url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-reny
Ny reny
Daniel ROIMEMY RKT
Ny RENY no miavaka indrindra eto an-tany Satria dia tsy mora ny zavatra entiny Mantsy ny fiainany feno tomany Ka rariny loatra raha misy ny fetiny Raha ny an'ny Reny? Tsy mora ny adiny Mihitsy mizaka ny tsy eran'ny aina Tsy vitsy ny miaritra ny ditram-badiny Ka nefa izy izy ireny tsy mba mitaraina Ny Reny misahana zavatra maro Raha ny fiainana ,be no efa hitany Vehivavy izy ireny ka nefa fantaro,fa... Tsisy mahavita ny zavatra vitany Hafa ny Reny ka tsisy mahasolo Mitaiza ny zanany sy ny hetsetretsetra raha mbola ao an-trano dia izy daholo No indro mikajy ny zava-drehetra Ny Reny dia tsotra ary koa be fitiavana Fitia tsisy mpanana raha ny azy ireny Noho izany dia tsora ny tiako hahatongavana " Arahabaina nahatratra ny fetin'ny RENY"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/toriteny
TORITENY
LAVENONA
TORITENY Andro alahady no... nitranga ny tantara Tao ampiangonana toy ilay mahazatra ireny Teo ampifantohana nivavaka iny tsara no... niteny i Pasitera tao anaty toriteny hoe... "...mitsangàna kely hoe izay te mba hovonjena a !" Tsy nisy tsy nijoro izay rehetra tonga teo fa... toa samy tena vonona raha ny isa no jerena ! Rehefa vita izay dia...hoy indray izy avieo hoe... "...raha toa ianao ry havana maniry ny hovonjena... dia ilaina ianao mibebaka amin'ny fahotana aloha ! Manaraka an'izany dia ny fanoloran-tena no... dingana manaraka ataonao faharoa ! " ...tsy ampy nefa ireo fa...mila faharetana... ka tsy miverin-dalana fa miorina hatrany ! Na inona midona dia atrehina sy hiaretana satria tsy moramora ny mankany an-danitra any.... ry havana malala !" Lasa ny minitra , nikisaka ny lera Ireo mpino tsy hay na vizana na noana sa ahoana fa... nandritra izato hafatra nataon'i Pasitera... dia mpino telo no hany mba no nijoro foana foana ! Mahitsy sy mafonja raha ny teny izay nambarany hoe... "...raha toa alaina ohatra dia izy telo sisa no hany voavonjy fa nijoro hatramin'ny farany fa nihemotra sy reraka ny mpino maro an'isa... !" "Mahazoa toerana ! " ...hoy i Pasitera avieo , namarana amin'ny vavaka !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/mbola-hisy-valiny0
MBOLA HISY VALINY
LAVENONA
MBOLA HISY VALINY! Etsy anie sakaiza e ! Mba mihevera tena fa hitondra anao ho aiza moa ny vola aman-karena? sa vola aloha vao aina? harena vao fanahy? Nefa aleteho an-tsaina fa ny ratsy ataon'ialahy ........mbola hojinjaina Mbola ho tsaraina raha ny tana-nihosin-dra sy kiribiby ataon'ialahy! Mihitsy ialahy hanenina Mihitsy ialahy hikaika Fa nantenain-kanarina No indro toa vao maika Namadika ny marina! Mantsy ialahy tafarina Fa ny tsy manan-tsiny ? aza mba kasihina! Mihitsy aza kitihina! Mahaiza ialahy mipetraka Aza mihetraketraka!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/efa-azy
EFA AZY
Fredy Jaofera
EFA AZY Efa azy ny foko ka aza manadala, mbola tsaroako ianao nankahala. Efa azy ny foko ka mba mipetraha ; ianao vokovoko fa nandrava saha. Efa azy ny foko ka aza manontany ; vazo no misoko anio tsy hita lany. Efa azy ny foko ka aza mitaditady ; fitia tsara loko no be aty, aza fady.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotobe-sombiniaina/ry-malagasy-namako
Ry Malagasy Namako
Rakotobe Sombiniaina
Ry Malagasy Namako Ry Malagasy mpiray tanindrazana amiko Ry Malagasy Namako Fantatra fa misedra ny mafy isika Indrindra fa ity fahantrana mikija Ireo ho avin'ny tanora maro be Dia ao anatin'ny ahiahy hatrany ve ? Manjaka ny tsy fandriampalemana sy ny kolikoly Ry Malagasy namako izay tena feno alahelo sy ory Fantaro, ry Malagasy namako fa ... Ilay Tompo be fitia dia miahy antsika hatrany Mihezaha foana ry zareo, aza mitanondrika Fa mbola ho avy ilay masoandro miposaka Ho ahy, ho antsika ry Malagasy namako Izany indrindra ny faniriantsika fa fantatro Sombiniaina RKT
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/fiangaviako-farany
Fiangaviako farany
Daniel ROIMEMY RKT
Raha toa ka fisarahana no hany lalan-tokana hizoran'ny fitiavako dia izao ny ahy no hafatro sy teniko manokana lazaiko anao rahavako Aza ianao tomany ! Dia... ireo hira notendreko ? Halaviro an-tsofinao ! Ny hahasoa anao hatrany no hany zavatra kendreko eny hahasambatra anao ! Tsy tiako ianao hijaly sy hiaritra alahelo na vonton-dranomaso fa mankarary ny aiko ! Iriako ianao hifaly ! fa ireo tsy tsiambaratelo sy ny vesatry ny ankaso avelao zakaiko sy entiko matory ! Fa ny fiangaviako farany ? Tiako ianao hijery ny nofo mangatsikako rehefa an-tanindrazana ! Ary koa mba mampahery ilay reniko tsy ho hitako raha voalevina ny razana ! Dia eo andoha-pasako ? Ametraho ilay teny namenao ahy fahiny taratasy izay nandrasako namboarinao sy i Neny Tadidinao moa iny ? Rehefa vita izay dia... mahazo ianao mandao Ilaozy izany fasako !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/antsa-nandratra-album-embona-sy-tsiaro
ANTSA NANDRATRA
NY Andri-Fara
Antsa nandratra Ry foko nankaiza , ary ho aiza ? Angaha tsy lavitra anao , Fa ny alina mba nantenaina… Efa tsy namana indro nalaina . Tsy sahiko ambara na tantaraina Ry fanantenako…namelona ny antsa ! Asa tsy fantatro intsony …; Sahirana nanembona olon - tsy tia , Ontsa ho an’iza …; Ny aloky ny fitiavako . Hisy any ho any hanambara Hanantena ka hilaza Ny lasa indray tsy fanadino…; Tsy mba ho ahy angamba , Araka ny fiheverako . Aminao ve r’ilay notiavako Ny Aloky ny fo ? Tanteraka ho azy . Eny an – tsefatsefan-drahona…; Ny atao hoe : Heloky ny tia ?! Ahoana ny hevitrao ? Ilay famborahako ny ato am-poko, Maneho fitiavana nolavina…; Antenain’ny tia ho voninkazon’ny alina .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanalahidinny-fahombiazana
FANALAHIDIN'NY FAHOMBIAZANA
Fredy Jaofera
FANALAHIDIN'NY FAHOMBIAZANA Raha tsy irinao ny fahavoazana fa satry ombieny ny hidera ny Lanitra amin'ny ora rehetra mahasariaka, ny fanalahidin'ny fahombiazana dia ny fametrahana an'Andriamanitra ho lohany eo amin'ny fiainantsika.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/kalonny-moana
Kalon'ny moana
Daniel ROIMEMY RKT
Moana aho ka moana Tsy afaka miteny Ka ny tononkalo foana no... Soratana ombieny Io ny ahy ny feoko ..mba entiko mamboraka ny sento sy toreoko amin'ny faingo sy ny tsoraka Anaty rima miaina sy......teny feno kanto Mba satriko antsaina amin'ny feo milantolanto kanefa izaho dia moana.....! Mba tia hidradradradra Nefa tsy afaka manoatra mantsy toy ny gadra! Minia manararaotra manoratsora-poana sy manakatra vinany Dia ny kalon'olo-moana? Kalo tsisy feo Kalokalo atao mangina Nefa ataovy an-tsainareo Fa mbola ho avy ny fotoana hifarana hatreo Ny ventsoventsonay
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tadidinao-album-antsa-sy-embona
TADIDINAO ?
NY Andri-Fara
Tadidinao ? Tafaraka isika , tamin’iny lalan’iny . Tadidinao ? Tadidiko ny teninao…; Maneho fitia , nampangain’ny fo ! Teo anilako…tsy fantatro na fantatro. Tsy fantatro raha tadidinao ; Ny nizorantsika tamin’iny lalan’iny . Ny teninao nanohina ny fo ; nanambara an-kasahiana ! Angolan-teny ho an’ny tiana . Dia naleoko nitsakotsako izany , naneho am-po Ny fijeriko anao…namerina ny tsiahy . Roa taona lasa izay ! Anjara ve ny antsika …; Henoy ny bitsiky ny fahoriako .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/eto-ihany-aloha-isika
ETO IHANY ALOHA ISIKA
AORN
Eto ihany aloha isika Dia mifampijerijery Dia manao zay fikafika Sy manao fangalam-piery Dia Manao andraso andraso Mbola tsisy tapa-kevitra Rehefa tojon’ny ankaso Kivy ihany ka milefitra tsy hiady ny tsy rariny fa dia faly manankiana efa lasa hatramy taniny Tsisy taitra fa variana Zay isika Malagasy Efa zatra miandry lava Dia avela hangasihasy Na ho rava izay ho rava
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/mibebaha-dieny-izao
Mibebaha dieny izao
Daniel ROIMEMY RKT
Tsy misy mahavidy ny andro iainany Ny olon-drehetra miaina eto an-tany Fa tapitra sy vita hatreo ny fiainany Rehefa mipaika ilay ora fialany Tsy misy mahavidy ny lanitra koa Izay mandao ny tany,ka zary fanahy Nefa samy maniry ny ho any avokoa Ny olon-drehetra amin'izay andro izay Tsy misy mahalala ny andro hahafatesany Raha toa mbola manana nofo sy rà Satria ny harena dia tsy azo handrefesana Hoe..,"hatraiza no fetra izay tokony ho ahy?" Ka aza miandry ny andro ho ampitso! Vao hiova famindra,sy hiala amin'ny ratsy Izao no fotoana, fa tsy rahampitso Mba tsy hanenina ianao atsy ho atsy Mibebaha dieny izao ,fa aza variana Variana miliba amin'ny izao fiainana izao Mivavaha dieny izao ,ndrao tratra aoriana Raha tonga ny ora dia" HO AIZA IANAO??"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ho-anny-reniko
Ho an'ny reniko
Daniel ROIMEMY RKT
Misaotra anao ry neny a Nampianatra ahy namindra sy nampianatra ahy niteny ary koa indrindra indrindra Tsy sasatra namefy sy nananatra ombieny Neny ô, tsy ho lefy ireny vitanao ireny. Reo dian-drotsakazonao izay nikapohina ahy fahiny Tsy voafafa hatramin'izao fa miova endrika ankehitriny Zary lasa toa ny vatsy fitaovam-piadiana Handreseko ireo ratsy, rehefa sendra fahoriana. Ny vavanao izay nila ho tataka noho ny fibedesana ahy Ankehitriny aho dia mangataka Neny ô, mamelà ahy izay vita izay Fa toa tsaroako hatramin'izao Ianao miteny ahy mifokofoko Tsy very akory ireny izao Fa horaiketiko ato am-poko. Ny zanakao tsy manadino.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra%C3%AF-tsitoh-mikalo/eny-ambanivohitra-eny
Eny ambanivohitra eny
Raï Tsitoh Mi'kalo
Indro misy trano tazako manangasanga Ny tafo efa boboka ny rindrina miloko manga Toa mitovitovy fijoro tsy misy sahala Indrindra fa rehefa maraina feno fanala Mahafinaritra rehefa tazanina Avy eny amin'ny vohitra tsy misy arofanina Mahafinaritra raha Samy toerana Tsy aleo ve any no manorom-ponenana Ny firaisankina milamina tsara Tsy misy maninona na mody tara Mahay mifanampy rehefa sendra ady sarotra Indrindra rehefa andro maloka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fitiavanny-avo
NY FITIAVAN'NY AVO
Fredy Jaofera
NY FITIAVAN'NY AVO Tsy manjazavo, tsapa fa tsy heno ka indro mitoetra : ny fitiavan'ny Avo dia afaka hameno ny banga rehetra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fitsinjovana
FITSINJOVANA
Fredy Jaofera
FITSINJOVANA Rehefa misy fitsinjovana ny vahoaka izay sahirana, tsy hisy ny hahatorovana rehefa tokony hifikirana. Rehefa misy fitsinjovana ny vahoaka tsy ampy rano, efa mitory fahatsiarovana azy ireo tsy hahita angano. Rehefa misy fitsinjovana ny vahoaka tsy ho noana, ho rediredy sy fahalovana ny fitiavan-tena teo foana. Rehefa misy fitsinjovana ny vahoaka tsy ampy jiro, ho rindra no handalovana hatrany hatrany ka ifikiro.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-mifoha
RAHA MIFOHA
Fredy Jaofera
RAHA MIFOHA Tsorina aloha, tsy ilana anjona mirongatra akory raha mifoha tsy misy tanjona, miverena matory.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-kristiana
Ny kristiana
Daniel ROIMEMY RKT
Raha kristiana ianao dia aleteho an-dohanao fa.... ny fivavahana tsy haitraitra ! Na fitafy tena raitra aza... no entinao mandeha mivavaka mantsy ianao mba te hiavaka amin'ny olona rehetra ! Dia tsy izany no toetra izay takian'Andriamanitra raha te handova lanitra ! Raha kristiana ianao dia aoka koa ho fantatrao fa tsy ny rakitrao no inona ! Fa na vola be ohatrinona aza... no ataonao ho fanatitra manginy fotsiny ny tatitra hoe nandoa ny ampahafolony dia tsy lanitra no solon' ireny volanao ireny fa lazaiko ombieny ombieny ! Kristiana ianao ? Mivonona dieny izao hitondra ny hazofijaliana sy hiari-pahoriana amin'ny zavatra hiaretana ! Fa tsy maivana ny entana... holanjainao eto an-tany ! Dia santionany amin'izany ny fanenjehana mihatra miampy eso sy ny latsa ! Fa ny tena Kristiana ? dia mandroso tsy mijanona amin'ny asa fanompoana na sarotra manao ahoana...aza ny lalana andehanana ! Tsy miraviravy tanana fa mila olona mijoro sy finoana tsy mikoro amin'ny ady izay lalovana fa ny eto an-tany fandalovana !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/orana
ORANA
AORN
Injany fa midona ilay kotrom-pahavaratra Dia maloka ny andro, manjombona aok’izany Ka oram-be mikija no injao miraradraraka Omban’ny ria-drano, mandonaka ny tany Dia fahoriana sasaka, ho an’ny sendra izany Fa tondra-drano foana, mamotika mandrava Dia be ny rava-trano, tra-boina sesilany Ny aina no manefa, ka fahoriana lava Fa any atsimo any, miandry an-taona maro Ny mba hisian’ny orana hamelona ny hay Ny rivo-doza mihitsy no andrasana andalo Fa io mitondra rano, manala ny ahiahy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/herezo-ny-dia
Herezo ny dia
Daniel ROIMEMY RKT
Oohf..! Izay aho razandry vao tonga ato an-trano a!! Drii..! Fa nahoana ity maso no managanohano? Ny alahelonao io hoy aho aleo mba hifarahana! Lazao an'i Zoky ! Nisy namono ianao tany ampianarana? Tsia an!! Tsy izany raZoky fa lasa ny saiko a ! Mba nafeniko ihany ka nefa tsy haiko, Ny fiainana eto tsy mora fa indrisy... Ny ampelatanana nefa tsy misy Ilay tompontrano....vao haninkeo no nandalo. Ka ny hany mba hevitro dia nanakalo ilay firavaka kelin'i Dada sy Neny Dia nataoko hofantrano... ny vola rehetra izay tambin'ireny. Eeeh! Aza kivy raZandry fa fiainana izao a! Efa miezaka ihany ity zokinao Manao izay mba vita sy miady mafy Mba hitovizantsika amin'ny zanaky ny hafa Zoky a! Sendra hajanoko aloha ny fianarana Dia ry i Koto atsy ambadika no mody hafarana Hoe tsy afaka mianatra izaho fa marary Dia mba izaho no hitady ny laoka sy vary ! Mba anjaran'i Zoky ny mandoa ny hofantrano, Kojakoja rehetra.... ary jiro sy rano ! Izay no hany hevitra noeritreretiko Mba maivana i Zoky raha zay no mba entiko. Tsia re raZandry a!!!, mbola tsy vizana Zoky hiteny ! Ngah adinonao...ireo hafatrafatr'i Dada sy Neny hoe.. Mianara mafy , dia mba ho tafita ! Fa io no hany tohotra hiakarantsika amin'ny farim-piainana ambonimbony. Ity Zokinao tsy afa-mianatra intsony Hatramin'ny nandaozan'ny Ray amanan-dReny Dia tsy afa-manoatra sy tsy afa-mikomy Hoe aleo izaho hianatra Zandry a ! ianao zao hany mba hoe antenanina ka dia mahazotoa ! Aza mba kivy na miferotr'aina hatrakao ny loha ! Fa isika raZandry tsisy lova hifaharana Ka ny hany teniko ataoko aminao hoe... "HAJAO NY FIANARANA"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mbola-misy-kely
RAHA MBOLA MISY KELY...
RRAG
RAHA MBOLA MISY KELY... Raha mbola misy ihany, hery enti-miady, dia sanatriavo mihitsy, izay hilavo lefona. Raha mbola misy fehiny, ny fatoran-tady, dia ataovy fatomaty, ireo zatra ny mampiesona. Fa teny ho eny izao, nisy niala bala, trotraka efa elan'ny tolon-tsy mety vita... Nefa ny tsy nampoiziny, tsy vitsy mpahalala, fa 'zay miari-pery, ihany no tafita. Raha mbola misy ihany, fahafaha-manao, dia aza miolonolona, jereo koa ny hafa. Fa indray andro any, mety tsy hofantatrao, f'ireny resy ireny, ihany no hahatafa. Raha mbola misy kely, fo afaka ny hangoraka, dia hatsangano an-tsandry, ny lavo resim-piainana. Fa maro tamin'irony, nijery dia nioraka, ankehitriny izao, tsy misy hitarainana. Nilaoza-nama-manana, fa zary ondry botry, very ny fanahiny, ka tsisy hianteherana. Ianao 'lay resy fahiny, sendra tia mpandrotsirotsy, ny akany bongokelinao, no zary fanaperana. Raha mbola misy kely, tsiky tsy lafovidy, azonao atoraka, ho an'iretsy te hitroatra. Dia tsarovy, fa iny tsiky iny, no fanalahidy, ahafahany miroso, ka ahafahany mivoatra. Dia, raha mba misy kely, teny mamy tokana, azo ampaherezina, irony misaonam-piainana. Dia omeo, tandremo miolonolona, fa mbola hosendra koa, ianao fanaintainana. Tsy sitram-panafody, fa mila teny avy aminy, ka hotsaroany hoe, ianao, no namafa ny tomaniny.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotobe-sombiniaina/manantena
Manantena
Rakotobe Sombiniaina
Manantena Tsy very ilay fanantenana Fa mbola velona ato anaty Miaina sy mifaly izay ananana Dia ho tanteraka ilay nofy Anefa... Tsy mahavita irery Sy Misedra ny adim - piainana Fa mila an' Andriamanitra mahery Mitantana sy miahy izato zanaka Mbola maro ireo mbola hiainana Koa araraoty dieny mbola azo atao Satria voafetra ihany ny ety an tany Dia ankino an'ilay ao ambony ny fiainanao. Sombiniaina RKT
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/feonny-fieritreretana
FEON'NY FIERITRERETANA
Fredy Jaofera
FEON'NY FIERITRERETANA Raha indraindray izy mipararetra ka tsy ahitany ny fahafinaretana fa mijaly tsy mitsaha- mitomany, azo andosirany ny zava-drehetra afa -tsy ny feon'ny fisritreretana amin'izay sahaniny eto an-tany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/io-ranomasina-io
IO RANOMASINA IO
RAVINALA
Io ranomasim-be io no fasana niriako hilevenako Hanadinoiko ny lasa, ny alahelo sy ny tsetrako Io ranomasim-be io no iriako mba hitelina Ny fiainana mangidy nolalovako rehetra Dia mbola io ranomasina io ihany no sitrako Hanasana ny ranomaso rehetra sy ny ngidim-pahatsiarovako Io ranomasina io no afaka hanasitrana ny ratra Sy ny feriko rehetra sy ny sisa izay tsy zaka Raha io ranomasina io mantsy angamba No zary fasana ilevenako dia tsy misy intsony hitranga Ny sedra maro naharesy sy ny ady goavana nahalavo Eny eee !! ‘Zany foko efa gina sy torovana zary hivarolavo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mendrika-hotanana
MENDRIKA HOTANANA
Fredy Jaofera
MENDRIKA HOTANANA Ny hafatra ho an'ny tany aman-danitra mendrika hotanana : ny zavatra tsy misy an'Andriamanitra, tsy misy fiadanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ilay-malala
ILAY MALALA
Fredy Jaofera
ILAY MALALA Ianao ilay malala mampihira ny androko tsy hanan-tsahala ny anjara masoandroko. Ianao ilay malala mampitsiky ny tavako mbola mahalala ireo vetsom-pitiavako. Ianao ilay malala nampisinda ny ratrako ka nofy tsy miala ny ho eo an-tratrako ! Ianao ilay malala mampiay ny anarako ka ny hankahala dia tsy hasambarako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/herinny-fitia
HERIN'NY FITIA
AORN
Misy hery tsy hay tohaina fa manintona avy hatrany Ka mambabo izany saiko tsy hikaroka sy handalina Dia manaiky miaraka aminy tsy mba misy mpanontany Zany foko resy lahatra toa voadona fanimpanina Na mametraka arofanina aza izato kirin-tsaiko Ka mikaroka paik’ady mba hijoro tsy hay folahana Vao seranan’ilay hery dia milefitra toa tsy haiko Ka mirodana amy tany fa tsy azo notohanana Io lay herin’ny fitia, toa tsy tana fa mahery Tsy hay fefena sy sakanana amy mety ho kirin-doha Reo milaza ho mafy hatoka rehefa tratrany malemy Ka milefitra tsy miady, fa manaiky hatramy fo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-matory-irery
TSY MATORY IRERY
Fredy Jaofera
TSY MATORY IRERY Hafatra tsy miery fa mamoky ny tena fitoniana : tsy matory irery ilay tia boky any am-pandriana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso/vetsom-borona
Vetsom-borona
vetso
Izaho no lasa vinany Fa ny foko midoboka ihany Mitempo miampita mankany Any ianao r'ilay silako Rahoviana ianao vao ho hitako Mampizotra indray izato diako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandrano/babonao
BABONAO
Felandrano
BABONAO Babonao ny foko RY Malala Eny,babonao tsy asiako salasala Fa ny fiainako rehetra Efa anao tsy asiana fetra Ka na ho tsiky na tomany Dia hijanona aminao ihany Fa ianao no mahay mampifaly Rehefa iny aho ka mijaly Tia anao ny foko Ka manomboka anio sanatria tsy ho toloko Fa vonona ny hanara-dia Tsy anio ihany fa ho doria
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/radama-ii-tohiny-madagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjaka
RADAMA II
NY Andri-Fara
2.1.4 Radama II ( 1861 - 1863 ) tohiny.... Teraka tamin’ny 23 Septambra 1829 , ny andriana ary 32 taona izy ; raha nandray ny fanjakana . Roa taona monja no nanjakany. Nisolo an-dRanavalona I , izay reniny izy . Mpanjaka liana tamin’ny fandrosoana , nakamamy ny fivavahana. Malala-tsaina loatra, tia kilalao. Namela malalaka ny vahiny hiasa sy honina teto Madagasikara. Tonga teto ny misionera Katolika Romana. Nisatatra izany mopera Webber izay namaky lay ny 23 Septambra 1861, nafana ery ny fandraisan’ny mpanjaka azy. Ny tranon-dRamboasalama, izay saika handova fanjakana no nomena hitoerany Mopera. Ary tao ihany koa no nanaovana lamesa voalohany am-pahibemaso ny 13 Novambra 1861. Nanitatra ny asany ry zareo katolika Romana, ka ny 15 Aogositra 1863, fety natokana ho an’i Marie, renin’i Jesoa no nanaovana ny batisa voalohany , na batemy ho an’ny EKAR sy ny mariazy voalohany. . Naorina ny Fiangonana ; ka ny EKAR Mahamasina, dia vita tamin’ny 13 Jona 1862 ; ny EKAR Ambohimitsimbina, teo anelanelan’ny taona 1862-1863; ny EKAR Ambavahadimitafo kosa dia vita tamin’ny 21 Novambra 1863. Nanampy an’isa an’ireo misionera efa tonga ny Anglikana. Ny 23 Septembra 1861 no naseho vahoaka Radama , ary naka anarana Radama II [12]. Tonga niarahaba azy Rayan , izay Eveka tao Maurice. Nangataka tamin’ny mpanjaka izy mba hahafahany mandefa misionera Anglikana. Tsy nahatratra izany anefa ny mpanjaka noho ny fikomiana, izay nanala ny ainy tanteraka. Fahadisoana lehibe vitany sy nahatonga azy hifanolana tamin’Ingahy Rainivoninahitriniony, Praiminisitra . Tsotra ny antony fifanolanana dia ny fanomezan’ny mpanjaka vahana ny sakaizany atao hoe Menamaso [13] ; izay tsy nahafaly ireo Andriambaventy ; an’isany ihany koa ny fanomezana tombontsoa betsaka an’ilay Frantsay atao hoe Lambert , vokatr’ilay fifanarahana miafina mikasika ny handovany ny Fanjakana. Teo ihany koa ny nampihenana ny fandoavana ny haba aloha amin’ny seranana, ny fanaovan-tsonia teo amin’ny mpanjakan’i Madagasikara sy Napoleon III, mpanjakan’i Frantsa ny amin’izay tombontsoa omena an’i Frantsa. Tamin’ny androny ihany koa ; no nisehoan’ilay ady nifanaovana 1 sy 1 na ny ( duel ) . Ny fisehoan’ilay aretina vaovao natao hoe ramanenjana, izay nahazo ny olona. Nikomy ny praiminisitra Rainivoninahitriniony sy ny tandapa, ka nokendaina lamba landy ny andriana satria tsy azo nalatsa-drà. Maty tamin’ny 12 May 1863, ary nalevina tao Ilafy. [ Lambert no nanorina ny “ Compagnie de Madagascar ” hihady metaly, hanao hazo, fambolena, hampiasa vola Frantsay sy hanonta vola, tsy handoavana haba na fadin-tseranana io kompania io na manafatra entana na inona izany na inona. Nomena azy ihany koa Soanierana. Tonga teo i Mopera Finaz , izay niova ho Hervier , sekreteran’Ingahy Lambert izy, ary niverina rehefa maty Ranavalona Reniny] . 34 taona izy , raha no novonoina ary nalevina tao Ilafy Antananarivo talohan’ny taon-jato faha 19 tany ho any , ity sary ity . [ Tantara hafa indray , nahakasika ny mpanjaka Radama II : .Nanoa an-dRadama II , kosa ny Printsy Ramboasalama XIII voninahitra izay Officier de Palais . .Nipoitra indray ny fikomiana ka novonoina avokoa ireo Menamaso sakaizany tsy foiny . Rainivoninahitriniony sy Rasoherina vadiny no tompon’antoka tamin’izany . Ny 15 Adaoro 1863 , no namonoana ny menamaso sy nampipoaka ny ady . *Ireo Menamaso Novonoina : Randriamihamina , novonoina teo Faravohitra . Rasoamanankoa , niaraka tamin’ny ankiziny , novonoina teo Faravohitra ihany koa . Ralambobe , novonoina teo atsimon’ny Faravohitra . Ratsirahonana , izay Dekan’ny praiminisitra, novonoina teo ambadikin’ny tranon’i Jean Laborde etsy Andohalo . Ralaitsiry , novonoina tao Alasora . Rasoamiaramanana , novonoina tao Ambavahadimitafo . Ratsirahonana Rainilambo , novonoina teo an-tsenan’i Mahamasina atsimo . Ratahaka , novonoina tao andrefan’ny Soanierana . Randriampahita , novonoina tao Ankazonandriampianina . Nifona Rabodo na Rasoherina tamin’ireo iraky Rainivoninahitriniony dia Randriampenomanjaka XI voninahitra sy Rafaralahimboay XIV voninahitra , izay dekan’ny praiministra , mba tsy haripaka intsony ny Menamaso fa efa be ny maty , fa tsy laitra akisoka izy mirahalahy . Mba naniraka an-dRanibiby XV voninahitra sy Rainitsonga X voninahitra ary Ralaimanga IX voninahitra ; ny mpanjaka Radama II , mba handamina ny raharaha fa nandamoka avokoa . Maro ireo minisitra , izay menamaso sy ireo andriambaventy ary manamboninahitra ; izay namana akaiky an-dRadama II , no nialokaloka tao an-tranony ( Lapa ) nandositra ny famonoana . ( Na dia nanao ilay didim-panjakana hifandonana iray sy iray aza izy ) : Rainihazo ; Ranjamasaha ( Ranjomasaha ) Rakotovao izay andriandahy XII voninahitra ; Rainiketaka ; izay ministra menamaso ; Rabetsarazaka ; Razafindranando ; Rainikambanavelo ; Rabeantoandro ; Rakotovaondrabemila ; Rainimaitso ; Randriantsalama ; Ratoandro ; Rasakalava ; Ravoavy izay andriandahy ao anatin’ny dekan’ny praiministra ; Randriantseheno ; nisy ihany koa ireo Officier de palais madinika , teo ihany koa ny Tsaramiera sy ny Tsimandoalahy madinika . Ireo manamboninahitra ambony : Rainitotozy sy Ratompohana XV voninahitra , ary Rasoanianana XIV voninahitra ; saingy Ratsimandisa ihany no XII voninahitra ; Ireo andriambavy sy andriandahy vitsivitsy . Nantsoin’ny praiminisitra hivoaka tao an-dapa Rainimiadana XIII voninahitra , ka rehefa niera tamin’ny mpanjaka dia nalefany . Niditra tao an-dapa ny miaramila 200 Lahy , ka Rainimanito XII voninahitra sy Razafimandimby XIII voninahitra , izay andriandahy no lehibe , navoaka ireo menamaso ary ny mpanjaka mivady , nafindra tao amin’ny tranovola . *Ireo namono an-dRadama II : Rainibeso ; Rasoarahona ; Razafimandimby ; Ratsiharovana ; Ramiandravola ; Rangilobe ; Rafaralahibevary ; Rantanaina; Randriantsara ; Tsimandaimanana ; Tsimanjenitra ; Tsiandavana ; Tsimiededa ; Tsimijongy ; Itafita ; Ifehizato . *Ireo nampanjaka an-dRabodo ( Rasoherimanjaka ) : Rainivoninahitriniony ; izay praiminisitra , Rainingory , Rainilaiarivony , Raimaharavo , Rainijohary , Raimanonja , Rainizaka , Rainibeso , Rangilobe , Ravoninahitriniarivo , Rainimiadana . Niteraka alahelo tamin’ny ambanilanitra iny fikomiana , izay namonoana ny mpanjaka Radama II iny ka , nifandringana ny teto Imerina . Tao Imamo indray kosa dia nitomany ny vahoaka . Nirahina Rainibeso izay XV voninahitra ka namono olona 2300 , tany Imamo ( 1864 ) . Ny tao Vakinakaratra dia 100 no maty . Tamin’ny taona 1865 dia nisy zava-niseho tahaka izao : Nisy olona tena nitovy tamin’ilay mpanjaka Radama II, izay vao novonoina , Ramota no anarany ary zanak’olo-mianadahy izy Radama II . Izy no saika hampanjakaina ka niteraka ny savorovoro dia novonoina ihany koa . Ny taona 1864 , io ihany dia nifamono ihany koa Rainivoninahitriniony sy Rainjohary izay samy XIV voninahitra . Niafara tamin’ny fametrahana an-dRainivoninahitriony tsy handray ny toeran’ny praiministra izany ka nosoloina an-dRainilaiarivony , izay zandriny rahateo . Ny taona 1864 izany ny 14 Jolay . Izany dia vokatry ny fikomiana nataon’Andriatsalama sy Rainivoninahitriniony , Raberiaka sy Rataivoroko . *Nisy Fikomiana hafa indray : Iza no tena namono ny mpanjaka Radama II ?. ( Araka izay voatantara ao amin’ny tantaran’andriana ) Rasoarahona sy Rainibeso ary Ramiandravola no nahavita nitolona ny mpanjaka sy nanakenda azy tamin’ny lamba landy, satria tsy azo alatsan-drà ny andriana . Razafimandimby , kosa no namely diamanga ny handriny sy ny vaniany , ka naha afaka ny nifiny anankiray . Navoakan’izy ireo ny andriambavy vadin’ny mpanjaka Rabodozanakandriana ; ary Ratompohohana no namindra azy tao Tsarafahatra. Rainitotozy XV voninahitra , no niandry ny fatin-dRadama II, tao amin’ny Lapa izay namonoana azy . Nentina avy hatrany teny Ilafy ny razana ; ary ireto ny miaramila manamboninahitra nitondra azy : Rainitotozy , Randrianavalona , Rainisampona ary Rabevilany . Niampy miaramila 20 Lahy sy Dekan’ny praiministra ; teny an-dàlana ; dia nihetsika Radama II, teo Ifaliarivo Ambanidia . Nantsoina ireo mpamono ka tonga indray Rainibeso sy ny namany nanampitra tanteraka ny ainy [13]. Tonga tao an-dapa tsy nahalala na inona na inona Raobelona XI voninahitra , Officier de palais , avy hatrany dia nafatotra. Ireo menamaso sy ny minisitra azo babo , kosa dia novonoina teo Isotry . Ny 18 Adaoro 1863 , Nanjaka Rabodo ary naka ny anaram-piandrianana ho : Rasoherimanjaka . Nentina tao Besakana ary Nobabena no fitondrana azy tao rehefa hiditra tao Manjakamiadana . Hoy Rafaramanjaka, mantsy ny andriambavy Rabodo : “ Ndriako namono ny zanak’olona, tsy maintsy hahita loza , na miadana aza ankehitriny izao aza ” ; dia hoy ny mpanjaka namaly azy : “ Ny hadalanao no anaovanao tahaka izany ; fa ny olona no namono azy fa tsy izaho ”. Nisy 32 ny olona novonoina tamin’izany . Ny taona 1864 , dia nitohy ny fikomiana sy ny filazana fa misy mitahiry any ho any Radama II, ary hampanjakana indray , ka olona 150 no nosamborina , kanjo Ratovohery irery no azony . Teo anelanelan’ny fanjakan-dRadama II sy Rasoherina , vadiny no nanafoanana ny fitsarana amin’ny tangena . Niverina ny tabataba herinandron’iny . Noroahana Rainivoninahitriniony ; Andriantsalama ; Raberiaka ; Ratsivoroko . Ny Printsy Rajoaka XIII voninahitra: Offier de palais no lehibe tao an-dapa . Raha ny tantara voasoratra , fa tsy lova-tsofina ; dia nahatratra 240.000 Ar, ny trosan’i Lambert ; vokatr’ilay fifanarahana na ny “ Charte Lambert ” ; ka ny vola : 114.012 Ar, dia avy amin’ny mpanjaka dia nampiana 112.432 Ar . Rehefa natambatra izany dia nahatratra 226.446 Ar ilay vola . Ny taona 1865 tao Toamasina no maty Rasalimo , ny 24 Asorotany 1866 . Ory dia ory ny Printsy Rabobalahy XIV voninahitra , izay zanak’izy sy Radama I . Ireo manamboninahitra namita iraka tany Menabe sy nanatrika ny razana : Rainimamonja XIV voninahitra ; Rainiketaka XV voninahitra ; Ratsimanoly izay Andriambaventy ; Rainitafika XIII voninahitra , tsimandoalahy ; Rainjohary izay lehiben’ny Andriambavy . Tamin’ny taona 1862 , Ingahy Rainimaharavo no ministry ny raharaham-bahiny ary antokon’ny Protestanta izy ; izay natanjaka tokoa tamin’izany fotoana izany ; ka nahatonga ny ady fahefana nangotraka dia nangotraka tokoa , teo aminy sy Rainilaiarivony ny taona 1868, satria nisy ny te hanolo an-dRasoherina raha mbola tsy maty akory izy ny Martsa 1868 . Ny Printsy Rasata no nokendrena hasolo azy ary voatonotonona tamin’izany Rainimaharavo izay lehibe amin’ny vahiny . Niaka-daza tokoa izy amin’ny maha Protestanta azy ary ny fahafantaran’ingahy Rainilaiarivony izay efa Praiminisitra , fa misy haka ny toerany dia natao Batisa izy sy ny Mpanjaka Ranavalona II . Ny Antokon’ny Menamaso dia ry zareo avy ao Imerina Atsimo ( Ry zareo iny Atsimondrano iny izany = ) Ny Antokon’ny Imerina Avaratra izay nisy ny praiminisitra Rainivoninahitriniony ( dia ny Avaradrano izany ) Ireo antokon-draharaha nisy teo amin’ny fanjakana Malagasy : 1. Ny Ati-tany : Rainitsimbazafy XV voninahitra . O.D.P, no lehibeny ary Rainizanoa XIII voninahitra . No lefiny . O.D.P. 2. Ny Raharaha amin’ny Vahiny : Ravoninahitriniarivo XV voninahitra .O.D.P, no lehibe ary ny Printsy Rainandriamampandry XIII voninahitra , no lefiny , kanefa natao ho Governora tany Toamasina izy ny taona 1882 , ka nosoloina an-dRandriamifidy . Ramarovelo , Ny Printsy Ramahatra , Ratsimatahondriaka , izay samy XV voninahitra , avy . 3. Ny amin’ny Fitsarana : Ralaitsirofo , Andriambaventy , no lehibeny ; Rainimamonjisoa XIV voninahitra , izay dekan’ny praiministra sy commander in chief ary Ratiaray X.O.D.P , no lefiny . 4. Ny Lalàna : Razanakombana XIV voninahitra ; O.D.P , no lehibeny ary Ralaitafika XIII voninahitra , O.D.P sy Ramarolahy no lefiny . 5. Ny Taozavatra : Rainimiadana XIV voninahitra . O.D.P, no lehibeny ary Rahagamainty X voninahitra sy Rakotofiringa no lefiny . 6. Ny amin’ny Vola : Rainimahajere XIV voninahitra . O.D.P ,no lehibeny ary Rainandrianary Andriambaventy , Rainimilanjaona X voninahitra . O.D.P , ary Rainivoay X voninahitra no lefiny . 7. Ny amin’ny Sekoly : Andriamanamizao , no lehibeny : Rakoto sy Radoara no lefiny . - Ny 11 Jolay 1864 , dia napetraka ho borozano ny praiministra . Mahamasina fehizay io Manjakamiadana Fehizay [ Ny zavatra tsy nampoizina fa nofohazina indray ankehitriny ( 2018 - 2019 ) dia ilay hira Majunga sy ny dihy Kadrila : Iza hoy ianao no namorona azy io ? tsy iza fa ny mpanjaka Radama II ; Izy dia mpitendry Piano ikoizana ary ny misionera no nampianatra azy izany . Iray tarika amin’ny dihy afindrafindrao ihany io dihy Kadrila io , ka ny zanak’andriana sy ny tandapa ihany no nahazo niantsa sy nadihy azy tao an-dapa tao ] . Efa nambara tery aloha fa maty nahantra ny Mpanjaka Radama II , satria vao 34 taona monja izy no maty nokendaina . “ Toa sarobidy loatra ny tantaran’ny Fireneko ; nisy anefa nanoratra azy amin’izay tiana hanoratana azy ….” “ Niady mafy aho mba ho vitako ity asa-soratra ity , mba ho vavolombelon’ny ho avy…Tany ho any mantsy , mba nisy nanoratra ihany , saingy tsy kilasin’ireo telonohorefin’ny manam-pahalalana sy ny fahaizana .” 