url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-reny
Ny reny
Daniel ROIMEMY RKT
Ny RENY no miavaka indrindra eto an-tany Satria dia tsy mora ny zavatra entiny Mantsy ny fiainany feno tomany Ka rariny loatra raha misy ny fetiny Raha ny an'ny Reny? Tsy mora ny adiny Mihitsy mizaka ny tsy eran'ny aina Tsy vitsy ny miaritra ny ditram-badiny Ka nefa izy izy ireny tsy mba mitaraina Ny Reny misah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/toriteny
TORITENY
LAVENONA
TORITENY Andro alahady no... nitranga ny tantara Tao ampiangonana toy ilay mahazatra ireny Teo ampifantohana nivavaka iny tsara no... niteny i Pasitera tao anaty toriteny hoe... "...mitsangàna kely hoe izay te mba hovonjena a !" Tsy nisy tsy nijoro izay rehetra tonga teo fa... toa samy tena vonona raha ny isa no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/mbola-hisy-valiny0
MBOLA HISY VALINY
LAVENONA
MBOLA HISY VALINY! Etsy anie sakaiza e ! Mba mihevera tena fa hitondra anao ho aiza moa ny vola aman-karena? sa vola aloha vao aina? harena vao fanahy? Nefa aleteho an-tsaina fa ny ratsy ataon'ialahy ........mbola hojinjaina Mbola ho tsaraina raha ny tana-nihosin-dra sy kiribiby ataon'ialahy! Mihitsy ialah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/efa-azy
EFA AZY
Fredy Jaofera
EFA AZY Efa azy ny foko ka aza manadala, mbola tsaroako ianao nankahala. Efa azy ny foko ka mba mipetraha ; ianao vokovoko fa nandrava saha. Efa azy ny foko ka aza manontany ; vazo no misoko anio tsy hita lany. Efa azy ny foko ka aza mitaditady ; fitia tsara loko no be aty, aza fady.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotobe-sombiniaina/ry-malagasy-namako
Ry Malagasy Namako
Rakotobe Sombiniaina
Ry Malagasy Namako Ry Malagasy mpiray tanindrazana amiko Ry Malagasy Namako Fantatra fa misedra ny mafy isika Indrindra fa ity fahantrana mikija Ireo ho avin'ny tanora maro be Dia ao anatin'ny ahiahy hatrany ve ? Manjaka ny tsy fandriampalemana sy ny kolikoly Ry Malagasy namako izay tena feno alahelo sy ory Fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/fiangaviako-farany
Fiangaviako farany
Daniel ROIMEMY RKT
Raha toa ka fisarahana no hany lalan-tokana hizoran'ny fitiavako dia izao ny ahy no hafatro sy teniko manokana lazaiko anao rahavako Aza ianao tomany ! Dia... ireo hira notendreko ? Halaviro an-tsofinao ! Ny hahasoa anao hatrany no hany zavatra kendreko eny hahasambatra anao ! Tsy tiako ianao hijaly sy hia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/antsa-nandratra-album-embona-sy-tsiaro
ANTSA NANDRATRA
NY Andri-Fara
Antsa nandratra Ry foko nankaiza , ary ho aiza ? Angaha tsy lavitra anao , Fa ny alina mba nantenaina… Efa tsy namana indro nalaina . Tsy sahiko ambara na tantaraina Ry fanantenako…namelona ny antsa ! Asa tsy fantatro intsony …; Sahirana nanembona olon - tsy tia , Ontsa ho an’iza …; Ny aloky ny fitiavako . H...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanalahidinny-fahombiazana
FANALAHIDIN'NY FAHOMBIAZANA
Fredy Jaofera
FANALAHIDIN'NY FAHOMBIAZANA Raha tsy irinao ny fahavoazana fa satry ombieny ny hidera ny Lanitra amin'ny ora rehetra mahasariaka, ny fanalahidin'ny fahombiazana dia ny fametrahana an'Andriamanitra ho lohany eo amin'ny fiainantsika.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/kalonny-moana
Kalon'ny moana
Daniel ROIMEMY RKT
Moana aho ka moana Tsy afaka miteny Ka ny tononkalo foana no... Soratana ombieny Io ny ahy ny feoko ..mba entiko mamboraka ny sento sy toreoko amin'ny faingo sy ny tsoraka Anaty rima miaina sy......teny feno kanto Mba satriko antsaina amin'ny feo milantolanto kanefa izaho dia moana.....! Mba tia hidradra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tadidinao-album-antsa-sy-embona
TADIDINAO ?
