url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/tahiry
Tahiry
EMI RAOELISON
Tahiry tsiaro fahantsiarovana Tadidy fa tsy hoe taraina Voarangotra tsy hay nafenina Narafitra tsy ho very maina Tsiaro dia nontantaraina Izay nahasorena koa voateny Holan’i hafa mba nozaraina Voarangotro ao daholo ireny Rangotra fa mitahiry Na dia namizana ny saina Mamy nampangirifiry Andry najoro mba ho ai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/ra-vorona
Ra vorona
Jeankely Razafimamonjy
Endrey!zato hakinganao, Ravorona manidina. Mikopakopak'elatra eny ambony mitatao, lasa nisidina. Mba ampindramo ahy , ny elatrao, Handehanako am-panahy raha azo atao. Ny kiokiokao manintona ny sofina , Ra vorona Ô Ravin-kazo no mba tsofina , mba ho toa anao. Iriko mafy ny ho tahaka anao, tsy misy tsiny. N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/fararano
Fararano
Miarantsoa Anicet
FARARANO Fo mitriatra ambony hazo! Ny foko mena mba hotazo . Fo atokotoko foana , Sao lahy simban' ny fotoana ! Ah ! Avy ny fo ! Manoram- po tokoa Any anty ala any . Ny rivotra eny izany Manozona ny lohako . Mihintsana izy ity Fa manitra fitia . Hielo ve aho ? Fa miongotra an- tsampaho Ireto fo efa mato...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/t-a-h-o-t-r-a
T a h o t r a
EMI RAOELISON
Fa ny rivotra nitsoka Indraindray mitondra hery Ka ny hatsembohana nandotra No, nahamaininy tsy ho hita teny Dia ny vovoka no tonga nanditsoka ilay fony tery Nanakona ilay natsoina Diso lalana ka very Fa, kitay lena nofakoina Naroso hiitaninan'afo Tsy nirehitra nidongy fona Setroka sy ranomaso Ny azava'ilay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/aloka
Aloka
EMI RAOELISON
Lalina tsy misy farany Ny eritreritra mandeha Fantarina alaina ho namana Tsy takatra tsy voafehy Ivelany no amboarina Tefena mba tsy ampihomehy Anatiny saro-tsitranina Nanova ny hatsara-tarehy Nieritreritra irery Tsy nizara fa voarara Nijaly saina sy niery Nihazona ilay tsy ho tana Tsy tiana anefa nihafina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/ry-taniko-1
Ry taniko
EMI RAOELISON
Mamiko ianao Tiako sady hanitro Fifaliany saiko Sitrako fa taniko Tsy sarako mihintsy Izato bikanao Toa maro mpaka fia Na mahantra aza Tsy menatra mijoro Sy tena be mpitia Ilay sarisarinao Mitongotr'akavia Mailaka sy kinga Mahavariana éry Gaga ireo mpadalo Mijery izato ianao Ao ampovoa-ndrano Mena tia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/ny-taona
Ny taona
EMI RAOELISON
Nandalo nihodin’ilay taona Toa niha matotra avy hatrany Nirifatra ilay fotoana Roa arivo no io fa tamy Nihazakazaka tsy tratra Fihodi-pamataran’ora Vetivety nampidanaka Ny taona iray toa tsy ela akory Mirimorimo toa tsy hita Nahavarina tsy nampino Ilay zaza teo toa vao omaly Efa mitantana ankehitrio Ilay en...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/vazo
Vazo
EMI RAOELISON
Vazo tsara fiantefana Tojo kalo ka dia mamo Sendra tiana naha-adala Ka rempotra tsy mety ho kamo Feo voalohany nandalo Voatanan’ilay feo faharoa Nampiarahina ho kalo Ka naha torotoro fo Fitiavana no nisasarana Tao am-po tsy tina ho mona Noezahina mba tsy hifarana Ny hirany tsy tina ho fona Vazo, fa nampila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/madagasikara-1
Madagasikara
EMI RAOELISON
Mamiko ianao Tiako sady hanitro Fifaliany saiko Sitrako fa taniko Tsy sarako mihintsy Izato bikanao Toa maro mpaka fia Na mahantra aza Tsy menatra mijoro Sy tena be mpitia Ilay sarisarinao Mitongotr'akavia Mailaka sy kinga Mahavariana ery Gaga ireo mpandalo Mijery izato ianao Ao ampovoa-ndrano Mena tia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/voro-kely
Voro-kely
EMI RAOELISON
Eto ambaravarakely N’ilay trano fatoriko Indreo ireo voro-kely Mamangy ahy misiotsioka Mibitsika ny arahaba Maninton’ho azy ny fijeriko Mitarik’ahy tsy mihambahamba Mamerin’amiko ny heriko Dia maniditsidin’eo Toa somary mampifila No manolotr’ho ahy lay feo Mandrotsy ahy ama-kira Manambotra ny ankaniny Ao a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/sendra
Sendra !
EMI RAOELISON
Avy ny orana androany Maloka sy malahelo Mikotroka tsy mety ho lany mamoha ilay tsiambaratelo Injany henoko mipatraka Any antafo-tranoko any Ranon'orana miraraka Manakotsa tokotany Voro-kely koa no indreny Miriotra toa mitady ankany Vizana niremby teny Soa, sendra ravi-kazo ihany Ka ny rivotra mitsoka No n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/koloiko
Koloiko
EMI RAOELISON
Ty tono-kaloko no hirako Famborahako ny ventsoko Ventsoiko ho tonga tono-kira Hiraiko tsy ho lasa sento Ty soratro voafantina Tena vokatry ny fo Tsy ambo ary tsy nindramina Fa asa sy ny tao andoa Faly aho manorantsoratra Malahelo toa izany koa Ilay ratrako nihova ho olatra Ny soratro no mahasoa Namako tsy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/emi-raoelison/tavela
Tavela
EMI RAOELISON
Tsy nahatsiaro fotsy mbary Adino ilay nihehy ny tany Fa mikonina manosika Ireto atody ho tsara hotrika Ka niha- maivana sy lany Tsy mety niala teo hiany Mandamina sy manambotra Ireo atody tsy andamoka Tonga hiany rehefa ela Ilay fotoana volamena Ka reha ilay feo mahavarina Sy kiakiaka tsy mety angina Iny ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramarovelo-mialiseheno-nantenaina-na-i-kalamy/namako-izy-izay
Namako izy izay
RAMAROVELO Mialiseheno Nantenaina na i KALAMY
any ianao izay any lavitra any mety mahatsiaro ahy aza adino izy izay manirery aho izao fa lasa ianao nandao ity fitiavana vao niandoha ka zary mamparary an-doha tsy midika ho fisarahana fa kosa fisitahana tsy ekeko mhts ny hoe: lavitry ny maso hono lavitry ny fo e! mba manina ahy ve ianao izao za zao las...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/aza
Aza...
