url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kathia/tsy-mendrika
Tsy mendrika
kathia
Izao tontolo izao,ny fitiavako rehetra Notolorako anao tsy nilaiko fepetra Tsy nasiko fanenenana fa nataoko antsitrapo Satria notiaviko ianao ,notiaviko tokoa Na fitiavana na vola,tsy mba nisy notsitsiko Fa natolotro ho anao,ho anao ry olontiko Ny herimpoko,ny herintsaiko sy reo rehetra ankoatr\'zay Dia nafoiko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nali/manina-1
-manina-
Nali
-MANINA- Torotoro indray ny fo Malahelo ny any aminy Manimanina aho izany Vetsovetso ts'hita laniny Any izay tanàna izay Toa tananan-torimaso Injany fiara indraindray Zary sompatra sy ankaso Tiako loatra lahy ianao R'ilay tanàna mangingina Tiako izato anaranao Toa miantsy mpivahiny Torotoro indray ny fo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry-raonizanany/fiara-efatra-efatra
Fiara efatra efatra
Thierry RAONIZANANY
Fiara efatra efatra makadiry vao hanaovana tranony: " Lova io", hoy ilay niakatra tsy tamin'ny tohatra, " Herim-po io" , hoy ilay nihady lava-drano sy nahita ny volana latsaka tao, " Fanampiana io", hoy ilay nameta-pitaratra nohatonim-boro-moana, Fa hoy ilay nateraka indray : " tsy lova io, tsy herim-po,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/raha-1
Raha ...
Pissoa
Raha mba azonao an-tsaina Ny tonom-bavako maraina, Ny hirahirako atoandro, Na ny vetsoko amin'ny alina, Mamisavisa ilay andro Hitondra hafaliana lalina, Tsy sahinao ny nandao. Raha mba nosaininao Fa tsy mahalala reraka aho Mba ho soa ny hoavintsika. Miady irery, miady mafy, Manantena ny hanjopiaka Ka mifofo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/salanitra
Salanitra
Pissoa
Saika mbola hananihany, Hanaraby, hamazivazy; Kay ny fo efa no tomany, Tsy mety fa hanaraka azy. Saika mbola hamilafila, Na hampivelatra safidy; Saika hamaly hoe tsy mila, Fa ilay fo nikiribiby. Saika hampiseho ambo, Te hiseho angaha hoe matotra? Kanjo tapaka ny rambo, F'efa babony, voafatotra. Saika hamela...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry-raonizanany/teto-izahay
Teto izahay...
Thierry RAONIZANANY
Teto izahay, nitady Anao teto izahay, nidera Anao - Ianao nahita tsara ny fizotrany teto fito taona fantatrao ! Teto koa 'zahay nilalao orana, teto koa 'zahay namisavisa - teto, tany anaty lalamby, na tany anaty rahona na ala mifanjevo - Teto, eny teto, ary eto indray androany, mba manina azy aho Tompo - Asa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry-raonizanany/kidoro-mavokely-1
Kidoro mavokely...
Thierry RAONIZANANY
kidoro mavokely misy saka mihorirana, vitsika mipetaka amin'ny kesika mangirana, fitaratra mandranty pataloha velondrirana: maniry ny feonao aho - maniry ny feonao aho ry Mpanjakako ! - in NATERAKA INDRAY - laharana 68 -
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry-raonizanany/iriko-izy
Iriko izy...
Thierry RAONIZANANY
Iriko izy ho efa " ilay nateraka indray" , Iriko izy ho mpiantsa sy mpangoraka ny voronkely jenjina ao anaty zavona, Iriko izy hihira izay hiraiko, Iriko izy ho hipoka ny Tenin'Ilay mpandidy ny maraina - in NATERAKA INDRAY - laharana 7 -
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahafaly-barson-lahivelo/nyko
Ny...ko
MAHAFALY Barson Lahivelo
Ny…ko Ny fiainako… Tsy fiainana fe fiainana Rakotry ny fanaintainana Na fiainam-pahoriana Anjakan’ny fijaliana Fa fiainana voarindran’ ny Herin’Ilay Avo Indrindra… Ny hirako… Tsy hirahiram-poana Entina handaniam-potoana Na hiran’ny adala Tsy misy mahalala Fa hira tena ilaina Mamelombelona aina Ary ny fit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafindratsima-ndremahery/ainga-mpanahy
Ainga-mpanahy
razafindratsima ndremahery
AINGA-MPANAHY Navelanao handeha tsy narahinao tambiny tsy norohizanao kofehy ...ka lasa Tsy mba hevitra ampiadiana tsy mba tetika ifandrafiana fa ainga-mpanahy ....ka tsy tana fa lasa nidify nanidina niova ho hira nisidina nitety ny tontolo niodidina ....dia lasa fa lasa nidify nanidina niova ho hira n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahafaly-barson-lahivelo/gasy-aho-hatrany-hatrany-1
Gasy aho hatrany hatrany
MAHAFALY Barson Lahivelo
GASY AHO HATRANY HATRANY Gasy aho, Gasy hatrany raha tany koa ny tany. Gasy aho, tsy azo ovana. Gasy aho, tsy haiko ialana. Na hatao an-taratasy hoe izaho tsy Malagasy, tsy hisy heriny izany. Fa Gasy aho, Gasy hatrany. Gasy aho ,Gasy reny, Gasy fomba sy fiteny. Gasy aho, Gasy ray, Gasy aho mandrakizay. Gas...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahafaly-barson-lahivelo/gasy-aho-hatrany-hatrany-2
Gasy aho hatrany hatrany
MAHAFALY Barson Lahivelo
GASY AHO HATRANY HATRANY Gasy aho, Gasy hatrany raha tany koa ny tany. Gasy aho, tsy azo ovana. Gasy aho, tsy haiko ialana. Na hatao an-taratasy hoe izaho tsy Malagasy, tsy hisy heriny izany. Fa Gasy aho Gasy hatrany. Gasy aho ,Gasy reny, Gasy fomba sy fiteny. Gasy aho, Gasy ray, Gasy aho mandrakizay. Gasy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/neny
Neny
Miarantsoa Anicet
Neny .... Fanaka malemy fa mafy herin- tsaina. Neny ... ' Lay hany Reny nandimby Ray tsy satry . E! Ny Reniko Misahana ny etsy Sy mamita ny eroa. Mpitoto nahafotsy Sy mpahandro nahamasaka. Izany fahoriany Mahita ahy ilay tiany Mitanondrika sy ory Na mavozon- tsorisory. Fa ....Neniko iny manko Mafy herin- ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/tsilaitra-mihitsy
Tsilaitra mihitsy
Tsilaitra
fa toa mahitsihitsy ny teninao sakaiza F'enao angaha sakaiza tsy mba notinaiza anaja fitenenana? tsy zakako iny indrindra enao rehefa mamindra manao itsin-dalana enao angaha ry namana tsy mba nampianarina andeha ny lala-marina?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/tsy-misy-lohateny
Tsy misy lohateny
Tsilaitra
Raha tsy tia lay tiavina moa tsy mahatsiravina? tsy aleo mangiana foana? mandriatra ny fotoana Ahafahana misaina toy izay onena sy ongaina fa izy natenaina tsy azo mba zaraina sy iarahana mitavana De izay le fitiavana. sa aiza no atolotra Lay tsy atendo-molotra Sy vokatry ny fo Sa, tehirizina ho lo?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahafaly-barson-lahivelo/tsy-noho-ianao
Tsy noho ianao...
