url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/aza-ambakaina | Aza ambakaina | Joh | Aza ambakainao aho raha toa ka tia anao
satria n'inon'inona lazainao sy teneninao
de fantatrao de fantatrao f'izaho de vonona hanao
satria masaka ato an-tsaiko ny fitiavako anao
zany anefa tsy midika fa tena adala be tokoa aho
fa odiako tsy hita ireo ratsy vitanao
voatampiko amin'ny hoe tena tiako ianao
ka mande... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/iarivo | Iarivo | Jeankely Razafimamonjy | Analamanga anarana soa
Anarana mambabo fo tokoa
Navelan'ireo razana taloha
Izay iray tsy manam-paharoa
Renivohitra manan-tantara
Tao ny ratsy tao ny tsara
Holovain'ny zanak'amam-para
Ho reharahan'ity Gasikara
Maro mpitia sy mpankahala
lay renivohitra tsy manan-tsahala
Ireo mpanohitra sy mpankahala
Dia mandri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/robbie-raberison/inay | Inay | Robbie Raberison | Inay!
Inay aho no peratra
tamin'ny tananao
Izaho tsy ahatsiaro menatra
mifikitra aminao
satria,ny tananao ho tanako
Ianao koa mba viravako
Inay aho fitaratra
fijerinao maraina
Ny bikanao tomaratra
no mamelombelon'aina
satria,ny endrikao ato amiko
ny fanahinao no laniko
Inay aho no rado
teny an-tendanao
i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/namana | Namana | Jeankely Razafimamonjy | Iza moa no atao hoe namana?
Inona no hilàna namana ?
Mahasoa ve ny namana?
Inona no maha namana ?
Ny namana dia ireo olona
Mikely aina sy mitolona
Manao 'zay hahafaly anao
Amin'izay zavatra atao
Ny namana dia famonjena
Mitsinjo anao raha sendra lena
Mamonjy anao tsy miady varotra
raha sendra tojo zava-tsarot... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/dada-neny | Dada & neny | Jeankely Razafimamonjy | Mirana tokoa ny saina
Faly sambatra erý
Satria manan'antenaina
Dada sy neny ahitana fý
Anarana mamin'ny fo
Mahatretrika aoka izany
Anarana tsy mety lo
Fa mitoetra hatrany hatrany
Tsapa ny ngidin'ny fahazazana
rehefa tsy eo anilan'izireo
Mihatraika hatramin'ny hatanorana
Ny alahelo no mibahana eo
Na iza n'iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/ra-malagasy | Ra-malagasy | Joh | Indrisy Ra_Malagasy
Toa zary Mangasihasy
Mahita zato fahantrana
Tsy misy fiafarana
Raha mba ny faniriany mantsy
Ny ho tafita atsy ho atsy
Sarotra anefa izany
Ao anatin'izato Tomany
Andriamanitra tsy manary
Ka ny malagasy tsisy harary
Ho salama tsara daholo
Velombolo ny tena manontolo
Mihezaka ny hitraka
ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/sigara | sigara | Jeankely Razafimamonjy | setroka toa mamono mahafaty
Manampoizina tsy maha-ela-velona
Miezaka izay hampijaly hahafaty
Nefa ankafizin-dra'olombelona
Tapa-bozaka misintona fiainana
Mandany toen-karena sy fahasalamana
Setroka manimba tontolo iainana
sigara no malaza ao an-tanàna. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbola-tsy-fantatra/ho-anilay-nanoratra-ani-tazy | Ho an'ilay nanoratra an'i tazy | Mbola tsy fantatra | valin'ny Tazy
ho an'ilay nanoratra ilay hoe : TAZY
Rehefa tsisy ho soratana
Dia ny volo rehetra aratana
Fa tsy manoratsora-poana
Toy ny olona efa mivoana
Ngah tsy misy kalo hafa
Mendrimendrika ny tafa
Fa tsy teny miolakolaka
Sa ireny no pasy tolaka?
Dia aza omena tsiny aho
Raha namaly toy izao
Fa tonon-kalo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/tanjona | Tanjona | Jeankely Razafimamonjy | Varian-dalao'zato fahazazana
Mbola mamikitra sy tena mitana
Mibitaka,mandrifatra fa afa-mandeha
Manitsy'izay hita fa azo aleha
Tanora famindra mjoro,miraika
Mandamina saina tsy mba maika
Mbola ho ela vao ho antitra no fanantenana
Mandranto sy mampitombo fahalalana
Ela ny ela fa tonga ihany
Ilay andro voalazan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/firaisan-kina | Firaisan-kina | Jeankely Razafimamonjy | Ndeha hanandratra ny feo,
Hiara hizotra tsy hitoreo.
Hanavaka ny tena mahaliana ,
Haneho 'lay firaisan-kina.
Hitambatra iray tokoa;
Iray ny saina sy ny fo,
Fihavanana no tadidiana,
Dia ilay firaisan-kina.
Fiarahana amin'izay atao;
Hiasa fa tsy hilalao
Hanondrotra an'i Gasikara
Miraisa-hina mandraisa anjara.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/ny-fanatanjahantena | Ny fanatanjahantena | Joh | Ry tanora, ry Tanora
Manaova fanatanjahan-tena
Aza misy ariana ny ora
Mba tsy ho tratry ny halemena
Ny tena mila tezaina
Koa manomana tena
fa mahasalama ny saina
Ny fanaovana fanatanjahan-tena
Aza de variana midoroka
Fa mba ampiasao koa ny vatana
Miandrandrà mihitsy loka
Mba hisintona ireo namana
Raha misy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toetra-raja/oroka | Oroka | Toetra RAJA | OROKA
Atolotro
Ny molotro
Ho tantely
Miely
Hankao
Anatinao;
Hitety
Izay mety
Mafampàna
Ahitàna
Lalan-drà
Mba hizaha
Ka hanoro
An’izay mangoro
Vitsika
Ary hibitsika
Ireo rindra
Hafa indrindra.