NY Andri-Fara
Tadidinao ? Tafaraka isika , tamin’iny lalan’iny . Tadidinao ? Tadidiko ny teninao…; Maneho fitia , nampangain’ny fo ! Teo anilako…tsy fantatro na fantatro. Tsy fantatro raha tadidinao ; Ny nizorantsika tamin’iny lalan’iny . Ny teninao nanohina ny fo ; nanambara an-kasahiana ! Angolan-teny ho an’ny tiana . Dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/eto-ihany-aloha-isika
ETO IHANY ALOHA ISIKA
AORN
Eto ihany aloha isika Dia mifampijerijery Dia manao zay fikafika Sy manao fangalam-piery Dia Manao andraso andraso Mbola tsisy tapa-kevitra Rehefa tojon’ny ankaso Kivy ihany ka milefitra tsy hiady ny tsy rariny fa dia faly manankiana efa lasa hatramy taniny Tsisy taitra fa variana Zay isika Malagasy Efa za...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/mibebaha-dieny-izao
Mibebaha dieny izao
Daniel ROIMEMY RKT
Tsy misy mahavidy ny andro iainany Ny olon-drehetra miaina eto an-tany Fa tapitra sy vita hatreo ny fiainany Rehefa mipaika ilay ora fialany Tsy misy mahavidy ny lanitra koa Izay mandao ny tany,ka zary fanahy Nefa samy maniry ny ho any avokoa Ny olon-drehetra amin'izay andro izay Tsy misy mahalala ny andro haha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ho-anny-reniko
Ho an'ny reniko
Daniel ROIMEMY RKT
Misaotra anao ry neny a Nampianatra ahy namindra sy nampianatra ahy niteny ary koa indrindra indrindra Tsy sasatra namefy sy nananatra ombieny Neny ô, tsy ho lefy ireny vitanao ireny. Reo dian-drotsakazonao izay nikapohina ahy fahiny Tsy voafafa hatramin'izao fa miova endrika ankehitriny Zary lasa toa ny vatsy f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra%C3%AF-tsitoh-mikalo/eny-ambanivohitra-eny
Eny ambanivohitra eny
Raï Tsitoh Mi'kalo
Indro misy trano tazako manangasanga Ny tafo efa boboka ny rindrina miloko manga Toa mitovitovy fijoro tsy misy sahala Indrindra fa rehefa maraina feno fanala Mahafinaritra rehefa tazanina Avy eny amin'ny vohitra tsy misy arofanina Mahafinaritra raha Samy toerana Tsy aleo ve any no manorom-ponenana Ny firaisank...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fitiavanny-avo
NY FITIAVAN'NY AVO
Fredy Jaofera
NY FITIAVAN'NY AVO Tsy manjazavo, tsapa fa tsy heno ka indro mitoetra : ny fitiavan'ny Avo dia afaka hameno ny banga rehetra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fitsinjovana
FITSINJOVANA
Fredy Jaofera
FITSINJOVANA Rehefa misy fitsinjovana ny vahoaka izay sahirana, tsy hisy ny hahatorovana rehefa tokony hifikirana. Rehefa misy fitsinjovana ny vahoaka tsy ampy rano, efa mitory fahatsiarovana azy ireo tsy hahita angano. Rehefa misy fitsinjovana ny vahoaka tsy ho noana, ho rediredy sy fahalovana ny fitiavan-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-mifoha
RAHA MIFOHA
Fredy Jaofera
RAHA MIFOHA Tsorina aloha, tsy ilana anjona mirongatra akory raha mifoha tsy misy tanjona, miverena matory.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-kristiana
Ny kristiana
Daniel ROIMEMY RKT
Raha kristiana ianao dia aleteho an-dohanao fa.... ny fivavahana tsy haitraitra ! Na fitafy tena raitra aza... no entinao mandeha mivavaka mantsy ianao mba te hiavaka amin'ny olona rehetra ! Dia tsy izany no toetra izay takian'Andriamanitra raha te handova lanitra ! Raha kristiana ianao dia aoka koa ho fanta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/orana
ORANA
AORN
Injany fa midona ilay kotrom-pahavaratra Dia maloka ny andro, manjombona aok’izany Ka oram-be mikija no injao miraradraraka Omban’ny ria-drano, mandonaka ny tany Dia fahoriana sasaka, ho an’ny sendra izany Fa tondra-drano foana, mamotika mandrava Dia be ny rava-trano, tra-boina sesilany Ny aina no manefa, ka fah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/herezo-ny-dia
Herezo ny dia
Daniel ROIMEMY RKT
Oohf..! Izay aho razandry vao tonga ato an-trano a!! Drii..! Fa nahoana ity maso no managanohano? Ny alahelonao io hoy aho aleo mba hifarahana! Lazao an'i Zoky ! Nisy namono ianao tany ampianarana? Tsia an!! Tsy izany raZoky fa lasa ny saiko a ! Mba nafeniko ihany ka nefa tsy haiko, Ny fiainana eto tsy mora fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/raha-mbola-misy-kely
RAHA MBOLA MISY KELY...
RRAG
RAHA MBOLA MISY KELY... Raha mbola misy ihany, hery enti-miady, dia sanatriavo mihitsy, izay hilavo lefona. Raha mbola misy fehiny, ny fatoran-tady, dia ataovy fatomaty, ireo zatra ny mampiesona. Fa teny ho eny izao, nisy niala bala, trotraka efa elan'ny tolon-tsy mety vita... Nefa ny tsy nampoiziny, tsy vitsy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotobe-sombiniaina/manantena
Manantena
Rakotobe Sombiniaina
Manantena Tsy very ilay fanantenana Fa mbola velona ato anaty Miaina sy mifaly izay ananana Dia ho tanteraka ilay nofy Anefa... Tsy mahavita irery Sy Misedra ny adim - piainana Fa mila an' Andriamanitra mahery Mitantana sy miahy izato zanaka Mbola maro ireo mbola hiainana Koa araraoty dieny mbola azo atao S...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/feonny-fieritreretana
FEON'NY FIERITRERETANA
Fredy Jaofera
FEON'NY FIERITRERETANA Raha indraindray izy mipararetra ka tsy ahitany ny fahafinaretana fa mijaly tsy mitsaha- mitomany, azo andosirany ny zava-drehetra afa -tsy ny feon'ny fisritreretana amin'izay sahaniny eto an-tany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/io-ranomasina-io