MAHAFALY Barson Lahivelo
TSY NOHO IANAO… Tiako ianao malala… Tsy noho ianao tsara tarehy Tsy noho ireo tsikinao sy hehy Tsy noho ny bikanao tsara Tsy noho ianao aran-tantara… Tsy noho ny volonao lava Na ny masonao mazava Tsy noho ianao tsara fanahy Na noho ianao mendrika ahy Tsy noho ianao nanaiky koa Tsy noho ny amintsika roa… Tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahafaly-barson-lahivelo/lay
'lay...
MAHAFALY Barson Lahivelo
‘LAY ‘Lay volonao nihofahofa notsofin-drivotra tsy nahy, no nanaitra sy namoha ‘lay fitiavako nifahy…natoritory hatrizay…tsy nitia… ‘Lay tsikitsikinao niantefa tamiko ‘zaho samirery, no namboatra ka nahefa ‘lay fitiavako hahery…mba hitory amizay… ‘lay fitia… ‘Lay bitsibitsikao nalefaka nampian’ny endrikao sar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/any-andro-iray
Any andro iray
oceane
Fa any andro iray izay hanadinoako ny aminao rehetra Any andro iray tsy ahatsiarovako ilay antsika hatramin'izay Dia any andro iray hivadika ho lasa ireo vita hatrizay DIa ho avy ny andro iray hanembona tsy satry ny antsika koa ianao Ka ho avy andro iray ahatsiaro ianao mangina ireo antsika tsy ho iray A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahafaly-barson-lahivelo/raha-mba-azoko-natao
Raha mba azoko natao...
MAHAFALY Barson Lahivelo
Raha mba azoko natao… Maria… Raha mba azoko natao Ny nanoroka anao Na dia indray mandeha ihany Dia ho nataoko izany Raha mba azoko natao Ny namihina anao Na dia indray mandeha ihany Dia ho nataoko izany Raha mba azoko natao Ny nisakambina anao Na dia indray mandeha ihany Dia ho nataoko izany Raha mba azok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/neny-1
Neny
Tsilaitra
NENY Zahay tsy mety hangina na ho gina sady sina fa mbola amela rima ho an'i Neny Tiana zahay tsy maintsy ibada idera sy ankalaza fa ny vadinao ry dada de olo-manan-kaja lay reny nahabe nampianatra nadeha feno fahendrena rehareham-pirenena
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/tolona
Tolona
Tsilaitra
Satria tolona ny etoana Mitolona amin'ny taona sy ny zava-maro hafa sanatria ve tsy tsaroana ny ady efa vita sy ny maro hafa sisa? Satria tolona ny fiainana de sento sy taraina ve no hameno ny maraina ? Satria filoha nareo de adinodino kely Ny rano novinely?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/ry-sakaiza-tsara
Ry sakaiza tsara
ny eja
Ry sakaiza tsara, etsy ianao ambarako fahendrena soa ry sakaiza tsara, avia hotantanako izato tananao dia henoy aho: aza dia arahana ozona avokoa izay manaratsy anao andraso ny ao ambony dia miezaha ho tony. ry sakaiza tsara, mahaiza aloha mangina raha sendra mpahay vava mandrangitra hakivian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bana-rahalahy/vazo-mora-malazo-loatra
Vazo mora (mal)azo loatra
Bana Rahalahy
"Hafatra ho an'ny zanaka vavy" Avoavoin'ny vava mpandoka ka indro sodoka manao teli-moka. Ijijijijian'ny antsanga tsy aman'oran'ny zatovo mamba Dia anaty vovo no milangalanga. Asa ? Efa tia manandrakandrana kosa angamba ? Ny dobo tsy hita no mahamanimanina ... Fa raha milomano izay sendra mandalo Azo inoana mar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/mamy-ny-alina
Mamy ny alina
Miarantsoa Anicet
Mbola mamy foana ny alina Na tsisy anao aza. Tiako foana ny alina Na tsy tia ahy aza ianao. De mbola tia anao koa aho... Ravin- kazo tafasaraka aman- taho. De mbola tiako koa ny tori-maso mamin' ny nofiko mangidy. Izaho te handidy ny saiko tsy hitadidy, Miezaka midify An' iry menafify Anembonako anao Nefa he...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ho-ani-neny
Ho an'i neny
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
HO AN'I NENY Ry Neny ! Amin'izao fety izao Dia tsy mba manana aho Vatosoa na volamena Na sakafom-pitoloha Ho fanomezana ho anao Fa indro misy akanjo kely Novidiako teny an-tsena Ho porofo hanambara Fa tsy adinoko i Neny Nikely aina ihany aho Mba hividy tsaratsara Ho tinafinao mianjaika Nefa indrisy ho ah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahafaly-barson-lahivelo/gasy-aho-hatrany-hatrany
Gasy aho hatrany hatrany
MAHAFALY Barson Lahivelo
GASY AHO HATRANY HATRANY Gasy aho, Gasy hatrany raha tany koa ny tany. Gasy aho, tsy azo ovana. Gasy aho, tsy haiko ialana. Na hatao an-taratasy hoe izaho tsy Malagasy, tsy hisy heriny izany. Fa Gasy aho, Gasy hatrany. Gasy aho ,Gasy reny, Gasy fomba sy fiteny. Gasy aho, Gasy ray, Gasy aho mandrakizay. Gas...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafindratsima-ndremahery/nandrehitra-ahy-ny-teniko
Nandrehitra ahy ny teniko
razafindratsima ndremahery
NANDREHITRA AHY NY TENIKO Ilay fiteny no nandrehitra ny ao am-ponao nangatsiaka Teny angola izay ihany dia nahavaky ilay riaka, Dia ilay riakam-pahatsiarovana Nibosesika gorobaka Niboiboka tao am-po, nampitsiry ilay lemaka ... Nampidoroboka ilay mifemaka Dia ilay tsiaro Ny "any ho any" Any izay 'lay tany mamy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iza
IZA ?