Atolotro
Ny molotro
Hifoka
Sy higoka
Ny ràmy
Sy ny mamy
Avy ao
Anatinao;
Hisangisangy
Hamangy
Ao an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianambinina-jerison-pascal-emile/ny-serasera-namana | Ny serasera namana | ANDRIANAMBININA Jérison Pascal Emile | Ny serasera namana no tena milay
Ny serasera namana no tena an-kafizinay
Na misy inona na misy inona
Tsy misy miala fa eo foana
Satria ao no ahitana ny mahasoa rehetra
Ny namana cool foana fa tsisy fetra
Manoro ny tsara hatrany
Satria mbola samy eto ambonin' ny tany
Ka ianao izay te ho pikambana ao
Misorata an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/ny-fitiavana-1 | Ny fitiavana | Joh | Raha ny fitiavana no tanisaina
De resaka sarotra mahavery saina
Zavatra sarotra tsy azo faritana
Fa miankina betsaka amin'ny vintana
Indraindray mantsy an-taonany maro
Ny olon-droa no mifangaroharo
Nefa misaraka tsy ahoan-tsy ahoana
Ka de very maina sy lany fotoana
Ny sasany indray vao omaly no omaly
No niady ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikopol-1/tsaroany-setrinny-tononkiran-i-ny-eja-hoe-tsaroany | Tsaroany | Nikopol | Setrin'ny tononkiran'i Ny eja "tsaroany " ( album "aina miray" bodo)*
Tsaroany
Izy, tsy nandao
Raha fantany fa tia azy ianao.
Noheveriny ho efa vita,
Izay no nahatonga azy tsy hita.
Fa nahafinaritra azy koa,
ary tiany (tena tiany) iny alin’iny...
Tsaroany ka tsaroany,
Ny dobokin’ny fony
Namihina anao,
Ireo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/adidiko | Adidiko | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | ADIDIKO
Aoka itsy ho tantanako
Izatsy tananao rahavako
Fa saro-dalana ny "dia"
Tena mafy tsy malia
Hamafiso izany hetra
Ary aoka tsy hanjoretra
Fa tsy isika irery akory
No miaina tsy matory
Etsy ianao ho sakambiniko
Ny vatanao mba ho fihiniko
Hiondany izany tratrako
F'efa tony izao ny ratrako
Raiso mba ho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/fahafahana | Fahafahana | Jeankely Razafimamonjy | Fahafahana no anarany
Tsy voagedran'iza n'iza
Manan-danja manana ny sarany
Tsy zanahin'izan'iza
Hoentina mahaleo-tena
Hamokaran-java-tsoa
Ho fitiavam-pirenena
Izay iray tsy mba roa
Fahafahana mivoatra
Nisedrana zava-tsarotra
Ny tsara atao dia ny misaotra
Fa tsy hoe hiady varotra
Hararaotina ny tsara
Hano... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/satriko | Satriko | ranaivoharijaona rado liantsoa | Malala ah!!
Satriko hitafana
Ireo kalon'adalana
Mba vitako hatrizao
Eo an-tsofinao
Satriko ho sahala
Ny revin'eritreritra
Sy irony mba filan'ny
Nofoko sy ianao
( na androany fotsiny aza)
Malala ah!!
Mangina mantsy izao
Ny ao an'efitranoko ao
Koa asa!! mazoto ve ianao? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/babena | Babena... | randria | tsy nino enao raha nilazako,
hoe nitia isika de notiavina,
tsy nino ny nanambarako,
fa nanaiky saingy de nolavina...
tsy nety enao lay notoroana,
fa mihevi-petsy ny eto an-tany,
tsy mino maty novonoana,
raha tsy voakenda tany ho any...
tsy nihaino ianao nintantarako,
voady masina voadika,
tsy rototra fa ankeh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kel/mandalo-1 | Mandalo | KEL | Nandalo tokoa mantsy ianao
Toy ny aloka niserana
Toa nofinofy hatramin\' izao
Mitomany anao ny fo zary trotraka sy reraka
Tadidiko hatramin\'izao ilay rivotra nitsoka
Nampirehitra ny afo tato anaty tato
Nanome fanantenana ity maso efa kotsa
Reraky ny ranomaso sy alahelo zay tsy niato
Hadino avokoa ny hirifiry i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/hoy-ianao | Hoy ianao... | randria | hoy ianao oe : kisendrasendra angamba...
tsy kisendrasendra akory,
fa ny fo indray nitepo, zay nampamolivoly,
ndray naparasakao ...
ka tsy nahazakako lamba.
R.J.O. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/ny-hafatry-dada | Ny hafatry dada... | randria | Anaka...
iny taona iny hafahafa...
ny fiainako tsy nisy tanjona,
ny faniriako adaladala,
ny fisainako tsy nitombona,
ny vetsovetsoko lasan-davitra,
ny alaheloko niavosa,
ireo fiheveran-disoko,
ny fahoriako nivangongo,
ny fananako niparitaka,
ny fitiavako mijaly,
ny finoako miozongozona,
ny fivavahako tsianj... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/deraiko-ny-zanako | Deraiko ny zanako | ny eja | anaka,
tsy omby tratra ny hafaliako
ry sombiniako tena tiako
fa hay ianao no lohalaharana
Deraina tao am-pianarana !
ireo fifohazako maraina
ny vikiviky tsy malaina
vesatry ny tontolo androko
sy ilay fodiana toa tsy andriko
niova loko vaovao
noho ny ezaka ataonao
sambatra aho satria ilay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/tsy-izany-1 | Tsy izany... | randria | tsy ny lalàn'ny fiaraha-monina,
tsy ny didin'ny mompera,
tsy tondo-molotr'olona,
tsy izany velively!
fa ny eo ampela-tànantsika...
tsy ny bedin'ny lehibe,
tsy ny tahotra baraka,
tsy ny ozona miantefa,
tsy izany hoy aho anao!
fa ny ao anaty mahatsapa...
tsy ny eso isanandro,
tsy ny lohanao miondrika,
tsy ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriandalaoarivony/26-jona | 26 jona | ANDRIANDALAOARIVONY | 26 JONA
Dia injay tokoa ny tafondro midona
Mariky ny 26Jona
Dia samy mamonjy mivoaka
miara-mihoraka ireto vahoaka
Fety iray manan-tantara
fetin’ilay Gasikara
Ny olon-drehetra dia faly avokoa
Fety izany, tena fety tokoa !
