky ny hozatro no hany manambara
Fa iny aho ...
Mbola miaina!
Manoloana anao avelo !
Ny fihetsiky ny lohako no hany mitantara
Fa any aho ...
Mbola mihaino
Ny ritsok'alahelo!
Miondana ny sandrin'ny sakaizanao ianao
Ry tiako hankahalaina ...
Dia manonofy ratsin'
Ny afobenareo !
Mindrana ny zandrin'ny s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-jeanchris/zazavavy-1 | Zazavavy | RAKOTOMALALA Jean.chris | Zazavavy
Iny anao ry zazavavy
Manitona ahy manitona mpiavy
Kanto fandeha kanto bika
Tsilovimandeha
Sao dia lanin’ny alika
Sanatry fanambanina
Na hoe faninina
Fa teny avy ao ampo
Teny tsy mety loha
Lasa anao any ny amiko
Lasanao tanteraka
Ka ny rehetra momba amiko
Dia any aminao no teraka
Ianao ry zazavavy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiko/mbola-hiaona | Mbola hiaona | Tsikiko | Moa mifankaiza akory ny eto sy ny any
Raha mbola hiaonantsika na misaraka aza izao ?
Saingy ny eto kosa hoy aho feno sento sy tomany
Tsy mba toin'ilay any feno tsiky tsy mandao
Moa mifankaiza akory kay ny eto sy any
Raha hifankahita isika rehefa ho tonga indray ny Tompo ?
Saingy ny eto kosa kay, fohy sy misy fiaf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/iny-fitiavako-iny | Iny fitiavako iny | Fiaritiana | Fa iny fitiavako iny
Madio tsy misy pentina
Salama tsisy aretina
Natokako ho anao
Mety miova loko
Rehefa leo sy mitoloko
Tsy mbola niova anefa
hatramin'izao
Fa iny fitiavako iny
Mafy tsy hay raràna
Izay tia hono adala
Niantefa taminao
Tsy mba mety adino
Sady tsy mampino
Ny heriny ao anatiko ao
Fa iny fit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiko/fo-tia | FO TIA | Tsikiko | Sombinkazo nambolena amin'ny tany karakaina
Hafanana sesehena, foana, ngazana sy maina
Nefa, mahagaga hoy aho ! Jereo, mikiry ny hamoha
'lay sombinkazo tsy aman-taho, mikasa ny ahavanom-boa
Sombinkazo kely tsotra, tsy mba irony lafo vidy
mila zezika hanotra sy fitoeran-tsarobidy
Jereo fa tany efitra ! Io no tiany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ifanomezantsoa/otrikafo | OTRIKAFO | Ifanomezantsoa | OTRIK’AFO
Fa nahoana
moa ny foana
no niteraka ny misy
ka nahitako anao ?
Idrisy!…
Nahoana koa ny saiko
no tsy manara-baiko
fa mitady anao hatrany?
Mbola maminany !
Hoe oviana?
Oviana re ry tiana
no mba nisy andro iray
mba nandry fehizay?
Nitady anao ho anjara
ka nisamboaravoara
ny amiko rehetra.
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/toa-nofinony | TOA NOFINONY | SANDRATRA | Toa nofinofyihany
ilay fiarahana fahiny
toa nofinofy ihany
nofy izany ankehitriny
Toa nofinofy ireny fiarahana
tsy mampino hoe hisy fisarahana
nofy nofy izany izao
satria izaho sy ianao o hifandao
Toa nofinofy ihany ireny hoe malala
ankehitriny lazaina adala
nefa tsy azo omena tsiny
fa hajao ilay maminy iny |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/tsia | Tsia | Oully | Ritra angamba ilay fitia
Nantenainao hosotroina
Maina, kina tsisy fy
Fanahy iniako novonoina
Niezaka aho ny hamaly
Ilay hiakanao toa mijaly
Na dia ho fihatsarambelatsihy
Saingy sarotra amiko ‘ty fitia
Tokana ny foko
Tsy hozaraina ho anao sy ho azy
Eny hadisoako
Zary hiantsoana ozona sy sazy
Fa ny sori-piain... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/raha-toa | RAHA TOA... | NY Andri-Fara | RAHA TOA...
NANANAHIRANA NY SAIKO
NY NIERITRERITRA ANIKEO MARAINA
FA TIA IANAO KANEFA....
ASA NA VAHOTRA NY VAVAKO HITENY
DIA INY IANAO FA TEZITRA
HILAZA ANKARIHARY FA...
NAHOANA MOA RAHA LAZAINA
IZAY MBA ERITRERITRAO. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fily/ry-manjakamiadana | Ry MANJAKAMIADANA | fily | RY MANJAKAMIADANA
Eh ! Mahonena
Indrisy mantsy ry Rova
Ianao rakitry ny ela
Harena sarobidy
Nokajiana ho tadidy
May hotohoto
Potika sy toro
Indray mipi-maso
Vokatry ny afo
Nateraky ny ankaso
Vizana ny saina
Marary ny andoha
May hotohoto
'lay Rovasoa
Iza ? Iza marina ?