2.1.5 Rasoherina ( 1863 - 1868 ) [ Noheverina ho teraka tamin’ny taona 1828 , ity mpanjaka ity ary 35 taona izy raha nandray ny fanjakana ; ka nanjaka 5 taona ] Nasandratra ho mpanjaka Rabodo [14] , izay vadiben’ny mpanjaka Radama II , ary nisalotra ny anarana hoe; Rasoherimanjaka. Mbola voatazona Praiminisitra ihany Rainivoninahitriniony . Niverina nikomy indray ny Sakalava sy ny Vonizongo, saingy tsy nahomby ka voalamina. Tsy nahazo nanao lalàna ho azy irery intsony ny mpanjaka, fa tsy maintsy iadian-kevitra, teo am-pelan-tananan’ny Praiminisitra avokoa ny fahefana rehetra na teto an-toerana na ny tany ivelany. Tsy dia nisy ihany koa ny raharaha nanahirana tamin’ny fitondrany. Ny taona 1864 dia naongana ny Praiminisitra, noho ny hasiahany diso tafahoatra izay nasahiany nikasi-tànana ny mpanjaka mihitsy. Nasandratra ho amin’izany toerana izany Rainilaiarivony , izay efa lehiben’ny Foloalindahy sady zandriny rahateo. Ny Praiminisitra teo aloha kosa dia natao sesitany. Nandoa onitra 1.200.000 Farantsa, tamin’i Frantsay ny Fitondrana Malagasy raha vao nandray ny asany ny Praiminisitra vaovao, noho ny nanafoanany ny fifanekena nifanaovany mpanjaka Radama II sy Lambert , Rainifiringa sy Rasatranabo , no Ambasadaoro nalefa tany Frantsa handoa ny onitra voalaza tery aloha izay notakian’ny Kompania Lambert. Tsy nahazo nividy tany teto , ny vahiny na iza na iza, ary lasa lalàna fototra teto Madagasikara izany. Olana anankiray ihany koa ny nahafaty tampoka ilay andriandahy iray nalaza atao hoe : Louvieres, iraka nalefan’ny Amperora Frantsay. Ny taona 1865 kosa no nisy fifanekem-pihavanana nataon’ny Fanjakana Malagasy sy Anglisy ary Amerikana. Nofoanana tamin’izany ny famarinana andevo. Ny S.P.G, dia nandefa an’i W.Hey sy J.Holding , ary tonga teto ny volana Aogositra 1864. Fiangonana Dimy no naorina tany Toamasina, ary tonga tany Antsihanaka tamin’ny taona 1867. Atoa Holding. Ry zareo C.M.S , kosa nandefa an’i Thomas Campbell sy H. Maundrell , izay tonga tany Amboanio , any amin’ny foko Antakarana ny 09 Novamdre 1867. Tonga teto Iarivo ary ny Anglikana, nanitatra ny asa misionera. Io taona io ihany no nahatongavan’i A.Chriswell sy H.Batchelor. Notendrena ho eveka Anglikana teto Madagasikara : Robert Kestell Kornish. Rainifiringa sy. Rasatranabo [ Kely dia kely ny fitadidiana ; momba ny fanjakan-dRasoherina ; na dia izany aza dia nisy ihany ny fanampim-panazavana vitsivitsy momba ny fitondrany : Naharitra 5 taona monja ny nitondrany : .Ny lapa lehibe farany dia i Manampisoa izay najoron'i Rasoherina eo atsimon'i Mahitsielafanjaka tamin'ny taona 1865. Ny nitarika ny asa fanatanterahana moa dia mbola i James Cameron ihany. .Anisan’ny nampirefotra ny ady teo amin’ny Frantsay sy Malagasy ihany koa , ny namonoan’ny mpanjaka Bakary Bekirindro ; tao Marombitsy ny fidirana an-keriny ; nataon’ireo Arabo , izay mizaka ny zo-pirenena Frantsay ka nidirany an-tsokosoko tamin’ny sisi-tany tsy misy seranana ka nivarotan’izy ireo basy , noho izany dia novonoin’izy ireo , ny Arabo efatra , rehefa namaly ny tifitra nataon’iretsy voalohany ny Sakalava . .Nosoloina an’i Meyer , indray Cassas .Ny Manisotra na ny Zazamainty na koa hoe : Zazamanga , taty aoriana dia nahatratra 6000 , no isany teto Madagasikara . .Io Cassas io , izay tsy iza fa : “ Commissaire du gouvernement francais et consul ”; izay nisolo an’ingahy Labord tamin’ny taona 1879 : no nanolotra ny misiona katolika ( Mompera Cazet ) ny faritry Andohalo , mba hanorenany Fiangonana . ] Ny E.E.M Ambohimanoro Ny FLM Farihimena Ny FJKM Andrainarivo F Ny EKAR Ambavahadimitafo Sahirana Rasoherina teo amin’ny fanerena nataon’i Dupre, tamin’ny anaran’ny Emperora Napoleon III, momba an’ilay fifanekena. Nihahenjana andro aman’alina ny fifampiraharahan’ny Fanjakana Malagasy sy Frantsay. Maty tamin’ny 01 Aprily 1868 izy. [« En 1853, les habitants de Tamatave voient débarquer William Ellis, un missionnaire protestant, équipé d'un étrange appareil : un daguerréotype, l'ancêtre de l'appareil photo. C'est donc à ce Britannique que l'on doit la première photo prise sur la Grande Île. Durant les 100 ans qui vont suivre, les usages de la photographie vont évoluer en même temps que le contexte social et politique de l'île. Objet de curiosité, de crainte mais aussi de distinction sociale, la photographie a rempli différentes fonctions. C'était le thème d'une conférence donnée samedi 18 mars, à l'Institut français de Madagascar. » ] 2.1.6 Ranavalona II ( 1868 - 1883 ) [ Novinavinaina ho teraka tamin’ny taona 1838 , ity mpanjaka ity ary 30 taona izy raha nandray ny fanajakana . 45 taona kosa no maty . ] Tao Andohalo ny faha 02 Aprily 1868, no niseho vahoaka voalohany ny Andriamanjaka vaovao. Baiboly no teny an-tànany. Ranavalona II [15] , no anarana nisalorana. Teo ambanin’ilay eloelo nanalokaloka ny seza fiandrianany dia nisy izao teny izao: “ Voninahitra ho an’Andriamanitra, Fiadanana ho ety ambonin’ny tany, ho amintsika Andriamanitra ”. Mbola teo an-tànan-dRailaiarivony ihany ny fahefana ambony indrindra. Nanambady ny mpanjaka izy araka ny lalàna napetraky Ranavalona I. Natao batisa ny faha 20 Febroary 1869 , ny mpanjaka, ary ny faha 20 Septembra 1869, dia nodorana am-pahibemaso ny sampy ikelimalaza sy Imahavaly ary ireo an’ny vahoaka. Nandroso ny fivavahana. Ry zareo misionera Anglikana indray no nahazo vahana. Tranozozoro tao Ankorahotra no Fiangonana Anglikana voalohany , izay notokanana tamin’ny Sabotsy 07 Desambra 1872 izay nifindra tao Ambatomasina, atsinanan’Andohalo, vao naorina ny tao Ambohimanoro, misy ny Fiangonana Tranovato ankehitriny. Mariboninahitra Andohalo toerana fikabariana taloha Hita mijoalajoala ireo Trano Fiangonana natao ahatsiarovana ny maritiora, ny F.J.K.M Tranovato Faravohitra ; F.J.K.M Tranovato Ampamarinana ; F.J.K.M Ambohipotsy ; F.J.K.M Fiadanana ; F.J.K.M Ranivo Maritiora Lazaina ; FJKM Manazary Maritiora ; FJKM Anjanahary . . Hitanao etsy Andravoahangy Ambony sy eny Ivato ny trano lehibe natao hahatsiarovana ny Maritiora , dia ny Kolejy Rasalama sy ny Kolejy Teolojika Ivato. Ny Sekoly Paul Minaul etsy Androhibe Analamahitsy ary ny Sekoly Benjamin Escande any Ambositra. Ny taona ( 1868 - 1870 ) ; tonga ihany koa ny Loterana , nandefa iraka taty ny N.M.S , tany Norvege. J.Engh sy N.Nilsen no nirahana. Pastora iry voalohany fa mpampianatra kosa ny faharoa. Tonga teto Iarivo izy ireo ny 27 Aogositra 1866. Ny 02 Septambre 1869, nifanaraka ny L.M.S sy ny N.M.S mba hanatsarana ny asa sy ahitam-bokatra ka ny faritra Vakinankaratra no voafidy fa hiasan’ny N.M.S ary ny 04 Desambra 1869 ; no nanombohan’ny asa tao Betafon’Antsirabe. Ao Ambatovinaky izay tany novidian’ny misionera Lars Dahle no nanorenana Fiangonana Loterana iray tamin’izany fotoana izany, ho an’Antananarivo izay notokanana tamin’ny 24 Jona 1875 , natrehan’ny solon-tenan’ny mpanjaka Ranavalona II sy ny Praiminisitra Rainilaiarivo Rainilaiarivony Praiminisitra sy ny lapan’Andafiavaratra Tsy nionona tao amin’ny faritry Vakinankaratra ihany ny Loterana fa tonga hatrany Atsimo, dia Fianarantsoa sy Toliary. Nanana ny sekoliny na ho an’ny sembana ( A.KA.MA ) ao Antsirabe, Toeram-panomanana mpitandrina ( Ivory Atsimo ) Fianarantsoa , ny toeram-pitsaboana. Ny N.M.S dia nandray foana ireo ira-panjakana avy aty Antananarivo na ny Komandy tao an-toerana , izay nitondra faritany sy ny Goverinorany, na ireo Evanjelistra. Nitombo nihamaro ireo mpitondra fivavahana ary zary nifaninana mba te hahazo sitraka amin’ny mpanjaka, anankiray amin’ireny izay tsy azo adinoin’ny tantara ilay sekolin’ny misiona L.M.S: “ Mission De Londre ” Etsy Faravohitra, izay lasa toerana hiasan’ny Minisitry ny Fitsarana Malagasy ankehitriny raha ohatra ka nobodoin’ny Frantsay nandritra ny taona naha zanatany antsika. Olo-malaza maro no efa nanovo fahalalana tao. Nihena ny fampisotroana ny tangena izay natao hitsarana ny olo-meloka na koa nitsaboana noho ny fandrosoana. Nihatsara ny tanàna sy ny renivohitra ary nihitatra aok’ izany. Niova ny Lapa tao Manjakamiadana, nofonosina rary vato ilay lapa hazo teo. Nandroso ny taozavatra sy ny fiompiana ary ny fambolena. Mba nihalefy ny fitondran-tena maloto noho ny herin’ny filazantsara. Novolavolaina ny lalàna 305, mbola nahazo vahana sy fahefana ihany ny Praiminisitra. Nifandrombaka laza sy voninahitra ny misiona Katolika Romana sy ny Protestanta, izay nambara fa Frantsay iry voalohany ary Anglisy kosa ny faharoa. Nolavin’ny Praiminisitra Rainilaiarivony ny filazan’i Frantsa fa azy ny tany amin’ny ilany atsinanan’i Madagasikara. Fahadisoana lehibe hoy ny mpitantara vahiny ny nataon’ny Praiminisitra tamin’ny fitondrana Frantsay noho ny ady tamin’ny taona 1870 - 1871 ; izany ady izany mantsy dia noho ilay Frantsay iray nisy namono tao Fenoarivo. Maty 27 Desambra 1878 i Jean Laborde; Edouard Labarde sy Campan , izay zanak’anabaviny no voalaza fa mpandova azy .Telo taona talohan’izany kosa no maty i Cameron , izany hoe ny taona 1875 . Nanambara ary ny Praiminisitra fa an’ny Fanjakana Malagasy ny fananana navelan’Ingahy Jean Laborde teto Madagasikara, araka ny lalàna mifehy ny Firenena. Inona moa no naha maika ny Frantsay tamin’izany fa tsy filana valiny sy kisa ny azy no nataony. Niteraka fifanolanana tamin’ny Firenena roa tonta izany ka nahatonga ny disadisa ary nipoaka indray ny ady ny taona 1883, nanampy trotraka izany ny ady nataon’ny Fanjakana Malagasy ( Hova ) tamin’ny foko Sakalava . [ Marihana fa Firenena vitsy ihany no nankatoa ny Fanjakana Malagasy niainga teto amin’ny Fanjakana Hova ; dia ny Fitondrana Frantsay ] Izay hampitatra ny fahefany sy hananganana ny fanevany izay efa nomen-drizareo ny Frantsay, tamin’ny taona 1840. Niodina tamin’ny Fanjakana mantsy ry zareo Sakalava tao andrefana, nandefa tafika tany nampandry tany ny fitondrana Malagasy ny taona 1872 , saingy resy ny hova sy ny taona 1873, dia maro ny matin’ny tazo. Nihodina ihany koa ny Bara. Tonga tao Ivonea ( Fianarantsoa ) ny mpanjaka, faly ny Betsileo. Niady zanatany ny Anglisy sy ny Frantsay. Ry zareo Anglisy anefa azoazon’Ingahy Rainilaiarivony kokoa. Nandefa iraka hifampirahara tamin’ny Europa, tamin’ny taona 1882, ny fanjakana Malagasy ; izay tsy nifanaraka tamin’ny Fanjakana Frantsay, fa nitodika tamin’ny Fitondrana Anglisy sy ny tany Alemaina ary Etas Unis. 15 taona no nanjakan-dRanavalona II. Maty tamin’ny faha 13 Jolay 1883 izy. Nandritra ny roa taona ny Frantsay no nanafika teto fa tsy nahomby izany. Tsy azo adinoina fa ny taona 1868 dia norarany ny tsena Alahady. Foana avokoa ny fifanekena rehetra talohan’ny lalàna 305, izay navoaka tamin’ny 29 Martsa 1881. Tsy nampihontsina ny vahiny izany indrindra ny Frantsay fa vao mainka aza nanamafy orina ny faniriany hanjanaka an’i Madagasikara. Nanova ny politikany ny tany Frantsa, nozanahiny aloha Algerie, Senegal, sns . Tonga teto Tana ary ny solontenan’ny Vahoaka Sakalava sy ny Misionera Anglisy Paret sy Pickersgill. Vita ny fihavanana tamin’ny Sakalava tamin’ny Taona 1881, izay nanomezan’ny Mpanjaka azy saina fotsy mba hatsatony any amin’ny Nosy Mitsio sy ny Nosy Faly. Tezitra ny Résident Baudais ; noho io fehetsikin’ny Fanjakana Malagasy io. Ny 15 May 1883, nanafika tao Mahajanga ny Tafika Frantsay notarihany Amiraly Pierre. Nangotraka ny ady tao Ambodimadiro sy tao Andakabe ary Ankarana. Tsy nanaiky lembenana ny tao Anorotsangana. Torak’izany koa ireo Malagasy vonona hiaro ny taniny tao, Antanandava sy Antomboka ary ny tany Faradofay. Rehefa Malagasy ka manana rà Malagasy mikoriana ao aminy , dia niaro ny tanindrazany tsy ho azom-bahiny. Nihoitra mafy ny tao Fianarantsoa, Iharana, Mahabo Avaratra ry zareo tany Mahanoro ihany koa mba tsy nikely aina hanavotra ny taniny amin’ny mpanani-bohitra. Nanjaka 15 taona ny mpanjaka Ranavalona II .Maty ny 12 Jolay 1883 izy . [ Fanampim-panazavana kely : - Ny tena hova 1. Tsimahafotsy 2. Tsimiamboholahy 3. Mandiavato . ireo dia Avaradrano , nampanjaka ny andriana hanjaka; mpitaiza ny andriamanjaka , Praiministra , nanambady ny andriambavy nanjaka  Rainimahay izay Tsimahafotsy : 1827 = Niaraka tamin-dRainimambavola , faha Andriamasinavalona  Raberesaka izay Tsimahafotsy : 1828 = Nitaiza an’Ilaidama sy Mavo , izay samy nanjaka taty aoriana  Andriamihaja izay Tsimiamboholahy : 1829 = Noheverina ho rain-dRadama II. sady nitaiza ny andriambavy nanjaka Ranavalona I  Rainijohary izay Tsimahafotsy , niaraka tamin-dRainiharo: 1830 - 1864 = Praiminisitra  Rainiharo izay Tsimiamboholahy , niaraka tamin-dRainijohary : 1833 - 1855 = Praiminisitra  Raharo na Rainivoninahitriniony izay Tsimiamboholahy , niaraka tamin-dRainijohary : 1855 - 1864 = Praiministra sady nitaiza ny andriambavy nanjaka  Rainilaiarivony izay Tsimiamboholahy : 1864 - 1895 = Praiministra sady nitaiza no nanambady ny andriambavy nanjaka  Rainitsimbazafy izay Tsimiamboholahy : 1895 - 1896 = Praiministra saritsariny faha zanatany . Ny Tsimahafotsy tao Ambohimanga , araka ny fanirian’Andrianampoinimerina, dia atao Andriana tsy manjaka , izany hoe : Andriamasinavalona , fa nolavin-drizareo tanteraka . - Ny avy ao Imamo , indray dia nihevitra ny tenany ho Merina hiringiriny ary tena taranak’ireo tantsambo mpiantsambo “ Nusantara ” , fa tsy nihevitra azy ireo ho andriana na ho ambony firazanana na ho hova akory - Ny Tantaran’andriana izay nosoratan’i Pere Callet , raha adika dia Copiste ( Mpandika ) sy Mpanamboatra ( Compulateur ) mihitsy . Ny Documents Historiques d’après les manuscrits Malagasy . Maty tao La réunion izy ny taona 1885 , rehefa voaraoka teto Madagasikara ny taona 1883. - Aza adinoina fa ny taona 1820 no nisehoan’ny taratasy voalohany teto Iarivo; Faha Radama rainy izany , ka tsy sahin’ny penina adinoina - Ny trano lehibe hafa ao anaty Rova ; dia ny fiangonana izay najoron'i William Pool , eo atsimon'i Besakana tamin'ny taona 1869, rehefa nivadika ho lasa kristiana i Ranavalona faharoa. Ny fiangonana dia tonga dia natao trano vato avy hatrany ary tamin'ny 8 Aprily 1880 no nanokanana azy. Ireo ny trano sy lapa tao anaty Rova ka nopotehin'ny mpanasotasota ankehitriny. - Rtoa Razafindriantsoa no namorona ny hira Afindrafindrao . ] Ny Afindrafindrao : Ilay fiainana tena Malagasy Ireo maneho ny maha Gasy anao 2.1.7 Ranavalona III ( 1883 - 1897 ) hotohizana tsy ho ela
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/fitiavana
FITIAVANA
RAVINALA
Mientana anaty ny feon’zany fony Miredaredam-pitia, asa raha hisy mpandray. Ny aingany tsara, no alefany ho any, Asa, ho sambatra ve raha ho lavina indray ? Mietry tena malemy tahaka ny vovoka, Fa sarotra loatra ny fitempon’ny fo. Ry volon-drameva, marevaka sy mahafinaritra, Mila anao izy, hamafa ny loza manjo(a). Voninkazo mifaningotra amin’ny ao anaty, Ny herin’io fitiavany io. Vonoina vao mai-mihamafy. Maningotra ny aina rehefa tafahoatra Rehefa tohaina vao mai-ko mitroatra. Tsy mahasalama, ny fitia tsy tanteraka, Ny herin'ny vola vao tsy misy miresaka. Ny faniriana dia ho azy mandrakizay, Ny sisa ; tsy ilainy fa toa tany hay. Aza mahazo ny tsy filaminana, Ry fitava-masiaka sy masina indrindra. Ao anatin’ny fo no mitady handosirana, Fa tra-pahoriana tsy afa-mamindra. Ny fahafatesana iriany handramana, Raha indritsy ho very ny vony notiavina, Na ho vovo-davenona na ho vovo-tany Ny aretina am-po, tsy ho sitrana izany. Ny faniriany no vetesiko etoana Ny tsikinao hamiratra ka ho alo-dohataona Hiara-dalam-pitokisana, ho andry iankin’ny androm-piainany Tsy voafafa mihitsy ary ianao no hasambarany. Ny fitiavany ? Vonikazo merevaka loatra, Ny fibanjinana tsy anavahany ora Aretina no aterany rahefa izy no somparana sy terena hitroatra Ny herisetra ‘zay tsy tantiny rehefa miangavy ; ny fitarainany tsipazanao rora.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandrano/ry-vorona
RY VORONA
Felandrano
O ry voro-manidina an-danitra eny Avia manantona ho hafarako ianao Raha sitrakao dia mba ho ento ireo teny Indrindra aza adino izao hafatro izao Ndehana re mba tsidiho ilay malalako izay Ary ampitao aminy fa manembona aho aty Fa mitamberina eto daholo hoe ireo vitanay Hatramin'ireo voady sy dinam-pitia Dia teneno indrindra ilay tiako hatrizao Fa satriko hono hoe mba ny ho eo anilany Ka aza manam-panahiana intsony hoe ianao Fa na lavitra aza izy dia ianao ilay silany Koa ndehana ianao fa sasa-miandry izy izay Ary aza misy adinoina izay hafatro teo Dia lazao izy fa "mbola ho avy hoe ilay andro iray Izay fotoana sarobidy hihaonanareo Fᴇʟᴀɴᴅʀᴀɴᴏ
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-ho-raiki-pitia
TSY HO RAIKI-PITIA
AORN
Mba fero ny masoko tsy ho voasarika Fefeo zany foko aza avela hankafy Fantsiho zany saiko tsy hanao asa-marika Raha tojo aminao mba tsy ho raiki-pitia Sakano ny tongotro mba tsy hisampana Handeha tsy ho baikona toa ria-mikodàna Fa mila hisendaotra tsy mahandry tàntana Entanim-pitiavana Mbola mafàna Ny vatako mihitsy no ndeha hofatorana Tsy ho afa-mikofoka intsony amy zay Ianao zay lalaiko no fototry ny olana Dia aleoko tsy ho hitako mandrakizay
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/antenaina-album-aina-nafindra
ANTENAINA
NY Andri-Fara
ANTENAINA Amin'izao fotoana izao Dia teny sivy natambatambatra , No namehezanay ny tontolom-piainanao ; Ry Dada tena maminay . Nangina mantsy ny tanàna Nangina ihany koa ny tao an-trano... Fa tsy nisy mpiaro intsony ! Rehefa tsy eo ianao ry Dada . Impiry impiry moa? Ireo ezaka natao Fa niniana tsy tadidy ! Noho ilay ditran-janakao . Impiry ihany koa Ny anatranatra am-pitiavana Nahazoana fahavalo..., Ka nijoroanao ho Dada hatrany . Dada !anarana kanto Anarana mamiko . Anara-mirindra..., Tsy hay soloina na oviana . Alina ny andro Nangina ny ao an-trano 'ndreo ny mpianakavy...; Nanomboka nivavaka : " Tompo o! jereo ny Dadanay Aza avela ho kivy Aza avela ho ketraka..., Ho tena mpiahy anay Ary koa ho mpanafay , Hananatra ! Mba ahatonga anay ho olom-banona . Tompo o! Teny sivy natambatambatro...; No namehezako ny tolony ." Antenaina i Dada Dada!ilay hany antenaina.. Antenain'i Mama na i Neny Fa raha tsy teo i Mama..., Mpanolotsain'i Dada ! Asa lasa izay hitranga . Tsaroako tampoka androany . 04.04.2024 Ny Andri-Fara
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ranavalona-iii-madagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjaka-tohiny-sady-farany
RANAVALONA iii ;
NY Andri-Fara
2.1.7 Ranavalona III ( 1883 - 1897 ) tohiny sady farany Teraka ny taona 1861 ny mpanjaka ary 22 taona izy raha nandray ny fanjakana . Razafindrahety rahavavin’ny mpanjaka no nandimby azy ary nisalotra ny anaram-boninahitra Ranavalona III. Vita batisa tamin’ny 05 Aprily 1874 izy. Nisedra ady ity mpanjaka Tanora ity. Tapitra notifirin’i Frantsay mantsy ny morontsiraka sasany, noho izy ireo te-hanitatra ny zanataniny. Naharitra Roa taona ny ady 1883 - 1885. Vita sonia ny fifanarahana Malagasy - Frantsay, ny faha 17 Desambra 1885. Io fanekem-pihavanana io dia namaritra ny Résident Frantsay mipetraka eto Antananarivo hitandrina ny fifampiraharahan’i Madagasikara amin’ny any ivelany, dia Ingahy Laroche . Nomena azy ireo ihany koa ny helo-dranon’i Antsiranana, ary nomena onitra 2.000.000 Farantsa ny Fitondrana Malagasy. Nolavin’ny Praminisitra anefa ilay fifanarahana, tsy nanaiky ny fahefana nomena ny Résident Général, Rainilaiarivony, ka nataony izay nampitarozaka ny asa. Notafihan’izy ireo Toamasina ny taona 1894. Nanao fitaka tao Mahajanga ny Frantsay ny faha 01 Martsa 1895, izay notarihan’ny Géneral Duchesne . Tafiditra miandalana ny tafika Frantsay. 14 taona no nanjakan-dRanavalona III [16] , raha nananontanona ny naha zanatany an’i Madagasikara. Maro ny zava-bita tamin’ny naha teo azy tamin’ny fitondrana. Ny taona 1888 dia niitatra ny asan’ny misionera Loterana izay nandefa ny E.L.C na ny ( Evangelical Lutheriin Church ). Ny faritry Toliary no tena niasany. Ingahy Hogstad , no misionera nalefa tany ny taona 1892 izany hoe ny 14 Jolay 1892 , dia natolotry ny N.M.S , an’ny E.L.C hiadidy ny faritry Ambovombe, Behara, Bekily, Manafiafy, Manantenina, Manambaro, Manantantely, Ranomafana, Tsihombe, Tsivory. Nanorina Fiangonana tao Tolagnaro, sekoly normaly ao Manantantely, sekoly Biblika, sekolin-jazavavy ary toeram-pitsaboana ao Manambaro. Tonga tany Toliary ihany koa ny Lutherian Board of Mission ( L.B.M ) avy atsy Amerika. Ny Faritra misy ny foko Mahafaly sy ny Antandroy no nanombohany ny asany. Tao Betioky atsimo, Manasoa, Benenitra, Bezaha, Ny Hopitaly Soavinandriana faha misionera Tongobory, St Augustin Ampanihy, Betroka. Nanorina sekolin-jazavavy sy trano fitsaboana ary kilasimandry. Teo amin’ny lafiny ara-panahy, any amin’ny faritra betsaka Loterana ; araka ny fizaram-paritany nifanaovan’izy ireo sy ny L.M.S dia nisy ny fiavaozana ara-panahy lehibe ka nisian’ny Toby Fifohazana. Ny 05 Oktobra 1894 ; dia nahita fahitana izay nitarika azy amin’ny fanariana ny sampy izay nitokiany sy ny fandavany ny finoana nentin-drazany i Dada Rainisoalambo , tao Soatanana, tanànan’ny foko Betsileo, faritr’Isandra, nodimandry tamin’ny 08 Novambra 1904. Ny Friends’ Foreigns Mission Association na ny F.F.M.A, avy any Angletera. 48 taona i Joseph Stickney Sewel, raha teto Madagasikara; very anarana ho “ Ingahibesola ”. Ry Louis sy sarah Street, Frenjy Amerikana avy any Richmond, Indiana fa nifindra fonenana tany Angletera. Tonga teto Antananarivo tamin’ny 01 Jona 1867, nampianatra tao amin’ny Distrikan’Avaratr’Andohalo tamin’ny fampianarana ny zazavavy i Sarah Street , nanampy an-dramatoa Hartley, vadiny Richard Griffiths Hartley ary Joseph Sewell sy Louis Street , kosa nampianatra ny zazalahy tao amin’ny Ecole Centrale Ambodin’Andohalo izay teo ambany fiandreketan-dry Charles Thomas , Henry Stagg , avy eo nodimbiasan’i Baker. Tsy nohadinoina anefa ny fampianarana an-trano tao Ambohitantely izay nataon’i Joseph Sewell sy tao amin’ny taona 1864. Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny L.M.S sy ny F.F.M.A dia vita ny trano ka notokanana tamin’ny 24 Jolay 1872. Samy efa nitondra io Fiangonana io ireto misionera Frenjy ireto ny taona 1868 ka hatramin’ny 1908: Joseph Sewell; Samuel Clemes; William Johnson , John C. Kingzett ; Henry E. Clarc ; William Wilson. Naorin’ireto misionera ireto teto izay nananany tany aminy ho fampandrosoana ny Malagasy na toeram-panomanana ho mpampianatra ho mpitsabo na ho mpiasan’Andriamanitra. Tsy mbola afa-po anefa i Joseph Sewell fa nanorina ny sekoly teo Ambohijatovo atsimo, ilay tanàna natao fahiny hoe : “ Andranonamboa ”. Ny Alatsinainy 07 Febroary 1870 , no notokanana ny trano, vita niaraka tamin’izany ny sekoly tao Faravohitra. Niandraikitra an’ireo sekoly ireo: Sarah Street , Helen Gilpin, Miss Baker, Rachel Clarc .Niara niasa hatrany ny L.M.S sy ny F.F.M.A. Dokotera A. Davidson , mpitsabo avy amin’ny L.M.S ; no nanorina ny toeram-pitsaboana tao Andohalo ny Septambra 1862 ary voatery nikatona tamin’ny taona 1876. Ka ny fahatongavan’i Dokotera Fox, mpitsabon’ny F.F.M.A no nanokafana azy indray. Tery ny toerana ka voatery nifindra ny misonera ary nangataka izany tamin’ny mpanjaka, tamin’ny alalan’ny Praiminisitra Rainilaiarivony . Aleo aloha hiverenantsika kely ny tantara. Tsy tao Andohalo akory ny Hopitaly voalohany naorin’ny misonera, Dokotera Davidson , fa teo Analakely. Teo amin’io Toby miaramila voalohany na ny ( R.M.I ) io no nisy azy nanomboka tamin’ny taona 1862 ka hatramin’ny taona 1876. Voatery nakatona satria lasa nody Dokotera Davidson , ary tsy nosokafana indray raha tsy tamin’ny taona 1880, nahatongavan’i Dokotera Fox, mivady avy amin’ny F.F.M.A sy ry Dokotera Mackie, Miss Graham, Sarah Fox. Tsy toeram-pizahana marary ny tao fa nanjary toeram-panovozam-pahalalana izay te ho mpitsabo na ho mpitsabo mpanampy. 6 no isan’ireo mpianatra ho mpitsabo, fa niampy 4 izany tamin’ny taona 1883. Io atsimo kelin’ny tsangambaton’ny mpitolona 1947 etsy Ambohijatovo io fahiny dia toeram-pamonoana omby fahizay. Toy izao ny fifaneken’ny mpanjaka Ranavalona III, solon-tenan’ny Fanjakana Malagasy sy ny misiona L.M.S ary ny F.F.M.A. Raha nanorina ny Hopitaly Soavinandriana . [ Antananarivo, faha 14 Febroary 1889. Ny mpanjakan’i Madagasikara dia manome fahefana ny misiona L.M.S sy ny F.F.M.A “ London Missionary Society sy ny Friends’ Foreign Mission Association ”, hizaka ny tany iray ao atsinanan’Anjanahary ary atsimon’Antanambao izay misy ny fasam-bahoaka na ny fasam-bahiny ankehitriny, izay mirefy 120 refy ny lavany, ary 80 refy ny sakany. Io tany io no hanorenana trano fitsaboana ho an’ny Malagasy. Ny misiona voalaza etsy ambony dia tsy mahazo manao zavatra hafa afa-tsy ny momba ny fitsaboana ihany eo amin’io tany io. Ny misiona L.M.S sy ny F.F.M.A no miantoka ny lany rehetra amin’ny fanorenana ny trano; kanefa ny tany sy ny trano rehetra haorin’ny misiona aminy dia mijanona ho fananan’ny andriana mpanjakan’i Madagasikara, ka tsy mahazo manarakaraka na inona na inona eo ny misiona. Raha vao mijanona tsy hampiasa ny trano sy hampiasa trano fitsaboana eo amin’ny intsony ny misiona dia miverina amin’ny mpanjakan’ i Madagasikara ny tany sy ny trano rehetra eo aminy.” Ny nanao sonia. Avy amin’ny misiona. Atoa William Johnson , mpanora-draharahan’ny Medical Mission, J.C.Thorn izay avy amin’ny , L.M.S. H.F. Standing kosa avy amin’ny , F.F.M.A. Avy amin’ny Fanjakana Malagasy, Atoa Ramarosaona, mpiasa ao amin’ny raharaha momba ny vahin’i Madagasikara sy Atoa Andriamifidy ] Nahatratra 393,25 $, avy amin’ireo misionera Frenjy Britanika sy “ Sakaiza ” Malagasy. 1000 $ avy amin’ny mpanjaka Ranavalona III. 400 $ avy amin’ny Praiminisitra Rainilaiarivony. 849,87 $ avy amin’ny Fiangonana sivy teto Antananarivo. Mitontaly eo amin’ny 2645,12 $ ny vola voahangona. Vola izany! Efitrano lehibe misy farafara 15 ary efitra hafa nandoavam-bola nisy farafara 12 ary efitrano natokana ho an’ny mpiteraka sy ny ankizy. Nisy ireo trano fianarana ho mpitsabo, ho mpampivelona ary ny mpitsabo mpanampy. Atroa William Johson no tompo-marika nanao ny trano. Ny Dokotera Fenn, Dokotera Moss, ary Dokotera Ralarosy no nikarakara ny lafiny fitsaboana. Miss Bowesman na Miss Byam no teo amin’ny lafiny fandraharahana. Ny Alakamisy 13 Aogositra 1891 no notokanana ny trano. Nanatrika izany ny Mpanjaka. Eo anoloan’ny Fiangonana Protestanta izay nalain’ny Fiangonana Katolika ankeriny, ary mbola hiangonan’ny Katolika Romana amin’izao fotoana izao dia misy soratra toy izao: “ Izy naka ny aretintsika ” . Pejy vaovao indray no nisolo ny fiandrianan’andriana sy ny hova nifandimby nanjaka sy nitondra teto Madagasikara, rehefa niainana nandritra ny 110 taona . Hatreo amin’ny nanjakan’i Nampoina ka hatramin’ny Ranavalona III : 1785 -1895 . Tsy hay adinoina fa ny 6 Septambra 1874 ny F.F.M.A, no nanomboka ny fianarana Sekoly Alahady voalohany ary tao Ambohijatovo no nanorenan’Atoa Abraham Kingdom . Mpanao printy izay niarahany tamin’ny namany sy ny vadiny. Tamin’ny taona 2006 dia fena 132 taona ny Sekoly Alahady F.J.K.M.ary amin’ity taona 2019 dia ho feno : 145 taona . Tamin’ny taona 1890 dia natao « Conquit la région de Toliary » ny Printsy Ramahatra . 1883 - 1884 : nanafika tao Maroantsetsa ny Frantsay, nitohy hatrany Soamianina, Toamasina, Tsarasaotrinitompo, Vaingaindrano, Vatomandry ary Vohimanina. 1885 : nidiran’ny Tafika Frantsay i Mahavelona sy Mananjary, Vatomandry, Vohijanahary 1885 - 1886 : nafana ny ady teo amin’ny Malagasy sy ny mpanani-bohitra Frantsay. [ Fanamarihana: Ny tena marina dia tena filana vaniny ho an’ny Malagasy ny nataon’ny Frantsa, ka na inona fanadiovan-tenany na inona mety ataony dia diso izy satria tena asa fampirohorohoana tokoa no nataony teto amintsika, tamin’ny fandrahonana fa tokony aloantsika ny onitra momba ny mpandova an’i Laborde ary ilay fifanekena tamin’i Lambert, izay azo heverina fa tsy fahadisoan-dRadama II, mihitsy fa amin’ny maha zaza azy, 12 taona mantsy izy raha tonga teto i Lambert ary 3 taona izy raha tonga teto ihany koa Laborde . Rariny sy hitsiny raha nihenjana Ranavalona I sy ny mpifikitra amin’ny nentin-drazana ary ireo mpanompo sampy , raha nanohitra ny vahiny tsy hiditra teto, tahaka an’Andrianampoinimerina tsy namela mihitsy ny vazaha hiakatra an’Imerina, efa tsinjony ny fandehan-javatra fa ny tsininy ho an’ny Mpanjaka Ranavalona reniny dia ny rà marina nalatsany. Efa nomena sy naloa ny onitra 10.000.000 Ia ho an’ny Frantsa, Vola izany. Tsinjony Praiministra Rainilaiarivony io teti-kady io ka nahatonga azy nandrirarira foana ny fanekena. Efa nananontanona ny Protectorat. Nisy ary ny fanekena hafa natao tamin’ny 17 Desambra 1885, izay namarana ny ady nifanaovantsika tamin’ireo mpanani-bohitra ireo. Atoa Patrimonio sy ny Amiral Miot no nanao ny tetika vaovao sy paik’ady nomena ny Praiministra. Io ilay fifanekena tsy nazava sy nanjavozavo izay tena nanala ny toeran’ny Mpanjaka Ranavalona III sy ny Praiministra Rainilaiarivony. Naverina indray ilay fifanekena satria tsy nazava ary ny tena marina dia nazava tamin’Ingahy Rainilaiarivony ilay izy fa nodiany fanina. Ny 09 Janoary 1886 , izy sy Ingahy Le Myre de Vilers , dia nifanandrina tanteraka momba ny hanaovana an’i Madagasikara ho tany momba an’i Frantsa. Fa nahoana tokoa moa ? In-telo Le Myre de Vilers no tonga teto ( 1886.1888.1894 ). Toy izao ilay fanekena mampieritreritra: « Le Gouvernement Francaise représentera Madagascar dans toutes relations extérieures…un Résident, représentant le Gouvernement de la République, presidera aux relation exterieures de Madagascar » Tsy nanaiky lembenana ny tao Manjakamiadana sy Andafiavaratra. Azy i Madagasikara ka nahoana moa ? , Nosy nomen’Andriamanitra ho azy. Nanana ny Fiandrianany sy ny maha izy azy ka nahoana no hampirohorohoan’i Frantsa amin’ny azy. Rafitra indray ny ady. Izay ho hitantsika amin’ny Toko manaraka.] Atoa Ravoninahitriniarivo « Diplomate et Officier Militaire » 22 Febroary 1893, Tondra-drano teto Iarivo, hatreny Analakely nihazo anan’Andravoahangy sy Betsimitatatra, Ambohimanga. Mpiasam-panjakana Ingahy Le Myre de Vilers Ila morontsiraka Ny maha Malagasy [ Ity tantara ity indray dia fanampim-panazavana : .Tsara ho marihina koa anefa fa tamin'ny taona 1890 dia nanapa-kevitra ny hanorina lapa lehibe amin'ny biriky i Ranavalona fahatelo, izay nomeny avy hatrany ny anarana hoe " Masoandro ". Noho ny fanafihan'ny Frantsay sy ny fanapotehany ny Fanjakana Merina anefa dia tsy tanteraka ny fikasana ka ny fototry ny trano sisa no hany mbola miangana ao amin'ny faritra atsimo-atsinanan'ny Rova. .Nividy basy 500 amin’ny kesika 50 isa sy ny kojakoja amin’ny 10 kesika , izay novidiana 10940 Ar tamin’ Atoa Pakenhan izay masoivoho Anglisy ny taona 1874 , ny Malagasy . Ny taona 1882 , dia nanampy basy 5000 indray ny Malagasy ka ny vidiny dia 7000 Ar ary Robinson , no nandray ny vola tamin’izany . .Ny Fanevam-pirenena , faha Radama I , Mena sy Fotsy ary tena mitovy tanteraka amin’ny saina Polska ( Poland ) na Polona ankehitriny . Tsy niova mihitsy io Fanevam-pirenena io , fa ny Fotsy voadidina Mena ary nisy kintana na Voromahery ; ary nisy soratra R.R , na Radama Rex . Niova ho R.M , na Ranavalomanjaka , ary ilay Voromahery nisy Satroboninahitra teo ambonin’ny R.M . Faha Ranavalona II , dia tsy nanapaka toin’ny teo aloha ny Fotsy sy Mena fa mitsivalana na ( Diagonale ) . Faha Ranavalona III , lasa efajorokely ery amin’ny sisiny havanana ny Mena , eo ny Fotsy . Faha MDRM , dia naverina ny Saina Ranavalona II , fa mifanapaka eo am-povoany indray ny Fotsy sy Mena . Faha PADESM , dia nanjaka ny Fotsy , Mena , Maitso . .Ny Maitso dia mampiseho ny Tanindrazana sy ny Fanantenany . Faha Radama I , Teto Imerina , ny Maitso dia mampiseho ny lokon’ny Mainty sy ny Tsiarondahy . Fampiraisana ny Merina sy ny Mainty ny Sainam-pirenena Vaovao , ka ny Fotsy no tononina mialoha , izay manandrify ny hazo ary Efajoro , avy eo ny Mena izay ambony izay Efajoro ihany koa avy eo ny Maitso no ambany izay mitovy refy . Fotsy , Mena , Maitso no filaza azy fa tsy Maitso , fotsy , Mena . Ny Mena mantsy fehizay dia lokon’ny Sampim-panjakana Manjakatsiroa , ary ny Mena kosa lokon’ny Sampim-panjakana Kelimalaza . .Iza amin’ireto , fanjakana teto Imerina izay mbola maneho ny maha andriana azy ankehitriny ? 