url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/falisoa-daniel-1/vetsovetso-amoron-dranomasina | Vetsovetso amoron-dranomasina | Falisoa Daniel | Iny ranomasina iny
raha tazanina mangina,
dia mamoha ireo fahiny
fony akaiky olon-tiana.
Fa miverina ao an-tsaina
ireny oran'ny fanamby,
teny mamy tsy hay isaina
nofenoana tambitamby. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamihaja-johan-h-mainty/zao-no-ora-fahafiry | Zao no ora fahafiry? | Andriamihaja Johan (H-mainty) | Izao no ora fahafiry no manjombona ny foko
Mahare mangirifiry, mitaraina, mitoloko !
Sento lalina dia lalina manindrona any anatiko any
Ny vatako toa fanina, ny masoko tomany
Izao no ora fahafiry no manjombona ny tany
Ary firifiry koa no mba mahatsapa ’zany?
Haizim-pito avokoa, izay jereko rehetrarehetra
Manaiki... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/tontolo-hafa | Tontolo hafa | andriary | Rehefa injay fa nisy
Rivotra nitsoka ,
Avy any andrefana
Naloaky ny alina
Tanaty rano lalina
Dia nisy hazavana
Tsy niandry ny maraina
Nahenika ny tany
Nitondra sarin-kafatra
Nanaloka ny lafatra.
Rehefa njay nisy feo
Tao anaty haizim-pito
Nifoha tanaty heriny
Nialoalo mafy
Narahin’erika nifafy!
Dia nisy s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/embonny-nilaozana | Embon'ny nilaozana | Ny Kanto | Embon’ny nilaozana
Ary omaly mihintsy teto
Ireo kalo nisalovana
Nofim-pahatsiarovana
Toa tsy nisy akory!
Eto, manirery, manonofy
Mainka izao koa reko
Ireo feo sy ny korana
Niriko ho tamana
Tsy tana, manakora!
Eto, manirery, feno banga
Mamy iky ireo fihaonana
Mitondra soa ny fitsidihana
Fa mangidy ny ilaoza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/fotoana | Fotoana | Jeankely Razafimamonjy | Ny fotoana volamena
Koa aza hariariana foana
Hararaoty sy hajao
Mba ho tsara ny ho anao
Ny fotoana dia mandalo
Mamely toy ny fahavalo
Mifoaka izay anananao
Manazera lava izao
Ny fotoana dia ianao
Sy ireo izay vitanao
Raha lany amin'ny tsara
Dia mirakitra ho tantara
Ny fotoana dia harena
Fifaliana ho an'ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tselatra/ady-fitia | Ady fitia | Tselatra | - Volana ve aho no maty mason'ny masoandro, sa amberivatry ka apetraka éry an-tsisim-boly?
Saingy mandefitra aho ka tsindriana, saingy mihafy aho ka ampandeferina!
Raha vady tsy mahatapaka aho, Andriamatoa, aleoko mody any amin'i neny;
raha andefimandry hotapahin-kafa, dia aleko mody any amin'i dada.
- Fa nahoana i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/ra-fotoana | Ra fotoana | Jeankely Razafimamonjy | Toa manao dia maika ery izato ianao,
Ry fotoana?
Iza no enjehinao, mba lazao,
Ry fotoana?
Mba endraso aho,hanampiako anao
Ra fotoana!
Fa angaha mahery izato fahavalo ,
Ry fotoana?
No tsy sahinao hatakalo,
Ry fotoana?
Fa misy inona any aloha any
Ra fotoana?
Mba hizarao izay azonao aho ,
Ra fotoana ô!
Mba h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/safidinao | Safidinao | Fiaritiana | tiako ianao hatrizay
nefa olon kafa indray
nandalo teo aminao
nanimba antsika sy ianao
anao anefa ny safidy
hoe izaho ve sa izy?
fa izaho mbola tia anao
hatramin izay ka hatramin izao
izaho tsy afaka hanery
ianao ihany no miteny
ianao koa no mandidy
satria anao ny safidy
tiako ianao na rahoviana
ianao no e... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/nahoana-1 | Nahoana...? | Fiaritiana | nahoana ianao no olon tiako?
ka nanjary faniriako
dia niara niaina hatrany hatrany
tao anaty fitiavana mamy
nahoana ianao no fijaliako?
nandratra fo , nitomaniako
tsy nifanara po ; nisaraka
ranomasoko niraraka
nahoana ianao no tsy miala?
ato am poko ry malala
fa mielo foana ato an tsaiko
ka mandreraka ny aik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lianah/ilai-fitia | Ilai fitia | Lianah | Ilay fitia
Ilay fitia izay voarara
sy lazaina hoe tsy anjara
no nitombo sy nahamay
ary koa nanorin-day.
Toa ilay fandrarana
no vao mainka koa nitana
ilay fitiavana ho mafy
sy nampianatra hiafy.
Eny,ireo fanakanana,
sy ireo fanakianana
nataon’ireo tsy tia
no nanamafy ilay fitia.
AMHA |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lianah/ny-hoe-tia | Ny hoe "tia"... | Lianah | Ny hoe “ tia”,
Tsy mba vitan’ny imolotra,
ny atao hoe mitia…
Fa ny avy ao am-po atolotra,
F’izay no tena fy.
Tsy ny be fihetseham-po,
tsy izany ny hoe tia,
Fa ilay mikatsaka ny soa,
mba haharitra ho doria.
Ny tia tsy ny ho ahy ihany
Fa mijery ny ho azy koa
Toa tsy ho vita mora izany ,
Raha tsy samy tia ny r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/tsiahy | Tsiahy | Jeankely Razafimamonjy | Toa tena mahatsiaro ho irery
Rehefa sendra mahatsiaro
Miondrika tsy maha-jery
Lavitr'ireo sakaiza maro
Tsy mety afaka ao an-doha
Ny zavatra fanao rehetra
Mitamberina avokoa
Maro-be ka tsy voafetra
Manina ny havan-tiana
Any an-tany lavitra any
Tsy ahitana fifaliana,
Fa mitondra alahelo hatrany
Atý an-tanin'o... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/vokatry-ny-fo | Vokatry ny fo | ranaivoharijaona rado liantsoa | Fararano hoy ianao
Fiotazana ny vokatra
Izao volon'andro izao
Ka faly ianao nilaza
Faly fa hitavana
Sy tena hanaram-po
Amin'izato vokatra
Tsy fantatra mazava
Ny mahagaga koa
Ny volon-danitra aza
Milaza fa ririnina
Koa fararano ahoana?