Fiaritiana
aza lazaina amiko intsony raha ny mombamomba azy fa raha manina ny fony dia jereo hono hoe ny sary aza hambara ahy koa hoe iza indray no olon tiany fa mandratra fotsiny ny fo raha izay no faniriany aza ampitsahivina ahy akory ny lasanay hatrizay fa izy ireny efa natory ka aleo tantara ho anay aza miteny int...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/mifampitady
...mifampitady
oceane
Fa raha averina ireo lasa raha hitohy ilay tantara Dia efa fantatra avy hatrany izay mety ho fizotrany ... Dia naleontsika ihany samy mihanoka mangina ilay tohim-pahasambarana ... saika niarahana Fa nohezahina naverina ilay tantarantsika roa Fa tsy nizatra izany intsony na izaho na ianao Dia samy lasana na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/omeo-kintana
Omeo kintana
Ny Kanto
Omeo Kintana Ho tadiaviko ilay kintana Izay hitarika ahy ho any Hankalazaiko ny fitiavany ‘Lay vahin-danitra banjiniko Hosavaiko ilay làlana Eny an’habaky ny tany Hataoko hira ny anarany Ho masaka ao am-poko Rahampitso ho tojo avana Ilay fo nigogo nitomany Koa ny tànako sy tànany Hifandray no faniriako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/herisetra
Herisetra
Ny Kanto
Indro hamidinao Ny tany tena maminy Indro ho simbainao Ny rano, loharanony Indro ho ravainao Ny ala sy ny sahany Indro harodanao Ny trano sy fananany Indro hakombonao Ny maso sy ny vavany Indro ho tapahinao Ny togotra aman-tanany Indro ho hitsahinao Ny hany fahafahany Fa nahoana ianao no mihetraketraka ao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivomanana-m-jean-felix/nahoana-2
nahoana
RANAIVOMANANA M Jean Félix
Nahoana no tsy hilatsaka ny ranomaso; Raha toa ka ilay masoandro nibalika No nilentika tsy ho hita any ambadiky ny rahona ! Nahoana no tsy ho velon-tseto raha tojo fisarahana amin'ny tapaka sy namana; Tsy hahita azy intsony Satria izy efa natory tsy hiverina intsony ! Nahoana no tsy hiantso mafy raha sendra fah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/nankaiza
Nankaiza
Ny Kanto
Toa tsy misy intsony valala Sy feom-boro-mahatamana Fa nankaiza daholo ny ala ? No tany mena sisa zahàna Ritra avokoa ireo loharano, Mihena ny tsondro an’ony. Ho lasa tantara sy angano Ny voary izay nampitony Nankaiza ny ala ? – Lasa. Nankaiza ny rano ? – Lasa. Koa inona sisa mijoro ? - Ny vola izay nampikor...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/tiako-ialahy
Tiako ialahy
Miarantsoa Anicet
Tiako loatra ialahy ! Tsotra toa an' ahy ! Ka ny orana avy ambony Na ny kotroka sy tselatra... Tsisy henoko intsony Fa foko izay mivelatra , Sy vonto manantena No indro menamena . Tiako leitsy ialahy Ilay silaka fanahy Angatahiko amin' ny Ray . Ô! Mendrika izy izay . Izaho tsy mila bika , Tsy mila koa hoe ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivomanana-m-jean-felix/diavolana
diavolana
RANAIVOMANANA M Jean Félix
Diavolana irery eo am-pototry ny hazo Feom-borona maneno no manala fahan-ginana ka nahatonga ahy hametso ireo tantarantsika lasa Diavolana mazava no mitaratra ny tava Ny manodidina amin'izany dia mifaly Ny ankizy velon-kira
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/gaigy-aloha-ialahy-e
Gaigy aloha ialahy e !