Tsaroako ny fahazazako
Nihazakazaka hijery ny matso
Nihanika ny vato masina
Tsy aiza fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/tara-loatra-ianao | Tara loatra ianao | ny eja | Dia izay ianao vao tonga!.
Hay moa tadidinao
'lay tokonam-baravarako ?
Impiry aho nitalaho
Impiry ianao tsy tratrako ?.
Izay vao tadidinao
'lay toerana fonenako
Fa voa avy any ianao,
miandradra faharetako ?
indrisy anefa, tara loatra ianao!.
saingy,
Zarako aza ianao, tara vao nandalo,
Soa f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/ratram-pitia | Ratram-pitia | Joh | Tsapako ato anaty, izany fidoboky ny foko
Te hilaza hoe aiza re ianao ry tiako
Fa mirehitra ny fitiavako mitady anao
Ianao ianao izay lasa tsy tana fa nandao
Mitomany izy ankehitry fa tsy hitany ianao
Mivezivezy hatraiza hatraiza mitady anao
Mitady ho vaky ny fo, rotsaka tomany
Mitraka hatrany anefa raha mbola e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/heniheny | Heniheny | Miarantsoa Anicet | Manapaka tsinay !
Tsy azoko mihintsy
Izay tianao holazaina .
Mba ampindramo jiro
Hitsilovako fa maizina.
Ny "enieny " anie ...
Tsy mila izany aho e !
Heniheny ireny
Ka mamitaka aoka izany .
Longoa mitotobozaka
Ka fandrika ihany .
Indrindra ho an' ny biby
'Zay very any an' ala .
Aza dia manahy .
Tsy handr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ralita/26-jona-1 | 26 jona | Ralita | 26 JONA
Dia injay tokoa ny tafondro midona
Marikiny 26Jona
Dia samy mamonjy mivoaka
Ary miara-mihoraka ireto vahoaka
Fety iray manantantara
Satria fetin’ilay Gasikara
Ny olon-drehetra dia faly avokoa
Fety izany, tena fety tokoa !
Tsaroako ny fahazazako
Nihazakazaka hijery ny matso
Nihanika ny vato masina
Ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramanantsoa-ricardo/ventsom-paniriana | Ventsom-paniriana | RAMANANTSOA Ricardo | Ho anao ry zazavavy
Izay handinika ny teniko
Miondrika eto sady avy
Mba hamangy anao ny peniko
Antenaiko ianao fa salama
Amin'izao fotoana izao
Matoa ny ventsoko tsy tana
Fa miantefa any aminao
Efa nataoko ihany ny hangina
Tsy anambara ny ato ampoko
Haneo ilay ventsom-paniriana
Indrisy anefa fa nisoko
Koa a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/tsilopilopinnofy | Tsilopilopin'nofy | Ny Kanto | Raha natopiko ny masoko hitady fahatsarana
Nikaroka izany, hatrany am-paran-tany
Dia tsy nahatsinjo, afa-tsy ny fahakiviana
Tanaty kipy ihany no nahitako fifaliana
Raha nahilako ny sofiko hihaino hira hoby
Handray ny teny mamy, hataoko fanafody
Dia tsy nahare afa-tsy ny fitarainana
Habibiana loza, miampy fanaint... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/alaiko-aneritreritra | Alaiko an'eritreritra ! | DadaRabe | ALAIKO AN’ERITRERITRA !
Alaiko an’eritreritra ‘lay endrikao sariaka,
Mazava, manjopiaka;
Ny masonao mirehitra fitia, fanantenana,
Mpitondra hafanana !
Alaiko an’eritreritra ny molotrao miteny,
Ny tsikinao ombieny;
Fa toy ny loharano izay mikoriana ireny,
Mitohoka tantely !
Alaiko an’eritreritra ny fonao dobod... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/kanto | Kanto | Joh | Ny fifaliako eto an-tany
De ny mahita anao mirana hatrany
Tahaka ny voninkazo eny an-jaridaina
Manome endrika maharavo ny saina
Zato volonao lava mitopatopaka
Mahafaly ny maso ary mampite-haka
Ny feonao mikarantsana soa ery
Maninontona ny saiko te hanirery
Ny bikanao tsara mahitsihitsy
Marina moa raha misy toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/efa-sitrana-e | Efa sitrana e ! | Miarantsoa Anicet | Tsy manonofy intsony aho !
Mivavaka aho amin' ny alina
Dia ampian' ny Andriamanitro.
Sady ....
Lany ritra ny tantarany ;
Farany izy farany
Lany vetsovetso .
Efa trotraky ny sento. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/vetsonny-mama | Vetson\'ny mama... | randria | velo-maty taha-bolana iny fahatsiarovana iny...
ny andro nahariana anao nandalo tahaka reo fahiny,
ary toy ny an\'ny rehetra moa vetsoina sisa ankehitriny,
ny seho zay dinitry ny lasa mba tsy hifanomezan-tsiny.
tsaroaka ery izany fiainako fony ianao vao notoronina,
toy ny nofinofy ihany zahay sy dada niara-nonina,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/iriko | Iriko... | DadaRabe | IRIKO...
Iriko ny hizara ireny mamy aminao,
Ho entintsika miatriaka izao tontolo izao...
Sy ny setrasetrany.
Tiako ny mba hiaraka midola aminao,
Hanandramantsika izao rehetra izao...
Sy ny rendrarendrany.
Ilaiko ny hanambatra ny heriko aminao,
Hanosehantsika ‘reo mpila rahoraho...
Sy ny dedadedany.
Lalaiko ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/tsy-izany | Tsy izany... | randria | tsy ny lalàn'ny fiaraha-monina,
tsy ny didin'ny mompera,
tsy ny tondro molotr'olona,
tsy izany velively...
fa ny eo am-pelan-tànanantsika...
tsy ny bedin'ny lehibe,
tsy ny tahotra baraka,
tsy ozona miantefa,
tsy izany hoy aho anao,
fa ny ao anaty mahatsapa...
tsy ny eso isanandro,
tsy ny lohanao miondrika,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/miandry-paradisa | Miandry paradisa | Miarantsoa Anicet | MIANDRY PARADISA
Ry rahalahy hajaina ...
Hangaina ka hangaina
'Zay hiantehitra amin' ny tany ....