Ary vokatra inona
No nde hotazanao?
Vokatra mba fininana sa
an an Aleo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ralasivola/mba-jerijereo | Mba jerijereo | Ralasivola | Mba jerijereo
Ny fanaon'ny ntaolo s'ireo fahagola
Sy ireo ela nihetezana,ary ireo efa sola
Dia fomban-drazana,feno fahendrena
Mba tombano ihany fa misy ny harena.
Ka ailano ny sofinareo ry zalahy
Mba eritrereto izany tsisy mpiahy,
Fa raha nidify ny ray,miady irery ny reny
Ny zaza tsisy mpananatra,tsisy mpiteny.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/mianara | Mianara... | Fiaritiana | mianara , mikaroha
fa betsaka ny mahasoa
manana koa fahazotoana
hialana amin ny hakamoana
mianara raha mbola afaka
tohizo foana fa aza tapaka
io no lova tsara indrindra
hitsinjovana ny ampitso
mianara dia mba fetsy
aza dia manaiky ho resy
manana tanjona sahady
mba hiatrehana ny ho avy
mianara , mifalia
ka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/tsiahy-lalina | Tsiahy lalina | andriary | Misy feon\'aloalo manako hatrany an-dohasaha
Mitsiahy ny tonon-taona , rinangotry ny nimaona
Miantsy volon-danitra : halahelo sy hisaona
Ny tantara fahagola , vinilan\'ny tamberina!
Misy feo tsy aman-teny , nanonga ny eritreritra
Maminany tara-bolana misarin-dokon-javona iny
Tinaran\'ny andro lasa , mitahiry ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/ny-tsiky | Ny tsiky | Jeankely Razafimamonjy | Hasamabarana ao am-po
Hafaliana ao an-tratra
Maharavoravo fo
Omena ireo 'zay tsy zatra
Tsy voavidy vola na harena
Fa omena maimaim-poana
Tsiky kely tsy mba noterena
Miran-tava ,faly foana
Tsiky anehoan-tsarikana
Tsy handaniana hery lehibe
Ireo kanto sy meva ao an-tanana
Tsiky no handravahany tarehy
Tsiky ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/merinaforever/ny-demokrasia | Ny demokrasia | Merinaforever | Ny demokrasia
Ny foko rehetra misy,tsy mitovy tombon-tsoa
Tsy mitovy ihany koa ny zava-kendrena
Ka ireo izay vitsy an'isa ihany no voa
Raha "demokrasia" no rafitra anefena.
Ataoko fa tsy mendrika ny "be noho vitsy"
Efa hatry ny ela 'sika no tokony ho nisinda
Nefa hatramin'izao dia tsisy hirika mihitsy
Satria vo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/gasikara | Gasikara | Jeankely Razafimamonjy | Handrandraiko sy ho lalaiko,
Hotompoiko tsy ho hadinoiko.
Hankatoaviko eram-po,
Madagasikara tsy mba roa.
Diavolan'ny fanahiko,
Manazava izay hitsahiko.
Tanjoko ny hampivoatra;
Gasikara tsara loatra.
Ahy anio sy omaly,
Nampijaly ,nampifaly.
Hantenaiko rahatrizay,
Ilay Madagasikaranay.
Mampatsiahy ireo tanta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/ny-ala | Ny ala | Jeankely Razafimamonjy | Manan'aina tahaka anao aho
Mihazona ny rivotra ho anao
saingy hitanao fa tsy miteny aho
Dia hararaotinao sy vonoinao
mba miangavy anao re!
Aza dorana ny ala
Izaho koa anie manampy anao
Ny fanaka sy entanao ao an-trano
Dia avy aty amiko ,ho anao
Ao amiko ireo biby tsy mba manan-trano
Mba miangavy anao re !
az... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ny-tia | Ny tia | Ny Kanto | Atolotro ho an'ilay natsoiko koa hoe Rianala...
Ny Tia
Raha mbola misy antso
Manaitra ahy amin’ny alina
Dia hovaiko ho hira kanto
Raha avy aminao Rahavana
Fa mameno ny efitry ny saiko
Sy manangolingoly ny aiko
Ireo tamberim-pahatsiarovana:
Ziogam-po mahatorovana
Koa raha toa isika hihaoana
‘Zaho hiandry topi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabemanantsoa-toavina-na-i-tsoa/antony | Antony | Rabemanantsoa toavina na i ...tsoa | Mahatsiaro matetika ny tany nialàna
ka tsy mety tamàna.
Manembona foana ny fiarahana omaly
ka zary mijaly.
Tsy mety mionona manaiky ny misy
ka mivolan’indrisy.
Misentom-pitia sy manina akany
dia rotsa-tomany.
Nefa manantena ny hiverina an-tany niaviana
ahita ny tiana.
Izay azoko heverina fa antony tokan’
ity... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/merinaforever/ny-lamba | Ny lamba | Merinaforever | « Et elles se seront enveloppées avec tant d’art dans ce vêtement simple, elles auront si bien colle ces mille plis a leurs formes naturellement élégantes qu’on croira voir un défile de vivantes Tanagriennes.
Certes pour la grâce, le lamba vaut bien le peplos, surtout avec la façon dont les femmes Houves savent le por... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/dify | Dify | ranaivoharijaona rado liantsoa | Dify ny tiana
Tsy tazan'ny maso
Tomany ny fo
Zary niteraka aretin-andoha
Indrisy ry ankason'
Ny be fanahiana
Tsy hanantena
Ny fahamarinan'ny toky nomena
Mangina ô mangina
An' Andriamanitra ny famaliana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/merinaforever/nosantara | Nosantara | Merinaforever | Nosantara
Maraina indray ity ny andro,ny hazavana tomaratara.
Mitopy aminao ny fisainako,lavitra anao ry Nosantara.
Indro ilay masoandro mitsidika,vimbinin'ny fotoana.
Avy any antsinanana any,lavitra tsy hita manoloana.