No nahavanona ny loza
Aza avela
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ankavanana | ANKAVANANA | NY Andri-Fara | ANKAVANANA
NIFENENA ISIKA
TSY KISENDRASEDRA
NA TSY NOTERENA
FA NAMPIHAONIN'NY TIA SY NY MANINA.
NAHITANAO TAN-KISARISARY
SY NANORATRA AN-KAVANANA
DIA NITSIRY ILAY FITIAVANA
NATAO TSY AN-KANAVAKA.
BABONAO NY FOKO
SAINGY TSY NATAO HIRAY.......... NY LALANTSIKA
"HO ANAO. HO AN'IZA NY FITIAVAKO? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fily/alina-1 | ALINA | fily | ALINA
Lasa nody 'lay masoandro
Tong' indray 'ty ny alina
Vita koa ny nahandro
ANDRIAMANITRA ao an'ambo
Mitamberina ao an-tsaina
Am 'ty alina mangina
Ireo adin-tsaina
Ka vaky mitaraina
Mila ho tra-maraina
Amin'iza anefa !
No ilazan 'izany ?
Iza no hitarainana ?
Ka hiantra , sy hitsetra !
Aoka tsy toetra
I... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitiavana/iny-alina-iny | iny alina iny | fitiavana | iny alina iny ...
no lasa ilay vahiny
nagalatra ny foko
andro vitsivitsy
resiny ny foko
dia lasa izy indrisy
ny anarany nantsoiko
fa ... tsy nierika ankory
namela ahy ho ory
nalainy avokoa
ny tena soa tokoa
dia ilay fitiavako
iny alina iny
tsy maintsy handeha hono izy
fa miandry ilay malalany
miandry ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ifanomezantsoa/taratasin-drafilahy | TARATASIN-DRAFILAHY | Ifanomezantsoa | TARATASIN-DRAFILAHY
Raha ho any ihany ialahy
Hibanjina ny tavany
Hiaina ny fitiavany
Dia aza ambara azy akory
Raha mbola azo atao
‘Zao sentoko eto izao
Raha ho any ihany ialahy
Ka hanolotra fitia
Hiloka ny doria
Dia aza omena azy manontolo
‘Zay tena ao anaty
Fa mety hahafaty
Raha ho any ihany ialahy
Ka ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/ny-fitiavako-anao-2 | Ny fitiavako anao | SANDRATRA | Ny fitiavako anao tsy hanam-petra
na hoe hatreto ny farany
fa n'inon'inona fepetra
dia hiaraka hatrany am-parany
Ny ftiavako anao,latsa-paka
tsy vita ongotra,fa efa mafy orona
ny fo sy ny saina koa efa vonona
Ny fitiavako anao tsy mivaky
ka tsy azo zarazaraina
fa natokako ho anao mandra-maty
dia ho anao sombi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ifanomezantsoa/misy-3 | MISY... | Ifanomezantsoa | MISY…
Misy andro tsy ampoizina
Mampiverina ny lasa
Ka mampifoha ny tsiahy
mba haningotra ny fo.
Misy kalisy feno poizina
Tavela, tsy voasasa
Antsefatsefaka fanahy
Nantenaina hitondra soa
Misy andro, misy ora
Anembonana olon-tiana.
Mahalasa ny vinany
Sy mahavery ambiroa.
Misy kalo moramora
Izay tsy fantam-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/tiako-ny-teniko | Tiako ny Teniko | Pissoa | Tiako ny Teniko ...
Ilay nianarako nibada,
Sy nahaizako niteny;
Ilay fihantako amin'i Dada
Sy fidongiako amin'i Neny.
Tiako ny teniko ...
Ilay nitoriana tamiko
Fitiavana mafonja
Ilay hoe "tsy te hisaraka amiko
Na dia iray minitra monja ..."
Tiako ny teniko ...
Fa hatramin'ny fahazazako
Ary mandra-pahafatiko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ifanomezantsoa/avelom-pitia-1 | AVELOM-PITIA | Ifanomezantsoa | AVELOM-PITIA
Raha sendra tafapaka
Any an-tokantranonao
Izany kalokalo eto izany
Dia aza asiana fitserana
F’avelao fotsiny hiserana!
Aza arahina tomany!
Raha tsapanao ao
Ny tandindon’ny efa vita
S’ilay fitia tena mamy,
na ny alaheloko ny lasa
sy ny tanjona kinasa
dia aza arahina tomany!
Fa ny sarotra diavik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saddam/dia-lasa-ianao-1 | DIA LASA IANAO. | saddam | efa ela aho no nitady anao.
nefa dia nitsohanao ,
hay ianao efa nahita tsara ;
dia izaho no napetrakao ho tantara
fa maninona ary ianao raha miteny,
kay ianao efa lasa;
tamin' izaho nirenireny
satria ho ianao hoe :
IANAO TSY AN'ASA . |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/ny-hany-vavako | Ny hany vavako ... | Pissoa | Raiko ...