1.Antananarivo ve! : Izay nisy ny andriana : Andrianjaka , Andriatsitakatrandriana, sy ny andriana Andriatsimitoviaminandriandehibe, Andrianamboatsimarofy , Andrianampoinimerina , Radama I, Ranavalonana I , Radama II, Rasoherina , Ranavalona II , Ranavalona III. 2.Ambohimanga ve ! : Ny andriana Andriamborona , Andriatsimitoviamindrazaka, Andriambelomasina , Andrianjafy , Andrianampoinimerina . 3.Ambohimalaza ve ! Ahitana ny andriana Ralambo , Andriantompokoindrindra , 4.Ambohitrimanjaka ve ! Ny andriana Andrianjakatokana , Ramisa , Ratsimandresy . 5.Alasora ve ! Ny andriana Rafohy , Andriamanelo . Andrianambonimena , Andriamohara , Rabodonandrianomena, Ramanantenasoa 6.Ambohidratrimo ve ! Ny andriana Ratrimobehisatra , Ramorabe , Andriamananimerina , Rabehety , Rambolamasoandro , 7.Ambohitrabiby ve ! Ny andriana Rabiby , Randapavola , Ralambo , Rabehavina , Andriantompokoindrindra , Andrianavalonimerina 8.Ambohidrapeto ve ! Ny andriana Rapeto , Renilambo , Ratavy 9.Antsahadita ve ! Ny andriana Andriamangarina , Ramananimerina , Andrianamboatsimarofy , Rakarabo , Razafimanjaka 10.Ilafy ve ! Ny andriana Ravololondralambo , Radama II , 11.Imerimanjaka ve ! Ny andriana Rangita sy Rafohy 12.Ampandrana ve ! Ny andriana Andriampandrana , Rafandrandava , Rafandramanenitra 13.Amboatany ve ! Ny andriambaventy Andriamaheritsilaintany nitaiza ny Sampy Ramahavaly no lehiben’ny tafika ihany koa, 14.Ambohimanambola ve ! Izay nisy ny sampy Kelimalaza 15.Kaloy ve ! Nahaterahan’Andrianampoinimerina sy nisy ny rainy 16.Amboniazy ve! Nisy ny andriana Andriambahoakarainy , Andriambahoakaampovoantany 17.Ambohitrambo ve ! Ny andriana Andriambahoakarainy , Andriampivoanandriamanitra , Andriamarotafika , Andriamarobasy 18Ambohibeloma ve ! Nisy ny andriana Andrianjanaharimoriarivo ,Andrianambepihovohovo , Andriampoetsakarivo 19.Ambohitrondrana ve! Nisy ny andriana Andriamary . Lalonana tao an-dapa Ny Tsena zoma fahiny Rova tao Tsinjoarivo Razafinandriamanitra Fasana any anindran-tany *Ireo boky sy Gazety nanovozan-kevitra ary ny Site Internet : - « Tantaran’i Madagasikara : 1895 - 2002 » Antananarivo 2006 ; TPFLM ; Fametrahana laharana 807 / 12 / 05 : Randriamamonjy Fréderic - « Madagasikara . Todiho ny lasa , Bajino ny hoavy » TPFLM ; DL , N° 2503 / 04 / 2010 ; Rabemanahaka Jean Williberton , Pasteur Enseignant Chercheur - « Tantaran’ny Fiangonana FJKM Ambohitrarahaba » Komitin’ny Fankalazana ny faha 140 taona . - « Tantaran’i Madagasikara : Isam-paritra » Antananarivo 2006 ; TPFLM ; Fametrahana laharana 807 / 12 / 05 : Randriamamonjy Fréderic - « Tantara ny andriana » R.P Callet : Version Electronique . Fichier PDF - « Ny Famonjena ao amin’i Kristy Jesosy » Vita Printy tao amin’ny MADAPRINT Antsankaviro - Antananarivo ; Fametrahana Laharana 322 , volana Aogositra 1985 . Dokotera Ramasitera Samuel - « Ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara » Vita Printy tao amin’ny MADAPRINT Antsankaviro - Antananarivo ; Fametrahana Laharana 257. Volana Septembra 1983 . Daniel Ratefy , Mpitandrina - « Aina sy Hevitra » Gazety sy Boky . Imprimerie St Paul . - « Manuel de Procedures sur le Systeme des Gestion des droit d’Entree dans les parcs Nationaux et les reserves de l’Angap » Septembre 1994 - « Ataovy Kristiana ny Silamo » . SNITA . Dl N° 024 . 1995 ; Rabehatonina James , Mpitandrina - « Tantaran’i Madagasikara indray mitopy maso » Antananarivo 2010 ; TPFLM ; Fametrahana laharana 2372 / 10 / 09 : Randriamamonjy Fréderic - « Tantaran’ny Fifohazana eto Madagasikara » Natonta Fanindroany .TPFLM. Fametrahana Lah 21 / 2000 - « Antso Indroa miantoana loharanom-piraisana » TP.FJKM Imarivolanitra .Dl 020 / 04 / 97 . Rabemanahaka Jean Williberton , Pasteur Enseignant Chercheur et Raveloarison Georges , Mpitadrina - « Site Internet : Ny Vazimba » tamin’ny taona 2009 - « Site Internet : Presidence Madagascar » 2019 - « Site Internet : Primaure Malgache » 2018 - « Site Internet : Ministere de la Culture Malgache » 2017 - « Site Internet : Ny Tantaran-drazana Malagasy » 2020 - « Site Internet : Ny Fomban-drazana Malagasy » PDF - « Site Internet : CENI- Malagasy » 2013 – 2019 - « Archive FJKM Faravohitra » 2007 ; 2017 ; 2019 - « Archive Nationale Malagasy » 2009 ; 2018 - « Site Internet . Malagasy Riba » 2009 ; 2018 - « Site Internet . Histoire du Monde » 2009 ; 2018 - « Fintina tantaran’ny Fiangonana FJKM Ambohimiandra . 150 » Ny Komity - « Tantaran’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana » Joseph Ravoavison - « Ny Tantaran’i Madagasikara » TP Imarivolanitra . Dl N° é& Martsa 1965 . G.S Chapus , Dr es Lèttre - « Madagascar Revue de Geographie » Université de Madagascar . 1974 - « I Madagasikara sy ny Fivavahana Kristiana » Edition Ambozontany . 1992 - « Site Internet . Tantaran’i Merina : PDF » 2009 ; 2018 *Ireo Olombelona nanovozana Loharano :  Andriamatoa Ravoavison : Betongolo  Ramatoa Ravaoarisoa Marie Marine : Ambatomaro  Atoa Ravelontsalama Andrianarivo Richard : Ambatomaro  Atoa Ralaivao Emilson : Sud Caserne - Ambositra .  Atoa Rakotorahalahy Joseph . Ambohimiadana - Ambositra . *Ireo Fitsidihana toerana : • Rova Manjakamiadana • Rova Ilafy • Rova Ambohidrabiby • Rova Ambohimanga • Mahavelona . Manda Fort • Andrainarivo Fieferana . Avarandrano • Ambatolampy Fieferana . Avarandrano • Antanetibe Fandana • Tsarahonenana • Ambohitrombihavana • Masindray • Ambohimailala • Ambohimalaza • Andraisoro • Ambohimangakely • Ambatomaro • Ambohimanambola • Trano kolotoraly • Itasy • Namehana • Ankazobe • Masinandriana • Ma colline • Mahajanga • Andranoro • Toliary • Rova Ambositra • Rova Fianarantsoa • Isandra • Lalangina • Vohibato • Tsienimparihy • Ihosy • Valanjavamboahary Isalo • Valanjavamboahary Anja • Ireo toera-manan-tantara manodidina an’Antananarivo • Toera-manan-tantara tao Saint Augustin • Toera-manan-tantara tao Fenoarivo Atsinanana Ilay fasana manan-tantara ao Ireo manam-pahefana ambony Fenoarivo atsinanana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandrano/vavaka
VAVAKA
Felandrano
Andriamanitra ô Iangaviako indrindra Ianao Mba henoy re ity hatako Hitalahoako ihany koa Mba valio izany vavako Fa tomany sy taraina No mameno izany tavako Fa mampiferin'aina Raha izany fiainam-pitiavako Iangaviako Ianao sitrano Izany foko feno ratra Eny,miangavy aho Ray mba tantano Ity fitiavako mahantra Toroy lalana aho tsy hianjera Intsony tsy hahatsiaro Ilay izaho mba nanantena Miangavy aho Ray mba fohano Fa reraka ny foko Reraka ny saiko Ka indro aho mitoloko Mba tohano re ry Raiko Fa Ianao no tena hantenaina Hanasitrana ny fery Ka ireo jaly sy taraina Hiangaviako,soloy hery 17:07
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-zavatra-tsara
NY ZAVATRA TSARA
Fredy Jaofera
NY ZAVATRA TSARA Aza malaina hanambara soa sao voafafa ; Ilaina lazaina ny zavatra tsara ho jiron'ny hafa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/boky-iray
BOKY IRAY
Fredy Jaofera
BOKY IRAY Na inona na inona no voaray hatramin'izao efa nahasoa sy noraiketin'ny tantarany, ny fiainantsika dia boky iray tsy ho fantatra eto kokoa raha tsy any amin'ny farany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry-andriamihonosoa/misterinny-fiainana
Misiterin'ny fiainana
Thierry ANDRIAMIHONOSOA
Fony mbola zaza aho dia nianatra niteny Nampianarina ahy daholo ireo zavatra tsy haiko Hiatrehana ny fiainana no anton'ireny, ka zary toro-lalana izay rehetra voaraiko Nandalo teo ny mamy, dia nisy koa mangidy Ka tena niady mafy mba hanoherana ny latsa Ny hambom-poko sy ny tanjoko anefa no nanampy ahy tsy ho kivy, ka zary honohono foana ireo mangidy sy ny ratra Te hiteny aho ankehitriny hoe: misaotra anao ry fiainana, nampianatra ahy hikaroka sy hiala ny hakamoana Ireo sedra nandalovana no nitondra ny fisainana, mba hanenjik'ilay tanjona ahitana fandrosoana taminao ry fiainana no nahaizako niafy Ianao no vavahady izay nahazoako fandresena Noezahinao nankaherezina aho raha sendra ady mafy, ka niova ho lasa tanjako ireny fahalemena Fiainana ô! izay momba anao dia mbola hiafiako, ndao hiaraka hanangana 'lay ezaka vaovao Hiaraka isan'andro mba hanomana ny ampitso, ka ho ataoko raki-tsarobidy ilay misiterinao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fandrosoana-nofinofy
FANDROSOANA NOFINOFY
AORN
Mbola handroso ve isika Raha mitombo tsy an-kijanona Ny elanelan-kadin’ny mahantra sy ny manana? Fa ny ankamaroan’ny olona Dia miady sy mitolona fa Misondrotr’ isan’andro ny sakafo atao fahandro Ny kapoakam-bary indray Miaka-bidy mahamay Indray mahandro ny maraina, d’efa mionona ny saina Mbola handroso ve isika Raha tsy miafina intsony Reo jiolahy miray an-tendro amin’ny olona ambony? Fa iniana korontanina Sy avela ho fanimpanina Ny asa sain’ireo vahoaka zay matahotra hitroatra Na an-tsaha na an-tanàna Dia atao zay tsy hahatamàna Ahazoana maka tany misy harena tsy hita lany Mbola handroso ve isika Raha aseho miharihary Fa tsy ho an’ny mpanambola ‘zany miditra hopitaly? Ka raha mila vonjy aina Tsisy ininona antenaina Amy reto zay voalaza fa mpitsabo fanta-daza Fa ny vola no miteny Raha tsy misy dia manjeny Ka ny aza voany ihany fa tsy misy mpanontany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/vavakilay-mafy-ady-album-aloka-sy-tsiky
VAVAK'ILAY MAFY ADY
NY Andri-Fara
Vavak'ilay mafy ady Indro Tompo o! Tsy hitsahatra ny feoko , Na dia hangozohozo aza; Hangatam-bavaka Aminao..., Fa taom-baovao ny andro . Tompo o! Ny hany faniriako , Dia hitondra zava-tsoa. Faniriana ihany anefa , Fa izay Sitrakao ny sitrako ..., Tsy ho kapoka mavesatra Fa ho taom-baovao...; Hitondra fahasambarana; Taom-baovao tsy hisy fitsaharana .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/lefy
Lefy
Rabarison Roberto Stephan
Lefy Nakaiza ilay fitiavana taloha? Sa dila ve ? Sa niova koa? Voatazona ve ilay toky sy dina? Sa nisy ny elanelana dia lefy toa varina? Ny fanotanina toa mipetraka Ny vatana toa kivy sy mivalan-ketraka Hoe fa nahoana kay? Sa ve ianao efa leo Dia navelanao izaho angina irery sy mitoreo Tsy nampoiziko hoe ianao kay telo miova Tsy nitazona loko iray fa toy ny loko-poza Azafady raha toa ka mively amin'ny teny Fa tena efa tsy zaka sy mampi-teny irery
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volana-hasimalala/sakaiza-fahazaza
Sakaiza fahazaza
Volana Hasimalala
SAKAIZA FAHAZAZA Zandry foana hatrizay Io no niantsoanao ahy Ianao noraisiko ho zoky Fa ilay sakaiza nahatoky, Dia nifanjohy hatrany isika Ka niaraka teny foana Na ny andro nangatsiaka Sy ireo oran-dohataona. Dia nolazaiko anao daholo Ny hafaliana sy alahelo Tsy nasiako fanahiana Mpinamana nahavariana. Ireo tsiambaranteloko aza Notantaraiko tsisy banga, Naharihary anao daholo Izay tato ampoko manontolo. Rehefa tezitra iny anie aho Dia taminao no niantefany Ny fahoriako, ireo talaho Niarahantsika nitomany. Kinanjo nony tato aoriana Ireo fihetsikao dia nahavariana, Nisarisary toin’ny tia Ka nampahatahotra ahy ery. Dia fahasahiana tsotra izao Tsy nasianao fanenenana, Nilaza ho tena tia ianao Ka vonona ny haka toerana. Hagagana sy alahelo Minitra iray toin’ny helo Ilay naha-mpinamana hatrizay Nofonoisinao tantely hay sakay. Nirotsaka eny ny ranomasoko Naratra izato foko kely, Adalana hoy ianao Nihodina nihomehy irery. Hoy indrindra mantsy ianao tamin’izay : « Tena tia aho matoa nikiry Nanaraka ireo sitrakao, Nikolokolo, nitahiry Nanjohy sy niaro anao. Dia ho avelako amin’izao, Ho voa tohazany ianao ? Ireo fahadiovanao rehetra Nambenako eny tsisy fetra. Folo taona ngarangidiny Nafoiko ireny ho anao, Fotoana mamy hay tsisy vidiny Ankehitriny nolavinao. » Indrisy ! Dia tsy haiko izay hambara, Faniny aho sy toin’ny adala, Sady jamba no marenina, Moana tsisy hotenenina. Hany heriko : nanakipy ireto masoko Nanangona ny herin-tsaiko, Veloma ianao ry nolalaiko Ry zoky tiako tsy ho voasolo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lamin-tsaina
LAMIN-TSAINA
Fredy Jaofera
LAMIN-TSAINA Rehefa tsy te ho ketraka fa ny ho miramirana isa-maraina sy mendrika ho tanana, ny olona dia mipetraka any amin'izay misy lamin-tsaina rehefa mila fiadanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/rado-sy-ny-tononkalo
RADO SY NY TONONKALO
AORN
Rado sy ny tononkalo 'zay nitaiza fahazaza Ka na inona nandalo tsy mba nety lefy laza Maro be moa ireo mpamaky No vaky fo misesilany Voanfantsika any anaty Ka misento, mitomany Mbola maro mpankafy Ny tononkalo vantambatana Indrindra ireo mpifankatia Mbola andalam-pisandratana Noventsoin’I Rado koa ny fitiavan-tanidrazana Hita taratra ao tokoa Fa tena Niaina fanabeazana ireo amboaran-tononkalo "Dinitra", "Ando", "Zo" na "Sedra" Noventsoin’ireo mpikalo Ka vao maika tafatoetra Ny “Voninkazo adaladala” Sy “Ny teny Malagasy” Samy tsisy tsy nahalala Fa nitety lakilasy Fa ny tena nahaliana Dia ny fampitàna hafatra Tononkalo miady rima Sady tena tonga lafatra Ankehitriny d’efa maro Reo nasondrotry ny tany No mpiantsa tononkalo Nankafy sy nakamamy Ny tenanao no efa lasana Ny soratrao no indreo mitoetra Tsy voavadiky ny fasana Reo tononkalonao rehetra Mandria am-piadanana Rado
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsilo
TSILO
Fredy Jaofera
TSILO Tsara ny efa mitsilo hampety izay atao sy hipoiran'ny soa : aza mamboly tsilo amin'ny lalako ianao rehefa tsy te ho voa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tomponny-teny
TOMPON’NY TENY…
RRAG
TOMPON’NY TENY… Tonio aloha ny fo, banjino izay tsy nety, tsy atao mampiasa loha, raha rahom-betivety. Hisava ihany ireny, rehefa tony tsara, tsy hoe raha tsy miteny, dia tsy manan-ko ambara. Aleo hivatravatra, hanao be fiavy, toy ny mahazatra, tsy mba manambitamby. Maneso sy mandatsa, manompa no hany hainy, fa taiza tamin’ny lasa, no tsy nantsoina hoe tranainy? Fa hisy tsiry vao, hitondra hazavana, hampitony anao, satria, fela-mahatamana! Mosoara sarobidy, famafa ranomaso, fiaro tsara hidy, atahoran’ny mpiankaso! Dia foana eo ny sento, tsy hisy koa tomany, nefa moa, aiza ho aiza eto, raha mbola eto an-tany, tsy hisy fahoriana, sy jalijaly kely? Ny antsika faniriana, fa Andriamanitra, no tompon’ny teny!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ory-hava-manana
ORY HAVA-MANANA
Fredy Jaofera
ORY HAVA-MANANA Ory hava-manana ka hafahafa loha : sakantsakanana rehefa mahasoa. Ory hava-manana ka feno fialonana fa izay ninianana, tsy azony ironana. Ory hava-manana ka mamorina ady ; tsy ny fihavanana no tiany hianjady. Ory hava-manana ka ny haratsiana no fananganana an'ireo fifaliana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-anio
NY ANIO
AORN
Hiaino aloha ny anio, f’izay no efa lahatra Ny ampitso ambadika any tsy misy mahafantatra Ny omaly efa lasana, tsy azontsika tànana Fa rano latsaka iny, tsy azo niamaharana Ny anio no tsara indrindra, zay hamondronan-kery Ezaho ho tafampita, lay vina sy fijery Ka raiso ho lesona avy, ny lasa nampipotraka Ka saina no mivonona ny fo tsy mila trotraka Ny anio no atao filamatra, zay hanefàna adidy Dia aza be fandahatra, fa ny ora sarobidy Dia aza miandry ampitso, santaro dieny izao Ndrao tsy afaka intsony ka hanenenanao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/alahelo-tsy-miala
ALAHELO TSY MIALA
AORN
Tsiaron'ilay Reny iray nandao ny zanany vao 10 volana monja...nangidy taminy loatra izany na dia efa dimy taona lasa aza ...tsy mety miala an-tsainy Tsiaro tsy mety mangiana Tamberin’ny lasa mipody Mangidy raha Mbola olon-tiana Vao kely dia lasana nody... Ny feony manako eny foana Toa Henon’ny aty fanahiny Dimbiasan’ny taona sy taona Voarongatra hatramy tsiahiny Fa menaky ny ainy tsy foiny Tsaroany lay fibadabadany No efa tsy an-tanany intsony Ka mila hampalemy ny vatany Alahelo manjohy ny ao am-pony Tomany no setrin’izany An-taona vao mety hahatony Ny tsiaro nanao sesilany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/izaho-sy-ianao
Izaho sy ianao
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Izaho sy ianao ilay mpisakaiza tsy nifandao hatram'zay Niombon-tsoa, niray tomany, niaraka namakivaky Alon'onja samihafa izay tena nampiray Enga anie izaho sy ianao, mba ho iray ka tsy ho vaky Eny ekeko ireo tsy laviko, eny ekeko; nefa kosa Misy tanjona iray tsy niombonana safidy Io no lalana iray tsy niarahana nizotra Lalam-piainana mafonja, sady tena sarobidy. Teo isika no nisaraka ka nanampana ny dia Nefa kosa ts'hifanary, raha misy diso fanantena Ny ahy nizotra niankavanana, ianao kosa niankavia Fa filamatra niraisana: #hampanjaka-FAHENDRENA.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/anatranatra
ANATRANATRA
AORN
Mitiava rehefa tia Dia meteza ho mpankafy Misambàra ny fiainana Pero koa ny fitarainana Misainà mba ho mpandresy Fa fadio ny miotra fefy Mitsangàna mba ho sahy Asehoy fa lehilahy Mahasahia dia mandrosoa Fa hisitraka ny soa Mifalia raha tojo izany Fa mandalo ny eto an-tany Mandiniha ka mikaroha Fa aza ho entina amy fo Mianara aza malaina Rehefa Mbola velon’aina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yromy-ravelo/lifero
Lifero
YRomy RAVELO
Hileferiko isan’andro fitiavana Higohako mangindy tsy misy fetra. Hafoizako aina tsy manampetra. Leferiko isan’andro fitiavana Tsy hay ho tomombona fa…, Mampanontany tena. Sa…Iza moa tsy hiarany?, Nefa leferina iany. Injato ilay fo ratsy miharihary, Mampitebiteby,mampihorohoro. Ilay tahotra tsy hay lazaina, Tsy fantatra raha fitia va? Vola va,sa efa fiainana ?. Nefa leferiko iany fitiavana velon-taraina ny olana , Korontana ilay fiarahamonina, Tsy mahalefitra foto-pitiavana. Hany ka misarabazana fony velona, Ka,Tsy ho faty afo am-po. Lifero iany ilay fitia mampisento.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandrano/ho-namanao
HO NAMANAO
Felandrano
HO NAMANAO Dia mpinamana eny foana Ny nifandraisantsika Fotoana vitsivitsy,eny, efa ela ihany izay Tsy nisaina Ny hanova na hamadika Ny dina efa vita Fa mpinamana madio Dia atao ho ampy izay Kanefa akia ialako tsiny Eny,ifonako ihany koa Fa angamba ataoko hoe Tsy safidy Raha toa Ka babonao Ny fo Efa niezaka aho hatramin'izay Ny hanaiky anao ho namana Kanefa inoako Fa Tsy fahotako raha reko mahamay Ao am-poko ao ilay fitiavana Fitia mangina anao Kanefa aza ianao manahy Fa Ny tsapako ato anatiko Tsy ho lazaiko na oviana Eny,Tsy maniry koa hoe ho tia sy tiana Fa ataoko ampy ahy Ny finamanantsika Eny,namako ianao Namako tsy foiko indrindra Nefa akia hatramin'izao Hiriako Tena hiriako Raha izaho sy ianao no mba hiaraka hamindra Andeha hidola sy hanjohy iny lalam-piainana iny Eny,tsy ho mpinamana fotsiny toy ny ankehitriny Fa ho mpifankatia tokoa Eny,ka ho lasa "IRAY" ny roa Indrisy, Toa rediredy ihany Izany tanisaiko izany Nofy tsy ho tò Fa toa mainka handratra fo Raha sanatria mitohy Ehh!! indrisy akia ry tiako Fa tsy afaka aho ny hanjohy Iny lalanao iny Mijanona ho nofy, Eny,nofy tsy hitohy Fa tapitra eny rehefa izaho mifoha Ohh!! Miezaka aho izao mampionona ny fo Ary ekeko eny foana ny ho namanamanao Eny,hijanona eto foana ho Tena namanao Namana Tena hatokisanao 18:50
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/handrava
HANDRAVA
Fredy Jaofera
HANDRAVA Ny tiako haely hatrany lalandava, sady mivaivay : ny lainga kely dia mety handrava ny toky be iray.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/elanelana
ELANELANA
Fredy Jaofera
ELANELANA Ny elanelana, mampisaraka ny vatana fa tsy ny fo ka mamelana ny toky izay mivantana sy mbola to.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ananany
ANANANY
Fredy Jaofera
ANANANY Vola no ananany fa tsy fanahy ka ny fiadanany, mampanahy. Vola no ananany fa tsy saina ka itony anarany dia tsy ilaina. Vola no ananany fa tsy andry ka tsy fivoarany, na hiandry. Vola no ananany fa tsy vazo ka dia tsy arany ny mahazo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/maty-lay-mananontena
MATY LAY MANANONTENA
AORN
Noana izy dia tolefika Lasa hatramin’ny ambiroany Efa nihoatra izany fefika Ka nanenika ny lohany Omaly hariva no tsikaritra Fa tsy nihinana intsony Tsisy ininona azo harapaka Tsisy ininona tsaroany Nisy ihany ireo mpandalo Nangatahany sakafo Fa nandray toa fahavalo Na nandoro ho toy ny afo Raha zohiana izato lasany Olona mananontena Sy voaroaka tamin’ny asany Nivarilavo mahonena Dia nilofika ny satany Tsisy fofon’aina intsony io nitsipaka ny vatany Fa nijanona ny fony
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mbola-ombay-mitady
MBOLA OMBAY MITADY
AORN
Very omaly hariva lay fitia nitiavako azy Toa nisafoaka tampoka nitsoaka an-tany efitra Ka toy ny tsatok’antsy tsy nisy vazivazy Ny namadihany ahy, niharihary tsy an-kandefitra Rovitry ny sota 'zato foko resy lahatra Nino an-jambany ihany tamy teny feno angola Nefa hay ankaso feno fandrika amam-ahatra Ka ny tenako avy no indro fefika sy tola Na ny rafiko aza tena sahy namatrapatratra F’izy no safidiny ary ny hafa sarintsariny Nitambatra izy ireny ka nitoby sy nifatratra Tamy foko adala, nahatsapa ny marariny Mbola ombay mitady ilay fitiavako tsy tànana Tsy niselontselona tanaty tato ho ato Raha mba misy tia mbola asaiko miandry tantana Fa ny foko aloha mbola mihidy rindrim-bato
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tandrify/vetsom-bavaka
Vetsom-bavaka
Tandrify
Voahodidim-pahavalo ny lalan-kizorako Feno fandrika miafina mamingampingana Araraotin’ny hafa ilay fahatsorako; Ny momba ahy rehetra no tiany ho ringana. Tantano ny fiainako ry Ray ao ambony Fa mbola malemy, tsy mahasara-dia Aza avela hirona amin-dratsy intsony; Ambeno ny foko, aza avela hania. Omeo fahalalana ombam-pahendrena Hahaizako miaina sy misaina tsara Ka hionona amin’ny anjara nomena; Hitsinjo ny hafa sy ho tia mizara. Tantano eny an-dalana mba tsy ho very Fa lala-mideza ny eto an-tany Ambeno sy arovy, sikino ny hery; Hizotra amin’ny lala-mahitsy hatrany. Tao anatin’ny sarotra no nahatsapako Fa Ianao no Ray mpampahery ny reraka; Aminao no anankinako ireo fikasako, Ka raha sitrakao, aoka ho tanteraka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njerarica/mpiandry-omby-vola-vita
Mpiandry omby vola vita
Njerarica
Efa nampianariko ny foko hahay hionona Mihitsy hanadino fa tsy anjara ny amintsika Mifona aho ry fitiavako fa ianao no ataoko sorona Mantsy ianao tsy tompony fa mpiandry omby vola vita Efa nampianariko ny saiko tsy hanantena Fa iny olona iny dia efa manan-tompo Mihitsy tsy sahaza ity foko mahonena Fa ilay fitiavana natolony ,tsy volamena fa akoso Efa haiko mantsy raha toa aho ka misisika Fa handratra izato foko ny fiarahako aminy Fa raha ho avy hamerin' azy,ilay lasa sy nipitrika Ataony ahoana moa ny handa ny olo- maminy? Nefa tsy maninona fa ampiko izy hanakaiky ny olon-tiany Fa izaho kosa hiezaka hanalavitra ny fony Ho fitiavako azy farany ,dia ataoko izay iriany Fa aorian' izay angamba izahay tsy hihaona intsony Fa iriko izy ho sambatra na aza tsy eto anilako Hitia ny tena tiany sy ho tiavin' olon-tiany Hiresaka ny tiany aho mba hitiavany ilay silako Fa tena tiako loatra raha iny vehivavy iny Hivavaka amin ' ny Ray aho mba ahazoany fiadanana Na aza tsy ny tanako no hitantana ny tanany Iriako ho paradisa sy ho ampok' hasambarana Ilay rafiko sy mamiko sy ho an izay taranany Eny e!, ekeko hoe :malahelo aho fa tsy ela io dia hisinda Ohatr' anao ihany rehefa tena tia Saingy sarotra amiko raha toa ka hoe: ny hanimba Fahasambaran ' olon-tiako sy ilay olona nania (Kanefa tena tiany) Mihitsy aza ianao toa saika hamono tena Tsy nahinan-kanina fa tena leo ny miaina Eny, mihitsy aho te hidera ny fonao volamena Tsy sasatra nahilika fa mbola nitaraina Ka soa no horariako amin' ny fiaraha-nareo roa Tsy arahako alahelo fa ombako ny tso-drano Mifankatiava tsara , miteraha dia mazaho Izay ry tiako fa veloma dia...mahorena tokantrano.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ampahany
AMPAHANY
Fredy Jaofera
AMPAHANY Hoy aho malaky raha toa tsy hay ny momba azy sy ny sahany : tsy misy mpamaky hahazo boky iray raha tsy niaina ny ampahany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tsiaro-azy
TSIARO AZY
LAVENONA
TSIARO AZY Any izay izy any...!! Efa tojo ilay niriny sy akaikin'olo-tiany ♡!! Ka...tsy manana ahiahy Angamba tsy toa ahy, ... Izay ory lalan-dava tsy mba miramiran-tava fa dia tibo-dranomaso Sy hianjadian'ny akaso Isan'andro vaky izao Mantsy hatramin'izao, dia.. Zary ny gitara no mba solon'olo-tiako Ka io no hiangaliko, Sy hikaloko irery Irony hira mampahery Sy mampionona irony Eny,io no mampitony Ny any anatiko any. Rehefa tsapako injany,fa.. Mavesatra ny foko Ehhh.............!!! Any mantsy izy any!!!! Mahazo teny mamy sy horokoroka matetika Efa ampoka sy tretrika Nahazo ny anjarany.......ka voatambitamby tsisy farany ♡♡!!! Eny ee...!!! Mantsy efa tsy mety intsony raha ny hangalatra ny fony ho baboiko trotra izao fa ny azoko atao ,dia manadino ny tantarany Ndrao hanimba ny hasambarany Any antanan'olo-kafa Ka...............................!!! Na ireo tafatafa Sy ny tafasirinay Ireo resadresaka hatrizay,dia... Ho ezahiko hadinoina iniako tsy ho tsaroana Hatramin'ireo sarin-teny eny,Ireny rehetra ireny dia.....ho esoriko ato an-poko Ka mba tsy ho hadisoako dia..ho hajaiko ny safidiny ho gohako ny ngidin' ny sentom-pahoriako fa rehefa sambatra izy dia izay no fifaliako. Hhhh.....! Mantsy izaho no diso Fa tsy izy velively! Mantsy izaho no diso Satria aho tara kely Vao nanokatra ny vavako nilaza ny fitiavako Hiantefa tany ampony Rariny raha tsisy intsony Ilay fitia toa voninkazo Tsy navelany halazo Izay nomaniny ho ahy fahiny Tsisy intsony izy ankehitriny Fa efa natolony olon-kafa Ka dia very sy voafafa Raha ny momba rehetra Satria dia nisy fetra ny fotoana sy ny ora Ka dia lefy moramora Toy ny zavona maraina Tao am-po sy tao an-tsainy Ilay fitia izay nokoloiny Indrisy, novonoiny Fa efa hitany ny soloko Hiara-dalana aminy Tsy foiny sady maminy Dia ilay tena tiany indrindra! Indrisy.........!!!!! Soa lavo hahay hamindra e! Soa kenda hahay hitsako Ka aleo hovaiko tsiky Ireo sentoko hatrizay Dia...aleo ny hoavy indray,no.. Hatrehina manomboka eto Fa hofaranako hatreto Raha ny fahatsiarovako azy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hafa-ihany
HAFA IHANY
AORN
Maro be ny tsara Kanefa hafa ihany Ianao zay azo ambara Fa tokana aman-tany Maro be ny meva Mikasa hahazo toerana Fa hafa ianao mateza Na dia tsy fanaperana Maro be ny raitra Mirenty sy miloko Fa tsy mahataitra Mampiodina ny foko Fa tiako foana foana Ianao sy ny tontolony Tsy fantatro hoe nahoana Fa raisiko amam-bolony
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/volana
INY VOLANA INY!
LAVENONA
INY VOLANA INY! Iny vola iny ... Iny no banjiniko rehefa tonga ny alina arahin'ny tontolo izay mitony sy mangina Ary koa hanambarako ny ventsoventso lalina Rehefa injay tsy tana ny embona anao ry Tiana Eny...., iny volana iny Ilay hany fizarako ireo tsy tsiambaratelo.. izay mirakitra ato ampoko sy ny momba ny fitiavako Mihitsy ,amborahako ny angon'alahelo Na aza tsy misokatra hiteny izato vavako Dia iny volana iny no manazava hatrany Anaty aizim-pahanginana ,mahatsiaro anao rahavako Noho izany mahalala na ny tsiky na tomany No misoritra amin'ny tavako Ka izao malala a, izao no hany hafatra ataoko aminao fa ataovy antsaina foana ,mihitsy aza adino e! Raha toa ka mahatsiaro, sy manembona ahy ianao Dia iny volana iny , iny no banjino!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mpitendry-lokanga
MPITENDRY LOKANGA
AORN
Tantaran'ilay Mpitendry lokanga, izay tovolahy tso-piaina sady tsy mieboebo. Henon'ny Mpanjaka ilay feon-dokanga, ka nampanantsoina izy hiakatra lapa haneho ny fahaizany... Mpitendry lokanga ikoizana Sady miavaka anatin’ny maro Hira tsotra io na fampandihizana Na koa gadona atao mifangaro Tovolahy tsy mba tia sehoseho Saingy tia miara-miasa amin’ny hafa Tsy be teny sy andrenesam-peo Fa avy hatrany dia arahiny asa Rehefa tonga lay harivariva Njao fa heno avy lavitra any Feon-dokanga zay manivatsiva Mampientana, mampitomany Zay lalovan’ny feo dia tamàna Satry foana hiangola fa tia Dia sondriana zay ao an-tanàna Fa misitraka sy mankafy Ndray maraina izy nampanantsoina Fa hifety ny anatin’ny lapa Ka lokanga no hikalokaloina Zay no didy nataon’ny Mpanjaka Rehefa tonga amy 'zay ny fotoana Vory lanona koa ireo Tandapa Dia nijoro avy teo anoloana Lay mpitendry zay niakatra lapa Ny Mpanjaka ary no nisafidy Zay tendrena sy tiana hiraina Izy mantsy no masi-mandidy Ka toavina sady hajaina Dia nanomboka ny fitendrena Ka variana zay naheno izany Tehatehaka tsy hay nofefena Lay Mpanjaka nandihy avy hatrany Dia nitsangana hatramy nasaina Nandihy soroka sy latsin-tànana Sendra tojo am’lay nokasaina Reo nanotrona tsy hay nosakanana Totorebika mandra-maraina Hafaliana tsy nisy ohatr’izany Fa niravo ny fo sy ny saina Feon-dokanga tsy tapitra ihany “Afa-po” hoy ny mpampaka-teny “Zao no didy avy tamy Mpanjaka: Tsy maintsy hotohizana ireny Ka ianao no mpitendrin’ny Lapa”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/lalam-piainana
LALAM-PIAINANA
LAVENONA
LALAM-PIAINANA Lehilahy iray efa nahazoazo taona Nanaitra ny eritreritro no sady nahavariana Tafara-dalana amiko ,mangina toa misaona embona mandalo ve sa...tojo fahoriana e ? (mba tiako hanontaniana) Hitako amin'ny endriny ny vesatry ny ankaso lasalasam-borona toa tototry ny tsiaro Fiara moa iraisana ka dia nanomba-maso nandinika azy tsara aho..minitra maromaro (nibanjina azy fatratra) Fotoana koa nenjehina kanefa mandra-pialako... tsikaritro eny an-tanany, indro voninkazom-paty ! misy soratra eo hoe :" HO AN'NY VADIKO MALALAKO (angamba anaram-badiny ) Nisento tokana aho..., no sady lasa saina Toa nisy feo nibitsika avy ao anatiko ao ! Eeeh ! Mifankatiava hatrany raha mbola velon'aina ! fa maharary loatra ny tranga toy izao ! (Aza misy anie izany...) Efa dify lavitra ny tranoko ilay fiara "Misy miala tompoko !" hoy aho nahatadidy ! iny aho fa nitsangana dia nojereko tsara... ilay raim-pianakaviana nizaka ny mangidy ! ( rehefa nidina aho dia...notohizany ny diany)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/indrisy-ry-taniko
INDRISY RY TANIKO!
LAVENONA
INDRISY RY TANIKO! Rahoviana vao mba hiova ianao ry Gasikara? Fahantrana ve no lova sy hany mba anjara napetraka ho anao? Angamba kosa Tsia o! Tsia hoy aho satria... ny olonao mihitsy no misetrasetra loatra, Ka raha misy te hivoatra , sy te mba hanao diangana... dia indro fa voafingana. Tsy misy mahavoadingana... tokonam-pandrosoana Fa avy dia vonoina Izay mba manao ny marina Ny hany mba tafarina ? ireo mpanao ampihimamba Ny vahoaka odiany jamba Nefa dia fetseny ankolaka Mantsy ireny be takolaka Am-pamadiha-tanindrazana Ny olona etsy mihidy vazana Tsy mahita izay harapaka Ny azy famatsiana tapaka No hiasan'ny sainy ! nefa anie dia tsy ho zarainy ho an'ny gasy velively Ireny fanampiana ireny Raha mba tonga eny an-tanany e!! Fa dia lainga hamahanany Ireo vahoaka efa ory Sady tsy miantra akory Fa maneho fitiavantena Sy mambotry firenana!! Indrisy re ry Taniko!!!! Toa tsinjoko sahady Fa vao maika ho any ankady izato ianao ry GASIKARA Ka ny taranaka any afara no hibaby ireo trosa Misavovona, miavosa Izay nindramina hatrizay Amin'izay fotoana izay.! Ho SANATRIA ANIE IZANY !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/poeta-ianao
POETA IANAO !
LAVENONA
POETA IANAO ! Amiko ianao no Poeta.. fa tsy olona ohatran'ireny ! mahafehy ny rima sy teny ! Mpiangaly amin'ny resaka kanto... Mivetso amin'ny feo mahasondriana manaitra sy milantolanto mambabo sy mahavariana Poeta ianao raondriana a! fa aza manda eo intsony...! Porofo tsy azo hidifiana itony asa soratra itony ! Ka amiko ianao dia Poeta
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tanora-mifidy
TANORA MIFIDY
LAVENONA
TANORA MIFIDY Tanora aho kanefa tsy adala! No sady nandia lakilasy ! Misaina ary koa mahalala ny fiainan'ireo Malagasy ! Tanora fa tsy azo vidiana na tambazana vola sy harena ! Fa mahafantatra izay hofidiana hampandroso ity firenena ! Tanora tsy mora voatarika raha toky tsy hisy ho tontosa ! Mijoro ka tsy mba voasarika amin'ireo velirano mihavosa ! Mpifidy tsy resinao lahatra amin'izay paradisa tsy hita Fa mandinika tsy mba mitsahatra ireo fampanantenana tsy vita !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/radama-i-tohinymadagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjaka
Radama I ( Tohiny...Madagasikara fahagola sy faha-mpanjaka....