Miarantsoa Anicet
Gaigy aloha ialahy e ! Voaray ho mpiasanao aho ! Mpamitra ny maloto. Mpandridnra zay voatoto. Mpanarina ny lavo ! De mpamelona voatavo ! Tay aloha elà e ! Gaigy loatra ka ! Voasafosafonao aho De mazoto miasa ery ! Manompo fa hoe tia ! Tsy mndray karama .... Manaiky anao aho mama a ! Mifona kosa aloha Fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/tononkiram-pitiavako-ianao
Tononkiram-pitiavako ianao
Ny Kanto
Fa tononkiram-pitiavako ianao Mamaka ao anaty, mitety ny fanahy Mitondra lokon-tsiky vaovao Mifandrohy tsy mahasaraka ahy Tononkira hanala rofy sy toloko Nitampify tao, tsy hita, naka laka Ianao mipololotra avy ao-poko Fanafody tsy avelako hisy haka Fa tononkira hanitry ny rivotro Ritsoka fitia mahavelom-bolo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/mifampitady-1
...mifampitady
oceane
Fa raha averina ireo lasa raha hitohy ilay tantara Dia efa fantatra avy hatrany izay mety ho fizotrany ... Dia naleontsika ihany samy mihanoka mangina ilay tohim-pahasambarana ... saika niarahana Fa nohezahina naverina ilay tantarantsika roa Fa tsy nizatra izany intsony na izaho na ianao Dia samy lasana na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/mpamaky-mpankafy
Mpamaky mpankafy
andriary
Ianao mankafy ny tonokalo nosoratany Ianao tia ery, ny angolany sy hantany, Ianao mankamamy, ny redirediny mandalo Dia ho anao tokotokoa, ny hiantsany tonokalo! Ianao mpamakivaky, ny tonokalo nosoratany Ianao mankasitraka, nefa olona tsy fantany Ianao niombon-kevitra , amin'ny sombin'asa sorany Dia ny toa anao i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/nandalo-teto-izy
Nandalo teto izy
andriary
(Ho fampaherezana ireo tovovavy navela niady irery) Nandalo teto izy Nitrotro zazakely Tombanana nahantra Toy ny nioty manta Ny anjaram-pahasambarany Namitaka ny lalany Nandalo teto izy! Ts'isy sori-tsiky akory Na feo mba niloaka Fa niezaka nandroaka Ny ngidy tany anatiny... Ny lasany tsy tantiny Nandalo t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/ianao-ry-tiana
Ianao ry tiana
Fiaritiana
mangetaheta aho, ianao no rano noana koa aho , ianao no sakafo tsy manan kialofana aho, ianao no trano mangatsiaka aho, ianao ilay afo mampafana ny ao anatiko rehetra mbola tany aminao koa ilay fitia tsy mba voafetra avy ny orana , ianao no elo ianao nihira , izaho niheno narary aho , mbola ianao no dokotera i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zoarimamy/hafatra
Hafatra
zoarimamy
Iny lanitra manga iny no ampitondraiko hafatra ho anao Enga anie tsy ho diso lalana izy iny, ka ho fihininao lay antsoko milaza fa "tena tiako ianao". Roa volana izay no lasa. Roa volana monja nefa zary taona maro rehefa tsy eo anilanao. Raha mba fantatrao mantsy ny ato anatiko ato, te hanainga atsy ho atsy, te hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/mifampitady-2
...mifampitady
oceane
Fa raha averina ireo lasa raha hitohy ilay tantara Dia efa fantatra avy hatrany izay mety ho fizotrany ... Dia naleontsika ihany samy mihanoka mangina ilay tohim-pahasambarana ... saika niarahana Fa nohezahina naverina ilay tantarantsika roa Fa tsy nizatra izany intsony na izaho na ianao Dia samy lasana na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oully/soa-ihany
Soa ihany
Oully
Soa fa nisy lohataona Nandimby ny hirifiry Soa fa ny maraina No nandevona 'ty ali-mankadiry Soa fa nisy mamy Tanatin'ny mangidy Soa fa ny tomany No nanekeko ireny didy Soa fa nisy fahendrena Nanitsy ny hadalàna Soa fa ny mody mena No nampiratra ny volamena Soa fa nisy ianao Nisolo izay tsy izy Soa fa ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/tsy-maninona
Tsy maninona
andriary
Tsy maninona raha ny faniriana iray tsy to Tsy maninona ny fikasana rehetra tsy tanteraka avokoa! tsy maninona, lay hazo namboleko ,tsy naniry tsy namoa, tsy maninona fa lalako voatokana ,voasoritra mialoha! Tsy maninona, ny alin-dohataona ,ts'isy volana mitranga tsy maninona ny diavolam-pararano, misy hafal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/lay-olon-tiako-izay
'lay olon- tiako izay
Miarantsoa Anicet
'Lay olon- tiako izay! Namitaka ahy in- dray, Namitaka ahy in-droa .... Dia mbola tiako koa .... Angamba efa im- polo Fa tsy sitrako asolo. 'Lay oon- tiako leitsy Dia zazavavy fetsy ! Tsy tena hoe bikaina : Zavavy kilemaina , Masiaka tsy tohinina ... Tsy endrika tsy inona ... Fa manandevo an' ahy ... Tsy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramarovelo-mialiseheno-nantenaina-na-i-kalamy/nitia-aho
Nitia aho...
RAMAROVELO Mialiseheno Nantenaina na i KALAMY
Nitia aho efa ela aho no mba nanairy anao kanefa toa tsy norarahianao diso fiantefa angamba ity foko manjary miaritra sento sy toloko efa ela aho no naniry raha mba ho tafiaraka isika niezaka ihany aho nikiry tsy anjara angamaba ny antsika nitia aho, nitia anao mba maniry ny ho tantananao niandry ihany aho e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/iza-loatra-no-migafy
iza loatra no migafy?