IO RANOMASINA IO
RAVINALA
Io ranomasim-be io no fasana niriako hilevenako Hanadinoiko ny lasa, ny alahelo sy ny tsetrako Io ranomasim-be io no iriako mba hitelina Ny fiainana mangidy nolalovako rehetra Dia mbola io ranomasina io ihany no sitrako Hanasana ny ranomaso rehetra sy ny ngidim-pahatsiarovako Io ranomasina io no afaka hanasitrana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mendrika-hotanana
MENDRIKA HOTANANA
Fredy Jaofera
MENDRIKA HOTANANA Ny hafatra ho an'ny tany aman-danitra mendrika hotanana : ny zavatra tsy misy an'Andriamanitra, tsy misy fiadanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ilay-malala
ILAY MALALA
Fredy Jaofera
ILAY MALALA Ianao ilay malala mampihira ny androko tsy hanan-tsahala ny anjara masoandroko. Ianao ilay malala mampitsiky ny tavako mbola mahalala ireo vetsom-pitiavako. Ianao ilay malala nampisinda ny ratrako ka nofy tsy miala ny ho eo an-tratrako ! Ianao ilay malala mampiay ny anarako ka ny hankahala d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/herinny-fitia
HERIN'NY FITIA
AORN
Misy hery tsy hay tohaina fa manintona avy hatrany Ka mambabo izany saiko tsy hikaroka sy handalina Dia manaiky miaraka aminy tsy mba misy mpanontany Zany foko resy lahatra toa voadona fanimpanina Na mametraka arofanina aza izato kirin-tsaiko Ka mikaroka paik’ady mba hijoro tsy hay folahana Vao seranan’ilay hery ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-matory-irery
TSY MATORY IRERY
Fredy Jaofera
TSY MATORY IRERY Hafatra tsy miery fa mamoky ny tena fitoniana : tsy matory irery ilay tia boky any am-pandriana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso/vetsom-borona
Vetsom-borona
vetso
Izaho no lasa vinany Fa ny foko midoboka ihany Mitempo miampita mankany Any ianao r'ilay silako Rahoviana ianao vao ho hitako Mampizotra indray izato diako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandrano/babonao
BABONAO
Felandrano
BABONAO Babonao ny foko RY Malala Eny,babonao tsy asiako salasala Fa ny fiainako rehetra Efa anao tsy asiana fetra Ka na ho tsiky na tomany Dia hijanona aminao ihany Fa ianao no mahay mampifaly Rehefa iny aho ka mijaly Tia anao ny foko Ka manomboka anio sanatria tsy ho toloko Fa vonona ny hanara-dia Tsy ani...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/radama-ii-tohiny-madagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjaka
RADAMA II
NY Andri-Fara
2.1.4 Radama II ( 1861 - 1863 ) tohiny.... Teraka tamin’ny 23 Septambra 1829 , ny andriana ary 32 taona izy ; raha nandray ny fanjakana . Roa taona monja no nanjakany. Nisolo an-dRanavalona I , izay reniny izy . Mpanjaka liana tamin’ny fandrosoana , nakamamy ny fivavahana. Malala-tsaina loatra, tia kilalao. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravinala/fitiavana
FITIAVANA
RAVINALA
Mientana anaty ny feon’zany fony Miredaredam-pitia, asa raha hisy mpandray. Ny aingany tsara, no alefany ho any, Asa, ho sambatra ve raha ho lavina indray ? Mietry tena malemy tahaka ny vovoka, Fa sarotra loatra ny fitempon’ny fo. Ry volon-drameva, marevaka sy mahafinaritra, Mila anao izy, hamafa ny loza manjo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandrano/ry-vorona
RY VORONA
Felandrano
O ry voro-manidina an-danitra eny Avia manantona ho hafarako ianao Raha sitrakao dia mba ho ento ireo teny Indrindra aza adino izao hafatro izao Ndehana re mba tsidiho ilay malalako izay Ary ampitao aminy fa manembona aho aty Fa mitamberina eto daholo hoe ireo vitanay Hatramin'ireo voady sy dinam-pitia Dia tene...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/tsy-ho-raiki-pitia
TSY HO RAIKI-PITIA
AORN
Mba fero ny masoko tsy ho voasarika Fefeo zany foko aza avela hankafy Fantsiho zany saiko tsy hanao asa-marika Raha tojo aminao mba tsy ho raiki-pitia Sakano ny tongotro mba tsy hisampana Handeha tsy ho baikona toa ria-mikodàna Fa mila hisendaotra tsy mahandry tàntana Entanim-pitiavana Mbola mafàna Ny vatako mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/antenaina-album-aina-nafindra
ANTENAINA
NY Andri-Fara
ANTENAINA Amin'izao fotoana izao Dia teny sivy natambatambatra , No namehezanay ny tontolom-piainanao ; Ry Dada tena maminay . Nangina mantsy ny tanàna Nangina ihany koa ny tao an-trano... Fa tsy nisy mpiaro intsony ! Rehefa tsy eo ianao ry Dada . Impiry impiry moa? Ireo ezaka natao Fa niniana tsy tadidy ! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ranavalona-iii-madagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjaka-tohiny-sady-farany
RANAVALONA iii ;
NY Andri-Fara
2.1.7 Ranavalona III ( 1883 - 1897 ) tohiny sady farany Teraka ny taona 1861 ny mpanjaka ary 22 taona izy raha nandray ny fanjakana . Razafindrahety rahavavin’ny mpanjaka no nandimby azy ary nisalotra ny anaram-boninahitra Ranavalona III. Vita batisa tamin’ny 05 Aprily 1874 izy. Nisedra ady ity mpanjaka Tanora ity....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandrano/vavaka
VAVAKA
Felandrano