Ireo nataoko ho fahavaloko;
Ilay akany tsy atakaloko;
Ireo nisompatra ny nofiko;
Ireo nijoro mba ho tokiko;
Ireo sahy miseho ho mpankahala;
Ny fitiavako an'i Lala;
Ireo nigafy tsy an-kiera;
Ireo namako an-tserasera;
Tsy misy miafina Aminao ...
Ny olana izay mifandrombaka;
Ny hafaliako mba nitobaka;... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tly/ity-fiainako | ity fiainako!!! | tly | Ity fiainako zary tsy hita
Ela niezahana nefa tsy tafita
Lany aiky aho nefa tsy mety ny saina
Mba mikiry, nefa velon-taraina
Zao ve no anjara sy lahatra?
No ezahiko esorina nefa vao maika mamahatra
Moa ve sanatria tsy afaka intsony?
De hiforetaka ety ambany fa tsy mba ambony!!
Eh! atao ahoana moa raha izay no i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vavaka-10 | VAVAKA | raozigasy | VAVAKA
Isaoranay Ianao ry Tompo,
Fa namela anay Mpanompo
Hivory eto indray androany
Ary hiderana Anao izany
Eny, tsy mendrika izahay,
Fa be ny ratsy vitanay
O ! ry Tompo be Fitia
Mba mamelà anay mpania
Ifonanay ny helokay
Ka mba sasao re ny otanay
Omeo anay ny Fahendrena
Omeo anay ny Famonjena
Koa mangatak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soaniary/hivavaka-aho | HIVAVAKA AHO | SOANIARY | Hivavaka aho, hitalaho
Hangataka ho ahy sy ho anao
Hiantran'ny Ray ambony ao,
Hombany ary koa hamindrany fo
Tsy hitsahatra fa hivavaka :
Hanaiky ny sitrapony
Hatoky ny fitondrany
Hanatena ny famonjeny
Izy Tompo Ray Tsitoha,
Hampiaiky, hampibebaka,
Tsy handavo ho solafaka,
hameno soa sy valim-bavaka
Tsy hits... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kabiba/marary-za-nambinina-a | Marary za Nambinina a | Kabiba | Alahelo amin'izao ora izao
No mitoetra ao anatiko ao
Fa tsy ho itako,ho lavitra ahy
Ilay endrikao,ny vatana,fanahy
Ny foko anefa mbola tia
Sy maka mamy anao foana
Na vetivety na ho doria
Ny fitiavako tsy ho foana
Mandra-piverenanao any
Dia sento lava ny andro aty
Faingana re hanala izany
Fa mafy loatra,ka ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ry-fireneko | RY FIRENEKO | NY Andri-Fara | Ry Fireneko
Onena anao ny foko
Rehefa injao mahita fijaliana
ho an'ny mpiray tanindrazana
Noana sy mijaly
miraoka fakofako
toratorana etsy sy eroa
mitady izay anjarany
kanefa lazaina fa Malagasy kamo!
Nahoana hoy ianao?
Ny mpitondra be lazao
manambara fa tafita
aiza izany! tsy efa vita ve anjara
5 taona iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kally-ikala/nambinina-sy-nary | Nambinina sy Nary | Kally (Ikala) | Nambinina sy Nary
Izay mifankatia tokoa
Nifanaiky fa tsy hifanary
Ka miaraka izy roa.
Efa ela no niaina
Tao anatin'izy roa
Ilay fitiavana lalaina
Fifanomezana ny soa.
Tsy nambara anefa izany
Ka samy nanana ny diany
Ka ny any fiafarany
dia samy nanana ny olon-tiany.
Ankehitriny kosa ary
Nifanojo ilay fitia
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/mpandalo | Mpandalo | Pissoa | Mpandalo ...
Ny fahitany anao mandalo,
Na tsy fantany anarana,
Dia mahatonga azy hikalo.
Fa lafatra sy kanto indrindra
Ilay volonao milantolanto,
Ilay fidola sy famindra.
Namoronany tantara ...
Nofinofy hoe tinao,
Ry tovovavy tena tsara.
Nataony hatramin'ny nanjohy
Ilay lalana falehanao
Mba hisy resaka mito... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kabiba/alahelo-ani-nambinina | alahelo an'i Nambinina | Kabiba | Adisoana ve ny ahy
Raha nilaza fa tsy sahy
Nitory ilay fitia
Adisoana ve sa tsia
Tsy aiko intsony izay atao
Ka mila tena hankalao
Ity fiainana eto an-tany
Izay tsy ahitako ny mamy
Ny fanafodiny,dia izao ihany
Dia ny eo kaikiny hatrany
Ka na ho mora na ho sarotra
Rehefa eo aho,mahay miharitra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/ny-ambony-mbola-ho-ambany | ny ambony mbola ho ambany | SANDRATRA | Mba nataoko ny ho tia
nataoko ny niafy
indrisy anefa zava-kafa ilay fitia
hay ianao nampirafy
Fa nahoana loatra re!
no sahinao ny toy izaho
sa ny fitiavako ve
no tsy mendrika anao?
