url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kally-ikala/ny-foko-4
NY FOKO
Kally (Ikala)
Ny foko,toa matory Irina tsy hifoha intsony Mba tsy hikomy Nofefena tao amin'ny tery Ka nitroatra tamin-kery Naratra ka nitera-pery Nofofohana tamin'ny vato Nodorana tamin'ny afo Rotidrotika malazo Norarana tsy hivazo Kanefa ny foko mbola mitempo Na dia ao anaty sentosento Niaritra fijaliana nampahia Satri...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vale/anjara-ve
ANJARA VE?
VALE
Indraindray miezaka manamboatra saina Tsy mety fa tonga foana lay hirifiry Indraindray manao izay mba hampifaly Fa eo foana ilay ngidy sy ilay jaly Tsara ve ny miaina? Mitady izay mba vahaolana ialàna Fa tsy mety tsy afa-miala Diso tafahoatra ve lay fandeferana? sa ny hetraketrakao no efa tsy manam-perana? Tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova/tsy-nampoiziko-1
Diso fitiavana!
Lova
Tsy nipaka tao antsaiko, satria ianao toa mbola zaza Tsy nipaka tao antsaiko na dia toa mba satriko aza. Ny takolakao mitsiky, mahafinaritra aoka izany Fa ny masonao mijery, nisakana ahy tsy haminany. Tia anao mangina aho fa niniako notakonana Nilefitra aho, nanaja tena, nanahy aho sao hisy olana (...). Taona mar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vale/lavitra-anareo
LAVITRA ANAREO
VALE
Any am-pita lavitra any Tsy hita maso fa ao am-po no tsaroana Ianareo lay nahitana masoandro Malahelo ty zanaka mitomany Any am-pita lavitra any Mahatsiaro irery toa mangina Fa mafy loatra ny manjo Ianareo tsy eo hamafa ny tomany Any am-pita lavitra any Tsy hita izay atao Maro loatra ireo mpampijaly Raha mba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova/manahy-aho
Manahy !
Lova
Ireo masonao mijery, mibanjina ahy malefaka, Ngarangara toa kanety, mivolombatolalaka. Manganohanom-pifaliana, toa miantso, toa miresaka Nahitako ny tandindoko, toa vonona hifanaraka. Ireo tsiky miramirana, toa volantsinan-kateloana. Nampitranga ireto nify, rarivaton-janahary, Nampitony ny fanahy, nampitsiky ire...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova/halatra-1
Halatra
Lova
Ô ry voankazo mamiko, maniry anaty sahan'olona Mitsiriritra anao ny foko, mitia anao tsy mety mionona Ny hanitrao manentoento, rehefa injay tondrahin'erika Mihantsihantsy anay mpandalo, ka fady anay ny tsy hiherika. Ô ry voankazo mamiko, nefa hazo misy tompony Tiako hafindra any amiko, hongotako hatrany ampotony ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/tsy-hoe-1
Tsy hoe ...
oceane
Tsy hoe tsy tia intsony na tofoka sy lao Fa mila fandinihina Tsy hoe hiala aminao na koa hifindra lasy Fa toa misalasala Tsy hoe ianao no ratsy na koa hoe mankaleo Fa aleo aho mba hisintaka Handinika izay mety hibanjina ny ho avy Raha mbola mety ihany Hiala vetivety sao izay no fanafody Hamerina ireo lasa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vale/esory-re-ry-ray
ESORY RE RY RAY
VALE
Esory re ry ray Ny hetraketraky ny tany Atanjaho , ampaherezo Izay ory sy tomany! Fa maninona no miangatra! Ity fiainana eto an-tany? Fa maninona no matanjaka Ireo mpanao zay tsy manjary? Esory re ry ray! Toa izay miezaka hahitsy Tsy mahita rariny mazàna Fa ireo maditra tsy mitsitsy mampijaly tsy miambahamb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iony/anjarany-angamba
Anjarany angamba!
Iony
Anjarany angamba! Tsapanao ve ny hakiviany Am'izato fihafiny? Fahorian'izay tafiany fiainana tsy hidifiany Fantatrao ve ny hanoanany Am'izato fahasahiranany? Harerahana 'zay zakainy Nefa ariary no ilainy Renao ve ny hatsikany Am'zato mba bikany? Voron-damba iakanjony Tsy ambany tsy ambony Henonao ny redire...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova/sambatra-3
Sambatra
Lova
Rehefa injay aho fihininao, Na hiboridana ny vatako ato anatin' ny ririnina Na tokony hihovitry ny hatsiaka, raha fihininao aho tsy haninona Tiako ho fantatrao fa mamiko, izany hoe fihininao Fa misy izay ampy ahy, ao anaty sandrinao... Rehefa injay aho fihininao, Toa hadinoko ny ratra izay nanafika ny fiainako T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova/izaho-koa
Izaho koa ...
Lova
Tsy nipaka tao antsainy, fa nisy zaza tena tia Nisangisangy tanoloany, nampianariny nandihy, Tsy nipaka tao antsainy, f'ilay mpisavika ny sorony Mitia azy mangingina, nitsiriritra ireny molony Tsy nipaka tao antsainy, fa nisy fo nidobodoboka Nilongolongo tanoloany, nefa tao anaty roboka Tsy nipaka tao antsainy, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vale/fitia-adala
FITIA ADALA
VALE
Mafy loatra ka tsy tana Ilay fihetsem-po tao anaty Babonao ty fo mazàna Ka mirediredy toa adala Misy hery mampiaiky Tsy voatohitra avy any aminao Na dia maneso ny tenako aza aho Ny foko tsy manaiky Fa izay mobamomba anao rehetra Fahasarikàna, sy talenta Nandavo ny fitiavako Na dia fantatro fa adala aza aho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/mirary-krismasy-sambatra
MIRARY KRISMASY SAMBATRA
HASINIONY
Moa ry zandry fantatrao: Fa ny lanitra hono anio Hitondra zava-baovao Sy fifaliana iray madio! Ahoana hoe ry zoky tiana! Hamangy antsika hoe ny lanitra, Sa hitondra fifaliana Ho an'i zanak'Andriamanitra? Inona ary no hatao Mba handraisantsika izany Andeha hiankanjo vaovao Sy handio ny tokontany Ary ny sakaf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/dia-mety-ho-adino-ve-dia-iza-no-hanadino
Dia mety ho adino ve? dia iza no hanadino........?
