url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kally-ikala/tsiniko-ve | TSINIKO VE? | Kally (Ikala) | TSINIKO VE ?
Amboaran-tononkalo mba finoroko ho an-dry,
Na dia tsy hoe tsara voatra!
Teny vitsivitsy monja , nofonosako fitia,
Dia injao fa nitroatra!
Gorisarisam-peniko! Voasoratra ny anaranao!
Tsy tsinahiko akory!
Nampitony adin-tsaina sy nampisy ainga vaovao,
tonga ody sorisory!.
Misy vetso miampita , voary... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/i-neny | I NENY | TOAVINA | I neny no hany fitiavako
ka tiako mihotra noho ny havako
i neny no nitondra ahy 10 volana an-kibo ka tiako,tiako mihotra noho ny harena
eny tiako mihotra noho ny volamena
I neny niankin-drindrina irery
izy niaritra foana na inona namely
eny!i neny niaritra nisotro ny rano tsy tiana
noho ilay zanaka tiana izay ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/i-dada-1 | I DADA | TOAVINA | I dada ve
ilay nampianatra ahy niteny hoe
i da da sy i neny no tena mamiko
satria nitandrina mafy ny amiko
Eny!i dada no velon-tsongory satria tiany ny zanany ka tsy avely ory
eny!i dada no vizaka nampiatra ombieny
ka mendrika azy ny valim-babeny
Koindro fitiavana sy fankatoavana
ilay zanaka tia sady tina ily t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aft/aiza-ho-aiza | AIZA HO AIZA | aft | Toa tsy hitako ihany,
toa...manalavitra hatrany!
Toa tsy misy fiafarany
angamba any aloha any!
Mety hisy fitsaharana,
mety hisy hivalaparana;
miandry tonon'anarana
fahafiry ny laharana?
Sao ary aho dia gisitra
na tsy ao anaty lisitra???
...Tsoa ;Trappes 06-02-2006 |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/embona-mandalo | EMBONA MANDALO | SANDRATRA | Raha mifoha aho ny maraina
dia ny anaranao no tao an-tsaina
izay manaitra ny fo sy fanahy
satria voatonona tsy nahy
Olon-kafa mantsy izao
no indro mitantana anao
nalaingosany ianao mba ho azy
ka napetrany ao anaty vazy
Tsy hoe handrava ilay fitia
no hanoratako ity
fa embona mandalo
no lasa tononkalo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/efa-tara | EFA TARA | SANDRATRA | Taona maro lasa izao nonandaozanao ahy
Ity foko nitoloko
no nanjary niova loko
ankehitriny tonga ianao
tonga mb hitalao
ny foko efa tony izay nilaozanao
efa tara vao tonga ianao
toerana efa voasolo ve no hovantaninao
efa sitrana ny fery sy ny ratra tao am-poko tao
izay navelanao
ankehitriny ve vao tsapanao
z... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/tena-tia-1 | TENA TIA | SANDRATRA | Feno fitiavana anao ny foko
ka voto-tseto sy toloko
tena tia anao aho
fa tsy sanatria akory kilalao
Fitiavana no hitiavako anao
hatr@izay ka hatramin'izao
fitia fa tsy aniany
ka ho tia anao hatrany
fitiavana mahery
no nokaloiko hatrizay
natolotro ho anao irery
atolotro ho anao mandrakizay
fa tiako ianao mba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabemanantsoa-toavina-na-i-tsoa/aiza-ho-aiza | Aiza ho aiza | Rabemanantsoa toavina na i ...tsoa | AIZA HO AIZA
Toa tsy hitako ihany,
toa...manalavitra hatrany!
Toa tsy misy fiafarany
angamba any aloha any!
Mety hisy fitsaharana,
mety hisy hivalaparana;
miandry tonon'anarana
fahafiry ny laharana?
Sao ary aho dia gisitra
na tsy ao anaty lisitra??? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/fianarana-3 | fianarana | TOAVINA | Mianara tsara r'ankizy
fa ny fianarana no tena izy
isika no antoky ny firenena
ka mba henaro ny lesona omena
Ny tsy takatrao anie de izao
isika no ho avy ny firenena
mahereza hatrany ka ataovy sanatria ny hitomany
Ataovy hay ny lesona rehetra ka ny hisondratra kilasy no ataovy tarigetra
mahereza foana foana
en... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/fantatro-2 | FANTATRO | NY Andri-Fara | fantatro!
Na dia lasa aza ianao
Dia tsaroako fa...
Mbola tsy no tsarovanao ny anarako
Nahoana?
Angamba efa olon-kafa
No mibahana ao an-dohanao
Ka inona no tsiahiko,
Manoloana izany!
Fantatro, fa tsy ho ahy ianao
K'aza mieritreitra ahy intsony. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/teny-mamy-1 | TENY MAMY | SANDRATRA | Reo teny mamy nolazaiko
dia tena vokatry ny saiko
koa matokia sombinaiko
fa afoiko hatr@ aiko
Ka na fahoriana na fifaliana
dia ho zaraiko aminao ry tiana
satria ianao ilay nofinidy
ho namako na mafy na mangidy
Koa indro ny teny mamy
hanamafisako izany
faraha mbola tany koa ny tany
dia ho tia anao hatrany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsoa/hoentina-aiza | Hoentina aiza ??? | ...Tsoa | Efa mitonantonana
fanjakana adaladala;
dia manidy fiangonana
k'anefa anie mba mahalala !!!
Fahatran-dRamalagasy
efa mameno lavaka;
vao maika koa r'ilay maty
mandrara ny olona ts'hivavaka.
Hafahafa ihany,mampanontany tena
hoentina aiza ary ity firenena ?