Dia natakalonao harena
ilay fiarahana fahiny
ilay natao am-pahendrena
sy natao am-pahitsiana
nefa izao no tsarovy
tsy vita ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/tiako-ianao-8 | TIAKO IANAO | SANDRATRA | Tiako ianao,tena tiako
ka sanatria izay ho ariako
fa hany mamiko sy lalaiko
ka raha sitrakao dia afoiko hatr@ aiko
ianao no tiako indrindra
ka ny fitiavako anao tsy haiko afindra
fa ianao irery ihany
no tiako eto an-tany
Ka na hisy aza ny ady
izay mitady hanapaka ny tady
dia tiako foana ianao
ka sanatria ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fily/tonom-bavaka | TONOM-BAVAKA | fily | TONOM-BAVAKA
Tompo O !
Marina tokoa
F'izahay roa
Na hisitrik'aza moa
Hitanao ny tampon-doha
Ka ny tena soa
Ny mangataka am' fo
Ka atolotray
Ny tonom-bavakay
Eh !
Ny tonom-bavakay ve !
Ao ianao ry lay Nahary
Izahay tsy mahita anao
Nefa ianao mahatazan'isan'andro
Mahita anay mibaribary
Tompo O !
Angoray ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/asakasakao | Asakasakao | Pissoa | Asakasakao fa ...
Ilay Eny izay nomeny
Sy averiny ombieny;
Dia Eny, fanekeny
Fa ianao no tena hareny.
Tsy ilay Eny ambetin-tenin'
Ny mpamitaka izy ireny;
Na hoe Eny notereny
Mba ho to izay nokendreny;
Fa tena Eny,
Ilay Eny-n'
Ny fitiavan-dehibeny.
Ka asakasakao raha ...
Hiandry ny fitiavany
Ho tankina sy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kabiba/tiako-nambinina | Tiako Nambinina | Kabiba | Fitiavana hafa indrindra
No hitiavako anao
Tsara sy mirindra
Fitiavana vaovao.
Tsy mitovy ny teo aloha
Na efa nisy tany ho any
fa tsy manam-paharoa
Ka ahy sy anao irery izany.
Ry Nambinina fitiavako
Tiako ianao,eny tiako
Ka raha sitrakao re rahavako
Ndao hanaraka ny diako
Tsy vazivazy no nanolorana
Ilay fo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/tsy-niova | TSY NIOVA | raozigasy | TSY NIOVA
Mitobaka angamba izany hafaliako
Ka tsy mahita izay teny soratana
Ilay antsonao iny mihitsy no tiako
Hitondra hafaliana sy hafanan’ny vatana
Ka na dia mangovitra aza ny feoko
Na dia tsemboka aza ny tanako
Ilay antsonao teo , ilay vao reko
Nampiakatra indray ilay mari-panako
Tena tsy niova mihitsy ian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/miverena | MIVERENA | SANDRATRA | Manembona anao izany foko
ka velo-tseto sy toloko
malahelo sy mitomany
toa miantso anao hatrany
Izaho irery no sisa eto
mitomany sy misento
miantso an'iny olona iny
hamerina indray ny fahiny
Sahinao tokoa mantsy ny nandao
sy nisitaka ity ankany
miverena re raha azo atao
fa ny izaho aty mijaly
Ry tiako mba m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/voankazo-an-tsahanolona | VOANKAZO AN-TSAHAN'OLONA | raozigasy | VOANKAZO AN-TSAHAN’OLONA
Voankazo an-tsahan’olona
Voankazo voarara
Tiana hatao tsikoninkonina
Mahate-hikarakara
Voankazo tsara fefy
Voankazo tsara vala
Toa manosika manesy
Mahate-haka sy hangala
Voankazo misy tompony
Voankazo tsara ambina
Nefa aho manantena potiny
Sady manantena ambiny
Ekeko maro ny voank... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kabiba/nambinina-ny-iatiavako-anao-ve | Nambinina ny iatiavako anao ve? | Kabiba | Ny endrikao mamiratra
Ilay mistiky iny foana
No mahatonga ahy hihiratra
Toy ny masoandro lohataona
Ny volonao mifatotra
Alefanao ao aoriana
Mahatongatsika hifamatotra
Ka mbola hiaona any aoriana
Ny oronao tsara voatra
No mahatonga ilay fitiavako
te hisisika hitroatra
Satria babonao aho rahavako
Ny nifinao m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harilova/hafatro-aminao | hafatro aminao | Harilova | Izao no hafatro aminao,
Ry Fiaritiana havako
Aza atao kilalao,
Fa kanto loatra ny fitiavako,
Fitia tsy am molotra tsy akory
ka ny mahafinaritra ihany
fa fitia madio izay mampahory
mampilatsaka tomany...