Fiaritiana
tantely ity no lasa vahona nainandro koa no nandrahona maizina tokoa ity tany rakofan izao tomany mamy no lasa mangidy izaho koa tsy manan tsafidy fa dia mizaka sy miafy iza loatra no migafy? salama no lasa marary fa dia nahoana ary izany? sedra ve sa anjara? nofy koa sa tantara? toa tsy hisy fiafarany rah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivomanana-m-jean-felix/leo
leo
RANAIVOMANANA M Jean Félix
Teo ambaravaran-kely aho no nisaina Sy nanamafy herin-tsaina , Ny torimaso tsy hita intsony ; Mikarokaroka ny vavony Ny adin-tsaina tsy voavono Ny siokany vorona nefa tony Fa nahoana moa izato ianao, no nandao? Leo ve dia tsy sahy niteny ? Ny anjara ve no tsy mitovy ka dia indro ianao fa nody ! Leo angamba h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/taitra-aho
Taitra aho
oceane
"Taitra aho raha nahare fa hay ianao, tsy nitia ahy akory hatrizay." Hitako amin'ireny fihetsikao tsapako amin'ireny teninao. Fa saingy nodiako tsy niraika fa saingy nodiako toa tsy taitra. Dia nifarana ilay antsika izay niatomboka vao tsy ela Satria hono tonga izy ilay tena tompo-toerana. Dia nangaina teny a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fiaritiana/st-valentin
St valentin
Fiaritiana
ITY RAOZY TOKANA ATOLOTRO ANAO NATOKAKO MANOKANA AMIN IZAO ANDRO FETY IZAO OMEKO KOA NY FOKO RAHA TOA KA SITRAKAO OMEKO KA HO AFOIKO RAHA MBOLA HO ANAO ENGA ANIE ITY ANDRO ITY HITONDRA HATRANY FIFALIANA ARY HAMPITOMBO ILAY FITIA SY NY VOADIN NY FANAMBADIANA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/ianao-1
Ianao
Jeankely Razafimamonjy
Toa masoandro vao maraina Feno hery mamelombelona ny aina Ny mahita anao manoloana ahy Mahafeno fifaliana ,manala ahiahy Toa felam-boninkazo vao misantatra Rakotry ny hatsarana fatratra Mandravaka ny tontolo iainana Mahavelom-bolo ny fisainana Ianao ilay natokana ho ahy Ho fanilo manazava ny fanahy Andry miha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratehovalahara/dina
Dina
ratehovalahara
dina ravaky ny foko ianao satria tafaray izao reo embona sy tsiahy mihamirotsaka tsy nahy sitrany ery mba hitafa hanary ireo sento hafa saingy tsy anoloana fa ao an-tsaina foana mila tsy ho tontosako ny vetso izay naposako hahatsiaro anao... mba firy moa ireo sahala ilazako hoe malala fa natokako ianao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/hatanorana
Hatanorana
Jeankely Razafimamonjy
Hatanorana haingam-pamindra Ilay nahitana ny tsara indrindra 'Lay lokom-pitia tena voarindra Izay tena marevaka sady mirindra Nahenoana ilay feom-prara Kanto sy meva voahorona tsara Fitiavana no tena nameno tantara Mampitandrevaka sy maha-tara Hatanorana voafehim-potoana Indro mitady hampiteny ny moana Lohara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratehovalahara/sisa-minitra
'sisa-minitra'
ratehovalahara
'sisa-minitra' lakalaka misompirana vonto anao ny habaka... 'reny aloka mangirana dika vilana manavaka... isaky ny ditran'onjany eny, lanaka sy drodroka... fo nigobona ny fonjany sampy zina tsy nisoroka... tsidikao mangasihasy voasary afo tokan'hasy sondriana teo izy omaly... sentoko nanary ampinga minitra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/miboiboika
Miboiboika
Miarantsoa Anicet
MIBOIBOIKA Ô ! Ry lavaka fatsakana! Izay nohadian' ny mpanao lalàna , E... miboika mangarangarana, E... miboika ka tsy mifarana: Rano mamy e mba hosotroina Ranomanitra hamboloina . Nohirain' ny zazavavy, Noredonin' ny mpianakavy, Noventesin' ny mbola zaza : Nolavahan' ny manan- kaja Tam' ny tehina fanapahana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ny-horokao-ry-tiana-1
Ny horokao ry tiana
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
“Efa ninia tsy nanoratra aho nefa tsy navelan’ny ainga ho afa-bela ka dia indro indray ny soratro alefako hankafizinao Mpàka fy; Malalason” Ny horokao ry tiana! Hery sy tanjaka ho ahy Ny horoka Nomenao ahy ry tiana! Ny fo sy saina amam-panahy No dorok’I Ny hamamiana! Ny matsaboka aza lasa mamy Rehefa ianao I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/ho-tia-ahy-ianao-rahampitso
Ho tia ahy ianao rahampitso ?
Miarantsoa Anicet
Ho tia ahy ianao rahampitso ? Hamela ahy ianao rahampitso ? Ny atoandro aho ...Hiantso anao , Hiangavy sy hitalao... Hifona ihany koa ... Handady tampon- doha ... Hivalo marimarina ... Hanodhalika ts' hiarina .... Ho tia ahy ianao rahampitso ? Hamela ny efa diso ? Hanaiky hody aty ? sa ... hanosika fitia ? ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sahyman/ratsimandrava
Ratsimandrava
sahyman
Ho fahatsiarovana ny vaninandron'ny 11fevrie 1995-11 fevrie 2005 nahalavo ny kolonely Richard RATSIMANDRAVA ( 30 taona lasa ) Dia lavo, hono, ianao, lavo tsotra izao.... Ianao ilay andrarezina tsy vita nofehezina Ianao ilay voara nanova ny tantara. Fa moa tsy avy aminao ny tsimoky ny tolona namaka taminay ? Niton...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/seranan-drahona
Seranan-drahona
oceane
Dia nitanondrika aho, tsy nahajery azy nitanondrika avy hatrany, tsy nahatraka intsony Ankona tanteraka, tohina avy hatrany vao nahare ilay hoe tsy tia ahy izy. Nihodina ny tany nihamatroka ny lanitra Nirotsaka ny orana dia nangatsiaka aho Dia izy koa nandeha fa mbola maika hono Izaho sy ilay foko navelany t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivomanana-m-jean-felix/naleonao
naleonao
RANAIVOMANANA M Jean Félix
Ny tananao no niaro ahy sy nitantana ahy ka dia niaradia ho tena mpifankatia Mandresy fahoriana ny akaikinao ry tiana Nandrotsirotsy ahy ny feonao miteny Ny masonao mibanjina no zary tsianjery Ny nifinao nitsiky no misy teny mihery Ny fidoboky ny foko dia ho anao irery vao nitsingerina ny taona dia io ianao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/alina
Alina
Jeankely Razafimamonjy
Alina indray ity ny andro Efa nidify ilay masoandro Alina ilay fotoana fahatoriana Alina , fitadiavana fandriana Alina ny andro ka alina Maizim-pito toa lavaka lalina Alina,alina fialan-tsasatsa Fanadinoana ireo zava-nanasatra Alina toa mampitebiteby, Indraindray aza mandrebireby Alina ,tsy mba azo hihavanana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/lanto
Lanto
Miarantsoa Anicet