Fiaritiana
Dia mety ho adino ve? Ireny lasantsika ireny Lasa izay nandratra Namela ireny fery Ny lasa nampihomehy Toa nampiteny irery Dia mety ho adino ve? Ka tsy ho tsaroana intsony Izy ilay tia ahy Nanolotra ny fony Moa ve ho voafafa? Nefa efa lalim-paka Tsy hay fongarina intsony Dia mety ho adino ve? Ny tsiky iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/ny-hoavy
NY HOAVY
SANDRATRA
Ny ho avy no anambara raha toa ka tena anjara hany tiako sady mamiko ka satriko ery hiara-dalana amiko Ny ho avy no handidy fa izahay tsy tompon-tsafidy ka porofo mivaingana avokoa ireo sedra taloha Ry ho avy mba lazao izay ho avy ao aoriana ao ambarao dieny izao raha tsy ho ahy ianao Ny ho avy no ndeha haf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/tsy-haiko-aloha-aho-raha-diso
Tsy haiko aloha aho raha diso!!
Fiaritiana
Tsy nampiraika anao intsony ve? Ny fitiavako anao Amin izao fotoana izao Toa lasa mangatsiaka Tsy nampitsiriritra Toy ilay taloha ireny Tsy haiko aloha ny antony Mbola tsy hita ny votoatiny Fa tsapako ato anaty Efa mitady tsy ho tanty Fa marary hiafiana ihany Ka aleo aloha manontany Efa ataoko ny azo atao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/fahafatesana
fahafatesana
Jeankely Razafimamonjy
Tonga ianao. Tonga am-pahanginana, Amin-kery tsy voafetra. Tonga ianao. Mandondona am- baravarana Tsy milaza na, hiroso na hihemotra Tonga ianao. Tsy manao filazana fa mamely avy hatrany. Tonga ianao. Hitondra fanambinana va? Tsia!fahoriana Tonga ianao. Haka ny velona, Ho anao tsy misy fetra Tonga iana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/noely-1
Noely
Joh
Andro iray tena sarobidy fa ho tantaraiko anao Andro famonjena ny olona rehetra indrindra izaho sy ianao Matin'ota mantsy izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy Ka tsy misy famonjena azo antenaina hanasitrana ny taniny Izay no nahatonga ny andro ny noely Teo no nihavian'i Jesosy ho zazakely Izy no voatendry han...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/tsy-hiady
Tsy hiady
Mandefitra
Tsy hiady Aza tanisaina akory irony lasa zay nandratra fa ny ho avy no banjino ny hetraketraky ny tany, ny tolona tsy omby tratra ny eo antanana fihino Aza atao mandratra fo ny alahelo zay niserana, irony alokadintsika. Fa ny ampitso mbola ho soa, ny fifaliana ko tsy ferana ny vita : sary indray mipika Tsy anj...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/ho-anao-2
Ho anao
Jeankely Razafimamonjy
mbola zaza ianao fahiny, Fony izaho nitia anao zaza ianao tsy omena tsiny Tsy mba nisy azo atao. Adala angaha' zaho sa? sendra diso fiantefa? Toa fitia sahisahy, Ahy ihany iny anefa. Nitia anao aho Taloha ,ela fahizay, Nitia anao aho. Ankehitriny anefa Sendra mahatsiaro Eritreritra no alefa. Fahatsiarovan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/aiza
¿Aiza?
Jeankely Razafimamonjy
Aiza izay entinao ho ahy? Ry fiainana an-tany Nivelona aho ,niharitra Mba ho tia anao. Fitiavana,io no tadiaviko isan'andro,tsy mitsahatra. Ny hatsaram-bikanao, No nahasarika ahy. Ny fidolan'izato famindranao,manaitra Fiainana ianao Manaitra olo-maro Fiainana ianao tsy natao ho ahy. aiza izay mba entinao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/boubounezy/fantsiarovana
Fantsiarovana
boubounezy
Tao ny ratsy, tao koa ny soa Nifamatotra be ny fo Nanantena, nanantena Fa tsy ho rava, fa tsy ho rava Kanjo nenina no nitranga Raha matsiaro ilay andro Ilay andro fahizay aho Dia enao lay nitsiky Lay nitsiky tamiko Voalohany ka mamiko Zaho sy ianao, niova fo Fa ny hasomparana re no toa Ka nandrav ny antsika...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/boubounezy/ondry-nania
Ondry nania
boubounezy
Ray ô! Tonga aho Hifona Aminao, fa nandao Anao Fanratro, fa tsy mendrika aho, na dé hoe: ho zanakao Olombelona iany ka solafaka, nanda ny Anatrao Ka miangavy aho, antandro, fa nanohatoa Tompo ô! Mangataka Aminao, Fa tsy nety ny natao, k'ankehitriny aho, Mahatsampa fa tsy tsara izao tontolo izao, Fa fiainana tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/ianao-7
IANAO
ranaivoharijaona rado liantsoa
Matoa ianao no tiako Sy efa nandaniako Ny rehetra tato am-poko Tsy noho ianao bikana Kanto mahafinaritra Niangaran Andriamanitra Tsy noho ianao akory Mpanala sorisory Alohan'ny hatory (na ny hafa tsy hay ambara) Fa noho ianao fanahy Niombonako tsy nahy Teny an-dalana nombana Matoa ianao no tiko Dia noho i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanoratra/indrisy-ry-malala
Indrisy ry malala
Izaho kay tsy nahalala Hoe ianao tsy tia akory Ianao mody niantsoantso"malala" Kanefa dia toa nanorisory Nanorisory anao ny niantso izany Izaho nientan-kafaliana Nihaino tamim-pitsikiana Ny fomba fiantsoanao ahy Ka nahatonga ahy ho sahisahy Tsy ho menatra anao intsony Kinanjo nony nisy ny fotoana Niadivantsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/boubounezy/mariazy-1
Mariazy
boubounezy
Tonga ilay andro Zay andaozanao lay ray sy reninao Tsy misy azonay atao Afa tsy ny mitsodrano anao Enga anie ianareo Mba hifankatia sy aharitra doria Andao hofaly, andao andihy Fa nahazo tonkatrano ny ankizy Ka samia mankafia Sy hanotrona azny reo, ary koa ampahery Tonga indray lay andro Zay andaozanao lay r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/ilay-sary