Andriamanitra ô Iangaviako indrindra Ianao Mba henoy re ity hatako Hitalahoako ihany koa Mba valio izany vavako Fa tomany sy taraina No mameno izany tavako Fa mampiferin'aina Raha izany fiainam-pitiavako Iangaviako Ianao sitrano Izany foko feno ratra Eny,miangavy aho Ray mba tantano Ity fitiavako mahantra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-zavatra-tsara
NY ZAVATRA TSARA
Fredy Jaofera
NY ZAVATRA TSARA Aza malaina hanambara soa sao voafafa ; Ilaina lazaina ny zavatra tsara ho jiron'ny hafa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/boky-iray
BOKY IRAY
Fredy Jaofera
BOKY IRAY Na inona na inona no voaray hatramin'izao efa nahasoa sy noraiketin'ny tantarany, ny fiainantsika dia boky iray tsy ho fantatra eto kokoa raha tsy any amin'ny farany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry-andriamihonosoa/misterinny-fiainana
Misiterin'ny fiainana
Thierry ANDRIAMIHONOSOA
Fony mbola zaza aho dia nianatra niteny Nampianarina ahy daholo ireo zavatra tsy haiko Hiatrehana ny fiainana no anton'ireny, ka zary toro-lalana izay rehetra voaraiko Nandalo teo ny mamy, dia nisy koa mangidy Ka tena niady mafy mba hanoherana ny latsa Ny hambom-poko sy ny tanjoko anefa no nanampy ahy tsy ho ki...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/fandrosoana-nofinofy
FANDROSOANA NOFINOFY
AORN
Mbola handroso ve isika Raha mitombo tsy an-kijanona Ny elanelan-kadin’ny mahantra sy ny manana? Fa ny ankamaroan’ny olona Dia miady sy mitolona fa Misondrotr’ isan’andro ny sakafo atao fahandro Ny kapoakam-bary indray Miaka-bidy mahamay Indray mahandro ny maraina, d’efa mionona ny saina Mbola handroso ve i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/vavakilay-mafy-ady-album-aloka-sy-tsiky
VAVAK'ILAY MAFY ADY
NY Andri-Fara
Vavak'ilay mafy ady Indro Tompo o! Tsy hitsahatra ny feoko , Na dia hangozohozo aza; Hangatam-bavaka Aminao..., Fa taom-baovao ny andro . Tompo o! Ny hany faniriako , Dia hitondra zava-tsoa. Faniriana ihany anefa , Fa izay Sitrakao ny sitrako ..., Tsy ho kapoka mavesatra Fa ho taom-baovao...; Hitondra fahas...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/lefy
Lefy
Rabarison Roberto Stephan
Lefy Nakaiza ilay fitiavana taloha? Sa dila ve ? Sa niova koa? Voatazona ve ilay toky sy dina? Sa nisy ny elanelana dia lefy toa varina? Ny fanotanina toa mipetraka Ny vatana toa kivy sy mivalan-ketraka Hoe fa nahoana kay? Sa ve ianao efa leo Dia navelanao izaho angina irery sy mitoreo Tsy nampoiziko hoe iana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/volana-hasimalala/sakaiza-fahazaza
Sakaiza fahazaza
Volana Hasimalala
SAKAIZA FAHAZAZA Zandry foana hatrizay Io no niantsoanao ahy Ianao noraisiko ho zoky Fa ilay sakaiza nahatoky, Dia nifanjohy hatrany isika Ka niaraka teny foana Na ny andro nangatsiaka Sy ireo oran-dohataona. Dia nolazaiko anao daholo Ny hafaliana sy alahelo Tsy nasiako fanahiana Mpinamana nahavariana. Ire...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lamin-tsaina
LAMIN-TSAINA
Fredy Jaofera
LAMIN-TSAINA Rehefa tsy te ho ketraka fa ny ho miramirana isa-maraina sy mendrika ho tanana, ny olona dia mipetraka any amin'izay misy lamin-tsaina rehefa mila fiadanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/rado-sy-ny-tononkalo
RADO SY NY TONONKALO
AORN
Rado sy ny tononkalo 'zay nitaiza fahazaza Ka na inona nandalo tsy mba nety lefy laza Maro be moa ireo mpamaky No vaky fo misesilany Voanfantsika any anaty Ka misento, mitomany Mbola maro mpankafy Ny tononkalo vantambatana Indrindra ireo mpifankatia Mbola andalam-pisandratana Noventsoin’I Rado koa ny fitia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsilo
TSILO
Fredy Jaofera
TSILO Tsara ny efa mitsilo hampety izay atao sy hipoiran'ny soa : aza mamboly tsilo amin'ny lalako ianao rehefa tsy te ho voa.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tomponny-teny
TOMPON’NY TENY…
RRAG
TOMPON’NY TENY… Tonio aloha ny fo, banjino izay tsy nety, tsy atao mampiasa loha, raha rahom-betivety. Hisava ihany ireny, rehefa tony tsara, tsy hoe raha tsy miteny, dia tsy manan-ko ambara. Aleo hivatravatra, hanao be fiavy, toy ny mahazatra, tsy mba manambitamby. Maneso sy mandatsa, manompa no hany hainy, fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ory-hava-manana
ORY HAVA-MANANA
Fredy Jaofera
ORY HAVA-MANANA Ory hava-manana ka hafahafa loha : sakantsakanana rehefa mahasoa. Ory hava-manana ka feno fialonana fa izay ninianana, tsy azony ironana. Ory hava-manana ka mamorina ady ; tsy ny fihavanana no tiany hianjady. Ory hava-manana ka ny haratsiana no fananganana an'ireo fifaliana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ny-anio
NY ANIO
AORN
Hiaino aloha ny anio, f’izay no efa lahatra Ny ampitso ambadika any tsy misy mahafantatra Ny omaly efa lasana, tsy azontsika tànana Fa rano latsaka iny, tsy azo niamaharana Ny anio no tsara indrindra, zay hamondronan-kery Ezaho ho tafampita, lay vina sy fijery Ka raiso ho lesona avy, ny lasa nampipotraka Ka sain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/alahelo-tsy-miala
ALAHELO TSY MIALA
AORN
Tsiaron'ilay Reny iray nandao ny zanany vao 10 volana monja...nangidy taminy loatra izany na dia efa dimy taona lasa aza ...tsy mety miala an-tsainy Tsiaro tsy mety mangiana Tamberin’ny lasa mipody Mangidy raha Mbola olon-tiana Vao kely dia lasana nody... Ny feony manako eny foana Toa Henon’ny aty fanahiny Dimbi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/izaho-sy-ianao