O rey Razako,aiza ianareo,no tsy miteny tsy mivolana?
Sa ny saiko no lasam-borona,maro sento n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/merinaforever/fanasemporana | Fanasemporana | Merinaforever | Fanasemporana
Ny fitondrana isian’ny firaisampirenena
Dia misy toe-javatra mampahonena
Dia ny fanapotehana ny anaram-poko
Asa ny an'ny hafa fa ny ahy hotompoiko
Vonoina ho faty ny mangorangorana
Izany no politikan'ny fanasemporana
Ny fahamerinako dia omeko toky
Fa tsy avelako ho faty na mitsilopy
Nahoana no iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/taiza | Taiza? | ranaivoharijaona rado liantsoa | Taiza ianao no nonina?
Ry ilay nivikiviky
Tsy laitra notazonina
Nandalo dia nidify
Nirina ho tinaiza
Ho zaza filalao
Nefa izao dia aiza ?
Vao tonga dia nandao
Nandona varavarana
Dia nampandrosoana
Noheverina ho namana
Hay tonga anao veloma
Ka monina aiza ianao
Ry ilay mpandalo iry?
No tonga dia nandao
Ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/merinaforever/firaisam-pirenena | Firaisam-pirenena | Merinaforever | FIRAISAM-PIRENENA
Miala tsiny re ry zoky,miala fondro ry zandry,
F'efa ho 50 taona 'zao isika no niandry,
Mba ho tafala amin'ity fahantrana,
Kanefa mosary ny hita eran'ny tanàna
Na hihodinkavia ianareo na hihodinkavanana,
Tsy ahita fanazavana iray mba azo tanana,
Afa-tsy ny famikirantsika amin'ny firaisana..
No... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/jamba | Jamba | Miarantsoa Anicet | JAMBA
Tonga ihany !
Tonga ihany lala....
Tonga ihany lala ' lay volana...
Tonga ihany lala ' lay volana nandrasako....
'Lay volana nadrasako
Hatramin' ny fahazazako.
Haizim- pito sosona
Hatrizay no nitankosona ,
Haizina efa mainty
hatrizay no vita renty .
Tonga ihany lala ' lay volana nadrasako.
Izaho !
'L... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabemanantsoa-toavina-na-i-tsoa/ny-aty-sy-ny-any | Ny aty sy ny any | Rabemanantsoa toavina na i ...tsoa | NY ATY SY NY ANY
Indray mitopy maso;
Avy hatrany dia tsapa
fa tena samy hafa.
Ny Any , trano vasobasoka tsotsotra tsy mirenty.
Ny Aty` ,midadasika,sady avo no vaventy.
Ny jiro maro loko sy ny voninkazo be dia be,
Efa voatsitokotoko handravahan’arabe.
Ny tovovavy maro,mevasoa sy bikàna.
Tsy matahotra izay m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izaho-ve-no-adala | IZAHO VE NO ADALA ? | Fredy Jaofera | IZAHO VE NO ADALA ?
Izaho ve no adala f'efa olona tsy tiana
dia asainy mbola hotiavina
sa iriny ny hampahosa sy ho feno fijaliana
hahazoany izay tadiavina ?
Izaho ve no adala f'efa andry tsy antenaina
dia terena mbola hiankinana
sa metimety aminy ny ananan-tebin-tsaina
sy ny tsy hahazo fanambinana ?
Izaho ve n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/raha-toa-ka-2 | Raha toa ka ... | ny eja | Any andro any volana ,
raha toa ianao misedra olana
sanatria ampahoriany
fa olon-kafa indray no tiany .
Dia izao no tadidio
ho manga foana io lanitra io
satria mantsy any ho any
izaho namorona akany
ato am-poko mba ho anao
na lavitra aza tsy mandao . |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/landihazo | Landihazo | Ny Kanto | Atolotro ho an'i Ny...
Landihazo
Herintaona tsy nalazo
No nijoroan’ilay fitia
Herintaoana landihazo
Toa mareforefo akia
Ireo vanin-taona efatra
Nosedraina nolalovana
Tsy misy afa-tsy ‘miresaka’
No hany tokana ala-olana
Taona maro eo anoloana
Ireo no hanjary volamena
Ny landihazon’ny fotoana
Tokin’ny fitiav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabemanantsoa-toavina-na-i-tsoa/mandrosoa | Mandrosoa | Rabemanantsoa toavina na i ...tsoa | MANDROSOA
Mahaiza mitraka,
mahaiza milofo,
fa na mafy daka aza
ny rivo-mifofo,
tsy aha-ronjona anao
hianjera @ tany
na hikapoka mafy
ka hampitomany.
Meteza hiarina,
Ka ho tena sahy.
Hitàna ny marina
tsy hivahavaha;
Handroso mahitsy,
ho tena modely.
Handresy ny ankaso
matetim-pamely. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/ry-alina | Ry alina | ranaivoharijaona rado liantsoa | Ry alina
Kaloy hamelovelo
Ireo kalon'alahelo
Fikalonao fahiny
Handresy vatana ahy
Handrendrika fanahy
Hahitako tory
Ndrao ny foko hiambatra
Rehefa tafatambatra
Ireo vetso te hisambatra
Anilan'ny malalany
Malala tsy hita akory
Ka izay vao tena ho loza |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/misy-1 | Misy | ranaivoharijaona rado liantsoa | Misy fo minia mivelona
Amin'ny vatana efa maty
Mampirongatra tsy tanty
'Lay fo vao avy notoniana
Sy ilay endrika vao maloka
Noseranim-pahoriana
Dia nangina teo ny misy
Fa ny fo nitempo mafy
Te hamonjy ilay notiaviny
Any am-batana efa maty
K' injao mihika mafy èry
Tamba-jotran'ny fitia |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/antsy | Antsy | Miarantsoa Anicet | ANTSY
Tsy hahavita n' inoninona
'Zay antsy fitonao:
Ny iray hanapa- tanana,
Ny iray hanapa- tongotra,
Ny iray hanidy vava,
Ny iray hamono maso;
Dia ny sisa?
-hanindrom- po !
Eisy !
Tsy hahavita n' inoninona
'Zay antsifitonao.
Fa tiako loatra izany !
Izaho ' lay mitomany.