LANTO Nolavinao satria : Tompo samy hafa ny Tompontsika roa. Nilaozanao 'lay tia. Hafa angamba ny ahy . Hafa ho anao tokoa. Nandao ianao satria : Mafy laotra angamba ny ziogako aminao. Dia roso ianao nadia ; Dia rendrika niharana 'zay namana vaovao. Tsy zakanao intsony ny fombam-pivavahako. Tsy tantinao rahat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/ankalazaiko
Ankalazaiko
Mampikanto
ANKALAZAIKO, Ankalazaiko ihany na dia tsy ho fantatrao Ankalazaiko miafina ilay fitiavako anao Ankalazaiko irery eto an-tany fandalovana Ilay foko tia anao feno raiki-tsarim-pahatsiarovana Ankalazaiko tokoa satria efa taona maro izay Ankalazaiko ao anaty fahanginana indray Ankalazaiko toy ireo taona maro ifandim...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ny-horokao-ry-tiana
Ny horokao ry tiana
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
“Efa ninia tsy nanoratra aho nefa tsy navelan’ny ainga ho afa-bela ka dia indro indray ny soratro alefako hankafizinao Mpàka fy; Malalason” Ny horokao ry tiana! Hery sy tanjaka ho ahy Ny horoka Nomenao ahy ry tiana! Ny fo sy saina amam-panahy No dorok’I Ny hamamiana! Ny matsaboka aza lasa mamy Rehefa ianao I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratehovalahara/serana
Serana
ratehovalahara
ny hamboraka izay ao am-pony toa zava-tsarotra aok'izany ndrao hararaotinao ny zony ka izy handrotsaka tomany ny tomany efa namboloiny voakotrika niseran - tsiky dia reo taraina tsy mba foiny tanaty andro manjokiky raha ianao no e hisantatra ny fony amam-piserany dia mitompo teny fantatra fa ny ahiahy nofera...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voromailala/tsihy-ny-fitiavako
Tsihy ny fitiavako
Voromailala
Norariako tsikelikely tao ampoko Ny fitiavako anao ry tovovavy Lasa tsihy,mafy tsy laitran-joto Ka nivelatra ho azy Ny hatsarapahaninao,nataoko fatotra Nihazomako ireo taho Ny tsikitsikinao kosa, nataoko lalotra Nandokoko tsotra zao Koa io ary ny tsihy Sady mafy no mateza Hanehoako ilay fitia Avia re, ka met...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/zaza-kamboty
Zaza-kamboty
Jeankely Razafimamonjy
Injany voron-kely mitaraina irery Ao anatin'ny ala toa maizin-kitsoka Tsy mba misy mpiahy na koa hoe mpijery Mba hanasitrana ilay maso ditsoka Nilaozan'i Dada nilaozan'i Neny Navelany ho amin'ny mandrakizay Tsy mba misy mpihaino raha mba miteny Any ka mahatsiaro ho tena iray Ranomaso no latsaka raha vao mahatsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/fitiavana-1
Fitiavana
Jeankely Razafimamonjy
He! ianao ry ilay fitiavana. Izay mangeja olo-maro, Mampisaraka amin-kavana ; Nohon'ny hasarotam-piaro. Maro no efa lasanao. Na an-trano na an-dalam-be, Toa tsy misy avelanao; Na kely na lehibe. Toa hananao ny hery , Tsy laitran'iza ho ravana . Ireo mitokan-tena irery, Vao tratranao toa tamana. Na lavitra n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/so/soa-ihany-1
Soa ihany
So
Soa ihany Soa fa teo izy nitondra hafaliana Soa fa teo izy nanala hakiviana! Soa fa nisy ny andro vaovao mba hamantaranao fa hay.... Tsara sady mamy ny fiainana eto antany; na de mifanesy aza ireo tsiky sy tomany Fa izay ilay fanomezana nomena ahy sy ianao Soa fa teo izy nampatsiahy izany. Lalina mihitsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/miandry-anao-ny-taninao
Miandry anao ny taninao
Jeankely Razafimamonjy
Ry tanora manan-tsaina, Ianao no mbola hantenaina, miha-mandroso ny fotoana, Lasa ihany koa ny taona, Miandry anao ny taninao. Milanao Gasikara , Hanampy sy hikarakara, Hanandratra ny voninahiny, Fandrosoana no katsahiny, Miandry anao ny taninao. Ampio ireo mpitondra anao Hahantontosa izay atao, Ny toe-tsai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azuno/tia
Tia
azuno
fitiavana tena mamy no atolotro ho anao androany fitia tsy misy nenina fa mankamamy ka tsy azo afenina ity tenako adala no nanolotra tsy an-tsalasala ka nanome hatrany sady ho anao irery ihany fitiavana mandrakizay no mba faniriko hatrizay koa manontany tena aho ianao ihany ve ilay am-poko ao fitia ho doria...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azuno/ry-olon-tiako
Ry olon-tiako
azuno
o!ry olon-tiako tena tiako ianao ka faniriko ny hiara-dalana aminao mandrakizay ka hitambaran'ny fontsika roa hanjary ho iray fitiavana mandrakizay no nitiavako anao ka tsy ho levona izany fa efa lalina am-poko ao tsy vetsovetsom-po fotsiny ihany fa tena haharitra hatrany am-parany any raha misy ny adalana nank...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/vongan-dranomaso-nahitsy
Vongan-dranomaso
Ny Kanto
Bongo mason’ny tomany Ilay nandray ny hafatrao Ka rahoviana hono izany Fa ny tontolony miha-lao ? Embon-tsiky tsy fahita No nitsiry teny an-tavany Ela mantsy tsy nahita Anao ilay teny an-tratrany Ny manga kely hitany Tamin’iny lanitra iny Toa mangarika ny vintany Anefa mbola iriny Dia tsy ho sahiko akory N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/niaretany-ny-mafy
Niaretany ny mafy
andriary
Lavitra ny lalana Ny lalana nalehany. Sarotra ny fiainany Ny fiainana natrehany! Tendrombohitra mideza No tsy maintsy nandehanany Tany feno fandrika No tsy maintsy nitsanganany! Namakivaky tany efitra Ny hafanana tsy nadefitra Kitoan-tany tomandavana Hatrery am-para-tazana! Hetaheta sy hanoanana No nekeny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-hasina-heritiana/tiako-ho-fantatrao
Tiako ho fantatrao
Ny Hasina Heritiana
Toy ny voatsindrona antsy; Izato foko tsy mahatanty; Ny tsy hiresaka aminao; efa ho herinandro izao. Toa tsy misy andro mihiratra; ny fiainako tsy misy anao; Na ny ora toa mihisatra; miandry ny fiverenanao. Toa tsy ho andriko ilay fotoana; hahafahanao indray; hiresaka amiko fonafona; hifaliako amin'izany. K...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azuno/ilay-hafatra
Ilay hafatra
azuno
raha fitiavana no asandratra dia tena avo sady mahasambatra hifandrombahan'ny olona ankahitriny ka matetika miafara amin'ny tody sy ny tsiny maro tokoa ny mpifankatia ny mivilivily atsy sy ary ka mahatonga izany tsy haharitra fa vetivety foana dia tapitra tsara tokoa ny mifanaja tena mba tsy amikorontana sy ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/ilay-iny
Ilay ... iny ...