Ilay sary
SANDRATRA
Ilay sarinao irery no hany mba fijery ary koa mampahery rehefa irery Alahelo sy tomany no mibahana ato an-tsaiko tsy mankaiza anefa izany fa efa nozakaiko Dia ilay sary tokoa mantsy sisa no entina mamisavisa ilay fiarahan-tsika roa e! fahatsiarovana sisa ireo taloha any tokoa any,any lavitra tsy eto akaiky...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotonizao-tendronjarasoa-miliarosanda/ray-aman-dreniko
Ray aman-dReniko
RAKOTONIZAO Tendronjarasoa Miliarosanda
Ireo ilay fitiavana nitsiry hatrizay Ka lasa ho tendron'ny fiainanay Tiako androany ka ho mandrakizay Mba haram-penitra ny tokantranonay
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/lasa-ianao-iny
Lasa ianao iny!!
Fiaritiana
Tsy maintsy misy fiafarany Izao fiainantsika izao Satria eto ianao androany Rahampitso ianao handao Handao ka lavitra ahy Handao tsy ho hita intsony Asa any andro iray, Raha mbola hifanjohy Ka ho mpinamana indray Lasa ianao iny.... Ny anay ny sary no jerena Ilay fiarahana fahiny Nanjary toa nampahonena Ver...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vasiana/mandrakizay-1
mandrakizay
vasiana
ny andro nivalona no antsoina hoe lasa; na hodian-tsy hita sy tsy tsaroana mametraka anio ireo nokinasa; "tsy hofehezin'ny erana sy ny fotoana" ireo voady natao ka tsy tanteraka; tsy mahadiso fa mah'olombelona; ka tsy hahatofoka na hahaketraka. FA manosika antsika indray hiherika; na fahavaratra na andro merik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/boubounezy/fihavanana-hypocrite
Fihavanana "HYPOCRITE"
boubounezy
Izaho sy ianao dia tena mpinamana Tsy misy otrizany ilay fiavanana Nefa hay fiavanana ra misy patsa Ka refa tonga ny tokoa, dia voarahan-datsa Raha tena tena fiavanana marina Aoka re mba tsy hosoparana Eo imasoko mampandry saina Fa any ambadika feno taraina Na dia teo ny disadisa Na koa ny milakisa Eo imasoko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aladin/andao-hisaraka
andao hisaraka
aladin
Andao hisaraka Mapanoratra:Ntsoa Rehefa vita ve izay nilaina Navela 'lay fitia natao ho maina Toa ravina nihinana,zavatra matsatso Aiza lay angola pitia milantolanto Tadidinao lay hoe "tiako iano,tiako ianao, Foana hatreo toa fasana sy lao Ka naleonao ny nadao, nefa ity foko efa babona. Dia vitanao,izay nata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kally-ikala/ilay-fitiavako
Ilay fitiavako
Kally (Ikala)
Ny fitiavako anao dia, Dia ao ampoko ao Izay efa nokasaiky hatsiny ela De hoanao hirery Ilay fitiavana notedaviko Erany izao tontolo izao Mba hiadananao, Satsia tiako ianao!! Ny foko ny saiko Ny fiainako dia Efa nafoiko avokoa Hoanao hirery ihany! Ka raiso re mba Ho eo anilanao Mba hiadana, Tahaka ny an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kally-ikala/rafitiavana
rafitiavana
Kally (Ikala)
Tsy hary votanisa, ereo olona analinkisa voadonan-dRafitiavana Ka hoy aho hoe: angaha sarotra takarina? Rafitiavana no namely Ajanony aloha,mitonia kely Fa aza avela ny fo hisaindoatra fa saino aloha sao maika maratra Rafitiavana tsy ho lany Fa tsy maintsy ho avy izy indray andro any, Andondona ny ao anatinao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiko/aoka-izy-hivavaka
...aoka izy hivavaka
Tsikiko
raha ny ho avy nandraindraina no mitopy fangidina ka ny ampitso nolalaina misaritsary fahakivina dia ho aiza intsony moa ? handroso tsy afa-miemotra valabalaka ny fo ! ny fisento toa manempotra raha ny tsiky izay notiavina lasa eso sesehena ka ny teny nankatoavina tonga latsa mahonena dia akory moa atao, hiantso ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ryana/namako-any-ho-any
Namako any ho any
Ryana
NAMAKO ANY HO ANY Tsy fantatro ianao hoe iza, na ny misy anao hoe aiza; Tsy fantatrao ny amiko : avy taiza aho ka ho aiza; Fa dia finaritra isika miserasera eto, Mifampizara tsiky, mifampizara sento! Tsy takatro fantarina izay tadiavinao, Tsy fantatrao marina ny tena anatiko ao, isika dia miresaka, midinika, mit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/ny-hafany
Ny hafany
Jeankely Razafimamonjy
Ry mpamaky ahy; Aza mba misalasala, Fa matoa ireo nanoratra ahy Hanamboarana ny saina. Tsy fireharehana sanatria! Fa mamboraka fitia Ireo izay vita atao ohatra. Tsy natao hifaninana, Raha maneho ny ao am-po Tsy hiderana fananana, fa hizarana zava-tsoa. Ry mpamaky malala; Anao ny asa izay natao Koa aza mba ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/faingana
Faingana
SANDRATRA
Toa mbola tsaroko foana ankehitriny ilay tantarantsika roa fahiny ka na efa ela aza no tsy hitako dia ny hanadino anao tsy vitako efa ela tokoa isika no tsy nihaona nefa ny fitiavako mbola anao foana Any ianao,any an-tany lavitra any asa raha mba mahatsiaro ahy ihany fa izaho efa torovana hitambesaran'ireo fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/rabainina-bekibo
Rabainina bekibo
Andrimaranitra
Miroradroraka aok\'izany ny tavin-drabainina Mitosatosaka mandrosoroso ny kibony mibontsina tsy mba oainina Ny lanjany tsy mampino 150 kilao Ny tavy laniny koa farafaharatsiny 1 sy sasany kilao Fa ny loza rehefa mierotra izy amin'ny alina Makavoky ny torimaso ianao andro aman'alina Mihozona daholo ny vatan'ilay f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/tsy-avelako-kosa-anefa
Tsy avelako kosa anefa....