Ho sasatra eo ianao
Fa tiako loat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rabemanantsoa-toavina-na-i-tsoa/izy | Izy | Rabemanantsoa toavina na i ...tsoa | « IZY »
IZY rehefa manome,
manome tsy misy tambiny.
Mahafoy be dia be,
tsy manontany izay ambiny.
IZY rehefa antsoina,
tsy mba hoe miavonavona.
Tsy mangataka fotoana,
Fa mihaino am-pitiavana.
Mbola IZY koa no nijaly,
Niaritra ny eso sy opa.
Nangirifiry sy narary,
Hamonjena anao mpanota.
Ary ianao raha mba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/fanahy-manina | Fanahy manina | andriary | Ny rian-dranon'erika
Nanoina ny sarin-dasa
Miendrikendrik'aloka
Mivolom-batolalaka!
Natosiky ny Lohataona
Te-hampihaona
Ny Fanahy manina
Ny lasa
Voasasa!!!
Ny tsiaro nitadidy
Nentin''itsy vonikazo
Dia nisy kiaka nanentso
Nisy hira nokaloina
Toa sarotra hiraina
Tsy niloaka imolotra
Fa nambabo ny fanahy
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ghostmen/malala | Malala | ghostmen | Malala!
Tsy haiko zay ho lazaina ,
fa ny foko toa me karakaina,
Lavitra anao, nefa atao ahona,
mihezaka ny tsy ho lao.
Malala!
Ianao no nofinidiko,
ka tsy tiako hariana.
Na maro aza ireo fahoriana,
na mafy aza ireo fijaliana.
Malala!
Tsarovy fa ianao no efa ao am_poko;
Ireo fitiavako efa nokoloiko
ny foko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/teny-roa | TENY ROA | Fredy Jaofera | TENY ROA
Teny roa dia efa ampy
ilazako ny ato anaty ;
teny roa no vatolampy,
tsy voazera mandramaty.
Teny roa dia efa afaka
manambara ny ato am-poko ;
teny roa no tena miavaka,
mbola meva sy miloko.
Ny voalohany dia ny TIAKO,
Ny faharoa dia ny hoe : IANAO,
ka ny hany mbola iriko,
ny fitambarany eto izao.
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/ady | Ady | Miarantsoa Anicet | ADY
Miadiva izay hiady
Fa izaho tsy manan- tsandry.
Miadiva izay mitady ,
Na razoky na razandry...
Miadiva eny foana,
Miadiva amin' ny Foana ,
Raha mbola manana hery
Ariana sy ho very ,
Dia miadiva eny ihany ...
Amin ' ny adin' ito tany,
Amin' ny adin' ny fiainana,
Amin' ny tolona itarainana,
Amin' ny andr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/fiononako | Fiononako | Miarantsoa Anicet | FIONONAKO
De ...Indro aho mahatsiaro;
Mahatsiaro fa hoe : hadinoko , hono, ianao.
Kanefa ...Io savao
Fa mifamahofaho
Ao anaty lohako ao:
Eritreritra sy hao.
Indray andro aho nanonofy...
De nofiko , hono, manko
Fa nanonofy ahy ianao.
Kanefa ianao ve izao
Mba hoe matory akory?
Fa tsy mihanoka hasambarana ,
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mafy | MAFY | Fredy Jaofera | MAFY
Mafy ny ady,
tsy mafy taminao
ka aza mitady
fa tsy sitrako izao !
Mafy ny ady,
tsy re nanontany
fa ravo no sady
nifosa aok'izany.
Mafy ny ady,
nilaozana fotsiny
ka nony kiady
vao tia ranofotsiny.
Mafy ny ady,
toa olona adala
ka nony tomady
vao tiako, Ralala ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/merinaforever/i-frantsa-lay-reny-malala | I frantsa 'lay reny malala | Merinaforever | I Frantsa 'lay Reny Malala
Iniako odina tsy fantatra
Ianao ry lemak'i Betsimitatatra
Totofako anorenako orin'asa
Mba hanadinoako ny lasa
Fa aza dia tezitra mafy
F'ireto zanakao hitafy
Sady ho lavi- mosary
Raha pâtes no asolo ny vary
Atao veloma sahady daholo
Ireo Vohitra maherin'ny folo
Hahetry izy ireo ka h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/mangina | Mangina | Pissoa | Fireneko
Mangina izy tsy niteny,
Tsy nahaloa-peo intsony
Nopotehinao ireo tehiny,
Ireo nohariany, nokoloiny.
Mangina izy, misento lava
Noho ny fingampinganao.
Jereo ilay endriny fa rava,
Noho ny etraketrakao.
Mangina izy f'efa lavo,
Fandrihanao ireo olo-mariny.
Izay te hanandratra azy ho avo,
Anaovanao ny t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aleo-miala | ALEO MIALA | Fredy Jaofera | ALEO MIALA
Rehefa ny apoaka,
tsy mahafa-po vahoaka,
tsy ahitana toky
na kibo mety voky ;
toa tsy mankahery
fa mainka koa mamery...
Inoako fa tsy mety,
na aiza ianao no hitety
ny fitondrana misy,
saino izany ...Indrisy !
Rehefa ny afitsoka
no mainka koa mihitsoka,
mandentika tanteraka
ny mponina efa reraka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/zovy | Zovy | ranaivoharijaona rado liantsoa | Very ny teny
Ny nofo moamalemy
Tsy afaka nanoatra
Teo anatreham-po
Tsy nitempo intsony
Zovy no tsy ory
Raha ny havana malala
No lasanà any ankoatra
Tsy tratra antoandro akory
O ! vao maraina loatra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/sarotra | Sarotra | ranaivoharijaona rado liantsoa | Sarotra hitsina
Ny lala-manitsy
Fa be fiviliana
Satra ambara
Ny teny natao
Hitondram-pahoriana
K'aleoko mijanona
Sady mangiana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/merinaforever/vavaka-3 | Vavaka | Merinaforever | VAVAKA
Ampio re ry Zanahary
'Ty Fireneko tsy ho very
Tahionao tsy harary
Omeo aina,omeo hery
Ianao irery no Andriamanitra
Nasolonay itony sampy
Eto an-tany sy any an-danitra
Ianao irery dia efa ampy.