NY Andri-Fara
[ Sary nataon’i Compal ] 2.1.2 Radama I ( 1810 - 1828 ) Natahotra noho ny tsy maha mety ny hizarana ny fanjakana, tahaka ny nataon’Andriamasinavalona ilay lehilahy hendry atao hoe : Hagamainty, mpanolotsain’Andrianampoinimerina noho ity mpanjaka ity maro vady loatra, ka nila resaka taminy sy nampiseho sedra ho an’ireto zanak’andriana. Nitodika tao amin-dRadama [6] ny fony, ary izy no noheverina hanjaka. Notanterahana izany rehefa maty rainy. Mpanjaka hendry sy lalin-tsaina ary tia fandrosona Radama rainy [7] . Ny taona 1792 no nahaterahany ary 18 taona izy no nanjaka . Efa mpitari-tafika , niady tany anindrana izy fony Andrianampoinimerina rainy no nanjaka, hany ka tsy nanavao azy ny famerenana ny ady tany Betsileo sy tamin’ny Sakalava raha nikomy ireo. Mafy ny ady natrehany indrindra tamin’ny Bezanozano. Rehefa hitany Rasalimo , zanaky Ramitraho mpanjakan’ny Menabe fa ho sarotra ny raharaha sy ho mafy ny ady, dia nanaiky ho vadin-dRadama izy.Ary nivitrana ny ady sy ny fifanolanana. Vita ny fihavanana, iray ny fanjakana. Anankiray tena nanamafy orina ny fahefany sy ny tanjany ara-miaramila, dia ny fananany an’ilay Frantsay iray atao hoe Robin, saingy ilay Anglisy roalahy atao hoe Brady sy Hastie [8] , no tena nanampy azy betsaka teo amin’ny fanofanana ny miaramila. Radama rainy no nanaiky ny tsy hamarinana ny andevo intsony, rehefa nifanaraka tamin’ny Anglisy, fito taona taty aorian’ny nanjakany ( 1810 - 1817 ). Izy no azo lazaina fa vavahadin-tsaina voalohany ny amin’izay hanoratana ny teny Malagasy, ny taona ( 1823 ). Nandroso ny fanjakany satria tapitra nanaiky azy avokoa ny foko lehibe sasany, indrindra fa Jéan Rene, mpanjakan’ ny Betsimisaraka. Namaky lay teto ny misionera mba hitory ny filazantsara sy ny Tenin’Andriamanitra Tamin’ny talata 18 Aogositra 1818 , no tonga tao Toamasina, David Jones sy Thomas Bevan , izay misionera L.M.S , avy any Neuaddlwyd ao Pays de Galles, tanjona iray andrefan’i Angletera. Tsy ireo ihany no tonga fa maro dia maro tokoa. David Griffiths izay nanorina sekoly; ary ny zanany lahy atao hoe John David Griffiths ny 16 oktobra 1821 no zana-bazaha niditra voalohany teto Antananarivo, ka gaga ny olona. Nampianatra zaitra sy tenona ny vadin’ireo misionera ireo. Tonga koa David Johns , izay nitovy fanonona tamin’i David Jones , ka navahan’ny Malagasy amin’ny hoe Jojy lava sy Fohy izy roalahy. Nanaraka azy tao Commins , mpahay momba ny famolesana izay nanampy any Rowlands , tetsy Antsahadinta no nanorenany izany, i Chick nampianatra ny Tefy tao Amparibe. Tonga teto ihany koa i James Cameron , ny rafitra sy ny fandrendreham-by ary ny Biriky, ny fanaovam-banja, ny Tefy ankosotra Volamena sy Volafotsy no nampianariny, izy ihany koa no nanao ny Farihin’Anosy io. Atoa Brooks izay mpandrafitra sy nanao ny fanaovan-tsavony, biriky, nampianatra ny astronomie, chimie, photographie, lithographie, ny fanefena vy sy vifotsy ary ny volamena na ny volafotsy sy ny varahana izay nampian-dry J.J. Freeman , mpitandrina. Atoa Canham , nampianatra ny fandoman-koditra tao Ambohimandroso ary ny fanaovan-kiraro. Gaga Radama , noho ny fahaizan’ireto vahiny sy ny fahafoizan-tenany ka nikabary tamin’ny ambanilanitra ary nifampiraharaha tamin’i Sir Robert Farquhar , tamin’ny alalan’ny Pritsy Ratefinanahary ho any Maurice , ny 19 Oktobra 1817, ary tonga tany Londra ny Aprily 1817. Nitondra tanora sivy handrato fianarana tany izy, dia ireto izany: ( Ravarika, Razafinkarefo, Ramboa, Raolombelona, Ravoalavo sy Ratotozy, izay zaza kambana, Rakotomavo ary Andriantsiory ) mba hianatra tefy, kiraro, tenona, volamena sy volafotsy ary ny sary. Rehefa natsangana kosa ny sekoly teto Imerina dia: Rakotobe sy Ramasy Pritsy, zanaky Rabodosahondra sy Rasoamananoro; samy anabavin-dRadama , ary ankizy hafa no nampianarin’ny misionera voalohany. Teny Anglisy no nampianarana ary hira sy vakiteny ao amin’ny Soratra Masina no nanovozam-pahalalana. Mpampianatra nahafoy tena tsy azo adinoina i Jeffrey. Ny taona 1836 vao vita dika tanteraka ny Baiboly Malagasy, fa ny 4 Desambra 1827 no vita printy ny Genesisy 1:1-23 , izay namboarin’ingahy Cameron , ary voatahiry any Le Cap ( Egypte ). Ny Septambra 1824 , no vita ny Fiangonana tao Ambodin’Andohalo, ny taona 1830 kosa ny tao Ambatonakanga. Niitatra tamin’ireto faritra dimy lehibe teto Imerina ny sekoly naorin’ny L.M.S: Faritr’ Ivoromahery : Ny Central School , tao Ambohimanarina sy Anosizato. Faritr’Ivakinisisaony : Alasora, Ankadivoribe, Ambatomanga, Tsiafahy, Ambatomirakitra, Iharanandriana, Ambohimanjaka. Faritr’Imarovatana : Ambohidratrimo, Ambatolampy, Anosy, Isoavinimerina, Ampananina. Faritr’Ambodirano : Antsahadinta, Ambohimahamanina, Fenoarivo. Faritr’Avaradrano : Ambohimanga, Ilafy, Betsizaraina, Amboatany, Namehana, Imerimandroso, Ambohidrabiby, Ambohimpiainana, Ambohimalaza, Ambohimanambola. Raha tsiahivina ny fomba hentitra, nanapahan-dRadama rainy ny fomba hanoratana ny teny Malagasy dia toy izao ny tantara. Novoriany tao an-dapa aloha ny solon-tenan’ny Anglisy sy ny Frantsay. Nanambara ary ny mpanjaka fa izy dia efa nahay ny fomba fanoratra amin’ny Sorabe , avy tamin’ireo Antaimoro, nandova ny fanandroana Arabo. Tsy ho amin’izany anefa no tiany hanoratana ny teny Malagasy fa iriany mba ho amin’ny teny latina. . ( Tetiarana na Fiandrianan’ireo andriana nanjaka teto Madagasikara izy ity ) . Misionera LMS Baiboly voalohany teto Imerina Izay voatahiry any Londra Angletera ( David Jones sy David Griffiths Misionera teto Madagasikara ) Rehefa hitan’iretsy fa tsy nahazo nahodina ny mpanjaka dia izao no nekena: Ny fanononana ny zanatsoratra dia vakiana sy soratana amin’ny teny Frantsay ho : a, e, i, y, ary ny O dia tononina sy soratana amin’izao endriny izao na dia OU sy Ô aza no fiheverana azy. Ny renitsoratra kosa dia amin’ny fomba fanononana sy fanoratana Anglisy ary tsy misy : c, q, w. Ny 23 Martsa 1823 izany fanambarana lehibe izany, ary nakatoavina.[ Marihana fa efa nahay niteny tamin’ny fomba fiteniny ny Malagasy fa tsy nahay nanoratra]. Nandroso ny Firenena, efa nivoatra ny trano nonenana sy ny tanàna. Tsy nanova firy ny rafi-piandrianana nataon’Andrianampoinimerina rainy izy, saingy ny fanompoana no nihanalefaka. Tsy dia hita firy ny sarangan’andevo na dia nisy aza izany . Tsy hadino ihany koa fa i Manareza dia nanokatra sekoly ho azy ny tao aminy, ka ny zanak’Ifisatra rahalahin’ny Jéan Réne ; izay ben’ny tanàna tao no nisatatra izany rehefa nanda sy nisalasala i Jean RENE, mpanjakan’ny Betsimisaraka. Ramanetaka no Goverinora tany Mahajanga. Izy dia rahalahin-dRadama . Raha nandray ny lazany sy ny fahefany miezinezina i Napoleon Bonaparte, Empororan’i Frantsa, dia nandrendrika an’Ilaidama ny tantarany . Ka mba te hanao toy izany izay saingy … *Ireo mpanolotsainany : ( Andriamahazonoro, Ratsilikaina, Printsy Ratefy ) dia naneho taminy fa ho mafy ny fiantrehana amin’i Frantsa. Nisy ny fifandonana Diplomatika teo amin’ireo Nosy rahavavy ( Ile Maurice) na Ile de France teo aloha sy ny Nosy Boroboana ( La Réunion ) ary Sainte Marie, noho ireo firenena ireo , teo ambany fahefan’i Frantsa. Ny 6 Aprily dia vita hatreo ny amin’ny Voromaherin’Ingahy Napoleon sy ny fahefany. Vita ny fanekena teo amin’i Frantsa sy ny Anglisy. Lasan’iry voalohany i La Réunion ary nomena ny Anglisy kosa i Maurice, fa i Saint Marie izay lovan’i Bety , zanaky Ratsimilaho , dia nomeny an’i Frantsa tamin’ny 30 Jolay 1750. Nanomboka teo ny fifanolanana. [ Ny Taona 1722 no niditra teto Madagasikara ny Frantsay ary nanomboka tamin’ny 1822 , no efa namahatra sy nanao manda tao Foulpointe Mahavelona ny Fanjakana Malagasy .] Nifanaraka tamin’i Jéan Réne ny Mpanjaka , tao Toamasina izay nitondra Miaramila 30.000, tsy nahatohitra i Jéan Réne ka nandositra, natao ny fampihavanana izay nataon’i Pye sy Brady. Ny Taona 1822 dia noraisin’i Sylvain Roux i Saint Marie. Nataon’ny Mpanjaka Goverinora tao Foulpointe Rafaralahy Andriantiana izay zaodahin-dRadama I . Nirahin’ny Mpanjaka indray i Jéne Réne sy Ratefinanahary, handamin-draharaha tany atsimon’i Toamasina sy Mananjary Pangalana. [ i Fisa no rahalahin’i Jéan Réne, izay nanapaka tao Ivondro, tena ratsy fanahy izy, i Printsy Coroller, izay zanak’anabavin’i Jéan Réne , dia mpiara miasa tamin’ny Mpanjaka Radama I. Marihana fa i Jéan Réne , dia Frantsay ny rainy ary Tanosy Mahafaly ny reniny.] Nandefa taratasy tany amin’i Baron P.B.Portal, direkteran’ny Kolonia tamin’ny 2 May 1817 ny tompon’andraikitra Frantsay teto, manao hoe : « Efa tonga sady mety ny fotoana hakantsika indray an’i Madagasikara, araka ny tetika novolavolaintsika matetika nefa natao an-tsirambina hatramin’izao ». Sir R.J Farquhar , izay Governoran’i Maurice dia niady mafy mba hahazoana an’i Madagasikara ho an’i Angletera. Teo amin’ny varotr’olona dia lalam-barotra nandritra ny 120 Taona nahazoan-dRadama I, tombony tokoa satria nahazoany Vola Folo na 12,50 Ia tamin’ny taona tsy tsaroana. Nomena an’i Frantsa indray anefa i Madagasikara sy Sainte Marie ary i Tintinque sy Fort Dauphin ka tsy faly noho izany i R.J Farquhar ; noho ny politikan i Angletera io izay tsy nanaja ny fanekena tamin’ny 30 May 1814. Tonga teto indray ny Kapiteny Le Sage, niaraka tamin’ny Miaramila 30, ho fanamafisana ny fihavanana no natao ary tanteraka ny tetika nataon’i Hastie, satria Mpanjaka liam-pandrosoana Radama. Izany dia ho fanafoana tanteraka ny varotr’olona. Lasa tamin’ny 05 Febroary 1817 i Le Sage ary najanony teto i Brady hampianatra ny Tafika. Tonga indray i James Hastie, nalefa tany Maurice ny Printsy Ratafika sy Rahovy . Nandimby an’i R.J Farquhar ny Jeneraly Hall . *Ireo Lapa naoriny : Ny voalohany amin'ireo lapa azo lazaina hoe moderina dia ny Tranovola. I Radama no nampanorina azy tamin'ny taona 1820. Ilay mpandrafitra vazaha antsoina hoe Gros no nasainy nitarika ny asa fanatanterahana ary tao no nametrahan'ny mpanjaka an'i Rasalimo izay vadi-politika vahininy ka mba nampitoerany koa amin'ny karazan-trano vahiny. Tamin'ny taona 1845 anefa dia noravan'i Ranavalona io trano voalohany io ka nosoloiny an'ilay Tranovola fantatsika izay lehibe sy tsara ravaka lavitra kokoa. Ho tranon'i Rakotondradama zanany no nanorenany azy. Nisy koa fahiny trano kely moderina hafa izay rava taty aoriana , teo an-kilan'ny Tranovola , ary tao indrindra no namoizan'i Radama faharoa , nanjaka-tapany ny ainy. Ireo mpanjaka rehetra nifandimby teto ; dia samy nanana ny lapany avokoa izay trano kotona na trano hazo faran'izay tsotra, tsy mifankaiza amin'ny tranon'ny sarababem-bahoaka manodidina. Tsy misy tavela anefa ireo trano tamin'ny andro fahagola rehetra talohan'Andrianampoinimerina ireo. Fantatsika ary fa trano efa-joro avo tafo miloloha tandron-drano izy ireo. Ny hevitry ny tandron-drano, araka ny fampianarana azo raisina avy amin'ny filazan'ireo any Indonesia, dia fampahatsiahivina ny tandroky ny omby natao sorona ; tamin'ny fandevenana sy ny fankalazana lehibe hafa toy ny Fandroana na ny Famadihana ka mampiray mivantana ny fianakaviana amin'ny fanahin'ireo razana efa nodimandry any an-koatra. Mba hahamasina ny trano noho ny fiarovan'ny razana , izany no antony . *Ireo Goveronoram-paritra faha Radama I : . Ny tao Mahavelona : Rafaralahiandriantia XI voninahitra . 1822 . Ny tao Midongy : Rabemanantsoa VIII voninahitra . 1822 . Ny tao Hiarambazaha : Razanatovo IX voninahitra : 1823 Flacourt . Ny tao Mananjary : Ratefinanahary XI voninahitra . 1824 . Ny tao Toamasina : Ratefinanahary XI voninahitra . 1825 . Ny tao Mahajanga : Ramanetaka XI voninahitra . 1824 . Ny tao Beseva : Ramarosikina IX voninahitra . 1824 . Ny tao Faradofay : Ramananolona XII voninahitra . 1825 . Ny tao Manandaza : Rasatranabo IX voninahitra . 1825 Niodina tamin-dRadama I , ireto tanàna ireto : Ambatomanga , Ambositra ary Kiririoka . Somary sahirana izy nandamina azy ireo . Kaloy : Io dia fanjakana notantanan’ilay rahalahin-dRadama I , atao hoe ; Ralainanahary . 1820 : Nisehoan’ny miaramila voalohany ka ny zanakin’ny mpanan-karena ihany no nalaina hanao izany . Atoa Brady sy Caren no nisehoan’izany . 50 no isany teo aloha vao niakatra 1000 ; Tafakatra 14.210 ny isan’ny Miaramila raha 1000 izany tany am-boalohany. ka ny manan-katao ihany aloha no nalaina , izay vao ny Ambaniandro , ka ny faka azy fahiny dia toy izao : Raha 4 dia Roa no alaina , raha 2 dia iray no alaina , ka ny matanjaka sy ny mahery ary ny fetsy no tazonina ho miaramila , ka teo Sahafa no orimbato voalohany . Toy izao no Dingana faha Radama I : Sori-dany : Soritana , handeha no heviny Miara-mila : Samy mitady samy Mandeha [ Mbola notazomina izy io ankehitriny] Tany Menabe no niseho ny tantara . Io Ratsiateny io no lehiben’ny foloalindahy tamin’ny Voromahery , ary ankeviny ho XII voninahitra izy . Rainimaha , kosa tamin’ny mainty; ankeviny ho XI voninahitra . *Ny vadin-dRadama I : 1. Ranavalona , ilay ho mpanjaka ; izy dia Teraky Rabodonandriantombo, izay anabavin’Andrianampoinimerina . Izy no renin-dRadama II 2. Rasalimo , zanaky Ramitraho mpanjakan’ny Menabe . Renin-dRabobalahy sy Raketaka 3. Ramboandrenibe ao Anosimanjaka andrefana 4. Ramomo , teraky Andriamary tao Imamo 5. Raeno , teraky Andriandriatsiahofa tany Imamo Ary ireo vadin’Andriampoinimerina sisa nataony Loloha , kosa dia ireto : . Rasendrasoazokiny . Rasendrasoazandriny . Rasama . Ramatoaramisa . Ravolamisa . Razafitrimo . Rabodomirahalahy . Rafotsirahety . Razafinamboa . Rasoamananoro . Ramiangaly . Ravaondriana *Ireo Mpitari-tafika faha Radama I , tena nanan-daza : 1. Andriampozehana X . Voninahitra 2. Randriatsimisetra X voninahitra 3. Rainiroba X voninahitra 4. Laifotsy . Ankevitry ny VIII voninahitra 5. Faralahidera . Ankevitry ny VIII voninahitra 6. Andriambavola , lasa Andriambaventy , taty aoriana 7. Rainimahay , lasa Andriambaventy , taty aoriana 8. Rainingory , izay lasa VIII voninahitra , nikoizana mihitsy teo amin’ny fomba fitondrana sy fampiasana fitaovana ; ary afaka namoro izay nifanandrina taminy ; hany ka nitokisan’ny mpanjaka izy . 9. Ratsiatery XIV voninahitra no lehibe ny Foloaliandahy amin’ny Voromahery ary Rainimaka XV voninahitra kosa no lehibe amin’ny mainty . Ramiraho no natao Komanda , amin’ny lohany Kompany , tamin’ny 1822 . *Ireo Mpiatafika tena nalaza , ka novonoina : Laifotsy , izay Vakinisisaony IX voninahitra. Novonoina tao Ambatonakanga , fa nihinana ny fananan’ny miaramila. Ny 10 Adijady 1827 . Rafaralahidera izay tena , Tsimiamboholahy IX voninahitra. Novonoina tao Ambatonakanga , fa nihinana ny fananan’ny miaramila ihany koa . Ny 10 Adijady 1827 . Rainingory VIII voninahitra, dia nampangaina ho nandositra ady dia nampinomina kanefa tsy nahafaty azy . *Ireo Komandin’ny Foloalindahy faha Radama I , novonoina : 1. Rafalahidera IX voninahitra . Novonoina 2. Laifotsy IX voninahitra . Novonoina 3. Andriamihaja XI voninahitra . Novonoina 4. Rainiharo XIII voninahitra 5. Rainijohary XII voninahitra 6. Ralala XII voninahitra . Novonoina 7. Andriambola XI voninahitra, lehiben’ny andriambaventy sy komandin’ny Borozano ary Raberesaka X voninahitra, no lefiny . 8. Manantsimijay IX voninahitra, izay lehiben’ny Tsiarondahy 9. Tsiaribika IX voninahitra izay saika hampanjaka an-dRaketaka , zanaky Rasalimo sy Radama I , na Rakotobe , zanak’Anabavin-dRadama I . Nidiany tao anatiny ny vavahady vao maty Radama I, nibosesehan’Andriambola na Andriambavola sy Raberesaka ny vavahady ka vakiny ihany ary nafatotra izy roalahy . Radama I, mbola tao amin’ny tranovola ny razany ary Ranavalona I, kosa nafindra tao amin’ny Masoandro . Nohelohina izy roalahy fa nanangana andriana hafa sy nanda ary nanova ny tenin’Andrianamponimerina tanteraka ka dia novonoina tao Ambohipotsy i Manantsimijay ary Tsiaribika kosa tao an-dRova ihany . *Ireto kosa no natao Andriambaventy : . Andriamambavola , noho ny asa maro nataony . Rainimahay . Rainitsimindrana . Tohana , andriana tsy very ; izay nataon’Andrianampoinimerina , mpanjaka tao Manerinerina dia nataon’Ilaidama I , andriana nitoetra am-bodivona kosa . . Rainiharo , hovalahy , io dia ankeviny XII . Voninahitra, izay , Komandy ambonin’ny foloalindahy sady mpanapaka . . Rainijohary , ankeviny ho XII . Ny voninahitra , no lehibe amin’ny foloalindahy . Tsy azo adinoina , ny tantara mitoetra . Tsy azo sarahana amin’ny tantaran’Ilaidama manjaka izy roalahy ireo ; dia : i Faralahidera , ankeviny ho X voninahitra ho an’ny tsimiamboholahy ( Novonoina ) sy Laifotsy , ankeviny IX voninahitra ho an’ny Vakinisisaony ( Novonoina ) . Andriamihaja , ankeviny X voninahitra . Ralala , ankeviny VIII voninahitra , izay lehiben’ny Borozano ( Novonoina ) . Andriambala na Andriamambavola , ankeviny X voninahitra no nasolo an-dRalala , ka sady Andriambaventy izy no lehiben’ny Borozano , ny taona 1820 . Raberesaka , ankeviny ho IX voninahitra no lefiny . Faha Ranavalona I , dia niaka-danja Andriamihaja ka noheverina ho lasa XIV . Voninahitra , satria izy io dia lasa nitaiza ny andriana sy lehiben’ny miaramila . Avy ao Namehana izy . Radama I , no voalohany nampiakatra ny Kisoa sy ny Saka teo Madagasikara . 2.1.3 Ranavalona I : ( 1828 - 1861 ) Ny 02 Febroary 1829 dia novoriany teo , ambodin’Andohalo ny misionera fa ny “ School Society ” izay natsangan’i Hastie dia lavin’ny Mpanjaka, tsy azo hajoro. Nahatona Dimy volana aloha ny sekoly noho ny fisaonana tamin’ny nahafatesan’ny Mpanjaka Radama I. Ny Zoma 12 Jona 1829, no niseho tamin’ny vahoaka 60.000 ; tany ho any ny Mpanjaka. Andro nampihorohoro ho an’ny ambanilanitra izany satria nivadika ny pejy. Fanevan-drafataka sy imanjakatsiroa , izay sampim-panjakana no teny an-tànany. Nody ny Misionera, ningoso tamin’Andrianampoinimerina ny Mpanjaka vaovao ny 15 Febroary 1835 , fa na hisy rà mandriaka aza haringany ny mivavaka ; Hoy izy tamin’ny 26 Febroary 1835 : “ Izay fahendrena sy fahalalana tokony hahasoa ity tany ity dia ekeko, fa raha ny fomban-drazako kosa no kasikasihana sarasara ny olon-ko hariva ny andro, fa laviko izany ” Ny 22 Jolay 1836 , no lasa tanteraka ny Misionera ary i Johns sy Baker , no farany teto. Naverina ho amin’ny fitsaram-bahoaka indray ny tangena. Tonga fivavaham-panjakana ny sampy ary niampy an’ireo efa nisy teo aloha izay tsy mbola foana tanteraka akory, ( ramasoandro, imanjaibola tao Ambohitrarahaba, rafaroratra, ratsimitoko, rahodibato, rabefaravola, mandriambongo, zanaharitsimandry, maroakany, ratsisimba, ravololona ) , nihamaro isan-tanàna ireo ary isam-bohitra mihitsy ary nahenika ny tany manontolo. Nanomboka teo amin’ity mpanjaka ity ny asan’ny praiminisitra ary ny taranak’Andriantsilavo izay nampanjaka an’Andrianampoinimerina . Avy amin’ny Tsimahafotsy. Raimahamay no mpitaiza andriana tamin’izany, nandimby azy Rainiharo. Azo nambara fa nisy fandrosoana ihany ; na dia maizin-tsaina aza ity mpanjaka ity, nanampy azy betsaka tamin’izany ny Frantsay iray atao hoe, Jean Laborde , ny 03 May 1832 , mpanao taozavatra sy mpandrafitra ary mpano trano sy mari-trano ihany koa izy. Tany Mantasoa Soatsimanampiovana no nananganany ny fandrendreham-by, fanaovan-tsavony, nampanao fefiloha, fambolena. Tsy irery anefa izay fa nanampy azy tamin’izany De Lastelle . Tsy mba noroahan’ny mpanjaka izy mirahalahy ireo. - Nanao sy nandrafitra ny lapa tao Manjakamiadana - Nanao ny fasan’ny Praiminisitra tao Isoraka, any Rainiharo sy ny taranany Nikomy taminy indray ny Sakalava ary nitady fiarovana tamin’i Frantsa. Ny Amiral De Hell no namaly ny antso ary ho tambin’izany dia nomen’i Bety, mpanjakany i Nosy be. Efa nahazo ny morontsiraka andrefana sy ilany atsimo atsinanana ny tafika Frantsay. Mafy ny ady tany an-tsakalava, natao andevo ny resy. Nalefan’ny mpanjakan’i Frantsa, Charles X, ny Capitaine Gourbeyre ny taona 1829 hanafika an’i Madagasikara, mbola notohizan’i Louis Philippe, mpanjaka vaovao , tany Frantsa ny ady. Nasian’i Angletera sy Frantsa baomba ny tany Toamasina ny taona 1845. Nirahin’ny Frantsay teto ny Amiral Romain De Fosses. Nihemotra anefa ny mpanafika ary notapahan’ny hova avokoa ny lohan’izy ireo ka narantirantiny tany amoron-tsiraka avokoa. Nitady hanongana azy Rakoto zanany noho ny hevi-petsin’i Lambert, mpivarotra Frantsay namany. Nosoloana an-dRainijohary ny Praiminisitra. Sampy fahizay Fitsarana teo aloha Nanoratra tany amin’i Napoleon III, mpanjaka tany Frantsa Rakoto ; noho ny fahorian’ny vahoaka ; ka ny valisoa homena an’ingahy Lambert dia handray sy hiasa ; ary hidirany an-tsehatra , ny hitrandrahany ny metaly rehetra na ny harena an-kibon’ny tany eto. Hanao arabe, lahin-drano, fitodian-tsambo. Ireo no tombontsoa mihoa-pampana nomena azy. Na dia tsy teo intsony aza ny misionera dia niroborobo sy nijoro ny Fiangonana ary nihamaro ny kristiana. Raha vao nanomboka nandray ny fahefana tamin’ny Zoma 01 Aogositra 1828, mantsy ny mpanjaka dia efa hita soritra sahady fa ho mafy ny fitondrany ny tany sy ny fanjakana. 27 taona taty aorian’ny nanjakany ( 26 Febroary 1835 ) dia natao ho lalàm-panjakana ny fandrarana ny fivavahana kristiana teto Madagasikara ary nampitondraina ho ren’ny vahiny rehetra na misionera izy na tsia. Izany dia natao tao amin’Ingahy Griffiths . Maro ny antony fanenjehana satria nifampialona ireo samy teratany vahiny nonina teto, ka nifampiampanga tany amin’ny mpanolotsain’ny mpanjaka. Nandeha ny feo fa fomban’izy ireo izany rehefa hanjanaka ny taninao izy ireo. Teo ihany koa ny dika vilany momba ireo voambolana fampiasan’ny Anglisy ( Asosay aty, soko olona ) Ny hafanam-po diso tafahoatra nataon’ny Malagasy mpino kristiana. Anisan’ireny Raintsiandavana , avy any Mangatany izay mpanompo sampy niova krsitiana; nitory teny tamin’ny olona fa hitsangana ny maty. Nasain’ny mpanjaka novonoina izy ary nototofana tao anaty lavaka teo Ambohijatovo rehefa notondrahana rano mangotraka mba ho ahitan’ny olona azy na hitsangana tokoa izy, kanjo tsy nitsangana akory; vao maika nampitombo ny hatezeran’ny mpanjaka izany. [ Io Rainitsiandavana io dia miteraka fifangaroana ara tantara , satria ny mpanjaka Andrianampoinimerina ,ihany koa dia nampamono an-dRaindrainitsiandavana izay rainy Rainitsiandavana tao Ambohimasina , noho izy io mpilalao ody mahery sy tena natahoran’ny olona fatratra tokoa . Mipetraka ny fanontaniana hoe : Iray ihany ve ireo olona roa ireo , satria ilay Raintsiandavana voalaza etsy aloha , nonina tao Mangatany dia mpanompo sampy ary ny mpanjaka Ranavalona I no nampamono sy nandevim-belona azy . ( Ny Mpitandrina Rabary kosa no nahitana ny loharano ara-tantarany ) Ilay faharoa kosa Raintsiandavana izay mpilalao ody sy nandova izany tamin’ny rainy dia mbola ny mpanjaka Ranavalona I , ihany koa no nampamono azy tao Ambohimasina ( Ny R. P . Callet , hita ao amin’ny Tantaran’andriana nosoratany no nanovozana ny raki-pahalalana momba azy io ) ] . Tao koa Andriantsoa tao Ambohitromby izay ninia niasa teny an-tanimbary tamin’ny andro Sabotsy . Nampinomina tamin’ny tangena fa tsy maty izy rehefa notorian’ny olona tamin’ny mpanjaka; ary niakatra teto Iarivo ka notsenain’ny vahoaka maro fa nandresy tangena Andriantsoa. Nangaina tery Razakandrianaina , kanefa dia samy taranak’Andrianamboninolona . Mafy dia mafy ny Antoko mpifikitra tamin’ny nentin-drazana izay nifandimbiasan’ireo mpitaiza andriana ka nandray ny toeran’ny Praiministra ( Ranimahamay, Rainiharo, Rainijohary ). Nipoaka nandritra ny 26 taona ( 1835 - 1861 ) ny fanenjehana. Roa taona taty aoriana ny Alatsinainy 14 Aogositra 1837, indro Rasalama, havan-dRamiandravola , manamboninahitra fa natao gadra “ Omby fohy ” ny nanagadrana azy tao amin’ny Fiangonana Ambatonakanga . Loza anefa no niseho fa ny alin’iny dia nirehitra tampoka Ambohimitsimbina ary tonga hatrany anaty Rova mihitsy ny kilalan’afo. Natsahatra avokoa ny asa sy ny raharaham-panjakana rehetra, araka ny teniny Rainiharo Praiminisitra. Novahana ny gadran’ity mpanompon’Andriamanitra ity , niala tao Ambatonakanga mba hihazo an’Ambohipotsy, ilay toerana famonoana tamin’izany Rasalama sy ny Kristiana nanaraka tsy nahafoy azy. Nandalo teo akaikin’ny Fiangonana Ambodin’Andohalo. Nihira sy nidera an’Ilay Nahary Avo Indrindra izy : “ Hitako ny lalan-tsara ka hizorako…; Azoko ny famonjena ka ho tanako… ” dia nivavaka izy, avy eo nolefonin’ny mpandefona teo Ambohipotsy izay nananganan’ny misionera Fiangonana tsara tarehy be ho fahatsiarovana azy . Izy no nisalotra ny maritiora voalohany raha saika rafaravavy Mary , no saika nisalotra izany satroboninahitry ny maritiora izany saingy tafatsoaka izy. Hita sy natrehan-drafaralahy Andriamazoto izany mba naniry ho maritiora ihany koa izy. Tanteraka izany, rehefa niampanga azy Rafiakarana , sakaizany sy mpiombom-barotra aminy, tamin’ny manampahefana fa kristiana tahaka an-dRazakandrianaina izay niampanga an’Andriantsoa.[ Aza adinoina ny tantara fa lovan’Andriamazoto io tany nanorenana ny Hopitaly etsy Soavinandrina ary ny fiangonana voalohany niorina teo dia ny LMS izay lasan’ny Katolika taty aorina . Eo Anjanahary kosa ny Fiangonana najoron’ny mpino Protestanta ho fahatsiarovana azy . ] Heritaona monja taty aoriana nandefonana an-dRasalama, dia maty maritiora teo Ambohipotsy ihany koa rafaralahy Andriamazoto ny volana Martsa 1838, rehefa nolefonina tamin’ny lefona tahaka izay natao tamin-dRasalama .Samy ao amin’ny fasana iray etsy Andraisoro avokoa ny taolambalon’izy mianadahy ( ny 04 Martsa 1838 ) . Tsy nitohy ny fanenjehana sy ny famonoana, raha tsy afaka roa taona indray; fa taloha kelin’io dia nampangain-dRafiakarana indray, Ravahiny havany rafaralahy Andriamazoto, ary nampinomina tamin’ny tangena ary maty satria nampitomboina avo roa heny ny fatrany. Ny 9 Jolay 1840 , dia sivy mianadahy indray no nolefonina tao Ambohipotsy, ( Ramisa Josoa, Rainitseheva Paoly sy Razafy vadiny, Ratsioriray, Ratsamiarana, Ramanampy, Razafinierana, Raminahy Flora, Ramanga ). Roa taona taty aoriana indray ; dia notapan-doha, Ratsitapahina izay avy any Vonizongo, ny 19 Jona 1842 teo an-tsenan’Alahadin’Antontohazo. Ny ampitson’iny dia Rabearahaba , indray no notapahan-doha tao an-tsenan’Alatsinain’Ankazobe. Nangina dimy taona indray ny fanenjehana, indrisy anefa fa nifoha tampoka, ka ny taona 1847 dia matin’ny tangena rehefa nampinomina tato Antananarivo Andriamahandry. Nitombo fahasiahana ny mpanjaka, toerana roa indray namonoana ny kristiana tamin’ny 28 Martsa 1849 , rehefa mba naka aina roa taona indray. Endrey ny mahita azy ireo, toy ny ondry hovonoina; ankeviny nahitana fahagagana teny amin’ny rahon’ny lanitra. Mino aho fa nitsena azy ireo teny Kristy. Ny Fasan-dRainiharo etsy Isotry . Ireo Kristiana nodorana velona Tsy nety nivadika tamin’ny mpanjakan’ny lanitra izy ireo fa nisafidy ny ho maritiora. Eny! Ranivo , avy etsy Lazaina Avaradrano no tsy mba niharan’izany fa nisy olona tsy fantatra nanavotra azy teo am-pandraisana ny satroboninahitrin’ny maritiora, noho izy tovovavy tsara tarehy loatra sy kanto. Na izany aza tsy nety nivadika tamin’ny finoana. Ny voalohany teto dia : Ireo ireo nofonosin-tsihy ka navarina tao am-pamarinana, toerana ambony andrefan’ny Fiangonana ankehitriny raha tazanina avy ety Tsimbazaza, ( Rainimiadana ; Rainiasivola ; Andrianasandratra ; Ranahatrarana ; Ramainty ; Rafaralahizandriny ; Rakotonome ; Raivo Ravao ; Raivo Rasikina ; Rabodomanga ; Rafaravavy ; Razafy ; dia Rafaralahy avy ao Antanifotsy, vadiny Raivo Ravao; izy ireo kosa dia avy any Fihaonana, Vonizongo ). Ny faharoa kosa dia ireo : dimy mianaka izay nodorana velona tetsy Faravohitra, izay misy ny Sekolim-panjakana ankehitriny na ny Lycée Faravohitra, noho izy ireo Andriamasinavalona, ( Andriatsimba avy any Tanjombato, Ramitraho avy any Ivonizongo ; Andriampaniry sy Ramanandalana izay vadiny ary ny zaza tao an-kibony, izay marihana fa teraka tao anaty afo ka natsipin’ny mpandoro ho may ). Vavaka sy hira fiderana no nanakoako eran’ireo toerana famonoana roa ireo. Fahasahiana izany noho ny amin’ny Tompo. Nangina valo taona indray ary nopoirin’ny mpanjaka tampoka ny taona 1857 izay tena nahamaro ny maritiora. Koa ny Sabotsy 18 Jolay 1857 dia notoraham-bato tetsy Fiadanana ireto mpanompon’Andriamanitra ireto : ( Rasoalandy; Ramandimby; Rainitsontsoraka sy Rainovomanga ; rahalahiny; Ramanakoraisina sy Rabako, zanak’anabaviny; Rainivoalavo. Ratsitohaina; Rahaingo; Razaka; Rahandraty ) . Ny Alahady 19 Jolay 1857 , dia Ramahasoa irery no notoraham-bato tetsy Fiadanana, ary Ramanandafy kosa tao an-tranony no notoraham-bato. Rehefa afaka folo andro, ny Alarobia 29 Jolay 1857 dia Rabetsarasaotra irery ihany koa no notoraham-bato tetsy Faravohitra. Io taona 1857 io ihany dia nisy kristiana 50 izay nampinomina tamin’ny tangena ka ny valo no nandray ny satroboninahitry ny maritiora, ( Rasoa; Rafaravavy; Rajohary; Razakatsinianindrana; Andrianisa; Ratompoina; Rafaravavy avy ao Manjakaray sy Ramiarana avy any Vonizongo ). Tao ireo natao gadra lava sy gadra fohy, ireo namidy ho andevo, ireo natao very havana tsy azo navotana, very harena sy voninahitra. Anisan’ireo maty nalefa gatra lava tany Ambatondrazaka : ( Ramanambahy;Rabobalahy; Rainibedaoro; Radimanjehy ) Rafaralahidaoro irery no tsy maty izay niaraka tamin’izy ireo, ary mbola nitohy, nitory ny Vaovao Mahafaly. Tonga teto ny Capitaine Gourbeyre . Andriamihaja no nanao ny fanelanelanana fa an’i Malagasy i Madagasikara, ary tsy refesi-mandidy amin’izany Mpanjaka. Dr Lyall no solon’i Hastie , tsy noraisin’ny Mpanjaka. Hoy izy “ Radama izay nifanaiky tamin’i Anglisy efa maty, anefa kosa izaho Ranavalomanjaka dia tsy mba mifanaiky amim-bazaha ”. Nitombo fahasiahana ny mpanjaka noho ny fahaterany, nitady hevitra hanampiana ny olona na ny ambanilanitra Rakotoseheno saingy tsy sahy fa natahotra. Nitombo marobe ny maty novonoina na teo amin’ny kristiana izany na teo amin’ireo mpikomy na ny mpangalatra. Nanana andevo Masombika ny Fanjakana Malagasy tamin’ny fotoan’androny. Nalefan’ny Mpanjaka ho Ambasadaoro tany Angletera Ramanakoraisina; Ramena; Andriantsitohaina; Andriantseheno ; Raharolahy ; Rasatranabo, Razedaoro mpanompo, ny 04 Jona 1836. Nanoratra toy izao ny Mpanjaka, hoan’ny Mpanjakan’I Angletera Guillume IV : “ Izaho tsy nandray ireo zavatra fanomezanareo an-dRadama I, tsy hasosorako na hatezerako anefa, fa raha ny fihavanana no vidim-bola amin-karena, ary ny fanomezana no atao hahatamana ahy. Izao tsy nandray izany, ary izay zavatra anananay ka tsy anananareo dia azonareo vidiana eto aminay, ary izay anananareo ka tsy misy ato aminay dia vidianay aminareo ”. Manambara hampom-po izany teny izany ary azo nohamarinina ny fahamarinany ankehitriny. Natao sesitany i Laborde , tamin’ny 19 Jolay 1853, ary noravan’ny olona i Mantasoa Soatsimanampiovana. Nijaly mantsy ny vahoaka satria asa fanompoana no natao, ka naharaikitra ny teny hoe : Fanompoan’i Mantasoa , avy eo dia voaraoka tanteraka. Izy anefa no namolavola an-dRakotosehenondradama , zaza 3 taona raha nandalo teto izy. Tonga teto Madagasikara indray F. des Pointes, Komandin’ny Tafika an-dranomasina, aty amin’ny Oseana Indiana. Nampitondra taratasy: “ Misy Tombontsoa ny fanekem-pihavanana, handroso ny Vahoaka Malagasy , hitombo fahendrena sy harena sady ho afaka amin’ny fahoriana ataon’ny Ranavalona ”. Niaraka tamin’io fanekena io de Lastelle , izay nampitondraina azy. 12 Taona Rakotosehenondradama . Tafiditra tao anatin’izany tsikombakomba izany Jean Laborde sy de Lastelle. Hoy Radama II, raha namaly an-drizareo : Hitako am-pifaliana fa te hanafaka ny Firenena malagasy amin’ny fahoriana mangidy…ka manome fahefana anareo aho…Ekeko avokoa ny article rehetra ao amin’ny fanekena. Tsy hanao sonia aho, rehefa vitan’ny Fanjakana Frantsay izay lazainy hatao amiko amin’ity fanekena ity…, . Ny taona 1848 izany. Nohetsehan’ny Frantsay indray ny raharaha, dia ilay Tremalahy tapitrohatra tamin’ny fangoronan-karena atao hoe : Lambert , no safidian’ireo Voanjo Frantsay ( Colon ) mba hanatanteraka ny nofinofiny. Nanoratra tany amin’ny Emperora Napoleon III ary Radama , ilay hanjaka ka lasa Radama II , ny 14 Janoary 1858, mba handefa tafika ho aty Madagasikara noho ny fahatsapany fa mijaly loatra ny Firenena eo ambany vahoan-dreniny izay lian-drà tokoa. Nitady vola hatraiza hatraiza ary i Lambert , ary nalefa tany Frantsa sy Angletera mihitsy fa izay nitadiavany vola nanda avokoa. Ny 28 Jona 1855, dia teraka ny “ Carte Lambert ”. ( 1836 - 1837 ) Ratsitohaina : “ Premier Chef de mission Diplomatique en Europe ” ( 1838 - 1896 ) Rainandriamampandry , natao Governora tany Toamasina. ( 1857 - 1916 ) Dokotera Ralarosy , no niandraikitra ny fahasalamam-bahoaka. ¬[ * Ity ihany koa misy fanampin-dahatsoratra mahakasika ny fanjakana faha Ranavalona Voalohany : *Ny Rova Manjakamiadana : Mbola ankalazana ny fahaterahan-dRakotondradama ihany koa tamin'ny taona 1829 no nampanorenan'i Ranavalona an'i Tsarahafatra teo amin'ny faritra atsinananan'ny Rova. Io trano io izay voalaza fa tsara tarehy tokoa no nopotehin'ny baomban'ny mpanani-bohitra Frantsay tamin'ny 30 septambra 1895. Mba ho porofo mitsangana mampahatsiahy ny herin'ny mpanjanatany dia ninihina tsy naorin'ny manampahefana vaovao intsony avy eo ilay trano ka tany ngazana sisa no hany tavela. Ny lapa lehibe sy mampitolagaga indrindra noho ny hatsarany anefa dia i Manjakamiadana izay taty aoriana dia nanome mihitsy ny anarany manokana ho an'ny fitambaran'ny Rova. Mbola Ranavalona voalohany ihany no nampanorina azy tamin'ny taona 1839 teo amin'ny toerana nisy an'i Felatanambola, trano hafa naorin'Andrianampoinimerina. i Jean Laborde izay mpanompon'ny Andriana , mahalala kokoa ny teknika moderina no nasaina nitarika ny asa fanatanterahana. Toan'ny Tranovola dia lapa hazo manjakamiadana ( tsara ho marihina fa fady tamin'izany fotoana izany ny manangana trano tany na vato teto Antananarivo ) ary na dia vahiny aza ny mpitarika ny fanorenana dia ny tompon-tany ihany no manapaka ny tokony ho atao sy manatanteraka an-davany sy an-tsakany ny ventin-draharaha. Tsy mahagaga ary raha toa ka mitaratra akaiky hatrany ny fiheverana momba ny fanorenan-dapa nentim-paharazana ny bikan'ny trano. Ny manodidina anefa dia nasiana lavarangana tohanan'ny andry makadiry ary ny tafo izay mahatratra 48 m ny haavony dia tsy mba nasiana intsony tandron-drano fa kosa noravahina voromahery lehibe natao tamin'ny halimo. Mba hampazava koa ny ao anaty Rova dia nasiana varavarana sy varavarankely marobe ny rindrina manodidina, hatrany amin'ny tafo. Ny fanamboarana an'i Manjakamiadana dia nitaky hery sy sorona marobe. Voalaza ary fa ny fitondrana an'i Volamahitsy (ilay andry lehibe nizaka ny trano tao ampovoany, izay nihoatra ny 40 m ny haavony ary 1 m ny savaivon'ny vodiny) hatrany amin'ny ala any atsinanana dia nitaky ny fikelezan'ainan'ny vatan-dehilahy miisa 5 arivo. Tamin'ny taona 1868 - 1873 dia norakofana rindrim-bato nodidinina tilikambo mafonja efa-joro i Manjakamiadana ary i James Cameron no nasaina nitarika ny raharaha. Nanomboka tamin'ny andron'i Radama faharoa mantsy dia nofoanana ilay fady mandrara ny fanorenana trano vato teto Antananarivo. Hatramin'ny andron'i Ranavalona reniny dia saiky tao Manjakamiadana avokoa no nitarihina ny fankalazana lehibe rehetra momba ny Fanjakana ary koa nandraisana am-boninahitra ireo mpamangy avy any ivelany, na ny vahiny izany na ny tera-tany. Indraindray koa anefa dia ny Tranovola no nampiasaina tamin'izany. Tsara ho marihina fa ivelan'ireo lapa manodidina an'i Manjakamiadana dia mbola eo koa ny lapan'i Soanierana izay nopotehin'ny Vazaha ka nosoloiny toby miaramila taty aoriana. Ankoatra an'io dia mbola eo ireo vavahady maro misy vato boribory lehibe, ary koa ny Vatomasina fisehoan'andriana teo Andohalo izay tsy nananan'ny Frantsay haja ka nopotehiny tsotra izao na dia rakitra faran'izay masina sy saro-bidy ho an'ny Merina ary vavolombelon'ny tantara aza. *Faha Ranavalomanjaka na Ranavalona I dia : Nambara ho foloalindahy ny miaramila .( Mifamahofaho be ihany koa ny filazana voalohany ny atao hoe : Foloalindahy ) 1. Ny X voninahitra no Jeneraly izay nifehy : 1000 Lahy 2. Ny IX voninahitra dia lefitry ny X 3. Ny VIII voninahitra dia lefitry ny IX 4. Ny VII voninahitra dia lefitry ny VIII 5. Ny VI voninahitra dia lefitry ny VIII , no Kapiteny izay nifehy : 100 Lahy 6. Ny IV voninahitra no Sahazana ambony ka mitazona ny Saina sy mitondra azy mody . 7. Ny III voninahitra no Sahazana izay mifehy : 20 Lahy 8. Ny II voninahitra no Kaporaly , izay mifehy : 10 Lahy 9. Ny I voninahitra dia vata-miaramila . *Ireto kosa no lasa mpitaiza mpanjaka Ranavalona I sy nandray ny toeran’ny Komandy ny miaramila , vao maty Andriamihaja . Ramarosata , ankeviny ho XII voninahitra , avy ao Antsahamaina Ratsimandresy , izay nandimby ny teo aloha , ankeviny ho XII voninahitra, avy ao Ambohitrimanjaka Ravoninahitra , ankeviny ho XI voninahitra , avy amin’ny Tsimiamboholahy Ratsimanisa , ankeviny ho X voninahitra , rahalahin-dRavoninahitra Rainimamonja , ankeviny VIII voninahitra Rainiharo XII voninahitra Rainjohary XII voninahitra Ratirailehibe XII voninahitra Ratiraikely XII voninahitra Raharo ( Rainivoninahitriniony ) XII voninahitra *Ireo Fikomiana tena nanahirana : Ireto manamboninahitra ambony tao an-dapa ireto : Rainivoninahitriniony XIV voninahitra , Rainilambo XI voninahitra , Rainikoto XI voninahitra , Rainitavy XIII voninahitra , Rainizaka XIII voninahitra : Izy ireo no nampanjaka an-dRadama II , izay tokony ho Ramboasalama XIII voninahitra izay Officier de Palais no nanjaka . Niampy indray ireo mpioko te hampanjaka an-dRadama II : Rainilaiarivony , ankeviny ho XII voninahitra , Rainjohary XII voninahitra , Rainimamonja , ankeviny ho VIII voninahitra Ravonianahitriniarivo , Ankeviny ho VIII voninahitra . Ireto kosa no saika hamono ny zanak’andriana Ramboasalama XIII. Voninahitra : Rainingory XIV voninahitra , Razakamahefa XIII voninahitra , Andrianaivodofotra XIII voninahitra, Andriatsitohaina XIII voninahitra , Andrianarosy XIII voninahitra, Rainitomponiaera XII voninahitra , Rafaralahingory X voninahitra . Ratafika X voninahitra ( Ny taona 1857, izany faha Ranavalona I ) *[ Ity kosa dia loharano hafa indray : Faha Ranavalona I : Iza marina no tena anarana nisaloran’io mpanjaka, nandimby an-dRadama I, teo amin’ny fitondrana io . Rabodonandrianampoinimerina , araka ny firaketana hita tao amin’ny Tantaran’Andriana, izay nosoratany Mon Pere Rev . Callet , ve sa Ranavalona I, izay voasoratra sy hita amin’ny fandaharam-pianarana, sy mbola hiainana hatramin’izao ? Iza no marina !?. Raha ny tantara mantsy dia nanova anarana tanteraka io Ranavalomanjaka ka natao hoe : Rabodonandrianampoinimerina ny anaran-daza ary Rakoto kosa novaina ho Andrianamboasalamarazaka , io ve ilay Rakoto taizany izay : Ramboasalamarazaka , nafohezina hoe : Ramboasalama . Raha azoko tsara izany , dia ny Ranavalona I , dia anaram-piandrianana hitondrana firenena, fa ny Rabodonandrianampoinimerina , anaran-daza fotsiny, fisehosehoana sy enti-manindry ny tanàna sy ny olona tsy mbola resiny. Ireo taranaka na havan’Andriana havan-dRadama rainy, ka novonoin’ny mpanjaka Rabodonandrianampoinimerina, izay tsy iza fa ny vadiny ihany : Ny Printsy Rakotobe, zanaky Ratefinanahary sy Rabodosahondra . Ramanetaka, izay natao gouvernora tao Mahanjanga, tsy maty fa lasa nandositra tao amin’ny Nosy Komoro . Izy dia zanak’olo-mirahavavy amin-dRadama I ; satria Rambolamasoandro, renin-dRadama dia rahavavin-dRabodomanana, izay renin-dRamanetaka. - Ramanolona - Ratefinanahary sy Rabodosahondra, novonoina tao Ambatomanga - Andriatiana Novonoina ny Omby vavy ; izay tsy azo novonoina tamin’ny fanjakana teo aloha nifandimby . Na dia niakatra teto Imerina aza ny Kisoa dia tsy azo niakaran’izany ireto vohitra ireto : Ambohimanga no lohany ; Analamanga ; Alasora ; Ambohidratrimo ; Ambohimanambola ; Ambohidrabiby ; Ilafy . Imerikanjaka ; Ampandrana ; Fandana ; Tsarahonenana ; Namehana ; Iharanandriana ; Kaloy ; Babay ; Lohavohitra ; Ambohibao ; Andranoro . Marihana fa Andrianamboasalamorazaka na Rakoto teo aloha dia taizan-dRabodonandrianampoinimeina fa Rakotondradama kosa , dia zanany ary teraka ny 27 Asombola 1829 , Rakotosehenondradama no tena anarany . Ny taona 1832 , no nanorenana ny vato masina eo amin’ny kianjan’ny Mahamasina ilay dongona kely hita maso io . Nisehoan-dRabodonandrianampoinimerina sy Rakotosehenondradama , no nanaovany azy . Nodorana velona kosa ireto olona ireto : Andriananja VIII voninahitra avy ao Avarandrano sy Ramboavahiny , mitovy laharam-boninahitra amin’Andriananja ary iray fiavina aminy , toraka izany koa Ratrimo VII voninahitra avy any Vonizongo . Ny didin’andriana , nampandoro tsy hay fa ny soratra nitahiry izay famonoana izao no voasoratra ao amin’ny tantaran’andriana . Ireo olom-be nitaiza ny andriamanjaka Rabodonandrianampoinimerina , izay novonoina : Andriamihaja XI . Novonoina Ramarosata, rahalahin-dRadama I , avy ao Antsahamaina Ratsimandresy , avy ao Ambohitrimanjaka Ravoninahitra na Ingahivony , Tsimiamboholahy Ratsimanisa, rahalahin-dRavoninahitra Rainijohary XII na Andrianisa Andrianilambola na Rainimanona izay Tsimahafotsy Rainiharo XII Ratiarailehibe XII . Tsimiamboholahy Ratiaraikely XII , Tsimahafotsy Raharo na Rainivoninahitriniony . Tsy nisy nihoatra ny XII Ireo olom-be ireo , sady nitaiza ny andriana no mpanolotsiny na praiministra tamin’izany no lehiben’ny foloalidahy . Rainiharo aloha no fantatra fa sady nitana ny toeran’ny praiminisitra , nandritra ny 20 taona be izao no nitaiza ny andriambavy. Niteraka an-dRasoaray sy Radolifera ( Rainilaiarivony ) ary Raharo ( Rainivoninahitriniony ) . Io Rainiharo dia Andriantsilavo izay anisan’ireo Tsimiamboholahy nampanjaka an’Andriambosalama , izay niofo ho Andrianampoinimerina , no rainy . Avy ao Ilafy ry zareo . Andriantsilavo , ireto no naterany : Rainiharo , Rajery izay efa lehiben’ireo andriambaventy . *Ireo nioko sy saika hampamono an-dRamboasalama , nampinomina fa tsy maty dia : Rainingory XIV voninahitra Razakamahefa XIII voninahitra Andrianaivodofotra XIII voninahitra Andriantsitohaina XIII voninahitra Andrianarosy XIII voninahitra Rainitomponiera XII voninahitra Rafalahijongy X voninahitra Ratafika X voninahitra . Maty ny 16 Aogositra 1861 . 63 taona izy ary nanjaka 33 taona Rabodonandrianampoinimerina . Ny andro nahafatesany io dia nahagaga ny vahoaka sy ny ambanilanitra teto Iarivon’Imerina fa henika afo ny tanàna ny harivan’ny zoma Alahamady 1861. Afo mahagaga tsy nisy nandoro ; fa dia may ny vohitra sy ny tanàna . Raha lasa Andrianampoinimerina dia nisy trangan-javatra nitovy tamin’io ihany koa hitan’ny olona .Saingy ny tao Mangabe andrefan’Ambohimanga ihany no may . Samy nandeha tany Anosifito avokoa izy mianaka ireto nialoha ny hahafatesany . Fifandrifian-javatra ve sa kisendrasendra . Afomahery ! Ny heviny hoy Rainitsarahoela , raimandreny be dia Jiobilia ny dikany : Hamory ny miely sy hanavotra ny very . *Andao ho fantarina ary ireo andriambaventy sy manamboninahitra ; namelan-dRabodonandrianampoinimerina ny hafatra farany nialoha ny hahafatesany : Rainivoninahitriniony , Rainijohary , Rainimanonja , izay samy XIV voninahitra avokoa , afa tsy Rainiandriantsilavo sy Rainimanantoanina , izay XII voninahitra . Tao ihany koa ireto manamboninahitra ireto izay samy XIII voninahitra avokoa : Rainilaiarivony , Rainitsimbazafy , Raimaharavo . Nambenana mafy ny Lapa , natahorana hipoaka ny fikomiana sy ny tabataba satria efa niseho lany ny tsy fitiavana ny andriamanjaka fahavelony dia ny fitondrany izay tsy refesi-mandidy sy efa nahitana rà-mandriaka maro . Koa nandray fepetra Rainivoninahitriniony , praiministra : Nasaina nandray ny toerana teo Andohalo sy niambina izany vavahady lehibe izany ny miaramila 500 lahy ka Rainimboanana XII voninahitra , no lehibe tao . Nambenana mafy koa tao Antsahatsiroa , nametrahana miaramila 500 lahy ihany koa ; ka Raberanto XII voninahitra , no lehibeny ; Nametrahana miaramila 300 lahy tao Ambatofandrana ary Randrasana XI voninahitra , no nampiandraketina izany . Teo amin’ny manodidina kosa nametrahana miaramila nivezivezy 1700 lahy , teo ambany fifehezan-dRainilambo XII voninahitra ; Ny tao Ankaditapaka ihany koa dia nametrahana miaramila 300 lahy , ary Ramanankantsoina X voninahitra izay izy ireny no ambany tamin’izy ireo no niandraikitra izany . Ravanomanana XII voninahitra izay dekan’ny Rainivoninahitriniony praiministra sady Commandat en Chef ary Rainikirimbola XII voninahitra , Officier de Palais , no voatendry hiandraikitra ny fombafombam-panjakana raha maty ny andriamanjaka . Nitaingina teo amin’ny filanjana izay hisy ny tranovorona izy ireo , izay nisy ny mpanjakavavy nodimandry . Ka ny iray XII voninahitra no teo aloha ary ny XI voninahitra kosa no tao afara . Ny zavatra atao dia miantso ny olona sy izay rehetra voakasika ny amin’izao raharaha tsy maintsy atao amin’ny fandevenana sy fanitrihana ny mpanjaka izao ry zareo sy mametra ny miaramila hilanja izany tranovorona izany mandra-pahatongany ao amin’ny fasana nametrahana azy . Ingahy Lambert Fampiterahana taloha nataon’ny Reninjaza Andohalo tamin’ny andron-dRanavalona I Ny Praiminisitra Ravoninahitriniony : izay nitantana ny Firenena ( 1852 - 1864 ) Sampy sy mohara nampiasain’ny vahoaka sy ny andriamanjaka tamin’izany Ilay dobo tao Manjakamiadana Radama II Tohiny tsy ho ela
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/an-tamponny-vinany-tantarainny-mpanoratra
An-Tampon'ny Vinany ( Tantarain'ny mpanoratra....