Aleo misaina ny "Any ".
Ny eto manko izao
Toa ankizy milalao
Ka zay mafimafy loha
No mangorona avokoa
Ny kilalao 'zay an'ny namany .
Ataony mihosom-bovoka
Ny kely noho izy .
Dia ....Milalao ny ankizy.
Ô Ranaba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/foiny | Foiny | randria | Eny rehetra eny... na eo an-tongotrao ngoly!
Any an'habakabaka any angamba ?...
Ny anatiko mamolivoly,
N'aiza n'aiza hivetsoiko...
- tsy maninona.
F'iny rivotra iny hitondra,
Ary ny embona hivimbina,
Samy hirongo reo tamberina,
Mitampisaka madity,
Ny takosim-pahatsiarovana,
Hamelon-tsoratra mangina,
Ny ao an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/vetso-ilay-lohataona | Vetso... ilay lohataona. | randria | Mangirifirim-panembonana... zany vetsovetso manina.
Mani-maina am-pijoroana, vonton'orana mialoka,
Tsy hay rombahana ho alaina fa fanala mahamay,
Mangotrakotraka ato am-poko, nandatsa-paka lohataona .
Ngoly am-pitaninana afo, manirery an-kilan-tevana,
Ringiringin'ito ankasom-pasa-poana mila namana.
Mandrevon'ona-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/hifonako-1 | Hifonako | ranaivoharijaona rado liantsoa | Hifonako malala
raha tsy afaka aho mamaly
ny taratasin-dry
sady tsy afaka mankany
tsy manadino sanatria
f'indrisy ny hoenti-manana
ividianana ny hajia
sy izay mety ho saran-dalana
no tsy eto ampela-tanana
Mba satry aky malala
hiaraka hidola
satry hatoritory
ery am-batan-dry
malandy sy bakora
hianoka hasam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/seheno/amlboara-ho-anao | Amlboara ho anao | Seheno | Atolotro ho anao ity amboara ity
Foiko omena anao, nataoko tam-pitia
Amboara mitantara ny fianantsika ety
Vorakitro ato tsara ny ventson'ny FITIA |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/tsy-misy | Tsy misy . | randria | Tsy misy resy azo ampangaina,
niady noho ny hirifiriny,
'lay fiandrianan'olo-miaina,
mifikitra an-damosi-kiriny.
Tsy misy avela hifendrofendro,
nizaka zay tsy eran'ny aina,
gejain'ireo mpiray tendro,
drodrohana ho savolaina .
Tsy misy hajanona ho mpiafy,
Miari-bata-kazo lena,
dontona hahatanty gafy,
ho aro-m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/vinanin-diavolana | Vinanin-diavolana . | randria | mangina sady tony ny tany tontolo,
reraky ny andro ka de nifanolo,
tamin'ny ali- mamiratra sy mibaliaka,
tsy nosalovan-drahona lay volan-tsariaka .
ny ao anatiko anefa tao maloka lava,
ny andro-ratsin'ny foko tsy mety misava,
akipy ny maso mifoha ny ao an-tsaina,
andrasana ho tony vao manaintaina .
maneso ny fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/ho-aiko-ve | Ho aiko ve ? | randria | ho aiko ve ny tsy hahatsiaro,
na hamono ny eritreritro,
ny amin'ireo tantara maro,
nahatonga ireto feriko ?
ataoko ahoana no fiala,
hanadino na hametraka,
hinia mody tsy hahalala,
reo herisetran'hetraketraka ?
tsy ho efa zany sombinaiko,
tsy ho voakosoka ato an-tsaiko,
ary tena tsy ho fafaiko,
reo mangidy no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/tena-tia | Tena tia | Ny Hasina Heritiana | Ambarako aminao anio,
Fa tena tia aho,
Asa ianao aloha na hino,
F'izaho tena babonao.
Tsy mety afaka an'tsaiko,
Ireny adintsika ireny,
Tena mankarary ny aiko,
Rehefa iny ianao ilay tsy miteny.
Moa ve mba fantatrao,
Fa ny foko tena tia,
Mitempo foana ho anao,
Maniry ho sambatra doria?
Toa tsy ho andriko ilay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/twotah/ianao-mantsy-iny | Ianao mantsy iny | twotah | ry zazavavy izay miserana
izay manaitra ity fijery
zary babonao ny foko
ary lasanao irery
ianao mantsy no nofidiko
tao anaty lolo maro
ka iriko ho olo-tiko
ka tsy tiko hafangaro
(atolotro manokana ho an'i moon ity tononkalo ity) |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/asa-aloha-raha-haiko | Asa aloha raha haiko | ny eja | Alina aho nandahatra
Ireo antotan’isa
Ary dia namantatra
Sy namisavisa
firy isanjaton’ny fitiavako tokoa
no efa lasanao ?
Dia nandresy lahatra
ity tenako hiarina
Fa nangatsiaka loatra
ilay toerana nanjahatra
tsy itodihanao !
narafitro ireo teny ,
natambatro ireo fihetsika …
ny saiko toa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/fofombady | Fofombady . | randria | Ho tanteraka avokoa anio zay rehetra sitrakao,
ny amin'ty minitra kely mandalo hiarahantsika indray,
hiezaka aho androany ny tsy hisian'ny aloka fa ndrao,
ho adinonao fa izao ihany, f'izay ho avy mbola tsy hay .
kaloiko ho anao eto ry lisy lay hirantsika fahizay,
hany sombim-pahatsiarovana, nitomoetra fara-tsiaro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/indray-andro-any | Indray andro any | Ny Hasina Heritiana | Indray andro any,
Raha sendra ka tomany,
Dia antsoy aho,
Tsy mampanantena aho anefa,
ny hanome tambitamby,
Fa ny azoko atao,
De hiaraka aminao,
Handrotsaka tomany.
Indray andro any.
Raha toa ianao te handeha,
any lavitra any,
Dia antsoy aho,
Tsy hataoko anefa
Ny hitazona anao,
Fa hiaraka aminao aho,
Hizo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/teo-imasoko | Teo imasoko. | randria | Teo imasoko no indro feo mihika mitaraina,
Tomany senton'alahelo dradradradra-na toreo,
Reo ankizy sy tanora mpanarak'andro savolaina,
Ndray mitanondrika aman'aina eo amoron-tongony eo...