Fiaritiana
Avelako ho lasan iny ranomasina iny Ny lasako rehetra Fa efa vonona aho Ny hamadika azy ireny Toy ny bainga tany Odian tsy hita izany Avelako ho tobasan Iny onja iny Ny ratrako sy fery Fa efa ela izay niafiako Ela no nitomaniako Tsy avela intsony hiangona Toy ny lesona tsy hay Ka hanjary lasa vay.. Fa... ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiko/tandrifin-drahona
tandrifin-drahona
Tsikiko
Misomambisamby izany fara-vody lanitro manerika ihany koa ! Ny rivotra mitsoka mandidona ny akaniko manetsika ny fo Misy rahona iny koa mitady hanakona masoandro manamaloka avy hatrany Toa hitondra ranon'orana hanondraka andro atoandro mampangovitra izy izany ! Dia iny ihany koa, fa tsy mahalala menatra sahisa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/mpanjono-fitia
Mpanjono fitia
Andrimaranitra
Vao 13 taona Izandry Dia efa be mpitsitsiriritra fa kely be sandry
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/fitiavana-mahery
Fitiavana mahery
SANDRATRA
Miredareda tsy mety maty ilay fitiavana ka mandoro ny anaty eny e! tena mila tsy ho tanty nefa tsy maintsy miafy na dia efa hahafaty Atao ahoana tokoa moa ny hanadino ireo taloha ireo fiarahantsika roa. Toa sarotra ho ahy ny hikosoka izany ato am-po ka ny vita dia mipetra ho tantara na ny ratsy izany na ny ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/nofy-moderina
Nofy moderina
Andrimaranitra
Antananarivo : setroka mandrakotra ny lanitra mandrivorivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/ny-fitiavana-3
Ny Fitiavana
ny eja
Dia misy ny fitiavana toa mirentirenty, manaitra toy ny varatra mandalo vetivety satria tsy misy akony mba matotra any aoriana ka ireo sendra azy, nanjahatra ary sina! Dia misy ny fitiavana miafina mangina kanefa dia tomaratra na dia ampiafiana ireo mpiventy azy , toa malahelohelo miezaka milozo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiko/lahin-jiro-manentona
lahin-jiro manentona !
Tsikiko
Endrey ! toa hatraiza ny taratrao mazava ! Mitsilo hatrany am-po, ny aizim-pito te hisava ! Ny ahy kosa…toa tsy izany…fa zary miefonefona Tsy mazava fa indrisy ! lahin-jiro manentona ! Endrey ! toa hatraiza ny hanitrao mamiratra ! Ny felanao balika, mampitsiky, mampihiratra ! Ny ahy kosa…tsy mba izany…eh ! mampih...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/tsiky-2
Tsiky
Jeankely Razafimamonjy
Ny tsiky ny ahy no sabatro Ary hafaliana no ampingako, Haravoana no fanevako, Hasambarana no tarigetrako. (a Elisabet de M)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nali/zo
----ZO----
Nali
---NY ZO--- Teny tsotra sady fohy fa litera roa monja Nefa teny manankasina sy hevitra mafonja Dia ny Zo ilay fananana iombonana eto an-tany Nefa zary hifanavahana ho AMBONY sy AMBANY Dia ny ZO ananao dia ny Zony sy ny ahy Ilay Zo ananantsika toy ny ananana fanahy Ny Zo ilay fanana iombonanaeto an-tany N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/vavaka-9
Vavaka
Fiaritiana
Aza adinonao ny vavaka Ry malala, tiako izany Fa na tafita na solafaka Ka na tezitra na faly Aza atao ambanin javatra Tsarovinao ny Zanahary Malahelo ianao androany Fombam piainana izany Aza kivy , mahereza Io fijalianao io tsy hateza Fa mandalo fotsiny ihany Isaory izy ka derao Ny amin ny andronao rehetra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramajik/sipa-gasy
Sipa gasy
ramajik
Boubounezy, Akamatiana ry Fasaly, ry Grace na Chrisy, na Tahiana manja hoa ny sipa gasy ao Rrasoa, ao ry Koely Yonikafopl, Vyvy samy sipa manjakely mmm..!mampitsiriritr\'ery! na Hasinag, na Fanaina Haingokely, Miramar sarotr\'amiko ny handainga fa maro sipa i Gasikara Lawrenmino, Winseley ry Fify sy Baozo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/sorakodia
Sorakodia
Andrimaranitra
Ny Sorakodia? Toy ny fiarakodia! Ny fiara mikodia N'aiza n'oviana tany misy fitia Ny sorakodia solon'ny teny Ny teny mandalo ny soratra toy ny reny Mananatra mampiravoravo Mahatafita, manarina ny lavo Sorakodia voalohany Dia penina mandriaka ny lohany Ny sainao no mampandriaka azy Ny fonao mampisosa azy voas...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/lasa-1