...Tsoa, Fontenay sous-bois 12-12-2006 |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/saika | SAIKA | raozigasy | SAIKA
Saika hanoratra aho androany,
Hilazalaza hanambara
Ireo rehetra “lasa” tany
Sy nivalona ho tantara
Saika hanoratra aho androany
Hampahatsiahy, sy hamohafoha
Izany “lasantsika” izany
Sy ireo niainana taloha
Saika hanoratra aho fa faly
Nibitabitaka sy mailaka
Maika ery hoe ndeha hamaly
Ilay hafatra nale... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soaniary/lazao-1 | LAZAO | SOANIARY | f'inona no nankaleo
tambitamby sa toreo?
hanta difotry ny onja
fitia mety tsy nafonja
lazao zay sitrakao
lazao raha handao
lazao dia veloma hatao
lazao fa tofoka sy lao
izy nanaiky sy nizaka
nisento tsy namaka
nionona tsy nitsetra
nisaina fa nisy fetra
tsy sahinao ambara
fa teny idraim-bava
dia amoy hilaz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/voankazo-voarara | Voankazo voarara | Mandefitra | Voankazo voarara
Tiako ianao kanefa,
fitia tsy ho tanteraka
fa diso fiantefa....
ny saiko indray no reraka
Hena antanan-tsaka,
mofo antanan-jaza:
menatra aho raha haka,
sao koa misy mandaza
voankazo misy tompony,
madera anaty fefy
masaka ifotony
ny hanitra tsy lefy
Nefa de tsy ho ahy,
na satriko laingosan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/tononkalo-iray | Tononkalo iray! | Fiaritiana | Tononkalo iray aky atolotro ho an dry
Atolotro amin ny fo arahim pitia
Tsy vidim-bola akory ny famakiana azy
Tsy mila valiny koa, tsy mba mila tamby
Tononkalo iray lesy atolotro ho an ialahy
Atolotro an kafaliana tsy amin ahiahy
Raha mba mety ianao anio
Ndeha ny asa soratro vakio
Raha tsy misy anao mpamaky
Aiz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herytsimitovy/fandresena | FANDRESENA | herytsimitovy | Sarotra ny miana
nefa mora ny mitsara
ireo tsisy antenaina
dia lasa voasarika
Tsy fidiny azy ny hangalatra
nefa kosa... nihoapefy
satriny tsy hivary lavo
satria izay aloha no mety
Aza tsaraina izy
mafy anie zany noana
o ry ray mba mamalia
izy anie miandry foana
Betsaka ny hataka
vavaka ve tsy natao
nefa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/eny-andalana | Eny andalana | Mandefitra | Eny andalana
Eny andalana ombana,
misy fitaka mazàna
mety ko fakam-panahy
fa raha ny tiana no mitana
tsisy lalana malama
Foana hatreo ny ahiahy
Eny andalana hodiavina
mety ho maina moa ny ravina,
fa mbola ho maintso ny eny antsaha
Raha ilay tiana zay notiavina
Tsy mivadika, tsy miavona
ny adiady ho voavaha
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/dada-o | Dada o! | Ranoala | izaho no rola
sa tsy izany moa ry dada?
izaho no mafy be
sy bogosy indrindra!
Miaramila kely
nefa tena manequin
manana milou
anefa tsy Tintin
Izay miseho ho bandy
atoroko an'i dada
tonga dia mandady
sy mikombom-bava
izaho moa bogosy o!
sa ... tsy izany moa ry dada?
eo moa mba omeo ilay sosy
f'efa reraka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/aingam-panahy-aingan-tsiahy | AINGAM-PANAHY .... AINGAN-TSIAHY | raozigasy | AINGAM-PANAHY ….. AINGAN-TSIAHY
Nisy imailaka voaraiko, androany alakamisy
Ka nitsamboatra indray ny foko, tena nientana mihitsy
Dia nisy hery hafa indray , nipongatra avy ao anaty
Nampiainga ho azy teo, ilay fanahy izay matimaty
Dia nanoratra aho androany, na dia efa reraka aza
Tsy voatohitro mihitsy, izato edin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanilo/taona-mbaovao | taona mbaovao | fanilo | efa tonga ny taona mbavao
faly daholo itsika jiaby fa milalao. izay
noela fa fety izao ny andro. aiza
misalasala fa andao iakanjo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/izy-no-tiako-1 | IZY NO TIAKO | SANDRATRA | Izy no tiako raha mbola eto an-tany
ka tsy misy mahasakana izany
ny fitiavako tsy azo n'iza sakanana
tiako foana izy na ory na manana
Izy no tiako t@izay rehetra hitako
na ny fomba na ny fihetsika dia sitrako
koa lozako ry neny raha mbola hampirafy
adalako koa ry dada raha mbola higafy
Ekeko fa tsy ananany
na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/ilay-nofy | ILAY NOFY | SANDRATRA | Fa tao anty alina mangina
no nanofisako anao ry tiako
ianao tokoa mantsy ilay niriana
hitantana ny diako
Any ianao,any lavitra any
asa raha mba mahatsiaro ahy ihany
fa izaho aty efa sasa-miandry
ka manonofy tsy tafandry
Hany ka raha vao mikipy ireo masoko roa
dia ilay nofy no tsaroana mialoha
ka sanatria izay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-jeanchris/fitiavako | fitiavako | RAKOTOMALALA Jean.chris | Inty ny fitiavako
atolotro ho anao
Raiso ka anjakao
Tsy sangisangy sanatria
Fa fanirina ny ho dory
Ka raha toka sitrakao
Dia aza toerana
Fa izy ity tsy kilalao
Fa tena avy ao ampoko ao
Raha izao sy ianao mantsy
no iaraka
Amakivaky ity fiainana ity
Dia ho mora amitsika ny anadino
ireo lasa ratsy tsy tiana h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/embona-masiaka | Embona masiaka | andriary | Misy jery mankafy
Mitazana eny lavitra eny
Ny tombantomban'endrikao
Jery ampoka fitia
Fa mangina tsy miteny,
Angamba babo tsotr'izao!
Misy embona tsy tana,
Te-hiampoka mangina
Topi-maso kely fotsiny!
Arahin-tsiky sy hafanana
Ka ny sombim-paniriana
Ny hanimbolo zany fofony.