Mampikanto
ILAY … INY…. Ilay erika nifafy Toa vao maika koa nanamafy Ilay ranomasoko tsy tàna Malahelo anao mazàna Iny làlana iny koa Izay falehantsika roa No hany mahalala Fa ny foko dia “adala” Iny volana miampify E! saron-drahona indrisy Saika mba alaiko ho namana kanefa Tsy voajinery akory dia nilefa Ilay siokam-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivomanana-m-jean-felix/niandry
niandry
RANAIVOMANANA M Jean Félix
Teo aho no niandry anao Dia mbola miandry hatramin'izao Tsy kivy fa mbola manantena Ny hahita anao tsy mihena Toa niandry foana teo, Ny ora aza efa dify Izaho niandry nanantena Nefa ianao tsy tonga Ny hampitso aho tsy mbola kivy Fa niandry anao hatrany, Toa mahita anao avy lavitra Aneritreritro izany Ne...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/mpahary-matihanina
Mpahary matihanina
andriary
Raha vao nahita anao nandalo sy niserana Nandravak'iny lalan'iny mitombam-panaperana Nahoana no tsy hiontana ny ato anatiko rehetra Fa ny hatsarana nentinbao satriko tsy hanam-petra!! Ny bikanao indray mijery dia ny lafatr' aok'izany Na tsy misy ny tanteraka azo indramina eto an-tany Dia manambara ny hakanton'ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/fanantenana
Fanantenana
Jeankely Razafimamonjy
O!ry olona misaina, Aza mora kivy loatra . Fa raha mbola samy velon'aina, Dia mbola afaka mivoatra. Ny tsy fanananao anio, Aza atao maha-kivy fo. Izao ihany no tadidio, Mbola ho hitanao ny soa. N'iza n' iza mitomany ny amin'izao fiainana izao. Tsy homena tsiny ihany, Noho ireo raho-mitatao. Nefa izao no ata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/rivo-doza
Rivo-doza
Ny Kanto
Ho fiarahako ory amin'ireo fianakaviana any Atsimon'i Madagasikara tra-boina noho ny rivo-doza izay nahazo azy ireo amin'izao fotoana izao ( 17 no maty ary 139 olon avery tsy hita). Mankahery hatrany ireo izay misahana ny asam-panarenana rehetra noho izany. Rivo-doza Elita, Eline, Gafilo Geralda sy Manou Felipi s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/azuno/tsy-ambara-telo
Tsy ambara telo
azuno
tsy ambara telo ny fitiavako anao tsy fantatr'iza fa fantatrao ilay niriko hiroborobo ka hatramin'ny ela izao ny foko lasanao tsy misy tavela tsy ambara telo fa ianao no iriko,ho andry iankihinako tsy ambara telo fa raha anilanao aho tsy ho sahirana hiara-hisedra ny ho avy anaty fitiavana ary inoko fa tsy ho rav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/herim-pitia
Herim-pitia
Jeankely Razafimamonjy
Raha mba tsapanao mantsy Izany hery ato anaty Toa voaboraka tsy satry vonoana nefa toa tsy maty Izany 'lay herim-pitia Mampijaly mankahia Tsy mba laitram-panafody Fa mampisaina toy ny tody Toa mampiteniteny foana mampilatra-dranomaso Izay atao toa zava-poana Fa bongo lava izao ny maso Asa ianao raha toa ahy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahi/asa-angamba
Asa angamba!!!!!
ahi
Soa fa nisy ny endrikao nampita tsiky vaomaraina nahamirana ny foko rakotry ny adin-tsaina He lay androko mipaika dindon-drahona sahady vao nahita ny endrikao: dia nandresy tsy mba niady Soa fa nisy ihany koa ilay feonao nanako Na tsy tendry ho ahiko aza dia nanaitra toy ny antso K'ilay saiko efa trotraky ny anka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/ny-nosiko
Ny nosiko
Jeankely Razafimamonjy
Nosy mamiko sy andrianiko, Dia ianao ry ilay akaniko. Nahitako ny hazavana, Gasikara mahatamana. Voadidin'onjan-drano Be fijinja fararano ranomasina no varavarana Mankamamy fihavanana. Tsy mba manan-pahavalo, Hoe handrava raha mandalo. Fahafatesana no fetra, Malagasy iray no tarigetra. (jb Razafimamonjy)
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomanga-hery-laza/jamba-mahiratra
Jamba mahiratra
Rakotomanga Hery Laza
Very namana aho raolona matimatin-tambitamby ka tsy afaka misaina intsony ny ataoko sy ny marina. Iza re no tsy hahita na takomana ,na hafenina fotoana sisa no handrasana tsy hoela dia hivaoka ity zavatra nafenina. Loza iray, lozako maso be tsy mahita na mety na tsy mety ,ataoko ataoko ;ataoko ihany izaho al...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsoa/iny-tara-bolana-iny
Iny tara-bolana iny
...Tsoa
Iny tara-bolana iny Iny tara-bolana iny tena betsaka mpaniry. Vitsy anefa no itsikiany ao anaty hirifiry. Mazana anefa anaty alina no fotoana hipotrany. Anaty fahoriana lalina, tonga izy manontany: Inona no tsy ampy ? Moa ve hazavana! Ny hatsiaka ve no tsy tanty? Rahampitso hisy hafanana. Antenaina isan'an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masvotok/mitingitingina
Mitingitingina
Masvotok
alatsao miadana ao izay tena nahaporitra ny kabone no fanafody! Ilay gazetinao iny aforiportra mba hamafana V.dy! rehefa vita ilay fika d' ampiakaro ambonimbony ny fanafenana fananana magala rano mangatsiaka dia alaivo ny savony hanasana tanana! (frista teo ampika.. ana io! )
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/aza-tsiny-indrindra