LASA
ranaivoharijaona rado liantsoa
Lasa be ny saiko Mijery anao matory Tsy lasa aiza akory Fa lasa manonofy Lay vatanao tsy hitako anaty bodofotsy Ny tanako aza moa Dia lasa hoazy koa Saika andeha handray Io lambanao io SAINGY Toa natahotra aho Ndrao hanaitra anao De niala indray ny tanako naleoko aloha nandefitra Sy nihanona monja Amin'ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kally-ikala/ny-alina-1
Ny alina
Kally (Ikala)
Toa taroako ho nofy ihany! Izao tontolo retra izao; Ho mamikoinona ny tany! Raha tsy teo tokoa ianao? Ny endrikiny zavabohary! Samy zava-poana ihany Ho mamiko toy inona àry Raha ianao no miafina any? Ny taratra masoandro tiako ; Aminao no fahazavany; Ny tara-bolana ifaliko; Ny fenomanana no any; Ka ny alim-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/folo-taona-1
FOLO TAONA
raozigasy
FOLO TAONA Folo taona androany izao, no nandorana anao Folo taona androany koa, no nampiondrika ny loha Fa ilay rova fiandrandra Inona moa no nitranga ??? Hiakiaka, savoritaka Ny tanàna nisaritaka Lel’afo no najemby maso Na teny Anosy na Ankatso Nodoroina Anatirova Ilay harenanao ry Hova May ilay lapan-dR...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/mialona
Mialona
Andrimaranitra
Mialona iny masonao aho Maso tsy mijery ahy akory fa mivily, fy ery ny fahavaloko Baribary misarika azy, vatomamy boribory barika ho azy Mandomando bilandilandina, maha-domadoma azy mandimandina Mialona iny oronao aho Orona bosesiky ny rivotra maro mamelona anao fa tsy mba izaho Marotsadrotsaka malama tahon-draoz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/nosiko
Nosiko ...
Pissoa
Fahiny ... Ianao ry Nosy sarobidy, sady tena nahasondriana Niangaran-janahary, ka dia kanto aok'izany. Ireo hiram-borona sy biby, irony hazo mahaliana, Nidera anao fa tsara rary, nahasarika avy hatrany. Ankehitriny ... Ny tanety may, nodorana, irony ala nolaniana, Ireo karazam-biby indrisy, mihavitsy andro aman'...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/namako-tora-droa
Namako tora-droa
Andrimaranitra
Ny namako tora-droa? Dia ilay namako lalina am-po Fa tsy toy ilay namako tora-telo Fahavaloko hangarihako toy ny avelo Mamolavola ny fiainako Manatevina ny fisainako Manatapoka ny rako mangotraka Manotranotra ahy rehefa trotraka Ny masoko sisihanao mazava Ny oroko tsetsafinao valava Ny sofiko kaloinao arira ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/tiako-raha-ianao
Tiako raha ianao...
Fiaritiana
Tiako raha ianao, No mamihina ny tanako Manilo izato lalako Hatrany am-paradisa Sy izay rehetra tsy hita Tiako raha ianao, No mampianatra ahy mitia Tsy ilay hoe tiako ianao Fa ilay fitiavana maharitra Madio sy mahafinaritra Mateza ho doria Mbola tiako raha ianao, No mibedy sy manoro Rehefa misy ny hadisoan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/ny-tena-hoe-sakaiza
Ny tena hoe sakaiza
Lebota
NY TENA HOE SAKAIZA Efa fantatrao fa ny namana rehetra tsy voatery ho sakaiza avokoa Fa ny tena iantehero hilazana secret dia ataovy iray ihany na raha betsaka dia roa. Ny ahafantaranao azy iavahany amin’ny maro dia ny tsikitsiky atolony, Sy ny teny mba fameriny tena avy ao am-po fa tsy eo atendro-molony. Fa ny te...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/ry-tiako-1
Ry tiako
Mandefitra
Ry tiako Ry tiako matoria, dia aza miahiahy ny foko tena tia natokako ho an' ialahy na tsy eo anilanao, mitempo tsy ankiato zaho tsy hampirafy, mandria ivohon ny vato. Etsy manofisa ny kanto nitosiana, irony paradisa tanilan olontiana zato safosafo, ny oroka tsy tana nirehitra toa afo, nivimbina hafanana Ny bi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/ry-hasambarana-o
Ry Hasambarana o!
Fiaritiana
Ry Hasambarana o! Tsy mba fantatro mihitsy Hoe misy ve ianao sa tsia? Efa akaiky ve sa lavitra Izaho efa sasatra miaritra Tsy misy aloka akory Mba mampiomana ahy hitsena Ilay fahatongavanao Fa dia eto aho mihenahena Miandry ny higadonanao aloha Hatramin izao Ry Hasambarana o! Dia tena ho tonga tokoa ve iana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/aza-avelanao
Aza avelanao!!