Misy tsiaro iray monja,
Maminany ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/tany-rava | Tany rava | andriary | Ny rivotra nifofo,
Narahin-drohimemy
Anaty safotr'afo ,
Ny fiainany hotohoto
Mongomongo fa malemy
...ho vidina lafo!
Ny tselatra niriatra
Narahim-baratra nilatsaka
Teny ambony vatolampiny.
Ny tanety ndreo fa triatra
Mangadihady sasaka
Manangana ny sari-sampiny
Ny tanana fandalovany
Haolohaolo disadisa
Tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nolross/aza-atao-miandry-ela | Aza atao miandry ela | Nolross | Aza atao miandry ela.
Nifanaritarika teny
Nifanaraka tsara
Tsy nisy nifampiteny hoe
Andao hizara
Ilay fitia voakolokolo
Fitia tao anaty
Izay mila tsy hotanty
Mety tsy ho fahasahiana
Na fatahorana an’ilay tiana
Na koa fifanajana
Nefa tena fandrika malama
Dia lany andro teny foana
Ka variana sy sondriana
Na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/sopatra | Sopatra | TOAVINA | Efa ho roa taona izay
no tsy niarahanay
inona no nahatonga
tsy inona fa ny sopatra ihany
Eny e!maro mpakahala
ilay fitiavana be mpahalala
irina anefa fa mbola hifamerina
satria mbola mitamberina
Mitamberina ao an-doha
ilay fitia tsy kitoatoa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/tsiahy-mamatonalina | TSIAHY MAMATONALINA | andriary | TSIAHY MAMATONALINA
Alina mamirifiry
Arahin-tsiahy mamatonalina
Torimaso ts'isy firy
Nofohazin-tsento lalina!
Mitamberina ny lasa ,
Mamangy 'ty kambotiny
Tsy nandeha tany an-kafa
Mampahatsiaro indray ny fofony.
Alina mangina
Alina mitsiahy
Reo rongom-pijalinan'
Ny fangoloka fanahy
Ka namoha indray ny feri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nolross/ity-vavakay | Ity Vavakay | Nolross | Ity vavakay!
Hivavaka aho ho anao
Hivavaka aho ho antsika
Tompo ô! Fantatrao ny ao ampoko ao
Mitady fahendrena hahalala anao kokoa
Ampianaro aho ho ondry tsy hania
Ho mendrika anao satria
Ny fiainanay ety dia voalahatrao
He matoky aho nohon’ny teninao
Fa any andro iray mbola hihaona indray
Ny finoana, ny fana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/atao-hoe-adala | ATAO HOE ADALA | raozigasy | ALEOKO ATAO ADALA
Adala aho raha manoratra
Dokadoka ho anao
Adala aho raha mitoraka
Voninkazo vao
Adala aho raha manaiky
Ny angola sy ny tsiky
Adala aho raha taraiky
Tamin’ny tosy izay natsipy
Adala aho raha miroboka
Amin’ny tantaranao
Adala aho nampidoboka
Angamba ny fonao
Adala aho ary ho adala
Raha toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manda-arivelo/torampo | TORAMPO | MANDA ARIVELO | Tompo o!,
meteza ianao hiheno
zay mba menimeniko anio
ny ankoatrako tampeno
iray minitra aho mb\'hitodiho
Fa raha mangataka aho tsy ho ahy
tena marina e! tsy ho ahy..
F\'ho an\'ireo :
.. Omaly aho zao nahita
teroa an-tsisin-dalana
efa mitofezaky ny hatsika
miandry zay mba manana
Dia ny sasany any zao
mifof... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/ho-sasa-poana | HO SASA-POANA | SANDRATRA | Ho sasa-poana ireo mpisopatra ny dia
satria ny antsiaka efa ho doria
ire te handrava dia hanidy ny vava
satria ny antsika tsy ho rava
Ho sasa-poana ireo mpampiady
satri efa voadinay ny hivady
sanatria izany hoe hampirafy
fa ny anay efa mandra-maty
Ho sasa-poana ireo hiteny tsy am-piheverana
satria ny antsika t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/anio | hoavaoziko | randria | Raha ataoko iray voara ny dinitry ny lasa nodiavintsika hatreto,
Ny amin'tony tononandro fankalazany indray ny toky nisy teto .
Eny na fanaja fa tsisy voka-tsoa izay fitanisana ny lavo tsy azo raofina,
Saingy maro ihany moa reo antemam-piravoana, kanto, mbola mety kaofina .
'Reny rehetra reny sombinaina no nitranga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/ilay | Ilay | Oully | Ilay fahanginantsika hafahafa
Tamin'io fotoana io
No nahatsapako fa te hitafa
Ilay fitiavantsika vao madio
Ilay masotsika nifanojo
Toa sahy nifampijery
No nanapaka ilay rojo
Namatotra fitiavana niery
Ilay tanantsika nifandray
Miaro hovitra madinika
No vao maika nampiray
Ilay fitiavana voadinika
Ilay lohatsi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/riantsoa/ny-fiainako | NY FIAINAKO | Riantsoa | Ny fianako dia jaly hatrany
isan'andro dia feno tomany
Izany ny miaina eto an-tany
Lanjaiko fa anjarako izany
Tsy mba hafaliana fa fijaliana
no mameno io fiainako io
Izany ka tsy maintsy ihafina
Zakaiko ny omaky sy anio
Ny fiainako dia feno alahelo
ranomaso toloko tsy tana
Rafahatrana no mamelovelo
mitapody ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/ny-voady-omeko-anao | Ny Voady omeko anao | ny eja | Fa hafa kosa ny ahy
ny voady omena anao
tsy an'ireo sahisahy
ka tononina amin'izao
fa teny tsotra mendrika
ho tanako tsy rendrika
teny mamy iray miventy hoe matokia
fa na ho vato na ho vy
ny fisedrana ny fitia
anao irery anie aho
anao doria doria
impiry moa ny olana nanjo
impiry koa ny adiadintsika roa
ian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/tsy-anjara-2 | Tsy anjara | SANDRATRA | Aza foazina intsony ny omaly
fa avelao hivalona any
fitia efa tsy anjara ny antsika
ka indrisy fa nangatsiaka
Aza vetsoina intsony
iiay nandratra ny fonao
fa ny ahy ny foko efa tony
ka ny sisa no asakasakao
Adinoy aho fa hanimba ny ao anaty ao
toy izay efa nanadinoako anao
ka ny lasa aoka hotantara
dia ilay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soaniary/fitia-sy-fitaka | FITIA SY FITAKA | SOANIARY | NISERANA, NANDALO
NIATSAMPY, NATAKALO
NY RAOZY MARO LOKO
NANORENANA TOKO
TSY TSAROANAO AKORY
NOHEVERINAO NATORY
F'IZY NITAMPIFY NIERY
NAMOLIVOLY SAMIRERY
DISO AVOKOA NY MARINA
TSY HAIKO FANTARINA
FITAN-DROA SY FITAKA
FIHETSIKA SARIAKA
TSY TSAPANAO FA KILALAO
HANIMBA NY FIAINANAO
FIFALIANA MISERANA
SEDRA,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/tsy-azy | tsy azy!... | randria | tonga ny noely,
injay ny anjely kely,
mihoby ny aleloy,
tsy manan-tsiny, poy!