NY Andri-Fara
Antampon’ i Vinany [20] Efa voalazako tery aloha ny olana mahakasika ny tantara niandohana , kanefa tsy sakana ho ahy mihitsy ny tsy hanambara , na haneho izay fikarohana nataoko. Nisy ny fidinana ifotony tany an-toerana sy ny fikarohana ireo vavolombelon’ny tantara tamin’ireo taranaka maro nifandimby . Ireo taranaka ireo dia iray tsy nivaky , aty amin’ny laharana fahaefatra sy fahadimy no ahitana azy ireo . Tena tsy mitovy mihitsy ireo lovan-tsofina ireo fa ny iraisany, dia maneho ny maha tompon’anaran-dray azy . Efa nambarako fa ny lova-tsaina naterakin’ny lovan-tsofina no tena zava-dehibe . Araho ny tantara : Ny taranaka an-daniny dia maneho fa nanana vinanto roalahy ny mpanjakan’Ambositra dia : Rasaminjato . Tsy hay ny tantarany sy ny momba azy , ary Ramanandrovola . [21] Ny taranaka ankilany kosa dia mampiseho fa Ramanandrovola dia , nandray ny toeran’ny zanakin’ny mpanjakan’Ambositra .[22] Talohan’ny nanafihan’ny mpanjakan’Imerina taty Ambositra , dia hoy ny mpanjaka mantsy an-janany : « mbola hisy ihany ve io toerana io » mantsy an’Antampon’i Vinany [23]. Eo andrefany somary miatsinanana dia Antety , io tendrombohitra nanatrika azy io izany . Ramanandrovola no nidina sy nonina teo , taty aorian’ny fanafihana niharo fitaka nataon’Ilaidama teto Ambositra.Teo amin’ny toeran’ny residence ankehitriny io izany, teo no naminaniany ; ny hisy ny taranany rahatrizay ; toerana izay nahalasa vinany ny andriana. Natsangany ary nataony teo ny fonenany, izay no nahatonga ny toerana eo ambony avaratry ny « Residence » ho « Avaradrova ». tao izy no very anarana ho Rainilango , noho ny zanany lahimatoa. Rehefa resy Ambositra dia very ny fiandrianam-panjakany ka nipetraka ho Hova na andriana tsy nanjaka izy , na izany aza anefa dia maro ny mpanompony sy ny vahoakany no tia sy nanaja azy. Ao Antampon’ny Vinany, ambanin’ny « Residence », dia nisy vato roa lehibe, teo no vavahady nidiran’ireo ombiny marobe na « Lozoka », ao ihany koa no misy ny tafoton’andriana, mbola ao io tafotona io fa tsy misy mahita.Ny tafotona dia fanafody gasy, natao hiarovana an’io toerana io ary teo amin’ny sisiny roa teo no toerana nametrahana azy. Ny « Gite d’Etape » ankehitriny dia valan’ombiny, toerana saro-pady izy io na tamin’ny androny na amin’izao fotoana izao, ary avy amin’io lozoka voalaza teo aloha io no miditra sy mivoaka ireo ombiny ireo , ary ny mpanompony ihany no tompon’andraikitra amin’izany, izay entin’izy ireo ho any atsimo mba hiraoka ahitra. Ampanidy , io toerana hiandrasana ny ombin-dRamanandrovola io ka rehefa hariva kosa ny andro , dia teo amin’ny toerana misy ny « Residence » ny andriana no nanisa ny ombiny. Ralango zanany lahimatoa, izay nahavery anarana ny rainy dia namonjy an’i Lohalambo ao Ambahinaondry , izay nanorenan-dRaonivelo sy Renikibo zanany sy zafikelin-dRamanandrovola ny fonenany. Io Ralango io dia niray fasana tamin-dRainy, tao Akrokana, ambanin’ny fasam-bahiny fa taty aoriana dia nalain’ny taranany. Io fasana io dia misy vatolampy iray lehibe misy haavo 4 na 6 metatra eo ho eo, ary ny sakana manodidina azy dia tsilo izay mirefy eo amin’ny 2 m. Ny haben’ny vato kosa dia sahabo ho 2,500 m eo ny sakany ambony ary 4 m kosa ny sakany ambany. Tao anatin’ny 8 taona vao vita io fasan-drazana io , ary namonoana omby iray isan’andro ; izany hoe : omby 2920 izany no maty raha 365 andro ny taona iray. Ankehitriny noho ny taranaka maro efa nanambady foko hafa dia nanam-pikasana ny hanao lavarangana ny taranaka [24]. ireo raiamandreny mbola velona, rehefa miala ety an - tany ka hody vovoka. Tamin’ny taona 1942, dia tonga teto Ambositra Atoa « Layette » izy dia lehiben’ny distrika ( araka ny filazan’Atoa Rakotorahalahy Joseph avy ao Ambohimiadana, taranaky Ralango) fa i dadabe Ralaivao Emilson , kosa dia nilaza fa Atoa « Turckee » no lehiben’ny distrika tamin’io taona io ihany, izy dia taranaky Rafaralahy Emmanuel , samy zanaky Ramanandravola izy roalahy ireo fa ny iray an’ny lahimatoa ny iray kosa an’ny faralahy ; izany hoe : zafiafin-dRamanandrovola na Atoa Rakotorahalahy avy ao Ambohimiadana na i dadabe Ralaivao , avy ao Sud Caserne. Namoaka didy ny fanjakana mba hanaisotra ny razambe rehetra tao Akrokana eo ambany andrefan’ny tanànan’i Manarintsoa , fa ilain’ny fitondram-panjakana frantsay , izay nifehy teto Madagasikara ny tany, mba hanorenana fasam-bahiny. Niady ihany Rafaralahy Emmanuel , fa tsy nahatosika ny didy ny anao lahy tsaroany anefa ny tenin-drainy nanao hoe « tsy miala tato aho raha tsy tendrim-panjakana » . Nanomboka tamin’io taona 1942 io , dia samy naka ny azy ny taranaka rehetra, ka Ralango araka ny voalaza tery aloha dia nalain’ny taranany ao Ambohinaondry, ao izy no milevina ary tsy nahetsika ao intsony. Ny androny 19 Aogositra 2008 izy no nananteran’ireo taranany ao Ambohimiadana sy ny any am-pielezana rehetra any, ilay ataon-drizareo hoe : « Taty fotsy na lamba fotsy ». nahavory vahoaka io fomba io ; ankevitrin’ny famadihana ihany angamba rah any fahafantarako azy satria tsy novelarin’ny taranany loatra izany . Fa matoa nahavory olona dia azo heverina ny maha famadihana azy na ihany koa fahatsiarovana . Eo ambany avaratra ilevenany dia misy vato monina, miankina amin’ny tendrombohitra iray atao hoe : « Ambatondraramonjo » izy io dia fitainana (fitaignagna an-drovana ny andriana) izany hoe eo no mitanin’andro ny andriana. Io toerana io no lasa EPP Raramonja. Ny Sabotsy hariva tokony ho tamin’ny 5 ora teo ho eo no nitsatoka tao amin’ny tanànan’ny Dadabe ; ao atsimon’ny lakazera ny 06 Septembra 2008 , izahay 3 mianaka kely. Raberanto Fidson Dina Tantely ; vady malalako sy Andrianarivo Tantely Ialy Nofy Meva Miangoty , zanakay ; izay vao 8 volana monja. Nisy ny fotoana izay niakaranay sy nanitsahanay ny Rovan’Ambositra voalohany indrindra teo aminay taranak’i dada, tao anatin’izay 40 Taona izay , ary koa nanitsahana an’Andriamamahana . [ Tsy nanitsaka ny fasan-drazana tao Akrokana kosa anefa izy mianaka fa niandry tery amin’ny arabe ambany , tsy noho ny tahotra fa noho ny fanajana , amin’ny maha hafa firazanana azy fotsiny ...; na dia izany aza anefa dia nahazo tso-drano tsara avy amin’ireo ray amandreny izy : Hoy mantsy i Dadabe : « Ianao…ianao anaka no vinanto voalohany tonga taty aminay, sady zanaky ny zafikely voalohany amin’izy rehetra ». Izaho nanoratra sy nikaroka ny tantara mantsy no zafikelin-dRandrianarivo Emmanuel, zafiafin -dRalaivao Emmanuel , voalohany indrindra ihany koa. ( Matory eo am-pandriana efa reraka io ray aman-dreny be io tamin’izahay nitsidika azy io ).] Izay ny amin’iny fa raha hiverenana kely ny namindrana ny razana ho eny Akrokana. Iray volana mahery be izao no fe-potoana nomena, notetezina avokoa ireo taranaky Ramanandravola rehetra, momba ny hamindrana azy. Vahoaka maro tokoa no nanatrika teo, na olona ambony teo amin’ny firenena na ny tompon’andraikim-panjakana tao Ambositra, Sivily sy manamboninahitra miaramila ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Volana Aogositra tamin’izany, fotoanan’ny erika ka nanerika ny andro. Notombohin’Ingahy Ralaivao Emmanuel ny tany, nisava ny andro ary dia niroso teo amin’ny famindrana ireo razambe ny taranany. Roa ihany no nambara tamiko momba ny fasana dia ny ao Akrokana sy ny eny Ambalamahasoa. Ny isam-pianakaviana anefa dia samy manana ny fasany avy. Eto dia ialana tsiny raha misy razana tsy voasoratra noho ny fahateran’ny mpitantara, amin’ny fotoana mahamety azy dia asiana tovana ity boky ity ; koa eo ianareo fianakaviana hanampy ny tsy ampy. Ny fasana ao Ambalamahasoa : Io dia fasam-bato lehibe ka ireto ny razambe milevina ao : Rafaralahy Ravelona Ralaikamisy Ny fasana ao Akrokana : Izay fasana lehibe manana ny tantarany izay voalaza tery aloha ; Ireto koa no milevina ao : Ramanandrovola Rajoseph Rakotofaralahy Randrianoelina Razakarison Rafalimanana Rafaralahy Berthin Ravoniarisoa Ireo nalevina any am-pielezana kosa : Randrianarivo Emmanuel, Dadabe kosa milevina any Diego. 1.5.3.2 Ny Nahatonga ny « Hobonobogna » : Avy amin-dRamanandrovola no nahatonga ny taranany ho « Hobonobogna » Ny antony : « Raha manana na tsy manana dia hobonobogna ao » io no fiovana fahatelo, talohan’ny Zafindratrimo sy Zanakimpanalina izay nialohavan’ny Zafirambo. Ireo avy ireo tanàna sy vohitra misy ny taranak’izy sivy mianadahy : Ny ao Ambositra :Ambohinaondry ; Nord Caserne; Antanandalana ; Ankilahila ; Ambalamahasoa; Ankona; Taitafika ; Isamina ; Ambodihady ; Ankorombe ; Andriamamahana ; saha ; Ampivarotanomby ; Ambohimiadana ; Talaky Ambohibaty ; Ankatsaka ; Ankazotokana ; Manolotrony ; Atsimon’Ampila ; Ambala ; Ampananjanana ; Atsimondrano ; Ambanivolafotsy ; Ambohijaza ; Dista ; Sud Caserne ; Sahamamy ; Ankazotany Ambatomenaloha ; Amongy ; Andraimbe ; Ny ao Ambatofinandrahana ; Ny ao Fandriana ; Ny ao Fianarantsoa Ny ao Toliary ; Ny ao Antsiranana ; Ny ao Antananarivo : Ivato. Ivandry. Ambatomaro. Antohamadinika. Tsarahonenana. Andraisoro. 67 Ha. Bevalala ; Ny ao Antsirabe ; Ny ao Mahajanga ; Ny ao Toamasina ; Ny any Frantsa ; Ny any Amerika . Miparitaka maneran’izao tontolo izao ny taranaka . 1.5.3.3 Ny Nahatonga ny « Zazafotsy » : Fahizay, rehefa tonga ny fotoana ny asaramanitra ho an’ny andriana dia naniraka ny olony sy ny mpanompony, haka omby iray. Nampitandremany fa tsy azo vonoina na alaina ny omby « Valanary » izay filohan’ireo ombin’andriana ireo . Niaraka tamin’ny olona teny anefa ny zanak’andriana , ary izy no nahatafiditra sy namono ny omby, natao ary ny famotorana, ka ny zanak’andriana no tratra, nandrahoina ny omby, rehefa masaka ny hena dia natsofoka tao amin’ny vilany be menaka mahamay ny tanany, nijafajafa sy nikiakiaka nitomany ny zanak’andriana ary niova endrika ho fotsibe teo ny tanany. Nanomboka teo dia fady azy ireo ny omby « Valanary » noho ny ozona natao tsy hiompiana ary tsy ihinanana azy. Toy ny bory tandroka, vanda mena, rango tratra, ireo taranaky Ralango , hoy Rakotorahalahy Joseph , nitantara tamiko , no fady izany . Ny omby « Valanary » dia misy pentina fotsy ny tratrany. Misy amin’ity tantara iray ity koa anefa nambaran’i dada tamiko : Tsy naharitra ny fandroatran’ny sakafo ity zanak’andriana, ka raha nahita izany dia nikoropaka nibata ny vilany feno arina, izay fady teo amin’ny andriana ny mikasika azy. Gaga ny rainy nahita ny fahasahian-janany , fa ny tompoina indray no manao ny asan’ny mpanompo. Teo dia naetry ho « zazafotsy » izy sy ny taranany ; noho izy tsy nahandry ny mpanompony hibata ny vilany. Ny mpitantara hafa eo anivon’ny fianakaviana indray , dia naneho fa ronono nandroatra io tao anaty vilany io, ny rainy anefa aty ambany rihana nifanandrify amin’ilay fatana nisy ny ronono ; angamba noho ny tahotra handoro an - drainy , no nangalany fanapahan-kevitra sahisahy ka tsy niandrasany ny mpanompony intsony hibata ilay vilany . Ireto avy ireo zazafotsy ireo, ny taranany dia ao « Andraimbe » Nahazo ireto tanàna ireto : Sahamamy ; Tsimitono ; Fiakarana ; Sarigaoka , ary Ampemby Na dia teo aza ny fahasamihafan’ny tantara ; dia iray ihany ny fahamarinanay dia samy. Maneho ny maha zazafotsy azy avokoa satria resaka sakafo no nahatonga azy. 1.5.3.4 Ny « Amontana telo » : Ny Amontana telo dia , ny iray aman-drenin’izy telo mianaka ireto : Avy amin’Atoa Razafimahaleo Herizo , ao Ambatomanana ny fasany, izy ireo dia taranaky ny Zanaposa . Avy amin’Atoa Andrianarivo Tantely, efa praiminisitra teo aloha ; ny reniny ; dia taranaky ny zazafotsy , izay efa noresahana tery aloha . Avy amin’ny Pelanoro ; Rainimainty , izy dia taranaky Ramanandrovola Araka izany dia izy telo ireo no nandrafitra ny Amontana telo . Antony : Ingahy Herizoa Razafimahaleo ; ny rainy avy ao Tsarasaotra ; ny reniny avy any Volazato. Izany hoe : zanak’anadahin’i Bebe Rasoanantoandro , renin’ny Dada. Sady nidi-droa izy avy amin’ny Bebe sy Dadabe Randrianarivo Emmanuel , izay niteraka an’i Dada. Tantely Andrianarivo ihany koa, dia toraka izany ; mandray roa ihany koa ; sady avy eny am-pivarotan’omby , etsy Alakamisy Ambositra ; avy amin’ny Mama no mandray avy amin’ny rafozany Bebe Rasoanatoandro ( Isoavina ) no sady mandova eny Amongy Ambositra. Eo aloha ny fifanambadian’izy ireo nifangaroharo tamin’ny taranak’Ingahy Ramanandrovola . Teo ihany koa anefa ny lova tsy mifindra ; Ao ihany koa ny antony maro samy hafa. 1.5.3.5 Ny atao hoe « Zanaposa » : Izao no nahatonga izany . Fahiny elabe teo amin’ny vanim-potoanan’ny Menalamba ; talohan’ny taona 1899. Nasiaka dia nasiaka io vondron’olona mpikomy amin’ny Frantsay io, nifangaro tao ny menalamba tia tanindrazana sy ny menalamba mpandroba. Natahotra ny olona ka nandositra ny fahavalo, ny mpanenjika anefa nikaroka an’izay mety niafenan’izy ireo, farany nahita zohy anankiray ; ary nisy fosa nalemy tao, noho izany dia nihevitra ireto menalamba mpandroba ireto fa « tsa misy ogna » hoy ny fitarognagna raha nitarogna ry zareo. Noho ireo fosa ireo dia avotra ny olona ary nanao « tsitsina » na « velirano » na koa « voady » tsy hamono fosa ary nankatoavin’ireo taranaka izay hatramin’izao . Fady amin’ny Zanaposa ihany koa ny miteny hoe « hano ny vary » izay tsy nahazoako tantara na dia lovan-tsofina fotsiny aza ; fa teny mba reko teny ho eny. Ny fahamarinany ihany koa ,dia toraka izany; ka aza tsiny amintsika mpikaroka . Ireto kosa ny toerana ahitana azy ireo : Ambohiponana ; Kelikapona ; Andidy Ambonivola ; Ambalavato ; Miadana ; Tsarasaotra . Izay ny amin’ny Zanaposa nisy an’Ingahy Herizoa Razafimahaleo izay nisy ny razambeny. Ny momba ny zazafotsy indray dia efa voalaza tery aloha fa ny tiana asongadina dia Ingahy Andrianarivo Tantely. Ireo razambeny , dia efa nitondra hatramin’izay naha an’Ambositra. Ny rainy no ben’ny tanàna voalohany tao Ambositra. Io EPP ao Amongy io no tsangambato velona nataon’ny taranany sady nitondra ny anarany rahateo. Ny zanany no nitokana azy tamin’ny maha Praiministra ny tenany. Mifanila amin’ilay tanin’i Dada ao Amongy io EPP io. Ny taranany dia ao : Nord Caserne ; Atsinanan’ny Vinany Malakialina ; Hadilalana , izay misy ny CSB II sy ny tobin’ny Zandary. Marihina fa eo ambanin’Ambalamahasoa ; misy farihy atao hoe « Akamory » fady Merina sy vahiny io toerana io, tsy azo hitondrana lamba miloko mena…Misy fasan-drazana iray , izay ihany koa ao , izay efa foana tsy misy razana. Ireo taranaka telo tonta ireo dia fady : Trandraka, Sora, Amalom-bandana. Noho ny Finoana kristiana anefa dia lefy izany fomban - drazana izany. Pasteur Randrianarison , kosa dia zanak’izy mianadahy avy amin’i Bebe Rasoanatoandro , renin’i Dadako . Io Pasteur io no loharano nipoiran’i Docteur Radaniel Richard , izay « Médecin Général » , tao amin’ny Hopitaly Miaramila etsy Soavinandriana - Antananarivo . Ramanandrovola : no andriana , razambe nipoirana Rafaralahy Emmanuel : dia zanaky Ramanandrovola , fahasivy farany Ravelona : kosa dia zanaky Rafaralahy Emmanuel , fahaefatra, zafikelin-dRamanandrovola . Ralaivao Emmanuel ; zanaky Ravelona fahaefatra ; zafikelin-dRafaralahy Emmanuel, zafiafin - dRamanandrovola . Randrianarivo Emmanuel : zanaky Ralaivao Emmanuel , voalohany ; iray ray sy reny ; zafikelin-dRavelona zafiafin-dRafaralahy Emmanuel ary zafindohaliky Ramanandravola . Ravelontsalama Andrianarivo Guy Richard : zanaky Randrianarivo Emmanuel voalohany, zafikelin-dRalaivao Emmanuel ; zafiafin-dRavelona ; zafindohaliky Rafaralahy Emmanuel , ary zafikitrokelin-dRamanandrovola . Andrianarivo Fanomezantsoa Raphael : zanaky Ravelontsalama Andrianarivo Guy Richard , voalohany, zafikelin-dRandrianarivo Emmanuel, zafiafin-dRalaivao Emmanuel ; zafindohaliky Ravelona ; zafikitrokelin-dRafaralahy Emmanuel , ary zafipaladian - dRamanandrovola. Andrianarivo Tantely Ialy Nofy Meva Miangoty : zanak’Andrianarivo Raphael Fanomezantsoa , vavimatoa, zafikelin-dRavelontsalama Andrianarivo Guy Richard, zafiafin - dRandrianarivo Emmanuel zafindohaliky Ralaivao Emmanuel ; zafikitronkelin - dRavelona, zafipaladian - dRafaralahy Emmanuel, taranaky Ramanandrovola faha fito . 1.6.1 Ny taranaky Ramanandrovola : Sivy mianadahy no naterany : Ralango Raiberamanjaka Raonisendry Ravolazandrasa Rainitsia Ratsandramanamparivo Raonisa Ratsaramanana Rafaralahy Emmanuel Indro ary tanisaiko ny taranak’izy 9 mianadahy ary ialana tsiny ho an’ireo tsy voalaza taty amiko. *Ralango : Mirahalahy ny zanany dia : Raonivelo izay tsy fantatra ny taranany sy Renikobo. Renikibo kosa : niteraka an-dRasalamavelo ; Rasalamavelo kosa nanana an-dRazandrimbelo mirahalahy avy. Ao Ambohinaondry , no tanàna nofidian’ireo taranaky Ralango ary ao izy no milevina . *Raiberampanjaka : dimy no naterany dia : Ratsohanina : izay niteraka an-dRenindratsiavahana ao Antanandalana Ambositra . Rainiketaka kosa dimy ny naterany dia : Rapetera, Ravao, Ravelotalata, Ranama, Ramarojaona ; izy ireo kosa dia nanorom-ponenana ao Ankilahila . Rafaralahy Vasiana ; roa ny zanany dia : Ravelonoro ao Ambalamahasoa sy Rasoandrainy . Vehivavy , iray tsy fantatra anarana ; fito ny naterany saingy dimy ihany no fantatra dia : Randrianjafy, Rambita, Rakalavonorona, Razandripiringa, Ratsandramanana ao Ankona . Renikalamena , dia tsy fantatra mihitsy ny taranany *Raonisendry : valo ny naterany dia : Raombilahifotsiloha ; niteraka roa dia : Razaka sy Ravolazafy. Razaka niteraka an-dRavelo ao taitafika ; Ravolazafy kosa niteraka an-dRamanana mianadahy avy ao Isanina. Taty aoriana dia nanorom-ponenana tao Ambohidahy Raombilahifotsiloha mandraka androany. Randriamaha , tokana ny azy dia : Ralaimongo izay niteraka an-dRatsiamboho. Ny zafiafiny Bernard kosa dia irakiraky ny vazaha chef de caton tao Ambodihady izay fonenan’izy ireo. Rainosoanamboa ; niteraka an-dRasoanamboa ; Rasoanamboa niteraka an-dRambiasa ao Ambodihady sy Ratsimba ao Ankorombe. Ny taranak’izy ireo dia nifidy an’Ankorombe mba hitoerany. Rainisoanamboa kosa nonina tao Ambodihady ; Reniben-dRainijaona , izay no nahafantarana azy ; Rainijaona dia ao Andriamamahana sy Ambalamahasoa ny taranany. Rajoma : efatra ny naterany dia : Rainivinany izay niteraka an-dRenivelo sy Rainizafy Bisa , ary Rason. Randevo kosa niteraka an-dRajoseph ; ny zafiny dia i Bera sy Lemora ary ny taranany . Ingahimbita ao Ambohidahy ; tsy fantatra ny taranany . Ramiza ao Isaha kosa nanana an-dRasiniriana ; Randrianjafy kosa nifidy an’Ambohidahy ary Rafilipo no zanany ; Ramandroavola niteraka an - dRainisamy sy Rajaonary , ny zafiafiny kosa dia avy eny am- pivarotan’omby Alakamisy . Raonizanaka no farany tsy fantatra ny taranany . *Ravolazandrasa : niteraka efatra . Randriamamelona niteraka an-dRaherinary mianadahy ao Ambohimiadana . Rainisoatafika niteraka an-dRakambana mianadahy avy ao Ambohimiadana . Razafinjaza niteraka an-dRazaka sy ny taranany. Ny zafikeliny dia i Jean Pierre mianadahy ao Ambohimiadana . Ny vehivavy iray tsy fantatra ny momba azy . *Rainitsia : tokana ny naterany dia Rabemanahaka izay niteraka an-dRandevonandriana ; Randevonandriana kosa niteraka roa dia : Raleza sy Radaliela izay monina ao Ambohibary . *Ratsandramanamparivo : roa ny naterany : Ramitombo izay niteraka an-dRafaravavy ary Rafaravavy kosa niteraka an-dRajery ao Ankatsaka . Ramanahabola : niteraka an-dRatsimba ao Ankazotokana sy ny taranany . *Raonisa : roa ihany koa ny naterany dia , Ralaisanga ; izay niteraka an-dRakotozafy : ny zafikeliny dia Razaza. Ny taranany , dia Ramanamihanta Martin , izy ilay lehiben’ny kantao Malagasy voalohany tao Manolotrony Ambositra . Ny rahalahiny dia Ralaivao Joseph , izay niteraka an-dRaphine ao atsimon’Ampila ary Ravelonjanahary Martine vadin - dRamose Ignace ao Ambala. Mbola mitoetra ao Atsimon’Ampila ny taranak’izy ireo. Ramaminganao ; roa ny naterany dia Rainikambana : ny zafikeliny dia i Pauline sy Margueritte mianadahy avy ao Andriamamahana . Rainikisa : ny zafikeliny dia i Pierre mirahalahy avy ao Maharivo . *Ratsaramanana : niteraka telo ; dia Rainilolona , ka ny taranany no niteraka an’i Victore . Renindratsara , niteraka an-dRatsara ; Ratsara niteraka an-dRamena Joseph , ao Ampananjanana sy ny taranany . Anankiray , tsy fantatra ny momba azy sy ny taranany . *Rafaralahy Emmanuel : fito ny zanany dia : Renilevoara , niteraka an-dRaimeva ; io Renilevoara io dia maty an’ady fony izy niantafika tany Soalala any Toliary . Rafeno , kosa niteraka sivy be izao dia Ralaizafy , niteraka an-dRavelonjaona ; Ravelonjaona dia ao Atsimondrano ny taranany ary Ramanantsoa . Ny hafa kosa tsy nisy fantatra izay mahakasika azy ireo . Ranaby, niteraka an-dRapiera mpanao kiraro ao Ambanivolafotsy ; Ravelonadalo, niteraka an-dRazafimahatratra ao Ambohijaza . Ireto kosa tsy mba niteraka : Ramana, Ravolazafy, Rakalavondrona, Ralaihova, Ralaikamisy, ary François. Raivosoamanana tsy mba niteraka . Ravelona : valo ihany koa ny naterany dia : Ralaikamisy tsy niteraka . Ravolazafy , ka i Dista no nosafidian’ingahy Razafimamonjy taranany nonenany ; Joseph , niteraka an-dRamaria sy Ravaosolo ao Ambalamahasoa . Ralaivao Emmanuel : niteraka enina amby folo be izao. Izy dia nisafidy sy honina ao Sud Caserne Alakamisy. mbola ao ny taranany ankehitriny. Ramainty tsy niteraka . Robinson, niteraka an-dRamiadana Edson mirahalahy avy, ao Ambalamahasoa sy any Ambatofinandrahana. Rakoto Rafaralahy , niteraka an-dRajean sy Rasamivony ao Ambalamahasoa.Tsy hay ny momba azy sy ny taranany …Renilemaharavo, niteraka an-dRamaharavo, Ramaharavo niteraka an-dRazafy sy Rajaonary . Rafenomanga niteraka efatra dia Ratsara , Ratalata tsy niteraka . Ravola ihany koa tsy mba niteraka . Delphine , niteraka an’Ignace mianadahy ao Sahamamy . Ramaria , niteraka an’i Anastasia ao Sahamamy . Rafaravavy , kosa fito no naterany : Ramavo , niteraka an’i Bozy mianadahy ao Ankona . Ravaomainty , niteraka an’i Donné sy Viky ao Ankazotany Ambatomenaloha . Ireto kosa tsy fantatra ny taranany dia : Ravana, Ralaivao Rabe, Louis, Stanislas .[26] Ireo ny zanaky Ramanandrovola sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny. Rehefa natambatra ka natao ny kajy tsotsotra sy ny kajy an-kandrina araka ny fiheverako izaho nanangona ny Tetiarana ; na dia maro aza ny tsy fantatra , teo ihany koa ny mety ho fifandisoan’ny anarana dia tombanana ho 400 mahery eo ho eo ny taranany , izay manerana an’izao tontolo izao mihitsy . Ireo taranaka ireo dia nisafidy an’Ambohimiadana ny 30 % ; ary Ambodihady kosa ny 50 % ; ny ambiny kosa nisafidy ; na nividy toeran-kafa mihitsy. Ramanandrovola : sivy no naterany ka tombanana ho 50 ny zafikeliny ; 100 ny zafiafiny ary 244 ny zafindohaliny Ralango : roa ny zanany tombanana ho 10 ny zafiny ary 30 ny zafiafiny. Rainiberampanjaka : dimy ny naterany tombanana ho 15 ny zafiny ary 40 ny zafiafiny. Raonisendry : valo ny azy ny zanany ka tombanana ho 20 ny zafiny ary 40 ny zafiafiny Ravolazandrasa : efatra ny azy ny naterany ka tombanana ho 12 ny zafiny ary 30 ny zafiafiny Rainitsia : iray ny zanany, tombanana 4 ny zafiny ary 13 ny zafiafiny Ratsandramanamparivo : roa ny naterany tombanana ho 4 ny zafiny ary 15 ny zafiafiny Raonisa : roa ny zanany tombanana ho 5 ny zafiny ary 10 ny zafiafiny Ratsaramanana : telo ny zanany ka tombanana ho 16 ny zafiny ary 36 ny zafiafiny Rafaralahy Emmanuel : fito ny zanany tombanana ho 21 ny zafiny ary 50 eo ho eo ny zafiafiny 1.6.2 Ny Taranaky Ralaivao Emmanuel : *Papabe : Ralaivao Emmanuel, mivady [27] “ Sud Caserne ” : 30 m eo ho eo , raha avy eny amin’ny fitobian’ny Taxi - Brousse = Ambositra - Fianarantsoa . 3m , mahery kely kosa , raha ho eny Ampivarotan’omby Alakamisy. 16 m na 18 m , raha hizotra ho any amin’ny lalam - pirenena faha fito . Papabe Ralaivao Emmanuel, rain’i dadabe Randrianarivo Emmanuel , no nividy ny tany ; 80 Ariary monja araka ny filazan’i dadabe Ralaivao Emilson tamiko. Midadasika be io tany io, misy fianakaviana maromaro ao ; izany hoe amin’izy 16 mianadahy , dia ny iray ihany no any Ambohibary Iary ; ao ihany koa anefa ny any amin’ny “ Nord Caserne ”. Zaza faha efatra nateraky Ingahy Ravelona izy ; ary 16 be izao no mpandova azy 1.Atoa Ramanoelina Celestin : hafa ny reniny 2.Atoa Randrianarivo Emmanuel 3.Rtoa Razananoely 4.Rtoa Razanamalala 5.Rtoa Razafimalala 6.Atoa Randrianoelinina Alfred 7.Rtoa Ravoniarisoa 8.Rtoa Ravaoarinelina Margueritte 9.Rtoa Manoelina 10.Atoa Razakarison 11.Atoa Ralaivao Emilson 12.Rtoa Ravaondriaka 13.Atoa Rafalimanana 14.Rtoa Rafaralahy Berthin 15.Rtoa Rasoazanany Joeline 16.Rtoa Ravaonarivo Berthe Ireto avy ary ny taranak’izy ireo : Atoa Ramanoelina Celestin : Enina mianadahy no naterany ; dia : . Mano : roa ny zanany dia i Leda sy Hery . Rafanomezantsoa : efatra ny zanany dia i Tiana, Laza, Denie, Clavier . Bemanantsoa : 1 ny zanany dia i Ndriantsoa . Ranjanahary Fanja : niteraka 4 saingy Nirina ihany no fantatra . Menja : fito ny zanany dia i Andry , hery, Jacky, Mamy, Tiana, Njara , tsy tadidy ny iray . .Randrianoely : Niteraka 11 be izao : Randriamizaka Noelson Daniel ; Rasoanirina ; Rakotonjanahary Celestin ; Rasoarimalala Jeanine ; Razafindravola ; Razafimalala Noeline ; Andriamanoelinarivo ; Rasoamalalanindrainy Marie ; Razafindramaha Andrianoely ; Andrianoelison Malala ; Razafindrabozy Mariette . Ireo taranaka ireo dia nonina eny Ambohibary Iary. Tombanana ho 80 eo ho eo ry zareo. 1.Atoa Randrianarivo Emmanuel sy Rasoanantoandro : Lahitokana , dia : Ravelontsalama Andrianarivo Richard : kosa dia valo mianadahy no naterany ao Antananarivo . Naka vady hafa , avy any amin’ny Faritra Sava izy ; izay zanaka ampanjaka tany an-toerana . Niteny tamin’ny vinantony izy fa tsy hody any Ambositra intsony ary tsy hiverina any . Niterahany iray io zanaka ampanjaka io dia : Andrianarivo Nirina Odette : Marihana fa tena nanan-karena tokoa io Randrianarivo Emmanuel io . Mpiasan’ny fahasalamana izy ary nandray ny toeran’ny mpitsabo mpanampy . Felicité ny zafikeliny; monina ao Ambanja izy . 2.Rtoa Razananoely sy Randrianirina : niteraka 4 dia : Lisy : niteraka an’izy 5 mianadahy , efa « Sous Prefet » tao Antsirabe sy tao Fianarantsoa ny andefimandriny. Efa senatera ihany koa ;Felana : niteraka an’i Tendry, Anjara ao Fianarantsoa .Tiana . Fenosoa . Lisy .Voahangy George : niteraka telo ; dia Manova sy Anja ary Toky. Ao Ambovombe Centre Perle : niteraka roa dia Aina sy Lova Roger : tsy tadidy 3.Rtoa Razanamalala sy Razaka : niteraka roalahy izy dia : Desire : fito ny zanany dia : Emma ; niteraka an’i Andry, Haja, Alpha ary Nathalia . Nini : niteraka an’i Michel, Anja, Fabrice ary i Olivia .Olga : niteraka an’i Omega sy Tolotra . Hery : niteraka an’i Angelo sy Nantenaina . Fano : niteraka an’i Nala, Bema, Lova, Sophia . Liva . Mano . Eto Antananarivo sy ao Ambositra Sud caserne ry zareo no mipetraka Jean : telo ny naterany dia Solo : niteraka an’i Nambinina, Avotra, ao Ivato Antananarivo . Odile , niteraka an’i Cloé sy Sambatra izay monina any Frantsa Fafah : niteraka an’i Fandresena sy Fenitra ao Ivato Antananarivo . 4.Rtoa Razafimalala sy Tsilainga Jean Louis : niteraka roa dia : Jeanne Vololoniaina ( Zazah ) ; monina any Frantsa tsy hay ny taranany sy Andriamalala Etienne : niteraka 6 izy dia , Prisca : niteraka an’i Brayan Omega : niteraka an’i Lucia sy Doda . Princia . Mickael ary Zaime, izy 4 mianadahy ireo kosa tsy mbola niteraka. Ao Sud Caserne no misy azy ireo 5.Atoa Randrianoelina Alfred sy Ravaosolo ; avy any Imady : niteraka valo dia Julien . Berthe . Dauphine . Henriette . Joël . Noeline . Hanitriniala . Jeanette Miparitaka be ry zareo satria misy , any Anivorano - Brickaville, Toamasina 6.Rtoa Ravoniarisoa sy Rakoto Joseph : 5 no naterany dia : Mino : niteraka an’i Tahiana, Rindra, Njaka, Tantely, Tahiry, Nini. Ao Antsirabe , Antananarivo sy Toliary ry zareo ary any Faradofay . Nirina : niteraka an’i Milanto, Fara ary Landy . Izy kosa dia efa Solombavam-bahoaka TIM ; ny taona ( 2008 - 2009 ) tao Ambatofinandrahana. Efa C.T 2012 ihany koa . Lalao : niteraka an’i Ony, Malala, Henintsoa , Malalatiana, Zo. Any Faradofay ; Moramanga, Antananarivo , ary any Frantsa . Efa Ben’ny Tanàna tao Moramanga ny andefimandriny . Coco : niteraka an’i Anja Nomena sy Mano Yvonne : niteraka an’i Anja, Voninahitra, Rija, Ranto, Cyntia. Eto Antananarivo 7.Rtoa Ravaoarinelina Margueritte sy Simon Petera : niteraka 5 : Pierre Nelson . Mano . Dadah . Solofo . Joel . Monina ao Toamasina ry zareo, tsy hay ny taranany 8.Rtoa Manoelina sy Rathomas ; avy ao Ambatolampy Antsirabe : niteraka 5 dia : Arsene : niteraka an’i valisoa, Lovasoa, Nehemia, Rebecca, Misandratra, Maria ary Volamena. Ao Sud caserne ry zareo . : Line ; Koto ; Jean Marie . Doda , misy iray tsy fantatra ny anarany 9.Atoa Razakarison sy Raliza ; avy ao Andina Ambositra : 9 ny naterany dia : Vola : niteraka an’i Jonathan sy Fahasoavana Fidy : tsy mbola niteraka Ndrita : tsy mbola niteraka Naina : niteraka an’i Narindra sy Rova Dadah : niteraka an’i Tafita sy Emma, Mahelina ary Fiderana Hanitra : niteraka an’i Tojo, Mendrika, Hasina, Jocelyn Rivo : niteraka an’i Fitahiana. Gendarma etsy Ivato Belo, tsy mbola niteraka Pota , tsy mbola niteraka Ao Sud Caserne sy Ambohimahasoa ; ary Ivato Antananarivo ny taranany 10.Atoa Ralaivao Emilson sy Martha ; avy eny Sandrandahy : tokana ny zanany dia : Ralaivao Nirina Emilson , Mpampianatra amin’ny Misiona Katolika , niteraka an’i Hanitriniavo; Sitraka : Nomena : Davida : Daniel ; Elie. Ao Sud caserne sy Antananarivo . 11.Rtoa Ravaondriaka Noëline sy Rasamoelina : Fito no naterany Razafimbelo Jean Seth sy Samoeline . Marovoay Razafiarivelo Jeannette sy Noordine Abdul . Ivato Randrianaivoravelojaona Emmanuel sy Rasoamalala. Marovoay Amady Beta sy Razanadriaka Odette Samuëline. Marovoay Razafimamonjy Henriette Noëline . Talatamaty Ravelonjanahary Clairette . Mahanjanga Rabemananjara Samuël sy Hery . Mamory Ivato Ao Ambositra Sud Caserne sy Ivato ry zareo 12.Atoa Rafalimanana : niteraka roa izy dia : Honoré : niteraka an’i Neny ; Bolo ary Soloarilala any Maevatanana izy kosa dia mampianatra ; ary Rahely tsy fantatra ny taranany . 13.Atoa Rafaralahy Berthin sy Nivo : efatra ny zanany : Lala : niteraka an’i Tsinjo sy Lalaiko. Ny Jeneraly Zaza no andefimandriny Mamie : niteraka an’i Lanto; Voahangy ; Mihajatiana ; Ny Aina ; Sarobidy. Zoé : niteraka an’i Valisoa Fara : tsy mbola niteraka Ao Nord caserne sy Antananarivo . 14.Rtoa Rasoazanany Joeline sy Rafiliposon Rakoto ; avy any Fandriana : Roa ny azy no naterany dia : Aimée , tsy mbola niteraka. Kolonely Firaisana ny andefimandriny Soa : niteraka an’i Manitra sy Andy ary Hasina. Journalista ny andefimandriny Ao Antananarivo avokoa . Ivandry sy ao Iavoloha 15.Rtoa Ravaonarivo Berthe sy Ralaiboto Charles : niteraka enina Charlotte : niteraka an’i Brayan sy Sandrine izay monina any Frantsa Berthelot : « Ouvrage métalique » niteraka an’i Narindra sy Hanitra eto Antananarivo . Tolotra : Gendarma , niteraka an’i Santatra, Avotra ary Tafita . Ambohimiadana Isidore : Gendarma , niteraka an’i Ando sy Rojo Bodo , niteraka an’i Tiana sy Irina ; any Frantsa Voahangy, niteraka an’i Haingo sy Fandresena ary Fitiavana Ao Sud caserne 200 , mahery kely no fantatra fa , zafiafin’Ingahy Ralaivao Emmanuel izay miely eto Madagasikara sy any am-pitan-dranomasina : 70 ; eo ho eo kosa , ny zafindohaliny : Ireto kosa izy 154 ; fantatra anarana : Noelson ; Rasoanirina ; Celestin ; Jeanine ; Noeline Andrianoeliminarivo : Razafindravola ; Marie ; Razafindramaha ; Malala ; Mariette ; Leda ; Hery; Tiana ; Laza ; Denie ; Clavier Ndriantsoa ; Nirina ; Rivo ; Zazah ; Tiana ; Hanitra ; Hary ; Andry ; Solo ; Anjara ; Tiana ; Felana ; Fenosoa ; Lisy ; Voahangy; Manova ; Anja ; Toky ; Emma ; Nini ; Olga ; Liva ; Mano ; Hery ; Fano ; Solo ; Odile ; Fafah ; Doda ; Prisca ; Princia ; Omega ; Mickaela ; Zaim Tahina ; Rindra ; Njaka ; Tantely ; Tahiry ; Nini ; Milanto ; Fara ; Landy ; Ony ; Malalatiana ; Henintsoa ; Malala ; Zo ; Mano; Nomena ; Anja ; Voninahitra ; Rija ; Ranto ; Cyntia ; Valisoa ; Lovasoa ; Nehemia ; Rebecca ; Misandratra ; Maria ; Volamena ; Jonathan ; Fahasoavana ; Narindra ; Rova ; Tafita ; Emma ; Mahelina ; Fiderana ; Tojo ; Mendrika ; Hasina ; Jocelyn ; Fitahiana ; Manitra ; Sitraka ; Nomena ; Davida ; Daniel ; Elie ; Jean Marc ; Redy ; Lolona ; Neny ; Bolo ; Soloarilala ; Tsinjo ; Lalaiko ; Lanto ; Voahangy ; Mihajatiana ; Ny Aina ; Sarobidy; Valisoa ; Manitra ; Andy; Hasina ; Brayan ; Sandrine ; Narindra ; Hanitra ; Santatra ; Avotra ; Tafita ; Ando ; Rojo ; Tiana ; Irina ; Haingo ; Fandresena ; Fitiavana ; Andry ; Hery ; Jackie ; Mamy ; Tiana ; Njara ; Dina ; Lova; Eva ; Jeannette; Jeannot ; Tolotra ; Narindra ; Emma; Yvonne; Anita; No ; Beatrice; Cathérine ; Beta Desmoulin ; Ibrahim Beta ; Tahiana; Sitraka; Mano ; Laurena . Tsena ao Ambositra io Lalan-kely mahatazana ny tanàna “ Mila ezaka ny fahafantarana ny tanindrazana nimpoirana ; tsy moramora ihany koa ny mitady ny tantara feno , tsy misy hanombinana . Natao avokoa izay fara hery ; ary izany no nampisy ny tsy misy ho nisy . ” « Fa na iza na iza olona teto ambany masoandro, dia tsy nanadino ireo razana nipoirany izy ireo .Izahay taranak’Ingahy Randrianarivo Emmanuel ; ihany koa dia tsy hanadino azy, eny hatramin’Ingahy Ramandroavola razambe nipoirana aza ; ka naha Antampon’ny vinany an’Antampon’ny vinany. Ny tantara mety ho fanadino ; fa ny soratra kosa tsy hain’ny ampitso adinoina , sarotra ny mihambo sy misavi-drazana ka aleo anjaran’ny penina no mandiso izay voalazako »
https://vetso.serasera.org/tononkalo/liantsoa-radanielison/fitiavana
Fitiavana
Liantsoa RADANIELISON
Fitiavana Inona aminao ny tena atao hoe Tia ... Famaritana tsotsotra ilay antsoina oe fitia Tsy ilay fitiavana lazaina ho "mandrakzay doria" ifanoloran'ny mpivady n'a koa mpifankatia Tsy ilay fitiavana terena Mampiteny hoe sanatria Tsy ilay je t'aime matetika Makà etsy maka ery Ts'ilay Fitiavan-dray sy reny ny zanany etsy ery N'a koa Fitiavam-bola Aiza kosa e! aoka etsy Tsy ilay fitiavan-tseza Manjakazaka aty arý Na sanatria Fitiavan-tena Na koa Fitiavam-pi (toaka izany ho an'izay tsy mahalala! hihihi ) Etsy ange Vakio f'ity manaraka éto ity. Lay tena hoe fitiavana ilay tena hoe fitia, lay tiako ho fiainanao,tiako ho fiainantsika ety ambonin'ity tany fandalovantsika ity Mety hanontany isika fanga tsy Efa iry voalaza ambony rehetra iry??tsia! Tsii! Fa Eny e, ity.... Lay fitiavana madio tsy misy tohiny hoe satria Lay avy amin'Izy Tompo Dia ilay Rainao be Fitia Lay fitiavana voalohany Tsy mahay miantsara velatsia Tsy iankinan-drohim-pihavanana na iankinan'hoe satria Eny, Lay Fitiavana ny hafa tsy misy antony hoe ity!! Lay Fitiavana-tsisy tambiny lay tsy sandaina sanatria Lay fitiavana ny hafa Toy ny itiavana ny tena Lay avy amin'Izy Ray Tsy sanatria an-katerena ilay tena avy ao am-po omena maimaim-poana ilay Fitiavan- tsy mba lefy Tsy mba ravaravan-taona Ampinga hananao izany??