Tsofy rano re ny Merina
Ho finaritra doria
Ho lavitra mpanelingelina
Sy hahay mifankatia.
Alaviro ny mosary... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/andriamanitra | ANDRIAMANITRA | Fredy Jaofera | ANDRIAMANITRA
Andriamanitra irery
no mahita ny ato am-poko ;
ka tsy nahay namery
fony tojo izay toloko.
Andriamanitra ihany
no mahita ny ato an-tsaiko ;
ka atokisako avy hatrany
rehefa reraka ny aiko.
Andriamanitra Tsitoha
no mihazona ny fiainako ;
ka n'inona n'inona manjo,
mbola Izy no itarainako.
Andriam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/tsy-fiainana-izany | Tsy fiainana izany | Fiaritiana | raha fifaliana no hiainana
ka tsy misy zavatra hitarainana
raha tsisy koa ny alahelo sy tomany
dia hoy aho hoe tsy fiainana izany
raha masoandro foana no miposaka
ka tsisy orana hirotsaka
raha tsisy fijaliana eto an tany
dia milaza aho fa tsy fiainana izany
raha olona no tsy marary
satria izany voajanahary
ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iombonako | IOMBONAKO | Fredy Jaofera | IOMBONAKO
Iombonako aminao rehefa misy ny hafaliana
izay iainana isan'andro sy misosa moramora ;
iombonako aminao rehefa indro fitahiana
no mandrakotra eny, na minitra na ho ora.
Iombonako aminao rehefa misy ireo tomany,
toa mipatrapatraka sy lazaina, hoe, tsy telina ;
iombonako aminao rehefa indro fa ny tany
m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/betsaka | BETSAKA | Fredy Jaofera | BETSAKA
Betsaka ny zavatra tiako horavana
hivalona hatreo
kanefa tsarovy fa tsy mety fafana,
mitondra toreo.
Betsaka ny zavatra tiako hosaronana
hanova ny hoavy
kanefa tsarovy fa tsy mety takonana
'zay nampanavy.
Betsaka ny zavatra tiako handosirana
hihataka foana
kanefa tsarovy fa tsy mety mahamirana
'zay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malahelo-aho | MALAHELO AHO | Fredy Jaofera | MALAHELO AHO
Malomaloka ny ety Ambohipanja
ka tsy vita izay tokony hatao ;
ny fiainako no tsy ampy lanja
fa 'zany foko no lavitra anao.
'Reo andro mikotroka lava,
mangeja no sady misaona ;
ny foko tsy mahita mazava,
maniry na te ho any foana.
'Reo vorona mody miery,
mihira no mba mikorana
fa izaho no singany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/hay-ve | Hay ve ... | Fiaritiana | hay ve sangisanginao ireny
fitorianao fitiavana
noraisiko tena izy
hay vazivazy izaitsizy
toa nandiso fanantenana
sady toa nampihanahana
hay ve izay taona maro izay
nilalaovanao ahy
izaho nandray tena matotra
ka tena voafatotra
hay ianao nahavita izany
tsy nampoiziko ho hanihany
voafitaka aho tamin iny
nef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/aleo | Aleo | ranaivoharijaona rado liantsoa | Ry tompo an-danitra ao
Iriko sa mamiko
Raha mba esorina amiko
Ny foko sy ny saiko
Soloina vaovao
Fa mampijaly loatra
Ny ataon'ny fahatsiarovana
Misalovalovana
Amin'izay rehetra atao
Koa mba iangaviako
Aleo esorina amiko
Ireo fitadidiako
F'izay no antony ikipiako
Ry tompo sy Andriamanitro
.....Ahiratro ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/merinaforever/ny-maha-kristianina | Ny maha kristianina | Merinaforever | NY MAHA KRISTIANINA
Tandremo ihany leiretsy ny maha kristianna
Fa raha tsy mailo amin’io ‘sika dia ho fanina
Lazaina fahotana ny fiharian-karena
Fanompoan-tsampy ny maha olom-pirenena
Mailaka ery na maopera na mpitandrina
Mampianatra antsika mba hitadidy an-kandrina
F’izay rehetra tsy araky ny baiboly
Dia voka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/ireo-no-ahy | Ireo no ahy | Pissoa | Ireo no ahy
Ireo no niafy nanabe,
Nijaly foana an-taona maro.
Ireo no nampianatra ahy nandeha,
Nanoro ahy zava-maro.
Ireo no tsy hahafoy ahy,
Tsy hamela ahy ho any an-kady.
Ireo no he mangahiahy,
Raha hikapoka ahy amin'ny tady.
Ireo no mikiry, miari-tory;
Na dia tsy ampy ny eo an-tanany:
Ireo tsy mamela ahy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/mira-1 | Mira | ranaivoharijaona rado liantsoa | Maso mijery
Fo misadaikan'ny
Vatana maika
Sarotra ahery
Tsy azo nialana
Ilay hevitra adala
Nameno ny fo
K'injao fa nitaika
FITIA MATIPAIKA |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikopol-1/taratasy-ho-ani-mama | Taratasy ho an'i mama | Nikopol | Amin’ny fotoana
Hamakianao ity taratasy ity
Dia efa vita ny amiko...
Nifarana hatreo.
Mama,
Tsy hadisoanao,
na izaho no ratsy taiza,
Fa leo ny fiainana aho.
Leo sady resy,
Ireo ady nifanesy...
‘Zay ny fahalemeko...
Nandramako daholo
Izay rehetra mety,
Mba ho mendrika an’i Dada,
Tsy fantatro akory...
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/any-alavitra-any | Any alavitra any | Miarantsoa Anicet | ANY ALAVITRA ANY
Any alvitra any ianao...
Aza dia manindry mandry
eto ny alina vaovao
Tsy mipy fa mbola miandry.
De miandrandra fiovàna ...
Manantena anao ho hendry
hadinoy e ny hadalana
Sy ny ditra zay tinendry.
Any alavitra any ialahy
Matoria e sombinaiko
matoria : aza manahy
valifaty izany tsy haiko.
Mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nali/meteza | Meteza | Nali | Meteza ho tiana ka aza mangina
Ny nofo tsy hanofy no indro hirakofy
Venteso ny teny fonosin'ny TIANA
Ka aza Manjeny rehefa izy no iriana!