tsy mbola azy ny mitady,
tsy azy ny mifady,
ny fetran'ny azo aleha,
sy ny tsatson'ny atao hoe:
fety mahonena,
na irery manantena.
de ankizy an'alinkisa,
no ndre ravo mitanisa,
zato fetim-pasambarany,
ka kilalao isan-karazany,
no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/fianarana-2 | Fianarana | TOAVINA | Ny fianarana ihany
no tena tsara ka tsy mila aniany
fa atao serieux
ka mila atao mieux
Mianara tsara
hoy i nenifara
fa io no lova tsara indrindra
noho izany mba ataovy tsara rindra
fa sao tsy mifindra
Izay no hafatro
satria tsapako
fa efa ny mpianatra presque tout
no manao kitoatoa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/mino-aho | Mino aho | TOAVINA | Fony aho mbola kely
no nandao ahy i neny
nandao ahy ho mandrakizay
ka tsy mba nahafa-po anay
Fony aho mbola zaza
no nandao ahy i dada
lasa ho any amin'ny vary tsy mifody
ilay tsy misy fanafody
Na dia teo izany
'za mbola nihezaka hatrany
ny tsy hitomany
ndrao dia mampanavy
Taty aorina
dia mba nisy avenir
a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/diso-fiantefa | Diso fiantefa | SANDRATRA | Tsy ho adinoko velively
ireny fiarahantsika roa ireny
fa n'aiza n'aiza misy ahy
dia tadidy ary mbola mahatsiahy
fa tsy mba afaka ato an-tsaiko
satria mankarary ny aiko
ireo fihetsikao rehetra
ireo teny natao hampilefa
tsy very akory fa mitoetra
na dia efa diso fiantefa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/soaniary/tia-mangina | TIA MANGINA | SOANIARY | TSIARO, RAKITRA SAROBIDY
TAMBERINA, SENTO MANGIDY
NO HANEKEKO NY LASA HO TADIDY
HANDRAVAKA NY ANIO SY NY HO AVY
HANOVA NOFY MAMY NY FO HO FALY
TENA MISANGY IANAO RY FITIA
KA HANGINA ZANY FOKO TIA
TARA-PAHAZAVANA FA TSY FAHARESENA
FAHANGINANA FA TSY FITOMANIANA
FANANTENANA FA TSY FANKAHALANA
KA TSY HATAOKO FAN... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/manga-1 | manga | ranaivoharijaona rado liantsoa | Moa tsy hasambarana
Mandona varavarana
Itsy zaza manga
Mitsiky a-nify banga
Volo tsara randrana
Toa vony maitso mavana
Fiotin-jaza vavy
Ho fanaingona vazy
Ny haniny maledaka
Mitondra maninteraka
Filana manadala
Tsy ahatsapana reraka
Lay tsikiny miely
Reo fandaigana kely
May nanosika ahy
Hanaraka am-panah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/vavaka-fangatahana | Vavaka fangatahana | TOAVINA | Tompo o!vonjeo izahay
fa latsaka ao anatinay
ny fahamaizina tena mahamay
Efa nomenao famojena tokoa mantsy
nefa ninia tsy nahita sy tsy nandray
ka voa izao izay mipenipenina mitady Anao
Be ny ratsy vita
nefa mino fa mbola ahita
ilay famonjena izay mbola tiana
ho hita
Ankehitriny ary sokafinay ny fonay
mba hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/mbola-any-ilay-anjarako | MBOLA ANY ILAY ANJARAKO | SANDRATRA | Andro maromaro izay
no naharava ilay fitia
hatra@izao dia mbola mandoro mahamay
ka tena mankahia
Tia aho nefa tsy mba tiana
ka mila hahalasa adala
tomany,fijaliana
no navelan'ilay malala
Mafy tokoa izany
nefa tsy aho fa hitraka hatrany
fa raha mbola tany koa ny tany
dia tsy maintsy ho tojo ilay anjarako ihan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/raha-ianao | raha ianao | TOAVINA | Raha ny Tompo no ato amiko
dia hadio ny fanahiko
ka tsy mba hanao ratsy izany
fa hikatsaka ny soa hatrany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/tiako-ianao-7 | TIAKO IANAO | SANDRATRA | Toa nofinofy ny fianako ankehitriny
nofy avokoa ireny fahiny
satria raha izay vita izay
dia tsy mampino hoe mbola ho tafaray
hany ka raha vao mahatsiaro
dia mandeha ho azy ny tononkalo
ka ny lasantsika roa
no tena votoatin-dresaka
k'ireo rehetra izay nanjo
dia ho fahatsiarovana mipetraka
Tiako ianao,tena tiak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/folo-janoary | FOLO JANOARY | raozigasy | FOLO JANOARY
Nanoratsoratra aho androany
Fa malahelohelo izany
Tsy haiko hoe naninona ary,
Hay ilay folo janoary
Efa firy taona izay
Nefa tsy mety adinonay
Ilay folo janoary
Andro nangidy, naharary
Tsy hotsiahiviko ny lasa
Na ireo fo voarasarasa
Fa mbola tsaroako anio
Izay nitranga tamin’io
Na ny teny an’h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/sedra-ny-fitia | SEDRA NY FITIA | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | SEDRA NY FITIA
Mety hisy ve ny fanadinoana