Fiaritiana
Nosoratako manokana ho an ilay manana tsingerin-taona atsy ho atsy! Aza avelanao handalo Izao andro fetinao izao Fa andao hihira sy hikalo Izay vazo tianao Aza avelanao hangiana Ny tsingerin-taonanao Fa asaivo tonga ireo izay tiana Hiara-hifaly aminao Aza avelanao hitomany Ity fonao malahelo Fa izaho na lavi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/nofo-iray
Nofo iray
Mandefitra
Nofo iray rehefa faly ianao mirana ny saiko rehefa tony ianao, azoazo ny aiko ny alahelonao, manohina ny foko ny ranomasonao, zaho no mitoloko matory tsara ianao, mandry ny eritreritro salama, milalao; mitombo koa ny heriko ny sentosentonao no zary hakiviako ny hirifirinao manjary fanaviako ny vinavinan' asa i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kinangananga/ha-ha-ha
ha, ha, ha
Kinangananga
Sendra mba niantsena izy mianaka ao an-trano I dada amin’izany somary mamomamo Ito zaza indray no mampianatra ito rainy Fa maro loatra mantsy ny zavatra tsy hainy Ohatra voalohany indrindra tamin’izany Ilay fomba fiarahabana toa tsy hay fa manontany Tsy amim-panajana izay mandalo dia hoe kaiza Zany re ny zaza re...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lebota/ny-vadiko-1
Ny vadiko
Lebota
NY VADIKO Ny vadiko, eny tiako, tiako tsy hay oharina am’zavatra eto an-tany Tiako fotsiny dia ampy, tiako tsisy fetra izany itiavako azy izany. Tiako, tsy hoe tiako fotsiny satria vehivavy ka ilaina, Fa tiako, ilay tia tsy hay faritana, ilay tia tsy hay lazaina. Tiako é! Tsy ohatran’ny hoe tiaviko fa mamy, na hal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ivetso/anatirova
ANATIROVA
Ivetso
Fa nankaiza ho’aho reroy Ilay Akany paradisa No banga azy ny toerana ka entanim-bisavisa Mampirongatra tsiahy ? Fa nankaiza Ilay Lapa ? Sa izaho va no jambena, badenina, miraparapa ? Tsy jambena aho akory. Teo tokoa Anatirova Saingy sompatra e ilay Afo ka indrisy fa niova Ny tontolo izay jinery. Fahatsiarovana no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrimaranitra/tafiotram-pofonaina
Tafiotram-pofon'aina
Andrimaranitra
Inay aho notorotoronina Mari-koditra sahady vao noforonina Irony nofo nitafy irifiry manala Tangena mangidy no namakivaky izany ahitro mazàna Setrasetra tsapako nampandriaka ny lanitr\'ilay nifonosako mafana Tontolo mangana anaty no nihafiako nozakain\'ilay reny malala. Injay aho niporitsaka hoe handositra ilay f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramajik/manjakamiadana
Manjakamiadana
ramajik
Folo taona lasa izay no nanaovana an-kasoparana 'lay hany mba fanananay ny rovan'i Manjakamiadana Tsy fantam-pihaviana akory ireo nandrehitra ny afo f'isika mbola resy tory no efa montsana ny tafo Tsy fantatr'antony hoe nahoana tsy hay valiana koa indrisy fa rindrina efa babangoana no sisa tazana ny ampitso ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naly/fitia-voasedra
FITIA VOASEDRA
Naly
Sendrasendra angamba ‘lay masontsika nifanena sendrasendra ihany koa ny tànantsika nifanatona, dia nihaona ‘zaho sy ianao niresaka nifampitàntana nifamboraka tam-po no nahatonga hifanatona tsy nafeniko anao, zay rehetra tato anatiko, fa naborako daholo, na ny mora na ny sarotra! Dia nitantara koa ianao, ‘z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/rova-voadoro
ROVA VOADORO
Toetra RAJA
ROVA VOADORO Tazano Iry ROVA Voadoro, Tsy angano Fa lova Mikoro ! Banga Ilay toerana Ambony, Imanga No itserana Hitony ! Ny hany Mba sisa Miangana : Tomany Alin-kisa... Fo mangana ! Ilay Tantara Voahosy; May Lafy tsara Ny Nosy ! Na foana Poak'aty Ao, fantaro, Ahoana No maty Ny tsiaro ? Ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanoratra/ilay-namako-nitia-ahy
ilay namako nitia ahy
Sarotra amiko ny manavaka Ny fifandraisantsika re rahavako Hifankatia sa ho mpinamana Inona ary no mba lahatra Efa hoe tsy azo atao Ny miaraka aminao Ilay namana tsy foy Nefa aho tsy namoy Sarotra amiko ny hino Fa izaho no hanadino Ireny vitantsika ireny Tadidiko ombieny ombieny Dina inona ary no azo atao e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso/hanoratra-aho
hanoratra aho!
vetso
hanoratra aho! hanoratra aho hoanao hilazako ny ao am-poko dia ilay fitiavako tsy mandao tsy mety maty tsy miofo hanoratra aho hoanao, mba hizarana ny hafaliana d'ilay faniriko fantatrao hafalian'ny manan-tiana hanoratra aho hoanao eny, ho mandrakizay hiara-dalana hoy ilay soratro, hoanao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/mbola-hiverina
Mbola hiverina
Mandefitra
Mbola hiverina Mitraka!fa ny anio tsy mba ampitso ny patrapatraky ny orana mandrovitra fanitso, mbola hody andro tony, taratr'andro vao maraina Zato ranomaso havozona fa sinarak'olontiana ny sentonao mamantonalina mandry irery eo ampandriana Mbola hivaly tsikitsiky, fitiavana no hiraina Fa ilay tiana lasan-davit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/aza-kivy-ry-tiako
Aza kivy ry tiako!!