Aza tsiny indrindra
oceane
Dia iny aho fa tonga efa nanampo ny zavatra hitranga Tsy sarotra ho anao ny nilaza tamiko fa tokony hifarana ilay fitia niarahana Tsy maninona hoy aho somary tsy taitra, nitsiky kely Fa raha mba fantatrao fa ranomaso niniana tsy hikoriana ilay voatanako tsy satry dia ho mody nalahelo ianao Tsy hilaiko akory...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/orana-manaitra
Orana manaitra
Miarantsoa Anicet
ORANA MANAITRA Vao maheno aho hoe : orana Dia indro fa mangorana Ny any anatiko any.Mahatsiaro miherikerika Raha 'njay mandre hoe erika. Paika-toka-monja ao an-tafon-tranoko ao, Manomboka ny hira ; arahina talaho. Nahiratra ny saiko. Taitra teo ny tory. Lasa ny alahelo , lasa koa ny sory. Indro ny eritreritro...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/vongan-dranomaso
Vongan-dranomaso
Ny Kanto
Ho Setrin'ny tononkalo RAHA HO ANY IANAO "Andriary sy Ravaomanahirana" Bongo mason’ny tomany Ilay nandray ny hafatrao Ka rahoviana hono izany Fa ny tontolony miha-lao ? Embon-tsiky tsy fahita Nitsiry teny an-tavany Efa ela izy tsy nahita Anao teo an-tratrany Ny manga kely hitany Amin’iny lanitra iny Toa mang...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampikanto/ny-asa-soratrao
Ny asa soratrao
Mampikanto
NY ASA SORATRAO Ilay asa soratrao, toa nanaitra zany masoko! Mampanonjanonja ny fanahy, toa manainga ny toloko, Tsy nampoiziko akory, hay ianao nitia nangina Ilay olona tsy fantatra mbola eo an-tanim-piadiana! Ilay asa soratrao toa mandrotsirotsy ny tsiahy Irony lasako rehetra, toa mandrotindrotika fanahy Nefa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriamampiely-hebiniaina-iriantsoa/mampitsiky-ny-hafa
Mampitsiky ny hafa...
ANDRIAMAMPIELY Hebiniaina Iriantsoa
Tsy hoe androany ihany F'@ androko rehetra Dia satriko ho zaraina Reo tsiky tena mamy Sy tsy nasiako fetra Ho andon-karakaina Fa...tiako mba hitsiky 'Reo mongom-piforetana Vesaran'adin-tsaina Eny,satriko mihitsy 'Reo ana sy mangetana Ho mirana fiaina Dia...atolotro ny tsiky Tsy misy fanavahana Tsy asiana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/lasanny-hafa
Lasan'ny hafa
andriary
Eny an-tratran'olon-kafa izy vao hoe ahy iny, Fa taminao teo tsy manitra f'efa lasa ny fahiny! Eny an-tratran'olon-kafa izy va hoe malalako tsy foy Fa taminao teo tsy hita Fa fitia mankaloy. Fa eny an-tana'olon-kafa izy tsy anjaranao intsony! Fa tsy nahoanao ny aminy Dia lasan'olona ny fony! Eny an-tanan'o...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nali/hafatra-1
Hafatra
Nali
Etsy kely hono: Mba hindraminy hono ianao Mba hilaza izao sy izao "Efa maty hoe ny azy ary koa efa nariany Fa anolon-kafa indray ny voninkazo ampaniriany Mionona fa tsy tsara ...ny amintsika Dia tsy tsara raha hiorina aman-driaka"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravaomanahirana/minitra-vitsy
Minitra vitsy
ravaomanahirana
Eto ampamisavisaina ny omaly nahitako anao tsikin-tsika nifamaly mbola ao an-tsaiko ao ny masonao nandinika ny ahy menamenatra fihetsika madinika no avy nampiteraka ny foko hidobodoboka! fohy loatra ilay minitra naha-teo anao ny fitiavako tsy ritra te hanjoy anao izaho koa dia adala olona mandalo iny ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ho-fitaratra
Ho fitaratra
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
HO FITARATRA Masoaandro mibaliaka no hitaratra Ilay fitiavantsika ho fitaratra Ka ny lanitra no fetra sy hamarana Fa lamban’akoho ka faty no hisarahana Na ho levona aza izao rehetra izao Ny fitiavako, tsy hiala aminao Fa ho anao irery ihany n’aiza misy ahy Izay no tanjoko k’aza manana ahiahy Teny mamy sady soa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/anjely-a
Anjely a !
Miarantsoa Anicet
Anjely a ! Volana ! Hitanao ? NIposaka ny volana . Efa nahita ianao ? Volana misaika Eny an ' onin ' Andriamanitra. Eny an' ony : vahandanitra. Anjely a ! Volana ! Volana vita avy any an- danitra. Anjely a ! mahantra ka mahantra 'Zay tsy mahita an' io . Anjely a ! Volana...mihanjahanja Volana ...mbola tsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/jangoboravaomanahirana-sy-andriary
Jangobo
andriary
Ny tonokalo nosoratany Itarafana ny hafany! Ka ny ventso nampitainy sy ny zavatra ilainy Dia ny hamoakany ao am-pony Mirakitra irony Hafatra mafonja Miaraka manonja Ny hanina mihombo Fa izy anie jangobo! Ny tonokalo nosoratany Mandrevaka ny hantany Dia lay olona iray Efa ela izay Nanadino ny fahininy Ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/chipie1/enimpitia
Enimpitia
chipie1
sambatra ny mitia tsy mahay mankahala fa ety antany ety be ny mpanadala Endrika faly fona na voky zany na nona Na vizana ny saina Eny na malaindaina hafa raha samihafa toa tsy nisy teny na tafa fa tonga dia mifankafy rehefa henika ilay fitia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/sambatra-izy
Sambatra izy...