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/voadiko
VOADIKO
Daniel ROIMEMY RKT
VOADIKO Dina sy voadiko androany Ary koa hianianako etoana , Na inona hitranga eto an-tany ? Isaorako ny Avo eny foana ! Ekeko sy hiaretako hatrany Lanjaiko fa sedram-pinoana! Raha diso famindra ka voa ! Olombelona mantsy tena Indrindra tanora ihany koa ,ka... Mba manana fahalemena, Etoana aho hiova tokoa ! Mivavaka sy hanolo-tena ! Inty aho ry Raiko Tsitoha !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tononkalontsika
TONONKALONTSIKA
LAVENONA
TONONKALONTSIKA Tononkalo ny antsika no anaovam-boady Hanoratra hatrany amin'ny fandavatena Ny penina letsy ny antsika no angady a ! Ny mpamaky kosa no tany hambolena Teny sy rima no atao masom-boly Atao tsara fantina mba tsy ho faty Tsy akory io nianarana tany an-tsekoly Fa ainga-panahy izay mivoaka ao anaty Intony no solon'ny vavam-bahoaka Fitaovam-piadiana mahomby tokoa Intony ny antsika no bala mandoaka ny ati-fanahin'ny manana fo!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ireo-poeta-malagasy
IREO POETA MALAGASY
AORN
Zovy moa izato ianao ry Poeta Malagasy No tsy hiantsa sy hanamarika ity fiainana mandalo Fa mipololotra avy ao ny Penina sy taratasy Ka manoratra tsy miato zato drafi-tononkalo? Voalazanao ombieny, ny sotasota tsy amin-drariny Nosinganinao koa, ny alahelo sy ny tsiaro Sahinao antsaina mihitsy, reo fahavalo sy ny tariny Na mpitondra ireo na mpiavy, samy ratsy mifangaro Ny Poeta tsy Poeta, raha tsy miavaka amy maro Manan-kolazaina hatrany, tsy voafehin’ny fotoana Na misaina noho ny hafa, saingy tsy afaka miaro Reo tsy rariny efa miantra, na ireo ratsy manoloana Ireo Poeta Malagasy, manana ny lazany avy Samy sangany amy sorany, samy manana ny tiana Fa ny zavatra iraisany: tsy misara-mianakavy Satria izy miara-miaiky fa Malagasy iray fihaviana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tononkalo-2
NY TONONKALO
Fredy Jaofera
NY TONONKALO Aza mandefa fisainana fa izao no hafatra iray mafonja isan'andro ka fohazy : ny tononkalo dia fiainana toy ny afo amin'ny kitay mipoitra avy ao ary manova azy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/kodiaran-tsarety
KODIARAN-TSARETY
LAVENONA
KODIARAN-TSARETY Kodiaran-tsarety ny fiainana eto Mivadibadika ambony sy ambany Ny fahantrana no iainana hatreto fa.. ho tafita kosa indray andro any ! Rampanana hatreto no sendra ny avo Tsy mba mitsitsy amin'ny vola sy harena Rakoto kosa etsy ambany sy lavo mitrongy vao homana mampahonena ny toaka sy revy amin'ny sandany lafo Ireny no hanim-pihinan-dRampanana Rakoto etsy ankilany tsy ampy sakafo Ariary zato no mba eny antanana Nandeha ny fotoana ,niova ny volana indro Rakoto nisodrotra ambony Rampanana indrisy fa tototry ny olana! ka zara raha hahita harapaka intsony ! Na mafy aza ny olana, mampitomany Tsy haharitra ela ary koa vetivety Ekena mafaitra fa tsarovy hatrany! Ny fiainana eto ? KODIARAN-TSARETY !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/misaotra-anao
MISAOTRA ANAO
LAVENONA
MISAOTRA ANAO Ho anao ilay sakaizako nanampy teny foana nampahery hatrany tamin'ny andro nitarainako namafa ranomaso raha sendra izaho nisaona ! Misaotra anao manokana fa nisy tamin'ny fiainako ! Ho anao tsy nanadino sy nahatsiaro ahy tsy sasatra nanohana ary koa nitondra am-bavaka rahalahy sy anabavy, ray sy reny ara-panahy isaorako etoana tsy misy ankanavaka ! Ho anao ....! Ilay voaloham-pitiavana nampianatra ahy nitia Nivadi-pitokisana ka lasana nifindra... Raha izay hoe hanozona ataoko sanatria fa... Isaorako hatrany ianao nampianatra ahy namindra ! Ho anao ilay olo-tokana namehy ny ratra-poko ianao no nanasitrana ireo fery anatiko ao ! Avahako amin'ny maro ianao ry mamiko tsy foiko... Tolorako fisaorana satria tsy mba nandao ! Ho anao ilay tsy nitsahatra nanjohy ny tononkaloko ! Nankafy hatrany, mihitsy tsy mba leo ! Sarobidy loatra ka tena tsy voavaliko Fa ny azoko lazaina ?...isaorako ianareo !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-gitara
NY GITARA
LAVENONA
NY GITARA Gitara no mba namako Manala fahanginana Raha sendra ka irery manainga ireto tanako Hiventso ampilaminana Hampikombona ny fery Eny ,..Io no mahafantatra ireo zavatra miafina ao am-poko manontolo Mihitsy ny ankamantatra any anaty tsy hay tarafina dia fiantatr'io daholo Io gitara io no ... Fizarako ny alaheloko Raha sendra ka manjombona ny fiainana lalovako Sy ireo tsiambarateloko Rehefa injay manembona Ilay alim-pahatsiarovako Ny Gitara no inoako Tsy hamadika ahy akory Fa anilako eo hatrany Ny fitaovam-pikaloiko amin'ny andro mampahory Dia Gitara irery ihany! io no mba fitendriko Sy entiko miventso raha sendra ka tomany sy mampitsiky ny endriko Na aza feno sento Ny fiainako eto an-tany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/rava-ilay-fitia
Rava ilay fitia
Rabarison Roberto Stephan
Rava ilay fitia Potika sy rava ilay fitia Izay nantenaina amiratra , lalan-dava Kay rodana satry, izaho na ianao Samy nahay vava, nilokalo ny tsy hifandao Kay toy ny kilalaon-jaza. Izaho ve no diso sa ianao no manja loatra Tsy aiko! izay no natonga ny fitiavako hitsoatra. De tena ho rava ve sanatry, izaho mihitsy angamba no diso, matoa enao nanary dia. Ianao niandrandra fitiavana taty amiko, Eny ! Izaho koa niandry tany aminao.. Tsy aiko hoe tsaronao ve ilay dina hoe mandrakizay ny antsika sy anao.. Nefa ny fiainana toa tsy voatohantsika. Izay natonga ilay masoandro niposaka, tampoka teo dia tsy hita Dia tonga indray ny alina. Dia ho avy koa ny hatsika. Ho dimbiasin'ireo nofy lalina, sy tsiaron'ny tantarantsika. Tsy ho ela dia ho avy ny maraina anafona ireo alahelo. Fa ireo fahatsiarovana sisa indray no toa amelovelo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/nodimandry
NODIMANDRY
LAVENONA
NODIMANDRY Andro mbola maizina, Talata vao maraina maso mbola ditsoka no nilazana tamiko fa vita hono ny iraka izay notontosaina ka hody an-tanindrazana ilay Dada tena mamiko ! Mba faly ery ny tena namonjy teny ivato naniry efa hatry ny ela ny hahita azy indray! mihitsy mitamberina sy tonga an-tsaiko ato ilay izy vao hanainga, eritaona lasa izay ! Tsy nahitana teny nefa ny olona nitsena! I neny koa tsikatitro nandrotsaka tomany Nanomboka nangina aho sady nanontany tena... dia ho sanatria ve ? Aza misy anie izany...! Tonga ny fotoana dia niezaka aho nitony Teo izay vao fantatro ny tena zava-misy ! Ilay dadako malalako tsy namana intsony fa razana iny sisa !....indrisy ka indrisy..! Toy ny nofantsihina ny tao am-poko tao ! i neny moa tsy tana fa dia torana avy hatrany ! Dada o! Ndeha atao hoe tombon-dalana ny anao fa...raha mbola olombelona tsy maintsy handao ny tany !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ahafantarana
AHAFANTARANA
Fredy Jaofera
AHAFANTARANA Aza ikimpiana izao fananarana hatrany am-para : amin'ny fahoriana no ahafantarana ny olona tsara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/miova
Miova
NY Andri-Fara
MIOVA AMIN’NY FANAVAOZANA NY SAINA Malomaloka ny faravodilanitra. Injao mijoy tsy mitsahatra ny erika fa mifafy mandena ny olona eny rehetra eny. Teo am-piandrasana fiara hodiako any Ambatomaro aho no nifanehatra tamin’ireo tovovavy maromaro avy nianatra nibaby kitapo. Anankiray tamin’ireny ianao ry Tantely ary mbola tadidiko tsara ny fihetsikao sy ny tsikinao niantefa taty amiko. Babonao sahady ny fitiavako. Resinao tanteraka aho. Taona fahatelo ianao tamin’izany. Eny, fa na dia efa tao anaty fiara aza isika dia nibanjina anao an’eritreritra foana aho. Efatra ambin’ny folo taona ianao tamin’izay. Tsaroako tsara iny fihaonantsika voalohany iny. Tsy nifanena intsony isika nandritra ny folo taona satria voatery nandeha lavitra aho mba hila ravin’ahitra tany ambany tany. Tsy nifankahita isika raha tsy ny taona 1972. Tadidinao tsara satria naratra ianao raha iny nitoraka an’ilay F.R.S iny no voatifitra ka lavo. Fifanjevoana be mantsy tamin’iny tolon’ny mpianatra hitakiana ny fitoviana iny ka nivadika ho fitakiana hialan’ny Filohan’ny Nosy. Sendra nidina teto Iarivo aho ary nizotra namonjy ireo mpiasa namako no nahatazana anao efa nihoson-dra. Naratra mafy ianao ary tamin’izany no nifanonjo fanindroany indray ny fitiavantsika. Heritaona taty aoriana dia natao ny raharahantsika ary ny taona nanarak’io dia teraka ny vavimatoantsika. Tonga i Ialy Nofy Meva Miangoty ilay fanantenantsika. Telo taona izao ny zanako. Telo taona sahady. Tao anatin’izany no nifaneraserako tamin’ny Fano. Tsy mbola vita akory ny fifamofoanay sy Tantely dia efa mpisakaiza izahay roalahy. Ankehitriny dia fasa-manirery ery am-pihaonan-dàlana no hitondrako azy mianaka. Fantatro fa tsy maintsy hanontany ahy ny zanako na ny vadiko, efa niomana tamin’izany aho. Tonga teo amin’ilay toerana izahay telo mianaka. Mbola tao anaty fiara izahay sy Miangoty fa i Tantely somary nivoaka kely teo ivelany. Raha mbola tsy nigadona teo aho no nisy vehivavy iray nametraka fehezan-draozy fotsy teo an-doha fasan’ilay sakaizako. Samy nangina izahay ary niantso an’i Tantely sy ny zanako aho. Niangavy azy ireo aho hitondra ny anjara voninkazonay. Saingy tsy halazo intsony fa namboleko mihitsy teo anilam-pasany ilay fehezam-beromanitra iray nongotako teo am-baravarany. Nifafy indray ny erika. Tsaroko indray ny lasa…nofihiniko ny zanako dia nizotra moramora izahay hamonjy ny fiaranay. Teny an-dàlana no nanontany ahy i Miangoty tamin’ny feo mibadabada. - Dada! Iza kay ‘lay o-lon-a no-van-gia-ntsika teo…ilay mile-vina ao am-ban-in’iny va-to iny. Ho-no ho-a Dada a? Nanomboka teo dia nitantara ny fiainan’ilay sakaizako aho… Indray andro izay ry Tantely…Marainan’ ny Alahady…Tadidiko tsara: Naka aina kely aho dia nisento..,hoy izy tamiko… Fano no anarako. Mety mana-namana na sakaiza mitovy amin’ny anarako ianao. Angamba ianao io mihitsy no mitovy amin’io anarako io. Tsia! Tsy mitovy ny tantarantsika, ary izany no hiangaviako anao tsy hitsetra na hangoraka ahy akory. Eny, fa na dia hametraka alahelo ao am-ponao aza…avelao ho zakaiko na tsy… Fahanginana no namaranako ny vetsovetso anikeo maraina. Nangina aho ary mbola hangina tanteraka, satria izay ihany no fomba hanasitranako ny feriko.Na dia niezaka nampangina ny sentosentoko aza aho dia vao mainka nampihazakazaka ny ratram-poko. Nahoana hoy aho no ianjadiam-pahoriana tahaka izao foana ny androm-piainako.Nahoana a! nahoana no tsy maintsy ho izaho no hiaran’ny herisetram-pitiavana? Tsy fantatro! Angamba , tsy nijery ahy ny lanitra …ny tany! Toa mandatsa ahy fa lavo. Nahoana ? Nahoana ! izany foana no hamenoako ny ato am-poko.Miangatra ny lanitra sa ny tany no ratsy fanahy. Tsia an! Ny Olombelona tahak’ahy no fototr’izao…kanefa. An’iza ny safidy? Moa tsy ahy sa azy! Tsy fantatro. Vao nigadona teto an-tany aho dia dia ady sy fifamonoana no hitan’ny masoko na tsy fantatro aza. Tsy mba ninono tamin’i Mama aho satria niharan’ny vono-kavana izy ary tsy mba nanatrika akory ny batisako ity nitondra folo volana an-kibo ahy. Nanomboka eto ny tantarako ary tsapanao amin’izany fa tsy mba hary fitiavana aho…Fankahalana no mba hitako voalohany, na dia izany aza; nitoetra mba hitia ny manodidina ahy aho. Nampianarin’ireo masoandro amam-bolanay hifankatia izahay mianadahy avy. Havana ve! Misy saingy havana tsy misy atoraka tsy mba havan’ny manana. Nandalo ny fahazazako aho, toy ny zaza rehetra dia nihanta tokoa tamin’ny lafin-javatra rehetra na inona na inona. Nitovy tamin’ny zana-bahoaka. Nianatra sy nitafy ary nihinana toy ny zaza mitovy taona amiko. Tratran’ny lozam-piarakodia aho fony aho sivy taona. Nijaly tokoa aho nanomboka teo satria nanan-kilema. Voatery nihafihafy teo, nahatsiaro ho resy sahady ary nihevitra fa tsy hisy hianteherana sahady. Nandalo ny ora, niteraka ny andro izay nitambatra ho volana ho lasa taona roa na telo na efatra. Voaray ho isan’ireo miala sakany na irony taona hitomboan’ny vatana irony ka mihevi-tena ho efa olon-dehibe. Tanora mantsy ka niezaka nitady izay nahasoa ny tena. Tsy nisy tsy nataoko na natsaka ranon’olona na naka mpianatra. Indrindra fa nanadio ny tatatra fanarian’olona maloto na irony faritra fanasiana maloto moderina irony. Nataoko avokoa rehefa ahitako vola. Iza no tompon’andraikitra ny amin’izay hifaharako. Angamba hoy aho mbola hiposaka…hiposaka amiko ilay karazan-kazavana avy any antsimo atsinanana. Miandry azy foana aho mba handefasany amiko ilay tsoran-drivotra mafana, mba hamelombelomako ny aiko. Ny aiko. Saika ravan’ny ankaso. Fitiavana! Tsy misy fantatro ny aminy. Teny sivy natambatambatra no nanomezana azy ary nandrafitra azy ho teny iray. Izay ihany no fantatro. Ny ankoatra izay tsy misy haiko. Asa! Fa raha ny tantarako dia mahantra ny fitiavako. Olon-tiana ve! sa olon-tiavina! Tena tsy misy fantatro. Nanjavona tamiko ny fitiavana, tsy mba hitako sy niainako izany. Ny olona ihany koa rehefa mahita ahy dia ny fanarabiana no nifafy ho solon’ny endriko sariaka mitady fahafahana… Tia fa nankahalaina. Tao anatin’izany rehetra izany no nanombohako hivelona ho an’ny tenako. Tsy laviko ny fahantrako fa laviko ny fanosihosena ny zoko, hiaina toy ny olon-drehetra. Hatreo dia irery aho ary natahotra hiara-belona amin’ny olona. Efa nihatra tamiko ny jalim-pahoriana lalina indrindra na teo amin’ny maha olona na amin’ny maha izaho ahy ka niafara tamin’ny namoretana ny fianarako. Ady foana ary mbola ady no entiko handreseko ny olana miajady amiko na ho rendrika na handresy. Rahoviana anefa. Asa! Atreto aloha dia haizina no mameno ny fiainako. Kristiana aho ary notaizana tamin’izany. Nanohy nampitaha ny fahendren’izao tontolo izao sy ny tontolon’ny fisainana lazaina fa kristiana aho saingy tsy nahita mangirana. Fanenjehana sy ramatahora ary fanilihana andraikitra no tsinjoko. Misy mihevitra ahy fa toy izao sy toy izao, kanefa na dia miorina ho amin’ny finoana an’ilay Andriamanitra tokana sy Jesoa Kristy aza eo amin’ny fanompoana isan-karazany amin’izay manavanana ahy dia zary lasa eson-teny sy famonoana ny aim-panahiko no mitranga. kristiana aho. Kristiana ihany koa ireo manodidina ahy…Indraindray aho no miaina ao anatin’ny tahotra sy ny horohoro. Nahoana re e! Taonan’ny Fahamarinana sy ny Fahamasinana ny taona 2002. Telo taona izay no lasa. Mbola miaina ao anatin’ny fahantrana ny vahoaka malagasy. Manjaka ny halatra sy ny asan-jiolahy ary ny fangalana an-keriny zaza na olon-dehibe mba atakalo vola. Misy ny maty ary tsy ferana ireo tsy hita popoka sy nitondra takaitra. Ao ireo mpanao afera na tovovavy halefa any ivelany hanao asa fivarotan-tena. Tsy ferana ihany koa ireo mpanao afera maizina momba ny taovan’olombelona. Miroso ho amin’ny fanjakan’ny kapitalista ny mpitondra ka sarangan’olom-bitsy no nahazo tombontsoa manoloana izay lazaina fa ho tombontsoam-bahoaka no arovana. Tsy misy mangirana izay lazaina fa , fampihavanam-pirenena no atao. Fanina ny vahoaka. Fahiny mantsy mba nalaza sy nankalazaina ny tanimbarin’ny Laniera sy ny fampanantenana poakaty. Ny asa omena ny tsy an’asa ka nahazo vahana irony natao hoe T.T.S na ny Tary Tonga Saina sy ny Zoam. Fanina ny vahoaka, Kilalao politika no misy; fanamafisan’orina sy tanjakin’ny antoko no hita sy re. Halamina izay azo alamina ka ny firariana dia ny hisian’ny filaminana. Mikorotana ny fianarana, tsy hita hoe hatraiza no tanjona. Ny Fiangonana heverina ho ray aman-dreny toa mampisara-bazana ny mpiray Finoana. Hatraiza no hizoran’ny fiadanan’ny ambanilanitra. Vola atsy, vola aroa. Misy ny vola fa ny hampiasaina azy no tsy misy. Izany rehetra izany no nanosika ahy hankahala ny fitondrana izay lazaina fa miorona ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nitambesatra tao amiko ny hikam-pitolomana sy ny fitiavan-tanindrazana satria manana anjara amin’ity tanindrazana malala ity aho. Tao anatin’izany no nandavoako ny fianarako. Septambra taona 2002. Izany no taona sy volana nangidy teo amin’ny fiainako ka nitondrako ny mafy sy ny nafaitra indrindra. Tsy maintsy lavo satria niniana nazera. Nifangaro tao an-tsaiko ny fahorian’ny taniko fa rehefa misy tanjona handrodanana ny efa nijoro dia ny vahoaka no natao sorona ary ny vahoaka ihany koa rehefa avy eo no mbola hizaka izay vokany eo. Efa niainana izany hatramin’ny fitondrana telo nifanesy. Tsy misy ary tsy ho hisy izany fihetseham-bahoaka izany fa ny antokon’olona na vondrona politika na mpanohitra no mitarika izay lazaina fa fihetseham-bahoaka. Mazava ho azy fa tanteraka ny tanjona, satria mitaky fiovana ny olona efa leon’ny fahantrana. Izany no zava-misy teto ary mbola hiainana amin’izao vanin’andro efa mazava be izao. Ary nampiasaina avokoa rehefa hery velona rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Rava ny firaisana ary nanjavoana tsikelikely ny soa-toavina malagasy. Tao anatin’izany tontolo izany no nifafy tao amiko ny fankahalana ny tontolo nanodidina ahy. Tsy mahita afa tsy ny lafin’ny ratsiny foana ka nanafoana ny zo maha olombelona. Hoy ny Tompo hoe: “ Izay tsy nanota taminareo no aoka hitoram-bato azy ”. Aiza izany ankehitriny kanefa dia olom-piangonana anie no maro amin’ireo mpitondra e! Raha izany no teo amin’ny Fireneko izay hikambanana. potika kosa ny fianarako izay nandaniako ny fotoana telo taona tany lavitra tany. Tsy hanam-potoana hiresahana izany intsony aho satria efa mandiva hiletika ny androm-piainako. Eny, nihamaizina teo ny tontolom-pitiavako…saingy ankehitriny tsy afaka mitsotra hanazava indray ny fahoriako aho…i Andry sakaizako no hindramiko hanohy aminao ny vetsovetsom-poko. Efa hiditra ao anatin’ny torimaso lalina aho mantsy…ka handao tsy ho ela an’ity tany be ankasomparana ity. Malomaloka ny faravodilanitra. Injao mijoy tsy mitsahatra ny erika fa mifafy mandena ny olona eny rehetra eny. …Tampoka teo… Do! Hoy ny fitobakin’ny rano teo ambaninay. Sendra nijanona kely mantsy izahay telo mianaka. Nojereko ka tsy teo ny zanako. Meva Miangoty! Hoy ny fikiakiako.Tsy nisy namaly. Indro tovolahy kely iray tsy misy hivoasana amin’I Fano na bika na endrika nitondra an-janako efa malemin’ny rano, tamy manatona anay mivady. Tantely, hena velona, izaho lasa saina. Nokosehiko ny masoko sao mbola nnofy antoandro; Tsia! Olon-kafa mitovy volo amin’ilay sakaizako. Napetrany ny zanako dia lasa izy ary tsy niandry izay fisaorana avy aty aminay akory. Noraisin’i Tantely ny zanakay dia namihana ahy izy mianaka. Nitsoka malefaka ny rivotra, injao naneno ny lakolosim-piangonana, mitaraindraina, manambara fa hisy faty hiditra ao. Iza re e! hoy ny vadiko namihana ny tanako. Injao nirotsaka ny Erika nifafy taty aminay. Voatery namonjy ny fiara tery amoron’ny arabe, satria nifafy loatra; zary lasa orana ny Erika nanify teo. Nihiaka ny zanako, nanondro ilay fasana misy ny zakaizako.Nihamafy ny fiavian’ny Erika ary mila tsy ho tazana ny mpandalo. Fa maninona ny zanako hoy i Tantely - Neny! Hoy ny zanako, misy olona mandalo iny, mametraka fehezam-boninkazo eo amin’ilay fasana misy ny naman’i Dada Novohain-janako tampoka ny varavaran’ny fiara. Lasa izy nanatona ilay fasana…hitanay mivady izao saingy toa ny zanako irery no tsinjonay nanoloana ilay fasana. Novelomiko ny fiara dia nantsoiko ny zanako…any an-trano hoy aho, tohizako ny fitantarana. Alina ny andro. Manambara izany fa niova loko ho mainty mivolombatolalaka ny tontolo manodidina. Na dia izany aza, diavolana ny alina. Toa mitsinjo izato foko feno mistery. Ny tontoloko. Iza aho? Ary iza I Fano! Nahoana no toa mifameno ny tantaranay. Tantely! Meva Miangoty. Iza ireo? Moa misy hifandraisany ve, sa tsia!… Nangina aho, dia nitraka nibanjina ny volana tomaratra. Toa manery ahy hamoaka ny ao am-pony. Zovy hoy aho no toa manaloka ny fiainako. Jereko ifotony saingy, indrisy!…mampanontany tena hoe: “ Nankaiza ny rariny sy ny hitsiny tato anatiko? ”. Naveriko ny lasako, teo amin’ny maha izaho ahy sy izaho nindramina hanambara ny tantarany Fano. Ilay malalako! Toy ny endrika Domohina marotsadrotsaka, fotsy ahitana pentina mainty manoloana ny orony sy ny sorony. Tsotra sy malefaka. Sariaka feno tsiky. Nifanena tao anaty kisendrasendra, ary nifanaiky hivady. Dimy taona izay no lasa. Tonga ny voalohan-janakay. Nahazo an’i Meva Miangoty izahay mivady. Ary i Ako!Moa ve afaka mifamatotra amin’ny vady andefimandriko ny tantarany. Nokarohiko tao anaty lalina izany fanontaniana izany dia niroso nanoloana ahy ilay sakaizako. Nobanjininy aho dia namihina ny sandriko izy. Natoriny ahy ka nojereko izay natondrony. Eny! Hoy aho…ao ny fasan’ise …Niverina tao an-trano aho. Hitako ny malalako, matory am-pilaminana, dia narakotro azy ny bodifotsy marakely teo anilany, dia norohako ny handriny, dia namonjy an’I Fano teo an-davarangana aho. - Andry! Nentim-pahazaran’ny akoho mianakavy io miandrandra loha io ary tsy novozonana izy fa mariky ny fitiavana? Nahoana isika no ambaka ny biby? Nahoana no niniana tsy tsinjovina ny soa toavina maha Malagasy? Eny, “ tsy misy adala tahaka ny akoho, fa nony hariva ny andro, mahalala mody ”, fa isika olombelona kosa: “ Vangavanga manana endrika, sadasada manan-tsoratra ”. Tsy misy ny fandinika miverina fa ny mamerina ny lasa ho amin’ny ratsy no misy. Enjehina ny tia fihavanana ary ny fahamarinana lazaina sy dradradradraina zary hanafenana ny marina, tsy hiseho ary tsy aseho. Ny zaza no heverina ho maila-pitia fa mora manadino. Lainga io…jereo i Tantely, ampitahao amin’i Ako ilay malalako Mahantra fitiavana ny olona. Tsy misy manam-pitiavana na dia iray aza satria manjaka loatra eto an-tany ny fihatsarambelatsihy. Asa! Anefa…iza amin’ireo naman’ise milaza fa Kristiana no tsy hampianarin’ireny jentilisa..Fahendrena? Mahamenatra! Sao dia tokony izy ireo indray no hitoriana ny Tenin’Andriamanitra. Angamba, tsia! Nahoana no mpitory no toriana! Tsy mampivadika ny lasa ve izany. Fitiavana! Amin’ny lafiny rehetra dia mahafaoka fahotana maro. Niezaka nitia aho saingy nankahalaina. Tadidin’ise. Tsy fantatro nefa inoako fa tsaroako tsara raha ny zanaka mpitandrina no nanaraby aho ho ranga sofina. Tao no nihevitra ahy ho toy ny zaza. Fikambanana Kristiana maro no efa niainako, zary lasa fanenjehana ny fahalemeko, famotehana ny maha izaho ahy no nanjaka. Nianatra nitia aho, saingy naely ho fanta-poko fa maditra aho, mahantra, tsy manana fahamatorana. Nafafy tamin’i Ako ny maha tsinotsinona ahy. - Andry! Lazao amin’ny vadin’ialahy, fa tsy misy tia mihoatra noho ny tiana. Ekeko fa toy ny olon-drehetra aho, kanefa ampy hamotehana ny maha izaho ahy ve ny fahalemeko. Mbola zaza aho nefa efa tia ankizy. Amiko misy toetra tsara hianarana amin’izy ireny. Rehefa tia dia tia. Tsy mahay mihatsaravelatsihy. Ny zaza mantsy toy ny “ Manan-joky miangola, manan-jandry hihantana ”. Angamba ny fiheverana ahy niraiki-po tamin’ireny zaza ireny no fahalemeko. Tiako ny zaza satria tia ahy, mahafantatra ny fahoriako. Iray amin’ireny Meva Miangoty zanak’ialahy na dia tsy fantatro aza izy. Misy itovizana amin’i Ako ny bika aman’endriny. Maraina ny andro. Tsy tafafoha, ary ny nahazendana dia i Tantely nonanaitra ahy teo an-davarangana. Ny hany reko vao nanomboka ho resy tory aho: “ Raha manina anay, iny masoandro iny jerena ”. Iza anefa. Tantely sa i Ako….Nanatona ahy ny vadiko. Reraka dia reraka ny fahitany ahy. Nosakambininy aho dia namonjy an’i Meva izahay. - Andry, hoy izy…aoka izay ny lasa fa ny ho avintsika banjinina.Aminao, raha misy tanimboly iray voaasa tsara ka hambolena anana na voninkazo ohatra. Moa ve tsy hiara haniry amin’ny ahitra izy ireo? Ka nahoana ianao rahavako no zary lasa embona sy eritreritra amin’ilay sakaizanao nianjadian’ny herisetran’olombelona? Eny! Tadidio fa raha maniry ny voninkazonao dia mba maniry koa ny ahitra dia ny fahavalo, tsaroanao? Miseho ho mora izy ireny, misaina lalina noho ny olona mampitondra zoim-pangirifiriana tsy nahiana, maro amin’izy ireny no ivadihan’ny namana tsy foy. “ Kaikerin’ny amboa kely tiana ”. Indro ny malalako, mamaky amboaran-tononkalo iray Atopatopan’ilay onja Dia ny onjan’eritreritro. Ka injao reko mitombo, mihamafonja; Izany fahatsiarovako anao. Fotoana fohy, fa manan-danja No mba noferana ho antsika. Andro vitsy nampisy onja, Nampifandray ny fiainantsika. Ianao hiezaka hanadino Ireny lasa tsy azo haverina. Izaho kosa tsy mba mino; Fa hahay hamafa ny tamberina. Angamba hoy aho Ianao ninia tsy ahalala. Fa ny fo mibaiko; No hany mahalala. Namela taratra ao am-poko Ny nifankahalalako taminao. Toa zary tanam-bokovoko, No namantarako ny endrikao. Fa ilay antsoina hoe “ Fitiavana ” Dia ilay hery mampiray. Aoka ho tsoriko rahavana; Fa ny foko tsy mivoha, ary mbola iray. Ko ho tsiniko ary ve! Raha manda ny hatakao. Raha ny faniriako anie? Ny fitiavana tsy laviko; Fa ny foko tsy ho anao. Tantely...;hoy aho nibanjina azy, tsy misy fantatro izany rehetra izany.Nobanjinina maharitra aho dia nosafosafoin’ny lohako ka resy tory aho. Andry! Ahoana hoy aho…toa hitako indray ilay aloka..Fantatry ny Ntaolo fa ny Olombelona dia iray fihaviana…marina izany, satria hoy izy ireo: “ Ny Olombelona toy ny landim-boatavo ka raha fotorana iray ihany ” na izany dia efa nisampantsampana be aoka izany ka saro-pantarina. Nanatona ahy ilay aloka no nanohina ny soroko..., moa ve tsy misy voaraikitra am-pon’ny taranaka ankehitriny intsony ireny fahendren’ny Ntaolo ireny ka nahavery ny soa-toavina .Ny fahalalana sy ny fahendrena dia miantoka ny fitiavan-tanindrazana, tsy azo tamin’ny fahaizana noratovina na koa tany amin’ny sekoly nandoavam-bola fa ny sekolin’ny fiainana no nampianatra azy. Reraka dia reraka aho iny alina ka tsy afaka niasa namonjy ny toeram-piasako…nisaina lalina izay voatoantin’ilay tantara hafahafa sy ny tian’ny ambara tamiko.Tsapako anefa fa mifono hevi-dalina izany ka ny namaranany azy dia izao: “ Miova amin’ny fanavaozana ny saina ”.Zavatra maro tokoa no mila ovaina raha tiana handroso ny Firenena anankiray dia ny toe-tsaina lomorina, marina tokoa fa tsy fahendrena ny manova zavatra tsara ho amin’ny ratsy satria tena fahalemena izany raha vahoaka no atao sorona amin’ny fitiavan-tena fa tsy fitiavan-tanindrazana akory..., firifiry moa izay dia tsy ho tonga saina ihany ve! Aiza hoa aiza izao ny toeran’ny Firenena misy antsika mihoatra ny an’ny sasany, hatramin’izay nahazoantsika ny fahaleocvan-tena! Moa tsy fahantrana lalina no niainany. Zovy tamin’ireo mpitondra ireo no tsy nilokaloka hanavotra azy kanjo…inona no zava-mitranga ankehitriny…nandohalika ihany na tsy hita mivaingana azy,tsy hita mihitsy ny fitiavan-tanindrazana. Niondrika aho dia nirontsaka ny ranomasoko, rahoviana re vao hamirapiratra ny Nosin-drazako e!Tsy nahitako valiny izany afa tsy ny hoe: “ Miova amin’ny fanavaozana ny saina”, hatreo amin’ny madinika indrindra ka miafara amin’ny olo-maventy izany.., iza no tokony ho filamatra? Ny kely sa ny lehibe raha ny toe-tsaina no dinihana..? TAPITRA Lot IIG 32 KTZep. AMBATOMARO-MANGARIVOTRA Tel: 0331274919 / 0342074919 / 0202630884
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara0/tsy-hatahotra-ny-loza
tsy hatahotra ny loza
Ny Andri - Fara
Tsy hatahotra ny loza Andeha ny Irakao Andeha tsy hitalaho . Hitety izao tontolo izao ; Noho ny anaranao . Eny an-dàlana eny tsapa..., Feno zava-tsarotra Ho sahirana ny saina ; Izay hita nampiferinaina . Ny ao an-tsaina raha ny hita Samy tiana na tsy tia . Izay rehetra nanoloana ! Toa tebiteby foana . O! Ry Tompo Zokinay Antenaiko rahatrizay , Tsy hatahotra ny loza , Ireo mpanomponao voasedra 24 Janoary 2007 Ny ANDRI - FARA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nomanina
NOMANINA
Fredy Jaofera
NOMANINA Tsy misy mametra ny zava-tianao rehefa izay no sahanina ; ny zava-drehetra dia azo atao rehefa tsy misy nomanina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara0/fisarahana
FISARAHANA
Ny Andri - Fara
FISARAHANA Indray harivariva izay Sendra irery tao an-trano. Nisy embona tsy nahy , Nameno ilay fanahiko . Nitamberina ilay nenina Dia ny fiainako fahiny . Teo anilan-jazavavy iray , Notolorako fitiavana . Ianao ilay ninia Nandratra izato foko . Nefa ny fitiavako..., Tsy miova hatramin'izao . Iny lanitra iny Mbola ho avy ka hitsara . Izay rehetra vitatsika , Voarakitra ho tantara . Tadidiko ilay toky Izay nomenao ahy taloha . Eny , mbola nohajaiko ! Noho ny fitiavako anao . Eny ! 'ty nofoko malemy No hiandry anao any am-parany , Ny fitivako anao..., Any ankoatra no andrasako . Izay no hafatra apetrako Fa ny teny omeko anao . Ny dina izay natao ..., Nahoana no nasiana fetrany . Hisaraka isika noho ianao Aoka tsy ho vonto-dranomaso . Fa izao no sitrakao...., Dia veloma no ataoko . Iza! iza no nandrara 'lay fitiavako madio madio . Ka nisalorako voaly mainty ; Ho mariky ny alaheloko . Ity foko mahonena Izay mahantra sy mijaly . Fa tsarovy kosa hoy aho , Fa mbola hisy fanenenana . Asa na mbola hisy 'lay fotoana mbola hihaonana . Mba afahako mamela..., 'ty helokao fahiny . Androany anefa toa tsaroako Ilay fiarahantsika niara-dia . Isan'andro vaky izao..., Teny am-pianaranao . Eny...! eritreritra ny ahy Eritreritra mangina . Eritreritro androany , Noho ilay ankason'olon-tiako . Tsy ho ela intsony angamba Ilay fotoana izay hodiako. Dia hilofika ny nofoko..., 'ty vatako mahantra . Tsy hilamina ny saiko Tsy ho tony izato foko . Raha tsy ianao indray..., No hiverina eo anilako . Nefa rediredy ny ahy F'efa izao no sitrakao . Ka zakaiko samy irery ..., Noho ilay ditranao . Kanefa izao no hiangaviako . Izay rehetra tsy nekena . Dia aoka ho ahy irery , Fa efa izay no anjarako . Aoka anefa ho fantatrao F'izay rehetra alehanao . Hitantara izay natrehanao ; Fa tiako ianao no lasa indray .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ny-andevo-tohonilay-madagasikara-ny-lasa-sy-ny-ankehitriny
Ny Andevo = tohon'ilay Madagasikara . Ny lasa sy ny ankehitriny
NY Andri-Fara