Izaho sy ianao
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Izaho sy ianao ilay mpisakaiza tsy nifandao hatram'zay Niombon-tsoa, niray tomany, niaraka namakivaky Alon'onja samihafa izay tena nampiray Enga anie izaho sy ianao, mba ho iray ka tsy ho vaky Eny ekeko ireo tsy laviko, eny ekeko; nefa kosa Misy tanjona iray tsy niombonana safidy Io no lalana iray tsy niarahana n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/anatranatra
ANATRANATRA
AORN
Mitiava rehefa tia Dia meteza ho mpankafy Misambàra ny fiainana Pero koa ny fitarainana Misainà mba ho mpandresy Fa fadio ny miotra fefy Mitsangàna mba ho sahy Asehoy fa lehilahy Mahasahia dia mandrosoa Fa hisitraka ny soa Mifalia raha tojo izany Fa mandalo ny eto an-tany Mandiniha ka mikaroha Fa aza ho en...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yromy-ravelo/lifero
Lifero
YRomy RAVELO
Hileferiko isan’andro fitiavana Higohako mangindy tsy misy fetra. Hafoizako aina tsy manampetra. Leferiko isan’andro fitiavana Tsy hay ho tomombona fa…, Mampanontany tena. Sa…Iza moa tsy hiarany?, Nefa leferina iany. Injato ilay fo ratsy miharihary, Mampitebiteby,mampihorohoro. Ilay tahotra tsy hay lazaina, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/felandrano/ho-namanao
HO NAMANAO
Felandrano
HO NAMANAO Dia mpinamana eny foana Ny nifandraisantsika Fotoana vitsivitsy,eny, efa ela ihany izay Tsy nisaina Ny hanova na hamadika Ny dina efa vita Fa mpinamana madio Dia atao ho ampy izay Kanefa akia ialako tsiny Eny,ifonako ihany koa Fa angamba ataoko hoe Tsy safidy Raha toa Ka babonao Ny fo Efa niezaka ah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/handrava
HANDRAVA
Fredy Jaofera
HANDRAVA Ny tiako haely hatrany lalandava, sady mivaivay : ny lainga kely dia mety handrava ny toky be iray.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/elanelana
ELANELANA
Fredy Jaofera
ELANELANA Ny elanelana, mampisaraka ny vatana fa tsy ny fo ka mamelana ny toky izay mivantana sy mbola to.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ananany
ANANANY
Fredy Jaofera
ANANANY Vola no ananany fa tsy fanahy ka ny fiadanany, mampanahy. Vola no ananany fa tsy saina ka itony anarany dia tsy ilaina. Vola no ananany fa tsy andry ka tsy fivoarany, na hiandry. Vola no ananany fa tsy vazo ka dia tsy arany ny mahazo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/maty-lay-mananontena
MATY LAY MANANONTENA
AORN
Noana izy dia tolefika Lasa hatramin’ny ambiroany Efa nihoatra izany fefika Ka nanenika ny lohany Omaly hariva no tsikaritra Fa tsy nihinana intsony Tsisy ininona azo harapaka Tsisy ininona tsaroany Nisy ihany ireo mpandalo Nangatahany sakafo Fa nandray toa fahavalo Na nandoro ho toy ny afo Raha zohiana iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mbola-ombay-mitady
MBOLA OMBAY MITADY
AORN
Very omaly hariva lay fitia nitiavako azy Toa nisafoaka tampoka nitsoaka an-tany efitra Ka toy ny tsatok’antsy tsy nisy vazivazy Ny namadihany ahy, niharihary tsy an-kandefitra Rovitry ny sota 'zato foko resy lahatra Nino an-jambany ihany tamy teny feno angola Nefa hay ankaso feno fandrika amam-ahatra Ka ny tena...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tandrify/vetsom-bavaka
Vetsom-bavaka
Tandrify
Voahodidim-pahavalo ny lalan-kizorako Feno fandrika miafina mamingampingana Araraotin’ny hafa ilay fahatsorako; Ny momba ahy rehetra no tiany ho ringana. Tantano ny fiainako ry Ray ao ambony Fa mbola malemy, tsy mahasara-dia Aza avela hirona amin-dratsy intsony; Ambeno ny foko, aza avela hania. Omeo fahalalana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/njerarica/mpiandry-omby-vola-vita
Mpiandry omby vola vita
Njerarica
Efa nampianariko ny foko hahay hionona Mihitsy hanadino fa tsy anjara ny amintsika Mifona aho ry fitiavako fa ianao no ataoko sorona Mantsy ianao tsy tompony fa mpiandry omby vola vita Efa nampianariko ny saiko tsy hanantena Fa iny olona iny dia efa manan-tompo Mihitsy tsy sahaza ity foko mahonena Fa ilay fitiav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ampahany
AMPAHANY
Fredy Jaofera
AMPAHANY Hoy aho malaky raha toa tsy hay ny momba azy sy ny sahany : tsy misy mpamaky hahazo boky iray raha tsy niaina ny ampahany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tsiaro-azy
TSIARO AZY
LAVENONA
TSIARO AZY Any izay izy any...!! Efa tojo ilay niriny sy akaikin'olo-tiany ♡!! Ka...tsy manana ahiahy Angamba tsy toa ahy, ... Izay ory lalan-dava tsy mba miramiran-tava fa dia tibo-dranomaso Sy hianjadian'ny akaso Isan'andro vaky izao Mantsy hatramin'izao, dia.. Zary ny gitara no mba solon'olo-tiako Ka i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/hafa-ihany
HAFA IHANY
AORN
Maro be ny tsara Kanefa hafa ihany Ianao zay azo ambara Fa tokana aman-tany Maro be ny meva Mikasa hahazo toerana Fa hafa ianao mateza Na dia tsy fanaperana Maro be ny raitra Mirenty sy miloko Fa tsy mahataitra Mampiodina ny foko Fa tiako foana foana Ianao sy ny tontolony Tsy fantatro hoe nahoana Fa rais...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/volana
INY VOLANA INY!