Teo imasoko no indro vetso maro no nandeha,
Mahita reto zaza bodo tsy mahatsiaro ny fisiany,
Mampanontany tena anaty ka hiredi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/feno-toky-ny-eja-malalason-yonikafpl-tina | Feno toky | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | FENO TOKY
Nosoratan'ny Ny Eja & Malalason & Yonikafopl "Tina")
Fa mba iza moa ianao
No nahay nambabo ahy?
Izaho no izy akia rahavako
Naneho ilay hatsarampanahy
Feno toky tsy hifarana!
Ka ekeko ho famaranana
Ny hifanomezantsika dina
Hiaraka amiko hifanpitantana
Amin'ny voadin'ny fanambadiana
Eny an-dalam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/ny-sigara | Ny sigara | Joh | Ny SIGARA
Mipololotra ny olona
Zary zesta zato izy
Heveriny fa ho tsara
Ts'inona izany fa ny SIGARA
Eny rehetra eny
De ahitana azy avokoa
Karazany maro tokoa
Ts'inona izany fa ny SIGARA
Mba saino ihany anefa
Fa mitera-doza izy ireny
Ka diniho ny tokony atao
Atsaharo re ny SIGARA
Ny SIGARA, Ny SIGARA
Tsy t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/misy | Misy... | randria | misy hery fa tsy hita,
volain'ny saina maminany,
hery mora miampita,
raha ianao no sendra izany .
misy tsiky tsy voatana,
voatoraka tsy nahy,
dia nanjary nahatamana,
tonga hehy am-panahy .
misy angola tsy tsaroana,
dia voarindra ho teny mamy,
nody vetsovetso moana,
avy eo nivadika tomany .
misy sento lasan-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/nahoana | Nahoana ? | randria | ry nosy lay taniko kanto hatrizay,
nankaiza reo ondry niaina tety ?
fa toa tany ngazana haolo sy hay,
no hany mba sisa vantaniko ety ?
nankaiza reo ala reo mponina tao ?
nankaiza reo rina zay be mpankafy ?
nankaiza fa aloka sisa no ao,
indrisy ry oloka be siasia...
nahoana no potika ty tanintsika,
nahoana no r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randria/ngerokhirikila0 | Ngerok'hirik'ila. | randria | Fa tsy fantatra intsony ny fiafaran'ity...
fidolingim-piainana, tsy mahay mandefitra
manano sesi-montotra amin'ny fanenjehan-dresy...
tsy hita ho saintsainina ny dinitra niraraka
nanamando tany dia ny kaikitry ny aina
he mana-be voho reo afam-pahoriana...
Eny mafy koa raha mafy ny mivandravandra
ny ngaly manante... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/hifonako | Hifonako | ranaivoharijaona rado liantsoa | Hifonako malala
raha tsy afaka aho mamaly
ny taratasi-ndry
no sady tsy afaka mankany
tsy nanadino sanatria
f'indrisy ny hoenti-manana
hividianana ny hajia
sy izay mety ho saran-dalana
no tsy eto am-pelatanana
Mba satry aky malala
hiaraka hidola
satry hatoritory
ery am-batandry
malandy sy bakora
fa tsisy a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/feno-toky-ny-eja-malalason-yonikafopl-tina | Feno toky | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | FENO TOKY
Nosoratan'ny Ny Eja & Malalason & Yonikafopl "Tina"
Fa mba iza moa ianao
No nahay nambabo ahy?
Izaho no izy akia rahavako
Naneho ilay hatsarampanahy
Feno toky tsy hifarana!
Ka ekeko ho famaranana
Ny hifanomezantsika dina
Hiaraka amiko hifanpitantana
Amin'ny voadin'ny fanambadiana
Eny an-dalam-... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misa-randria/fianarana-1 | Fianarana | Misa Randria | Mampiady ny saiko
Mila tsy ho arako
Izato enao ry fianarana
Zary tsy hisy fitsaharana
Nahitako mangidy
Ny fahombiazana nihidy
Tanoloako taona maro lasa zay
Tsaroako mbola mahamay
Mila ezaka ny hoe mianatra
Satria hendry ny razana nananatra
Fa lova sarobidy tsy manampaharoa
Irariana ny tsirairay ho tafita soa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zo-rado-herizo/tia-sa-tsy-tiana | Tia sa tsy tiana | Ny zo Rado Herizo | Faly ve ianao
raha indry voatohim-bato ilay tongony hamindra
Faly ve ianao
satria nalana taminy ilay maminy indrindra
Faly ve ianao
fa toloko no mba setrin'ireo anjara asany
toa faly ery ianao
fa lasa ny olon-tiany, rava ny kinasany.
Kanefa ianao milaza
fa "Ny hahasambatra azy, izay no faniriako"
Kanefa ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manda-arivelo/ho-anao | Ho anao | MANDA ARIVELO | maro ny vony ka tsara ny mifidy
'lay tokana an-tany tsy voantam-bidy
fo niantsampy fa sendra ny tiany
Toa faly nibitaka tsy toa ny hafaliany
angmba nifanojo ny tia sy ny tiana
Iriako ho fitiavana iray tsy hangina.
nampidoboka fo tsy haiko tohanana
Ahitanao maso 'lay vetsom-pitiavana
nandramako hampita amin'ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/faniriko-akia-malala | Faniriko akia malala | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | FANIRIKO AKIA MALALA
Faniriako akia malala
Ny hitoetra anilanao
Saingy ny asa aman-draharaha
No mahatonga ahy handao
Ka ny ora izay nandalo
No hanoratako ho anao
Amboaran-tonokalo
Ventson'ainga vaovao
Efa ela anie ry tiako
No nivavahako ho anao
Ka ny androm-pifaliako
No tiako hiravoanao
Ka ny ho avin-tsika... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/taiparasy | Taiparasy | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Ho an'ilay tsy nahatana ny voadiny nilaza fa hoe :
fitiavana "TSISY TASY" hay ka feno "TAIPARASY"
TAIPARASY
Herintaona hoatr'izao
Ilay vaninandro nahitako
Ilay salovantavanao
Tamin'ny lalana nombako
Indray mipika kely monja
Isika roa raha niara-dia
Nisangy riaka dobok'onja
Ninia nikambana lovia
Tao ny stiky ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/nitia | Nitia | HASINIONY | NITIA
Eny! Izaho ilay nitia, nifidy azy tamin'ny maro
Nankafia tsy te-hiala nanahy hanam-pahavalo
Ka ny miafina rehetra no naborako toky
Teny mamy tsisy fetra, nampalesina handrotsy
Eny! Izaho ilay nitia, mazana no nahazo latsa
Tsy mba afaka namaly, na dia voahitsaky ny hafa
Ratram-po tsy hay tohaina no mitambol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/i-dada | I dada ... | Pissoa | Any i Dada
Raha tojo hafaliana fa tsy manan-kizarana,
Dia ny hira no alefa, mikalo ilay tanana.