Tsy vitan-tsafo sy orokoroka
na sanatria ny kiandriandry
fa fahavononana hiatsoroka
Ny adidy izay miandry.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soaniary/nofy-niserana | Nofy niserana | SOANIARY | Sondriana sy variana
Tontolo vaovao hafa,
Tao anaty nofy sesehena
Revo nihanoka, nankafy
Toky sy angola nambabo
nefa lafatra namitaka
Hay, ndrisy nofy niserana
Toa hadino vetivety
Nandalo tsy naharitra
Fijaliana sanatria
Fitiavana mirenty
Fifaliana nisy fetra
Nefa tsisy manda na fefy
Hay, ndrisy nofy niser... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kally-ikala/isika-roa | isika roa | Kally (Ikala) | Ilay endrikao mahamanina
No ahatsiarovako ny fiainako
Ilay tarehinao tsy hay adinoina
No maha tonga ahy iaina.
Ny fitsikinao tsy mety lefy
No tsy anadinoiko anao
Ny fijerinao tsara amiko
No mbola hifikirako aminao.
Fitiavana tsy hay adinoina
No hiarako aminao
Tsy hisy anana,tsy hay soloina
Fa ahy sy ho anao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-baptiste-tarzan/mpanendrikendrika | Mpanendrikendrika | Jean Baptiste Tarzan | fa izaho mpanendrikendrika
ny mpiara-monina amiko
sy mpanan-tsiny koa
ny finoan'izany razako
dia ho olo-mpiala andraikitra
sy tia manentsi-keloka
ka nitady fomba ihany
hanamarina ny fihetsika
Fa ty izaho mivetsotso ny fisarahanay
fa nilaozan'olo-tina
ka hiampanga fiaraha-monina
ho mpisopatra fitia
Ary izany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/iny-felana-iny | INY FELANA INY | NY Andri-Fara | INY FELANA INY
Androany tsy nampoiziko
Ny hifanatri-tava aminao.
ka sanganehana ny foko...
Ny hilaza ny ato am-poko
kanefa vahotra ny vavako
Mangovitra ny tanako.
Toa vinitra sy tezitra
Hitako amin'ny endrikao...*
Nahoana anefa raha lazaina,
hoe tsy tia , dia samy vita.
Ambarao fa izay rehetra...
na tsy tan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/tia-sy-tiana | Tia sy Tiana | Fiaritiana | Fa ianao tsy nampoiziko
Hiverina indray
Eto anilako, akaikiko
Hanampy ahy hamita
Ny adidy sy ny andraikitro
Fa izaho tsy nino
Hoe tonga indray ianao
Hihaino ireo talaho
Hanasitrana ny fery
Tsy hamela ahy intsony irery
Fa isika kosa,
Tsy nisy nanam-po
Hoe misy foa roa
Nifampitady tany ho any
Hay nihaona ih... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitiavana/voary | voary | fitiavana | tina , voary mendrika ianao
kanto loatra izany ianao
volo fohy tsara hogo
tarafin'ireo masonao
mibalika , misahovo
o izany tsikinao
malefaka aok'izany
milaza ny any anaty any
ny molotrao mavokely
miampy ny fijery
kanto dia kanto
tina !! , voary mendrika ianao
fiteninao malefaka
mozikam-pitiavana
mandrotsi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saddam/ny-adin-tsaiko | ny adin -tsaiko | saddam | fa nahoana aho na toy izaho ?
fa mamely ny adin-tsaiko ,
koa mba mangataka aho re mba fafao.
ry Andriamanitra lalaiko .
TOA TSY ZAKAKO INTSONY
IZANY ADIN-TSAIKO
FA TENA MAMPITAFY GONY
KA MANGATAKA AHO RY RAIKO.
MBA FAFAO NY ADIN-TSAIKO
MISAOTRA. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/o-ra-havako | o! ra-havako | TOAVINA | Mahandrasa kely foana
fa kely sisa ny fotoana
mahandrasa kely foana ra-havako
fa tsy maintsy azonao ny fitiavako
Ra-havako moa mba tsapanao
ny tsy haritro aminao
mahandrasa fa ho lazaiko zao de zao
Ra-havako ndraso fa lazaiko anao
ilay tsy haritro aminao ka henoy tsara aho
ity maso mangirangirana
ity tsikinao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianimerina/lehibe-ianao | Lehibe Ianao | ANDRIANIMERINA | Lehibe ianao ry Andriamanitry ny Israely o!
Iza no tahaka Anao?
Efa mba nanaraka ny andriamanitry ny firenenay izahay,
kelimalaza sy ny sampy masina,
nefa nony tamy ianao,
dia lavo ireo ka lao.
Eny, tany Egypta na Babylona,
nisy nanao azy ho zavatra,
nefa nihantsy anao
ka niaiky sy nibabaka.