Ka tsy ho tsaroany intsony ny anarako
Ary ho foana ny fanantenako
Hivalona ho tantara ao am-po
Izy hono tsy hiova intsony
Fa efa babonao
Ny fo-ny hono tsy ho zarainy intsony
F’efa natolony anao
Tomany izy nandre ny anaranao
‘Lay endriny faly dia maloka indray
Tsaroa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/tena-fitiavana | Tena fitiavana | SANDRATRA | Ny aminao efa haiko tsianjery
satria ianao dia ahy samirery
indrindra fany anaranao
tsy mba afaka ao am-bavako ao
ilay endrikao sarika mibanjina ahy
ampianao tsiky mambabo ny fanahy
Nitia anao aho hatramin'izao
tena fitiavana fa tsy kilalao
ianao koa torak'izany
tena fitiavana fa tsy aniany
fitiavana no niara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/ny-fitiavako-2 | Ny fitiavako | TOAVINA | Vao niandoha ny fitiavako
dia ianao no niantefany
1 volana tao aorian'ny rentrée
dia nanoratra ho ahy izy hoe:
tiako ianao
ka novaliako toy izao:
za ko tia anao
Saingy izao ny olana
izy sarok-enatra be loatra
ka tsy mba mahafa-po ahy
Ho avy indray ny fidirana
ka asa raha ho samy mirana
mino aho fa ho kanto
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/firariantsoa | FIRARIANTSOA | raozigasy | FIRARIAN-TSOA
Asaramanitra izao
Satria ny taona vaovao
Koa ny fiarahabana atao
Sy firarian- tsoa ho anao
Dia andian-teny vitsivitsy
Tsy hoe kahidy na mitsitsy
Fa ny teny lava tsisy ventiny
Sao tsy tafita ny hafatr’entiny
Dia mirary Fahendrena
Io ilay voalohan-karena
Tsy adino ny Fahasalamana
Enti-miatrika F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/teny-tsotra | TENY TSOTRA | raozigasy | TENY TSOTRA
Teny tsotra, teny fohy
Entina ho fiarahabana
Amin'izao fotoana izao
Ny ezaka natao, hitohy
Anatin'ny fahasalamana
Ny Ray anie hitahy anao
Ny tanjona izay niriana
Ho tanteraka sy ho to
Ambinina amin'izay hatao
Ny tokantrano sy olon-tiana
Hotantanan'ny Tsitoha
Izay no faniriako ho anao
Hoy ilay n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/takon-drahona | Takon-drahona | SANDRATRA | Fa etraketry ny hafa
no nahatonga izao
dia nino ka dia rava
nandratra fo nankalao
Fa nantenaiko ho masoandro mibalika
kanjo tokon-drahona ka tsy hita
Fa nantenaiko ho madrakizay
kanjo takon-drahona dia izay dia izay
Dia lasa ianao nandao
ry ilay niriako hatram'izao
efa eny an-tanan'olon-kafa
no misangy sy mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/vaovao-ny-taona | VAOVAO NY TAONA | raozigasy | VAOVAO NY TAONA
Vaovao izao ny taona,
Ary ianao moa mba ahoana !!!
Mba efa nisy fiovany
Sa ilay fantatro iny ihany
Dia inona ary moa izao
Ny mba fenitrao vaovao
Sa ny omaly tsy miova
No hajanonao ho lova
Asa re izay valin-teny
Na ho Tsia na ho Eny
F’izaho koa toa mitsaratsara
Fa ny ahy angaha moa mba tsar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/rehefa-voa | Rehefa voa | SANDRATRA | Rehefa voa ve ry tiana
dia ahilika sy ariana fa angaha tsy irony fahiny
no nampisy ity tsy manatsiny
toa adinonao sahady
ireo toky sy voady
fa na ho ratsy na ho tsara
dia hiaraka hanohy ny tantara
ny esory lava izao
no mba vaha olanao
fa angaha tsy silaky ny aina
no ho vonoina ry tsy misy saina
eny!ho zakaik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ny-fisianao-2 | Ny fisianao | Ny Kanto | Ny Fisianao
Ho fisandratan’andro
Ny fisianao rehetra
Hivimbina masoandro
Hanazava ts’isy fetra
Ho fisandratam-bolana
Ny fisianao rehetra
Hanalavitr’olana
Hampirindra toetra
Ho fisandratan-kintana
Ny fisianao rehetra
Hampitsiry vintana
An’alin-kisa tsy voafetra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/tonga-indray-ny-taom-baovao | tonga indray ny taom baovao | TOAVINA | Isaory Adriamanitra
fa nahavita taona iray
izay nifamaofaon'ny mamy
sy ny mangidy
ary mbanjino indray
ny taona manaraka
ifono ny ratsy efa vita
ka onero
izay no hafatro
ka tanteraho
raha azo atao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanilo/revellion | revellion | fanilo | Tapitra ny taona
ka avelao ny laona
fa andao hifety faran'ny taona
rehefa vita izay
dia andao indray
hifapiaramba . |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/saraka | Saraka! | randria | Asiako raki-teny ny fahatsiarovana azy,
vinaniko de antsa nipololoitra teny,
hameno ty toloko niraviravy teto
fa nisy nitomany ny fisarahanay...