Fredy Jaofera
IZA ? Iza no tsy nilaza fa tsy hahavita zavatra 'zay nitondra rehetra sy ny olom-boafidy, kanefa jereo ary mbola aiza no mifatratra ny fiainam-bahoaka raha hoe sarobidy ? Iza no tsy nilaza fa tsy hahavita an'itsy na an'izao rehefa tonga amin'ny tanjona, kanefa nahoana no toa tsy hita mihitsy, niova ho olon-kafa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafindratsima-ndremahery/ny-omaly-mantsy-miangatra
Ny OMALY MANTSY MIANGATRA
razafindratsima ndremahery
NY OMALY MANTSY MIANGATRA TSY MBA NOLAZAINY AKORY hoe : RAHA VAO DILA NY ANDROANY DIA AMPIRIMINY HO TANTARA ARY HO VOTAHIRY TSARA ILAY TSY VOAVIRAVIRA ILAY TSY VOAKIRAKIRA ILAY ANIO INDRAY NITSELATRA NOFY SISA LASA HIKOPAKELATRA NY OMALY MANTSY NIANGATRA IZY ZAY TSY MBA NANANATRA IZAY FOMBA HIFIKIRANA N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/merinaforever/aza-mandika-vilana-1
Aza mandika vilana
Merinaforever
Aza mandika vilana Aza misy tezitra na misafoaka Ka hanao valin-teny maivana loatra, Fa na ny votsa saina,na ny maranitra Dia samy afaka miantso Andriamanitra Saina,fitiavana,ary koa fahendrena No anisan'ny tanjona tsy maintsy kendrena Nefa ny "filazantsara" no toa voakirakira Isaky ny mivalana kely ny hira. A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/fanotaniana-faharoa
Fanotaniana faharoa
Oully
Tia na ho noana Tia na ho foana Tia na ho moana Tia na hisaona Tia fa nahoana? Nahoana no ianao? ... satria nahatsiaro ilay dimy volana lasa. Andamioly
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/tsisy-fisaorana
Tsisy fisaorana
Miarantsoa Anicet
TSISY FISAORANA Nolazainao fa naratra ... Hoe : naratra angaha ny foko Fa VoaroNjinao ? Tsia de tsia ry aiko ! Diso manko ianao . Diso sy midraiko amin' ny hevi - dravinao . Diso tSy miraika amin' ny hevi- dratsinao. "MIsaotra anao " no teny Anaovako veloma . "Misaotra anao " ombieny Ry vorona zana - domo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/merinaforever/aza-mandika-vilana-2
Aza mandika vilana
Merinaforever
Aza mandika vilana Aza misy tezitra na misafoaka Ka hanao valin-teny maivana loatra, Fa na ny votsa saina,na ny maranitra Dia samy afaka miantso Andriamanitra Saina,fitiavana,ary koa fahendrena No anisan'ny tanjona tsy maintsy kendrena Nefa ny "filazantsara" no toa voakirakira Isaky ny mivalana kely ny hira. A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriatsitohaina-h-j-l-detekitiva-detekitiva/tsy-variana-1
Tsy variana
Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva)
Tsy resy tsy akory ry tiana Ny olo-magina fa miretreitra ny aty aaoriana Fa tsy variana Ny olon'ny fo No tonga dia miatroatra Ohatra ny ronono mandroatra F izaho kosa Tsy variana Mbola ho avy avy aho Heriniaina Fa aza miferinaina Fa tsy very akory ny saina Fa somary malaindaina Ny tsiky kely fotsiny No n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahafaly-barson-lahivelo/fitia-hafakely
Fitia hafakely
MAHAFALY Barson Lahivelo
FITIA HAFAKELY Ilay foko tene tia, tena tia anao Maria, tsy mba azoko hazonina, tsy mba haiko kobonina. Tena tiako ny hilaza, eny na tsy mendrika aza, ny fitiavako anao, ka azafady mba zakao. Tena tiako re ianao. Tena tiako amin'ny foko. Fantatro fa fantatrao, Raha izany soradoko. E ry foko diso lalana sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratsimba-georges/ilay-voadiko
Ilay voadiko
RATSIMBA Georges
1-Manana voady ny foko, Voady natao hatry ny ela Ventesiko, kolokoloiko Tsy maty fa mbola tavela. 2-Na inona zava-mihatra, Tanako izay, voady izay Tsy avelako ‘zay raha tsy tratra Na ampitso na mandrakizay. 3-Na zovy mitady haniny Fa sarotra loatra ‘lay voady, Tsy ahoako fa vao maika iny Hampitroatra ny saik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafindratsima-ndremahery/very-ilany
Very Ilany
razafindratsima ndremahery
Very ilany Tsy nahita tory nivadibadika Namihina ondana misamboadibadika Fa very ilany, very vady Akoho voakapoka, resy tsy miady. Mamaky loha sola fa tantaraina tsy zaka irery ka mba zaraina Lasa i Rafotsy tsy tratra an-trano. Nanara-drafy ahita angano Mipenimpenina aho miteny irery Mihivingivina, tsy mahar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/ilay-safidinao
Ilay safidinao
oceane
fa misy fanantenana handray ilay hafatrao fa misy fo iray miandry izay ho lazainao kanefa ianao tsy taitra fa lasa tsotra izao ka na ny hamarana aza tsy vitanao natao tsy mampaninona ahy fa fantatro tsy nahy na tsy ho lazainao fa izy ilay vaovao ny hanadino anao toa tsy vitako hatao ny tsy hierika ireo la...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriatsitohaina-h-j-l-detekitiva-detekitiva/na-dia
Na dia .....
Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva)
Eny na dia efa hatrin'ny hela aza ny Tsy ny fankahita dia tsy maintsy hihaona isika Na dia efa ela aza ny tsy mba nitafa Ny fifankatiavana dia tsy voafafa Na dia efa hatrin'ny ela aza ny tsy nifampiteny Dia tsaroana foana ombeny ombeny Na dia na dia tsy mifakafoy aza isika Dia hinfakahita eny hifankahita Ka ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/aoka-tsy-ho-tsiniko
Aoka tsy ho tsiniko
ny eja
aoka tsy ho tsiniko ny hamoy anao dieny mbola tsy ela loatra satria ny fombanao miavona dia indro tena tafahoatra , hany ka namoha ity hamboko, hikiaka tsy hay vitranina fa \'lay fitiavanao feno filafila sarotra fantarina aoka tsy ho tsiniko ny miangavy mora fa aleo aloha hatreo, satria tsy dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahafaly-barson-lahivelo/tsy-sasatra-aho
Tsy sasatra aho...
MAHAFALY Barson Lahivelo
TSY SASATRA AHO..... Tsy sasatra aho manoratra Manoratra aminao Ny saiko e misokatra Toa mahita atao Tsy sasatra aho miteny Miteny aminao Ilay fitiavako, eny, Fitia ho anao Tsy sasatra aho milaza Milaza aminao Na dia tsy sahaza Izao ataoko izao Tsy sasatra aho mamerina Mamerina aminao Tsy hoe miala-nenin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahafaly-barson-lahivelo/dokadoka-olontiana
Dokadoka olontiana
MAHAFALY Barson Lahivelo
DOKADOKA OLONTIANA Ireo rantsantongotrao kelikely lavalava, ravahan’ireo hohonao tena mampitampim-bava. Ireto voavintsinao: mandimandina sy kanto. Tsara tsy mba mankalao ny famindranao milanto. Ireo fenao tsara voatra, tena mampitelina ivy. Eny tena tsara loatra, toy ny zava-marikivy... Ireo nononao roa: ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriatsitohaina-h-j-l-detekitiva-detekitiva/tsy-variana
Tsy variana
Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva)
Tsy resy tsy akory ry tiana Ny olo-magina fa miretreitra ny aty aaoriana Fa tsy variana Ny olon'ny fo No tonga dia miatroatra Ohatra ny ronono mandroatra F izaho kosa Tsy variana Mbola ho avy avy aho Heriniaina Fa aza miferinaina Fa tsy very akory ny saina Fa somary malaindaina Ny tsiky kely fotsiny No n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/tiako-ny-taniko
Tiako ny taniko
Fiaritiana
TIAKO IANAO RY TANIKO TSY MBA HO ADINOKO FA TOY NY RAHAVAVIKO TIAKO IANAO RY TENIKO AMBARAKO HATRANY FA TSY MBA AFENIKO LALAIKO IZY MANTSY KA TSY AVELAKO HISY HANARATSY LALAIKO IHANY KOA SATRIA TAO NO NAHITAKO IZAY NAHASOA TSY ATAKALOKO NY HAFA AROVAKO KOA RAHA MITADY HISY HAKA TSY AMIDIKO AKORY SAROBIDY NY ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/merinaforever/aza-mandika-vilana
Aza mandika vilana
Merinaforever
Aza mandika vilana Aza misy tezitra na misafoaka Ka hanao valin-teny maivana loatra, Fa na ny votsa saina,na ny maranitra Dia samy afaka miantso Andriamanitra Saina,fitiavana,ary koa fahendrena No anisan'ny tanjona tsy maintsy kendrena Nefa ny "filazantsara" no toa voakirakira Isaky ny mivalana kely ny hira. A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadarabe/tarafiko
Tarafiko
DadaRabe
TARAFIKO Tarafiko ao anatin’ny masonao mijery... Ny ora fahasambarako, Tavaniko eo anivon’ny feonao miteny... Ny andro fahafahako. Tsihifiko eny imolotrao manonona ny anarako ... Ny loharano tiako, Tsinjoviko amin’ny tsikinao manarona ny tavako... Ny rotsy fatoriako. Tadiaviko eny an-tratranao midoboka amponga...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/neny-o
Neny o!
Joh
Ry neny ô ny fitiavanao No niankinako Ka nahatonga ahy Ho lehibe tahak'izao Neny ô inona e! no havaliko anao Mba ho tonga lafatra ny fifalianao ? Ry neny ô raha izaho Dia fantatrao Tsy hahavaly Ny faran'ny fitiavanao Neny ô hivavaka mba ho anao Mba ho tonga lafatra ny fifalianao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/tsy-azoko-lavina
Tsy azoko lavina
Andriamihaja Johan (H-mainty)
Tsy azoko lavina! Tsy pika marevaka talakin’ny maso, ‘zay samy hafa loko Na raozy madera eny antampon’Ankatso no mami’ny foko Fa violety kely tsy be mpahalala fa takon’ny ravina Io no voafidy ho any malala ka tsy azoko lavina Tsy ‘rony mamiratra be rentirenty, toa volombolory Na vonin’avoko eny antampo-tanety, ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/ry-tiako
Ry tiako
Joh
Tiako loatra ianao ry aiko Tsy voasakako ny saiko Tsy hieritreritra anao N'inona n'inona atao Na mandeha na mitoetra Amin'ny androko rehetra Ao an-tratrako ianao Ry tiako Mangirifiry loatra Ny tsy mahita anao Nefa tsy afaka manoatra Ary tsisy azo atao Mbola lavitra ny dia Ho diavintsika roa Raha izaho alo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/moa-mba-fantatrao-ve
Moa mba fantatrao ve?