Impiry izahay no ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/fandeferana | Fandeferana | Fiaritiana | Mandehàna ry malala
Teny tsotra no ambara
Efa tsy tanty ny ataonao
Miàla eto izao dia izao
Mandehàna ianao ry aiko
Teny tsotra no lazaiko
Izao no tadiavinao
Izao fisarahantsika izao
Mandehàna ianao ry tiana
F'efa heni-pijaliana
Ny fiarahako aminao
Aza avela hikasi-tanana aho
Mifona aky malala
Mifona aho fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/ny-tantarako | NY TANTARAKO | TOAVINA | toy izao nyu tantarako
tantara tena marina
fa tsy namboaboarina
Za dia vehivavy tia sangy
sady tia mametaka anarana hoe be nangy
Izay no azoko nambara
fa tsy ilaina ny tantara
tsy dia misy tantaraina
sady zany tsy dia ilaina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-baptiste-tarzan/handefera-ko-ilay-teny | Handefera-ko ilay teny | Jean Baptiste Tarzan | F'ilay niteny tao an-trano
taminy heri-pamoretana
dia ho mpianakaviko ihany
ka homeko fandeferana
F'ilay tia nahery teny
tsy nisorona ny am-po
dia ho olo-tiako ihany
holaviri-ko hambo-po
F'ilay zivako amin'i dada
nanamavo izany raza-ko
dia ho lafik'avako ihany
tsy hanangana-ko raha sandry
F'ilay namana saka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/mpanakanto | MPANAKANTO | raozigasy | MPANAKANTO
Raha mpanosodoko aho dia …….. ;;
Noraketiko tan-tsary
Mba ho hita miharihary
Ny fijeriko ny fiainana
Amin’izay mba misy hisainana
Raha mpihira aho dia .............
Nokaloiko tsy an-kiato
Averimberiko in-jato
Ny hiram-piainana rehetra
Ka any am-po ireo no hitoetra
Raha mpitendry aho dia ............ |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitiavana/sambatraho | sambatr'aho | fitiavana | aina kely bitika
mitoetra sy misitrika
ao anatiko ao!!
fo kely mitempo
milaza sy miventso
neny salama tsara aho!!
vatana kely mibitaka
faly , makasitraka
milomano ao!!
voakazon'ny fitia
nirina koa satria
avy amin'ilay andefi-mandriny!!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/samy-gasy | Samy Gasy | Pissoa | Tsy very tsy ho Gasy izany,
Na teto¹ foana ianao na tany².
Ka aza dia mifanatsafa,
Tsy aleo ovaina ve ny tafa?
Nahoana raha mifampizara
Irony traikefa tsara?
Ny Firaisan-kina hono hery,
K'aza ilaozana mifampijery.
Atambaro ny herin-tsaina,
Ndeha i Gasikara no hatsaraina.
Atambaro ny herin-tsandry,
Fa i Gasik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/fitiavana-maditra | FITIAVANA MADITRA | HASINIONY | FITIAVANA MADITRA
Ndrao sempotra leiroa,
Fa io fitiavana io mpananika tamboho,
Fa io fitiavana io
Mpananika tamboho ny fon'ny tsy mitandro,
Dia efa isan'andro,
Fa io fitiavana io mpanapaka tehezana
Fa io fitiavana io ka lasa fihomehezana!
Ndrao potraka leiretsy,
Fa io fitiavana io kodiarana kalesy,
Fa io fiti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/mafaitra-noho-ny-poizina | MAFAITRA NOHO NY POIZINA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Mafaitra noho ny Poizina
Manara dia manara
Ny alin’ny ririnina
Ny setroka sigara
Tsy hita ho fihinina
Fa ngoly ny fanahy
Lomano anaty zavona
Famindran-tanalahy
Ekena tsy azo lavina
Tsirangarangan-tory
No hany notovoizina
Ny sento mpampahory
Mafaitra noho ny poizina
Ainga tsisy farany
Kalo tsy miteny
No h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitiavana/misaotra-anao-malala | misaotra anao malala | fitiavana | misaotra re ry lala
ny nahateo anao
tsy niataka ,tsy niala
fa nitia ahy ianao
teo ireo adiady
tsy fitovian-kevitra
nanamafy ilay voady
nampandroso tsy hiembotra
misaotra re ry lala
nahay nandefitra aok'izany
izaho no tena adala
tsy ahita olona ohatr'izany
fanehoam-pitia
fiarovana ahy koa
tiako ianao satr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dinitra/sombinnyaina | sombinnyaina | dinitra | ry sombiny iaina sombiniaiko
mianry anao a .... raha lmavinao mba valuio
tsiory |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/tsy-mijanona-eo | Tsy mijanona eo... | Fiaritiana | Ny fety iny no lasa
Fa ny antsika tsy mijanona eo
Raha tsy hoe angaha hoe leo
Izaho aloha TSIA fa ianao no asa?
Ny fety iny no vita
Nandalo fotsiny ihany
Kanefa ny fitiavantsika
Mbola hitohy hatrany
Ny fety iny no tapitra
Fa ny antsika kosa
Ilay tady nampifamatotra
Tsy ho vahàna intsony
Izay ilay hoe roa no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/felana-mainty | FELANA MAINTY | NY Andri-Fara | FELANA MAINTY
Vao nahatsapa ny ngidin'ny ankaso
Dia ianao no fantatro...
ka tsy aritro
nandroso tsy nihemotra ny tanako
haka ilay FELANA mamiko.