Vetsoy ny alakaosin'ny tena fitiavana
Vetsoy ny alahamadin'ny fifankatiavana
Vetsoy ny adijadin'ny roa tonga ho iray
Vetsoy ka meteza hotiavina indray.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/fitiavana | Fitiavana | Fiaritiana | fanomezana sy anjara
ka tsy tokony ho voarara
fanomezan Andriamanitra
omeo ny haja sy ny hanitra
fanomezan Janahary
ka tokony habaribary
fanomezam pahasoavana
ka tokony hankatoavina
fanomezan tsarobidy
ka tsy tokony amidy
fanomezam pahasambarana
ka tsy tokony ho somparana
fanomezam pifaliana
no nahazoako a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/ener-lalandy | Ener lalandy | ny eja | Ener Lalandy ,
niezaka aho hahalala
izao fandaozanao
indrisy fa tsy takatro
ny mba hany fantatro:
dia ilay ianao feno fitsikiana
dia ilay ianao tsy laitran'ny hakiviana
dia ilay ianao mpanorotoro anay
indrindra fa ianao mpampianatra mahay
Ener Lalandy a
niezaka aho hilaza
teny mba sahaza
ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rmthv/o-ry-zazavavi-ndrano | O! ry zazavavi-ndrano ! | rmthv | O! ry zazavavy dia,
Arovinao ity totozy manirery ao an'ala,
Aza avela hitomany fa safosafoy moramora.
O! ry tovovavy jefy,
Mba ampianaro izy hahay hitia,
Ny biby tsy mitovy aminy.
O! ry tovovavy hendry,
Ampianaro koa izy hionona,
Amin'ny biby iray monja.
O! ry zazavavy faly,
Miandry anao izy hamaha ny fatoran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/ora | Ora | ranaivoharijaona rado liantsoa | ora iray angamba
tsy hampisy intsony ny ora
dia tonga moramora
tamim-peo avo
avo tena iva
toa alahelo lalina
tan-davaky tritriva
ny alina madiva
koa mahareta ianao
fa efa kely sisa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/matesa | Matesa | ranaivoharijaona rado liantsoa | Matesa ianao ry foko
K'aza mitempo intsony
Fitiavana amin'irony
Nandao antsokosoko
Aloko ianao no maty
Izay no ndeha ekena
Fa raha tsy izany mantsy
D'izaho no hamono tena |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/raha-toa-ka-1 | Raha toa ka ... | andriary | Raha toa ka ny fiainana
no ezahana dinihina
Angamba azo alamina
Raha toa ka misy taratra
Anjaran\'ny Rehetra
Mitosaka mahanina.
Raha toa ka misy fotsy
Tsy hanava-bolo-koditra
Ka sahy hanolo-tanana
Ho an\'ny \"mainty\" osaosa!
Ka harodana ny efitry
Ny mahatra sy manana!
Raha toa ka tsy hisy intsony
Ny hants... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/raha-toa-ka | Raha toa ka ... | andriary | Raha toa ka ny fiainana
no ezahana dinihina
Angamba azo alamina
Raha toa ka misy taratra
Anjaran\'ny Rehetra
Mitosaka mahanina.
Raha toa ka misy fotsy
Tsy hanava-bolo-koditra
Ka sahy hanolo-tanana
Ho an\'ny \"mainty\" osaosa!
Ka harodana ny efitry
Ny mahatra sy manana!
Raha toa ka tsy hisy intsony
Ny hants... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oelydina-alias-voninkazofotsy-1/nahoana-loatra-re | Nahoana loatra re?... | Oelydina (alias voninkazo.fotsy) | Fa nahoana re ry tany?
No notondrahanao tomany,
Izany foko kely izany!
Fa nahoana ry olona iny?
No nitempo anao ny foko,
Tamin'iny andro iny!
Ka nanomboka hatreo
Nanjary raikitra ato am-poko
Ilay salovan'endrikao
sy izay hafa momba anao...
Izay nambabo izany foko.
Nanjary tsy afaka ato am-poko
Ary fifaliako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/feo-1 | Feo | EMI RAOELISON | Ako no mifampitsena
Ampitaina mba ho any
Zoto tsy misy fanerena
Fitiavana tsy voatana
Feo mitondra ilay teny
Fijery tsy afa mifanena
Noelanelanin’ilay tany
Ny maso bongo no mahonena
Feo no nalefa nanivatsiva
Nameno reo banga tao antsaina
Ka niha sitrana ilay ratra
Fa re lay feo mpitondra aina
Toa nanjary na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/hafa | Hafa | ranaivoharijaona rado liantsoa | Andriamanitro o
Ny angatahiko anio
Dia zavatra vaovao
Raha toa ka sitrakao
Tsy toy ny isan'andro
Tsy vary iray kilao
Ho atao sakafo antoandro
Fa zavatra hafa mihitsy
Zavatra tsy nisy
Nahazo hatramin'izao
Nefa aho iriko
Mba hanomezanao
Mba hanomezo kely
Hanomezo dimy
Amin'ny kintanao
Efa antapitrisa
Hana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/miangatra-ny-peniko | Miangatra ny peniko | andriary | Miangatra ny peniko
Namoha manontolony
Ny tao anatiko rahetra
Ny tsy natao ho teneniko
Ny lasa nakalòny
Ny tantara efa dify
Hay , vaoatahiriny ho nisy
Reny rangotra efa tony!
Fa miangatra ny peniko!
Nofohaziny avokoa
Tsy navelany natory
Iriny mba hiverina
Ny fiainana taloha!!!
Ireo tsiambarateloko
Bobongo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/ho-anao-ry-malahelo | Ho anao ry malahelo | Miarantsoa Anicet | HO ANAO RY MALAHELO
Ho anao izay malahelo
Sy ory lalandava...
Ho anao izay malo- tava.
Ho anao izay....
Miaritra ny eson' ny tiavina tsy tia.....
Ho anao izay ory ety.
Ho anao ry malahelo !
Ho anao mahantra indrindra
Niniana ampahoriana...
Ho anao tsy mety tiana...
Ho anao indrindra ity !