Fiaritiana
moa mba fantatrao ve ? fa misy fo mitempo ho anao, nefa tsy fantatrao akory, tena babonao ny fony, moa mba fantatrao ve? f efa naharitra ela izany, ka anio no hivononako, hamborahako azy anao, moa mba fantatrao koa ve? hoe marary loatra ity foko, mahita anao tia olon kafa, ka aza avelanao haratra ...... a ! tiako an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikopol-1/raha-hitanao-izy
Raha hitanao izy
Nikopol
RAHA HITANAO IZY Raha hitanao izy, Lazao fa tsy alahelo, Na koa lolom-po Ny eritreritro aminy… Ireo rivotra nifofo, Sy ny kotro-baratra Nisarahanay… Tantara sisa ireny… Ny aminay ve? Fo roa nanganohano, Mbola virijiny, Nianatra nitia. Fitiavana voalohany, Naraham-belirano. Fifanomezan-toky, Ny haharitra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/kristy-jesosy
Kristy jesosy
Miarantsoa Anicet
KRISTY JESOSY Kristy Jesosy no velona ato anatiko . Fantany avokoa izay fisedrana tantiko . Raha marary aho ... Izay no sitrany . Raha sitrana dia sitrany! Kristy Jesosy no hany loha- lalako , Mpiaro sy Mpiahy : Lohan' ny laharako . Ka ny asan' ny Devoly rakofako am' ràny , Tsy manan- kery izany ! Kristy Jesos...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/neny-2
Neny
Fiaritiana
ilay nitondra sivy volana izay niaritra ny mafy na ny mora na ny sarotra dia mbola izy koa no niafy nampianatra ahy nibada, nampianatra niteny tsy iza akory izany fa ianao ihany ry neny nanitsy ny hadalana,nanoro izay mety eny !anio tokoa ilay andro, anio tokoa ilay fety tsy nihambahamba ianao, tsy sasatra manana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/28463883/tazy
Tazy
(2.8.4.6.3.8.8.3)
tonga ny noely faly be tazy fa andeha hi... hilalao tazy rehefa mangateta i tazy de manao ve....... kay lery tazy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianiaina-fidelis/fid-e-lis
fid é lis
ANDRIANIAINA Fidelis
Lazalazao hoe ny anaranao fidy: hono ho aho ry lisy mitokatoka-monina mandinika ny misy sa mitsaoka monomonona no miavaka amy maro sy manajanaja tena mandà tsy hifangaro amy vonindraozy mena lisy: izaho anie ry fidy no mitokatoka-monona dia lisy lafo vidy miavon olona hatonina sady fotsy ny fitafy ka s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/ry-taniko
Ry taniko!
Joh
Mamiko sy tiako ianao ry Taniko Zay nahalatsahan'ny Tavoniko Tao aminao no nipoirako Ary koa mbola hiafarako Vonona aho ry taniko Ka izao no faniriako Hanao zay azoko atao Mba hampandrosoana anao Rehefa tsy eto intsony aho Ireo taranako mbola ao ka izy ireo no ampianariko Ny momba anao ry Taniko!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ity-malalanao
Ity malalanao
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
ITY MALALANAO Ry voromailalako! Mangina tsisy feo Mahatsiaro manirery Fa lavitra anao Feno ratra anaty Ny embon'olon-tiana "Ity Malalanao" Very saina toa adala Mipitra irery toa kamboty Maniry fahasambarana Tsy mandry fa matory Mikipy nefa mihiratra Rahoviana no hifarana?... Ry Liona Tanorako! Raha sitra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/28463883/tazy-1
Tazy
(2.8.4.6.3.8.8.3)
tonga ny noely faly be tazy fa andeha hi... hilalao tazy rehefa mangetaheta i tazy dia manao ve....... kay lery ......... tazy fantatrareo tsara fa i tazy dia mahay gitara sady be z....... alohan'ny matory hoy i tazy jereo ty .......... fa feno
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/alohan-ny-hahafatesako
Alohan' ny hahafatesako
Miarantsoa Anicet
Raha mba mahita anao Alohan' ny hahafatesako ! Alohan' ny hahafatesako raha mbola velona aho Dia tsy maintsy hanao Izay hahitana anao . Na tsy afaka hamindra na olona handringa De hiezaka , tsy maintsy Hiharana anao . Alohan' ny hahafatesako Tsy maintsy hahita anao Nofo misy rà . Tsy nofinofy intsony Ny h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahafaly-barson-lahivelo/ezaka-vesa
ezaka vesa...?
MAHAFALY Barson Lahivelo
Hatraiza ny fetran'ny fahalalako? Hatraiza ny fetran'ny androko sisa? Ny miezaka ve mety ho fahadalako? Tsia, hoy ny saiko mba mamisavisa. Nahoana ny sasany no tafita lavitra, nefa 'ty zaho tsy mba mety mivoatra, izay mba mitozo, milofo, maharitra, ny ezaka ao anatin'ny foko mitroatra? Moa ny fiainana misy mpan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/tsy-hahasaraka-ahy
Tsy hahasaraka ahy
Joh
Ry tiako, ry tsy foiko Nandao ahy lavitra any Nahoana ianao no namela ahy hitomany Torovan-tsento loatra anie ny foko Satria ianao ilay tiako Nahafoy ahy ka nandao ahy Nahoana loatra lahy Rahoviana vao hiverina Ka tsy hahasaraka ahy Raha hody ka hiverina Ianao ry sombinaiko Hitsena anao tokoa anie ny foko mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joh/tiana
Tiana
Joh
Ianao ange ry Tiana Mahafatifaty ahy loatra Mitondra hafaliana Ka mampite-hitroatra Raha vao mahita anao De babo avy hatrany Indrindra ny fitsikinao Mahavelombolo ny fanahy Rahoviana re rahoviana Ianao vao ho ahy Higokako ny hasambarana Tsy amin'ahiahy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahafaly-barson-lahivelo/ezaka-ve-sa
EZAKA VE SA….?