Fiaritiana
Matoa aho mijaly sy mihafy ohatr'izao Dia tsy inona fa ny fitiavako anao No mahatonga alahelo sy sento isan'andro Ny tena mahia, ny volo tsy mibango Matoa aho mifaly sy mirana hatrany Dia tsy hafa anefa fa noho ianao ihany Mampitsiky ahy foana, manala sorisory Rehefa injay ory dia mbola ianao no mampitony Matoa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bobone/tiako-ianao-6
TIako ianao
bobone
TIAKO IANAO Tiako ianao hafa kely Manana endrika Anjely Tsy mba tefy maimaika Fa tsara rindra sy miraika Kanto ianao ,meva koa manintona, mambabo fo tsara ianao , lafatra aza nefa tena mbola zaza Tiako ianao , tiako loatra ny foko anaty toa hitroatra tiako tena tiako Ka ekeo ny faniriako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso/vero
vero
vetso
vero o, aiza ianao? vero, valio fa miantso anao vero, te ho eo anilanao vero, mamalia raha sitrakao dia hanontany ianao f'iza moa i vero tsy hafa fa ilay hany mpanafaka alahelo rehefa eo anilany, tsy misaraka amin'ny tsiky sanatria zany alahelo, lasa toy ny tsisy. vero, ilay be fandeferana vero, ilay mandravak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ho-eo-anilanao
HO EO ANILANAO
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Indray andro any Ho hisy sombinaiko, ary ho hampihantaiko hiangoty tahaka anao Handimby ny talentako haneho ny tantarako hisolo izany tenako ho eo anilanao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafindratsima-ndremahery/ny-eto-tsy-ho-any
Ny Eto tsy ho Any
razafindratsima ndremahery
Ny Eto tsy ho Any Lasa ambiroa indray ianao androany Ka tianao hitsangana eo.... Hajoro hivaingana eto ny tontolonao avy any Ny eto anefa tsy any, fa samy hafa volon-tany Saingy androany ianao nirifatra... lasana any... Ary fantatrao ombieny.... fa izany ihany No nahatonga ilay tomany... Dia ilay ranomaso hamp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/noho-ny-tia
Noho ny tia
SANDRATRA
Noho ny tia aho nampifilafilaina ka efa eny an-tanan'olon kafa vao angolaina ankehitriny efa nomeko azy avokoa ilay fitia nahilikao taloha noho ny tia aho nampijalijaliana ka efa ety an-tanan'olon-kafa aho vao iriana ankehitriny efa feno ny hafaliako ka mba avelao aho ho ento anilan'tiako Noho ny tia aho nampi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sandratra/rahoviana-3
Rahoviana
SANDRATRA
Rahoviana vao ho tapitra ny fahoriana sy ny fihafiana Mba ahafahan 'ny olona miaina finaritra indrindra fa ireo mitondra fahoriana Rahovianavao hifaly ireo rehetra izay mijaly Rahoviana vao ho foana ireo aretina izay efa mivaona
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/inona-ary-moa-ny-vady
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/tsy-ampy-azy
Tsy ampy azy
Mandefitra
Tsy ampy azy Ny vetsovetso nosoratako, nilazako ny ato ampoko hampahery ny olontiako, novaliany ranomaso, sentosento sy toloko: tsy handriny hono zay hodiako! Ny antsoantso an-tariby toky sy fampanantenana, tonombavako ho azy ihany... Ny azy hono ny fitia eo anilany mazàna tsy ampy azy raha izany Zaho ity ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bobone/ilay-dia-peninolon-droa
ILAY DIA-PENIN'OLON-DROA
bobone
ILAY DIA-PENIN'OLON-DROA Andriamanitra o! Eto anivom-pahanginana takariva matro-bolo no iantsoako anao Toa zary nanombinana ny hasambarana nokatsahiko nefa indrisy hatramin'izao nisolo ngidy toa mafaitra mila tsy ho zaka intsony fa ilay fanilo nanazava ity làlana aloha no nidify ilay sakeli-dalana niarahanay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/omeo-azy-aho
omeo azy aho
Mbola tsy fantatra
Najanoko any, Inoako mbola any, 'lay sariko fahiny adaladala kely, tantanina mamindra. Fa ho tiany mantsy, Ny tsikiko tomany, 'ty mba hany ankany Toa niseranako tsy satry; 'zary tongom-bakivaky hay adiadintsika, sendra volana baliaka Tomefy fijaliana. Ireny ny tontoloko tsy hivalon-ko tantara fa singan'ah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/mbola-ao-ny-zanahary
Mbola ao ny Zanahary!
Fiaritiana
Namako ianao satria Eo anilako eo foana Raha misy zavatra hanampiana Mizara amiko izay rehetra Fifaliana sy fahoriana Mahafantatra tsiambaratelo Fiononan ny malahelo Tsy hamadika na oviana Fa namana tena tiana Olon tiako ianao satria Nanolotra ahy ilay fitia Ny fonao sy ny foko No hifamatotra ho doria Ilay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/ampy-ho-ahy-ianao
Ampy ho ahy ianao!
Fiaritiana
Ampy ho ahy ianao!! Na mainty sy mahantra aoka izany Na miloko toy ny arim bilany Na ratsy koa ianao na tsara Dia efa ianao no efa anjara Ampy ho ahy ianao! Sy izay hanananao Efa hiononako izay misy Fa tsy hitady izay tsy ho hisy Na tsy nandalo fianarana Sady tsy mba manana Izay mba an ny hafa Dia aoka hola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/falisoa-daniel/mora-loatra
mora loatra!