Ho anao ' lay nofi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivoharijaona-rado-liantsoa/ririnina-1 | Ririnina | ranaivoharijaona rado liantsoa | Vatranao nalaina
Ilay sombik' hafanana
Nataony tsara pirina
Hiandrasana ririnina
Fa tsy naninona izy
Avy eo ianao dia lasa
Nilaza tsy tamana
Amin' ny tany mangatsiaka
Nametraka veloma
Veloma fandatsana
Izy moa haninona
Ka asakasakao
Fa ny andro izao ririnina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/tsy-fanahy-iniako | Tsy fanahy iniako | Fiaritiana | raha toa ianao maheno
dia mba henoy kely izao
fa ty foko tena feno
dia tsy sahy niteny anao
efa mafy loatra izao
angamba efa tsy anjara
ny mifanalavitra aminao
aleo faranana fa tsy tsara
eny sarotra zakaina
nefa tsy hay ny mbola ho avy
ataoko ahoana sombiniaina
tsy fanahy iniako anie ny handrava
tsy sitrapo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masoandrokely-vao-namiratra/dia-lasa-ianao | Dia lasa ianao | masoandrokely vao namiratra | maro be 'reo zavatra tiako ambara
eo koa 'lay fitiavana, diso tafahoatra angamba
nokoboniko mangina
tsy sahiko nozaraina
satria tsapako efa hatry ny ela
fa tsy ho ahy ianao ry tiana
ndray andro anefa tsy nampoiziko
toy ny taratr'hazavana
indro ianao nanantona ahy
nitondra tsiky sy hafanana
tsy niahotra intson... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/ririnina | Ririnina | EMI RAOELISON | Kanto mahalasa saina
Ity andro ny ririnina
Ka ireo hazo anjaridaina
Mangia-potsy sy mijihina
Voarava-ndady hazo
Sarona ilay maintso mavana
Voahovany ireo nalazo
Ka varina ireo mpitazana
Botsika sy mangatsangatsaka
Ity nodiavina rehetra
Endrika zay tena lafatra
Mendrika ny mitoetra
Mampatsiahy ny Noely
Maha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/satria-aho-nitia | SATRIA AHO NITIA... | Fredy Jaofera | SATRIA AHO NITIA
Satria aho nitia dia tsy noraharahina marina,
navela ho kamboty sy ny sisa tiako hitarina ;
satria aho nitia dia nolazaina ho hafetsena,
tsy nahina akory raha nanan-pahendrena !
Satria aho nitia dia nambara hoe : adala,
tsy nandaniana rora fa tsy zanaka malala ;
satria aho nitia dia nambanina ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/teo-am-pandihizantsika | TEO AM-PANDIHIZANTSIKA | Fredy Jaofera | Teo am-pandihizantsika,
nikalo lava toa mozika
ny foko saika niambatra
nahatsiaro tena sambatra.
Teo am-pandihizantsika
dia naleoko tsy nikiaka
nankafy ombieny ombieny
'zay tsy vitako amin-teny !
Teo am-pandihizantsika,
hirahira tsy hay adika
no nanentana avy hatrany
hampandefa ny vinany.
Teo am-pandihizant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-mbola-afaka | RAHA MBOLA AFAKA... | Fredy Jaofera | Raha mbola afaka ny kintana
hitaratra ny lalana,
dia ataoko f'efa vintana
azo antoka mivantana !
Raha mbola afaka ny volana
hibaliaka lalandava,
dia inoako fa tsy ho olana
ny ho miramiran-tava !
Raha mbola afaka ny tanako
hanoratra ho anao,
ahoana no ho faranako
'zay soratsoratro eto izao ? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masoandrokely-vao-namiratra/andrana | Andrana | masoandrokely vao namiratra | iny tovovavy iny, maha-saropiaro ahy
nefa koa toa halako
nosimbainy ty fonao
toa tsy nananany antra
nefa toa izy iny ihany
no tsy afaka ao an-dohanao
raha mba fantatrao mantsy ny ao anatiko ao
dia fitiavana mitovy ami'zany anananao
'lay tady mamatotra anao aminy
ny ahy koa 'nefa mamatotra ahy aminao
manan'end... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/impiry | Impiry ?! | Fredy Jaofera | Impiry aho no ory
fa tsy hita ianao nitondra tory ?
Impiry aho no kivy
fa tsy hita ianao efa ho in-tsivy ?
Impiry aho no irery
fa tsy hita ianao nitondra hery ?
Impiry aho no resy
fa tsy hita ianao nisesisesy ?
Impiry aho no niandry
fa tsy hita ianao hahatafandry ?
Impiry aho no nijaly
fa tsy hita ianao mba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/mientana | Mientàna | Ny Kanto | Ampientano avy ao anaty
Fandrao hanjary maina
Hihamafy ka ho faty
Ny fo mihamikarankaina
Ampientàno mba ho tia
Hanampy ny tsy manana
Hazoto hanolotra fitia
Amin’ny malemy tànana
Mientàna hanao ny tsara
Na asabotsy na alahady
Aza avela hisy handrara
Ny mitia tsy mba fady
Mientàna mba ho zatra
Ny fo sy saina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/soratro-1 | Soratro | EMI RAOELISON | Soratra no manamaivana
Ny alahelo sy ny etsatra
Soratra hiany koa
No fifaliana mitoetra
Voazara ami-soratsoratra
Ny tina ambara sy ampitaina
Mivoka ho azy sy miboraka
Na ny hafalina na taraina
Ka dia maivana ny tena
Fa voazara ny alahelo
Tena feno ny hafaliana
Fa voasoratra izay heno
Ka ny hita sy ny tazana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/mangirifiry | Mangirifiry | EMI RAOELISON | Te hitsahatra tsy hiteny
Ra-izay no fanafody
Ampikatona ny fery
Te-angina tsy ho heno
Ra- izay no mety atao
Ampodina ny efa lao
Te-amono eritreritra
Te-andositra tsy ahita
Te-anadino ny efa vita
Te- anampi-tsofin’aza
Te- anodina ny loa
Te- atory tsy hifoa
Fa reo anatra rehetra
Efa tapitra natao
Tsy nisy v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/taona | Taona | EMI RAOELISON | Fa ny taona no nanova
Mampisokatra ny loha
Mampivotra nanovozana
Manasitrana ny fo
Ilay taona hiany koa
Izay mandalo dia toa lasa
Nitelina ilay taloha
Namadika ny pejy ho hafa
Taona maro no nahitana
Tao ny ratsy tao ny soa
Tsiaro ny fahazazana
Tadidy tsy maty ao an-doha
Ny tao-ndasa, hoe tsy tsarona
Diso i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/vavaka-2 | Vavaka | EMI RAOELISON | Ry Andriamanitro o !