MAHAFALY Barson Lahivelo
Hatraiza ny fetran’ny fahalalako? Hatraiza ny fetran’ny androko sisa? Ny miezaka ve mety ho fahadalako? Tsia, hoy ny saiko mba mamisavisa… Nahoana ny sasany no tafita lavitra, nefa ‘ty zaho tsy mba mety mivoatra, izay mba mitozo, milofo, maharitra, ny ezaka ao anatin’ny foko mitroatra? Moa ny fiainana misy mpan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/ilay-tiako
Ilay tiako
Mandefitra
Ilay tiako ny andro nihamaloka, ny foko mila hatory nanjavona toa aloka tsy hitako akory ilay olontiako indrindra! nijojo avy eo ny erika, ny foko mitomany tsy mitsahamiherika sao mba any ho any ilay sarotra hafindra. Vao maika nanavandra, ngoly ny ao anatiko naleoko niandrandra ny lanitra, tsy tantiko raha el...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mahafaly-barson-lahivelo/onom-po
Onom-po!
MAHAFALY Barson Lahivelo
Na hiezaka ahoana Amin'izay sisa izay Dia tsy hisy hamenoana Irony banga 'zay tsy hay Fa hany sisa azo atao Dia ny mampionom-po Ka aoka tsy handazo anao Irony lasa efa lo Mivonona ny hamerina Amin'ny manaraka indray Fa ny lasa tsy miverina Mivalona ho mandrakizay
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randriamihaja-dolany-cevich/honjam-pitia
Honjam-pitia
Randriamihaja Dolany cevich
Raha ho vita sy ho rava ny amintsika ry notiavina aoaka aho hiteny farany ,f`aza akifika na lavina , eny hionona ny foko , ka handrindrim-baravana , ho kosehiko ny lasa mba hidify sy hifarana ,aza omena tsiny aokory raha mitsipaka aho ka handao mavomavo aho mantsy ka tsy sahaza ho anao , hadinoy ireo rehetra mety hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/aleko-tsisy
Aleko tsisy...
Andriamihaja Johan (H-mainty)
Aleoko tsisy... Zovy indrindra moa ianao, ry mpandalo saro-tiavina Sahy manao soamaroroka amin-damba kararavina ? Ndrao handatsa ano lahy ‘rony tselatra miantefa K’aza enti-kiry loatra sao ny aina no manefa Tsy mba henonao va re, zany kotroka mitrena ‘za akory tsy hitalao, Sanatria, hoe miverena Fa ny ahy aleoko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/merinaforever/ny-fitiavako-voahosy
Ny fitiavako voahosy
Merinaforever
Ny fitiavako voahosy Ny fitiavana ihany ,no lehibe indrindra Ataovy an-tsaina, isaky ny mamindra Izany no ampianarin'ny teny finoana Ka ifananarana ,sy ifanoroana Dia eny hoy aho,toy ny mpiasabe Ka na aiza na aiza, dia hita sy re Fa miramirana, sy feno tsikitsiky Na mandeha miadana, na mivikiviky Tiako daholo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/ary-ianao
Ary ianao
ranaivoharijaona rado liantsoa
Ary ianao 'Lay topin'ny fijeriko No mainka nampahery 'Lay vaikan'ny fitia Nohezahako nahery Fa mikiry hanara-dia Sisa nahatazona ity foko angamba hoy aho Ny tsy fahalalako anao Fa iza kay ianao e !?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/falisoa-daniel-1/soratra-ho-anny-zazavavinny-tany
Soratra ho an'ny zazavavin'ny tany
Falisoa Daniel
Raha misy any olona manina anao hitondra fitiavana mamy dia mamy, maniry ny fo ka te honina ao ho vitanao ve ny hikimpy amin'izany? Raha ory izy mantsy fa raiki-pitia manantena fanafana ka mitalaho, ho vatranao ve hanamaika ny dia handositra lavitra hidify amin'izao? Domohin'ny ainy no tokana an-tany andrian'n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/rahampitso-vao-maraina
Rahampitso vao maraina
Miarantsoa Anicet
RAHAMPITSO VAO MARAINA Hanainga aho rahampitso.... Vao mangiran- dratsy . Hanainga.... tsy hitondra vatsy. Ka ho lavitra anao . Tsy ho hitanao intsony Fa hahita anao hatrany. Hanainga aho .... Hanavatsava ny nofiko efa rava. Hanavatsava 'ty alina efa ho lava. Ho lavitra anao... Fa hahita anao hatrany. Eny a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/aleoko-maty
Aleoko maty!
Andriamihaja Johan (H-mainty)
Aleoko maty! Ry fahafatesan’ô tongava, Tongava faingana ianao Fa fijaliana lalandava No hianako izao Any aminao any ve Tsy hisy fifaliana? Aleo aho handeha Fa ela niafiana Omeko fahefana ianao Amin’ny fianako mahantra Alaivo aho ‘zao de zao F’aza avela haradratra Fa ireo tsy tia ahy Efa faly aok’zany Ka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ry-nosiko
Ry nosiko
Ny Kanto
Ry Nosiko Mifoha indray ianao ry Nosiko lalaina Misintona mahery, sy maka ny fanahy Mitondra ranomaso ho an’ny foko main’ Ny elanelan-tany, nodanihin’ny tsiahy Ny feonao tsy mba azoko am-panginina Fa tsy misy ora na oviana na oviana Mainka moa tazako iny vodi-lanitra iny Dia indro ianao fa tamy, miantso ny fahi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/iza-loatra
Iza loatra ...?
Andriamihaja Johan (H-mainty)
Iza loatra ...? Iza loatra moa ianao, zay mazàna hisentoako, Ary fomba manao ahoana no namatoranao ny foko ? Fa mitarika ny saiko, hiampita lavitr’any Ry ampitso ô lazao: “Iza loatra re izany?” Iza loatra moa ianao ‘zay mikalo faniriana Ho mpitantan’ity foko? Ho eny andala-misitery, ‘zay sakaizam-pifaliana Sady...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/embona-azy
Embona azy !