rina mety ritra sy nandalo ihany,
nitakosina eo an-tava fa tafapaka anaty,
ny tana-nifanolotra nifono hakamantatra,
ngaha ireo ny dina ho fara-embona eto
ny sangy niho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/tonton-sola | tonton sola | TOAVINA | I tonton sola
dia anti-mola
izy efa manam-bady
nefa mbola te ho bandy
karajia tena piolrteaz |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/i-fanilo | i fanilo | TOAVINA | I Fanilo
dia bandy tsy tia diloilo
fa tena foy volo
nefa toa tena pro
ka tsy mba mihinana coco |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/izay-olona-izay | Izay olona izay | SANDRATRA | Olona iray nizarako hafaliana
no namafy rivo-pahoriana
izy on nizarako ny tsy ambarateloko
nefa izao fijaliana no nentiko
Izy no mba nantenaiko
raha misy manahirana ny saiko
no namptondra ahy ny mafy
ka namela ratra ato anaty
Mba hevero ihany anefa atao
diniho izay tenenina
fa tsy ho zakanao ny todin'izao
ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toavina/fitiavana-7 | fitiavana | TOAVINA | Ny fitiavanay
dia fitiavana mandrakizay
tsy fitia adalana
fa fitia tena mafana
Omeko izay hananako
mba hahatokisanao ny fitiavako
fa raha toa ka mbola tsy ampy
dia andao hifanampy
Amin'izay miamafy
ilay fitia tsy mba miafy
ny fitiavako anao
dia fitia tena vaovao
Tsy sanatria noterena
fa tena vokatry ny ten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/raha-mety-ianao-anio | Raha mety ianao anio! | ny eja | Raha mety ianao anio! *
Raha mety ianao anio ,
Hisokatra ny lanitra !
Izay rivotra tadio
miserana manakona
ilay masoandronao ,
Ho divy tsy ho tazana.
Fa ilay tontolonao
Feno hasambarana.
Raha mety ianao anio
Ho kanto ho re foana
Tsy hisy fahataperany,
fa mandava taona
ny hiran’ireo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fanilo/kirisimasy | kirisimasy | fanilo | kirisimasy izao
no tonga falifaly ny
kolonga kirisimasy
malagasy fizarana
mofo gasy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/elanelan-tany | Elanelan-tany | SANDRATRA | Raha ho avy ilay andro iray any aoriana any
izay tsy maintsy hifandaozantsika
dia tsarovy hatrany hatrany
ireo voady rehetra efa vita
Ny elanelan-tany ve!
tsy hampiova ny fitiavako
ka na aiza na aiza aleha
dia hitia anao foana rahavako
Koa matokia ahy ianao ry tiako
fa ianao no efa nofidiako
ka na akaiky na a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/niandry-1 | niandry | Jeankely Razafimamonjy | Niandry irery teo aho
Niandry ilay fotoana
Izay nifanarahana
Niandry teo ihany aho
Hianao tsy tonga foana
Fa variana taiza angaha?
No tsy nanantona ahy
Izaho sasa-niandry
Fa angaha be raharaha?
Sa tsy mba sahisahy
Izaho dia efa vonona
Ny handray anao
Hianao tsy hita indray
Sa efa lasan'olona
Ilay fitiavan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ndrena2005/vetsompo | VETSOMPO | ndrena2005 | VETSOMPO
Lasa ny fisainako
Manotany tena
Fa iza loatra ianao
R'ilay namabo ny fitiavako
Namana tena namana
Mihoatra lavitra aza
Ahy ianao r'ilay malalako
Ary izaho anao hatrany
NY foko manantena
NY hiray aminao
fa lasa ny fisainako
hatraiza moa izany
Faniriako akia
Ny hiaraka aminao
Handeha hampiray fiti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/ezaka-foana | EZAKA FOANA | HASINIONY | EZAKA FOANA
(hirain'ny Groupes NUGAX)
Niezaka foana aho, nanao izay azo atao
Mba hanaporofoiko fa tiako ianao
Nefa indrisy fa toa very maina
Ilay mazava nitsilo mba nandrandraina
Avonavona sy latsa no nasetrinao izany
Nandratra ity foko ka nampitomany
Atao ahoana moa raha izay no fantatrao
Fa mety hahatsara ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/fitia-niova-loko-1 | Fitia niova loko | ny eja | Raha toa ka niova loko,
nanjary antra sisa
ilay fitiavanao,
hionona ny foko
miangavy aho avelao.
Dia avelao hangina
hamafa ny alaheloko,
hanjombona sy gina
ilay masoandro keliko.
Raha fombafomba sisa
tsy vokatry ny fo,
ilay fiarahantsika
izay manga teo aloha.
Dia avelao hisaona
ny anaranao aho ry aiko
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/fitia-niova-loko | Fitia niova loko | ny eja | Raha toa ka niova loko,
nanjary antra sisa
ilay fitiavanao,
hionona ny foko
miangavy aho avelao.
Dia avelao hangina
hamafa ny alaheloko,
manjombona sy ho gina
ilay masoandro keliko.
Raha fombafomba sisa
tsy vokatry ny fo,
ilay fiarahantsika
izay manga teo aloha.
Dia avelao hisaona
ny anaranao aho ry ai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/poezia-malahelo | Poezia malahelo | Jeankely Razafimamonjy | Teto an-tany
aho nandeha,
Nirihariha
Nitandrozotra,
Nitady:
Hafaliana
Haravona,
hasambarana,
Fiadanana.
Ireo sarobidy
indrindra amin'
izao tontolo izao
Maro mpitady
sy mpikaroka.
Nihanika vohitra
Nandia lohasaha
Niatrika fahavalo,
Nanohy ny dia.
Niroso ihany aho
Namakivaky ny alam-
java-poan'ny tany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/tia-3 | TIA | ranaivoharijaona rado liantsoa | Azafady indrindra
Ry tiana sombinianina
Tsy ianao rano velona
Mpanafaka hetaheta
Tsy ianao no ilay maraina
Andrandraina lava
Fa misy ny mazava
Fotsiny aza angamba
Ny azonao omena
Sorisorintsaina
Sy tebiteby lava
Tsy ianao no zaridaina
Mpanainga ny fanahy
Hiritso kalo fifalina
Koa azafady indrindra
Ry tia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/noelintsika-anio | NOELINTSIKA ANIO | raozigasy | Ity noelintsika anio
Mba tena Noely ve moa io ?