LAVENONA
INY VOLANA INY! Iny vola iny ... Iny no banjiniko rehefa tonga ny alina arahin'ny tontolo izay mitony sy mangina Ary koa hanambarako ny ventsoventso lalina Rehefa injay tsy tana ny embona anao ry Tiana Eny...., iny volana iny Ilay hany fizarako ireo tsy tsiambaratelo.. izay mirakitra ato ampoko sy ny momba ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/mpitendry-lokanga
MPITENDRY LOKANGA
AORN
Tantaran'ilay Mpitendry lokanga, izay tovolahy tso-piaina sady tsy mieboebo. Henon'ny Mpanjaka ilay feon-dokanga, ka nampanantsoina izy hiakatra lapa haneho ny fahaizany... Mpitendry lokanga ikoizana Sady miavaka anatin’ny maro Hira tsotra io na fampandihizana Na koa gadona atao mifangaro Tovolahy tsy mba tia seho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/lalam-piainana
LALAM-PIAINANA
LAVENONA
LALAM-PIAINANA Lehilahy iray efa nahazoazo taona Nanaitra ny eritreritro no sady nahavariana Tafara-dalana amiko ,mangina toa misaona embona mandalo ve sa...tojo fahoriana e ? (mba tiako hanontaniana) Hitako amin'ny endriny ny vesatry ny ankaso lasalasam-borona toa tototry ny tsiaro Fiara moa iraisana ka dia na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/indrisy-ry-taniko
INDRISY RY TANIKO!
LAVENONA
INDRISY RY TANIKO! Rahoviana vao mba hiova ianao ry Gasikara? Fahantrana ve no lova sy hany mba anjara napetraka ho anao? Angamba kosa Tsia o! Tsia hoy aho satria... ny olonao mihitsy no misetrasetra loatra, Ka raha misy te hivoatra , sy te mba hanao diangana... dia indro fa voafingana. Tsy misy mahavoadin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/poeta-ianao
POETA IANAO !
LAVENONA
POETA IANAO ! Amiko ianao no Poeta.. fa tsy olona ohatran'ireny ! mahafehy ny rima sy teny ! Mpiangaly amin'ny resaka kanto... Mivetso amin'ny feo mahasondriana manaitra sy milantolanto mambabo sy mahavariana Poeta ianao raondriana a! fa aza manda eo intsony...! Porofo tsy azo hidifiana itony asa soratra ito...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tanora-mifidy
TANORA MIFIDY
LAVENONA
TANORA MIFIDY Tanora aho kanefa tsy adala! No sady nandia lakilasy ! Misaina ary koa mahalala ny fiainan'ireo Malagasy ! Tanora fa tsy azo vidiana na tambazana vola sy harena ! Fa mahafantatra izay hofidiana hampandroso ity firenena ! Tanora tsy mora voatarika raha toky tsy hisy ho tontosa ! Mijoro ka tsy mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/radama-i-tohinymadagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjaka
Radama I ( Tohiny...Madagasikara fahagola sy faha-mpanjaka....
NY Andri-Fara
[ Sary nataon’i Compal ] 2.1.2 Radama I ( 1810 - 1828 ) Natahotra noho ny tsy maha mety ny hizarana ny fanjakana, tahaka ny nataon’Andriamasinavalona ilay lehilahy hendry atao hoe : Hagamainty, mpanolotsain’Andrianampoinimerina noho ity mpanjaka ity maro vady loatra, ka nila resaka taminy sy nampiseho sedra h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/an-tamponny-vinany-tantarainny-mpanoratra
An-Tampon'ny Vinany ( Tantarain'ny mpanoratra....