Andriamihaja Johan (H-mainty)
Embona azy ! Meteza ry lokanga, hihira iraika monja ‘ty zana-boromanga toa safotsafotr’onja F’injao ny alahelo manevika ny làlako Ny oram-belovelo, isentoako ilay malalako Eny! Meteza ry malala, hiaraka eto isika Hiaraka hanala ‘ty ora mangatsiaka F’injao ny foko ory, te hahita anao hatrany Tsy mampahita tory, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bana-rahalahy/mpivavaka
Mpivavaka
Bana Rahalahy
Mpivavaka Miseho azy ho mpivavaka Miseho azy ho tena zavatra, Dia mitsara sy manavaka ... Ny resaka tsy lavabe : Any an-kafa aloha mandeha Fa ny aty tsy hifanaraka Tsy mitovy ny filamatra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bana-rahalahy/manoratra
Manoratra
Bana Rahalahy
MANORATRA http://bana.artiste-malgache.com/2007/02/27/manoratra/ Ny saina toa mivoraka? Malaky! Fanafody tokana : Manoratra, manoratra ... Maratra fo? Mitomany? Ny fanefitra am'izany : Lahatsoratra voakaly ! Voafingana ka potraka? Nidaraboka amam-potaka? Fanadiovana : manoratra ! Na kabôsy, na gitara, na valih...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/teo-am-pisarahana
Teo am -pisarahana
Fiaritiana
tsy nifankafoy, nalaina hisara - dalana mbola nifamihina teo am- pisarahana ny oroka amin izany , tsy lazaina intsony nifandray ny tanana , niezaka nifampitony ny ranomaso dia nikija, tsy voafafan ny mosoara ny alahelo toa nangidy,izay tokoa ve no anjara? fa nahoana ity lalana no nozaraina , nosomparana? tena la...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/falisoa-daniel-1/ry-kintana
Ry kintana
Falisoa Daniel
O ry kintam-baovao Anaty kianja fifaliana Ndeha hindramiko ianao Hitondra ny hafatro mangina. Ampitao ny nofinofiko Dia raiketo ao am-pony, Ireo dina sy ny tokiko Tanisao sy tonony. Fa ianao no eo foana Ka mandrakotra ny tany Sy mameno ny fotoana, K'io hafatro io todio mankany. Fa lavitra izy ka tsy hita N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/didy-faha-11-aza-miveraka
Didy faha-11 : aza miveraka
Mandefitra
Didy faha-11 : aza miveraka endrey! satriko laingosana izato voninkazo raozy vao mivelatra...toa ho ela vao halazo vorona hary elatra, misioka ambony hazo kanefa... raha saraka amantaho ndrao ho mora maina raha sinambotro sahady mety hiferin'aina avela ngamba aloha hitombotombo saina anjely! ilay molotra mani...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikopol-1/fitia-serasera-na-vonikazo-soa
Fitia "serasera" na vonikazo soa...
Nikopol
Mangitaka mangina, Mamaky ny hafatrao… Mamom-paniriana, Manofy tsotr’izao… Ny aminao sy ny azy? Manomboka tsy fantany. – Fitia? – Vazivazy? – Henika ny tratrany – Ny hariva tanin-korana, Nihaonanareo iny. Ny fony toa nangorana, Tsy vita vakisiny. Ny tsikinao angamba, No diavolana aminy. Ny fihetsehampony ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/falisoa-daniel-1/fiainana
Fiainana
Falisoa Daniel
Lohasahan'alahelo Aty ala mamanala, Faritanim-belovelo Saingy vitsy mpankahala. Ranomasina manonja Isosana ka mametra, Famarinana sy fonja Tsy hiantra na hitsetra. Miotrika ao manontolo Lon'ny lasana sy jaly, Ny fotoana bobongolo Natsinkafon'ny omaly. Hita ao ny rà matsatso Tsy ivalozana mandidy, Ny kapoa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-zo-rado-herizo/tia-fa-tsy-tiana
Tia fa tsy tiana
Ny zo Rado Herizo
Faly ve ianao raha indry voatohim-bato ilay tongony hamindra Faly ve ianao satria nalana taminy ilay maminy indrindra Faly ve ianao fa toloko no mba setrin'ireo anjara asany Toa faly ery ianao fa lasa ny olon-tiany, rava ny kinasany. Nefa ianao milaza fa "Ny hahasambatr'azy, izay no faniriako" Nefa ianao mila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/aniza
An'iza
ranaivoharijaona rado liantsoa
An' iza ny tany ? An'ny fatin'ireo olombelona? An'ireo maty mitsangan-ko velona? Ny fatin'ny velona ho vovoka ihany Dia vovoka koa ny fisainany lany K' an'iza ny tany? Ny marina tsotra azo ambara dia izao Vovoka ianao K'an'iza ny tany ? Mba fakafakao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/ny-baiboly
Ny baiboly
Miarantsoa Anicet
Ny Baiboly no fiondanako ! Hoy izy hoe : ry zanako , Mba mahereza loatra Na fiainana mandroatra, Na ady mahamay, Fitsapàna hafana vay... Mahereza ihany fa Lalànany eny izany. De lohalika no miasa . Mitalaho mba ho voasasa. Miankohoka mifona... Aminao no famindroana. Nahoana ary aho no kivy? Efa reko izao n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/tsy-anjara-1
Tsy anjara
Andriamihaja Johan (H-mainty)
Moa mba fantatrao moa Ny atao hoe mitia? Tsy azo atao kitoatoa Tsy kilalao io sanatria Moa ianao efa nitia Sy nandrotsa-dranomaso? Raha tojo sarotra ny dia Raha nosomparan’ny ankaso? Tsia angamba hoy aho miteny Tsy mbola tojo anao izany Fa ‘reny mahazatra anao ireny Mbola fitia hanihany! Any andro any volan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/roso
Roso
Jeankely Razafimamonjy
Inona ny hoe mandroso ? toa tsy fantatrao akory Mba hahafahana miroso Miasá miareta tory Ny fandrosona dia asa Tontosain'ny tsirairay Hanoherana ny lasa Nampihetry hatrizay Ny mandroso dia adidy Handrandraina sy lalaina Ho solom-by fanalahidy Dia ny vatana aman-tsaina Ny fandrosoana dia tanjona Handinganan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/havatsa
Havatsa
Ny Kanto
Havatsa Tena misy ny fihaonana Izay miraikitra ao anaty Tahirim-po fananana Havatsa enti-maty Andro tokana voatahy Fanomezan’Andriamanitra Hoe fihaonana tsy nahy ? No hanentohento manitra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/ny-fiverenanao
Ny fiverenanao
Fiaritiana
ny fiverenanao no nanasitrana ny aretiko ny fahatongavanao no nanakombona ny feriko ireo alahelo sy ireo sento hatrizay dia nanjary fifaliantsika indray ny fiverenanao no nampitsahatra ny ranomasoko ny fisianao no nampijanona ny ankasoko ireo fijaliako izay niainako efa ela toa nanjary fongana tsy nisy tavela n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/ampy-izay-2
Ampy izay !