D2 = Ny andevo : Ny Maha Andevo : Tsy azontsika atao ny tsy hiresaka momba ny andevo sy ny toetra maha andevo rehefa mahita ireo andevo tsy tambo isaina voatanisa ao amin’ny fananan’ny razana tany aloha. Mety hisy olona hadisadisa amin’izany, ao ny mety hatahotra, ary ao koa ny mety hieboebo anaty. Tsy izany no tanjona tratrarina fa ny handinika ny toe-javatra araka ny mety ho fisainana tamin’ny fotoanany. Ny ambany ihany no tafintohina na mieboebo. Ny fisainan’ny olona mety hianatra dia misondrotra mandrakariva, ka tsy andevozin’ny lasa fa miatrika kosa hatrany ny ho avy tsaratsara kokoa. Avy taiza ary ireo andevo ireo ? Fomba nisy tamin’ny andro taloha eran-tany, nentin’ny « Portugais » sy ny Arabo na Antalaotra ary ny Karana teto. Ary nanjaka teto amintsika efa hatrany amin’ny 1660 tany io resaka io, ka mandra-panafoanan’ny Frantsay azy. Dia namela dikany mifandiso ao an-tsaintsika Malagasy ka ilàna fanafody sy fanarenana lalina, na eto afovoan-tany na any anindrana. Samy nanana andevo olona daholo . Ka rehefa miteny hoe andevo isika, dia inona no ao an-tsaintsika manalokaloka ao ? - Antokon’olona ve ? - kilasy sy firazanana ! - Volon-koditra ve ? - Toetra ve ? Izay endrika nisehoany teto amintsika sy tany an-tany hafa amin’ny ankapobeny no raisintsika, dia ny hoe: rafitra niorenan’ny toe-karem-pirenena sy ny fitondrana no niteraka ny andevo. Antokon’olona nampiasaina tsy misy karamany no natao hoe andevo, mpanompo, nolefahina anarana hoe : « ankizy » ny dikan’izany dia « mineur » no fihevitra azy, tsy manana ny sata sy maha-izy ny olon-dehibe. Olona resin’ny nanam-piadiana izy, olona nobaboina, olona nosamborina, olona nofitahina dia nangalarina, olona novidina, olona vaky sambo dia nampiasaina tsy misy karamany mba hamelona ny tenany sy hamelona ny tompony, na inona na inona volon-kodiny. Ny tany ivelany nangalatra na nividy olona teto Madagasikara sy nitondra Masombika na Makoa namidiny teto. Ny tany anindrana nahita tsirony voalohany tamin’ny varotra olona nankany ivelany sy avy any ivelany ka namabo olona taty avofoan-tany hamidiny amin’ny mpandranto. Ny taty ambony, hatrany avaratra ka hatrany atsimo nandeha namabo olona tany anindrana, dia namidiny na nampiasainy koa avy eo. Ny tany amin’ny faritra atsinanana aza nandeha isan-taona amin’ny lakana aman-jatony nanafika sy namabo tany Komoro ( 1785 - 1823 ). Izay rehetra resy an’ady na tsy naharo tena ; ka lasa babo, na inona na inona volon-kodiny, na fotsy na mainty, na zarazara na mavo, dia lasa andevo. Ny ambony firazanana tamin’ireny dia natao « mainty enin-dreny ». Toy izany koa izay olo-meloka rehetra tamin’ny lalàm-panjakana fahizay, ka niharan’ny lalàna mampivarina azy ho andevo dia lasa andevo. Na havan’andriana izy na olom-potsin’andriana, rehefa meloka ka voasazy havarina ho andevo, dia lasa andevo. Nobaboim-pananana ; ka andevo mandra-pahafaty Rasalama Maritiora. Ny andriambavy Rafaravavy Maria maritiora rehefa nigadra dimy volana dia namidy ho andevo ka lasan-dRainiharo. Ny andriambavikely Ranivo maritiora dia namidy ho andevo natao farantsa 23 ny vidiny. Misy ny nolaniam-pananana. Misy ny vady aman-janaka navarina ho andevo satria novonoina noho ny heloka nataony ny raim-pianakaviana. « Izay manao ny tsy mety rehetra amin’ny didim-panjakana mahavery vady ama-janaka, na mikomy, na manera vadin’andriana, na manani-drova, na mangaro-dapa, na manao andrian-droa, ka resy dia vonoina ny lehilahy rehetra, ary ny zaza amam-behivavy dia baboina atao andevo. Manaranaka ny maha andevo satria « ny teraka naloaky ny kibo manaraka ny kibo ihany ». Izany dia ahitantsika fa antokon’olona noforonin’ny rafitra fitondra-tany ama-monina ny « andevo », nilaina tamin’izany fotoana izany satria tsy nisy milina afaka nampiasaina tsy misy karama hisolo vaika an-dRaolombelona. Nanara-dalàna sy natao eran-tany ny teto Madagasikara , satria mbola toe-karena niorina tamin’ny herin-tsandry no niainany. Raisintsika ihany izay voalaza momba ny andevo ao amin’ny Tantaran’ny Andriana = takila 321-324 ; mba ahatsapantsika ny lanjan’ny fanafoanana ny fivarotan’andevo nankany ivelany tamin’ny andron’ny Anglisy sy Radama I, ary ny lanjan’ny famotsoran’ny Frantsay ny andevo rehefa nanjanaka an’i Madagasikara izy. Dia mba hifadiantsika koa tsy ho latsaka intsony amin’ny fanandevozanana, na inona na inona sata-itondrana an’i Madagasikara, na olona mitondra an’i Madagasikara. – Azon’ny tompony kapohina sy faizina araka izay tiany ny andevony fa ny ainy fotsiny no tsy azo alàna satria ny Mpanjaka irery no tompon’ny aina. Meloka ny andriana mamono mahafaty ny andevony ka mba vonoina koa. – Tsy manana izay sitra-pony ny andevo fa dia mandeha amin’izay anirahana azy rehetra, na tsy tiany aza. – Tsy azo atao miaramila ny andevo, tsy manao fanompoana Mpanjaka fa misolo ny tompony fotsiny. Fony Ramahatra nitari-tafika tany Toliary =1889 vao natao miaramila ny andevo. – Mahazo mihary harena sy mitahiry izany ny andevo, nefa an’ny tompony ihany ireny nohariany izy ireny amin’ny farany. – Mahazo mitokan-tano ny andevo rehefa manana, nefa sarahina trano rehefa be loatra fa tsy zaka velomina. Na mitokan-trano aza anefa ny andevo ka mahazo harena dia an’ny tompony ihany izany satria « Andevolahy manana omby zato: ny tenany an’ny tompony ihany, mainka fa ny omby zato ». Izany no ahitana ao amin’ny didim-pananana hoe « Ranona iray trano, omena an-dRa… ». – Mahazo manao fasana eny ivelan’ny tamboho sy eny an-tsaha eny ny andevo, dia tonga manana fasan-drazana. – Raha manambady ny andevo dia amin’izy samy izy ihany, ka ny zanaky ny andevovavy dia an’ny tompony vavy ihany, fa ny anarana fotsiny no entiny amin-drainy. – Azon’ny tompony votsorana na alefa ho « Olonmpotsin’andriana » ny andevo raha foiny noho ny soa nataony, rehefa andoavany « hasinandriana » sy anaovany orimbato. – Ny andevo manan-karena ka tian’ny tompony hiavo-tena dia afaka rehefa mandoa vola 30a, 50a, 60a na 100a mihitsy aza. – Ny azo babo an’ady ka lasa any Merina dia lasa Zazahova. Ny taranak’andriana enin-toko ka namidy noho ny heloka nataon-drainy, dia lasa zazahova; raha miavo-tena izy ireny na manan-kavana hanavotra azy dia miverina ho andriana indray. Reharehan’ny tompony ny fananana andevo betsaka. Raha misy ohatra raharaha izay hataon’ny tompony, na hanao fanompoan’Andriana dia mamory ny andevony rehetra izy, ka voninahitra ho azy ny fisehoany ho manana andevo betsaka rehefa mandeha eny an-dalana izy ka hanaovana azy hoe : « sambatra » Raha hiresaka momba ny mpanompo sy mpiaro ny Mpanjaka isika eto, dia ny Tsiarondahy sy ny Tsiarombavy, ny Tandonaka sy ny Tandapa na ny Tsimandoa sy ny mpilanja . Tsy andevo ireny fa Mainty manana ny anjara raharahany manokana teo amin’ny rafi - piaraha-monina fahizany. Rehefa nanomboka nandrafitra ny raharaha mahakasika ny miaramila Radama I ; dia nakany an’arivony maromaro avy Avaradrano, Voromahery Antananarivo; Vonizongo sns… dia nakany 1000 lahy ny mainty hatao miaramila = T.A. tak.1075-1076. ka nisy taminy no tafakatra Voninahitra ambony dia ambony. Ny andevo ampelatanan’ny tsy mpanjaka no resahina eto, tsy ny taty Imerina ihany fa ny tany anindrana sy manerana an’i Madagasikara. Mameno ny vakoka taratasy any amin’ny Arsivam-pirenena sy any an-tokantrano tsirairay any ny lisitra toy ireny fa vitsy no sahy miteny momba azy satria manalokaloka ao anaty ao ny resaka volon-koditra. Nefa tsy « resa-bolon-koditra ny fanandevozana fa resaka ekonomika sy hery tsy mitovy indrindra no antony. Tsy mifankaiza loatra amin’ny voalazan’ny « Code Noir frantsay tamin’ny 1685 » ny fitondrana ny andevo teto Madagasikara faha-tany malagasy. Koa aoka tsy hihevitra volon-koditra isika rehefa miteny hoe andevo. Tsy mahamenatra mihitsy ny maha-fotsy, na maha-mainty, na maha-zarazara sy mavo ; fa zava-misy eran-tany , ary nataon’Andriamanitra ny lokon-koditra. Ny fotsy na ny zarazara ambany no « mamatra ny hafa amin’ny kapoakam-panambanimbanian-tenany » ka mitady hanambany ny hafa tsy fotsy na tsy zarazara tahaka azy . Ny mainty ambany no « mamatra ny hafa amin’ny kapoakam-panambanimbanian-tenany » ka mitady hanambany ny hafa tsy mainty tahaka azy koa . Ny resaka volon-koditra rehefa miresaka hoe « andevo » dia avalano any anaty helo mirehitra afo fa tsy marina, samy efa nifanandevo daholo isika. (52) Tsy misy ekonomia miorina intsony amin’ny fanandevozana eran’izao tontolo izao, fa ny olona indray aza no mila ho andevozin’ny milina sy ny eletronika. Efa vita ela ny an’i Etazonia ny resaka volon-koditra fa i Eropa sy Azia indray izao no manomboka sedrain’ny resaka volon-koditra ; na dia hita ihany aza tsindraindray any amin’izy ireo ny fifamonoan’ny Fotsy sy ny mainty . - Ny Mainty teto Imerina talohan'ny fanjanahan-tany : Matetika henotsika sy retsika , eny anivon'ny fiaraha-monina ny hoe ny Olo-mainty dia taranak'andevo. Mazàna aza dia mametraka sakana mihitsy ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fieritreretana ho fisian'ny Olona fotsy izay lazaina fa taranak'Andriana sy Hova. Mba hahafantarana bebe kokoa ny Mainty talohan'ny fanjanahan-tany dia tsara ny mahafantatra ny firafitry ny fiaraha-monina Malagasy teto Imerina. Nizara telo izy io ; ka ny voalohany dia ny Andriana, ny faharoa ny Hova ary ny fahatelo dia ny Mainty. Ny andevo kosa tsy mba tafiditra tao fa sokajiana hafa mihitsy. Iza tokoa ary ireo Mainty ireo ? i Raombana izay mpahay tantara Malagasy voalohany nilaza fa mpanompon'ny mpanjaka izy ireo ary nampiasainy moa ilay voambolana vahiny hoe : « esclaves noirs » na « esclaves royaux ». I Graeber kosa izay « anthropologue amerikanina » dia nampiasa ny fiteny hoe : « royal servants » na « serviteurs royaux » izay tsy mitovy amin'ny « slaves » na « esclaves ». Hafa mihitsy hoy ity farany ny maha-andevo sy ny maha-mpanompo. Ny mpanompo dia Olona miasa hoan'ny tompony ka ny Mpanjaka dia anisan'izany ary izay no atao hoe : ( fanompoana ) izay raisina ho toy ny voninahitra lehibe na « privileges » . Olona afaka ihany no manan-jo manao azy io ary ny Mainty dia tafiditra ao anatin'izany. Ny Andevo kosa, izay raisina ho toy ny Olona very zo ary mitovy tantana amin'ny entana dia tsy afaka nandray anjara tamin'io Fanompoana io. Ohatra amin'izany asa Fanompoana izany ny fanoavana asa lehibe toy ny fanamboarana fefiloha, na ny fampiantsoana ny vahoaka hiady any alavitra. Ny Mainty anefa dia nisokajy ho maromaro araka ny efa voalaza noho io Fanompoana io : Isan'ireny ohatra ny Tsiarondahy izay niambina sy nikarakara ny fahitr'ombin'ny Mpanjaka, ao koa ohatra ny Tsimandoa izay mpampita ny taratasy na didim-panjakana na « colis et décrets royaux », ao ihany koa ny Manisotra izay tena saika nampitondra faisana an'Andrianampoinimerina tamin'ny nakàny an'Antananarivo ary nampidiriny ho isan'ireo mpiadiny Avy eo. Ao koa anefa ireo andevo izay nohafahana « esclaves affranchise » no iantsoana ireo Mainty nandritra ny vanim-potoan'ny faha-mpanjaka, mbola ao ihany koa ireo Tandonaka Mainty izay niasa tao an-dapan'ny Mpanjaka. Rehefa tonga anefa ny fanjanahan-tany dia nofoanana niaraka tamin'ny fanjakan'andriana ny fanandevozana ka nampiova indray ny firafitry ny fiaraha-monina teto Imerina . D3 = Ny Hova : Ny hova moa ; dia ry zareo avy ao Avarandrano ; izay nampalaza tamin’ny fanandratana an’Andrianampoinimerina ho mpanjaka tao Ambohimanga . Tsy ireo ihany anefa , fa maro ireo Hova teo amin’isam-bohitra ; tena nijanona ho Tompomenakely na Menabe ; nanana anjara toerana teo amin’ny fitantanana ny fanjakana . Ny Hova dia nanerana ny Nosy manontolo ny fivelarany . Ny fianakavian-dRainiharo ; moa no Hova filohany amin’ny Tsimiamboholahy. Nanao tranokotona avobe teo andrefan-drova kosa tamin’izay Rainijohary Praiminisitra , izay nomeny anarany hoe “ Tsitendrombohitra ”. Rainijohary sy ny fianakaviany aman-taranany kosa no filohany amin’ny Tsimahafotsy, ka nampahalaza an’Andrefan-drova mifampitaha amin’Andafiavaratra. Mbola betsaka no tsy mahalala fa andriana tany amin’ny faritra niaviany ( Imamo ; Betsileo…) ny ampahany tamin’ny Tsimahafotsy sy ny Tsimiamboholahy fa nony lasa taty Imerina vao lasa hova. Nisy ihany, indrindra tamin’ireo mpiavy nanori-ponenana teny Ambohimanga, nanaiky ny rafitra taty Imerina sady nanana rohim-pihavanana ara-panambadiana sns, tamin’ny andriana merina ka dia lasa andriana merina. Fa maro kosa no nijanona na lasa hova. Taty aoriana anefa hono, tamin’ny andron’Andrianampoinimerina, dia saika nataon’ny Mpanjaka ho andriana ireo hova Tsimahafotsy sy Tsimiamboholahy ireo noho ny zava-dehibe vitany teo amin’ny fanjakana. Fa tsy nanaiky. Ny valin-teny nalaza indrindra nasetriny ny Mpanjaka moa tamin’izany dia ilay an’Andriantsilavo hoe : " Aleonay hova mitondra manapaka toy izay andriana tsy manjaka ". Misy valin-teny tsy tena mivantambantana tahatahaka izay ihany koa hono manao hoe : "Aleonay hova tandroky ny omby toy izay andriana kitron’ny omby". Misy milaza fa ny Tsimahafotsy no nilaza izay, fa misy milaza koa hoe i Hagamainty. Tsy nisy fandraisam-peo moa tamin’izany entintsika manamarina hoe tena izay tokoa ilay valin-teny, fa ny hevitra ankapobeny nisafidianan’izy ireo hijanona ho hova mpitondra no tena isarihana ny saintsika. Ary ny fanajan’ny andriana sy ny hova izay fizarana andraikitra mazava izay. Taty aoriana aza hono dia mbola saika nataon-dRanavalona I andriana ihany ny Tsimiamboholahy na ny Andafiavaratra fa hoy hono ny navalin-dRainiharo hoe : " Aleonay lahimatoan-kova toy izay faralahin’andriana ". Misy koa moa milaza fa teny nampiasain’ny Tsimahafotsy tamin’Andrianampoinimerina ihany koa izay. Asiantsika resaka manokana eto ny momba ny Tsimiamboholahy Andafiavaratra nisy an-dRainilaiarivony ; satria tokoa na Rainiharo rain-dRainilaiarivony, na Andriantsilavo sy Hagamainty dadabeny izany dia nandà tsy nety nampiakarina ho andriana fa nisafidy hijanona hova mpitondra araka ny fandaminana tamin’izany fotoana izany. Mampieritreritra ihany noho izany ireo mivoy tsy misy porofo hentitra sy mazava hoe " hovalahy nisavi-drazana i Rainiharo " na koa hoe nitady hisavika ho andriana na nanao ny fomba rehetra hiterahana tamin’ny Mpanjakavavy mba hahalasa Andriamanjaka ny zanany i Rainilaiarivony. Tsy fantatra na odian’ireny olona ireny tsy fantatra fa nitaizana ny taranaka tsimiamboholahy maro nifanesy izay tsy nisavika razana izany. Ho an-dRainiharo sy Rainilaiarivony manokana rahateo moa dia sady efa taranaka " andriana " na mpanjaka vazimba teto Analamanga izy ireo no taranaka andriana fahiny avy tany Imamo koa hono. Na izany na tsy izany, ny zava-dehibe tsara hotadidiana dia ny tsy fahamehana nisavika saranga na razana fa ny safidy nitazonana ny maha izy ny tena teo amin’ireo Tsimahafotsy sy Tsimiamboholahy fahiny ireo. Izy no Rainiharo , izay ray niteraka an-dRainilaiarivony Ny Hova ihany koa ; dia ireo olona ao amin' ny saranga anelanelany tao amin' ny Fanjakana Merina izay sady tsy mpanompo no tsy andriana. Ilazan' ny foko sasany eto Madagasikara ny foko merina tsy anavahana saranga koa ny hoe Hova. Ny Bara sy ny Betsileo ary ny Tanala dia manao hoe Hova ireo ataon' ny Merina hoe : " andriana ". Vondron’olona matanjaka nonina tany anivon' i Madagasikara ny Hova izay lazaina ankehitriny hoe Merina . Porofon' izany, tamin' ny taonjato faha valo amby folo ka hatramin’ny faha fito amby folo ; dia Ankova no anarana niantsoan' ny Betsileo sy ny Sakalava ary ny Bezanozano ; ireo faritry misy ny Hova fa tsy Imerina akory. Moa tsy Ampamoizankova no anaran' ny sisintanin' ny Hova sy ny Sakalava tamin' ny andron-dRanavalona I ? Fehiny : Ny Hova tao amin' ny foko sasany : Ny Hova dia ilazana ireo andriana amin' ny vondron’olona sasany toy ny Betsileo sy ny Tanala ary ny Bara. Amin' ny Imerina, ny Hova dia ilazana ireo tsy andriana nefa tsy mpanompo. " Vohitra " ihany koa no ilazana azy amin' ny foko Merina sy Betsileo. Ireo Hova tranainy dia taranak' ireo Vazimba voalohany nonina taty Imerina. Ifandovana ny maha-hova. Maro tsara tarehy ny hovavavy ka maro aminy no tonga vadin' andriana sy niteraka taminy. Misy koa anefa ireo mpanompo nafahana ka tonga Hova ; ary " Hova vao " no fiantso azy. Noho io fifanambadiana teo amin' ny Hova sy ny fisian' ny Hova vao ary ireo efa taranaka Hova dia maro ny razan' ny Hova ka niteraka tsy fisiana endrika manokana teo amin' ny Hova izany. Io fifangaroana be io ary dia niteraka ho karazan' olona vaventy mety ho lehibe , ary saika tsy dia maranitr' orona intsony ny Hova sasany . Ny Hova ihany koa , dia mety ho fotsy malama volo, mainty ngita volo, zarazara, mangamanga, sns. saingy tesatesak' endrika hatrany izy. Maro amin' ny Hova ; ary no misy ran' andriana saingy mijanona ho Hova ihany izy. Tamin' Andriamasinavalona sy tamin' Andrianampoinimerina ary ireo mpanjaka nandimby azy , dia efa maro ny Hova natao ho isan' ny andriana toa an-dRaberanto tao Ambodifahitra izay natao ho Zanadralambo. Maro ihany koa anefa ireo andriana no naetry ho Hova. Taty Imerina, ireo Hovalahy dia nampiseho ny fahaizana mitondra fanjakana ka nanomboka tamin' Andriamasinavalona dia tsy azo nialana intsony izy ireo tamin' ny fitondrana. Nanomboka tamin-dRanavalona II aza dia lasa vadiben' ny mpanjaka mihitsy ny hovalahy Rainilaiarivony ; ary izy no mandidy sy manapaka fa saribakoliny fotsiny ny mpanjaka. Maro koa anefa ny Hova no manan-karena mihoatra ireo andriana ka nahatonga ny fitenena hoe : " andrian-dreraka " na " andriana malahelo ". Vokatr' izany dia tsy vitsy ireo olona no nifidy ny ho Hova raha nampisafidiana na ho Hova na ho andriana izy , toa ny taranak' Ilehilava eo Ambohidrabiby izay maro taranaka ; ka tonga mpitondra fanjakana tamin’izany vanim-potoana izany ka hatramin' ny taona 1896 ; dia maro ireo hovavavy no manambady andriana taty Imerina ka efa miely amin' ireo fianakavian' andriana maro ireo rà Hova tao anatiny . Maro koa ireo tanora no mametraka fa ny fitiavana no ambony indrindra ary tokony ho ambonin' ny resaka firazanan' ny razana fahiny. Misy tokoa ireo taranak' andriana ankehitriny no mifidy ny hanambady taranaka Hova noho ireto farany kingakinga kokoa amin' ny resaka fihariana sady mivela-tsaina kokoa. D4 = Ny Mainty : Efa voaresaka tery aloha izy ity , fa tsara raha resahana manokana mba ahafantarana misimisy koa ny momba azy na ny mahakasika azy . Tsy hidirantsika lalina intsony angamba hoe ; iza izy , ary inona no nahatonga azy ; fa ireo lazaina fa mainty sy ny fahadisoan-kevitra momba azy no andeha resahana . Nizara telo ihany ny Mainty, raha ny marina, na dia misy ny hoe : " enin-dreny " aza ny anarany. Ny voalohany dia ny Manisotra , ny faharoa dia ny Manendy, ary ny fahatelo dia ny Tsiarondahy. Ny Manisotra : Ny Manisotra ; dia taranaky ny andevo nanompo ny iray amin' ny vadin' ny mpanjaka Andriamasinavalona , tamin’ny taonjato faha fito amby folo , nafahana noho ny fanompoana nataony izy ireo .(54) Ny Manendy kosa , dia : Sakalava nivelona amin’ ny fiompiana tao Tampoketsa, avy tao izy ireo no nampijaly tsindraindray ny vohitra Merina maro tamin' ny taonjato faha valo amby folo , mba hisambotra andevo hamidy amin' ny Eropeana eny amorontsiraka. Ny Tsiaroàndahy : Ny Tsiarondahy kosa ; dia nampivondrona ny andevo mainty hafa nafahana tamin’ ny andron’ Andrianampoinimerina. Nanomboka tamin' ity mpanjaka farany ity, tao amin' ny rafi-pitondrana Merina vaovao, ny Mainty dia natokana ho amin' ny fanompoana ny mpanjaka. Avy amin' izy ireo no nakana ny ankamaroan' ny mpiambina ny mpanjaka sy ny 10 % n' izy ireo no nakana ny miaramila sangany. Ny Mainty hafa , atao hoe Tsimandoa ; dia nisahana ny fitondrana ny hafatry ny mpanjaka na nanao ny asan' ny mpitandro ny filaminana, ka toy ny pôlisy. Noho izany, nahazo tombontsoa amin' ny fananana fahefana lehibe izy ireo ary tena natahoran' ny mponina. Tsy nanambady ivelan' ny foko misy azy izy amin' ny ankapobeny, indrindra amin' ny Hova na ny Andriana. Ankehitriny dia mahatsiaro iharan' ny fanavakavahana ny Mainty, izay mbola misy milaza azy ireo ho andevo na dia efa tsy misy eto Madagasikara ity sarangam-poko ity, indrindra nanomboka tamin' ny fanjanahantany frantsay. Ampiasain' ny mpanao pôlitika ao amin' ny renivohitr' i Madagasikara koa izy ireo rehefa misy ny fanonganam-panjakana tiana hatao na ny fanohanana ny fitondram-panakana misy mpanozongozona. Izy ireo no an' isan' ny amporisihina handingana ny faritra mena ka maro no maty voatifitra vokatr' izany. Izy ireo ihany koa no irahina hanohitra ny fihetsiketsehana, rehefa tsy mahatosika na tsy tiana hitsabaka ny mpitandro filaminana. [ Ity Fikarohana izay nojereko tamin’ny https://mg.wikipedia.org/wiki/Mainty_enin-dreny ity ; dia mampisalasala ihany ; indrindra mahakasika ilay voalaza fa ampiasan’ny mpanao politika . Diso izany satria misy fotsy izy ireo ary tsy ambany tanàna araka izay voalaza akory .] aorian' ny Ady Lehibe Faharoa, ny Mainty dia niara-dia tamin' ny Tanindrana ka hamorona ny Parti des Déshérités de Madagascar ( PADESM ), izay atao amn' ny teny malagasy hoe Firaisan' ny Tanindrana sy ny Mainty enin-dreny ary ny karazany, manohitra ny fitakiana fahaleovantena nataon' ny Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache ( MDRM ), izay antoko nanjakan’ ny Hova sy ny Andriana merina, izay nahiahiny ho te hamerina ny fanjakazakan' ny Andriana merina sy Hova. Taorian' ny fanafoanan' ny Frantsay ny MDRM, noho ny zava-nitranga tamin’ ny taona 1947, dia nesorin' ny Tanindrana ny solontena Mainty ao amin' ny farimbona vaovaon' ny mpitarika izay nanankinan’ ny fahefana mpanjanaka ny fitantanana ny Repoblika Malagasy mahaleo tena. Famantarana faha mpanjaka E. Ny Vanim-potoanan’ny fiketrahana fanjakana : 1220 - 1896 Ho zaraintsika telo miavaka tsara ihany koa izy ity . Efa nihoatra lavitra , tsy nitovy tamin’ny teo aloha ; ireo mponina teto amin’ity Nosy ity . Hatreo amin’ny andriana Andrianerinerina , ka hatramin’ny andriana Andriamanelo ; dia nifandovan’izy ireo ny fanjakana ; saingy niovaova Fanjakana ; arakaraka izay nitoeran’ilay andriana hotompoina sy hifehy ny tanàna . Izany dia efa voatantara tery aloha ; ka tsy hasian-teny lavabe . Ny hany horesahana angamba dia ny fametrahan’izy ireo rafitra natao hitondrana izany fanjakana izany , teto Imerina aloha . Tsy novaona saingy samy nitondra izay saim-pantany tokoa , ka nandrirotra mba hiarovana ny seza tsy hivoaka . Ireo mponina na vahoaka ireo ; dia nitsitokotoko ary samy nanana ny fahaleovantenany , niharatsy anefa izany satria te hanjaka irery ny mahery , ka nifanafika na izy naka vady tamin’ireo mponina nanodidina azy , ka lasa vadim-panjakana . Raha jerena ny lovan-tsofina na ilay angano hoy isika ; dia tao Angavo Atsinanana , no nanorenana ny fanjakana voalohany . Teraka nanaraka izany ny fiarovana ny tanàna ; ka ny hadivory lehibe na kelikely no tsy maintsy natao , hiarovana amin’izay ho mety fanafihana . Teo ihany koa ny fanaovana manda amin’ireo zava-maniry nisy tsilo na hazo midoroboka , mba hatao fefy . Ny fanorenana ny tanàna ho ambony , mba tsy ho azon’ny fahavalo . Natahorana ihany koa mantsy ireo Jirika mpangalatra , fa tsy izay hanafika haka fahefana ihany . Nanomboka nahazo laka ny fanamboarana ny tamboho gasy . Niitatra tsikelikely ny fanamboarana trano ; dia ny : Trano tany ; trano bongo ; trano anaty lava-bato , ny ratsan-kazo sy izay rehetra mety hitoerana . Izay efa nanana ny hareny moa dia tena tsara ny azy ny trano vita amin’ny tany , ary niavaka teny ny tsy manana . 320 taona be izao no nolalovan’izany tantara izany , izay nambara fa lovan-tsofina ho zary lovan-tsaina ankehitriny . Nanomboka teo an’Andrianerinerina ; ka hatreo amin’Andriamanelo , izay efa nahitana fivoarana tokoa , tamin’ny lafiny rehetra . Niavaka ireto tanàna ireto ary efa afaka nifamezivezy ny olona : Ankatso ; Ambohipo ; Ikianja ; Angavokely : Iharamy ; Ambohimanambola ; Alasora ; Imerimanjaka ; Ampandrana ; Ifanongoavana ; Ankotrokotroka na Ambohidrabiby fahizay ; Ambohitrakanga na Ambohimanga fahiny ihany koa ; sy ny maro hafa tsy voatanisa . Andriamanelo anefa toa nalaza kokoa , mihoatra iretsy hafa teo alohany ; kanefa tsy nisy izy raha tsy teo ny teo alohany , izay nandovany ny toetra hafakely ; dia ny haka fanjakana . Tsy azo kosehana Andriamanelo , ilay andriana nomena fanjakana ; tao Alasora . Nanara-bady tao ny reniny ; ka izany no nampitoetra ny fanjakany tao Alasora . Naharitra 247 taona kosa ity tapany faharoa ity . Izany hoe ; latsaka 73 taona . Novinavinaina ho efa nahatratra 6.874.782 , ireo mponina ireo . Raha ny tantara no zohina hatreto aloha ; dia niainga tao Angavo ny fiandrianana ; dia nandalo tao Fanongoavana ; Ampandrana , izay vao Imerimanjaka ka tonga tao Alasora . Somary nisy fihemorana ny tanàna satria tokana ny tanjon’ilay andriana nahazo fanjakana , dia ny hahatratra ny fanjakany nanerana an’Imerina . Vondron’olom-bitsy no tena nanan-karena ( Ireo izany nanana omby betsaka no natao hoe harena tamin’izany ; izay niampy ireo fiompiana hafa ) . Nahenika ny tany avo , izay rakotr’ala ny olona sasany , nanomboka nivoaka taty ivelany ireo tao anaty vato Ka tsy nitoetra tany intsony . Ireo nanana trano vita amin’ny ratsan-kazo , dia efa nolaloriny tany izany na dia ratsy aza , mba nisy nitoerany ; kanefa mbola efitra tokana ihany , sady nitambarana avokoa ka niara-nitoetra tamin’ireo biby nompiany izy ireny . Maro ireo vahiny avy any am-pitan’ny ranomasina no tonga teto amin’ity Nosy ity ; ary tsy nijanona tany anindrana ; fa tonga teto anivon’ity tany ity ihany koa ? Azo heverina fa ny Grika no tonga voalohany vao ny Portiogey sy ny Espaniola , nanaraka azy ny Indiana ( Karana ) ; ireo Arabo mpijirika andevo mba hamidy sy ny mpivarotra ; Ny Sinoa . Tsy adino fa nanomboka hitan’ireo vahiny hafa ihany koa ny Firenentsika ; dia ny : Amerikana ; Ny Eropeana ary ny Aziatika sy ny Afrikana . Maro tamin’ireo mpihavy ireo no nandroaka ny tompon-tany izay lazaina fa Vazimba . Ny mahery no tompon’ny tany . ( Teo anelanelan’ny taona : 1470 - 1810 )Nanjaka ny fahefana atao hoe ; izay tiako omena azy . Nikorontana tanteraka ny mponina ary niverina tsikelikely indray ny fanjakan’ingahy Baroa ; samy maka ho azy . Tsy hita no nandroso , kanefa tsy nihemotra Imerina . Tsy hoe , tsy hita ny tany anindran-tany na adino nohon’ny fihoaran’ny tantara ; heverina fa niara-nandroso ihany izy ireo . Porofo tsy azo lavina ohatra ny fivelaran’ireo Kibosy , izay teo anelanelan’ny làlam-pirenena fahaefatra ankehitriny ( Marovoay ny marimarina kokoa ) ; ny Betaolo tany Antalaotra ; ny Taimbalimbaly sy ny Tainondrinondry ; Ny Gola , tany Betsileo tany . Ny Omba tany Faradofay , maro izy ireo , fa ireo aloha no tena nalaza teto Madagasikara . Andriamanelo dia efa nahay nanefy Vy , ka nampiasa izany tamin’izay tiany nampiasana azy , mba ho fiarovana sy nentiny nanafika ireo vondron’olona nanondidina azy , ka nahafahany niditra teto Iarivo . Ireto ireo tanàna vitsivitsy nalaza , satria nozaraina efatra . Ambohidratrimo ; Ambohimanga ; Antananarivo ( Analamanga ) ; Alasora . Ireo indray no nisolo ny vohitra teo aloha : Imerimanjaka ; Analamanga ; Ampandrana . Nanomboka hita sy nentin’ireo vahiny ny voly samihafa : Vary ; Vomanga ; Mangahazo ; Katsaka ; Ampemba ; Vanila ; Jirofo . Tsy ireo ihany fa maro izy ireo . Nanomboka niompy ny olona ary hita ihany koa ny biby izay nentin’izay ireo , toy ny Vorombazaha ; Ampondra sy ny sisa . Nofaranan’Andrianampoinimerina izany , raha vao nomena azy ny fahefana hitantana indray ny fanjakana . Hita sorontsoritra sahady ny hoavin’ny Fanjakany , fa araho ihany ny tantara . Naharitra 110 taona kosa ity tapany fahatelo ity , izay nihena tanteraka sy nihafohy . 130 taona be izao ny elanelany amin’ny tapany faharoa , raha toa ka 73 taona monja izany . Raha ampitahana amin’ny tapany voalohany kosa dia ; 210 taona . Io 110 taona io ; no namehezan’ireo andriana nomena fanjakana ; ka nahafahany nifehy ireo vondron’olona valo amby folo . Teo no niampita ny fanilo tamin’izay handova fanjakana ka navondrona iray , ary lasa fanjakan’i Madagasikara izany . Andao hojerena fohy fa tsy handalovana fotsiny ity tapany fahatelo ity . Andrianampoinimerina : ( 1787 - 1810 ) Teraka tamin’ny taona 1745 izy. Fony vao zaza dia Ramboasalama no anarany. Zafikelin’Andriambelomasina , mpanjakan’Ambohimanga; ny lehilahy. Andrianjafy , zanak’Andriambelomasina , dadatoany no nanjaka nandimby an-drainy, tao Ambohimanga . Matetika niady izy mianaka satria efa niteraka an’ilay lahitokany Andrianjafy , izay hampanjakainy handimby azy rahatrizay. Ramboasalama anefa no efa voatendrin’Andriambelomasina hisolo an’ity dadatoany rehefa hody any amin’ny mandrakizay izy . Telo ny Olon-kendriny dia, Rabefiraisana tao Ambohimanga, Hagamainty tao Ilafy ary Rafiara tetsy Alasora. Anisan’ireo vondron’olona mandinidinika, nanondrotra ho mpanjaka an’Andrianampoinimerina ny Tsimiamboholahy notarihan’Andriatsilavo, ary ny Tsimahafotsy , etsy avaradrano . Ireo lazaina fa vadin’Andrianampoinimerina : 1. Rabodonimerina : Vadibe , izay milevina ao Namehana . Renibodonimerina , zanak’Andriambelomasina no reniny Nanangana an-dRabodolahy zana-drahavaviny . Novonoina Rabodonimerina . 2. Rafotsirahiratra : zanaky Ramisamanjaka , rahalahin’Andriambelomasina . Ao Fandàna no mitoetra . 3. Ratsimiantahasoa : zafin’Andriambelomasina , zanaky Andrianjafy . Ao Namehana izy no milevina . 4. Ramiangaly : Andriankotonavalona zanak’anabavin’Andriambelomasina no rainy . Ao Ankadimanga , Sambaina Manjakandriana . 5. Rasendrasoa : Andrianavalonakelimiaina etsy Ambahivoraka no niteraka azy ary Rafitsirasoa . 6. Ramanantenasoa : terak’Andrianavalonjafy ao Alasora . 7. Rambolamasoandro : teraky Rabelanonana tao Marovatana. 8. Ramatoaramisa 9. Rasoamananoro : teraky Rabodomanana 10. Ravaonimerina : terak’Andrianambotsimarofy 11. Ravaomanjaka : terak’Andriamaromanompo anadahin-dRavaonimerina . 12. Razafitrimo 13. Ravalomisa 14. Rabodozafimanjaka : terak’Andriatsira teny Alasora , izay nanjaka teny 15. Rafotsirabodomirahalahy : Tera-dRasoataolana rahalahin’Andriatsira , Jamba izy io ary tamin’ny 1881 ; Izy irery sisa no velona tamin’ireo vadin’Andrianampoinimerina . Ao Ambohijoky . 16. Rafotsirahety : Tera-dRasoataolana eo Ambohipaniry . ( Faritra any Ambatomanga ve sa toerana hafa , nefa azo inoana fa iny làlana mihazo ny faritra Merinarivo iny izany! ) 17. Rasendra : anadahin-dRambola ao Ambatomanga . 18. Rasamona : zanaky Ramanantenasoa , izay lasa Vadibe taty aoriana . Ao Tsiafahy . 19. Razafinamboa : teraka Ravaonimerina sy Andriatomponimarovatana 20. Razafinavalona : eo Ambohipianana 21. Rabodo : ao Ambohimalaza avy amin’Andriantompokoindrindra 22. Rabodondrainibe : teraky Ramboamainty ao Ambohimalaza 23. Rafotsiraivoramiandra : tera-dRamboamanina 24. Ravaondriana : tera-dRahiratra 25. Rafaravavy : zana-dRamanitra . Noho ny antony ara-toe-karena sy ara-politika no nanaovany an’izany. Nomeny vohitra roa amby folo avy izy ireo, izay lasa toeran-tsampy sy nivavahana: 1. Antananarivo 2. Ilafy 3. Namehana 4. Ambohimanga 5. Alasora 6. Ambohidrabiby 7. Ambohidratrimo 8. Imerimanjaka ao Ampandrana 9. Ambohijoky 10. Amboatany ao Imamo 11. Imerimandroso 12. Ikaloy Raha ny fikarohana hafa ; araka ny fitantaran’Andriamatoa Andriantsoa Robert , anefa dia ireto ireo , tendrombohitra 12 ireo : 1. Analamanga 2. Ambohimanga 3. Ilafy 4. Ambohidratrimo 5. Antsahadinta 6. Alasora 7. Ambohimalaza 8. Ampandrana 9. Antongona 10. Ambohimanambola 11. Ambohidrabiby 12. Ikaloy . *Imerina, nozaraina 6 Toko : . Ny tao Avarandrano : Rabefiraisana . Ny tao Vakinisisaony : Rafiara . Ny tao Marovatana : Ratsimpaniry . Ny tao Ambodirano : Razakatahiry . Ny tao Vonizongo : Andriantsoba / Ralambotiandrainy . Ny tao Vakinankaratra : Raharivola Ireo no hova natao ho “ tompomenakely ”, izay niadidy an’ Imerina enina toko 42 taona izy raha vao nanomboka nanjaka , ary naharitra 23 taona ny fanjakany ary nolaniany tamin’ny ady izany . Mba hamoriany izay fanjakana tiany ho azy . Efa nisy vola nokirakiraina teto.(53) . *Nosokajiana ho telo kosa ny saranga : . Andriana . Hova . Andevo Ny Miaramila ; dia nomena voninahitra izay mendrika hahazo izany ; ary nahazo hanana izany koa ny mpanjaka . Ka iray , ka hatramin’ny 16 izany voninahitra izany . Niamboho Andrianampoinimerina ka nalevina ao amin’ny tranomasina ao Mahandrihono , avaratr’Andriambelomasina ao Ambohimanga.. 