Fa any mantsy i Dada, ilay miramiran-dava,
Mpiara-mihomehy, mampitsiky zany tava.
Rehefa te hiangoty nefa tsisy hifaharana,
Ny fo te hihanta, ny tena lavin-kavana,
Dia i Dada no tsaroana fa izy mahavatra
Manambitamby... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radofano/olona-tsy-mahay-mitia | Olona tsy mahay mitia | Radofano | Mody tia ery ianao
Mahay manafina kilema
Nefa ao ambadika ao
Zava-doza mahonena
Koa heveriko fa tsara
Raha faranana hatreo
Izato pejin'ny tantara
Fandrao tonga hankaleo
Raha ny lasa sy ny vita
Avelao hivalona any
Aleo hadaboka ny antsika
Dieny tsisy ny tomany
Koa veloma sy masina
Fa hisampana ny dia
Ny an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/feno-toky-ny-eja-malalason-yonikafpl-tina-1 | Feno toky | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | FENO TOKY
Nosoratan'ny Ny Eja & Malalason & Yonikafopl "Tina")
Fa mba iza moa ianao
No nahay nambabo ahy?
Izaho no izy akia rahavako
Naneho ilay hatsarampanahy
Feno toky tsy hifarana!
Ka ekeko ho famaranana
Ny hifanomezantsika dina
Hiaraka amiko hifanpitantana
Amin'ny voadin'ny fanambadiana
Eny an-dalam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manda-arivelo/mandehana | Mandehana ... | MANDA ARIVELO | Malala a!
efa niandry ahy hono ianao
niandry foana teo
nefa izaho nihipoka de tao
tsy omeko tsiny ianao raha leo
raha leo ianao de mandehana
f'izaho akory tsy hitana
tsy hihazona akory
ka ' ndeha ny lalanao no zory
f'izaho anie ka moana
toa tsy hiteny na oviana
ka aza miandry eo foana
sao dia very tiana
Ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misa-randria/fianarana | Fianarana | Misa Randria | Mampiady ny saiko
Mila tsy ho arako
Izato enao ry fianarana
Zary tsy hisy fitsaharana
Nahitako mangidy
Ny fahombiazana nihidy
Tanoloako taona maro lasa zay
Tsaroako mbola mahamay
Mila ezaka ny hoe mianatra
Satria hendry ny razana nananatra
Fa lova sarobidy tsy manampaharoa
Irariana ny tsirairay ho tafita soa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/any-izy-angamba | ... any izy angamba | Ny Kanto | Tsara loatra izy iny
Ho an’izao tontolo izao
Feno haratsiana
Bokan’ny habibiana
Angamba lanaka izy ?
Tsy tapaka nanolotra
Hazavana hafaliana
Vaovao tsara nahaliana
Dia leony izy indrisy
Dia nangatsika sy nikimpy
Nahoana anefa izany?
An-danitra any izy angamba
Miahy sy mijery
Ilay tiany manirery
Manina azy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manda-arivelo/ditra | Ditra | MANDA ARIVELO | Tsy azo ataoko hoe:hentitra
ny didy,mifehy ny fitiavako
satria lalan-tokam-penitra
no tsy maintsy hodiavin'tyvatako :
Dia ny hitia anao sahady
tamin'ny kisendrasendran'ny tsy nahy
ny hitia anao hatrany anaty
FO AMAM-PANAHY
HITEMPO MANDRAMATY...
DIA HITIA MANDRAKIZAY ........ |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/taiparasy-1 | Taiparasy | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | Ho an'ilay tsy nahatana ny voadiny nilaza fa hoe :
fitiavana "TSISY TASY" hay ka feno "TAIPARASY"
TAIPARASY
Herintaona hoatr'izao
Ilay vaninandro nahitako
Ilay salovantavanao
Tamin'ny lalana nombako
Indray mipika kely monja
Isika roa raha niara-dia
Nisangy riaka dobok'onja
Ninia nikambana lovia
Tao ny stiky ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misa-randria/namana-1 | Namana | Misa Randria | Namana,
Nofidiko enao satria tiko
Nankatoaviko enao satri ilaiko
Namako enao ka ampiako
Na inona na inona tsy atakaloko
Amiko enao toy ny vatosoa
Mamiratra lava ato am-po,
tsy haiko ny hanadino anao
satria efa ao an-tsaiko ao
ny maha namako anao.
Tsy ho sebanadrahona,
na ady na fialonana
Fa hitohy hatrany h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zo-rado-herizo/hay-ty-jamba-aho | Hay ty jamba aho | Ny zo Rado Herizo | Fitia tsy niova loko
F'ilay tena tato am-poko
no natolotro azy
tsy ankivazivazy
fa tamim-pitiavana
....Kinanjo dia fandavana
Nandrava faniriana
Nandratra ity fo nihevitra fa tiana
No navaliny ahy
Toa mampiahiahy
Satria raha ny fihetsiny, fijeriny, fiteniny
dia toa manambara ny zavatra afeniny
Nahoana aho n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/tany-niaviako | Tany niaviako | ny eja | any ianao izay
ry tany niaviako
gasikara malala tena tiako
any ambadika
any ho any
manina anao aho izany
ka ny embona
no hany sisa
mba mamisavisa
meva tsara loatra
kanto ianao ry eropa
ny jironao mahasondriana
endrikao mahavariana
fa dia tsara kolokolo
nefa kosa ho 'aho tsy hahasolo
il... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/hafa-ihany-ianao | Hafa ihany ianao | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | HAFA IHANY IANAO
Voatanisa jiaby izao rehetra izao
Rehefa injay tsy eto fa lavitra ahy ianao
Ry hany nofidiako sy hany fahasambarako!