Andriamihaja Johan (H-mainty)
Nahoana aho no tsy maintsy Hanaiky fangejana Terena mba hiaiky Hitrotro fahantrana? Tsy avelanao hitraka Hahita masoandro Ka ozona, ompa, daka No sakafoko isan’andro! Mba hainao moa Fa tsy tsara akory Ny manadrana mamoha Liona matory Nihevitra angamba ianao F’izaho tsy hisoka-bava Kanefa ‘zaho aho lao Sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/fahagagana
Fahagagana
Miarantsoa Anicet
FAHAGAGANA Mba mahagaga ihany fa... Teny rehetra teny Misy olona mandeha, Misy olona mitantana olona ohatra an' azy. Misy olon- toa voasazy Hisakambina ny tiany . Mba mahagaga ihany fa Izaho d' irery foana. Dia...Mbola tsy afa- tsaona Ny foko manoloana Ny aloka tsy fantatro . Dia mbola mahagaga Ny mahita a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/ny-fitiavanao
Ny fitiavanao
Fiaritiana
tsy nampoiziko hoe ianao no namboraka ahy fitiavana fa ho namana tsotr izao ny antony niarahana ianao nandray hoe anabavy izaho nanao toy ny anadahy nefa tampoka toa resaka vady fitiavana no natolotra ahy ny fitiavanao nekeko ihany satria atao ahoana indray? raha mbola eto an tany ny hanadino izay vita izay?...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandefitra/aza-ory-hava-manana
Aza ory hava-manana
Mandefitra
Aza ory hava-manana Raha sanatria ianao ka ory, tsy ampiampy ny eo antanana Aza sainina akory, ny hialona hava-manana Tsy satrinao ve ry zoky ho bolangina ho faly? metimety koa ry zandry, sambatsambatra ry valy sa ny hiara-hihosim-potaka no sanatria haharavoravo, ny hijery olon'osa na hanao tsindrio fa lavo sa h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/lay-endrikao
'lay endrikao
Andriamihaja Johan (H-mainty)
'lay endrikao Anaty ny alina aho, no nahatsiaro anao Tadidiko avokoa ireo fanao taloha Sy ankehitriny koa Mitsiky irery aho dia manakipy maso Ka indro ny tsinjoko ao, ilay endrikao Tsy mba mankalao! Dia tohizako eo ‘lay sary Tsy foiko ho tapahina, fa mitondra hevi-dalina Tsy hain’olona takarina Entiko hatory ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/ny-zaza
Ny zaza
Jeankely Razafimamonjy
Ny zaza hendry tia madio no ilainay ,anio solofo mendrika ny tany no andrasan'ity akany Zaza hendry mankatoa mora hanarina,tsy mafy loha miran-tsaina falifaly lian-tsoa sy miangaly Ho ravoravo Gasikara fa zaza mendrika ny tsara mazoto,tsy mba maivan-doha haren-tsaina no milaloha Ny mamalivaly Ray sy Reny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/ampy-izay-1
Ampy izay !
Andriamihaja Johan (H-mainty)
Nahoana aho no tsy maintsy Hanaiky fangejana Terena mba hiaiky Hitrotro fahantrana? Tsy avelanao hitraka Hahita masoandro Ka ozona, ompa, daka No sakafoko isan’andro! Mba hainao moa Fa tsy tsara akory Ny manadrana mamoha Liona matory Nihevitra angamba ianao F’izaho tsy hisoka-bava Kanefa ‘zaho aho lao Sa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/vovon-javona
Vovon-javona
andriary
Tanaty eritreritra , Mirango ventsoventso Natosiky ny hanina Ny sarin-drahona nanentso Misy sary hafa loko Misalotra ny volon-danitra Misikina ny tsiahy Ny tonon-taona dinify Any ambadiky ny maily Nefa mbola tazako Anaty vovon-javona! Tara-bolatsinana Mifoha mamatonalina Narahim-pahanginana No itarafako n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/ny-fianarana
Ny fianarana
Jeankely Razafimamonjy
Ny fianarana rankizy No sakafo tsara indrindra Tohan'aina izay tsy izy Dia ny hoavy voarindra Mampanan-tena ny aoriana Ny fianarana izay lofoina Mandreraka sy mahasondriana Nefa tsy maintsy tompoina Indro hoavy ilay maraina Masoandro miratra ho anao Raha tena izay no hantenaina Dia ny fianarana no atao Izao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/tamberin-dasako
Tamberin-dasako!
andriary
Tsy niverina ny lasa , Nandrasako efa ela Lasa tsy namela Ny sarisarin’ny fahiny F’izay ny faniriany Ny hafatr’eritreritra Tinosiky ny feritra Mitsiaro ny tantara Angamba voarara Tsy hitapody intsony Na izay ny sitrapony Fa izaho niandry foana Ny hiverenan’ny fotoana Ny doron’ny fangaika Tanatiko efa ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/falisoa-daniel-1/mpisompatra
Mpisompatra
Falisoa Daniel
Fo torantorana Teo am-patorana Foiny nodorana Sy nofongorana. Fitia fotsifotsy Taman-drotsirotsy No tojo mpisosy K'indrisy voahosy. Izy nahavàtra Tsy nanana antra Fa nampomba ratra Ilay fo tao an-tratra. Fahazavan'ny tany Mpamafa tomany Kinanjo hita ihany Fa aizi-mavàny. Fanafana hony Natao mba hanony ...