NY Andri-Fara
Antampon’ i Vinany [20] Efa voalazako tery aloha ny olana mahakasika ny tantara niandohana , kanefa tsy sakana ho ahy mihitsy ny tsy hanambara , na haneho izay fikarohana nataoko. Nisy ny fidinana ifotony tany an-toerana sy ny fikarohana ireo vavolombelon’ny tantara tamin’ireo taranaka maro nifandimby . Ireo taranaka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/liantsoa-radanielison/fitiavana
Fitiavana
Liantsoa RADANIELISON
Fitiavana Inona aminao ny tena atao hoe Tia ... Famaritana tsotsotra ilay antsoina oe fitia Tsy ilay fitiavana lazaina ho "mandrakzay doria" ifanoloran'ny mpivady n'a koa mpifankatia Tsy ilay fitiavana terena Mampiteny hoe sanatria Tsy ilay je t'aime matetika Makà etsy maka ery Ts'ilay Fitiavan-dray sy reny ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/voadiko
VOADIKO
Daniel ROIMEMY RKT
VOADIKO Dina sy voadiko androany Ary koa hianianako etoana , Na inona hitranga eto an-tany ? Isaorako ny Avo eny foana ! Ekeko sy hiaretako hatrany Lanjaiko fa sedram-pinoana! Raha diso famindra ka voa ! Olombelona mantsy tena Indrindra tanora ihany koa ,ka... Mba manana fahalemena, Etoana aho hiova tokoa ! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/tononkalontsika
TONONKALONTSIKA
LAVENONA
TONONKALONTSIKA Tononkalo ny antsika no anaovam-boady Hanoratra hatrany amin'ny fandavatena Ny penina letsy ny antsika no angady a ! Ny mpamaky kosa no tany hambolena Teny sy rima no atao masom-boly Atao tsara fantina mba tsy ho faty Tsy akory io nianarana tany an-tsekoly Fa ainga-panahy izay mivoaka ao anaty ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ireo-poeta-malagasy
IREO POETA MALAGASY
AORN
Zovy moa izato ianao ry Poeta Malagasy No tsy hiantsa sy hanamarika ity fiainana mandalo Fa mipololotra avy ao ny Penina sy taratasy Ka manoratra tsy miato zato drafi-tononkalo? Voalazanao ombieny, ny sotasota tsy amin-drariny Nosinganinao koa, ny alahelo sy ny tsiaro Sahinao antsaina mihitsy, reo fahavalo sy ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tononkalo-2
NY TONONKALO
Fredy Jaofera
NY TONONKALO Aza mandefa fisainana fa izao no hafatra iray mafonja isan'andro ka fohazy : ny tononkalo dia fiainana toy ny afo amin'ny kitay mipoitra avy ao ary manova azy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/kodiaran-tsarety
KODIARAN-TSARETY
LAVENONA
KODIARAN-TSARETY Kodiaran-tsarety ny fiainana eto Mivadibadika ambony sy ambany Ny fahantrana no iainana hatreto fa.. ho tafita kosa indray andro any ! Rampanana hatreto no sendra ny avo Tsy mba mitsitsy amin'ny vola sy harena Rakoto kosa etsy ambany sy lavo mitrongy vao homana mampahonena ny toaka sy revy ami...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/misaotra-anao
MISAOTRA ANAO
LAVENONA
MISAOTRA ANAO Ho anao ilay sakaizako nanampy teny foana nampahery hatrany tamin'ny andro nitarainako namafa ranomaso raha sendra izaho nisaona ! Misaotra anao manokana fa nisy tamin'ny fiainako ! Ho anao tsy nanadino sy nahatsiaro ahy tsy sasatra nanohana ary koa nitondra am-bavaka rahalahy sy anabavy, ray sy re...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/ny-gitara
NY GITARA
LAVENONA
NY GITARA Gitara no mba namako Manala fahanginana Raha sendra ka irery manainga ireto tanako Hiventso ampilaminana Hampikombona ny fery Eny ,..Io no mahafantatra ireo zavatra miafina ao am-poko manontolo Mihitsy ny ankamantatra any anaty tsy hay tarafina dia fiantatr'io daholo Io gitara io no ... Fizarako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabarison-roberto-stephan/rava-ilay-fitia
Rava ilay fitia
Rabarison Roberto Stephan
Rava ilay fitia Potika sy rava ilay fitia Izay nantenaina amiratra , lalan-dava Kay rodana satry, izaho na ianao Samy nahay vava, nilokalo ny tsy hifandao Kay toy ny kilalaon-jaza. Izaho ve no diso sa ianao no manja loatra Tsy aiko! izay no natonga ny fitiavako hitsoatra. De tena ho rava ve sanatry, izaho mih...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/nodimandry
NODIMANDRY
LAVENONA
NODIMANDRY Andro mbola maizina, Talata vao maraina maso mbola ditsoka no nilazana tamiko fa vita hono ny iraka izay notontosaina ka hody an-tanindrazana ilay Dada tena mamiko ! Mba faly ery ny tena namonjy teny ivato naniry efa hatry ny ela ny hahita azy indray! mihitsy mitamberina sy tonga an-tsaiko ato ilay i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ahafantarana
AHAFANTARANA
Fredy Jaofera
AHAFANTARANA Aza ikimpiana izao fananarana hatrany am-para : amin'ny fahoriana no ahafantarana ny olona tsara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/miova
Miova
NY Andri-Fara
MIOVA AMIN’NY FANAVAOZANA NY SAINA Malomaloka ny faravodilanitra. Injao mijoy tsy mitsahatra ny erika fa mifafy mandena ny olona eny rehetra eny. Teo am-piandrasana fiara hodiako any Ambatomaro aho no nifanehatra tamin’ireo tovovavy maromaro avy nianatra nibaby kitapo. Anankiray tamin’ireny ianao ry Tantely ary mbola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara0/tsy-hatahotra-ny-loza
tsy hatahotra ny loza
Ny Andri - Fara