Sa noely voatokana
Ho an’ny sasany manokana ?
Sa noely vangavanga
Ka manavaka saranga ?
Sa noely toa lanonana
Ka mampisaraka vovonana ?
Sa noelinao kristianina
Fa tsy an’ny tsy mihinan-kanina ?
Sa noelin’izay misy atao
Fa tsy an’izao tontolo izao ?
Sa noelin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/honjohonjoko | Honjohonjoko... | randria | ... ka dia tsy nahasoratra aho raha tsy taraina.
tsy nahatsiaro raha tsy hirifiry!
ny feom-baliha nandao ny sofiko,
moa ny nofy mihiratra mbola tsy fantatro...
na haiko ihany saingy tsy tsikaritro .
lay voninkazo manim-pofona.
fitondrako oroka maraina,
nanintsan-dravina avokoa .
dada tsy hita hizaran-talaho,
n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/nofy-ratsy | nofy ratsy | Jeankely Razafimamonjy | aza miverina intsony
Fa mahatonga ahiahy
Aza miverina intsony
Avelao ho ahy ny ahy
Alina mampatahotra
Aza miverina intsony
saika hisintona ny aina
Aza miverina intsony
Efa naka anjara sahaza
Aza miverina intsony
Fa mampatahotra ny zaza
Any alina iny
Matahotra ny olona
Aza miverina intsony
Ilay alina kely ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/izay-mba-fantatro-aminao | Izay mba fantatro aminao... | Ny Kanto | Izay mba fantatro aminao...
Moa ho haiko ve ry Tompo ny hilaza
Ny halalin'ny Fitiavanao
Mba sokafy ireo molotro hanambara
Izay mba fantatro aminao
Fa nisy memy afo, fitsapana nahamay
Am-pototry ny ankaso ... niantso anao ry Ray
Dia indro ianao fa tamy, tsy namela anay ho irery
Nijoro teo anila, namerin-tsiky ve... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kally-ikala/ny | ny | Kally (Ikala) | ny
ny problème amin'i fiainako;
Dia aminao no hitarainako
Koa hilazako oe je t'aime
Navalinao oe moi de mème
Tsy vazivazy na lalao
Ny fiarahako aminao
Fa refa tiako dia tena tiako fantatrao ny faniriako |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiloko-mahadiny/tsy-ho-rava | Tsy ho rava... | TSILOKO Mahadiny | Tsy ho rava...
Tsy ny andro indray nizotra noseranam-pahoriana
Na ny ranomason-tsento napatrapatra-pijaliana
No mikiry hampisaona hampanjombona rahavako
Fa tsaroako toa tsy feno 'zany fatran'ny fitiavako
Tsy ny diavolantsika teo amorom-piheverana
No efa latsaka sy diso ka nidifian'ny fanaperana
Tsy izany saingy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/tantera-paniriana | Tantera-paniriana | Ny Kanto | Tantera-paniriana
Efa an-taona maro no niandrasana
Volana, herinandro ... naniriana
Nisaintsaina a-nofy koa ... ireny rehetra rehetra ireny
Nahitako anao sahady nampofoin'i Neny
Raha nisaiko irony andro efa lasa
Minitra maro nitiavako, nikasa
Isan'ora dia voarendrika ao an-tsaina
Ny fanantenako anao ry Sombinai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/iny-fitiavana-iny | Iny fitiavana iny | Jeankely Razafimamonjy | Fa mba avy aiza
angaha izato hianao?
Ry ilay fitiavana?
No toa tonga,am-
pidolana,mirana,
Mirana tahakan'
ilay tovovaviko,izay
ravoravo raha faly
rehefa malahelo
kosa mahonena.
Entiko erý an-
jaridain'ny sahako
Hioty ny raozin'izato
foko amin-kery
Hery tsy mba fatam-
pihaviana na aleha,
fa manosika,misi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabemanantsoa-toavina-na-i-tsoa/fitia-tsy-mifamaly | Fitia tsy mifamaly | Rabemanantsoa toavina na i ...tsoa | fitia tsy mifamaly
Tsapako ny lesoka
fa fitia tsy nifamaly,
Ka nanokatra ny fery
sy ny ketoky ny jaly.
Na izany aza anefa
aza mandositra milefa
fa fahasoavana mirotsaka
ny fitiavana atobaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/ra-mpihenjy | Ra-Mpihenjy | Ranoala | Kinivy, rara-kivy ,marikivy
ny tenanay tato ho ato izay
Kinetraka, tafapetraka, nangoretaka
toa voadoron'ny afo mahamay
voatsinipaky ny daka
ka toratorana tery
fa dia gaga nivanaka
fa navilivilin'ny fitia
Ilay akoho izay nopiana
nolazaina fa taman-trano
toa nahita izay niriny (...?)
nanenjika akanga
Akanga ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iony/manina-5 | Manina..! | Iony | Manina...!
Any ho any
lavitra any
Tsy eto anilako
ilay silako
Fa izaho
manirery
Mitalaho
Tsy ampy hery
Malahelo
mitomany
Mamelovelo
Tsy hita ihany
Sasa-miandry
ilay tiana
Tsy tafandry
fa mangina! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dodanina/voady-2 | Voady | dodanina | VOADY
Eken’ny fo sy ny saiko
Ny anolorako ny aiko
Ho vady mandra-maty
koa,
Havaoziko eto anio ny fitiavako anao
Fitiavana madio , soa sy vaovao
Ny andro sisa rehetra , iarahana mamindra
Ilay fitia izay tafatoetra, tsy afaka mifindra
Havaoziko ry tiako ny toky izay nomeko
Ianao no fifaliako, ianao no fandresek... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iony/mahereza-1 | Mahereza! | Iony | Mahereza!