Misaotra anao aho
Nohon’ilay fitiavanao
Misaotra anao aho
Nohon’i hatsara-ponao
Sy ny fahasoavanao
Fa soa sy lehibe
Ny voninahitrao
Ka hisaorako anao
Ny vali-mbavako rehetra
Voaraiko Tompo o !
Hery ho ahy avi-aminao
Haleloia ry Jesosy
Ity aho mpanomponao
Tarito aho anara-dia
Ampianar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/samy-tiko | Samy tiko | EMI RAOELISON | Migaina sady tena maina
Toa mandoro ty masoandro
Ka eto aho no lasa saina
Alofan’elo ka mikalo
Io mitsidik’ato an-tsaiko
Ilay tani-ndrazako malala
Mangaina aho sy toa misento
Very saina toa adala
Manina ilay tani-ndrazako
Na dia mamiko aza ny eto
Fantatro izay voalazako
Tsy voatazoko ny sento
Toa mamy ny at... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-manam-pahataperana | TSY MANAM-PAHATAPERANA | Fredy Jaofera | 'Zao fiainantsika izao
dia efa nisy fiandohana ;
koa na inona ary atao,
mbola hisy fiafarana !
'Rony tanjona rehetra,
feno tsiky sesehena ;
dia tsarovy misy fetra,
na mamiratra jerena.
'Rony sedra nanadala
mbola nampitrapitra,
fantaro eto fa hiala
na mety koa ho ritra.
Fa 'lay fitia natolotro
ho anao irery... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ao-aminy | Ao aminy | Ny Kanto | Ao aminy
Tamin’ny fiainany
Sy tamin’ny fijeriny
No nahitako loharanon’
Ny fitia miboiboika
Tamin’ny anarany
Ny soa sy ny hatsarany
No nanaovam-belirano,
Fanekena tsy hilofika
Ao amin’ny Teniny
Sy ny fanoharany
No azo itarafana
Ilay fitia tsy mitomika
Ny miaraka aminy
Mandray ny fahasoavany
No itsiria’ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masoandrokely-vao-namiratra/soava-dia | Soava dia | masoandrokely vao namiratra | dia lasa tokoa ianao
handao 'ty fianakavianao
tiavo izy, mahazoa fahasambarana
veloma, ataovy harena sarobidiny ianao
ianao 'zay sarobidy taminay
fianakaviana vaovao ndray
no idiranao
mitondra fahasoavana any
ajanony ho anay ny tomany
te-hitazona anao 'zahay
ny any nefa koa te-handray anao
ataovy zay mety sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/boky | Boky | EMI RAOELISON | Ity fihanakin’i rano
Mandifitra izay ho aleha
Tsy ahitana ny amindrana
Toa gadra andrasana mpifehy
Ny asambarana nofisina
Tonga hiany mba nitsiky
Fa ny alahelo koa rongitina
Nidongy toerana nikiky
Tsemboka omba-pitiavana
Haritra ary tena mamy
Tsy mba kivy tsy mba niavona
Tsy lafatra fa lavorary
F’ireo koran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nodorana | NODORANA | Fredy Jaofera | NODORANA
Te hifantoka
dia nohobina ;
hazo natsatoka
ka nirina !
Nisy elanelana
dia navahana ;
hazo namelana
ka nitsahana.
Fo te hisokatra
dia nangorana ;
hazo namokatra
ka nodorana ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/tompo-o | Tompo o ! | EMI RAOELISON | Tompo o !
Ra ho tonga ny fotona
Tsy maintsy hiaonako aminao
Tiko aho ra- tsy hisaonana
Mamiko ny akaikinao
Ka ny fangatahana ataoko
Averiko isan’andro izao
Ireo taranako any heriko
Apetrako ho eo antananao
Tompo o ! ampianaro
Izy ireo hihaino anao
Ampianaro fahendrena
Tsy ho solafaka tsy hivena
Mba tafio f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/veleso-ny-aponga | Veleso ny aponga | Miarantsoa Anicet | VELESO NY APONGA
Veleso re ny aponga,
Tairo ireo matory .
Maro ny efa tonga ,
Maro ireo mitory .
Mbola maro koa anefa
Ireo ambadiky ny vala .
Koa...Mila antsika rehetra
Mitoria, aza misala.
Veleso re ny aponga.
Lazao ny namanao,
Na tanora e na kilonga,
Teny soa no ambarao .
Ambarao ho reny
Ny teny famant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/aloka-1 | Aloka | EMI RAOELISON | Lalina tsy misy farany
Ny eritreritra mandeha
Fantarina alaina ho namana
Tsy takatra tsy voafehy
Ivelany no amboarina
Tefena mba tsy ampihomehy
Anatiny saro-tsitranina
Nanova ny hatsara-tarehy
Nieritreritra irery
Tsy nizara fa voarara
Nijaly saina sy niery
Nihazona ilay tsy ho tana
Tsy tiana anefa nihafina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/feo | Feo | EMI RAOELISON | Ako no mifampitsena
Ampitaina mba ho any
Zoto tsy misy fanerena
Fitiavana tsy voatana
Feo mitondra ilay teny
Fijery tsy afa mifanena
Noelanelanin’ilay tany
Ny maso bongo no mahonena
Feo no nalefa nanivatsiva
Nameno reo banga tao antsaina
Ka niha sitrana ilay ratra
Fa re lay feo mpitondra aina
Toa nanjary na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/adino | Adino | EMI RAOELISON | Fa ny soa sy tena tsara
Mazana takona tsy hita
Miafina ny hatsarana
Mora adino ny soa vita
Fa toa ny ratsy hatrany hiany
No voatsikera vovisavisa
Raha mba sendra mahatsiaro
Ny ratsy hiany, no voatanisa
Ireo ezaka izay natao
Nivadika ho disadisa
Noheverina ho mety izao
Hay,tamin’i hafa filana kisa
Ny lalana ... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.