Falisoa Daniel
Dia tsy nojereny akory, mora loatra ka nilaozany fa nataony jery vilana. Nianjona izy ka dia lasa tsy nitodika fa iny rifatra iny! Tsy niasany saina akory, kely loatra ka tsy hitany fa nataony indray manilika. Nihivina izy ka tsy tana tsy niherika fa iny mokitra iny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando/vavaka-8
Vavaka
Ando
Navariana 'zany fiarahana Andriamanitra no nitantana Iaraha-mizaka 'zay zavatra miseho satria Vavaka no hasandratray ry Tompo Malalanay ô! Ovay ny Toetra ratsy 'zay mety hanananay mba ho Soa tokoa anie ny fiarahanay Izany no fanirianay ry Jesoa Zokinay ka Arovy amin'ny Tananao mahery 'zahay Ny fiainana 'zay mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/saddam/fitondrana
fitondrana
saddam
ity fitondrana ity efa norarana ity fitondrana fa tena mampiomehy tsy aleo ihany ve i DIDIER EFA NAMPOIZIKO IHANY ny tena hiafarany fa tsy misy mahasoa sady manao kitoatoa oaviana ihany re ry gasikara vao ho farananao ilay tantara fa tena mampiomehy mba tsy ho lazaiko hoe: MIVERENA IANAO RY DIDIER
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/tia2005
TIA2005
Joh
Tsy hay ny tsy hankasitraka an'izay olona izay Mpankafy mangina ny sangan'asako hay Ka manimpy soso-kevitra sady mampatsiahy Zay tokony ho soratako ianao ry "Tià" Tsy mifankahita nefa mifanakaiky, tena mety Noho ny resaka hifanaovana amin'ny INTERNET Tsy mifankahalala koa; nefa mitafa vetivety Mahatantara fahori...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/aloka-fitia
Aloka fitia
andriary
Misy aloka fitia, manelanelana antsika, Antsoina tsy mety tonga, Roahana tsy mety dify!!! Mitondra fotofoto, Ao am-po tsy mety ritra! Losirana vao may manantona, Andrasana tsy sahy misonga. Iambohona sahy manaloka, Atrehina mitampify... Fa fitia saro-kenatra Nefa te-hikopa-kelatra!!! Vonoina tsy mety maty, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ando/vavaka-sy-fisaorana
Vavaka sy Fisaorana
Ando
Herintaona sahady 'zay no niarahanay na dia teo aza ny adiady sy ny fifamalianay dia mifankatia tokoa 'zahay Andriamanitra ô! Tahio ny fiarahanay ka ho tonga amin'ny zavatra ho kasainay Izany no hetahetam-ponay ka valio ry Tompo Malalanay ny Tokatrano 'zay ho diavinay dia ho arovanao mandrak'zay misaotra anao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bana-rahalahy/ny-marina
Ny marina?
Bana Rahalahy
Maty ve ny marina? Ny marina? Sss !!! Raha ny tena marina Marina raha tsy azo amboarina ! Fa inona no tsy ho vita Raha ianao mahitahita? Ny marinan'ny be vola No marina tsy mety tola Ny marinan'ny be basy No marina tsy mety maty ! Ny marinan'ny kely sandry Voahitsakitsaka dia dangy ! Mba te hiarina nefa vo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/izato-ianao
izato ianao
Ranoala
hoy ny maro hoe mifoka aiza kosa re rahavana ny mamo aza mbola tsy hitako hiletra setroka ho vitako? vinany no besaka ireo nofiko hafahafa ny zava-misy sy maresaka ireo dinika sy tafa dia narafitra ho kanto amin'ny fomba mody maontina dia mifoka hoy ny hafa ny hafakely no araraotina! ny rindran-teniko mats...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/aiza-ihany
Aiza ihany?
Ranoala
Malomaloka ny andro Tsy mbola hita 'lay masoandro Angamba kosa tsy nankaiza fa ao ambadika ao ihany Na dia rivotra malefaka aza no mitsoka moramora mangatsika mamanala fa aiza ihany 'lay masoandro? ireto zavona namikitra nitondra laina mampanjonitra mifohaza hoy ny akoho toa mba jenitra ho mavitrika Aiza ia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/manody-raha-mangina
Manody raha mangina
Ny Kanto
Manody raha mangina Aiza moa ny feonareo ry firenena Sy ‘nareo lazaina ho mpiaro mahonena Nahoana no mangina tsy miteny Manoloana ny habibiana izay jerena Aiza ? Aiza ianareo no tsy miteny? Fa ny mainty aty hosihosena Atao haza lambo sy terena Afato-tongotra aman-tanana Mivenjy an-tany efitra fiafenana Indris...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanto/ianao-no-izy
Ianao no izy
Lanto
F’ianao no iza No vitanao baikoina Ny lalan’ny eritreritro ? Alalana avy taiza No anovanao loko Izay zavatra heveriko ? Na ny fifaliako Toa tsy ampy fatra Raha ts’isy ho anao Ny zavatra iriko Tsy mety hahazo laka Raha tsy ho sitrakao Ka hoy aho manontany F’iza loatra ianao ? Fa ianao no iza ? Gaga aho ! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/niova-ianao
niova ianao ...
Pissoa
niova ianao. Ho tantinao io va re, Raha mba averiko aminao Ny familafilana? Toa fomba nahazatra anao, Sy toetra tsy azonao nialana, Toa nanosika ahy handeha? Moa ho zakanao io koa Raha ataoko irony teny mafy, Sa tambitamby niova loko? Na ireny gafigafy Nanindrona ny ambompoko; Tsy indray mandeha na indroa ....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramhors/nisy-fety-tany-an-danitra
NISY FETY TANY AN-DANITRA
Ramhors
Nisy fety tany an-danitra! Indray andro tao an-danitra tao Nisy fety lehibe izay niaraha-nanao Natao hitokanana ny tempoly Ka olona maro no tonga nivory Raha mbola tsy naraina akory ny andro Dia indro efa lasa nifoha ny mpahandro Nandrehitra afo nanasa vilany Satria tena fety tsy misy hoatra an’izany I Piera s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andry/ry-fitiavako-1
ry fitiavako
ny andry
matokia ry fitiavako rahavavim-panantenako; fa tsy ho potika, na ho faty ato anatiko ianao. fetinao androany eny,fetiko ihany koa ka hatambatra ho anio ny tena hasambarantsika roa. ka na maizimbolana aza ireo andro izay handalo, dia ianao no ho fanilo hanazava ny tontolo, hatrany aparan-tany.