Marina fa vitanao ny tsy mendrika
Aza sainina intsony izany fa izao
Mbola misy hantenaina tsy haharendrika
Dia ny Tompo no antsoy f'Izy tsy mandao
Aretina efa misy tsy azonao sakanana
Vokatry ny filàna tsy ampy fiheverana
Sazy henjana tsy hahitam-panàfana
Nefa aza kivy fa Izy tsy miserana
Ny lasa had... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iony/hotsaroanay-foana | Hotsaroanay foana! | Iony | Hotsaroanay foana!
Tantaram-piainana saro-bonoina
Vongam-pitiavana tsy azo soloina
Ireny soa ireny tsy avelanay ho lò
Fa reharehanay 'lay Neny faharoa
'Reo anatra nataony,bedibedy kely
Nanampy anay izany ho tonga ho modely
Ny andro rehetra niarahana hatrizay
Fotoana nandalo nefa tsy hohadinonay
Maro ihany koa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iony/tsy-fety-fotsiny-ihany-ny-noely | tsy fety fotsiny ihany ny NOELY | Iony | Tsy fety fotsiny ihany
Ny noely 'zay mandalo
Tsy fety fotsiny ihany
Hanolorana ny kalo
Fa hanavotana ny tany
Nahoana no mifaly
Izato ianao ry olon'iny?
Any ho any 'reo mijaly
Hivavaho ny fiafiny
Fotona mendrika izao
Aza ilaozanao matory
Mbola be 'reo namanao
No mahantra sady ory
Mila anao hampitraka
Hampa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herytsimitovy/ny-zavatra-nisy | ny zavatra nisy | herytsimitovy | Ny zavatra nisy
tsy ho hay
adinoina
fa voatnan'ny fo
tsy maintsy
ho henoina
sarotra anefa
ny tsy hitadidy
ireo zava niseho
natao sarobidy
ny fanadinoina?
sarotra zany
izay no maha fiainana
ny eto an-tany
Tia aho androany
rahampitso tsy hay
fa NY ZAVATRA NISY
tsy ho adinoko
mandrak'izay |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zo-rado-herizo/noelinilay-mpanasa-lamba | Noelin'ilay mpanasa lamba | Ny zo Rado Herizo | Noelim-pifaliana
Noelim-pihobiana
izay no nantenaina
izay no tao an-tsainy
ary tena nandrandrainy
dia niezak' izy niasa
nipasoka, nanasa
mba hisy ambim-bava
ankoatran'ny sakafo noheveriny ho sahaza
dia tonga ary ny Noely
fa saingy tsy hafakely
fa toy ny isan'andro
zara raha mahandro
Mitohy koa ny asa
mipa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nomena/ry-malagasy | Ry Malagasy | nomena | Ry Malagasy
Tomany, kiakiaka, hanoanana
no heno raha vao resahina
ity tanànan'ny Malagasy
tena mampangasiasy
Fahantrana mibahan-toerana
Ny alahelo be miserana
Fanontaniana no mipetraka
Hadalana sa hetraketraka?
Mila tonga saina isika
na matsatso na masiaka
ity fiainana ity
koa diniho àry ity
Ahoreno ny haz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/gasitiako/tonga-indray | tonga indray | gasitiako | tonga indray
lay andro iray
zay mampivadi-po sy mamaky loha
ka mampifoha ireo tsiahy
ho ahy sy ny fianakaviana
miaina anaty hakiviana
hiatrika indray
satria tonga indray
lay andro iray
andro tena mety ho an\'ny olona
satria fety ka efa samy vonombonona
@ lafiny rehetra
@ fandaniana tsy voafetra
ny ahy kosa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iony/tia-tsotrizao | Tia tsotr\'izao | Iony | Tia tsotr\'izao
Eny,ny fitia tena izy
Lazaiko anao tsy ankifidy
'Zay bitsihin'io fo io
Henoy tsara tadidio
Ny tian-kambara dia izao
Hosoratako ho fantatrao
Fa ny fitiavana tena marina
Manampy ny tiana ho tafarina
Ndrao ary fitia sotasota
Fadio fa fositry ny ota
Raha harena no enti-mitia
Hanenenana rehefa a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/mbola-hafa-ihany-ilay-fitiavanao | Mbola hafa ihany ilay fitiavanao! | Fiaritiana | Betsaka ny fandrika
Maro koa ny sakana
Fa tsy nahona izany
Notohizana ny lalana
Ka nandeha teny foana
Ireo jamban ny fitia
Samy mody narenina
Tsy nambara fa nafenina
Betsaka ny olona
Feno hatsaram-panahy
Fa mbola ankafiziko
Lavitra kokoa
Ireo toetran ialahy
Maro koa ny tia
Mihoatra noho ireo tiany
Fa ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iony/aza-atao-toy-ny-ahy | Aza atao toy ny ahy...! | Iony | Aza atao toy ny ahy...!
Izaho raha nitia
Diso latsa-paka loatra
Hay ilay fitia
Maherihery tafahoatra
Izaho raha nitia
Diso nanao am-po
Hay ilay fitia
Tsy halalana 'zany soa
Izaho raha nitia
Nanome lanja izany
Hay ilay fitia
Mampirotsaka tomany
Izaho raha nitia
Lasa adaladala kely
Hay ilay fitia
Mampikan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova/ankaikinao | Akaikinao | Lova | Rehefa injay ianao fihiniko hifanatona amin'ny tratrako
Toa tampina ny vavako, toa sitrana ny ratrako
Fahanginana tanteraka no lasa setriny tsy fidiny.
Fa ny saina sy eritreritra, lasana tsy mety midina.
Mivetsovetso hasambarana toa hazo feno voa.
Fa fitiavana itambarana tsy mba mana-paharoa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dodanina/misy-2 | misy | dodanina | Misy olona any, , ,
Misy olona any tiako noho ianao
Fa tsy nambarako azy fa misy izany ianao
Fandrao ho tezitra izy ka ho potika ny anay
Ny fitiavako azy mafanafana vay
Ka naleoko tsy niteny sy tsy nanambara
Fa izaho sy ianao manana tantara
Misy olona any tiako noho ianao
Fa aza manontany ny fitiavako anao
F... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.