Ny jiron'ny fanalako toa mitsilopilopy
Hila tsy ahatafita ny alin'ny ririniko
Ka ny sentom-po no hany mba fihiniko!
Ny momba anao ry tiako, haiko tsianjery
Ao anatiko ao ilay end... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misa-randria/tompoko | Tompoko | Misa Randria | tsara indrindra Ianao
tsy takatry ny saina
ary mba eto éitalaho
ny idrafonao no ilaina
avereno aho hifikitra aminao
aza avela hiodina aho
fa mahafaty izany ary aoka Ianao ihany
no hany aroko sy tokiko
amin'ity fahatanorako
tsy ho azom-pankapanahy
hanao ny tsy medrika
angamba tsy ho sahy
satria ny Fanahinao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasiniony/aoka | AOKA | HASINIONY | AOKA !
Aoka re mba tsy ho Ianao
Ilay endrika voavolavola ka zary fanaka ato anatiko
Mijoloka mamantonalina, mitodra nofy izay tsy tantiko !
Matahotra aho hitia anao !
Aoka koa tsy ho ny tenako
Ilay nandefasanao vinany
Na nandrendrika fijery tao anaty hatsarany
Zohy anie no mba fonenako
Aoka hataoko sanatria
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/fireneko | Fireneko | Pissoa | Tompo o, apetrako eo an-tananao
Ny Fireneko.
Fa io no Reny niaviako,
Io no Reny mbola hodiako,
Io no Reny fiereko.
'Zahay zanany isan'andro ampionao
Ho loha-laharana.
Mba ho zanaka miarina.
Mba ho zanaka mpanarina,
Sy hery azony hifaharana.
Ireo mpitondra hitalahoako aminao
Hanao ny rariny.
Tsy ho mpitondra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahorani/loko-maintin-ny-fitiavany | Loko maintin ny fitiavany | mahorani | LOKO MAINTIN NY FITIAVANY
Raha toa ianao tsy mety mino;
Anontanio izy ka hamaly:
Am-pahatsorana: holazainy!
Fa sarotra ny manadino,
Ny tsio-drivotry ny omaly
Manento ny ady nozakainy.
Ny lokon'ny eo an-tokontaniny,
Sy ny vavahady miditra iny:
Efa hainy tsianjery!
Noho ny ora maro laniny;
Niandrasany ny tiany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nali/miandry | --miandry...-- | Nali | --MIANDRY--
Misy hazavana lafatra
Imasoko eto alohako eto
Misy rahona manafatra
Fa handalo hono izy ho eto
Misy aizim-pito angamba
Ambadik'izao tontolo izao
Fa ny olony efa jamba
Anatiny ao angamba izaho?
Misy ora iray izay
Andrasako eto anio izao
Misy andro iray indray
Izay vao tonga izy 'ndrao?
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nali/ry-zandriko-ho-anilay-zandriko-nodimandry-7-taona-monj | --ry zandriko--(ho an'ilay zandriko nodimandry 7 taona monj | Nali | ---RY ZANDRIKO---
Raha ho alina ny andro ka tsy hisy fiafaràny
Nofinofy ihany izany
F'ilay zandriko tsy foiko,mamy indrindra teto an-tany
No nanadao ity akany.....
Raha ho ritra ,tsy hisy intsony aza izato ranomasoko
Izaho tsy maintsy mitomany...
Fa ny hanina azy izay,toa mitambatra ho ankasoko
Tsy ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/iza-no-diso | Iza no diso ... | Pissoa | Iza no diso?
Tsy mba nanana mpiahy fa vao terak'izy dia kamboty.
Nolavin-dray, tsy velon-dreny ka natory teny an-dalana.
Tsy mba nahazo tambitamby, tsy nahalala izay niangoty.
Tsy mba nisy nanabe, tsy mba nandia izay fianarana.
Niandrandra fahalalana, saingy indrisy tsy nomena.
Mba niandry ampiantranoina fa ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/ambohitrimanjaka | Ambohitrimanjaka | Jeankely Razafimamonjy | Ao am-pitakelin'Iarivo
No misy ilay tana iray
Tsy mba maro mpanarivo
Tao no nahabe anay
tanana kely mangingina
Tsy dia be mpahalala loatra
Lavi-java mahaliana
Tao izahay no nitoetra
Tsaroako loatra ireo tantara
Nolalovan'ny fahazazana
Tao ny ratsy tao ny tasra
Nefa dia nahatamana
Ao daholo ireo sakaiza
No ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/tafolanitra-ny-foko-val-tonokalonny-eja-hoe-tiavo-ilay-v | Tafolanitra ny foko (val tonokalon'ny eja hoe tiavo ilay v | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | TAFOLANITRA NY FOKO
Indro hatsotrako ny tanako
Hiondananao rahavako
Hampanofy mamy anao
Ilay Paradisa soa sy vao
Saha-Edenan'ny Fitiavana!
Indro homeko hanjakao
Ny fiainako ho anao
Ho ravahanao maharitra
Toy ny rahona eny an-danitra
Taratry ny hasambarana!
Indro aho hanetry tena
Sy hanao ilay fanekena
Hito... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nali/raha | ---raha... | Nali | RAHA.....
Raha niova loko indray izany volon-danitray
Dia ho faty ve ny jirony?
F'ilay jiro izy nitondra izany hasambaranay
Diva ho lany koa ny ilony...
Raha nanerika ny andro teo an-tokotaninay
Tsara izany,tena lafatra
Ity izaho izay manirery ambon'ny farafaranay
Izany angamba no efa lahatra
Rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/tsara-loatra-ianao | Tsara loatra ianao ! | ny eja | tena tsara loatra ianao
Dia toa tsy sahiko jerena
anefa anie ity masonao
mandinika ahy tsy hay fefena !
eny tsara ho aho ianao
ka tamin\'izay tsy mba ninoako
izaho izay tsotra kely itony
mety hambabo koa ny fony ?
dia natopinao indray
handinika ahy ilay fijery
izaho niafy ny nanahy
menamenatra irery!
ary n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/mariazy | Mariazy | Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO) | "Raha mba hitanareo re ny malalako dia inona no ho lazainareo aminy? lazao fa mararim-pitia aho" (TonSol 5:8b)
MARIAZY
Fony ianao vao hitako
Dia noresahiko ho sipako
Fa tsy mbola tokatrano!