Tsy hatahotra ny loza Andeha ny Irakao Andeha tsy hitalaho . Hitety izao tontolo izao ; Noho ny anaranao . Eny an-dàlana eny tsapa..., Feno zava-tsarotra Ho sahirana ny saina ; Izay hita nampiferinaina . Ny ao an-tsaina raha ny hita Samy tiana na tsy tia . Izay rehetra nanoloana ! Toa tebiteby foana . O! R...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nomanina
NOMANINA
Fredy Jaofera
NOMANINA Tsy misy mametra ny zava-tianao rehefa izay no sahanina ; ny zava-drehetra dia azo atao rehefa tsy misy nomanina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara0/fisarahana
FISARAHANA
Ny Andri - Fara
FISARAHANA Indray harivariva izay Sendra irery tao an-trano. Nisy embona tsy nahy , Nameno ilay fanahiko . Nitamberina ilay nenina Dia ny fiainako fahiny . Teo anilan-jazavavy iray , Notolorako fitiavana . Ianao ilay ninia Nandratra izato foko . Nefa ny fitiavako..., Tsy miova hatramin'izao . Iny lanitra i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ny-andevo-tohonilay-madagasikara-ny-lasa-sy-ny-ankehitriny
Ny Andevo = tohon'ilay Madagasikara . Ny lasa sy ny ankehitriny
NY Andri-Fara
D2 = Ny andevo : Ny Maha Andevo : Tsy azontsika atao ny tsy hiresaka momba ny andevo sy ny toetra maha andevo rehefa mahita ireo andevo tsy tambo isaina voatanisa ao amin’ny fananan’ny razana tany aloha. Mety hisy olona hadisadisa amin’izany, ao ny mety hatahotra, ary ao koa ny mety hieboebo anaty. Tsy izany no tanjon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjf/dada
dada
anjf
Dada Satrinay ianao eo foana fa tsy handao Ho namanay sy sakaizanay hiara-hilalao Satrinay ho eo foana Na fahavaratra na lohataona. Nefa moa ny fiainana tsy vitan'izany, Lasa ianao nandeha mba hahasoa ity akany Ny hariva tsy misy anao mpivavaka ho anay ireo angano notantarainao tao mivadika tahotray. Ireo ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/ny-rariny
NY RARINY
NY Andri-Fara
Ny Rariny Fotoana ela tsy nisy izay niandrasako azy Fotoana sarobidy namotehana ny fiainako . Na aiza na aiza teto an-tany nisy ny fisiako ; Sasatra nitady nampitady ny fisiany . Ny Rariny ...hay tsy natao ho ahy Tsy natao ho anay mavomavo tahaka izao . Aza lany andro hitady ny tsy misy..., Zarany aza ianao po...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/fitiavana-voalohany
FITIAVANA VOALOHANY
LAVENONA
FITIAVANA VOALOHANY Mbola vao manomboka ny lalan-katerena Dia io fa novonoina ilay voady nimatesana Fa aiza ilay finoana izay nanaovam-panekena hoe... hanompo Anao foana hatramin'ny fahafatesana..? No indro fa nania ! Mantsy tsy nitsimoka ilay voa izay marivo ! Ka rariny dia rariny raha resy ianao satria.. mbol...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/miverina
MIVERINA
Fredy Jaofera
MIVERINA Tsarovy eto mangina, na inona tadiaviny sy na inona ity lahasany, izay tsy manana vina momba ny hoaviny, miverina amin'ny lasany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/jean-joseph-rabearivelo
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aorn/ankizy-milalao
ANKIZY MILALAO
AORN
Ankizy milalao Samy maro loko Fa raha tazaninao Tsy misy tokotoko Ankizy milalao Tsy misy fanavahana Tsy hitanao ao Ny ory sy ny manana Ankizy milalao Toa mifandray am-po tsy misy rahoraho Finaritra avokoa Ankizy milalao Toa paradisa an-tany Iray no tanjona ao “Mifankatia hatrany”
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/tsy-atakaloko-fa-ahy
tsy atakaloko fa ahy
NY Andri-Fara
Tsy atakaloko fa ahy Tompo o! na maro aza ny fahavalo Tsy atahotra aho..., Mino fa Ianao no miaro ; Ity maditranao fahiny . Ankehitriny hiroso aho Na inona hitranga Na inona hidona , Vonona hanompo . Aoka Ianao Jesoa Hitoetra ato am-poko Tsy atakaloko fa ahy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ihany
IHANY
Fredy Jaofera
IHANY Ny misy eto an-tany mbola marina sy to fa tsy tsaho, Andriamanitra ihany no afaka hahafa-po ny fanahinao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel-roimemy-rkt/teboka-telo
NY ADINTSIKA GASY
LAVENONA
NY ADINTSIKA GASY Vonony ny saina hiatrika ady ! Hitolona hatrany tsy mba misy fetra! Aoka tsy ho lavo na kivy sahady fa... tsy maintsy mandresy no atao tarigetra! ny antsika ny ady tsy mbola mifarana Mihitsy tsy miato fa mbola mitohy Kanefa tsarovy ny eto fianarana hoe : "rehefa tsy mailo dia ny aina no hafoy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tiako-hotiavina-foana
TIAKO HOTIAVINA FOANA
Fredy Jaofera
TIAKO HOTIAVINA FOANA Tiako hotiavina foana iny voninkazo nanaitra, na dia efa aman-taona no any fa tsy haitraitra. Tiako hotiavina foana iny tsikitsiky navelany hampisinda ny saona, na nikopaka ny elany. Tiako hotiavina foana iny vazivazy fanaony, na anio tsy tafahaona, toy izany irony lalaony. Tiako hoti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjisoa-andjanirina/sento-miampita-ii
SENTO MIAMPITA II
Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Sento miampita Ny vodilanitra iny manopy mavomena Toa hafatra milaza fa tsy ho ela dia hariva Ny alahelo kosa mijotso tsy terena Zary ampanaterin'ilay masoandro iva Fahanginan-tsamirery no solon'haravoana Ny tsikin'hafaliana niova ho tomany Ny embona no alefa hihoatra iry havoana Hiantsa vetsovetso ho any imeri...