FELANA Fotsy tsy ary nisy pentina
nanjary Felana mainty...
nanaloka ny tavako.
dia vahotra aho anikeo maraina
tsy nisy mpanontany
nigogogogo, nitaraina
saingy...la... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samaritanatf/ianao-tsy-mety-tia | IANAO TSY METY TIA | SamaritanaTF | Torovandrovana ny saiko
Toa mijaly koa ny foko
Tsy mety azoko ny aiko
Noho ireo alahelo izay misoko
Nakorisako ny peniko
Mba hanambara ilay fitia
Narindrarindrako ny teniko
Nefa ianao tsy mety tia |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fitiavana/sombinaiko-2 | sombin'aiko | fitiavana | aina kely ao anatiko
mibitaka ka satriko
fo kely izay mitempo
mahatonga ahy misento
sambatr'aho manan'azy
hampidramiko anao
ny ao anatiko ao
hirahira safosafo
ny hany azoko hatao
sy omeko anao hatramin'izao
mitomboa sombin'aina
efa kely sisa ady
mifikira re lalaina
atsy ho atsy de ho avy
hifankahita isika |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-baptiste-tarzan/safidi-ko-nanenina | Safidi-ko nanenina | Jean Baptiste Tarzan | Ilay safidiko voafitaka
dia safidi-ko nanenina
nankahalainy ny fitiavako
nosoloiny fandrafesana.
Raha ny vitany tsy vitako
dia izaho no tokony hiala
fa notiaviny ny tenany
dia izaho no nankahalainy.
Raha hijanona aho tsy lasa
raha hisitaka tsy hahafoy
tsisy intsony zato hamboko
ataoko ahoana zato ho aviko.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/andronny-mpifankatia-1 | ANDRON'NY MPIFANKATIA | raozigasy | ANDRON’NY MPIFANKATIA
Tsy hoe andron’ny mpifankatia,
akory androany dia nanoratra
Tsy hoe andro hafakely anio,
ka niezaka aho hanoratsoratra
Fa tena ny foko manontolo,
no manosika ahy indray,
Handrangotra, sy hamela teny,
ho Fitia mandrakizay
Ka hamboraka aho androany,
tsy ilay “tiako ianao” anaty boky,
Na i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/saro-baliana | Saro-baliana | Oully | Saro-baliana
Ho setrin’ny tononkalon’i Fx-Mahah: “Hatraiza”?...
Hatraiza ny fetran’ny mandrakizay?
Toa fanontaniana saro-baliana
Sa fanontaniana tsy natao hahaliana
Izao ve no hisaina izany sahady?
Raha mbola lavitra ilay vavahady
Nefa ny tonga toa zary mirintona
Ahitra maina milatsaka an-tany
Ny hoe: “fisiana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kally-ikala/ity-fahantrako | ITY FAHANTRAKO | Kally (Ikala) | ITY fahantrako !
Ho lazaiko anao ve ny momba ahy ? , ny tantaram-pianako ?
Manorisory!!
Ka sao ianao lahy tsy hahita tory!….
‘lay zanako iray vao teraka ‘zay,
kaozatina kely fa tsy ampy lanja,
tsy nisy herinandro dia nandao anay
fa tsy nahatanty tadio sy havandra .
‘reo sisa mba he! Notsimbinin’ny razana,
zara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/anio-1 | Anio... | Fiaritiana | ANIO...
Meteza ianao anio
Na ho mandrakizay
tsy mampaninona ahy
Ho fifalian ny foko
Hamborahako toloko
Meteza ianao anio
Hihaino ahy hilaza
Na androany fotsiny aza
Ilay fitiavako anao
Izay ao am-poko ao
Iriako dia iriako
Ny haheno anao hiteny
Ireny fitiavanao ireny
Faniriako ny hahalala
Raha mbola izaho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/tsiahy-lalina-1 | Tsiahy lalina | andriary | Misy feon'aloalo manako hatrany an-dohasaha
Mitsiahy ny tonon-taona , rinangotry ny nimaona
Miantsy volon-danitra : halahelo sy hisaona
Ny tantara fahagola , vinilan'ny tamberina!
Misy feo tsy aman-teny , nanonga ny eritreritra
Maminany tara-bolana misarin-dokon-javona iny
Tinaran'ny andro lasa , mitahiry ny fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-baptiste-tarzan/hery-hafa-no-mamely | Hery hafa no mamely | Jean Baptiste Tarzan | Rehefa eo ny fahombiazana
dia izaho no tena mazana
rehefa tonga ny tsy mety
hery hafa no mamely
soa fa nisy fiarahamonina
ny hadisoako tsy hadisoana
soa fa nisy ny finoana
ny safidy tsy safidiko
Fiaramoniko no meloka
ka ny tody tsy ekeko
fa ny androko no ratsy
dia ny kitako no hafa
Fa ny vintana tsiniko
ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-jeanchris/raha-mba-fantatrao-1 | raha mba fantatrao | RAKOTOMALALA Jean.chris | Raha mba fantatrao mantsy
Ny ao am-poko kely ao
Dia angamba ianao tsy ampijaly
Naampitanondrika ahy toy izao
Antenaiko anefa
Fa iano mbola tia
Dia ilay fitiavana
Tsy manam-petra
Ilay fitia miriaria !