65 taona izy vao maty. Natahotra noho ny tsy maha mety ny hizarana ny fanjakana, tahaka ny nataon’Andriamasinavalona ilay lehilahy hendry atao hoe : Hagamainty, mpanolotsain’Andrianampoinimerina noho ity mpanjaka ity maro vady loatra, ka nila resaka taminy sy nampiseho sedra ho an’ireto zanak’andriana. Nitodika tao amin-dRadama ny fony, ary izy no noheverina hanjaka. Notanterahana izany rehefa maty rainy. Mpanjaka hendry sy lalin-tsaina ary tia fandrosona Radama rainy . Ny taona 1792 no nahaterahany ary 18 taona izy no nanjaka . Efa mpitari-tafika , niady tany anindrana izy fony Andrianampoinimerina rainy no nanjaka, hany ka tsy nanavao azy ny famerenana ny ady tany Betsileo sy tamin’ny Sakalava raha nikomy ireo. Mafy ny ady natrehany indrindra tamin’ny Bezanozano. Namaky lay teto ny misionera mba hitory ny filazantsara sy ny Tenin’Andriamanitra Tamin’ny talata 18 Aogositra 1818 , no tonga tao Toamasina, David Jones sy Thomas Bevan , izay misionera L.M.S , avy any Neuaddlwyd ao Pays de Galles, tanjona iray andrefan’i Angletera. Tsy ireo ihany no tonga fa maro dia maro tokoa. David Griffiths izay nanorina sekoly; ary ny zanany lahy atao hoe John David Griffiths ny 16 oktobra 1821 no zana-bazaha niditra voalohany teto Antananarivo, ka gaga ny olona. Nampianatra zaitra sy tenona ny vadin’ireo misionera ireo. Tonga koa David Johns , izay nitovy fanonona tamin’i David Jones , ka navahan’ny Malagasy amin’ny hoe Jojy lava sy Fohy izy roalahy. Nanaraka azy tao Commins , mpahay momba ny famolesana izay nanampy any Rowlands , tetsy Antsahadinta no nanorenany izany, i Chick nampianatra ny Tefy tao Amparibe. Tonga teto ihany koa i James Cameron , ny rafitra sy ny fandrendreham-by ary ny Biriky, ny fanaovam-banja, ny Tefy ankosotra Volamena sy Volafotsy no nampianariny, izy ihany koa no nanao ny Farihin’Anosy io. Atoa Brooks izay mpandrafitra sy nanao ny fanaovan-tsavony, biriky, nampianatra ny astronomie, chimie, photographie, lithographie, ny fanefena vy sy vifotsy ary ny volamena na ny volafotsy sy ny varahana izay nampian-dry J.J. Freeman , mpitandrina. Atoa Canham , nampianatra ny fandoman-koditra tao Ambohimandroso ary ny fanaovan-kiraro. Gaga Radama , noho ny fahaizan’ireto vahiny sy ny fahafoizan-tenany ka nikabary tamin’ny ambanilanitra ary nifampiraharaha tamin’i Sir Robert Farquhar , tamin’ny alalan’ny Pritsy Ratefinanahary ho any Maurice , ny 19 Oktobra 1817, ary tonga tany Londra ny Aprily 1817. Nitondra tanora sivy handrato fianarana tany izy, dia ireto izany: ( Ravarika, Razafinkarefo, Ramboa, Raolombelona, Ravoalavo sy Ratotozy, izay zaza kambana, Rakotomavo ary Andriantsiory ) mba hianatra tefy, kiraro, tenona, volamena sy volafotsy ary ny sary. Rehefa natsangana kosa ny sekoly teto Imerina dia: Rakotobe sy Ramasy Pritsy, zanaky Rabodosahondra sy Rasoamananoro; samy anabavin-dRadama , ary ankizy hafa no nampianarin’ny misionera voalohany. Teny Anglisy no nampianarana ary hira sy vakiteny ao amin’ny Soratra Masina no nanovozam-pahalalana. Mpampianatra nahafoy tena tsy azo adinoina i Jeffrey. Ny taona 1836 vao vita dika tanteraka ny Baiboly Malagasy, fa ny 4 Desambra 1827 no vita printy ny Genesisy 1:1-23 , izay namboarin’ingahy Cameron , ary voatahiry any Le Cap ( Egypte ). Ny Septambra 1824 , no vita ny Fiangonana tao Ambodin’Andohalo, ny taona 1830 kosa ny tao Ambatonakanga. Niitatra tamin’ireto faritra dimy lehibe teto Imerina ny sekoly naorin’ny L.M.S : Faritr’ Ivoromahery : Ny Central School , tao Ambohimanarina sy Anosizato. Faritr’Ivakinisisaony : Alasora, Ankadivoribe, Ambatomanga, Tsiafahy, Ambatomirakitra, Iharanandriana, Ambohimanjaka. Faritr’Imarovatana : Ambohidratrimo, Ambatolampy, Anosy, Isoavinimerina, Ampananina. Faritr’Ambodirano : Antsahadinta, Ambohimahamanina, Fenoarivo. Faritr’Avaradrano : Ambohimanga, Ilafy, Betsizaraina, Amboatany, Namehana, Imerimandroso, Ambohidrabiby, Ambohimpiainana, Ambohimalaza, Ambohimanambola. Raha tsiahivina ny fomba hentitra, nanapahan-dRadama rainy ny fomba hanoratana ny teny Malagasy dia toy izao ny tantara. Novoriany tao an-dapa aloha ny solon-tenan’ny Anglisy sy ny Frantsay. Nanambara ary ny mpanjaka fa izy dia efa nahay ny fomba fanoratra amin’ny Sorabe , avy tamin’ireo Antaimoro, nandova ny fanandroana Arabo. Tsy ho amin’izany anefa no tiany hanoratana ny teny Malagasy fa iriany mba ho amin’ny teny latina. 1820 : Nisehoan’ny miaramila voalohany ka ny zanakin’ny mpanan-karena ihany no nalaina hanao izany . Atoa Brady sy Caren no nisehoan’izany . 50 no isany teo aloha vao niakatra 1000 ; Tafakatra 14.210 ny isan’ny Miaramila raha 1000 izany tany am-boalohany. ka ny manan-katao ihany aloha no nalaina , izay vao ny Ambaniandro , ka ny faka azy fahiny dia toy izao : Raha 4 dia Roa no alaina , raha 2 dia iray no alaina , ka ny matanjaka sy ny mahery ary ny fetsy no tazonina ho miaramila , ka teo Sahafa no orimbato voalohany . Toy izao no Dingana faha Radama I : Sori-dany : Soritana , handeha no heviny Miara-mila : Samy mitady samy Mandeha [ Mbola notazomina izy io ankehitriny] *Ny vadin-dRadama I : 1. Ranavalona , ilay ho mpanjaka ; izy dia teraky Rabodonandriantombo, izay anabavin’Andrianampoinimerina . Izy no renin-dRadama II 2. Rasalimo , zanaky Ramitraho mpanjakan’ny Menabe . Renin-dRabobalahy sy Raketaka 3. Ramboandrenibe ao Anosimanjaka andrefana 4. Ramomo , teraky Andriamary tao Imamo 5. Raeno , teraky Andriandriatsiahofa tany Imamo Ary ireo vadin’Andriampoinimerina sisa nataony Loloha , kosa dia ireto : . Rasendrasoazokiny . Rasendrasoazandriny . Rasama . Ramatoaramisa . Ravolamisa . Razafitrimo . Rabodomirahalahy . Rafotsirahety . Razafinamboa . Rasoamananoro . Ramiangaly . Ravaondriana Radama I , no voalohany nampiakatra ny Kisoa sy ny Saka teo Madagasikara . Niamboho ny mpanjaka teo amin’ny faha 36 taonany . Ranavalona I : ( 1828 - 1861 ) Tany Mantasoa Soatsimanampiovana no nananganany ny fandrendreham-by, fanaovan-tsavony, nampanao fefiloha, fambolena. Tsy irery anefa izay fa nanampy azy tamin’izany De Lastelle . Tsy mba noroahan’ny mpanjaka izy mirahalahy ireo. - Nanao sy nandrafitra ny lapa tao Manjakamiadana Loza anefa no niseho fa ny alin’iny dia nirehitra tampoka Ambohimitsimbina ary tonga hatrany anaty Rova mihitsy ny kilalan’afo. Natsahatra avokoa ny asa sy ny raharaham-panjakana rehetra, araka ny teniny Rainiharo Praiminisitra. Novahana ny gadran’ity mpanompon’Andriamanitra ity , niala tao Ambatonakanga mba hihazo an’Ambohipotsy, ilay toerana famonoana tamin’izany Rasalama sy ny Kristiana nanaraka tsy nahafoy azy. Nandalo teo akaikin’ny Fiangonana Ambodin’Andohalo. Nihira sy nidera an’Ilay Nahary Avo Indrindra izy : “ Hitako ny lalan-tsara ka hizorako…; Azoko ny famonjena ka ho tanako… ” dia nivavaka izy, avy eo nolefonin’ny mpandefona teo Ambohipotsy izay nananganan’ny misionera Fiangonana tsara tarehy be ho fahatsiarovana azy . Izy no nisalotra ny maritiora voalohany raha saika rafaravavy Mary , no saika nisalotra izany satroboninahitry ny maritiora izany saingy tafatsoaka izy. Hita sy natrehan-drafaralahy Andriamazoto izany mba naniry ho maritiora ihany koa izy. Tanteraka izany, rehefa niampanga azy Rafiakarana , sakaizany sy mpiombom-barotra aminy, tamin’ny manampahefana fa kristiana tahaka an-dRazakandrianaina izay niampanga an’Andriantsoa.[ Aza adinoina ny tantara fa lovan’Andriamazoto io tany nanorenana ny Hopitaly etsy Soavinandrina ary ny fiangonana voalohany niorina teo dia ny LMS izay lasan’ny Katolika taty aorina . Eo Anjanahary kosa ny Fiangonana najoron’ny mpino Protestanta ho fahatsiarovana azy . ] Heritaona monja taty aoriana nandefonana an-dRasalama, dia maty maritiora teo Ambohipotsy ihany koa rafaralahy Andriamazoto ny volana Martsa 1838, rehefa nolefonina tamin’ny lefona tahaka izay natao tamin-dRasalama .Samy ao amin’ny fasana iray etsy Andraisoro avokoa ny taolambalon’izy mianadahy ( ny 04 Martsa 1838 ) . Tsy nitohy ny fanenjehana sy ny famonoana, raha tsy afaka roa taona indray; fa taloha kelin’io dia nampangain-dRafiakarana indray, Ravahiny havany rafaralahy Andriamazoto, ary nampinomina tamin’ny tangena ary maty satria nampitomboina avo roa heny ny fatrany. Ny 9 Jolay 1840 , dia sivy mianadahy indray no nolefonina tao Ambohipotsy, ( Ramisa Josoa, Rainitseheva Paoly sy Razafy vadiny, Ratsioriray, Ratsamiarana, Ramanampy, Razafinierana, Raminahy Flora, Ramanga ). Roa taona taty aoriana indray ; dia notapan-doha, Ratsitapahina izay avy any Vonizongo, ny 19 Jona 1842 teo an-tsenan’Alahadin’Antontohazo. Ny ampitson’iny dia Rabearahaba , indray no notapahan-doha tao an-tsenan’Alatsinain’Ankazobe. Nangina dimy taona indray ny fanenjehana, indrisy anefa fa nifoha tampoka, ka ny taona 1847 dia matin’ny tangena rehefa nampinomina tato Antananarivo Andriamahandry. Nitombo fahasiahana ny mpanjaka, toerana roa indray namonoana ny kristiana tamin’ny 28 Martsa 1849 , rehefa mba naka aina roa taona indray. Endrey ny mahita azy ireo, toy ny ondry hovonoina; ankeviny nahitana fahagagana teny amin’ny rahon’ny lanitra. Mino aho fa nitsena azy ireo teny Kristy. Tsy nety nivadika tamin’ny mpanjakan’ny lanitra izy ireo fa nisafidy ny ho maritiora. Eny! Ranivo , avy etsy Lazaina Avaradrano no tsy mba niharan’izany fa nisy olona tsy fantatra nanavotra azy teo am-pandraisana ny satroboninahitrin’ny maritiora, noho izy tovovavy tsara tarehy loatra sy kanto. Na izany aza tsy nety nivadika tamin’ny finoana. Ny voalohany teto dia : Ireo ireo nofonosin-tsihy ka navarina tao am-pamarinana, toerana ambony andrefan’ny Fiangonana ankehitriny raha tazanina avy ety Tsimbazaza, ( Rainimiadana ; Rainiasivola ; Andrianasandratra ; Ranahatrarana ; Ramainty ; Rafaralahizandriny ; Rakotonome ; Raivo Ravao ; Raivo Rasikina ; Rabodomanga ; Rafaravavy ; Razafy ; dia Rafaralahy avy ao Antanifotsy, vadiny Raivo Ravao; izy ireo kosa dia avy any Fihaonana, Vonizongo ). Ny faharoa kosa dia ireo : dimy mianaka izay nodorana velona tetsy Faravohitra, izay misy ny Sekolim-panjakana ankehitriny na ny Lycée Faravohitra, noho izy ireo Andriamasinavalona, ( Andriatsimba avy any Tanjombato, Ramitraho avy any Ivonizongo ; Andriampaniry sy Ramanandalana izay vadiny ary ny zaza tao an-kibony, izay marihana fa teraka tao anaty afo ka natsipin’ny mpandoro ho may ). Vavaka sy hira fiderana no nanakoako eran’ireo toerana famonoana roa ireo. Fahasahiana izany noho ny amin’ny Tompo. Nangina valo taona indray ary nopoirin’ny mpanjaka tampoka ny taona 1857 izay tena nahamaro ny maritiora. Koa ny Sabotsy 18 Jolay 1857 dia notoraham-bato tetsy Fiadanana ireto mpanompon’Andriamanitra ireto : ( Rasoalandy; Ramandimby; Rainitsontsoraka sy Rainovomanga ; rahalahiny; Ramanakoraisina sy Rabako, zanak’anabaviny; Rainivoalavo. Ratsitohaina; Rahaingo; Razaka; Rahandraty ) . Ny Alahady 19 Jolay 1857 , dia Ramahasoa irery no notoraham-bato tetsy Fiadanana, ary Ramanandafy kosa tao an-tranony no notoraham-bato. Rehefa afaka folo andro, ny Alarobia 29 Jolay 1857 dia Rabetsarasaotra irery ihany koa no notoraham-bato tetsy Faravohitra. Io taona 1857 io ihany dia nisy kristiana 50 izay nampinomina tamin’ny tangena ka ny valo no nandray ny satroboninahitry ny maritiora, ( Rasoa; Rafaravavy; Rajohary; Razakatsinianindrana; Andrianisa; Ratompoina; Rafaravavy avy ao Manjakaray sy Ramiarana avy any Vonizongo ). Tao ireo natao gadra lava sy gadra fohy, ireo namidy ho andevo, ireo natao very havana tsy azo navotana, very harena sy voninahitra. Anisan’ireo maty nalefa gatra lava tany Ambatondrazaka : ( Ramanambahy ;Rabobalahy ; Rainibedaoro ; Radimanjehy ) Rafaralahidaoro irery no tsy maty izay niaraka tamin’izy ireo, ary mbola nitohy, nitory ny Vaovao Mahafaly. Maty ny 16 Aogositra 1861 . 63 taona izy ary nanjaka 33 taona Rabodonandrianampoinimerina . Ny andro nahafatesany io dia nahagaga ny vahoaka sy ny ambanilanitra teto Iarivon’Imerina fa henika afo ny tanàna ny harivan’ny zoma Alahamady 1861. Afo mahagaga tsy nisy nandoro ; fa dia may ny vohitra sy ny tanàna . Raha lasa Andrianampoinimerina dia nisy trangan-javatra nitovy tamin’io ihany koa hitan’ny olona . Saingy ny tao Mangabe andrefan’Ambohimanga ihany no may . Samy nandeha tany Anosifito avokoa izy mianaka ireto nialoha ny hahafatesany . Fifandrifian-javatra ve sa kisendrasendra . Afomahery ! Ny heviny hoy Rainitsarahoela , raimandreny be dia Jiobilia ny dikany : Hamory ny miely sy hanavotra ny very . Radama II ( 1861 - 1863 ) Teraka tamin’ny 23 Septambra 1829 , ny andriana ary 32 taona izy ; raha nandray ny fanjakana . Roa taona monja no nanjakany. Nisolo an-dRanavalona I , izay reniny izy . Mpanjaka liana tamin’ny fandrosoana , nakamamy ny fivavahana. Malala-tsaina loatra, tia kilalao. Namela malalaka ny vahiny hiasa sy honina teto Madagasikara. Tonga teto ny misionera Katolika Romana. Nisatatra izany mopera Webber izay namaky lay ny 23 Septambra 1861, nafana ery ny fandraisan’ny mpanjaka azy. Ny tranon-dRamboasalama, izay saika handova fanjakana no nomena hitoerany Mopera. Ary tao ihany koa no nanaovana lamesa voalohany am-pahibemaso ny 13 Novambra 1861. Nanitatra ny asany ry zareo katolika Romana, ka ny 15 Aogositra 1863, fety natokana ho an’i Marie, renin’i Jesoa no nanaovana ny batisa voalohany , na batemy ho an’ny EKAR sy ny mariazy voalohany. . Naorina ny Fiangonana ; ka ny EKAR Mahamasina, dia vita tamin’ny 13 Jona 1862 ; ny EKAR Ambohimitsimbina, teo anelanelan’ny taona 1862-1863; ny EKAR Ambavahadimitafo kosa dia vita tamin’ny 21 Novambra 1863. Nanampy an’isa an’ireo misionera efa tonga ny Anglikana. Ny 23 Septembra 1861 no naseho vahoaka Radama , ary naka anarana Radama II . Tonga niarahaba azy Rayan , izay Eveka tao Maurice. Nangataka tamin’ny mpanjaka izy mba hahafahany mandefa misionera Anglikana. Maty tamin’ny 12 May 1863, ary nalevina tao Ilafy. 34 taona izy , raha no novonoina ary nalevina tao Ilafy . [ Noheverina ho teraka tamin’ny taona 1828 , ity mpanjaka ity ary 35 taona izy raha nandray ny fanjakana ; ka nanjaka 5 taona ] Nasandratra ho mpanjaka Rabodo , izay vadiben’ny mpanjaka Radama II , ary nisalotra ny anarana hoe; Rasoherimanjaka. Ny S.P.G, dia nandefa an’i W.Hey sy J.Holding , ary tonga teto ny volana Aogositra 1864. Fiangonana Dimy no naorina tany Toamasina, ary tonga tany Antsihanaka tamin’ny taona 1867. Atoa Holding. Ry zareo C.M.S , kosa nandefa an’i Thomas Campbell sy H. Maundrell , izay tonga tany Amboanio , any amin’ny foko Antakarana ny 09 Novamdre 1867. Tonga teto Iarivo ary ny Anglikana, nanitatra ny asa misionera. Io taona io ihany no nahatongavan’i A.Chriswell sy H.Batchelor. Notendrena ho eveka Anglikana teto Madagasikara : Robert Kestell Kornish. Ny Manisotra na ny Zazamainty na koa hoe : Zazamanga , taty aoriana dia nahatratra 6000 , no isany teto Madagasikara . Ranavalona II ( 1868 - 1883 ) [ Novinavinaina ho teraka tamin’ny taona 1838 , ity mpanjaka ity ary 30 taona izy raha nandray ny fanajakana . 45 taona kosa no maty . ] Tao Andohalo ny faha 02 Aprily 1868, no niseho vahoaka voalohany ny Andriamanjaka vaovao. Baiboly no teny an-tànany. Ranavalona II , no anarana nisalorana. Teo ambanin’ilay eloelo nanalokaloka ny seza fiandrianany dia nisy izao teny izao: “ Voninahitra ho an’Andriamanitra, Fiadanana ho ety ambonin’ny tany, ho amintsika Andriamanitra ”. Ry zareo misionera Anglikana indray no nahazo vahana. Tranozozoro tao Ankorahotra no Fiangonana Anglikana voalohany , izay notokanana tamin’ny Sabotsy 07 Desambra 1872 izay nifindra tao Ambatomasina, atsinanan’Andohalo, vao naorina ny tao Ambohimanoro, misy ny Fiangonana Tranovato ankehitriny. Hita mijoalajoala ireo Trano Fiangonana natao ahatsiarovana ny maritiora, ny F.J.K.M Tranovato Faravohitra ; F.J.K.M Tranovato Ampamarinana ; F.J.K.M Ambohipotsy ; F.J.K.M Fiadanana ; F.J.K.M Ranivo Maritiora Lazaina ; FJKM Manazary Maritiora ; FJKM Anjanahary . . Hitanao etsy Andravoahangy Ambony sy eny Ivato ny trano lehibe natao hahatsiarovana ny Maritiora , dia ny Kolejy Rasalama sy ny Kolejy Teolojika Ivato. Ny Sekoly Paul Minaul etsy Androhibe Analamahitsy ary ny Sekoly Benjamin Escande any Ambositra. Ny taona ( 1868 - 1870 ) ; tonga ihany koa ny Loterana , nandefa iraka taty ny N.M.S , tany Norvege. J.Engh sy N.Nilsen no nirahana. Pastora iry voalohany fa mpampianatra kosa ny faharoa. Tonga teto Iarivo izy ireo ny 27 Aogositra 1866. Ny 02 Septambre 1869, nifanaraka ny L.M.S sy ny N.M.S mba hanatsarana ny asa sy ahitam-bokatra ka ny faritra Vakinankaratra no voafidy fa hiasan’ny N.M.S ary ny 04 Desambra 1869 ; no nanombohan’ny asa tao Betafon’Antsirabe. Ao Ambatovinaky izay tany novidian’ny misionera Lars Dahle no nanorenana Fiangonana Loterana iray tamin’izany fotoana izany, ho an’Antananarivo izay notokanana tamin’ny 24 Jona 1875 , natrehan’ny solon-tenan’ny mpanjaka Ranavalona II sy ny Praiminisitra Rainilaiarivo Tsy nionona tao amin’ny faritry Vakinankaratra ihany ny Loterana fa tonga hatrany Atsimo, dia Fianarantsoa sy Toliary. Nanana ny sekoliny na ho an’ny sembana ( A.KA.MA ) ao Antsirabe, Toeram-panomanana mpitandrina ( Ivory Atsimo ) Fianarantsoa , ny toeram-pitsaboana. Ny N.M.S dia nandray foana ireo ira-panjakana avy aty Antananarivo na ny Komandy tao an-toerana , izay nitondra faritany sy ny Goverinorany, na ireo Evanjelistra. Nitombo nihamaro ireo mpitondra fivavahana ary zary nifaninana mba te hahazo sitraka amin’ny mpanjaka, anankiray amin’ireny izay tsy azo adinoin’ny tantara ilay sekolin’ny misiona L.M.S: “ Mission De Londre ” . Etsy Faravohitra, izay lasa toerana hiasan’ny Minisitry ny Fitsarana Malagasy ankehitriny raha ohatra ka nobodoin’ny Frantsay nandritra ny taona naha zanatany antsika. Olo-malaza maro no efa nanovo fahalalana tao. Ranavalona III ( 1883 - 1897 ) Teraka ny taona 1861 ny mpanjaka ary 22 taona izy raha nandray ny fanjakana . Razafindrahety rahavavin’ny mpanjaka no nandimby azy ary nisalotra ny anaram-boninahitra Ranavalona III. Vita batisa tamin’ny 05 Aprily 1874 izy . Ny taona 1888 dia niitatra ny asan’ny misionera Loterana izay nandefa ny E.L.C na ny ( Evangelical Lutheriin Church ). Ny faritry Toliary no tena niasany. Ingahy Hogstad , no misionera nalefa tany ny taona 1892 izany hoe ny 14 Jolay 1892 , dia natolotry ny N.M.S , an’ny E.L.C hiadidy ny faritry Ambovombe, Behara, Bekily, Manafiafy, Manantenina, Manambaro, Manantantely, Ranomafana, Tsihombe, Tsivory. Nanorina Fiangonana tao Tolagnaro, sekoly normaly ao Manantantely, sekoly Biblika, sekolin-jazavavy ary toeram-pitsaboana ao Manambaro. Tonga tany Toliary ihany koa ny Lutherian Board of Mission ( L.B.M ) avy atsy Amerika. Ny Faritra misy ny foko Mahafaly sy ny Antandroy no nanombohany ny asany. Tao Betioky atsimo, Manasoa, Benenitra, Bezaha . Tongobory, St Augustin Ampanihy, Betroka. Nanorina sekolin-jazavavy sy trano fitsaboana ary kilasimandry. Teo amin’ny lafiny ara-panahy, any amin’ny faritra betsaka Loterana ; araka ny fizaram-paritany nifanaovan’izy ireo sy ny L.M.S dia nisy ny fiavaozana ara-panahy lehibe ka nisian’ny Toby Fifohazana. Ny 05 Oktobra 1894 ; dia nahita fahitana izay nitarika azy amin’ny fanariana ny sampy izay nitokiany sy ny fandavany ny finoana nentin-drazany i Dada Rainisoalambo , tao Soatanana, tanànan’ny foko Betsileo, faritr’Isandra, nodimandry tamin’ny 08 Novambra 1904. Ny Friends’ Foreigns Mission Association na ny F.F.M.A, avy any Angletera. 48 taona i Joseph Stickney Sewel, raha teto Madagasikara; very anarana ho “ Ingahibesola ”. Ry Louis sy sarah Street, Frenjy Amerikana avy any Richmond, Indiana fa nifindra fonenana tany Angletera. Tonga teto Antananarivo tamin’ny 01 Jona 1867, nampianatra tao amin’ny Distrikan’Avaratr’Andohalo tamin’ny fampianarana ny zazavavy i Sarah Street , nanampy an-dramatoa Hartley, vadiny Richard Griffiths Hartley ary Joseph Sewell sy Louis Street , kosa nampianatra ny zazalahy tao amin’ny Ecole Centrale Ambodin’Andohalo izay teo ambany fiandreketan-dry Charles Thomas , Henry Stagg , avy eo nodimbiasan’i Baker. Tsy nohadinoina anefa ny fampianarana an-trano tao Ambohitantely izay nataon’i Joseph Sewell sy tao amin’ny taona 1864. Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny L.M.S sy ny F.F.M.A dia vita ny trano ka notokanana tamin’ny 24 Jolay 1872. Samy efa nitondra io Fiangonana io ireto misionera Frenjy ireto ny taona 1868 ka hatramin’ny 1908: Joseph Sewell; Samuel Clemes; William Johnson , John C. Kingzett ; Henry E. Clarc ; William Wilson. Naorin’ireto misionera ireto teto izay nananany tany aminy ho fampandrosoana ny Malagasy na toeram-panomanana ho mpampianatra ho mpitsabo na ho mpiasan’Andriamanitra. Tsy mbola afa-po anefa i Joseph Sewell fa nanorina ny sekoly teo Ambohijatovo atsimo, ilay tanàna natao fahiny hoe : “ Andranonamboa ”. Ny Alatsinainy 07 Febroary 1870 , no notokanana ny trano, vita niaraka tamin’izany ny sekoly tao Faravohitra. Niandraikitra an’ireo sekoly ireo: Sarah Street , Helen Gilpin, Miss Baker, Rachel Clarc .Niara niasa hatrany ny L.M.S sy ny F.F.M.A. Dokotera A. Davidson , mpitsabo avy amin’ny L.M.S ; no nanorina ny toeram-pitsaboana tao Andohalo ny Septambra 1862 ary voatery nikatona tamin’ny taona 1876. Ka ny fahatongavan’i Dokotera Fox, mpitsabon’ny F.F.M.A no nanokafana azy indray. Tery ny toerana ka voatery nifindra ny misonera ary nangataka izany tamin’ny mpanjaka, tamin’ny alalan’ny Praiminisitra Rainilaiarivony . Aleo aloha hiverenantsika kely ny tantara. Tsy tao Andohalo akory ny Hopitaly voalohany naorin’ny misonera, Dokotera Davidson , fa teo Analakely. Teo amin’io Toby miaramila voalohany na ny ( R.M.I ) io no nisy azy nanomboka tamin’ny taona 1862 ka hatramin’ny taona 1876. Voatery nakatona satria lasa nody Dokotera Davidson , ary tsy nosokafana indray raha tsy tamin’ny taona 1880, nahatongavan’i Dokotera Fox, mivady avy amin’ny F.F.M.A sy ry Dokotera Mackie, Miss Graham, Sarah Fox. Tsy toeram-pizahana marary ny tao fa nanjary toeram-panovozam-pahalalana izay te ho mpitsabo na ho mpitsabo mpanampy. 6 no isan’ireo mpianatra ho mpitsabo, fa niampy 4 izany tamin’ny taona 1883. Io atsimo kelin’ny tsangambaton’ny mpitolona 1947 etsy Ambohijatovo io fahiny dia toeram-pamonoana omby fahizay. Toy izao ny fifaneken’ny mpanjaka Ranavalona III, solon-tenan’ny Fanjakana Malagasy sy ny misiona L.M.S ary ny F.F.M.A. Raha nanorina ny Hopitaly Soavinandriana . [ Antananarivo, faha 14 Febroary 1889. Ny mpanjakan’i Madagasikara dia manome fahefana ny misiona L.M.S sy ny F.F.M.A “ London Missionary Society sy ny Friends’ Foreign Mission Association ”, hizaka ny tany iray ao atsinanan’Anjanahary ary atsimon’Antanambao izay misy ny fasam-bahoaka na ny fasam-bahiny ankehitriny, izay mirefy 120 refy ny lavany, ary 80 refy ny sakany. Io tany io no hanorenana trano fitsaboana ho an’ny Malagasy. Ny misiona voalaza etsy ambony dia tsy mahazo manao zavatra hafa afa-tsy ny momba ny fitsaboana ihany eo amin’io tany io. Ny misiona L.M.S sy ny F.F.M.A no miantoka ny lany rehetra amin’ny fanorenana ny trano; kanefa ny tany sy ny trano rehetra haorin’ny misiona aminy dia mijanona ho fananan’ny andriana mpanjakan’i Madagasikara, ka tsy mahazo manarakaraka na inona na inona eo ny misiona. Raha vao mijanona tsy hampiasa ny trano sy hampiasa trano fitsaboana eo amin’ny intsony ny misiona dia miverina amin’ny mpanjakan’ i Madagasikara ny tany sy ny trano rehetra eo aminy.” Ny nanao sonia. Avy amin’ny misiona. Atoa William Johnson , mpanora-draharahan’ny Medical Mission, J.C.Thorn izay avy amin’ny , L.M.S. H.F. Standing kosa avy amin’ny , F.F.M.A. Avy amin’ny Fanjakana Malagasy, Atoa Ramarosaona, mpiasa ao amin’ny raharaha momba ny vahin’i Madagasikara sy Atoa Andriamifidy ] Nahatratra 393,25 $, avy amin’ireo misionera Frenjy Britanika sy “ Sakaiza ” Malagasy. 1000 $ avy amin’ny mpanjaka Ranavalona III. 400 $ avy amin’ny Praiminisitra Rainilaiarivony. 849,87 $ avy amin’ny Fiangonana sivy teto Antananarivo. Mitontaly eo amin’ny 2645,12 $ ny vola voahangona. Vola izany! Efitrano lehibe misy farafara 15 ary efitra hafa nandoavam-bola nisy farafara 12 ary efitrano natokana ho an’ny mpiteraka sy ny ankizy. Nisy ireo trano fianarana ho mpitsabo, ho mpampivelona ary ny mpitsabo mpanampy. Atroa William Johson no tompo-marika nanao ny trano. Ny Dokotera Fenn, Dokotera Moss, ary Dokotera Ralarosy no nikarakara ny lafiny fitsaboana. Miss Bowesman na Miss Byam no teo amin’ny lafiny fandraharahana. Ny Alakamisy 13 Aogositra 1891 no notokanana ny trano. Nanatrika izany ny Mpanjaka. Eo anoloan’ny Fiangonana Protestanta izay nalain’ny Fiangonana Katolika ankeriny, ary mbola hiangonan’ny Katolika Romana amin’izao fotoana izao dia misy soratra toy izao: “ Izy naka ny aretintsika ” . Pejy vaovao indray no nisolo ny fiandrianan’andriana sy ny hova nifandimby nanjaka sy nitondra teto Madagasikara, rehefa niainana nandritra ny 110 taona . Hatreo amin’ny nanjakan’i Nampoina ka hatramin’ny Ranavalona III : 1785 -1895 . Tsy hay adinoina fa ny 6 Septambra 1874 ny F.F.M.A, no nanomboka ny fianarana Sekoly Alahady voalohany ary tao Ambohijatovo no nanorenan’Atoa Abraham Kingdom . Mpanao printy izay niarahany tamin’ny namany sy ny vadiny. Tamin’ny taona 2006 dia fena 132 taona ny Sekoly Alahady F.J.K.M.ary amin’ity taona 2019 dia ho feno : 145 taona . Tamin’ny taona 1890 dia natao « Conquit la région de Toliary » ny Printsy Ramahatra . E3.1 Ny Politika nampiharina teo anelanelan’ny taona 1220 - 1897 . Hotohizana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjf/dada
dada
anjf
Dada Satrinay ianao eo foana fa tsy handao Ho namanay sy sakaizanay hiara-hilalao Satrinay ho eo foana Na fahavaratra na lohataona. Nefa moa ny fiainana tsy vitan'izany, Lasa ianao nandeha mba hahasoa ity akany Ny hariva tsy misy anao mpivavaka ho anay ireo angano notantarainao tao mivadika tahotray. Ireo tambitamby sy ireo sangintsika, toa hafanana ho anay rehefa andro mangatsiaka dada dia lehilahy mahery, mpandresy horohoro sy ireo tahotra miery.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ny-rariny
NY RARINY
NY Andri-Fara
Ny Rariny Fotoana ela tsy nisy izay niandrasako azy Fotoana sarobidy namotehana ny fiainako . Na aiza na aiza teto an-tany nisy ny fisiako ; Sasatra nitady nampitady ny fisiany . Ny Rariny ...hay tsy natao ho ahy Tsy natao ho anay mavomavo tahaka izao . Aza lany andro hitady ny tsy misy..., Zarany aza ianao potika sy lavo . Iny ranomasonao iny na ny sento lavanao Tsy ahoany akory fa nofafany ilay dianao . Hitady indray ny rariny tsy hanampy anao akory ..., Satria nahoana hoy anao ? Ny fahefana efa any aminy . Ny fiainanao rehetra mba hankinina aminy Nilaozany tanteraka efa resy indray ny rariny . Aleo mangina tsy hiteny na hivolagna hiantsa ! Tsy hisy dikany ianao ambany fahefana ? Ny rariny hitompoana...Mafaitra no azonao Kapoka tsy ampoizina raha miseho mafy loha . Te ho voaraoka hibaby ny tsy laitra angaha !? No handrangaranga ny rariny tsy ho anao ? Narotsako ihany hikoriana amin'ny tavako Ny ranomasoko tsy tohako ato am-poko . Indrisy mantsy fa rahoviana ihany....; Ilay rariny itompoako vao ekena eto an-tany . " Mangina ianao....Fa reraka eo...Tsy hisy izany " Ampandrianomby . 07H 10 mn maraina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/fitiavana-voalohany
FITIAVANA VOALOHANY
LAVENONA
FITIAVANA VOALOHANY Mbola vao manomboka ny lalan-katerena Dia io fa novonoina ilay voady nimatesana Fa aiza ilay finoana izay nanaovam-panekena hoe... hanompo Anao foana hatramin'ny fahafatesana..? No indro fa nania ! Mantsy tsy nitsimoka ilay voa izay marivo ! Ka rariny dia rariny raha resy ianao satria.. mbola tsy nialana ny ota nanandevo tsy manankery intsony fa voagejan-drojo vy Dia io ianao fa lavo ! Aiza ianao fahiny mitolona mivavaka raha alina ny andro ! Ary tsy nahalala noana fa satrinao handohalika ao anaty ranomaso Nataoko ho hisy vokany izy ireny fa kinanjo... tsy zakanao ny tohitry ny tany be ankaso ! Dia naleonao niverina! Nirehaka mihitsy ianao niteny tamin'izany hoe Aina ny ahy no fetra fa hamompo hatramin'ny farany ! Ka nefa raha tafita sy ambony ianao androany dia nahoana no lotoina sy esoina ny Anarany ? Raha boky na ny toko sy ny andinin'ny baiboly dia hainao tsisy very ! Ianao ilay nijoro sy nanampahasahiana ka nitory teny an-dalana! Raha resaka finoana sy tontolom-pivavahana efa vitanao tsianjery ! Fa kosa tsy niainana ny tenin'Andriamanitra ka indro ianao nihemotra ary koa niverin-dalana! Ka izay no hitenenako! Haiko hoe tena sarotra ny hitaona ao ambala ny efa vonton'ny finoana ! Nefa aho tsy misorona sy hanambara hatrany hoe " ianao anie ka Tiany e!" Mbola tsy taraiky raha toa hanapakevitra hibebaka sy hifona! Ary koa hiverina amin'ny FITIAVANA VOALOHANY niainanao fahiny !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miverina
MIVERINA
Fredy Jaofera
MIVERINA Tsarovy eto mangina, na inona tadiaviny sy na inona ity lahasany, izay tsy manana vina momba ny hoaviny, miverina amin'ny lasany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/jean-joseph-rabearivelo
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ankizy-milalao
ANKIZY MILALAO
AORN
Ankizy milalao Samy maro loko Fa raha tazaninao Tsy misy tokotoko Ankizy milalao Tsy misy fanavahana Tsy hitanao ao Ny ory sy ny manana Ankizy milalao Toa mifandray am-po tsy misy rahoraho Finaritra avokoa Ankizy milalao Toa paradisa an-tany Iray no tanjona ao “Mifankatia hatrany”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tsy-atakaloko-fa-ahy
tsy atakaloko fa ahy
NY Andri-Fara
Tsy atakaloko fa ahy Tompo o! na maro aza ny fahavalo Tsy atahotra aho..., Mino fa Ianao no miaro ; Ity maditranao fahiny . Ankehitriny hiroso aho Na inona hitranga Na inona hidona , Vonona hanompo . Aoka Ianao Jesoa Hitoetra ato am-poko Tsy atakaloko fa ahy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ihany
IHANY
Fredy Jaofera
IHANY Ny misy eto an-tany mbola marina sy to fa tsy tsaho, Andriamanitra ihany no afaka hahafa-po ny fanahinao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/teboka-telo
NY ADINTSIKA GASY
LAVENONA
NY ADINTSIKA GASY Vonony ny saina hiatrika ady ! Hitolona hatrany tsy mba misy fetra! Aoka tsy ho lavo na kivy sahady fa... tsy maintsy mandresy no atao tarigetra! ny antsika ny ady tsy mbola mifarana Mihitsy tsy miato fa mbola mitohy Kanefa tsarovy ny eto fianarana hoe : "rehefa tsy mailo dia ny aina no hafoy " Ny fahavalontsika tsy biby na olona Tsy mba fanjakana na koa firenena Fa ny fahantrana ary koa ny tontolon' ny tsolitra misy izay mampahonena toe-tsaina miova no solon'ny basy enti-manohitra sy hamikirana Ny mangarahara tsy mba misy tasin' ireo kolikoly no... bala hitifirana Ady io ka nefa tsy hita mivantana Fa kosa mihatraika amin'ny toe-karena Fanefitry ny ady ? fahaiza-mitantana Raha izay dia handroso ity Firenena !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tiako-hotiavina-foana
TIAKO HOTIAVINA FOANA
Fredy Jaofera
TIAKO HOTIAVINA FOANA Tiako hotiavina foana iny voninkazo nanaitra, na dia efa aman-taona no any fa tsy haitraitra. Tiako hotiavina foana iny tsikitsiky navelany hampisinda ny saona, na nikopaka ny elany. Tiako hotiavina foana iny vazivazy fanaony, na anio tsy tafahaona, toy izany irony lalaony. Tiako hotiavina foana iny lasa nahafinaritra fa dia nandavataona, mamy izay tsy aritra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/sento-miampita-ii
SENTO MIAMPITA II
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Sento miampita Ny vodilanitra iny manopy mavomena Toa hafatra milaza fa tsy ho ela dia hariva Ny alahelo kosa mijotso tsy terena Zary ampanaterin'ilay masoandro iva Fahanginan-tsamirery no solon'haravoana Ny tsikin'hafaliana niova ho tomany Ny embona no alefa hihoatra iry havoana Hiantsa vetsovetso ho any imerina any Manako moramora mandrotsy aty antsofiko Ilay orana midona reko lavitra any Mameno fanirina sy sary anaty nofiko Fa manina ny foko fa tsy afaka mankany