andriary
Sambatr'izy notiavinao Fitiavana mangarana madio tsy misy fitaka No natolotrao taminy, Fa tena maminy!!! Sambatra izy notiavinao, Fa tafaombina aminao Ny tontolony rehetra Dia ny sarobidiny indrindra tsy hainy hafindra! Sambatra izy notiavinao Fa ny ventsony rehetra Dia efa tao anatinao Dia ny kalony fahin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-eja/aza-avela-1
Aza avela
ny eja
hiran\'i tovo j\'hay (album tia tkoa) Mitalaho raha azo atao aza avelanao aho hitady ny ho tiavina fa mba hitia tsy miavona dia mba omeo ahy kosa fitiavanao miavosa omeo fo tia ny hafa tsotra tsy mba mihafahafa aza avelanao hiteny raha manambony tena irery tsy mijery ireo mijaly any h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/tara-bolana
Tara-bolana
Ny Kanto
Nankaiza ilay fenomanana Tazako teto omaly ? Tsy tsapako intsony ny tarany Nampiato ny foko tsy hifaly Nanaraka azy avokoa Na sento na hanina am-po Nentiny hifindra any ho any Ny embona sy ny tomany Nankaiza ilay haingon’ny alina? Kintana sisa no teo An-kianjan’ny lanitra lalina Ho fanantenan’ny mitoreo Tar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/iny-habakabaka-iny
Iny habakabaka iny
andriary
Ny habakabaka iny tsy foiko, mambabo ahy fatratra, Satriko banjinina,fa vinakiko eo ny hafatra Mampianatra ahy hitia , sy hankafy lay tiako Itarafako ny aminy , sy ny anton'ny fisiako! Iny habakabaka iny misy loko mitahiry Sary efa voatokana, tsy misy mpahita firy Ny endrik'ilay tiako, hitako eny , eny foana Tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriary/raha-ho-any-ianaonosoratani-ravaomanahirana-sy-andriary
Raha ho any ianao.
andriary
RAHA HO ANY IANAO! Raha ho any ianao hiangaviako omeo azy hafatra an-taratasy izy hono hoe mbola ho avy fa mbola sasatra miady miady ity fiainana ...! raha ho any ianao bitsio mangiana izy fa ny foko dia mitempo ho azy irery ihany ny vavako miventso te ho eo anilany hatrany fa tsy afaka manoatra! raha ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/any-ve-misy
Any ve misy,
Ranoala
Asa loatra lahy nahoana no dia mampikaikaika zao fiainana izao fa na ny voky, na ny noana dia samy lany haiky kara mafy izy izany Ireo voky dia mitazany fa tsy ho ampy intsony ny eny an-tànana Ny naona kosa re rahavana ny maloto havoaka aza tsy ananana Dia hoy ny vaovao: tsy eto fa hatrany ivelany io dia ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miarantsoa-anicet/angamba-aho-ho-tianao-ihany
Angamba aho ho tianao ihany
Miarantsoa Anicet
Angamba aho tianao ihany Raha hoe mpimamo lava. Angamba tsy hampaninona Raha hoe mpitabataba. Tsara aho taminao Raha hoe mpamono vady Mpigidra sy mpiady; Eny e ! Satrinao angamba Raha toa aho mandrongony, Mpampirafy sy mpila lonilony, Tantinao daholo, zakanao ny izany , Lefitrao ihany. Saingy : Tsy zakan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto/ny-lalana-mankany
Ny làlana mankany
Ny Kanto
Setrin'ny tononkalo "Aiza no misy", Vetsoko. Mila kirim-paherezana iny lalana iny Rako-tsilo sy mideza ka ialako tsiny Nefa d’iny làlana iny, no tokana mankany Amin’ilay tanàna tsy mba misy mitomany Feno mpanakora any amoron-dàlana any Sy mpamingana ary koa ireo mpanasohaso Nefa d’iny làlana iny, no tokana manka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiloko-mahadiny/hanina-ny-akany
Hanina ny akany
TSILOKO Mahadiny
Hanina ny akany Mba sambatra ho' aho izany tenako izany Manana akany hitodiako mody. Fa ory ny tenako... e! Mitomany Lavitra anao... aty tsy ho tody. Aty tsy ho tody manembona akany Ny masoandro mody no kopakopahina Veloma,veloma ry tanàna any ho any Hanina mafy no saro-borahina. Ny kopa-mosoaran' ny tia sady ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranaivomanana-m-jean-felix/tsy-sahy
tsy sahy
RANAIVOMANANA M Jean Félix
Hitako ianao fa nibanjina ahy; Niondrika, toatoa menatra angaha Narahako mora nantoniko kely Ny bikany aloha dia endrika anjely Nosafiako ny làlany, ka dia nifanena noraisiko ny tanany , avy hatrany dia nekeny Ny nifiny mitsiky toa zava-mahery Kanahatonga ahy nangovitra kely Niresaka izay nony avy eo Ny fo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravaomanahirana/olon-tiako
Olon-tiako
ravaomanahirana
OLON-TIAKO Ry foko na ilay sombiny ry aiko ,rain-janako eny ry fitiavako mahasarom-piaro ahy sarobidiko lalaiko tiako loatra fa tsy haiko! andefimandriko ,sakaizako mpiaro ahy miaramilako fasambarana eto anilako!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalalason-jean-olivier-rjo/ataoko-ampy-ahy
Ataoko ampy ahy
Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
ATAOKO AMPY AHY Teny manao ahoana Vao mety ahalaza Ny fitiavako anao Habe ohatran’iza No mety ho velarany Mitoetra am-poko ao Milanja firy taonina Sy lopy ohatry ny inona Vao mety ahatazana azy Zovy no mahatsapa Sy maharefy ny halaliny? Ataoko ampy ahy Ny fanajako anao Ka dia hionona aho