Izao aloha dia mbola manantena
Fa ianao dia mbola tia
Fa ny any nahatonga izao
Dia ireo mpisopatra fitia !!
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vetso | VETSO | raozigasy | VETSO
Ity vetsovetso iray ity
Dia vetso tsy nataoko ho ahy
Fa nataoko ho an’ireo izay Tia
Manan-toky, tsy miahy
Ity andro androany ity
Dia andro iray angamba hiavaka
Fa kalokalon’ny Fitia
No antsa, hira, sady vavaka
Ity andro androany ity
Tsy hoe voatokana ho an-dRoa
Mpifampizara ny “Fitia”
Fa ho an’ny rehe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/mpahary-matihanina-2 | MPAHARY MATIHANINA | andriary | Raha vao nahita anao nandalo sy niserana
Nandravak'iny lalan'iny mitombam-panaperana
Nahoana no tsy hiontana ny ato anatiko rehetra
Fa ny hatsarana nentinao satriko tsy hanam-petra!!
Ny bikanao indray mijery dia ny lafatr' aok'izany
Na tsy misy ny tanteraka azo indramina eto an-tany
Dia manambara ny hakanton'ny m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/tonokalo | tonokalo | TOAVINA | Ny tonokalo nany vetso
dia manala zay mba sento
ko raha misy maha ory toa irony
dia ny tononkaloko no ventsoy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-baptiste-tarzan/ny-vola | Ny vola | Jean Baptiste Tarzan | fa ny mariko dia diso
ka ny mariny no rariny
bararatako mibiloka
fa ny hazony mahitsy
ny fahantrana angamba ho aho
manaboridana fanahy eh!
ka ny hasina izay very
nosoloiny vola irery
diso ve ny tenako milaza
fa isika ankehitriny
manao ny vola ho rangahy
ka ny olona fanahy
miha-razana tsy nahy
diso ve ny te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/amore | AMORE | raozigasy | AMORE
Malala, Chérie, Amore
Izany foana no faheno sy fandre
Na ato an-trano na aiza toerana haleha
Fa ny fitiavantsika mantsy be dia be
Amore, Malala, Cherie
Izany foana no iantsoantsoako an-dry
Indry ilay tokana tsy foiko mihitsy akia
Fa Fitiavako, Fitiavana, Fitia
Cherie, Amore, Malala
Izany foana no vetsoi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/ny-antsika-roa | Ny antsika roa ... | Pissoa | Ny antsika roa,
Ho inontsika moa ny androany,
Na dia "fety" eran-tany,
Raha tsy tena avy ao am-po?
Sao hanjary seho ivelany
Ka hadera ny famelany,
Nefa tsy hitondra soa.
Ndeha hidola toy ny volana,
Hanalavidavitr'olana,
Dia hahafinaritra ny miaina?
Sa handeha hitango kintana,
Dia hitanisanisa vintana
Hahami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/14-02-2006 | 14-02-2006 | raozigasy | Inona moa ny andro anio
No voatokana an-diary
Ary aseho miharihary
Amin’ny loko tena miavaka
Asiana sary fo miravaka ?
Inona moa ny andro anio
No mandeha tsiroaroa
Mifampiankinankin-doha
Mitositosy sy midola
Anaty tamby sy angola ?
Inona moa ny andro anio
No anadinoina disadisa
No amafana kisakisa
No andef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/malahelo-1 | Malahelo | NY Andri-Fara | Malahelo
Isika sy Ianao mihevitra
fa lasa izay ny tsiaro.
Ka nahoana no mbola misy
embona mandalo ao anatinao?
Resy ny nitia ankolaka
Resy tsisy mpanontany.
Angamba tsy ho resy ny fitiavako
manoloana izany.
Valio aho raha ianao
no nangalatra fitia,
tsy nindramiko...
Asanao rahavako |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/any-ho-any | ANY HO ANY | SANDRATRA | Any alavitra any
misy fo mitomany
mitaraina foana
velo-tseto sasa-poana
miandry ny tiana
izay mba niriana
Any misy fo te hitroatra
hanakatra ny lanitra mba hitarainana
ary koa misai-doatra
ka mila ho kivin'ity fiainana
Any misy tsy mahita tory
any misy te hitory
any mantsy hatrizay
any misy olona iray
olo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsoa/asa-1 | ASA...! | ...Tsoa | Asa ianao raha mba hoatr'ahy,
miasa saina sy manahy.
Mandrevy foana ny endrikao,
manjombon-tava lava izao.
Fa lavi-tiana mantsy
ka mila tsy ahatanty.
Efa tena tsy aritra
ity fisarahana maharitra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/tsy-maninona-tsy-akory | TSY MANINONA TSY AKORY | SANDRATRA | Tsy maninona tsy akory
raha ianao no nandao
fa sady manorisory
ny fitia atao kilalao
Tsy maninona tsy akory
ny nandaozanao ity ankany
mandehana dia aza miverina intsony
fa izaho koa tsy hitomany
Tsy maninona tsy akory
ary elatra ianao
ka hodianao tsy tsaroana
ireo dina izay natao
Tsy maninona tsy akory
rah... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.