Asa anefa izay no lahatra
Fa mipariaka tsy mitsahatra
Ilay divolam-pararano!
Felam-bony te ho hanitra
Mihosodoko toy ny l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/tsara-loatra-ianao-1 | Tsara loatra ianao! | ny eja | tena tsara loatra ianao
Dia toa tsy sahiko jerena
anefa anie ity masonao
mandinika ahy tsy hay fefena !
eny tsara ho aho ianao
ka tamin'izay tsy mba ninoako
izaho izay tsotra kely itony
mety hambabo koa ny fony ?
dia natopinao indray
handinika ahy ilay fijery
izaho niafy ny nanahy
men... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mbola-ho-avy-ilay-maraina | MBOLA HO AVY ILAY MARAINA | Fredy Jaofera | MBOLA HO AVY ILAY MARAINA
Mbola ho avy ilay maraina
Hampiova ho hasambarana,
Hampitondra lamin-tsaina,
Tsy ho hitanao mifarana.
Mbola ho avy ilay maraina
Hampitsahatra eo ny lasa,
Hampiravo raha dradraina
Sy hampiteny ireo kinasa.
Mbola ho avy ilay maraina
Hampitsinjaka amin'izay
ary handoro ireo taraina
mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/dia-nisy | Dia nisy... | ny eja | Dia misy ny tsy misy
Ifohazan’ireo mason’ny
Fanahy avenavenan’
Embona sy tsiahy
Dia misy ny tsy hita
Miezaka mampita
Ny sarotra afenina
... Sarotra tenenina
Tena misy re ry lahy
Ny Mpamohafoha fanahy
Isentoako ... tsy indrisy
Ilay indray andron’i Parisy
Jardin de luxembourg , Parisy 22/05/05
"ho fahatsia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/iza-no-diso-1 | Iza no diso ... | Pissoa | Iza no diso?
Tsy mba nanana mpiahy fa vao terak'izy dia kamboty.
Nolavin-dray, tsy velon-dreny ka natory teny an-dalana.
Tsy mba nahazo tambitamby, tsy nahalala izay niangoty.
Tsy mba nisy nanabe, tsy mba nandia izay fianarana.
Niandrandra fahalalana, saingy indrisy tsy nomena.
Mba niandry ampiantranoina fa ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/lasa | Lasa | ranaivoharijaona rado liantsoa | Lasa ery nysaiko
Mijery anao matory
Tsy lasa aiza akory
Fa lasa manonofy
Ilay vatanao tsy tazako
Anaty bodofotsy
Satriko iantsampazana
NEFA TOA TSY TAZANA |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/tiavo-ilay-vehivavy | "tiavo ilay vehivavy " | ny eja | Raha ny fitiavana itiavako
Anao irery ange rahavako
No mambabo saina, fo
Babon'ny fitiavana aho
Eny andevony tokoa!
Raha ny fitiavana itiavako
Anao irery ange rahavako
No mahefa izay irina
Ho an'ilay olo tiana,
Dia ny kintana any an-danitra
Arindrako hahafinaritra
Hanoratra ny anaranao.
Ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry-raonizanany/kidoro-mavokely | Kidoro mavokely... | Thierry RAONIZANANY | kidoro
mavokely
misy saka
mihorirana,
vitsika
mipetaka
amin'ny kesika
mangirana,
fitaratra
mandranty
pataloha
velondrirana:
maniry ny feonao aho -
maniry
ny feonao
aho
ry Mpanjakako ! -
in NATERAKA INDRAY - laharana 68 - |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/ny-antom-pisiako-214 | Ny antom-pisiako | ny eja | Raha toa ianao nisy
Dia inoako mihitsy
Fizay no antom-pisiako
N soritr'endrikao
N bikanao tontolo
Dia tsapako fa tiako
Ny teny nomenao,
Hatreny ambony fiara
Narahiko finoana
S'ilay tsy ambarambara
Nifamatorantsika,
Toa sarotra hadinoina !.
Raha toa ianao ka nisy
Ka nanjoy ny diako,
Dia fantaro mihitsy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry-raonizanany/mahafaka-hetaheta | Mahafaka hetaheta... | Thierry RAONIZANANY | mahafaka
hetaheta
ny akoho
ve
ny rano
eran'ny sotrokely ?
in NATERAKA INDRAY - |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry-raonizanany/dia-zahay | Dia 'zahay... | Thierry RAONIZANANY | dia 'zahay
namboatra làlan-kely
izay mampitohy ny lanitra aminay -
ary io no fiainanay
maraina
hariva
antoandro -
dia 'zahay miresaka tantsambo -
dia 'zahay
miresaka
tandapa,
dia 'zahay
miresaka
ny renirano kely avy any Libanona -
in " NATERAKA INDRAY " laharana 48 - |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kathia/tsy-mendrikahy-ianao | Tsy mendrik'ahy ianao | kathia | Izao tontolo izao,ny fitiavako rehetra
Notolorako anao tsy nilaiko fepetra
Tsy nasiako fanenenana fa nataoko antsitrapo
Satria notiaviko ianao,notiaviko tokoa
Na fitiavana na vola,tsy mba nisy notsitsiko
Fa natolotro anao ,ho anao ry olontiako
Ny herimpoko,ny herintsaiko,s'reo rehetra ankoatr'zay
Dia nafoiko an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/dada-sy-neny | Dada sy neny | Ny Kanto | Ianareo
No nampianatra ahy hampitony
fo sy saina ary fanahy
Mba haharitra amin’ny ady
Sy sedram-piainana mandalo
No nampahatsiahy ny fiandrasana
Raha miandrandra fanambinana
Mba hahay ho faly sy ho ravo
Rehefa miaina fahombiazana
No nampihazona ny tsiky,
N’inona n’inona miseho,
Tsy hiala teo an-tavako
Ekeko... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.